Aoka Isika Hafana Fo sy Haneho Fitiavana
Fianarana 33
Aoka Isika Hafana Fo sy Haneho Fitiavana
1. Inona no hanaitra ny hafanam-ponao?
1 Manome aina ny lahateny iray ny hafanam-po. Raha tsy mafana fo amin’izay lazainao ianao, dia azo antoka fa ho toy izany koa ny mpihaino anao. Raha tsy mandrisika anao ny foto-kevitrao dia tsy handrisika ireo mpihaino anao koa. Mba hanehoan’ny mpandahateny iray hafanam-po marina dia tokony hiaiky mafy izy fa mila mandre izay holazainy ny mpihaino. Midika izany fa hihevitra ny mpihaino ianao rehefa hanomana ny lahateninao, hifidy hevitra hahasoa azy tokoa sy hamolavola izany hevitra izany amin’ny fomba iray mahatonga ny mpihaino hahatakatra avy hatrany ny hasarobidiny. Raha toy izany no ataonao dia ho voatosika hiteny amin-kafanam-po ianao ary dia ho toy izany koa ny fihetsiky ny mpihaino anao.
2-5. Amin’ny ahoana ny faharisihana eo am-panaovana lahateny no mitory hafanam-po?
2 Hafanam-po aseho amin’ny faharisihana eo am-panaovana lahateny. Miharihary indrindra ny hafanam-ponao rehefa marisika ianao eo am-panaovana lahateny. Tsy afaka ny tsy hiraika na tsy ho rototra ianao. Tsy maintsy velombelona tanteraka ny endrikao, ny feonao sy ny fomba fiteninao. Ilainao ny miteny amin-kery, amin-tanjaka sy fiekena, kanefa tsy mitompo
teny fantatra. Nefa aza manaiky hoentin’ny firehitry ny fonao. Ny mpandahateny iray manary ny fifehezan-tenany dia mamoy ihany koa ny mpihaino azy.3 Mifindra ny hafanam-po. Raha mafana fo amin’izay lazainao ianao, dia hifindran’izany hafanam-po izany koa ny mpihaino anao, ary raha mijery tsara azy ireo ianao, dia hiverina any aminao indray ny taratry ny hafanam-pony ka hihazona hatrany ny firehitry ny fonao. Mifanohitra amin’izany kosa fa raha mahamonamonaina ny lahateninao dia ho valalanina hanaraka anao ny mpihaino anao.
4 Milaza i Paoly fa tokony harehitry ny fanahin’Andriamanitra isika. Raha toy izany ianao, ny faharisihanao eo am-panaovanao lahateny dia hahatonga ny fanahin’Andriamanitra hiasa ao amin’ny mpihaino ka hanosika azy hanao zavatra. Narehitry ny fanahy i Apolosy rehefa niteny, ary voalaza fa lehilahy nahay nandaha-teny izy. — Rom. 12:11, NW; Asa. 18:25; Joba 32:18-20; Jer. 20:9.
5 Raha ta hafana fo amin’ny lahateny iray ianao dia tsy maintsy miaiky aloha fa manan-javatra mendrika holazaina. Ianaro tsara ilay foto-kevitra mandra-pahitanao hevitra mandrisika ny tenanao manokana aloha. Tsy voatery ho hevi-baovao ilay izy, fa ny fomba itondranao ilay foto-kevitra no mety ho hafa kely. Raha mino ianao fa manan-javatra holazaina izay hahatonga ny mpihaino anao hatanjaka eo amin’ny fanompoam-pivavahany, na hahatonga azy ho mpitory mahay kokoa na ho Kristianina tsara kokoa, dia manana antony hahatongavana hafana fo ianao, ary dia ho velombelona ny lahateninao.
6-9. Inona no ifandraisan’ny foto-kevitr’ilay lahateny amin’ny hafanam-po eo am-pamelabelarana azy io?
6 Hafanam-po mifanaraka amin’ny foto-kevitra. Mba hahatonga ny lahateninao tsy hitovy tantana sy mba hahitan’ny mpihaino anao soa dia tsy tokony hotanana ho ambony loatra ny hafanam-ponao mandritra ny famelabelarana iray manontolo. Raha manao izany ianao, dia ho vizana ambony ihany ny mpihaino na dia mbola tsy nanomboka nanao zavatra akory aza. Izany dia mbola manamafy ny ilana hanomanana hevitra ampy fahamaroan-karazana mba hisian’ny fiovaovana eo am-panaovana lahateny. Midika izany fa misy hevitra sasany mitaky avy hatrany hafanam-po bebe kokoa noho ny hafa, ary tokony hampifandimbiasina amim-pahakingana izy ireny mandritra ny lahateninao manontolo.
7 Ireo hevi-dehibe indrindra indrindra no tokony haseho amin-kafanam-po. Tokony hisy hevitra lehibe ny lahateninao, ka ho ny hevitra tampony indrindra izany. Koa satria ireo no hevitra misongadina indrindra ao amin’ny lahateninao, dia mazàna ireo no hevitra natao hanomezana antony manosika ny mpihaino sy hanaovana fampiharana ny fanaporofoan-kevitrao, na ny anton-javatra nomenao, na ny torohevitrao. Rehefa
avy nampiaiky ny mpihaino ianao, dia tokony handrisika azy ireo hanao zavatra amin’ny fampisehoana ireo soa, fifaliana sy tombontsoa raisina amin’ny fampiharana ireo fahamarinana ireo. Ilaina àry ny miteny amin-kafanam-po.8 Kanefa halaviro ny mampiseho ireo hevitra hafa amin’ny tsy firaikana. Aza ariana na oviana na oviana ny hafanam-ponao amin’ilay foto-kevitra ary aza avela hangatsiaka ny zotom-ponao. Alao sary an-tsaina ny ombimanga iray miraoka tsy amin’ahiahy eo amin’ny malaladalaka tsy misy hazo ao anaty ala; mety ho toa tsy miraika tanteraka izy etỳ ivelany, nefa dia vonona hanao zavatra avy hatrany raha vao tandindomin-doza na dia kely aza ka handositra amin’izato fitsambikinana mampitolagaga. Mahazo aina izy nefa maodimaody lalandava. Azonao atao ny manahaka azy, na dia amin’ireo tapany amin’ilay lahateny tsy mitaky hafanam-po indrindra aza.
9 Inona no dikan’izay voalaza teo aloha rehetra izay? Tsy tokony hoterena na oviana na oviana ny faharisihana eo am-panaovana lahateny. Tokony hohetsehin’ny antony azo ekena izay ao anatin’ilay foto-kevitra izany. Ho hitan’ny mpanome torohevitra anao raha nifanaraka tamin’ny foto-kevitra novelabelarinao ny hafanam-ponao. Tafahoatra loatra ve izany, tsy ampy sa diso toerana? Mazava ho azy fa hihevitra ny maha ianao anao izy. Raha saro-kenatra ianao dia hanoro hevitra anao hafana fo kokoa izy, nefa raha hitany fa somary mirehitra loatra ianao dia hampirisika anao izy ho tony kokoa. Ampifanaraho amin’ny foto-kevitra àry ny hafanam-ponao ary ataovy misy karazany samihafa ny hevitrao mba ho voalanjalanja tsara hatreo am-piandohana ka hatrany amin’ny faran’ny lahateny ataonao amin-kafanam-po.
**********
10-12. Inona moa no atao hoe fanehoana fitiavana sy fihetseham-po?
10 Mifamatotra akaiky amin’ny hafanam-po ny fanehoana fitiavana sy ny fihetseham-po. Ny fanehoana azy ireo anefa dia hetsehin’ny toe-po samy hafa ary miteraka vokatra samy hafa eo amin’ny mpihaino. Ny mpandahateny mazàna dia mafana fo noho ilay foto-kevitra asehony, fa feno fitiavana kosa izy rehefa mihevitra ny mpihaino ka maniry ny hanampy azy. Ny hevitra hoe “Fanehoana fitiavana, fihetseham-po”, voamarika eo amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny dia mendrika ny hoheverina fatratra.
11 Raha mampiseho fitiavana sy fihetseham-po ianao, dia ho tsapan’ny mpihaino anao fa olona maneho fitiavana sy hatsaram-panahy ary fangoraham-po ianao. Hanintona azy toy ny afo iray amin’ny alina mangatsiaka, ianao. Ny lahateny iray feno hafanam-po dia mandrisika, kanefa ilaina koa ny fihetseham-po malefaka. Tsy ampy foana ny mampiaiky ny saina; tsy maintsy tohinina koa ny fo.
Galatiana 5:22, 23 izay misy firesahana ny amin’ny fitiavana, ny fahari-po, ny fahamoram-panahy, ny fahalemem-panahy, nefa ianao tsy manome taratr’ireo toetra ireo na amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa? Mariho ihany koa ireo fihetseham-po malefaka asehon’i Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 2:7, 8. Mitaky fanehoana fitiavana sy fihetseham-po ireo fanambarana ireo. Ahoana no tokony hanehoana ireo toetra ireo?
12 Ohatra, hety ve ny hamakiana ny andalan-teny ao amin’ny13, 14. Ahoana no azo anehoana fitiavana eo amin’ny toetoetran’ny endrika?
13 Fanehoana fitiavana hita eo amin’ny endrika. Raha manam-pitiavana ny mpihaino ianao, dia tokony ho hita taratra eo amin’ny endrikao izany, raha tsy izany dia hisalasala ny amin’ny fitiavanao izy ireo. Nefa tsy tokony hihatsaravelatsihy izany. Tsy azo entina toy ny saron-tava izany. Tsy tokony hampifangaroina amin’ny fanehoana fitiavana sy ny fihetseham-po koa anefa ny fisehoana ho mangorakoraka be sy ny fanaranam-po amin’ny fihetseham-po tafahoatra. Ny endrika mitory hatsaram-panahy dia hampiharihary ny fahatsorantsika.
14 Matetika tokoa ianao dia ho sendra mpihaino sariaka. Noho izany, raha tena mijery ny mpanatrika ianao, dia hafana ny fihetseham-ponao amin’izy ireo. Hampisy rivo-piainana tony sy feno fisakaizana izany. Mifantena mpihaino iray manana endrika sariaka indrindra, ary miresaha aminy mandritra ny fotoana kelikely. Avy eo dia mifantena indray iray hafa, ary miresaha aminy. Tsy vitan’ny hoe hahatonga ny fifandraisanao amin’ny mpihaino ho tsara fotsiny izany, fa hanintona anao koa ho amin’ny mpihaino, ary ilay endrikao feno fihetseham-po mafana kosa dia hanintona ny mpihaino ho aminao.
15-19. Lazao hoe inona no hahatonga ny feon’ny mpandahateny haneho fitiavana sy fihetseham-po.
15 Eo amin’ny toetran’ny feo. Voaporofo fa na dia ireo biby aza dia afaka, amin’ny fetra sasany, mamantatra ireo fihetseham-pontsika arakaraka ny toetran’ny feontsika. Raha marina izany amin’ny biby, dia vao mainka hanohina ny mpihaino kokoa ny feo iray ahatsapana fitiavana sy fihetseham-po.
16 Raha tena tsapanao fa mihataka amin’ny mpihaino ianao, raha mieritreritra bebe kokoa ny amin’izay lazainao ianao fa tsy ny amin’izay ho fandraisan’ny mpihaino izany, dia ho sarotra ny hanafina izany amin’ny mpihaino manongilan-tsofina tsara. Raha mifantoka amim-pahatsorana amin’ireo iresahanao kosa anefa ny fahaliananao, ka maniry hampita amin’izy ireo ny hevitrao ianao mba hahafahany hisaina toa anao, dia ho hita taratra eo amin’ny toetran’ny feonao ny fihetseham-ponao.
17 Miharihary anefa fa tsy maintsy feno fahatsorana izany fahalianana izany. Toy ny hafanam-po, ny tena fanehoana fitiavana marina dia tsy azo atao an-kosotra fotsiny. Tsy tokony hiseho ho tsara fanahy amim-pihatsarambelatsihy mihitsy ny mpandahateny. Ny fanehoana fitiavana sy ny fihetseham-po dia tsy
tokony hampifangaroina koa amin’ny fisehoana ho mangorakoraka be, na amin’ilay feo mody apararetran’ireo mitady hampihetsi-po fatratra ny vahoaka.18 Raha farina sy henjana ny feonao dia hanahirana anao ny hiteny amim-panehoam-pitiavana. Miezaha amim-pieritreretana tsara mandresy io vato misakana io. Mila fotoana ianao hanatsarana ny toetran’ny feonao, nefa ho afaka hahatratra izany ianao raha manao ny fiezahana ilaina.
19 Indro misy fanoloran-kevitra ara-panao fotsiny: Koa satria ireo zanatsoratra tononina fohy loatra mahatonga ny feo ho henjana, dia mianara manalava azy ireny kely. Hanalefaka ireny zanatsoratra ireny izany, ary avy hatrany dia hahatonga ny toetran’ny feonao hafana kokoa.
20, 21. Amin’ny ahoana ny foto-kevitry ny lahateny no misy vokany eo amin’ny fanehoana fitiavana sy fihetseham-po eo am-pamelabelarana ilay lahateny?
20 Mifanaraka amin’ny foto-kevitra. Toy ny amin’ny hafanam-po, ny fanehoana fitiavana sy ny fihetseham-po dia miankina amin’ny ampahany lehibe amin’ny foto-kevitra resahina. Ny andalan-teny ao amin’ny Matio 23 dia manome ohatra tsara ho antsika ny amin’izany. Rehefa nanameloka ireo mpanora-dalàna sy Fariseo i Jesosy dia azo antoka fa tsy nilaza ireo teny henjana ireo tamin’ny fomba malemilemy sy matimaty izy. Eo anivon’izany fitenenany feno fahatezerana sy fahavinirana izany anefa, dia ahitantsika fehezanteny iray feno hafanana sy fitiavana. Azo antoka fa tamim-pangoraham-po no nanambarany hoe: “Impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany, fa tsy nety ianareo!” Avy eo, niala tamin’ny feo feno fitiavana, i Jesosy Kristy dia nanampy hoe: “Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.” Eo ny feo dia mitory fandavana sy rikoriko.
21 Amin’ny toe-javatra toy inona àry no mety ny hitenenana amim-panehoam-pitiavana sy fihetseham-po? Azo anehoana izany ao amin’ny ankamaroan’izay lazainao eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha na ao amin’ny lahatenin’ny mpianatra, indrindra fa rehefa manjohy hevitra ianao, mampahery, mananatra, miara-miory amin’ny fahorian’ny hafa, sns. Tadidio ny fanehoana fitiavana no sady aza hadinoina ny hafanam-po rehefa ilaina izany. Aoka ianao hahay handanjalanja amin’ny zavatra rehetra, nefa ataovy velombelona araka izay farany azo atao ny teny rehetra lazainao.
[Fanontaniana]