Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Soa Azo Amin’ny Fianarana

Soa Azo Amin’ny Fianarana

Fianarana 7

Soa Azo Amin’ny Fianarana

1. Manomana antsika ho amin’ny inona ny fianarana?

1 Ho tianao ve ny hahita ny finoanao hitombo, ny fitiavanao an’i Jehovah hihalalina kokoa, ny fahaizanao manavaka hihamaranitra ary ireo vokatry ny asa fitorianao hihabetsaka? Ny fandrosoana hataonao amin’ireo lafiny rehetra ireo dia miankina be dia be amin’ny fianaranao manokana sy ny fianaram-pianakaviana. Tapany tena lehibe amin’ny fiainan’ny Kristianina ny fianarana. Tsy hoe manampy antsika mba hanompoana an’Andriamanitra ankehitriny fotsiny izany, fa mandray anjara koa amin’ny fanomanana antsika hiaina ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’Andriamanitra. Moa ve ianao mianatra araka ny tokony ho izy? — Matio 4:⁠4.

2, 3. Ahoana no mety hahitantsika fotoana ianarana?

2 Ahoana no hahitana fotoana hianarana? Zava-manahirana io matetika, nefa tsy hoe tsy misy fanafodiny. Raha tsy dia mety loatra ny fahitanao ny fandaharam-pianaranao dia fakafakao ny fandaharam-potoananao isan-kerinandro. Azo inoana fa tsy hahita fotoana betsaka banga ianao, nefa ny Baiboly dia mampirisika antsika ‘haka fotoana’ avy amin’ireo zavatra hafa ataontsika. (Efes. 5:15-17, NW ). Raha manana televiziona ianao dia manandrama manisa ny fotoana laninao eo anoloany isan-kerinandro. Tsy isalasalana fa ho gaga ianao amin’ny vokatra azo. Fotoana toy inona no laninao amin’ny “firesahana” an-telefaonina na amin’ireo mpifanila trano aminao? Mamaky gazety sy revio maro be ve ianao? Moa ve ny ampahany amin’ny ora lany amin’izany tsy ho azonao ovana ho fotoana iray na maromaro hanaovana fianarana izay hitondra soa maharitra ho anao? Azo atao ny mianatra mandritra ny andro, ny hariva na amin’izay fotoana mety indrindra aminao. Amin’ny ankapobeny dia mahita fotoana hanaovana izay heverina ho zava-dehibe isika; kanefa, tsy azo lavina fa ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra dia iray amin’ireo “zavatra tsara indrindra” eo imason’izay miahy ny hanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah. — Fil. 1:9-11; Ohab. 2:1-5.

3 Eo am-piandohana dia mety ho sarotra aminao ny hipetraka sy hifantoka amin’izay ianaranao, nefa arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia ho mora sy hahitanao fahafinaretana kokoa izany. Mila miaiky ny maha zava-dehibe ny fianarana anefa ianao, manokana fotoana tsy tapaka ho amin’izany ary manao fiezahana amim-pahatsorana.

4, 5. Mitaky inona ny hoe fianarana, ary nahoana no mety ny hivavahana alohan’ny hianarana?

4 Ny zava-kendren’ny fianarana dia ny hitadidiana hevitra sasany sy hahafahana hanazava izany tsara. Marina aloha fa manana toerana eo amin’ny fiainantsika ny famakian-teny mampiala voly, nefa tsy fianarana izany. Ny fianarana dia mitaky fikarohana, fieritreretana ary filofosana. Aza miezaka mamita pejy maro kokoa noho izay tena mety ho vitanao, fa raha tsy izany dia tsy ho lasa lalina sy tsy hahitan-tsoa ny fianaranao. Makà kosa aza fotoana hatokana ho amin’ny fikarohana sy hisaintsainana. Manaova fandaharana mialoha mba hamitana pejy ampy anefa, mba hahitanao fa tena mahavita zavatra tokoa ianao.

5 Ny mpianatra kristianina dia tsy miankina amin’ny fahaizany manokana mba hahatakarana ireo zava-dalina ao amin’ny Teny fahamarinan’Andriamanitra. Takany fa ilainy ny fanampian’ny fanahy masina sy ny fandaminan’Andriamanitra voaforon’ireo mpanompony be fandavan-tena, ary ny Teniny mihitsy. Noho izany dia tsara ny hanombohana ny fotoana fianarana amin’ny vavaka hangatahana ny fitahian’Andriamanitra. — Jak. 1:5; Lioka 11:9-13.

6, 7. Fanoloran-kevitra azo ampiharina inona no mety hanampy antsika handray tombontsoa betsaka kokoa amin’ny famakiana Baiboly ao amin’ny fianakaviana?

6 Ny fianarana ny Baiboly. Ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika mazàna dia misy fandaharam-pamakiana ampahany amin’ny Baiboly isan-kerinandro. Matetika io famakiana io dia azo atao ao amin’ny faritry ny fianakaviana, ka toko iray na roa no vakina isan-kariva. Mba hahatonga io vakiteny io hahitam-bokatra, ilay mpamaky na mpikambana hafa iray amin’ilay antokon’olona dia tokony hanao famelabelarana mampisongadina ny hevi-dehibe, isaky ny faran’ny fehintsoratra. Raha mamaky mangina ianao, dia makà fotoana hisaintsainana ny hevitra voambara, ny fifandraisany amin’ny tapany sisa amin’ilay toko sy ny fomba iharan’izany amin’ny tenanao manokana.

7 Isaky ny avy mamaky Baiboly, raha misy hevitra tsy mazava, dia makà fotoana hanaovana fikarohana. Mety tsy ho takatrao ny hevitry ny andinin-teny iray ao amin’ny Soratra Masina. Ahoana no mety hahazoanao fanazavana momba an’io? Azonao atao aloha ny mijery ilay fizarana hoe Indeksa Araka ny Andinin-teny ao amin’ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower izay hanondro anao ireo pejy hanazavana io andinin-teny io. Raha toa ilay hevitra mahakasika foto-kevitra araka ny Baiboly toy ny hoe “Ny fanamasinana” na “Babylona Lehibe”, dia mijere kosa ao amin’ilay fizarana hoe Indeksa Araka ny Foto-kevitra ao amin’ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower ao amin’ny fitahirizam-bokinao. Azo arahina io fomba io mba hahazoana fanazavana misimisy kokoa mahakasika olona iray na toerana iray voalazan’ny Baiboly. Afaka mahazo fanazavana mahakasika olona na toerana koa ianao ao amin’ny Étude perspicace des Écritures na ao amin’ilay indeksa araka ny andinin-teny manaraka filaharan’ny abidy, ao amin’ny faran’ny Baibolinao (NW ), ary jereo avy eo ireo andinin-teny aseho ao. 

8, 9. Ahoana no mety hahitantsika valin’ny fanontaniana iray ao amin’ny Baiboly, nefa inona no tokony hotadiavintsika ankoatra ny valiny?

8 Fikarohana mba hamaliana fanontaniana. Indraindray, amin’ny fiverenana mitsidika na fampianarana Baiboly, dia mety hisy hametraka fanontaniana izay tsy azonao antoka ny valiny. Hararaoty ny fotoana atokanao amin’ny fianarana any an-trano mba hanaovanao fikarohana momba izany fanontaniana izany. Amin’izay ianao dia hahazo antoka fa hamelabelatra “tsara ny teny fahamarinana”. (2 Tim. 2:15). Ho ampy anao ny manao fiezahana kely mba hahitana valiny mahafa-po. Raha toa ilay fanontaniana mahakasika andinin-teny iray ao amin’ny Baiboly, dia manomboha mamaky ny teny manodidina. Inona moa no resahina eo aloha sy eo aorian’io andinin-teny io? Mazava ve izao ny hevitr’izy io? Rehefa azonao antoka ny amin’izany, dia vonona amin’izay ianao hijery ilay fizarana hoe Indeksa Araka ny Andinin-teny ao amin’ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower mba hahitana fanazavana hafa. Moa ve ilay fanontaniana mahakasika foto-pampianarana na faminaniana, sa kosa fampiharana ireo foto-pitsipika araka ny Baiboly eo amin’ny fiainan’ilay nametraka azy? Ireo fizarana hoe Indeksa Araka ny Foto-kevitra sy Indeksa Araka ny Andinin-teny ao amin’ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower dia samy hanampy anao hahita ilay fanazavana ilainao.

9 Rehefa hitanao ilay valiny dia manontania tena raha afaka manaporofo izany ianao. Moa ve ilay valin-teninao filazana zava-misy fotsiny amin’ny fomba toa jadona ho an’ilay mandre, sa takatrao ny anton’ireo fanatsoahan-kevitra aseho ao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana? Ho afaka hampiseho ve ianao fa marina izany? Ilay olona tsidihina dia mety hangataka anao mba hanazava ny anton’ny fanatsoahan-kevitrao, na mba hanome porofo araka ny Soratra Masina. Hahay hanazava izany amin’ny alalan’ny fanoharana ve ianao? Efa noeritreretinao ve ireo fanontaniana ho azonao apetraka mba hampirisihana ilay olona hanjohy hevitra sy ho tonga amin’ny fanatsoahan-kevitra mety? Raha mianatra ilay foto-kevitra ianao, dia hahay hanome valin-teny mandaitra.

10, 11. Manomeza fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba tsara hanomanana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny fianarana ny bokin’ny kôngregasiôna.

10 Ahoana no hanomanana ny fianarana “Ny Tilikambo Fiambenana”. Any amin’ny tany sasany, Ny Tilikambo Fiambenana dia tsy tonga ara-dalàna, noho ny fanoherana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Any amin’ireny tany ireny, ireo rahalahy dia voatery mamerina indray ireo nomerao tranainy na mitadidy fotsiny izay nianarany tamin’ny lasa. Tadidinao ve ireo hevi-dehibe tao amin’ireo nomerao farany tamin’ny Tilikambo Fiambenana nianaranao? Tokony hianatra isika amin’ny fikendrena ny hitadidy ireo hevitra, mba hampiharana izany eo amin’ny fiainantsika na eny amin’ny saha fitoriana.

11 Ahitan-tsoa ny hamakiana ilay gazety manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany raha vao voaray, mba hahazoana an-tsaina ny hevitra ankapoben’izay raketiny. Avy eo, alohan’ny hianarana ny lahatsoratra iray any amin’ny fivorian’ny kôngregasiôna, dia tsara ny hamerenana mamaky azy manokana na ao amin’ny fianakaviana. Mandritra io famerenana mamaky io, dia mariho aloha ny foto-kevitr’ilay lahatsoratra, ny andinin-teny fototra ary ireo lohateny kely amin’ny sora-matevina ao amin’⁠ilay lahatsoratra iray manontolo. Izany dia hanome anao fahitana ankapobe an’ilay foto-kevitra ary hanampy anao hahatakatra ny fifandraisan’ireo tsipiriany ao amin’ny fehintsoratra tsirairay. Azonao atao amin’izay izao ny mamaky ilay lesona isaky ny fehintsoratra, mitady ny valin’ireo fanontaniana ary manipika teny fototra vitsivitsy mba hanampy anao hitadidy. Raha toa aorian’ny fehintsoratra iray ka tsy afaka mamaly an’ilay fanontaniana amin’ny fiteninao manokana ianao dia avereno vakina ilay izy ary dia andramo indray. Mariho ny anton’ireo fanazavana omena araka ny Baiboly, tadiavo ireo andinin-teny izay voatonona fotsiny ary farito ireo izay ho tianao hovelabelarina any amin’ny fivoriana. Raha vao avy nandinika ireo fehintsoratra rehetra eo ambanin’ny lohateny kely iray ianao dia miatoa fotoana fohy aloha ary ampifandraiso ireo hevitra velabelarina sy ny famoaboasana ny foto-kevitra. Manaova toy izany koa amin’ny faran’ny lahatsoratra. Manontania tena ny amin’izay toerana hahafahanao hampiasa ireo hevitra avy nianaranao, ny amin’ny fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao, na ny amin’ny fomba hanazavanao izany amin’olon-kafa. Amin’izay ianao dia tsy hanipika ny valiny fotsiny, fa hahazo fahendrena sy fahatakarana hevi-javatra koa. (Ohab. 4:7). Ankoatra izany, dia hitombo be ny fahafinaretana hitanao amin’ny fanatrehana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ao amin’ny kôngregasiôna. Fomba mitovy amin’izany koa no araho amin’ny fanomanana ny fianarana ny bokin’ny kôngregasiôna.

12-14. Nahoana moa ny fianaram-pianakaviana no tena zava-dehibe, ary foto-kevitra inona avy no azo dinihina?

12 Ny fianaram-pianakaviana. Ataovy izay hahazoanao antoka, alohan’ny zavatra rehetra, fa mandray anjara amin’ny fandaharam-pianaranao ny fianakavianao ka mandray soa faran’izay betsaka avy amin’izany ny tsirairay avy amin’ny mpianakavy. Moa ve haneho fitiavana ny filoham-pianakaviana iray raha toa mianatra amim-pitandremana ny tenany nefa ny vady aman-janany ho mosarena ara-panahy? Tsy amin’ny lafiny ara-batana fotsiny, fa amin’ny lafiny ara-panahy koa, ny filoham-pianakaviana dia manana adidy ‘hamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany’. (1 Tim. 5:8). Izao torohevitra manaraka ao amin’ny Ohabolana 22:⁠6 izao, dia mampiseho fa fahendrena ny manomboka aloha be ny fampiofanana ara-baiboly ny zanaky ny tena: “Zaro amin’izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.” Aza heverina hoe mbola kely loatra ny zanakao. Efa mianatra ny ankizy hatry ny fony vao zazakely. (2 Tim. 3:15, NW ). Ny fianakaviana mandroso haingana indrindra dia matetika no ireo manana fandaharam-pamakian-teny sy fianarana. Zava-dehibe indrindra ny fanaovan-javatra tsy tapatapaka.

13 Moa ve ianao mandinika ny teny natao hovakina isan’andro miaraka amin’ny mpianakavinao, ka mamela azy ireo hanazava sy mametra-panontaniana aminy mba hahazoana antoka fa azony izany? Loharanon-tsakafo ara-panahy be dia be tokoa izany. Fianakaviana maro no manao izany amin’ny fotoana fisakafoana. Ankoatra izany, ny fianakaviana tsirairay avy dia tokony hametra fotoana isan-kerinandro ho amin’ny fianarana lalina kokoa. Mety ho ny takariva izany na fotoana iray hafa mety. Ilaina ny fotoana ampy mba hahatakarana amin’ny fomba mahafa-po ny foto-kevitra maro araka ny Baiboly, mba handinihana ireo lafiny samihafa aminy, ary mba handatsahana izany ao am-po. Ny fianaram-pianakaviana atao tsy tapaka dia mahatonga ny mpianakavy rehetra ho afaka handray soa avy amin’izany. Moa ve ianao manao fianaram-pianakaviana toy izany? Raha tsy zavatra fanao tsy tapaka ao an-tranonao izany, nahoana raha anio ihany dia miresaka izany amin’ny fianakavianao manontolo ary manao fandaharana hentitra mba hahatonga izany ho anisan’ny fiainanareo? — Efes. 6:4; Deot. 6:4-7.

14 Raha mbola kely ny zanakao, dia ho tsara ny hiarahana mianatra foto-kevitra izay mety ho takany sy hanampy azy. Kanefa, na dia ireo foto-kevitra sarotra indrindra aza dia azo aseho amin’ny fomba izay hahaliana ny ankizy raha ametrahana fanontaniana tsotra ny amin’ny hevitra sasany izay mety ho takany izy ireny. Fianakaviana maro no manomana ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana mandritra ny fotoam-pianaram-pianakaviana. Azo atao mifototra amin’izay rehetra mety ho zavatra vita an-tsoratra mifanentana amin’ny zavatra ilain’ny fianakaviana anefa ilay fianarana. Manamafy ny fatoram-pianakaviana izany ary mandalina ny fahalalana ara-panahin’ny mpianakavy.

15-17. Valisoa inona avy no entin’ny fianarana amim-pahazotoana ho antsika?

15 Valisoa noho ny fianarana amim-pahazotoana. Anisan’ny valisoa azo avy hatrany avy amin’ny fianarana amim-pahazotoana ny fihatsaran’ny fitadidiana, noho izy io zarina miasa sy taitairina. Any amin’ny asa fitoriana sy ireo fivorian’ny kôngregasiôna, dia manjary mora kokoa ny mahatsiaro sy manazava hevitra izay efa nianarana. Afaka mamaly an-kandrina fanontaniana maro apetrak’ireo olona vao liana amin’ny hafatra isika ary mahita haingana ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly mba hanamafisana ny famelabelarana ataontsika. Ambonin’izany anefa, dia manome antsika fahalalana tsara kokoa, mahafaoka ny lafiny rehetra amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny fianarana. Noho izy io, dia matanjaka kokoa ny finoantsika, mazava kokoa ny fahaizantsika manavaka ireo foto-pitsipika araka ny Baiboly ary mitombo ny fifaliantsika manompo an’i Jehovah. — Heb. 5:14.

16 Ny olon-kendry dia manome toerana voalohany ho an’ireo zavatra mahakasika ny fiainany ara-panahy. Noho ny tsy fahampiam-potoana dia mety ho voatery havela ireo raharaha tsy dia lehibe loatra, fa tsy ny fianarana ny Tenin’ny fiainana na oviana na oviana. Izay manana izany fomba fiheverana izany no ampanantenain’i Jehovah hoe: ‘Hahita Ahy hianao.’ (1 Tant. 28:9). Ho marina indrindra izany raha toa ianao mianatra nefa tsy hoe mba hamenoana fahalalana ny sainao fotsiny, fa mba hamahanana ny fonao. Enga anie ny fitiavanao sy ny fankasitrahanao an’i Jehovah noho ireo asany mahatalanjona ka hitombo rehefa mianatra ny Teniny ianao!

17 Ny tena zava-kendren’ny fianarana ataon’ireo minisitr’Andriamanitra dia aharihary mazava ao amin’ity vavaky ny apostoly Paoly voarakitra ao amin’ny Kolosiana 1:9, 10 ity: “Mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony hianareo amin’ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ny Fanahy, mba handehananareo miendrika ny Tompo [“Jehovah”, NW ], hanaovana ny sitrapony amin’ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra.”

[Fanontaniana]