Ny Fomba Hamakiana sy Hitadidiana
Fianarana 4
Ny Fomba Hamakiana sy Hitadidiana
1, 2. Nahoana moa no zava-dehibe ny hitadidiantsika izay vakintsika?
1 Ho an’ireo izay mamaky mba handaniana andro, ho fialam-boly fotsiny, dia tsy zava-dehibe ny hitadidiana izay novakiny. Nefa ho an’izay mianatra mba hahafahana hiasa, dia tena ilaina ny hitadidiany izay vakiny ao amin’ireo boky fianarany. Ny fahombiazany amin’ny fanadinany sy ny asany dia miankina amin’izany. Fa raha ny amin’ny minisitra kristianina dia manana antony mbola lehibe kokoa izy hitadidiany izay vakiny, na vakiteny mampiala voly izany na mifono hevi-dehibe. Ny zava-kendreny dia ny hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah sy hanatsara ny fanompoany, ho fiderana an’Andriamanitra. — Deot. 17:19.
2 Ny boky famakin’ny Kristianina lehibe indrindra dia ny Baiboly mbamin’ireo zavatra vita an-tsoratra izay tena manampy marina mba hahatakarana ny hevitry ny Baiboly. Fantany fa ny Baiboly dia mirakitra fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Io vakiteny io, izay manampy azy ho tonga minisitra kinga, no mahaliana antsika indrindra ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika.
3, 4. Nahoana isika no tokony hifantina tsara ny vakiteny ataontsika?
3 Ireo vakiteny mamahana ny saintsika dia azo ampitahaina amin’ny sakafo hanintsika mankao amin’ny vavonintsika. Amin’ireo toe-javatra roa ireo dia tsy maintsy mahay mifantina isika. Rehefa mihinana mba hampitonena ny fahazotoan-komana dia ho hadalana ny handraisana sakafo saro-devonina, zavatra tsy misy vidiny mahavelona na ratsy lavitra noho izany, misy poizina. Ny sakafo mitondra soa maharitra indrindra ho antsika dia izay mora levonina sy mora raisin’ny vatantsika indrindra.
4 Toy izany koa amin’ny famakiantsika teny. Na amin’ny vakiteny mampiala voly izany, na amin’ny vakiteny mifono hevi-dehibe, izay ampidirintsika ao an-tsaintsika dia tokony ho zavatra mora levonina ho an’ny saina sy hitondra soa maharitra ho azy io. Miharihary fa tsy ho fahendrena ny hamahanana ny saintsika amin’ny hevi-diso, amin-javatra mampiseho tsy fahatahorana an’Andriamanitra na fahalotoam-pitondran-tena, ka mety hitondra tsy fandevonan-kanina ara-panahy ho antsika. (Fil. 4:8). Inona no handaniam-potoana amin’izay vakiteny tsy manorina? Toy ny ahaizantsika mifantina izay hohanintsika no tokony hataontsika amin’izay vakintsika.
5, 6. Nahoana no ilaina ny hanokanana fotoana hanaovan’ny tena manokana vakiteny, ary amin’ny fotoana toy inona no azo anaovana izany?
5 Fandaharam-pamakian-teny. Rehefa avy nifantina izay karazam-boky tokony hovakina ianao, dia mila manao ny dingana manaraka. Izany dia ny fanaovana fandaharam-pamakian-teny izay ho tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoananao. Raha tsy manokana andro na takariva voafaritra tsara mba hamakiana ianao, dia ho anjoanjo fotsiny ny ezaka ataonao ka tsy hahomby. — Asa. 17:11.
6 Ny vakiteny ilana fandinihana dia mitaky fotoana ampy sy faritra manodidina mety amin’ny fisaintsainana. Tsy ny vakiteninao rehetra anefa no hataonao amin’ny fotoana lava natokana ho amin’ny fianarana. Raha toa ianao ka afaka manokana tsy tapaka, na dia folo na dimy ambin’ny folo minitra monja aza isan’andro amin’ny vakiteny, dia ho gaga amin’ny vokatra azo ianao. Ny sasany dia manao izany vao maraina be, ny hafa ny takariva alohan’ny hatoriana. Ny hafa koa manararaotra ny fiatoana amin’ny mitataovovonana na ny fotoana laniny ao amin’ny fiaran-dalamby na fiara fitateram-bahoaka mba handehanana hiasa na hianatra. Any amin’ny tokantrano sasany dia mivory ny fianakaviana mandritra ny dimy na folo minitra mba hamakiana miaraka aorian’ny iray amin’ireo sakafo na alohan’ny hatoriana.
Ny tsy fahatapatapahana, izany hoe ny vakiteny kely isan’andro, dia mitondra vokatra tsara dia tsara.7. Inona no tokony ho zava-kendrentsika rehefa mamaky Baiboly?
7 Ny fandaharam-pianaranao dia tokony hanokana fotoana ho an’ny famakiana ny Baiboly. Tena ahitan-tsoa ny hamakiana azy manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, ka azo atao izany amin’ny famakiana toko toy izao na pejy toy izao isan’andro na isan-kerinandro. Kanefa ny vakiteninao dia tsy tokony hikendry fotsiny ny hamita haingana pejy vitsivitsy fa ny hahatakatra ny hevitra ankapoben’ilay zavatra vakina sy ny hitadidy izany. Makà fotoana hieritreretana. Rehefa mamaky ny Baiboly ianao dia ho azonao antoka fa mandray ny sakafo ara-panahy tsara indrindra ianao.
8, 9. Zavatra vita an-tsoratra hafa inona no tokony ho hita ao anatin’ny fandaharantsika mamaky teny?
8 Ilaina koa ny fotoana mba hanomanana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ireo fivorian’ny kôngregasiôna hafa. Tsara ny mieritreritra ny hanome valin-teny any am-pivoriana, kanefa aoka tsy hataonao ho zava-kendrena lehibe indrindra ny fahitana ireo valim-panontaniana. Aoka kosa ianao hiezaka hahatakatra ny hevitr’izay vakinao sy handinika izay ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao manokana.
9 Tsy tokony hatao tsirambina ireo lahatsoratra hafa ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, na koa ireo lahatsoratra ahitana fianarana ao amin’ireo pejin’ny Mifohaza! Ary efa namaky ireo zavatra vita an-tsoratra tranainy navoakan’ny Fikambanana amin’ny fiteninao ve ianao? Raha maka fotoana hamakiana azy ireny ianao dia hahazo fitahiana avy amin’izany. Raha ny tena izy, ny fandrosoantsika ara-panahy dia miankina be dia be amin’ny tsy fahatapatapahana sy ny hatsaran’ny fahazarantsika mamaky teny.
10-17. Fomba inona avy no hanampy antsika hitadidy tsara izay novakintsika?
10 Fomba hitadidiana tsara. Mba handraisan-tsoa feno amin’ny vakiteny ataontsika, dia tokony hitadidy izay vakintsika isika. Matetika no andrenesana olona milaza fa tsy mahatadidy na inona na inona izy satria ratsy fitadidiana. Angamba kosa izany fitadidiana tsy nampiofanina na tsy zatra nampiasaina. Ny fahendrena dia manoro hevitra antsika mba handray soa faran’izay betsaka amin’ny vakiteny ataontsika. Kanefa ho very ny ampahany lehibe amin’ny soa azo raha vetivety dia tsy hotsaroana ireo hevitra noraisina. Ilaintsika hianarana ny fomba famaky teny mba hahafahana hitadidy. Ireo mpamaky za-draharaha dia manana foto-pitsipika sasany izay mety hanampy anao.
11 Rehefa mamaky ianao dia miezaha hahita fehezanteny na fitambaran-teny, fa tsy mamaky tsirairay ireo teny. Izany dia hahatonga anao ho afaka hamaky haingana kokoa sy hahatakatra hevitra fa tsy hijanona eo amin’ireo teny. Amin’ny vakiteninao isan’andro, dia halaviro ny manonona ireo teny na manetsiketsika ny molotrao rehefa mamaky, ary aza manao dia Sal. 1: 2, NW ). Ohatra, ireo Salamo sy Ohabolana dia tsy natao hovakina haingana fa hosaintsainina. — Sal. 77:12, 13.
miverina, raha tsy hoe hampiditra an-tsaina hevitra fototra iray angaha ianao. Mazava ho azy fa hovakinao miadana kokoa ireo zavatra sarotra, mba hahazoana izany tsara. Amin’izay dia mety ho tsapanao fa ilaina ny hamaky izany amin’ny feo avo na iva. (12 Ilaina koa ny hananana pensilihazo mba hanipihana ireo teny fototra sy handraisana an-tsoratra ireo hevitra lehibe irinao hiverenana. Nefa aza manipika be loatra fa manjary manohitra ny zava-kendrena tadiavina ianao, dia ny hanavaka ireo hevi-dehibe. Rehefa mahita fanazavana tena sarobidy ianao na fanaporofoan-kevitra mahasoa mba hisetrana fanoherana hita matetika amin’ny fanompoana isan-trano, dia mariho ao amin’ny faran’ilay boky ny pejy sy ny fehintsoratra, mba hahitana haingana ireny hevitra ireny rehefa hila azy ianao. Mazava ho azy fa tsy azo atao velively ny manamarika boky tsy antsika.
13 Mba hitadidiana ireo hevi-dehibe novelabelarina tao amin’ny lahatsoratra na boky iray, dia tsy ampy ny mamaky izany nefa tsy maka fotoana hiatoana, hieritreretana, na hampitahana ireo hevitra novelabelarina amin’izay efa fantatrao momba io foto-kevitra io. Mianara mamakafaka izay vakinao, manamarika ireo antony omena sy ireo fanaporofoan-kevitra aroso mba hanohanana ireo fanatsoahan-kevitra aseho. Tadiavo indrindra ireo foto-pitsipika mety hitari-dalana anao eo amin’ny fiainanao isan’andro. Makà fotoana hiheverana ny amin’ny fomba azonao ampiharana azy ireny.
14 Alohan’ny hamakiana amim-pitandremana ny anankiray amin’ireo bokin’ny Fikambanana, dia matetika ahitan-tsoa ny mandinika ny lohateny sy ny fanondroam-pejy aloha, amin’ny fijerena ilay filaharana araka ny lôjika arahin’ireo loha hevitra ao anatin’ilay boky. Hahatakatra ny foto-kevitra ankapobeny amin’izay ny sainao. Rehefa manomboka mamaky lahatsoratra iray ao amin’ny gazety na toko iray ao amin’ny boky ianao, dia vakio mialoha ireo lohatenikely izay manondro ny filaharana hamelabelarana ilay foto-kevitra. Aoka ianao ho mailaka hahamarika ireo fehezanteny fototra izay matetika hita ao amin’ny fiandohan’ny fehintsoratra tsirairay avy. Izany dia hilaza aminao amin’ny teny vitsivitsy ny hoe inona no hevi-dehibe ao amin’ireo fehintsoratra. Miezaha indrindra hahatakatra ny hevitra ankapoben’ilay foto-kevitra vakinao.
15 Ny fanoloran-kevitra iray hafa koa hanampy anao hitadidy izay vakinao dia ny manandrana mijery ilay foto-kevitra, manao sary
an-tsaina izany. Amin’ny fanaovana an-tsaina izany, dia jereo ilay sehatra sy ireo olona mandray anjara, henoy ireo tabataba sy feo, fofòny ny fofon-javatra, andramo ireo sakafo ary miaraha mifaly na ory amin’ilay tarehin-javatra. Alao sary an-tsaina fa hoe eo ianao. Ampandraiso anjara ireo vavahadin-tsaina rehetra mba hamelomana ilay tantara voalaza ao amin’ny Baiboly. Io fomba io dia hahatonga anao ho afaka hitadidy tsara kokoa ireo fisehoan-javatra kely ao amin’ny tantara araka ny Baiboly.16 Rehefa tonga eo amin’ny faran’ny toko iray ianao dia manaova famerenana an-tsaina fohy, avy eo dia ampitahao amin’ilay lahatsoratra vao avy novakinao izay tadidinao.
17 Raha azo atao, dia resaho amin’olon-kafa iray ireo hevitra vao nianaranao raha mbola velona ao amin’ny fitadidianao izany. Hanoritra azy lalina kokoa ao an-tsainao izany, ary mety ho afaka hameno ny fahalalanao ny amin’io hevitra nodinihina io ilay olon-kafa. Raha nahamarika fanaporofoan-kevitra mety ho azo ampiasaina eny amin’ny saha fitoriana ianao, dia ampiasao izany raha vao azo atao. Fomba iray koa mba hitadidiana tsara izay novakinao izany.
18-20. Nahoana no zava-dehibe aoka izany ny fianarana mamaky teny tsara?
18 Ny hasarobidin’ireo vakiteny misy vokany. Misy heriny mivantana eo amin’ny fiainantsika ny vakiteny ataontsika. Ny toetran’ny asantsika, ny fahaizantsika, ny fifaliantsika miaina ary ny fandrosoantsika ara-panahy dia miankina daholo, betsaka na kely, amin’ny fahaizantsika mamaky teny. Izay tsy manana izany dia tsy mahazo harena betsaka avy amin’ny fahalalana sy fanandraman-javatra. Ny ray aman-dreny dia afaka manampy ireo zanany hahay hamaky teny tsara, amin’ny fandaminana fandaharana famakian-teny tsy tapaka ao an-tokantranon’izy ireo. Indraindray dia hiharihary fa mahasoa ny hanasana ny zanakareo hamaky amin’ny feo avo, ohatra ny teny natao hovakina isan’andro sy ireo famelabelarana avoaka ao amin’ilay bokikely hoe Fandinihana ny Soratra Masina Isan’ andro. Raha tsy mahay mamaky teny misosa tsara ianao, dia hahasoa anao ny hanaovanao fanazaran-tena isan’andro mandritra ny dimy ambin’ny folo na telopolo minitra. Ao anatin’ny volana vitsivitsy dia hahazo vokatra mampahery ianao.
19 Raha manana fahazarana tsara manao vakiteny ianao, manokana fotoana tsy tapaka mba hamakian-teny sy hanaovana fikarohana, ary mampihatra ireo torohevitra samihafa omena ato amin’ity lesona ity, dia hanatsara be dia be ny fahaizanao amin’ny fanompoana. Ho bebe kokoa no ho tadidinao amin’ny tenin’Andriamanitra sarobidy, ka izany dia hahatonga anao ho afaka hampihatra izany eo amin’ny fiainanao sy ny asa fanompoanao. Na dia ireo olona be taona aza dia afaka manatsara ny fitadidiany raha manaraka ireo fanoloran-kevitra nomena etsy ambony. Tsy misy na iza na iza tokony hilaza tena ho antitra loatra ka tsy handray soa avy amin’ireo torohevitra ireo.
20 Nasain’Andriamanitra noraketina tao amin’ny boky iray ireo fikasany mahatalanjona mba hampahafantarana ireo Sal. 78:5-7). Ny fomba tsara indrindra hanaporofoana ny fankasitrahantsika noho ny fahalalahan-tanany amin’io lafiny io dia ny fahazotoantsika mamaky sy mitadidy io Teniny mamelombelona io.
asany lehibe sady mahagaga an’ireo zanak’olombelona sy mba hitadidian’izy ireo izany. ([Fanontaniana]