Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampisongadinana ny Foto-kevitra sy Ireo Hevi-dehibe

Fampisongadinana ny Foto-kevitra sy Ireo Hevi-dehibe

Fianarana 27

Fampisongadinana ny Foto-kevitra sy Ireo Hevi-dehibe

1-4. Hazavao izay antsoina hoe foto-kevitry ny lahateny iray.

1 Ny lahateny tsirairay avy dia mila foto-kevitra izay manome azy fitarihana sy mampifandray amin’ny fomba mahafinaritra ireo tapany samy hafa aminy. Na inona na inona foto-kevitrao, dia tsy maintsy atao hita taratra manerana ilay lahateny manontolo izy io. Io no votoatiny. Mety ho voalaza ao amin’ny fehezanteny iray monja izany, kanefa dia tokony hahatafiditra ny lafiny tsirairay avy amin’ireo hevitra aseho. Tokony hiharihary amin’ny mpanatrika rehetra ny foto-kevitra, ary ho toy izany no izy raha nohamafisina tsara izy io.

2 Ny foto-kevitry ny lahateny iray dia tsy manambara foto-dresaka amin’ny ankapobeny fotsiny toy ny hoe “ny finoana”. Manondro lafiny manokana handinihana io foto-dresaka io ilay izy. Ohatra, ilay foto-kevitra dia mety hoe “Ny haben’ny finoanao”, “Tena ilaina ny finoana mba hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra”, “Ny fototry ny finoanao”, na “Aza mitsaha-mitombo ao amin’ny finoana”. Na dia mahakasika ny finoana daholo aza ireo foto-kevitra samy hafa ireo, ny tsirairay avy aminy dia mandinika ilay foto-dresaka amin’ny lafiny manokana ary mitaky famelabelarana samy hafa tanteraka.

3 Indraindray dia tsy maintsy angonina ireo hevitra ao amin’ny lahateny iray vao fidina ny foto-kevitra. Tsy maintsy fantatra mazava tsara anefa ilay foto-kevitra, alohan’ny hanombohana hanomana ny planin’ilay lahateny, na alohan’ny hifantenana ireo hevi-dehibe. Ohatra, aorian’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano tsirairay avy dia ho tianao angamba ny hiresaka ny amin’ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tena malalaka be io foto-dresaka io. Mba hamaritana izay holazainao mahakasika izany, dia hevero ny mpihaino anao sy ny zava-kendren’ny lahateninao. Miorina amin’izany no hifantenanao foto-kevitra iray. Raha fanasana olona iray handray anjara amin’ny asa fitoriana no ataonao, dia mety hanapa-kevitra ianao ny hampiseho fa manahaka an’i Jesosy Kristy ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitoriana isan-trano. Izay no ho foto-kevitrao. Izay rehetra holazainao dia hikendry ny hamelabelarana io lafiny amin’ny foto-dresaka malalaka kokoa io, dia ny hoe: ny Vavolombelon’i Jehovah.

4 Ahoana no ahafahanao manamafy foto-kevitra iray ao amin’ny lahateninao? Voalohany aloha, dia tsy maintsy mifantina foto-kevitra iray izay mifanentana sy mety amin’ny zava-kendrenao, ianao. Mitaky fiomanana mialoha izany. Raha vantany vao voafantina ilay foto-kevitra ka mihodinkodina manodidina azy io ny famelabelarana ny lahateninao, dia handeha ho azy ny fanamafisana azy io, raha manaraka fotsiny ny planina nomaninao ianao. Kanefa, mandritra ny famelabelarana dia ho tsara ny hamerimberenana indraindray ireo teny fototra na ny hevitra lehibe amin’ilay foto-kevitra mba hihariharian’io mazava.

5, 6. Ahoana no ahafahanao mamaritra fa mety ny foto-kevitra iray?

5 Foto-kevitra mifanentana. Ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, dia matetika tsy zava-manahirana ny fahazoana foto-kevitra mifanentana, satria mandrakariva dia omena anao izany. Tsy ho toy izany avokoa anefa ny lahateny rehetra hasaina hataonao. Fahendrena àry ny mihevitra amim-pitandremana ny foto-kevitra.

6 Inona no manondro na mifanentana na tsia ny foto-kevitra iray? Zavatra maromaro. Tokony hoheverinao ny mpihaino anao, ny zava-kendrenao ary mety ho ny anjara nomena anao koa. Raha tsapanao fa tsy manamafy na dia foto-kevitra iray aza ianao ao amin’ireo lahateninao dia angamba satria tsy mamelabelatra azy tsara avy amin’ny hevitra fototra iray ianao. Mety hampiditra hevitra be loatra izay tsy tena mampisongadina ilay foto-kevitra koa ianao ao amin’ny lahateninao.

7, 8. Hazavao ny fomba ahafahana manamafy foto-kevitra iray.

7 Famerimberenana ireo teny fototra na ny hevitra fototra. Fomba tsara iray hanamafisana ny foto-kevitra mandritra ny lahateny manontolo dia ny mamerimberina teny fototra izay voalaza ao amin’ny foto-kevitra, na mamerimberina ny hevitra fototr’ilay foto-kevitra. Amin’ny mozika, ny foto-kevitra dia lanton-kira (mélodie) iray miverimberina matetitetika mba hampiavaka ilay mozika manontolo. Matetika naoty vitsivitsy dia ampy mba hamantarana sangan’asa iray. Tsy hoe miverina foana amin’ny endriny mitovy ihany akory ilay lanton-kira. Indraindray dia fitambarana naoty (phrase) iray na roa amin’ilay lanton-kira ihany no atao, na ilay foto-kevitra (thème) nasiana fiovana kely no ampiasaina. Kanefa amin’ny fomba iray na hafa, dia ataon’ilay mpamoron-kira izay hahatonga ilay lanton-kira haningantsingana ombieny ombieny manerana ilay sangan’asa manontolo ka hampiavaka azy io.

8 Tokony ho izany koa no izy amin’ny foto-kevitry ny lahateny iray. Sahala amin’ilay lanton-kira miverimberina matetika ao amin’ny sangan’asa iray ireo teny fototra na hevitra fototra izay miverimberina. Ny teny mitovy hevitra amin’ireo teny ireo, na ny filazana amin’ny fomba hafa ny hevitra fototra dia samy fampisehoana ilay foto-kevitra amin’ny fomba hafa. Tsy tokony hanjary hahamonamonaina ny famerimberenana toy izany, nefa raha atao amim-pitandremana tsara izany, ilay lahateny manontolo dia hiavaka noho ilay foto-kevitra ary hitadidy io hevitra fototra io ny mpihaino.

**********

9-13. Hazavao ny atao hoe hevi-dehibe ao amin’ny lahateny iray. Manomeza ohatra.

9 Rehefa avy namaritra ny foto-kevitry ny lahateninao ianao, ny dingana manaraka amin’ny fanomananao dia ny fifidianana ireo hevi-dehibe kasainao hampiasaina mba hamelabelarana azy. Io toetra io dia hita eo amin’ny taratasinao Torohevitra Momba ny Lahateny eo amin’ilay fizarana hoe “Fampisongadinana ireo hevi-dehibe”.

10 Inona avy ireo hevi-dehibe ao amin’ny lahateny iray? Tsy hevitra mahaliana fotsiny izy ireo, na hevitra sendra natsidika teny anelanelany teny. Izy ireo no tapany lehibe indrindra amin’ny lahateninao, dia hevitra izay somary lavalava ihany ny famelabelarana azy. Izy ireo dia toy ny soratra na famantarana mipetaka eo amin’ny talantalan’ny mpivarotra ka manampy ny mpividy hahafantatra izay raketin’ny tapany iray amin’ny talantalana, sady mamaritra izay azo apetraka sy tsy azo apetraka eo amin’izany tapan’ny talantalana izany. Eo ambanin’ny soratra hoe VOAMADINIKA, dia ho diso toerana ny kaonfitira amin’ny boaty, ary hampikorontan-tsaina ny mpividy fotsiny ny fahitana izany eo. Tsy tokony hampoizina koa ny hahitana vary eo amin’ny talantalana voamarika hoe KAFE SY DITE. Raha takona ireo soratra satria be entana loatra ao amin’ny talantalana, dia ho sahirana ny mpividy hahita izay tadiaviny. Raha mazava sy mora hita anefa ireo soratra dia ho fantany haingana ireo entana manoloana azy. Toy izany koa ny amin’ireo hevi-dehibe ao amin’ny lahateny iray. Raha afaka manavaka sy mitadidy izany an-tsaina ny mpihaino anao, dia naoty fohy vitsy dia vitsy no ilainy mba hanarahana anao hatrany amin’ny famaranan-teninao.

11 Anton-javatra iray hafa. Ny fifantenana sy ny fampiasana ireo hevi-dehibe dia hiovaova arakaraka ny mpihaino sy ny zava-kendren’ny lahateny. Izany no mahatonga ny mpiandraikitra ny sekoly hitsara ireo hevi-dehibe nofidin’ilay mpianatra arakaraka ny fampiasany izany, fa tsy arakaraka ireo hevitra efa nofantenan’ilay mpanome torohevitra mialoha fotsiny.

12 Rehefa mifantina hevitra ianao, dia aza maka afa-tsy izay tena ilaina ihany. Koa, manontania hoe: Inona no mahatonga hevitra iray ho tena ilaina? Tena ilaina izy io raha toa ianao ka tsy afaka mahatratra ny zava-kendren’ny lahateninao raha tsy misy azy. Ohatra, raha miresaka ny amin’ny avotra amin’ny olona iray tsy mahalala io fampianarana io ianao, dia tena ilaina ny manaporofo fa tena olombelona i Jesosy, raha tsy izany dia tsy ho afaka hampiseho ny vidin’ny sorony mifanandrify ianao. Ho anankiray amin’ireo hevi-dehibe amin’ilay fiaraha-midinika àry izany. Kanefa raha nanaporofo tamin’ilay olona ianao teo aloha fa fampianaran-diso ny Trinite, ilay hevitra vao avy nolazaintsika teo dia azo heverina ho zanakevitra satria efa nekena. Noho izany, dia somary ho tsotra ny hanaporofoana ny vidin’ny avotra mifanandrify naloan’i Jesosy. Amin’izay, dia tsy tena ilaina ny fandinihana ny naha olombelona an’i Jesosy.

13 Manontania tena toy izao: Fahalalana inona no efa ananan’ny mpihaino ahy? Mba hahatratrarana ny zava-kendreko dia inona no tokony hoporofoiko? Raha fantatrao ny valin’ilay fanontaniana voalohany, dia azonao valiana ilay faharoa raha angoninao ireo hevitra ilaina amin’ny lahateninao, ka atokanao ireo hevitra efa fantatry ny mpihaino, ary sokajinao ao anatin’ny fizarana vitsy araka izay azo atao ireo hevitra sisa rehetra. Ireny fizarana ireny no hanjary soratra famantarana ampiasainao mba hilazana izay sakafo ara-panahy arosonao ny mpihaino. Tsy tokony ho takona na hiafina velively ireny soratra apetaka na hevi-dehibe ireny. Ireny no hevi-dehibe ka tsy maintsy misongadina.

14-17. Noho ny antony inona avy no tsy tokony hampisehoantsika hevi-dehibe maro loatra?

14 Hevi-dehibe tsy maro loatra. Ny ankamaroan’ireo foto-dresaka dia tsy tokony hisy afa-tsy hevitra tena ilaina vitsivitsy. Amin’ny ankapobeny dia azo isaina eo amin’ny rantsan’ny tanana anankiray izany. Marina izany na manao ahoana na manao ahoana fotoana anananao mba hampisehoana azy ireny. Aza manao ilay fahadisoana fahita, dia ny fitiavana hampisongadina hevitra be loatra. Rehefa manjary lehibe loatra ny trano fivarotana iray ka maro loatra ireo karazan’entana ao, dia mety ho very ny mpividy. Tsy azo atao ny mangataka ara-drariny ny mpihaino hitadidy hevitra be loatra amin’ny indray mandeha monja. Arakaraka ny maha lava ny lahateninao no tokony hahatsotra kokoa azy io sy tokony hampisongadina mazava kokoa ireo hevitra fototra. Aza manery ny mpihaino anao hitadidy hevitra maro loatra àry. Fanteno ireo izay, araka ny hevitrao, dia tokony hotadidina ary ampiasao ny fotoana rehetra natokana, hiresahana ny amin’izany.

15 Ahoana no ahafantarana raha misy hevitra be loatra ny lahateny iray? Amin’ny teny fohy, raha azo avela ny hevitra iray nefa ho tratra ihany ny zava-kendren’ilay lahateny, dia satria tsy tena lehibe akory io hevitra io. Mba hamenoana ilay famelabelarana na hanaovana fampitohizana dia azonao ampidirina ilay hevitra, nefa tsy tokony hasongadina toy ireo izay tena tsy azo avela.

16 Tsy maintsy mila fotoana ampy koa ianao mba hamelabelarana tsara ny hevitra tsirairay sy hitondrana izany hatrany amin’ny famaranan-teniny. Raha tsy maintsy milaza zavatra betsaka ao anatin’ny fotoana fohy ianao, dia tano ho faran’izay vitsy ireo hevitra efa fantatry ny mpihaino anao. Aza mihazona afa-tsy ireo anton-javatra izay mbola tsy mahazatra azy ary hazavao tsara amin’izy ireo izany mba tsy hanadinoany azy.

17 Farany, ny lahateninao dia tokony ho hita hoe tsotra. Tsy miankina amin’ny isan’ny hevitra aseho foana akory izany. Matetika ny fahatsorana dia miankina amin’ny fomba fandaharanao ireo hevitra. Ohatra, raha toa ireo zava-pihinana rehetra ao amin’ny fivarotana midadasika iray ka mifangaro sy mivangongo eo afovoan’ilay magazay, izany dia hanome taratry ny fisavoritahana ka ho sahirana ny mpividy hahita izay tadiaviny. Nefa rehefa alahatra araka ny sokajiny sy asiana soratra napetaka ireo entana rehetra dia mahafinaritra ny maso ary tsy ho sahirana mihitsy ny mpividy hahita izany. Tsory ny lahateninao amin’ny fanakambanana ireo hevitrao eo ambanin’ny hevi-dehibe vitsivitsy.

18. Ahoana no tokony hamelabelarana ireo hevi-dehibe?

18 Hevi-dehibe velabelarina mitokana. Ny hevi-dehibe tsirairay avy dia tokony hisongadina manokana ary hovelabelarina mitokana. Izany akory tsy manakana anao tsy hanao famintinana fohy ireo loha hevitra, na ao amin’ny fampidiran-dresakao izany, na ao amin’ny famaranan-teninao. Nefa ao amin’ny tenan’ilay lahateny dia tsy tokony hisy afa-tsy hevi-dehibe iray ihany no hatao indray milaza. Aza avela hisy hevitra mifanindry raha tsy hoe ilaina angaha izany mba hanaovana fampitohizana na fanamafisana. Amin’ny fianarana manao planina misy ny hevitra fototra dia ho mora kokoa aminao ny hamelabelatra mitokantokana ireo hevi-dehibe.

19-21. Amin’ny fomba ahoana no tokony hampiasana ireo zanakevitra?

19 Zanakevitra mifantoka amin’ireo hevi-dehibe. Ireo porofo sy andinin-teny ary hevitra hafa aseho dia tokony hampifantoka ny saina ho amin’ny hevi-dehibe ka hanamafy azy io.

20 Rehefa manomana ianao dia fakafakao ireo zanakevitra rehetra ary aza mitazona afa-tsy izay manohana mivantana ireo hevi-dehibe ihany, ka manazava, na manaporofo, na manamafy ilay hevitra. Esory izay rehetra tsy mahakasika ny resaka ka hampisavorovoro fotsiny ilay foto-dresaka.

21 Izay hevitra rehetra mifandray amin’ny hevi-dehibe iray dia tokony hampifandraisina mivantana aminy amin’ny alalan’izay lazainao. Aza avela ho ny mpihaino no hanao izany. Ataovy mazava tsara ilay fifandraisana. Lazao hoe inona ilay fifandraisana. Izay tsy lazaina mazàna dia tsy azo ny heviny. Izay tsy voamarina mazava dia matetika tsy azo. Azo atao izany rehefa averimberina ny teny fototra izay milaza ny hevi-dehibe, na rehefa averimberina tsindraindray ny hevitra hita ao amin’ilay hevi-dehibe. Rehefa hainao tsara ny mampifantoka ireo zanakevitra amin’ireo hevi-dehibe ao amin’ilay lahateny, sy ny mampifandray ireo hevi-dehibe amin’ny foto-kevitra, dia hanjary hahafinaritra ny fahatsoran’ny lahateninao ka ho mora velabelarina sy ho sarotra hadinoina.

[Fanontaniana]