Ny Fomba Hanoratana Taratasy
Fianarana 17
Ny Fomba Hanoratana Taratasy
1, 2. Mety hampiasaina amin’ny zava-kendrena mahasoa inona avy moa ny taratasy?
1 Nampiasa tsara ny taratasy tamin’ny lafiny maro ny kôngregasiôna kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Natao izany mba hitandroana ny fifandraisan’ireo kôngregasiôna tamin’izy samy izy. (Fil. 1:1). Nampiasaina izany mba hampaherezana ireo Kristianina izay nahazo andraikitra manokana. (2 Tim. 1:1, 2, 6). Nisy taratasy nampiorina ireo tonga mpino vao haingana na tsy maintsy niatrika fahasahiranana. (1 Tes. 1:1-7; 3:1-7). Ireo Kristianina voalohany dia nanoratra taratasy ho an’ny mpino sasany izay tena tafaray taminy tao amin’ny fanompoana ny Tompo mba hifandraisana hatrany amin’izy ireo. — 3 Jaona 1, 14.
2 Amin’izao androntsika izao ireo minisitra teôkratika dia manana antony maro hanoratana taratasy ary mety hitondra soa be dia be izany. Indraindray dia ilaina ny manoratra taratasin-draharaha. Mety hisy mpiasam-panjakana tsy maintsy hanoratana taratasy mahakasika ny asan’ilay Fanjakana. Ny olona mipetraka amin’ny faritanàna tsy azo idiran’olon-kafa, na ireo any amin’ny toerana mitokana, matetika no tsy mety ho voatohin’ny “vaovao tsara” raha tsy amin’ny alalan’ny taratasy. Angamba misy mpitory tao amin’ny kôngregasiônanareo nifindra toerana na havanao sasany monina lavitra be ny fonenanao. Ho tianao ny hampiseho amin’izy ireo fa mihevitra azy ireo amim-pitiavana ianao amin’ny fanoratana ho azy. Indraindray dia mety handefa taratasy koa ianao mba hanehoanao fisaorana na fiaraha-miory.
3. Inona no tokony hampiavaka ny taratasintsika mba hahatonga azy ho mendrika ny fanompoantsika?
3 Ny taratasintsika dia tokony ho mendrika ny fanompoana nampiandraiketin’Andriamanitra antsika. Tokony hampiseho fisakaizana izany, ho feno fahaiza-mandanjalanja ary hanome taratry ny fiheverana voamariky ny fitiavana tsapantsika ho an’ireo izay hamaky azy. Tokony hanorina izany, hampandroso fa tsy hijery lafy ratsin-javatra na hampiseho toe-tsaina tia mitaraina izay hahaketraka ilay mpamaky ka handrava ny finoany. Milaza ny Tenin’Andriamanitra fa “ny fitiavana no mampandroso”. (1 Kor. 8:1). Tandremo ihany koa ny toetoetr’ilay taratasy amin’ny ankapobeny sy izay mety ho soritra omeny. Mba hahatonga azy ho tsara fiseho dia mety kokoa ny hamelana sisiny malaladalaka mitovy eo amin’ny andaniny roa sy eo ambanin’ny taratasy. Mamela soritra ratsy ny tasy mitankosina. Ambonin’izany, ny fomba fanoratra sy firafitry ny fehezanteny dia mendrika ny fitandremantsika. Kanefa raha tsy tena havanana amin’ireo lafiny ireo ianao dia aoka tsy ho izany no hisakana anao tsy hanoratra amin’ny namanao. Amin’ny ankapobeny, ny fanehoana fitiavana sy fahalianana ary hafanam-po dia manonitra be dia be ireo fahadisoana eo amin’ny fomba fanoratra sy ny firafitry ny fehezanteny. Ho azonao atao anefa ny hihatsara amin’ireo lafiny ireo amin’ny fampiasana rakibolana sy amin’ny fanamarihana ny fomba fanambatr’ireo rahalahy hafa ny teny sy ny fehezanteny. Sady mitadidy ao an-tsaina ireo hevitra ireo dia aoka hojerentsika akaiky kokoa izao ireo taratasy isan-karazany izay mety hosoratantsika mifandray amin’ny fanompoantsika.
4. Lazalazao ny fisehoan’ny taratasin-draharaha iray mety.
4 Ny taratasin-draharaha. Rehefa manoratra taratasin-draharaha ianao dia toroana hevitra mba hametraka ny anaranao sy ny adiresinao eo ambony amin’ny ankavian’ilay taratasy ary ny daty eo ankavanana. Izany no antsoina hoe lohasoratra. (Ao amin’ireo taratasy natao ho an’ny Fikambanana Watch Tower sy mahakasika ny raharahan’ny kôngregasiôna, ny lohasoratra dia tokony hisy ny anaran’ny kôngregasiôna misy ilay mpandefa.) Soratana eo ambony eo ankavanana amin’ny taratasy ny adiresin’ilay olona andefasana, nefa eo ambanimbanin’ny daty. Eo dia lazainao ny anarana sy adiresin’ilay fikambanana na olona anoratanao. Manaraka izany ny teny fanehoam-panajana. Rehefa manoratra amin’ny fikambanana iray na olona tsy Vavolombelon’i Jehovah ianao dia mety ny hampiasana teny fanao toy ny hoe “Andriamatoa” na “Andriamatoa isany”. Rehefa manoratra amin’ny Fikambanana na Vavolombelon’i Jehovah hafa dia mahazatra ny mampiasa fomba fiarahabana toy ny hoe “Ry rahalahy malala”. Amaranana ny taratasy ny teny fanao toy ny hoe “Raiso, Andriamatoa, ny haja feno atolotro anao”. Nefa rehefa manoratra amin’ny mpikambana hafa ao amin’ny fandaminan’i Jehovah ianao dia afaka mamarana ny taratasinao amin’ny fitenenana toy ny hoe “Ny rahalahinao” na “Ny mpiara-manompo aminao”. Atomboka soratana eo amin’ny antsasaky ny pejy izany ary asiana faingo manaraka azy. Hapetrakao avy hatrany eo ambany ny sonianao. Raha alefa ho an’ny Fikambanana amin’ny anaran’ny kôngregasiôna na fizaran-tany iray ny taratasy anankiray dia hanondro ny andraikiny koa ilay mpanoratra azy toy ny hoe “Mpiandraikitra Mpitantan-draharaha” na “Mpiandraikitra ny Fizaran-tany”, ohatra, eo ambanin’ny soniany avy hatrany.
5, 6. Inona moa no tokony horesahina voalohany ao amin’ny taratasy iray ary inona mazàna no mandray anjara amin’ny fisian’ny valiny mahafa-po?
5 Vao eo am-piandohan’ny taratasinao dia lazao ny antony. Amin’izay dia ho fantatr’ilay anoratanao avy hatrany ny antony anoratanao ho azy. Raha efa nisy fifanoratana teo aloha dia tsara ny hilazana izany sy hanondroana mazava ilay raharaha voalaza tao. Rehefa fifandraisana an-taratasy amin’ny fikambanana lehibe misy sampan-draharaha maro izany dia tena mahasoa koa ny hampahatsiahivana izay rehetra marika famantarana niseho teo amin’ilay taratasy voaray farany avy tamin’io fikambanana io. Raha ny amin’ny vatan’ilay taratasy, dia tsara ny hanokananao fehintsoratra iray isaky ny raharaha na hevitra manokana. Amin’izay ireo hevitra samy hafa dia hisongadina ka hanamora ny asa izany. Raha sady miresaka raharaha no miresaka zavatra manokana ny taratasinao dia tsara raha ny raharaha no resahina voalohany.
6 Rehefa manoratra taratasy dia tsara kokoa foana raha fohy ny teny ampiasaina, na dia tokony hazava sy ho feno aza ny fanazavana omena. Raha esorinao ireo teny tsy dia ilaina loatra
na ireo famerimberenan-kevitra dia hahazoana vokatra kokoa ny taratasinao. Raha ailikao ireo hevitra tsy misy fifandraisana amin’ny foto-kevitra dia vao mainka hiharihary ny fototry ny taratasinao. Amin’ny ankapobeny, dia mety ny hilazana amim-pahatsorana ny fankasitrahanao noho ny fiezahana nataon’ireo olona nanoratra taminao. Na dia miresaka zava-manahirana iray aza ny taratasin-draharaha iray dia ho tsara kokoa ny valin-teny amin’ny ankapobeny raha mampiasa fitenenana toy ny hoe: “Tena velom-pankasitrahana aho noho izay ataonao (na izay mety ho azonao atao) ho ahy amin’io lafiny io.”7-9. Inona no azo ampidirina ao amin’ny taratasy iray nokendrena hanaovana fanambarana?
7 Mba hanaovana fanambarana. Misy vidiny lehibe koa ny taratasy mba hitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Any amin’ny faritra sasany dia misy trano avo be na faritanàna kanto izay tsy azontsika tsidihina an-kalalahana mba hanaovana ny asa fitoriantsika. Kanefa azontsika atao ny manoratra taratasy ho an’ny olona mipetraka ao. Toy izany koa, misy olona tsy ao foana rehefa maniry hitsidika azy amin’ny asantsika isan-trano isika; nefa dia maka ny taratasiny izy ireny. Ny mpitory iray tsy afaka mivoaka ny tranony dia afaka manoratra taratasy ho azy ireo, ka angamba izany no hany fahafahany handray anjara amin’ny fanambarana ny hafatra momba ilay Fanjakana.
8 Rehefa manoratra taratasy mba hanaovana fanambarana momba ny Fanjakan’Andriamanitra ianao dia tsara ny hanombohanao amin’ny fitononana. Ho tianao ihany koa ny hanazava ny antony anoratanao amin’io olona io fa tsy amangianao azy. Ho tohina noho ny fahatsoranao ilay olona anoratanao amin’izay. Avy eo dia lazao azy izay ho tianao hotenenina aminy manokana raha toa afaka nitsidika azy ianao. Tsy sarotra izany raha ampiharinao ireo foto-pitsipika nianarana tao amin’ny sekolin’ny fanompoana. Azonao atao ny mampiasa fomba fampiseho andinin-teny notsoahina tao amin’ny anankiray amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana vao haingana na mamintina amin’ny fomba fiteninao manokana zavatra notsoahina avy ao amin’ny anankiray amin’ny nomerao farany amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! na koa avy ao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Azonao atao ny manampy taratasy mivalona, gazety na bokikely miaraka amin’ny taratasinao ary manasa ilay olona hamaky io zavatra vita an-tsoratra io. Hazavao aminy hoe nahoana no tena zava-dehibe ireo fanazavana ireo. Toy ny ataonao amin’ny asa isan-trano dia azonao atao ny manolo-kevitra mba hijereny ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboliny manokana. Avy eo, amin’ny fikendrena ny hampitombo ny fahalianana mety hipoitra dia lazao aminy hoe ahoana no fomba ahazoany mifandray aminao ary asao izy hanao izany. Lazao mazava ny anarana sy ny adiresinao mba hahafantaran’ilay olona izay tokony
hanoratany, raha iriny ny hisaotra anao na hanao famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza!9 Lazao eo ivelan’ny valopy foana ny adiresinao. Aoka ho azonao antoka fa ampy ny hajia napetakao, indrindra raha nampiarahinao tamin’ny zavatra vita an-tsoratra izany. Raha tsy ampy ny hajia dia angamba tokony handoa vola amboniny ilay olona andefasana, ka hanimba ny fiezahanao hanao fanambarana tsara dia tsara izany.
10, 11. Nahoana no ilaina ny manoratra amin’ireo havantsika sy amin’ireo namantsika ary inona no azontsika ampidirina ao amin’ireny taratasy ireny?
10 Amin’ireo havanao sy amin’ireo namanao akaiky. Isan’andro isan’andro dia manokana ny fotoana sy ny fiahiantsika amin’ny asa heverintsika ho zava-dehibe indrindra isika. Nefa moa ve isika maka fotoana hitandroana ny fifandraisana amin’ny havana izay tia antsika sy namana akaiky amin’ny fanoratana amin’izy ireo? Ny ray sy reny dia mankamamy be dia be taratasy iray avy any amin’ny zanany ary ireto farany kosa dia mandray soa avy amin’ny taratasy nosoratan’ny ray aman-dreniny. Io “fifampiresahana” an-tsoratra io dia mandray anjara be dia be amin’ny firaisan-tsain’ny mpianakavy na dia mifanalavitra amin’ny ara-batana aza izy ireo. Ireo namanao sy havanao dia azo antoka fa ho velombelona amin’ny fahalalana fa salama tsara ianao ao amin’ny taratasy iray mirakitra vaovao hafa mampahery na nosoratan-tanana izany na tamin’ny milina. Misalasala ny amin’izany ve ianao? Hevero àry ny tenanao manokana. Vitsy ny zavatra mahafaly aoka izany toy ny fandraisana taratasy tsara iray. Miteraka fientanam-po mahafinaritra izany mazàna. Faly ianao satria nisy olona nihevitra anao. Aza hadinoina fa ny toetran’ny Kristianina lehibe indrindra dia ny fitiavana ifanehoany amin’izy samy izy; ary fomba iray anehoany izany ny fifandraisana hatrany na dia rehefa mifanalavitra aza.
11 Nefa inona no hosoratanao? Nahita fifaliana manokana ve ianao? Amin’ny ankapobeny, izay mahafaly anao dia mahafaly ireo namanao koa. Mety ho zavatra manokana nitranga tany am-panaovana ny asa fanompoanao izany na notantaraina taminao. (Kanefa tsy fahendrena ny mampita vaovao izay tsy azo antoka tanteraka ny fahamarinany.) Ho tianao indraindray ny hampahatsiahy ireo fotoana nahafinaritra niarahanao nandany tamin’ilay olona anoratanao. Manamafy ny fifankatiavana izany. Azonao atao koa ny miresaka ny amin’ny zavatra vaovao nianarana. Lazao koa izay vao nataonao tsy ela, angamba ireo toerana notsidihinao. Mahaliana ny namana foana izany. Marary ve ilay olona anoratanao? Tolory teny fampaherezana vitsivitsy izy. Asehoy fa mihevitra azy ianao ary miraria fahasalamana haingana ho azy. Azonao atao ihany koa ny mitantara fisehoan-javatra mahaliana indrindra nitranga tamin’ny fivorian’ny kôngregasiôna iray, zavatra mampahery izay hamalifaly ny
andron’io olona marary io. Momba izany, raha mahita fahasahiranana ianao amin’ny fitadidiana amin’ny andinindininy fisehoan-javatra sasany vao haingana na izay noeritreretinao, nahoana no tsy manoratra izany amin’ny fitadidiana an-tsoratra rehefa tonga ao an-tsainao izany zavatra izany? Amin’izay, rehefa mipetraka mba hanoratra ianao dia hanana avy hatrany ireny fanazavana rehetra ireny eo am-pelatananao.12, 13. Amin’ny ahoana no ahafahan’ny taratasintsika mampahery ny hafa haharitra ao amin’ny lalan’ny fahamarinana?
12 Mbola momba izay azo ampidirina ao amin’ny taratasy ihany, moa ve araka ny hevitrao misy zavatra sarobidy kokoa ho an’ilay anoratana mihoatra noho ny fampaherezana haharitra amin’ny lalan’ny fahamarinana? Mety ho nifindra monina ny olona iray niara-nianatra Baiboly taminao. Raha manoratra taratasy mampahery ho azy, izay maneho ny fiahianao azy rehetra ianao, moa ve izany tsy hanampy azy hitana ho velona hatrany ny fitiavany ny fahamarinana? Hevero koa ny fihetseham-po tsapan’ireo ray aman-dreny rehefa mandefa taratasy ho azy ny zanaka lahy na vavy lavitra mba hisaotra azy ireo noho ny nisehoany ho tsy nivadika nandritra izany taona rehetra izany sy noho ny nampianarany azy ho tia ny lalan’i Jehovah. Eo koa ireo Kristianina izay lasa any amin’izay tena ilana Vavolombelona indrindra na manompo amin’ny maha misionera na any amin’ny Betela. Mahazo fampaherezana izy ireo rehefa maharay taratasy midera azy ireny noho ny fanompoana amim-pahatokiana ataony ho an’i Jehovah. (Mpits. 11:40). Ho velom-pankasitrahana anao izy raha ampitainao aminy ireo vaovao mahakasika ny kôngregasiôna niarahany teo aloha.
13 Hampitombo ny hatsaran’ny taratasinao ianao amin’ny tsy fisarihana ny saina ho amin’ny tenanao fotsiny. Miahia ilay olona anoratanao amin’ny fanontaniana azy ny amin’ny fahasalamany na ny fikasany, ny amin’ny fomba nivoaran’ny tarehin-javatra noresahina tao amin’ny taratasy teo aloha sy amin’ny firesahana ny amin’ireo namana niombonanareo sy ny fandrosoan’ireo olona niara-nianatra Baiboly tamin’ilay olona anoratanao. Raha miahy ny hafa toy izany ianao dia hampandroso ny taratasinao ary hisy vokany mahafaly, ary dia hampisy fifanakalozam-baovao hafa.
14, 15. Inona no azonao atao mba hahatonga ny famaranana ny taratasinao hahalaza zavatra kokoa?
14 Rehefa vita ny vatan’ilay taratasy dia ahoana izao no hamarananao azy? Tsy isalasalana fa irina ny hamarananao azy amin’ny fomba mety. Raha mianina amin’ny filazana isika hoe: “Tsy maintsy mijanona aho fa tsy ampy ny toerana”, dia tsy tsara ny akon’izany eo amintsika. Nahoana raha mihevitra zavatra misy heviny kokoa? Namarana ny taratasiny tamin’ny fomba niovaova sy nahaliana ny apostoly Paoly. Ohatra, nanoratra izy hoe: “Ho amin’ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (Gal. 6:18; 2 Kor. 13:14). Namarana toy izao ny anankiray tamin’ny taratasiny ny apostoly Jaona: “Ho aminareo anie ny fiadanana. Ny sakaiza atỳ manao veloma anao. Veloma amin’ny sakaiza tsirairay araka ny anarany avy.” (3 Jaona 14). Manaova famaranan-teny mifandray amin’ny foto-kevitry ny taratasinao amin’ny ankapobeny ary mifanentana amin’ny fifandraisanao amin’ilay olona anoratanao.
15 Tsy hanahirana anao ny hanoratra taratasy raha mandinika isan’andro izay mitranga manodidina anao ianao. Fisehoan-javatra maro no manatanteraka ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly. Mihasimba haingana dia haingana izao tontolo izao ankehitriny, anisan’izany ny tapany ara-pivavahana. Kanefa ny asan’i Jehovah dia miroborobo amin’ny fomba mahatalanjona noho ny fitahiany. Ho faly ireo rahalahinao haharay vaovao momba ny fanitarana teôkratika ao amin’ny faritaninao. Na iza ianao na iza, dia misy olon-kafa ho faly handray taratasy iray misy fanehoam-piheverana manokana sy mafana avy aminao. Tena anisan’ny fanompoantsika izany satria ny fitiavantsika ireo rahalahintsika dia tsy tokony hanjavona satria fotsiny hoe lavitra antsika izy ireo. Azo hatsaraina tokoa izy io amin’ny fanoratana taratasy.
[Fanontaniana]