Fampiasana Fomba Fiteny Tsara Isan’andro
Fianarana 11
Fampiasana Fomba Fiteny Tsara Isan’andro
1. Inona no mahatonga ny tenintsika hankasitrahan’i Jehovah?
1 “Aoka ny tenin’ny vavako (...) hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô!” (Sal. 19:14). Mba hiharan’io andinin-teny io amintsika dia tsy maintsy milaza zavatra mampiorina isika, amin’ny fomba mendrika ny mpanompon’Andriamanitra iray. Amin’ny fitenintsika dia maniry hanaporofo isika fa mpanompon’Andriamanitra mahatoky isan’andro, fa tsy hoe rehefa any amin’ny Efitrano Fanjakana fotsiny na rehefa mandray anjara amin’ny asa fitoriana. Amin’izay, ny teny ampiasaintsika any an-trano, any am-piasana na any an-tsekoly dia hisy akony tsara eo amin’ny fanompoantsika. — 2 Kor. 6:3.
2, 3. Nahoana no zava-dehibe ny hitandremana ny fomba fitenintsika sy ireo teny ampiasaintsika?
2 Zava-dehibe ny fomba filazantsika zavatra. Tafiditra amin’izany ny fisehon’ny endritsika sy ny toetran’ny feontsika. Ny hafaliantsika amin’ny maha mpanompon’i Jehovah antsika dia tokony ho hita eo amin’ny endritsika. Ny fihetsika sariaka sy tsiky mafana dia manintona. Marina fa zava-dehibe ireo fahamarinana araka ny Baiboly ambarantsika, nefa tena mahafaly koa izy ireo. Aoka àry isika ho feno hafanam-po. Ny endrika “mody maotina be” dia tsy mifanentana amin’ilay hafatra mitondra fanantenana aelintsika.
3 Arakaraka ny hanazaranao ny tenanao hiteny tsara no hahatakaranao fa manana ny “maha izy azy” ny teny. Ny teny iray
dia mety hangidy na ho mamy, mety ho henjana na halefaka, mety haneho fisakaizana na fankahalana, mety hampiorina na hahaketraka. Izany no maha zava-dehibe indrindra ny hifantenana teny mety. Marina indrindra izany rehefa manambara ny fahamarinana, ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.4. Ahoana no azontsika anatevenana ny voambolantsika?
4 Ampitomboy ny voambolanao. Ampy ny mamadibadika diksionera mba hahitana fa tsy hoe ny teny azo iderana an’i Jehovah akory no tsy ampy. Izao anefa no fanontaniana: Hainao ve ny mampiasa tsara ny diksionera misy? Rehefa mamaky teny ianao, moa ve ianao mitady ao amin’ny diksionera ny hevitr’ireo teny tsy dia fantatrao loatra, na angamba manisy marika azy ireny mba hohamarininao rehefa voavakinao ilay lahatsoratra? Io fomba fanao io dia hanampy anao hampitombo ny voambolanao. Ho voamarikao ihany koa, mandritra ny famakianao teny fa mahita teny maro fantatrao nefa tsy fampiasanao andavanandro ianao. Aoka ianao hinia hampiasa azy ireny amin’ny fotoana mety. Amin’ny maha minisitra na mpianatra kristianina anao, dia azo antoka fa tombontsoa ho anao ny mamboly hatrany fahaiza-miteny tsara.
5, 6. Inona no hanampy antsika hianatra hampiasa teny araka ny tokony ho izy?
5 Mianara mampiasa teny mety. Ny teny roa dia mety hanana heviny mitovitovy, kanefa mety hisy fahasamihafany kely rehefa ampiasaina ao anatin’ny toe-javatra samy hafa. Raha marihinao izany, dia hisoroka ny fanafintohinana ny mpihaino ianao, ary hiteny amin’ny fomba mazava kokoa. Ilaina ny mizaha diksionera tsara iray. Misy diksionera manome ihany koa teny mitovy hevitra (teny mitovitovy hevitra, saingy tsy hoe tena mitovy tanteraka) ary koa teny mifanipaka (teny mifanohitra ny heviny). Ho hitanao amin’izany fa tsy vitan’ny hoe misy teny isan-karazany azo ilazana hevitra iray ihany, fa misy tsy fitoviana kely samihafa koa eo amin’ny hevi-teny. Izany dia manampy anao hampiasa ilay fitenenana mety. Ny fahazarana mampiasa teny mety dia hisakana anao tsy ho be safary, ary hanampy anao hivantana amin’ny tena resaka. Manamaizina hevitra ny be safary loatra. Mizara àry milaza hevitra amin’ny teny vitsy. Rehefa vitanao tsara izany dia afaka manomboka manovaova ny teny ampiasainao ianao, amin’ny fanampiana teny milazalaza zavatra mahatonga izay lazaina ho velombelona kokoa sy hisy heviny kokoa.
6 Rehefa mampitombo ny voambolanao ianao, dia aza maka ireo teny vaovao fotsiny, fa diniho koa ireo teny izay manana ny maha izy azy manokana: matoanteny milaza fanaovan-javatra mahery; mpamaritra anarana mampiseho loko; teny fampitohizana miovaova mba hisorohana ny dridralava; fitenenana maneho fitiavana sy hatsaram-panahy. Amin’ny famakiana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana dia hahita fitenenana sy karazana fehezanteny maro be azo ifidianana ianao.
7, 8. Raha manatevina ny voambolantsika isika, loza inona avy no tokony hohalavirintsika?
1 Kor. 14:9, 19). Raha dia sarotra loatra ny fitenintsika, izany hoe tsy mora azo, dia toy ny hoe miteny amin’ny fiteny vahiny isika. Tsy ho fahendrena loatra ny hampiasana voambolana ara-teknika tsy ilaina rehefa miresaka amin’olona izay tsy hankamamy io renty amin’ny andinindininy io. Amin’ny resaka ataontsika andavanandro dia tsy tokony hanandrana hampisongadina ny tenantsika isika amin’ny fampiasana fitenenana sarotra sy teny lava be. Ny zava-dehibe dia ny hahatakaran’ireo mpihaino antsika izay lazaintsika. Aoka tsy hohadinointsika fa araka ny Ohabolana 15:2 (NW ), “ny lelan’ny hendry dia manao soa raha eo ny fahalalana”. Ny teny voafantina tsara sy mora azo dia hahatonga ny fitenintsika hamelombelona sy hanaitaitra, fa tsy ho matroka sy dridralava. — Kol. 4:6.
7 Mazava ho azy fa raha manatevina ny voambolantsika isika dia tsy hoe satria maniry hampidera ny fahaizantsika. Ny zava-kendrentsika dia ny hampita hevitra fa tsy hanaitra ireo mpihaino antsika. Tokony harahintsika ny fihetsika mitovy amin’ny an’ny apostoly Paoly izay nanambara hoe: “Raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ny fiteny vahiny.” (8 Zava-dehibe ihany koa ny hanononana ireo teny amin’ny fomba marina. Tonòny araka ny tokony ho izy izany. Afaka mijery diksionera ianao, ary henoy koa ny fomba fanonon’ny hafa teny sasany. Hanampy anao izany mba tsy hanao kitoatoa eo amin’ny fanononana. Loza hafa tokony hohalavirina eo amin’ny resaka andavanandro koa ny tsy fitenenana tsara sy ny tsy fanononana ny faran-teny. Aza mingonongonona. Mitenena mazava tsara. Sokafy ny vava ary tonòny mazava tsara ny teny.
9-12. Karazam-pitenenana inona no tokony hofadintsika ary nahoana?
9 Teny hofadina. Ny Tenin’Andriamanitra dia mampiseho amintsika hoe karazan-teny inona no tokony hohalavirintsika amin’ny resaka ataontsika andavanandro. Ohatra, ny apostoly Paoly dia manoro hevitra antsika mba hifady “izay tsy tokony hatao”, toy ny “voso-dratsy”. (Efes. 5:3, 4). Aoka àry isika mba tsy hampiasa teny na fitenenana ratsy sy maloto. Nanoratra ihany koa Paoly hoe: “Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana.” (Efes. 4:29). Ny Kristianina dia tsy manompa na miteny ratsy. Misy olona mihevitra fa ny fiteny toy izany dia ilaina mba hanamafisana izay lazainy, nefa misy teny maro mendrika mba hanamafisana ny fanambarantsika. Amin’ny resaka ifanaovantsika amin’ny olona toy izany dia tsy mila manahaka ny fomba fiteniny isika. Mety hahasoa ny fiteny tsotra, nefa tokony hadio sy ho marina tsara izany.
10 Ho tsara ihany koa ny hanalavirana ireo fomba fiteny izay tsy miraharaha ny fampiasana tsara ny fitsipi-pitenenana. Io Rom. 12:2.
karazam-piteny io izay ampiasain’ny mpanakanto eo amin’izao tontolo izao, na manjary fampiasam-bahoaka noho ireo hira amin’ny andro ankehitriny. Mirona hanahaka ireny ny olona. Tsy tsara ho an’ny Kristianina anefa ny fomba fitenenana toy izany. Hampitovy antsika amin’izao tontolo izao sy ny fomba fiainany izany. Ireo mpivarotra zava-mahadomelina, sy ireo manao ny heloka bevava sy ny fivarotan-tena ho fomba fiaina, dia manana ny voambolany manokana mifono heviny tsy fantatry ny hafa. Tsy tokony hanan-kery eo amin’ny fomba fitenintsika anefa izany fitaoman’izao tontolo izao izany. —11 Hitandrina tsara koa ny Kristianina mba tsy hanao fiteny tsy manaja. Misy olona mampiasa ny teny hoe “Andriamanitra ô”, “Tompo ô” sy “Jesosy ô” mba hanamafisana fotsiny fanambarana iray na ho solon’ny fingosoana. Misy fomba fiteny hafa tsy azo ekena ho tenim-piontanana koa satria nalaina avy amin’ny hoe “Andriamanitra”. — Eks. 20:7; Matio 5:34-37.
12 Mety hahasosotra antsika indraindray izay lazain’ny olona sy izay ataony. Na izany aza anefa, dia tsy mety ny hamalian’ny Kristianina amin’ny teny feno fahatezerana na teny manevateva. Izao no nambaran’ny apostoly: “Esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo.” (Kol. 3:8). Araka izany, na dia mety hahasosotra anao aza ny tenin’ny olona sasany, ny fahendrena dia manoro hevitra anao hifehy ny sainao. — Ohab. 14:20; Jak. 3:11.
13-16. Inona no hanampy antsika hanatsara ny fahaizantsika fitsipi-pitenenana sy ny fahazarantsika rehefa miteny?
13 Aoka isika hiteny araka ny fitsipi-pitenenana. Mety ho tsapan’ny sasany fa tsy dia mahay fitsipi-pitenenana ny tenany. Angamba izy ireo nobeazina tany an-tany hafa iray na tsy nanana fahafahana hianatra firy tamin’ny fahatanorany. Tsy tokony ho kivy velively izy ireny fa hanao fiezahana amim-pahatsorana kosa mba hianatra, ary hanao izany noho ny vaovao tsara. Ireto misy torohevitra azo ampiharina vitsivitsy. Ny famakian-teny mafy miaraka amin’ny fianakaviana dia manome fahafahana hanitsy ny fahadisoam-pitenenantsika manokana. Azo atao koa ny mianatra zavatra maro momba ny fitsipi-pitenenana amin’ny fihainoana ireo miteny amin’ny fomba mety. Mariho amim-pitandremana àry ny fomba fitenin’ireo rahalahy matotra sy nahita fianarana. Rehefa mamaky ny Baiboly sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana ianao dia aoka hahamarika ny firafitr’ireo fehezanteny sy ny fisehoan’ny fitsipi-pitenenana ampiasaina amin’ny toe-javatra toy izao na izao. Araho ireo ohatra tsara ireo amin’ny fomba fiteninao manokana.
14 Ireo zatovo kristianina dia tokony hanararaotra ny fahafahana hianatra fitsipi-pitenenana sy fomba fanonona raha mbola any an-tsekoly. Raha tsy mbola fantatrao ny anton’ny
fitsipi-pitenenana iray, dia mangataha fanazavana hafa amin’ny mpampianatra anao. Manana antony tsara hikirizana ianao satria irinao amim-pahatsorana ny ho tonga mpitory ny vaovao tsara mahita vokatra.15 Miezaha miteny amin’ny fomba mety isan’andro. Izay mandray fahazaran-dratsy amin’ny fitenenana amin’ny resaka ataony andavanandro dia tsy afaka hanantena ny hilaza hevitra amin’ny fomba tsara amin’ny fotoana manokana. Ilaina ny manazatra tena mba hiteny tsara. Nefa raha isan’andro ianao no mampiasa fomba fiteny mihaja, dia hahay hiteny tsara sy ara-dalàna eny amin’ny lampihazo na rehefa manao fanambarana momba ny fahamarinan’Andriamanitra.
16 Amin’ny fanazarantsika tena hiteny tsara isan’andro, isika dia hameno ny saintsika sy ny fontsika amin’ny teny mahafinaritra izay ho azontsika ampiasaina mba hilazana ny fankasitrahantsika ireo fikasana mahatalanjon’i Jehovah momba ny Fanjakany. Amin’izay ireto tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Lioka 6:45 ireto dia hihatra amintsika: “Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony.”
[Fanontaniana]