Chypre
Chypre
REHEFA nitory teto Chypre (Kyprosy) ny apostoly Paoly sy ireo mpiray dia taminy tamin’ny taonjato voalohany, dia tojo fanoherana namaivay. Nisy mpaminany sandoka iray, dia ny mpanao ody iray nantsoina hoe Barjesosy, nitady hitaona ilay governora hanakana ny fanompoan’izy ireo. Noho ireo fomba nampiasain’ilay mpanao ody, dia nilazalaza azy tsy niolakolaka ho ‘feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, namily ny lala-mahitsin’i Jehovah’, i Paoly. (Asa. 13:6-12). Amin’ny andro ankehitriny koa dia nisy mpikambana sasany tao amin’ny klerjy teto Chypre nampiasa fomba mitovy amin’izany mba hisakanana ny olona teto tsy hianatra momba ny fikasana lehiben’i Jehovah hitahy ny fianakaviana rehetra amin’ny tany.
Tsy ny olona rehetra eto Chypre anefa no mitovy hevitra amin’izay lazain’ireo mpikambana ao amin’ny klerjy ireo sy amin’izay ataony. Malaza ho mahay mampiantrano vahiny ny mponin’i Chypre. Tolorana voankazo nohamainina mazàna ireo mpitsidika; na koa, amin’ny andro fahavaratra mafana, izy ireo dia mety hotolorana limonady mangatsiatsiaka eran’ny vera, izay sotroina rehefa mipetraka eo amin’ny aloky ny voaloboka feno voa.
Tsy mafana tsy mangatsiaka ny toetr’andro eto. I Chypre dia eo amin’ny faritra atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, tokony ho 100 kilaometatra eo andrefan’ny moron-tsirak’i Syria ary 60 kilaometatra eo atsimon’i Torkia. Tsara tarehy ilay nosy. Tonga hatrany amin’ireo rano mafampanan’ny Ranomasina Mediterane ireo moron-dranomasina feno torapasika. Ireo tendrombohitra Troodos, izay miitatra mamakivaky ny tapany atsimo-andrefan’ny nosy, dia manolotra faritra mangatsiatsiaka mamerovero hazo kesika, ho an’ireo izay maniry handositra ny hafanan’ny fahavaratra. Zavatra fahita ny voaloboka sy ny aviavim-bazaha, ary toy izany koa ny hazo oliva sy ny caroubiers. Rehefa mamelana ny amandiers, dia toy ny voarakotra oram-panala ny any ambanivohitra. Ary rehefa mamony ireo voasary, dia henika hanitra faran’izay mamerovero ny rivotra. Any ambanivohitra, ireo mpiandry ondry matetika dia hita mitondra ireo andian’ondriny sy osiny any an-kijana. Ny fomba fiainan’ny maro amin’ireo olona ireo dia efa hatrany amin’ny fotoana ela talohan’ny Fanisan-taona Iraisana.
I Chypre teo amin’ny tantara
Itỳ nosy itỳ, na dia 206 kilaometatra monja aza ny halavany, dia niharan’ny fitaoman’ireo herim-panjakana fito rehetra teo amin’ny tantara ara-baiboly tamin’ny fomba samihafa, ary, raha ny marina aza, dia nofehezin’ny enina tamin’izy ireo nivantana. Ny herim-panjakana fahavalo, ny Firenena Mikambana, koa dia nampihatra hery teto, mba hampandry ny fifandraisana teo amin’ireo mponina miteny grika sy ireo miteny tiorka.
Ny Kristianisma dia nampidirina teto Chypre tany am-piandohan’ny taonjato voalohany am.f.i. Taorian’ny onjam-panenjehana nanaraka ny nahafatesan’i Stefana tany Jerosalema, ny sasany tamin’ireo mpianatra izay niely dia nanketo Chypre ary nitory tamin’ireo mponina Jiosy be dia be izay nonina teto amin’itỳ nosy itỳ tamin’izany fotoana izany. (Asa. 11:19). Nampidirina tao amin’ny dia misionera voalohan’i Paoly i Chypre tatỳ aoriana, tokony ho tamin’ny 47-48 am.f.i. Ny iray tamin’ireo namany niray dia taminy dia avy teto Chypre ary nifanerasera tamin’ireo apostolin’i Jesosy Kristy tany Jerosalema taorian’ny nandatsahana ny fanahy masina tamin’ny 33 am.f.i. Nataon’izy ireo hoe Barnabasy (Zanaky ny Fampiononana) ny anarany. (Asa. 4:34-37, NW ). Nandritra ny fanompoany teto Chypre, i Paoly sy i Barnabasy dia nitory tao Salamis (Salamisy) teo amin’ny moron-tsiraka atsinanana aloha, ary avy eo dia nita nankany amin’ny nosin’i Paphos (Pafo) teny andrefana. Ireo sisa tamin’ny tanànan’i Salamis sy i Paphos dia manamarina ny naha-tanàna lehibe azy ireo tamin’ny fotoana nanaovan’i Paoly sy ireo namany ny fanompoany teto.
Tao Paphos no niovan’i Sergio Paolo, governora romana, hanaraka ny Kristianisma na dia teo aza ny tabataba nataon’i Barjesosy, ilay mpanao ody. Ilay governora, araka ny lazain’ny Baiboly, dia “talanjona tamin’ny fampianaran’i Jehovah”. — Asa. 13:12, NW.
Tokony ho roa taona tatỳ aoriana, dia niverina nanketo Chypre niaraka tamin’i Marka, zanak’olo-mpiray tam-po taminy, i Barnabasy mba hanitatra ny fitoriana ny filazantsara. — Asa. 15:36-41.
‘Ny Mpianatra ny Baiboly no oniversite’
Amin’ny andro ankehitriny koa dia nisy fitoriana ny filazantsara be dia be natao teto Chypre. Misy olona tso-po velom-pankasitrahana nianatra izay ampianarin’ny Baiboly, mifanohitra amin’ireo lovantsofin’ny olombelona. Ny famantarana tany am-boalohany fa nahatratra an’i Chypre izany fampianarana izany dia hita ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Oktobra 1922. Ny taratasy iray navoaka tao amin’io nomerao io dia nampahafantatra fa nisy Armeniana iray mpikambana tao amin’ny klerjy nahazo taratasy mivalona iray izay nampiseho fa maty ny fanahy (âme), fa tsy hoe tsy mety maty akory izy io. Velom-pankasitrahana noho izay novakiny izy. Nanelingelina azy mafy anefa ny toe-piainana ara-panahy nisy ireo fiangonana teto Chypre. Momba azy ireo, dia hoy ny nosoratany: “Misy trano fiangonana maro (...) be eto. Tsy misy fiainana ara-panahy anefa; efa maty efa ela izany. Mikororosy lavitra noho ny an’ny sarambabem-bahoaka ny fiainan’ny klerjy. Tsy misy na inona na inona hafa azoko atao afa-tsy ny mitaraina sy mitoreo ary mitomany toa
an’i Jeremia. Miezaka mafy araka izay azoko atao aho mba hanomezana ny rononon’ny fahamarinana an’ireo Grika, Armeniana, Tiorka ary Jiosy.” Nisy Armeniana hafa koa, tany ivelan’i Chypre, nanao izay azony natao mba hizarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ireo mponin’i Chypre.Avy eo, tamin’ny Septambra 1924, dia niverina avy tany Etazonia nanketo Chypre, tany niaviany, i Cyrus Charalambous. Mpianatra ny Baiboly izy, ary nitondra taratasy mivalona maro, anisan’izany ny be dia be tamin’ilay nitondra ny lohateny hoe Aiza moa Ireo Maty? Nankany amin’ny biraon’ny paositra foibe tany Nicosie renivohitra izy ary nandefa zavatra vita an-tsoratra iray ho an’ny tsirairay tamin’ireo lehiben’ireo vohitra ary koa ho an’ireo mpampianatra tany amin’ireo tanàna sy vohitra tsirairay avy. Tamin’izany andro izany, dia nataingina teo amin’ny lamosin’ampondra ireo taratasy, ary nentina tany amin’ireo vohitra indray mandeha isan-kerinandro.
Tonga tany amin’ilay mpampianatra tao Xylophagou, vohitra iray tao amin’ny faritra mpamboly ovy any amin’ny tapany atsimo-atsinanan’ny nosy, ny zavatra vita an-tsoratra iray, dia ny taratasy mivalona nitondra ny lohateny hoe Polipitran’ny Vahoaka. Notsidihin’ny mpamboly iray teo an-toerana, nantsoina hoe Antonis Spetsiotis, io mpampianatra io. Nanomboka nitady zavatra hovakina i Antonis, lehilahy iray nazoto nianatra. Nahita ilay taratasy mivalona izy ary tsy ela dia naharevo azy ny loha hevitra noraketin’izy io. Niresaka momba azy io tamin’ny mponina hafa iray tao amin’ilay vohitra, nantsoina hoe Andreas Christou, izy. Tatỳ aoriana dia nahazo ary namaky zavatra vita an-tsoratra hafa koa avy tamin’ny Watch Tower Bible and Tract Society izy ireo. Nizara izay nianarany tamin’ny hafa koa izy ireo, ary ny sasany tamin’ireo olona ireo dia niaraka tamin’izy ireo mba hiara-mianatra ny Baiboly.
I Cleopas, teolojiana iray tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika, no iray tamin’ireo nampiseho fahalianana. Na dia tonga naman’ny vahoakan’i Jehovah aza izy, dia tsy niandany tamin’ny fomba hentitra ho an’ny fahamarinana mihitsy. Na dia izany aza, dia zatra nilaza izy hoe: ‘Ny Katolisisma no akanin-jaza, ny
Protestantisma no sekoly fanabeazana fototra, fa ny Mpianatra ny Baiboly kosa no oniversite.’Kanefa, tsy ny rehetra no niresaka tamin-katsaram-panahy momba ny Mpianatra ny Baiboly. Ny fitoriana tsy ara-potoana nataon’i Antonis Spetsiotis sy i Andreas Christou dia nahatonga ireo mponina tao amin’ny vohitra nisy azy, ho tezitra taminy. Nilazana ny arsevekan’i Chypre, hany ka nisy teolojiana nirahina mba hanohitra ny fitaoman’ireo rahalahy roa ireo. Nandritra ireo roa taona nanaraka, dia nisy ady hevitra maromaro natao — teolojiana iray teo amin’ny andaniny, ary ny Rahalahy Spetsiotis teo amin’ny ankilany. Tsy nisy efitrano nohofana ho an’izany toe-javatra izany; ilay toerana fisotroana kafe teo an-toerana dia efa nety tsara, satria teo no nihaonan’ny olona. Tamin’ny farany
dia naongana tsy ho anisan’ny Eglizy Ortodoksa Grika intsony ireo rahalahy roa ireo ary noverezin-jo tsy hanambady na halevina. Raha ny marina aza, rehefa maty ny zanak’i Andreas Christou, dia tena tsy namela ny handevenana ilay zaza tao amin’ny fasan’ilay vohitra mihitsy ilay pretra teo an-toerana, raha tsy hoe niangona angaha i Andreas ny alahady maraina. Inona no niafarany? Nalevina ihany ilay zaza tamin’ny farany, i Andreas anefa tsy nankany am-piangonana.Nandritra izany fotoana izany, i Tryfon Kalogirou, mpisafo ny fahadiovan’ireo toeram-bahoaka, avy tamin’ny vohitra iray ao amin’ny zara-tanin’i Nicosie, dia nianatra ny fahamarinana. Rehefa nitsidika ireo vohitra teo am-panaovana ny asany izy, dia nampiasa be dia be ny Baiboly mba hanalana sarona ireo fampianarana momba ny afobe mirehitra sy ny Trinite. Kanefa, rehefa avy notapahina ny iray tamin’ireo ranjony noho ny aretina, dia nanaraby azy ny olona ka nilaza fa nosazin’Andriamanitra izy, Joba 4:7, 8; 12:4.) Kanefa dia nitoetra ho rahalahy nahatoky hatramin’ny fahafatesana tamin’ny 1960 i Tryfon.
satria niova finoana. Niteraka fahoriana be ho azy izany, tsy misy hafa amin’ireo hevitra naolana naroson’ireo sakaizan’i Joba ka nanampy trotraka ny alahelon’i Joba. (Ampitahao amin’nyNampiely ny vaovao tsara ireo mpisava lalana be zotom-po
Nahazo tosika tsara dia tsara ny asa teto amin’ny nosy tamin’ny 1934, rehefa tonga avy tany Gresy, ny mpisava lalana roa, dia ny Rahalahy Matheakis sy Triantafilopoulos. Nandefa baoritra 43 nisy boky tamin’ny teny grika sy tiorka ary fiteny hafa koa ny biraon’ny foibe tany Brooklyn, any New York, mba
hampiasain’izy ireo. Be zotom-po ireo rahalahy ireo, nefa voatery nisetra tsy firaikana lehibe tamin’ny voalohany. Nofitahin’ny klerjy ny olona ka nihevitra fa komonista na protestanta ireo rahalahy, ary nampitandremana fa hoe nitady hanova finoana ny olona izy ireo. Kanefa, ireo olona tany amin’ireo tanàna lehibe kokoa, indrindra fa ireo mpandraharaha, dia liana ta hahafantatra ka naniry hahalala hoe inona marina io “fivavahana vaovao” io.Nahazo ny anaran’ny olona vitsivitsy nanao famandrihana tamin’ireo gazetin’ny Fikambanana avy tany Brooklyn ireo mpisava lalana. Ny iray tamin’izany dia i Cleopas, ilay teolojiana. Nahazo maro tamin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana izy ary nanasa ireo mpisava lalana hisakafo tany an-tranony imbetsaka mihitsy aza. Nitondra ny Rahalahy Matheakis niaraka taminy tany amin’ny Club Hellénique any Larnaca koa izy, ka tany dia nampahafantatra azy ho toy ny ‘lehilahy iray avy tany Atena ary solontenan’ny fikambanana iray izay mamoaka boky tsara manazava ny Baiboly’. Tamin’iny hariva iny ny Rahalahy Matheakis dia nahapetraka boky 84 sy bokikely 120, ary nampanao famandrihana 10 tamin’ny gazety L’Âge d’or.
Avy tao Larnaca, teo amin’ny moron-tsiraka atsimo-atsinanana, ireo mpisava lalana roa dia nankany Xylophagou, 26 kilaometatra teo ho eo avy teo, ka tao izy ireo dia nitsidika an’i Antonis Spetsiotis sy i Andreas Christou. Nanao izay farany nety ho vitany ireto rahalahy roa ireto mba hizarana izay nianarany, nefa faly toy inona moa izy ireo rehefa nahazo fahafahana hahatakatra amin’ny fomba marina kokoa ny Soratra Masina! Niforona tao amin’ilay vohitra nisy azy ireo ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany teto Chypre.
Nanohy nankany Famagusta ireo mpisava lalana. Izy io dia toerana ahitana voly voasarimamy sy milina ahodin-drivotra, eo akaikin’ireo sisa tamin’ny tanànan’i Salamis fahizay. Fony nitory tao ireo mpisava lalana, dia nisy taratasy iray tonga avy tany amin’ny Fikambanana. Izy io dia nampahafantatra tamin’izy ireo fa hisy mpivady niteny grika, nantsoina hoe Lagakos, ho tonga avy tany Egypta mba hanampy azy ireo teo amin’ny asa. Vaovao
nahafaly toy inona moa izany! Rehefa tonga izy ireo, dia nanapa-kevitra ny rehetra fa ny Rahalahy sy ny Anabavy Lagakos dia hifantoka amin’ireo tanàna, fa ireo mpisava lalana hafa kosa dia hitory any ambanivohitra.Tsy ela dia nisy kongregasiona hafa iray niforona. Tany Nicosie izy io. Tao amin’ilay faritra tranainy voahodidin’ny manda tao amin’ilay tanàna, dia nisy mponin’i Chypre niteny tiorka maromaro, ary tao amin’ny tranon’ny Miozolimanina iray ny toeram-pivorian’ireo rahalahy.
Nisy vokatra fanampiny tonga niandalana. Ny sasany tamin’ireo rahalahy mponin’i Chypre niteny grika dia nirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana. Ny iray tamin’izany dia i Christos Kourtellides. Fohy izy io ary ny masony manga mazava dia nisy namirapiratra. Ohatra nahavariana toy inona moa no navelany raha ny amin’ny herim-po sy ny tsy fivadihana! Nandritra ireo 17 taona laniny teo amin’ny asan’ny mpisava lalana, dia nitory saika tamin’ireo vohitra 650 rehetra teto amin’ny nosy izy. Tsy fiainana mora ilay izy. Rehefa tsy nisy nampiantrano azy, dia natory teny ivelany izy matetika. Na dia ny nahafatesany aza dia nanokatra ny lalana ho an’ny fanaovana fanambarana tsara. Tsy nanome lalana ny handevenana azy tao amin’ny fasana teo an-toerana ilay pretra tao amin’ilay vohitra niaviany. Voatery natao ny fangatahana tamin’ny solontenan’ny fitondram-panjakana teo amin’ilay zara-tany. Rehefa nalevina ny fatiny tamin’ny farany, dia olona 150 no teo mba hihaino ny lahatenim-pandevenana.
Ny niverenan’ny Rahalahy Triantafilopoulos nankany Gresy sy ny nandehanan-dry Lagakos mivady ho any Syria dia nidika fa rava teo ilay antokona mpisava lalana voalohany. Kanefa, tamin’ny 1938, dia nisy mpisava lalana efatra avy teto an-toerana sy mpitorin’ny kongregasiona fito, nilaza ny vaovao tsara, ary olona 40 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy.
Tamin’io taona io ihany, i Panagiotis Gavrielides, niaraka tamin’ny fianakaviana iray nonina teo amin’ny manodidina, dia nifampikasoka tamin’ny fahamarinana. Teo anivon’ny fanenjehana mafy, ilay renim-pianakaviana sy ireo zanany vavy telo ary
i Panagiotis, dia nahaforona antokon’olom-bitsy niara-nianatra ny Baiboly sy nitory tao amin’ny vohitr’i Polemidhia. Momba ny fihetsik’ireo mponina tao amin’ilay vohitra, dia hoy i Panagiotis: ‘Rehefa niara-nivory ilay antokon’olom-bitsy nisy anay, dia nahazatra anay ny nahare kapokapoka mafy teo amin’ny varavarana sy ny varavarankely. Nanohitra aoka izany ny lehilahy iray, hany ka nankany amin’ny tranon’ireo anabavy izy ka nikapoka azy ireo. Izaho koa dia voatery nankany amin’ny hopitaly mba hotsaboina. Mahagaga anefa fa, andro vitsivitsy taorian’izay, rehefa nandeha nody avy niasa ka niampita tetezana iray io lehilahy io, nitaingina teo an-tampon’ny kamiao iray, dia nianjera tao amin’ilay renirano teo ambany ka maty.’Fanasivanana tamin’ny fotoan’ny ady
Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, dia nohararaotin’ny sasany mba hakana an-keriny ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower Bible and Tract Society ireo fitsipika momba ny fanasivanana. Tsy voarain’ireo rahalahy ireo gazety fianarana ny Baiboly nalefa teto Chypre. Nivangongo fotsiny tany amin’ny foiben’ny paositra tao an-drenivohitra kosa izy ireny.
Noho ny tsy fananan’izy ireo zavatra vita an-tsoratra na iray aza, inona moa no nataon’ireo Vavolombelona? Naka takela-taratasy izy ireo ka nanao pirinty tamin’izany ny tapany sasany
nalainy avy tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana taloha kokoa, ka nizara izany teny amin’ny fitoriana. Indraindray, rehefa nisy Ny Tilikambo Fiambenana iray tonga teo amin’izy ireo, dia nandika azy io haingana izy ireo ka nampiasa azy io teo amin’ny fianarany. Nisy fivoriambe natao koa nandritra io fe-potoana io. Ary rehefa nitombo ny isan’ny mpitory, dia nisy kongregasiona fanampiny iray niforona.Farany, volana vitsivitsy talohan’ny hifaranan’ny ady, dia gazety 3 000 sy baoritra 17 nisy ireo bokintsika sy bokikelintsika no navoaka avy tao amin’ny paositra. Mazava ho azy fa nitazana ilay antontam-boky nihanitombo ireo mpiasan’ny paositra, ary nampiseho fahalianana ny sasany taminy. Ho vokany, dia azo natao ny nametraka boky 45 tamin’izy ireo.
Afaka nanambady ve izy ireo?
Nisy tarehin-javatra hafa nahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah izay nampahafantatra an’ireo manam-pahefana koa ny amin’ny fisian’ny Vavolombelona. Tamin’ny 1939, dia naniry ny hanambady ny Rahalahy Matheakis. Tsy mora ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny nanambady tamin’izany andro izany tany Chypre. Nahoana? Satria tsy nety nanaiky ny Vavolombelon’i Jehovah ho fivavahana ireo manam-pahefana, ka tsy nety nanome azy ireo lalana hampanoratra fanambadiana. Ireo toe-javatra tamin’ny ady dia nanakantsakana ny ezaka natao hifandraisana tamin’ireo rahalahy tany amin’ny foibe tany Brooklyn mba hangatahana torohevitra. Tamin’ny farany, ny biraon’ny sampana tany Londres dia namoaka taratasy fanamarinana nanambara fa nifamatotra tamin’ny Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly tany Angletera ny Vavolombelon’i Jehovah teto Chypre. Niankina tamin’io taratasy fanamarinana io ireo manam-pahefana anglisy teto Chypre, ka nanaiky ny hanoratra ny fanambadian’ny Rahalahy Matheakis.
Arakaraka ny fandehan’ireo taona, io mpivady nahatoky io dia nanjary fantatra tsara noho ny fahaizany nampiantrano vahiny. Nisokatra ho an’ireo rahalahy foana ny tokantranony, ary tadidin’ny hafa noho ny hatsaram-panahiny tamin’izay rehetra nila fanampiana izy ireo.
Fahatongavan’ireo nahazo diplaoman’i Gileada
Ilay nahazo diplaoman’i Gileada voalohany tonga teto amin’ny nosy dia i Antonios Karandinos, Grika iray nonina tany Etazonia. Tonga teto tamin’ny 1947 izy, fony tsy nisy afa-tsy mpitory ilay Fanjakana 33 teto. Tantsambo izy taloha ary lehilahy tomady. Mpiaro nafana fo ny fahamarinana koa izy, ka izany dia zava-dehibe teo amin’ny fiatrehany ilay fanoherana mafy hitany teo amin’ny fanompoany teto Chypre.
Nahery vaika indrindra ny fanoherana rehefa nanomboka nanolotra ireo gazety teo amin’ny fitoriana teny amin’ny arabe ireo rahalahy. Tany Famagusta, dia nanenjika azy ireo tsy an-kijanona ny lehilahy iray, izay toy ny fiasana teo an-tanan’ny eglizy. Nambosy ny olona hanohitra ny Vavolombelona izy. Ho vokany, indray mandeha dia nohodidinina vahoaka mpirotaka ny Rahalahy Karandinos, hany ka nikatso ny fifamoivoizana. Nentina tany amin’ny fitsarana ny Rahalahy Karandinos sy ilay rangory fototry ny afo tamin’ilay raharaha; samy nampandoavina vola sazy izy ireo. Nisy fisehoan-javatra hafa koa nanaraka izany. Indraindray ireo rahalahy dia voatery niantso ny polisy mba hanala ireo mpitory avy teo an-tanan’ny vahoaka mpirotaka.
Andro nahafaly ho an’ireo rahalahy rehefa nisy misionera roa hafa koa, izay voatery niala tany Gresy, tonga teto Chypre, tamin’ny 1948. Tamin’ny volana May tamin’io taona io ihany, dia tonga koa i Don Rendell, nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasin’i Gileada fahavalo, rehefa voatery niala tany Egypta. Tamin’io taona io, ny Fikambanana dia nanorina biraon’ny sampana teto Chypre, ka i Anthony Sideris no mpiandraikitra. Araka ny fandehan’ireo taona, dia nisy hafa koa izay nahazo diplaoman’i Gileada notendrena ho eto Chypre, ary nisy tranon’ny misionera naorina tany amin’ireo tanàna lehibe indrindra. Tena harena sarobidy ireny rahalahy ireny raha ny amin’ny fandaminana ireo kongregasiona tamin’ny fomba teokratika sy ny fitarihan-dalana teo amin’ny fampiofanana ireo mpitory teo amin’ny asa fitoriana.
Talohan’ny nahafahan’izy ireo hanome fanampiana be dia be anefa, dia nila ny ho afaka hiteny grika izy ireo, ka izany dia Apokalypsy 12:7, dia nilaza hoe: ‘Mikaela sy ny Anglisy niady tamin’ilay dragona’, fa tsy hoe: “Mikaela sy ny anjeliny”, satria mitovy be ny hoe “anjely” sy ny hoe “Anglisy” amin’ny teny grika. Ireo tompon-trano anefa dia nihaino matetika aoka izany ny vahiny iray niezaka hiteny ny fiteniny. Tamin’ny toe-javatra iray, rehefa avy natao batisa ny rahalahy vaovao iray, dia nilaza tamin’ny iray tamin’ireo misionera hoe: ‘Ny zavatra nanohina ny foko fony ianao tonga nitsidika ahy dia noho ianao, na dia vahiny aza, niezaka nianatra ny fiteniko. Izany dia nahatonga ahy hihevitra fa tokony hanadihady ilay zavatra nentinao ho ahy aho.’
nitarika ho amin’ny fisehoan-javatra nahatsikaiky sasany. Ny rahalahy iray, rehefa nanonona nyNanaitra ny fahalianan’ny olona ta hahalala momba ny Vavolombelona ny eglizy
Na dia tsy nisy afa-tsy mpitory ny Fanjakan’i Jehovah tokony ho 50, tamin’ny antsalany, aza teto amin’ny nosy tamin’ny 1948, dia nahatsiaro ho voatery ‘hamarana io fivadihana tamin’ny Eglizy’ io, araka ny filazany azy, ny Eglizy Ortodoksa. Inona avy no tetika nampiasainy? Nisy taratasy iray ho an’ny rehetra nanala sarona anay, navoaka ka natao pirinty tao amin’ny maro tamin’ireo gazety nivoaka isan’andro ary novakina tao amin’ireo
fiangonana nanerana ny nosy. Nisy ankizy nirahina hizara azy ireo isan-trano, ary ny taratasy sasany dia napetaka tamin’ireo rindrina sy poteau-n-jiro. Natao hoe tsy tia tanindrazana sy antikristy ary iraky ny Sionisma izahay.Nanao ahoana ny fihetsiky ny vahoakan’i Jehovah? Ny olona izao dia nanjary liana ta hahalala momba ny Vavolombelona. Naniry hahafantatra ny antony nanoheran’ny eglizy anay aoka izany izy ireo. Koa nanomboka ezaka manokana iray naharitra efa-bolana ireo rahalahintsika, mba hametrahana bokikely 72 000 teny an-tanan’ny olona — avo fito heny noho ny fitambaran’ireo zavatra vita an-tsoratra nozaraina nandritra ilay taona teo aloha manontolo. Noho io ezaka io dia azon’ny tenan’ny olona manokana natao ny hahita izay nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Maro no namaky ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika noho ny fahalianana ta hahalala. Tetsy an-danin’izany kosa dia nisy rahalahy nokapohina sy notoraham-bato. Tany Limassol, dia nentina tany amin’ny fitsarana ny rahalahy iray sy ny anabavy iray, izay nampangaina ho nampiova finoana olona sy ho niteraka fikorontanana, ka nomelohina iray volana an-tranomaizina.
Resaka tany amin’ny biraon’ny arseveka
Nandritra izany fotoana izany, i Don Rendell dia nifanena tamina rangahy nanam-pahefana iray tany Nicosie, izay nifanerasera akaiky tamin’ny Eglizy Ortodoksa. Momba io
fanandraman-javatra hitany io, dia hoy ny Rahalahy Rendell tatỳ aoriana: ‘Taorian’ny resaka nahaliana iray, dia nametraka ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” tamin’ilay rangahy aho, ary rehefa niverina nitsidika azy aho, dia naniry hahafantatra misimisy kokoa izy. Kanefa, nilaza izy fa ho tiany ny handre resaka iray hifanaovanay sy ilay arsevekan’ny Eglizy Ortodoksa Grika, izay fantany. “Ho vonona ho amin’izany ve ianao?”, hoy izy nanontany.‘Nanaiky hiaraka tamiko tany amin’ny lapan’ilay arseveka ny Rahalahy Sideris, mpiandraikitra ny sampana. Rehefa tonga tany izahay, dia nilazana fa “tsy netinety” ilay arseveka, fa afaka niresaka tamin’ny teolojiana iray tao amin’ny eglizy izay nifandray tamin’ny klerjy, kosa izahay. Taorian’ny resaka lava iray, dia nanontany an’ilay teolojiana aho ny amin’izay toerana hotanan’ny Eglizy Ortodoksa Grika rehefa hisy fifandonana eo amin’ny Baiboly sy ny lovantsofin’ny fiangonana. Namaly izy fa hanaiky ireo lovantsofin’ny fiangonana ny eglizy. Ary tena izany tokoa no nataony! Rehefa notononina ny Kolosiana toko voalohany, andininy faha-15, izay milaza fa i Jesosy no “Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao”, dia nihiaka avy hatrany izy hoe: “Ny fivadihan’i Arius tamin’ny eglizy izany!” Niharihary hoe iza no mpanohana marina ny Baiboly.’
Fampahafantarana ampahibemaso be dia be tsy nandoavam-bola
Na dia teo aza ny fanoherana nitohy, ny antsalan’isan’ny mpitory, izay 141 tamin’ny 1949, dia niakatra ho 204 tamin’ny 1950, ary 241 no nanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana tamin’ny 1950. Nandritra io taona io, dia nisy fivoriamben’ny fizaran-tany nalamina tany Paphos, toerana nitorian’ny apostoly Paoly. Nohofaina ny trano fijerena sinema iray, nefa nampihatra fanerena tamin’ny tompony mba hanafoanany ny fanekena nataony taminay ilay eveka sy ny olon-kafa nitana toerana ambony teo an-toerana. Nitady hanery anay hanafoana ny fivoriambenay ilay filan-kevitra teo an-toerana tamin’ny famerana ny isan’ny olona afaka niditra tao amin’ilay trano sy tamin’ny fangatahana hetra faran’izay avo tamin’ny fampiasana ilay trano. Rehefa natao
ny ezaka hihaonana tamin’ilay mpifehy anglisy teo amin’ilay zara-tany mba handaminana ilay tarehin-javatra, dia nosakanana avokoa izany rehetra izany. Koa nandeha nitsidika manokana an’ilay mpifehy tany an-tokantranony àry ny mpiandraikitra ny sampana, izay anglisy koa, ka nanazava fa nenjehin’ireo manam-pahefana teo an-toerana tsy an-kijanona ny Vavolombelon’i Jehovah. Nankasitrahanay be dia be ny nataon’ilay mpifehy mba hanampiana anay. Natao ho azonay ampiasaina ny tokotany nalalaka iray izay nifanolotra tamin’ilay trano fijerena sinema, ka izany dia nanome toerana be dia be ho an’ireo izay tsy afaka nipetraka tao anatiny.Romotra ilay evekan’i Paphos. Nanao toa an’i Barjesosy, ilay mpanao ody fahiny, izay nitady hampiala an’i Sergio Paolo, ilay governora romana, tamin’ny fitorian’i Paoly, izy ka nampiasa ny “fahaizana majikam-piangonana” rehetra nananany mba hanaovana fahagagana. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 13:6-12.) Nisy taratasy mivalona iray nasainy nozaraina mba hampahafantarana amin’ny olona fa naongana tsy ho anisan’ny Eglizy intsony ireo Vavolombelona mpisava lalana roa nonina tao amin’ny zara-tanin’i Paphos. Izany dia narahin’ny taratasy mivalona hafa iray haingana, nanala sarona ny Vavolombelon’i Jehovah ho “ilay fivadihana tamin’ny Eglizy fantatra amin’ny hoe chiliasme”, izay, araka ny voalaza tao, dia “zavatra noforonina araka an’i Satana avy tamin’ny fisainana tsy madion’ilay taonjato teo aloha”. Mba hanohanana ny eglizy, dia nisy ankizy nizara taratasy mivalona, nitsangana teo anilan’ny mpitory tsirairay izay nitory teny amin’ny arabe. Izay rehetra nampiseho fahalianana tamin’ny zavatra nataon’ireo Vavolombelona dia nahazo taratasy mivalona nanohitra izany, natsipin’ireo ankizy ireo taminy.
Nisy gazety sasany, fa tsy ny rehetra akory, nandray anjara koa tamin’io famelezana ny vahoakan’i Jehovah io. Tamin’ny 1950, ny New Political Review tao Paphos, dia nanambara hoe: “Efa miisa an-jatony maro sahady ireo mpanara-dia an’i Jehovah eto amin’ny zara-tanintsika. Hitombo ka hahatratra ny an’arivony maro izy ireo rahampitso ary hampidi-doza ny fisian’ny eglizintsika mihitsy. Noho izany antony izany, dia tena ilaina ny hanaovan’ny
Synoda Masina sy ireo evekantsika zavatra haingana sy hamakafakany ny amin’io raharaha mahatsiravina io avy hatrany sady tsy misy hataka andro.” Ny gazety hafa iray, ny Paphos, izay niharihary fa nanebaka ny eglizy, dia nanambara tao amin’ny nomeraony tamin’ny 4 May 1950 hoe: “Ny fahantrana sy ny fahoriana mihanaka any amin’ny vohitra sasany, ary koa ny tany midadasika ananan’ireo monastera sy ny eglizy, ireo zavatra rehetra ireo dia niteraka ny rivo-piainana nety ho an’ny fitomboan’ny finoana chiliastique. Tononintsika, ohatra, ny vohitra iray, i Episkopi, izay saika an’ny eglizy avokoa ny tany rehetra ao, ary ny mponina ao dia miasa toy ny andevo, manofa tany na miditra amin’ny fifandraisan’ny tompo sy ny mpanompony. (...) Tsy mahagaga àry raha tonga Vavolombelon’i Jehovah ny antsasaky ny mponin’io vohitra io. (...) Avy amin’ireo zavatra voatonona eo ambony ireo, dia tokony ho takatry ny eglizin’i Chypre fa tsy haharesy izy amin’ny alalan’ny ady an-taratasy. Hitan’ireo chiliastes ny lesoka mampahalemy ny klerjy. (...) Tsy ampy ny miady amin’izy ireo amin’ny alalan’ny taratasy mivalona.”Noho izany fampielezan-kevitra rehetra izany, dia nanjary votoatin-dresaky ny iray tanàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Taitra mafy izao ny fahalianan’ny olona, ka maro be tamin’izy ireo no tonga hihaino ny lahateny ampahibemaso tao amin’ilay trano fijerena sinema. Mpanatrika 500 fara fahakeliny no tonga.
Fitsidihana voalohany nataon’ny prezidàn’ny Fikambanana
Ny fisehoan-javatra iray izay nitondra fifaliana lehibe ho an’ireo rahalahy teto Chypre dia ny fitsidihan’ny Rahalahy Knorr, tamin’ny Desambra 1951, niaraka tamin’i Milton Henschel. Ny Sinema Royal no toerana nanaovana fivoriambe iray naharitra hateloana. Trano maoderina izy io, ka hoy ny teny nataon’ny Rahalahy Knorr: ‘Ho tianay raha manana toerana tsara tarehy toy itỳ izahay, hanaovanay ny fivoriamben’ny fizaran-taninay any New York.’ Efa nalamina ny hanaovana fivoriambe iray haharitra hateloana, nefa satria tao amin’ny faritanàna mihajan’ilay tanàna tranainy no nisy ny Sinema Royal, dia ny Sinema Pallas tao afovoan’i Nicosie no nofandrihina ho an’ny lahateny ampahibemaso hataon’ny Rahalahy Knorr ny alahady maraina. Natao ny
fandaharana mba hampahafantarana ampahibemaso amin’ny fomba feno ny amin’io lahateny io. Faneva lehibe efatra nomanina tamin’ny teny grika sy anglisy no nahantona teo amin’ny ilan’ny Sinema Royal. Taratasy fanao peta-drindrina 200 no nozaraina nanerana ny renivohitra. Nisy fampahafantarana ampahibemaso naseho nitselatra teo amin’ireo efijerin’ireo trano fijerena sinema lehibe indrindra. Gazety tamin’ny teny anglisy sy grika ary tiorka no nirakitra fampandrenesana momba ilay lahateny ampahibemaso hoe “Hahay Hiatrika ny Zava-tsarotr’izao Tontolo Izao ve ny Fivavahana?” Tsy nahagaga raha nilaza ny mpiasa tao amin’ilay gazety komonista lehibe indrindra fa tsy afaka nampahafantatra ampahibemaso ny amin’ilay lahateny izy ireo ‘satria nifanohitra tamin’ny fomba fijery ankapoben’ny antokony izy io’. Ary ny mpiasa sasany tao amin’ilay gazety mpanindrahindra firenena lehibe indrindra kosa dia nilaza fa ‘tsy maintsy mahazo ny faneken’ny arseveka aloha izy ireo’.Noho izany fampahafantarana ampahibemaso rehetra izany, dia nanontany tena izahay hoe hanao ahoana ny ho fihetsik’ireo mpanohitra ara-pivavahana anay. Hitanay tsy ela ny valiny. Indray alina dia nisy nandrovitra sy nanala ireo faneva teo amin’ny Sinema Royal. Nilaza izany tamin’ny polisy izahay. Nasain’ilay arseveka natao pirinty ny taratasy mivalona iray nampirisika mafy hoe: “MITANDREMA! AZA MIFAMPIKASOKA AMIN’IREO MILLÉNIARISTES”. Ny tapany iray tamin’ilay taratasy mivalona dia nilaza hoe: ‘Hitanareo ve? Nanasa vahiny koa izy ireo mba hanohana azy ireo. (...) Amboadia mitafy volon’ondry, izay tonga mba handrapaka ireo ondry malemin’i Kristy, izy ireo. (...) Aza manatona azy ireo, aza mihaino azy ireo. Odio tsy hita izy ireo, dia angamba ho tonga saina ka ho voahitsy. Avy amin’ny BIRAON’NY ARSEVEKA MASINA.’
Ho afaka hanao ny lahateniny ampahibemaso ao amin’ny Sinema Pallas tsy hisy fanelingelenana ve ny Rahalahy Knorr? Avelao hitantara ilay zava-niseho ny vavolombelona nanatri-maso iray. Mitadidy toy izao i Don Rendell: ‘Vao taoriana kelin’ny tamin’ny folo ora maraina tamin’izay rehefa nanatona ilay trano fijerena sinema aho. Nisy polisy teo ivelan’ny fidirana, ary
nahita andian-jazalahy nihaodihaody teo aho; nikasa ny hiditra tao amin’ilay trano sy hiteraka zava-nanahirana, izy ireo. Nisy rahalahy nahafantatra ny maro tamin’ireo mpanakorontana teo, ka nanampy ny polisy izay nihazona ireo mpanakorontana tsy hanakaiky ny fidirana, izy ireo. Voatery nanosika sy nandronjina an’ireo mpanakorontana aho vao tafiditra. Tamin’ny folo ora sy sasany maraina, dia nanomboka ny lahateniny teo anoloan’ny mpanatrika 420 ny Rahalahy Knorr. Nanomboka nikapokapoka tamin’ireo varavarana anefa ireo mpirotaka ara-pivavahana ireo, izay najanon’ny polisy haingana. Ny fanontaniana anefa izao dia ny hoe: Ahoana no hahafahanay hivoaka ilay trano fijerena sinema aorian’ny fandaharana? Nanapa-kevitra ireo rahalahy fa, niaraka tamin’ny fanampian’ny polisy, dia hihazona ireo mpanakorontana teny alohan’ilay trano izy ireo. Avy eo, tamin’ny faran’ilay lahateny, dia nangatahina hiala tamin’ilay trano tamin’ny fivoahana tany aoriana izahay. Izany no nataonay moramora, ka nisoroka fifandonana.’Nampilaza ny hisian’ny fanafihana hafa iray koa ireo lakolosim-piangonana
Tamin’ny 1952, i Famagusta dia tanàna tsara tarehy iray nisy voly voasarimamy sy voasary makirana ary torapasika mitomandavana. Io tanàna io dia eo amin’ny moron-tsiraka atsinanan’ny nosy, kilaometatra vitsivitsy monja avy eo amin’ireo sisa tamin’ny tanànan’i Salamis fahizay, toerana nitorian’ny apostoly Paoly sy ireo namany. I Famagusta amin’izao andro izao anefa, nanomboka tamin’ny fanafihan’ny Tiorka tamin’ny 1974, dia tanàna aolo, zara raha misy mponina. Kanefa, tamin’ny 1952, ny
Vavolombelon’i Jehovah dia nandamina ny hisian’ny fivoriambe iray hatao tao amin’ny iray tamin’ireo trano fijerena sineman’ilay tanàna. Noho ny fahafantaranay tsara fa efa nihantsy ady tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Eglizy Ortodoksa Grika, ary noho izay nitranga tamin’ireo fivoriambe teo aloha, dia nangataka ny hisian’ny polisy teo an-toerana izahay. Tsara ny andro ny alahady maraina, ary niandry tamim-panantenana ilay lahateny ampahibemaso hatao amin’ny antoandro ireo rahalahy. Kanefa, folo minitra talohan’ny tokony hanombohan’ilay lahateny, ary raha efa nisy olona 350 nipetraka tao amin’ilay trano, dia nisy famantarana fa nisy zava-nanahirana niforona. I Antonios Karandinos, misionera tao amin’ilay tanàna, dia iray tamin’ireo mpikarakara ny mpanatrika teo amin’ny fidirana alohan’ilay trano. Izao no nilazalazany izay nitranga:“Folo minitra monja talohan’ny tokony hanombohan’ilay lahateny ampahibemaso, dia nanomboka naneno ny lakolosin’ny fiangonana ortodoksa iray teo akaiky. Araka ny fahazoanay azy tatỳ aoriana, dia izany no famantarana mba hanombohan’ny pretra sy zatovo am-polony maro filaharana hanafika ilay trano fijerena sinema. Fahitana toy inona moa izany! Nisy pretra nitarika zatovo mpirotaka tapa-kevitra ny hiditra tao amin’ilay trano. Niomana ho amin’ilay zava-nanahirana izahay. Nihidy ilay varavarana fidirana, ary rehefa nitady hiditra an-keriny izy ireo, dia niadian’ny pretra iray aho ka rovitra ny akanjoko. Nanjary nihanampidi-doza ny tarehin-javatra, hany ka nangatahina ny hisian’ny polisy fanampiny ary tsy ela dia tonga izy ireo. Resy teo amin’ny fiezahany hanapaka ilay fivoriana ilay vahoaka mpirotaka, ka nihiakiaka sy nilelalela taminay avy tany ivelan’ilay trano.”
Nandamòka ny ezak’ireo pretra, ka nitarika ilay vahoaka mpirotaka niverina tany amin’ny fiangonana izy ireo. Nanome anay ny fandresena i Jehovah.
Nentina tany amin’ny fitsarana ireo mpandika lalàna
Taloha kokoa, ireo eveka sy pretra ary teolojianin’ny eglizy dia nirahina tany amin’ireo tanàna sy vohitra nanerana ny nosy mba hampirisika mafy ny vahoaka hoe: “Rehefa tonga mitsidika
ny vohitrareo na ny tanànanareo ny Vavolombelon’i Jehovah, dia roahy!” Tsy ny rehetra no nankato izany fangatahan’ny klerjy izany. Nanohy nahita olona toy ny ondry ihany ireo rahalahy. Tsy maintsy nisy akony anefa ireny fambosiana ireny. Milaza toy izao momba ny fisehoan-javatra iray nahakasika azy ny Anabavy Galatia Matheakis:‘Teo am-piandohan’ny alahady maraina, dia tafavory ho amin’ny asa fitoriana ny 20 taminay. Vohitra telo no voafantina hitorianay. Tokony ho adiny roa no laninay mandra-pahatonganay tany amin’ilay faritany. Tao amin’ilay vohitra lehibe indrindra, dia folo tamin’ireo anadahy no niasa isan-trano; ny folo hafa kosa dia nizara mba hiasa tamin’ireo vohitra roa hafa. Tao amin’ny iray tamin’ireo vohitra kely kokoa, dia efa noroahina hiala ireo anadahy tamin’ny folo ora sy sasany maraina. Kely sisa dia ho vita ny fitoriana tao amin’ilay vohitra lehibe indrindra, sady nahazoana vokatra tsara, rehefa nipoaka ny herisetra mafin’ny vahoaka mpirotaka. Nokapohina tamin’ny seza ny lohan’ny anadahy roa nitory teo afovoan’ilay vohitra, ary notoraham-bato izy ireo teo am-pialany tamin’ilay vohitra. Nanangona vahoaka mpirotaka nisy olona tokony ho 200 avy eo ny pretran’ilay vohitra mba hahatonga anay rehetra ho eo amin’ny toerana iray. Nitondra langilangy ho fiadiana sady nively kapoaka izy ireo, ka nitady anay. Voalohany aloha, dia anadahy iray sy rahavavy iray no hitany. Novelezina langilangy ny lamosin’ilay anadahy, ary notoraham-bato ilay rahavavy. Nitovy tamin’izany ny nitranga tamin’ny ankamaroanay. Nasaina nilahatra namakivaky ilay vohitra izahay. Ireo marika navelan’ny fikapohana no fanamarinana nanameloka ireo mponina tao amin’ilay vohitra ireo, rehefa voatery nanao tatitra tany amin’ny hopitalim-panjakana mba hozahana, ny sasany tamin’ireo anadahy.’
Nandefa fitoriana tany amin’ny fitsarana ireo rahalahintsika. Rehefa avy nihaino ny porofo nandritra ny hateloana ilay mpitsara, dia nanao hoe: “Nino ny porofo rehetran’ireo mpitaraina aho ary hitako fa meloka amin’ny lafiny rehetra ireo torina. (...) Tsy mino ilay filazana aho hoe ireo mpitaraina dia nampianatra fa zaza sary i Kristy, sy ny sisa. (...) Nankany amin’ny vohitr’ireo
torina ireo mpitaraina mba hampianatra ny zavatra inoany; nanao izany tamim-pihavanana izy ireo ary tsy nanana zo na inona na inona hanafika azy ireo, ireo torina.”Teo anelanelan’ny 1952 sy 1953, dia voatery niala tany Gresy ny misionera roa, dia i Antonios Karandinos sy i Emmanuel Paterakis. Niezaka mafy niaro ny finoana ireo rahalahy ireo fony teto Chypre, ary tsaroan’ny hafa amim-panehoam-pitiavana izy ireo.
Fijerena ny La Société du Monde Nouveau en action
Tamin’ny 1955, dia nahazo ilay sarimihetsiky ny Fikambanana hoe La Société du Monde Nouveau en action izahay. Mpanatrika sesehena no tonga nijery azy io. Tsy ireo rahalahy ihany, fa olona teo amin’izao tontolo izao koa no nahazo fahitana tsara kokoa momba ny fandaminan’i Jehovah.
Anisan’ireo fanandraman-javatra nahaliana maro tamin’izay izao manaraka izao: Tao amin’ny vohitr’i Xylophagou, izay nisy mponina 1 500, ny tompon’ny trano fijerena sinema teo an-toerana dia nanaiky ny hamela anay hampiasa ny tranony, tsy misy hofany. Ny hariva tokony hampisehoana ilay sarimihetsika, dia naniraka mponina iray tao amin’ilay vohitra ilay pretra teo an-toerana mba hanoratra ny anaran’izay rehetra nanatrika tao. Inona no vokany? Rehefa nangataka ny lisitr’ireo anarana ilay pretra, dia namaly ilay olona hoe: “Saika hitako tao daholo ny vohitra manontolo, koa ahoana no hahafahako hanoratra ny anaran’izy rehetra?”
Fotoam-piovana
Nanomboka tamin’ny taona 1878, dia teo ambany fifehezan’ny Anglisy i Chypre. Tamin’ireo taona 1950 anefa, ireo mponin’i Chypre niteny grika, teo ambanin’ny fitarihan’ny Arseveka Makarios, dia nampirisika ny ezaka manokana ho an’ny ENOSIS, izany hoe ny fiarahana amin’i Gresy, izay niorina tamin’ny fatorana niombonana toy ny fiteny sy ny fivavahana. Nanohitra izany ny tapany niteny tiorka teo amin’ny mponina.
Na dia izany aza, dia nisy fihetsiketsehana ho amin’ny fahaleovan-tena tamin’ny fanapahan’ny mpanjana-tany anglisy. Teo
anelanelan’ny 1955 sy 1960, ny fandaminana iray nantsoina hoe EOKA dia nanafaingana ilay raharaha ny amin’ny fahaleovan-tena tamin’ny alalan’ny ady anaty akata natao tamin’ireo Anglisy. Mialanalana tanteraka ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ny raharaha ara-politika, nefa tsy afaka ny tsy hiharan’ny fiantraikan’izay nitranga nanodidina azy, izy ireo.Ny iray tamin’ireo zava-nitranga voalohany tamin’io ezaka manokana io dia niseho tany Famagusta, teo akaiky kelin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana. Nisy nanafika ny toby miaramila anglisy teo akaiky. Mora azo fa nahatsapa fihenjanana goavana ireo misionera dimy nipetraka tao amin’ny sampana, izay samy teratany anglisy avokoa.
Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia vao tonga tao an-tranony i Dennis Matthews sy i Mavis vadiny, izay samy misionera. Rehefa nanokatra ny varavarana tany ambadiky ny trano izy ireo, dia nisy bomba nipoaka tao amin’ny tranon’ny mpifanila trano
taminy, izay miaramila anglisy. Raha nenjehina tao anaty alam-boasary teny ampitan’ny tranon’ireo misionera ilay olona nametraka ilay bomba, dia nipoaka ny fitifirana. Tsy ela dia nisy nandondona teo am-baravarana, nefa natahotra ny hanokatra ireo misionera, hany ka nanontany izy ireo hoe iza no tao. Miaramila anglisy no tao, izay may ny hahafantatra raha tsy naninon-tsy naninona ireo nipetraka tao amin’ilay trano.Indray mandeha, fony tany Xylophagou ny Rahalahy Rendell sy Gavrielides, nanampy tamin’ny fanomanana ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray, dia nisy fifanjevoana be teny ivelany nandritra ny fianaran’ny kongregasiona ny Tilikambo Fiambenana fanaony isan-kerinandro. Nisy miaramila anglisy niseho teo am-baravarana. Nampahafantarin’izy ireo anay fa, teny ivelan’ilay vohitra, dia nisy namono ny miaramila anglisy iray ary naratra mafy ny iray hafa. Ho vokany, dia teo ambanin’ny lalàn’ny tany misy hotakotaka ilay faritra manontolo, ary nangatahin’izy ireo ny Rahalahy Rendell mba hilaza tamin’ireo rehetra tao amin’ilay efitrano mba hody avy hatrany. Ny ampitso, dia natao izay hahatonga ny vatan-dehilahy rehetra teo amin’ilay faritra tao amin’ny toerana iray, anisan’izany ny Rahalahy Rendell, na dia anglisy aza izy, ka nampidirina tao amin’ny faritra voafefy fil barbelé izy ireo mba hanaovana fanadinadinana. Mazava ho azy fa tsy nanana ifandraisana tamin’ilay famonoana olona ny Vavolombelon’i Jehovah, hany ka nafahana izy ireo tamin’ny farany ary nanohy ny fanomanany ny fivoriambe efa ho avy.
Imbetsaka anefa no tsy maintsy nofoanana fotoana fohy talohan’ny hanombohany ireo asa teokratikanay, satria nitarika ho amin’ny lalàn’ny tany misy hotakotaka sy fameperana hafa ny fifandonan’ny EOKA sy ny tafika anglisy. Tsy nisy afaka nijanona teny amin’ny arabe taorian’ny filentehan’ny masoandro, hany ka voatery natao nandritra ny andro ireo fivoriana. Nisy fotoana tsy maintsy nijanonan’ny olona tao an-tranony nandritra ny efatra andro. Niahiahy ny mpifanila trano taminy ny rehetra sady natahotra ny hilaza hevitra. Kanefa, na dia teo aza ireo fameperana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanohy nampionona ireo olona tso-po.
Faran’ny fanapahan’ny mpanjana-tany
Nitohy hatramin’ny 1960 ny fiadiana tamin’ny fanapahan’ny Anglisy teto Chypre. Avy eo, tamin’ny misasakalina tamin’ny 16 Aogositra, dia tonga repoblika i Chypre ary tamin’ny farany, dia tonga mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana. Teo anivon’ny zava-niseho feno fifaliam-be, ireo mponin’i Chypre grika dia nahatsiaro ho afaka tamin’ny fanapahana vahiny rehefa ela ny ela. Tena fahafahana ve anefa izany? Nanao ahoana ireo Vavolombelon’i Jehovah teo ambanin’io repoblika vaovao io? Aoka ny zava-misy ara-tantara mihitsy no hamaly izany.
Talohan’ny faran’io taona io, dia nisy nanafika indroa tamin’ny bomba ireo Vavolombelona. Iza no tompon’andraikitra tamin’izany? Ilay voalohany dia tany Xylophagou. Bomba roa no napetraka teo amin’ny lavarangan’ny Efitrano Fanjakana. Niharihary fa natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny naha-fivavahana azy, ilay fanafihana. Koa satria nipoaka taorian’ny misasakalina ireo bomba, dia tsy nisy naratra, na dia nisy simba aza ilay Efitrano Fanjakana.
Tamin’ilay fisehoan-javatra faharoa, dia nisy bomba iray natsipy tao amin’ny trano nipetrahan’ny mpisava lalana manokana efatra tany Pentayia. Soa ihany fa teny amin’ny asa fanompoana izy ireo tamin’izay. Fantatry ny tompon’ilay trano ilay tompon’andraikitra tamin’izany ka nilaza izy hoe: ‘Handeha hitsidika an’ilay eveka aho ary hangataka azy mba handoa ny lany amin’ny fanamboarana izay simba, sady hilaza aminy koa aho hoe, raha tiany ny hahazo mpanara-dia an’i Kristy, dia tsy maintsy manao izany amin’ny alalan’ny fitoriana toy ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, fa tsy amin’ny alalan’ny herisetra akory.’
Ny rahalahy iray sy ny fianakaviany, izay nifindra honina tao amin’ny vohitr’i Liopetri mba hanampy ilay kongregasiona kely tao, dia nanjary lasibatry ny tsy fahaiza-milefitra koa. Fandre ny fandrahonana toy ny hoe ‘hodorantsika velona izy’ na ny hoe ‘tsy maintsy matintsika izy’. Taorian’ny misasakalina tamin’izay rehefa nanodidina ny tranon’ilay rahalahy ny olona feno firehetana fatratra nisaron-tava, ka nitifitra tamin’ny basy poletany, no sady nihiakiaka tamin’ilay rahalahy fa, raha tsy niala ny ampitson’iny
izy, dia ho faty. Koa satria tsy nety nanome fiarovana an’ilay rahalahy sy ny fianakaviany ny polisy, dia nanapa-kevitra ny hiala tamin’ilay vohitra izy ireo. Na dia izany aza, na dia teo aza ny ezaka rehetra hampitahotra ireo rahalahy tao Liopetri, dia misy kongregasiona iray ao amin’io vohitra io amin’izao andro izao, ary vao haingana izay, dia afaka nanorina Efitrano Fanjakana vaovao iray tsara tarehy ireo rahalahy.Nisy fisehoan-javatra tsy mendrika iray nitranga ny takarivan’ny 11 Septambra 1962. Tao amin’ny tranon’ny misionera tao Famagusta i Andreas Psaltis sy i Nina vadiny, niaraka tamin’i Eunice McRae, rehefa nisy lehilahy nisaron-tava niditra tamin’ny varavarankely. Nikapoka ny Rahalahy Psaltis izy ireo. Avy eo izy ireo dia namatotra ireo anabavy roa ka nahafa-baraka azy ireo tamin’ny fanasolana ny lohany. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 11:6.) Rehefa avy nandroba ilay trano izy ireo, dia lasa nandeha.
Farany, tamin’ny Desambra 1963, dia nahatratra ny fara tampony ny fihenjanana teo amin’ireo antokon’olona ara-poko roa lehibe indrindra teto amin’ny nosy. Nipoaka ny herisetra. Nafotaka indrindra ny ady tao amin’ny faritanàna iray nanamorona an’i Nicosie, tao amin’ilay tanàna antsoina hoe Trachonas, izay nisy mponin’i Chypre grika sy tiorka nifangaro. Nisy Vavolombelon’i Jehovah sasantsasany nonina tao Trachonas, ary efa nanorina Efitrano Fanjakana lehibe iray tao izy ireo. Nanao vivery ny ainy ireo rahalahy nonina tany ivelan’io zara-tany io mba hitondrana hanina ho an’ireo mpiray finoana taminy tany amin’ilay faritra nisy zava-nanahirana. Mampalahelo anefa fa voatsatoky ny antsy ka maty ny rahalahy iray, i Andronicos Michaelidis, rehefa nanandrana ny ho any am-piasana.
Fitsapana ny tsy fivadihana
Tamin’ny 1964, dia ireo Vavolombelona tanora lahy indrindra no niatrika fitsapana ny tsy fivadihany. Neken’ny fitondram-panjakan’i Chypre ny lalàna iray momba ny fanaovana ny raharaha miaramila, tamin’ny fotoana mbola nitohizan’ny fifandonana teo amin’ireo mponin’i Chypre niteny grika sy ireo niteny tiorka. Ireo Vavolombelona tonga tamin’ny taona fandraisana azy Matio 26:52; Jaona 17:15, 16). Moa ve izy ireo hanohy hatoky an’i Jehovah amin’ny fony rehetra? — Ohab. 3:5, 6; Isaia 2:2-4.
ho miaramila ka nantsoina ho amin’izany dia tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra lehibe iray. Tao anatin’ny fanerena, moa ve izy ireo hifikitra amin’ireo fampianaran’i Jesosy Kristy? Tany am-pony lalina tany, moa ve izy tena mpialanalana kristiana? (Maro no nampiseho finoana toy izany. Kanefa, nisy nanaiky lembenana ka nitsahatra tsy ho anisan’ny kongregasiona kristiana mpialanalana. Ny Vavolombelona tanora hafa kosa nifidy ny hiala teto amin’ny nosy, hany ka tafalatsaka ho 394 tamin’ny 1966 ny antsalan’isan’ny mpitory izay 516 tamin’ny 1963. Toa nahatsiaro ho kivy kely ihany ireo kongregasiona.
Nisy hevitra notapahina mba hanatanjahana ny finoan’ireo rahalahy. Ho amin’izany, dia nisy fivoriambe iray andro nalamina mba handinihana torohevitra araka ny Soratra Masina izay tamin’ny fotoana nilana azy. Nampahery ny vokany. Mbola tsy lasa avokoa anefa ny fitsapana rehetra.
Famoronan-kevitra hanao ratsy araka ny lalàna
Tamin’ny Jona 1966, dia nisy famelezana hafa iray koa nokendrena hahavoa ny fandaminan’i Jehovah. Ny Vaomieran’ireo Minisitra dia nanolotra teo anoloan’ny parlemanta volavolan-dalàna iray izay afaka ny hanan-kery lehibe teo amin’ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izy io dia volavolan-dalàna nandrarana ny proselytisma, na hoe fampiovana finoana olona, ary nilaza fa na iza na iza nitsidika olona tany an-tokantranony noho io zava-kendrena io na nizara zavatra vita an-tsoratra ara-pivavahana mba hampiovana finoana olona, dia tsy vitan’ny hoe hiharan’ny fanaovana an-tranomaizina hahatratra hatramin’ny roa taona fotsiny, fa ho voatery handoa vola sazy koa.
Nisy teny fanoherana maro tonga tany amin’ireo Solombavambahoakan’i Chypre, ary nisy fitsidihana natao tany amin’ireo solontenan’ny fitondram-panjakana anglisy sy ny an’i Etazonia nonina teto. Nisy taratasy iray nalefan’ny Fikambanana ho an’ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana. Ho vokatry ny fiangaviana avy tamin’ny lafiny maro, hatramin’izao ilay volavolan-dalàna dia mbola tsy natolotra holanina.
Nanomboka ny fandaharam-panorenana
Rehefa niitatra ny asa fanambarana ilay Fanjakana, dia vao mainka nilaina ny hisian’ny toeram-pivoriana nifanentana. Tamin’ny 1967, fony 431 monja ny isan’ny mpitory teto, ny sampan’ny Fikambanana teto Chypre dia nanomboka nanao famoriam-bola ho an’ny fanorenana, ary feno hafanam-po ireo rahalahy noho izany fahatsinjovan-javatra izany.
Nampaherezin’ny Rahalahy Henschel be dia be izahay nandritra ny fitsidihany tamin’ny naha-mpiandraikitra ny zone azy tamin’ny Aprily 1968. Tamin’izay fotoana izay, dia nisy mpivady misionera vaovao, i Louis Kopsies sy i Stella vadiny, tonga teto amin’ny nosy. Nanome fanampiana sarobidy ho an’ny fandaharana momba ny fanorenana ny Rahalahy Kopsies, tamin’ny fanampiana teo amin’ny fandaminana ny asa sy tamin’ny fanehoana fahafoizan-tena fakan-tahaka.
Ny dingana lehibe iray teo amin’ny fikasanay hanorina dia ny fampijoroana, tamin’ny volana Martsa 1960, fandaminana teto an-toerana iray nantsoina hoe Ny Kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah (Chypre) SARL. Tafiditra tao amin’ny fitsipika natao hitondrana azy io, ankoatra ny zavatra hafa, ny fandaharana mba hananana didim-pananana.
Ilay tetik’asa voalohany dia ny fanorenana Efitrano Fanjakana malalaka iray tao Famagusta, omby olona 230. Tsy vitan’ny hoe nanampy ilay kongregasiona teo an-toerana io fanorenana io, fa niaraka tamin’ny tokotany iray nifanolotra taminy izay voarakotry ny voaloboka goavana iray, izy io koa dia nanome toerana hanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany.
Ny zavatra nanaraka nanehoana fiheverana dia ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana. Nandritra ny tokony ho 20 taona, dia nampiasa toerana nohofaina izahay. Izao ny Fikambanana dia nividy tany iray tao Agios Dometios, faritanàna iray manamorona ny renivohitra. Teo ireo rahalahy dia nanorina trano vaovao iray nisy rihana telo, anisan’izany ny Efitrano Fanjakana iray teo ambany rihana. Notokanan’i F. W. Franz, izay prezidà lefitry ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, io trano io tamin’ny 1969.
Nandritra izany fotoana izany, dia nisy Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray naorina tao Xylophagou, dia ilay nampiasain’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany teto Chypre, izay niforona tany am-piandohan’ireo taona 1930. Nisy fanoherana be dia be tao amin’io vohitra io fony nanomboka nitory tamin’ny hafa ireo olona voalohany nampiseho fahalianana tamin’ny fahamarinana teto. Nefa rehefa nitazana ireo rahalahy sy anabavy niara-niasa nandritra ny roa tokom-bolana, nandritra ny adiny 15 na mahery isan’andro, mba hanorenana ny Efitrano Fanjakanany, ireo mponina tao amin’ilay vohitra, dia tsy afaka afa-tsy ny ho voatohina tsara ny fon’ny sasany. Ankehitriny dia misy Efitrano Fanjakana iray omby olona 450 eo afovoan’ilay vohitra. Ao anatiny sy manodidina azy koa dia misy toerana ampy tsara mba hanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika.
I Limassol, izay ny tanàna lehibe indrindra faharoa eto amin’ny nosy sady toeram-pitsangantsanganana an-dranomasina eo amin’ny moron-tsiraka atsimo, no tanàna nanaraka nahazo ny Efitrano Fanjakanany manokana. Ambonin’ilay Efitrano Fanjakana, dia nasiana tranon’ny misionera tao ambony rihana. Tamin’ny 1974, rehefa voatery nialana ny toerana nisy ny biraon’ny sampana tao Nicosie, dia namboarina mba hampiasain’ny biraon’ny sampana io toerana tao ambony rihana io.
Ny tanàna ara-baibolin’i Paphos dia nanehoana fiheverana koa. Na dia niadana be aza ny fitomboana tao tamin’ny voalohany, tato anatin’ireo taona vao haingana kokoa dia nisy fitomboana goavana tao amin’ny faritr’i Paphos. Voatery nohalehibiazina ilay Efitrano Fanjakana naorina voalohany, ka afaka mandray kongregasiona roa ankehitriny.
Misy Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray naorina tao amin’ny tanànan’i Larnaca. Ary naka ny toeran’ny efitrano préfabriqué iray tao amin’ny vohitr’i Liopetri kosa izao ny toeram-pivoriana iray mifanentana kokoa, ho an’ireo olona monina any amin’ireo antsoina hoe kokina choria, na vohitra tanimena, satria mena ny tany any.
Nisy mpitory sy mpisava lalana manokana be zotom-po niasa mafy koa tany amin’ny tendrony avaratra-andrefan’ny nosy, izay tsara tarehy saingy aolo, dia faritra fantatry ny mpizaha tany tsara noho ireo antsoina hoe fandroan’i Aphrodite any. Noho ny faneken’ny olona ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia nisy tany iray novidina tao Polis Chrysochous. Efitrano Fanjakana iray omby olona 70 izao no naorina ary ampiasaina ho foibe ho an’ny fampianarana araka an’Andriamanitra ao amin’io faritra io.
Fanambadiana sy fandevenana
Noho izahay tsy neken’ny manam-pahefana eto ho fivavahana nandritra ny taona maro, dia tsy mora ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Chypre ny raharaha momba ny fanambadiana sy ny fandevenana. Raha ny amin’ny ankamaroan’ny mponin’i Chypre niteny grika, dia tsy afaka nanambady na azo nalevina ny olona iray raha tsy tamin’ny alalan’ny eglizin’i Chypre voaorina ihany. Kanefa, tamin’ny 1948, ny mpisolovavan’ny Fikambanana teto amin’ny nosy dia nandefa fangatahana tany amin’ireo manam-pahefan’ny mpanjana-tany anglisy mba hisian’ny mpitondra fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah hanana fahefana avy amin’ny fitondram-panjakana mba hampanoratra fanambadiana. Faly toy inona moa ireo rahalahy rehefa niseho tao amin’ny gazetim-panjakana tamin’ny 1949 ny fampandrenesana fa nomena fahefana mba hampanoratra fanambadiana ny Vavolombelona iray, dia i Savvas Droussiotis! Tatỳ aoriana, dia nisy rahalahy hafa koa nomen’ny fitondram-panjakana lalana hanao io raharaha io.
Niteraka zava-nanahirana koa ny raharaha ny amin’ny fandevenana, satria matetika no nisy fanoherana avy tamin’ireo pretra ortodoksa izay tsy namela ireo Vavolombelon’i Jehovah na ny zanany halevina teo amin’izay noheverin’ny eglizy ho “tany voatokana”. Tao amin’ireo tanàn-dehibe, izay nananan’ny fivavahana tsirairay ny toeram-pandevenany avy, dia nahery indrindra io zava-nanahirana io. Tany amin’ireo vohitra dia hafa ny tarehin-javatra; tafiditra tao amin’ny hetra naloan’ireo mponina ny fandevenana tao amin’ny toeram-pandevenana teo an-toerana. Kanefa, tamin’ny toe-javatra sasany dia nanda io zo io ny klerjy. Tsy mora ho an’ireo rahalahintsika ny niatrika ireo
zava-nanahirana ireo no sady niezaka hizaka ny famoizana mpianakavy iray. Nila ny nalamina ilay zava-nanahirana.Farany, tamin’ny 1950, ireo manam-pahefana dia nanome an’ireo Vavolombelon’i Jehovah ny zo hanana ny toeram-pandevenany manokana. Nanome tany iray tany ivelan’ny renivohitra, ho an’izany zava-kendrena izany ny rahalahy iray. Taona maro tatỳ aoriana, tamin’ny 1989, dia nilaina ny hisian’ny toeram-pandevenana faharoa, ary dia nomena lalana hampiasa tany iray tao amin’ny vohitr’i Nissou, izay misy ny biraon’ny sampana, izahay. Hita ho fitahiana lehibe ho an’ny vahoakan’i Jehovah ireo fandaharana ireo, ary nanampy mba hamaliana ny filazan’ireo pretra ortodoksa hoe ‘raha tonga Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia halevina tahaka ny alika’.
Na dia nomena ny zo ara-dalàna hampanao fankalazana fampakaram-bady aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nisy nitady hanakantsakana io zo io, tamin’ny 1971. Nampahafantarin’ny Lehiben’ny Zara-tanin’i Nicosie izahay fa, alohan’ny hampanoratana fanambadiana iray, dia tsy maintsy nanana taratasy fanamarinana avy tamin’ny biraon’ny arseveka ny andaniny roa, nilaza fa tsy mpikambana tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika intsony izy ireo. Araka ny efa nampoizina, dia tsy vonona ny hanome taratasy fanamarinana toy izany ny biraon’ny arseveka. Ny tena hevitr’izany dia hoe tsy nisy afaka nanambady ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa, noho ny fanampian’ny manam-pahefana sasany izay tia fahafahana sady nahatakatra fa ireo pretra no rangory fototry ny afo tamin’ny fitakiana taratasy fanamarinana toy izany, dia nofoanana io fitakiana io.
Fivoriambe Niraisam-pirenena “Ny Fandresen’Andriamanitra”
Tamin’ny Novambra 1972, ny Rahalahy Knorr dia nitsidika an’i Chypre, noho ireo fikasana hanao Fivoriambe Hiraisam-pirenena “Ny Fandresen’Andriamanitra”. Nisy fitsidihana ireo tany ara-baiboly nalamina niaraka tamin’ireo fivoriambe. Ravoravo izahay satria tafiditra tamin’izany i Chypre, sady hisy fivoriambe hiraisam-pirenena iray hatao ao Nicosie renivohitra, tamin’ny Jolay 1973.
Nanao ezaka avy hatrany izahay mba hahazoana kianja iray na toerana nifanentana iray ho an’ilay fivoriambe, nefa tsy nahomby, noho ireo manam-pahefana sy mpandraharaha natahotra ny ho fihetsiky ny Eglizy voalohany indrindra. Koa nanapa-kevitra àry izahay ny hampiasa ny tany nanodidina ny Efitrano Fanjakana lehibe iray tao Trachonas. Efa nanana tany iray teny ampitan’ilay Efitrano Fanjakana ny Fikambanana, ary afaka nanofa tany iray nifanolotra taminy izahay. Raharaha lehibe aoka izany ho anay ny hanorina tafo tamin’ny volotsangana ho an’ilay faritra manontolo, mba hiarovana ireo mpanatrika amin’ny hafanana. Isan’andro, tao anatin’ny hafanana nihoatra ny 40 degre Celsius, dia niasa mba hamita ilay asa ireo rahalahintsika sy anabavintsika.
Ny iray tamin’ireo zava-nanahirana lehibe indrindra anefa dia ny hahazo rano ampy mba hikarakarana ny zavatra nilaina tamin’ilay fivoriambe. Ny ririnina talohan’izay dia tsy nahitana ranonorana firy, ka noferana ho nandritra ny telo andro isan-kerinandro ny fahazoana rano. Inona no ho azo atao? Ny rahalahy iray, izay nanana trano teo akaikin’ilay Efitrano Fanjakana dia nanana lavaka fantsakana iray tao an-jaridainany. Vonona ny hamela ireo rahalahy hampiasa azy io nandritra ny fotoana sasany izy. Hanao ahoana ny habetsahan-drano havoakan’izy io? Nanadio azy io ireo rahalahy, nametraka paompy ary avy eo dia niandry tamin-tebiteby mba hahitana ny vokatra. Nisy rano ampy tsara nanomboka nikoriana! Azo nosotroina ve anefa izy io? Natao ny fitsapana. Ny vokany: azo nosotroina 100 isan-jato! Toa toy ny fahagagana maoderina ilay izy. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah toy inona moa izahay noho io vahaolana ho an’ny zava-nanahirana lehibe io!
Noho ny fitomboan’ny asa nanodidina ilay Efitrano Fanjakana, tsy ela dia nanjary fantatr’ireo mpanohitra fa nisy zavatra manokana tamin’izay. Tamin’izay, talohan’ny mazava ratsy indray maraina, dia taitra ilay rahalahy nipetraka tao amin’ilay trano nifanolotra tamin’ilay Efitrano Fanjakana, satria nohazavain’ny lelafo ny efitrano fandriany. Nisy antontam-bolotsangana nidedadeda mafy teny amin’ny toeram-panorenana. Fandoroan-javatra niniana natao! Vonon-kiady indray ireo fahavalonay. Nanomboka tamin’izay, dia nisy fitandremana lehibe kokoa natao mba ho azo antoka kokoa ny fiarovana.
Ny Fikambanana dia nangataka, ho tombontsoan’ireo mpitsidika maro izay ho avy eto amin’ny nosy ka tsy hahazo ny teny grika, ny hanomanana hatsikana mba hampisehoana ireo fomba eto an-toerana sy ny fiainan’ireo mponina teto amin’ny nosy. Isa-maraina, nanomboka tamin’ny valo ora ka hatramin’ny sivy ora sy sasany, talohan’ny tena fandaharan’ny fivoriambe, dia naseho ireny hatsikana nanome fanazavana ireny ary tena nankafizin’izay rehetra nanatrika teo. Nisy koa fitsidihana toerana ara-tantara mifandray amin’ny firaketana an-tsoratra ao amin’ny Baiboly.
Fanandraman-javatra nampientana sy nampahery ho an’ny rahalahy teto an-toerana ny nanaovana fivoriambe niraisam-pirenena teto Chypre. Nanome azy ireo fahafahana hifanerasera manokana tamin’ny Vavolombelona avy tamin’ny firenena maro, ilay izy. Izany dia nanampy mba hitomboan’ny fahafantaran’izy ireo ny fisian’ny firahalahiana iraisam-pirenena. Ankoatra izany, ny fampahafantarana ampahibemaso nateraky ny fanoheran’ny Eglizy Ortodoksa nifandray tamin’iny fivoriambe iny dia nanampy olona hafa koa teto Chypre hahafantatra tsara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
1974 — Taom-piovana
I Chypre dia toerana tian’ny mpizaha tany hotsidihina taloha. Niroborobo ny toe-karena. Mponin’i Chypre maro no nihevitra fa tsara tsotra izao ny zava-drehetra. Niharan’ny fiovana nampihetsi-po lalina anefa izany tamin’ny 15 Jolay 1974.
Nandritra ny ela be, dia nizarazara ara-politika ireo mponina teto amin’ny nosy. Nisy ankolafiny roa nifanohitra teo amin’ireo mponin’i Chypre niteny grika. Teo amin’ny andaniny iray ireo mpanohana ny prezidà, ny Arseveka Makarios; tetsy ankilany, ireo mpanohana ny jeneraly Georgios Grivas nody mandry vao haingana, dia ilay filohan’ny EOKA fantatra tsara, izay nitarika ny fikomiana tamin’ny fanapahan’ny mpanjana-tany anglisy. Tamin’ny fanonganam-panjakana iray nitanam-piadiana, dia voaongana ny Prezidà Makarios ary ain’olona maro no nafoy. Vao fiandohan’ny zava-nitranga nampalahelo kokoa anefa ireny zava-nitranga ireny.
Rehefa avy tany Angletera nandritra 14 taona noho ny faharatsian’ny fahasalamany i Don Rendell, dia niverina teto Chypre tamin’ny 1972 ary nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tamin’izay fotoana izay, izy dia nonina tany amin’ny moron-tsiraka avaratry ny nosy, 60 kilaometatra monja avy teo amin’ny moron-tsiraka atsimon’i Torkia. Izao no fomba nilazalazany izay nitranga:
‘Izahay sy i Paul Andreou namako dia nonina tao amin’ny vohitr’i Karakoumi, tokony ho roa kilaometatra tany atsinanan’i Kyrenia. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina, ny 20 Jolay, dia
nahare fipoahana mafy aho. Avy teo amin’ny varavarankelin’ny lakozianay aho dia nahita setroka niakatra avy teo amin’ny faritra nisy ny seranan’i Kyrenia. Ny radio tiorka iray teto amin’ny nosy dia nampandre fa, noho ny toe-javatra tsy azo nianteherana izay niseho noho ilay “fanonganam-panjakana” nataon’ireo mponin’i Chypre niteny grika, dia nisy miaramila avy tany amin’ny tanin’i Torkia teny amin’ny kontinenta, tonga teo amin’ny moron-tsiraka avaratra mba hiaro ireo mponin’i Chypre niteny tiorka vitsy an’isa nonina teto Chypre. Tsy ela dia takatray fa tao anatin’ny faritra hisehoan’ny ady izahay. Nanisa helikoptera 75 teo ambonin’ny lohanay izahay. Nisy miaramila mpilatsaka amin’ny elonaina nampidinina tao ambadik’ireo tendrombohitra nanodidina ilay tanàna. Nitohy nandritra ny andro vitsivitsy ny fitifirana avy tany an-dranomasina sy avy teny amin’ny habakabaka; avy eo dia voatery niala tao amin’ny tranonay tamin’ny alina izahay rehefa nanatona ilay vohitra ireo miaramila tiorka.‘Rehefa avy nijanona tany an-tendrombohitra nandritra ny andro vitsivitsy izahay, dia niverina tao an-tranonay, nefa tsy ela dia voahodidin’ny miaramila tiorka. Tsy nandratra anay izy ireo. Nanontany tena izahay ny amin’izay nanjo an’ireo rahalahinay tao amin’ilay kongregasiona kelinay tao Kyrenia. Tamin’ny farany izahay dia nahita ny fianakavian’ny Rahalahy Kyriazis — Vavolombelona fito tamin’ny fitambarany — ka safononoky ny hafaliana izahay nifankahita. Ny ampitson’iny, dia nipetraka teo ambanin’ny hazo iray tao an-jaridainan’izy ireo izahay, nianatra ny teny natao hovakina ho an’ny andro, rehefa nisy miaramila tiorka tonga. Nasaina niditra tao an-trano izahay. Tsy ela dia nentina tany amin’ny Dome Hotel, izay teo ambany fifehezan’ny miaramilan’ny Firenena Mikambana, izahay. Tsy navela hiverina tany an-tranonay izahay sy i Paul, fa, niaraka amin’ny Rahalahy Kyriazis sy ny fianakaviany ary koa tamin’ny olona 650 hafa, izahay dia nohazonina tao amin’io hotely tao Kyrenia io. Rehefa afaka andro vitsivitsy, noho izaho Anglisy, dia nentina tany Nicosie aho, notronina rehefa namakivaky ny faritra iray tsy an’ny atsy na an’ny aroa, ary nafahana. Ireo rahalahinay mponin’i Chypre niteny grika kosa anefa dia nohazonina tao amin’ilay hotely nandritra ny volana maromaro talohan’ny nanafahana azy
ireo. Nandritra izany fotoana izany, dia nihazona ny tenany ho matanjaka ara-panahy izy ireo, tamin’ny fanaovana fivoriana tsy tapaka mba hianarana ny Baiboly, ary tsy nitsahatra nizara ny hafatra feno fampiononana ao amin’ny Baiboly tamin’ny hafa izay niara-babo taminy tao amin’ilay hotely.’Inona no niafaran’iny fanafihana iny? Miaramila tiorka no nitana an-keriny tokony ho ny ampahatelon’ny nosy. Olona maherin’ny 200 000 no nanjary mpitsoa-ponenana. Nisy vahoakan’i Jehovah anisan’izany. Rahalahy maherin’ny 300 no namoy ny fananany ara-nofo rehetra. Kongregasiona efatra no niparitaka. Nahatohitra ilay fanafihana ny Trano Betela, nefa hita teo amin’ireo lela varavarankelin’ilay trano voan’ny bala ny takaitra navelan’ilay ady. Nihevitra ny aina ho sarobidy kokoa noho ny fananana izahay, ka nanapa-kevitra ny handao ilay toerana nisy ny biraon’ny sampana. Na dia izany aza, rehefa nihena ny ady, dia natao ny ezaka mba hakana ny antontan-taratasy sasany tao amin’ny biraon’ny Fikambanana. Hitanay fa efa nisy miaramila nanao bemidina tao amin’ny biraon’ny sampana. Nisy nanokatra an-keriny ny varavarana teo anoloana, ary nisy miaramila nanoratra teo amin’ny iray tamin’ireo rindrina hoe: ‘Tsy tia anay Andriamanitra satria tsy nahita na inona na inona tena sarobidy tato izahay.’
Avy hatrany dia najoro ny komity iray mba hikarakara izay nilain’ireo rahalahinay nitsoa-ponenana. Ireo izay tsy niharan’ny fiantraikan’ilay fifandonana nivantana dia nanokatra ny tranony ho an’ireo rahalahiny kristiana. Tsy ela dia nisy fanampiana ara-nofo tonga avy tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Gresy ary koa vola avy tany amin’ny sampan’i Angletera. Tena nankasitrahan’ireo rahalahy teto an-toerana ny fiahiana nasehon’ny Fitambara-mpitantana teo amin’ny fanampiana azy ireo tamin’io fotoana nilan’izy ireo fanampiana io. Fatorana mampiray mahatalanjona toy inona moa no mampifanakaiky ny mpanompon’i Jehovah rehetra!
Efitrano iray fanaovana fivoriambe
Noho ny fifindran’ireo mponin’i Chypre niteny tiorka avy tany atsimon’ny nosy nankany avaratra, dia nanjary azonay
nampiasaina ny trano fijerena sinema tiorka iray tao amin’ny tanànan’i Limassol, ary dia nanao sonia ny fifanekena tamin’ilay tompony tiorka izahay talohan’ny nandehanany. Simba be ilay trano nandritra ireo fifandonana. Niasa mafy anefa ireo rahalahy mba hanamboarana ny tafony sy hanaovana izay hahafahana hampiasa ilay toerana tamin’ny ankapobeny. Afaka nampiasa ny tapany iray tamin’ilay trano hanaovany ny fivoriany ny iray tamin’ireo kongregasiona tao amin’ilay tanàna. Nahalany olona 800 ilay trano fijerena sinema, ary nisy toerana nanodidina ilay trano azo nampiasaina ho an’ireo sampan-draharaha tamin’ny fivoriamben’ny distrika. Zava-nanahirana foana ny fahazoana toerana nifanentana hanaovana ireo fivoriamben’ny distrikanay, koa tena araka izay nilainay àry io trano io.Afaka fotoana fohy anefa, rehefa maty ilay tompony teo aloha, dia nisy manam-pahefana sasany naniry haka ilay trano taminay. Tamin’ny farany anefa dia natao ny fandaharana niaraka tamin’ireo manam-pahefana mba hampiasanay ilay trano sy ny tapany tamin’ilay tany nanodidina. Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nisy fanatsarana maro natao tamin’ilay trano mandra-pahatratrarany ny fari-pitsipika azo nekena ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitsika, dia i Jehovah.
Tamin’ny fotoana nahazoanay io trano fijerena sinema io, dia ampy tsara ho an’ny Vavolombelona rehetra teto Chypre izy io. Kanefa, tamin’ny 1994, dia fivoriamben’ny distrika telo no nalaminay tao, mba handraisana ireo Vavolombelona sy olona liana ho tonga hanatrika.
Raharaha ny amin’ny feon’ny fieritreretana kristiana
Nandritra ny 1978/1979, dia nisy tatitra an-gazety samihafa nivoaka momba ny toeram-pialanalanana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah raha ny amin’ny fanaovana ny raharaha miaramila. Koa satria tao amin’ny lalàna tsy nisy fandaharana ny amin’ireo objecteurs de conscience (olona izay tsy mamela azy handray fiadiana ny feon’ny fieritreretany), dia Vavolombelona maro no nomelohina hiditra an-tranomaizina.
Nanomboka tamin’ny 1980, dia Vavolombelon’i Jehovah 130 fara fahakeliny no nampidirina an-tranomaizina noho ny
toeram-pialanalanana notanany, ary ny sasany aza naverina tany an-tranomaizina indroa, intelo, inefatra. Mahaliana ny nanjo an’i Georgios Anastasi Petrou, 28 taona. Tamin’ny 1 Jolay 1993, dia nomelohina faninefany tamin’ny naha-objecteur de conscience azy izy, ka nomelohina hiditra an-tranomaizina enim-bolana. Tamin’ny fitambarany, dia nahatratra roa taona sy roa volana ny naha-tany an-tranomaizina azy. Momba io Vavolombelona io, dia nanao tatitra ny amin’ny teny fanoherana avy tamin’ny Amnesty International ny gazety Cyprus Weekly tamin’ny 9 Septambra 1993, ka nilaza hoe: ‘Mampalahelo fa tsy misy na inona na inona misakana ireo manam-pahefana tsy hanao azy an-tranomaizina fanindiminy, fanineniny, fanimpitony. Tsy efa tonga ve izay ny fotoana tokony hampitsaharan’ireo manam-pahefana ny fanenjehana azy tsy an-kijanona e?’Isan-kerinandro, dia loholona samihafa no mitsidika ireo rahalahintsika izay any an-tranomaizina noho ny fialanalanana, mba hiara-mandinika Ny Tilikambo Fiambenana ary koa fanazavana araka ny Soratra Masina mampahery hafa. Ankasitrahanay ny fiaraha-miasan’ireo manam-pahefana ao amin’ny tranomaizina izay nanao izany fandaharana izany ho azo atao. Ireo rahalahy miatrika ny raharaha ny amin’ny fialanalanana dia mihevitra izany ho toy ny fitsapana ny finoany sy ho toy ny fahafahana hanokana fotoana misimisy kokoa ho amin’ny fianarana manokana ny Baiboly, raha mbola any an-tranomaizina. Mampiavaka azy ireo ireto teny manaraka ireto izay nataon’ny sasany taminy: ‘Vonona izahay ny hijanona ato an-tranomaizina, raha mbola avelan’i Jehovah koa izany’, sy hoe ‘Mbola tsy nanao fianarana be dia be toy izao mihitsy izahay talohan’izao’.
Ireo minisitry ny fitondram-panjakana dia maharay taratasy fanoherana maro avy amin’ireo fandaminana mpiaro ny zon’olombelona izay mangataka amin’ireo manam-pahefana eto Chypre mba handamina ny raharaha ny amin’ny objecteurs de conscience. Ho vokany, dia lahatsoratra an-gazety sasantsasany vao haingana no nampirisika mafy ireo manam-pahefana mba hampifanaraka ny lalàny amin’izay mahazatra ankehitriny eto Eoropa. Ohatra, ny gazety Alithia, tamin’ny 24 Janoary 1994, dia
nilaza toy izao momba ireo objecteurs de conscience: ‘Tsy maintsy alamina haingana araka izay azo atao io raharaha io, mifanaraka amin’ireo fanipazan-kevitr’i Eoropa sy ny Firenena Mikambana.’Ny Parlemanta Eoropeana dia nampirisika mafy an’ireo fanjakana mpikambana ao amin’ny Vondrona Eoropeana mba hanome fanekena ara-dalàna an’ireo objecteurs de conscience tsy manaiky hanao raharaha miaramila. Tamin’ny 1993, ny lahatsoratra lava iray navoaka tao amin’ny Cyprus Law Tribune dia nampirisika mafy an’ireo manam-pahefana eto Chypre mba hieritreritra amim-pitandremana momba izay nataon’ny tany toa an’i Soeda sy i Holandy mba handaminana io tarehin-javatra io.
Biraon’ny sampana vaovao
Tamin’ny 1981, dia nisy fiovana natao teo amin’ny fitantanan-draharaha tao amin’ny sampan’ny Fikambanana. Mba hikarakarana izay nilain’ny sampana, i Don Rendell, izay nanompo tany amin’ny Betelan’i Gresy tamin’izay, dia nangatahina hiverina teto Chypre mba handray ireo adidin’ny mpampifandrindra
ny Komitin’ny Sampana. Ny taona nanaraka, dia nanampy ny isan’ny mpianakavin’ny Betelan’i Chypre ny mpivady iray mponin’i Chypre niteny grika dia i Andreas Kontoyiorgis sy i Maro vadiny, izay mpisava lalana manokana tany Angletera. Rehefa hita fa kely loatra ilay birao tany Limassol, dia safononoky ny hafaliana ny fianakavian’ny Betela tamin’ny 1985 rehefa nanome lalana mba hanorenana biraon’ny sampana vaovao ny Fitambara-mpitantana.Na dia may ny hanomboka ny asa fanorenana ilay birao vaovao aza ireo rahalahy, dia nisy zava-nanahirana tsy maintsy nalamina. Aiza no hananganana ilay trano vaovao? Notapahina ny hevitra fa ilay tany tany Limassol nananan’ny Fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Chypre no hampiasaina ho amin’izany. Nandritra ny 1987, dia nalefa tany amin’ireo
manam-pahefan’ny tanàna tany an-toerana ireo maritrano, ary natao ny fangatahana fahazoan-dalana hanorina. Kanefa, raha vantany vao nanjary fantatra fa nikasa ny hanorina ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nisy solontenan’ny Eglizy Ortodoksa Grika nitady ny fanohanan’ny mponina teo amin’ny manodidina ka hanaovan’izy ireo sonia ny fanambarana fanoherana iray. Ho vokany, dia nanda tsy hamoaka fahazoan-dalana hanorina ireo manam-pahefana. Ireo antony nomena dia hoe “mba hitandroana ny fiarovana sy ny filaminam-bahoaka izay ho tandindomin-doza raha nomena ilay fahazoan-dalana”. Ny antony iray hafa dia “ny zava-kendren’ilay trano nokasaina hatao”.Koa satria niharihary fa niorina tamin’ny fanavakavahana ara-pivavahana ilay fanapahan-kevitra, dia nentin’ireo rahalahy tany amin’ny fitsarana ilay raharaha. Tany ilay didim-pitsarana dia nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanambara ilay didim-pitsarana fa ireo manam-pahefan’ilay tanàna dia “tsy nanana fahefana handa tsy hamoaka fahazoan-dalana hanorina noho ny amin’ny fiarovana ny vahoaka na ny filaminam-bahoaka”. Nanohy toy izao ilay didim-pitsarana: “Kanefa, ilay antony hafa iray nomena, izany hoe ny ‘zava-kendren’ilay trano nokasaina hatao’, (...) no mampiharihary ilay tena antony nandavana ny fangatahan’ireo mpangataka.” Nitondra soa ny nandaminana ilay raharaha tany amin’ny fitsarana.
Na dia talohan’ny namoahan’ny fitsarana ny fanapahan-keviny aza anefa, dia nanjary nihaniharihary fa tsy ho fahendrena
ny hananganana ny biraon’ny sampana teo amin’ny faritra iray izay nisy fanoherana mafy toy izany. Noho ny fitondran’Andriamanitra, tamin’izay fotoana izay, ny rahalahy iray izay nanana tany tao amin’ny vohitr’i Nissou, kilaometatra vitsivitsy monja avy teo Nicosie, dia nanolotra ny hivarotra azy io tamin’ny Fikambanana. Teo amin’ny tany iray efa ho antsasaka hektara, dia nisy trano iray voaforona fitambaran’efitrano fonenana efatra. Tao ambadik’ilay trano dia nisy voly voasary makirana, ary teo anoloana dia nisy tokotany voahodidina kirihitra namelana sy hazo palmie. Nifanila taminy ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana. Tena araka ny nirina ho an’ny biraon’ny sampana indrindra ilay tany. Nalalaka kokoa noho izay ho azo nampiasaina tany Limassol ilay izy; fiovana vitsy dia vitsy no nilaina hatao; teo afovoan’ny tanàna no nisy ilay tany, ary sariaka ny mponina manodidina. Rehefa avy nanome ny fanekeny ny Komitin’ny Mpampanontan’ny Fitambara-mpitantana, dia novidina ilay tany tamin’ny 1988, ary tamin’ny volana Jona tamin’io taona io ihany, dia nifindra tao ny fianakavian’ny Betela.Nanampy teo amin’ny fanaovana ny asa ny fanapahan-kevitra araka ny lalàna
Ankoatra ilay raharaha ara-pitsarana nahakasika ilay toerana nokasaina hanaovana ny biraon’ny sampana, dia nisy toe-javatra hafa tena nilana ny hanaovana zavatra mba ‘hanorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara’ teto Chypre. Indraindray dia voatery natao ny fangatahana famerenam-pitsarana tany amin’ny Fitsarana Tampon’ny nosy. — Fil. 1:7, NW.
Ny hevitra fototra iray izay nilana fanazavana dia ny hoe: Moa ve ny Vavolombelon’i Jehovah azo antsoina araka ny lalàna hoe “fivavahana fantatra” iray? Raha izany no izy, dia tokony hoentina toy ireo fivavahana hafa efa misy izy ireo. Ny Andininy faha-18 amin’ny Lalàm-panorenan’i Chypre dia milaza hoe:
“1. Ny olona tsirairay dia manana zo ho amin’ny fahalalahana eo amin’ny eritreritra sy ny feon’ny fieritreretana ary ny fivavahana.
“2. Ny fivavahana rehetra izay tsy miafinafina ny foto-pampianarany na ny fombafombany dia malalaka avokoa.
“3. Ny fivavahana rehetra dia mitovy eo anatrehan’ny lalàna.”
Ireo manam-pahefana ara-dalàna dia nilazalaza ny “fivavahana fantatra” iray ho “fivavahana izay mety ho ‘fantatry’ ny olona iray, na iza izany na iza; fivavahana iray izay tsy miafinafina ny foto-pampianarany sy ny fotopoto-pitsipiny, ary miseho ampahibemaso ny fanarahana azy”. Mahafeno ireo fepetra takina rehetra ireo ny Vavolombelon’i Jehovah.
Kanefa, teo amin’ny fanabeazana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia niharan’ny fanavakavahana. Tsy nety nanoratra hoe “Vavolombelon’i Jehovah” ho ny fivavahan’ireo mpianatra ireo sekoly, na dia nahazatra aza ny nanamarika ny fivavahan’ny mpianatra iray teo amin’ny bulletin-ny. Nentina teo anatrehan’ireo manam-pahefan’ny fanabeazana ilay raharaha. Nanambara ny Minisiteran’ny Fanabeazana hoe: ‘Tsy ao an-tsainay ny fisian’ny fivavahana iray mitondra ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Aminay ny hoe Vavolombelon’i Jehovah dia fihetsiketsehana na fandaminana.’
Tao amin’ny taratasy iray ho an’ny minisitry ny fanabeazana, tamin’ny 16 Aprily 1991, ny tonian’ny fampanoavana dia nandinika indray ilay raharaha araka ny Lalàm-panorenan’i Chypre. Avy eo izy dia nilaza ilay fomba fihevitra fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia “fivavahana fantatra”, ka noho izany, ny fivavahan’ireo mpianatra dia tokony haseho eo amin’ny bulletin-ny any am-pianarana.
Io fomba fihevitry ny tonian’ny fampanoavana io dia nisy vokany tsara teo amin’ny fisehoan-javatra hafa araka ny lalàna nahakasika ny mpanompon’i Jehovah teto Chypre. Ny taratasy iray nisy pejy sivy navoakan’ny biraony dia nanambara fa ireo mpitondra fivavahana teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hoentina amin’ny fomba mitovy amin’ny an’ireo fivavahana lehibe eto Chypre. Tamin’ny fotoana nampitomboan’ireo mpanohitra ny fanereny, izany dia nanamafy ny fanapahan-kevitra iray nataon’ireo manam-pahefana tamin’ny Jolay 1990 momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Araka io fanapahan-kevitra
io, ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa tao amin’ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahazo tsy nanao raharaha miaramila satria nekena ho mpitondra fivavahana izy ireo.Ny fisehoan-javatra hafa iray nanaraka ny fomba fihevitr’ilay tonian’ny fampanoavana dia nahakasika ny hetra. Tamin’ny 17 Jona 1992, ny Minisiteran’ny Varotra dia nampahafantatra ny fanapahan-keviny fa nahazo tsy nandoa hetran-tany ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ireo vola hetra efa naloa nanomboka tamin’ny 1981 dia naverina.
Mazava ho azy fa velom-pankasitrahana an’ireo mitana fahefana izay manilika ny fanavakavahana sy mitondra ny fivavahana rehetra tsy amim-piangarana, ny Vavolombelon’i Jehovah eto Chypre.
Mitohy ny fanangonana
Amin’ny andro ankehitriny, dia 70 taona lasa teo ho eo izay no tonga teto Chypre ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah. Inona no tanteraka hatramin’izay?
Hatramin’ny faritra iray ka hatramin’ny faritra hafa teto amin’ny nosy — any amin’ireo tanàn-dehibe sy any amin’ireo vohitra, ary koa any ambanivohitra — dia nomena fahafahana imbetsaka handre ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny olona. Nianatra ny fahamarinana teto ny olona sasany izay ho mpikambana ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Ankehitriny dia betsaka lavitra no angonina izay manana fanantenana fiainana mandrakizay amin’ny maha-mpivavaka amin’i Jehovah eto amin’ny tany ho tonga paradisa. Tamin’ny tapany voalohany tamin’ny 1985, dia efa nisy hatramin’ny 1 000 teto Chypre ny isan’ireo izay nihira fiderana an’i Jehovah ampahibemaso.
Tsy nijanona tamin’izay anefa ny fanangonana. Tamin’ny volana Martsa 1994, dia efa nisy Vavolombelona narisika 1 544 teto Chypre, ary 3 141 no nanatrika ny Fahatsiarovana. Koa maro àry no mbola manaiky ny fandaharana ny amin’ny fanaovana mpianatra sy mampiseho faniriana hianatra ireo zavatra rehetra nandidian’i Jesosy ny mpanara-dia azy. Manerana ny nosy, dia
misy kongregasiona 16, ary mampiseho zotom-po ho an’ny fanompoana an’i Jehovah izy ireo. Nandritra ny taom-piasana lasa, dia nisy porofo tsara dia tsara ny amin’ny fitomboan’ny toe-tsain’ny mpisava lalana, indrindra fa teo amin’ireo Vavolombelona tanora kokoa. Nandritra ny volana Martsa, dia Vavolombelona 295 tamin’ny fitambarany, izay 19 isan-jaton’ny tontalin’isan’ny mpitory, no nandray anjara tamin’ny endrika iray na hafa amin’ny asan’ny mpisava lalana.Nisy fandrosoana koa teo amin’ny fampiofanana ireo rahalahy hiantsoroka andraikitra betsaka kokoa. Marina indrindra izany raha ny amin’ireo loholona ao amin’ny kongregasiona ary koa ny amin’ny fandaminana ny fivoriamben’ny distrika sy fizaran-tany.
Fikirizana no takina amin’ireo mpitory mba tsy hitsaharany hiasa tsy tapaka ny faritaniny amin’ny fomba feno. Mbola manjaka eto Chypre ny tahotra olona, satria mifamatotra akaiky ireo mpiray monina, indrindra fa any ambanivohitra.
Rehefa miorim-paka ao am-pon’ny ankizy iray ny fitiavana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, indraindray dia izany ankizy izany no manampy ny hafa rehetra ao amin’ilay fianakaviana hahatohitra ny sakana avy amin’ny tahotra. Marina izany tao amin’ny fianakaviana iray nisy mpianakavy enina (ny ray sy ny reny ary ny zaza madinika efatra) tao amin’ny vohitra kely iray. Nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ilay reny ny mpisava lalana iray. Taorian’ny fianarana fahatelo, dia nanatrika fivoriana iray niaraka tamin’ireo Vavolombelona izy io. Rehefa nipoitra anefa ny fanoherana tao amin’ny fianakaviana, dia nanajanona ny fianarana izy. Kanefa nitomany tsy an-kijanona ny zanany vavy sivy taona mandra-panaikin’ny reniny hanohy ny fianarana indray tamin’ny farany. Tsy ela dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana ilay fianakaviana iray manontolo. Tamin’ny 1994, dia natao batisa io ramatoa io. Ny vadiny izao dia mianatra, ary ilay zanany vavy koa dia manohy mianatra.
Rehefa mandray anjara amim-pahatokiana amin’ny fanompoana ireo mpitory, dia manohy mahita olona manetry tena toy izany. Mianatra ny mamboly ireo vokatry ny fanahin’
Andriamanitra koa izy ireo, ary manome porofo fa mpanohana tsy mivadika ny fiandrianan’i Jehovah ny tenany.Fanafahana marina ho an’ireo mponin’i Chypre tso-po
Ny tantaran’i Chypre dia mirakitra ny fanapahan’ireo herim-panjakana vahiny ny mponina teo aminy. Mponin’i Chypre maro no nanome ny ainy ho an’izay noheveriny ho fahafahana. Kanefa, ireo vokatra azo dia tsy izay nandrandrain’izy ireny foana. Tamin’izao taranaka izao, dia olona maro no namoy ny tanin’ny razambeny, ary ankehitriny dia tsy mahita fanantenana velively ny hiverenana any izy ireo. Marina koa izany ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany. Tsy mora ny fiainana ho azy ireo.
Tsy miankina amin’ny toerana onenana na ny fananana anefa ny fahafahana marina. Io fahafahana io dia ilay karazany izay vokatry ny fahalalana marina ny fahamarinana. Izany fahalalana izany, hita ao amin’ny Baiboly, dia manafaka ny olona amin’ny finoanoam-poana sy ny tahotra tsy marim-pototra. Izy io dia manolo ny tsy fahaiza-milefitra ara-pivavahana amin’ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona. Izy io dia mampiseho ny lalana ho amin’ny fanafahana amin’ny fanandevozan’ny ota sy ny fahafatesana ho an’izay rehetra mino ny fandaharana feno fitiavana ny amin’ny famonjen’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Ho amin’izany vaovao tsara izany no itarihan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny karazan’olona rehetra.
Kanefa, sahala amin’ny fony ny apostoly Paoly sy i Barnabasy namany nitory teto Chypre, ireo filoha ara-pivavahana dia manohitra ny fitoriana izany vaovao tsara izany. Nandritra ny tantarany maoderina manontolo teto Chypre, ny mpanompon’i Jehovah dia notoherin’ny Eglizy Ortodoksa Grika voalohany indrindra. Tadidin’ireo Vavolombelona mandrakariva anefa izay voasoratra ao amin’ny Jeremia 1:19 manao hoe: “Hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.”
Matoky izy ireo fa hanohy hamonjy azy amin’ny fahavalony i Jehovah ary koa fa tsy ho ela izy dia hamonjy azy ireo amin’ny fahoriana lehibe ho avy mba hiditra ao amin’ny tontolony vaovao. Amin’izay dia ho marina, tsy amin’ny heviny ara-panahy Mika 4:4 manao hoe: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. Marina aloha fa misy mponin’i Chypre izay afaka mipetraka eo ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny na dia ankehitriny aza, nefa tsy manao izany tsy misy tahotra izy ireo. Kanefa, ao amin’ilay “fiainana [“tany honenana”, NW ] ho avy”, izay resahin’ny Baiboly, dia ho azo atao ny hankafy toe-piainana toy izany tsy misy tahotra heloka bevava, ady, na aretina sy fahafatesana mihitsy aza. Izany no ho tena famonjena! Eny, mampanantena i Jehovah hoe: “Indro, havaoziko ny zavatra rehetra.” Nilaza koa izy hoe: “Mahatoky sy marina ireo teny ireo.” — Heb. 2:5-9; Apok. 21:4, 5; Sal. 37:9-11.
ihany, fa amin’ny heviny ara-bakiteny koa, izay voambara ao amin’ny[Sarintany, pejy 66]
(Jereo ny boky)
CHYPRE
Paphos
Nicosie
Limassol
Larnaca
Xylophagou
Famagusta
Salamis
[Sary, pejy 71]
Antonis Spetsiotis (ankavanana) sy Andreas Christou, ny Vavolombelona voalohany tao Xylophagou
[Sary, pejy 72, 73]
Nitory tamin’i Sergio Paolo tao Paphos ny apostoly Paoly na dia teo aza ny fanoheran’ny mpanao ody iray (Etsy ankavia: Sisa tamin’ny lapan’ilay governora)
[Sary, pejy 76]
Panagiotis Gavrielides
[Sary, pejy 79]
Nikos sy Galatia Matheakis, Vavolombelona be zotom-po fantatra noho ny fahaizany mampiantrano vahiny feno fahalalahan-tanana
[Sary, pejy 80]
Ny sasany tamin’ireo misionera voaofana tany Gileada tany am-boalohany:
1. Don Rendell
2. Anthony Sideris
3. Emmanuel Paterakis
4. Antonios Karandinos
[Sary, pejy 81]
Ny sasany tamin’ireo anabavy izay misionera tany Chypre (avy eo ankavia miankavanana): Jean Baker, Yvonne Warmoes (Spetsiotis), Nina Constanti (Psaltis)
[Sary, pejy 86]
N. H. Knorr (laharana faha-2, ankavanana) miaraka amin’ny rahalahy mponin’i Chypre sy misionera
[Sary, pejy 87]
Nisy fivoriambe nampientana iray natao tao amin’ny Sinema Royal sy ny Sinema Pallas tamin’ny 1951
[Sary, pejy 91]
Vavolombelona vonona hiainga ho any amin’ny faritaniny, tamin’ny 1955
[Sary, pejy 100]
Fivoriambe niraisam-pirenena teo ambany tafo volotsangana, tany Nicosie, tamin’ny 1973
[Sary, pejy 107]
Efitrano Fanaovana Fivoriambe any Limassol
[Sary, pejy 108, 109]
Biraon’ny sampana sy fianakavian’ny Betela ankehitriny any Chypre
[Sary, pejy 115]
Komitin’ny Sampana manompo ankehitriny any Chypre (avy eo ankavia miankavanana): Andreas Costa Efthymiou, Andreas Kontoyiorgis, James Petridis