Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Fanaovana Planina

Ny Fomba Fanaovana Planina

Fianarana 9

Ny Fomba Fanaovana Planina

1-4. Ahoana no ahafahana mamaritra ny foto-kevitra sy ireo hevi-dehibe ao amin’ny lahateny iray?

1 Nanoratra toy izao tamin’i Teofilo sakaizany i Lioka evanjelista: “Dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany.” (Lioka 1:3). Rehefa avy nanao fikarohana sy nanangona zavatra maro mifandray amin’ny foto-kevitra nokasainy hodinihina izy, dia nanomboka nandamina izany araka ny filaharana iray mora azo. Tombontsoa ho antsika ny manao toy izany koa amin’ny fanomanana ireo lahatenintsika. Tokony hanao planina àry isika.

2 Fifantenana ireo hevi-dehibe. Koa satria ny zava-kendren’ny lahateny iray dia ny hampita hevitra, izany hevitra izany dia tokony hazava tsara ao an-tsain’ilay mpandahateny, indrindra raha fanazavana ny Tenin’Andriamanitra izany. Raha vao ho avy nanangona ireo zavatra ilaina amin’ny lahateninao ianao dia ho afaka hanapa-kevitra tsara hoe inona no hevitra fototra irinao ho tafalatsaka ao an-tsain’ireo mpihaino anao. Andramo lazaina amin’ny fehezanteny iray monja izany. Raha mampiseho tsara ny hevitra fototra tokony hotadidin’ny mpihaino ilay izy, dia io no tokony hampiasainao ho foto-kevitry ny lahateninao. Ho tsara ny hanaovana an-tsoratra izany mba hahafahanao hijery izany foana rehefa manomana ny lahateninao ianao.

3 Amin’ireo zavatra voangonao dia fanteno ireo hevi-dehibe izay ilaina mba hanazavana tsara io hevitra fototra io. Ireo hevitra voafantina ireo no ho tonga hevi-dehibe ao amin’ny lahateninao. Raha nosoratanao tamin’ireo taratasy kely izany dia alaharo eo ambony latabatra. Avy eo dia mifantena hevitra hafa mba hanohanana ireo hevi-dehibe ireo, ka apetraho tsirairay eo amin’ny toerana tokony hisy azy avy izy ireo, manarakaraka ilay hevi-dehibe izay tohanany. Rehefa mifantina sy mandahatra ao amin’ny planinao ireo hevi-dehibe sy zanakevitra samihafa ianao, dia mety ho tsikaritrao fa ny sasany amin’ireo hevitra ireo dia tsy ilaina amin’ny famelabelarana ny foto-kevitrao. Raha izany no izy dia aza misalasala manala izany. Tsara kokoa ny hanajanonana hevitra sasany toy izay hanavesatra ilay lahateny amin’ny hevitra tsy dia ilaina ary tsy mifandray amin’ilay foto-kevitra. Ataovy koa izay hahazoanao antoka fa ireo hevitra dia milahatra tsara araka ny lôjika. Raha manaraka ny fomba atolotra etsy ambony ianao, dia ho hitanao mora foana raha tsy mitohy tsara ny famelabelarana ny planinao, ka ho afaka hanitsy izany ianao. Amin’izay dia hanao izay hahazoanao antoka ianao fa manaraka araka ny lôjika ilay eo alohany ny lohateny lehibe indrindra tsirairay avy ao amin’ny planina, ary ilaina eo amin’ny famelabelarana ilay foto-kevitra izany. Ary raha manohana araka ny tokony ho izy ireo hevitra rehetra voalahatra eo ambanin’ireo lohateny lehibe indrindra izy ireo, dia hampiseho fitohizan-kevitra mirindra ny lahateninao.

4 Ireo hevitra ahitana fianarana vao nalahatrao no mahaforona ny tenan’ny lahateninao. Mila fampidiran-dresaka sy famaranana ianao izao. Tapaho hoe ahoana no hanombohanao ny famelabelaranao ary mifototra amin’ireo hevitra nomaninao dia mifidiana famaranan-kevitra hanosika ireo mpihaino anao hanao zavatra. Vonona hanao an-tsoratra ireo hevitra rehetra ireo amin’ny endriny somary tena izy ianao izao. Misy fomba samihafa azo raisina.

5, 6. Inona no tiana holazaina amin’ny hoe planina misy ny hevitra fototra sy ny hoe planina misy ny fehezanteny fototra?

5 Karazana planina. Ny planina fampiasa matetika indrindra dia ny planina misy ny hevitra fototra sy ny planina misy ny fehezanteny fototra. Matetika no ampiarahina ireo fomba roa ireo. Rehefa hanomana planina misy ny hevitra fototra ianao, dia mariho eo amin’ny loha pejy aloha ny foto-kevitra. Avy eo dia soraty eo ambany, amin’ny teny fohy, ireo hevi-dehibe, ka ny hevi-dehibe tsirairay no manomboka ny andalana havia indrindra amin’ny takelaka. Ireo zanakevitry ny hevi-dehibe tsirairay dia azo soratana somary mikisaka kely miankavanana, eo ambanin’ireo hevi-dehibe izay tohanany. Raha misy hevitra hafa natao hanohanana ireo zanakevitra ireo, dia azo soratana somary mbola mikisaka kokoa miankavanana izany. Amin’izay, ny topy maso vetivety eo amin’ny taratasinao dia hahafahanao hahita hoe inona ireo hevitra misongadina izay mitondra ny hevi-dehibe tianao ho takatry ny mpihaino anao. Izany dia hanampy anao hanao ilay lahateny, satria ho azonao atao ny hanamafy ireo hevitra ireo amin’ny famerenana ireo teny fototra, mba handatsahana ireo hevi-dehibe ireo ao an-tsain’ny mpihaino. Manaova toy izany koa amin’ny hevi-dehibe tsirairay avy. Ny antitranterina ao amin’io karazana planina io, dia ny hafohin’ny teny ampiasaina amin’ny hevitra rehetra.

6 Aoka isika izao hijery ny planina misy ny fehezanteny fototra. Ao amin’io karazana planina io, ny hevitrao rehetra dia voambara amin’ny endriky ny fehezanteny feno, saingy voafintina mba hahatonga ny fehezanteny tsirairay ho hevi-dehibe ao amin’ny fehintsoratra iray amin’ilay lahateny. Mazava ho azy fa ny sasany amin’ireo fehezanteny fototra ireo dia azo soratana somary mikisaka miankavanana kokoa, mba hampisongadina ireo hevi-dehibe. Afaka mamaky fehezanteny fototra iray ilay mpandahateny, avy eo dia mamelabelatra ilay hevitra lazainy amin’ny fehezanteny foronina eo no ho eo. Samy misy maha tsara azy ireo karazana planina roa ireo. Ny planina misy ny fehezanteny fototra izay manambara amin’ny fomba feno ireo hevitra dia mandrakariva mety kokoa amin’ireo lahateny omanina herinandro maro mialoha na atao imbetsaka nefa mifanelanelana volana maromaro, toy ireo lahateny ampahibemaso.

7, 8. Rehefa tena hanao ny lahateninao ianao, inona no azonao atao amin’ilay planinao?

7 Amin’ilay planinao voalohany dia azonao ampiasaina ny iray amin’ireo karazany ireo, na ilay misy ny fehezanteny fototra izany, na ilay misy ny hevitra fototra, ary azonao fenoina araka izay irinao. Amin’izay ianao dia hahazo antoka fa tafiditra avokoa ireo hevitra tsara dia tsara rehetra irinao hampitaina amin’ny mpihaino. Rehefa tena hanao ilay lahateny anefa, dia aleon’ny sasany planina fohy kokoa. Rehefa manao fanazaran-tena manonona ny lahateninao ianao, dia samy ataovy eo anoloanao ireo planina roa. Mizara miteny amin’ny alalan’ilay planina voafintina mandra-pahatongan’ireo hevitra nampidirinao tao hampahatsiaro anao ireo tsipiriany rehetra ao amin’ilay planinao voalohany. Rehefa afaka mahatsiaro ireo hevitra rehetra ireo avy amin’ilay planina voafintina ianao, dia efa vonona ny tena hanao ilay lahateny ianao amin’izay.

8 Toy izany, amin’ny ankapobeny, ny fomba fanaovana planina iray. Hahasoa izao ny handinihana amin’ny tsipiriany betsaka kokoa ireo tapany telo lehibe indrindra amin’ny lahateny.

9-12. a) Inona no zava-kendren’ny fampidiran-dresaka? b) Milazà ohatra fampidiran-dresaka iray.

9 Ny fampidiran-dresaka. Ny zava-kendren’ny sasin-teny dia ny hanaitra ny fahalianan’ireo mpihaino. Ireo fehezanteninao voalohany dia tokony hamelona ny fahalianany ho amin’ilay foto-kevitra sy hanampy azy ireo hahatakatra hoe nahoana no zava-dehibe ho azy ireo izany. Ny fehezanteny voalohany indrindra indrindra no mendrika hoeritreretina amim-pitandremana. Tena ilaina ny hahatonga azy io ho fifandraisana mahafinaritra amin’ny mpihaino, fa tsy ho fifandraisana jadona na feno fahasiahana.

10 Misy karazana fampidiran-dresaka maro. Azo atao ny mampiasa fanoharana na manonona fitenenana efa mahazatra ny mpihaino. Azonao atao koa ny mametraka ny mpihaino eo anatrehan’ny zava-manahirana ilana vahaolana. Ny fototra ara-tantaran’ilay foto-kevitra koa dia azo ampiasaina ho fampidiran-dresaka. Azonao atao ny mametraka fitohitohizam-panontaniana, na koa milaza fohy ireo hevi-dehibe hovelabelarinao.

11 Zava-dehibe ny hifanentanan’ny fampidiran-dresaka amin’ny lahateny. Mety handaitra tokoa ny fanoharana iray manaitra, indrindra fa raha mitodika amin’izany mandritra ny famelabelarany manontolo, ilay mpandahateny. Noho io fomba io, dia hahaliana kokoa ilay lahateny, ka ho mora arahina sy tadidina ary hirindra kokoa, raha tahiny ka voafidy tsara ilay fanoharana.

12 Ny fahalianana hasehon’ny mpihaino amin’ilay lahateninao dia hiankina indrindra amin’ny fomba hanaovana ny fampidiran-dresaka. Tokony hanomboka ny lahateniny amin’ny feo hentitra sy feno toky ilay mpandahateny ary hiteny tsy miahotrahotra sy tsy misy fisalasalana. Noho izany, mba hahazoana antoka fa hanomboka tsara ny lahateniny, dia manoratra manontolo ireo fehezanteny voalohany ny mpandahateny sasany.

13-16. a) Hazavao hoe amin’ny fomba ahoana no azo amelabelarana ny tenan’ny lahateny. b) Ahoana no tokony hiheverana ny fotoana rehefa manomana ny tenan’ilay lahateny?

13 Ny tenan’ny lahateny. Azo velabelarina amin’ny fomba isan-karazany ny tenan’ny lahateninao. Afaka manapa-kevitra ianao ny hampiseho ireo tsipiriany madinika indrindra aloha, ary avy eo dia hiakatra tsikelikely ho amin’ny fara tampony, ka ny hevi-dehibe indrindra no lazaina farany. Azo atao ihany koa ny mamelabelatra ireo hevitra amin’ny filaharany ara-potoana toy ny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:2-53. Ny fomba tsara iray hafa koa dia ny fizarana ilay lahateny ho tapany lehibe maromaro mifototra amin’ireo hevi-dehibe hamoaboasana ilay foto-kevitra manontolo. Ohatra, raha toa ianao tsy maintsy miresaka ny amin’ny foto-kevitra hoe “Ny Fanavotana Amin’ny Fahafatesana”, dia azonao atao ny mamelabelatra azy io eo ambanin’ireto hevi-dehibe manaraka ireto: “Ny Fomba Nampisy ny Fahafatesana?”, “Tsy Afaka Manome Avotra ny Olombelona”, “Iza Ihany no Afaka Manome Izany, ary Nahoana?” ary farany “Soa Entin’ny Fanavotana”.

14 Indraindray ianao dia mety hahita fa azo zaraina araka ny filaharana ara-dalàna ny lahateninao, toy ny tamin’i Paoly nanome toromarika ho an’ny kôngregasiôna manontolo aloha, avy eo dia ho an’ireo vehivavy manambady, manaraka izany dia ho an’ireo lehilahy manambady ary ho an’ny ankizy. (Jereo Efesiana, toko faha-5 sy faha-6.) Na azonao atao koa ny mamelabelatra ny foto-kevitrao amin’ny fanomezana ny anton-javatra iray sy ny vokatr’izany, na amin’ny filazana zava-manahirana iray, ary avy eo dia manolotra ny fanafodiny. Indraindray dia azo ampiarahina tsara ny roa na maromaro amin’ireo fomba ireo.

15 Fomba iray fampiasa mahazatra koa ny fitantarana fisehoan-javatra sasany nefa tsy voatery mijery ny filaharana ara-potoana. Ny filazalazan-javatra matetika dia manatsara tokoa ny lahateny iray. Azo atao mahaliana koa ny lahateny hafa raha ampiorenina amin’ny fanaporofoan-kevitra mampiseho ny maha mety sy ny tsy maha mety ny zavatra iadian-kevitra sasany vao haingana.

16 Hevero ny fotoana natokana ho amin’izany ary aza vesarana be loatra ny planinao. Ho very ny hasarobidin’ny hevitra tsara dia tsara maro raha tsy manana fotoana hamelabelarana izany amin’ny fomba ampy ianao. Ankoatra izany, dia tsy voatery hilaza izay rehetra fantatrao momba ny foto-kevitra iray ao amin’ny lahateny iray ihany ianao. Angamba misy lafiny hafa amin’io foto-kevitra io azo resahina amin’ny fotoana hafa. Tsinjarao tsara amin’ireo hevitra lehibe amin’ny famelabelaranao ny fotoana ary farito avy eo ny isan’ireo hevitra hafa horesahina, arakaraka ny fotoana azo ampiasaina. Ny zava-dehibe dia tsy ny habetsahan’ny hevitra velabelarina fa ny hatsarany.

17-20. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny famaranan-teny ary endrika manao ahoana avy no mety hisehoany?

17 Ny famaranan-teny. Ny tapany farany amin’ny lahateny iray dia mendrika ny hanokanana fiomanana tsara dia tsara. Tokony haka ireo hevitra rehetra novelabelarina tao amin’ny tenan’ilay lahateny izy io ka hanambatra azy ireo mba hampiaiky ireo mpihaino sy hahatonga azy ireo hanao zavatra. Tokony ho fohy sy hentitra izany.

18 Amin’ireo fomba famaranan-teny isan-karazany dia mifidiana iray izay mifanentana amin’ny foto-kevitra novelabelarinao. Azonao atao ny mamintina ireo hevi-dehibe ao amin’ilay lahateny, mamerina azy ireo araka ny filaharany ara-dalàna, alohan’ilay fanatsoahan-kevitra tokony hanaraka izany. Ny famaranan-kevitrao koa dia mety ho fampiharana ireo hevitra, ka hampiseho amin’ireo mpanatrika hoe amin’ny fomba ahoana no iharan’izany aminy, ary ahoana no azony anaovana zavatra mifanaraka amin’izany. Amin’ny lahateny sasany, indrindra fa amin’ireo toriteny ataontsika isan-trano, ny tsara indrindra dia ny manao famaranan-teny manosika ho amin’ny asa. Izany, ohatra, dia afaka mampirisika ilay tompon-trano handray zavatra vita an-tsoratra na hanaiky fampianarana Baiboly any an-tokantranony.

19 Ny famaranan-teny koa dia mety ho ny fara tampony iray, miakatra tsikelikely ho amin’ilay hevitra fototra izay tsy maintsy soritana ao an-tsain’ny mpihaino. Mba hamaranana tsara ny lahateny iray dia ilaina koa ny mampifandray ilay famaranan-teny amin’ny hevitra iray voalaza teo amin’ny fampidiran-dresaka. Azon’ilay mpandahateny atao ny mampahatsiahy ilay fanoharana na fitenenana nolazainy teo am-piandohan’ny famelabelarany. Matetika no aseho ao amin’ny famaranan-teny ny ilana maika dia maika ny handraisana fanapahan-kevitra iray. Ny ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fomba toy izany dia hita ao amin’ireo teny notononin’i Josoa tao amin’ny faran’ny lahateniny fanaovam-beloma, fotoana fohy talohan’ny nahafatesany. — Josoa 24:14, 15.

20 Hita àry fa raha vita tsara ny planin’ny lahateny iray dia hisy fampidiran-dresaka hanaitra ny fahalianan’ireo mpihaino. Tokony ho tafiditra ao koa ny famelabelarana mirindra voaforon’ny hevitra fototra voafantina tamim-pitandremana izay manohana ny foto-kevitra, ary famaranan-teny izay hanosika ireo mpihaino hanao zavatra mifanaraka amin’ireo torohevitra ara-baiboly naroso. Ireo foto-javatra rehetra ireo dia tokony ho efa nomanina nandritra ny fanamboarana ny planina. Ny planina tsara iray dia hampitsitsy fotoana anao ary hanampy anao hanao lahateny iray misy heviny izay handatsaka lalina ao an-tsain’ny mpihaino, toromarika sarobidy.

[Fanontaniana]