Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Ahitana Fianarana, Aseho Mazava

Hevitra Ahitana Fianarana, Aseho Mazava

Fianarana 21

Hevitra Ahitana Fianarana, Aseho Mazava

1-3. Nahoana no ilaina ny hevitra hentitra mba hahatonga ny lahateny iray hahitana fianarana?

1 Mba hanaovana lahateny misy vidiny dia ilaina aloha ny miomana tsara ka mila fotoana sy fiezahana izany. Nefa endrey ny fahafaham-po azo avy amin’izany! Hampitombo ny tahirim-pahalalanao marina ianao ary manana zavatra tena mahasoa hozaraina amin’ireo mpihaino anao. Tsy manao resaka ankapobe ianao fa manolotra tsipiriany mitondra fanazavana ho azy ireo kosa, ary fantatrao fa marina izay lazainao. Mampitombo ny fankasitrahan’ny mpihaino ny Tenin’Andriamanitra izany ka manome voninahitra an’i Jehovah. Ny fandinihantsika ireo hevitra ahitana fianarana dia mahakasika indrindra izay holazainao ao amin’ny lahateninao. Diniho vetivety ireo lafiny samihafa amin’io hevitra io. Io no zavatra tandremana voalohany ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny.

2 Hevitra hentitra. Maivana sy tsy manam-pahefana firy ny lahateny iray mivaofy ankapoben-javatra. Tsy mazava tsara ilay izy ka mahatonga ny mpihaino hisalasala. Raha tiana ho tadidy ny hevitra, dia tsy maintsy hentitra sy marina tsara izy ireo. Manaporofo izany fa nanao fikarohana ilay mpandahateny ary mahay tsara ny foto-keviny.

3 Afaka mahazo io fahaizana io ianao rehefa manomana ny lahateninao ka manontany tena hoe: Nahoana? Oviana? Taiza? sns. Amin’ny ankapobeny dia tsy ampy ny milaza hoe nisy zavatra toy izao nitranga. Lazao mazava ny toerana, ny daty ary angamba ny antony. Toy izany koa, tsy ampy ny milaza fahamarinana sasantsasany. Asehoy hoe nahoana izany no marina; asehoy hoe nahoana izany no misy vidiny ankehitriny. Raha manome toromarika ianao dia hazavao hoe ahoana no hanaovana azy. Ny halavan’ireo fanazavana ireo dia hofaritana arakaraka ny fahalalana efa ananan’ny mpihaino. Koa hevero ny mpanatrika mba hahazoana antoka hoe andinindininy inona no tokony ho hita ao amin’ilay lahateny.

4-6. Anton-javatra inona avy no tokony hoheverinao mba hahatonga ny lahateninao hahitan’ny mpihaino fianarana?

4 Ahitan’ny mpihaino fianarana. Izay mety hahitana fianarana ho an’ny antoko-mpihaino iray, dia mety tsy hanampy na inona na inona amin’ny fahalalan’ny antoko-mpihaino hafa, na mety ho maizina aminy tanteraka mihitsy aza. Tokony hifanaraka amin’ny mpihaino àry ireo hevitra. Ohatra, ao amin’ny lahateny iray mahakasika ny fomba itarihana ny asantsika, dia hafa tanteraka ny fomba amelabelarana azy any amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, tsy toy ny rehefa miresaka amin’olona mivonona hanolo-tena ho an’i Jehovah, na amin’ny antokon’olona eo amin’izao tontolo izao.

5 Tsy maintsy heverina ihany koa ireo anton-javatra ireo rehefa manomana lahateny ho an’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Ireo hevitra haseho dia hofidina arakaraka ny mpihaino, ny faritra ary ny tanjona kendrena. Ireo anton-javatra ireo dia hiankina amin’ilay karazan-dahateny sy ilay faritra nofidin’ny mpandahateny. Mazava ho azy fa ny lahateny fampianarana dia lahateny natao ho an’ny kôngregasiôna. Fa raha ny amin’ireo lahateny hafa kosa dia mety hiovaova ny faritra fidina; izany no hamaritra ny karazana mpihaino hiresahanao sy ny zava-kendren’ny lahateninao. Amin’ny toe-javatra rehetra, ny mpianatra sy ny mpanome torohevitra dia afaka manontany tena hoe: Moa ve ireo hevitra mifanaraka amin’ny mpihaino nofidina? Hahazo fanazavana sy fampianarana avy amin’izy io ve ny mpihaino?

6 Eo am-panomanana dia eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no kendreko hotontosaina ato amin’ity lahateny ity? Amin’ireo hevitra tiako haseho, firy no efa fantatr’ilay olona iresahako na ny mpihaino? Fototra inona no tsy maintsy apetraka mba hahatonga ireo hevitra ireo hazava kokoa? Ahoana no hilazako izany amin’ny fomba hafa, amin’ny antokon’olona hafa tanteraka? Matetika ny fanaovana fampitahana dia mampahazava ny fomba fijerintsika zavatra. Eo am-panomanana ny lahateninao, dia andramo velabelarina amin’ny antokon’olona samy hafa ilay foto-kevitra mba hahitana fotsiny ny tsy fitovian-javatra rehefa asiana fiheverana ny mpihaino ka atao izay hahatonga ilay foto-kevitra hahitana fianarana ho an’ny mpihaino hiresahanao.

7, 8. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny lahatenintsika ho azo ampiharina?

7 Hevitra azo ampiharina. Azontsika atao ny manangona fahalalana be dia be nefa tsy azo ampiharina daholo akory izy rehetra. Ho antsika, ny hevitra ahitana fianarana dia mahakasika ireo zavatra ilaintsika hofantarina momba ny fiainana kristianina sy ny fanompoantsika. Irintsika hofantarina ny fomba hampiasana ireo fahalalana azontsika.

8 Rehefa manomana ilay mpianatra, ary rehefa manome torohevitra ilay mpiandraikitra ny sekoly, dia samy afaka mihevitra io zavatra takina io izy ireo amin’ny fanontaniana hoe: Foto-pitsipika mpitari-dalana inona no tokony ho hita ao amin’io lahateny io? Azo ampiasaina mba hanaovana fanapahan-kevitra ve ireo hevitra velabelarina? Azo ampiasaina amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ve izany? Moa ve izany manandratra ny Tenin’Andriamanitra sy mampiseho ny fikasany? Vitsy ny lahateny afaka mahafeno ireo fepetra rehetra ireo, nefa mba hahazoana mampihatra ireo hevitra aseho, dia tokony ho azon’ny mpihaino ampiasaina izy ireo.

9-11. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fahamarinan’ny zavatra ambara?

9 Fahamarinan’ny zavatra ambara. Ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mifototra amin’ny fahamarinana. Ny faniriantsika dia tokony ho ny hilaza ny fahamarinana sy ho marina tanteraka amin’ny tsipiriany rehetra, amin’ny fotoana rehetra. Izany no tokony ho izy, tsy hoe mahakasika ny foto-pampianarana ihany, fa mahakasika koa ny tenin’olon-kafa tononintsika, izay lazaintsika momba ny olon-kafa sy ny fomba ampisehoantsika azy, mbamin’ireo zavatra mahatafiditra fanazavana ara-tsiansa na zava-nitranga navoakan’ny filazam-baovao.

10 Mety hamerina ireo fanambarana tsy marina lazaintsika ireo mpihaino ary hanitatra izany. Raha milaza zavatra tsy marina ilay mpandahateny ka fantatry ny mpihaino izany, dia mety tsy hatoky azy intsony ny mpihaino ary ho tonga hatramin’ny fisalasalana ny amin’ny fahamarinan’ilay hafatra mihitsy. Raha mandre fanambarana diso toy izany ny olona iray liana vao haingana, kanefa izy efa nandre rahalahy iray hafa teo aloha nilaza hevitra mifanohitra amin’izany, dia mety hanatsoaka hevitra izy fa tsy miray hevitra ny Vavolombelon’i Jehovah ka hitsahatra tsy hifanerasera amintsika izy, nefa tsy hanome ny antony.

11 Tsy hokianin’ilay mpanoro hevitra avokoa izay rehetra lazain’ilay mpianatra, indrindra fa raha vaovao ao amin’ny fahamarinana izy io ka tsy mahatakatra amin’ny fomba feno ireo zava-dalin’ny Tenin’Andriamanitra. Hanampy amim-pahaiza-mandanjalanja kosa izy, ka hamolavola ny fisainan’ilay mpianatra sy hampiseho azy ny fomba hanatsarany ny fahamarinan’ny zavatra ambarany, amin’ny fiomanana mialoha amim-pitandremana.

12, 13. Inona no vidin’ny fanazavana fanampiny?

12 Fanazavana fanampiny. Ireo hevitra izay vokatry ny fisaintsainana na azo avy amin’ny fikarohana bebe kokoa momba ilay foto-kevitra dia mety hanondrotra ny hasarobidin’ny lahateny iray, ary indraindray izany dia afaka misoroka famerimberenan-kevitra tsy ahitana fianarana, satria hevitra efa fantatry ny mpihaino. Mitondra zava-baovao ao amin’ilay fampisehoana izany, manaitra ny fahalianan’ireo mpihaino, ary mahatonga ny foto-kevitra efa fantatra tsara hanjary hahafinaritra tokoa. Na ny tenan’ilay mpandahateny aza dia matoky tena kokoa. Mafana fo izy satria fantany fa hampiseho ny zavatra amin’ny endriny somary hafa izy.

13 Loza tokony hohalavirina ny fanombantombanana ataon’ny tena manokana. Ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana no tokony hampiasaina sy hianteherana. Jereo ireo Indeksan’ny Fikambanana, ary koa ireo fanamarihana ambany pejy mahakasika andinin-teny. Aoka ho azonao antoka fa izay lazainao dia mahatonga ny hevitra hazava kokoa, fa tsy mampiseho izany amin’ny fomba diso.

**********

14-16. Inona no tokony hatao mandritra ny fanomanana ny lahateny mba hahafahana hampiseho ireo hevitra amin’ny fomba tsotra?

14 Rehefa manomana ny foto-kevitrao ianao, dia zava-dehibe ihany koa ny hiheverana amim-pitandremana ny fomba hoentinao milaza izay tianao holazaina. Io ilay lazaina hoe “Mazava, mora azo”, ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny. Rehefa tsy asiana fiheverana ampy io lafiny io, izany dia mety hisakana anao tsy hanohina ny mpihaino, na mety hanakana azy ireo tsy hitadidy izay reny. Misy lafiny telo lehibe amin’io hevitra io tokony hodinihina.

15 Fiteny tsotra. Tsy te hilaza akory izahay amin’izany fa tokony homanina mialoha ireo fehezanteny. Nefa tsy maintsy fakafakaina ireo hevitra haseho ary tsy maintsy asiana fiheverana ny anton-javatra sasany. Ny vokatr’izany mazàna dia lahateny tsy be safary, sy filazana hevitra tsotra amin’ny fiteny tsy namboamboarina. Ny foto-kevitra izay sarotra be ao an-tsain’ilay mpandahateny, dia ho sarotra be koa mandritra ilay fampisehoana.

16 Tokony hohalavirina ny fiomanana amin’ny minitra farany. Tsy maintsy dinihina lalina ny hevitra tsirairay avy amin’ilay lahateny ambara-pahatongan’izany ho tsotra sy hazava amin’ilay mpandahateny. Ny fijerena indray ireny hevitra ireny ho fiomanana alohan’ny hanaovana ilay lahateny dia hahatonga azy ireny hazava tsara aoka izany ao an-tsaina hany ka hivoaka mora foana izy ireny rehefa miteny, ary hazava tanteraka amin’ny mpihaino toy ny amin’ilay mpandahateny.

17, 18. Nahoana no tsy maintsy hazavaina ny teny tsy dia fantatra loatra?

17 Fanazavana teny tsy dia fantatra loatra. Ny fianarantsika ny Soratra Masina sy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower dia nanome antsika voambolana tsy fantatry ny olona tsy mahalala ny asantsika. Raha mampiasa izany voambolana izany isika mba hanazavana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly eo anatrehan’ny mpihaino sasany, dia mety tsy ho takatra firy izay lazaintsika na tsy ho azo mihitsy.

18 Hevero ny mpihaino anao. Hatraiza ny ambaratongam-pahatakarany hevitra? Mahafantatra ny asantsika ve izy? Firy amin’ireny fitenenana ireny no ho azon’izy ireo mora foana toy ny ahazoan’ilay mpandahateny azy? Ny teny toy ny hoe “teôkrasia”, “sisa”, “ondry hafa”, ary na dia ny hoe “Haramagedona” sy ny hoe “Fanjakana” aza dia mety hilaza zavatra hafa, na tsy hisy heviny velively ao an-tsain’ireo mpihaino. Raha tsy mahalala ny asantsika izy ireo dia tokony hohazavaina aminy na dia ny teny toy ny hoe “fanahy [âme]”, “afobe” ary “tsy fahafatesana” aza. Mazava ho azy fa raha atao eo anatrehan’ny kôngregasiôna ilay lahateny dia tsy ilaina ny hanazavana teny toy izany. Koa tokony hasiana fiheverana àry ny faritra anaovana ny lahateny.

19, 20. Ahoana no ahafahantsika manalavitra ny lahateny mirakitra hevitra be loatra?

19 Tsy be hevitra loatra. Mety ho be hevitra aoka izany ny lahateny iray hany ka ho tototra tanteraka ny mpihaino ary tsy hahatakatra na inona na inona amin’ny farany. Mba hahatonga ny lahateny iray hahatratra ny zava-kendreny dia tsy tokony hisy hevitra be loatra ampidirina, fa izay azo velabelarina mazava tsara mandritra ny fotoana omena ihany. Toy izany koa fa tsy mety ny mampiseho hevitra mihoatra noho izay azon’ny mpihaino raisina. Ambonin’izany, dia tsy maintsy tsorina be ny hevitra lazaina amin’ny vahiny na olona liana vao haingana, raha ampitahaina amin’izay lazaina amin’ny kôngregasiôna mikasika io foto-kevitra io ihany. Eo koa, ilay mpanome torohevitra dia tokony hihevitra ny mpihaino nofidin’ilay mpandahateny.

20 Ahoana moa no ahafahan’ilay mpianatra mahafantatra hoe hevitra firy no tokony hampidiriny ao amin’ny lahateny iray? Mahasoa ny manao fampitahana mandritra ny fanomanana. Fakafakao ireo hevitra tokony hasehonao. Firy amin’izany no efa fantatry ny mpihaino, manontolo na amin’ny ampahany? Firy no ho hevi-baovao tanteraka aminy? Arakaraka ny maha lehibe ny fototry ny fahalalana ananan’ny mpihaino no mety haha lehibe ny zavatra aorina eo amboniny ao anatin’ny fotoana omena. Mifanohitra amin’izany kosa, raha tsy fantatry ny mpihaino velively ilay foto-kevitra dia ilaina ny mitandrina ny amin’ny isan’ireo hevitra hovelabelarina sy ny fotoana mety hilaina mba hanaovana izay hahatakarany izany amin’ny fomba feno.

[Fanontaniana]