Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampandroso ny Torohevitra

Mampandroso ny Torohevitra

Fianarana 20

Mampandroso ny Torohevitra

1, 2. Nahoana isika no mitady torohevitra ary amin’ny fomba ahoana no ahazoantsika izany?

1 Ireo mpanompon’ilay Andriamanitra marina dia tsy nisalasala na oviana na oviana nitady ny fitarihany tamin’ny lalany rehetra. Tamim-pitokisana, ny anankiray tamin’ireo mpanao salamo ao amin’ny Baiboly dia nanoratra hoe: “Ny saina omenao no hitondranao ahy.” (Sal. 73:24). Tao amin’ny vavaka iray tamin-kafanam-po dia niteny toy izao i Jeremia: “Tsy misy (⁠.⁠.⁠.⁠) izay tsy hainao. (⁠.⁠.⁠.⁠) Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon’ny maro, no anarany, lehibe amin’ny fisainana [“torohevitra”, NW ] sy mahery amin’ny atao.” — Jer. 32:17-19.

2 Amin’izao androntsika izao, ireo Kristianina mpivavaka amin’i Jehovah dia mandray ny toroheviny amin’ny alalan’ny Teniny voasoratra sy ny fandaminan’ireo tena mpanompony. Tsy ela àry dia takatr’ireo misoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika fa ireo torohevitra raisiny sy ny toe-tsaina anomezana izany dia mifototra amin’ireo foto-pitsipika tsara dia tsara ao amin’ny Baiboly.

3-5. Hazavao fa natao mba hampiasaina miaraka ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny sy izay voalazan’ny Fianarana Faha-21 ka hatramin’ny Faha-37.

3 Torohevitra miandalana. Ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny dia natao mba hanampiana na ny mpianatra na ny mpiandraikitra ny sekoly. Vita lisitra eo amin’izy io ireo zavatra takina enina amby telopolo izay hanampy ireo mpianatra hampitombo ny fahaizany mampiseho ny fahamarinana amin’ny fomba mandaitra. Hahita fanazavana mahasoa sy hentitra tsara momba ny zavatra takina tsirairay ianao ao amin’ny Fianarana Faha-21 ka hatramin’ny Faha-37 amin’ity boky ity, ka ny nomeraon’ny fianarana voafaritra tsara iray dia mifanitsy amin’ilay nomerao eo amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny. Ireny fianarana ireny dia natao indrindra mba hampiasaina miaraka amin’ny taratasy fanomezana torohevitra. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia toetra roa na telo izay misy ifandraisana akaiky amin’izy samy izy no tafiditra ao amin’ny Fianarana iray ihany satria ho tsara ny handinihana azy ireo miaraka.

4 Hahasoa an’ireo vao nisoratra anarana ao amin’ny sekoly ny miomana tsara sy mitadidy ao an-tsaina ireo zavatra takina vita lisitra eo amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny. Amin’ny lahatenin’izy ireo voalohany ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, dia hanao teny fiderana mahakasika ireo zavatra takina izay hain’ilay mpianatra tsara ihany, ny mpiandraikitra ny sekoly (na olon-kafa iray mpanome torohevitra, raha maro be ny mpianatra vao nisoratra anarana). Aorian’izay, ilay mpanome torohevitra dia hifantoka tsikelikely amin’ny zavatra takina iray izay ilaina hotandremana indrindra mba hanatsarana ny fampisehoan’ilay mpianatra. Holazainy mazava amin’ilay mpianatra fa asaina hitandrina io zavatra takina io izy amin’ny lahateniny manaraka. Hampahafantarin’ilay mpanome torohevitra ny mpianatra tsirairay rehefa afaka hifindra ho amin’ny zavatra takina hafa eo amin’ny taratasy fanomezana torohevitra izy.

5 Misy mpianatra sasany afaka mifindra haingana ho amin’ny zavatra takina manaraka, fa ny hafa kosa dia mety ho zavatra takina iray ihany isaky ny manao no ilainy hotandremana, fa tsy hanandrana hitandrina izay rehetra voalaza ao amin’ny Fianarana iray feno. Raha ny marina, dia misy mpianatra sasany toroana hevitra mba hanao lahateny maromaro no sady hitandrina zavatra takina sarotra iray ihany, mba ho tena hain’izy ireo tsara ilay toetra takina, alohan’ny hifindrany ho amin’ny iray hafa.

6, 7. Amin’ny zavatra takina inona no hanomezan’ny mpiandraikitra ny sekoly torohevitra?

6 Ny torohevitra omena aorian’ny lahatenin’ny mpianatra tsirairay avy, dia tokony hatao amin-katsaram-panahy, ho fikendrena ny hanampy ilay mpianatra hanatsara hatrany ny fahaizany mandaha-teny. Raha misy torohevitra homena ilay mpandahateny nanao ny lahateny fampianarana na ireo hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, dia hatao manokana izany, aorian’ny sekoly. Homena torohevitra indrindra io mpandahateny io raha toa izy ka nihoatra ny fotoana noferana ho azy. Ny mpandahateny izay manao ny lahateny fampianarana dia tokony hiezaka hanome lahateny fakan-tahaka amin’ny lafiny rehetra; noho izany, dia tsy hilaina angamba ny torohevitra manokana.

7 Mazàna ireo zavatra takina izay anomezana torohevitra an’ilay mpianatra, dia ireo izay nasaina notandremany. Mazava ho azy fa raha misy lafiny hafa tena tsara amin’ilay lahateny, dia azon’ilay mpanome torohevitra ampidirina ao amin’ny teny fiderany izany fa tsy homarihiny kosa ao amin’ny taratasy Torohevitra Momba ny Lahateny. Ireto manaraka ireto ny marika ampiasaina: “I” (Iezahana io zavatra io) rehefa mahasoa ny hitandremana bebe kokoa io toetra takina eo amin’ny fahaiza-mandaha-teny io; “M” (Mihatsara) rehefa avy nitandrina io zavatra io, fara faharatsiny, indray mandeha teo aloha ilay mpianatra ary hita fa nisy fihatsarana, nefa hahasoa ny hitandremany an’io ihany indray mandeha koa; “T” (Tsara) rehefa naseho tsara aoka izany ilay toetra nasiana fiheverana ka azo atao ny mifindra ho amin’ny Fianarana mahakasika toetra ilaina hafa rehefa manomana ny anjara manaraka amin’ny sekoly. Rehefa manana anjara famakian-teny ny mpianatra iray, dia tokony hifanentana indrindra amin’io karazana anjara io ny zavatra takina homen’ny mpanome torohevitra.

8-10. Rehefa manamarika ny taratasy fanomezana torohevitra ny mpiandraikitra ny sekoly, inona no tokony hotadidiny an-tsaina mba hampirisihana ny fandrosoan’ireo mpianatra?

8 Ny mpiandraikitra ny sekoly dia tokony haneho fahaiza-manavaka be dia be mba hitondran’ny toroheviny vokatra tsara indrindra araka izay azo atao. Raha vaovao ny mpandahateny iray dia fampaherezana no hilainy indrindra. Misy mpianatra hafa izay tao amin’ny sekoly efa hatramin’ny ela kokoa. Mety hazoto izy ireo hanomana ny lahateniny sy hijery tsara ireo toetra ilaina amin’ny fahaiza-mandaha-teny izay nasaina notandremany, saingy mety ho voafetra ny fahaizany. Amin’ny toy izany, raha misy toetra takina eo amin’ny fahaiza-mandaha-teny miseho na dia kely ihany aza, dia ho afaka hanamarika hoe “T” eo amin’ny taratasy fanomezana torohevitra ny mpiandraikitra ny sekoly, ary mamela ilay mpianatra hifindra ho amin’ny toetra hafa ilaina hiezahana.

9 Mifanohitra amin’izany kosa, ny mpandahateny hafa dia mety hanana traikefa bebe kokoa sy fahaizana voajanahary bebe kokoa. Kanefa satria izy tsy maintsy nanao asa hafa, dia angamba tsy naka fotoana nianarana ireo toetra ilaina amin’ny fahaiza-mandaha-teny tsy maintsy notandremany, ka noho izany dia ambany noho izay tokony ho vitany ny vokatra azo. Amin’ny toy izany dia hanakana ny fandrosoan’ilay mpianatra ilay mpiandraikitra ny sekoly raha manamarika hoe “T” ao amin’ny taratasiny momba ny torohevitra ka milaza aminy mba hiroso ho amin-javatra hafa. Raha toa ilay karazana lahateny nataony ka hita fa tokony ho nahafahana naneho ilay toetra nasaina notandremana, dia hanoratra hoe “I” (Iezahana io zavatra io) ilay mpanome torohevitra ary hanampy azy manokana amin-katsaram-panahy mba hanampiana azy handroso. Amin’izany fomba izany ireo mpianatra dia hampirisihina hanomana ny lahateny tsirairay avy, tsy hoe mba hanatontosana andraikitra iray fotsiny, fa ho toy ny dingana iray amin’ny fandrosoany amin’ny maha mpandahateny.

10 Tadidio ao an-tsaina fa io fiofanana mandaha-teny io dia miandalana. Aza manantena ny ho tonga mpandahateny tapitra ohatra ao anatin’ny indray andro monja. Miandalana io fandrosoana io, nefa azo hafainganina izany amin’ny fanaovana fiezahana amim-pahazotoana. Raha toa ianao mieritreritra ireo fanoloran-kevitra omena mandritra ny fizotran’io fandaharam-piofanana mandaha-teny io ary mampifantoka ny fitandremanao manontolo amin’ny fanomanana ny lahateninao, dia hanjary hiharihary haingana amin’izay rehetra mandinika anao ny fandrosoanao. — 1 Tim. 4:15.

11-16. Toro lalana inona avy no tokony hiezahan’ilay mpiandraikitra harahina mba hanomezana torohevitra mampandroso?

11 Ny mpanome torohevitra. Ny mpiandraikitra ny sekoly dia tokony hianatra amim-pitandremana ireo foto-kevitra nomanina isan-kerinandro, mba hahafahany hamaritra raha toa ka novelabelarina tsara ny foto-kevitra nomena tsirairay avy sy hitsarany izay rehetra mety ho fahadisoana. Kanefa tsy tokony hanakiana tafahoatra ny fomba amoahana ilay foto-kevitra izy, hany ka tsy ho afaka hankafy intsony ireo lahateny. Tokony ho afaka handray soa amin’ireo fahamarinana mahatalanjona aseho koa izy.

12 Rehefa hanome torohevitra mpianatra iray izy, amin’ny ankapobeny dia hanomboka amin’ny fiderana azy noho ny fiezahana nataony. Avy eo izy dia hamelabelatra ireo zavatra takina ao amin’ny taratasy fanomezana torohevitra, izay notandreman’ilay mpandahateny. Raha misy zavatra takina mila fitandremana maharitra, dia tsy ny fahalemen’ilay mpandahateny loatra no tokony hoantitranterina, fa ny fomba azo anaovana fanatsarana. Araka izany, ireo torohevitra omena dia hampandroso ilay mpianatra sy ireo mpanatrika hafa.

13 Tsy ampy ny milaza fotsiny amin’ny mpandahateny iray hoe tsara ny nataony, na hoe mila mamerina mitandrina toetra iray manokana takina eo amin’ny fahaiza-mandaha-teny izy. Ilay mpanome torohevitra dia hanampy ny mpanatrika rehetra amin’ny fanazavana hoe nahoana no tsara io zavatra io na hoe nahoana no ilaina ny fanatsarana ary amin’ny fomba ahoana no anaovana izany. Ankoatra izany dia hahasoa ny hanasoritana ny antony ilana tokoa io toetra takina eo amin’ny fahaiza-mandaha-teny dinihina io eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, na any amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Izany dia handrisika ny kôngregasiôna iray manontolo hanombana ny hasarobidin’io zavatra takina io sy hampirisika ilay mpianatra haneho fitandremana an’io hatrany.

14 Tsy ny hanao famerenana ny lahatenin’ilay mpianatra akory no anjara asan’ilay mpanome torohevitra. Tokony ho fohy sy hilaza hevi-dehibe ny torohevitra omeny, ka hitandrina izy mba hametra izany ho roa minitra isaky ny lahatenin’ny mpianatra. Amin’izany fomba izany, ny toroheviny sy fanoloran-keviny dia tsy ho tototry ny teny maro loatra. Ankoatra izany dia mety ny hilazana amin’ilay mpianatra ireo pejy amin’ity boky ity izay mety hahitany fanazavana amboniny ny amin’ilay hevitra nodinihina.

15 Tsy hiahy manokana ny amin’ny fahadisoana kely amin’ny fanononana na fitsipi-pitenenana akory ilay mpanome torohevitra. Ho liana kosa amin’ny vokatry ny fampisehoan’ilay mpandahateny amin’ny ankapobeny izy. Mendrika ny harahina ve ilay foto-kevitra ary ahitana fianarana? Voarindra tsara ve ilay izy ka mora azo? Amim-pahatsorana sy mandresy lahatra ve ny fomba amelabelarany azy? Moa ve ny toetoetry ny endriny sy ny fihetsehany mampiseho fa miaiky izay lazainy izy ary miahy bebe kokoa ny hampita fahamarinana kanto amin’ireo mpihaino azy fa tsy ny hanaitra azy ireo? Raha miahy ny amin’ireo hevitra tena lehibe ireo ilay mpianatra dia tsy hahita ireo fahadisoana kely amin’ny fanononana sy fitsipi-pitenenana mety hataony ny mpanatrika.

16 Ny torohevitra omena ao amin’ny sekolin’ny fanompoana dia tokony hatao amin-katsaram-panahy sy amin’ny fomba mahasoa foana. Tokony ho eo ny faniriana fatratra hanampy ilay mpianatra. Aoka ianao hiahy ny amin’ny maha izy an’ilay mpianatra omenao torohevitra. Moa ve izy mora tohina? Voafetra ve ny fahalalany? Moa ve ianao manana antony tokony hisehoana ho mamindra fo amin’ireo fahalemeny? Ireo torohevitra omenao dia tokony hahatonga ilay mandray azy hahatsapa hoe ampiana fa tsy kianina. Aoka ho azonao antoka fa mahatakatra ny torohevitrao sy ny antony ilana izany izy.

17-19. Mba handrosoana araka izay farany azo atao isaky ny lahateny, inona no tokony hataon’ny mpianatra iray, alohan’ny hanomanana azy sy aorian’ny namelabelarana azy?

17 Mandraisa soa amin’ireo torohevitra. Rehefa asaina hanao lahateny ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika ianao dia tadidio an-tsaina fa tsy hoe hamelabelatra foto-kevitra ahitana fianarana eo anatrehan’ny kôngregasiôna fotsiny no hanaovanao izany fa mba hanatsarana koa ny fahaizanao milaza hevitra. Mba hahazoana vokatra amin’io lafiny io dia zava-dehibe ny handanianao fotoana sasany mba hamakafakana ireo toetra takina eo amin’ny fahaiza-mandaha-teny izay nasaina notandremanao. Vakio amim-pitandremana ato amin’ity boky ity ilay Fianarana izay mivaofy ilay zavatra takina tokony hotandremana, mba hahafantaranao ny tokony ho fiantraikan’izany eo amin’ny fanomananao sy ny fomba hanehoana io toetra takina eo amin’ny fahaiza-mandaha-teny io mandritra ny famelabelaranao. Mba hanampiana anao, dia natao sora-matevina ato amin’ity boky ity ireo lafiny lehibe indrindra amin’ny toetra tsirairay takina eo amin’ny fahaiza-mandaha-teny. Ireo no lafin-javatra lehibe tsy maintsy heverinao.

18 Rehefa avy nanao ny lahateninao ianao dia henoy amim-pitandremana ireo torohevitra atolotra anao. Ekeo amim-pankasitrahana izany, ary avy eo dia iezaho ireo zavatra takina izay ilana fitandremana. Raha tianao hohafainganina ny fandrosoanao dia aza miandry ny lahateninao manaraka vao manao izany. Ianaro ireo tapany amin’ity boky ity izay miresaka ny amin’ireo zavatra tokony hiezahanao. Aoka ianao hiezaka hampihatra ireo fanoloran-kevitra nomena amin’ny resaka ataonao isan’andro. Rehefa hanao ny lahatenin’ny mpianatra manaraka ianao dia angamba ho efa nahay ireo zavatra ireo.

19 Ny mpianatra tsirairay avy dia tokony hanao ho zava-kendrena ny handroso amin’ny lahateny tsirairay avy ataony ao amin’ny sekoly. Marina fa milaza ezaka mitohy izany, kanefa azo antoka fa hitondra fitahiana avy amin’i Jehovah. Ho an’izay maniry handray soa faran’izay betsaka amin’ny fiofanana omena ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, ireto teny voalaza ao amin’ny Ohabolana 19:20 ireto dia mifono hevitra manokana tokoa: “Henoy ny [torohevitra, NW ], ary raiso ny fananarana, mba ho hendry ianao amin’izay hiafaranao.”

[Fanontaniana]

[Tabilao, pejy 104, 105]

TOROHEVITRA MOMBA NY LAHATENY

Mpandahateny: ․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

(Anarana sy fanampin’anarana)

Fanamarihana: I — Iezahana

M — Mihatsara

T — Tsara

Daty Lahateny N°

Hevitra ahitana fianarana (21)*

Mazava, mora azo (21)

Fampidiran-dresaka manaitra ny fahalianana (22)

Fampidiran-dresaka mifanaraka amin’ny foto-kevitra (22)

Fampidiran-dresaka antonony ny halavany (22)

Hamafin’ny feo (23)

Fiatoana (23)

Fampirisihana ny mpihaino hampiasa Baiboly (24)

Fahaiza-mampiditra andinin-teny (24)

Fanamafisan-teny eo am-pamakiana andinin-teny (25)

Fampiharana mazava tsara ny andinin-teny (25)

Famerimberenana ho fanamafisana (26)

Fihetsehana (26)

Fanamafisana ny foto-kevitra (27)

Fampisongadinana ireo hevi-dehibe (27)

Fifandr. a. mpih., fampiasana naoty fohy (28)

Fampiasana planina (28)

Fanamarihana: ․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․․

* Ny tarehimarika tsirairay ao anatin’ny fonon-teny dia manondro ilay Fianarana ato amin’ny Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, izay manazava ilay toetra takina voatondro.

S-48-MG Natao teto Madagasikara

Daty Lahateny N°

Fitenenana misosa tsara (29)

Fitenenana toy ny raha miresaka (29)

Fanononana (29)

Firindran-kevitra noho ny teny mpampitohy (30)

Famelabelarana lôjika sy mirindra (30)

Fanaporofoan-kevitra mampiaiky (31)

Fanampiana ny mpihaino hanjohy hevitra (31)

Fanamafisan-kevitra (32)

Fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara (32)

Hafanam-po (33)

Fanehoana fitiavana, fihetseham-po (33)

Fanoharana mifanentana amin’ny foto-kevitra (34)

Fanoharana antonona ny mpihaino (34)

Hevitra mifanaraka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha(35)

Famaranan-teny mifanentana sy mandaitra (36)

Famaranan-teny antonony ny halavany (36)

Faharetan’ny lahateny (36)

Fatokian-tena sy fahatoniana (37)

Fisehoana ivelany (37)

FANAMARIHANA: Isaky ny famelabelarana, ny mpanoro hevitra dia hanome torohevitra voafaritra tsara, tsy voatery hanaraka ny filaharana etsy ambony fa mifantoka kosa amin’ireo lafiny ilain’ilay mpianatra hohatsaraina. Raha ilaina izany, dia azo ampiasaina ny toerana tsy misy soratra amin’ny taratasy, mba hanomezana torohevitra ny mpianatra mahakasika lafin-javatra tsy voalaza, toy ny hoe fahamarinan’ny zavatra ambara, fanononana, fihetsiky ny vatana, fifidianana ireo teny, fitsipi-pitenenana, fahazaran-dratsy, hevitra mifandray amin’ny foto-kevitra, fomba fampianatra sy toetran’ny feo. Ilay mpanoro hevitra dia tokony hanisy faribolana ny efitrefitra misy ilay zavatra takina amin’ny manaraka, rehefa voatandrin’ilay mpianatra ireo zavatra notakina taminy teo aloha. Ny nomeraon’ilay fianarana mahakasika io zavatra takina io dia tokony hiseho eo amin’ny taratasy Fanomezana Anjara Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika (S-89) manaraka.

[Tabilao, pejy 106, 107]

FAMINTINANA IREO TOETRA TAKINA EO AMIN’NY FAHAIZA-MANDAHA-TENY

Hevitra ahitana fianarana (21)

Hevitra hentitra

Ahitan’ny mpihaino fianarana

Hevitra azo ampiharina

Fahamarinan’ny zavatra ambara

Fanazavana fanampiny

Mazava, mora azo (21)

Fiteny tsotra

Fanazavana teny tsy dia fantatra loatra

Tsy be hevitra loatra

Fampidiran-dresaka manaitra ny fahalianana (22)

Fampidiran-dresaka mifanaraka amin’ny foto-kevitra (22)

Fampidiran-dresaka antonony ny halavany (22)

Hamafin’ny feo (23)

Mora re

Mifanaraka amin’ny toe-javatra

Mifanentana amin’ny hevitra ambara

Fiatoana (23)

Fijanonana kely ho mari-piatoana

Fiatoana mba hanamarihana fiovan-kevitra

Fiatoana mba hanamafisana

Fiatoana rehefa mitaky izany ny toe-javatra

Fampirisihana ny mpihaino hampiasa Baiboly (24)

Amin’ny fanomezana soso-kevitra

Amin’ny famelana fotoana hahitany ilay andinin-teny

Fahaiza-mampiditra andinin-teny (24)

Manaitra ny fahalianana ho amin’ireo andinin-teny

Mampifantoka ny saina ho amin’ny antony nakana ny andinin-teny

Fanamafisan-teny eo am-pamakiana andinin-teny (25)

Hamafisina ireo teny tokony hisongadina

Fomba fanamafisana mandaitra ampiasaina

Andinin-teny vakin’ilay olona

Fampiharana mazava tsara ny andinin-teny (25)

Avahana ireo teny anaovana fampiharana

Soritana indray ny antony nakana ilay andinin-teny

Famerimberenana ho fanamafisana (26)

Famerimberenana ireo hevi-dehibe

Famerimberenana ireo hevitra tsy azo

Fihetsehana (26)

Fihetsehana milazalaza zavatra

Fihetsehana ho fanamafisana

Fanamafisana ny foto-kevitra (27)

Foto-kevitra mifanentana

Famerimberenana ny teny fototra na ny hevitra fototra

Fampisongadinana ireo hevi-dehibe (27)

Hevi-dehibe tsy maro loatra

Hevi-dehibe velabelarina mitokana

Zanakevitra mifantoka amin’ireo hevi-dehibe

Fifandraisana amin’ny mpihaino, fampiasana naoty fohy (28)

Fifandraisana amin’ny fijerena ny mpihaino

Fifandraisana amin’ny firesahana mivantana amin’ny mpihaino

Fampiasana planina (28)

Fitenenana misosa tsara (29)

Fitenenana toy ny raha miresaka (29)

Teny fampiasa amin’ny resaka no ampiasaina

Fomba fiteny toy ny raha miresaka

Fanononana (29)

Firindran-kevitra noho ny teny mpampitohy (30)

Fampiasana teny mpampitohy

Firindran-kevitra mifanentana amin’ny mpihaino

Famelabelarana lôjika sy mirindra (30)

Hevitra milahatra tsara

Hevitra mifandray amin’ilay foto-dresaka ihany ampiasaina

Tsy misy hevitra fototra hadino

Fanaporofoan-kevitra mampiaiky (31)

Fametrahana fototra

Porofo marim-pototra omena

Famintinana mandaitra

Fanampiana ny mpihaino hanjohy hevitra (31)

Fihazonana hatrany ny hevitra iraisana

Famelabelaran-kevitra ampy

Fampiharana natao ho an’ny mpihaino

Fanamafisan-kevitra (32)

Fanamafisana ireo teny milaza ny hevitra

Fanamafisana ireo hevi-dehibe amin’ny lahateny

Fiovaovam-peo araka ny hevitra ambara (32)

Fiovaovan’ny hamafin’ny feo

Fiovaovan’ny hafainganam-piteny

Fiovaovan’ny haavon’ny feo

Mifanaraka amin’ny hevitra na ny fihetseham-po aseho

Hafanam-po (33)

Hafanam-po aseho amin’ny faharisihana eo am-panaovana lahateny

Hafanam-po mifanaraka amin’ny foto-kevitra

Fanehoana fitiavana, fihetseham-po (33)

Fanehoana fitiavana hita eo amin’ny endrika

Eo amin’ny toetran’ny feo

Mifanaraka amin’ny foto-kevitra

Fanoharana mifanentana amin’ny foto-kevitra (34)

Mora azo

Fampiharana voazava tsara

Fanamafisana ny hevi-dehibe

Fanoharana antonona ny mpihaino (34)

Notsoahina avy amin’ny toe-javatra fahita andavanandro

Tsara

Hevitra mifanaraka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha (35)

Teny natao ho takatry ny besinimaro

Fifantenana hevitra mifanentana

Asongadina fa azo ampiharina ilay foto-kevitra

Famaranan-teny mifanentana sy mandaitra (36)

Famaranan-teny mifandray mivantana amin’ny foto-kevitry ny lahateny

Famaranan-teny mampiseho amin’ny mpihaino izay tokony hataony

Famaranan-teny antonony ny halavany (36)

Faharetan’ny lahateny (36)

Fatokian-tena sy fahatoniana (37)

Fahatoniana hita eo amin’ny fihetsiky ny vatana

Fahatoniana aseho amin’ny fifehezana ny feo

Fisehoana ivelany (37)

Fitafiana sy fisehoana ankapobe mendrika

Fijoro tsara

Fitaovana madio sy milamina

Toetoetry ny endrika mifanentana