Aoka Ianao ho Mpihaino Tsara
Fianarana 5
Aoka Ianao ho Mpihaino Tsara
1-5. Inona moa no dikan’ny teny hoe mihaino, ary nahoana no zava-dehibe ny hihainoana, indrindra mandritra ireo fivorian’ny kôngregasiôna?
1 Ny fandrosoanao amin’ny maha minisitr’i Jehovah dia miankina be dia be amin’ny fahaizanao mihaino. Mandritra ny androm-piainanao, io fahaizana io dia mandray anjara lehibe amin’ny fahaizanao mianatra. Mihaino ny tena rehefa mandre ka manongilan-tsofina, nefa raha tsy mifantoka amin’izay lazaina ny saina dia tsy re izay teny tononina. Tsy isalasalana fa efa niresaka tamin’olona izay tsy dia nihaino anao loatra ianao. Nilaza izy fa nitovy hevitra aminao nefa fantatrao tsara fa tsy nihaino ny teninao izy ka noho izany tsy afaka nandray soa tamin’izay nolazainao. Takatrao amin’izany ny maha zava-dehibe tokoa ny ho mpihaino tsara foana, indrindra rehefa manatrika fandaharam-pampianarana avy amin’Andriamanitra. Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 1:5: “Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina.”
2 Ireo fivorian’ny kôngregasiôna dia anisan’ny fandaharam-pampianarana atolotr’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny fandaminany. Raha mihaino amim-pitandremana isika dia maneho fanajana an’i Jehovah sy izay rehetra ataony ho fampianarana antsika. Kanefa i Jehovah dia mahalala ny toetsika sy ny hoe indraindray isika dia manana fironana hampihena ny fitandremantsika. Noho izany, amin’ny fanasana antsika handray sakafo ara-panahy tondraka izay omeny antsika dia milaza amintsika amim-panantitranterana izy hoe: “Mihainoa dia mihainoa Ahy ka hano izay tsara (...) Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko; mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo.” (Isaia 55:2, 3). Raha maniry hahazo ny fiainana mandrakizay isika sy hanampy ny mpiara-belona amintsika hahazo io loka io dia ilaintsika ny mihaino amim-pankafizana sy hahatakatra ireo hevitr’Andriamanitra. — Heb. 1:1, 2; 2:1.
3 Izay mihaino amim-pitandremana dia mampiseho fanetren-tena tsara ary isika rehetra dia manana antony tsara dia tsara mba hanetren-tena. Tsy misy na dia iray aza amintsika mahay ny zavatra rehetra, hany ka mety ho afaka hampahafantatra zavatra antsika foana ny namantsika. Na dia tsy mahay miteny misosa tsara aza ilay mpandahateny ary tsy manana ireo fahaizana mandaha-teny, ny fanetren-tenantsika amim-pahatsorana dia tokony hanosika antsika hanampy sy hampahery azy amin’ny fihainoana amim-pitandremana izay lazainy. Angamba izy hilaza lafin-javatra na fahasamihafana kely eo amin’ny hevi-teny izay mbola tsy rentsika mihitsy hatramin’izay. Amin’ny alalan’ny vavan’ireo zaza madinika, raha lazaina ara-panoharana, dia mety hanazava antsika i Jehovah. — Matio 11:26.
4 Tena ilaina ny mihaino tsara mandritra ny fivorian’ny kôngregasiôna, satria ireo zavatra ianarantsika ao dia tokony hampiharina eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny fahazoana “fahalalana tsara” no ahafahantsika mitafy ny toetra vaovao. (Kol. 3:9, 10). Nefa raha tsy mihaino amim-pitandremana isika, raha tsy manongilan-tsofina amin’ireo tsipirian-javatra, dia mety tsy hahatakatra hoe inona avy no fiovana ilaina hatao eo amin’ny fiainantsika, ary dia mety hiadana ny fitomboantsika ara-panahy noho izany. Zava-dehibe ihany koa ny hanomezana valin-teny marina mandritra ny famerenana am-bava na an-tsoratra. Ary eny amin’ny saha fitoriana, dia mbola zava-dehibe kokoa ihany ny fahafahana manome ho an’ireo izay manontany izany, ny anton’ny fanantenana kanto ao anatintsika.
5 Arakaraka ny hambolenao fahazarana manongilan-tsofina tsara amin’izay lazaina dia hanatsara ny fahaizanao mitadidy izay renao ianao.
6-8. Ahoana no azo isakanana ny sain’ny tena tsy hiriorio mandritra ny lahateny iray?
6 Ny fomba hihainoana. Mora ny mamela zavatra hafa hampiriorio saina mandritra ireo fivoriana. Ireo zava-niseho nandritra ny andro na ireo zavatra hatao ny ampitso dia mety hitana ny saintsika. Nefa raha tsy mihaino amim-pitandremana izay lazaina ny tena, inona no ilana ny hanatrehana eo? Tokony hifehy tena àry ny tsirairay avy mba tsy hamela ny eritreriny hirenireny. Tokony handray fanapahan-kevitra hentitra ny tena mba hanongilan-tsofina amin’ny zavatra dinihina ary tsy hanaiky hamela ny saina hiriorio. Ao an-tsaina ao, dia toy ny hoe asian’ny tena ridao mikatona eo anoloan’ireo hevitra rehetra tsy mifandray amin’ny foto-kevitra resahina. Izany no fifantohan-tsaina.
7 Ny fomba tsara iray hiarovanao tena amin’ny nofinofy na firiorion’ny saina dia ny fandraisana naoty fohy mahakasika ireo
hevitra sy andinin-teny velabelarin’ilay mpandahateny. Tano ho fohy ny naotinao, satria hanampy anao hifantoka tsara izy io raha vitsivitsy, fa raha be loatra kosa dia hampiriorio ny sainao. Mety hilainao ireny naoty fohy ireny any aoriana; kanefa na dia tsy mijery azy ireny mihitsy aza ianao, dia ho efa nanampy anao hampifantoka ny sainao amin’ny tenin’ilay mpandahateny izany. Ho naneho fahalianana lalina tamin’ilay foto-kevitra novelabelarina ianao ary ho efa nanavaka ireo fanaporofoan-kevitra lehibe indrindra.8 Amin’ny resaka mahazatra, dia fantatra fa mihaino tsara ny olona iray raha mametraka fanontaniana misy heviny momba ilay foto-kevitra dinihina. Toy izany koa, rehefa mihaino lahateny ianao, dia ho voaporofo fa mifantoka amin’ilay foto-kevitra ny sainao raha hitanao fa mametra-panontaniana manorina ny tenanao, ary miandry ny valin-tenin’ilay mpandahateny. Ankoatra ny zavatra hafa dia eritrereto ny fomba mety hampiasanao ireo hevitra atolotra.
9. Ahoana no mety hampiasana ny hafainganan’ny eritreritsika amin’ny fomba mahasoa eo am-pihainoana lahateny iray?
9 Amin’ny fitsipika ankapobeny, ny eritreritsika dia mandeha haingana kokoa noho ireo tenin’ilay mpandahateny, hany ka manam-potoana hieritreretana zavatra hafa ny saina. Efa nisaina fa amin’ny ara-keviny, ny eritreritsika dia mandeha eo amin’ny teny 400 isa-minitra eo ho eo, kanefa raha miteny dia tsy mahatonona afa-tsy teny 125 eo ho eo isika amin’ny ara-keviny amin’io fotoana io ihany. Nefa ny hafainganan’ny eritreritsika dia mety hanampy antsika raha misaintsaina ireo hevitra aseho isika, amin’ny famintinana izany sy famerenana azy ao an-tsaintsika mba handatsahana lalina izany ao.
10, 11. Amin’ny ahoana moa ny antony manosika tsara no mety hanampy antsika hihaino?
10 Ny fomba iray hafa koa mahatonga antsika ho afaka hampifantoka ny saintsika amin’ny hevi-dehibe velabelarin’ny mpandahateny dia ny fihainoana amin’ny fananana antony manosika tsara. Tsy hoe mihaino isika mba hanakianana ireo hevitry ny mpandahateny na ny fomba fampisehoany azy. Anjaran’ny mpiandraikitra ny sekolin’ny fanompoana ny manome torohevitra. Araka izany, ireo mpanatrika hafa dia afaka mifantoka amin’izay hevitra mahasoa rehetra voalazan’ilay mpandahateny.
11 Toy izany koa, rehefa manome torohevitra ny mpianatra iray nandaha-teny ny mpiandraikitra ny sekoly dia tsy hampandroso ny mpianatra hafa ny hanapa-kevitra raha hanaiky ilay torohevitra omena ny tenany na tsia. Ho tsara kokoa aminy ny hanontany tena raha mihatra amin’ny tenany izany torohevitra izany sy ny amin’ny fomba mety handraisany soa manokana avy amin’ny fanoloran-kevitra omena. Araka izany, ny mpihaino tsara dia hampian’ny lahateny tsirairay avy fa tsy hoe hanao fandrosoana fotsiny amin’ireo lahateniny manokana.
12. Ahoana no ahafahan’ireo ankizy mianatra ho tonga mpihaino tsara?
12 Ireo zatovo sy ankizy kely dia tokony hampianarina koa ny fomba hahatongavana ho mpihaino amim-pitandremana. Hahazo fanampiana amin’io lafiny io izy ireo raha mipetraka eo amin’izay ahazoan’ny ray aman-dreny manao andry maso azy ireo tsara. Ireo mahay mamaky teny dia hahazo fampaherezana raha manana ny bokiny manokana izay ianarana. Amin’ny ankapobeny dia tsy fahendrena loatra ny mamela azy ireo hanao zavatra hafa tsy misy ifandraisana velively amin’ny fandaharana. Mba hampirisihana azy ireo hihaino, ireo ray aman-dreny dia afaka mampiomana azy ireo fa rehefa tonga any an-trano izy dia hasaina hanonona iray amin’ireo hevitra nianarany tany amin’ny fivoriana. Raha nandray an-tsoratra izy ireo na mahatadidy hevitra iray nolazaina nandritra ny fivoriana, dia tokony hoderaina amin-kafanam-po. —13, 14. Inona no mety ho vokatry ny sakafo eo amin’ny fahaizantsika mihaino?
13 Azo atao ny mampifantoka ny saina mora kokoa raha manalavitra ny mihinana sakafo be, alohan’ny hivoriana indrindra. Marina tokoa fa ny vavony mavesatra dia mahatonga torimaso satria ireo tahiry ao amin’ny tena dia voataona hanao fandevonan-kanina, ary mampihena ny fahaizana ara-tsaina izany. Rehefa mihadombo toy izany ny fahaizantsika mahatsapa zavatra, dia mety hihaino amin’ny fomba kamokamo isika, ary tsy hihontsina amin’izay lazaina na hankamamy izany, na ny mbola ratsy lavitra noho izany aza, dia mety ho sondrian-tory tanteraka.
14 Ny zava-dehibe indrindra angamba, dia ny handaminanao ny raharahanao mba ho eo tsy tapaka handray ny fandaharana omena. Any amin’ireo sekoly eo amin’izao tontolo izao, dia mpianatra maro no “mivangabao” ary miezaka manarina izany amin’ny fampianaran-tena. Nefa moa ve ianao afaka mandray soa amin’ny fampianarana izay tsy renao? Aza avela hanakana anao tsy hanatrika ireo fivoriana àry ny fianakavianao na ireo namanao. Aoka ho azonao antoka fa ho eo ianao mba hihaino tsy tapaka ireo fahamarinana mamelombelona avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.
15, 16. Hazavao hoe ahoana no ahafahantsika mitsapa sy manatsara ny fahaizantsika mihaino mandritra ireo fivoriana.
15 Tsapao ny fahaizanao mihaino. Mandany adiny dimy isan-kerinandro amin’ny fivorian’ny kôngregasiôna isika, ary mandritra ny ankabeazan’izany fotoana izany dia manana fahafahana hianatra amin’ny fihainoana. Moa ve ianao mandray soa manokana faran’izay betsaka amin’izany fotoana izany? Firy amin’ireo hevitra tsara dia tsara novelabelarin’ny mpandahateny ampahibemaso isan-kerinandro no tadidinao? Rehefa avy nanatrika ny sekolin’ny fanompoana sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ianao, moa ve hainao ny milaza amin’ny fomba fiteninao manokana ny hevi-dehibe tao amin’ny lahateny tsirairay avy, sa indraindray dia tsy tadidinao akory hoe iza no nandray anjara tamin’ny fandaharana? Moa ve ho afaka
handray soa tsara kokoa ianao raha manao fiezahana betsaka kokoa mba hampifantohana ny saina, angamba amin’ny fandraisana naoty fohy? Ataovy ny fanandramana. Avy eo, aorian’ireo fivoriana, dia resaho amin’ny mpanatrika hafa ireo hevi-dehibe novelabelarina.16 Mandritra ny maromaro amin’ireo fivoriantsika isan-kerinandro dia misy fanontaniana apetraka ary dia asaina hamaly ny mpihaino. Ireo valin-teny matetika dia vokatr’ireo ora maromaro nanaovana fianarana manokana ary manome taratry ny taona maro nahazoana traikefa. Moa ve ianao mihaino amim-pitandremana ireo valin-tenin’ny hafa? Rehefa avy niteny izy ireo, ho azonao atao ve ny hamerina amin’ny fiteninao manokana ny votoatin’ny valin-teniny? Andramo dia ho faly ianao hahatsapa fa mihaino lavitra noho ny teo aloha ny tenanao.
17. Inona no mety hanampy antsika hanaraka amim-pitandremana ny famakiana ireo fehintsoratra?
17 Misy famakian-teny be dia be koa mandritra ireny fivoriana ireny. Vakina ireo fehintsoratra amin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy amin’ny fianarana ny bokin’ny kôngregasiôna. Moa ve ianao manaraka amim-pitandremana io vakiteny io, sa mamela ny sainao hirenireny? Misy tsipiriany maro ao amin’ireo fehintsoratra izay tsy voalaza daholo ao amin’ireo valin-teny am-bava. Ary avy eo, ny famerenan’ireo mpanome valin-teny ireo hevi-dehibe dia manampy mba hampiraikitra tsara ao an-tsaina ilay zavatra nianarana. Toy inona moa ireo zavatra mety ho fantatsika raha mihaino amim-pitandremana izay rehetra vakina mandritra ny fivoriana isika! Hahatratra izany tanjona izany mora kokoa ianao raha manaraka ny vakiteny amin’ny masonao sy ny sofinao.
18-20. Ahoana no amalian-tsoa ireo mpihaino amim-pitandremana?
18 Valian-tsoa ireo mpihaino amim-pitandremana. Miaiky ireo mpihaino tsara fa manana zavatra maro hianarana izy ary may ny hanangona fahalalana faran’izay betsaka. Manaraka ireto tenin’ny Ohabolana 2:3, 4 ireto izy ireo: “Miantso ny fahalalana hianao (...) manandratra ny feonao hahazo saina, (...) mitady azy toy ny fitady volafotsy”. Mitahy ny fikarohana ataony i Jehovah satria manome izao fampanantenana izao izy: “Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. (...) Dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny ary ny hitsiny, dia ny làlana tsara rehetra.” — Ohab. 2:5, 9.
19 Marina aloha fa mba hahatongavana ho mpihaino tsara dia ilaina ny mifehy tena. Nefa hevero ny valisoa! Manjary miharihary ny fandrosoantsika ara-panahy. Mitondra fiovana ahitan-tsoa eo amin’ny fiainantsika isika. Mampitombo ny fahaizantsika mampahafantatra ny vaovao tsara isika na eo amin’ny lampihazo na any amin’ny saha fitoriana.
20 Toa voafetra ny fotoana azontsika atokana amin’ny fianarana manokana, nefa isika rehetra dia afaka mihaino be dia be any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Noho izany, dia zava-dehibe tokoa ny fahaizana mihaino tsara! Ary satria ireo zavatra rentsika mahakasika ny fanompoana atolotsika an’i Jehovah sy ny fanantenantsika hiaina mandrakizay dia mampiseho fahendrena aoka izany ity torohevitra nomen’i Jesosy manaraka ity: “Koa tandremo ny fihainoanareo.” —[Fanontaniana]