Ny Fomba Hitarihana ny Saina ho Amin’ny Baiboly
Fianarana 24
Ny Fomba Hitarihana ny Saina ho Amin’ny Baiboly
1, 2. Nahoana isika no tokony hitarika ny sain’ny mpihaino antsika ho amin’ny Baiboly?
1 Ny faniriantsika rehefa eny amin’ny fanompoana, dia ny hitarika ny sain’ny olona rehetra ho amin’ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra. Mirakitra ny hafatra torintsika izy io ary tiantsika ho takatry ny olona fa izay lazaintsika aminy dia tsy avy amin’ny tenantsika fa avy amin’Andriamanitra. Mitoky amin’ny Baiboly ireo olona tia an’Andriamanitra. Rehefa amakiana andalana ao amin’izany izy ireny dia mihaino sy mandray am-po ny toroheviny. Nefa manaitra azy lavitra izany rehefa afaka manaraka ny famakiana azy ao amin’ny Baiboliny mihitsy izy ireo. Noho izany, rehefa mamela izany ny toe-javatra eny amin’ny saha fitoriana, dia fahendrena ny hampirisihana ilay olona hanaraka eo amin’ny Baiboliny ny famakianao ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly. Toy izany koa, mandritra ny fivorian’ny kôngregasiôna, raha asaina hampiasa ny Baiboliny ny rehetra, dia ho mora tsapan’ireo vaovao kokoa fa izy io no loharanon’ny zavatra inoantsika ary handray soa amin’ny fanamafisana amboniny ateraky ny fahitana mivantana ny mpanatrika rehetra.
2 Noho izany, dia tsy isalasalana fa ho tratranao ny zava-kendrenao rehefa miteny, raha toa ny mpihaino anao ka manaraka ao amin’ny Baiboliny manokana ny famakianao andinin-teny, isaky ny azo anaovana izany. Ny fanaovan’izy ireo izany na tsia, dia hiankina indrindra indrindra amin’ny fanaovanao fampirisihana mety na ny tsy fanaovanao izany. Mifandray amin’izany ny hevitra hoe “Fampirisihana ny mpihaino hampiasa Baiboly” eo amin’ny taratasinao Torohevitra Momba ny Lahateny.
3, 4. Ahoana no ahafahantsika manao izany amin’ny fomba mandaitra?
3 Amin’ny fanomezana soso-kevitra. Ny iray amin’ny fomba tsara indrindra dia ny fanasana mivantana ireo mpanatrika mba hampiasa ny Baiboliny; fampiasa matetika io fomba io. Azo atao indraindray ny mahazo vokatra mitovy amin’izany ihany amin’ny fanondroana fotsiny ilay andinin-teny ao amin’ny Baiboly alohan’ny hamakiana azy; ohatra, azo atao ny milaza hoe: “Eo am-pamakiantsika ny 2 Timoty 3:1-5, dia eritrereto ny amin’ireo toe-javatra misy eto amin’ny manodidina eto.” Avy eo, eo am-pitadiavanao ilay andinin-teny, dia topazo maso ny manodidina mba hahitana raha mampiasa tsara ilay soso-kevitra nomenao ny mpihaino. Amin’ny ankapobeny, ireo mpanatrika dia hanomboka hitady ilay andinin-teny koa.
4 Anjaran’ilay mpandahateny ny manapa-kevitra raha tiany ny hanamafy andinin-teny sasany amin’ny fanasana ny mpihaino hitady izany. Jereo ny mpihaino anao mba hahitana raha maharaka anao izy. Na dia rehefa asaina manao lahateny voasoratra manontolo aza ianao, matetika ireo andinin-teny fototra dia
azonao vakina amin’ny fomba izay hahatonga ny mpihaino hanaraka izany ao amin’ny Baiboliny.5, 6. Hazavao ny antony ilana hamelana fotoana mba hahitan’ny mpihaino ireo andinin-teny tiantsika hovakina.
5 Amin’ny famelana fotoana hahitany ilay andalan-teny. Tsy ampy ny manonona andinin-teny iray. Raha mamaky andinin-teny iray ianao ka miampita amin’ny iray hafa avy eo, nefa tsy manome fotoana ny mpanatrika hahitany izany, dia ho kivy izy ireo amin’ny farany ka tsy hitady intsony ao amin’ny Baiboly. Diniho ireo mpihaino anao ary aza vakina ilay andinin-teny voatonona raha tsy efa nahita izany ny ankamaroan’izy ireo.
6 Amin’ny ankapobeny dia tsara kokoa ny manome alohaloha ilay andinin-teny hotononinao mba hananan’ny mpanatrika fotoana hahitana ilay andalan-teny raha mbola miteny ihany ianao. Amin’izay dia tsy ho very fotoana sarobidy ianao ary tsy hila ny hanapaka ny fahanginana amin’ny teny tsy ilaina, eo am-piandrasana ny hahitan’ny mpihaino ilay andalan-teny. Na izany aza, dia mety tokoa ny iatoana kely eo. Ankoatra izany, dia aza hadinoina fa tsy ho re tsara izay ambaranao aorian’ny nilazanao ilay andinin-teny hotononina. Noho izany, ireo hevitra tombananao fa tena ilaina mba hitarihana ny fanaporofoan-kevitra dia tokony ho voalaza alohan’ny hanomezana ilay andinin-teny hotononina.
**********
7-18. Fomba inona avy no azontsika ampiasaina mba hampidirana tsara ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly?
7 Amin’ny ankapobeny, dia ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly voatonona ao amin’ny lahateny iray no mahaforona ireo hevi-dehibe. Ireo fanaporofoan-kevitra dia mifantoka amin’ireo andinin-teny ireo. Ny anjara entiny amin’ny lahateny àry dia miankina amin’ny fandairan’ny fampiasana azy ireo. Ny lohateny hoe “Fahaiza-mampiditra andinin-teny”, voatondro ao amin’ny taratasinao Torohevitra Momba ny Lahateny àry dia mendrika ny fiheveranao rehetra.
8 Misy fomba maro azo ampidirana sy amakiana ary ampiharana andinin-teny iray. Indraindray, ohatra, ny fampidirana andinin-teny dia tsy vitan’ny hoe mitarika mba hamaky fotsiny fa milaza ny fampiharana koa, hany ka ilay famakiana fotsiny dia efa ampy mba hanamafisana ilay hevitra. Mifanohitra amin’izany, dia ampiasaina amim-pahombiazana indraindray ny andinin-teny sasany amin’ny famakiana azy tsy misy teny fampidirana, ho toy ny fanokafana lahateny iray, ohatra.
9 Mba hianarana mampiditra tsara ireo andinin-teny dia fakafakao izay ataon’ireo mpandahateny za-draharaha. Miezaha mamantatra ireo fomba isan-karazany ampiasainy mba hampidirana andinin-teny. Diniho raha mandaitra izy ireny. Rehefa manomana ireo lahateninao ianao dia diniho mialoha hoe inona no ho anjara asan’ilay andinin-teny, indrindra raha andinin-teny fototra ampiarahina amin’ny hevitra lehibe iray izany. Omano amim-pitandremana ny fampidirana azy mba hahatonga ny
fampiasana azy hisy vokany faran’izay mandaitra. Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy:10 Fanontaniana iray. Mitaky valiny ny fanontaniana rehetra. Mandrisika hieritreritra izy ireny. Avelao hamaly izany ilay andinin-teny sy ny fampiharana. Raha ohatra ka miresaka ny amin’ny fampidiran-dra ianao ary efa nanonona ny fandrarana voalaza ao amin’ny Soratra Hebreo, dia afaka hampiditra ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29 amin’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity: “Nefa moa ve ny Kristianina eo ambanin’io fandrarana io? Mariho ity didy ofisialy avy amin’ny fitambara-mpitantan’ny kôngregasiôna voalohany ity. Natosiky ny fanahy masina izy ireo fony nanao izany.”
11 Filazana na foto-pitsipika iray hamafisin’ilay andinin-teny ampidirina. Raha toa ny foto-kevitrao ka ny ditra, dia ho afaka hiteny ianao hoe: “Mandray anjara lehibe eo amin’ny fihetsitsika eo anatrehan’ny tsara sy ny ratsy na dia ny namana fidintsika aza.” Avy eo dia ho azonao atao ny hanamafy io fanambarana io amin’ny tenin’i Paoly voatantara ao amin’ny 1 Korintiana 15:33.
12 Ny Baiboly tononina ho fahefana. Ho an’ny andinin-teny tsy dia lehibe loatra dia azonao atao fotsiny ny miteny hoe: “Mariho izay ambaran’ny Tenin’Andriamanitra momba izany.” Antony ampy izany mba hamakiana ilay andinin-teny amim-pahalianana sy hanamarinana ny fampiasana azy.
13 Zava-manahirana iray. Rehefa miresaka ny amin’ny “afobe” dia ho azo atao ny hiteny hoe: “Mba hijalian’ny olona iray ao amin’ny afo maharitra mandrakizay, dia tsy maintsy ho mahatsiaro tena izy aorian’ny fahafatesana. Mariho anefa izay lazain’ny Mpitoriteny 9:5, 10.”
14 Safidy maro samihafa. Raha sarotra loatra amin’ny mpihaino anao ny fanontaniana mivantana na ny fampisehoana zava-manahirana iray dia milazà zavatra mety hitranga maromaro ary avelao hamaly izany ilay andinin-teny sy ny fampiharana azy. Mety haniry hanonona ny Matio 6:9 ianao mba hampisehoana amin’ny Katolika iray hoe amin’iza no tokony hivantanan’ny vavaka ataontsika. Ny fametrahana fanontaniana na zava-manahirana mivantana dia mety hampivily ny sainy ho any amin’ny tsy tokony halehany. Azonao atao àry ny miteny hoe: “Misy hevitra maro raha ny amin’ny ahafantarana hoe iza no tokony hivavahana. Ny sasany dia milaza fa tokony hivavaka amin’i Maria, ny hafa dia hoe tsy maintsy mitodika any amin’ireo ‘olo-masina’, ny sasany indray milaza hoe tsy mety ny manolotra ny fangatahantsika afa-tsy amin’Andriamanitra irery ihany. Izao no nohamafisin’i Jesosy.”
15 Ny fototra ara-tantara. Raha ta hanonona ny Hebreo 9:12 ianao ao amin’ny lahateny iray momba ny fanavotana mba hampisehoana fa tamin’ny fanolorana ny rany, i Jesosy dia nahazo “fanavotana mandrakizay” ho antsika, dia ho tsara angamba aloha ny hanazavana fohifohy izay natao hoe “fitoerana masina” tao amin’ny tabernakely izay, araka ny voalazan’i Paoly, dia mampiseho ny toerana nidiran’i Jesosy.
16 Ny teny manodidina. Indraindray, ireo andinin-teny mialoha na manaraka avy hatrany ilay andinin-teny tiana hotononina dia ilaina mba hampidirana an’io farany io. Ohatra, alohan’ny hamakiana ny Lioka 20:25 mba hampisehoana ny hevitry ny hoe “aloavy ho an’i Kaisara izay an’i Kaisara”, dia angamba hoheverinao fa ilaina ny manazava ny fomba nampiasan’i Jesosy denaria nisy ny sary sy soratr’i Kaisara araka izay voalaza eo amin’ny teny manodidina.
17 Fampiarahana. Mazava ho azy fa azo ampiarahina ireo fomba rehetra ireo, ary tena mahasoa izany matetika.
18 Ny fampidirana andinin-teny iray dia tokony hamoha fahalianana ampy mba hitanana ny sain’ny mpihaino mandritra ny famakiana ilay andalan-teny, ary tokony hampifantoka ny saina ho amin’ny antony nampiasanao ilay andinin-teny.
19, 20. Ahoana no ahafahantsika mahalala raha nanaitra ny fahalianana ho amin’ilay andinin-teny tiantsika hotononina isika?
19 Manaitra ny fahalianana ho amin’ireo andinin-teny. Ahoana no ahafahanao mahafantatra raha nanaitra ny fahalianan’ny mpihaino ho amin’ny andinin-teny iray ianao? Voalohany indrindra, amin’ny fihetsiky ny mpanatrika, nefa koa amin’ny fandinihana ny fomba fampidiranao ilay andinin-teny. Raha toa ka navelanao hangetaheta handre ny tohiny ny mpihaino satria tsy novakinao ilay andinin-teny rehefa avy nampidirinao, na raha nasianao fanontaniana tsy voavaly tao amin’ilay teny fampidirana nataonao, dia afaka mahazo antoka ianao fa nanaitra ny fahalianana ho amin’ilay andinin-teny ianao. Mazava ho azy fa ny teny fampidirana ataonao dia tokony hifanentana amin’ny foto-kevitra sy amin’ilay andinin-teny tokony hampidirina. Ilay andinin-teny mihitsy na ny fampiharana ataonao amin’izany dia tokony hamaly ilay fanontaniana napetraka tao amin’ny teny fampidirana nataonao.
20 Ny teny fampidirana ilay andinin-teny dia azo ampitahaina amin’ny dobok’amponga mialoha fanambarana ampahibemaso iray. Tsy milaza akory ilay mpively amponga fa hanao fampisehoana rindran-kira ny tenany. Mampiasa ny ampongany fotsiny izy mba hanintonana ny sain’ny besinimaro ho amin’ny fanambarana tsy maintsy ataony. Raha ampidirina toy izany ireo andinin-teny fantenantsika, dia hohenoina amim-pahafinaretana fatratra izy ireo sady handraisan-tsoa.
21. Nahoana isika no tokony hampifantoka ny saina ho amin’ny antony nakana andinin-teny iray?
21 Mampifantoka ny saina ho amin’ny antony nakana ny andinin-teny. Na dia mety hamela fanontaniana iray tsy ho voavaly aza ny teny fampidirana andinin-teny, fara faharatsiny izy io dia tokony hanome antony mahatonga ilay andinin-teny hifanentana sy ho mendrika hodinihina. Raha toa ohatra ka miresaka ny amin’ny tany ho toy ny fonenan’ny olombelona maharitra ianao, dia ho azonao atao ny hampiditra ny Apokalypsy 21:3, 4 amin’ireto teny manaraka ireto: “Eo am-pamakiana ny Apokalypsy , dia mariho hoe aiza no misy ny tabernakelin’Andriamanitra aorian’ny fanjavonan’ny fanaintainana sy ny fahafatesana.” Tsy vitan’ny hoe hanaitra fotsiny ny fahalianan’ny mpihaino ianao amin’ny famelana an’ilay andinin-teny hanambara zavatra, fa hampifantoka ny sainy koa ho amin’ny tapany lehibe amin’ilay andinin-teny izay hanaovanao fampiharana mora foana aorian’ny famakiana azy. Rehefa tarihinao toy izany ny saina ho amin’ny tena votoatin’ilay andinin-teny, dia antitranterinao fa zava-dehibe ny Tenin’Andriamanitra. 21:3, 4
[Fanontaniana]