Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanamafisan-kevitra sy Fiovaovam-peo Araka ny Hevitra Ambara

Fanamafisan-kevitra sy Fiovaovam-peo Araka ny Hevitra Ambara

Fianarana 32

Fanamafisan-kevitra sy Fiovaovam-peo Araka ny Hevitra Ambara

1, 2. Inona no anjara asan’ny fanamafisan-kevitra ao amin’ny lahateny iray?

1 Ny fanamafisan-kevitra sy ny fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara dia miara-miasa mba hahatonga ny lahateny iray hisy heviny sy hisy fiovaovana tsy mahamonamonaina. Raha tsy eo ireo toetra ireo dia hiova ny hevitra ary tsy hahaliana intsony. Hojerentsika aloha ny fanamafisan-kevitra, satria mazàna io no mora hay kokoa amin’izy roa ireo.

2 Tadidio ao an-tsaina ny zava-kendren’ny fanamafisan-kevitra. Izany dia fanamafisana teny na hevitra mba hampivoaka ny heviny marina sy hampiseho amin’ny mpihaino ny ambaratongam-pahalehibeazany. Ny fanamafisana ilaina dia mety ho mafy na malemy fotsiny, nefa indraindray izy io dia mety hiavaka kokoa.

3-7. Lazao ny fomba hahaizana manamafy tsara ny hevitra.

3 Fanamafisana ireo teny milaza ny hevitra. Ny fametrahana ny fanamafisana, raha fintinina, dia ny fanapahana hoe teny inona avy no hohamafisina. Tokony ho fantatra ireo teny milaza ny hevitra, ary noho ny fanamafisana, dia tokony hatao misongadina izy ireny raha mitaha amin’ireo teny hafa manodidina azy. Raha manamafy ireto farany kosa ianao dia hiova ny hevitra na ho maizimaizina.

4 Mazava tsara ny resaka ataon’ny ankamaroan’olona amin’ny andavanandro. Tsy misy tokony hampanahirana amin’io lafiny io, raha tsy hoe manana fahazaran-dratsy angaha ianao, toy ny hoe manamafy teny mpampiankina. Amin’ny ankapobeny ny fahalemena amin’io lafiny io dia mampiseho fisian’ny fahazaran-dratsy iray. Raha izany no zava-manahirana anao, dia milofosa manary izany fahazaran-dratsy izany. Mandrakariva dia tsy ampy ny manao lahateny iray na roa mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy iray. Koa raha tsy miharihary loatra na manova hevitra ny fanamafisana diso toerana ataonao, dia hamela anao hiampita amin’ny zavatra takina manaraka ilay mpanoro hevitra. Na izany aza, raha te hiteny amin’ny fomba mahery sy amim-pahakingana ianao dia mikeleza aina mandra-pahainao tsara mametraka ny fanamafisana eo amin’ny toerana tokony hisy azy.

5 Amin’ny ankapobeny dia ilaintsika ny maneho fitandremana kokoa ny fanamafisan-kevitra rehefa tokony hanao vakiteny ampahibemaso isika noho ny rehefa manao lahateny an-tehaka. Toy izany no izy amin’ny famakiana andinin-teny ao amin’ny lahateny iray, ary koa amin’ny famakiana ireo fehintsoratra amin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Matoa tsy maintsy tandremana bebe kokoa ny fanamafisan-kevitra rehefa mamaky lahatsoratra, dia satria nosoratan’olon-kafa mazàna ny zavatra vakintsika. Tokony handinika amim-pitandremana ilay izy àry isika, hamakafaka ireo hevitra ary hamerimberina ireo teny mihitsy mandra-pifankazarantsika aminy.

6 Ahoana no mety hanaovana fanamafisan-kevitra? Amin’ny fomba maromaro, izay azo ampiasaina mitokana na mikambana: amin’ny fampiakarana ny hamafin’ny feo, amim-pihetseham-po mahery kokoa, amin’ny fampidinana ny feo na amin’ny fampiakarana azy, amin’ny fitenenana miadana sy voalanjalanja, amin’ny fitenenana haingana kokoa, amin’ny fiatoana aloha na aorian’ny filazana iray (na aloha sy aoriana), amin’ny fihetsehana sy ny fiovan’ny endrika.

7 Miezaha aloha ianao manao fanamafisam-peo amin’ny toerana mahamety izany ary amin’ny hery ampy mba hampisongadinana ireo teny fototra. Raha tsy maintsy manao vakiteny ianao, dia tsipiho ireo teny fototra mandritra ny fanomananao. Raha manao lahateny an-tehaka ianao, dia ataovy mazava tsara ao an-tsainao ireo hevitra. Mampiasà teny fototra ao amin’ireo naotinao, ary hamafiso ireny teny fototra ireny avy eo.

8, 9. Nahoana no zava-dehibe ny hanamafisana ireo hevi-dehibe amin’ny lahateny?

8 Fanamafisana ireo hevi-dehibe amin’ny lahateny. Eto matetika no tsy ampy ny fanamafisan-kevitra. Ny lahateny iray tsy hamafisina ny hevi-dehibe dia maimaina. Tsy misy na inona na inona misongadina oharina amin’ny fitambarany. Rehefa mifarana ilay lahateny, dia matetika no tsy misy na inona na inona tadidy fa nisongadina. Na dia nomanina tsara aza ireo hevi-dehibe, dia hihena ny vokany na ho very tanteraka mihitsy aza raha tsy hamafisina araka ny tokony ho izy mandritra ny lahateny.

9 Mba handaminana io zava-manahirana io dia fakafakao aloha ireo hevitra ao amin’ny lahateninao. Inona no hevi-dehibe ao? Inona no hevi-dehibe faharoa ao amin’ilay foto-dresaka? Raha asaina mamintina amin’ny fehezanteny iray na roa ny lahateninao ianao, dia inona no holazainao? Izany no fomba tsara hahitana ireo hevitra misongadina. Rehefa fantatrao izy ireo, dia asio marika ao amin’ny naotinao, na ao amin’ny lahateny voasoratra manontolo. Izany dia ahafahanao mampiditra azy ireo tsara sy manao azy ireo ho ny hevitra misongadina indrindra. Ireo no hevi-dehibe amin’ny famelabelaranao ary raha mampiseho tsara izany ianao amin’ny fanamafisana azy amin-kery ampy dia hitadidy izany ny mpihaino. Izany no zava-kendren’ny lahateninao.

**********

10-12. Hazavao hoe inona no atao hoe fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara.

10 Ny fanamafisan-kevitra fotsiny dia ahafahan’ny mpihaino mahatakatra izay lazainao, nefa raha ovaovanao ny fanamafisanao amin’ny fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara, dia hahafinaritra azy kokoa ny hihaino ny lahateninao. Moa ve ianao mampiasa tsara ny fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara rehefa eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, na rehefa manana tombontsoa hanao lahateny ao amin’ny kôngregasiôna?

11 Ny fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara dia fanovaovana ny haavon’ny feo sy ny hafainganam-piteny ary ny hamafin’ny feo, mba hampifantohana ny sain’ny mpihaino sy hamelana azy hanaraka ny fizotran’ny hevitra sy ny fihetseham-pon’ny mpandahateny. Mba hahitam-bokatra, ny fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara dia tokony hampiasa ny ambaratongam-pahafahana rehetra atolotry ny foto-dresaka. Eo amin’ny ambaratonga ambony indrindra no ilaharan’ny fihetseham-po telo, ka ny fahataitairana no mahery indrindra, manarakaraka azy ny hafanam-po, ary avy eo dia ny fahalianana fatratra. Eo amin’ny ambaratonga antenatenany no ahitana ny fahalianana antonony, ary eo amin’ny ambaratonga ambany no misy ny fahamaotinana sy ny fahamendrehana fatratra.

12 Tsy tokony ho toy ny mpanao teatira na oviana na oviana isika; hohalavirina àry ny fanaovan-javatra tafahoatra. Marina fa tokony hisy fiovaovana tsy mahamonamonaina ny lahatenintsika nefa tsy mety ny manahaka an’ireo mpitondra fivavahana izay miseho ho mpivavaka be, na manahaka an’ireo mpanao toriteny sasany izay indrakindrafana. Ny fanajana atokantsika ho an’ny hafatra momba ilay Fanjakana dia hisakana antsika tsy hanao fisehosehoana tsy dia kristianina loatra toy izany.

13, 14. Inona no antsoina hoe fiovaovan’ny hamafin’ny feo?

13 Fiovaovan’ny hamafin’ny feo. Ny fomba tsotra indrindra ampiasana ny fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara dia tsy isalasalana fa ny fanovana ny hamafin’ny feo. Azo atao amin’izay ny manamarika ireo hevitra avo indrindra sy manamafy hevitra lehibe hafa ao amin’ilay lahateny. Kanefa tsy hampisongadina hevitra foana akory ny fampitomboana ny hamafin’ny feo. Mety hampisongadina kokoa ny hevitra angamba izany amin’ny toe-javatra sasany, kanefa mety hahatonga anao tsy hahatratra ny zava-kendrenao ilay feo akarinao ho mafy kokoa rehefa hilaza azy. Mety hitaky fanehoana fitiavana sy fihetseham-po kokoa fa tsy feo mafy, angamba ireo hevitrao. Amin’izay toe-javatra izay, dia ampidino ny hamafin’ny feonao fa ampitomboy kosa ny heriny. Ilaina izany raha tiana ny haneho fanahiana na tahotra.

14 Raha ilaina ny fiovaovan’ny hamafin’ny feo arakaraka ny hevitra ambara, dia ilaina kosa ny hitandremana mba tsy hiteny amin’ny feo iva loatra ka tsy handre anao ny mpihaino sasantsasany. Mifanohitra amin’izany kosa dia hohalavirina ny hanorisory ny mpihaino amin’ny feo mafy loatra.

15-17. Amin’ny ahoana ny fiovaovan’ny hafainganam-piteny no mampitombo ny fahatsaran’ny lahateny iray?

15 Fiovaovan’ny hafainganam-piteny. Vitsy ny mpandahateny vao manomboka, izay manovaova ny hafainganam-piteniny eny amin’ny lampihazo. Kanefa manao izany mandrakariva isika amin’ny resaka ataontsika isan’andro satria ny tenintsika dia mivoaka ho azy arakaraka izay ilain’ny saintsika. Tsy hanao izany eny amin’ny lampihazo anefa ny mpandahateny vaovao. Manomana tsara loatra ny fehezanteniny sy ny teniny izy, hany ka amin’ny hafainganana mitovy no ivoahan’ny teny rehetra. Raha miteny amin’ny alalan’ny planina izy dia ho mora kokoa aminy ny handresy io fahalemena io.

16 Ho antonony ny hafainganam-piteny amin’ny lahateninao ara-dalàna. Ireo hevitra tsy dia lehibe loatra, ny fitantarana, ny ankamaroan’ireo fanoharana, sy ny sisa, dia azo tenenina haingana kokoa. Ireo fanaporofoan-kevitra mafonja kokoa sy ireo hevitra fara tampony mbamin’ny hevi-dehibe dia holazaina miadana kokoa amin’ny ankapobeny. Amin’ny toe-javatra sasany, rehefa misy fanamafisana lehibe manokana tiana hatao, dia afaka miteny miadana sy voalanjalanja ianao. Afaka mijanona tanteraka mihitsy aza ianao, ho fiatoana, ka izany dia fanovana tanteraka ny hafainganam-piteny.

17 Tandremo anefa! Aza miteny haingana loatra mihitsy ka hanjary tsy ho azo intsony izay lazainao. Momba an’io, ny fanazaran-tena tsara dia ny famakiana amin’ny feo avo haingana araka izay farany azo atao sady tsy miahotrahotra. Vakio imbetsaka ny fehintsoratra iray ihany amin’ny fampitomboana ny hafainganam-piteny hatrany sy amin’ny fitandremana mba hanonona tsara. Avy eo dia manandrama mamaky izany miadana araka izay azo atao amin’ny f-i-t-a-r-i-h-a-n-a i-r-e-o z-a-n-a-ts-o-r-a-tr-a fa tsy mandingana teny. Manaraka izany, dia ataovy mifandimby ny famakiana haingana sy miadana, ataovy tampoka izany mandra-pahafolaky ny feonao ka ahafahanao mampiasa izany araka ny tianao. Rehefa miteny ianao izao, dia handeha ho azy ny fanovaovanao ny hafainganam-piteninao, arakaraka ny hevitr’izay lazainao.

18-20. Hazavao hoe ahoana no ahafahana manovaova ny haavon’ny feo.

18 Fiovaovan’ny haavon’ny feo. Ny fiovaovan’ny haavon’ny feo no azo inoana fa ny tapany sarotra indrindra amin’ny fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara, na toy inona na toy inona ambaratongany. Marina tokoa fa mampiakatra kely ny haavon’ny feo daholo isika rehetra mba hanamafisana teny sasany. Manonona ireny teny ireny mafimafy kokoa ihany koa isika. Toy ny hoe pehintsika ireo teny.

19 Fanovana ny haavon’ny feo bebe kokoa noho izany anefa no ilaina raha tiana ny handraisan-tsoa be indrindra amin’ireo fahafahana manovaova feo araka ny hevitra ambara. Vakio amin’ny feo avo ny Genesisy 18:3-8 sy 19:6-9. Mariho ny fiovaovana maro be eo amin’ny hafainganam-piteny sy ny haavon’ny feo izay ilaina amin’ireo andininy ireo. Ny hafaliana sy ny hafanam-po dia lazaina foana amin’ny feo maranitra kokoa noho ny alahelo sy ny fitebitebena. Ovaovay àry ny haavon’ny feo arakaraka ny fihetseham-po aseho.

20 Ny anankiray amin’ireo antony lehibe indrindra mahatonga fahalemena amin’io lafiny io dia ny tsy fahampian’ny ambaratongan’ny haavon’ny feo. Raha manana io fahalemena io ianao dia miezaha mba hanitsiana izany. Manaova fanazaran-tena sahala amin’izay efa nanoloranay hevitra teo aloha nefa tsy ny hafainganam-piteny akory no ovaovana, fa miezaha mampiakatra ny feonao haranitra sy mampidina izany ho ambany.

21-24. Nahoana ny fiovaovam-peo no tokony hifanentana amin’ny hevitra na ny fihetseham-po aseho?

21 Mifanentana amin’ny hevitra na ny fihetseham-po aseho. Misongadina avy amin’izay voalaza teo aloha rehetra izay fa tsy azo atao ny manao fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara mba hisian’ny fahasamihafana fotsiny. Ny toetran’ny feonao dia tsy maintsy mifanaraka amin’ny fihetseham-po hita ao amin’izay lazainao. Rahoviana ary no manomboka ny fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara? Amin’ny fotoana anomanana ilay lahateny. Raha tahiny tsy ahitana afa-tsy fanaporofoan-kevitra na tsy misy afa-tsy fampirisihana ao amin’ny lahateninao, dia tsy hisy fiovaovam-peo firy ao amin’ny famelabelaranao. Izany no ilana hamakafakana ny planinao rehefa vita, mba hahitana raha ao avokoa izay ilaina mba hahatonga ny famelabelaranao hisy fiovaovana tsy mahamonamonaina sy hisy heviny.

22 Indraindray eo antenatenan’ny lahateny dia tsapa fa ilaina ny fiovan’ny hafainganam-piteny. Manomboka mitarazoka ilay lahateny. Inona no azo atao amin’izay? Eto no mbola ahatsapana ihany koa ny tombon’ny lahateny an-tehaka. Ahafahan’ilay mpandahateny manova ny toetran’ny lahateniny araka izay tiany izany. Amin’ny fomba ahoana? Azony atao ny mijanona tsy miteny ary manomboka mamaky andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly. Na afaka manova filazana sasany ho fanontaniana koa izy ary hampanaraka fiatoana izany mba hanamafisana ilay hevitra. Angamba izy afaka mampiditra fanoharana iray, izay ataony manjary fanaporofoan-kevitra ao amin’ny planiny.

23 Mazava ho azy fa mba hitondrana fiovana toy izany mandritra ilay famelabelarana dia tsy maintsy ho efa mpandahateny za-draharaha ny tena. Nefa afaka mampiasa ireo hevitra ireo ianao rehefa manomana mialoha ny anjaranao.

24 Voalaza fa zava-manitra mampahatsiro ny lahateny ny fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara. Raha toa ilay karazany mifanentana no ampiasainao amin’ny habetsahany antonony tsara, izany dia hampivoaka ny tena tsiron’ny lahateninao, ary hitondra fahafinaretana ho an’ny mpihaino.

[Fanontaniana]