Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famerimberenana sy Fihetsehana

Famerimberenana sy Fihetsehana

Fianarana 26

Famerimberenana sy Fihetsehana

1-3. Nahoana ny famerimberenana no zavatra iray tena ilaina amin’ny fahaiza-mampianatra?

1 Rehefa manao lahateny ianao, ny zava-kendrenao dia tokony ho ny hampita fanazavana izay hotadidin’ny mpihaino anao sy ho azony ampiasaina. Raha manadino izany izy dia ho very ny tombontsoa rehetra. Anankiray amin’ireo fomba lehibe indrindra ahafahanao manampy ny mpihaino hampiraikitra ny famelabelaranao ao an-tsainy dia ny famerimberenana ireo hevi-dehibe. Lazaina ara-drariny tokoa fa sakaizan’ny fitadidiana ny famerimberenana. Anisan’ny zavatra tena ilaina amin’ny fahaiza-mampianatra izany. Efa nianatra ny amin’ny hasarobidin’izy io ianao, nifandray tamin’ny fampiasanao andinin-teny. Kanefa, ilay fianarana hoe “Famerimberenana ho fanamafisana” dia hita mitokana ao amin’ny taratasinao Torohevitra Momba ny Lahateny satria mahakasika tapany hafa amin’ny lahateninao koa.

2 Mba hanampiana anao hahita fahombiazana amin’ny fampiasana ny famerimberenana ho fanamafisana, dia hojerentsika amin’ny endriny roa io raharaha io. Ny tsirairay avy amin’izy ireo dia mahakasika fomba famerimberenana samy hafa ary manan-java-kendrena manokana. Ny famerimberenana ireo hevi-dehibe dia manamora ny fitadidiana. Ny famerimberenana ireo hevitra tsy azo dia manampy ny mpihaino hahatakatra ny heviny.

3 Io toetra ilaina io dia miankina be dia be, tsy amin’ny fanaovan-dahateny ihany fa amin’ny fanomanana koa. Ilaina ny mamaritra mialoha ireo hevitra tokony haverimberina sy ny fotoana mety indrindra hanaovana izany.

4-6. Lazao ny fomba azo ampiasana ny famintinana “miandalana” sy ny famintinana “farany” mba hamerenana ireo hevi-dehibe.

4 Famerimberenana ireo hevi-dehibe. Ny famerimberenana ireo hevi-dehibe dia matetika atao amin’ny famintinana. Hijery karazany roa amin’izany isika eto: Ny famintinana “miandalana” sy ny famintinana “farany”.

5 Ny famintinana miandalana dia famerenana indray ireo hevitra fototra amin’ireo hevi-dehibe arakaraka ny ijerena izany. Ny famerenana mifanarakaraka tsirairay avy dia mampahatsiahy ny votoatin’ireo hevitra teo aloha. Amin’izay dia mifanakaiky kokoa hatrany ireo hevitra mitohitohy ao amin’ilay lahateny.

6 Any amin’ny faran’ilay lahateny, na nisy famintinana miandalana izany na tsia, ny famintinana farany dia hahafahana hamerina ireo hevitra lehibe rehetra, ary ho voaverina ao anatin’ny fehezanteny fohy vitsivitsy ilay lahateny. Indraindray aza dia azo atao ny milaza ny isan’ireo hevitra hanaovana famerenana. Fomba iray koa hanampiana ny mpihaino hitadidy azy ireo izany.

7-10. Ahoana no azo amelabelarana amin’ny fomba mahaliana ireo karazana famintinana natao hamerimberenan-kevitra?

7 Ny famintinana dia tsy voatery ho famerimberenana mahamonamonaina na famerenana milaza ireo hevitra. Misy fomba maro hanaovana izany: Amin’ny alalan’ny fanoharana, amin’ny fampiasana andinin-teny iray, amin’ny fampisehoana ilay hevitra amin’ny lafiny hafa, amin’ny fampitahana na fampifanoherana zavatra, amin’ny fampiasana hevitra mifanitsy, na teny mitovy hevitra na fanontaniana. Amin’ny lahateny ampahibemaso iray, ohatra, ny famintinana azo ampiharina dia ho azo atao amin’ny fanokanana dimy minitra hamerenana ireo andinin-teny sy fanaporofoan-kevitra lehibe indrindra. Ilay lahateny manontolo dia ho voafintina amin’ny hevitra vitsivitsy izay ho azon’ny olona rehetra tadidina mora foana sy ampiasaina atỳ aoriana.

8 Ny famerimberenana amin’ny endriky ny famintinana dia ilaina indrindra amin’ny lahateny misy fanjohian-kevitra sy lôjikan-javatra. Ny elanelam-potoana manasaraka ny dinidinika sy ilay famerenana fohy dia ahafahan’ny mpihaino mandentika ireo hevitra ao an-tsainy. Kanefa tsy ilaina foana ny mamintina ny hevitra tsirairay avy. Indraindray dia ampy ny manisy fitenenana ny amin’izany amin’ny fampidirana ilay hevitra manaraka.

9 Ny fomba iray hafa famerimberenana ireo hevi-dehibe dia ny firesahana izany ao amin’ny fampidiran-dresaka aloha, avy eo dia amin’ny famelabelarana izany ao amin’ny tenan’ilay lahateny. Ny famerimberenana toy izany dia atao mba handatsahana ireo hevi-dehibe ao an-tsain’ny olona.

10 Amin’ny fifankazaranao amin’ireo fomba samihafa ireo mba hamerenana ireo hevi-dehibe, dia ho azonao atao ny hahatonga ny lahateninao hahaliana kokoa, hahafinaritra kokoa sy ho mora tadidina kokoa.

11-14. Anton-javatra lehibe inona avy no tsy maintsy heverina rehefa mamerimberina hevitra tsy azo?

11 Famerimberenana ireo hevitra tsy azo. Ilay mpandahateny dia tokony hanapa-kevitra arakaraka ny mpihaino azy raha mety ny hamerimberenana hevitra iray mba hanaovana izay hahazoana izany tsara kokoa. Rehefa hevitra lehibe mety tsy ho takatra raha tsy averina no resahina, dia tokony hitady ny fomba hampahatsiahivana izany ianao; raha tsy izany dia tsy haharaka anao hatrany amin’ny famaranan-kevitrao ny mpihaino anao. Mifanohitra amin’izany kosa, ireo famerimberenana tsy ilaina izay tsy ampiasaina mba hanamafisan-kevitra dia mahatonga ny lahateny iray ho be teny loatra sy mahamonamonaina.

12 Hevero ny mpihaino anao rehefa manomana ny lahateny ianao. Izany dia hahafahanao hijery mialoha, amin’ny ampahany sasany, hoe hevitra inona avy no mety hitondra fahasahiranana ho azy. Miomàna hamerimberina ireo hevitra ireo mba hahafahan’ny mpihaino hijery izany amin’ny lafiny samy hafa.

13 Ahoana no ahafahanao mahafantatra fa tsy azo ny hevitra sasany? Jereo ny mpihaino. Diniho ny fiovan’ny endrika. Raha olona iray na roa monja no itenenanao dia anontanio izy.

14 Nefa mariho tsara izao: Tsy hahatratra ny zava-kendrenao foana akory ianao amin’ny famerenana fotsiny ireo teny efa voalaza. Tsy dia mora loatra toy izany akory ny fahaiza-mampianatra. Raha tsy azon’ny mpihaino izay nolazainao tamin’ny voalohany, dia mety tsy ho ampy ny famerenana io teny io imbetsaka mba hahazoana kokoa ny teninao. Inona no tokony hatao amin’izay? Misehoa ho mahay mampifanara-javatra. Angamba ianao hila ny hanampy fanazavana tampotampoka amin’ny lahateninao. Ny fahombiazan’ny fampianaranao dia hiankina indrindra amin’ny fahaizanao mampifanaraka ny lazainao amin’izay zavatra ilain’ny mpihaino.

**********

15-18. Ahoana no azo ianarana manao fihetsehana milazalaza zavatra?

15 Manamafy sy manazava ny teninao ny fihetsehana. Manome aina ireo hevitrao izany ary manampy zavatra hafa. Saika manao fihetsehana daholo ny olona rehetra rehefa miresaka. Raha tsy manao izany ianao eny amin’ny lampihazo dia ho fantatry ny mpihaino fa tsy mahazo aina ianao. Rehefa manao fihetsehana tsy amboamboarina kosa anefa ianao, dia tsy hifantoka aminao ny eritreriny, fa amin’izay lazainao. Ny fihetsehana dia manampy anao ho velombelona, haneho ny fihetseham-ponao sy hanome aina ny fampisehoanao. Tsy tokony ho nianarana tao amin’ny boky iray izany. Tsy nianatra velively ny fomba fitsiky, na ny fomba fihomehy, na ny fomba fanehoana fahatezerana ianao; tsy ilaina àry ny maka tahaka ny fihetsiky ny olon-kafa iray. Arakaraka ny maha voajanahary sy tonga ho azy izany no hahatsara azy. Ny fiovan’ny endrika dia tsy misaraka amin’ny fihetsehana mba hahatonga ny teny ho velombelona.

16 Misy sokajiny roa lehibe ny fihetsehana: Ny fihetsehana milazalaza zavatra ary ny fihetsehana ho fanamafisana.

17 Fihetsehana milazalaza zavatra. Milaza fanaovan-javatra, na manondro habe na toerana ny fihetsehana milazalaza zavatra. Io no mora atao indrindra. Noho izany, raha mahita fahasahiranana ianao amin’ny fanaovana fihetsehana eny amin’ny lampihazo, dia manomboha manao izay tsotra indrindra.

18 Rehefa mitandrina io toetra takina amin’ny sekoly io ianao, dia aza mianina amin’ny fanaovana fihetsehana iray na roa. Miezaha manao izany matetika mandritra ny lahateninao manontolo. Mba hanampy anao amin’izany dia tadiavo ireo teny manondro ny aleha, ny elanelana, ny habe, ny velarana, ny hafainganam-pandeha, ny toerana, ny fifanoheran-javatra, ny fampitahana sy toerana mifandray. Raha ilaina dia mariho ireo teny ireo ao amin’ny naoty fohy nataonao, mba hampahatsiaro anao hoe tokony hanao fihetsehana ianao rehefa tonga eo. Na dia mahazo “T” aza ianao amin’ny voalohany, dia tohizo hatrany izany. Rehefa avy manao lahateny vitsivitsy ianao dia hahita fa tsy ilainao hasiana marika na hoeritreretina mialoha intsony ireo teny anaovanao fihetsehana. Ho voajanahary no hanaovanao izany.

19-20. Inona no zava-kendren’ny fihetsehana ho fanamafisana?

19 Fihetsehana ho fanamafisana. Mampiseho fihetseham-po sy fiekena mafy ny fihetsehana ho fanamafisana. Asiany mari-piatoana sy velombelominy ary hamafisiny ireo hevitra. Tena ilaina àry ny fihetsehana ho fanamafisana. Tandremo anefa! Ireo fihetsehana ho fanamafisana mazàna no manjary fahazaran-dratsy mora foana. Mba hisorohana izany, dia halaviro ny mamerimberina fihetsehana mitovy hatrany.

20 Raha manana fahazaran-dratsy ianao amin’ny fihetsehana, dia mianìna amin’ny fanaovana fihetsehana milazalaza zavatra mandritra ny fotoana kelikely. Rehefa mahay tsara ireo fihetsehana ireo ianao dia ho tonga ho azy ireo fihetsehana ho fanamafisana. Rehefa mahazo traikefa ianao ka manjary mahazo aina kokoa eny amin’ny lampihazo, dia hivoaka ho azy eo amin’ny fihetsehana ho fanamafisana ataonao ny fihetseham-ponao anaty, ka hampiseho ny fiekenao mafy ary ny fahatsoranao. Hisy heviny kokoa ny lahateninao amin’izany.

[Fanontaniana]