Fitenenana Misosa Tsara, Fitenenana toy ny Raha Miresaka ary Fanononana Tsara
Fianarana 29
Fitenenana Misosa Tsara, Fitenenana toy ny Raha Miresaka ary Fanononana Tsara
1-4. Inona avy ireo antony sy marika ahafantarana ny fitenenana tsy misosa tsara?
1 Rehefa miseho eo anatrehan’ny mpihaino ianao mba hanao lahateny iray, tsapanao ve fa matetika ianao no mitady izay teny tokony holazaina? Na, rehefa mamaky teny amin’ny feo avo ianao, moa ve ianao miakanakana eo amin’ny fitenenana sasany? Raha izany no izy dia zava-manahirana ho anao ny fitenenana misosa tsara. Vonona eo amin’ny fampiasana teny ny olona miteny misosa tsara. Izany akory tsy midika hoe olona mpanao “kabary tsara lahatra”, izay sady miteny be loatra no tsy amim-pahatsorana. Izany dia fitenenana tsy tapatapaka sy mahafinaritra, mandeha tsara tsy misy manakantsakana. Ny fitenenana misosa tsara dia voasoratra eo amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny mba hodinihina manokana.
2 Eo amin’ny firesahana, dia antony fahita indrindra mahatonga ny fitenenana tsy hisosa tsara ny tsy fisian’ny hevitra mazava
tsara ao an-tsaina sy ny tsy fahampian’ny fiomanana. Mety ho avy amin’ny tsy fahampian’ny voambolana koa izany. Eo amin’ny famakian-teny, dia mazàna mahatonga fitenenana tsy hisosa tsara ny tsy fahampian’ny fahazarana mamaky teny amin’ny feo avo na dia mety hiteraka fihambahambana koa aza eto ny tsy fahafantarana ireo teny. Eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ny fitenenana tsy misosa tsara dia mety ho avy amin’ireo anton-javatra rehetra ireo mitambatra ary matetika ampian’ny hasarotan-kenatra na ny tsy fatokian-tena. Eto dia lehibe kokoa ny zava-manahirana satria mety handao anao ara-bakiteny eo ny mpihaino anao. Ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray dia tsy handao anao ara-bakiteny ny mpihaino anao nefa mety ho afaka hanao izany an-tsaina izy ireo amin’ny famelana ny sainy hiriorio fa tsy hihaino anao. Hita àry fa ny fitenenana misosa tsara dia toetra ilaina lehibe tokony hananana.3 Mpandahateny maro no manana fahazaran-dratsy mampiditra teny toy ny hoe “aaaa, aaaa”, na teny tsy misy heviny hafa tsy ilaina. Raha tsy tsapanao hoe impiry ianao no manampy teny toy izany ao amin’ny lahateninao, dia manaova fanazaran-tena. Mangataha olona iray hihaino sy hamerina ireny teny ireny aorianao isaky ny avy miteny izany ianao. Mety ho gaga ianao.
4 Misy koa olon-kafa mamerina foana ny teny vao avy nolazainy, izany hoe, manomboka fehezanteny izy, dia manapaka ny teniny, ary mamerina izany rehetra izany indray avy eo. Raha manana io fahazaran-dratsy io ianao dia miezaha manary izany, eo amin’ny resakao andavanandro. Manaova fiezahana amim-pahatsiarovan-tena mba hieritreretana aloha sy hisainana mazava ilay hevitra ao an-tsainao. Avy eo dia lazao tanteraka hatrany amin’ny farany izany amin’ny tsy fanatsofohana hevitra hafa eny “antenatenan-dalana”.
5-10. Fanoloran-kevitra inona avy no omena ny mpandahateny mba hanatsarany ny fahaizany miteny misosa tsara?
5 Aza hadinoina koa fa ny teny dia fiasana izay mahazatra antsika ny mampiasa azy mba hilazana hevitra. Raha fantatsika tsara àry izay tiantsika holazaina dia tokony ho tonga ho azy ao an-tsaintsika ireo teny. Tsy tokony hila ny hieritreritra izany isika. Tsara kokoa amin’ny fanazaran-tena raha ataontsika azo antoka fotsiny fa mazava ao an-tsaintsika ilay hevitra, dia hoeritreretintsika eo am-pitenenana ireo teny. Raha manao izany ianao ka mampifantoka ny sainao amin’ny hevitra fa tsy amin’ireo teny lazainao, dia tokony ho tonga ho azy ireo teny, ary tokony ho voalaza araka izay ahatsapanao azy ny eritreritrao. Raha vantany vao manomboka mieritreritra ireo teny anefa ianao fa tsy ny hevitra, dia hiakanakana ny fiteninao.
6 Raha ny tsy fahampian’ny voambolanao no mahatonga anao hiteny tsy misosa tsara, dia mila mianatra tsy tapaka mampitombo ny voambolanao ianao. Amin’ny famakiana Ny Tilikambo
Fiambenana sy zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana hafa, dia raiso an-tsoratra ireo teny tsy mahazatra anao, ary miezaha mampiasa izany amin’ny resakao andavanandro.7 Koa satria vokatry ny tsy fifankazarana amin’ireo teny no mahatonga ny famakian-teny tsy hisosa tsara, dia ho tsara ny hizaranao mamaky teny amin’ny feo avo tsy tapaka sy amin’ny fomba voalamina, raha izany no zava-manahirana anao.
8 Toy izao ny fomba iray azo anaovana izany: Mifidiana fehintsoratra iray na roa, ary vakio mangina amim-pitandremana izany mandra-pifankazaranao amin’ny hevitra rehetra voalaza ao. Atokantokany avy ireo vondron-teny milaza hevitra, ary asio marika izany raha ilaina. Manomboha amin’izay mizatra mamaky amin’ny feo avo io ampahany io. Avereno vakina manontolo imbetsaka izany mandra-pahainao mamaky manontolo ireo vondron-teny milaza hevitra, ka anaovanao izany tsy misy fihambahambana na fiatoana diso toerana.
9 Averimbereno matetika ireo teny sarotra na tsy fantatra tsara, mandra-panononao azy ireo tsy misy fahasahiranana. Avy eo dia vakio manontolo ilay fehezanteny misy izany mandra-pahainao mamaky azy tanteraka tsy misy fihambahambana.
10 Manazara tena tsy tapaka mamaky amin’ny feo avo, lahatsoratra tsy fantatrao. Ohatra, vakio amin’ny feo avo foana ny teny hodinihina isan’andro sy ilay fanazavana amin’ny fotoana voalohany ahitanao azy. Aoka ny masonao hanjary ho zatra mamaky vondron-teny milaza hevitra feno, fa tsy teny mitokantokana. Raha mizatra manao izany ianao, dia ho afaka hanana io toetra tena lehibe io, dia ny fitenenana sy ny famakian-teny ahitam-bokatra.
**********
11-15. Nahoana
ny fiteny toy ny raha miresaka no miankina amin’ny teny ampiasaina?11 Ny “Fitenenana toy ny raha miresaka” dia toetra iray hafa koa ilaina amin’ny fahaiza-mandaha-teny, faniry, voasoratra ao amin’ny taratasy momba ny torohevitra. Mampiasa izany ianao amin’ny resakao andavanandro nefa manao izany ve ianao rehefa manao lahateny? Ny sasany izay mahay miresaka mora foana na dia amin’ny antokon’olona maro aza dia manjary manamboatra fiteny sy manjary “be fananarana be” rehefa hasaina hanao lahateny. Kanefa ny fomba ahitam-bokatra indrindra rehefa miteny ampahibemaso dia ny fitenenana toy ny raha miresaka.
12 Teny fampiasa amin’ny resaka no ampiasaina. Miankina amin’ireo teny ampiasaina ny mampandaitra ny fitenenana toy ny raha miresaka. Amin’ny ankapobeny rehefa manomana lahateny an-tehaka dia aleo manalavitra ny mamerina tanteraka ireo teny hita voasoratra. Tsy mitovy amin’ny fomba fanoratra ny fomba fiteny. Lazao amin’ny fomba fiteninao manokana ny hevitrao. Halaviro ireo fehezanteny sarotra.
13 Ny fiteninao eny amin’ny lampihazo dia tokony hanome taratry ny resakao andavanandro. Tsy tokony hanandrana “hanamboamboatra fiteny” ianao. Marina fa ny fiteny ao amin’ny lahateninao dia tsy maintsy ho tsara kokoa noho ny isan’andro satria efa nomaninao mialoha ny hevitrao ka hisosa tsara kokoa ny fivoakany. Noho izany, dia ho tsara kokoa ireo fehezanteninao.
14 Izany no ilana hitandremana isan’andro ny resakao. Rehefa miresaka ianao, dia asehoy ny maha ianao anao. Ario ny teny maitso. Halaviro ny mamerimberina teny sy fehezanteny mba hilazana ireo hevitrao maro be. Mianara manisy heviny ny teninao. Aoka hahafa-po ny fiteninao andavanandro. Amin’izay, rehefa eny ambony lampihazo ianao, dia tsy hiahotrahotra rehefa miteny ary ny lahateninao atao toy ny raha miresaka dia hisy fiovaovana tsy mahamonamonaina, ho mora azo ary ho afaka hanaiky izany ny mpihaino rehetra.
15 Marina indrindra izany rehefa manao fanompoana eny amin’ny saha. Raha manao ny lahatenin’ny mpianatra ianao ka miresaka amin’ny tompon-trano iray, dia mitenena toy ny rehefa manao fanompoana eny amin’ny saha, ary mampiasà ireo teny fampiasanao mahazatra. Amin’izay ny lahateninao dia ho tsy namboamboarina ary ny mbola zava-dehibe kokoa, dia hanampy anao hilaza hevitra amin’ny fomba mandaitra kokoa izany rehefa manao fanompoana eny amin’ny saha.
16-19. Asehoy hoe amin’ny ahoana ny fomba fiteny no mety hahakasika ny fitenenana toy ny raha miresaka.
16 Fomba fiteny toy ny raha miresaka. Ny fitenenana toy ny raha miresaka dia tsy miankina fotsiny amin’ny teny ampiasaina. Miditra koa ny fomba fandaha-teny. Anisan’izany ny haavon’ny feo sy ny fiovam-peo ary koa ny tsy fanamboaboaram-piteny. Tokony handeha ho azy ny fomba fiteny, tahaka ny amin’ny fiteny andavanandro, nefa nohamafisina mba hifanentana amin’ny mpihaino betsaka kokoa.
17 Ny fomba fiteny toy ny raha miresaka dia ny mifanohitra indrindra amin’ny kabary tsara lahatra. Tsy misy ifandraisany velively amin’ny toriteny “be fananarana be” izany ary tsy amboamboarina.
18 Matetika ireo mpandahateny vaovao dia manary ilay fomba fiteny toy ny raha miresaka satria mifantoka be loatra amin’ny fanomanana ireo teny ao amin’ny lahateniny izy ireny. Rehefa mamelabelatra lahateny mandritra ny fanomananao ianao, dia aza mianatra izany tsianjery. Tsy ilaina izany. Ny lahateny an-tehaka dia mitaky indrindra fanomanana tsara ireo hevitra. Tokony haverimberina ireo hevitra ireo mandra-pilahany tsara ao an-tsainao. Tsy tokony hanahirana izany raha voalahatra araka ny lôjika sy vita planina tsara ireo hevitra ireo, ary rehefa mandaha-teny ianao dia hivoaka ho azy mora foana izy ireo. Amin’izay, dia hilaza izany toy ny raha miresaka ianao raha entanin’ny faniriana hampita izany amin’ny mpihaino.
19 Ny fomba tsara iray dia ny miresaka amin’olona samy hafa anisan’ny mpihaino. Miresaha mivantana amin’olona iray isaky ny miteny. Hevero ho toy ny hoe nanontany anao io olona io ary dia omeo azy ny valiny. Alao sary an-tsaina ny tenanao hoe mamelabelatra io hevitra io amin’ilay olona mitokana. Avy eo dia mifindrà amin’ny olona iray hafa anisan’ny mpihaino, ary avereno izany fomba fanaovan-javatra izany.
20-23. Ahoana no ahafahana mianatra mamaky toy ny raha miresaka?
20 Ny hoe mahay mamaky teny toy ny raha miresaka dia anankiray amin’ireo toetra ilaina amin’ny fahaiza-mandaha-teny sarotra ananana indrindra; kanefa anankiray amin’ireo tena lehibe indrindra koa izany. Mazava ho azy fa ny ankamaroan’ireo vakiteny ampahibemaso ataontsika dia avy ao amin’ny Baiboly, rehefa mamaky andinin-teny mifandray amin’ny lahateny an-tehaka. Tokony hamaky ny Baiboly amim-pihetseham-po isika amin’ny fahatakarana tanteraka ny dikan’izay vakintsika. Tokony ho velombelona izany. Ny tena minisitr’Andriamanitra anefa dia tsy hanaraka velively kosa ny fomba fiteny mihambo ho tia fivavahan’ny klerjy. Ny mpanompon’i Jehovah dia hamaky ny Teniny amin’ny fanamafisana tsy amboamboarina sy tsy be fisehosehoana izay mifanentana amin’ny fomba fitenin’io boky io.
21 Mitovitovy amin’izany ihany ny famakiana ireo fehintsoratra amin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy amin’ny fianarana ny boky. Eo koa, ny teny sy fehezanteny dia an’ny fomba fanoratra ary tsy azo vakina toy ny raha miresaka foana. Nefa raha takatrao ny hevitry ny lahatsoratra ka mamaky izany amin’ny fomba tsy amboamboarina sy misy heviny ianao, ny vakiteninao dia mety ho toy ny lahateny an-tehaka, na dia somary ofisialy kokoa noho ny fampiasanao mahazatra aza ilay fomba fiteny. Araka izay azo atao dia manàna fahazarana miomana mialoha sy manamarika ny lahatsoratrao amin’ny marika izay hanampy anao hamaky azy amin’ny fomba velombelona sy tsy amboamboarina.
22 Ny fanalahidin’ny fahombiazana mba hamakiana teny na hitenenana toy ny raha miresaka dia ny fahatsorana sy ny fitenenana tsy amboamboarina. Avelao ny fonao hiboiboika ary miresaha amin’ny mpihaino anao amin’ny fomba manintona.
23 Tsy misy hafa amin’ny fahalalam-pomba, ny fiteny mihaja dia tsy azo salorana toy ny palitao. Tahaka ny ihariharian’ny fahaiza-miaina any an-trano eny ampahibemaso koa dia toy izany fa raha mitandrina ny resaka ataonao isan’andro ianao dia ho hita taratra amin’ny lahateninao koa izany.
**********
24, 25. Nahoana no tokony hohalavirina ny fanononana ratsy?
24 Fanononana. Ny fanononana tsara dia tena zava-dehibe koa. Hita mitokana io toetra ilaina io eo amin’ny taratasy Torohevitra
Momba ny Lahateny. Tahaka an’i Petera sy i Jaona izay nolazaina fa olona tsy nahita fianarana sy olon-tsotra, dia tsy ny Kristianina rehetra akory no nahita fianarana ambony teo amin’izao tontolo izao. Na izany aza, dia zava-dehibe ny tsy hampiviliana ny sain’ny olona amin’ny hafatra entintsika, noho ny fanononana ratsy. Fahalemena ahitana fanafodiny mora foana anefa io raha karakaraina.25 Raha misy olona ratsy fanonona, dia mety hampita hevi-diso ao an-tsain’ny mpihaino mihitsy izy, ka tokony hosorohina izany. Ny teny iray ratsy fanonona dia mitovy amin’ny vokatry ny jiro mena eo amin’ny mpihaino. Hiato eo ny mpihaino sasantsasany fa tsy hanaraka ilay mpandahateny amin’ny fanaporofoan-keviny. Hifantoka bebe kokoa amin’ny fanononany ratsy ny sain’izy ireo fa tsy amin’ny hevitra lazainy.
26, 27. Inona avy ireo zava-manahirana samy hafa momba ny fanononana?
26 Azo sokajina ho karazany telo amin’ny ankapobeny ny zava-manahirana ny amin’ny fanononana. Ny voalohany dia ny fanononana diso tsotra izao. Diso toerana ny tsindrimpeo ary diso ny fanonona ireo litera. Mifanohitra amin’ny teny anglisy, ny ankamaroan’ny fiteny ankehitriny dia manaraka fitsipi-panononana voaorina tsara. Ny sokajy faharoa dia mahakasika ny fanononana marina saingy mihoa-pampana na hentitra loatra. Toa feno fihamboana sy miaingitraingitra izany. Tokony hohalavirina izany. Ny sokajy fahatelo dia mifandray amin’ny fomba fiteny atao tsirambina izay miavaka amin’ny teny tsy voatonona tsara, ny vaninteny voatelina na voadingana, mbamin’ny fanao hafa mitovitovy amin’izany. Tokony hohalavirina koa izany.
27 Amin’ny resaka ataontsika andavanandro dia mampiasa teny fantatsika tsara isika; tsy misy zava-manahirana àry amin’ny fanononana azy ireny. Mipoitra ny olana lehibe indrindra rehefa mamaky teny. Manao vakiteny maro be anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, na ampahibemaso izany, na manokana. Mamaky ny Baiboly amin’ny olona isika isam-baravarana. Indraindray isika dia asaina mamaky fehintsoratra amin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, amin’ny fianarana ny boky na amin’ny fampianarana Baiboly. Zava-dehibe ny hamakiana tsy misy diso sy hanononana tsara ireo teny. Raha tsy izany, dia toy ny hoe tsy mahafantatra izay lazaintsika isika. Mampiala ny saina amin’ilay hafatra izany.
28-34. Inona no mety hanampy olona iray hanatsara ny fanononany?
28 Tsy tokony hatao tafahoatra ny torohevitra omena mahakasika ny fanononana diso. Raha teny iray na roa monja no nahitana zava-nanahirana, dia mety ho ampy ny torohevitra atao mitokana. Raha diso fanonona na dia teny vitsivitsy monja aza anefa ilay mpianatra mandritra ny lahateny, kanefa ireo teny ireo dia fampiasa tsy tapaka eo amin’ny fanompoantsika na eo amin’ny resaka andavanandro, dia hahasoa raha manintona ny saina ho amin’izany ny mpiandraikitra ny sekoly,
mba hianaran’ilay mpianatra ny fomba fanonona mety azy ireo.29 Ankoatra izany, raha mamaky andalan-teny ao amin’ny Baiboly ny mpianatra iray ary ratsy fanonona anarana hebreo iray na roa dia tsy tokony hoheverina ho fahalemena izany. Mifanohitra amin’izany kosa fa raha ratsy fanonona anarana maro izy dia satria tsy niomana tsara, ka amin’izay dia tsy maintsy toroana hevitra. Tokony hampiana hanamarina ny fomba fanonona tsara ireo teny ny mpianatra ary hizatra hamaky izany marina.
30 Toy izany koa ny amin’ny fanononana amin’ny fomba tafahoatra. Raha toa izany ka tena mampivily ny saina tsy ho amin’ilay lahateny tokoa satria manjary fanao, dia tokony homena fanampiana ilay mpianatra. Ny ankamaroantsika koa dia tsy manonona tsara ny teny sasany rehefa miteny haingana. Tsy ilaina ny manome torohevitra momba izany raha tsy hoe manjary fanao angaha izany hany ka sarotra ny manaraka ilay mpianatra ary mampihena ny herin’ilay hafatra izany. Tsy maintsy toroana hevitra àry izy ny amin’ny fomba fanonona.
31 Mazava ho azy fa ny mpanome torohevitra anao dia hitadidy fa mety hiovaova ny fanononana azo ekena arakaraka ny faritany. Na ny diksionera aza dia manoro fomba fanonona azo ekena mihoatra ny iray. Noho izany ilay mpiandraikitra dia ho malina rehefa manome torohevitra ny amin’ny fanononana. Tsy hampanjaka ny heviny manokana izy ny amin’io.
32 Raha zava-manahirana ho anao ny fanononana, dia tsy ho sarotra aminao ny hanitsy izany rehefa tapa-kevitra ny hanao izany ianao. Na dia ireo mpandahateny za-draharaha aza dia manamarina ao amin’ny diksionera ny fanononana anarana sasany na teny tsy fantany tsara, alohan’ny hanaovana lahateny. Tsy haminavina fotsiny azy ireny izy. Mampiasà àry diksionera.
33 Fomba tsara hafa koa ny famakiana amin’ny feo avo eo anatrehan’olona mahay ny fomba fanonona mety. Angataho izy hampiato anao isaky ny manao fahadisoam-panononana ianao.
34 Ny fomba fahatelo dia ny fihainoana amim-pitandremana ireo mpandahateny mahay. Eo am-pihainoana dia mieritrereta ary raiso an-tsoratra ireo teny tononiny amin’ny fomba hafa noho ny anao. Avy eo dia hamarino ao amin’ny diksionera izany ary aoka ianao hizatra hanonona izany marina. Ao anatin’ny fotoana fohy dia hahay hanonona tsara koa ianao. Ny fitenenana misosa tsara sy toy ny raha miresaka omban’ny fanononana tsara dia hampitombo ny hasarobidin’ny lahateninao.
[Fanontaniana]