Guadeloupe
Guadeloupe
ALAO sary an-tsaina ny tenanao any Antilles, eo amin’ny nosy kely iray eo atsimon’i Guadeloupe. Ao amin’ny tanàna iray tsy misy afa-tsy mponina 6 000, sady tsy misy zavatra mampientana firy mitranga, no misy anao. Anio anefa, avy ao amin’ny sambo iray izay mitatitra olona sy entana tsy tapaka, dia fantsona vy sy takelaka viraty (aluminium) milanja taonina maro no esorina ho eo amin’ny fiantsonan-tsambo. Ao anatin’ny indray andro dia afindra any ivelan’ny tanàna ireo metaly ireo ary atambatra. Efitrano Fanaovana Fivoriambe iray antonona olona efa ho arivo no atsangana. Tsy misy soratra ilaina mba hampahafantarana ampahibemaso ny vaovao momba io fisehoan-javatra io. Fantatry ny rehetra fa antokon’olona iray ihany no ho afaka handamina fivoriambe toy izany eto.
Avy eo, herinandro atỳ aoriana, dia sambo telo hafa no miara-tonga. Mitazana ny iray tanàna eo am-pandehanan’ny olona arivo — lehilahy sy vehivavy ary ankizy — avy eo amin’ny fiantsonan-tsambo mankeo amin’ny toerana hanaovana ilay fivoriambe. Mitondra valizy sy fandriana azo bataina ary rano izy ireo. Vavolombelon’i
Jehovah ireo olona ireo. Tonga eto an-tanàna izy ireo, tsy hoe mba hamonjy fivoriambe fotsiny, fa mba hiresaka amin’ny mponina eto momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly koa. Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nahita azy ireo matetika ny olona rehetra eto Guadeloupe sy any amin’ireo nosy manodidina.Tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly voalohany tatỳ amin’ireto nosy ireto? Karazan’olona manao ahoana no monina eto? Karaza-nosy manao ahoana no onenan’izy ireo?
Fifangaroan’ny kolon-tsaina
Nosin’ireo Rano Tsara Tarehy — Karukera, araka ny fiantson’ireo Indianina caraïbes azy ireo — no anaran’i Guadeloupe ela be talohan’ny nahatongavan’i Christophe Colomb teto tamin’ny 1493. Tsy isalasalana fa ny tao an-tsain’ireo Indianina dia ny famelombelomana avy amin’ireo rian-drano maron’i Guadeloupe sy ny hakanton’ny rano manodidina an’i Guadeloupe. Hilazanay momba ny karazana rano hafa iray izay tondraka ny fikorianany eto Guadeloupe amin’izao andro izao, anefa ianao aoriana. Mbola tsara tarehy kokoa aza ny zavatra vokarin’izy io.
I Guadeloupe, raha ny tena izy, dia nosy roa, izay iankinan’ny faritany kely kokoa sasantsasany (Marie-Galante, Les Saintes, La Désirade, Îles de la Petite-Terre, Saint-Barthélemy ary tapany amin’i Saint-Martin). Eo amin’ny sarintany, ireo nosy lehibe indrindra roa dia misary lolo iray mivelatra elatra. Eo andrefana i Basse-Terre sy ireo tandavan-tendrombohiny volkanika; eo atsinanana i Grande-Terre, izay tany avo marin-tampona voaravaka havoana kely. Vao mainka mitombo ny hatsaran-tarehin’ireo nosy ireo, noho ireo moron-dranomasina misy rano manga-maitso sy ny ambanivohitra maitso ary ny alan’ny tany mafana feno rian-drano.
Olona avy tamin’ny firazanana samihafa no tonga teto amin’ny moron-tsirak’i Guadeloupe. Ireo Arawak no mponina voalohany; tatỳ aoriana, dia tonga ireo Indianina Caraïbes, nialoha izay Eoropeana mpanorim-ponenana rehetra. Taorian’ny 140
taona mahery nanaraka ny dian’i Christophe Colomb, izay naloan’i Espaina ny vidiny, vao nisy Eoropeana nanorim-ponenana teto Guadeloupe; Frantsay izany mpanorim-ponenana izany fa tsy Espaniola akory. Nandripaka tsikelikely an’ireo Indianina caraïbes izy ireo, nanorina milina fanaovana siramamy ary nampiditra ny mpiasa andevo.Raha ara-politika, i Guadeloupe dia faritanin’i Frantsa, ary Frantsay maro no tonga honina eto tato anatin’ireo am-polony taona faramparany. Ireo nosy lehibe indrindra anefa amin’ny ankapobeny dia onenan’ny mainty hoditra, izay nosintonin’ny varotra andevo hiala tao amin’ireo moron-tsiraka afrikana. Kanefa, tokony ho ny 10 isan-jaton’ny mponina dia taranaky ny mpiasa nentina avy tany Inde taorian’ny fanafoanana ny fanandevozana teto Guadeloupe tamin’ny 1848. Ireo nosin’i Les Saintes sy i Saint-Barthélemy, izay roa amin’ireo faritany enina, dia onenan’ny Blancs-pays (vazaha zana-tany) indrindra indrindra. Ny razamben’izy ireo, izay avy tany Bretagne sy Normandie, dia anisan’ireo mpanorim-ponenana mpanjana-tany voalohany. Misy fianakaviana libaney sy syriana vitsivitsy manana tranom-barotra koa eto.
Heverina ho Katolika Romana ny ankamaroan’ny mponina. Ireo mponina karàna anefa, na dia katolika noho ny fifangaroany amin’ny mponina hafa aza, dia mihazona ireo fombafombany hindoa. Hita etsy sy eroa eny ambanivohitra ireo tsato-kazony masina misy faneva miloko marevaka. Ireo zavatra inoan’ny olona be dia be dia mbola vonton’ny finoanoam-poanan’ny razambeny izay nohazonin’ireo quimboiseurs (mpanao ody) mafy.
Na dia izany aza, ny olona eto mazàna dia manaja ny Baiboly. Mino izy ireo fa Tenin’Andriamanitra izy io. Rehefa mivavaka ny maro aminy, dia mampiasa teny avy ao amin’ny Salamo. Raha ny marina aza, dia matetika ny Baiboly no avela hisokatra, indraindray eo akaikin’ny labozia mirehitra iray, eo amin’ny salamo iray izay heverina ho mitondra fiarovana sy fitahiana ho an’ilay tokantrano.
Ny fifangaroan’ny kolontsaina samihafa — afrikana sy eoropeana ary aziatika — dia niteraka fomba fiaina anjakan’ny
fahalemem-panahy sy ny hatsaram-panahy. Ireo toetra tsara ireo dia mahatonga ny firesahana amin’ny maro amin’ny mponina eto ho mahafinaritra, no sady mahatonga azy ireo hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana.Fiantombohana kely
Ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Guadeloupe dia ohatra tsara ny amin’izay azon’ny fanahin’i Jehovah tanterahina amin’ny alalan’ny olona tso-po sy manetry tena izay manaiky ny fanasan’Andriamanitra “hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”. (Apok. 22:17). Efa notsidihin’ny Vavolombelona tany aloha be, tamin’ny 1936, i Guadeloupe. Kanefa, tamin’ny 1938, teo amin’ireo fiantsonan-tsambon’ny seranan’i Pointe-à-Pitre, dia nisy fitoriana natao tamin’ny fomba tsy tapaka natomboka.
Vao avy natomboka ny fampidirana herin’aratra teto amin’ny nosy, ary tsy nisy afa-tsy aotomobilina vitsivitsy teny amin’ny arabe. Feno asa tany amin’ny seranana. Nisy sambo kely, lehibe, salasala, niantsona teo. Nisy mpandranto sy ny mpiasany
nandeha tetsy sy teroa, ary koa mpiasan’ny seranana, izay nibata kitapo vaventy sy kesika navesatra ary barìka goavam-be. Nandritra ny fiatoana tamin’ny sakafo antoandro, dia nisy lehilahy iray zatra nipetraka teo amin’ny aloka teo amin’ny tokonam-baravarana iray, voahodidina mpiasa. Niresaka momba ny Baiboly izy. I Cyril Winston io lehilahy io, izay teo anelanelan’ny 40 sy 50 taona. Nanambady izy ary teratanin’i Dominique, nosy iray eo atsimon’i Guadeloupe. Ranjanana izy, volombatolalaka ny masony, nahafinaritra ny fihetsiny ary niteny moramora tamin’ny teny créole izy. Mpitory manontolo andro, na hoe mpisava lalana, izy, sady niasa mafy mba hamelomana ny fianakaviany.I Condé Bonchamp no anisan’ny voalohany nihaino tamim-pitandremana an’i Cyril Winston. “Samy mpiasan’ny seranana izahay mirahalahy ary niara-niasa”, hoy izy. “Tamin’ny fotoan’ny sakafo antoandro, dia nipetraka nanodidina an’i Cyril izahay sy ny mpiasa maromaro hafa, satria nahafinaritra anay ny nihaino azy nanazava ny Baiboly. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nahangona antokon’olom-bitsy avy tany Dominique izay niara-niasa taminay izy, ary nandamina fivoriana. Nisy olona dimy nanatrika izany.”
Mba hanaovana fivoriana, dia nanofa efitrano iray tao amin’ny case-n’i René Sahaï sy ny vadiny ny Rahalahy Winston. Ny case atỳ Antilles dia trano vita amin’ny hazo fisaka nofantsihina tamin’ny rafitra hazo, ary misy tafo fanitso galvanisé. Ao anatiny, ireo efitrano dia sarahin’ny fizarana misy misokatra eny ambony mba hidiran’ny rivotra. Mora re ny feo avy ao ambadik’ilay rindrina mampisaraka, hany ka, tamin’ny andro nanaovana ireo fivoriana, dia nihaino ireo lahateny Rtoa Sahaï. Tamin’izany fomba izany, dia nanjary liana tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy sy ny vadiny.
Mahatsiaro toy izao ny nifandraisany voalohany tamin’io antokon’olona io i Noéma Missoudan (Apourou no anarany ankehitriny): “Nanelingelina ahy ny nahita ny vadiko nanomboka nody alina tamin’ny andro sasany. Natahotra aho sao nisy vehivavy hafa iray nahaliana azy. Indray hariva, dia nanaraka azy aho. Ny 25 Desambra 1939 tamin’izay. Niditra tao amin’ny case
iray tao amin’ny faritanàna iray nanamorona an’i Pointe-à-Pitre izy. Minitra vitsivitsy taorian’izay, dia niditra tao amin’ilay trano aho. Toy inona moa ny hagagako rehefa teo anivon’ny antokon’olona tokony ho 12 ny tenako! Nipetraka aho dia nihaino.” Tamin’izany fomba izany no nanombohany nanatrika ireo fivoriana. Noho ny tsy fisian’ny herin’aratra, dia samy nitondra labozia ny tsirairay.Zava-tsarotra tamin’ny fotoan’ny ady
Rehefa avy nanafika an’i Polonina i Alemaina, dia nanapoaka ady tamin’i Alemaina i Frantsa tamin’ny 3 Septambra 1939. Tsapa tatỳ amin’ny Antilles Frantsay ny vokatr’izany, satria tsy ela dia nitsahatra tanteraka ny fanaovam-barotra tamin’i Frantsa. Tamin’ny 1940, i Guadeloupe dia nanjary teo ambanin’ny fahefan’ny fitondram-panjakan’i Vichy tany Frantsa, izay niara-niasa tamin’ireo Nazia. Nanjary niato ny fifandraisana tamin’i Etazonia. Tsy afaka nanondrana ny raomany sy ny akondrony intsony i Guadeloupe, no sady tsy afaka nampiditra hanina sy entana hafa. Ny entana nalefa iray nisy zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly avy tany New York aza dia nodorana teo amin’ireo fiantsonan-tsambon’ny seranan’i Pointe-à-Pitre.
Kanefa, tamin’ny 1940, ilay antokon’olom-bitsy izay niara-nivory mba hianatra ny Baiboly tao amin’ny faritanàna iray nanamarona an’i Pointe-à-Pitre, dia nanomboka niasa ho toy ny groupe isolé-n’ny Vavolombelon’i Jehovah, teo ambanin’ny fitarihan’ny Fikambanana Watch Tower. Izy io no voalohany teto Guadeloupe.
Be zotom-po sady afaka tamin’ny tahotra olona
Ny sasany tamin’ireo izay nanatrika ireo fivoriana nataon’io antokon’olom-bitsy io dia nandray haingana ny fahamarinana. Araka izany, tamin’ny Septambra 1940, dia nanao batisa olona fito tao amin’ny Ony La Lézarde, teo akaikin’i Petit-Bourg, ny Rahalahy Winston. Nahoana anefa no tao amin’ny ony, nefa be dia be ireo moron-dranomasina mora aleha? Nihevitra ireo rahalahy fa nety kokoa izany. Tsy natao batisa tao amin’ny Ony Jordana tokoa ve ny tenan’i Jesosy? Mazava ho azy fa ny hany *
tena ilaina dia rano, na inona izany na inona, izay hamela ny fandrobohana.Ireny mpianatra tany am-boalohany teto Guadeloupe ireny dia naneho fahatsoram-po sy zotom-po, ary koa tsy fananana tahotra olona. Nahatsiaro ireo andro tany am-boalohany ny Rahalahy Bonchamp, ka nilaza hoe: “Ny alahady, dia nivoaka nitory izahay. Tsy nanana fampiofanana sy fahalalana firy izahay; samy niteny tamin’izay fomba noheverin’ny tenany ho tsara indrindra ny tsirairay. Nino mafy aho fa tompon’andraikitra ny amin’ny fanovana finoana olona betsaka araka izay azo atao ny tenako. Koa naka toerana teo anoloan’ny fiangonana katolika tao Pointe-à-Pitre, tamin’ny faran’ny Lamesa iny indrindra, àry aho ka nihiakiaka hoe: ‘Ry mponin’i Pointe-à-Pitre, henoy ny Tenin’i Jehovah (...).’ Tamin’izany fomba izany mantsy, araka ny novakiko, no nanaovan’ireo mpaminany taloha ny fitoriana. Rehefa avy niteny kelikely aho, dia nisy vahoaka niangona. Nisy nihaino, fa nisy kosa nanomboka nanao tabataba. Teo akaiky teo ny foiben’ny zandary, ary dia nosamborina izahay mivady. Nijanona indray alina tany amin’ny paositry ny polisy izahay.” Tsy nahakivy azy ireo tsy hanohy ny fanompoana anefa izany.
I Olga Laaland, lehilahy tanora iray 20 taona, dia olon-kafa iray izay tsy niahotra rehefa avy nianatra ny fahamarinana. Ny
alahady faharoa niarahany nivory tamin’ilay antokona Vavolombelona vitsy, dia niaraka tamin’izy ireo teo amin’ny asa fitoriana izy. Tonga rahalahy be zotom-po sy nandroso aoka izany izy, dia rahalahy tsy natahotra olona. Nanana feo mafy aoka izany izy, ka tsy nisy tsy nahare azy.Kanefa, tsy ny fitoriana ampahibemaso ihany no fitsapana ny fahatokian’ireny Kristiana ireny.
Fitsapana ny fanetren-tena nandritra ny fotoam-pitokanana
Voafetra ny isan’ireo zavatra vita pirinty hianarana ny Baiboly nananan’ireo rahalahy. Mbola tsy nahatratra fahamatorana ara-panahy ny ankamaroan’ireo olona 30 nifanerasera tamin’io groupe isolé-n’ny Vavolombelona teto io. Ireo fameperana tamin’ny fotoan’ny ady dia nisakana azy ireo tsy hanana fifandraisana fanampiny tamin’ny foiben’ny Fikambanana. Ankoatra izany, tamin’io fotoana io ihany, dia narary i Cyril Winston ka niverina tany Dominique, ary maty tany rehefa afaka telo volana. Tia azy ireo rahalahy, nefa izao izy ireo dia namela zava-nanahirana lehibe hitombo teo anivon’izy ireo. Naniry hanompo an’i Jehovah izy ireo, nefa nijery ny fandaminana araka ny fomba fihevitr’olombelona voalohany indrindra. Ny Rahalahy Sahaï, izay tao
an-tranony no nanaovana ireo fivoriana, dia nihevitra fa izy no tompon’andraikitra. Tsy nanaiky ny hafa. Nahatratra ny fara tampony ny fifandirana anaty tamin’ny 29 Novambra 1942, rehefa nanapa-kevitra ny hiala sy hivory tany amin’ny toerana hafa iray ny ankamaroany, izay notarihin’ny Rahalahy Missoudan. Nanohy nanao fivoriana tao an-tranony ny Rahalahy Sahaï. Tsy momba ny foto-pampianarana akory ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ireo antokon’olona roa ireo, fa nahakasika toetra.Na dia teo aza ilay fisarahana, dia samy nandray anjara tamin’ny asa fitoriana ireo antokon’olona roa ireo, ary nihaino ny olona. Samy nisy rahalahy sy anabavy tso-po tao amin’ny andaniny roa. Rehefa tsy ampiharina anefa ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly, dia mitombo ny toe-javatra izay tsy mety ho an’ny Kristiana. “Tsy hisy fisarahana eo aminareo”, hoy ny fampirisihan’ny Baiboly. ‘Mazotoa mitana ny firaisana avy amin’ny fanahy amin’ny fehim-pihavanana.’ — 1 Kor. 1:10; Efes. 4:1-3.
Nandritra io fe-potoana fanapahan-javatra io, dia nahavita nifandray tamin’ny foiben’ny Fikambanana indray ny Rahalahy Sahaï. Nankasitrahan’ny Fikambanana ny ezaka nataony tamin’izany ary koa ny ezaka feno fikirizana nataony tamin’ny fampidirana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly teto amin’ny nosy nandritra ny ady. Nisy taratasy nalefa teto Guadeloupe tamin’ny 16 Febroary 1944, izay nanendry ny Rahalahy Sahaï ho mpikarakara ilay fitambaran’olona (mpiandraikitra prezidà). Tamin’izay fotoana izay, dia 30 taona izy. Na dia ambany saranga sy toa
marefo aza ny fisehoany, dia lehilahy tena tsy nihambahamba fiteny sady feno fahatapahan-kevitra aoka izany izy.Rehefa avy nanendry ny Rahalahy Sahaï mba hanompo tao amin’ilay kongregasiona ny Fikambanana, dia nanoratra ho an’ilay antokon’olona hafa iray, ka nanao hoe: “Ianareo, ry rahalahy any, izay nisaraka (...), dia tokony ho tafaray aminy sy hiara-miasa aminy manomboka izao mba hampandroso ireo tombontsoan’ilay fanjakana. Toy ny tsy maha-tafasaraka an’i Kristy (...) dia toy izany koa fa tsy maintsy tafaray ny tenan’i Kristy eto an-tany (...) Mino izahay fa ny fifikiranareo amin’ny Tompo sy ilay fanjakana dia hanosika ny rehetra voakasik’izao mba hanilika izay fihetseham-po manokana mety hanananareo amin’io raharaha io, ka hiandry ny Tompo mba hanao izay didim-pitsarana mety hoheveriny fa ilaina hampiharina amin’izay nanao ratsy, ary aoka ny tsirairay handroso ka hanompo ny Tompo.” Kanefa, nikaviavia ireo ezaka natao mba hihavanana. Tsy ny rehetra no nanaiky hoe nanana ireo toetra nilaina ho amin’io fanendrena io ny Rahalahy Sahaï. Na dia maro aza no naniry ny hahatafaray ireo antokon’olona ireo, dia sarotra tamin’izy ireo ny nanilika ireo fihetseham-pony manokana. Noho ireo rahalahy tsy nanana fahamatorana ara-panahy, dia nitohy hatramin’ny 1948 ilay fisarahana.
Tamin’ny 1944, dia mpitory sivy monja no nanaovana tatitra tao amin’ilay kongregasiona neken’ny Fikambanana.
Fivoriana izay tena ampahibemaso tokoa
Mba hampielezana ny hafatra momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia nanao lahateny teny amin’ny arabe mihitsy ireo Vavolombelona nandritra ireo takariva mangatsiatsiakan’ny tany mafana. Niteny mafy tsara ilay mpandahateny, tsy vitan’ny hoe mba ho ren’ny mpanatrika nanodidina azy avy hatrany, fa mba hanintonana ny sain’ny mpandalo koa. Ny Rahalahy Laaland, izay nahery feo, dia nandray anjara matetika tamin’io tombontsoam-panompoana io. Toy izao ilay zava-niseho tsaroany: “Taorian’ny filentehan’ny masoandro, dia niangona nanao faribolana teo ambany hazo iray na teo amin’ny kihon-dalana iray, izahay. Teo afovoan’io antokon’olona io no nitsanganan’ny mpandahateny; ny hafa nanazava ilay toerana tamin’ny alalan’ny
fanilo. Nanomboka tamin’ny hira sy ny vavaka ilay fandaharana. Raha ny amin’ilay lahateny, dia nety ho naharitra 30 minitra na adiny iray izy io, arakaraka izay nomanin’ilay mpandahateny. Tsy niova firy ireo foto-kevitra, satria ny votoatin’izy ireo voalohany indrindra dia ny famelezana ny fivavahan-diso.”Ho vokatr’ireny fivoriana ireny, dia nisy olona sasantsasany nahazo fanampiana hianatra ny fahamarinana. Tsy ny rehetra anefa no nankasitraka ireo lahateny. Indraindray, dia nisy olona nanararaotra ny haizin’ny alina mba hitoraham-bato an’ilay antokon’olona. Na dia izany aza, dia tsy nihetsika teo mandra-pahatapitr’ilay fivoriana ireo rahalahy. Nanjohy hevitra izy ireo hoe: “Raha vonona ny hiatrika basy ireo miaramila mandritra ny ady, nahoana isika no tsy ho vonona ho voan’ny vato vitsivitsy noho ny vaovao tsara?” (2 Tim. 2:3). Nisy mpitory vitsivitsy aza naratra teo amin’ny lohany. Indray hariva, rehefa nihazona jiro solika lehibe iray ho an’ilay mpandahateny ny anabavy iray, dia nisy vato iray nitorahana an’ilay jiro, nefa diso lalana ilay izy ka nahavoa ny lohan’ny mpihaino iray kosa. Rehefa maty io olona io tatỳ aoriana tany amin’ny hopitaly, dia nentina tany amin’ny fitsarana ilay nanao ratsy ka nosazina mafy.
Nahazo fampiofanana sasany ny rahalahy iray
Tamin’ny 1945, dia nanapa-kevitra ny ho any Guyane, izay nisy ny reniny, ny Rahalahy Laaland. Tsy nisy kongregasiona teo amin’ilay nanorenany fonenana, teo akaikin’i Saint-Laurent du Maroni, nefa tsy nahakivy azy tsy hitory izany.
Nanao izao tatitra izao ny Diary tatỳ aoriana: “Nisy rahalahy roa nankany Guyane tamin’ny Janoary. Rehefa niresaka tamin’ireo olona tao St. Laurent ireo rahalahy ireo, dia nilazana fa ‘misy lehilahy iray erỳ akaikin’ny ony miteny tsy misy hafa aminareo’. Nanofa aotomobilina iray ireo rahalahy mba hitady izany lehilahy izany, ary marina tokoa fa teo izy ireo dia nahita lehilahy iray izay avy tany Guadeloupe ary nanao lahateny ampahibemaso. Tsy nanana zavatra vita an-tsoratra izy; tsy nangina anefa izy raha ny amin’ilay Fanjakana. Ny fahavalony lehibe indrindra dia ilay pretra, izay nisahirana nampitandrina ny olona tsy hihaino izay nolazain’io ‘olona adala’ io.”
Rehefa niverina tany Paramaribo, any Suriname, izay nisy biraon’ny sampan’ny Fikambanana, ireo rahalahy, dia niaraka tamin’izy ireo ny Rahalahy Laaland. Tany izy dia nahita mpisava lalana izay nampirisika azy hirotsaka hanao ny fanompoana manontolo andro. Nianatra ny fomba fanolokoloana ny fahalianan’ny olona sy ny fomba fitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano izy. Fony tany Paramaribo izy dia nianatra be dia be koa momba ny fandaminana teokratika sy ny fomba fiasan’izy io — ary nahita fa mbola be dia be no tokony hianarany! Rehefa afaka telo volana, dia notendrena ho mpisava lalana manokana izy ary nirahina hiverina tany Saint-Laurent.
Fambolena ny maha-iray ara-panahy
Nandritra izany fotoana izany, dia fantatry ny Fikambanana ny toe-piainana nampidi-doza nisy teto Guadeloupe, noho ireo antokon’olona roa niezaka hanompo an’i Jehovah nefa tsy tamim-piraisan-tsaina. Tamin’ny 1947, i Joshua Steelman, mpiandraikitra ny fizaran-tany iray niteny anglisy, dia nirahina avy teo amin’ny nosy iray teo akaiky mba hitsidika ny Kongregasionan’i Pointe-à-Pitre. Noraisina tamim-pifaliana lehibe ny Rahalahy Steelman, ary olona 26 — miharihary fa avy tamin’ireo antokon’olona roa — no niara-nandray anjara taminy tamin’ny asa fanompoana nandritra ny herinandro nanaovany ny fitsidihany. Kanefa, tsy nahay niteny frantsay izy, sady, araka ny nohazavainy tao amin’ny tatitra nataony, ireo rahalahy dia tsy nahay namaky na nandika ireo toromarika tamin’ny teny anglisy voarainy. Tena tsy nisy fahaiza-mandamin-javatra velively. Nianatra ny iray tamin’ireo bokin’ny Fikambanana intelo isan-kerinandro ireo rahalahy, nefa tsy nisy gazety Ny Tilikambo Fiambenana. Na dia izany aza, araka ny nomarihin’ny Rahalahy Steelman, dia nisy faniriana mafy handray anjara tamin’ny asa fanompoana. Kanefa, ny fananarana nomeny mba hampiraisana indray ireo antokon’olona roa dia tsy niteraka vokatra avy hatrany.
Avy eo, araka ny fangatahan’ny Fikambanana, dia niverina tany Guadeloupe ny Rahalahy Laaland tamin’ny 1948. Raha vantany vao tonga izy, dia nanomboka nanao ezaka mba hampihavanana ireo antokon’olona roa. Ny sasany tamin’ireo rahalahy Salamo 133:1, dia “Endrey, tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina”.
dia tso-po aoka izany teo amin’ny faniriany ny ho tafaray indray, hany ka nifoha tamin’ny efatra ora maraina izy ireo, ary niakatra teny amin’ny havoana iray mba hivavaka mba hitahian’i Jehovah ireo ezaka hatao ho amin’ny firaisan-tsaina. Tamin’io taona io ihany, tokony ho tamin’ny volana Martsa, dia tafaverina tamin’ny laoniny ny firaisan-tsaina rehefa avy nisy fisarahana naharitra dimy taona mahery. Nitsambikina avy teo amin’ny 13 tamin’ny 1947 ny antsalan’isan’ny mpitory, ka nahatratra 28 tamin’ny 1948, ary efa nisy tampon’isa 46. Araka ny lazain’nyNa dia izany aza, dia tsy ny rehetra no faly noho ny fisian’io firaisan-tsaina indray io. Nisy olona vitsivitsy nampahafantatra mazava tsara fa tsy naniry izany izy ireo. Ny sasany nanorina antokom-pivavahana iray nantsoina hoe “Le Messager de Sion” ary avy eo dia nanomana taratasy mivalona ka nizara azy ireo teo anoloan’ny toerana fanaovan’ireo rahalahiny kristiana taloha fivoriana. Nividy moto ny iray tamin’ireo mpitarika azy ireo mba hahafahany hanaraka ireo Vavolombelona sy hanimba ny asa nataon’izy ireo teo am-panaovana ny asa fanompoana. Kanefa, tamin’ny iray tamin’ireny dia nataony ireny izy dia nifandona tamina saretin’omby iray feno fary, ka maty tany amin’ny hopitaly. Taorian’izay, dia tsy nandrenesana na inona na inona intsony ilay tariny.
Mihoatra noho ny fiaraha-mivory sy ny fiaraha-mivoaka eo amin’ny asa fanompoana anefa ny fambolena ny maha-iray ara-panahy. (Efes. 4:1-3, NW ). Teto an-toerana, tamin’izay, ireo anabavy dia norarana tsy hanao firavaka, tsy hanapaka ny volony na hanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana ka tsy hanao saron-doha. Izany dia vokatry ny tsy fahazoana ny hevitry ny torohevitra sasany ao amin’ny Soratra Masina. Nila fanampiana fanampiny izy ireo mba ho tafaray tamin’ny fomba feno tamin’ny fikambanana maneran-tanin’ny vahoakan’i Jehovah. Tonga tatỳ aoriana kokoa tamin’ny 1948 ny sasany tamin’izany fanampiana izany rehefa naniraka misionera roa nahazo diplaoma avy tamin’ny Sekolin’i Gileada, ho eto Guadeloupe ny Fikambanana.
Ireo misionera roa voalohany
Ireo manam-pahefana frantsay dia nanome lalana an’i Kenneth Chant sy i Walter Evans, samy Kanadiana, mba honina herintaona teto Guadeloupe. Noho izy ireo, dia nitombo ny asa tao amin’ny kongregasiona. Izany koa anefa dia niteraka fanoherana, miharihary fa avy tamin’ny klerjy. Tany am-piandohan’ny 1949, dia nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy mba handao ny nosy avy hatrany ireo misionera roa.
Na dia izany aza, dia nanatanjaka ara-panahy an’ireo rahalahy ny nitoeran’izy ireo vetivety teto. Nahatakatra fotopoto-pitsipika ara-baiboly tamin’ny fomba mazava kokoa ireo rahalahy teto an-toerana, ka nanomboka nanao fandrosoana raha ny amin’ny fampiharana ireo fandaharam-pandaminana nitovy tamin’izay nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany.
Kongregasiona iray tany Desbonnes
Nanomboka nitsiry tsikelikely ny voan’ny fahamarinana tany ivelan’i Pointe-à-Pitre, ny tanàna lehibe indrindra eto Guadeloupe. Napetraka tamin’ny 1941 ny fanorenan’ilay kongregasiona faharoa, rehefa narary tany amin’ny hopitalin’i Pointe-à-Pitre i Duverval Nestor. Tany izy no nahare voalohany ny fahamarinana sy nanaiky azy io. Rehefa tafaverina tany aminy izy, dia nanohy nitsidika azy sy nanatanjaka azy ireo rahalahy. Nitady ny hampiaiky azy hiala tamin’izany ny mpitondra fivavahana advantista iray, ka nilaza mihitsy hoe: “Nihevitra aho fa ho tempoly tsara dia tsara ho an’ny Tompo ny tranonao.” Ny zava-nitranga kosa, rehefa nalamina ny hisian’io kongregasiona faharoa io, tamin’ny 1948, dia ny tokantranon’ny Rahalahy Nestor no nampiasaina ho Efitrano Fanjakana. Tany Desbonnes, vohitra iray teo am-pototry ny tendrombohitra iray, 26 kilaometatra avy ao Pointe-à-Pitre, no nisy azy io.
Amin’izao andro izao, dia misy kongregasiona iray miroborobo voaforona mpitory maherin’ny zato ao Desbonnes, izay mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray naorina tamin’ny 1989.
Fitoriana tamin-jotom-po tamin’ny fotoan’ny sakafo antoandro
Tao Port-Louis, tokony ho 20 kilaometatra any avaratr’i Pointe-à-Pitre, i Georges Moustache dia nomena tombontsoa hamafy voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana fanampiny, rehefa avy nisy nitondra ny vaovao tsara taminy tany tamin’ny 1943. Rehefa nahatsiaro ireny andro tany am-boalohany ireny izy, dia nanao hoe: “Tao amin’ny orinasa fanaovana siramamin’i Beauport, isan’andro tamin’ny fiatoana tamin’ny sakafo antoandro aho dia nanao lahateny an-tehaka iray tao amin’ilay trano fandrafetana niasako tamin’izay. Ny seminarista be taona iray izay nanenjika ahy tsy an-kijanona dia nihaika ahy indray andro hoe: ‘Raha mivavaka amin’ilay Andriamanitra marina ianao, dia intỳ misy fatan’ny mpanefy vy mirehitra; manandrama hoe mandeha ao amin’io afo io!’ Nanakoako nanerana ilay trano ny feoko, rehefa namaly aho hoe: ‘Mandehana ianao, ry Satana, fa voasoratra hoe: “Aza maka fanahy ny Tompo, Andriamanitrao!” ’ ” — Jereo ny Matio 4:5-7.
Ny alahady, ny Rahalahy Moustache dia nanao dia an-tongotra kilaometatra maro mba hanohy ny fitoriana tamin’ireo mpiara-miasa nampiseho faniriana handre misimisy kokoa. Matetika izy no nijanona teny amin’ny asa fanompoana nanomboka tamin’ny valo ora maraina ka hatramin’ny fito ora hariva, ka indraindray tsy nihinan-kanina. Ny mpitarika ny antokon’Advantista vitsy iray tao Port-Louis no anisan’ireo izay notsidihin’ny Rahalahy Moustache isan-kerinandro, ary tsy ela dia tonga Vavolombelona. Nisy hafa koa nanaiky ny fahamarinana, anisan’izany i Daniel Boncœur, izay manohy amim-pahatokiana hatramin’izao, ary i Alfred Cléon, izay loholona nanompo tamim-pahatokiana fony izy maty tamin’ny Aogositra 1993.
Mikoriana ao Basse-Terre ireo ranon’ny fahamarinana
Nandritra ireo taona 1940, ireo ranon’ny fahamarinana dia nanomboka nikoriana, kely aloha ary avy eo dia tondraka, tao Basse-Terre, renivohitra ara-pitantanan’i Guadeloupe. Rehefa tao Pointe-à-Pitre i Eugène Alexer, mpandrafitra iray, dia nahare an’i Cyril Winston nanazava ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Tamin’ny 1948, dia niandany tamin’ny fahamarinana ny fianakaviana Alexer. Natao tao an-tokantranon’izy ireo tao Basse-Terre ireo fivoriana tsy tapaka. Herintaona tatỳ aoriana, dia niaraka tamin’izy ireo ny tovolahy iray nantsoina hoe Verneil Andrémont. Isan’alahady, ny Rahalahy Missoudan na ny Rahalahy Moustache — ary tatỳ aoriana dia ny Rahalahy Laaland — dia nandeha aotobisy tamin’ireo 60 kilaometatra avy tao Pointe-à-Pitre nankany Basse-Terre mba hanampiana ireo olona liana tany. Novalian-tsoa ny ezaka nataon’izy ireo. Ankehitriny, 45 taona eo ho eo atỳ aoriana, dia kongregasiona valo no miroborobo ao amin’io faritra io: telo ao Basse-Terre, iray ao Gourbeyre, roa ao Baillif ary roa ao Saint-Claude.Niaraka tamin’izay koa, tao amin’ny tanànan’i Le Moule, eo amin’ny moron-tsiraka atsinanan’i Grande-Terre, dia nisy antokon’olom-bitsy iray niforona rehefa nandeha nitory tany ny
rahalahy iray avy tany Pointe-à-Pitre. Ny fianakaviana Ruscade dia anisan’ireo olona tany am-boalohany niandany tamin’ny fahamarinana tao amin’io faritra io, ary natao tao an-tranon’izy ireo ny fivoriana. I Anasthase Touchard, izay ny voalohany tonga Vavolombelona tao amin’io antokon’olona io, dia hita ho loholona be fandavan-tena aoka izany, ary nanompo tamin’ny naha-izany azy hatramin’ny fahafatesany tamin’ny 1986. Kongregasiona dimy, misy mpitory maherin’ny zato avy, no marisika ao amin’io faritra io ankehitriny.Nisarika mpihaino sasany ny pretra iray
Indray alahady tamin’ny 1953, rehefa avy nitory nandritra ny maraina tontolo tao amin’ny vohitr’i Lamentin, any amin’ny faritra avaratra-atsinanan’i Basse-Terre, ny antokona mpitory tokony ho 20, dia nanao lahateny ampahibemaso teo amin’ny tany malalak’ilay vohitra, izay mazava ho azy fa teo anoloan’ny fiangonana katolika. Taorian’ny hira fanokafana iray, dia nanomboka ilay lahateny ara-baiboly. Romotra ilay pretra, ka nikapokapoka tamin’ireo varavaramben’ny fiangonana mba tsy handrenesana ny feon’ilay mpandahateny. Ho vokatr’ilay fikapokapohana tamin-kerisetra anefa, dia tafatsoaka avy tamin’ny rindrina ny sary vongana iray ka montsamontsana teo anoloan’ilay fiangonana. Vao mainka nisafoaka ilay pretra, ka nanomboka nampaneno ireo lakolosim-piangonana rehetra. Olona maro no tonga nihazakazaka. Tafintohina noho ny fitondran-tenan’ilay pretra ny sasany. Tsy azo natao ny nanohy ilay lahateny tamin’io toerana io, nefa nisy tompon’ny fivarotana iray nanasa ilay mpandahateny hanao ny lahateniny teo anoloan’ny tranony. Izany no natao, ka nisy mpanatrika maro.
Amin’izao andro izao, dia kongregasiona telo misy mpitory maherin’ny zato avy no miroborobo ao amin’io zara-tany io. Tao koa no nanorenana ilay Efitrano malalaka Fanaovanay Fivoriambe.
Nisy tanora nanaraka ny ohatry ny klerjy ka niezaka koa ny hanakorontana ireo lahateny ampahibemaso nataonay. Nandritra ny lahateny iray natao tany ambanivohitra, teo akaikin’ny vohitr’i Sainte-Rose, dia nisy antokon’antily katolika nanodidina an’ilay
mpandahateny sy ireo Vavolombelona vitsivitsy hafa nanatrika teo. Ny sasany nanomboka nitsoka ny trompetrany ary ny hafa nikapoka ny vodin’ny vilany vy lehibe, mba tsy handrenesana ny feon’ilay mpandahateny. Tsy nanandrana hiteny mafy kokoa noho ilay tabataba i Léonard Clément, fa nanohy kosa tamin’ny fodiana nanao ilay lahateny fotsiny, tamin’ny fanetsiketsehana tanana sy molotra. Tsy ela, dia nilavo lefona ireo antily ka nandeha. Avy eo ilay rahalahintsika dia nanohy ny lahateniny. Any amin’io faritra io koa dia nokolokoloina tsikelikely ny fahalianana, ka misy kongregasiona telo any ankehitriny.Ny faran’ny fe-potoana nanan-tantara iray
Anisan’ny lasa ankehitriny ireny fivoriana ampahibemaso natao an-kalamanjana teto Guadeloupe ireny. Tamin’ny 1953, rehefa nisy rotaka nipoaka tamin’ireo fivoriana ara-politika, dia nandrara ny fivoriana ampahibemaso natao an-kalamanjana rehetra, ary koa ny fampiasana fanamafisam-peo tamin’ny toerana an-kalamanjana, ireo manam-pahefana. Nanomboka tamin’izay, dia voatery nitady toerana hafa hanaovana ny fivoriany ireo rahalahy.
Na dia izany aza, teo anelanelan’ny 1938 sy ny 1953, ireo lahateny ampahibemaso natao an-kalamanjana dia nanampy tamin’ny fanaovana fitoriana ampahibemaso nahery. Be herim-po sy zotom-po ireo mpitory tamin’ny fanohanana io asa io. Nandeha an-tongotra ny ankamaroan’izy ireny nankany amin’ireo toerana nanaovana ny fivoriana; ny sasany nandeha bisikilety, nanao taingin-droa. Rehefa nanam-bola kely ambiny izy ireo, dia nanofa aotobisy ho an’ny andro. Tamin’izany andro izany, raha nisy mpitory 100, dia iray monja no nanana aotomobilina — Ford tranainy iray.
1954 — Taona voamarika iray!
Rehefa niverina avy tany Amerika Atsimo ny Rahalahy Knorr, prezidàn’ny Fikambanana tamin’izay, sy i Milton Henschel sekreterany, tany am-piandohan’ny 1954, dia nipetraka teo amin’ny seranam-piaramanidin’i Pointe-à-Pitre ny fiaramanidin’izy ireo. Vao maraina koa tamin’izay, nefa tonga hitsena azy ireo ny rahalahy teo an-toerana. Nanome toky azy ireo ny Rahalahy
Knorr fa hisy misionera hafa koa hirahina haingana araka izay azo atao mihitsy mba hanampiana azy ireo.Tanteraka tsy ela taorian’izay ny fampanantenany. Tamin’ny 17 Martsa 1954, dia nisy mpandeha roa nidina ny fiaramanidina iray izay nipetraka teo amin’ny seranam-piaramanidin’i Pointe-à-Pitre. Tsy nisy olona tonga hitsena azy ireo anefa satria diso aoriana be ny nahatongavan’ilay fiaramanidina. Kanefa, nanolotra ny hitondra azy mirahalahy tany amin’ny teinturerie, na trano fanadiovana akanjo, an’ny Rahalahy Laaland ireo zandary. Avy tany Frantsa ireo mpandeha ireo, dia rahalahy izay nahazo diplaoma avy tamin’ny Sekolin’i Gileada vao haingana — i Pierre Jahnke, rahalahy ranjanana iray, sy i Paul Touveron.
Andro vitsivitsy taorian’ny nahatongavan’ireo misionera roa,
dia tonga ny Rahalahy Henschel. Nandritra izany fotoana izany, dia tao an-tseranana ny sambo misioneran’ny Fikambanana hoe Faith, ary ireo mpiasa tao aminy dia sahirana nanao fandaharana ho an’ny fivoriamben’ny distrika iray hatao tao amin’ny sekoly iray teo an-toerana nanomboka tamin’ny 26 Martsa.Rehefa nanomboka ny fandaharana, dia feno hafaliana ny rivo-piainana, na dia hendratrendratra kely aza ireo rahalahy, nitebiteby ny amin’ny hizoran’ny zavatra rehetra soa aman-tsara. Taorian’ny lahateny sy ny fampisehoana vitsivitsy, dia nisy solon’efijery iray nahantona. Avy eo dia nahita ilay sarimihetsiky ny Fikambanana hoe La Société du Monde Nouveau en action vao voalohany izy ireo. Hitan’ny mason’izy ireo mihitsy ny porofo mazava izay nanatanjaka ny fiekeny fa fandaminan’Andriamanitra io. Tohina lalina ny fon’ny rehetra nanatrika, rehefa nahita ny fomba fiasan’ny fandaminana tamim-piadanana sy firaisan-tsaina izy ireo. Nomarihin’ireo anabavy koa fa tany amin’ny tany hafa dia nanao firavaka ireo rahavaviny kristiana, na dia tsy tamin’ny fomba nihoa-pampana aza izany. Ankoatra izany, ireo izay nanatrika ny fivoriambe dia nahazo fampaherezana noho ny fahalalana fa nisy misionera roa teo anivon’izy ireo, dia rahalahy izay nirahin’ny fandaminana no sady hanatanjaka ny kongregasiona ny ohatra homeny eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Lehibe ny fientanam-po tamin’iny hariva iny — lehibe loatra ho an’i Clotaire Missoudan, ny mpiandraikitra prezidàn’ny Kongregasionan’i Pointe-à-Pitre. Nody tany aminy izy ary tamin’iny alina iny ihany dia maty tao anatin’ny torimasony, ka tsy fantatry ny vadiny akory raha tsy ny ampitso maraina.
Tamin’ny andro faharoan’ny fivoriambe, dia nampandre ny amin’ny fiorenan’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower teto Guadeloupe ny Rahalahy Henschel. Natao hikarakara ny fitoriana ny vaovao tsara teto Guadeloupe sy tany Martinique izy io. I Pierre Jahnke no voatendry ho mpikarakara ny sampana. Nomena araka izany ilay fitarihana ara-pandaminana hentitra kokoa izay nilaina mafy teto amin’ireto nosy ireto.
Taorian’ny fivoriambe, dia nanomboka niasa ireo misionera roa. Nanofa trano hazo kely iray izy ireo mba hatao biraon’ny
sampana. Tatỳ aoriana, ny Fikambanana dia nividy karazana villa tsotra iray tao amin’ny zaridainan’i Raizet, izay niasan’ilay birao mandra-pahatongan’ny Desambra 1966. Ambonin’ny fikarakarana ny asa tao amin’ny sampana, dia nandray anjara tamin’ny asa fanompoana tao Pointe-à-Pitre koa ny Rahalahy Jahnke, ka nandany fotoana betsaka araka izay azony natao niaraka tamin’ireo rahalahy. Nandritra izany fotoana izany, ny Rahalahy Touveron dia nitsidika ireo kongregasiona sy mpitory nitokana tamin’ny fanaovana ny asan’ny mpiandraikitra fizaran-tany mandra-pahitany fa tena nilainy ny hiverenany tany Frantsa, rehefa afaka herintaona.Fanampiana avy tamin’ny tranon’ny misionera nitsinkafona iray
Ny fankasitrahana ny fandaminan’i Jehovah dia natosiky ny fitsidihana tsy tapaka nataon’ireo misionera nitety ireo nosy tamin’ny sambo. Nandritra ny tokony ho folo taona, ny Fikambanana dia nanana sambo izay natao tranon’ny misionera
nitsinkafona tatỳ Antilles. Tamin’ny voalohany, dia sambo lay iray 18 metatra nantsoina hoe Sibia ilay izy, ary tatỳ aoriana, izy io dia nosoloana sambo iray lehibe kokoa nantsoina hoe Light. Nampiasaina koa ny sambo iray 22 metatra, izay nanana maotera nisy helisy roa, nantsoina hoe Faith. Na dia niteny anglisy aza ireo misionera nandeha sambo ireo (ary tsy nahay niteny anglisy ny ankamaroan’ireo mpitory teto Guadeloupe), dia tena nankasitrahana be dia be ny fitsidihan’izy ireo. Mbola tadidin’ireo mpitory eto ny zotom-pon’ireny misionera ireny, izay niara-niasa tamin’ireo mpitory teto an-toerana, tamin’ny fanokanana andro feno teo amin’ny asa fanompoana.Tamin’ny fitsidihana farany nataony, tamin’ny sambo Light tamin’ny 1956, dia nijanona nanomboka tamin’ny 26 Jolay ka hatramin’ny 7 Aogositra ireo misionera mba hitoriana teo amin’ireo nosin’i Marie-Galante sy i La Désirade. Tao Marie-Galante, izy ireo dia nampiseho ilay sarimihetsika hoe La Société du Monde Nouveau en action. Hoy ny olona iray anisan’ny mpanatrika: “Na dia nanome ahy iray alina francs frantsay aza ianareo, dia tsy ho nampifaly ny foko toy ny androany alina!”
Mpisava lalana nirahina avy tany Frantsa
Nisy fandrosoana tsara vita teto Guadeloupe sy ireo faritany niankina taminy. Mba tsy hitsaharan’ny
fandrosoan’ny asa, dia naniraka mpisava lalana roa hafa koa avy tany Frantsa ny Fikambanana. Tonga tamin’ny Desambra 1955 i Nicolas sy i Liliane Brisart. Ny Rahalahy Brisart dia olona nanana toetra feno risi-po sy miramirana. Rehefa tonga izy ireo, dia notendrena hiasa tao amin’ireo faritanàna feno olona nanamorona an’i Pointe-à-Pitre.Ao amin’io faritany io, dia olona maro no mipetraka ao amin’ny trano hazo izay mitaingina eo ambony vato efatra avy, mba hihazonana ny gorodona ho antsasa-metatra miala amin’ny tany. Mifanakaiky aoka izany ireo trano. Rehefa nanao fitsidihana tao ny Rahalahy Brisart indray andro, dia niharan’ny loza iray izay mbola mampihomehy azy ihany ankehitriny. Hoy ny tsaroany: “Niaraka tamin’ny vadiko aho hanao fampianarana Baiboly iray izay notarihiny tamin’ny ramatoa be taona iray, nefa ilay tranony hazo no hita ho antitra noho izy! Rehefa nasaina hiditra izahay, dia nankeo afovoan’ilay efitra kely aho, kanjo, tampoka teo, dia nigorobaka ilay gorodona ka latsaka tao aho! Niala tsiny be tsy nisy ohatra izany aho, nefa ilay ramatoa no nampalahelo fa menatra lavitra noho izaho.”
Niasa tao amin’io faritany io nandritra ny valo volana ny Rahalahy Brisart sy ny vadiny, ary avy eo dia notendrena hanao ny asan’ny fizaran-tany. Tamin’ny 1958, dia nasaina hanatrika ny kilasy faha-32 tamin’ny Sekolin’i Gileada izy ireo, ary dia notendrena ho eto Guadeloupe indray taorian’izay. Rehefa nanambady ny Rahalahy Jahnke ka nanomboka nanan-janaka tamin’ny 1960, dia ny Rahalahy Brisart no tonga mpikarakara ny sampana. Mbola mpampifandrindra ny Komitin’ny Sampana ihany izy, ary ny Rahalahy Jahnke kosa, izay nijanona teto Guadeloupe, dia miara-manompo aminy ao amin’io komity io.
Fanoherana izay nanolotra fitsapana ny finoana
Noho ny fanoherana ara-pivavahana izay tena nahery vaika indraindray, dia maro tamin’ireo nanaiky ny fahamarinana voasoritra ao amin’ny Baiboly no voatery niandany tamin’izany tao anatin’ny toe-javatra sarotra aoka izany. Iray tamin’ireo i Flora Pemba. Niaraka tamin’ny vadiny, dia nanomboka nandinika ny Baiboly izy. Kanefa, rehefa nanomboka nanery azy ireo ny
mpifanila trano taminy sasany, dia nitsahatra tsy nianatra intsony ny vadiny, izay nitantana fivarotana kelin’ny fianakaviana, noho ny tahotra ny hamoy mpividy zavatra tao aminy. I Flora Pemba vadiny anefa niaritra ary nanao fandrosoana tsara ara-panahy. Nanjary henjana ny rivo-piainana tao an-tokantrano. Nandrahona ny hamono ny vadiny mihitsy aza ilay rangahy. Rehefa avy nahita antsy be iray tao ambany ondan’ny vadiny ilay ramatoa, dia nandositra, nihazakazaka 16 kilaometatra tany anaty ala sy voly akondro, ary nitady fialofana tao amin’ny fianakaviana Vavolombelona iray. Nandritra ny fotoana niafenany tamin’ny vadiny, dia nanapa-kevitra ny hatao batisa izy, tamin’ny filazana hoe: “Raha tsy maintsy miatrika fahafatesana noho ny finoako aho, dia tiako ny hisaina ho anisan’ny mpanompon’i Jehovah!” Araka izany, tamin’ny 1957, talohan’ny fiposahan’ny masoandro indray maraina, dia natao batisa tao amin’ny ranomasina izy.Na dia teo aza ny ezaka nataony mba hihavanana, dia namoy ny fianakaviany ara-nofo izy. Araka ny fampanantenan’i Jesosy ao amin’ny Matio 19:29 anefa, dia nahazo fianakaviana ara-panahy lehibe izy. Nirotsaka hanao ny fanompoana manontolo andro io anabavy mahatoky io, ary mbola mpisava lalana ao Lamentin ihany izy, 30 taona mahery atỳ aoriana!
Fivoriamben’ny distrika tsy hay hadinoina
Rehefa natao tao New York ny Fivoriambe Niraisam-pirenena Ny Sitrapon’Andriamanitra, tamin’ny 1958, dia solontena avy tamin’ny tany sy nosy 123 no nanatrika izany. Nisy Vavolombelona 19 avy teto Guadeloupe anisan’izy ireo. Izay hitan’izy ireo sy ren’izy ireo dia nanitatra ny fankasitrahany ny fandaharana teokratika. Hoy i Verneil Andrémont, izay iray tamin’ireo solontena ireo: “Nampahiratra ny masoko iny fivoriambe iny. Takatro ny fomba tsy maintsy anaovana zavatra.” Ilay mpiandraikitra ny sampana, ho fanehoana ny fihetseham-po ankapoben’ilay antokon’olona manontolo, dia nanoratra hoe: “Nisokatra mafy toy inona moa ny masonay sy ny sofinay mba handraisana sy hahatakarana izay rehetra hitanay sy renay! Tsy ny velaran’ilay tany tsy mahazatra fotsiny, na dia mahagaga aza izy io rehefa tonga avy any amin’ny iray amin’ireo nosy kelin’i Caraïbes ny tena, na ireo trano goavam-be manaka-danitra, na ny fifamoivoizana mifamahofaho eny amin’ny arabe ka mahatalanjona, tsia,
fa ny fahitana mahazendana eo anoloan’ny mason’ny tena, vahoaka be dia be, eny, rahalahy sy anabavy avokoa, avy tamin’ny vazan-tany efatra, manolotra fanompoam-pivavahana amim-piadanana sy firaisan-tsaina ho an’ilay hany Andriamanitra marina. Feno azy ireo ny kianja goavana roa!”Na dia tamin’izay mety ho noheverin’ny sasany ho raharaha madinika aza, iny fivoriambe iny dia nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’ireo rahalahintsika. Ohatra, i Léonel Nestor, rahalahy 78 taona, izay nampiasaina ho Efitrano Fanjakana koa ny tranony, dia nahatsapa fa nilaina ny handokoana azy io, mba hanomezany taratry ny fandaminan’i Jehovah amin’ny fomba tsara kokoa. Ho vokatr’izany, dia io Efitrano Fanjakana io no trano voalohany nolokoana tao amin’ny vohitra nisy azy.
Fiandohana kely tao Anse-Bertrand
Mandra-pahatongan’ny 1958, dia tsy betsaka ny mponina tao amin’ny zara-tanin’i Anse-Bertrand, any amin’ny tendrony avaratr’i Grande-Terre, nanana fahafahana handre ny hafatra
momba ilay Fanjakana. Tamin’io taona io anefa, i Marc Edroux dia nampiseho Baiboly iray an’i Donat Tacita, namany iray izay mpanao mofo, ary nanao hoe: “Itỳ boky itỳ dia ny Tenin’Andriamanitra!” Samy Katolika nafana fo izy mirahalahy. Tatỳ aoriana, rehefa nanolotra Baiboly iray ho an’i Donat ny mpivaro-mandeha iray, dia nividy iray ho an’ny tenany izy ary nanomboka namaky azy. Na dia tsy nahay namaky ny teny frantsay tsara aza izy, dia nampiasa dikisionera. Nanasa an’i Marc Edroux namany koa izy mba ho tonga tany aminy, ary dia namaky sy niezaka ny handinika ny Baiboly isaky ny alarobia sy ny asabotsy izy mirahalahy, niaraka tamin’ny vadin’i Donat.May ny hahatakatra misimisy kokoa i Donat, ka nitady ilay lehilahy nivarotra ilay Baiboly taminy, nefa tsy nisy vokany izany. Kanefa, ny mpifanila trano iray dia nilaza fa nanana zanak’olo-mpiray tam-po taminy, dia i Georges Moustache, izay Vavolombelon’i Jehovah sady ho faly hanampy azy. Niorina tamin’izay nianarany avy tamin’ilay mpifanila trano taminy momba ny Vavolombelon’i Jehovah i Donat, ka nitsidika olona sasany mihitsy aza mba hitory tamin’izy ireo, satria tsy tiany ho finoana maty ny finoany. — Jak. 2:26.
Tokony ho enim-bolana tatỳ aoriana, rehefa nahare avy tamin’ilay mpifanila trano taminy i Donat fa hoe hanao fivoriambe iray teo akaikin’i Pointe-à-Pitre ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanapa-kevitra ny hanatrika izany sy hatao batisa i Donat sy ny vadiny ary i Marc Edroux. Hatramin’io fotoana io, dia mbola tsy nahita Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy ireo. Rehefa tonga tany izy ireo, dia nandray azy ireo tsara ireo Vavolombelona. Nanazava ny faniriany hanompo an’i Jehovah sy hatao batisa izy telo mianadahy. Nanontany zavatra sasantsasany tamin-katsaram-panahy taminy ireo rahalahy, ary avy eo dia nanazava fa, alohan’ny batisa, dia nila fampianarana Baiboly tany an-tokantranony aloha izy ireo. Voatohina ny fon’izy ireo noho ny rivo-piainam-pirahalahiana nafana tamin’ilay fivoriambe. Nody tany Anse-Bertrand izy ireo, feno tanjaka sy fahatapahan-kevitra. Haingana ny fandrosoan’izy ireo teo amin’ny fianarana ny Baiboly, ary tokony ho enim-bolana tatỳ aoriana, dia natao batisa izy ireo.
Nizara tamim-pahadodonana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny hafa tao amin’ny vohitra nisy azy izy ireo. Mafy anefa ny fanoherana. Rehefa nitsidika azy ireo ny Rahalahy Brisart, mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia nanao izay rehetra azony natao ilay pretra katolika teo an-toerana mba hisakanana azy tsy hijanona. Nanofa efitrano iray mba hahafahan’ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny vadiny hilasy tao, i Donat. Taorian’ny andro voalohany teny amin’ny asa fanompoana nandritra ilay fitsidihana anefa, dia nisalovana ilay pretra ka nitaky ny hamerenana ny lakile. Tsy nahomby tamin’izany izy, ka nankany amin’ny tompon’ilay toerana ary nandrahona ny hanongana ny renin’ilay tompon-trano tsy ho anisan’ny eglizy katolika intsony, raha tsy naverina ny lakile. Rehefa nahare izany ilay ramatoa, dia nampalahelo fa torana! Ny ampitso, dia nanandrana indray ilay pretra, tamin’ny alalan’ny mpisolovava iray, nefa tsy nahomby, satria tsy araka ny lalàna ny zavatra toy izany. Nandritra io fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany io, dia nisy ondry sasantsasany hita ary nisy fampianarana Baiboly natomboka. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, tany am-piandohan’ny 1960, dia nisy fivoriamben’ny fizaran-tany natao tao amin’io vohitra io, mba hanaovana teny fanambarana fanampiny. Rehefa natao ny batisa, dia olona maherin’ny 500 avy tamin’ilay vohitra no nankany amoron-dranomasina mba hitazana izany. Tsy nisy fitoriana isan-trano natao tamin’io andro io. Tany amoron-dranomasina avokoa ny Vavolombelona rehetra, voahodidin’olona dodona ny hianatra misimisy kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny hafatra torin’izy ireo.
Hatramin’izay, dia kongregasiona roa no niforona tao Anse-Bertrand. Mpisava lalana manokana nandritra ny 22 taona i Donat Tacita ary loholona ao Anse-Bertrand.
Mpangalatra no notadiavina — Ondry no hita
Indray andro, tany am-piandohan’ireo taona 1960, dia nitsidika ny tranon’ny misionera tao Le Raizet ny zandary iray. Nanadinadina momba ny halatra iray natao teo amin’ny manodidina izy. Tao an-trano ny Rahalahy Brisart sy ny vadiny ka nanararaotra ilay fahafahana mba hitoriana tamin’ilay zandary.
Rehefa avy nihaino izy, dia nanontany hoe: ‘Ahoana no hahazoako Baiboly iray? Manana adiresy azoko anoratana ve ianareo? Tena zava-dehibe ireo zavatra resahinareo ka manome ahy zavatra hoeritreretina amim-pitandremana!’ Teo no ho eo ihany dia nahazo Baiboly iray izy, ary koa zavatra vita an-tsoratra hafa. Herinandro tatỳ aoriana, dia nanoratra taratasy nisy fanontaniana maro izy. Tsy ela dia natao indroa isan-kerinandro ny fampianarana Baiboly taminy.Ny Rahalahy Brisart, rehefa nitantara momba ny niafaran’izany, dia nilaza hoe: “Na dia tsy nahita ilay mpangalatra aza ilay zandary, izahay kosa, noho ny hatsaram-panahin’i Jehovah amin’izay tsy mendrika akory, dia nahita ondry iray!” Loholona ao
amin’ny iray amin’ireo kongregasiona ao Pointe-à-Pitre izao io zandary taloha io.Fitadiavana toerana hanaovana fivoriambe
Rehefa nitombo ny fandaminana teto Guadeloupe, dia nisy zava-nanahirana iray nila nalamina. Aiza no mety hahitanay toerana hanaovana ireo fivoriambenay? Nandritra ny folo taona mahery izao izahay dia nampiasa sekoly tsy miankina iray tao Pointe-à-Pitre, ary koa ireo efitrano fanaovana lanonana tao amin’ny tanànan’i Abymes sy i Capesterre. Nanjary kely loatra
ho anay anefa ireny efitrano ireny. Tsy maintsy nitady zavatra hafa izahay.Teo akaikin’ny teinturerie-n’ny Rahalahy Laaland, dia nisy tany iray tsy nisy na inona na inona. Nataon’ny tompony tamin-katsaram-panahy ho azonay ampiasaina maimaim-poana ilay izy, mba hanaovanay ny fivoriamben’ny fizaran-taninay tamin’ny faran’ny Desambra 1964. Tao anatin’ny andro vitsivitsy izahay dia nahatsangana rafitra hazo vita tamin’ny hazo natsatoka tamin’ny tany ary nampiraisin’ny hazo fisaka ny tendrony. Teo ambonin’ireo hazo fisaka dia nasianay labasy mba ho tafo fiarovana. Tsy nisy rindrina ny ilany, ka izany dia nanamora ny fidirana tao amin’ilay faritra nisy toerana nipetrahana. Ny fifaliana sy ny fahazotoan’ireo rahalahy teo an-toerana teo am-panaovana ilay asa dia loharanom-pampaherezana lehibe ho an’ireo Vavolombelona tonga nanampy. Ary fitahiana toy inona moa ny nahita mpanatrika efa ho 700 — tampon’isa vaovao! Niharihary fa nila toerana anay manokana izahay mba hanaovana ireo fivoriambe tamin’ny hoavy.
Namolavola rafitra iray tsy nanam-paharoa ireo rahalahy, tamin’ny fampiasana fantsona vy ho an’ny vatan’ilay trano sy takelaka viraty, ho an’ny tafony. Nisy toerana ampy ho an’ny olona 700. Ary azo nobataina ilay “Efitrano Fanaovana Fivoriambe” manontolo! Nisy mpitory tokony ho 450 teto Guadeloupe tamin’izay, hany ka nihevitra izahay fa hisy toerana be dia be izy io.
Nampiasaina voalohany hanaovana fivoriambe iray teo akaikin’i Basse-Terre, tamin’ny Janoary 1966, ilay rafitra. Rehefa tonga ny fotoana hanaovana ny lahateny ampahibemaso, dia vahoaka nafana fo voaforon’olona 907 no tonga hihaino ka nifanizina tao anatin’ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe sy nanodidina azy. Efa kely loatra sahady ilay izy! Tao anatin’ireo taona nanaraka, dia voatery nanitatra azy io imbetsaka izahay.
Ireo fivoriamben’ny fizaran-tany matetika dia nianjera tamin’ny Novambra, volana ilatsahan’ny orana. Noho ny andro ratsy, dia nisy fotaka be matetika, ary nanjary hitanay fa fahendrena
ny nanao baoty lava! Ny faran’ny herinandro nisy diavolana mazàna no nofidina hanaovana ny fivoriambe mba hahafahan’ireo rahalahy hody tamin’ny alina noho ny fanampian’io fahazavana voajanahary io. Nanamora ny sasany tamin’ny asa fandravana taorian’ny fotoam-pivoriana famaranana avy hatrany koa ny diavolana.Nisy vokany faran’izay tsara teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara teto Guadeloupe ny fahafahana namindra toerana ilay efitranonay, izany hoe ny fahafahana hanao ireo fivoriambenay na tao amin’ny zara-tany inona na tao amin’ny zara-tany inona teo amin’ny faritaninay. Ankoatra izany, ny fanorenana sy ny fandravana ilay efitrano intelo isan-taona dia nanome an’ireo rahalahintsika fahafahana hianatra hiara-miasa sy hamboly ny toe-tsain’ny fahafoizan-tena. Tsy misy isalasalana fa teo amin’io fandaharana io ny fitahian’i Jehovah!
Fomba fiaina hafa
Rehefa nifindra avy tany Frantsa nanketo Guadeloupe i Armand sy i Marguerite Faustini tamin’ny 1963 mba hanampy teo amin’ny fanompoana, dia nahita fa nisy naha-hafa ny fiainana. Tamin’ny voalohany, dia gaga izy ireo rehefa tsy nankeo am-baravarana akory ireo tompon-trano, fa nihiakiaka fotsiny hoe: “Mandrosoa, tompoko ô.” Nahantra ny mponina ary tsy nanam-bola firy, nefa matetika izy ireo dia faly nanakalo voankazo sy legioma tamin’ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Koa, teny am-pitoriana àry, indraindray ry Faustini dia nitondra, tsy zavatra vita an-tsoratra ihany, fa akondro, manga, saonjo ary atody koa.
Notendrena hanao ny asan’ny fizaran-tany izy ireo, ary hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Faustini: “Nandray anay tamin-kafanana aoka izany ireo rahalahy, nefa raha ny amin’ny fahamarinam-potoana, dia tsy maintsy nanao fandrosoana be dia be izy ireo. Tany ambanivohitra, dia tsy nanana famantaranandro ny ankamaroany taminy, ka namaritra ny fotoana tamin’ny fijerena ny masoandro. Indraindray, ho vokany, dia nisy fahatarana hatramin’ny adiny iray ny fanombohan’ireo fivoriana. Rehefa niova ny vanin-taona, dia vao mainka koa nahazendana ny zavatra hitanay!
Fanampiana ho an’i Marie-Galante
Tamin’ny taona nahatongavan-dry Faustini teto Guadeloupe, ny nosin’i Marie-Galante, tokony ho 40 kilaometatra eo atsimon’i Pointe-à-Pitre, dia nahazo teny fanambarana manokana. Nandany iray volana manontolo nitoriana tamin’ireo mponina 14 000 teo amin’ilay nosy ny Rahalahy Faustini sy ny antokona mpisava lalana mpanampy 16. Naseho tany imbetsaka nandritra io volana io ilay sarimihetsiky ny Fikambanana hoe La Société du Monde Nouveau en action. Avy eo, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy mpisava lalana manokana notendrena hitory teo amin’io nosy io. Ny roa tamin’izy ireo, i Frédéric Ferdinand sy i Léo Jacquelin, dia nitaiza ny fianakaviany tany.
Mba hanohanana ireo mpisava lalana manokana tany Marie-Galante ireo, dia nanapa-kevitra ny hibata ilay Efitrano Fanaovanay Fivoriambe tany amin’io nosy io izahay tamin’ny Aprily 1969 sy hanao fivoriambe iray tany. Hoy ny tatitra nataon’ny Rahalahy Faustini, mpiandraikitra ny fizaran-tany: “Fivoriambe tsy nanam-paharoa ilay izy. Alao sary an-tsaina ny fahatalanjonan’ny olona tao Grand-Bourg, tanàna kely nisy mponina 6 000, nahita ny ‘fanafihan’ny’ Vavolombelona arivo nidina avy tamin’ny sambo telo, samy nitondra jerrican nisy rano 20 litatra avy, teny an-tanany! Tamin’io fe-potoan’ny main-tany io, dia kely dia kely ny rano, ka nankasitrahan’ny mponin’ilay nosy ny nitondran’ireo mpitsidika, rano, satria izany dia nampitsitsy ny rano tao amin’ny sinibe. Vao voalohany no nitazanan’izy ireo zava-niseho toy izany — filaharan’olona tsy nety tapitra, izay namakivaky ny tanàna avy tany amin’ireo fiantsonan-tsambo ho any amin’ny toerana hanaovana ny fivoriambe. Nahazo ny fitsidihan’ny Vavolombelona ireo mponin’ilay nosy manontolo, ka indraindray aza dia imbetsaka tao anatin’ny maraina iray ihany. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia nanana fahafahana hahafantatra sy hankasitraka ny fandaminan’Andriamanitra izy ireo.” Misy kongregasiona telo ankehitriny any Marie-Galante.
Rehefa afaka tokony ho folo taona, dia voatery niverina tany Frantsa ny Rahalahy sy ny Anabavy Faustini. Tatỳ aoriana, dia afaka niverina tatỳ Caraïbes indray izy ireo, ary mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Martinique ankehitriny ny Rahalahy Faustini.
Nozaraina tany La Désirade sy Les Saintes ireo ranon’ny fahamarinana
Taorian’ny fitsidihana farany nataon’ilay sambon’ny Fikambanana hoe Light tamin’ny 1956, dia tsy nisy fitoriana firy natao tany La Désirade, nosy hafa iray miankina amin’i Guadeloupe. Tamin’ny 1967 anefa, dia nanendry an’i Médard sy i Turenna Jean-Louis, mpisava lalana manokana, mba hanompo tany, ny Fikambanana. Ny tapany lehibe amin’ilay nosy, izay 11 kilaometatra ny halavany sy 2,4 kilaometatra ny sakany, dia ngazana sady tsy nisy rano amin’ny raobine. Nisy mponina 1 560 anefa tao, ary nila ny homena fahafahana handre ny hafatra momba ilay Fanjakana izy ireo. Teo anelanelan’ny 1969 sy 1972, dia nisy mpisava lalana manokana roa hafa koa nanompo tao. Ny mpisava lalana manokana hafa iray, i Jacques Mérinon, dia niaritra teo anelanelan’ny 1975 sy 1988, na dia mafy aza ny toe-javatra.
Rehefa afaka taona maro, dia nisy kongregasiona kely iray naorina. Nanompo tao, tamin’ny 1987, i Henri Tallet, dokotera iray, sy ny fianakaviany. Noho ny fanampian’ny rahalahy maro, indrindra fa ny an’ireo avy tany Le Moule sy Saint-François, dia nandamina ny fanorenana Efitrano Fanjakana iray izy.
Roa taona tatỳ aoriana, dia ravan’ny rivo-doza Hugo i La Désirade. Hoy ny nomarihin’ny rahalahy iray: “Simba be ilay Efitrano Fanjakana. Tonga nitondra fanampiana ho anay anefa ny fitiavan’ireo rahalahy, ary tsy ela dia nahazo izay nilaina izahay mba hanamboarana ilay efitrano sy ireo trano simban’ireo mpitory. Izahay no voalohany teto amin’ny nosy nanomboka nanamboatra ny simba, no sady nanohy ny asa fitoriana, ka
nomarihin’ireo olona teo amin’ny faritany tsara izany. Nanomboka tamin’izay, dia raisina tsara kokoa izahay rehefa mitory.”Telo ambin’ny folo kilaometatra avy eo Basse-Terre no misy an’i Les Saintes, fitambara-nosy misy mponina 3 000. Tamin’ny Septambra 1970, dia efa nisy mpisava lalana manokana roa notendrena hiasa tany, dia i Amick Angerville sy i Jean Jabés. Faharetana be dia be no nilaina, nefa tamin’ny farany, tamin’ny 1980, dia nisy kongregasiona kely iray naorina, ary ankehitriny any dia misy mpitory 18.
Mahare ny vaovao tsara i Saint-Martin
Ny tapany avaratr’i Saint-Martin, tokony ho 250 kilaometatra any avaratr’i Pointe-à-Pitre, koa dia faritany miankina amin’i Guadeloupe. Ny antsasak’ilay nosy dia frantsay, ary ny antsasany holandey, nefa ny teny anglisy no itenenana mazàna. Na fiteny inona na fiteny inona ampiasain’ny olona anefa, dia mila ny mahare ny vaovao tsara izy ireo.
Tany am-piandohan’ireo taona 1940 no nianaran’i Georges Manuel, teratany avy tany Saint-Martin, ny fahamarinana, fony izy teto Guadeloupe. Tamin’ny 1949, ilay sambon’ny Fikambanana hoe Sibia dia niantsona voalohany teo amin’ny moron-tsirak’i Saint-Martin, ka nidina ireo mpiasa an-tsambo mba hiresaka tamin’ny olona momba ny Baiboly. Nanaraka izany, dia natao batisa i Georges Dormoy sy i Léonce Boirard, lehiben’ny seranana. Tamin’ny 1953, dia efa nisy mpitory enina teo amin’ilay nosy.
Anisan’ireo izay nandray zavatra vita an-tsoratra i Charles Gumbs, na dia olona tsy dia tia fivavahana loatra aza izy. Rehefa namaky Ny Tilikambo Fiambenana anefa izy, dia nanjary niaiky fa nahita ny fivavahana marina. Nizara izay nianarany tamin’i Jean, zandriny lahy, sy i Carmen, zandriny vavy, izy. Rehefa avy nianatra kelikely i Carmen Gumbs sy i Léone Hodge, zanak’io vavy, dia nankany amin’ny tranon’ny misionera tamin’ny fito ora maraina indray andro ka nangataka ny hatao batisa. Rehefa afa-po ilay rahalahy tao fa hoe nahafantatra tsara izay nataony izy ireo, dia niantso rahalahy hafa iray, ary dia natao talohan’ny sakafo maraina ilay fandaharana ny amin’ny batisa!
Tena azon’izy ireo marina ny hevitry ny fanoloran-tena ho an’i Jehovah. Ny taona nanaraka, 1959, dia nanomboka nanao ny fanompoana manontolo andro i Léone, ary narahin’ny reniny fotoana kelikely tatỳ aoriana. Dimy amby telopolo taona atỳ aoriana, dia mbola mpisava lalana manokana ihany ireo anabavy kristiana mahatoky roa ireo.
Kongregasiona iray any Saint-Martin
Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nisy mponin’i Haïti be dia be nanomboka nifindra nankany Saint-Martin mba hiasa tany. Nanaiky ny fahamarinana ny sasany taminy, ary tamin’ny 1973, dia nisy kongregasiona iray niteny frantsay naorina. Mpisava lalana manokana roa, i Jonadab sy i Jacqueline Laaland, no nanampy mba hampiorenana io kongregasiona io, mandra-pandehan’izy ireo tany amin’ny Sekolin’i Gileada.
Avy eo, tamin’ny 1975, dia nisy fisehoan-javatra iray izay tena fiovan-javatra lehibe ho an’ny asa mifandray amin’ilay Fanjakana tany Saint-Martin. Tamin’ny 13 sy 14 Febroary, dia nisy fivoriamben’ny distrika natao teo amin’ny kianja filalaovam-baolina kitran’i Marigot. Nentina tamin’ny sambo tany ireo tapatapany tamin’ilay Efitrano Fanaovanay Fivoriambe izay azo nobataina, mba hisian’ny tafo fiarovana. Nisy fiantraikany lehibe aoka izany iny fivoriambe iny teo amin’ny maro tamin’ireo mponin’ilay nosy. Izy iny dia nanampy azy ireo hahatakatra fa ireo Vavolombelona vitsy teo amin’ny nosin’izy ireo dia anisan’ny fandaminana lehibe iray.
Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia nitombo ka nahatratra 28 000 ny isan’ny mponin’i Saint-Martin izay 8 000, noho ny fitomboan’ny fizahan-tany. Nisy Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray omby olona 250, naorina tao amin’ny faritanàna mihajan’i Marigot, ary ankehitriny dia misy kongregasiona miteny frantsay roa ao amin’io nosy io.
Fanoherana tao Saint-Barthélemy
I Saint-Barthélemy, 210 kilaometatra any avaratra-andrefan’i Guadeloupe, dia hafa iray koa amin’ireo faritany miankina aminy. Nisy fotoana nampiroborobo azy io noho ireo boucaniers
(jiolahin-tsambo) izay nampiasa azy io ho foibeny. Amin’izao andro izao izy io dia toeram-pialan-tsasatra feno haitraitra. Ireo mponina eo aminy, miisa tokony ho 5 000, dia taranaky ny tantsambo bretons sy normands, ary taranaky ny mpanorim-ponenana soedoa. Olona manana fomba sy fihetsika mahafinaritra izy ireo, miasa mafy ary Katolika mafana fo. Hanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana ve ny sasany aminy?Tamin’ny Septambra 1975, i Jean sy i Françoise Cambou, mpivady tanora avy tany Frantsa, izay mpisava lalana manokana, dia nifindra honina teo amin’ilay nosy mba hanome izany fahafahana izany ho an’ny mponina tao. Na dia teo aza ny fanoherana mafy avy tamin’ny klerjy, dia namafy ny voan’ny fahamarinana be dia be izy ireo nandritra ireo telo taona naha-teto amin’ny nosy azy ireo. Taona maro tatỳ aoriana, i Pierre, zokin’i Jean lahy, sy i Michèle vadiny, dia nijanona roa taona tao Saint-Barthélemy, nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana. Nahavokatra ny asan’izy ireo. Nisy antokon’olom-bitsy niara-nianatra sy nanompo niforona, ary taorian’izay, izy io dia nampiorenin’ny anabavy feno risi-po efatra, samy mpisava lalana manokana: i Patricia Barbillon (Modetin no anarany ankehitriny, mpisava lalana manokana miaraka amin’ny vadiny any amin’ny République Dominicaine), i Jéranie Bénin (Lima no anarany ankehitriny, anisan’ny fianakavian’ny Betelan’i Guadeloupe miaraka amin’ny vadiny), i Angeline Garcia (Coucy no anarany ankehitriny ary miasa ao amin’ny faritany miteny espaniola eto Guadeloupe) ary i Josy Lincertin. Mpitory 18 ankehitriny no manao tatitra momba ny asa ataony miaraka amin’io kongregasiona io.
Fihazonana ny fialanalanana kristiana
Any amin’ny firenena rehetra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mialanalana raha ny amin’ireo fifandonana eo amin’izao tontolo izao. Koa satria tsy mandray anjara amin’izany fifandonana izany izy ireo, dia tsy miofana ho amin’izany koa. Tsy olona no milaza aminy izay tokony hataony; ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no ankatoaviny. (Isaia 2:2-4; Matio 26:52; Jaona 17:16). Ny fifikirana amin’izany Teny izany dia manolotra fitsapana ny fahatokiana ho an’ny Vavolombelona isam-batan’olona.
Rehefa natao batisa ny lehilahy tanora iray teto Guadeloupe tany antenatenan’ireo taona 1960, dia fantany fa hiatrika izany fitsapana izany tsy ho ela izy. Mba hanatanjahana ny finoany, dia nirotsaka avy hatrany hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy izy. Rehefa nantsoina hanao ny raharaha miaramila izy, dia nanazava ny toerany tamin’ny naha-Kristiana azy tamin’ireo manam-pahefana. Inona no vokany? Nampidirina an-tranomaizina izy, irery tao amin’ny efitra kely iray. Norahonana toy izao izy: “Raha tsy miova hevitra ianao, dia hohazonina an-tranomaizina mandritra ny roa taona fara fahakeliny. Ambonin’izany, dia ho irery ao amin’ny efitra kely iray ianao mandritra izany fotoana rehetra izany, koa mieritrereta tsara àry — irery mandritra ny roa taona!” Namaly anefa ilay rahalahintsika hoe: “Izany no heverinareo, nefa tsy ho irery araka izay lazainareo aho, tsy ho irery mihitsy aho! Hiaraka amiko i Jehovah Andriamanitra ary hanatanjaka ahy amin’ny alalan’ny fanahiny.” Gaga noho izany valin-teniny izany izy ireo, ka namela azy. Nanohina ny fon’izy ireo ny fihetsiny hentitra sy tony, sy ny fitondran-tenany tsara, ka ho vokany, dia nanomboka nampiseho fanajana azy izy ireo. Takatr’izy ireo fa tsy hisy na inona na inona ho afaka hampiova ny fanapahan-keviny hitoetra ho mahatoky teo anatrehan’ny “Jehovah-ny”, araka ny filazan’izy ireo azy.
Lasa ny volana maro, ary tonga ny fotoana hanaovana ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1966, nitondra ny loha hevitra hoe “Ireo Zanaky ny Fahafahan’Andriamanitra”. Toy inona moa ny fahagagana rehefa nafahana io rahalahy io ka tonga tao tamin’ny andro voalohany! Nandritra ny iray tamin’ireo fotoam-pivoriana, dia nitantara ny fanandraman-javatra hitany izy. Tsy fantany fa nisy manamboninahitry ny tafika iray nanao akanjo sivily, tao. Taorian’ilay fotoam-pivoriana, dia nanatona an’ilay rahalahy ilay manamboninahitry ny tafika ka nanao teny fiderana nafana taminy noho ny fifikirany mafy tamin’izay ninoany. Avy eo, dia nitodika tany amin’ny rahalahy hafa iray teo ilay manamboninahitry ny tafika ka nanao hoe: “Tena araka ny marina avokoa izay rehetra nolazain’ny rahalahinao; tena nitranga araka ny nolazainy antsika ilay izy. Anisan’ireo nitsara ilay raharaha mantsy ny
tenako. Indro ianareo manana lehilahy manaraka fari-pitondran-tena, mendrika ny hohajaina, mahatoky eo anatrehan’ny Andriamaniny, hentitra amin’ny fanapahan-keviny. Fantany izay tiany, ary rehefa nanao hoe Tsia izy, dia Tsia izany, ka tsy misy na inona na inona afaka mampiova hevitra azy amin’izany.” Avy eo dia nanampy teny izy hoe: “Fantatrareo ve izay nolazain’ny vadiko ahy? Nilaza izy hoe: ‘Aza mihevitra fa ianareo no nahavita izany tamin’ny sitraponareo manokana. Tsia, i Jehovah Andriamaniny, no nanao izany ho azy mba hahafahany hanatrika ny fivoriambeny. Mahery noho ny andriamanitsika i Jehovah Andriamaniny!’ ” Hita ho nihetsi-po ilay manamboninahitry ny tafika ary namarana ny teniny tamin’ny filazana hoe: “Talanjona noho ny aminareo aho, ary raha nanam-pahafahana aho, tamin’ny lasa, hahafantatra izay fantatrareo momba an’Andriamanitra, dia tsy ho izao izaho izao ny tenako amin’izao andro izao.”Zava-tsarotra tsy maintsy resena vaovao
Noho ny fitomboan’ny fizahan-tany sy ny varotra mifandray amin’izany, nanomboka tamin’ny 1970, dia nanjary nahita fanambinana kokoa i Guadeloupe. Nisy fiovana nitranga teny amin’ny faritany. Nisy olona tonga nifindra avy tany amin’ny nosy hafa, indrindra fa avy tany Dominique sy Haïti. Tamin’ny Janoary 1987, dia nilaina ny hanorenana kongregasiona iray niteny anglisy tao Pointe-à-Pitre. Fanampin’izany, dia toa nihamaika foana ny olona. Teo amin’ny fitoriana isan-trano nataonay, dia nanjary nilaina ny hampiasana fampidiran-dresaka nivantana sy nandaitra mba hihainoan’ny olona anay.
Tao anatin’ny fandaminana teokratika, dia nisy fiovana lehibe koa. Tamin’ny 1972, nifanaraka tamin’izay nitranga naneran-tany teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia fitambaran-doholona, fa tsy mpiandraikitra tokana intsony, no nanara-maso ny asan’ny kongregasiona tsirairay. Talohan’izay, dia niresaka momba ny “kongregasionan’ny Rahalahy Ranona” izahay. Nahazo ny fanajan’ny rehetra ireo mpiandraikitra ny kongregasiona ary nanana fahefana lehibe. Na dia izany aza, ireny rahalahy ireny dia nandray tsara ireo fiovana izay nampifanaraka akaiky kokoa ireo fandaharam-pandaminana, tamin’ny Soratra
Masina. Taorian’ilay fiovana, dia nanambara ny Rahalahy Brisart hoe: “Nanohina ny fonay ny toe-tsaina tsara dia tsara nasehon’ireo rahalahintsika. Tsy isalasalana fa fitsapana ny fanetren-tenan’ny tsirairay avy taminy, ilay izy. Mirehareha izahay mahita fa nandresy soa aman-tsara tamin’io fitsapana io izy rehetra.”Ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana koa dia anisan’ny nanatsara ny toe-piainana ara-panahy tao amin’ireo kongregasiona. Ny kilasy voalohany teto Guadeloupe, tamin’ny 1961, dia natrehin’ny loholona 19. Telopolo taona tatỳ aoriana anefa, rehefa niara-nivory mba hahazo fampianarana ny loholona avy tamin’ilay vondro-nosy manontolo, dia 300 no nanatrika. Amin’ny antsalany, ny kongregasiona tsirairay ankehitriny dia manana loholona dimy avy, mikarakara ireo zavatra ilainy ara-panahy.
Ireny mpiandry ara-panahy ireny dia nampiseho fiahiana feno fitiavana ny andian’ondry, tsy tao anatin’ny toe-piainana noheverina ho ara-dalàna ihany, fa nandritra ny fotoana nisehoan’ny zava-tsarotra koa.
Fanajana ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra
Noho ny mpiasan’ny fitsaboana sasany tsy mampiseho fanajana tsara ny zon’ny marary, dia niatrika tarehin-javatra sarotra ireo Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny fiezahany hanaraka ny zavatra takin’i Jehovah momba ny fifadiana ny ra. (Asa. 15:28, 29). Naniry hanome fanampiana bebe kokoa ho an’ireo Vavolombelona niatrika zava-tsarotra ara-pitsaboana ireo loholona. Araka izany, tany am-piandohan’ny 1987, dia nivory ny Komitin’ny Sampana mba hiara-mandinika ny tarehin-javatra tamin’ny Vavolombelona roa izay dokotera koa. Nanjary niharihary fa nilaina ny hisian’ny fifandraisana tsara kokoa tamin’ireo mpiasan’ny fitsaboana. Nisy komity iray notendrena mba hikarakara izany. Nandamina fivoriana iray niaraka tamin’ireo anesthésistes tao amin’ny hopitaly izy ireo, ary izany dia hita fa nandraisan-tsoa aoka izany.
Toy ireo Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny ankamaroan’ny faritra hafa amin’ny tany, ireo rahalahy eto Guadeloupe ankehitriny dia manana Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Rahalahy 17 no nampiofanina tsara ho amin’io sampan-draharaha io tany amin’ireo seminera notarihin’ny Fikambanana.
Mandrahona ny volkano iray
Ny zava-tsarotra hafa dia avy tamin’ny loza araka ny natiora. Tamin’ny 1976, i Soufrière, volkano iray izay tsy nihetsika nandritra ny ela be, dia nifoha indray. Tany am-piandohan’io taona io, dia nanjary nihanateti-pitranga ireo hovotrovotra. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tamin’ny 8 Jolay, dia vaky ka nisokatra tanteraka ny tresaka iray teo amin’ny ilan’ilay tendrombohitra, ka namoaka rahona gaza sy etona lehibe. Nisy lavenona volkanika nanomboka nianjera teo amin’i Basse-Terre sy ireo vohitra nanodidina. Nanjary voarakotry ny vovoka volombatolalaka ny olona sy ny tany. Tamin’ny 15 Aogositra, noho ny fihamafisan’ireo fihorohoron’ny tany naterak’ilay volkano, dia
nandidy ny hialan’ireo mponina 72 000 tanteraka sy avy hatrany ireo manam-pahefana. Rehefa afaka dimy volana tatỳ aoriana vao navela hiverina tany aminy izy ireo.Kongregasiona fito no nasaina niala tao. Nisy fanampiana nomena avy hatrany mba hananan’ireo rahalahintsika toerana hipetrahana nandritra io fotoam-pahoriana io. Niparitaka tetsy sy teroa izao ireo mpitory izay niara-nivory sy niara-niasa teo aloha. Mba hanomezana ny fanampiana ara-panahy nilaina, dia nisy fivoriana manokana nataon’ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa. Samy nampirisihina mafy izy rehetra mba hitady ireo mpitory tao amin’ny kongregasionany avy ary koa mba hifandray akaiky tamin’izy ireo. Nisy fandaharana manokana natao mba tsy hiparitahan’ny andian’ondry. Nasaina nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona tao amin’ny faritra nisy azy izy ireo, nefa natao koa ny fandaharana mba hanatrehan’izy ireo ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona naorina ho azy ireo manokana ka notarihin’ny loholona iray na ny mpikarakara momba ny asa iray avy tamin’ny kongregasiona niaviany. Hita ho tena fitahiana izany, satria tsy nisy na dia ondry iray aza very!
Alina nahitana horohoro
Telo ambin’ny folo taona tatỳ aoriana, dia nisy zava-tsarotra hafa iray namely. Ny asabotsy 16 Septambra 1989, dia namely mafy tsy an-kiantra an’i Guadeloupe ny rivo-doza Hugo. Tsy vao voalohany no nandravan’ny rivo-doza iray ny nosy. Tamin’ny 1966, ny rivo-doza Ines dia nandrirotra ny tafon’ny ankamaroan’ireo trano hazo, ary tapaka nandritra ny iray volana ny herin’aratra. Nandrava be lavitra noho izany anefa izay nitranga tamin’ny 1989. Nisy rivo-mahery, izay nahatratra 260 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ny sasany taminy, namely mafy ny nosy nandritra ny ora maro. Toa nila tsy hifarana mihitsy ny alina. Rehefa tonga ny mangiran-dratsy rehefa ela ny ela, dia nahazendana ilay fahitana. Toy ny toeram-piadiana feno tapatapa-javatra ireo arabe. Teo amin’ny 30 000 teo ho eo no tsy nanam-pialofana. Teo anivon’ireo Vavolombelona, dia trano 117 no ringana, ary 300 hafa no simba be. Efitrano Fanjakana 8 no nisy fahasimbana, ary 14 hafa no rava.
Rehefa nitondra faharavana ny rivo-doza Ines tamin’ny 1966, dia ireo Vavolombelon’i Jehovah avy tany Porto Rico, Martinique, Guyane ary Saint Croix no nitondra fanampiana ara-nofo. Fa rehefa nandrava an’i Guadeloupe kosa ny rivo-doza Hugo tamin’ny 1989, dia ny Fitambara-mpitantana no nanao izay hisian’ny vola fanampiana azo ampiasaina haingana. Avy eo, ireo rahalahy avy tany Martinique sy Frantsa ary tany hafa dia nandefa haingana sakafo sy fitafiana ary fitaovana fanorenana nilaina. Ny sasany dia tonga nivantana mba hanolotra ny fanampiany. Tohina lalina ny fon’ireo rahalahy sy anabavy teto Guadeloupe noho io fanehoam-pitiavana tondraka io. Tsy hadinon’izy ireo na oviana na oviana ny zavatra natao ho azy ireo.
Nisy fisehoan-javatra hafa koa nanatanjaka ireo fatoram-pirahalahiana iraisam-pirenena.
Fivoriambe niraisam-pirenena voalohany
Tamin’ny 1978, ireo mpitory teto Guadeloupe dia nanana ny tombontsoa lehibe hampiantrano fivoriambe niraisam-pirenena iray. Nahatratra 6 274 ny tampon’isan’ny mpanatrika, ka izany dia tamin’ny fotoana tsy nisian’ny Vavolombelona afa-tsy 2 600 teto an-toerana. Fifaliana toy inona moa ny fandraisana ireo solontena avy tany Belzika, Kanada, Soisa, Etazonia ary tany hafa! Ny lehiben’ny hotely iray teto an-toerana dia nanipy hevitra tamin’ireo rahalahy nisahana ny filasiana mba hampakarany 10 isan-jato ny hofan’ny efitrano tao amin’ny hotely, vola izay ho azon’ireo rahalahy ihany. Nanda anefa ireo rahalahy, tamin’ny fanazavana fa ho fanaovana ny tsy marina izany. Menatra ilay lehiben’ny hotely noho izy nanao izany fanipazan-kevitra izany,
ka nilaza hoe: “Tena hafa marina ianareo Vavolombelon’i Jehovah ka. Nanao iny fanipazan-kevitra iny aho, satria efa nisy fivavahana hafa nanaiky taloha. (...) Nefa dia tena hafa marina ianareo ka!”Ny fahombiazan’iny fivoriambe iny dia vao mainka nampiharihary fa tena nilaina maika dia maika ny hahita toerana maharitra hanaovana ireo fivoriambenay.
Efitrano Fanaovana Fivoriambe vaovao
Efa nitarina imbetsaka ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambenay azo nobataina. Nanjary antontan-javatra nilanja teo amin’ny 30 taonina teo ho eo ilay izy, ary afaka nandray olona tokony ho 5 000. Asa goavana ny nitatitra sy nampijoro ary nandrava azy isaky ny nisy fivoriambe. Niharihary anefa fa fantatr’i Jehovah ny zavatra nilainay.
Noho ireo fanomezana tamim-pahalalahan-tanana avy tamin’ny kongregasiona rehetra teto amin’ireto nosy ireto, dia nisy tany iray maherin’ny 5 hektara, novidina tamin’ny toerana tsara iray. Ny taona nanaraka, tamin’ny 1980, dia nampiasa voalohany io toerana vaovao io izahay — mbola tamin’ny fampiasana ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambenay azo nobataina ihany anefa. Tamin’io fotoana nanaovana ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fitiavan’Andriamanitra” io, dia nahatratra 7 040 ny tampon’isa vaovaon’ny mpanatrika. Tamin’io indray mandeha io anefa dia tsy nilaina ny nandrava ny zavatra rehetra taorian’ny fotoam-pivoriana farany. Fahamaivanana re izany!
Nampiasaina nandritra ny taona maromaro io fandaharana vaovao io. Avy eo, dia takatray fa tonga ny fotoana hanorenana zavatra maharitra kokoa. Nisy rahalahy mahay nanomboka niasa, ary efitrano malalaka iray no novolavolaina, ka tsy nasiana rindrina mba hitsòfan’ny rivotra amin’ny fomba voajanahary. Hanana endrika antsasa-paribolana ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe vaovao, ary ho omby olona 4 000. Azo ny fahazoan-dalana hanorina, ary natomboka ny asa tamin’ny 1987. Tamin’ny Jolay, enim-bolana taorian’ny nanombohana ny asa teo amin’ny toeram-panorenana, dia ny androatokon’ilay tetik’asa no efa vita ary afaka nampiasa azy io tamin’ny fivoriamben’ny distrika
nataonay tamin’io taona io izahay. Nanomboka tamin’izay, dia tsy nisy fotaka sy baoty lava intsony!Fiovana tao amin’ny sampana
Raha mbola teo am-panaovana azy izany rehetra izany, dia nisy fiovana nitranga tao amin’ny biraon’ny sampana. Tamin’ny Febroary 1976, nanerana ny tany, dia novana ny fiandraiketana ireo sampan’ny Fikambanana. Tsy nisy mpiandraikitra voalohany indrindra intsony tao amin’ny sampana tsirairay, fa natao kosa ny fandaharana mba hisian’ny komity misy mpikambana telo na mihoatra mba hiantsoroka izany andraikitra izany, teo ambanin’ny fanaraha-mason’ny Fitambara-mpitantana. Teto Guadeloupe, dia i Nicolas Brisart sy i Pierre Jahnke ary i Jean-Pierre Wiecek no nanankinana io fiandraiketana io. Rehefa hitan’ny Rahalahy Wiecek, izay misionera, fa nila ny hiverina tany Frantsa ny tenany, dia nosoloan’i Flavien Bénin izy. Avy eo, dia nasaina mba ho anisan’ny Komitin’ny Sampana i Paul Angerville sy i Jean Cambou, mpiandraikitra ny fizaran-tany.
Nandray soa avy tamin’ireo fandrosoana teknika natao tany amin’ny foibe maneran-tany sy tany amin’ireo sampana samihafa koa i Guadeloupe. Ny Tilikambo Fiambenana natao hianarana dia voaray tamin’ny fotoana nitovy tamin’ny nandraisan’ireo rahalahy tany an-tany hafa azy. Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny teny frantsay dia natao pirinty tamin’ny fotoana nivoahan’ny teny anglisy koa. Araka izany, tamin’ny fomba maro samihafa dia nahatsapa ho tafaray kokoa tamin’ny tapany hafa rehetra tamin’ny fandaminana izahay. Na dia eo amin’ny nosy vitsivitsy atỳ afovoan’ny ranomasina aza no misy anay, dia tsy mahatsiaro ho mitokana izahay. ‘Miara-manompo’ amin’ireo rahalahinay kristiana izahay. — Isaia 52:8.
Toerana mety tsara ho an’ny biraon’ny sampana mihamitombo
Tamin’ny 1966, ny Fikambanana dia nividy trano iray teo amin’ny 46 Morne Udol, teo akaikin’i Pointe-à-Pitre, mba hatao biraon’ny sampana. Tatỳ aoriana, dia nitarina izy io, tamin’ny fanorenana trano hafa iray teo anilany, dia trano iray nisy birao sy fitahirizana zavatra vita an-tsoratra ary koa Efitrano Fanjakana
iray. Rehefa nojerena anefa ny fitomboan’ny isan’ireo mpidera an’i Jehovah teto Guadeloupe, dia zavatra lehibe kokoa no nilaina. Araka izany, tamin’ny faran’ny 1988, ny Fitambara-mpitantana dia nanaiky ny hanorenana Trano Betela sy biraon’ny sampana vaovao tanteraka.Kanefa, zava-tsarotra tsy maintsy noresena ny fahitana tany mety tsara eo amin’ny nosy iray kely sahala amin’i Guadeloupe. Afaka manome izay ilaina anefa i Jehovah, ilay Tompon’ny tany, ary dia nanao izany izy. Afaka nahazo tany iray tokony ho iray hektara izahay, teo amin’ny havoana iray nanatrika ny ranomasina tany Sainte-Anne. Nomen’ny biraon’ny fanorenan’ny Fikambanana any New York ireo mari-trano mialoha ary koa ireo kopian’izany. Nanome fanampiana sarobidy i Michel Conuau, tompo-marika frantsay. Tonga haingana be ny fahazoan-dalana hanao ilay fanorenana, noho ilay ben’ny tanànan’i Sainte-Anne sy ny filan-kevitry ny tanàna ary ny biraon’ny fanaovana fanorenana teo an-tanàna.
Nanomboka tamin’ny Septambra 1990 ny asa fanorenana. Mpiasa an-tsitrapo avy tamin’ny tany 14 no nizara ny fahaizana sy ny fanandraman-javatra nananany ary nanampy tamin’ilay asa. Tao anatin’ny roa taona, dia tsy vitan’ny hoe vita ilay asa fanorenana, fa nisy fatoram-pisakaizana mafy koa niorina teo amin’ireo Vavolombelona teto Guadeloupe sy ireo mpiasa an-tsitrapo avy tany amin’ny hafa izay niarahan’izy ireo niasa. Tamin’ny 1954, rehefa teto i Milton Henschel mba hampandre ny amin’ny fanorenana ny sampan’i Guadeloupe, dia nisy mpitory 128 teto. Teto koa izy tamin’ny 29 sy 30 Aogositra 1992 — rehefa nisy mpitory 6 839 nanaovanay tatitra — mba hanokana ho an’i Jehovah Andriamanitra ireo biraon’ny sampanay vaovao tsara tarehy. Nantsoin’ireo mpifanila trano aminay tamin-katsaram-panahy hoe “ny vohitra kelin’ny Vavolombelon’i Jehovah” izy io.
Ny faritaninay, zava-tsarotra tsy maintsy resena
Ny faritany voafetra eto Guadeloupe dia zava-tsarotra tsy maintsy resena, izay tsy maintsy eken’ny mpitory tsirairay.
Amin’ny antsalany, dia tsy manana afa-tsy tokantrano 12 ho an’ny mpitory tsirairay izahay. Ahoana no ataonay ao anatin’izany tarehin-javatra izany? Tena ilaina ny fiomanana. Ny anabavy mpisava lalana iray dia manazava hoe: “Ataoko ho zatra mahita ahy ny olona. Mbola mahita fampianarana vaovao ihany aho amin’ny fisaintsainana lalina kokoa momba ny faritaniko. Ireo isam-batan’olona ao amin’ny faritaniko no eritreretiko.” Ny mpiandraikitra ny asa iray ao amin’ny iray amin’ireo kongregasiona ao Pointe-à-Pitre, misy mpitory iray isaky ny mponina 28, dia nilaza hoe: “Vonona ny hihaino ny olona raha manana zavatra mahaliana holazaina fotsiny isika.” Na dia manontany tsindraindray aza ny mpitory hoe: “Aiza isika no hitory?”, ny isan’ny fampianarana ny Baiboly tsy mitsaha-mitombo (maherin’ny 8 500 ankehitriny) dia mampirisika anay tsy hitsahatra hitory ny vaovao tsara.Ny fampiasana mivantana ny Baiboly dia lafin-javatra lehibe iray eo amin’ny fandairan’ny fanompoanay. Manaja ny Baiboly ho ny Tenin’Andriamanitra voasoratra ny olona eto Guadeloupe amin’ny ankapobeny, ary tohina ny fon’izy ireo rehefa asehonay amin’izy ireo fa manazava ireo fisehoan-javatra ankehitriny izy io. Ny fampiasana fanoharana amin’ny fomba mandaitra koa dia mampirisika ny olona hieritreritra. Ireo rahalahintsika sy anabavintsika efa be taona indrindra no tena mahay mamoron-javatra amin’io lafiny io. Ny fomba fiaina teto fony izy ireo tanora dia nampirisika azy ireo handinika ny zavaboary. Koa mety hampiseho ny hafatra momba ilay Fanjakana àry izy ireo, amin’ny firesahana, toa an’i Jesosy, momba ireo zavatra voajanahary manodidina azy ireo. — Matio 6:25-32.
Kanto kokoa noho ny hatramin’izay
Nahatanteraka zavatra lehibe teto Guadeloupe tamin’ny alalan’ny fanahiny i Jehovah. Nahita olona nanetry tena izay toy ny tanimangan’ny mpanefy tanimanga mora volavolaina ka tsy nanda tsy hovolavolaina araka ny sitrapony, izy. Amin’izao andro izao, dia ny andro ‘hampihorohoroany’ ny firenena Hagay 2:7, NW ). Tamin’ny 1968, telopolo taona taorian’ny nahatongavan’i Cyril Winston teto Guadeloupe, izahay no voalohany nanao tatitra momba ny mpitory 1 000. Tamin’ny 1974, dia efa nitombo avo roa heny io isa io. Ny isa 3 000 dia tratra tamin’ny 1982. Fito taona tatỳ aoriana, dia tonga 6 000 ireo 3 000. Amin’izao andro izao, dia mpitory maherin’ny 7 250 no miara-mivory ao amin’ny kongregasiona 86. Na dia misy mpitory 1 isaky ny mponina 53 aza eto, dia mbola tapa-kevitra izahay ny tsy hitsahatra ho be zavatra hatao eo amin’ny fitoriana sy ny fampianarana, amin’ny fianteherana amin’i Jehovah mba hahazoana ny fitahiany. Ny “Nosin’ireo Rano Tsara Tarehy” dia tonga, amin’ny heviny ara-panahy, kanto kokoa noho ny hatramin’izay. Tsy isalasalana fa olona maro kokoa ihany no mbola hamaly ilay antso hoe “Avia”. Ary dia hahazo “maimaimpoana amin’ny ranon’aina” izy ireo. — Apok. 22:17.
rehetra amin’ny alalan’ireo hafatra misy ny didim-pitsarany, i Jehovah dia manangona koa ‘ireo zavatra faniry’ ary mitondra azy ireo ho ao amin’ny kianja eto an-tanin’ny tempoliny ara-panahy lehibe. ([Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 23 Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:41, izay milaza ny amin’ny batisan’olona tokony ho 3 000, miharihary fa tsy tao amin’ny Ony Jordana — izay ho nitaky ny hanaovan’ireo mpilatsaka hatao batisa dia an-tongotra 30 kilaometatra nandroso — fa tao anaty dobo tao Jerosalema na teo akaikiny, kosa.
[Sarintany, pejy 116]
(Jereo ny boky)
GUADELOUPE
GRANDE-TERRE
Pointe-à-Pitre
BASSE-TERRE
[Sarintany, pejy 151]
(Jereo ny boky)
GUADELOUPE
Saint-Martin
Saint-Barthélemy
La Désirade
Îles de la Petite-Terre
Les Saintes
Marie-Galante
[Sary, pejy 120]
Condé Bonchamp, iray tamin’ireo olona voalohany tany Guadeloupe nihaino tamim-pankasitrahana ny vaovao tsara
[Sary, pejy 123]
Nody alina ny vadin’i Noéma Missoudan (Apourou no anarany ankehitriny), ka narahiny — tao amin’ny fivoriana iray nataon’ny Mpianatra ny Baiboly!
[Sary, pejy 124]
René Sahaï manao batisa Vavolombelona vaovao tamin’ny 1945
[Sary, pejy 125]
Olga Laaland any amin’ny fivoriamben’ny distrika iray tany Frantsa, manao tatitra momba ny asa tany Guadeloupe
[Sary, pejy 130]
I Duverval Nestor dia nahare voalohany ary avy eo dia nanaiky ny fahamarinana, fony izy tany amin’ny hopitaly
[Sary, pejy 131]
I Georges Moustache dia nitory isan’andro tamin’ny fotoan’ny sakafo antoandro tany amin’ny toeram-piasany
[Sary, pejy 133]
Ny Kongregasionan’i Basse-Terre tamin’ny faran’ireo taona 1950
[Sary, pejy 136]
Mpitory iray aotobisy miainga hanao fitoriana any ambanivohitra
[Sary, pejy 138]
Nandray anjara tamin-jotom-po tamin’ny fitoriana ireo misionera teo amin’ilay sambo hoe “Light”
[Sary, pejy 139]
I Nicolas sy i Liliane Brisart dia nirahina voalohany nankany Guadeloupe avy tany Frantsa, tamin’ny 1955
[Sary, pejy 141]
Flora Pemba, izay niandany tamin’i Jehovah na dia niatrika fahoriana mafy aza
[Sary, pejy 142]
Avy eo ankavia miankavanana: Mickaëlla sy Donat Tacita, miaraka amin’i Marc Edroux, tamin’ny 1994
[Sary, pejy 143]
Verneil Andrémont, iray tamin’ireo solontenan’i Guadeloupe 19 nanatrika ny fivoriambe niraisam-pirenena tamin’ny 1958
[Sary, pejy 146, 147]
Ny Efitrano Fanaovana Fivoriamben’i Guadeloupe azo nobataina
[Sary, pejy 150]
Armand sy Marguerite Faustini, izay nanompo tany Guadeloupe nandritra ny 10 taona; any Martinique izy ireo ankehitriny
[Sary, pejy 158]
Maherin’ny 100 taona avy; samy nanompo an’i Jehovah nandritra ny 30 taona mahery avy
Laurentia Jean-Louis
Catherine Gumbs
[Sary, pejy 161]
Efitrano Fanaovana Fivoriambe any Lamentin
[Sary, pejy 162]
Ny biraon’ny sampana sy ny fianakavian’ny Betela any Guadeloupe
[Sary, pejy 167]
Ny Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia miankavanana): Paul Angerville, Nicolas Brisart, Pierre Jahnke, Jean Cambou