Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitondra Soa ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika

Mitondra Soa ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika

Fianarana 2

Mitondra Soa ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika

1-5. Fiofanana inona no raisintsika ao amin’ny sekolin’ny fanompoana mba hanampiana antsika hanompo an’Andriamanitra?

1 Ahoana no ampiofanan’i Jehovah ireo mpanompony mba hahitany vokatra amin’ny fanompoana? Manao izany amin’ny alalan’ny fandaminany izy. Manomboka amin’ny fianarana mamaky teny io fampiofanana io any amin’ny tany maro. Afaka misoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika avy eo ireo izay avy nianatra namaky teny sy nanoratra.

2 Manome fampiofanana maimaim-poana ho amin’ny fanompoana io sekoly io. Ilain’ny kôngregasiôna amin’ny lafiny roa izy io: 1) Ny mpianatra tsirairay avy dia manaraka fandaharam-pianarana manampy azy hanatsara ny fahaizany manangona sy mamelabelatra ary mampiseho fanazavana araka ny lôjika amin’ny hafa; ary 2) mandritra ny fandaharana isan-kerinandro, ny kôngregasiôna manontolo dia mandray fanazavana sarobidy betsaka. Ho vokatr’izany dia tsy maintsy miroborobo ny ara-panahy ary tsara kokoa ny asa fanompoana.

3 Isan-taona, ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower eo an-toerana dia mandamina sy mamoaka ny fandaharan’ny sekoly. Mazava ho azy fa izany dia miankina amin’ireo zavatra vita an-tsoratra misy amin’ny fiteny na ireo fiteny ao amin’ilay tany. Mifototra tanteraka amin’ny Baiboly ilay fandaharana.

4 Isan-kerinandro ireo mpianatra dia manao lahateny mahasoa maromaro, ka ny lehibe indrindra, lava kokoa noho ny hafa, dia antsoina hoe lahateny fampianarana. Io lahateny io dia omena rahalahy iray mahay mba handraisan’ny kôngregasiôna tombontsoa faran’izay betsaka. Ireo lahateny hafa, fohy kokoa, dia omena ireo mpianatra lahy na vavy mifanaraka amin’ny fandaharan’ny sekoly. Mety ho ny famakiana Baiboly no iray amin’ireo lahateny fohy kokoa ataon’ny mpianatra. Ao amin’ireo lahateny hafa dia hisy foto-kevitra hovelabelarina angamba ao amin’ny faritra mifandraika amin’ny zavatra tena misy, raha tahiny mety amin’izany ilay loha hevitra. Matetika ny lahatenin’ireo anabavy dia haka endriky ny fampisehoana omena isam-baravarana, fiaraha-midinika mandritra ny fiverenana mitsidika na aorian’ny fianarana Baiboly, fanambarana tsy ara-potoana na resaka amin’ny mpianakavy hafa na amin’ny mpitory iray.

5 Ireo kôngregasiôna kely voaforon’ny vehivavy fotsiny dia afaka mandinika ireo foto-kevitra rehetra. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fitantarana tsy misy fombafomba, amin’ny resadresaka ataon’ny anabavy roa, amin’ny fiaraha-midinika amin’ny fanontaniana sy valiny na famakiana tsotra fotsiny ilay zavatra vita an-tsoratra natolotra ho fakan-kevitra.

6. Inona avy ireo toetra tsara tokony hananan’ny mpiandraikitra ny sekoly?

6 Ny mpiandraikitra ny sekoly. Misy mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika voatendry isaky ny kôngregasiôna. Tokony ho ampy fahaizana izy mba hampianarana, tokony hananana fahalalana tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy fahaizana ny fiteny ampiasain’ny ankamaroan’ireo mpianatra. Mila ny halemy fanahy sy hahay handanjalanja izy. Ho “loholona” izy amin’ny lafiny ara-panahy. Ny asany dia ny hanoratra anao ho toy ny mpianatra, hanome anao lahateny sy torohevitra amim-pahalemem-panahy sy manorina.

7. Inona avy no anton-javatra dinihina rehefa manome anjara lahateny?

7 Manana ny lisitr’ireo mpianatra voasoratra anarana ny mpiandraikitra ny sekoly mba hahamora indrindra ny fanomezana ireo anjara. Amin’ny ankapobeny, ireo lahateny anendrena dia omena an-tsoratra, fara faharatsiny, telo herinandro mialoha. Amin’izay ianao dia hanana fotoana hamakafakana sy hanomanana ilay foto-kevitra hovelabelarina. Fantatry ny mpiandraikitra ny sekoly fa tsy mitovy daholo akory ny fari-pahalalan’ireo mpikambana rehetra ao amin’ny kôngregasiôna ka miahy ny amin’izany izy rehefa manome ireo anjara. Miezaka izy ny tsy hanome ho an’ny ankizy kely iray foto-kevitra tsy mifanentana amin’ny taonany. Omeny fahafahana mitovy ireo misoratra anarana rehetra mba handray anjara amin’ny fandaharana.

8. Nahoana no tokony hanaovana famantarana ny mpianatra iray mihoatra ny fotoana voafetra?

8 Mazava ho azy fa tokony hanaja ny ora voatokana ho amin’izany ny sekoly. Raha misy àry mpianatra mihoatra ny fotoana nomena dia hanome famantarana azy ny mpiandraikitra ny sekoly na olon-kafa voatondro hanao izany, avy eo dia hamarana ny fehezanteniny ilay mpianatra ka handao ny lampihazo.

9-12. Amin’ny fomba ahoana avy no anehoan’ny mpiandraikitra ny sekoly ny fiheverany ny fandrosoan’ny mpandahateny sy ny mpikambana rehetra ao amin’ny kôngregasiôna?

9 Manome torohevitra ny mpianatra tsirairay eo anatrehan’ny kôngregasiôna manontolo ny mpiandraikitra ny sekoly, satria mety handray soa amin’ny torohevitra omena ny hafa. Mampahery foana ireo teny fiderana ary marina tokoa fa ny zava-kendren’ilay mpiandraikitra dia ny hampahery anao. Hanome anao torohevitra manorina mifandray amin’ny zavatra hentitra voalaza ao amin’ny Torohevitra Momba ny Lahateny izy. Ireo no zavatra ho nanasana anao hiezahana. (Ny amin’ny antsipiriany dia jereo ny Fianarana Faha-20.) Hiezaka hamaritra izay ilainao mba handrosoana amin’ny maha mpianatra ny mpiandraikitra ny sekoly ary hiahy manokana ny amin’ny fandrosoanao.

10 Ny mpiandraikitra koa dia hoentanin’ny faniriana amim-pahatsorana hanao izay hahatonga ny fivorian’ny sekoly tsirairay avy ho loharanom-pitahiana ho an’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kôngregasiôna. Hampirisika anao handray anjara araka izay fahafahanao izy amin’ny famerenana am-bava isan-kerinandro sy amin’ny famerenana an-tsoratra ara-potoana. Raha tsy voasoratra anarana amin’ny sekoly ianao dia hanasa anao hanao izany izy, ka hanampy anao handamina ireo zava-manahirana anao sy hampiseho aminao ny fomba ahafahanao koa midera an’i Jehovah amim-pahakingana.

11 Manana tombontsoa koa ny mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika hanampy ireo mpianatra misoratra anarana hanomana ny lahateniny raha ilaina izany, amin’ny fitsidihana azy ireo any an-tranony, raha toa ka mety amin’izy ireo izany. Raha tsy manam-potoana hanaovana izany izy dia hanao izay hanampian’ireo rahalahy matotra sy mpandahateny za-draharaha azy. Afaka manampy be dia be ireo zanany ny ray aman-dreny, tsy amin’ny fanomanana ny lahateniny eo amin’ny toerany fa amin’ny fanomezana fanoloran-kevitra sy torohevitra ny amin’ny fikarohana sy fanomanana ilaina. Raha mampiofana mpitory vaovao iray amin’ny asa fitoriana ianao dia mety hasaina koa hanampy azy hanomana ny anjarany amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.

12 Mikarakara ny fitahirizam-bokin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika ao amin’ny Efitrano Fanjakana ny mpiandraikitra ny sekoly. Hanao izay azony atao izy mba hampisehoana amin’ireo vaovao ny fomba hanovozana fahalalana ara-baiboly avy amin’izany. Hiezaka izy mba hahatonga ny talantalan’ny fitahirizam-boky hisy ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana vao haingana ary koa boky hafa fizahana mba hahafahan’ireo mpianatra sy ny olon-kafa koa hijery azy ireo.

13-17. Voamarik’ireo izay mandinika azy ve ny fandrosoan’ireo mpianatra?

13 Soa ho an’ny mpianatra. Rehefa mahazo anjara amin’ny sekoly ianao dia ekeo ho toy ny asa nankinin’ny fandaminan’i Jehovah taminao izany. Ekeo ary ampiharo amim-panetren-tena tanteraka ny torohevitra omena. Ny fanoloran-kevitra omen’ilay mpanome torohevitra anao dia azo ampiharina na amin’ny resaka andavanandro na amin’ny asa fanompoana. Raha miezaka mianatra sy mampihatra ireo fanazavana omena amin’io sekoly io ianao, dia handray soa be dia be avy amin’izany.

14 Ireo manatrika sy mandray anjara tsy tapaka amin’ny fandaharan’ny sekoly dia mahamarika fa misy fihatsarana be ny valin-teniny any amin’ny fivoriana ary mahazo vokatra tsara kokoa amin’ny asa fitoriana izy ireo. Ankoatra izany, ny sekoly dia mahatonga ireo mpianatra lehilahy ho afaka hanomana sy hanao lahateny hanaitaitra ny mpihaino sy hanosika azy ireo hanao zavatra, na amin’ny fandraisana anjara amin’ny fivoriana momba ny fanompoana izany na amin’ny fanaovana lahateny ampahibemaso. Noho ny fiofanana azon’izy ireo tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, dia maro no afaka nanao fiarovan-tena tsara dia tsara teo anatrehan’ny fitsarana sy ireo mpitondra, ary ny hafa dia nanana fahafahana niresaka tany an-tsekoly na teo anatrehan’ny fitambaran’olona samihafa.

15 Ny mpianatra mampihatra amin’ny fiteniny sy ny resaka ataony isan’andro ireo torohevitra azony rehefa manao lahatenin’ny mpianatra, dia hahamarika fa arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia ho foana ireo fahazaran-dratsy lalim-paka eo amin’ny fiteniny. Na any amin’ny toeram-piasantsika izany, na any an-tsekoly na any amin’ny toeran-kafa, ny fiofanantsika amin’ny maha Vavolombelon’i Jehovah dia tsy maintsy hiharihary amin’ireo izay mandinika antsika. Momba izany indrindra, ny revio iray fantatra tsara dia nanoratra hoe: “Ao anatin’ny volana vitsivitsy, ny Vavolombelona vaovao dia mianatra ny Baiboly lalina kokoa noho ny ankamaroan’ireo Kristianina manao izany mandritra ny androm-piainany manontolo. Tsy kisendrasendra akory ny mahatonga saika ny Vavolombelona rehetra ho mpandahateny mahay mandanjalanja sy kinga”.

16 Mety ny hameran’ny mpikambana tsirairay avy ao amin’ny kôngregasiôna zava-kendrena ahafahany mamaritra ny fandrosoana vitany amin’ny fanompoana. Amin’ny ankapobeny io zava-kendrena io dia hifandray akaiky amin’ny fandrosoana ho vitantsika ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Ohatra, moa ve ianao mahatsapa fa tsy ampy fahaizana ny tenanao mba hiverenana hitsidika ireo olona liana sy hamaliana ny fanontaniany? Foto-kevitra maro aseho sy velabelarina ao amin’ny sekolintsika no hanampy anao hiatrika tarehin-javatra toy izany.

17 Mba handraisana soa faran’izay betsaka avy amin’izany, dia tsy tokony hoheverina ho toy ny fianarana isan-kerinandro maharitra adiny iray latsaka fahefany fotsiny ny sekoly. Ny mpianatra marina tokoa dia hanana fandaharam-pianarana sy fanomanana kosa izay harahiny any an-tranony, anisan’izany ny famakiana Baiboly sy fikarohana hafa tena ilaina. Tsy ireo mpianatra manana lahateny ihany, fa isika rehetra manatrika ny sekoly koa, dia hampitombo fahalalana sy hakingana amin’ny maha minisitr’i Jehovah, raha toa isika ka manomana mialoha ny lesona amin’ny herinandro.

18-20. Nahoana ny tsy fahampiam-pahaizana no tsy tokony hanakivy antsika tsy handray anjara feno amin’ny sekoly?

18 Ampirisihina ny rehetra hanome izay tsara indrindra aminy, amin’ny fitadidiana ao an-tsaina ny zava-kendren’ny sekoly. Tsy natao ho fampiderana fahaiza-mandaha-teny akory izany na fanasoritana ny kilema na fahasahiranan’ny mpianatra sasany. Marina tokoa fa ny soa ho azontsika avy amin’ny sekoly dia hiankina indrindra amin’ny antony manosika mandrisika antsika handray anjara amin’ny zavatra atao ao. Anisan’ny fandaharam-pampianarana nomanin’i Jehovah io sekoly io. Izy no mampianatra sy mampiofana antsika mifanaraka amin’ny fikasany. Noho izany, tsy misy mpianatra na dia iray aza tokony hanahy ny amin’izay iheverana azy, satria ny zava-kendrentsika dia tsy ny hila sitraka amin’ny olona na hanaraka ireo fitsipika omeny mifehy ny fahaiza-mampianatra na miteny. Ny hahazoana ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny fitahiany amin’ny asa fanompoantsika no zava-kendrentsika.

19 Mety hisy marina rahalahy sy anabavy sasany mitovy fihetseham-po amin’i Mosesy izay nanambara tamin’i Jehovah hoe: “Olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’izao itenenanao (⁠.⁠.⁠.⁠) izao”. (Eks. 4:10). Nefa raha manam-pinoana ianao ary mino fa tsy misy na inona na inona tsy vitan’Andriamanitra, dia ho tonga amin’ny fandresena io fihetseham-po io. (Matio 19:26). Azonao heverina foana fa izay rehetra fanatsarana entinao amin’ny fahaizana manambara ny Tenin’ny fiainana dia mendrika ny hatao. Na dia fanatsarana kely aza dia mety hahatonga anao ho afaka hitarika olon-kafa iray ho amin’ny lalan’ny fiainana. Tsy ho antony mitondra fifaliana ve izany?

20 Ny zava-kendren’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika lehibe indrindra dia ny hampiofana antsika ho amin’ny asa fanompoana. Enga anie ianao ho anisan’ireo maro be manatrika izany tsy tapaka ary mitady izay handraisan-tsoa avy amin’izany, ary ho hitanao avy eo ny fitahian’i Jehovah ny fiezahanao mba handrosoana. — Fil. 3:16.

[Fanontaniana]