Lahateny An-tehaka sy Tampotampoka
Fianarana 12
Lahateny An-tehaka sy Tampotampoka
1, 2. Ahoana no anampian’i Jehovah antsika hiteny?
1 “Aza manahy ny amin’ny fomba hitenenanareo, na izay holazainareo; fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo. Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin’ny Rainareo no miteny ao anatinareo.” (Matio 10:19, 20). Tsy maintsy nanome toky tsara dia tsara an’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany ireo teny ireo. Ankehitriny koa izany dia manatanjaka ireo minisitr’Andriamanitra mitory ny vaovao tsara, rehefa voantso hanao fanambarana eo anatrehan’ny manam-pahefana izy ireo. Tsy milaza akory izany fa nandray tamin’ny fomba mahagaga ny “teny fahendrena” sy ny “teny fahalalana” toy ireo vavolombelona kristianina tamin’ny taonjato voalohany ireo Kristianina Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. (1 Kor. 12:8). Mandray soa avy amin’ny fampianarana teôkratika tsara dia tsara anefa isika ary, araka ny nampanantenaina, ny fanahin’Andriamanitra dia mampahatsiahy antsika ny fomba hamaliana rehefa ilaina izany.
2 Noho ny fiofanana azonao amin’ny fianarana Baiboly, any amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika sy ireo fivorian’ny kôngregasiôna hafa, dia manana tahirim-pahalalana be momba ny Baiboly ianao. Nianatra ireo foto-pitsipika lehibe indrindra ny amin’ny fahamarinana sy ny fomba hampiharana izany amin’ny tarehin-javatra isan-karazany eo amin’ny fiainana ianao. Amin’ny fandraisanao anjara amin’ny asa fitoriana, dia nahazo traikefa ianao eo amin’ny fahaiza-miresaka sy fampitana amin’ny hafa ireo fahalalana voangonao. Izany resaka izany dia ataonao an-tehaka na tampotampoka.
3. Hazavao ny fahasamihafana misy amin’ny lahateny an-tehaka sy ny lahateny tampotampoka.
3 Na dia mifanahatahaka aza ireo karazana lahateny roa ireo dia tsy mitovy. Ny ohatra iray dia tsy isalasalana fa hanampy anao hanavaka azy ireo. Aoka hatao hoe mandeha isan-trano ianao ary manomboka mampiseho ny hafatra amin’ny olona iray araka ny planina iray efa mazava tsara ao an-tsainao. Na dia mahafantatra tsara izany planina izany aza anefa ianao dia tsy nianatra tsianjery ireo teny hentitra hampiasainao mba hilazanao ny hevitrao. Manao resaka an-tehaka ianao eo. Aoka indray izao hatao hoe manao fanoherana tsy nampoizina izay tsy niomananao manokana ilay olona. Noho ny fiofanana noraisinao tany amin’ny Efitrano Fanjakana, dia ho afaka hanome valiny na fanazavana ianao, amin’ny fanovozana ao amin’ny tahirim-pahalalanao araka ny Baiboly. Amin’izay dia azo lazaina fa tampotampoka ny lahateninao, izany hoe hoforonina sy hotononina amin’ny fomba tsy nomanina mialoha izany.
4. Ahoana no tsy maintsy hiomanana mba hanaovana lahateny an-tehaka tsara?
4 Ny lahateny an-tehaka. Na amin’ny fitoriana isan-trano izany na amin’ny lahateny atao eny amin’ny lampihazo, dia ny fiomanana no fanalahidin’ny fahombiazan’ny lahateny an-tehaka. Raha hanao lahateny an-tehaka ianao, dia manomàna aloha planina misy hevi-dehibe maromaro hovelabelarina. Mariho eo ambanin’ireo hevi-dehibe ireo ny lisitr’ireo zanakevitra, porofo, andinin-teny sy fanoharana, mba hahafahanao hanao lahateny tena ahitana fianarana. Omano mialoha daholo ny zavatra rehetra afa-tsy ireo teny tena hampiasainao.
5-7. Tanisao ireo antony maha tsara ny fanaovana lahateny an-tehaka.
5 Ny lahateny an-tehaka dia ahitana tombony maromaro. Anankiray amin’izany ny hoe mahatonga anao ho afaka hampifanara-javatra izy io. Ilay lahateny dia tsy natao hentitra be tsy ahafahana mikofoka, toy ny famakiana lahateny voasoratra manontolo na ny fanaovana tsianjery an-kandrina. Mety hisy fisehoan-javatra eo amin’ny minitra farany mitaky ny hanaovana fanovana sasany ao amin’ilay lahateny nomanina. Aoka hatao hoe aloha kelin’ny hiakaranao eny amin’ny lampihazo vao hitanao fa maro be tsy araka ny nampoizina ny isan’ireo olona vaovao manatrika. Ilay fomba an-tehaka dia hahatonga anao ho
afaka hanisy fanitsiana mba hanampiana azy ireo hahatakatra amin’ny fomba feno ny fanaporofoan-kevitrao. Na koa, mety ho voamarikao fa misy zatovo maro mbola mandeha any an-tsekoly, manatrika eo. Amin’izay dia azonao ahitsy ny fanoharana sy ny fampiharana ataonao mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa misy vokany eo amin’ny fiainany ireo hevitra velabelarina.6 Ny tombony faharoa amin’ny firesahana an-tehaka dia ny vokany mandrisika ny sainao hiasa. Ny lahateny an-tehaka dia mamela anao malalaka tsara hamelabelatra hevitra vaovao. Matetika, rehefa sendra mpihaino mankasitraka sy mandray tsara ianao dia mihamafana fo ka misy hevi-baovao tonga ao an-tsainao, dia hevitra izay azo ampidirina mora foana ao amin’ny lahateny an-tehaka iray.
7 Ny tombontsoa fahatelo amin’io karazan-dahateny io dia noho izy mamela anao hijery mandrakariva ny mpihaino anao. Hanatsara ny fifandraisanao amin’izy ireo izany. Hanaraka amim-pitandremana kokoa ny fanazavanao izy ireo, ho vokatr’izany. Ho fantany fa hainao tsara ny foto-kevitrao, satria tsy hifantoka foana eo amin-javatra voasoratra ny masonao. Afaka manamarika ny fihetsiky ny mpihaino koa ianao. Raha voamarikao fa mihena ny fahalianany mihaino anao dia afaka manao izay ilaina hatao ianao mba handresena io fahasahiranana io. Hita àry fa io karazana io dia ahafahana manao lahateny mafana sy avy ao am-po toy ny raha miresaka.
8-10. Ahoana no azo isorohana ireo loza amin’ny fanaovana lahateny an-tehaka?
8 Misy fandrika anefa amin’ny fanaovana lahateny an-tehaka, nefa azo atao ny misoroka izany. Ohatra, mety hanampy hevitra amboniny be loatra ilay mpandahateny ka hihoatra ny fotoana omena azy. Noho izy afaka mampiditra eo no ho eo izay hevitra tonga ao an-tsainy, dia mety hirona hamelabelatra ela loatra hevitra sasany izy. Afaka miaro tena amin’io loza io ianao amin’ny fanamarihana eo amin’ny planinao ny fotoana voatokana ho an’ny tapany tsirairay avy amin’ilay lahateny. Avy eo dia araho amim-pitandremana io fitsinjarana ora io.
9 Mety hisy koa hevitra hadino tsy voalaza, filazana tsy feno na tsy marina, na fanovana fanambarana tsy misy porofo ampy mba hanohanana azy. Kanefa, raha mijery tsindraindray sady tsy amim-pahamaikana ny naoty fohy nosoratanao ianao, dia tokony ho afaka hanaraka ny planinao ary hanalavitra ny fanadinoana sy filazana zavatra tsy marina. Azonao sorohina ny mety hisian’ny filazana tsy voaporofo, amin’ny fanaovana planina tsara, misy hevi-dehibe maromaro hovelabelarina miaraka amin’ny porofo sy andinin-teny manohana azy.
10 Na dia tsy mitaky ny hianarana tsianjery ireo teny hampiasaina aza ny lahateny an-tehaka dia azo atao ny mizatra mamerimberina fomba fiteny mety, ary mahazo fanampiana ianao raha voasoritra mazava tsara ao an-tsainao ilay fitohitohizan-kevitra.
Hohalavirina amin’izay ny fampiasana fiteny tsizarizary sy teny ratsy fantina. Ary raha miezaka miteny amin’ny fomba tsara ianao eo amin’ny resaka andavanandro, dia ho mora kokoa aminao izany rehefa manao lahateny ianao. Marina aloha fa na dia amin’izay aza ianao dia mety tsy hanana ireo fitenenana tsara dia tsara sy araka ny fitsipi-pitenenana izay hita ao amin’ireo lahateny voasoratra manontolo. Voaonitrao tokoa anefa izany amin’ny fomba fiteninao toy ny raha miresaka. Aza hadinoina ny mamerina mijery imbetsaka ny lahateninao alohan’ny tena hanaovanao azy. Amin’ny sasany dia ampy ny manao izany mangina, ao an-tsainy manokana ao. Nefa mpandahateny maro no mahita fa tena manampy ny fanazaran-tena manao azy io amin’ny feo avo, indrindra fa mahakasika ny fanajana ny fotoana voafetra.11, 12. Nahoana no fanehoam-pahamalinana avy amin’ilay mpandahateny ny hananana planina an-tanana?
11 Arakaraka ny fandehan’ny fotoana sy ny fanazaran-tena, dia tokony hahay hanakely ny planinao ianao, ka teny vitsivitsy monja no ho solon’ny hevitra tsirairay ao amin’ny lahateninao. Azonao atao lisitra eo amin’ny taratasy henjana na tsotra izay ho azonao jerena mora foana izany, miaraka amin’ireo andinin-teny hampiasainao. Na dia aleon’ny sasany aza manao tsianjery ny planina amin’ny lahateny fohy kokoa, toy ny lahatenin’ny mpianatra amin’ny Sekolin’ny fanompoana, dia tsy misy maha ratsy azy akory ny manana planina fohy eny an-tanana mba hojerena raha misy ny fanadinoana na fanembantsembanana mety hanapaka ny fitohitohizan-kevitrao. Nefa amin’ny lahateny lava kokoa, toy ny lahateny ampahibemaso, dia mazàna fanehoana fahamalinana ny itondrana ilay planinao misy andinindininy mba hojerenao rehefa miteny.
12 Ny fanaovan-javatra an-tehaka dia faran’izay sarobidy eo amin’ny fanompoantsika isan-trano. Rehefa manohitra mantsy ilay olona, na manapaka ny tenintsika noho ny antony iray hafa, dia azo atao ny miala vetivety amin’ireo hevitra resahintsika, ka miatrika ilay fanoherana, ary avy eo dia manohy indray ilay resaka efa nomanintsika. Raha ianarantsika tsianjery ireo teny amin’ny fampisehoantsika, dia ho sarotra amintsika ny hiatrika ilay fanapahan-dresaka sy hanohy indray ilay resaka rehefa avy eo.
13-15. Amin’ny fotoana toy inona isika no miteny tampotampoka ary fiomanana inona no ilaina?
13 Ny lahateny tampotampoka. Ny teny hoe “tampotampoka” dia midika hoe “tsy misy fiomanana, tsy nampoizina, eo no ho eo”. Milaza ve izany fa ny foto-kevitra iray novelabelarina tampotampoka dia tsy nisy fiomanana mihitsy? Tsia, satria tsy maintsy anaovana fanomanana ny tena fampianarana marina rehetra. Misy anefa fotoana mety tsy hampilazana anao mialoha fa hiresaka ny amin’ny foto-kevitra iray ny tenanao, koa tsy miomana manokana ho amin’izany ianao. Mety ho fanontaniana apetraky ny olona iray izany rehefa mitory Isaia 50:4.
isan-trano isika. Na koa mety hitranga izany amin’ny fiverenana mitsidika, fampianarana Baiboly any an-tokantrano, fanaovana fanambarana tsy ara-potoana na rehefa tsy maintsy miseho eo anatrehan’ny mpitsara na mpanao raharaham-panjakana iray ny tena. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, ny filaharan’ny hevitra sy ny fehezanteny dia ho tampotampoka, fa ny fahalalana azonao noho ireo fianarana teôkratika kosa no ho fototr’izay holazainao. Koa amin’izany, ilay antsointsika hoe lahateny tampotampoka, raha ny tena izy, dia mifototra koa amin’ny fiomanana mialoha, na dia tsy nokasaina hampiasaina tamin’io fotoana manokana io aza ilay fiomanana. —14 Raha fantatrao, eny na dia minitra vitsivitsy mialoha aza, fa hasaina handray fitenenana ianao, dia mety hahasoa anao ny manaraka ireto fanoloran-kevitra ireto, ho fiomanana. Voalohany, mifidiana hevitra lehibe iray na roa horesahina. Faharoa, mifantena fanaporofoan-kevitra manohana izany, ka tafiditra amin’izany ny andinin-teny vitsivitsy mifanentana tsara. Avy eo dia mitadiava fampidiran-dresaka fohy. Vonona ny hanombo-dresaka amin’izay ianao izao, raha ilaina izany. Mety hilaina izany ohatra, rehefa tsy maintsy soloana amin’ny minitra farany ny mpianatra iray tokony hanao ny lahateniny amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika.
15 Ny Soratra Masina dia mirakitra ohatra ny amin’ireo minisitr’i Jehovah izay tsy maintsy nanao fanambarana momba ny fahamarinana, tsy nisy fiomanana. Anisan’ireny i Stefana izay nentina an-keriny teo anatrehan’ny Synedriona ary nampangain’ny vavolombelona nandainga. Ilay lahateniny tampotampoka sy nampihetsi-po dia azontsika vakina ao amin’ny toko faha-7 ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly. Naka an-keriny ny apostoly Paoly ireo Ateniana ary nitondra azy tany amin’ny Areopago, ka nanontany azy ny amin’ny zavatra inoany. Ny fanazavana tampotampoka tsara dia tsara nomeny azy ireo dia voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly, toko faha-17.
16-18. Nahoana ireo mpianatra no tokony hanazatra tena amin’ny fitenenana an-tehaka fa tsy hampiasa lahateny voasoratra manontolo, na hianatra tsianjery ny lahateniny?
16 Ny fomba tsara indrindra. Indraindray ireo mpianatra vaovao dia maniry hanoratra manontolo ny anjara lahateniny. Nefa amin’ny ankapobeny dia tsy izany no fomba tsara indrindra, ary tokony hiezaka hiala amin’izany faran’izay haingana izy ireo, satria izany dia mahatonga azy ireo tsy hanana fifandraisana mivantana amin’ny mpihaino sy tsy hiteny toy ny raha miresaka. Marina fa misy fotoana tena ampiasantsika lahateny voasoratra manontolo, kanefa mahazo fanazaran-tena ho amin’izany ianao rehefa mahazo anjara famakian-teny. Ampiasao ireo lahateny hafa omena anao mba hitenenanao amin-kalalahana, amin’ny fampiasana naoty fohy.
17 Miezaka mianatra tsianjery ny lahateniny ny mpianatra sasany mba tsy hampiasana fanamarihana an-tsoratra mihitsy.
Kanefa ireo lahateny atao tsianjery dia misy maha ratsy azy tokoa, noho izy io tsy azo ampifanarahina amin’ny toe-javatra sy tsy toy ny tena izy fa hafahafa, ary noho izy io mety hahatonga ny tena hanadino tapany iray lehibe amin’ilay lahateny. Azo atao ny mianatra tsianjery fehezanteny fototra vitsivitsy, toy ny fampidiran-dresaka na ny famaranan-teny, nefa tsy mety amin’ny tapany sisa amin’ny lahateny io fomba io.18 Amin’ny fitsipika ankapobeny, ny tsara indrindra dia ny fomba an-tehaka. Io no ampiasaintsika eny amin’ny saha fitoriana, izay andraisantsika fiofanana tsara dia tsara amin’ny fahaizana mamaly eo no ho eo. Izany koa no fomba ampiasaintsika matetika indrindra amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna, satria amin’izany no ahafahantsika milaza hevitra amin’ny fomba mivantana sy tsotra, ary raha mampiseho ny hafatra toy izany isika dia hahazo vokatra tsara dia tsara. Koa manaova fanazaran-tena tsy an-kijanona ny amin’izany àry. Ary na dia voantso hiteny tampotampoka aza isika, dia ho vonona ho amin’izany satria ataon’i Jehovah izay hahatonga antsika ho ampy fitaovana tsara mba hanaovana resaka an-tehaka sy tampotampoka. Samy manana ny ilana azy ireo fomba roa ireo eo amin’ny fanompoantsika.
[Fanontaniana]