Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fampitomboana ny Fahaiza-mampianatra

Fampitomboana ny Fahaiza-mampianatra

Fianarana 10

Fampitomboana ny Fahaiza-mampianatra

1-3. Inona no tafiditra amin’ny hoe mampianatra, ary amin’ny toe-javatra inona avy isika no afaka mampianatra?

1 Amin’ny maha Kristianina marina antsika dia miaiky isika fa i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy no Mpampianatra Lehibe. Mitovy fihetseham-po amin’ny mpanao salamo izay nivavaka tamin’i Jehovah toy izao, isika: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho.” (Sal. 143:10). Mitovy hevitra amin’ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany izay niantso azy hoe “Mpampianatra” koa isika. Izany ka Mpampianatra! Rehefa nahavita ny Toriteniny teo an-tendrombohitra izy “dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy”. (Matio 7:28, 29). Ireo no Mpampianatra Lehibe Indrindra ary mitady izay hanahafana azy ireo isika.

2 Fahaizana tsy maintsy ampitomboina ny fampianarana. Tafiditra amin’izany ny fanazavana ireo fanontaniana hoe inona, ahoana, nahoana, taiza, oviana, mahakasika raharaha iray. Adidin’ny Kristianina tsirairay avy ny mampitombo ny fahaizany mampianatra, mainka satria nanome izao baiko izao an’ireo mpianany i Jesosy: “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra, (⁠.⁠.⁠.⁠) mampianatra azy.” (Matio 28:19, 20). Ny maha asa mitaky fahakingana izany, dia miharihary amin’ity torohevitra nomen’ny apostoly Paoly an’i Timoty ity: “Mananara mafy amin’ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.” — 2 Tim. 4:⁠2.

3 Betsaka ny fahafahana mampianatra. Tokony hampianatra ireo zanany ny ray aman-dreniny. Ireo mpitory ny vaovao tsara dia tokony hampianatra ireo liana amin’ny hafatra amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Matetika dia ilaina koa ny mampianatra ireo mpitory vaovao. Rahalahy maro no manana tombontsoa manao lahateny mampiorina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana na amin’ny endriky ny lahateny ampahibemaso. Ny mpianatra rehetra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika dia tokony haniry hampiseho ny fandrosoany amin’ny maha mpampianatra. Arakaraka ny hampitomboanao ny fahaizanao mampianatra sy handraisanao anjara amin’io lafiny amin’ny fanompoana io dia hahatsapa fahafaham-po lehibe sy fifaliana lalina ianao. Tsy misy mahafaly kokoa noho ny mampianatra olona iray ny Tenin’Andriamanitra sy ny mahita azy manao fandrosoana ara-panahy tsara dia tsara.

4, 5. Tokony hiantehitra amin’iza sy amin’ny inona isika rehefa mampianatra?

4 Miantehera amin’i Jehovah. Mba hahatongavana ho mpampianatra kinga ny vaovao tsara dia ilaina ny miankina amin’i Jehovah, mihevitra izany, mitady ny fitarihany sy miangavy ny fanampiany. (Ohab. 3:5, 6). Na dia i Jesosy aza dia nanambara hoe: “Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’Izay naniraka Ahy.” (Jaona 7:16). Nitodika tsy tapaka tamin’ny Tenin’Andriamanitra izy, nanonona teo amin’ny antsasak’ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo eo ho eo na nanisy fitenenana ny amin’izany tamin’ireo resaka nataony voarakitra an-tsoratra. Manahafa àry an’i Jesosy rehefa mampianatra ny hafa ianao, amin’ny fiankinana amin’ny Teny fahamarinan’Andriamanitra. Tadiavo ao izay valim-panontanianao, satria tsy misy afa-tsy tokana ny fitaovana lehibe indrindra ahafahana mampianatra ireo olona ny fomba hahatongavana ho mpianatr’i Jesosy: ny Baiboly Masina. — 2 Tim. 3:16.

5 Raha miantehitra marina amin’i Jehovah ianao dia tsy hahatsapa tena ho tsy mahay. Andriamanitra dia manome antsika ny fahatakarana ny fikasany araka izay voavelabelatra ao amin’ny Teny fahamarinany. Hanohana anao i Jehovah raha mizara ny fahalalanao ireny fahamarinana ireny ianao. Aza miahotra, amin’ny filazana hoe: “Tsy mpampianatra aho.” Afaka ny ho tonga toy izany ianao raha mivavaka amin’i Jehovah sy miantehitra aminy. — 2 Kor. 3:⁠5.

6-8. Tsy maintsy miomana ve mba hahaiza-mampianatra?

6 Ny fiomanana. Mazava ho azy fa tsy misy mahasolo ny fahalalana ilay foto-kevitra. Alohan’ny hampianarana izany dia tokony ho azon’ny tenanao mazava izany. (Rom. 2:21). Arakaraka ny hitaran’ny fahalalanao dia ho tonga mpampianatra tsaratsara kokoa ianao. Kanefa, na dia tsy mahafantatra afa-tsy fahamarinana fototra vitsivitsy aza ianao dia mbola mety ho tonga mpampianatra ihany. Resaho izay fantatrao. Na dia ireo ankizy kely aza dia afaka mampahafantatra an’ireo mpiara-mianatra aminy ireo fahamarinana nampianarin’ireo ray aman-dreniny azy. Ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika dia hanampy anao hampitombo ny fahaizanao mampianatra.

7 Raha tsy maintsy mitarika fampianarana Baiboly ianao na manao lahateny, dia ataovy mazava tsara ao an-tsainao aloha ireo hevitra aroso mba hanohanana ilay fanazavana omena. Ezaho faritana ny antony maha toy izao na izao ny zavatra iray. Miezaha milaza hevitra amin’ny fomba fiteninao. Ataovy izay hahatakarana tsara ny hevitr’ireo porofo araka ny Baiboly. Miomàna mba hampihatra amin’ny fomba mandaitra ireo andinin-teny voatonona.

8 Ny hoe miomana dia mihevitra mialoha koa ireo fanontaniana mety hipoitra ao an-tsain’ny olona iray, noho ny fiofanana ara-pivavahana azony. Noho izany, dia ho azonao atao ny hitady fanazavana ny amin’ny zavatra izay mahaliana indrindra an’ilay olona. Ny fitadidianao ireo zavatra efa takany dia hanampy anao hametraka fototra ho amin’ny fianarana vaovao sy hanampy azy mba handroso. Ny mpianatra hafa iray dia mety hila fitambarana fanaporofoan-kevitra hafa noho ny ivom-piainana nisy azy. Raha fantatrao àry ilay olona, dia ho afaka hiomana tsaratsara kokoa ianao mba hanampiana azy.

9. Ahoana no azontsika ampirisihana olona iray hamaly amin’ny fomba fiteniny?

9 Fanontaniana. Araka ny noporofoin’i Jesosy Kristy matetika tokoa, ny fampiasana fanontaniana dia mahasoa indrindra mba hampianarana tsara. (Lioka 10:36). Mampiasa io fomba io ianao rehefa mitarika fampianarana Baiboly, amin’ny fametrahana ireo fanontaniana voasoratra ao amin’ireo bokintsika. Nefa ny mpampianatra tsara iray dia tsy ho afa-po raha tahiny ilay olona mianina amin’ny famakiana ireo valiny ao anatin’ilay boky. Hametraka aminy fanontaniana fanampiny izay hanosika azy hilaza hevitra amin’ny fomba fiteniny manokana izy. Indraindray dia ampy ny miteny hoe: “Marina ny valin-teninao, nefa azonao atao ve ny milaza izany amin’ny fomba hafa, amin’ny fiteninao manokana?”

10. Hazavao ny fampiasana fanontaniana fitarihana ny saina.

10 Ireo fanontaniana fitarihana ny saina dia hanampy anao hampianatra tsara koa. Izany dia fanontaniana hamela anao hitarika ny sain’ilay olona amin’ny zavatra efa fantany, ka hahatonga azy hanatsoaka hevitra izay angamba mbola tsy novinavinainy velively. (Matio 17:25, 26; 22:41-46). Toy ny miteny anakampo ianao hoe: ‘Fantatro fa mahafantatra an’izao sy izao ity olona ity; noho izany, raha ametrahako fanontaniana amin’ny filaharana lôjika izy, dia ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra tsara. Raha tsy mametraka fanontaniana fitarihana ny saina kosa anefa aho aloha, fa avy hatrany dia ilay fanontaniana lehibe indrindra, dia mety hanatsoaka hevi-diso izy.’ Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia manana fahazavana ampy mba hahitana ny valiny ilay mpianatra, saingy mila fanampiana izy. Mazava ho azy fa ny mora indrindra dia ny fanomezana azy ny valiny. Nefa raha mampiasa fanontaniana fitarihana ny saina ianao, dia tsy vitan’ny hoe mahatonga ilay valiny ho mora ekena kokoa, satria ilay mpianatra mihitsy no nanome azy, fa manampy azy hampitombo ny fahaizany misaina koa. Ireo fanontanianao dia hitarika ny sainy hanaraka ny fandehan’ireo hevitra araka ny lôjika ka ho tonga amin’ilay fanatsoahan-kevitra tsara. Ho fanampiana tsy hay tombanana ho azy io fomba io amin’ny ho avy.

11. Ahoana no azo ampiasana ny fanontaniana hahalalana fomba fihevitra?

11 Indraindray dia ho hitanao fa ilaina ny manao fanontaniana hahalalana fomba fihevitra. Izany dia fametrahana fanontaniana mba hahafantarana izay inoan’ilay mpianatra manokana. Ohatra, azonao atao ny manontany azy hoe inona ny lalàn’Andriamanitra momba ny fijangajangana. Angamba izy hanonona andinin-teny ao amin’ny Baiboly mampiseho fa ratsy ny fijangajangana. Nefa moa ve miaiky marina ny amin’izany izy? Inona no heviny manokana? Ho azonao atao àry ny hametraka fanontaniana iray aminy mba hahalalana izay heveriny manokana ny amin’ny fijangajangana amin’ny filazana aminy ohatra hoe: “Tsy mampaninona ve na manaraka izany isika na tsia?” Arakaraka izay valiny omeny dia mety ho hitanao raha tsy nahatakatra ny zavatra rehetra izy, ary dia hanampy azy araka izany ianao. Ny fanontaniana hahalalana fomba fihevitra dia hanampy anao hanohina ny fon’ilay olona.

12, 13. Nahoana ny fampiasana fanontaniana no ilaina rehefa mandeha isan-trano isika na manao lahateny eny ambony lampihazo?

12 Misy ilana azy koa ny fanontaniana rehefa mandeha isan-trano isika. Ohatra, mba hanampiana olona iray hahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia ilainao ny mahalala izay heveriny. Fantatrao koa fa, raha mametraka fanontaniana aminy ianao ka manome azy fahafahana hilaza ny fomba fiheviny, dia ho vonona kokoa hihaino ny hafatra entinao izy.

13 Na dia rehefa manao lahateny ampahibemaso eny ambony lampihazo aza ianao dia mametraha fanontaniana indraindray amin’ny fanasana ireo mpihaino hamaly. Nefa azonao atao koa ny mampiasa fanontaniana tsy miandry valiny, fanontaniana natokana fotsiny hanaitairana ny sain’ny mpihaino, nefa tsy hanampoizanao ny hamaliany izany. (Lioka 12:49-51). Ny tenanao ihany no hamaly ireo fanontaniana ireo. Raha mametraka fitohitohizam-panontaniana ianao dia afaka manapa-kevitra ny tsy hamaly raha tsy tonga any amin’ilay farany. Ny endriky ny fanontaniana hapetraka dia hiankina amin’ny mpihaino sy ny hevitra tianao hampianarina.

14, 15. Inona no ilana ny fanoharana sy ny famerimberenana?

14 Fanoharana. Lafiny lehibe tamin’ny fampianaran’i Jesosy ny fanoharana. Ankehitriny koa ireo mpampianatra kristianina dia afaka maka fanoharana avy amin’ireo raharaha sy zavatra hita eo amin’ny fiainana, dia fanoharana izay hanampy mba handentika ireo fampianarana sarobidy ao an-tsain’ny mpihaino. (Matio 13:34, 35). Mifidiana fanoharana tsotra, satria raha sarotra loatra izany dia hanahirana ny hahatakatra azy ary mety hampivily ny saina tsy hifantoka amin’ireo fanaporofoan-kevitrao mihitsy aza. Ny taratasin’i Jakoba dia ahitana fanoharana maro: ny onjan-dranomasina, ny familian-tsambo, ny lamboridin-tsoavaly, ny fitaratra, sns. Ireny ohatra rehetra ireny dia notsoahina avy tamin’ny zavatra fahita andavanandro eo amin’ny fiainana. Ny mpampianatra iray manana saina marisika dia hifidy ny fanoharany arakaraka ny tarehin-javatra, ny taona, ny fivavahana ary ny kolontsain’ilay olona. Mazava fa azo ampiasaina amin’ny lahateny io fomba io, toy ny amin’ny fampianarana isam-batan’olona koa.

15 Ny famerimberenana. Na eny ambony lampihazo izany na mampianatra olona iray ao an-tranony dia tena ilaina ny famerimberenana mba hahaizana mampianatra. Tadiavo izay handentehana ao an-tsain’ilay olona, teny na fehezanteny fototra, ary indrindra andinin-teny ao amin’ny Baiboly. Raha manao anjara miaraka amin’ny tompon-trano iray ianao, dia sorito ny hevitra sasany amin’ny fametrahana fanontaniana ho famerenana. Amin’izay dia ho azonao antoka fa nahazo ilay hevitra tsara ilay olona. Hanahaka an’i Jesosy izay nametraka ity fanontaniana ity ianao: “Efa azonareo va izany rehetra izany?” — Matio 13:51.

16. Raha mpampianatra mahay ny mpandahateny iray dia inona no tokony ho tadidin’ireo mpihaino aorian’ny lahateniny?

16 Lahateny ahitana fianarana. Tadidinao amim-pahafinaretana ireo lahateny nahafantaranao zavatra maro. Manandrama mandinika ny antony maha mpampianatra tsara ny mpandahateny sasany sy ny maha mora tadidy ny lahatenin’izy ireo. Tsy miteny haingana be izy ireo. Mety hametraka fanontaniana natao hovalian’ny mpihaino izy ireo, na fanontaniana tsy miandry valiny natao hanaitra ny saina. Manasa anao hanaraka ao amin’ny Baibolinao ny famakiana andinin-teny fototra sasany izy ireo, ary manjohy hevitra avy amin’izany, mamelabelatra izany ary manasongadina ireo hevi-dehibe. Ny mpandahateny sasany dia mampiasa sary hita maso. Nefa na toy inona na toy inona fomba ampiasaina dia ho voamarikao fa tadidy mora kokoa ny hevitra vitsivitsy voavelabelatra tsara noho ny hevitra maro nosafosafoina fotsiny. Raha mpampianatra mahay ilay mpandahateny, ireo mpihaino azy dia tokony hahatadidy mora foana ny foto-keviny, ireo hevi-dehibe ary angamba aza andinin-teny iray na roa ao amin’ny Soratra Masina notononiny.

17, 18. Amin’ny fomba ahoana ary nahoana no tokony hitarika ny sain’ny olona ho amin’ireo Mpampianatra Lehibe isika?

17 Aoka hotarihintsika ho amin’ireo Mpampianatra Lehibe ny saina. Ny mpampianatra kristianina dia tokony hiaiky mandrakariva fa zava-dehibe tokoa ny hitarihana ny sain’ny olona ho amin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’aina, sy ho amin’i Jesosy Kristy, izay amin’ny alalany no anomezan’Andriamanitra ny fiainana sy ny fitahiana. (Jaona 17:3). Miezaha mampitombo ao an-tsain’ireo mpiara-belona aminao, fankasitrahana lalina an’ireo Mpampianatra Lehibe ireo.

18 Arakaraka ny maha havanana anao eo amin’ny fahaiza-mampianatra no hahatakaranao koa ny anjara asan’ny fitiavana. Raha mianatra ny ho tia marina an’i Jehovah Andriamanitra ny olona iray, dia hanompo azy amim-pahatokiana. Amin’izany, mandritra ny fianarana, dia hararaoty ireo fotoana mety mba hanintonana ny sain’ilay olona ho amin’izay rehetra efa nataon’Andriamanitra sy mbola ataony ho an’ny olombelona mpanota. Asongadino ny fahendrena, ny rariny, ny fitiavana sy ny herin’Andriamanitra, toetra izay mifanindran-dalana amin’ny fomba kanto ho fanasoavana ireo olona mankato. Raha tsara ny fon’ilay olona, arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia hahatsapa faniriana haneho tsy fivadihana lalina amin’i Jehovah izy ary handray anjara amin’ny fanomezam-boninahitra ny anarany.

[Fanontaniana]