Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Milofosa Amin’ny Famakian-teny Ampahibemaso’

‘Milofosa Amin’ny Famakian-teny Ampahibemaso’

Fianarana 6

‘Milofosa Amin’ny Famakian-teny Ampahibemaso’

1, 2. Fahafahana inona avy no atolotra antsika hamaky teny ampahibemaso?

1 Nampirisika an’i Timoty tamin’izao teny izao ny apostoly Paoly: “Tandremo ny famakian-teny”. Nilazany koa i Timoty mba hampianatra izany sy ny fahaizana hafa ilaina eo amin’ny fanompoana, tamin’ireo minisitra kristianina namany. (1 Tim. 4:13). Io torohevitra azo tamin’ny tsindrimandry io dia sahaza ny tsirairay amin’ireo minisitr’Andriamanitra ankehitriny, ka ho tsara ny hanarahantsika izany.

2 Matetika ny minisitra teôkratika no tsy maintsy mamaky teny ampahibemaso. Amin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny fianarana ny bokin’ny kôngregasiôna, dia misy andinin-teny ao amin’ny Baiboly sy fehintsoratra vakina mafy. Misy andinin-teny ao amin’ny Baiboly vakina koa ao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, mbamin’ny asa fitoriana. Mahasoa ny mpitory tsirairay avy àry, na ho an’ny tenany na ho an’ireo hihaino azy, ny hahaizana mamaky teny ampahibemaso tsara.

3. Nahoana no zava-dehibe ny hiomanana?

3 Ny antsoina hoe vakiteny ampahibemaso dia izay vakiteny rehetra atao amin’ny feo avo mba ho ren’ny mpihaino iray na maromaro. Amin’izay, moa ve izy ireo handray soa feno amin’ny vakiteny raha toa ratsy fanonona ny teny ilay mpamaky, miato amin’ny tsy tokony hiatoana na mametraka ny tsindrimpeo amin’ny fomba mety hanamaizina ny hevitry ny fehezanteny? Hanongilan-tsofina ve izy ireo raha tsy ampy hafanam-po izy, ka mamaky mitovy tantana? Mba hamakian-teny tsara eo anatrehan’ny fitambaran’olona iray dia ilaina ny miomana mialoha. Rehefa tsy maintsy hanao vakiteny amin’ny feo avo ny tena dia anoroana hevitra foana ny hamakiana ilay lahatsoratra mialoha na dia hoe famakiana fehintsoratra amin’ny fianarana ny boky fotsiny aza izany. Raha tsy izany dia tsy handray soa faran’izay betsaka ireo mpihaino ary mety hianatra fomba fanonona diso. Izany no ilan’ny minisitra tsirairay avy hilofo amin’ny vakiteny ampahibemaso. — Hab. 2:2.

4, 5. Inona avy ireo toetra ilaina mba hahatonga ny vakiteny ampahibemaso handrisika ny mpihaino sy ho mora azo?

4 Toetra ilaina. Rehefa mamaky amin’ny feo avo ianao dia aoka ho feno hafanam-po. Ataovy maneho fitiavana ilay famelabelaranao, ahitana taratr’ireo fihetseham-po voalazalaza ao amin’ireo teny. Amin’izay ianao dia hanalavitra vakiteny mangatsiaka sy tsy velombelona. Mitandrema mba tsy hampidina loatra ny feo, hany ka mety tsy ho ren’ny mpanatrika ny tapany sasany tena lehibe. Ilaina ho ampy hamafy ny feo mba ho re hatrany amin’ny faran’ilay efitra na efitrano. Tsy tokony hisy ho voatery hiezaka mafy hampandry sofina vao handre, na dia teny iray monja aza.

5 Tokony hotononina tsara ireo teny, tsy hodinganina ny vaninteny sasany na hatelina ireo teny ka tsy ho fantatra. Mifanohitra amin’izany koa, dia tsy tokony ho be pitsiny loatra ny fanononana ka mety hampivily ny saina tsy ho amin’ilay hafatra. Tsara ny fanononana rehefa mahatakatra tsy misy fahasahiranana ny teny rehetra ao amin’ilay soratra ny mpanatrika tsirairay avy. Raha tsy mazava ny tenin’ny mpamaky iray dia satria matetika tsy mandefa ny feony mifanitsy amin’ny mpihaino izy. Manàna àry fahazarana mamaky sady mitraka ny loha. Sokafy ny vava mba handehanan’ny feo tsy misy manakantsakana.

6. Ahoana no amerana izay toerana sahaza hametrahana ny fanamafisana ary amin’ny ahoana ny fiatoana no fomba fanamafisana?

6 Zava-dehibe ihany koa ny fanamafisana araka ny tokony ho izy. Miankina amin’izany ny fahazavan’ny vakiteny. Fantatra tsara fa ny fiovan’ny teny hamafisina dia mety hampiova tanteraka ny hevitr’ilay fehezanteny ao an-tsain’ireo mpihaino. Indraindray dia teny iray ihany no tsy maintsy tsindriana manokana, matetika anefa dia fitambaran-teny na fehezanteny iray manontolo no tokony hohamafisina. Ny hevitra tokony hampitaina no mametra ilay toerana tsy maintsy ametrahana ny fanamafisana; tsy miankina fotsiny amin’ilay fehezanteny izany, fa miankina koa amin’ilay fanaporofoan-kevitra iray manontolo. Ny fiatoana tsara petraka dia tapany tena lehibe amin’ny fanamafisana. Ny fiatoana kely dia mampisongadina fitambaran-teny sasany ary manipika ireo hevitra fototra. Ny fiatoana lava kokoa dia manamarika ny fiafaran’ny tapany lehibe iray amin’ny fanaporofoan-kevitra.

7. Inona no manampy antsika hamaky teny toy ny raha miresaka?

7 Ny mpamaky teny tsara dia miezaka koa hanovaova ny haavon’ny feony sy ny hafainganan’ny fiteniny. Raha tsy eo izany, dia ho matroka sy tsy hahasarika firy ilay vakiteny. Ny fahasamihafan’ny fomba fiteny toy izany, raha ampiasaina tsara, dia hanampy be dia be mba hahatonga ny vakiteninao ho toy ny tena resaka velombelona.

8. Amin’ny fotoana toy inona no mety ny hamakiana lahateny iray?

8 Ny famakiana lahateny voasoratra manontolo (manuscrit). Ny anankiray amin’ireo antony lehibe ilana hahaizana mamaky teny ampahibemaso dia ny famakiana lahateny voasoratra manontolo. Ilaina indraindray io fomba fampisehoana io. Ohatra, indraindray ny Fikambanana dia manao fandaharana mialoha mba hahatonga ny kôngregasiôna rehetran’ny vahoakan’Andriamanitra ao amin’ny tany iray handre fanazavana mitovy amin’ny fotoana iray ihany. Ankoatra izany, dia manana ny anjara toerany ao amin’ny fandaharan’ny fivoriambe ny lahateny voasoratra manontolo, satria mety hanonona teny nalaina avy amin’izany ireo mpanao gazety, na satria sarotra be ilay foto-kevitra ka tsy maintsy aseho amim-pahamarinana tanteraka.

9, 10. Inona no zava-tsarotra lehibe indrindra eo amin’ny famakiana lahateny voasoratra manontolo, ary ahoana no azo andaminana izany?

9 Ny zava-tsarotra lehibe indrindra eo amin’ny famakiana lahateny voasoratra manontolo, dia ny fanaovana izay hahatonga ireo teny sy fehezanteny hirafitra toy ny raha miresaka. Kanefa dia tokony hatao avo be ny feo. Amin’ny fitsipika ankapobeny, dia somary tsy mitovy ihany amin’izay fampiasanao mahazatra ireo teny ao amin’ilay lahateny nosoratana, angamba lava kokoa sy sarotra kokoa ireo fehezanteny. Mety hanana voambolana voafantina kokoa sy hafainganana tsy toy ny mahazatra amin’ny fiteninao andavanandro izy io. Mety hihevitra angamba ianao fa hanao lahateny tsara kokoa raha manao izany amin’ny fiteninao manokana. Nefa ny fanaovana fanazaran-tena sy ny fahazoana traikefa dia mahatonga anao hanao fandrosoana miavaka eo amin’ny famakiana lahateny voasoratra manontolo.

10 Ny fiomanana no fanalahidin’ny fahombiazana. Makà fotoana hifankazaranao amin’ilay lahateny. Vakio imbetsaka ilay lahateninao mba hahatakarana mazava ireo hevitra fototra. Raha toa ianao mahita teny tsy fantatrao dia mijere diksionera (rakibolana) tsara iray ary mariho eo amin’ilay lahateny ny fomba fanonona azy. Avy eo dia averimbereno atao amin’ny feo avo ilay lahateny mba hifankazaranao amin’ilay fomba nitondran’ny mpanoratra ilay lahateny. Ny mpamaky sasany dia manao izany eo anoloan’ny fitaratra mba hizàrana mitana ny fifandraisana amin’ny mpihaino. Tena zava-dehibe izany raha tsy maintsy atao ao amin’ny efitrano kely ilay lahateny.

11. Ny fanisiana marika inona avy eo amin’ny lahateny voasoratra manontolo no mety hanampy antsika?

11 Mahasoa ny manipika na manisy mari-tsindrimpeo ireo teny fototra irinao hohamafisina. Ny mpamaky sasany dia mahita fa manampy ny manisy tsipika kely mitsangana manasaraka ireo fitambaran-teny. Ankoatra izany, dia azo akambana amin’ny tsipika mifaingoka ireo teny tsy maintsy vakina indray miaraka, izay anisan’ny antokon-teny sarotra na tsy mahazatra, mba hampahatsiahy anao fa tsy tokony hiato ianao ambara-pahatapitr’io fitambaran-teny io. Tsy hamboamboarina ny fiteninao amin’izay ary tsy ho diso ny hevitra. Hevero koa ny hanisy marika ilay lahateny voasoratra manontolo eo amin’izay ilana fiatoana lava kokoa. Ny fiatoana dia miteraka fiandrandran-javatra, manamafy hevitra, ary manome fotoana mba handraisana ilay fianarana. Zava-dehibe koa ny hahitana ireo hevi-dehibe amin’ilay lahateny. Azo marihina izany mba hahafahanao hampisongadina azy sy hanova ny hafainganam-piteninao avy eo.

12-15. Nahoana no zava-dehibe ny fanomanana mialoha, indrindra fa eo amin’ny famakiana Baiboly?

12 Ny famakiana Baiboly. Tena ilaina ny hamakian’ny rehetra, tanora sy antitra, ny Baiboly. Matetika no misy toe-javatra mitaky ny hamakiantsika Baiboly amin’ny feo avo. Indraindray, dia mety hisy fanendrena hanao izany ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Ankoatra izany, isika rehetra dia mamaky andinin-teny ao amin’ny Baiboly rehefa miresaka amin’ny olona mandritra ny asa fanompoantsika. Mamaky tsara ireny andinin-teny ireny anefa ve isika? Moa ve isika nizatra namaky azy ireny toy ny raha miresaka sy tsy miakanakana mba hahafahana hanamafy ireo teny manohana ny fanaporofoan-kevitra ataontsika?

13 Tsy isalasalana fa tsy maintsy miomana ny tena rehefa hanao famakian-teny ao amin’ny Baiboly. Aza hadinoina fa Tenin’Andriamanitra izany, fa ireo pejy ao anatiny dia feno andalan-tsoratra mahatalanjona ny hatsarany, izay ilana fihetseham-po sady manjohy hevitra araka ny marina sy ny lôjika. Tokony hitady hamoaka ny tena heviny marina araka izay azo atao isika, ho tombontsoan’ireo mpihaino antsika. Raha fantatsika mialoha fa tokony hamaky teny mafy ao amin’ny Baiboly isika dia tokony hiomana amim-pitandremana, mba hamakiana tsy miakanakana ireo teny, fehezanteny na fomba fiteny tsy mahazatra antsika.

14 Hevero ilay fotoana nampientam-po tao Jerosalema, fony tafangona teo an-kalalahana teo anoloan’ny Vavahadin-drano mba hihaino tamim-pitandremana ny tenin’ny Andriamaniny, ireo Isiraelita tafaverina avy tany amin’ny sesitany. Moa ve ireo Levita voatendry hamaky, niantsoroka io raharaha io tamin’ny fanaovana tsirambina sy tsy nisy fiomanana? Mamaly toy izao ny Baiboly: “Novakiny mazava ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ny olona tsara ny teny novakina.” (Neh. 8:8). Nanaja lalina ilay Fisiana Tampony ireo mpamaky teny ireo tamin’ny fampitana ny teniny tamin’ireo namany mpiara-manompo.

15 Na mamaky teny amin’ny feo avo ho an’ny tenantsika isika, na mamaky eo anivon’ny fianakaviana, na any amin’ny Efitrano Fanjakana na amin’ny fandehanana isan-trano, dia aoka isika hanao izany amin’ny fikendrena ny hamoaka marina tsara ilay hevitra tany am-boalohany, miaraka amin’ny fihetseham-po sy ny hery mampiorina ny finoana ananany. Io hery manosika ananan’ny famakian-teny ampahibemaso io dia soritan’ireto tenin’ny apostoly Jaona manaraka ireto: “Sambatra izay mamaky [“mamaky amin’ny feo avo”, NW ] sy ny mihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ao anatiny; fa antomotra ny andro.” — Apok. 1:3.

[Fanontaniana]