Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fahatoniana sy Fisehoana Ivelany

Fahatoniana sy Fisehoana Ivelany

Fianarana 37

Fahatoniana sy Fisehoana Ivelany

1-9. Farito ny atao hoe fatokian-tena sy fahatoniana, ary ahoana no mety hahazoana ireo toetra ireo?

1 Ny mpandahateny tony dia mpandahateny tsy mihenjana. Milamina sy tsy misahotaka izy satria mahafehy tsara ny tarehin-javatra. Ny tsy fananana fahatoniana kosa dia mampiseho fa somary misy tsy fatokian-tena ao. Miaraka ireo zavatra roa ireo; izany no nanambarana azy eo ambanin’ilay hevitra hoe: “Fatokian-tena sy fahatoniana” eo amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny.

2 Na dia faniry aza ny fatokian-tena sy ny fahatoniana ho an’ny mpandahateny, izany dia tsy tokony hafangaro amin’ny fatokian-tena be loatra izay miseho rehefa miedinedina eo amin’ny lampihazo ny olona iray, na tsy maka sarotra fa maka aina be loatra rehefa mipetraka, na miankinankina amin’ny tolam-baravarana rehefa mitory isan-trano. Raha toa ilay mpiandraikitra ny sekoly ka mahamarika zavatra toa mahatonga hihevitra anao ho matoky tena be loatra dia hanome torohevitra anao mitokana izy, satria ny faniriany dia ny hanampy anao mba tsy hanao izany fihetsika mety hampihena ny vokatry ny fanompoanao izany.

3 Nefa raha mpandahateny vaovao ianao, dia azo inoana kokoa fa tsy ho sahy sy ho menamenatra ianao eo am-panatonanao ny lampihazo. Mety ho tena hendratrendratra sy tsy hahazoazo aina tokoa ianao ka izany dia mety hampino anao fa tsy handaitra ilay famelabelaranao. Tsy voatery ho toy izany no izy. Afaka mahazo fatokian-tena sy fahatoniana ianao raha mazoto miezaka sy mahafantatra ny antony tsy anananao ireo toetra ireo.

4 Nahoana ny mpandahateny sasany no tsy matoky tena? Misy antony roa, ka amin’ny ankapobeny dia mety ho ny iray na izy roa mitambatra no mahatonga izany. Ny voalohany dia ny tsy fahampian’ny fiomanana tsara na ny tsy fahazoana tsara ny hevitr’ilay foto-dresaka. Ny faharoa dia ilay fiheverana hoe tsy mahay mandaha-teny mihitsy ny tenany na ahoana na ahoana.

5 Inona no hanome anao fatokian-tena? Raha ny marina, izany dia ny fahafantarana, na ny finoana fa ho vitanao ny hanatanteraka ny zava-kendrenao. Izany dia ilay fatokiana fa ianao no mitantana ny raharaha ka afaka mifehy izany. Mety hitaky traikefa sasany izany eo amin’ny lampihazo. Raha efa nanao lahateny maromaro ianao, dia ara-dalàna ny atokisanao fa hahomby koa ilay lahateny hataonao. Kanefa na dia mbola somary vaovao ihany aza ianao, dia tokony hampahery anao ireo lahateninao tany am-boalohany, ka tsy ho ela ianao dia tokony ho afaka haneho io toetra io araka ny antonony.

6 Na mpandahateny havanana ianao na tsia, ny fepetra iray tsy maintsy ilaina amin’ny fatokian-tena dia ny fahalalana tsara ny foto-kevitrao sy ny fiekena mafy fa mendrika hatao izy io. Midika izany fa tsy vitan’ny hoe tokony homanina tsara mialoha fotsiny ilay foto-dresakao, fa tokony homanina amim-pitandremana koa ny famelabelarana azy io. Raha takatrao fa hahatonga anao hanao fandrosoana teôkratika izany no sady hampianatra ireo rahalahy manatrika eo, dia amim-pahatsorana no hiakaranao eo amin’ny lampihazo. Ho variana aoka izany amin’ilay foto-dresaka ianao hany ka hanadino ny tenanao sy ny fahasarotan-kenatrao. Ny hampifaly an’Andriamanitra, fa tsy ny olona, no hoeritreretinao. — Gal. 1:10; Eks. 4:10-12; Jer. 1:8.

7 Midika izany fa tsy maintsy miaiky mafy izay rehetra holazainao ianao. Ataovy azo antoka fa izany no izy, rehefa manomana ianao. Rehefa avy nanao izay rehetra azonao natao ianao mba hanomanana lahateny velombelona sy mahaliana, kanefa toa mbola tsapanao ihany fa tsy ampy aina na matimaty ny lahateninao, dia tadidio fa ny mpihaino velombelona dia hanafana ny lahateninao. Taitairo amin’ilay fomba fampisehonao ny mpihaino, ary ny fahalianan’izy ireo no hanome toky anao eo amin’izay lazainao.

8 Tahaka ny dokotera iray mitady ireo soritr’aretina, ny mpanoro hevitra anao dia hanamarika ireo famantarana izay mampiseho miharihary tsy fahampian’ny fahatoniana. Ary toy ny itsaboan’ny dokotera mahay iray ny antony mahatonga ny aretina fa tsy ny soritr’aretina, dia toy izany koa fa ny mpanoro hevitra tsara iray dia hiezaka hanampy anao handresy ireo tena antony mahatonga anao tsy ho ampy fatokian-tena sy fahatoniana. Kanefa raha mahafantatra ireo soritr’aretina ianao ka mianatra mifehy azy ireny, izany dia tena hanampy anao handresy ireo antony mahatonga ireny soritr’aretina ireny. Inona avy izany?

9 Amin’ny ankapobeny dia misy fomba roa ivoahan’ireo fihetseham-po na fihenjanana kobonin’ny olona. Azo atao ny manakilasy azy ireo ho porofo hita maso na ara-batana sy ho famantarana eo amin’ny feo. Rehefa miseho ireo famantarana ireo, dia afaka milaza isika fa tsy manana fahatoniana izany olona izany.

10, 11. Ahoana no ampihariharian’ny fihetsiky ny vatana ny tsy fananana fatokian-tena?

10 Fahatoniana hita eo amin’ny fihetsiky ny vatana. Ny porofo voalohany ahitana ny fahatoniana àry, dia miseho eo amin’ny fihetsiky ny vatanao. Ireto misy zavatra sasany izay hampiharihary fa tsy ampy fatokian-tena ianao. Jereo aloha ny tanana: tanana babena any andamosina, na ahinjitra manaraka ny vatana, na mamikitra mafy eo amin’ny polipitra; tanana miditra sy mivoaka ny paosy imbetsaka, na mamaha sy manidy tsy an-kijanona ny palitao, na mikasikasika tsy amin’antony ny takolaka, ny orona, ny solomaso; fihetsehana tapaka eny antenatenany; tanana milalao famantaranandro, pensilihazo, peratra na fandraisana an-tsoratra. Jereo ihany koa ny fanetsiketsehana foana ny tongotra, ny fitehenana amin’ny tongotra iray ary avy eo amin’ny ilany koa, ny fijoroana mijaridina be na ny lohalika mitolantsika; ny fandemana foana ny molotra, ny fiteleman-drora foana sy ny fisefosefoana.

11 Ireo fisehoan’ny fihenjanana rehetra ireo dia azo fehezina na hakelezina noho ny fiezahana amim-pahatsiarovan-tena. Raha manao fiezahana toy izany ianao, dia hanome taratry ny fahatoniana ny fihetsiky ny vatanao. Koa ataovy ara-dalàna sy mitovy tantana ny fisefonao, ary miezaha mba tsy hihenjana. Manaova fiatoana alohan’ny hanombohana miteny. Azo antoka fa hampiseho fihetsika tsara ny mpihaino anao, ary izany kosa no hanampy anao hahazo ilay fatokian-tena izay tadiavinao. Mifantoha amin’ny foto-dresakao, fa aza manahy ny amin’ny mpihaino na ny amin’ny tenanao.

12-14. Raha manome taratry ny tsy fananana fatokian-tena ny feonao, inona no azonao atao mba hananana fahatoniana?

12 Fahatoniana aseho amin’ny fifehezana ny feo. Ireo porofo ampisehoan’ny feo ny fihenjanana dia ny feo maranitra amin’ny fomba hafahafa, ny feo mangovingovitra, ny kohaka miverimberina mba hampisava ny feo, ny toe-peo malefaka loatra izay tsy manako, vokatry ny fihenjanana. Azo resena amin’ny fiezahana amim-pahazotoana koa ireo zava-manahirana sy fahazaran-dratsy ireo.

13 Aza mikoropaka rehefa mankeny amin’ny lampihazo na rehefa mandamina ny taratasy misy ny naoty fohy noraisinao. Aoka ianao tsy hihenjana fa ho faly hizara ireo hevitra nomaninao. Raha fantatrao fa mihenjana be ianao rehefa manomboka miteny, dia tsy maintsy miezaka hiteny miadana kokoa tsy toy ny mahazatra ianao eo amin’ny fampidiran-dresaka, ary ampidino ho ambany kokoa noho izay ara-dalàna aminao ny haavon’ny feonao. Hanampy anao hifehy ny fihenjananao izany. Ho hitanao fa hanampy anao ho tony ny fihetsehana sy ny fiatoana.

14 Nefa aza miandry ny ho eny amin’ny lampihazo vao manazatra tena amin’ireo zavatra rehetra ireo. Mianara miseho ho tony sy mifehy tena eo amin’ny resaka ataonao andavanandro. Izany dia hahatonga anao hatoky tena eo amin’ny lampihazo sy eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, izay tena ilana izany. Ny famelabelarana tony dia hahatonga ny mpihaino hahazo aina mba hahafahany hifantoka amin’ilay foto-dresaka. Raha manome valin-teny tsy tapaka ianao mandritra ireo fivoriana, izany dia hanampy anao ho zatra hiteny eo anatrehan’ny antokon’olona iray.

**********

15. Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fisehoana ivelany tsara?

15 Afaka manampy anao hanana fahatoniana ny fisehoana ivelany tsara, kanefa misy antony hafa koa maha zava-dehibe azy io. Raha tsy asiana fiheverana ampy izy io, dia mety ho hitan’ilay mpitory fa ny fisehoany ivelany dia mampivily ny sain’ny mpihaino ka mahatonga azy ireo ho tsy tena hihaino izay lazainy. Hanintona ny sain’izy ireo ho amin’ny tenany izy, nefa tsy izany no zava-kendreny. Ny olona iray tsy mahavà-tena dia mety hahatonga ny hafa hanambany ny fandaminana izay soloany tena sy handa ny hafatra entiny. Zavatra tsy tokony hisy izany. Koa na dia eo amin’ny faran’ny lisitra ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny aza ny hoe “Fisehoana ivelany”, dia tsy tokony hoheverina ho tsinontsinona izy io.

16-21. Torohevitra inona no omena mahakasika ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe mendrika?

16 Fitafiana sy fisehoana ankapobe mendrika. Tokony hohalavirina ny fanaovan-javatra tafahoatra eo amin’ny fitafiana. Ny mpitory kristianina dia tsy hanaraka ireo fanao lasa lamaody eo amin’izao tontolo izao, izay natao hanintonana ny maso ho amin’ny tena. Hohalaviriny ny hanao haingon’adala, na hanao fitafiana marevaka loatra hany ka ilay fitafiana no manintona ny saina. Afa-tsy izany koa, dia hitandrina izy mba tsy hanana fomba fitafy misavoritaka. Ny hoe mitafy tsara akory tsy mitaky ny hanaovana kompile vaovao, nefa afaka ny ho madio sy milamina foana ny tena. Tokony ho voapasoka tsara ny pataloa ary hipetraka tsara ny karavato. Afaka manao izany ny olona rehetra.

17 Sahaza ny vehivavy kristianina ankehitriny ilay torohevitra momba ny fitafiana izay nomen’i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 2:⁠9. Izay marina amin’ireo rahalahy dia toy izany koa amin’ireo anabavy. Tsy tokony hanana fomba fitafy manintona ny saina ho amin’ny tenany izy ireo, ary tsy hety koa ny hanaovany zavatra tafahoatra amin’ny fanarahana ireo didin’akanjo mampiseho tsy fahamaotinana izay fanaon’izao tontolo izao.

18 Mazava ho azy fa tsy hampoizina hitafy amin’ny fomba mitovy akory ny olona rehetra. Tsy mitovy fitiavan-javatra isika rehetra ary ara-dalàna tanteraka izany. Miovaova koa izay fitafiana heverina fa mendrika, any amin’ny faritra samy hafa amin’ny tany. Tsara hohalavirina foana anefa ny fomba fiakanjo izay mahatonga ny mpihaino hieritreri-dratsy sy ny fanafintohinana ireo tonga any amin’ny fivoriantsika.

19 Ny azo lazaina mahakasika ny fomba fitafy mendrika ho an’ireo rahalahy manao lahateny amin’ny sekoly na amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, dia hoe tokony hitafy toy ny fanao mahazatra an’ireo rahalahy manao lahateny ampahibemaso izy ireo. Raha toa ireo mpandahateny ampahibemaso ao amin’ny taninao ka zatra manao kompile sy karavato, dia tokony hanao toy izany koa ianao rehefa manao lahateny amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, satria ny zava-kendreny dia ny hampiofana anao ho mpandahateny ampahibemaso.

20 Tokony hasiana fiheverana koa ny fisehoana ankapobe mendrika. Manimba ny fiheveran’ny hafa ny volo tsy voahogo. Tokony ho araka ny antonony ny fitandremana atao amin’io lafiny io, mba hahatonga ny tena hanana fisehoana ivelany milamina. Toy izany koa ny amin’ireo lehilahy ao amin’ny kôngregasiôna izay manana anjara amin’ny fivoriana, tokony ho azon’izy ireo antoka fa niharatra tsara ny tenany.

21 Raha ny amin’ny torohevitra omena mahakasika io fitafiana sy fisehoana ankapobe mendrika io, rehefa misy antony tsara ahafahana manao teny fiderana, dia azo atao tsara ny manome izany avy eny amin’ny lampihazo. Hampirisika ny hafa hanahaka ohatra tsara, raha ny marina, ny fanomezana teny fiderana ireo izay mitandrina ny fitafiany sy ny fisehoany ankapobe. Nefa raha misy ilana fanatsarana eo amin’ny fitafiana sy ny fisehoana ankapobe, dia ho tsara kokoa raha manome amin-katsaram-panahy izany soso-kevitra izany mitokana ny mpiandraikitra ny sekoly, fa tsy hanome torohevitra ilay mpianatra avy eny amin’ny lampihazo.

22-28. Lazao ny fiantraikan’ny fomba fijoro eo amin’ny fisehoana ivelany.

22 Fijoro tsara. Tafiditra ao amin’ny fisehoana ivelany koa ny fijorony tsara. Eto indray koa, dia tsy mijoro amin’ny fomba mitovy daholo akory ny rehetra ary tsy tokony hoterena hanaraka hevitra henjana ireo rahalahy momba an’io. Kanefa mety ny hanitsiana na hialana amin’ny fihetsika tafahoatra manintona ny saina ho amin’ilay mpandahateny fa tsy ho amin’ilay hafatra.

23 Ohatra, tsy mitovy daholo akory ny fomba fametraky ny mpandahateny rehetra ny tongony ary raha ny tena izy dia tsy zava-dehibe izany raha mbola mijoro mahitsy koa ny tena. Kanefa raha toa ny mpandahateny iray misabaka be loatra ka mahatonga hieritreritra mpitaingin-tsoavaly dia mety hampiriorio ny sain’ny mpihaino tsy ho amin’ilay lahateny izany.

24 Tahaka izany koa, raha toa ilay rahalahy ka tsy mijoro tsara fa mitanondrika eo amin’ny polipitra, dia mety hihevitra ny mpihaino fa tsy dia metimety izy ka mety hitsetra azy. Mazava ho azy fa izany dia mampivily ny saina tsy ho amin’ilay fampisehoana. Ho voasarika ho amin’ny tenany ny sain’ny mpanatrika fa tsy ho amin’izay lazainy.

25 Ny mijoro amin’ny tongotra ilany ka ilay iray mihantona mifaingoka aminy ao aoriana dia mampiseho miharihary tsy fananana fahatoniana, mitovy amin’ny mijoro manao tanana am-paosy. Zavatra tokony hohalavirina ireo.

26 Marina fa afaka mametraka ny tanany indraindray eo ambony polipitra ilay mpandahateny raha misy izany nefa hifady ny hiankina amin’izany, toy ilay mpitory eny amin’ny saha fitoriana izay hanalavitra ny fiankinana amin’ny tolam-baravarana izy. Tsy tsara ny fahitana izany.

27 Mety anefa ny hanasoritana indray fa tsy mitovy isika rehetra ary tsy mijoro amin’ny fomba mitovy daholo ny rehetra. Ireo fihetsika tafahoatra izay mampivily ny saina tsy ho amin’ilay fampisehoana ihany no tokony hasiana fiheverana ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika.

28 Raha tsy mahay mijoro tsara ny tena dia tsy maintsy hitadiavana fanafodiny izany dieny eo am-panomanana ny lahateny. Raha misy lafiny ilainao hohatsaraina mahakasika izany, dia tsy maintsy mieritreritra mialoha ianao ary tokony ho fantatrao fa rehefa miakatra eo amin’ny lampihazo ianao, dia tokony hijoro tsara, alohan’ny hanombohanao hiteny. Zavatra azo ahitsy amin’ny fizarana mijoro tsara isan’andro koa izy io.

29-31. Nahoana ireo fitaovantsika no tokony hadio sy hilamina?

29 Fitaovana madio sy milamina. Mety hiriorio ny sain’ireo mpihaino antsika raha toa mandritra ny fiaraha-midinika eny am-baravarana na mandritra ny lahateny eny amin’ny lampihazo ka mandatsaka taratasy isika raha vao manokatra ny Baibolintsika. Tsy tsara ny fahitana izany. Tsy milaza akory izany fa hoe tsy misy na inona na inona tokony hatsofoka ao anaty Baiboly, nefa raha manomboka mitondra fahasahiranana ho anao ny taratasy toy izany na mampivily ny sain’ireo mpihaino anao, dia milaza izany fa tokony hotandremana bebe kokoa ny fisehoana ivelany mendrika. Tsara koa ny hiheverana ny toetoetry ny Baibolinao. Noho izy io nampiasaina be, dia mety hanjary haloto na ho rovitra ilay izy ka tsy hadio sy hilamina ny fahitana azy. Koa tsara àry ny hijerena raha toa ny Baiboly ampiasainao eny amin’ny polipitra na eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ka tsy manafintohina ireo olona tianao hampiana.

30 Toy izany koa ny amin’ny kitapontsika. Misy fomba maro azo andaminana tsara ireo zavatra vita an-tsoratra ao anaty kitapo. Rehefa eo am-baravaran’olona anefa isika ka maka zavatra vita an-tsoratra ao anaty kitapontsika, raha eo isika no voatery hikaroka ao anatin’ny antontan-taratasy maro be mba hahitana izany, na rehefa mamoaka gazety iray isika dia misy zavatra hafa latsaka avy any ka mianjera eo an-tokonam-baravarana, dia tsy maintsy misy zavatra ilaina hatao momba izany.

31 Mety hivily hiala amin’ny hafatra koa ny sain’ny mpihaino raha toa ny paosin’ilay mpandahateny feno stylos, pensilihazo ary zavatra hafa. Tsy misy fitsipika tokony hatao mahakasika ny toerana tokony hampiriman’ny olona ny zavany, nefa raha vao manomboka mampiriorio ny sain’ny mpihaino tsy ho amin’ilay lahateny ireo zavatra ireo dia ilaina ny hanaovana fanitsiana sasany.

32-34. Inona no anjara asan’ny toetoetry ny endrika eo amin’ny fisehoana ivelany?

32 Toetoetry ny endrika mifanentana. Rehefa manomana lahateny iray, dia tsara hodinihina ny hoe fihetseham-po manao ahoana no takin’ilay foto-dresaka. Rehefa miresaka ny amin’ny fahafatesana sy ny fandringanana, ohatra, dia tsy hifanentana amin’izany ny fananana endrika mitsikitsiky be. Raha mifanohitra amin’izany kosa ka ireo toetoetry ny fahasambarana hisy ao amin’ny fandaharan-javatra vaovao no resahina dia tsy hety loatra ny hananana endrika miketrona.

33 Amin’ny ankapobeny ireo toetoetry ny endrika dia tsy mametraka zava-manahirana. Mazava ho azy fa ny toetoetry ny endriky ny olona sasany dia maotina kokoa noho ny an’ny hafa. Ny tsy maintsy hohalavirina anefa, dia ireo zavatra tafahoatra izay mampiriorio ny sain’ny mpihaino. Hohalavirintsika, ohatra, izay rehetra mety ho fomba fijery mety hahatonga fisalasalana ao an-tsain’ireo mpihaino raha ny amin’ny fahatsorantsika.

34 Noho izany, raha vao eo am-panomanana lahateny iray, dia tsara hoeritreretina ny amin’izay fihetseham-po tokony hamoahana azy. Raha foto-dresaka maotina ilay izy, toy ny fandringanana ny ratsy fanahy, dia hanaraka fomba fiteny maotina ilay mpandahateny. Raha mieritreritra sy mitadidy ilay foto-kevitra ianao, amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia handeha ho azy ny fisehoan’izany eo amin’ny toetoetry ny endrikao. Raha tokony hiresaka foto-dresaka mahafaly ho an’ny mpihaino ianao, dia mitenena amim-pifaliana. Raha mahazo aina tsara ianao eo amin’ny lampihazo dia ho hita taratra eo amin’ny endrikao izany fifaliana izany.

[Fanontaniana]