Ny Fomba Hanatsarana ny Valin-teninao
Fianarana 18
Ny Fomba Hanatsarana ny Valin-teninao
1, 2. Nahoana isika rehetra no tokony hilofo hanome valin-teny tsara?
1 Ny Kristianina tsirairay avy dia tokony hamboly fahaizana manome valin-teny tsara. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Aoka ny fiteninareo ho amin’ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.” (Kol. 4:6). Koa ara-dalàna ny iezahantsika hanatsara ny valin-tenintsika. Rehefa mamaly tsara isika dia tena mitondra fahafinaretana ho antsika izany. “Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, ary endrey ny hatsaran’ny teny atao amin’izay andro mahamety azy!” — Ohab. 15:23.
2 Mahatsapa ny ilana hanatsarana ny valin-teninao ve ianao? Moa ve ianao afa-po tanteraka amin’ny fandraisanao anjara
amin’ireo fivorian’ny kôngregasiôna, sa hahafaly anao tokoa ny hahafahanao hitondra fanatsarana sasantsasany? Eny amin’ny saha fitoriana, moa ve ianao efa mba nanenina fa tokony ho hafa kokoa no nitondranao ny toe-javatra iray? Mety ho sendra an’izany daholo tokoa isika rehetra, noho izany, dia mahasoa raha hiaraha-mandinika ny fomba hanatsarana ny valin-tenintsika.3, 4. Ahoana no azo anomezana valin-teny maro samihafa ho an’ny fanontaniana iray ihany apetraka mandritra ny fivoriana?
3 Ireo fivorian’ny kôngregasiôna. Any amin’ny ankamaroan’ireo kôngregasiônan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia voamarika fa ny sasany dia vonona foana hamaly ireo fanontaniana apetraka mandritra ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ny fianarana ny bokin’ny kôngregasiôna, na ny famerenana am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Tsy vokatry ny kisendrasendra izany. Angamba ireny rahalahy ireny manovo fahalalana avy amin’ireo taona maro nianarany sy nifaneraserany tamin’ny vahoakan’i Jehovah, nefa amin’ny ankapobeny ny valin-tenin’izy ireny dia avy amin’ny fiomanana tsara isan-kerinandro indrindra. Na dia ireo vaovao aza dia afaka manome valin-teny tsara raha mianatra ireo foto-kevitra mialoha. — Ohab. 15:28.
4 Raha ianao no anontaniana voalohany dia tsara amin’ny ankapobeny ny mamaly mivantana ilay fanontaniana. Nefa raha efa nisy nanome valin-teny dia aza mihevitra fa tapitra eo ny fiaraha-midinika. Mba hanomezana fanampim-panazavana mahakasika ilay fanontaniana teo iny ihany, dia afaka mampiasa izay tianao amin’ireto fomba ireto ianao: Mamelabelatra ilay valin-teny; mampiseho hoe amin’ny fomba ahoana no anohanan’ireo andinin-teny ao amin’ny fehintsoratra ilay valin-teny; manazava ny fomba iharan’ireo hevitra dinihina amin’ny fiainantsika. Raha miresaka ny amin’ny tarehin-javatra maneran-tany ilay fianarana na ny amin’ireo fanaon’ny fivavahan-diso, dia ho azonao atao ny hilaza tarehin-javatra eo an-toerana izay manazava ny fahamarinan’ilay fehintsoratra. Hahatonga ilay fiaraha-midinika hampitombo fahalalana kokoa ny famelabelarana toy izany.
5. Nahoana no tsara kokoa ny mamaly fohy sy amin’ny fomba fitenin’ny tena manokana?
5 Mafonja kokoa sy latsa-paka kokoa ao amin’ny mpihaino mazàna ny valin-teny fohy sy milaza hevi-dehibe. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra àry dia tsara kokoa ny mamaly toy izany. Ao amin’ny valin-teny lavareny izay mamintina ny hevitra rehetra ao amin’ny fehintsoratra dia tsy misy na inona na inona mivoaka mazava, ary amin’ny ankapobeny ireo mpanatrika dia tsy mahafantatra foana hoe inona no valin-teny mivantana amin’ilay fanontaniana napetraka. Ankoatra izany, ny valin-teny mahasoa indrindra dia izay lazaintsika amin’ny fomba fitenintsika. Ny fanazavana toy izany dia manampy ilay mamaly hahatakatra tsara ny hevitra, ary ny filazana izany amin’ny fomba hafa ankoatra ny ao amin’ny fehintsoratra dia afaka manampy ny mpanatrika sasany hahatakatra hevitra izay mety ho tsy nazava taminy teo aloha. Ny lahatenintsika amin’ny sekolin’ny fanompoana
dia manome fahafahana antsika hampitombo ny fahaizantsika amin’io lafiny io.6. Inona no azontsika hatsaraina mba hahatonga antsika ho vonona amin’ny valin-tenintsika rehefa misy fanontaniana apetraka?
6 Ho azonao atao ihany koa ve ny hanatsara ny fahamailahanao mamaly? Mba hahatongavana amin’izany dia ilainao ny miomana mialoha. Halaviro anefa ny manao izany mandritra ny famakiana ny fehintsoratra na raha mbola manome valin-teny ny hafa, satria hamoy ampahany be dia be amin’ny soa raisina amin’ny fivoriana ianao. Manàna fahazarana manamarika mialoha ny valin-teninao. Teny fototra vitsivitsy tsipihina fa tsy fehezanteny manontolo; amin’izay dia ho ampy ny indray mitopy maso monja mba hahatsiarovana ilay valin-teny ary dia ho vonona hilaza azy ianao. Raha mizara ho tapany “a” sy “b” ny fanontaniana dia mariho eo amin’ny sisim-pejy hoe hevitra inona avy no mifandray amin’ny tapany “a” sy ny tapany “b”, fa raha tsy izany dia mety hialoha ilay mpitarika ny fianarana ianao. Na dia tsy misy fanontaniana aza ny lahatsoratra iray tokony hodinihina amin’ny fandraisan’ny mpihaino anjara, dia ilaina foana ny hanipihana ireo hevitra hitanao ho lehibe indrindra. Amin’izay ianao dia ho vonona hamaly amim-pahamailahana ka hahatonga ilay fiaraha-midinika ho velombelona izany. Aza mijanona amin’izao rehefa avy namaly indray mandeha ianao, amin’ny fiheverana fa azonao avela ho an’ny hafa ny valin-teny sisa. Aoka ianao ho vonona foana hanome valin-teny.
7. Nahoana isika rehetra no tokony hahatsapa ny andraikitsika hamaly mandritra ny fivoriana?
7 Mety ho saro-kenatra ny sasany hamaly satria mihevitra fa afaka manome fanazavana tsara kokoa ny hafa. Nefa ny Baiboly dia mampirisika antsika hiantsoroka ny andraikitsika tsirairay avy. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (...); ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon’ny sasany, fa mifananara kosa”. (Heb. 10:23-25). Amin’ny alalan’ny valin-tenintsika dia mandrisika ny hafa ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara isika, manafana ny fony sy mampahery azy. Ambonin’izany dia mandray soa isika satria mahita fifaliana amin’ny fanomezana ka mampahery ny tenantsika manokana izany.
8-12. Manonòna fanoloran-kevitra vitsivitsy ny amin’ny fomba tsara hamaliana ireo fanoherana eny amin’ny asa fitoriana.
8 Ny fomba hamaliana ireo fanoherana hita eny amin’ny saha fitoriana. Raha mianatra tsy tapaka manokana ianao ary manatrika amim-pahazotoana ireo fivoriana dia tsy hananosarotra amin’ny famaliana ireo fanontaniana hapetraka aminao rehefa handeha isan-trano. Kanefa raha tsy fantatrao ny valin’ny fanontaniana iray dia aza misalasala miaiky ny amin’izany, amin’ny filazana amin’ilay olona fa hitady fanazavana ianao ary hiverina hitsidika azy. Raha tso-po izy dia ho faly hanaiky izany.
9 Ankoatra ny fanontaniana dia mety ho sendra fanoherana ianao indraindray. Inona no hataonao? Alohan’ny hamaliana fanoherana, dia tsara ny hahafantarana kely ny hevitr’ilay olona. Ho
azonao anontaniana azy ny antony nahatonga azy hanao io fanoherana io. Ohatra, mety hilaza ny olona iray fa tsy mino an’i Kristy ianao, kanefa raha ny tena izy dia te-hilaza izy fa tsy mino ny amin’ny fampianaran’ny Trinite ianao. Fanoherana maro no avy amin’ny tsy fifankahazoan-dresaka toy izany. Izany no maha zava-dehibe ny hifanarahanao amin’ilay olona ny amin’ny hevitry ny teny, alohan’ny hanombohana ny dinidinika. Raha ny marina, dia mety hamaly ilay fanoherana izany ka hahatonga ho tsy ilaina izay rehetra mety ho fanazavana amboniny.10 Rehefa misy fanoherana apoitra, dia tsara koa, raha azo atao, ny mitondra ilay raharaha ho toy ny zava-mahaliana iombonana fa tsy ho zavatra iray mahatonga anao ho fahavalo. Noho izany, aza mihevitra velively ny fanoherana ho zavatra mahasosotra fa aoka ianao hihevitra izany ho toy ny hevitra iray tena mampanahy an’ilay olona. Rehefa izany no ao an-tsainao, dia afaka milaza aminy ianao fa faly noho ny nametrahany io fanontaniany io. Raiso ho toy ny fomba anohizana ny resaka izany, toy ny fanalahidy izay mety hanokatra ny sain’ilay olona sy hahafahany handray ireo fahamarinan’ny Baiboly. Nahoana no tsy manazatra tena ho amin’izany ao amin’ny sekolin’ny fanompoana, ka mampiditra ao amin’ny lahateninao toe-javatra iray izay hanery anao hiatrika fanoherana?
11 Indraindray, rehefa miresaka amin’ny olona mihaino amim-pahalianana ianao, dia misy olon-kafa iray manao fanoherana mba hanapahana tarangana ilay dinidinika. Amin’ny tarehin-javatra toy izany, dia ho azonao atao ny hamaly amin’ny fametrahana fanontaniana koa, ka ilay mpanohitra indray no asaina manome porofo. Nampiasa io fomba io i Jesosy mba hampanginana fahavalo nanandrana nanohitra ny fitoriany. (Matio 22:41-46). Aza hadinoina fa ny andraikitra hanome porofo dia mipetraka indrindra amin’ilay olona izay manizingizina zavatra momba ny raharaha iray. Ohatra, raha miteny aminao ny olona iray hoe: “Tsy mino ny Trinite ianareo”, ka ny feony amin’izay toa milaza fa takina amin’ny Kristianina izany, dia azonao atao ny mamaly azy hoe: “Inoako izay rehetra ampianarin’ny Baiboly. Miangavy anao aho hampiseho ahy amin’ny alalan’ny Baiboly ny antony tokony hinoako io foto-pampianarana io.” Amin’izay dia anjaran’ilay mpanohitra ny manome porofon’izay lazainy ho fahamarinana.
12 Raha toa ny fanoherana ka avy amin’ny olona iray manaiky ny Soratra Masina, ny valin-teny mampiaiky indrindra dia izay nalaina mivantana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hanan-danja kokoa izany noho izay rehetra fanaporofoan-kevitsika manokana. Mazava ho azy fa ilaintsika foana ny mamaly amim-pahatoniana sy fanajana, na manao ahoana na manao ahoana fihetsik’ilay olona. Izany no fihetsika mety amin’ny minisitr’Andriamanitra.
13, 14. Amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano, inona no azo atao rehefa mametraka fanontaniana ilay olona?
13 Amin’ireo fampianarana Baiboly. Amin’ny ankapobeny, ny fampianarana Baiboly dia atao ao anatin’ny rivo-pisakaizana tony izay manamora ny fanaovana fanjohian-kevitra. Koa raha mametraka fanontaniana aminao izy, rehefa avy mamaly azy ianao dia tsara foana ny manontany azy raha afa-po tamin’ny valin-teninao izy. Misy hevitra sasany mety ho mbola maizimaizina ao an-tsainy. Raha tsy azonao antoka ny valin’ny fanontaniana iray dia mangataha hanao fikarohana. Raha ilaina ny fanampiana bebe kokoa dia azonao atao ny manontany mpitory za-draharaha kokoa. Aza hadinoina na oviana na oviana fa rehefa manampy olona iray handalina ny hafatra ao amin’ny Baiboly ianao, dia mety hanampy azy koa hanao ny dingana voalohany eo amin’ny lalan’ny fiainana, toy ny nanampian’i Filipo evanjelisitra an’ilay ionoka etiopianina tamin’ny famaliana ny fanontaniany. —14 Rehefa afaka fotoana kelikely dia angamba ho tsara ny tsy hamaliana ny fanontaniana rehetra apetraka mandritra ny fampianarana Baiboly satria ny sasany amin’izy ireny dia hianarana any aoriana ao amin’ilay boky ianaranareo. Ankoatra izany, mba hanampiana ilay olona handroso dia tsara ny hampisehoana aminy ny fomba hahitana ny valin’ny fanontaniany amin’ny fanaovana fikarohana. Azonao atao ny mampianatra azy hampiasa ny indeksa ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana, na manoro hevitra azy hamaky toko iray ao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Atỳ aoriana dia ho azonao atao ny hanontany azy ny fanazavana hitany sy ny fahazoany ny hevitr’izany. Raha miahy ny amin’ny fandrosoan’ilay olona ara-panahy ianao dia tsy hianina amin’ny famaliana ny fanontaniany.
15-18. Inona no tokony ho fihetsitsika rehefa adinin’ny manam-pahefana isika?
15 Eo anatrehan’ny manam-pahefana. Momba ny fanenjehana dia nanambara ny apostoly Petera hoe: “Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.” (1 Pet. 3:14, 15). Mety ho voantso eo anatrehan’ny tribonaly na mpanao raharaham-panjakana nomen-dalana mba hangataka antsika hanazava ny zavatra inoantsika sy hanamarina izany isika. Kanefa manome antsika izao torohevitra izao ilay apostoly: “Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo.” Aoka àry ianao hahazo antoka fa, ao am-ponao lalina ao, dia i Jesosy Kristy Tompo no omenao ny fanajana lehibe indrindra, izany hoe toerana masina izay tsy azo zimbazimbaina. Noho izany, dia tsy misy antony tokony hitebitebenao, satria raha mahazo sitraka amin’Ilay nohosoran’Andriamanitra ho Mpanjakan’ny tany manontolo ianao dia tsy tokony hatahotra ny fihetsik’ireo olona ambony toerana.
Romana 13:1-7, dia aoka ianao ho feno fanajana ireo manam-pahefana. Na dia toa misalasala ny amin’ny antony manosika anao aza ilay manadinadina anao, na milaza ny heviny ho fanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah, dia aza mamaly azy amin’ny fomba henjana. (Rom. 12:17, 21; 1 Pet. 2:21-23). Tadidio fa matoa ianao eo, dia mba hanao fanambarana. Mety mba ho tohina amin’ny valin-teninao angamba ny iray amin’ireo mpanao raharaham-panjakana ireo? Mety mba hiteraka fihetsika tsara kokoa manoloana ny asa fitoriantsika angamba izany, fara faharatsiny? Enga anie ny fitondran-tenanao sy ny fiteninao haneho tsara ny lalan’ny fahamarinana! — Matio 10:18-20.
16 Kanefa, mifanaraka amin’ny torohevitra omena ao amin’ny17 Indraindray dia ho fahendrena kokoa ny milaza zavatra tena kely. Toy ny nataon’ny apostoly Paoly fony izy notsaraina, dia mety ho tianao fotsiny raha ireo mpanohitra indray no ho voatery hanome porofo. (Asa. 24:10-13). Ho azonao atao mihitsy aza ny hangina. Izany no mety ho ny zavatra tsara indrindra azo atao raha misy olon-dratsy manandrana mamela-pandrika na maneso anao ka tsapanao fa tsy manam-paniriana amim-pahatsorana velively hahalala ny valin’ny fanontaniany izy ireny. (Lioka 23:8, 9). Mety ho azonao heverina koa fa fahamalinana kokoa ny mangina raha toa ireo manadina anao mitady hampilaza anao zavatra izay hitondra fahavoazana ho an’ireo Vavolombelona namanao. Izao no nambaran’i Davida mpanao salamo: “Hasiako fehim-bava ny vavako raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.” (Sal. 39:1, 2). Indrindra fa any amin’ireo tany izay ahitan’ny tena Kristianisma fanoherana mahery vaika, dia ilaina ny miaiky fa misy “andro anginana” sy “andro itenenana”. — Mpit. 3:7.
18 Momba ireo mpanompon’i Jehovah sy ny fahaizany mamaly fanontaniana, ny gazety britanika iray dia nanao izao famelabelarana izao: “Izay rehetra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah dia misy antony araka ny Soratra Masina avokoa. Raha ny marina, dia fampianarany fototra iray ny fanekena fa ny Baiboly irery ihany no marina tanteraka sy marina ara-bakiteny. Ary toa avy amin’izany no iavian’ilay hery hafa ananan’izy ireo; afaka mamaly ny fanontaniana rehetra izy ireo.” Marina tokoa fa ny Tenin’Andriamanitra sy ny fitokisantsika azy no ahafahantsika mamaly ireo fanontaniana sarotra apetraky ny olona. An’Andriamanitra ny voninahitra rehetra amin’izany. Nefa amin’ny fitadiavana hanatsara ny valin-tenintsika dia manome voninahitra an’i Jehovah bebe kokoa isika, mampitombo ny fifaliantsika manokana ary manampy ireo namantsika hahita ny lalan’ny fiadanana miaraka amin’Andriamanitra.
[Fanontaniana]