Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famakiana sy Fampiharana Andinin-teny

Famakiana sy Fampiharana Andinin-teny

Fianarana 25

Famakiana sy Fampiharana Andinin-teny

1-3. Rehefa manao lahateny isika dia ahoana no tokony hamakiantsika ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly?

1 Rehefa miresaka ny fikasan’Andriamanitra amin’ny olon-kafa ianao, na manokana na eny ambony lampihazo, ny fiaraha-midinika ataonareo dia mihodinkodina amin’ny andinin-teny vakinao ao amin’ny Baiboly. Tokony hamaky izany tsara àry ianao. Halaviro ny famakiana izany tsy amim-piraikana. Izy io kosa aza dia tokony hanampy tosika ny fandrisihana ao amin’ny fampisehonao, raha tiana hahatratra ny zava-kendreny ilay vakiteny. Izany no antony mahatonga ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny hisy lohateny hoe “Fanamafisan-teny eo am-pamakiana andinin-teny”, ka izay rehetra maniry ho tonga mpitory mahay dia tokony hanisy fiheverana manokana azy io.

2 Tokony hovakina amim-pihetseham-po ireo andinin-teny, nefa tsy tokony hatao tafahoatra. Ny hamafin’ny fihetseham-po avoaka ao amin’ny andinin-teny iray dia tokony hiankina amin’ilay andinin-teny mihitsy sy amin’ny faritra anononana azy ao amin’ilay lahateny. Izany dia tokony hanandratra ilay fanaporofoan-kevitra, fa tsy hanintona ny saina ho amin’ilay vakiteny.

3 Ankoatra izany, ilay vakiteny dia tokony hampifantoka ny saina ho amin’ny ampahany amin’ilay andinin-teny izay manohana ny fanaporofoan-kevitrao. Tokony hanao izay hahazoana ilay hevitra resahina izany mba hampiekena ny mpihaino. Araka izany, dia mahavelom-pitokisana ny famakiana andinin-teny misy teny hamafisina araka ny tokony ho izy. Mahatonga ilay vakiteny ho ofisialy izany.

4, 5. Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “Hamafisina ireo teny tokony hisongadina”? Manomeza ohatra iray.

4 Hamafisina ireo teny tokony hisongadina. Ny antony nakana andinin-teny iray no hamaritra hoe teny inona avy no tokony hohamafisina. Raha mitovy ny fanamafisana ny teny rehetra dia tsy misy na dia iray aza amin’izy ireo hisongadina ary dia ho very ny fanaporofoan-kevitrao. Aoka àry ho azonao antoka fa ireo teny nohamafisina dia izay maneho ny hevitra tianao hasongadina.

5 Ohatra, raha manonona ny Ezekiela 18:4 ianao mba hanaporofoana fa ny ota dia tsy mitondra ho amin’ny fampijaliana mandrakizay fa ho amin’ny fahafatesana, dia hamaky azy toy izao ianao: “Ny fanahy izay manota no ho faty”, amin’ny fanamafisana indrindra ilay teny amin’ny sora-mandry. Mifanohitra amin’izany, raha tianao ny hanaporofo fa tsy ny vatana fotsiny fa ny fanahy no maty dia hanamafy teny hafa ianao ka hamaky ilay andalan-teny araka izao: “Ny fanahy izay manota no ho faty.” Ireo teny hohamafisina dia tokony hofidina arakaraka ny antony nakana ny teny.

6-12. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika manamafy ireo teny milaza ny hevi-dehibe ao amin’ny andinin-teny iray?

6 Fomba fanamafisana mandaitra ampiasaina. Misy fomba maro hanamafisana ireo teny milaza ny hevi-dehibe. Tsy maintsy fidina arakaraka ilay andinin-teny tononina sy ny faritra hanaovana ilay lahateny izany.

7 Tsy natao hijerena izay rehetra mety ho fomba fanamafisana am-bava akory ilay lafiny hoe “Fanamafisan-teny eo am-pamakiana andinin-teny”. Handinika io toetra io amin’ny andinindininy ianao rehefa mianatra ny fanamafisan-kevitra. Toloranay fomba vitsivitsy kosa ianao eto mba hanampiana anao hamaky amin’ny fomba mandaitra ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly tononinao.

8 Fiovan’ny feo ho fanamafisana. Tafiditra amin’izany izay rehetra mety ho fiovan’ny feo, na ny haavony izany, na ny hafainganany, na ny hamafiny, mba hahatonga ny teny milaza ny hevi-dehibe hisongadina amin’ny tapany sisa amin’ny fehezanteny.

9 Fiatoana. Azo atao izy io na aloha na aorian’ny tapany lehibe amin’ilay andinin-teny, na aloha sy aorian’izany. Ny fiatoana avy hatrany alohan’ny hamakiana ny hevi-dehibe, dia hampisy fiandrandran-javatra; ny fiatoana aorian’izany dia hahatonga ilay vokany ho lalina kokoa.

10 Famerimberenana. Azo atao ny manamafy hevitra iray amin’ny fanapahana ny vakiteny sy amin’ny famerenana mamaky ilay teny na fehezanteny. Tsy tokony ho tafahoatra anefa ny fampiasana io fomba io.

11 Fihetsehana. Ny fihetsiky ny vatana sy ny fisehoan’ny endrika matetika dia mety hanampy amin’ny fanamafisana teny na fehezanteny iray.

12 Toetran’ny feo. Indraindray ny toetran’ny feo amakiana teny dia mety hampiova ny heviny sy hampisongadina azy, kanefa eo koa dia ilaina ny manao izany amim-pitandremana tsara, indrindra raha mamaky amim-panarabiana.

13, 14. Rehefa ny tompon-trano no mamaky ny andinin-teny, ahoana no ahafahantsika manamafy ireo teny lehibe?

13 Andinin-teny vakin’ilay olona. Rehefa ampamakiana andinin-teny ny olona iray dia mety ho any amin’ny tsy izy, na tsy misy mihitsy teny hamafisiny. Inona no azo atao amin’ny tarehin-javatra toy izany? Amin’ny ankapobeny dia aleo manasongadina ireo hevitra tianao hohamafisina rehefa manao fampiharana ilay andinin-teny ianao. Rehefa avy namaky teny ilay olona, dia azonao atao ny misarika ny sainy ho amin’ireo teny ireo amin’ny famerenana izany, na amin’ny fametrahana fanontaniana ny amin’izy ireo.

14 Misy fomba iray hafa koa azo anaovana izany, nefa mitaky fitandremana sy fahaiza-mandanjalanja ilay izy. Izany dia fanapahana vakitenin’ilay olona amin’ny toerana mety, sady miala tsiny ary manintona ny sainy ho amin’ilay teny na fehezanteny tianao hohamafisina. Ahitam-bokatra io fomba io raha toa tsy manelingelina na manorisory ilay olona. Tsy tokony hampiasaina matetika anefa izany.

**********

15-17. Nahoana no zava-dehibe ny hanazavana tsara ny fampiharana ireo andinin-teny?

15 Ny famakiana andinin-teny iray na dia hamafisina aza dia matetika tsy ampy mba hanatratrarana ilay tanjona kendrena. Marina fa indraindray, dia ilay andinin-teny mihitsy no ampiasaina mba hampiharana ilay hevitra porofoinao. Nefa mazàna dia ilaina ny manintona indray ny sain’ilay olona ho amin’ireo teny milaza ny hevi-dehibe sy mampihatra izany amin’ilay foto-kevitra dinihina. Izany no resahin’ny fizarana hoe “Fampiharana mazava tsara ny andinin-teny” eo amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny. Aza hadinoina fa tsy mahalala ny Baiboly ny ankamaroan’ny olona ary tsy afaka mahatakatra ny hevitrao amin’ny vakiteny tsotra fotsiny. Ny fampisongadinana teny fototra sy ny fampiharana izany dia ahafahan’ny mpihaino anao mahatakatra ilay hevitra.

16 Mba hahafahanao hampihatra andinin-teny iray dia tsy maintsy mifanaraka amin’ilay fanaporofoan-kevitrao izy io ary, amin’ny ankapobeny, dia tsy maintsy nampidirina tsara. Avy eo, dia ataovy tsotra araka izay azo atao ny fampiharana, satria aza hadinoina fa fampianarana no ataonao.

17 Ankoatra izany, dia tsy maintsy mazava tsara aminao ny hevitr’ilay andinin-teny, ary tsy maintsy marina tsara ny fampiharanao azy io. Diniho ny teny manodidina, ireo foto-pitsipika tafiditra ary raha ilaina, ireo olona voakasika. Aza ampilazaina zavatra hafa ankoatra izay tian’ilay mpanoratra holazaina, ny andinin-teny. Araho akaiky ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana raha ny amin’ny fampiharana andinin-teny.

18. Ahoana no azontsika anavahana ireo teny lehibe tokony hampiharina?

18 Avahana ireo teny anaovana fampiharana. Aloha na mandritra ny fampiharana andinin-teny iray, dia tokony haverina hohamafisina mazàna ireo hevitra fototra. Izany dia mba hanilihana eo amin’ny toerana faharoa izay rehetra tsy mifandray mivantana amin’ilay fanaporofoan-kevitrao. Mandrakariva dia atao izany amin’ny famerenana ireo teny ao amin’ilay andinin-teny nefa mety ho tratra koa izany amin’ny fomba hafa. Amin’ny toe-javatra sasany dia azonao atao ny mampiharihary ilay hevi-dehibe nefa tsy mamerina ireo teny voalazan’ny andinin-teny mihitsy. Ny fomba iray dia ny fampiasana teny mitovy hevitra, ary ny iray hafa dia ny fametrahana fanontaniana. Raha miteny amin’ny tompon-trano iray ianao, dia azonao amboarina ny fanontanianao mba hahatonga an’ilay olona ho afaka hilaza ireo hevitra fototra.

19-22. Ahoana no tokony handraisana ny hoe “Soritana indray ny antony nakana ilay andinin-teny”?

19 Soritana indray ny antony nakana ilay andinin-teny. Izany dia mba hahazoanao antoka fotsiny fa takatra tsara ny antony nanononanao ilay andinin-teny. Mety hisy antony hahatonga anao hihevitra fa tsy ilana teny fampidirana ofisialy ilay andinin-teny. Nefa tsy milaza akory izany fa tsy tokony hatao izay hahatakarana ny antony nakana ilay andinin-teny. Amin’ny ankapobeny anefa, dia efa nanao fampiomanana mialoha mahakasika ilay fanaporofoan-kevitrao ianao, fara faharatsiny, talohan’ny namakiana ilay andinin-teny. Tsy maintsy hitanao izao fa misy zavatra sasany arahina mba hahatomombana tsara ny fampiasana andinin-teny.

20 Hiankina amin’ny mpihaino sy ny halehiben’ilay hevitra ao amin’ilay lahateny manontolo ny fampiharana tsy maintsy atao. Amin’ny ankapobeny dia tsy ampy ny mamelabelatra ilay andinin-teny. Tsy maintsy ampifandraisinao amin’ilay fanaporofoan-kevitra nentinao nampidirana ny andinin-teny, ireo hevitra nohamafisina tao. Tsy maintsy lazainao mazava tsara hoe inona io fifandraisana io.

21 Hahatratra mora kokoa io zava-kendrena io ianao raha tsotra ny fampiharanao io andinin-teny io. Aza vesarana andinindininy ivelan’ny resaka izany. Fero ho faran’izay vitsy àry ny filazan-javatra ao amin’ny fanjohian-kevitrao ary aza manampy afa-tsy izay ilaina mba hahamora ny fahatakarana izany. Raha nisy zavatra tsy ho voavaly tao amin’ny fampidiranao ilay andinin-teny, dia tokony hamaly izany ianao amin’ny fampiharana azy.

22 Rehefa tonga amin’io dingana amin’ny Fandaharam-piofanana Mandaha-teny io ianao dia tsy maintsy mikendry indrindra ny ho tsotra sy hivantana ao amin’ireo lahateninao. Raha tonga amin’izany ianao, ny famakianao sy ny fampiharanao andinin-teny dia hampiseho fa mpampianatra mahay sady kinga ianao.

[Fanontaniana]