Resaka Mampandroso
Fianarana 16
Resaka Mampandroso
1, 2. Inona no tokony hampiavaka ny resaka ataontsika?
1 Amin’ny resaka ataontsika isan’andro dia manana fahafahana hanome voninahitra an’Andriamanitra isika. Nanoratra toy izao ny mpanao salamo iray ao amin’ny Baiboly: “Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay.” Moa ve izany tsy fihetsika mendri-piderana ho an’ireo mpivavaka amin’Andriamanitra rehetra? Milaza izany fa manana fahavononana hampiasa ny molony mifanaraka amin’ny sitrapon’i Jehovah izy ireo. — Sal. 44:8.
2 Iankinan’ny aina ny fanapahan-kevitra toy izany, satria noho ny tsy fahatanterahantsika nolovana dia mety hirona ho amin’ny fanononana teny izay mety hanimba ny hafa fa tsy Jak. 3:8-12). Tsara àry ny hitadidiana lalandava ao an-tsaina ilay fananarana ao amin’ny Baiboly mampirisika antsika hanonona “teny (...) izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana”. — Efes. 4:29.
hampandroso azy isika. (3, 4. Ankoatra ny hoe miteny, inona koa no tafiditra amin’ny resaka iray, ary aiza isika no afaka mizatra manao izany?
3 Mazava ho azy fa tsy tokony hohadinoina fa tafiditra amin’ny resaka ihany koa ny fihainoana, satria ny resaka dia fifanakalozan-kevitra. Mitenena amin’ny fomba manorina, nefa omeo fahafahana koa ireo mpihaino anao mba hilaza ny heviny. Ampitomboy ny fahaizana mametraka aminy fanontaniana mifanentana mba hampirisihana azy hiteny. Avy eo, dia hevero amim-pahatsorana izay ambarany fa aza mampiasa io fotoana io mba hanomanana izay holazainao rehefa avy eo. Hampandroso ireo olona iresahanao ianao amin’ny fiahiana ny heviny.
4 Misy fahafahana maro hanaovana resaka mampandroso. Azo atao izany, ohatra, rehefa ao an-tranonao miaraka amin’ny mpianakavinao ianao, rehefa tafaraka amin’ireo mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminao, na koa rehefa miaraka amin’ireo rahalahinao ao amin’ny finoana. Ampahany betsaka amin’ny lahateny fohy ataontsika amin’ny sekolin’ny fanompoana no manome fahafahana antsika hamboly fahaiza-miresaka.
5-7. Manomeza fanoloran-kevitra vitsivitsy mba hanatsarana ny fifampiresahan’ny mpianakavy, indrindra amin’ny fotoana fisakafoana.
5 Ao an-tokantrano. Ny resaka ao an-tokantrano dia mandray anjara be dia be amin’ny fahasambaram-pianakaviana; mendrika ny hanaovantsika fiezahana àry izay hanatsarana azy. Faly tokoa ny lehilahy na vehivavy iray rehefa liana amim-pahatsorana amin’izay lazainy ny vadiny. Ankamamin’ny ankizy ny hihainoan’ny ray aman-dreniny sy hiheverany azy marina tokoa. Mifanohitra amin’izany kosa, raha mamadibadika gazetiboky ianao nefa misy olona miresaka aminao, raha manapatapaka ny teniny ianao na, amin’ny fomba iray na hafa, ka asehonao fa tsy mahaliana anao ny teniny, dia hihasimba tsy ho ela ny fifampiresahana ao an-tokantrano. Tsy misy olona tia ny miresaka amin’izay tsy mihaino izay lazaina aminy.
6 Ny fotoam-pisakafoana dia manolotra ho an’ny mpianakavy fahafahana tsara dia tsara hamelona resaka
mampandroso. Amin’ny iray amin’izany, ny tapany amin’ny resaka dia mety hifototra amin’ny teny natao hovakina ao amin’ny Baiboly isan’andro izay hita ao amin’ilay bokikely hoe Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro. Mandritra ny fisakafoana sasany, ny lahatsoratra novakina vao haingana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! dia mety ho azo atao fototry ny fiaraha-midinika mahaliana sy mahasoa. Kanefa aza mandamina na oviana na oviana io karazan-dresaka io amin’ny fomba henjana loatra hany ka tsy ho azo atao intsony ny hilaza hevitra avy hatrany na hankafy amim-pilaminana ny sakafo nomanina.7 Mandritra ny fisakafoana, ny tsirairay amin’ny mpianakavy dia afaka mandray anjara amim-pahatsorana amin’ny resaka mampandroso. Tsy fotoana hampiharihariana ny fitarainanareo akory izany; mety hanelingelina ny fandevonan-kaninareo izany. Nandritra ny andro, ny iray amin’ny mpianakavy dia nety ho nandre fanazavana mahasoa na mahatsikaiky. Mety hanana fitantarana mahafinaritra momba ny zavatra hita teny am-pitoriana izy. Angamba izy namaky zavatra mahaliana tao amin’ny gazety na nandre izany tao amin’ny radio. Nahoana raha mitadidy izany mba hampitaina amin’ny mpianakavy hafa mandritra ny fisakafoana? Tsy ho ela dia ho tsikaritrao fa tsy hihinana haingana sy handao ny latabatra amim-pahamaikamaikana ianao, fa tsy ho andrinao kosa io fotoana io mba hiarahana miresaka.
8-10. Nahoana no zava-dehibe ny resaka manokana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka ary ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny mampisy resaka toy izany?
8 Zava-dehibe koa ny hanaovan’ny ray aman-dreny dinidinika manokana amin’ny tsirairay amin’ireo zanany, tsy miaraka amin’ny mpianakavy hafa. Hahazo vokatra tsara kokoa izy ireo raha toa ka atao ao anatin’ny rivo-piainana tsy mihenjana izany resaka izany, na any an-trano na eny an-dalana. Hanome fahafahana azy ireo hanomana an’ilay zaza ho amin’ireo fisehoan-javatra ara-batana izay hampiova ny vatany arakaraka ny fitomboany izany. Ireny fiaraha-midinika ireny dia hampiseho koa izay raketin’ny fon’ilay zaza, ny tena faniriany sy ny zava-kendreny eo amin’ny fiainana; ary izy ireny dia manome fahafahana hamolavola ilay zaza amin’ny fomba mahasoa.
9 Raha mandeha ny resaka, ka milaza zava-manahirana nahavoarohirohy azy ny zanakao, raha miteny mafy azy avy hatrany ianao dia azo antoka fa hijanona eo ny resaka. Rehefa mahatsiaro io nanjo azy tamin’ny lasa io izy dia angamba tsy hiresaka aminao intsony ny zava-manahirana azy. Amin’ny ankapobeny dia mety kokoa ny mihaino sy mamotopototra amin’ny fametrahana fanontaniana izay mampiseho fa mahatakatra ny fiheviny ianao. Avy eo, amin-katsaram-panahy nefa hentitra dia ho azonao atao ny hanampy mba hanitsiana ny lalany eo amin’izay nihatahany tamin’ny foto-pitsipiky ny Baiboly.
10 Ilaina amin’ny fiainan’ny fianakaviana sambatra ny resaka nefa tsy midika akory izany fa tsy maintsy misy olona miteny foana. Raha ny tena izy, dia tsara ny ahafahana mitokana irery indraindray, mba hieritreretana amim-pahanginana raharaha sasantsasany. Matetika ny mpianakavy no mankamamy fotoana tsy hisian’ny tabataba.
11, 12. Ankoatra ny asa fitoriana tsy tapaka eny amin’ny saha, ahoana avy no ahafahantsika manao fanambarana?
11 Famoronana fahafahana hanao fanambarana. Inona moa no ifandraisan’ny fahaiza-miresaka ara-dalàna amin’ny fanompoantsika? Moa ve ianao mbola tsy nanontany tena mihitsy hoe nahoana ny Vavolombelona sasany no toa manan-javatra tsara dia tsara hotantaraina foana? Moa ve tsy satria izy ireny manao dingana hanombo-dresaka? Ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly dia manambara hoe: “Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena [“fahalalana”, Darby]”. — Ohab. 15:7.
12 Ankoatra ny asa tsy tapaka eo amin’ny saha fitoriana dia maro ny fahafahana hampidi-dresaka amin’olona sy hiresaka amin’izy ireo momba an’i Jehovah. Ohatra, ireo vehivavy kristianina mpikarakara tokantrano dia afaka manao fanambarana amin’ireo mpifanila trano na ireo mpivarotra tonga mitsidika azy. Ny ankizy dia manana fahafahana hiresaka Baiboly amin’ireo mpiara-mianatra eny an-dalana mankany an-tsekoly na eny anelanelan’ny fampianarana. Ireo Kristianina miasa ivelan’ny tokantranony dia afaka manao fanambarana eny amin’ny toeram-piasany, amin’ny fotoana fisakafoana, ohatra. Azonao atao koa aza ny manomboka resaka mampandroso rehefa mitsangantsangana eny amin’ny zaridainam-panjakana, rehefa milahatra ao amin’ny magazay na miandry fiara fitateram-bahoaka. Any amin’ny tany sasany izay andrarana ny fitoriana ilay Fanjakana, io fanompoana io dia atao indrindra amin’ny alalan’ny resaka atao tsy ara-potoana. Ahitam-bokatra io fomba fitoriana io satria matetika tokoa dia ahitana fitomboana haingana amin’ny isan’ny mpanompon’ilay Andriamanitra marina ao amin’ireny tany ireny.
13-16. Fomba inona avy no azontsika ampiasaina mba hanombohana resaka ahafahana manao fanambarana?
13 Mba hanaovana fanambarana amin’ny toe-javatra isan-karazany, dia ampy ny manonona teny amim-pisakaizana vitsivitsy mba tsy hisian’ny fifampihafahafana, ary dia mandeha ny resaka. Nanome ohatra i Jesosy tamin’io lafiny io. Indray andro, tamin’ny mitataovovonana, raha nijanona teo akaikin’ny fantsakana iray tany Samaria izy mba hiala sasatra dia nangataka rano hosotroina tamin’ny vehivavy iray tonga mba hantsaka teo. Namoha ny fahalianan’io vehivavy io hahafanta-javatra izany satria ireo Jiosy tsy zatra niresaka tamin’ny Samaritanina. Nametraka fanontaniana tamin’i Jesosy izy. Namaly azy i Jesosy, ary nampitombo ny fahalianany ta hahafanta-javatra tamin’ny filazana fa nanana rano izay afaka nanome fiainana mandrakizay izy. Nanana fahafahana hanao fanambarana taminy àry izy. Mariho tsara fa tsy niditra tamin’ny fanazavana lava izy; nanomana ny lalana tamin’ny resaka tamim-pisakaizana izy. — Jaona 4:5-42.
14 Ianao koa dia afaka manomboka resaka mampandroso toy izany. Rehefa miandry fiara fitateram-bahoaka ianao dia afaka misarika ny sain’ny olona iray ho amin’ny gazety na lahatsoratry ny gazety iray miresaka zava-manahirana iray toy ny fandotoana na ny ady, ohatra, ary manontany azy hoe: “Araka ny hevitrao, nahoana ny tarehin-javatra no niharatsy aoka izany tato ho ato? Heverinao ve fa indray andro any ny tany dia hanjary ho fonenana mahafinaritra?” Hita ihany koa fa mandaitra ny fanombohana miresaka ny amin’ny zava-manahirana iray eo an-toerana, ka manontany toy izao avy eo: “Araka ny hevitrao, inona no fanafodin’izany?” Izany dia mitarika avy hatrany ho amin’ny firesahana ny hany fanafody marina, dia ny Fanjakan’
Andriamanitra. Mazava ho azy fa ilaina ny maneho fahaiza-manavaka. Tsy ilaina ny manery hiresaka raha tsy liana amin’izany ilay olona. Kanefa ho tsikaritrao fa mihaino amim-pahafinaretana ny sasany, tahaka ilay vehivavy samaritanina teo akaikin’ny fantsakana.15 Fomba hafa iray hamoronana fahafahana hiresaka ny amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra eo amin’ny toerana talaky maso. Raha manao izany ianao ao an-tranonao dia matetika hanao fanamarihana vitsivitsy momba ireny boky ireny ireo mpitsidika anao ka izany dia hanokatra ny lalana ho amin’ny fanambarana tsara dia tsara. Raha mianatra ianao, ny boky na gazety iray avela eo amin’ny latabatrao dia saika tsy isalasalana fa hampirisika olona iray hanontany hoe: “Inona io?” Hanana fahafahana hilaza izany aminy àry ianao ary dia hanao fanambarana. Ankoatra izany, raha mamaky boky momba ny Baiboly ianao amin’ny fotoana fisakafoana na rehefa mandeha amin’ny fiara fitateram-bahoaka, izany dia hanome fahafahana anao hiresaka ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra amin’ireo olona liana ta-hahafanta-javatra.
16 Ny resaka amin’olom-pantatra koa dia afaka mitarika avy hatrany ho amin’ny resaka momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Mandritra ny karazan-dresaka toy izany dia mazàna no resahina ny amin’izay nataon’ny olona — taiza no nalehany, inona no reny na hitany — na ny amin’izay kasainy hatao. Noho izany, rehefa manana fahafahana hiteny ianao, nahoana no tsy miresaka ny amin’izay nataonao? Raha avy nanatrika fivoriamben’ny fizaran-tany iray ianao dia lazao amin’ny mpiara-miasa na ny mpifanila trano aminao hoe taiza ianao ary inona no lohatenin’ny lahateny fototra. Angamba izy hametraka fanontaniana aminao ny amin’io. Toy ny iresahan’ny hafa aminao izay ataony, dia ampitao aminy izay novakinao tao amin’ny Tilikambo Fiambenana na Mifohaza! Raha mahatohina ny fony ianao dia hangataka fanazavana hafa aminao izy. Hanana fahafahana hanao fanambarana feno kokoa aminy àry ianao amin’izay. Ny fiaraha-midinika toy izany izay ny zava-kendreny dia ny hanintona ny sainy ho amin’ny fikasan’Andriamanitra, dia mampandroso tokoa.
17-20. Foto-kevitra inona avy no azo atao resaka mampandroso rehefa miaraka amin’ny samy Vavolombelona?
17 Miaraka amin’ireo namanao kristianina. Rehefa miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy ara-panahy ianao dia ara-dalàna ny hanaovana resaka ambony karazana sy mifanentana amin’ny mpitory ny vaovao tsara. Tsy tokony ho ny handany fotoana fotsiny no ho zava-kendrenareo fa ny hifampandroso.
18 Manana fahafahana tsara dia tsara hamelona resaka mampandroso ianao, aloha sy aorian’ny fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Aza atao fahazarana ny mandeha amim-pahadodonana avy hatrany raha vao vita ny fivoriana. Nahoana no tsy miresaka amin’ireo rahalahy be taona na efa za-draharaha,
ary koa amin’ireo mety ho saro-kenatra sy mirona hitokantokana? Misy zavatra maro aoka izany azo resahina. Azonao atao ny milazalaza ireo hevitra mahaliana indrindra voamarikao tao amin’ireo nomerao faramparany amin’ny Tilikambo Fiambenana. Resaho ny amin’ny lahateny fohy hataonao amin’ny manaraka, amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika. Ny sasany angamba manan-kevitra tena vaovao izay ho azonao ampiasaina amin’ny lahateninao na azonao atao ny manao fanoloran-kevitra vitsivitsy izay hanampy olon-kafa hanomana ny anjarany. Azonao atao ny mitantara zavatra hita teny am-pitoriana na miresaka ny amin’ny tapany sasany tamin’ny fivoriana izay nankamaminao indrindra. Tena mampandroso tokoa ny resaka toy izany.19 Amin’ny fivoriambe lehibe kokoa, dia azo atao ny miresaka amin’ny rahalahy sy anabavy avy amin’ny toerana samihafa. Vavolombelona maro no manao ho zava-kendrena ny hanombo-dresaka rehefa miandry ny anjarany any amin’ny toerana fialana hetaheta, na rehefa mandeha ho any amin’ny toerana hanaovana fivoriambe na rehefa miverina avy any. Fomba tsara iray anaovana izany ny filazana ny anaranao amin’ilay rahalahy na anabavy izay iresahanao, ary manontany ny azy. Anontanio azy ny fomba nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah. Mazàna izany no mampiditra resaka mahafinaritra sy mampandroso.
20 Rehefa mandeha ho any amin’ny faritany izay hanaovanao ny asa fitorianao ianao dia manana fahafahana hafa iray hanao dinidinika mahasoa. Toy izay hiditra amin’ny resaka tsy dia manao ahoana, nahoana raha miresaka ny amin’ny fomba hanatonana ireo mponina ao amin’ny faritany iray na ny amin’ny foto-kevitra mifanentana indrindra hovelabelarina? Tsara ihany koa ny miara-midinika ny amin’ny fomba handresena ireo fanoherana. Amin’ny fotoana toy izany dia mamelombelona sy mety tokoa ny hisainana sy hiresahana zavatra ara-panahy. — Fil. 4:8, 9.
21-24. Rehefa tsy mampandroso intsony ny resaka ifanaovan’ny antokon’olona iray, inona no azon’ny tenantsika atao manokana?
21 Raha tahiny ianao miaraka amin’ny antokon-drahalahy sy anabavy ka tsy mahaliana intsony mihitsy ny resaka na tsy dia mampandroso, dia inona no azonao atao? Nahoana raha mametraka fanontaniana mba hitarihana ny resaka ho amin-javatra mahasoa kokoa? Tariho ho amin’ny foto-kevitra manokana ny saina ary mametraha fanontaniana vitsivitsy mifandray amin’izany. Hahasoa indrindra ny resaka toy izany raha maharitra fotoana kelikely eo amin’ny foto-kevitra iray ireo mpandray anjara ka manome fahafahana ny tsirairay avy hilaza ny heviny.
22 Rehefa mahatafiditra mpikambana hafa ao amin’ny kôngregasiôna kristianina ny resaka dia ilaina ny hitandremana mba tsy hahatonga ny resaka ho tsy maneho fanajana na feno fanakianana fa tsy mampandroso. Raha misy anankiray manomboka miresaka ny amin’ny fahalemen’ny rahalahy hafa iray, moa Jak. 5:9; 2 Kor. 10:5.
ve ianao hanana herim-po mba hamiliana ny resaka ho amin-javatra mampandroso kokoa? Tsy hivadika amin’ny fandaminan’i Jehovah ve ianao ka hiaro ny iray amin’ny mpikambana ao aminy? Hilaza angamba ny sasany hoe tsy zava-dehibe izany; nefa hafa no fihevitra rehefa tsaroana fa izay manana itarainana noho ny mpanompon’Andriamanitra iray nanolo-tena ho azy dia mety ho tonga amin’ny fanakianana ireo fandaharana noraisin’ny tenan’Andriamanitra mihitsy! —23 Indraindray ny resaka dia maivamaivana kokoa ary mahatafiditra tantara kely mampihomehy. Mety hampisava ny fihenjanana sy hahasoa io karazan-dresaka io. Kanefa ilaina ny mitandrina mba tsy hivarinany ho amin’ny resaka izay tsy mety amin’ny minisitra kristianina. Tadidio ao an-tsaina ity torohevitra araka ny Baiboly manaraka ity: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany; na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.” — Efes. 5:3, 4.
24 Amin’ny maha minisitr’i Jehovah antsika, dia hitandrina hatrany àry isika mba hanome voninahitra azy amin’ny resaka rehetra ataontsika. Amin’ny fanaovana toy izany dia hanaraka ihany koa ny torohevitra tsara dia tsara nomen’ny apostoly Paoly tamin’ireto teny ireto isika: “Aoka isika rehetra samy hitady izay hahafaly ny namantsika amin’izay hahasoa sy hampandroso azy.” — Rom. 15:2.
[Fanontaniana]