Hamafin’ny Feo sy Fiatoana
Fianarana 23
Hamafin’ny Feo sy Fiatoana
1, 2. Nahoana isika no tokony hiteny mafy tsara?
1 Raha tsy afaka mandre anao tsara ny hafa, dia tsy hisy vidiny mihitsy izay lazainao. Mifanohitra amin’izany kosa fa raha miteny mafy loatra ianao dia mety ho sosotra ireo mpihaino anao ary tsy haharaka ireo hevitra tsara dia tsara efa nomaninao.
Ny ilana hamafin’ny feo tsara dia miharihary any amin’ny Efitrano Fanjakana maro izay matetika ahitana mpanatrika mipetraka eny amin’ny farany aorian’ny efitrano tsy mandre ny famelabelaran’ireo eo amin’ny laharana voalohany. Indraindray ilay mpandahateny dia tsy miteny mafy ka noho izany dia tsy mihazona ny fahalianan’ny mpihaino. Any amin’ny saha fitoriana isika dia mahita olona lalodalovana ary misy tabataba betsaka avy ao anatiny na ivelan’ilay trano misy antsika. Mampiseho izany fa ilaintsika ny mitandrina mba ho araka ny tokony ho izy ny hamafin’ny feo.2 Mora re. Mba hahafantarana raha manana hamafin’ny feo antonony ny tena dia azo atao aloha ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto: Nampiasa ny herim-peo ilaina ve aho? Raha lazaina amin’ny teny hafa, moa ve aho ren’ireo mpihaino any amin’ny farany aoriana ao amin’ny efitrano, nefa tsy mankarenin-tsofina ireo eo amin’ny laharana voalohany? Ho ampy io fiheverana io ho an’izay vao manomboka, fa ny mpianatra efa mandroso kokoa dia tokony hiezaka hifehy ireo lafiny hafa amin’io raharaha io izay hodinihina manaraka eto. Ny mpiandraikitra ny sekoly dia hampifanaraka amin’ny mpianatra tsirairay avy ny toroheviny amin’io lafiny io.
3-10. Inona no hanampy antsika hifidy ny hamafin’ny feo mety?
3 Mifanaraka amin’ny toe-javatra. Ny mpandahateny iray dia tokony hahatsapa fa miovaova ny toe-javatra manodidina azy rehefa miteny izy. Izany dia hampitombo ny fahaizany manavaka, hahatonga azy hahay kokoa hifanaraka amin’ny toe-javatra, ary ho mora kokoa aminy ny hampita hevitra amin’ny mpihaino sy hitana ny fahalianan’izy ireo.
4 Miovaova arakaraka ny efitrano sy ny habetsahan’ny mpihaino ny toe-javatra. Mba hifehezanao tsara ny tarehin-javatra dia tsy maintsy fehezinao ny hamafin’ny feonao. Ny lahateny iray atao ao amin’ny Efitrano Fanjakana dia mitaky feo mafy kokoa noho ny rehefa miresaka amin’olona liana iray ao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. Toy izany koa dia hiteny mora kokoa ny tena rehefa rahalahy vitsivitsy monja no ho tafavory eo akaikin’ny lampihazo mandritra ny fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, noho ny rehefa feno ny efitrano, amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, ohatra.
5 Nefa na dia ireo tarehin-javatra ireo aza dia mety hiova. Mety hisy tabataba tampoka any ivelany sy ao anatin’ny efitrano. Ny fiarakodia na fiarandalamby mandalo, ny alika mivovò, ny ankizy mitomany na ny fahatongavan’ny diso fidirana dia samy tabataba tsy ampoizina izay mitaky fiovan’ny hamafin’ny feo. Raha tsy mihevitra izany ilay mpandahateny ka tsy manamafy ny feo arakaraka izany, dia angamba mety hisy hevi-dehibe tsy ho ren’ny mpihaino.
6 Kôngregasiôna maro no manana fitaovana momba ny fanamafisam-peo. Raha tsy tandremana anefa ny fampiasana azy io
ka miaka-midina be ny hamafin’ny feo, mbetika mafy be, mbetika malefaka, dia mety hilaina hotoroana hevitra ilay mpianatra noho ny tsy fiheverany izany toe-javatra izany. (Jereo ny Fianarana Faha-13 ny amin’ny fampiasana mikrô.)7 Indraindray ny mpandahateny iray dia mananosarotra amin’ny fitenenana mafy noho ny toetran’ny feony. Raha manana io zava-manahirana io ianao ka tsy lasa lavitra ny feonao, dia hanisy fiheverana an’izany ny mpiandraikitra ny sekoly ka hanome torohevitra. Hanipy hevitra aminao angamba izy mba hanao fanazaran-tena sasany hampitomboana sy hanamafisana ny feonao. Kanefa ny hamafy sy ny toetran’ny feo dia zavatra roa samy hafa ilana torohevitra misaraka.
8 Tsy ho azo tsaraina ao anatin’ny lahateny iray avokoa akory ny toe-javatra misy rehetra. Ny torohevitra tokony homena dia mahakasika ilay lahateny vao naseho teo, fa tsy mahakasika izay toe-javatra mety hiseho rehetra. Raha misy ilana izany anefa, dia azon’ny mpiandraikitra ny sekoly atao ny mampitandrina ilay mpianatra fa mety hahita zava-manahirana izy ao anatin’ny toe-javatra hafa, na dia derainy aza izy amin’ilay lahateny vao nataony ka asiany hoe “T” eo amin’ny taratasiny.
9 Ahoana no ahafahan’ny mpianatra iray mahafantatra raha antonony ny hamafin’ny feony? Manome filazana tsara ny fihetsiky ny mpihaino. Ny mpandahateny iray za-draharaha dia handinika amim-pitandremana ireo mpihaino eny amin’ny faran’ny efitrano mandritra ny fampidiran-dresany. Ho azony fantarina avy amin’ny endrik’izy ireo sy ny fihetsiny ankapobe raha afaka mandre tsara izy ireo na tsia, ary hovany arakaraka izany ny hamafin’ny feony. Rehefa “zatra” amin’ilay efitrano izy dia tsy hahita fahasahiranana intsony.
10 Ny fomba iray hafa dia ny fandinihana ireo mpandahateny mialoha anao. Moa ve izy ireo re tsara ary manao ahoana ny hamafin’ny feony? Amboary araka izany ny feonao.
11, 12. Nahoana no zava-dehibe ny hifidianana hamafin’ny feo mifanentana amin’ny hevitra ambara?
11 Mifanentana amin’ny hevitra ambara. Tsy tokony hampifangaroina amin’ny fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara io lafiny dinihintsika io. Ny fanovana ny hamafin’ny feo arakaraka ny hevitra ambara fotsiny no mahaliana antsika izao. Raha mamaky ny Soratra Masina, ohatra, dia miharihary fa tsy hitovy ny hamafin’ny feo rehefa mamaky fanamelohana sy rehefa mamaky torohevitra momba ny fitiavana eo amin’ny samy mpirahalahy. Ampitahao koa ny Isaia 36:11, sy ny andininy faha-12 sy 13, ary mariho ny tsy fitoviana izay tsy maintsy nisy teo amin’ny fomba nilazana ireo teny ireo. Tokony hovana àry ny hamafin’ny feo, arakaraka ny hevitra velabelarina, kanefa tsy hatao tafahoatra na oviana na oviana.
12 Mba hifidianana ny hamafin’ny feo antonony dia fakafakao amim-pitandremana ny foto-kevitra hovelabelarinao sy ny zava-kendrenao. Raha maniry hanova ny fisainan’ny mpihaino ianao,
dia aza manorisory azy amin’ny fitenenana mafy loatra. Mifanohitra amin’izany, raha tianao ny hampirisika azy handray anjara amin’ny asa feno hafanam-po, dia tsy isalasalana fa hilainao ny mampiakatra ny hamafin’ny feonao. Raha mitaky tanjaka ilay foto-kevitra ambara, dia aza halefahina amin’ny fitenenana mora loatra izany.**********
13-16. Asehoy ny vidin’ny fiatoana.
13 Mandritra ny fanaovana ny lahateninao, dia zava-dehibe toy ny hamafin’ny feo araka ny antonony tsara ny fiatoana eo amin’ny tokony hanaovana izany. Raha tsy misy izany, dia hanjary maizimaizina mora foana ny hevitry ny fanambaranao ka ireo hevitra lehibe tokony ho tadidin’ireo mpihaino ao an-tsainy dia tsy hisy heriny maharitra eo amin’izy ireo. Mahatonga anao hatoky tena sy hilamina tsara ny fiatoana, mamela anao hifehy tsara kokoa ny fisefonao ary manome anao fahafahana ho tony rehefa tonga eo amin’ny hevitra sarotra amin’ilay lahateny. Ny fiatoana dia mampiseho amin’ny mpanatrika fa mahafehy tsara ny tarehin-javatra ianao, tsy taitaitra loatra, manisy fiheverana ny mpanatrika, ary manan-javatra tianao ho reny sy hotadidiny.
14 Ny mpandahateny vaovao iray dia tsy tokony hanary fotoana rehefa mianatra manao fiatoana mandaitra. Tsy maintsy miaiky aloha ianao fa zava-dehibe izay holazainao, ary tianao hotadidin’ny mpihaino izany. Rehefa manitsy ny zanany ny renim-pianakaviana iray, dia matetika izy no manomboka milaza aminy zavatra izay hitana ny sainy. Tsy miteny intsony izy mandra-pihainon’ilay zaza azy amim-pitandremana. Avy eo ilay reny dia milaza aminy izay ao an-tsainy. Tiany ho azo antoka fa mihaino ny teniny ilay zaza ka hitadidy izany.
15 Misy olona tsy mba manao fiatoana mihitsy na dia amin’ny resaka andavanandro aza. Raha izany no zava-manahirana anao, dia mety ny hizaranao manao fiatoana; handaitra tsara kokoa amin’izay ny fanompoanao eny amin’ny saha. Miteny toy ny raha miresaka isika any. Tokony hahay hanao fiatoana mety tsara isika mba tsy hanapahan’ilay olona iresahantsika ny tenintsika fa mba hihainoana ny tohiny. Ilaina ny hakingana toy izany mba hahaizana manao fiatoana na rehefa miresaka na eny amin’ny lampihazo. Amin’ireo toe-javatra roa ireo ny fiatoana dia toetra tena ilaina mitondra soa ho an’izay mampiasa azy.
16 Olana iray lehibe mifandray amin’ny fiatoana araka ny tokony ho izy ao amin’ny lahateny iray ny fananana zavatra be loatra holazaina. Halaviro izany. Makà fotoana hanaovana fiatoana; tena ilaina izany.
17-21. Hazavao ny maha zava-dehibe ny fijanonana kely ho mari-piatoana.
17 Fijanonana kely ho mari-piatoana. Ny fijanonana kely ho mari-piatoana dia nokendrena fotsiny mba hahatonga ny hevitra hazava kokoa. Manavaka ireo hevitra izany, manasaraka ny fehezanteny sy ny antokon-teny ary manamarika ny faran’ny
fehintsoratra. Matetika dia ampy ny fiovam-peo, nefa amin’ny ankapobeny dia mandaitra koa ny fijanonana kely mba hanisiana mari-piatoana am-bava eo amin’izay lazaina. Toy ny tsy itovian’ny hevitry ny faingo sy ny teboka amam-paingo no tokony hiovaovan’ny fiatoana mifanaraka amin’izay ampiasana azy.18 Ny fiatoana ratsy petraka dia mety hanova tanteraka ny hevitry ny fehezanteny iray. Ireto tenin’i Jesosy manaraka ireto, voatantara ao amin’ny Lioka 23:43 (NW ) dia manome ohatra tsara ny amin’izany: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: Hihaona amiko any amin’ny Paradisa ianao.” Raha afindra ny teboka roa na fiatoana ka atao eo alohan’ny “anio” fa tsy ao aoriany dia hiova tanteraka ny hevitra; ny ankamaroan’ny fandikan-teny dia nanao io fahadisoana io. Hita àry fa zava-dehibe ny fiatoana mba hahazoan’ny hafa tsara ny tian’ny tena holazaina.
19 Mianara manisy mari-piatoana am-bava rehefa manao lahateny an-tehaka. Hahavita izany ianao raha manaja ireo mari-piatoana voasoratra rehetra, rehefa mamaky teny. Ny faingo no hany mari-piatoana azo tsy heverina indraindray mandritra ny famakian-teny. Amin’izay ny fiatoana dia mipetraka ho safidin’ny mpamaky. Mifanohitra amin’izany kosa, ny teboka amam-paingo, ny teboka, ny faraingososona sy ny fidinana andalana dia tsy maintsy hajaina avokoa.
20 Rehefa mamaky lahateny voasoratra manontolo na andalan-teny ao amin’ny Baiboly ianao, dia mety ho hitanao fa mahasoa ny manisy marika ilay soratra vita pirinty. Asio tsipika kely mitsangana manelanelana ny fehezanteny tsy maintsy sarahina amin’ny fijanonana kely (na dia tena fohy aza) ary tsipika roa na “X” eo amin’izay ilana fiatoana lava kokoa.
21 Mifanohitra amin’izany, raha manao fanazaran-tena mamaky ianao ary mahita fehezanteny sarotra sasany ka manao fiatoana foana eo amin’izay tsy mahamety izany, dia ampitohizo amin’ny marika amin’ny pensilihazo ireo teny rehetra mahaforona antokony ao amin’ny fehezanteny. Rehefa hamaky ianao dia tsy hanamarika fiatoana na dia iray aza na fihambahambana mandra-pahatratra ny farany amin’ireo teny natambatra niaraka. Mihoatra ny iray ny mpandahateny za-draharaha mampiasa io fomba io.
22-24. Nahoana no ilaina ny manao fiatoana mba hanamarihana fiovan-kevitra?
22 Fiatoana mba hanamarihana fiovan-kevitra. Rehefa miala avy amin’ny hevi-dehibe iray ianao ka miampita ho amin’ny iray hafa, ny fiatoana dia ahafahan’ny mpihaino mieritreritra. Misoroka izay rehetra mety ho tsy fahazoan-kevitra koa izany. Izany dia manome fotoana ny mpihaino mba hanamboarana ny sainy sy hahitana ilay fiovana eo amin’ny fizotran’ny hevitra, ary hanaraka ilay hevi-baovao hovelabelarina. Zava-dehibe ho an’ny mpamily fiarakodia ny mampiadam-pandeha rehefa miditra fiolahana, ary zava-dehibe toy izany koa ho an’ny mpandahateny ny manao fiatoana, alohan’ny handraisana hevitra hafa.
23 Ao amin’ny lahateny an-tehaka iray dia tsy maintsy alamina tsara ireo hevitra ao amin’ny planina mba hahafahana hanao fiatoana eny anelanelan’ireo hevi-dehibe. Tsy tokony hanakantsakana ny fitohizan-kevitra na ny firindrana ao amin’ny lahateny akory izany, fa tokony ho voalaza tsara kosa ireo hevitra, hany ka ho azonao velabelarina hatramin’ny fara tampony ny hevitra iray, dia miato ianao, ary manohy indray amin’ny hevi-baovao iray avy eo. Azonao asiana marika eo amin’ny planinao mihitsy aza izany, raha ilaina, mba hampahatsiaro anao.
24 Amin’ny ankapobeny, ny fiatoana manamarika fiovan-kevitra dia lava kokoa noho ny fijanonana kely ho mari-piatoana. Tsy tokony hatao tafahoatra ireo fiatoana lava ao anatin’ny lahateny iray, fa hitarazoka ny fampisehoanao, ka toy ny hoe te hisehoseho ianao amin’izay.
25-28. Asehoy ny fomba anampian’ny fiatoana antsika hanamafy hevitra sy hiatrika toe-javatra manembantsembana.
25 Fiatoana mba hanamafisana. Ny fiatoana mba hanamafisana hevitra iray dia mazàna fiatoana manaitra ny saina. Mahatonga ny mpihaino hotsindrian-daona izany, na manome azy fahafahana hieritreritra.
26 Ny fiatoana mialoha ny fanambarana lehibe iray dia mitana ny mpihaino hiandry mafy. Ny fiatoana aorian’izany dia mahatonga ny mpihaino hahatakatra tsara ny halehiben’ilay hevitra. Tsy mitovy ireo fomba roa ampiasana ny fiatoana ireo, ka tsy maintsy tapahinao hoe iza amin’ireo no mety kokoa amin’ny tarehin-javatra iray na hoe samy ampiasaina izy roa.
27 Ny fiatoana mba hanamafisana dia tokony hoferana ho an’ireo fanambarana faran’izay lehibe ihany, fa raha tsy izany dia tsy hisy vidiny intsony ilay izy.
28 Fiatoana rehefa mitaky izany ny toe-javatra. Indraindray ny mpandahateny iray dia tsy maintsy mijanona tsy miteny fotoana fohy noho ny mety ho fitabatabana. Raha tsy dia tena lehibe loatra izany dia aleo mampiakatra ny hamafin’ny feo ary miteny ihany. Nefa raha toa ka tsy ren’ny mpihaino intsony ianao noho ilay fanembantsembanana dia tsara kokoa ny manao fiatoana. Haneho fankasitrahana anao ny mpihaino amin’izany. Ankoatra izany, dia mazàna no tsy mihaino izy ireo satria nampivily ny sainy ilay tabataba niserana teo. Ampiasao amin’ny fomba mandaitra àry ireo fiatoana mba hahazoanao antoka fa mandray soa feno amin’ny zavatra tsara irinao hampitaina aminy ny mpihaino anao.
[Fanontaniana]