Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampiasana ny Sekoly mba Hanatsarana ny Fanompoanao eny Amin’ny Saha

Fampiasana ny Sekoly mba Hanatsarana ny Fanompoanao eny Amin’ny Saha

Fianarana 19

Fampiasana ny Sekoly mba Hanatsarana ny Fanompoanao eny Amin’ny Saha

1. Zava-kendren’ny sekoly inona no tokony hotadidintsika ao an-tsaina rehefa manomana ireo lahatenin’ny mpianatra isika?

1 Ny anankiray amin’ireo zava-kendren’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika lehibe indrindra dia ny hanampy antsika hahita vokatra kokoa eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Tadidio ao an-tsaina izany rehefa manomana ny lahateninao ianao. Aza miahy fotsiny ny hahazo fahalalana ho an’ny tenanao fa aoka ianao hihevitra ny amin’ny fomba azonao ampiasana io fahalalana io amin’ny fitorianao sy ny fampianaranao.

2. Ahoana no ahafahantsika manao fanambarana amin’ny famerenana ny lahatenin’ny mpianatra ataontsika?

2 Misy mampiasa tsara mivantana ny lahateniny amin’ny famerenana izany eo anatrehan’ireo namany, ireo mpifanila trano aminy, ireo mpampianatra azy, ireo mpianakaviny tsy mpino na olon-kafa vonona hihaino azy ireo. Ahitana tombontsoa maromaro io fomba fanao io. Afaka mahita izay fihetsik’ireo mpihaino azy ilay mpianatra ka afaka manao fanitsiana mba hanatsarana ilay lahateniny. Ankoatra izany, amin’ny fampisehoana amin’olon-kafa ireo fanazavana sarobidy ireo, dia mety hanaitra ny fahalianan’ilay olona ho amin’ny Baiboly izy. Angamba ho fahafahana hanasa azy hanatrika ny sekolin’ny fanompoana izany. Olona maro no voatarika ho any amin’ny Efitrano Fanjakana tamin’izany fomba izany. Ny vehivavy japoney Vavolombelon’i Jehovah iray dia namerina ny lahateniny amin’ny sekolin’ny fanompoana teo anatrehan’ny mpikambana iray amin’ny Eglizy izay notsidihiny. Ny foto-keviny dia hoe “Ampirisihina hivoaka an’i ‘Babylona’ ny vahoakan’Andriamanitra”. Nampiseho fahalianana io ramatoa io ary nanaiky fampianarana Baiboly.

3. Inona no hampirisika antsika hampiasa eny amin’ny saha fitoriana izay rentsika ao amin’ny sekoly?

3 Hevero ny fampiharana amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Amin’ny Sekolin’ny fanompoana dia mandre fanazavana tsara dia tsara betsaka ianao ka ny ankamaroany dia mety ho azo ampiasaina mivantana amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Mandritra ny fandaharana dia dinihina ny foto-kevitra toy ny hoe ny antony inoana ny Baiboly, ny valin’ireo fanontaniana ara-pampianarana, ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly, ny fanazavana andinin-teny manokana sy ny fomba hampiharana ireo foto-pitsipika ao amin’ny Soratra Masina eo amin’ny fiainana andavanandro. Tadiavo ny fahafahana hampiasa ireo fanazavana ireo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Tsy mila miandry ny hametrahan’olona fanontaniana ny amin’ny iray amin’ireo foto-kevitra ireo ianao. Raha mety amin’izany ny tarehin-javatra, dia tariho ho amin’izany ny resaka. Amin’izay fomba izay ireo fanazavana dia hilentika ao an-tsainao ary dia ho havanana kokoa amin’ny asa fanompoana ianao.

4. Ahoana no ahafahan’ny sekoly manampy antsika handroso amin’ny fampiasana ny Baiboly?

4 Manana anjara tena lehibe eo amin’ny asantsika ny fampiasana ny Baiboly. Kanefa ny mpitory sasany dia mahita fahasahiranana amin’ny fitadiavana haingana ireo andinin-teny mifanentana. Toy izany ve ianao? Raha izany no izy dia afaka manampy anao hanao fandrosoana miavaka ny sekoly. Ahoana izany? Ampiasao ny Baibolinao mba hanarahana ny mpandahateny tsirairay amin’ny sekolin’ny fanompoana. Rehefa mamaky andinin-teny iray ao amin’ny Soratra Masina izy dia tadiavo foana ao amin’ny Baibolinao manokana izany. Arakaraka ny hamerimberenanao mitady ireny andinin-teny ireny no hifankazaranao aminy sy hahafantaranao tsara ny toerana hahitana azy. Tena ilaina ny fanazaran-tena, ary afaka manao izany ianao, tsy rehefa manao fanompoana eny amin’ny saha ihany, fa isan-kerinandro koa rehefa manatrika ny sekoly. Azonao atao ihany koa ny mandray soa amin’ny fianarana nataon’ireo mpandahateny rehetra. Nifidy ireo andinin-teny mahalaza hevitra indrindra izy ireo ho an’ireo foto-kevitra nomena azy. Eo am-panarahanao ny lahateniny, nahoana raha tsipihina ny tapany fototra amin’ireo andinin-teny izay heverinao fa ilaina amin’ny asa fitorianao? Ho tianao koa angamba ny handray an-tsoratra azy ireny ary koa ny foto-kevitra mifanaraka amin’izany eo amin’ny pejy tsy misy soratra ao amin’ny Baibolinao. Amin’izay fomba izay dia ho mora aminao ny hampiasa eo amin’ny asa fitoriana, izay ianaranao any amin’ny sekoly.

5, 6. Amin’ny ahoana no hanampy antsika ny fifidianana faritra mifanaraka amin’ny tena zava-misy ho an’ny lahatenintsika?

5 Rehefa manomana ny lahateninao ianao dia asio fitandremana betsaka ny amin’ny fifidianana ny faritra anaovana ny lahateny, satria izany hanampy anao hampiasa eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ireo zavatra tsara nianarana tany amin’ny sekoly. Rehefa azo atao izany, dia mampiasà tarehin-javatra tena hita eny amin’ny fanompoana. Indraindray ny lahateninao dia hitanao fa mifanentana amin’ny fomba fampiseho isan-trano na amin’ny fanambarana tsy ara-potoana. Amin’ny toe-javatra hafa dia hety kokoa angamba ny hampiseho izany amin’ny endriky ny fiaraha-midinika atao amin’ny fiverenana mitsidika. Mety ho resaka atao momba ny fanontaniana iray napetraka nandritra ny fianarana Baiboly tany an-tokantrano koa izany. Miezaha hatrany mba hahatonga ilay tarehin-javatra hifanaraka amin’ny tena zava-misy. Azonao atao ho toy ny tena izy kokoa ny lahateninao indraindray, amin’ny fanaovana fandaharana mialoha mba hanoheran’ny tompon-trano izay lazainao. Hasehonao amin’izay ny fomba fanao amin’ny toe-javatra toy izany. Ireo lahateny mifanentana amin’ny tarehin-javatra fahita eny amin’ny saha fanompoana dia tsy voatery hiafara amin’ny vokatra tsara eo no ho eo; tena ilaina ihany koa ny mampiseho izay fomba arahina rehefa tsy mihaino amim-pahalianana ny olona iray.

6 Rehefa omena ny anjaran’ny tompon-trano ianao dia afaka mandray soa koa ianao, noho ny fifandraisan’izany amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Hararaoty io fahafahana io mba hanandramana hahatakatra ny fomba fihevitr’ireo olona hitantsika sy ny anton’ny fanoherana ataony. Ny fampisehoanao toy ny tena izy ny anjara toeran’ny tompon-trano, sy ny fandinihanao ny fomba iatrehan’ny mpandahateny an’ilay tarehin-javatra, dia hanampy mba hampiofanana anao hahita vokatra eo amin’ny fanompoana.

7. Mba handrosoana tsy tapaka, lafiny inona no azontsika iezahana hohatsaraina eo amin’ny fanompoantsika isan-kerinandro?

7 Rehefa misy lahateny omena mifototra amin’ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, dia fakafakao ilay fampianarana omena ao, amin’ny fanaovana an-tsaina ny hanatsara ny fanompoanao, na amin’ny isan-trano izany na amin’ny lafiny hafa. Nahoana raha ilay foto-kevitra no ataonao lafiny lehibe hohatsarainao eo amin’ny fanompoanao amin’iny herinandro iny? Ohatra, raha toa ilay lahateny ka mampiseho ny ilana hanana foto-kevitra, dia manontania tena raha toa ireo fampisehoanao amin’ny asa fitoriana manana foto-kevitra tokoa. Moa ve asongadinao mazava tsara tokoa ilay izy ka tena miraikitra ao an-tsain’ny tompon-trano rehefa avy niresaka taminy ianao? Raha tsy izany no izy dia iezaho io lafiny io amin’iny herinandro iny. Handre foto-kevitra momba ny famakiana sy fampiharana andinin-teniny koa ianao, avy eo. Eo am-pihainoanao io lahateny io, dia fakafakao ny fomba fampiasanao manokana ireo andinin-teny. Moa ve ianao mamaky azy ireny amin’ny tompon-trano kanefa tsy manazava izany? Ahoana no ampifandraisanao ny andinin-teny amin’ny foto-kevitrao? Ahoana no ampiharanao azy ireny amin’ilay tompon-trano? Ny famakafakana toy izany dia afaka manampy anao hanatsara ny famakianao sy ny fampiharanao ireo andinin-teny. Moa ve ilay mpandahateny miresaka ny amin’ny fampiasana fanoharana? Ahoana no ahafahanao mandroso amin’io lafiny io? Sa ilay lahateny mahakasika ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano? Diniho ny fomba fiasanao mba hahitana ny fomba azonao ampiharana izany fianarana izany rehefa mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano ianao amin’iny herinandro iny. Amin’izany fomba izany, dia hampiasa izay nianaranao tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika ianao, mba hanatsarana ny fanompoanao eny amin’ny saha.

8. Raha mbola manao ny asa fanompoana isika, ahoana no ahafahantsika manoro hevitra ny tenantsika ihany amin’ny fomba mahasoa?

8 Fakafakao ny fomba fampisehoanao ny hafatra. Any amin’ny sekoly dia mandre torohevitra tsy tapaka ianao ary mahita ny soa azo avy amin’izany. Tsy miaraka aminao any amin’ny saha fitoriana angamba ilay mpiandraikitra ny sekoly, nefa nahoana raha manao ho fahazarana ny manome torohevitra ny tenanao? Rehefa avy niresaka tamin’ny olona iray ianao ary ho any amin’ny varavarana manaraka dia manontania tena toy izao: Inona no ho azoko natao mba hahitana vokatra kokoa? Araka izay fantatro ankehitriny, hanao zavatra hafa ve aho raha afaka namerina iny fiaraha-midinika iny? Mety hahasoa anao io karazana famakafakana io amin’io andro io ihany, satria mety hahita tarehin-javatra toy izany ihany ianao amin’ny varavarana iray hafa. Raha mizatra mamakafaka ny fampisehoanao ianao eo am-panaovanao ny fanompoanao, dia hitohy hatrany ny fandrosoanao. Mazava ho azy fa rehefa mitory miaraka amin’ny mpitory hafa iray ianao, dia afaka mangataka soso-kevitra aminy koa.

9, 10. Inona no azo atao mandritra ireo fotoam-panazaran-tena any an-trano mba hanampiana antsika hampihatra eny amin’ny saha fitoriana ireo zavatra nianarantsika teto?

9 Fomba iray tsara dia tsara hanatsarana ny fampisehoanao hanjary handaitra kokoa, ny famerenana azy miaraka amin’ny mpitory hafa sy fiarahana mamakafaka izany avy eo. Afaka manao izany miaraka amin’ny mpianakavinao ianao, na miaraka amin’ny hafa ao amin’ny kôngregasiôna. Angataho izy ireo hitana ny anjara toeran’ireo tsidihintsika sy hanao ireo fanoherana mahazatra. Rehefa misy fanoherana atao dia setrao izany raha azonao atao. Raha tsy izany dia miatoa ary mangataha fanoloran-kevitra amin’ireo manatrika eo. Avy eo dia tohizo ny resaka amin’ny fampiasana sasantsasany amin’ireo hevitra natolotra. Amin’ny faran’ny fampisehoana dia fakafakao miaraka ny fahombiazan’ilay fomba nampiasaina. Ny fotoam-panazaran-tena toy izany dia hanampy anao hanatsara ny fampisehoanao ilay hafatra sy hanome fahafahana anao koa hanitsy fahadisoana sasany alohan’ny handehanana eny amin’ny saha fitoriana. Izany dia hahatonga anao ho afaka hampihatra eo amin’ny fanompoana ireo foto-pitsipika nianaranao tao amin’ny sekoly. Tadidio fa nilaza ny apostoly Paoly hoe ny olona matotra dia ireo “izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy”. (Heb. 5:14). Fomba iray handranitana ny saintsika ny fampiasana azy io mandritra ny fotoam-panazaran-tena.

10 Ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika no anankiray amin’ireo fandaharana mampiseho fahalalahan-tanana maro nataon’i Jehovah mba hampiofanana antsika. Raha mianatra isika ary mampihatra amim-paharisihana ireo lesona omeny dia ho afaka hiteny miaraka amin’ilay mpaminany hoe: “Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay.” — Isaia 50:4.

[Fanontaniana]