Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hevitra Mifanaraka Amin’ny Fanompoana eny Amin’ny Saha

Hevitra Mifanaraka Amin’ny Fanompoana eny Amin’ny Saha

Fianarana 35

Hevitra Mifanaraka Amin’⁠ny Fanompoana eny Amin’ny Saha

1-3. Nahoana no zava-dehibe ny hianarana mampifanaraka ny foto-kevitrao amin’ny fanompoana eny amin’ny saha?

1 Amin’ny maha minisitra kristianina antsika, ny asantsika dia mifototra indrindra, amin’izao andro izao, amin’ny fitoriana sy fampianarana ny Tenin’Andriamanitra amin’olona tsy mahalala firy ny Baiboly. Ny sasany dia tsy nanana mihitsy azy io; ny hafa indray dia manana iray izay tsy mivoaka mihitsy ny talantalan’ny fitahirizam-bokiny. Noho izany, raha tiantsika ny handraisan’ireny olona ireny soa faran’izay betsaka amin’ny fampianarantsika dia tokony hampifanaraka izany amin’ny toe-javatra misy azy ireo isika. Tsy hanova ny hafatra entintsika isika nefa hanao fiezahana manokana mba hampita izany amin’ny fomba fiteny izay ho takatry ny olona. Fitsapana, raha ny marina, ny fangatahana antsika hampifanaraka ny foto-kevitsika amin’izany fomba izany. Izany dia fitsapana hoe hatraiza ny halalin’ny fahatakarantsika manokana ilay foto-kevitra.

2 Ny hoe mampifanaraka dia midika hoe manao fanovana mba hifanarahana amin’ny tarehin-javatra vaovao. Manao izay hahatonga ny zavatra iray hahafa-po ny tena na ny olon-kafa, no dikan’izany. Ny fitandremana ity fianarana ity dia tokony hanantitrantitra fa ny fomba fampiseho eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha sy ny lahateny hafa, dia ilaina hatao tsotra sy mora azon’ny mpihaino manokana, indrindra fa ireo olona vao liana hita eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Rehefa mitandrina io toetra io àry ianao ao amin’ny sekoly, dia tokony hoheverinao ho toy ireo olona hitanao eny am-pitoriana isan-trano foana ny mpihaino anao.

3 Tsy midika akory izany fa tsy maintsy atao toy ny fomba fampiseho isam-baravarana ny lahateninao isaky ny mitandrina io toetra io ianao. Ny fomba fampiseho ny lahateny rehetra dia hatao mitovy amin’izay voasoritra ao amin’ireo toromarika farany ho an’ny sekoly. Ny dikan’izany dia hoe, tsy mampaninona izay karazana fomba fampiseho ampiasainao, fa ny fanaporofoan-kevitrao sy ny teny ampiasainao kosa dia ho toy ireo ampiasainao amin’ireo olona hitanao eny amin’ny saha. Koa satria isika manao ny ankamaroan’ny resatsika eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, dia tokony hanampy anao hahatakatra izy ity fa ilaina ny miteny amin’ny fomba tsotra, izay mety ho azon’ny ankamaroan’olona hitantsika eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Efa nahazo fampiomanana sasany ho amin’io toetra io ianao tao amin’ny Fianarana Faha-21. Dinihina mitokana izy io izao satria tena ilaina sy tena zava-dehibe.

4, 5. Hazavao hoe nahoana ireo teny ampiasaintsika no tokony hatao izay hahatakaran’ny besinimaro azy.

4 Teny natao ho takatry ny besinimaro. Ampy ny mihaino ireo fomba fiteny ampiasain’ireo rahalahy sasany rehefa mandray anjara amin’ny fitoriana isan-trano na manomboka fampianarana vaovao izy ireny, mba hahatsapantsika ny ilana hitandrina ny fifidianana ireo tenintsika. Ny fahatakarantsika ny Soratra Masina dia mahatonga antsika hanana voambolana tsy fantatry ny olona rehetra. Matetika isika no mampiasa teny toy ny hoe “ny sisa voahosotra” na “ny ondry hafa” sy ny toy izany. Raha mampiasa azy ireny isika rehefa miteny, dia tsy misy dikany amin’ny olona hitantsika eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha izany mazàna. Mba hahazoany ny heviny, dia tsy maintsy atao mazava izy ireny amin’ny fampiasana teny mitovy heviny aminy na amin’ny alalan’ny fanazavana. Na dia ny fitenenana toy ny hoe “Haramagedona” na “ny fiorenan’ ilay Fanjakana” aza dia tsy manana heviny firy ho an’ny olona ary mitaky fanazavana.

5 Amin’io lafiny io ilay mpanome torohevitra anao dia hanontany tena raha toa ny olona iray tsy mahalala Baiboly ka hahatakatra itsy teny itsy na iroa fitenenana iroa. Tsy voatery hilaza aminao izy fa tokony hanalavitra ny fampiasana teny teôkratika ianao satria anisan’ny voambolantsika izany ary irintsika ny hahita ireo olona vao liana hifankazatra amin’izany. Nefa raha mampiasa fitenenana toy izany ianao dia handinika anao izy mba hahitana raha nanazava izany ianao na tsia.

6-8. Rehefa manomana lahateny isika, nahoana no tokony hiahy ny hifantina hevitra mifanentana?

6 Fifantenana hevitra mifanentana. Ny hevitra fantenanao hovelabelarina eny amin’ny saha fitoriana dia hiovaova arakaraka ny toe-javatra miseho sy ny faritra, toy ny iovaovan’ny teny ampiasainao. Izany dia satria misy zavatra izay ara-dalàna raha tsy fidintsika horesahina amin’olona iray vao liana. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, ny fifidianana ireo hevitra dia miankina tanteraka aminao. Rehefa omena anjara amin’ny sekoly anefa ianao, dia efa voafantina mialoha ilay foto-kevitra tsy maintsy ampiasainao. Tsy afaka mifidy afa-tsy ireo hevitra voarakitra ao amin’ilay anjaranao ianao. Inona àry no hatao?

7 Koa satria voafetra ny hevitra azonao raisina dia tsy maintsy mifidy faritra iray hahafahanao hamelabelatra hevitra mifanentana faran’izay betsaka ianao. Hifantoka amin’ireo hevitra nofantenanao ny sain’ilay mpanome torohevitra ary ho hitany raha mifanentana amin’ny faritra izany. Ny anton’izany dia satria eto amin’ity toetra takina ity ianao dia mampiseho fa mitaky karazana foto-kevitra tsy mitovy ny lafim-panompoana tsy mitovy. Ohatra, tsy mitovy ny hevitra velabelarinao mba hanasana olona iray hanatrika fivoriana sy rehefa manao fampisehoana isam-baravarana ianao. Noho izany, dia tokony ho fantatra avy amin’ireo zavatra lazainao sy ireo hevitra nofantenanao tao amin’ilay foto-kevitra ny karaza-mpihaino iresahanao, na resaka amin’ny tompon-trano iray no ataonao na lahateny mahazatra eo amin’ny lampihazo.

8 Mba hamantarana raha mifanentana ny hevitrao na tsia, dia handinika ny zava-kendren’ny lahateninao ilay mpanome torohevitra. Eny am-baravarana, ny zava-kendrentsika amin’ny ankapobeny dia ny hampianatra sy handrisika ilay olona mba hianatra bebe kokoa. Amin’ny fiverenana mitsidika dia miezaka mampitombo ny fahalianana isika, ary raha azo atao, dia manomboka fampianarana Baiboly. Raha resadresaka aorian’ny fianarana ilay izy, dia nokendrena mba hampirisihana ilay tompon-trano hanatrika fivoriana iray, na handray anjara amin’ny asa fitoriana, sy ny toy izany.

9, 10. Ahoana no ahafahantsika mamaritra raha mifanentana ireo hevitra nofantenantsika?

9 Mazava ho azy fa na dia ao amin’ny lafim-panompoana iray ihany aza, dia mety hiova arakaraka ny mpihaino ireo hevitra fantenanao. Tokony hoheverina ihany koa àry izany. Raha toa ao amin’ilay foto-kevitra nomena anao ka misy hevitra tsy mifanentana amin’ny zava-kendrenao, dia aza ampidirina ao amin’ny lahateninao izany.

10 Noho ireo antony rehetra ireo dia tokony hifidy ny faritra ianao, alohan’ny hanomanana ilay lahateninao. Manontania tena toy izao: Inona no zava-kendreko? Inona avy ireo hevitra ilaina mba hahatongavana amin’izany ary ahoana no tokony hanamboarako ireo hevitra ireo mba hifanentana amin’ilay faritra anaovana ilay lahateny? Rehefa avy namaly ireo fanontaniana ireo ianao dia ho mora foana aminao ny hifantina ireo hevitra mifanentana ary dia ho hainao ny hampifanaraka izany amin’ny fanompoana eny amin’ny saha.

11-13. Nahoana no zava-dehibe ny anasongadinana fa azo ampiharina ilay foto-kevitra nasehontsika?

11 Asongadina fa azo ampiharina ilay foto-kevitra. Ny dikan’ny hoe “asongadina fa azo ampiharina ilay foto-kevitra” dia hoe mampiseho mazava tsara amin’ilay tompon-trano fa mahakasika azy ilay izy, dia zavatra izay ilainy na azony ampiasaina. Dieny eo am-piandohan’ilay lahateny dia tokony ho takatr’ilay olona fa foto-kevitra “mahakasika azy” izany raha tsy izany dia tsy hanaitra ny fahalianany ianao. Nefa mba hihazonana izany fahalianana izany, dia ilaina hotohizina izany fampiharana ny foto-kevitra amin’ilay olona izany, mandritra ny famelabelarana iray manontolo.

12 Tsy ampy ny hoe mifandray amin’ny mpanatrika sy manampy azy hanjohy hevitra. Tsy maintsy mandeha lavitra kokoa ianao ka tena mampiditra ilay tompon-trano ao amin’ilay fampiharana ny foto-kevitra. Eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ny zava-kendrentsika dia ny hampianatra ny olona momba ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra sy hanampy azy hahafantatra ny lalan’ny famonjena. Noho izany, dia amim-pahaiza-mandanjalanja sy amim-piheverana no tokony hanehoanao amin’ny olona fa handray soa azo tsapain-tanana izy raha mihaino sy mampihatra izay lazainao.

13 Na dia voatonona farany aza io lafin-toetra io, dia tsy hoe satria izy io no tsy misy vidiny indrindra. Hevitra tena lehibe tsy tokony hodian-tsy hita mihitsy izy io. Miezaha mitandrina azy io satria tena zava-dehibe eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha izy io. Mahalana ianao vao afaka mitana ny sain’ny tompon-trano iray mandritra ny fotoana elaela raha tsy takany mazava fa misy vidiny lehibe tokoa eo amin’ny fiainany izay lazainao.

[Fanontaniana]