Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Chypre

Ny anisan’ny nitondra ny Kristianisma tany Chypre dia ny apostoly Paoly sy i Barnabasy, izay tera-tany avy tany. Kanefa, tsy ela izy ireo dia nahita fanoherana mafy avy tamin’ny mpaminany sandoka iray izay nitady hitaona ilay governora romana. Amin’ny andro ankehitriny koa, dia nanohitra tamin’ny fomba mahery vaika ny mpanompon’i Jehovah ny klerjy, nefa tsy nitovy hevitra tamin’izany foana ireo manam-pahefana tao amin’ny fitondram-panjakana.

Guadeloupe

Any Guadeloupe, ny fifangaroan’ny kolontsaina — afrikana sy eoropeana ary aziatika — dia niteraka fomba fiaina mamelombelona izay anjakan’ny fahalemem-panahy sy ny hatsaram-panahy. Ireo toetra tsara ireo dia nanampy olona an’arivony maro hanaiky ny hafatra momba ny fanjakan’Andriamanitra sy ho tonga mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina.

Meksika

Tany katolika hoe? Amin’ny lafiny maro, dia eny. Kanefa, 135 taona lasa izay, ny fitondram-panjakana dia ­nandidy ny hakana ny fananam-piangonana rehetra. Vao haingana vao nanjary azon’ireo fivavahana natao ny hanana fananana indray. Nahoana no olona maro be aoka izany any Meksika amin’izao andro izao no dodona hiara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Vakio itỳ tatitra navoaka farany itỳ.