Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

Fianarana 14

Mahay Mandanjalanja, Nefa Hentitra

1. Nahoana isika no tokony hamboly fahaiza-mandanjalanja?

1 Rehefa naniraka ireo mpianany hitory i Jesosy dia nasehony azy ireo mazava tsara fa tokony hiseho ho malina izy ireo amin’ny teniny sy ny ataony. Na dia nampanantena aza izy fa homba azy ireo, dia tsy tokony hitady fahasahiranana tsy ilaina izy ireo. (Matio 10:16). Na dia eo amin’izy samy izy aza dia tokony hiteny sy hanao zavatra amim-pahamalinana ny Kristianina mba tsy hifanafintohina noho ny tsy fahampiam-piheverana. (Ohab. 12:8, 18, Darby). Ilaina àry ny mamboly fahaiza-mandanjalanja.

2. Inona no dikan’ny hoe mahay mandanjalanja?

2 Io toetra io dia faritana ho toy ny “fahaiza-manavaka izay tokony holazaina sy hatao rehefa mifandray amin’ny hafa” sy “ny fahaizana mifandray amin’ny hafa nefa tsy manafintohina azy ireo”. Ny hoe mahay mandanjalanja dia midika hoe miseho ho ampy fahatsaram-panahy amin’ny teny sy ny ataontsika mba hisorohana ny fandratrana ny fihetseham-pon’ny hafa. Tsy irintsika ny hanafintohina olona amin’ny fomba fitenintsika na ny fitondran-tenantsika. Kanefa tsy midika akory izany fa tsy hampahasosotra ny hafa mihitsy isika amin’izay lazaintsika na ataontsika, satria ny hafatry ny Baiboly mihitsy dia mahasosotra eo imason’ny sasany. (Rom. 9:33; 2 Kor. 2:15, 16). Araka izany, na dia mahay mandanjalanja aza isika eo amin’ny fihetsitsika, dia hentitra koa isika raha ny amin’ny fahamarinan’Andriamanitra.

3. Asehoy hoe amin’ny ahoana ny vokatry ny fanahy no fototry ny fahaiza-mandanjalanja.

3 Tsy sarotra ny maneho fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny fiainantsika isan’andro raha mampiseho ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra izay fototr’izany isika. (Gal. 5:22, 23, NW ). Ohatra, izay tarihin’ny fitiavana dia tsy haniry hampahatezitra ny hafa, fa haniry amim-pahatsorana ny hanampy azy ireny kosa. Ny olona iray maneho hatsaram-panahy dia halemy fanahy eo amin’ny fomba fanaovany zavatra. Izay namboly fifehezan-tena ka tony hatrany amin’ny tarehin-javatra sarotra no azo inoana kokoa fa hahataona ny hafa hiandany amin’ny heviny. Mifanohitra amin’izany kosa fa ny olona mora tezitra sy mora misafoaka dia ampoizina fa hivantambantam-piteny ka hamelona ny fankahalan’ireo izay hiresahany. (Ohab. 15:18). Ny teny sy ny ataontsika dia tokony hanintona fa tsy hampahasosotra ireo saina hendry.

4-8. a) Ahoana no ahafahantsika maneho fahaiza-mandanjalanja amin’ny fanompoantsika isan-trano? b) Tsy maintsy manaiky lembenana ve mba hanehoana fahaiza-mandanjalanja? Mahafaoka inona io toetra io?

4 Manehoa fahaiza-mandanjalanja eny am-pitoriana. Amin’ny asanao isan-trano dia afaka maneho fahaiza-mandanjalanja ianao amin’ny fanokafana ny resaka amin’ny zava-manahirana mahaliana ilay olona sy amin’ny fampisehoana aminy ny fomba hitondran’ny Fanjakan’Andriamanitra fanafodiny. Ampiasao ny fitiavany ny rariny, ny fahaizany misaina ary ny faniriany hahita toe-javatra tsara kokoa. Raha maneso na manameloka ireo heviny ara-pivavahana ianao dia hanidy ny sainy izy. Noho izany, dia tsy mety ny miresaka zavatra izay hiteraka fifanolanana fa aleo miresaka zavatra izay ekena amin’ny ankapobeny ny fahamarinany. Raha ilaina avy eo ny mankamin’ny foto-dresaka iray mampifanolana kokoa dia mitadiava aloha hevitra iombonana amin’ilay tompon-trano, hamafiso izany hevitra iombonana izany. Raha azonao atao ny mandatsaka ao an-tsain’ilay olona ireo fahamarinana mitondra fanantenana momba ilay Fanjakana sy ireo fitahiana hoentiny dia ho azonao atao ny hanitsy amin’ny fotoana mety ireo heviny hafa arakaraka ny hitomboan’ny fankasitrahany ny hatsaram-pon’Andriamanitra amin’izay tsy mendrika akory.

5 Ny kristianina mahay mandanjalanja dia manao ny ezaka rehetra mba hampirisihana ilay olona iresahany hiteny sy hampahafantatra ny heviny. Niezaka nanjohy hevitra arakaraka izay fiheveran’ireo olona nanaovany fanambarana i Paoly mba hahafahana hanolotra fanaporofoan-kevitra mahery ho an’ny vaovao tsara. (1 Kor. 9:20-22). Tokony hanahaka azy isika. Amin’ny fipetrahantsika eo amin’ny toeran’ny hafa mba hahatakarana ny tarehin-javatra hitany sy ny anton’izany, ny antony inoany sy ilazany hevitra toy izany, dia ho mora kokoa amintsika ny hiteny amin’izy ireo amim-pahaiza-mandanjalanja sy fahatakarana ny fiheviny. Mety ho avy amin’ny toe-piainany na tarehin-javatra hitany teo aloha izay hafa noho ny antsika no mahatonga ny hevitr’izy ireo, na koa noho izy ireo miantehitra amin-javatra hafa ho toy ny fahefana. Raha vao misy zavatra fantatrao mahakasika ny fomba fihevitr’ireo olona iresahanao, dia afaka manao ny fampisehoanao ny vaovao tsara amin’ny fomba manorina ianao, fa tsy hanafintohina azy ireo tsy amin’ny antony noho ny tsy nahalalana ny fomba fisainany sy ny antony mahatonga azy hisaina toy izany.

6 Ny hoe miahy ny amin’ny fiheveran’ny hafa akory tsy midika hoe mampandefitra ny marina. Tsy fanolanana ny zava-misy akory ny fahaiza-mandanjalanja. Amin’ny fotoana rehetra, dia tokony hifikirana mafy ny marina. Raha tsy izany, dia mety ho hitan’ny olona iray fa mampandefitra ny fahamarinana izy, fa tsy maneho fahaiza-mandanjalanja. Mety ho hitany fa atosiky ny tahotra olona izy fa tsy ny fitiavana ny fahamarinana. Kanefa na dia tsy midika ho fileferana amin’ny fahamarinana aza ny fahaiza-mandanjalanja, dia midika kosa izy io hoe mijery ny fotoana, izany hoe mamantatra ny fotoana tsara mba hanomezana fanazavana sasantsasany. Fanehoana fahaiza-mandanjalanja indraindray ny mody tsy mandre fotsiny izay lazain’ny olona iray. Mety ho tsara kokoa raha avela ho amin’ny fotoana hafa any aoriana ny zavatra sasany, mandra-pahatongan’ny fotoana maha vonona an’ilay olona handinika izany. Araka izany, dia nanambara tamin’ireo mpianany i Jesosy hoe: “Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.” (Jaona 16:12). Na dia tsy miray hevitra amin’ilay olona iresahantsika aza angamba isika dia tsy voatery hanintona ny sainy avy hatrany ho amin’ireo hevi-disony tsirairay avy. Raha manao toy izany isika dia hanosika azy fotsiny hanidy ny sainy sy handa izay rehetra fiaraha-midinika any aoriana.

7 Raha toa eo am-piresahana ka miresaka hevitra araka ny Baiboly maro izay lazainy fa diso ny olona iray, dia sarotra ny mamaly amim-pahaiza-mandanjalanja sy ao anatin’ny fotoana fohy ny fanoherany tsirairay avy. Matetika dia tsara kokoa raha odiana tsy hita fotsiny ny ankamaroan’izy ireny ka tsy mandinika afa-tsy izay mifandray amin’ilay fototry ny fiaraha-midinika ihany. Mety hanandrana hampiditra anao amin’ny adihevitra momba ireo raharahan’izao tontolo izao koa ilay olona iresahanao. Amim-pahaiza-mandanjalanja dia halaviro ny hanaiky ho voatarika, ary ampiasao ny valin-teny omen’ny Baiboly momba ireny zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao ireny. Amin’ny fanaovana toy izany dia hanahaka an’i Jesosy ianao. — Matio 22:15-22.

8 Rehefa tezitra ilay olona iresahanao dia aoka ianao hahay handanjalanja nefa hentitra. Aza mampandefitra ny fahamarinana mba hanandramana hampitony azy. Miezaha kosa hahatakatra ny fihetseham-pony; azonao atao mihitsy aza ny manontany azy hoe nahoana izy no manana fiheverana toy izany. Raha hazavainy ny anton’ny heviny dia ho azonao atao ny hilaza aminy fa ho tianao koa ny hanazava aminy ny anton’ny fiheveranao. Na manao ahoana na manao ahoana fiafaran-dresaka, ny fahaiza-mandanjalanja dia hiteraka vokatra tsara kokoa. Tadidio ity torohevitra manaraka ity, voalaza ao amin’ny Ohabolana 15:1: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.” Kanefa raha miseho ho tsy azo ifampiraharahana ny olona sasany dia tsara kokoa ny mandao azy ireo. — Matio 7:6.

9, 10. Tokony haneho fahaiza-mandanjalanja ve isika amin’ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika kristianina?

9 Mahay mandanjalanja amin’ireo rahalahintsika kristianina. Tokony haneho fahaiza-mandanjalanja isika, tsy amin’ny fifandraisantsika amin’ireo olona tsy mahafantatra an’i Jehovah ihany, fa amin’ireo rahalahintsika ara-panahy koa. Indraindray dia misy rahalahy na anabavy mahay mandanjalanja eny am-pitoriana, nefa manadino ny maneho io toetra io amin’ny fifandraisany amin’ireo namany kristianina. Tena ilaina ny miseho ho malemy fanahy amin’ny teny sy ny atao eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah mba hampitomboana ao toe-tsaina feno fitiavana sy firaisan-kina, ary koa mba hananana fifandraisana tsara isan’andro. Manao izao fananarana izao koa i Paoly: “Aoka isika hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana.” — Gal. 6:10.

10 Mihevitra ireo rahalahintsika isika, ary indrindra ny amin’ny tombontsoany ara-panahy satria isika mpikambana ao amin’ny fandaminan’i Jehovah daholo. (Fil. 2:2, 4). Kanefa, fantatry ny olona iray mahay mandanjalanja fa na dia mihevitra ny rahalahiny aza izy, dia tsy tokony hiditra amin’ny raharahan’izy ireo manokana akory, ohatra, amin’ny fametrahana fanontaniana mahasakodiavatra izay tsy mahakasika azy. Ny fahaiza-mandanjalanja dia hanampy antsika hanalavitra ny ‘firaharahana ny an’olona’. — 1 Pet. 4:15.

11. Amin’ny fomba ahoana no ampisehoan’ny Soratra Masina fa tokony haneho fahaiza-mandanjalanja ireo loholona ao amin’ny kôngregasiôna?

11 Zava-dehibe indrindra koa ny fahaiza-mandanjalanja ho an’ireo loholona mikarakara ireo zava-manahirana ao amin’ny kôngregasiôna. Rehefa nanome toromarika an’i Timoty ny apostoly Paoly ny amin’ny fomba fitondrana ireo nania ao amin’ny kôngregasiôna kristianina dia nanantitrantitra ny amin’ny ilana hisehoana ho malemy fanahy sy be fahamoram-panahy izy, tamin’ny filazana hoe: “Tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, (⁠.⁠.⁠.⁠) mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy; fa angamba (⁠.⁠.⁠.⁠) hody ny sainy ka ho afaka amin’ny fandriky ny devoly.” (2 Tim. 2:24-26). Toy izany koa no nanoroan’ilay apostoly hevitra, mba hanehoana “fahamorana” rehefa miresaka amin’ny rahalahy iray nanao fahadisoana tsy nahy. (Gal. 6:1). Rehefa manome torohevitra rahalahy toy izany ireo loholona dia tokony hahay handanjalanja no sady ho hentitra raha ny amin’ny foto-pitsipika momba ny fahamarinana.

12, 13. Nahoana no zava-dehibe ny fahaiza-mandanjalanja ao amin’ny faritry ny fianakaviana?

12 Ireo mpiara-belona amintsika tokony hanehoantsika fahaiza-mandanjalanja dia mahafaoka ireo mpianakavintsika. Tsy hoe satria mahalala azy ireo tsara isika dia izany no mahatonga antsika hivantambantam-piteny na ho ratsy fanahy amin’izy ireo. Mendrika ny hoentintsika amim-pahaiza-mandanjalanja koa izy ireo. Ny teny mivantambantana na manesoeso na masiaka dia hampandositra azy ireo. Raha tsy mpanompon’i Jehovah ny mpianakavintsika sasantsasany, moa ve izany mamela antsika tsy hiteny amin’izy ireo amim-pahaiza-mandanjalanja? Tsy izany velively, satria raha mahay mandanjalanja amin’ny tsy mpino isika dia angamba hanaiky ny fanompoam-pivavahana marina izy ireo indray andro any. — 1 Pet. 3:1, 2.

13 Amin’ny fanehoana fahaiza-mandanjalanja teôkratika dia hamoa vokatra tsara dia tsara isika na amin’ny fifandraisantsika amin’ny ankapoben’olona na amin’ireo rahalahy sy anabavintsika ara-panahy na amin’ireo mpianakavintsika. Hisy vokany mahafinaritra eo amin’ireo mpihaino antsika io toetra io araka ny asehon’ny Ohabolana 16:24 amin’ireto teny ireto: “Toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana.” Ataovy àry ny fiezahanao rehetra mba hambolena fahaiza-mandanjalanja, atosiky ny faniriana miredareda ny hanao soa amin’ny olona rehetra hitanao.

[Fanontaniana]