Meksika
Meksika
NY FANONONANA ny hoe Meksika dia mahatonga olona maro hieritreritra mpandihy meksikanina manao akanjo marevaka sy mpitendry mozika milantolanto amin’ny gitara, ary tanàna kely matory sy voaforona trano voalalotra fotsy sy misy tafo tanimanga mena. Ny hafa mieritreritra fifamoivoizana feno fiarakodia ao amin’ny tanàn-dehibe iray toa an’i Mexico na i Guadalajara na i Monterrey. Ny tonga ao an-tsain’ny hafa kosa dia vahoaka iray manetry tena sy mahay mampiantrano vahiny, izay mitsiky sy mamihina amim-pisakaizana ny tanan’ny hafa. Izany rehetra izany i Meksika, nefa be lavitra kokoa noho izany koa.
Izy io dia tany misy fanambinana ara-panahy. Na dia marisika any amin’ny tany maherin’ny 230 aza ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1987, naneran-tany, dia mahery lavitra ny 10 isan-jaton’ireo fampianarana Baiboly any an-tokantrano tarihin’izy ireo no eto Meksika. Ary miteraka vokatra io fandaharam-pampianarana ara-baiboly io. Nandritra ireo dimy taona farany, dia olona 154 420 teto Meksika no niseho hatao batisa ho mariky ny fanolorany tena ho an’i Jehovah.
Mbola misy zavatra be dia be ihany anefa tokony hatao mba hanaovana fanambarana feno manerana an’i Meksika.
Maherin’ny 87 tapitrisa ny tontalin’isan’ny mponina eto. Ny teny espaniola no teny ofisialy; kanefa misy fiteny hafa sy fitenim-paritra koa eto. Na dia tsy ny rehetra eto Meksika aza no efa nahazo fanambarana feno, i Jehovah dia manangona olona ho an’ny fanompoana azy, avy amin’ireo antokon’olona samihafa rehetra mahaforona ilay firenena. Amin’ny fomba ahoana no anatanterahana izany? Mba hamaliana izany, dia manasa anareo izahay mba hiaraka aminay hamisavisa ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Meksika.Voalohany anefa, dia ho hitanareo fa hanampy ny fahafantarana zavatra momba ny vahoaka meksikanina mihitsy sy ireo fisehoan-javatra izay namolavola ny fomba fijeriny zavatra.
Ny fiavian’ny vahoaka meksikanina
Inona no fiavian’izy ireo? Ny tsangan-kevitra miely indrindra dia hoe ireo foko voalohany tonga mponin’i Meksika dia avy tany Azia, ary koa fa nita hankatỳ amin’izay fantatra ankehitriny ho ireo tanin’i Amerika izy ireo, avy teo amin’ny Détroit du Bering. Efa niorim-ponenana tsara teto Meksika izy ireo ela be talohan’ny Fanisan-taona Iraisana.
Foko Indianina lehibe maherin’ny iray no malaza ao amin’ny tantaran’i Meksika. Teo ireo Olmèques, Mayas, Zapotèques ary Toltèques. Rehefa nanomboka nifehy an’i Antilles nandritra ireo taona 1490 ny Espaniola, dia nanapaka teo amin’ny tapany lehibe tamin’ny faritra atsimo-afovoan’i Meksika ankehitriny ireo Aztèques. I Tenochtitlán, renivohitr’izy ireo, dia nanana mponina notombanan’ny sasany ho 250 000 tamin’izay. Tamin’ny 1521 anefa, rehefa nilavo lefona teo anoloan’i Hernán Cortés ny emperora aztèque farany, dia nanjary teo ambanin’ny fifehezan’i Espaina i Meksika.
Mpivavaka tamin’ny masoandro ny Aztèques, ary nivavaka tamin’ireo herin’ny natiora toy ny orana sy ny afo, izay nolazainy ho nitsimbina ny aina, koa izy ireo. Rehefa tonga ireo Espaniola, dia nisy fifandonana ara-kolontsaina. Teo ambanin’ny fanapahana espaniola, dia noterena hanaraka ny fivavahana katolika tamin’ny alalan’ny didim-panjakana ireo Indianina. Tatỳ aoriana, dia nitsahatra ireo fanaovana sorona olombelona izay nifandray tamin’ny fanompoam-pivavahany taloha, fa ireo finoany sy fanaony hafa kosa dia nanjary nifangaro tamin’ilay fivavahany vaovao.
Ambonin’ny fanararaotan’ireo mpanapaka eoropeana azy ireo, dia teo koa ny fangejana an-kolaka niorina tamin’ilay fivavahana vaovao. Ahoana izany? Ny fampianarana dia nofehezin’ny eglizy ary tsy natao afa-tsy ho an’ireo sarangan’olona nanankarena sy nanam-pahefana ihany, fa ny sarambabem-bahoaka kosa dia nohazonina ho tsy nahay taratasy sy ho tsy nahay na inona na inona. Izany dia nahatonga azy ireo ho mora resin’ny firehetana ara-pivavahana fatratra.
Efa ho taonjato telo no lasa, ary nanjary anisan’ny fototry ny fiainan’ny vahoaka ireo finoana sy fomba katolika; avy eo, tamin’ny 1810, dia nipoaka ny fikomiana tamin’ny fanapahana espaniola. Izy io dia notarihin’ny pretra iray, i Miguel Hidalgo y Costilla, ary nanamarika ny fanombohan’ny ady nitarika ho amin’ny fahaleovan-tena. Nanohy ho mpinamana akaiky ilay fanjakana vaovao sy ny Eglizy Katolika, ary nanohy nihambo ho nanaraka ny finoana katolika ny vahoaka.
Na dia izany aza, arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nanjary niaiky ny fitondram-panjakana fa nitondra zava-dratsy mihoatra
noho ny zava-tsoa ny fivavahana. Koa anisan’ireo Leyes de Reforma (Ireo Lalàn’ny Fanavaozana) àry dia nisy lalàna iray natao hanan-kery tamin’ny 1859 mba hampisarahana ny Eglizy tamin’ny Fanjakana. Io lalàna io dia nandidy koa ny hakana ny fananan’ny eglizy rehetra.Tany amin’ny faran’ny 1910, dia voahozongozon’ny revolisiona indray i Meksika, ka tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia mba hanonganana ny fitondrana jadon’i Porfirio Díaz. Ny fahombiazan’ilay izy dia nitarika ho amin’ny fanandramana vaovao hampihatra ireo Lalàn’ny Fanavaozana, tamin’ny 1917. Tamin’izay fotoana izay, dia naorina araka ny lalàna ny fahalalahana ara-pivavahana teto Meksika. Nisy famaritana sasany anefa izay natao manokana mba hamerana ny fahefan’ny Eglizy Katolika. Rehefa nihatony ny revolisiona, dia nisy zavatra hafa nandroso haingana, izay hitondra fahalalahana lehibe kokoa aza. Izany dia ny fielezan’ny vaovao tsara momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona.
Bokim-pahatsiarovana mirakitra fisehoan-javatra ara-panahy
Ny fitantarana momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Meksika dia toy ny fitambaran-tsary, toy ny bokim-pahatsiarovana ara-tantara sarobidy. Ny pejy voalohan’ny bokim-pahatsiarovanay dia miverina any amin’ny 1893. Tamin’io taona io, dia nisy lehilahy iray teto Meksika nantsoina hoe Stephenson nanoratra taratasy iray nampiseho fahalianana, tsy tamin’ny fianarana ireo fahamarinana ara-baiboly ihany, fa tamin’ny fizarana izany tamin’ny olon-kafa teto Meksika koa. Nalefa tany amin’ny biraon’ny Fikambanana Watch Tower tany Allegheny, any Pennsylvania (Etazonia), ilay taratasy. Hoy izy io: “Misy dimy dolara ampiarahiko amin’itỳ. Mba anesory hanaovana famandrihana herintaona amin’ny ‘Tilikambo Fiambenan’i Ziona’ ho ahy izy io, raha sitrakareo, ary amin’ny ambiny, dia mba andefaso betsaka araka izay azon’ilay vola, amin’ireo boky telo amin’ny ‘L’aurore du millénium’ aho, satria maniry ny handefa azy ireo any amin’ny namana maromaro eto sy any Eoropa. Manantena aho ny hahita lahatsoratra ao amin’ny ‘Tilikambo Fiambenana’, izay mety hahasoa an’i Meksika raha voadika sy avoaka amin’ny teny espaniola izy ireo; mety hanao ny fandikan-tenin’ireo boky ‘L’aurore’ mihitsy aza aho, raha nanana ny vola hampanontana azy ireo.”
Izany dia nitranga nandritra ny fotoana nanapahan’i Porfirio Díaz — fotoana nisian’ny sarangan’olona avo razana tia fivavahana be sy ny sarangan’olona mpiasa madinika nahantra be, teto Meksika. Io sarangan’olona mpiasa madinika io dia tia fivavahana lalina ary notapahin’ny klerjy katolika. Tamin’ny 1910-1911, dia nisy herisetra sy fandatsahan-dra hatraiza hatraiza izay nitarika ho amin’ny fiovana teo amin’ny fitantanan-draharaha. Voatery niala tamin’ny toerany i Díaz.
Rehefa avy niato kelikely ilay korontana, ka potika ara-bakiteny sy ara-toe-karena noho ny ady i Meksika, dia nanomboka nitady an’Andriamanitra ny olona sasany. Ireo izay nandositra nankany Etazonia, tany avaratra, dia nanomboka niverina, ary anisan’ireo zavatra nentin’izy ireo dia nisy zava-tsarobidy, dia boky nanazava ny Baiboly. Nisy Mpianatra ny Baiboly avy tany Etazonia koa nanao dia niverimberina nankany amin’ny tapany avaratr’i Meksika mba hizara ny vaovao tsara tamin’ny olona tany. Ho vokany, dia olona nitokana vitsivitsy teto Meksika no nanjary nahafantatra ny fahamarinana sy nanao izay azony natao mba hampielezana azy io tamin’ny hafa.
Fanandramana voalohany mba handaminan-javatra
I Abel Ortega, lehilahy tanora iray tapa-kevitra ny hianatra ho dokotera, dia nankany San Antonio, any Texas, tamin’ny 1917. Tany, tamin’ny alalan’ny rahalahy iray nantsoina hoe Moreyra, dia nianatra momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona izy. Nanova ny zavatra nokasainy hatao i Abel; rehefa tafaverina teto Meksika izy, dia nanana fikasana tsara kokoa teny aminy, dia ny Le divin plan des âges. Tsy faly ny rahalahin-drainy, izay nandamina ny fianarany ho dokotera, no sady tsy nanohina ny fony ireo zavatra vaovao ninoan’ilay zana-drahalahiny. Ho vokany, dia tsy maintsy niala tao an-trano i Abel. Nifindra honina teo ivelan’i Mexico, tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Santa Julia, izy. Teo izy, teo ambany hazo lehibe iray nirobona, dia nanomboka nanao fivoriana. Tao anatin’ny roa taona, dia voaforon’olona tokony ho 30 ilay antokon’olona.
Arakaraka ny nitomboan’ilay isa, dia nanjary niharihary fa nila efitrano fivoriana nifanentana izy ireo. Nahita izany tao afovoan’ny tanàna izy ireo. Tamin’ny 1919, dia efa nisy fivoriambe kelin’ireo
Mpianatra ny Baiboly, naharitra efatra andro, koa natao teto Meksika.Tsy ela anefa dia nanjary voababon’ny fivavahana vaovao iray tany Frantsa ny sain’i Abel Ortega. Nitsahatra tsy niara-nandeha tamin’ireo rahalahiny kristiana taloha izy. Nisy fizarazarana nitranga, ary vitsy no tavela izay niezaka hanao ny sitrapon’i Jehovah.
Ny biraon’ny Fikambanana tany Los Angeles nikarakara ireo olona niteny espaniola
Ao amin’ny bokim-pahatsiarovana ara-tantaranay ho an’io fe-potoana io, isika dia mahita lehilahy kolombianina ranjanana sy manify iray, i Roberto Montero, izay nianatra ny fahamarinana ary natao batisa tany Etazonia tamin’ny 1914. Ny zotom-pony voalohany dia nitarika azy hiezaka mafy hanao izay rehetra azony natao mba hampielezana ny vaovao tsara. Nisy fotoana niasany tao amin’ny Trano Betelan’i Brooklyn, fony i C. T. Russell mbola prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower. “Araka ny fantatra, teo anelanelan’ny 1917 sy 1918”, araka ny filazan’i María Luisa Montero (de Bordier), zanany vavy, “ny Rahalahy Rutherford [prezidà faharoan’ny Fikambanana Watch Tower] dia naniraka an-draiko ho any Los Angeles mba hikarakara antokon’olona iray niteny espaniola izay niforona teto, ary koa mba hiantsoroka ny famoahana ny La Torre del Vigía, izay ny La Atalaya [Ny Tilikambo Fiambenana] ankehitriny, tamin’ny teny espaniola.” Araka izany, i Roberto Montero dia nanorina birao iray tany Los Angeles, any Kalifornia, ary tany izy dia nanomboka nandika ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana tamin’ny teny espaniola sy nandefa azy ireo tany amin’ny olona niteny espaniola izay nangataka azy ireo.
Avy tany ny gazety La Torre del Vigía dia nahatratra an’i Meksika. Indraindray dia nalefa isam-bolana izy io; indraindray, dia isaky ny roa volana. Nizara ireo boky nosoratan’ny Pastora Russell koa io birao tany Los Angeles io. Ny Le divin plan des âges sy ny soratra tamin’ny Photo-Drame de la création dia nanjary nalaza aoka izany teto Meksika.
Biraon’ny sampana teto Meksika
Na dia teo aza ireo zava-nanahirana hitan’ilay antokon’olona niaraka tamin’i Abel Ortega tao Mexico taloha, dia nisy Meksikanina tso-po noana ny fahamarinana ary nanohy nianatra ny Baiboly
tamin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower. Avy tany amin’ny faritra samihafa teto amin’ny Repoblika, dia nisy taratasy nangatahana zavatra vita an-tsoratra. Ho vokany, tany amin’ny faramparan’ny 1920, i Roberto Montero dia nanao dia nanerana an’i Meksika ary nitsidika ny sasany tamin’ireo izay nampiseho fahalianana. Nifankahita tamin’ilay antokon’olona tao Mexico — nisy olona tokony ho 13 tamin’izay — izy, ary koa tamin’antokon’olona izay niforona tao Monterrey, Guadalajara, Puebla ary Veracruz.Tamin’ny 1925, dia efa nisy kilasy, na kongregasiona, maromaro niforona. Tao anatin’ireo taona vitsivitsy nanaraka, dia nahatratra sivy ny isan’ireny kilasy ireny. Kanefa, tamin’ny 1929, dia efatra monja no tavela.
Avy eo, tany amin’ny faramparan’ny 1929, dia naneho fiheverana manokana an’i Meksika ny Rahalahy Rutherford, tamin’ny fanorenana biraon’ny sampana iray tao Mexico. I David Osorio Morales, rahalahy tanora iray avy tany Etazonia, no nasaina niantsoroka ny asa. Noho ny fisian’ny fandaminan-javatra tsara kokoa teto an-toerana, dia nanao fandrosoana lehibe kokoa ny fitoriana ny vaovao tsara.
Tamin’izany andro izany, dia henjana ny fifandraisana teo amin’ny Eglizy Katolika sy ny fitondram-panjakana. Nohidiana ny
fiangonana katolika sasany. Rehefa nanakiana ireo zavatra nofaritana tao amin’ny Lalàm-panorenana tamin’ny 1926 ny arsevekan’i Meksika, i Don José Mora y del Río, dia natao an-tranomaizina. Izany rehetra izany dia nanetsika ny fiandohan’ny adin’ireo Cristeros. Niady teo amin’ny faritra afovoan’ny Repoblika indray koa ireo miaramila sy ireo mpanohitra nitam-piadiana. Rehefa afaka tokony ho efa-taona niadiana, dia nisy fanekena noraisina, ary naverina indray ny fanompoam-pivavahana tao amin’ireo fiangonana. Kanefa ny fifandraisana teo amin’ny Eglizy sy ny Fanjakana dia fifandraisan’ny fifampizakana fotsiny. Mbola nanan-kery ihany ny Lalàm-panorenana tamin’ny 1917, izay nametra ny fahefan’ny fivavahana. Teo amin’ny vahoaka meksikanina, dia nisy sasany izay noana sy nangetaheta ny rariny, nefa vitsy no nahafantatra hoe aiza no tokony hitodihana.Fanoratana ara-dalàna teo amin’ireo manam-pahefana tao amin’ny fitondram-panjakana
Tamin’ny 23 May 1930, ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana dia nanao fangatahana tany amin’ny Minisiteran’ny Atitanin’ny Fitondram-panjakana mba hanoratra ara-dalàna ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena. Izao manaraka izao no anisan’ireo zava-kendrena fototr’izy io:
“Ny zava-kendren’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena dia ny hampiely, amin’ny alalan’ny fomba rehetra azo ampiasaina, ireo fotopoto-pitsipika sy fahamarinana izay anisan’ny manatsara ireo saranga ara-tsosialy rehetra, indrindra indrindra fa ny an’ireo saranga ambany kokoa anefa, amin’ny fikatsahana ny fampisondrotana ny toerany ara-toe-karena, ary koa ara-pitondran-tena sy ara-tsaina ary ara-batana.”
Tao amin’ilay fangatahana dia nasiana fitenenana fa teo am-panatratrarana ireo tanjony, ilay Fikambanana dia nizara zavatra vita an-tsoratra, ankoatra ny fampiasany fomba fifandraisana hafa; fa nandamina lahateny ampahibemaso nandinihana foto-kevitra araka ny fahazavan’ny Baiboly, izy io; ary koa fa nandamina kilasy nanaovana fianarana izy io. Tamin’izany fotoana izany, ny fitondram-panjakana meksikanina dia niezaka hamarana ny firehetana ara-pivavahana fatratra ary koa ny tsy fahaizana na inona na inona, izay niteraka azy io. Noho izany antony izany, dia nanantitrantitra ireo
lafiny momba ny fampianarana amin’ny asantsika ilay fangatahana. Momba ny asa ara-pivavahan’ilay Fikambanana, dia nanambara ny Tapany “e” tamin’ilay Andininy Faharoa hoe:“Ireo mpikambana ao aminy dia manana fanajana ara-pivavahana lalina, ary amin’ny teny sy ny atao izy ireo dia manome dera ny Mpamorona ny lanitra sy ny tany, dia i Jehovah Andriamanitra, ary maneho ny fihetseham-pony, tsy amin’ny fampiasana fanaovan-javatra na fombafomba ara-pivavahana, sns. akory, fa amin’ny alalan’ny fandrosoana hevitra sy ny fanjohian-kevitra izay mampiaiky sy mahafa-po ny fo ihany kosa, satria izy io dia manohitra amin’ny fomba tsy azo ivalozana ny klerjy sy ny fifehezana ny feon’ny fieritreretana sy ny fanisiana lamboridy ny saina.” Nanaraka izany, dia nambara tamin’ny fomba mazava tsara fa isika dia “tsy mahaforona antokom-pivavahana”, ary nisy hevitra iraika ambin’ny folo notononina hanohanana izany.
Tamin’ny 2 Jona 1930 izahay dia naharay valin-teny avy tamin’ny Minisiteran’ny Atitanin’ny Fitondram-panjakana, izay nilaza hoe: “Itỳ Minisitera itỳ dia manome lalana ny fiasan’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, izay nanaovana fangatahana, raha mbola tsy mandika izay andidian’ireo lalàna voalaza momba ny fanompoam-pivavahana sy ny fitondran-tena eny ivelany, koa io fikambanana io (...) ”
Tatỳ aoriana, tamin’ny 14 Desambra 1932, dia nisy fangatahana vaovao iray nalefa mba hanovana ny anarana hoe Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena ho Sociedad de la Torre del Vigía (Fikambanana Watch Tower), tsy nisy fanovana ireo fitsipika efa nambara taloha. Kanefa, nampiana fehintsoratra fanazavana fanampiny ilay izy, ka anisan’izany izao manaraka izao:
“Tsy mandray anjara na inona na inona amin’ny politika izahay. Mino izahay fa i Jehovah [no] ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany, ary koa fa ny Baiboly dia ny Teniny izay mampiharihary ireo fikasany ho an’ny taranak’olombelona; fa nampanantena izy ny hanorina ny fitondram-panjakany sy ny fahefany eto amin’ny tany, eo ambanin’ny fanapahan’i Jesosy Kristy Tompo; ary koa fa isika izao dia efa eo amin’ny fotoana hanorenana io fitondram-panjakana io, izay hitondra fahasambarana ho an’ny firenena rehetra amin’ny tany.”
Ny fehintsoratra hafa iray dia nanambara fanampiny ny toeram-pialanalanana tanan’ilay Fikambanana. Nampahafantatra ny Minisiteran’ny Fitondram-panjakana fa voarainy ilay fangatahana tamin’ny 20 Desambra 1932. Noho izany, 60 taona mahery lasa izay, dia nosoratana ara-dalàna teo amin’ireo manam-pahefana meksikanina ilay fitaovana araka ny lalàna nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mifanaraka amin’ireo zava-kendrena nosoritana tany am-boalohany ireo, dia niely nanerana an’i Meksika ny fitoriana ny vaovao tsara.
Nahatratra ny Fanjakan’i Chiapas ny vaovao tsara
Na dia talohan’io fanoratana ara-dalàna io aza, dia efa tonga tany amin’ny Fanjakan’i Chiapas, any amin’ny tapany atsimon’i meksika, ny vaovao tsara. Nentin’ny olona iray izay tsy Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay, tany izy io. Avy teo amin’io faritra io, ny lehilahy
nanankarena iray nantsoina hoe Del Pino, dia nankany Eoropa mba hianatra ho dokotera. Fony izy tany, dia nianatra zavatra be dia be koa avy tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly izy. Rehefa tafaverina teto Meksika izy, dia nanomana efitrano iray izay nanasany an’ireo mpiasany teo amin’ny Hacienda (toeram-pambolena) Montserrat ary koa mpitondra fivavahana evanjelista teo an-toerana. Nahay nitady zavatra tao amin’ny Baiboly izy, ary nahita fifaliana tsy nisy ohatra izany nanazava ireo fahamarinana mahakasika foto-pampianarana tamin’ireo izay tafangona teo.Ny olona iray nihaino ireny fiaraha-midinika ireny tamin’ny saina sy ny fo nahay nandray, dia i José Maldonado, mbola tanora, izay niasa teo amin’ilay hacienda tamin’ny 1924. Tsy misy porofo ny amin’ny hoe nifandray tokoa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Dokotera Del Pino, mpampiasa azy, na dia naharay ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower aza izy io. Kanefa, ireo fahamarinana ara-baiboly ren’i José mbola tanora dia nanaitra tao aminy ny faniriana handray anjara tamin’ny fitoriana ny fahamarinana ara-baiboly. Tamin’ny 1927, dia nanjary nanorim-ponenana tao Tuxtla Gutiérrez i José, ary avy teo izy dia nampiely ny vaovao tsara sy nizara zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly nanerana ny Fanjakan’i Chiapas — ka izany dia nataony tsy nisy fampiofanana na inona na inona avy tamin’ny fandaminana. Tany Tapachula, tanàna hafa iray, teo akaikin’ny sisin-tanin’i Goatemalà, i Josefina Rodríguez dia nanomboka nitory ny hafatra ara-baiboly tamin’izany fotoana izany koa.
Rehefa afaka taona vitsivitsy, dia nitsidika an’i José Maldonado sy an’i Josefina Rodríguez ny rahalahy iray nantsoina hoe Carreón. Nampiasa ny tranon’ny Rahalahy Maldonado ho foibe niaingany nanaovany ny asany izy, ka niverina tao mba haka zavatra vita an-tsoratra isaky ny efatra na dimy andro, teo am-piasana ny faritra rehetra teny amin’ny moron-tsiraka nanamorona ny Oseana Pasifika, teo anelanelan’i Arriaga sy i Tapachula. Tsara tarehy ny manodidina, nefa ireo lalana an-tendrombohitra dia ratsy, hany ka natao an-tongotra ny ankamaroan’ny dia. Tamin’ny takariva, ny Rahalahy Carreón dia nanao lahateny ary avy eo dia nanolotra ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Zavatra vita an-tsoratra be dia be no voapetraka tamin’izany fomba izany. Kanefa nampiarahiny tamin’ny fivarotana entana hafa ny asa fitoriana nataony.
Tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray tao Mexico tamin’ny 1931, ireo colporteurs dia nomena toromarika mba hifantoka tamin’ny fizarana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly, fa tsy tamin’ny fivarotana entana hafa. Tafintohina noho izany ny Rahalahy Carreón ka nandao ny fandaminana. Avy eo izy dia niaraka tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Pérez, tany Veracruz. Tatỳ aoriana, dia nahaforona antokon’olona iray nantsoina hoe Estudiantes Nacionales de la Biblia (Mpianatra ny Baiboly eto Amin’ny Firenena) izy ireo.
Raha ny amin’i José Maldonado kosa, vao teo am-piandohana dia efa nanohina ny fony ny hoe iraisam-pirenena ny fandaminan’i Jehovah. Voatohina lalina ny fony noho izay reny tany amin’iny fivoriamben’ny distrika tany Mexico iny. Nanasongadina ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah sy ny andraikitra miaraka amin’ny fitondrana io anarana io, ilay fandaharana. Talohan’ny hifaranan’ilay fivoriambe, ny Rahalahy Maldonado dia efa nanapa-kevitra ny hanokana ny fotoanany feno hitoriana ny vaovao tsara tamin’ny fanaovana ny asan’ny colporteur. Tena marina fa mpitory ny vaovao tsara be dia be no nilaina. Tamin’izany fotoana izany, dia nisy Vavolombelona 82 nanerana an’i Meksika.
“Manana faritany midadasika isika eto Meksika”
Ny taona nanaraka, mba hanitarana ny fanompoany, ny Rahalahy Maldonado dia nilaza ny faniriany hitory tany Goatemalà, izay nifanila tamin’ny Fanjakan’i Chiapas. Namaly ny sampan’ny Fikambanana teto Meksika hoe: “Ry Rahalahy Maldonado malala: Manana faritany midadasika isika eto Meksika. Afaka milaza isika fa mbola tsy voakasika ny faritanintsika. Misy mponina eo amin’ny 15 000 000 eo ho eo eto Meksika. Fanaovana fanambarana 7 000 000 fara fahakeliny no tsy maintsy hatao ary tsy nanao afa-tsy 200 000 isika (...) Mbola ampy ny asa ho an’ny colporteurs 100 eo ho eo mandritra ireo dimy taona manaraka. Amin’izao fotoana izao, dia tsy manana afa-tsy 33 eny amin’ny saha isika. Koa afaka maka sary an-tsaina tsara ianao hoe asa manao ahoana no mbola tsy maintsy ataontsika eto amin’itỳ tanintsika itỳ.” (Ny hoe fanaovana fanambarana dia fanaovana teny fanamarinana momba an’i Jehovah sy ireo fikasany niaraka tamin’ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra, raha azo natao.)
Ny Rahalahy Maldonado sy ny vadiny dia nanaiky fanendrena hitory tao amin’ny Fanjakan’i Morelos, any atsimon’i Mexico; taorian’izay dia tao amin’ny Fanjakan’i Chiapas indray, ary tatỳ aoriana kokoa, dia tany Guerrero, any andrefan’i Chiapas. ‘Rehefa tonga tao amin’ny Fanjakan’i Guerrero izahay, dia nividy ampondra iray nantsoina hoe Volcán, izay nanjary tian’ny vadiko aoka izany’, hoy ny Rahalahy Maldonado amintsika, ‘satria nanodidina an’i Arcelia, dia tsy nisy fitateram-bahoaka. Tamin’ny ilan’ilay ampondra dia nasianay zavatra vita an-tsoratra, ary teo amin’ny ilany hafa, valizy iray nisy ny fitafianay.’
Tamin’ny faran’ny 1933, dia tao amin’ny Fanjakan’i Veracruz, teo amin’ny moron-tsiraka atsinanana, ny Rahalahy Maldonado. Fony izy tany, dia nisy fitaovana vaovao natao hampiasaina teo amin’ny asa fitoriana, nalefa avy tany Mexico: grafofaonina elektrika iray. Rehefa nampiasaina niaraka tamin’ny haut-parleur izy io, dia nisy lahateny ara-baiboly nalaina feo, ren’ny mpihaino maro be. Ny Rahalahy Maldonado dia nampiasa io fitaovana io tany amin’ireo fivorian’ny kongregasiona sy tany amin’ny toerana hafa, mba hanaovana fanambarana ampahibemaso. Rehefa nandeha tany amin’ny toerana nitokana mba hitory izy sy ny vadiny, dia natainginy teo ambony lamosin’ny ampondra iray (tsy i Volcán, satria efa namidy izy io tamin’ny fotoan’ny tsy fisiana) ilay milina.
Mamintina ny asany amin’izao fomba izao ny Rahalahy Maldonado: “Teo anelanelan’ny 1931 sy 1941, dia mpisava lalana aho. Nanao dia be dia be aho, satria tamin’izay ny mpisava lalana dia nitory tao amin’ny fanjakana manontolo fa tsy tao amin’ny tanàna iray monja.”
Nandritra ny taona sasantsasany, dia nitondra ny zanany kely izy ireo. Indraindray, dia norahonan’olona izy ireo, na tamin’ny poleta na tamin’ny basy. Natao an-tranomaizina ny Rahalahy Maldonado, ary indray mandeha izy dia nokapohina. Rehefa fito taona ny zanakavavin’izy ireo, dia nihevitra izy ireo fa ho fahendrena kokoa ny hanorenam-ponenana tao Mexico. Tao izy ireo dia nanohy nandray anjara tamin’ny fanompoana. Tatỳ aoriana, dia nisy fotoana nialany tamin’ny fandaminana, nefa tamin’ny farany, dia niverina izy, ary nanohy nanompo an’i Jehovah hatramin’ny fahafatesany.
Nahazo teny fanambarana ireo fanjakana tany avaratra
Nandritra izany fotoana izany, tao amin’ny tapany avaratr’i Meksika, dia nisy olona sasantsasany, tsy nifankahalala akory, niampita ny sisin-tany avy tany Etazonia mba hizara ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny vahoaka meksikanina.
Anisan’izy ireny i Manuel Amaya Veliz, lehilahy tanora ranjanana sy mahia, izay nahare ny fahamarinana tamin’ny mpiara-miasa iray tany El Paso, any Texas, tamin’ny 1922. Tamin’izany fotoana izany izy dia niasa teo anivon’ny antokon’olona iray izay nanao tabataba mba hisian’ny fanavaozana. Nanazava ny tarehin-javatra nisy azy toy izao izy: “Nanana hevitra adaladala aho tamin’izay. Tiako be izay zavatra rehetra namely ny klerjy sy ny kapitalisma ary ny politika.” Rehefa nasain’ilay mpiara-miasa taminy izy, dia nandeha nihaino lahateny iray nataon’i Roberto Montero. Na dia nisalasala aza i Manuel tamin’ny voalohany, dia nanomboka nanompo tamin’ny naha-mpitory ilay Fanjakana tamin’ny 1928. Nanamarika ny fanoloran-tenany tamin’ny alalan’ny batisa izy tamin’ny 1931 ary voatendry ho “tale niandraikitra ny asan’ny kilasy” tao El Paso. Kanefa, naniry hanao bebe kokoa mba hampielezana ny fahamarinana izy.
“Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hamelany ahy hankatỳ Meksika mba hanao ny asa mifandray amin’ilay Fanjakana”, hoy ny teniny tatỳ aoriana. Rehefa nisy fandaminan-javatra lehibe tany amin’ny toerana niasany, ny karama fialana azony dia nanome ny vola nilainy mba hifindra-monina. Araka izany, tamin’ny taona nanaovana batisa azy, dia nameno ny fiara marika Ford T 1926 sy ny fitaterana entana kely iray, tamin’ireo fananana tsy voavarotr’izy ireo izy sy ny vadiny, ka nankany atsimo tany Ciudad Camargo, any amin’ny faritra afovoan’ny Fanjakan’i Chihuahua.
Mba hahazoana vola, i Manuel dia namelatra teo amin’ny tany, tany an-tsena, entana sasany izay nentiny niaraka taminy. “Raha vantany vao nahangona centavos vitsivitsy aho, dia nankany Mexico ary niseho tany amin’ny biraon’ny sampana”, hoy izy nahatsiaro. Natao ny fandaharana mba hanombohany hanao ezaka fitoriana, niantomboka tao Ciudad Camargo.
Ireo ezaka fitoriana nataon’ny Rahalahy Amaya
“Nanomboka niasa araka ny fombako aho, nefa nifanaraka tamin’ny fandaminana foana”, hoy ny Rahalahy Amaya. Nanana
bokin’ny Fikambanana maro samihafa tamin’ny teny espaniola izy — Délivrance, Réconciliation, Création, Gouvernement, Prophétie, Vie, ary Lumière. Nanao fanambarana izy ary nametraka zavatra vita an-tsoratra betsaka araka izay azony natao. Nisy olona nanomboka nampiseho fahalianana.Nanao dia fitoriana imbetsaka nanerana ny Fanjakan’i Chihuahua sy ny Fanjakan’i Durango ny Rahalahy Amaya mandra-pamitany ny fiasana azy ireo — tapany midadasika iray any amin’ny faritra avaratra-afovoan’i Meksika. Mba hahazoana antoka fa hanana zavatra vita an-tsoratra ampy tsara mba hampiasainy izy, dia nangataka ny handefasan’ny Fikambanana sasany tamin’izany tany amin’ny tanàna samihafa teny amin’ny lalana halehany, mba horaisiny rehefa ho tonga tany izy. Rehefa nametraka zavatra vita an-tsoratra izy, dia nanakalo izany matetika tamin’ny zavatra azo nohanina, satria maro tamin’ny olona no nahantra loatra ka tsy afaka nanome ny sarany.
Tao amin’ny Fanjakan’i Coahuila, any amin’ny faritra antsoina hoe La Laguna, izy dia nahita lehilahy iray izay nilaza taminy hoe: ‘Izaho koa ange Vavolombelona.’ I Florentino Banda ilay izy, izay nifindra nankatỳ atsimo avy tany Texas tamin’ny 1933. Niaraka izy ireo mba hiasa ilay faritra, ary avy eo ny Rahalahy Banda dia nanolokolo ny fahalianana hita, rehefa nody tany aminy tany Ciudad Camargo ny Rahalahy Amaya. Tatỳ aoriana, ny Rahalahy Banda dia nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra mpitety faritany.
Tena nahomby ny Rahalahy Amaya tamin’ny fanampiana olona hianatra ny fahamarinana sy ho tonga mpanompon’i Jehovah be zotom-po. Tany Valle de Allende, i Rodolfo Maynez dia nianatra ny fahamarinana noho ny fanampian’ny Rahalahy Amaya. Tamin’ny toe-javatra maromaro ny Rahalahy Maynez dia niaro ny fahamarinana teo anoloan’ireo manam-pahefana, ary indray mandeha izy dia nihaika ny pretra iray teo an-toerana mba hanao ady hevitra. Tany, tao Valle de Allende ihany, ny Rahalahy Amaya dia nanampy koa ny fianakaviana Bordier. I Gildardo Bordier tatỳ aoriana dia nanompo tao amin’ny biraon’ny Fikambanana teto Meksika; avy eo izy dia nanambady an’i María Luisa, zanakavavin’i Roberto Montero. Mbola mahatoky hatramin’izao izy roa ireo.
Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana hatramin’ny fahafatesana tamin’ny 1974 i Manuel Amaya. Tatỳ aoriana, dia niaraka
taminy koa teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah i Angelita, vadiny. Nanompo tamim-pahatokiana nandritra ny 50 taona mahery izy io talohan’ny nahafatesany tamin’ny 1990.Nanao ahoana ny asa tao Mexico?
Nanaraka ny fanorenana ny biraon’ny sampana tao Mexico tamin’ny 1929, dia nanao fandrosoana lehibe kokoa ny fitoriana ny vaovao tsara. Tamin’ny taona nanaraka, dia efa nisy kilasy 3 niasa tao an-drenivohitra ary 19 tany amin’ny tapany sisa tamin’i Meksika.
Ny anisan’ireo izay nampiseho hanoanana ara-panahy dia ny lehilahy tanora iray tao Mexico, izay mpikambana tao amin’ny Eglizy Ortodoksa Grika. Niaraka tamin’ny Grika iray hafa, izy dia nandinika matetika ny Soratra Masina tany amin’ny toeram-pivarotany. Indray andro tamin’ny 1929, dia tonga tao amin’ny fivarotana ilay namany nitondra ny boky Le divin plan des âges. Naharavoravo azy ireo izay novakiny. Nahazo zavatra vita an-tsoratra hafa koa izy ireo — boky sy bokikely. “Tena nanohina ny foko ireny
bokikely ireny sy ny boky Délivrance”, hoy i Hércules Dakos nitantara izay tsapany voalohany.Tamin’ilay herinandro nanasana azy voalohany, dia nanatrika fivoriana iray mba hianarana ny La Torre del Vigía i Hércules. Tamin’io andro io izy dia nody nitondra baoritra iray feno boky sy bokikely — ho an’ny tenany sy hozaraina tamin’ny hafa. Tsy ela izy dia nanomboka niresaka tamin’ny namana sy tamin’ny mpividy, momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tamin’io taona io ihany, izany hoe tamin’ny 1929, dia natao batisa izy. Ny taona nanaraka, dia dodona hizara ny fahamarinana tamin’ny havany izy, ka nampirina entana mba handeha hitsidika an’i Gresy.
Rehefa afaka herintaona sy tapany, i Hércules dia niverina teto Meksika, feno hafanam-po kokoa noho ny hatramin’izay. Hitany fa nitombo avo roa heny ny haben’ilay kongregasiona nisy azy.
Nanehoany fiheverana manokana ny Faritra Afovoan-tanànan’i Mexico. Tao amin’ireo tranom-panjakana izy dia nahita olona vonona ny hihaino. Mba hahatratrarana ny prezidà, dia nanoratra taratasy iray i Hércules; ary ny valin-teny nalefan’ny sekreteran’ilay prezidà dia nangataka ny mba handefasany zavatra vita an-tsoratra sasany tany aminy.
Volana vitsivitsy taorian’ny niverenan’ny Rahalahy Dakos avy tany Gresy, dia nisy tosika fanampiny nomena ny asa teto Meksika.
Nitsidika an’i Meksika ny Rahalahy Rutherford
Nanomboka tamin’ny 26 ka hatramin’ny 28 Novambra 1932, dia nisy fivoriambem-pirenena natao tao Mexico. Ny Rahalahy Rutherford sy i Eduardo (Edwin) Keller no tao, avy tany amin’ny foiben’ny Fikambanana tany Brooklyn, any New York. Nandritra io fitsidihana io ny Rahalahy Rutherford dia nanao lahateny tamin’ny radio dimy samy hafa. Re nanerana an’i Meksika ireo fandaharana ireo ary noraisin’ny olona tsara.
Fony izy teto Meksika, dia nandamina ny hanovana ny mpiandraikitra ny sampana ny Rahalahy Rutherford, satria hita fa nanaraka fitondran-tena izay tsy mety ho an’ny Kristiana izy. Nasaina mba hifindra honina teto Meksika i Roberto Montero mba hiandraikitra ny sampana. Kanefa, satria tsy afaka ny ho tonga teo
no ho eo izy, dia ny Rahalahy Keller no navela mba hanara-maso vonjimaika ireo raharaha.Tonga tamin’ny Aprily 1933 ny Rahalahy Montero. Nisy fiantraikany ratsy teo amin’ny asa fitoriana ireo zava-nanahirana vao haingana teo amin’ny asa fiandraiketana; fampaherezana ara-panahy be dia be no nilaina. Ny tatitra iray tao amin’ny Boletín (Le Bulletin, izay Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny) tamin’ny Novambra 1933 dia nampahafantatra hoe: “Nihena ho 105 tamin’ny 1933 ny tampon’isan’ny mpiasa izay 253 tamin’ny 1932 (...) Nidina hatramin’ny 48 io isa io tamin’ny Febroary.”
Tonga ny fianakavian’ny Betela ny fianakaviana Montero
Tamin’ny fomba ahoana no nandaminana ny biraon’ny sampana rehefa tonga teto Meksika ny fianakaviana Montero? Milaza izany amintsika i Roberto, Jr., ny zanakalahin’izy ireo, izay monina any Los Angeles, any Kalifornia (Etazonia) ankehitriny:
“Tonga tao Mexico aho niaraka tamin’ny fianakaviako, fony aho dimy taona. Nipetraka tao amin’ny trano iray nisy rihana roa (anisan’izany ny efitra tao ambanin’ilay trano) izahay. Novidin’ny Fikambanana izy io tatỳ aoriana mba ho ny biraon’ny sampan’ny La Torre del Vigía voalohany. (...)
“Fotoana fohy tatỳ aoriana, ny raiko dia nanasa ny Rahalahy Samuel Campos mba hiasa tao amin’ny biraon’ny sampana mba hikarakara ny toe-bola. Koa satria koa izy nahay fiteny roa, dia nanampy ny raiko izy handika ireo zavatra vita an-tsoratra tamin’ny teny espaniola. Ny reniko no nikarakara ireo filazana asa sy ireo antontan-taratasy. Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nampianatra anay sy ny zokiko vavy hitendry milina fanoratana sy hanoratra tamin’ny sorapohy [sténographie] ny raiko, mba hahafahanay hanampy tao amin’ny birao.
“Tonga kinga tamin’io izahay, koa rehefa nody avy nianatra izahay, ankoatra ny zavatra hafa, dia nitendry tamin’ny milina fanoratana ny soratanana tamin’ireo zavatra voadika sy voahitsy, ary nanampy tamin’ny fikarakarana ireo taratasy voaray sy nalefa. Nihevitra izany ho tombontsoa lehibe izahay. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nisy rahalahy hafa tonga niasa tao amin’ny biraon’ny sampana, i [Mario] Mar sy i Conchita vadiny; i José Quintanilla
sy i Severa vadiny; i Carlos Villegas ary nandritra ny fotoana fohy, i Daniel Mendoza. (...)“Anisan’ireo andraikitra maron’ny Rahalahy Mar ny nanara-maso ilay milina fanontam-pirinty izay novidina mba hanaovana pirinty ny El Informador, dia Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny, ary koa karazana taratasy kely samy hafa sy taratasy fanasana ary taratasy hofenoina hafa izay nampiasaina tao amin’ny birao. Izaho sy ny Rahalahy Alfonso García, rahalahy hafa iray nanompo tao amin’ny Betela, dia niasa teo ambanin’ny fanaraha-masony, tamin’ny fanomanana ireo litera hatao pirinty sy tamin’ny fampandehanana ilay milina ary tamin’ny fampiasana ilay milina fanapahana taratasy izay nampiasaina mba hanapahana ireo taratasy hofenoina, mba hananan’izy ireo ny habeny nilaina. Tokony ho 13 na 14 taona izahay fony nanomboka nanao io asa io. Nianatra zavatra betsaka aoka izany, izay nanampy anay tamin’ny fahatongavana ho olon-dehibe, izahay, tsy misy hafa amin’ny ataon’ireo rahalahy tanora ankehitriny, rehefa manompo any amin’ireo trano Betela samy hafa izy ireo.”
Ny Repoblika manontolo no faritaniny
Nisy hafa koa tonga avy tany Etazonia, satria ren’izy ireo fa nila fanampiana lehibe ny tatỳ atsimon’ny sisin-tany. I Pedro De Anda, vita batisa tamin’ny 1925, no iray tamin’izy ireny. Niresaka taminy momba ny saha lonaka ho an’ny fahamarinana ara-baiboly teto Meksika ny rahalahy amerikana iray izay efa nipetraka kelikely teto. Tsy niahotra akory ny Rahalahy De Anda, ka nifindra honina teto Meksika. “Tonga tao amin’ny tanànan’i [Nuevo] Laredo aho, feno fahadodonana lehibe ny hanompo”, hoy ny lazainy amintsika. Nanomboka teo amin’io tanàna teny amin’ny sisin-tany io izy, ka nianatsimo nankany Monterrey, avy eo dia nanohy nankany amin’ny Fanjakan’i Zacatecas.
Nitondra grafofaonina iray izy, ary tonga tao amin’ny tanànan’i Concepción del Oro, any Zacatecas, ary nankeo amin’ny kianjan’ny tanàna, ka nandefa kapila iray teo. Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona? Milaza izany amintsika izy:
“Nisy rangahy nanankarena be sady feno firehetana fatratra tonga nandritra ilay lahateny ary nanomboka niteny tamin’ireo olona tafangona teo, ka nilaza tamin’izy ireo fa fahavalon’i Maria
Virjiny sy ny Eglizy Katolika izahay (...) Nanomboka naka hazo sy vato mba hamonoana anay ho faty izy ireo; koa hoy aho hoe: ‘Ry mponin’ny tanàna, andraso kely ange! Tsy biby akory izahay ka hoentinareo toy ny biby. Olombelona izahay, ary ny ataonay dia ny miezaka ny hitondra hafatra mitondra fiainana ho anareo!’ Nanontany azy ireo aho raha nisy nanereko na iza na iza hino ilay hafatro. Taorian’izay aho dia nisaotra azy ireo noho ny fihainoan’izy ireo ahy. Avy eo izahay dia nanangona ny zavatra vita an-tsoratray sy ilay grafofaonina ka lasa nandeha.”Tatỳ aoriana, tao amin’ilay tokantrano nipetrahan’ny Rahalahy De Anda, dia nisy antokon’olona nirongo fiadiana be dia be niangona. Inona indray àry izao? Batista tao an-tanàna izy ireo. Nihevitra ny tenany ho ‘rahalahin’i’ Pedro De Anda izy ireo ka tonga mba hiaro azy! Naneho fankasitrahana noho ny fihetsik’izy ireo izy, nefa nanazava fa tsy nilaina izany, satria efa nanana an’i Jehovah ho mpiaro azy izy.
Nanitatra tsikelikely ny faritaniny ny Rahalahy De Anda, hany ka nahafaoka ilay Repoblika manontolo ilay izy. Tsy niasa tany avaratra ihany àry izy, fa tany amin’ireo fanjakan’i Durango, i Puebla, i Veracruz ary i Chiapas koa.
‘Mandefasa mpitory iray’
Rehefa nianatra ny fahamarinana tamin’ny 1934 i Mario Mar, dia mbola tsy nahita Vavolombelon’i Jehovah mihitsy izy. Tamin’ny fomba ahoana àry no nahatongavan’ny tenany ho mpitory? Hoy izy: ‘Indray mandeha, rehefa nisy narary tao amin’ny fianakaviako, dia nankany amin’ny mpifanila trano iray aho. Nahita ireo boky hoe Création sy Réconciliation aho, ary noho ilay tarehin-javatra nampahory nisy ahy tamin’izay, dia nanomboka namaky azy ireo aho.’ Tatỳ aoriana, rehefa avy nifindra honina avy tany Etazonia, ho ao San Miguel de Camargo, any
amin’ny Fanjakan’i Tamaulipas, izy, dia nanoratra tany amin’ny Fikambanana. “Tamin’izay fotoana izay, dia feno filaharana ara-pivavahana natao tao an-tanàna noho ny hain-tany”, hoy izy mahatsiaro. “Koa nilaza tamin’izy ireo aho mba handefa mpitory iray hiresaka tamin’ny olona satria tena feno firehetana fatratra izy ireo. Namaly ny La Torre del Vigía hoe tena tsara ny fangatahako, ary koa fa noho izany dia nanendry ahy izy ireo mba hanomboka ny asa fitoriana tao. Nandefa bokikely 75 tamin’ny teny espaniola ho ahy izy ireo, dia bokikely nitondra ny lohateny toy ny hoe Détresse du monde — Le pourquoi, le remède, sy Le juste Souverain, ary Le classement des humains.”Tamin’ny fampiasana ireo bokikely ireo i Mario dia nanomboka nitory ny vaovao tsara tao San Miguel de Camargo aloha, avy eo dia tao amin’ireo tanàna nanodidina. Tiany ny asany, hany ka nanoratra tamin’ny Fikambanana izy, nanontany ny amin’ny hanompoana tany amin’ny toerana hafa koa. Namaly avy hatrany ny Fikambanana fa ny faritaniny dia ho ny tapany avaratry ny Fanjakan’i Nuevo León. Tsy niahotra i Mario fa nanomboka ny asa. “Nanao ny asan’ny mpisava lalana aho, nefa tsy vita batisa akory”, hoy izy. Ankoatra izany, dia tsy nanana fampiofanana izy, nefa nanampy i Jehovah. Nanomboka niaraka tamin’i Mario koa ny vadiny.
Tatỳ aoriana, rehefa narary izy io, dia nanoratra tany amin’ny Fikambanana indray i Mario, nangataka fitarihana, nanontany hoe aiza no ho tsara indrindra mba hanorenan’izy ireo fonenana mandritra ny fotoana kelikely. Nandefa ho azy ireo ny adiresin’i Román Moreno tao amin’ny tanànan’i Monterrey, ny Fikambanana. Rehefa ela ny ela dia nahita Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Izao i Mario sy ny vadiny dia afaka nanatrika fivoriana, ary tsy ela dia natao batisa.
Tany amin’ny fivoriamben’ny distrika iray natao tao Monterrey tamin’ny 1935, dia nasaina mba ho mpiandraikitra ny biraon’ny sampana ny Rahalahy Mar. Tatỳ aoriana izy dia nirahina matetika hanao ny asan’ny mpiandraikitra ny zone, na ny asan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany.
Rahalahy maro manerana an’i Meksika no mahatadidy ny Rahalahy Mar ho toy ilay olona voalohany nampahafantatra azy ireo ny fahamarinana. Nanompo tamim-pahatokiana izy hatramin’ny
fahafatesany tamin’ny 1988. Ny vadiny dia mbola mpanompon’i Jehovah tsy mivadika ihany.Niely tany avaratra-andrefana ny fahamarinana ara-baiboly
Toy ny tany amin’ny toerana hafa rehetra, tany avaratra sy tany andrefana — tany amin’ireo fanjakan’i Baja California sy i Sonora ary i Sinaloa — dia groupes-na Vavolombelon’i Jehovah maro no niforona haingana nandritra ireo taona 1930.
Tany am-panombohan’ireo taona ireo, i Luciano Chaidez, izay nipetraka tao Culiacán, any amin’ny Fanjakan’i Sinaloa, dia nahita ramatoa iray izay nanohitra foana ny fivavahana, ary nilaza fa voaheloka ho amin’ny fandringanana avokoa izy rehetra. Nisy nihevitra azy ho adala, nefa ilay ramatoa dia namerina fotsiny izay nianarany tao amin’ireo boky izay nalefan’ny zandriny vavy tany Etazonia ho azy. Nahazo iray tamin’izany boky izany — ny fanontana tamin’ny teny espaniola tamin’ny La harpe de Dieu — taminy i Luciano ary namaky azy io intelo. Nanjary niaiky ny amin’ny maha-marina azy io izy, ka nanoratra tany amin’ny Fikambanana. Ho valiny, dia nandefa ho azy zavatra vita an-tsoratra hanombohana ny asan’ny colporteur tao amin’io faritra io, izy ireo. Tatỳ aoriana, rehefa nanatrika fivoriamben’ny distrika iray tamin’ny 1934 izy, dia natao batisa.
Rehefa nankany amin’ny seranan’i Mazatlán tamin’ny naha-colporteur (mpisava lalana) azy ny Rahalahy Chaidez, dia nahita an’i Gilberto Covarrubias niaraka tamin’ilay antokona Vavolombelona vitsy niara-nivory tao. Nahazo fampaherezana i Gilberto ka nanao fandrosoana tsara. Tadidiny tsara ny batisany. Nentin’ireo rahalahy tany amin’ny ranomasina izy ary nasain’izy ireo nisitrika tao anaty rano ka tsy hiaina mandritra ny fotoana ela be araka izay azony natao. Rehefa nivoaka avy tao izy, dia nambaran’izy ireo hoe vita batisa. Mazava ho azy fa tsy toy izany no anaovantsika batisa amin’izao andro izao. Hita ho be zotom-po teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah anefa i Gilberto, ary nandray anjara tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara tamin’ny fitarihana ireo Vavolombelona teo an-toerana teo amin’ny asa fitoriana, rehefa nitory tany amin’ireo tanàna rehetra nanodidina an’i Mazatlán izy ireo.
Tao amin’io faritra io ihany, i Pedro Saldívar dia natao an-tranomaizina, satria nampangaina ho nanao heloka iray izay tsy
nataony akory. Mba hanampiana azy handany ny androny nandritra ireo telo volana nahery naha-tany an-tranomaizina azy, dia nitondra boky sy gazety ho azy, mba hovakiny, ny zanany vavy. Indray andro, anisan’ireo zavatra nentiny, dia nisy bokikely iray nataon’i J. F. Rutherford. Ilay hafatra noraketin’izy io momba ny fikasan’Andriamanitra hanorina tontolo vaovao marina dia nampionona be dia be an’i Pedro. Tsy ela taorian’izay, dia hita ilay tena nanao ilay heloka, ary dia nafahana i Pedro. Avy hatrany izy dia nanomboka nitady zavatra vita an-tsoratra hafa koa, toy ilay bokikely efa novakiny. Nahazo sasantsasany izy. Tsy ela, ny mpifanila trano taminy, izay Vavolombelona, dia nitondra azy tany amin’ireo fivoriana. I Gilberto Covarrubias no nitarika tao. Toy ny nataon’i Gilberto, dia nanao ezaka fitoriana koa i Pedro. Nankany avaratra izy tamin’ny famakivakiana an’i Sinaloa ary hatrany amin’ny tapany avaratry ny Fanjakan’i Sonora. Mbola tadidy ho iray tamin’ireo colporteurs voalohany nampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana tao amin’io faritra io izy.Marina fa nitondra azy ireo lavitra be ny sasany tamin’ireo ezaka fitoriana nataony, nefa vitsy ny isan’ireo Vavolombelona ary nidadasika ny faritany. Rehefa niforona tamin’ny fomba ofisialy ny kongregasionan’i Mazatlán, any Sinaloa, tamin’ny 1938, dia ny Fanjakan’i Sinaloa iray manontolo no voatondro ho faritanin’izy ireo.
Harena sarobidy iray sy ampondra maty iray
Any andrefan’ny Fanjakan’i Sonora no misy an’i Baja California, saikinosy iray mirazotra amin’ny moron-tsiraka
avaratra-andrefan’ny tanin’i Meksika eo amin’ny kontinenta. Tamin’ny 1934, teo amin’ny tokony ho androatokon’ny lalana nankany atsimon’ilay saikinosy, dia nisy Vavolombelona tanora iray niresaka tamin’ny olona momba ny Baiboly. Nisy vokatra tsara azo avy tamin’ny asany, nefa inona no nanjo azy?Milaza izany amintsika i Esther Pérez: “Tamin’ny 1934 no nahatongavan’ny tanora iray tao La Purísima, ao amin’ny Fanjakan’i Baja California, mba hiresaka momba ny Baiboly. (...) Niasa (...) ho an’ny fanjakana ny raiko ary nilaza taminay fa naharay taratasy avy tamin’ny Fikambanana nanontany momba io tanora io izy, satria tsy nahalala na inona na inona momba azy io izy ireo.” Nanjavona ilay tovolahy. “Nanao famotopotorana ireo manam-pahefana mba hahitana raha ho hita ny fatiny, nefa tsy nisy na inona na inona hita afa-tsy ny taolan’ny ampondra nifatotra iray (...) Ireo olona nahita izany dia nahita koa valizy iray feno boky nisy fonony niloko. (...) Nitondra ilay valizy tao an-tanàna izy ireo ary nanomboka namaky ireo boky. Na dia tsy azony aza ny hevitr’izy ireo, dia takany fa naka teny avy tamin’ny boky hafa iray — ny Baiboly — izy ireo.”
Tsy fantatra marina mihitsy izay nanjo an’ilay Vavolombelona tanora. Namaky ireo zavatra vita an-tsoratra nentiny anefa ny olona, ary ny sasany tamin’izy ireo dia liana aoka izany ny hahazo ny hevitry ny Baiboly.
Nifanohitra tamin’izany, ny Protestanta iray tao an-tanàna dia nanararaotra ilay tarehin-javatra mba hahazoana olona hanaraka azy. Nandamina ireo olona nampiseho fahalianana hamaky ireo boky mba hahaforona antokon’olona iray, izy. Tatỳ aoriana, dia nanao famandrihana tamin’ny La Atalaya izy ireo ary nanomboka namaky azy io. Milaza amintsika ny amin’izay nitranga ny Anabavy Pérez:
“Koa satria nanao ny tenany ho lohan’ilay antokon’olona io rangahy protestanta io, dia tsy tiany hisy hifandray tamin’ny Fikambanana na iza na iza. Tamin’izay anefa dia nisy taratasy iray avy tany amin’ny Fikambanana nanontany raha nisy fomba fitaterana azo nampiasaina mba hahafahan’izy ireo handefa solontena iray hitsidika azy ireo. Nilaza tamin’ny raiko Ramose Juan Arce (ilay rangahy protestanta) mba tsy hamaly ny Fikambanana (...) Na dia izany aza, dia nanoratra mangingina taratasy iray ho an’ny Fikambanana ny raiko sy ny lehilahy hafa iray nantsoina hoe Francisco, tamin’ny filazana fa nisy fomba fitaterana ary koa fa afaka ny ho tonga ilay solontenan’ny Fikambanana. (...) Sendra tao an-tanàna aho rehefa tonga ilay anadahy, dia lehilahy tanora iray nantsoina hoe Terán Pardo. (...)
“Na dia talohan’ny nifohazan’ilay anadahy ny ampitson’iny aza, dia efa teo, niandry mba hiarahaba azy sy hanontany azy, ilay antokon’olona iray manontolo. Nandamina fivoriana ho an’ny tolakandro ilay anadahy ary nanatrika teo daholo izahay rehetra, tokony ho 25 tamin’ny fitambarany. Taorian’ny lahateniny, dia nanontany ilay anadahy hoe: ‘Iza no maniry hivoaka sy hanompo an’i Jehovah?’ Nanangan-tanana ny rehetra, ary avy eo dia hoy izy: ‘Tongava rahampitso maraina amin’ny sivy, dia homeko toromarika momba ny fomba tokony hanaovanareo ny asa ianareo.’ Vao maraina koa ny ampitson’iny, dia teo daholo izahay rehetra. Nomen’ilay anadahy karatra [fanaovana fanambarana] iray avy izahay ary nilazany fa tokony hampiseho azy io tamin’ny olona ary avy eo dia hanolotra ireo bokikely. Tadidiko fa notendrena hiaraka tamin’ny
reniko aho. Rehefa niverina izahay, dia faly aoka izany satria afaka nametraka bokikely tamin’ny olona.” Mazava ho azy fa niala ilay rangahy protestanta, ary tsy hitan’izy ireo tany amin’ny fivoriana intsony mihitsy izy.Fandresena vato misakana tany atsimo-atsinanana
Nandritra izany fotoana izany, tany atsimo-atsinanana, dia natao tamim-pahasahiranana be ny asa fitoriana. Tao amin’ireo fanjakan’i Chiapas sy i Tabasco, dia nisy fahantrana lehibe, indrindra fa tany amin’ireo toerana lavitra kokoa tany amin’ireo havoana. Amin’ny fomba ahoana no hahatratraran’ny hafatra momba ilay Fanjakana an’ireny olona ireny?
I Daniel Ortiz dia nonina tany Tuxtla Gutiérrez, any amin’ny Fanjakan’i Chiapas, tamin’ny 1932, fony izy nianatra ny fahamarinana. Nanaiky avy hatrany ilay hafatra izy sy ny fianakaviany. Na dia tsy nanana toromarika momba ny fomba tokony hitarihana ireo fivoriana aza izy ireo, dia niara-nianatra ny fianakaviany sy olon-kafa koa — olona 12 tamin’ny fitambarany — tamin’ny fampiasana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Tatỳ aoriana, rehefa nanao dia nankany amin’ny biraon’ny sampana tany Mexico ny Rahalahy Ortiz, dia nahazo zavatra vita an-tsoratra hozaraina tamin’ny hafa. Nody izy (tany Cintalapa indray izao), niboiboika hafanam-po. Rehefa nandray anjara tamin’ny asa fitoriana ilay antokon’olona, dia nitondra ireo zavatra vita an-tsorany tao anaty kitapo fibaby ny sasany, ny hafa namono ny azy tao anaty taratasy, fa izy kosa dia nanana baoritra feno iray nihantona tamin’ny tady tamin’ny hazo iray nolanjain’ny mpitory roa. Nanantena ny hametraka zavatra vita an-tsoratra be dia be izy, ary dia nahapetraka be dia be tokoa.
Fony nanatrika ny fivoriamben’ny distrika iray tamin’ny 1934 ny fianakaviana Ortiz, dia nasaina mba hiditra tao amin’ny laharan’ny mpisava lalana. Ny faritaniny dia ho ny Fanjakan’i Tabasco. Mitantara toy izao ny Rahalahy Ortiz: “Nividy soavaly roa aho, iray ho an’ny entana ary ilay faharoa ho an’i Estela, zanako vavy 12 taona. Dimy izahay tamin’ny fitambarany. Ny zanako vavy 15 taona sy ny zanako vavy efa nanambady ary ny rahalahy hafa iray 15 taona no niaraka taminay.”
Nitory tao amin’ny tanàna maro tao Tabasco izy ireo ary nahapetraka zavatra vita an-tsoratra be dia be. Tao Tapijalapa anefa dia
voasambotra izy ireo ary nentina tany amin’ny tobin’ny miaramila. “Kolonely ilay ben’ny tanàna”, hoy ny notantarain’ny Rahalahy Ortiz tatỳ aoriana. “Nanontany ahy tamim-pahasiahana izy raha tsy fantatro fa voarara io karazana zavatra vita an-tsoratra io tao amin’ilay fanjakana. Namaly aho tamin’ny filazana fa noheveriko fa tao amin’ny Repoblikan’i Meksika izahay ary koa fa nanana taratasy fanamarinana nomen’ny Minisiteran’ny Atitanin’ny Fitondram-panjakana aho. Namaly izy fa tsy nisy vidiny toy ilay taratasy nanoratana azy ihany ilay izy. Nalain’izy ireo taminay ireo zava-tsarobidinay rehetra ary koa ireo zavatra vita an-tsoratra tao anaty kitaponay.”Ny zavatra nampanahy kokoa ny Rahalahy Ortiz anefa dia izay nanjo ny roa tamin’ilay antokon’olona, izay tany amin’ny tanàna hafa iray. Niara-nitory tany ny zanakavavin’ny Rahalahy Ortiz sy ny anabavy hafa iray. Fantatr’ireo polisy fa nisy roa tamin’ilay antokon’olona tsy teo, ka naniraka olona hitady azy ireo izy. “Tokony ho tamin’ny enina ora hariva tamin’izay”, hoy ny Rahalahy Ortiz, “ary ilay tanàna dia 20 kilaometatra avy teo, tany ambadiky ny faritra be tendrombohitra, sady nijononòka ny orana. Notombanako fa ho tonga tany, tany amin’ny misasakalina tany ho any izy ireo. Halako ny nieritreritra izay nety ho nanjo an’ireny anabavy ireny, izay ankizivavy roa, 16 sy 20 taona, teo an-tanan’ireny [lehilahy] ireny. Ny zanako vavy ny iray tamin’ireny ankizivavy ireny, koa alao sary an-tsaina ange izay nifamahofaho tao an-tsaiko e!” Nivavaka tamim-pahatsorana izy mandra-paharesin’ny torimaso azy tamin’ny farany. Maivamaivana toy inona moa izy ny ampitso maraina nahita fa namaly ny vavaka nataony i Jehovah ary koa fa tsy nisy nisavika ireo ankizivavy roa!
Rehefa avy nohazonina nandritra ny andro maromaro io antokon’olona io, ka tsy nomena sakafo ampy na fahafahana hidio, dia nisy miaramila mpanotrona iray notendrena hitondra azy ireo hivoaka ilay fanjakana. Raha vao nafahana izy ireo, ny iray tamin’ireo zavatra voalohany nataon’izy ireo dia ny hahazo savony, hahita renirano iray, ary avy eo dia hisasa sy hanasa ny fitafiany. Afaka indray izy ireo, ka nandeha nitory ny vaovao tsara avy hatrany, saingy tao amin’ny Fanjakan’i Chiapas indray izao. Na inona na inona vato misakana, dia tsy sasatra mihitsy izy ireo nikaroka nanerana an’i Meksika mba hitadiavana ireo ondry sarobidin’i Jehovah. Tena mpisava lalana marina izy ireo.
Tamin’izany fotoana izany, ny sampan’i Meksika dia nikarakara koa an’i Goatemalà. Nangatahin’ny Fikambanana matetika ny Rahalahy Ortiz mba handeha tany amin’io faritra io sy hamahana ireo olona toy ny ondry tany.
Teo amin’ny faha-80 taonany tamin’ny 1972, dia mbola mpisava lalana ihany ny Rahalahy Ortiz. Nanana fahatsiarovana nolalainy maro momba ny asa nataony nandritra ny fe-potoana naharitra efapolo taona izy, nefa liana mafy koa ny hanohy hanao izay azony natao teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Hoy izy:
“Na dia mihena aza ny heriko noho ny taonako, i Jehovah dia manohy manavao ny tanjako, ary mahatsiaro ho sambatra aho mahita ny fitomboana ao amin’ilay vahoaka mitondra ny anarany. Izany dia mameno fifaliana ahy ary manery ahy hanao asa lehibe kokoa (...) Velom-pankasitrahana aho nefa tsy ampy ny teny hilazako ny fankasitrahako, ka izany no mahatonga ahy hampifantoka ny hery kely ananako mba hanohizana.”
Tsy nitantara afa-tsy vitsivitsy tamin’ireo fanandraman-javatra hitan’ny mpanompon’i Jehovah tamin’ny fotoana talohan’ny Ady Lehibe Faharoa izahay teto. Tsy afaka nampiditra ny zavatra rehetra tato amin’itỳ fitantarana itỳ izahay. Efa maty ankehitriny ny ankamaroan’ireo izay nandray anjara tamin-jotom-po aoka izany tamin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana teto Meksika nandritra ireo taona 1920 sy ireo taona 1930. Ny olona rehetra izay nanohy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana anefa, na tamin’ny fomba iray niavaka izany, na tamin’ny fomba tsy fantatra afa-tsy teo an-toerana, dia samy namela ohatra mendrika ny harahina.
Valse aloha, avy eo dia lahateny nafana
Nanomboka tamin’ny 1938 ka hatramin’ny 1943, dia fiara nisy fanamafisam-peo no nampiasaina tamim-pahombiazana mba hampielezana ireo fahamarinana ara-baiboly tatỳ amin’itỳ tapany amin’ny tany itỳ. Fito tamin’ireny fiara nisy hauts-parleurs teo amin’ny tafony sy grafofaonina tao anatiny ireny no nampiasaina teto Meksika. Izy ireny dia nandefa tamin’io fampielezam-peo io lahateny ara-baiboly nafana izay nataon’ny Rahalahy Rutherford tamin’ny voalohany ary tatỳ aoriana dia ny feon’i Eduardo nanao izany lahateny izany tamin’ny teny espaniola.
Anisan’ireo rahalahy nandray anjara tamin’ny asa nifandray tamin’ireo fiara nisy fanamafisam-peo i José Quintanilla (izay nantsoin’ny tao amin’ny biraon’ny sampana tamim-pitiavana hoe “Dadabe” tatỳ aoriana) sy i Daniel Mendoza ary i Víctor Ruiz. Tokony ho herintaona taorian’ny nahazoan’i José Quintanilla sy ny vadiny, sasany tamin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower, dia nandray anjara tamin’ny fanompoana tao amin’ny Betela izy ireo. “Tsy nisy zavatra firy azoko momba ny asa satria fotoana tena kely no lasa hatramin’ny nanombohako nahafantatra azy io, no sady tsy nahita fianarana firy aho”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Quintanilla. Na dia izany aza, dia nekeny avy hatrany ny fanasana hanampy tamin’ny fanamboarana fiarakodia simba, izay natao hampiasaina mba hampielezana ny fahamarinana ara-baiboly. Rehefa avy nandray anjara tamin’ilay asa nandritra ny volana vitsivitsy izy, dia takatr’ireo rahalahy fa mbola tsy vita batisa akory i José. Nilazana izy fa raha tiany ny hanohy hanao ny fanompoana tao amin’ny Betela, dia tsy maintsy hatao batisa izy. Nankato niaraka tamin’izay io zavatra takin’ny Soratra Masina io izy, tamin’ny Aogositra 1938.
Tamin’ny fomba ahoana no nanaovana ny asa tamin’ny alalan’ireny fiara nisy fanamafisam-peo ireny? Rahalahy dimy mazàna no niara-nanao ny dia. Rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray izy ireo, dia nandefa tamin’io fampielezam-peo io lahateny nanome fianarana ara-baiboly, mba ho ren’ny rehetra. Avy eo dia rahalahy roa no nandeha nitory isan-trano tamin’ny andaniny iray tamin’ny arabe ary rahalahy roa hafa teo ampita, fa ilay mpamily kosa niandry teo amin’ilay fiara mba hamaly ny fanontanian’ireo olona liana ta hahafantatra. Milaza amintsika amin’ny fomba tsy manambony tena toy izao ny Rahalahy Quintanilla: “Ny hany nataoko dia ny niresaka tamin’ireo izay nanatona, sy ny nampiseho ireo zavatra vita an-tsoratra tamin’izy ireny.”
Indraindray, mba hisarihana ny sain’ny olona, dia mozika valse noraisina feo no nalefa talohan’ireo lahateny. Alao sary an-tsaina fotsiny ny fahagagan’ny olona — rehefa avy nahare mozika izy ireo, dia nahare lahateny velombelona iray izay nanala sarona ny fivavahan-diso!
Hoy ny tantarain’i Daniel Mendoza, izay nandray anjara tamin’io asa io: “Feno hafanam-po aloha ireo olona (...) nefa avy eo dia niala moramora izy ireo mba hilaza tamin’ilay pretra. Tsy ela dia ny iray tanàna no voaray tao anatin’ny tabataba ary ny sasany aza dia tonga nitondra tsora-kazo sy vato mba handroahana anay.”
Tao amin’ny tanàna iray, ny lehilahy iray ranjanana sady natanjaka dia nanandrana namadika ny fiara nisy fanamafisam-peon’ny Rahalahy Quintanilla. Vao avy nanainga ny ilany iray izy raha voazera tamin’ny tany. Gaga sady natahotra izy, ka nihazakazaka nandositra, no sady nikiakiaka hoe: “Aza manakaiky an’io; misy devoly io zavatra io!” Fa inona no nitranga? Tratran’ny courant tampoka izy. Nampifandraisin’ny Rahalahy Quintanilla tamin’ny chassis-n’ilay fiara mantsy ireo taribin’aratra. Na dia tsy hampirisika izany fanao izany aza isika amin’izao andro izao, dia nampiasa azy io izy mba hiarovana ny tenany sy ireo fitaovana tamin’ny olona faran’izay nahery setra.
Na dia rehefa nofaranana aza ny fampiasana ireo fiara nisy fanamafisam-peo, ireo grafofaonina azo nobataina dia nampiasain’ireo
Vavolombelona isam-batan’olona. Tokony ho 300 tamin’ireny grafofaonina ireny no namboarina tao amin’ny sampana. Teo indray koa, i “Dadabe” Quintanilla dia hita ho mpiara-miasa kinga tamin’io tetik’asa io. Tsaroany fa nanao ireo vata fitoeran’ireo grafofaonina izy ary avy eo dia nampiditra ireo hauts-parleurs sy maotera. Hoy izy: “Notsapaina izy ireo mba hahitana raha nandeha tsara sy hanohy handeha tsara foana, ary avy eo dia nalefa tany amin’ireo rahalahy mba hampiasainy teo amin’ny asa isan-trano.”Mazava ho azy fa, rehefa afaka kelikely, noho ny fanampian’ireo fomba fampiseho sy toriteny natao pirinty tao amin’ny Informador (L’Informateur, izay Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny), ary koa noho ny fampiofanana azo tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika, ireo mpitory dia nianatra be dia be momba ny fomba firesahana tamin’ny olona sy ny fomba famaliana ny fanontanian’izy ireo tamin’ny alalan’ny fakan-teny avy tao amin’ny Baiboly.
Tonga ireo nahazo diplaoman’i Gileada!
Ny fandaharam-pampianarana iray nisy sampany maro samihafa dia nampidirina teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah nanomboka tany am-piandohan’ireo taona 1940. Nisy vokany lalina teo amin’ny asa fanambarana ilay Fanjakana nanerana ny tany izy io. Ny tapany iray tamin’izany fandaharana izany dia ny fampiofanana ny mpiasa tao amin’ny sampana mba hisahana ny asany tamin’ny fomba nitovy tamin’ny natao tany amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, any New York. I Nathan H. Knorr, izay tonga prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 1942, no nanome ny fitarihana tamin’izany. Nandray soa avy tamin’izany tamin’ny fomba tena nivantana ny sampan’i Meksika, rehefa tonga nitsidika teto voalohany ny Rahalahy Knorr, tamin’ny Febroary 1943. Nandritra ny fitsidihany, tamin’ny fivoriana manokana iray niaraka tamin’ny mpitory avy tamin’ny faritra rehetra nanerana an’i Meksika, izy dia nampirisika azy ireo mafy mba handresy ny tsy fahaizana taratasy nolovan’ireo taranaka hatrany hatrany. Izy io mantsy dia nanakantsakana ny mponin’i Amerika Latina niharan’ny fitaoman’ny Katolisisma nandritra ny fotoana ela be aoka izany. Nanao asa be dia be niaraka tamin’ny mpiasa tao amin’ny sampana koa izy, ary tamin’ny fotoana nandehanany, dia ampy fitaovana tsara
sady voalamina tamin’ny fomba tsara lavitra ny biraon’ny sampana sy ny Trano Betela.Mbola nisy asa be dia be tsy maintsy natao teto Meksika. Hatramin’ny Ady Lehibe Voalohany, dia nisy fitomboana tsikelikely teo amin’ny isan’ireo mpidera an’i Jehovah teto Meksika, nefa niadana ilay izy. Tamin’ny 1943, dia nisy mpitory 1 565 nanao tatitra momba ny asany isam-bolana, ary niasa mafy izy ireny. Nitory nandritra ny adiny 28 isam-bolana tamin’ny antsalany ny mpitory tsirairay tao amin’ny kongregasiona. Ireo mpisava lalana maharitra dia nahavita adiny 137 isam-bolana tamin’ny antsalany.
Tamin’io taona io, ny Fikambanana dia nitokana sekoly iray izay nisy heriny tsy nisy ohatra izany teo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra. Naorina ny Kolejy Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. (Tatỳ aoriana dia novana ho Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower ny anarany.) Ny zava-kendreny dia ny hanomana mpisava lalana za-draharaha ho amin’ny fanompoana any amin’izay rehetra mety hilana azy ireo eo amin’ny saha maneran-tany. Tamin’ny 1 Febroary, dia nanomboka ireo kilasy voalohany. Natao ny fandaharana mba handefasana sasany tamin’ireo nahazo diplaoma tatỳ Meksika.
Tamin’ny voalohany, ireo rahalahy dia nahita vato nisakana teo amin’ny lalàna, rehefa nanandrana hahazo visa ho an’ireo nahazo diplaoman’i Gileada izy ireo. Mbola nitohy ny Ady Lehibe Faharoa; ankoatra izany, tany Nuevo Laredo, any amin’ny Fanjakan’i Tamaulipas (eo amin’ny sisin-tanin’i Etazonia), dia nipoaka ny
fanenjehana ny Vavolombelona, ary natao an-tranomaizina ny sasany taminy. Nampiato ny fikarakarana ireo taratasy fahazoana visa io tarehin-javatra io. Nitantara izao manaraka izao tao amin’ny tatitra nataony tamin’ny 1945 ny mpiandraikitra ny sampana tamin’izany fotoana izany, i Juan Bourgeois:“Rehefa nampahafantarina voalohany ny amin’ny Kolejy Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower sy ny zava-kendreny, izahay teto Meksika dia niandry tamim-pahamaimaizana ny datin’ny fizarana diplaoma voalohany. Natoky mantsy izahay fa hisy maro tamin’ireo hahazo diplaoma, izay voaofana manokana ho amin’ny fanompoana teokratika any an-tany hafa, hirahina hiasa atỳ amin’ny faritanin’i Meksika izay saiky mbola tsy voakasika. Nampoizina koa fa ho romotra ny fahavalo ka hanao izay rehetra farany azony natao mba hisakanana ny fidiran’ireo rahalahintsika. Tamin’ny Aogositra 1943, dia nampahafantatra anay ny Fikambanana fa, raha azonay natao ny nahazo ireo fahazoan-dalana nilaina mba hidiran’izy ireo teto Meksika, dia tokony ho 30 tamin’izany mpampianatra (ireo nahazo diplaoman’i Gileada) izany no hotendrena hiasa teto Meksika.
“Nataonay ny ezaka rehetra mba hahazoana ireo fahazoan-dalana, nefa nisy vato nisakana tsy toko tsy forohana niseho mba hisakanana ny fidiran’ireny mpampianatra ireny teto Meksika. Tena efa saiky nilavo lefona izahay, noho ny fieritreretana hoe hafa no sitrapon’i Jehovah, rehefa tonga teto ny Rahalahy Knorr tamin’ny volana Febroary tamin’io taona io. Tsy nanaiky ny hampijanona ny ezaka izy ary nanao fandaharana manokana sasany, ka indro fa tanteraka ny ‘tsy azo natao’! Tamin’ny volana Martsa dia nirodana ireo sakana ka namela ny Rahalahy sy Anabavy Anderson hiditra. Ary tsy ela taorian’izay, tamin’ny volana Aprily, dia mpampianatra teokratika fito hafa koa, nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasy voalohan’i Gileada, no navela hiditra teto Meksika.”
I Fred sy i Blanche Anderson
I Fred sy i Blanche Anderson dia olo-malala anisan’ireo sisa voahosotra izay nanokana ny tapany lehibe indrindra tamin’ny fiainany ho an’ny fanompoana manontolo andro teto Meksika. Noho ny loza iray nitranga tamin’ny fahazazany, dia voatery notapahina ny iray tamin’ireo ranjon’ny Rahalahy Anderson, fony izy
teto Meksika. Na dia izany aza, na dia nampiasa béquilles (hazo fiankinana eo amin’ny helika) aza izy, dia nikiry hiasa tao amin’ny faritanin’i Mexico. Olona sariaka sy falifaly i Fred Anderson. Ny naha-teto ny Rahalahy Anderson sy ny vadiny nahafinaritra aoka izany (izay nantsoin’ireo rahavaviny kristiana tamim-panehoam-pitiavana hoe Blanquita) dia nameno fitiavana sy fankasitrahana ny fon’ny Meksikanina maro.Ny teny nataon’ny Rahalahy Anderson ihany dia efa milaza zavatra betsaka momba azy. Hoy izy: “Nanomboka tamim-pifaliana sy tamim-bavaka nitondra fanamboarana teo amin’ny fiainanay sy ny nampiofana ny tenanay ho amin’ny [fanompoana an-tany hafa] izahay. Ny fampiofanana tany Gileada dia nanampy be dia be anay hanao izany. Nandritra ny dimy volana sy tapany izahay dia niezaka sy nisasatra ary nikely aina mba hampivangongo tao anaty atidoha kelinay zavatra betsaka araka izay vitanay. Nandeha haingana toy ny tselatra anefa ireny volana ireny! Ary talohan’ny hahatsapanay azy, dia efa teo sahady ny andro fandraisana diplaoma. Nihevitra
izahay fa feno ny fifalianay tao Gileada — fa hoe tsy ho afaka ny ho sambatra kokoa na ho akaiky kokoa an’Andriamanitra noho ny tamin’izay izahay. Mbola nanan-javatra be dia be hianarana anefa izahay, ary izany no nataonay tany amin’ny asa an-tany hafa nanendrena anay.”Rehefa afaka taona maromaro tamin’io asa nanendrena azy ireo io, dia hoy izy: “Ny hoe firy tamin’ireny olona feno fanetren-tena ireny no nampianay ho tonga tao amin’ny fahazavan’ny fahamarinana be voninahitr’i Jehovah, dia tsy fantatray. Fa ny fantatray kosa dia ny halehiben’ny fifalianay tamin’ny fizarana ny hatsaram-pon’i Jehovah.” Nanompo nandritra ny taona maro teo amin’ny asan’ny fizaran-tany teto Meksika ry Anderson, ary taorian’izay, dia tao amin’ny Betelan’i Meksika, toerana namaranan’izy ireo ny fihazakazahany teto an-tany — ilay rahalahy tamin’ny 1973, ary ilay anabavy tamin’ny 1987.
Mpiara-miasa nandritra ny antsasa-taonjato
Taorian’ireo folo taona voalohany naha-teto Meksika azy, i Rosa May Dreyer, anabavy hafa iray nahazo diplaoman’i Gileada, dia nanoratra fa tamin’ireo 21 notendrena ho eto Meksika tamin’ny voalohany, dia 11 no afaka nijanona. Hoy ny teny nanampiny: “Mino aho fa ireo iraika ambin’ny folo ireo dia hiara-milaza amiko hoe: ‘Tsy hifidy an-tsitrapo ny ho any an-toeran-kafa aho.’ ”
Noho ireo vato nisakana ny fidirany teto Meksika, dia nanompo nandritra ny roa taona teo akaikin’ny sisin-tanin’i Texas sy i Meksika i Rosa May Dreyer sy i Shirley Hendrickson. Nandritra izany fotoana izany dia nianatra ny teny espaniola kelikely izy ireo. I Shirley, na dia olona falifaly aza, dia mahatadidy fa sarotra ny faritanin’izy ireo, hany ka ravoravo izy noho izay hitany tao Mexico. Tamin’ny voalohany, dia tsy nisy mpitory avy teto an-toerana notendrena hiaraka tamin’izy ireo, araka ny nantenain’izy ireo. Nisy nitondra azy ireo teo an-kihon-dalana iray kosa, ka nilaza hoe: “Io no faritaninareo”, tsy nisy fampiofanana na dia kely aza momba izany faritany izany. Ankoatra izany, dia voafetra ny fahaizan’izy ireo ny teny espaniola. Na dia izany aza, dia tsy kivy izy ireo, fa nanohy ny asany tamin’ny fomba tsara araka izay azony natao. Hoy i Shirley momba ireny fotoana ireny: “Tadidiko ilay trano voalohany nidirako, nangovitra kely aho, ary tamin’ireo varavarana efatra voalohany,
dia nahapetraka ireo boky efatra nentiko aho, ka voatery nody haka zavatra vita an-tsoratra fanampiny. Tamin’izay aho dia nahazo herim-po ary dia tsy nahita fahasahiranana intsony mihitsy.” Taona vitsivitsy lasa izay, i Shirley dia nanatrika ny fampakaram-badin’ny zafikely vavin’ny ramatoa iray nanaovany fampianarana Baiboly nandritra ireo taona tany am-boalohany naha-teto Meksika azy. Hafaliana re ny nahita olona 50 tamin’io fianakaviana io nanompo an’i Jehovah! Ny iray taminy dia mpiandraikitra mpitety faritany ary ny iray hafa dia mpikambana tao amin’ny fianakavian’ny Betela.I Shirley sy i Rosa May dia mpiara-nanompo nanomboka tamin’ny 1937 (talohan’ny nandehanany tany Gileada niaraka) ka hatramin’ny 1991, rehefa maty teto amin’ny nanendrena azy teto Meksika i “Rosita”. Fanompoana naharitra 54 taona — saiky izy rehetra ireo dia nataony niaraka!
Ireo hafa tonga teto
Tamin’ny fitambarany, dia olona 56 avy tany amin’ny tany hafa ka nahazo diplaoman’i Gileada no tonga teto Meksika mba handray anjara tamin’ilay asa lehibe, dia ny fampianarana araka an’Andriamanitra, natao teto. Ambonin’ireo izay efa notononina, dia nisy hafa koa avy tamin’ny kilasy voalohan’ny Sekolin’i Gileada: i Rubén Aguirre, i Charlotte Bowin, i Maxine Bradshaw, i Geraldine Church, i Julia Clogston, i Betty Coons, i Russell Cornelius, i Dorothea Gardner, i Verle Garfein, i Frances Gooch, i Elva Greaves, i Thurston sy i Marie Hilldring, i Fern Miller, i Maxine Miller ary i Pablo Pérez. Nisy nahazo diplaoma hafa koa tonga vao haingana, tamin’ny 1988. Ny fanompoana teny amin’ny saha nataon’ireo rehetra ireo dia nitondra fifaliana ho an’ny tenany sy ho an’ny hafa koa. Nisy fitrangan-javatra tsy nampoizina, nefa nahafaly, koa niseho.
Ohatra, rehefa avy nandany roa taona teto Meksika i Charlotte Bowin, dia notendrena ho any El Salvador. Avy eo, tamin’ny 1956, izy dia tonga vadin’i Albert Schroeder, iray tamin’ireo mpampianatra azy taloha tany Gileada, izay tonga mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana tatỳ aoriana.
Tamin’ny 1949, i Maxine Miller dia nanambady an’i Samuel García, tera-tany avy teto Meksika izay nahazo diplaoman’i Gileada ary nanompo tao amin’ny sampan’i Meksika tamin’izay tamin’ny
naha-solontenan’ny Fikambanana teo amin’ny lalàna. Rehefa tonga tao Mexico i Maxine tamin’ny 1946, dia tsy nisy afa-tsy “kompania” efatra tao. Tamin’ny 1961, dia nisy 70. Ary teo am-piandohan’ny 1994, dia tafakatra ho 1 514 ny isan’ireo kongregasiona tao Mexico sy tao amin’ireo faritanàna manamorona azy. Fitarana nahatalanjona toy inona moa no hitany! Moa ve ny fanompoana manontolo andro nataony tsy nisy afa-tsy fifaliana ranofotsiny? “Tsia, tsy marina izany”, hoy izy indray mandeha. “Nisy fotoam-pisedrana sy fanandraman-javatra sarotra koa, nefa manan-tombo noho ireo alahelo ireo fifaliana, ary ireny fifaliana ireny no misongadina rehefa manao jery todika ny lalana narahiko teo am-pikatsahako ny zava-kendren’ny fiainako amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah Andriamanitra ahy, aho.” Maty teo am-panompoana tamim-pahatokiana tany amin’ny nanendrena azy izy tamin’ny 1992.Rehefa avy nanompo teto Meksika nandritra ny tokony ho valo taona i Esther Vartanian, dia nivady tamin’ny 1955 izy sy i Rodolfo Lozano, nahazo diplaoman’i Gileada izay vao tonga teto Meksika. Fony izy ireo nipetraka tao amin’ny biraon’ny sampana, dia nitory tao an-tanàna i Esther ary nanampy olona maro hahafantatra an’i Jehovah. Nahita fahombiazana lehibe izy tamin’ny fanampiana fianakaviana iray manontolo. Na dia nety handa tsy hianatra aza ny vadin’ny ramatoa iray nianatra tamin’ny voalohany, dia nataon’i Esther foana izay hahatafiditra azy io tao amin’ny fianarana tamin’ny farany. Ny fomba fiteniny tamin’ny olona niavaka noho ny hatsaram-panahy dia nahatonga olona maro hanaiky ny hafatra. Nanatona azy ireny izy ary niteny espaniola nisy accent vahiny ka nanao hoe: “Honey, quiero hablarte de algo muy importante. [Te hiresaka aminao momba ny zavatra iray tena lehibe aho akỳ, ry malala kely.]” Ary dia nihaino izy ireo. Ankehitriny ny Anabavy Lozano sy ny vadiny dia mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela eto Meksika.
Mpiandraikitra kristiana be fitiavana tao amin’ny biraon’ny sampana
Mazava ho azy, fa ny sasany tamin’ireo nahazo diplaoman’i Gileada nirahina nankatỳ Meksika dia notendrena mba hiantsoroka ireo andraikitra tao amin’ny biraon’ny sampana, ary nanao asa faran’izay tsara izy ireo. Talohan’izay, dia i Juan Bourgeois, izay
mpiandraikitra ny sampana taorian’i Roberto Montero, no niantsoroka io asa fanendrena io teo anelanelan’ny 1943 sy ny 1947, fotoana tsy maintsy niverenany tany Etazonia. Avy eo dia i Pablo Pérez, nahazo diplaoma avy tamin’ny kilasy voalohan’i Gileada, no tonga mpiandraikitra ny sampana nandritra ny telo taona sy tapany.Hatramin’izay dia nisy hafa koa niantsoroka io andraikitra navesatra io ary nisahana ny asa fiandraiketana tamim-pitiavana. Anisan’izy ireny i Rodolfo Lozano nandritra ny efa-taona sy tapany sy i George Papadem nandritra ny roa taona, ary i Samuel Friend nandritra ny fito taona sy tapany. I William Simpkins dia nanomboka nikarakara ny asa fiandraiketana ny sampana tamin’ny 1965, ary rehefa naorina ny fandaharana ny amin’ny Komitin’ny Sampana tamin’ny 1976, dia nanohy nanompo tao amin’ny Komitin’ny Sampana izy hatramin’ny 1986. Nanana anjara sarobidy tamin’ny fanaovana ny asa mifandray amin’ilay Fanjakana teto Meksika ny tsirairay tamin’izy ireo. Rehefa avy nanompo nandritra ny taona maro tany Kolombia i Robert Tracy, dia tonga teto Meksika tamin’ny 1982, ary hatramin’izay izy dia mpampifandrindra ny Komitin’ny Sampana.
Fifandraisana tamin’ireo “kompania”
Ireo mpikarakara isam-paritra sy isam-paritany (fizaran-tany) dia niezaka hitsidika sy hampahery ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Meksika nandritra ny taom-piasana 1940. Avy eo, taorian’ny fiatoana kelikely, dia naorina indray ny asan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Tamin’itỳ indray mandeha itỳ, dia nomena fampiofanana manokana ireo rahalahy talohan’ny nanirahana azy ireo.
Be lavitra noho ny fividianana karatra fandehanana amin’ny aotobisy na lamasinina ary avy eo dia ny fanaovana ilay dia, no tafiditra tao amin’ny fitsidihana ireo “kompania”. Kely sady lavitra be an’ireo lalambe na ireo lalamby ny ankamaroan’ireo kompania. Talohan’ny nahafahana naniraka ireo rahalahy, dia nanoratra tany amin’ny antokon’olona tsirairay ny biraon’ny sampana mba hanontaniana azy ireo ny amin’ny fomba hahatongavana tany amin’ny toerana nisy ny kompanian’izy ireo. Namaly toy izao ny kompania iray: “Ny hany fomba hahatongavana atỳ akaikin’ny misy anay dia ny taribin’ny telegrafy.” Nanao tatitra toy izao ho any Brooklyn ny
biraon’ny sampana: “Mba hahatongavana any amin’ny kompania sasany, dia tsy maintsy mitaingina ampondra na manao dia an-tongotra ilay mpikarakara, indraindray mandritra ny andro maromaro amin’ny dia iray. Diboky ny hafaliana ireo mpitory noho ilay fitsidihana, ary dia angonina ny olona feno faharisihana rehetra hatrany amin’ny kilaometatra maro manodidina, rehefa tonga izy.”Mba hanampiana teo amin’ny fanatanjahana ireo rahalahy, tany afovoan’ireo taona 1940, ny sasany tao amin’ny fianakavian’ny Betela dia nanolotra ny hampiasa ny fotoam-pialan-tsasany mba hitsidihana ireo kompania, araka ny nanendren’ny birao azy ireo.
I Samuel sy i Alfonso García dia nirahina tany Silacayoápan, any amin’ny Fanjakan’i Oaxaca. Rehefa avy nandeha aotobisy iray andro izy ireo, dia nandany roa andro hafa koa nandaminana ny fahazoana soavaly, ary avy eo dia nanohy tamin’ny fitaingenana soavaly nandritra ny roa andro hafa koa hatrany amin’ny tiany haleha. Andro nahafaly dimy no natokana ho an’ny fiasana teny amin’ny asa fanompoana niaraka tamin’ireo Vavolombelona tany an-toerana; nanao batisa koa izy ireo, ary avy eo dia niomana mba hiverina tany Mexico. Sorena noho ny asan’izy ireo anefa ilay pretra katolika tany an-toerana ka nambosy ny El Presidente, izany hoe ny ben’ny tanàna. Tamin’iny alina iny, dia mpirotaka tokony ho 25 lahy no niditra an-keriny tao an-tranon’ilay Vavolombelona nampiantrano an’ireo rahalahy. Tadidin’i Samuel García toy ny hitan’ny masony mihitsy ilay izy.Nitondra antsibe, sabatra, antsy, kibay ary poleta ho fiadiana ireo mpirotaka. Nisambotra an’ireo rahalahy izy ireo, nanery azy ireo hivoaka tany ivelany ary nikapoka azy ireo tsy nisy fiantrana. Rehefa nitady hisalovana ilay anabavy kristiana nampiantrano azy ireo, dia nokapohina izy sy ny iray tamin’ireo zanany lahy. Naratra hatrany amin’ny taolana ny sandry sy rantsantanana havian’ny iray tamin’ireo rahalahy. Sady mbola nokapohina sy norahonana fanampiny ihany izy ireo no nasaina nandeha an-tongotra hiala ny tanàna. Taiza anefa no nitondrana azy ireo? Hoy ny tsaroan’i Samuel García: “Nanandrana ny hanantona anay tamin’ny hazo izy ireo, nefa rehefa hitany fa tsy nampiseho tahotra izahay fa nanao an’i Jehovah ho tokinay feno, dia navelany handeha izahay. Voatery nandeha an-tongotra nandritra ny roa andro namakivaky tendrombohitra izahay vao tonga teo amin’ny lalambe iray.”
Nandritra izany fotoana izany, dia tonga tany amin’ny biraon’ny sampana ny vaovao momba ilay zava-nanahirana. Nandefa fiangaviana maika tany amin’ny governoran’ny Fanjakan’i Oaxaca ny Fikambanana. Farany, rehefa tafody tany amin’ny Betela ireo rahalahy roa, dia niahotra tsy nanokatra ny varavarana ilay teo amin’ny fiambenana, satria nanjary tsy fantany izy ireo, noho izy ireo nampiharana fitondrana ratsy aoka izany. Rehefa nanao jery todika izay nitranga ny Rahalahy García, dia izao no tadidiny: ‘Tsy nahafoy anay i Jehovah.’ Ary ahoana ny amin’ilay anabavy
nampiantrano azy ireo? Nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana izy mba hangataka zavatra vita an-tsoratra fanampiny mba hahafahany hanohy hitory.Avy teo amin’ny fivoriambe iray ho amin’ny nanaraka
Taona vitsivitsy talohan’ireny fisehoan-javatra ireny, dia nanatrika ny fivoriambem-pireneny voalohany i Adulfo Modesto Salinas, ankizilahy navitrika iray. Tamin’ny 1941 no nanaovana ilay izy, tao amin’ny Tranom-pokonolona tao Mexico. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy tonga tao an-tsainy mihitsy izany hoe ho mpiandraikitra mpitety faritany izy indray andro any.
Nampirisika an’i Adulfo mba hanompo tao amin’ny Betela i Gonzalo Rodríguez, mpikarakara ireo rahalahy (araka ny nahafantarana ireo mpiandraikitra mpitety faritany tamin’izay). Ho vokany, tamin’ny volana Desambra 1947, dia niseho mba hanao ny fanompoana tao amin’ny Betela tao Mexico i Adulfo. Tamin’io taona io ihany, dia nanomboka nisy fivoriamben’ny fizaran-tany teto Meksika. Voalohany aloha, dia ireo rahalahy tao amin’ny Betela no nandamina azy ireo sy nandray anjara tamin’ny fandaharana. Avy eo, tamin’ny 1951, dia notendrena ho mpiandraikitra ny distrika voalohany teto Meksika i Adulfo Salinas, ka nanampy ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany sy nanompo tao amin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany. Nanome azy fampiofanana nahasoa tamin’ireo fivoriambeny voalohany i Rodolfo Lozano sy i Samuel García. Avy eo dia navelan’izy ireo hanohy ny lalany irery izy. Tamin’io taona io, dia fivoriamben’ny fizaran-tany 18 no natao nanerana an’i Meksika.
Tamin’ny voalohany, dia tsy voafaritra tsara ireo fandaharana momba ireo fivoriambe ary koa ireo andraikitry ny mpiandraikitra ny distrika. Tany amin’ny fivoriambe sasany, dia tsy nisy mpiandraikitra ny fizaran-tany, ka nanao izay azony natao ireo rahalahy teo an-toerana mba handaminana raharaha. Voatery nanao ny karazan’asa rehetra ny mpiandraikitra ny distrika. Rehefa tonga teo amin’ny toerana hanaovana ny fivoriambe izy, dia nanampy ireo rahalahy hanangana ireo sampan-draharaha. Nitondra ny fitaovana momba ny fanamafisam-peo izy, ary koa fatana sy fitaovana
fandrahoan-tsakafo ho an’ny cafétéria. Nanampy ny vadiny hanomana zavatra betsaka ho an’ny fivoriambe i Leonor Salinas. Nandritra ny andro manontolo izy ireo dia teny amin’ny asa fitoriana, ary ny hariva dia nanampy tamin’ny fanomanana ny fivoriambe.Tadidin’ny Rahalahy Salinas fa, tamin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany voalohany, dia tsy nisy fandaharana tamin’ny an-tsipiriany narahina. Nomena fahafahana hanao fanontaniana ireo rahalahy, ary dia niezaka hamaly azy ireny izy. Zavatra toy izao no nanontanian’izy ireo: “Azo atao ve ny manao peratra sy bracelet?”, “Heloka ve ny famonoana biby?”, “Inona no hevitry ny isa 666?” Mba hanomezana valin-teny marim-pototra, dia voatery nitondra zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana be dia be izy.
Voalamina niandalana ireo tsipirian-javatra nifandray tamin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany. Nizotra tamin’ny fomba nirindra kokoa ny zava-drehetra.
Rehefa avy nanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny distrika nandritra ny 13 taona teo ho eo ny Rahalahy Salinas, dia nasaina mba hanatrika ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny 1964. Mba hiomanana ho amin’izany, dia voatery nianatra ny teny anglisy izy. Sarotra taminy ilay izy, nefa nandray soa avy tamin’ilay fianarana tany izy ka avy eo dia nirahina hiverina teto Meksika mba hanohy ny asan’ny distrika. Mbola ao amin’ny fanompoana manontolo andro ihany izy, na dia manan-java-manahirana ara-pahasalamana aza. I Leonor vadiny, izay niaraka taminy hatramin’ny 1955, dia nanohana azy tamin’ny fomba tsara dia tsara. Hoy ny ambaran’ny Rahalahy Salinas: “Rehefa anaovana jery todika ny taona 1941, fony aho nianatra ny fahamarinana, dia hitako fa [maherin’ny 50] taona sahady no efa lasa, ary nandritra izany fotoana rehetra izany, dia nianatra zavatra nahatalanjona avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra aho. Latsaka ny 20 taona aho tamin’ny 1941. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah sy ny fandaminany aho noho ny nanovany ny fiainako tsy nisy hoavy taloha ho fiainana misy zava-kendrena.”
Ezaka lehibe natao mba hanatrehana fivoriamben’ny distrika
Isan-taona dia nisy fivoriambem-pirenena natao tao Mexico, ary natrehin’ny ankamaroan’ireo rahalahy meksikanina izy ireny. Ho an’ny sasany anefa, dia nidika ho fahasahiranana tsy nisy ohatra izany izy ireny noho ny tsy fisiana. Fony mbola kely ireo
fivoriamben’ny distrika, dia nomena filasiana tao amin’ny Betela ny rehetra tonga nanatrika avy tany ivelan’ny renivohitra. Avy eo, tany am-piandohan’ireo taona 1940, dia nalamina ny hisian’ny filasiana tany an-tokantranon’ny rahalahy samihafa. Nahavaky fo anay ny fahantran’ny maro tamin’ireo rahalahinay, ary tohina lalina ny fonay noho ny ezaka nataony mba ho tonga avy tany amin’ireo faritany ho ao Mexico mba hankafy sakafo ara-panahy.Faly toy inona moa izahay rehefa nisy fandaharana mba hanaovana fivoriamben’ny distrika akaiky kokoa ny tranon’izy ireny! Izao dia tsy ho voatery hanao dia lavitra be izy ireo. Na dia izany aza, dia mbola voatery nanao sorona be dia be ny sasany tamin’ireo rahalahy mba hanatrehana izany. Tamin’ny 1949, ohatra, dia solontena 20 avy tany amin’ny Fanjakan’i Tabasco — lehilahy 18 sy vehivavy 2 — no nandeha an-tongotra nandritra ny 320 kilaometatra mahery mba hahatongavana tany amin’ny fivoriamben’ny distrika iray tao amin’ny Fanjakan’i Veracruz. Nanao ilay dia tao anatin’ny 15 andro nisesy izy ireo! Tamin’ny fitambarany, dia nila 35 andro teo ho eo ilay dia nandroso sy niverina.
La Torre del Vigía de México — Fikambanana ara-kolontsaina
Tadidinao angamba fa tany amin’ny 1932, ny La Torre del Vigía de México dia nahazo lalana avy tamin’ny fitondram-panjakana. Kanefa, nisy vato misakana noho ireo fameperana nampiharin’ny lalàna tamin’ny fivavahana rehetra. Notoherina ny asa isan-trano nataon’ny Vavolombelona, satria ny lalàna dia namaritra fa ‘tsy maintsy atao ao anaty tempoly ny asa ara-pivavahana rehetra mifandray amin’ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso’. Noho izany antony izany ihany, dia notoherina ireo fivoriamben’ny distrika nataonay tamin’ny toerana ampahibemaso. Niteraka zava-nanahirana izany, satria nihalehibe hatrany hatrany ireny fivoriambe ireny. Niteraka zava-nanahirana koa ny fananana tany, satria ny lalàna dia nitaky ny hahatongavan’ny trano rehetra nampiasaina noho ny zava-kendrena ara-pivavahana, ho fananam-pirenena.
Noho ireo antony ireo sy ny hafa koa, dia nanapa-kevitra ny Fikambanana fa ho fahendrena ny handaminan-javatra indray, mba hanantitranterana kokoa ny maha-fampianarana ny asantsika. Noho izany, tamin’ny 10 Jona 1943, dia natao ny fangatahana tao
amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny mba hanoratana ara-dalàna ny La Torre del Vigía ho toy ny fikambanana sivily, izany hoe tsy ara-pivavahana, ary dia nekena izany tamin’ny 15 Jona 1943.Noho io fandaharana vaovao io, dia najanona ny fihirana tany amin’ireo fivorianay ary nanjary fantatra ho toy ny Efitrano Fanaovana Fianarana Ara-kolontsaina ireo toeram-pivoriana. Tsy nisy vavaka tamin’ny feo avo tany amin’ireny fivoriana ireny, na dia tsy nisy na inona na inona aza nisakana ny olona iray tsy hanao vavaka tamim-pahatsorana mangingina tao am-pony. Nohalavirina izay rehetra nety hiseho ho fotoam-pivavahana, ary tena natao ho an’ny fampianarana marina ireo fivorianay. Rehefa nanomboka niantso ireo antokon’olona nisy azy teo an-toerana hoe “kongregasiona” ireo Vavolombelona tany any an-tany hafa, ireo Vavolombelona teto Meksika kosa dia nanohy nampiasa ilay teny hoe “kompania”. Nitohy ny fitsidihana isan-trano nataon’ireo Vavolombelona, ary tamin-jotom-po bebe kokoa aza; nefa nohalavirina ny fampiasana ny Baiboly nivantana teny am-baravarana. Nianatra tsianjery ireo andinin-teny kosa ireo mpitory mba hahafahany hanonona azy ireny. Nampiasa be dia be ilay boky hoe “Assurez-vous de toutes choses”, izay fitambaran’andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina momba ny foto-kevitra maro, koa izy ireo. Tamin’ny fiverenana mitsidika sy ny fampianarana (izay nantsoina hoe “ara-kolontsaina” fa tsy “ara-baiboly”) ihany ny Baiboly vao nampiasaina.
Ny asa lehibe indrindran’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy niova, izany hoe ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Ireo kilasy fampianarana ny fahaizana taratasy
Mba hanarahana ny fitsipika nitondrana ny La Torre del Vigía, dia nanao ezaka fampianarana ny fahaizana taratasy izahay, ambonin’ny fampianarana ny olona ireo zavatra ampianarin’ny Baiboly. Araka izany, tamin’ny 17 May 1946, ny La Torre del Vigía dia nanoratra ara-dalàna teo amin’ny fitondram-panjakana ny foibe iray nisy kilasy fampianarana ny fahaizana taratasy tao Mexico. Notarihin’i José Maldonado izy ireny.
Koa satria liana ny hampirisika ny fahaizana taratasy ny fitondram-panjakana, dia nanome ho an’ny vao nanomboka boky
hampiasaina tao amin’ireny kilasy ireny izy. Tatỳ aoriana, rehefa nanao pirinty tamin’ny teny espaniola ilay bokikely hoe Comment apprendre à lire et à écrire (Mianara Mamaky Teny sy Manoratra) ny Fikambanana Watch Tower, dia io no nampiasaina. Nankasitraka ilay zavatra natao ny fitondram-panjakana. Tao amin’ny taratasy iray tamin’ny 25 Janoary 1966, dia hoy ny fitondram-panjakana: “Miaraka amin’ny faneken’ny Tale Jeneraly, dia faly aho manao teny fiderana ny Sekolinareo, (...) noho ny fiaraha-miasa mampiseho fitiavan-tanindrazana asehonareo amin’ireo olona tsy mahay taratasy eto amin’ny Repoblika. (...) Manantena aho fa tsy hihena ny hafanam-ponareo amin’ny fanohizana io ady mitohy atao amin’ny tsy fahaizana taratasy izay ilofosan’ny Meksikanina tsara rehetra, io.”Nanomboka tamin’ny fotoana nitokanana ireo kilasy ka hatramin’ny 1966, dia nisy olona 33 842 nampianarina hamaky teny sy hanoratra. Ary, tamin’ny 1993, dia nisy 127 766 ny tontalin’isan’izy ireny. Ambonin’izany, dia olona 37 201 no nampiana mba hanatsara ny fahaizany mamaky teny sy manoratra. Teo am-pianaran’izy ireny hamaky teny sy hanoratra, dia nianatra hankasitraka fandaharana ara-panahy koa izy ireny, dia ireo zavatra vita an-tsoratra natao hianarana Baiboly navoakan’ny Fikambanana, ary koa ireo fivorian’ny kompania.
Ny fahadiovana ara-pitondran-tenan’ny fandaminan’i Jehovah
Rehefa natomboka ny fandaharana ny amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany, dia nanomboka koa ny fe-potoana nitomboan’ny fanadiovana tao amin’ny fandaminan’i Jehovah. Ny fanao iray izay lalim-paka aoka izany teto Meksika tamin’ireny taona ireny dia ny “fangalaran’ny” tovolahy iray tovovavy iray sy ny fiarahany nipetraka taminy kanefa tsy nisora-panambadiana. Zatra ny fomba taloha izay nanomezan-dalana tao amin’ny fivavahan-diso ireo olon-droa niaraka, ka mazàna no tsy nisora-panambadiana. Nanao tokantranomaso fotsiny izy ireny, tao anatin’ny fifandraisana samy neken’ny andaniny sy ny ankilany. Izany no tarehin-javatra nisy ny olona maro nanomboka nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ny Rahalahy Salinas dia nankasitraka ireo fotopoto-pitsipika ara-baiboly momba ny fitondran-tena ka nanampy ireo rahalahy hahatakatra azy ireo. (Matio 19:3-9; Heb. 13:4). Na taiza na taiza nalehany, dia nampirisika azy ireo mba hanoratra ara-dalàna ny fanambadian’izy ireo izy.
Tsy vaovao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Tao amin’ny nomeraony tamin’ny Septambra-Oktobra 1924, ny La Torre del Vigía dia efa nandinika ilay fanontaniana hoe: “Hety ve ny hifidianana ho loholon’ny Kilasy iray ny rahalahy iray izay tsy nisoram-panambadiana ara-dalàna?” Ny valin-teny dia hoe: “Tsy hety mihitsy izany.” Nisy antony araka ny Soratra Masina nomena ny amin’izany. Nanoroana hevitra koa ny tsy hanaovana batisa olona izay mbola tsy nampifanitsy ny fanambadiany tamin’ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Na dia izany aza, teto Meksika dia nisy mpikarakara kompania maro izay tsy nisora-panambadiana ara-dalàna.
Kanefa, tamin’ny 1952, mba handraisan’ny Vavolombelon’i Jehovah naneran-tany soa, dia nisy toromarika voafaritra tsara nomena momba ny fanamboarana izay tsy nety teo amin’ny fiainan’ny tena, raha naniry hanohy ho anisan’ny fandaminan’i Jehovah ny tena. Tamin’ny toe-javatra sasany, dia efa nisora-panambadiana ilay lehilahy, avy eo dia nisaraka, ary avy eo dia nanomboka niara-nipetraka tamin’ny vehivavy hafa iray, kanefa tsy nisara-panambadiana tamin’ilay voalohany na nisoratra tamin’ilay faharoa. Ny sasany nisoratra tamin’ny hafa indray kanefa tsy nisaraka tamin’ny vadiny teo aloha. Araka izany, dia nitaky ezaka lehibe tamin’ireny rahalahy ireny ny fanitsiana ny fiainany mba hanompoana an’i Jehovah.
Fifaliana ny nahita ny faneken’ireo rahalahy izany tamin’ny fanaovana ny fandaharana nilaina mba hanoratana ara-dalàna ny fanambadiany. Tao amin’ny kompania sasany, dia nisy mpivady 20, sy nihoatra an’izany, nisora-panambadiana tamin’ny fotoana iray ihany. Na dia izany aza, dia nisy sasany izay tsy naniry hanova ny fomba fiainany na dia teo aza ireo fari-pitsipika marin’i Jehovah. Niala ny sasany tamin’izy ireny; ny hafa kosa noroahina.
Tadidin’ny rahalahy iray fa, rehefa nandeha hisoratra izy sy ilay namany, ho fanarahana ireo toromariky ny fandaminana, dia nanaraka azy ireo, ireo zanany. Rehefa nanontany ilay mpitsara hoe: “Sitraponao ve ny ho tafaray amin’io ramatoa io, ny hanaiky
azy sy hanana azy ho vadinao mandra-pampisarahan’ny fahafatesana anareo?”, dia niahotra izy talohan’ny hamaliana, ary dia nampirisika azy tamin’ny teny feno fanahiana ny zanany vavikely hoe: “¡Dí que sí, papacito! [Ataovy hoe ia, Dada a!]”, ka dia namaly haingana hoe eny an’ilay mpitsara izy.Nila fotoana sy faharetana ilay izy
Nila fotoana ny sasany mba hampifanitsiana ny fiainany tamin’ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambonin’ny fandaminan’i Jehovah, indrindra fa momba ny fanambadiana sy ny toaka. Tsikelikely anefa ireo rahalahy dia nanjary nahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ireo lalan’i Jehovah. — 1 Pet. 4:3.
Tao amin’ny tatitra nataony momba ny taom-piasana 1953, dia hoy ny biraon’ny sampana: “Vitanay ilay natombokay tamin’ny taon-dasa, izany hoe ny fanadiovana ny fandaminana tamin’ireo izay tsy mendrika ny ho ao. Nahatonga ny isan’ny mpitory ho latsaka be izany nandritra ireo dimy volana voalohany tamin’ny taom-piasana. Nanjary latsaka 7 isan-jaton’ny antsalan’isa tamin’ny taon-dasa izy io, nefa nanomboka tamin’ny Febroary, dia nitombo indray, hany ka tamin’ny faran’ny taom-piasana dia nahatratra fitomboana 9 isan-jato raha oharina amin’ny antsalan’isa tamin’ny taon-dasa, izahay.” Farany, rehefa voadio araka ny tokony ho izy ny fandaminan’i Jehovah teto Meksika, dia vonona ny hiditra teo amin’ny fe-potoam-panambinana ara-panahy izay niitatra hatramin’izao fotoana ankehitriny izao.
Fivoriamben’ny distrika izay tsy hadinonay mihitsy
Nisy fivoriamben’ny distrika sasany izay tsy nohadinoin’ireo izay nanatrika azy ireny mihitsy. Ny iray tamin’izany dia natao tao Mexico tamin’ny 13-15 Aprily 1945. Tsy nisy na dia iray tamin’ireo solontena aza tonga tamin’ny fiarakodiany manokana. Maherin’ny 200 no nandeha tamin’ny lamasinina avy tany Monterrey. Nisy soratra teo ivelan’ny iray tamin’ireo fiarandalamby nampahafantatra ny toerana halehan’izy ireo, ary tamin’ireo fijanonana teny an-dalana, ireo solontena dia nitory tamin’ireo mpivarotra sy ireo olona liana te hijery ka tonga teny. Mba hahatongavana tany amin’ny fivoriambe, ny fianakaviana iray nisy zazakely iray dia nandeha an-tongotra nandritra ny fito andro avy tany an-tranony tany Chihuahua ary avy eo dia nandeha tamin’ny lamasinina. Nanatrika
tany koa i N. H. Knorr sy i F. W. Franz, avy tany amin’ny foibe maneran-tany any New York. Tamin’ny andro voalohan’ny fivoriambe, dia olona 717 tamin’ireo 1 107 nanatrika no nivoaka teny amin’ny asa fitoriana mba hampahafantatra ilay lahateny ampahibemaso hoe “Tontolo Iray, Fitondram-panjakana Iray”, izay hataon’ny Rahalahy Knorr tao amin’ny Arena México. Ary dia vita tamim-pahombiazana io lahateny io, na dia teo aza ny ezak’ireo mpanaraby katolika mba hampitsaharana ilay fivoriana.Ny sasany tamin’ireo fivoriamben’ny distrika tsy hay hadinoina indrindra dia nampifanatona ireo Vavolombelona teto Meksika tamin’ireo rahalahiny kristiana tany an-tany hafa. Ny niavaka tamin’izany dia ny Fivoriambe Niraisam-pirenena Ny Sitrapon’Andriamanitra, natao tany New York tamin’ny 1958. Solontena avy tany amin’ny tany 123 no nanatrika izany, ka anisan’izany ny 503 avy teto Meksika. Nanana fahafahana handre sy hifankahita ary hifanerasera tamin’ireo Vavolombelona tahaka azy avy tany amin’ny faritra rehetra amin’ny tany izy ireo. Ny fivoriamben’ny distrika hafa iray nanafana ny fo toy izany koa dia natao tao Mexico, tamin’ny 1966. Solontena an-jatony maro avy tany amin’ny tany am-polony maro hafa no nanao dia mba hiaraka tamin’ireo rahalahiny teto Meksika, mba hanatrika ilay fivoriambe lehibe indrindra notohanan’ny La Torre del Vigía teto Meksika hatramin’izay. Maherin’ny avo 30 heny noho ireo nanatrika ilay fivoriambe tao Mexico tamin’ny 1945 ireo izay nanatrika tamin’io.
Ireo sarimihetsiky ny Fikambanana
Tany antenatenan’ireo taona 1950 tany ho any, ny Fikambanana dia nanomboka lafin-javatra hafa iray tao amin’ny fandaharam-pampianarany. Hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Salinas: “Ny anisan’ny nanampy be dia be teo amin’ny asa dia ireo sarimihetsika 16 mm hoe La Société du Monde Nouveau en action, Le bonheur de la Société du Monde Nouveau, L’assemblée internationale La Volonté divine des Témoins de Jéhovah, La proclamation de ‘La bonne nouvelle éternelle’ autour du monde ary ilay hoe Dieu ne peut mentir. Mora hita ny herin’izy ireo teo amin’ireo olona tsy nahafantatra tsara ny asantsika.” Ilay sarimihetsika voalohany dia nampiseho ny fiasan’ireo biraon’ny Fikambanana. Ireo sarimihetsika telo nanaraka dia nampiseho ireo fivoriamben’ny distrika natao tany amin’ny faritra
samihafa tamin’ny tany. Ilay farany dia nanampy ny mpanatrika hahita ireo fisehoan-javatra ara-baiboly lehibe indrindra sy hahatakatra ny hevitr’izy ireny ho an’ny androntsika.Ireny sarimihetsika ireny matetika dia naseho tao an-tokotanin’ny tokantrano iray na tao amin’ny efitrano nohofana iray. Nisy taratasy fanasana nozaraina; ho vokany, dia olona maro no nanatrika. Taorian’izany dia noraisina ny anaran’ireo izay naniry fanazavana misimisy kokoa.
Tamin’ny 1958, tao Tenexpa, any amin’ny Fanjakan’i Guerrero, dia nataon’ireo Vavolombelona ny fandaharana mba hampisehoana ny sarimihetsika vaovaon’ny Fikambanana teo amin’ny tany iray teo akaikin’ny toeram-pivoriany. Teo am-panadiovan’ireo rahalahy ilay tany, ny fitsidihana tsy nampoizina nataon’ny polisy iray dia niteraka fisalasalana ny amin’ny ho fahafahan’izy ireo hampiseho ilay sarimihetsika. Nilaza tamin’ilay mpikarakara ny kompania ilay polisy fa tsy maintsy nankany amin’ny ben’ny tanàna io rahalahy io. Nandeha àry ilay rahalahy, ary nanontany azy ilay ben’ny tanàna hoe: “Aiza no hasehonareo ilay sarimihetsika?” Rehefa nahare ilay valin-teny izy, dia nanao hoe: “Nahoana raha hasehonareo eto, ao amin’ny faritra mitafo amin’ny kianjan’ny tanàna ilay izy?” “Raha tsy misy fanoherana ny amin’izany ve moa (...).” Nanao fandaharana ilay ben’ny tanàna mba hisian’ny herin’aratra. Nisy dabilio nentina avy tao amin’ny trano fijerena sinema, ary nisy aza nitondra ny sezany, satria tsy nisy toerana afa-tsy ho an’ny olona 900 tao. Tokony ho 2 000 no tonga, ary novan’izy ireo ho lanonana ilay fisehoan-javatra, tamin’ny famelarana sakafo mba hankafizin’ny rehetra. Raha ny tena izy, isaky ny nampiseho ireo sarimihetsiky ny Fikambanana tany amin’ireo fanjakana avaratra teto amin’ilay Repoblika ny Rahalahy Salinas, dia nisy mpanatrika 500, 800 na hatramin’ny 1 000.
Biraon’ny sampana mba hahafahana hanaraka ny asa
Fony nahaforona ny fianakavian’ny Betela teto Meksika i Roberto Montero sy ny fianakaviany, ilay trano nifindran’izy ireo tao amin’ny 71, Lalana Melchor Ocampo, tao Mexico, dia ampy tsara ho an’ny fonenan’izy ireo sy ho an’ny biraon’ny sampana. Tsy nisy afa-tsy mpitory ilay Fanjakana narisika tokony ho 100 teto Meksika tamin’izany fotoana izany. Tamin’ny 1946 anefa dia tafakatra ho
3 732 ny isan’ireo Vavolombelona narisika ary voalamina hahaforona kompania 223 izy ireo. Mba hikarakarana ilay fandaharam-pampianarana lehibe nataon’ny Vavolombelona nanerana an’i Meksika, dia nilaina ny toerana niitatra kokoa. Nety indrindra àry ny nahavitan’ny biraon’ny sampana sy Trano Betela vaovao nifanila tamin’ilay trano teo aloha, sy ny nampiasana azy tamin’io taona io.Tamin’ny 1962, dia efa nampiasaina ny toerana farany azo nampiasaina tamin’io toerana io, hany ka nisy fanampiny nasiana rihana efatra notokanana. Izy io dia nisy toerana fanontam-pirinty kely nanaovana ny L’Informateur (izay Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny) tamin’ny teny espaniola sy ny taratasy hofenoina nilain’ny biraon’ny sampana sy ireo mpitory 27 000 narisika tamin’izay teo amin’ny asa fampianarana teokratika teto Meksika. Teo ambanin’ny fanaraha-mason’io birao io, ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana dia nanome fampianarana koa ho an’ireo mpiandraikitra ny kompania sy mpisava lalana manokana niparitaka nanerana an’i Meksika.
Firehetana ara-pivavahana fatratra mbola nitohy
Na dia niezaka nandritra ny am-polony taona maro aza ny fitondram-panjakana mba hamarana ny firehetana ara-pivavahana fatratra, ary na dia fantatra tsara nanerana an’i Meksika aza ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia naharomotra ny klerjy ny fandrosoana nataon’ny Vavolombelona tamin’ny fampianarana ny olona. Nandritra ireo taona 1960, dia nanjary nahery vaika kokoa noho ny hatramin’izay ny fanoherana tany amin’ny toerana sasany.
Ohatra, tao amin’ny tanànan’i Los Reyes de la Paz, ao amin’ny Fanjakan’i México, dia nisy fivoriamben’ny fizaran-tany nomanina hatao ny 4 sy 5 Aogositra 1963. Rehefa nanomboka ilay fivoriambe, dia nanao izay tsy handrenesana ny fandaharana ilay pretra teo an-toerana, tamin’ny fampiasana hauts-parleurs napetrany teo amin’ireo rindrin’ny fiangonana ary natodika nivantana tany amin’ny toerana nanaovana ilay fivoriambe. Nanao lahateny nandrehitra fientanam-po izy, ary nandefa ompa tamin’ireo Vavolombelona mba hitaomana ireo olona tao am-piangonana ho azon’ny fahavinirana tsy voafehy. Katolika an-jatony maro, izay tony sy tsara fanahy mazàna, no nampirisihina ho amin’ny herisetra. Niriotra hivoaka ny fiangonana izy ireo, nandrombaka tsora-kazo sy kibay ary vato.
Tsy voatana intsony izao ireo mpirotaka, ka nirohotra namely ireo Vavolombelona tafangona teo. Vavolombelona maherin’ny 30 no naratra. Roa tamin’ny tranon’izy ireo no notoraham-bato koa, ary nisy rindrina rava.Kanefa, noho ny fisalovanana ara-potoan’ny polisin-dalambem-pirenena, dia afaka nandeha soa aman-tsara ireo rahalahy izay tonga avy tany ivelan’ny tanàna. Farany, tamin’ny alatsinainy dia naparitaky ny miaramila ireo mpirotaka tezitra.
Ny gazety nivoaka isan’andro hoe Excelsior tamin’ny 6 Aogositra 1963, dia nanome izao tatitra izao: “Ny pretran’ny paroasin’i Los Reyes, i Jesús Meza, izay voatondron’ireo manam-pahefana ara-pitsarana ho ilay mpamoky ny olona hanao ireo rotaka, dia nandositra niala ny tanàna tao anaty fiarakodia notronin’olona an-jatony maro avy tamin’ny paroasiny, izay nitondra vato sy kibay ary antsibe ho fiadiana.”
Nampihiratra ny mason’ny olona tso-po sasany anefa iny rotaka iny. Rehefa afaka kelikely, rehefa nitory tao amin’io tanàna io indray ireo Vavolombelona, dia nahita vokatra tsara izy ireo. Menatra noho ny fitondran-tenany ny olona, ary tsikelikely dia nanomboka nihaino izy ireo. Tamin’ny fotoana nitrangan’ilay rotaka, dia roa ny isan’ireo kompania tao amin’ilay faritra. Avy tamin’ireo, dia nisy 50 fanampiny teo ho eo nipoitra.
Tsy fahaiza-milefitra ara-pivavahana tao Sahuayo
Ny tanàna hafa iray nipoahan’ny fanenjehana nahamenatra dia i Sahuayo, ao amin’ny Fanjakan’i Michoacán, tamin’ny Aogositra 1964. Nisy mpisava lalana manokana nitory tao tamin-jotom-po. Efa nanao fivoriana sasany niaraka tamin’antokon’olona liana vitsy izy ireo. Tetsy an-danin’izany, dia norahonana sy nompan’ny mpirotaka nangonin’ilay pretra teo an-toerana izy ireo. Nisy olona avy tao Sahuayo, ary koa avy tany Jiquilpán teo akaiky, nandray anjara tamin’io fitondrana ratsy io. Tsy indray mandeha monja fa imbetsaka ireo rahalahy no voatery niatrika tamim-pahasahiana mpirotaka teo amin’ny 200 ka hatramin’ny 300.
Tamin’ny 13 Aogositra, dia nanjary henjana aoka izany ny tarehin-javatra rehefa nisy olona maherin’ny 5 000 nanodidina ny tranon’ny mpisava lalana iray. Nitondra lasantsy izy ireo, vonona
ny handrehitra ilay trano sy handoro azy io niaraka tamin’ny mponina tao. Rahalahy iray sy anabavy dimy ary ankizivavy enin-taona no tao amin’ilay trano. Nisy polisy vitsivitsy nanandrana nanajanona ireo mpirotaka nisendoatra, nefa tsy nahomby firy izy ireo. Kanefa, tamin’ny fotoana tena nilana izany, dia nisy kamiao telo feno miaramila tonga tsy nampoizina teo amin’ilay toerana. Novonjena haingana ireo Vavolombelona ary noterena hiparitaka ireo mpirotaka. Rehefa niresaka momba ilay tarehin-javatra ireo gazety, dia nilaza ny alahelony lalina noho ny fitondran-tena tsy nahay nilefitry ny klerjy, izay nahatonga ilay zava-nanahirana.Nampidi-doza aoka izany ilay tarehin-javatra, hany ka noheverina fa fahendrena ny namindra toerana ireo mpisava lalana manokana hiala io faritra io. Tatỳ aoriana anefa, dia naniraka mpisava lalana tany amin’ny tanàna teo akaiky ny Fikambanana, ary nanatona tamim-pahamalinana an’i Sahuayo sy i Jiquilpán izy ireo. Nahita fahombiazana aoka izany izy ireo, hany ka tamin’ny 1974, folo taona taorian’iny fanenjehana iny, dia nisy kompania iray naorina tao Jiquilpán, ary tamin’ny 1990 dia nisy iray hafa naorina tao Sahuayo.
Nitady haka zavatra tao amin’ny paosiny aoriana ilay rangahy
Rehefa jerena ilay fanenjehana nahery vaika nitranga, moa ve ianao hanome tsiny an’ireo Vavolombelona raha natahotra kely izy ireo indraindray? Mahatadidy fanandraman-javatra toy izany tany amin’ny Fanjakan’i Jalisco i José Mora. Ihomehezany ilay izy ankehitriny, nefa tamin’izay dia tsy dia azony antoka loatra.
Vao avy nanonona tamin’ny rangahy iray ny andinin-teny tao amin’ny Salamo 115:16 izy hoe: “Ny lanitra dia an’i Jehovah; fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.” Nampiditra haingana ny tanany tao amin’ny paosy pataloany tao aoriana ilay rangahy. Noheverin’ny Rahalahy Mora fa haka fiadiana izy. Fahamaivamaivanana toy inona moa ny azy rehefa namoaka boky iray nisy ny Testamenta Vaovao sy ny Salamo ilay rangahy! Nijery ilay andinin-teny tao amin’ny Baiboliny izy io ary nanaiky ilay hafatra. Tsy ela dia tonga Vavolombelon’i Jehovah io rangahy io sy ny fianakaviany rehetra. “Voamariny anefa fa nanjary hendratrendratra kely aho”, hoy ny Rahalahy Mora, “ka, indraindray rehefa mifankahita izahay, dia mahatadidy iny fisehoan-javatra iny, dia mihomehy.”
Fihetsika mahafinaritra tato anatin’ireo taona faramparany
Na dia teo aza ny fanenjehana, dia nanohy nitombo ny isan’ny mpidera an’i Jehovah nanerana an’i Meksika. Nanjary nandaitra kokoa ny fitoriana ny vaovao tsara arakaraka ny nitomboan’ny fahatakaran’ireo rahalahy ireo raharaha ara-baiboly sy ara-pandaminana. Tsikelikely dia nanjary takatr’ireo mpitory kokoa fa nilaina ny nanolokolo ny fahalianana nasehon’ny olona sy ny nikarakara ireo ondry. Ho vokany, dia nitombo ny isan’ny fampianarana Baiboly. Tamin’ny 1970, tamin’ny antsalany, dia nisy fampianarana 43 961 notarihina isam-bolana; folo taona tatỳ aoriana, dia tafakatra ho 90 508 io isa io. Ny sasany tamin’ireo dia notarihina tamin’olona izay nandroso haingana be.
Marina izany ny amin’i Lino Morales sy ny vadiny. Nandeha nanao dia masina niaraka tamin’ny namana iray i Lino mba hitsidihana ny sarin’i Maria Virjiny iray tany amin’ny tanàna iray tany Goatemalà. (Nipetraka tao Mexico, ao amin’ny Fanjakan’i Chiapas, izy.) Nifanaiky izy mirahalahy fa hifandimby hiditra mba hanonona vavaka teo anoloan’ilay sary. Hoy ny tantarain’i Lino: “Rehefa tsy nivoaka afaka fotoana ela izy, dia nitsirika tamim-panajana be tamin’ny varavaran’ilay fiangonana aho, ary blasfemy re izany! Nanainga ny zipon’i Maria Virjiny ilay namako! Rehefa niantso mafy azy aho hoe: ‘Inona itỳ ataonao?’, dia mody nivavaka haingana izy. Niantso azy tamim-pihantsiana aho mba hivoahany, ary rehefa nivoaka izy dia nanainga ny totohondriko aho mba hamely azy. Nila fotoana elaela izy vao afaka nampiaiky ahy ny amin’izay nataony. Rehefa tony aho, dia nilaza izy fa nanjary diso fanantenana ny amin’ilay sary. Ny antony dia satria, rehefa nandohalika mba hanoroka ny tongotr’ilay sary izy, dia takany fa ny tarehy sy ireo tongotr’ilay sary ihany no voalambolambo tsara, fa ny tao ambanin’ilay akanjo kosa dia tapa-kazo kely fotsiny.”
Iny fisehoan-javatra iny, niaraka tamin’ny nahafatesan’ny zanany lahy kely, dia nisy vokany lalina teo amin’ny fomba fijerin’i Lino zavatra. Inona no nitranga nanaraka izany? Hoy ny tadidin’ny vadiny: “Nisy ramatoa roa tonga teo am-baravarako ka niresaka tamiko momba ny Baiboly ary tsy ela dia nampiaiky ahy fa niteny ny fahamarinana izy ireo. Nametraka boky iray tamiko izy ary nampanantena ny hiverina tatỳ aoriana. Raha vantany vao lasa izy
ireo, dia nanomboka avy ny orana. Rehefa nitohy ihany ilay orana, dia niverina ireo ramatoa roa, nefa niaraka tamin’ny vadiny avy indray izao, nitady fialofana tamin’ny orana. Tsy nety lefy anefa ny orana nandritra ny tolakandro manontolo, ary dia voatery natory tao an-tranoko izy ireo tamin’ny alina. Nanararaotra ilay fotoana izahay — izy ireo tamin’ny fizarana fahamarinana ara-baiboly, izaho kosa tamin’ny fianarana fahamarinana ara-baiboly. Nandeha vao maraina izy ireo ny ampitson’iny, tamin’ny fampanantenana ny hiverina. Mpisava lalana maharitra ilay nitarika tamin’ilay resaka. Avy tany amin’ny faritra atsimon’ilay fanjakana izy sy ny vadiny; ilay naman’izy ireo dia i Caralampio avy tany amin’ny tanànan’i La Trinitaria. Gaga be aho rehefa niverina ny tolakandron’iny andro iny ny vadiko. (Niasa lavitra be tany amin’ny sekoly iray tany ambanivohitra i Lino.) Taorian’ny sakafo hariva, dia nilaza taminy aho fa nisy mpitory nitsidika ahy ary nametraka boky iray ho ahy. Nanomboka niara-nandinika azy io tamin’ny alalan’ilay fanazavana nomen’izy ireo ahy izahay mivady, ary dia tsy nahavita nanilika ilay boky. Rehefa nahatsiaro tena izahay, dia efa lasa ny alina ary efa nanomboka niposaka ny andro. Tsy natory mihitsy izahay tamin’iny alina iny.”Nanomboka nanomana ny sakafo maraina ny vadin’i Lino, fa i Lino kosa nanisy lasely ny soavaly. Tamin’iny maraina iny izy dia nanao dia 20 kilaometatra, hatrany La Trinitaria, mba hitady an’i Caralampio. Hitany ilay trano, nefa tsy nisy olona tao, satria tany am-pitoriana i Caralampio. Na dia izany aza, dia namela hafatra tamin’ny mpifanila trano iray i Lino. “Kivy kely aho rehefa nody”, hoy ny tadidin’i Lino, “nefa, fahagagana re izany! Vao maraina koa ny ampitson’iny, dia nahare olona nandondona teo am-baravarana aho. Rehefa nivoaka aho, dia teo ireo mpitory! Tokony ho tamin’ny fito ora hariva, dia azon’izy ireo ilay filazana hoe nitady azy ireo izahay. Niomana avy hatrany izy ireo ary nanao dia an-tongotra nandritra ny alina manontolo, ka tonga tao an-tranoko rehefa nazava ny andro. Koa tao anatin’ny latsaka ny 48 ora taorian’ny nametrahan’izy ireo ilay boky, ary na dia teo aza ny fahalaviran-dalana sy ny alina, dia efa nanao fiverenana mitsidika iray sahady ireo mpitory ireo.”
Naharitra telo andro ilay fiverenana mitsidika! Nandritra izany fotoana izany, dia nampianatra ireo fahamarinana fototra avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra tamin’i Lino sy ny vadiny izy ireo. Tamin’ny andro fahefatra, dia niaraka tamin’ireo Vavolombelona mba hitory tamin’ny hafa izy roa. Izay no niandohany, ary dia fianakaviambe iray no nanomboka nanompo an’i Jehovah.
‘Velomy indray ny zanako lahy, raha tsy izany dia hariako any ivelany ianareo’
I Edilberto Juárez, tany amin’ny Fanjakan’i Oaxaca, koa dia nanaiky haingana ny fahamarinana. “Tao anatin’ny alahelo aho noho ny nahafatesan’ny zandriko lahy sy ny zanako lahy izay namono tena tamin’ny andro iray ihany”, hoy izy nahatsiaro. “Rehefa nandinika io zava-nitranga nifarana tamin’ny fahafatesana io aho, dia nitodika avy hatrany tany amin’ireo andriamanitro (ireo sary) izay nahafeno ny rindrina iray manontolon’ny lafiny iray tamin’ny tranoko, ary dia nilazako izy ireo fa tsy maintsy velomin’izy ireo indray ny zanako lahy, raha tsy izany, dia hariako any ivelany izy ireo. Rehefa afaka valo andro, rehefa hitako fa tsy
nampiseho ny heriny velively ireo andriamanitra ireo, dia nodioviko tsy hisy azy ireo ny tranoko. Nandatsa-dranomasom-pijaliana aho noho ny namoizako ireo olon-tiako.“Nanatona ahy ny mpampianatra iray ary niezaka ny hampionona ahy. Nanome ahy Testamenta Vaovao iray izy ary nanipy hevitra ny hamakiako azy io, nefa satria aho mbola tsy nahita Baiboly mihitsy, dia tsy nahaliana ahy ilay izy, ka nampirimiko. Tokony ho tamin’io fotoana io, dia nitsidika ahy ny Pentekotista iray. Teo am-piresahanay, dia nahamarika lehilahy iray nitondra kitapo aho. Fantatr’ilay Pentekotista ho Vavolombelon’i Jehovah izy io, ka nanipy hevitra izy ny hampandrosoanay azy satria hahafantatra bebe kokoa momba ny Soratra Masina izy. Nandroso ilay Vavolombelona ary, raha vao fantany fa tao anatin’ny alahelo aho, dia nanomboka niresaka momba ny fitsanganana amin’ny maty izy. Tena nahaliana be ahy ilay izy.”
Nanomboka nitsidika tsy tapaka an’i Edilberto io Vavolombelona io, na dia nitaky ny hanaovany dia an-tongotra lava aza izany. “Tamin’izay aho dia nanomboka niresaka tamin’ny olon-kafa momba ny finoako vaovao”, hoy i Edilberto. “Nanjary liana tamin’ny fahamarinana ny telo tamin’ireny olona ireny ary nanomboka nivory tao an-tranoko; koa rehefa nitsidika anay ilay mpitory, dia efatra izahay no nianatra ny Baiboly.”
Fianarana fohy ho an’ny fampianarana “ara-kolontsaina”
Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, ilay boky nantsoina hoe ‘ilay bomba manga’ tamin’izany fotoana izany, dia navoaka tamin’ny 1968, ary nampirisihina isika mba hiara-mianatra azy io tamin’ny olona nandritra ny enim-bolana. Tsy ny rehetra anefa no nianatra ela be toy izany. Tamin’ny toe-javatra iray, dia notarihina tao anatin’ny tapa-bolana latsaka ny fianarana. Nanao izao tatitra izao ny biraon’ny sampana:
“Nahafantatra ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny famandrihana fanomezana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny ramatoa iray. Rehefa nitsidika ny tanàna iray teo akaikiny ny mpikarakara ny distrika sy ny vadiny, dia nanatrika ny fivoriamben’ny fizaran-tany izy. Niresaka taminy ilay rahalahy sy ny vadiny ary nahamarika ny faniriany feno fahatsorana hanompo an’i Jehovah sy hanampy ny olona any amin’ilay tanàna kely ipetrahany. Natao àry ny
fandaharana mba hiarahana mianatra ny boky Fahamarinana taminy. Ny nanahirana dia ny tsy fahampian’ny fotoana hanaovana ilay fianarana araka ny nosoritan’ny Fikambanana, satria tapa-bolana monja izy no ho ao amin’ilay tanàna nanaovana ilay fivoriambe ary avy eo dia hiverina amin’ny fiaramanidina kely any amin’ilay tanànany any an-tampon-tendrombohitra. Noho izany, dia nitarika fianarana zavatra be dia be taminy nandritra ny tapa-bolana ny vadin’ilay mpikarakara ny distrika. Raha ny tena izy, dia notarihina nanomboka tamin’ny zoma ka hatramin’ny zoma tao anatin’ny telopolo ora ilay fianarana, ary dia vita ilay boky Fahamarinana iray manontolo. Naniry hanararaotra ny fotoana nananany io ramatoa io, hany ka tamin’ny tolakandro sy tamin’ny hariva ilay mpikarakara ny distrika sy ny vadiny dia nandany adiny roa ka hatramin’ny adiny telo mba hamaliana ireo fanontaniany maro be. Tamin’ny faran’ireo herinandro roa, dia efa voatsipiny avokoa ny valin’ireo fanontaniana rehetra tao amin’ny bokiny ary tena nafana fo izy ny hiverina tany amin’ny tanànany nitokana sy hanampy ny hafa.”Talohan’ny nandaozany ilay tanàna tamin’ny faran’ilay herinandro faharoa, dia natao batisa izy. Rehefa tafody izy, tsy ela dia nitarika fampianarana valo, nisy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana notarihina tamin’ny mpanatrika 15, ary nisy groupe isolé iray niforona. Izao dia misy kongregasiona iray any amin’ny misy azy.
Mandray soa avy amin’ny fandaharana ny amin’ny loholona ireo “kompania”
Mifanaraka amin’ny torohevitra araka ny Soratra Masina avy amin’ny mpanompo mahatoky sy malina, dia nisy fandaharana vaovao momba ny fanaraha-maso ireo “kompania” naorina tamin’ny 1972. Ilay “mpikarakara kompania” tokana izay nanara-maso ny zava-drehetra dia nosoloana fitambaran-doholona iray. Isaky ny azo natao izany, dia nampiharina. Tamin’izay anefa, toy ny ankehitriny koa, dia kompania maro no nisy mpitory velom-pankasitrahana raha nanana teo anivony na dia rahalahy iray, na roa, monja aza, nahafeno fepetra mba ho loholona. Maro tamin’ireo mpikarakara kompania no tonga loholona araka io fandaharana vaovao io, nefa ny sasany dia tsy tena nahafeno ireo fepetra takin’ny Soratra Masina. Ireo izay nahafeno fepetra dia tsy afaka ny ho olona izay nitondra ny andian’ondry tamim-pahasiahana, toy ny 1 Pet. 5:2, 3, NW ). Noho ny fisian’ny lehilahy roa na mahery nahafeno fepetra araka ny Soratra Masina manompo amin’ny maha-fitambaran-doholona, dia nanjary nanana fangoraham-po kokoa ny fandaminana tamin’ny fikarakarana izay zavatra nilain’ny andian’ondry, ka nanahaka akaiky kokoa an’i Jesosy Kristy, ilay Mpiandry Tsara.
nataon’ny sasany tamin’ny lasa. (Hatramin’izao dia mbola ilaina ihany ny hisian’ny lehilahy hafa koa mahafeno fepetra mba ho loholona. Noho ny fitomboan’ny isan’ny Vavolombelona haingana, dia kongregasiona (nantsoina hoe “kompania” hatramin’ny 1989) maro no tsy misy afa-tsy loholona iray sy mpikarakara momba ny asa maromaro mikarakara azy ireo; amin’ny toe-javatra sasany, dia mpikarakara momba ny asa no miantsoroka ireo andraikitra rehetra. Tany Tantoyuca, any Veracruz, dia nisy kongregasiona roa nefa loholona iray monja. Nifindra tany amin’io faritra io i Enrique Hernández Montes (loholona sady mpisava lalana), niaraka tamin’ny fianakaviany, mba hitondra fanampiana. Tao amin’ilay kongregasiona nanendrena azy, dia nisy olona liana maro aoka izany, hany ka tsy tafiditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana daholo izy rehetra. Nilaina ny nandamina ilay antokon’olona ho tapany roa sy ny namerina ireo fivoriana ho an’ilay antokon’olona faharoa. Tany Palmillas, any Sinaloa, taona vitsivitsy lasa izay, dia hitan’ilay loholona tokana tao fa olona 21 no naniry hatao batisa tamin’ny fivoriambe nanaraka. Nanao araka izay azony natao izy mba hiaraha-mandinika ireo fanontaniana ho an’ny mpilatsaka hatao batisa, tamin’izy rehetra.
Na dia rehefa tena voafetra aza ny isan’ireo rahalahy mahafeno fepetra, dia misy fanehoam-piheverana tsara kokoa an’ireo ondry, noho ilay fandaharana ny amin’ny andraikitra voatsinjara.
Nisy fotoam-panasivanana
Nisy fanantenana mafy momba ny taona 1975 sy izay nety ho heviny teo amin’ny fahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah. Nisy naniry mafy io daty io ho ny fotoana handringanana ny fandehan-javatra tranainy sy hanorenana ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Rehefa tsy tanteraka ireo fanantenana ireo, dia nisy sasany nitsahatra tsy nanompo an’Andriamanitra. Nisy nanjary mpivadi-pinoana. Ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa dia
natosiky ny fitiavana an’i Jehovah. Fantatr’izy ireo fa tsy maintsy ho tanteraka ny Tenin’Andriamanitra.Tamim-patokiana tanteraka an’i Jehovah, nandritra ny 1975-1976, ny fandaminana maneran-tany dia nivonona ho amin’ny fitomboana fanampiny. Tsy diso fanantenana isika. Ary i Meksika dia nanana anjara mendri-komarihina teo amin’ny fitarana izay nitranga. Inona no anisan’ny nitarika ho amin’izany?
Fianakaviana maro anaka tafaray ao amin’ny fanompoana an’i Jehovah
Maro anaka ireo fianakaviana eto Meksika. Koa rehefa atomboka ny fampianarana Baiboly iray, matetika dia misy olona telo, efatra na mahery mandray anjara amin’izany. Amin’ny ankapobeny, dia tafaray foana ireo fianakaviana, ary tena manaja ny ray aman-dreniny ireo ankizy. Ny iray amin’ny vokatr’izany dia, rehefa manaiky ny fahamarinana ny ray aman-dreny, dia manao izany koa ny ankizy. Rehefa ampiharina ny torohevitra ara-baiboly, dia vao mainka mihamafy ireo fatoram-pianakaviana, ary fianakaviana iray manontolo matetika no mandray anjara amin’ny fanompoana an’i Jehovah.
Atao tsapan’ireo tanora fa anisan’ny kongregasiona izy ireo. Any amin’ny fivoriana, dia mifampiarahaba amin’ny fifandraisan-tanana mafana ny rehetra — ary tafiditra amin’izany koa ireo ankizy. Mahalana ireo ankizy vao maneho tsy firaikana any amin’ireo fivoriana. Maniry handray anjara avokoa izy rehetra, sady dodona ny hanampy amin’ny asa hafa mahakasika ny efitrano.
Fianakaviana iray manontolo no hita matetika miara-mandray anjara amin’ny asa fitoriana. Amin’ny toe-javatra sasany dia misy manao ezaka mba handraisan’ny ankamaroan’ny mpianakavy anjara amin’ny asan’ny mpisava lalana. Ohatra, ao amin’ny Kongregasionan’i Oriente ao Zapata, any amin’ny Fanjakan’i Morelos, i Guilebaldo Hernández sy ny vadiny dia manan-janakavavy telo izay mpisava lalana manokana ary zanaka vavy telo izay mpisava lalana maharitra (any amin’ny faritany mitokana). Ny zanany roa lahy dia mpitory sady mpikarakara momba ny asa, ary ny zanany vavy roa hafa (11 sy 12 taona) dia mpitory tsy vita batisa. Ao amin’io fianakaviana misy mpianakavy 12 io, dia misy mpitory 6 sy mpisava lalana 6!
Ao amin’ny Kongregasionan’i Estrella, ao amin’ny tanànan’i Aguascalientes, ao amin’ny Fanjakan’i Aguascalientes, i Sabino Martínez Durán dia loholona sady mpisava lalana maharitra. Ny vadiny sy ny zanany vavy dia mpisava lalana maharitra koa. Ny zanany lahy hafa iray dia mpisava lalana maharitra sady mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasionany koa. Ny zanany lahy iray dia mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betelan’i Meksika, ary ny zanany lahy hafa iray koa dia mandray anjara amin’ny asa fanorenana any amin’ny sampana.
Miteraka vokatra tsara ny fanajana ray aman-dreny
Tsy isalasalana fa ny fifanajana misy eo amin’ny mpianakavy meksikanina dia anisan’ny mampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana. Izany dia hita koa amin’ny fanandraman-javatra iray tany amin’ny Fanjakan’i Chihuahua.
Ireo loholona tany Navojoa, any amin’ny Fanjakan’i Sonora, dia nahare fa tany El Trigo de Russo, any amin’ireo tendrombohitry ny Fanjakan’i Chihuahua, dia nisy olona nianatra ny Baiboly tamin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana, toy ny boky Fahamarinana. Nanao dia sarotra naharitra iray andro ny loholona iray sy ny mpikarakara momba ny asa iray mba hanamarinana ilay tatitra ary mba hanampiana izany olona vao liana izany. Nahita mpampianatra iray sy ny vadiny, izay tsy Vavolombelona, nitarika fampianarana Baiboly tamin’ny olona, izy ireo. Niara-nivory indroa isan-kerinandro izy ireo ary nisy mpanatrika 25 ka hatramin’ny 30. Ahoana no niantombohan’izany?
Tonga nitsidika ny zanany lahy ny renin’ilay mpampianatra, izay Vavolombelon’i Jehovah. Nandritra ny fivahiniany tao izy dia nitory tamin’ny olona sasany tao amin’ilay faritra ary nametraka boky Fahamarinana tamin’izy ireo. Nahita ny fahalianana nasehon’ireo olona ireo izy, ka niangavy ny zanany lahy sy ny vinantovaviny mba hanampy azy ireo. Tsy Vavolombelon’i Jehovah io mpivady io, na dia nampianarin-dreniny tao amin’ny lalan’i Jehovah aza ilay lehilahy, fony izy mbola kely. Noho ny fitiavany sy ny fanajany an-dreniny, dia nanaiky hampianatra ireo olona izy, ary mazava ho azy fa vonona ny hiara-miasa taminy ilay vinantovavy. Rehefa nampianatra ilay antokon’olona izy ireo, dia taitra koa ny
fahalianan’ny tenany. Tao anatin’ny efa-bolana dia vitan’izy ireo ny boky Fahamarinana. Nanao fandaharana ireo rahalahy roa avy tany Navojoa mba hisian’ny fitsidihan’ny loholona sy ny mpitory hafa tsy tapaka. Ireo olona voalohany tonga mpitory tamin’io antokon’olona io dia ilay mpampianatra sy ny vadiny. Natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1989 izy ireo. Tamin’ny Jona 1990, dia nisy kongregasiona voaforona mpitory folo niorina tao El Trigo de Russo, ary saiky ny olona rehetra mipetraka ao amin’io faritra io dia mianatra Baiboly avokoa.Manome izay ilaina ny Sekoly Ara-kolontsain’i Gileada
Mpisava lalana tanora maro teto Meksika no nanana ny faniriana hanompo any an-tany hafa izay ilana fanampiana bebe kokoa. Kanefa, noho ny fanampiana be dia be efa nilaina teto amin’ny saha meksikanina, dia tsy nampirisihana ny handehanan’izy ireo tany ivelany, ary vitsy dia vitsy no nasaina mba hanatrika ny Sekolin’i Gileada. Ankoatra izany, ny fanatrehana ny Sekolin’i Gileada dia nitaky ny hianaran’izy ireo ny teny anglisy, izay sarotra tamin’ny sasany. Nandritra ny 1980-1981, anefa, dia nisy mpisava lalana meksikanina tanora 72 afaka nahazo fampiofanana manokana tao amin’ny Sekoly Ara-kolontsain’i Gileada teto Meksika mba hanompo any amin’izay rehetra mety hilana azy tatỳ Amerika Latina.
Koa satria tsy ho sahirana ireo nahazo diplaoma ireo raha ny amin’ny fiteny, sady ho any amin’ny tany misy kolontsaina mitovy be amin’ny an’i Meksika izy ireo, dia ho afaka ny hizatra mora foana amin’ireo tany hanendrena azy izy ireo.
Notokanana ny biraon’ny sampana vaovao
Noho ny fitohizan’ny fitomboan’ny fandaminana, dia nanjary kely loatra ireo birao teo amin’ny 71, Lalana Melchor Ocampo mba hikarakarana ny asa natao tao. Tamin’ny 1973, dia nividy tany iray tany ivelan’i Mexico, tao amin’ilay tanàna nantsoina hoe El Tejocote, ny La Torre del Vigía, ary tao dia naorina ny Trano Betela iray vaovao sady malalaka, omby olona maherin’ny zato. Nifindra tao ny fianakavian’ny Betela, ary dia notokanana izy io tamin’ny Aprily 1974. Toa hoe ho ampy tsara izy io mba hanampiana anay hikarakara ny asa mandritra ny taona maro. Tsy marina anefa izany!
Noho ny hafainganam-pandehan’ny fitomboan’ny isan’ny Vavolombelona, dia nanjary nilaina ny nanitatra, hany ka nisy birao nanampy sy notokanana tamin’ny 1985, ary birao fanampiny koa tamin’ny 1989.Ho fanampin’ny fanomezana birao sy toerana hipetrahan’ny mpianakavin’ny Betela, dia nilaina koa ny fahafahana hamokatra zavatra vita an-tsoratra be dia be ho an’ny saha teto Meksika. Nihananjary sarotra hatrany ny fahazoana gazety avy tany ivelan’i Meksika. Naniry hanao pirinty ny gazetinay izahay, nefa ny lalàna dia tsy nanome lalana ny fikambanana sivily iray hanao izany. Ho vahaolana tamin’io tarehin-javatra io, tamin’ny 1983 dia nanao fandaharana izahay mba hanaovan’ny orinasa iray teto an-toerana pirinty ny La Atalaya sy ny ¡Despertad! Nandramanay koa ny nampanao pirinty boky tany amin’ny trano mpampanonta samihafa. Kanefa, ny tsara indrindra sy tamin’ny vidiny mirary indrindra dia ny fanontana boky tsy mifono baoritra. Nanahirana foana ny tsy fahampian’ny fahatsarana sy ny fahataran’ny fahatongavan’ireo boky.
Tamin’izay, dia notapahina ny hevitra mba hanorina fikambanana hafa iray natao ho an’ny fampanontana indrindra indrindra. Ny fiasany dia nifanaraka tamin’ireo fepetra ara-dalàna rehetra takina amin’ny fanaovan-javatra toy izany eto Meksika. Novidina ary nohavaozina ny ozinina iray tokony ho 15 minitra avy teo amin’ny Betela, ary nisy fanontam-pirinty vaovao napetraka tao. Toy inona moa ny fifaliana rehefa nampandrenesina fa tany Brooklyn ny Fikambanana Watchtower dia nametraka presses rotatives (milina fanontam-pirinty) M.A.N. roa teo ambony sambo iray hiondrana ho atỳ Meksika! Toy inona anefa ny fahadisoam-panantenana rehefa re fa tojo rivo-doza nahery vaika teny amin’ny ranomasina ilay sambo, ka potika ireo milina! Nankany amin’ny seranan-tsambon’i Veracruz i Roberto Gama, mpikambana tao amin’ny Komitin’ny Sampana mba handray ireo milina — na izay sisa tavela tamin’izy ireo. Tsy nahatana ranomaso izy rehefa nahita azy ireo.
Ho azo atao ve indray andro any ny hanamboatra indray ireo milina ireo? Angamba tamin’ny fotoana hafa sy tao anatin’ny toe-javatra hafa, dia ho nakana pièces détachées izy ireo. Tamin’izao toe-javatra izao anefa, dia tsy maintsy natao izay handehanan’izy
ireo, ary tsy asa tsy azo natao izany ho an’ireo rahalahy izay nianatra ny hamoron-javatra avy amin’ny zava-misy sy hampiasa na inona na inona mihitsy mba hahazoana ireo zavatra ilaina eo amin’ny fiainana. Naniraka rahalahy roa avy tany Brooklyn ny Fikambanana mba hanampy ireo rahalahy meksikanina, ary noho ny ezaka sy fikirizana lehibe, ary koa faharetana, dia voamboatra na voasolo ireo tapany simba ary dia natao vonona mba hiasa ilay milina voalohany. Noho i Jehovah, dia nandeha izy io! Taorian’izay, dia nampandehanina koa ilay milina faharoa.Tena fifaliana marina rehefa nivoaka avy tamin’ilay milina ny nomeraon’ny La Atalaya tamin’ny 1 Oktobra 1984. Ny ¡Despertad! voalohany nivoaka avy tamin’ilay milina dia ny nomerao tamin’ny 22 May 1985. Toy inona moa ny fahamaivamaivanana rehefa notapahina amin’izay ny fatorana tamin’ireo orinasa mpanao pirintin’izao tontolo izao!
Milina fanontam-pirinty Hantscho vaovao roa mampiasa loko efatra no nandrasana ho tonga tamin’ny 1987, hany ka nohalehibeazina ilay toerana fanontam-pirinty mba ho omby azy ireo. Tamin’ny Septambra 1988, dia nivoaka avy tamin’ilay milina ny “¡Mira! Estoy haciendo nuevas todas las cosas” (ilay bokikely hoe “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”) niloko! Nanomboka tamin’izay, dia natao pirinty teto ireo boky sy gazety rehetra ilaina eto Meksika sy any amin’ny tany maro atỳ Amerika Afovoany. Manao pirinty gazety efatra tapitrisa isam-bolana ireo milina roa mampiasa loko efatra.
Ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Meksika
Ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia niasa foana araka ny fitsipika fototra mitovy ihany, teto Meksika, toy ny tany amin’ny tapany hafa amin’ny tany. Afa-tsy izany koa, nanomboka tamin’ny 1931, dia nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah ireo rahalahy. Na dia izany aza, nandritra ny taona maro, teto Meksika, dia nilaina ny niasan’ny fandaminana ho toy ny fikambanana sivily sy ara-pampianarana, araka ny nohazavaina teo aloha.
Kanefa, nandritra ireo taona 1980, dia nisy fiovana nanomboka nitranga. Nitsidika imbetsaka ny sasany tamin’ireo toeram-pivorianay ireo solontenan’ny fitondram-panjakana ka nanizingizina
ny hanoratana ara-dalàna azy ireo teo amin’ny fitondram-panjakana ho toy ny toerana fanaovana fivoriana ara-pivavahana ary koa ny hahatongavan’izy ireo ho fananam-pirenena. Tetsy an-danin’izany, dia nihananjary sarotra hatrany ny nanofa toerana ampahibemaso ho an’ireo fivoriamben’ny distrika sy fizaran-tany nataonay, satria nanizingizina ireo manam-pahefana fa ny lalàna dia nandrara ireo fivoriana ara-pivavahana tamin’ny toerana ampahibemaso.Izany dia nitarika ho amin’ny fihaonana tamin’ny solontenan’ny fitondram-panjakana tamin’ny 1988. Nanjary fantatray fa ireo manam-pahefana, na dia tsy nanan-kitarainana momba ny fitondran-tenan’ny fandaminanay aza, dia nahatsapa tsy fatokiana tsy nisy ohatra izany, noho izay nolazain’ny hafa tamin’izy ireo momba ny fandaminanay sy ny fihetsikay teo anatrehan’ny sainam-pirenena. Ankoatra izany, dia nihevitra izy ireo fa niasa an-kinafinafina ny fandaminanay satria tsy mora fantatra ireo toeram-pivorianay. Tamin’ireo fihaonana nataonay tamin’ireo manam-pahefana, dia nahazo fanambarana feno momba ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Natao mazava tsara ny toerantsika ny amin’ny fialanalanana kristiana, ary koa ny fanajantsika ny fahefan’ny fitondram-panjakana, izay ampifandanjaina amin’ny fanizingizinana tsy hanao izay heverintsika ho fanompoan-tsampy. Ny fanatsoahan-kevitra avy tamin’ireny fanadinadinana ireny dia hoe tokony hiasa an-karihary ho toy ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fandaminantsika, na dia nidika aza izany fa ho fananam-panjakana daholo ireo toeram-pivorianay rehetra. Izany dia hamela ireo manam-pahefana hahafantatra amin’ny fomba tsara kokoa ny asanay, ary, araka ny hevitray, izany dia tokony hanana vokatra tsara. Na dia izany aza, dia tsy nisy vahaolana ny amin’ny fomba hahafahanay hanao fivoriambe lehibe.
Tamin’ny 1989, noho ny faneken’ny Fitambara-mpitantana, dia nisy taratasy iray nosoratana ho an’ny “kompania” rehetra, nilazana fa, nanomboka tamin’ny 1 Aprily, dia hiasa ho toy ny fandaminana ara-pivavahana izahay eto Meksika. Taorian’izay, tao amin’ny Nuestro Ministerio del Reino (Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana), izay tsy nantsoina intsony hoe Informador (L’Informateur) de la Torre del Vigía, tamin’ny Jona, dia nisy tsipirian-javatra fanampiny nomena. Nanomboka tamin’izay, dia nampiasaina
isam-baravarana ny Baiboly, ary nanolotra vavaka ireo rahalahy tany amin’ireo fivoriana. Tatỳ aoriana, dia nanomboka nanao hira izahay tany amin’ireo fivoriana.Azonao alaina sary an-tsaina fotsiny ny fifaliana nentin’izany ho an’ireo kongregasiona! Nisy ranomasom-pifaliana nikoriana teo amin’ny tarehin’ireo rahalahy tany amin’ireo Efitrano Fanaovana Fianarana Ara-kolontsaina, na hoe Efitrano Fanaovana Fianarana (izay nanjary hoe Efitrano Fanjakana amin’izao fotoana izao), ary tany amin’ireo fivoriamben’ny distrika sy fizaran-tany, rehefa natomboka ny fiaraha-mivavaka sy mihira. Ankoatra izany, ny fampiasana mivantana ny Baiboly teo amin’ny fitoriana isam-baravarana dia nampitombo ny zotom-pon’ireo rahalahy, sy nahatonga ny asan’izy ireo handaitra kokoa, ary nanome azy ireo fahafaham-po lehibe. Tsy takatray tamin’ny fomba feno akory tamin’izay, fa nanorina fototra hiarovana araka ny lalàna ny fomba fiainanay kristiana koa izahay.
Tao anatin’ny fanerena mafy ireo ankizy Vavolombelona
Niharan’ny fanerena mafy foana ireo zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo tsy miarahaba ny saina — na saina inona izany na saina inona. Na nandeha irery ireo ankizy na niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, dia nanazava ny toerana notanany tamin’ireo mpampianatra azy. Indraindray dia nekena ny fanazavany, nefa tamin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia noroahina avy tao an-tsekoly izy ireo. Rehefa noroahina ireo ankizy, dia nitady sekoly iray nisy mpampianatra nahay nilefitra kokoa ireo ray aman-dreny mba hahafahan’ny zanany hanohy ny fianarany. Kanefa, tsy nisy zavatra firy azo natao araka ny lalàna, satria tsy nisy fototra nahafahana niaro ny zon’ireo ankizy teo anatrehan’ireo manam-pahefana.
Arakaraka ny nitomboan’ny isan’ny mpitory, dia nitombo koa ny fanerena nihatra tamin’ireo ankizy Vavolombelona. Nanakiana ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo lahatsoratra an-gazety. Koa satria niasa ho toy ny fandaminana ara-pivavahana izao izahay teto Meksika, dia tonga ny fotoana hanombohana ezaka manokana iray ho fiarovana ny feon’ny fieritreretan’ny ankizy Vavolombelona tany an-tsekoly.
Ady ho an’ny fahalalahana raha ny amin’ny feon’ny fieritreretana any an-tsekoly
Tamin’ny 1989, dia nisy fiangaviana mafy natao tamin’ireo manam-pahefam-pirenena ho an’ny zon’ireo ankizy hahazo fanabeazana, nifanaraka tamin’ny antoka omen’ny Lalàm-panorenan’i Meksika. Ireo mpisolovavan’ny Vavolombelona manerana an’i Meksika dia niara-niasa tamin’ireo komity naorina mba hampifandrindra ny fikarakarana ireny raharaha ireny teo ambany fitarihan’ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna ao amin’ny sampana. Rehefa nasaina niatrika fitsarana ny manam-pahefana maro tany an-tsekoly, dia nihemotra. Maherin’ny zato ireo raharaha nentina tany amin’ny fitsarana. Sivy amby efapolo no nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah, ary 28 no mbola eo am-piandrasana. Raharaha valo amby roapolo no nangatahana famerenam-pitsarana tany amin’ireo Magistrados de los Colegiados de Circuito (fitsarana izay ambony kokoa noho ireo mpitsaram-pirenena), ary tamin’ireo, dia didim-pitsarana 14 nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah no noraisina, ka nanorina modely ho an’ireo fitsarana ambany kokoa. Tsy nomena lalana tsy hanatrika ireo fombafomba fanomezam-boninahitra ireo ankizy; nanapaka anefa ireo mpitsara, mifanaraka amin’ny lalàna, fa tsy misy ankizy azo sakanana tsy hahazo fanabeazana, na noho ny antony inona izany na noho ny antony inona. Rehefa nanao didy jadona ireo manam-pahefan’ny fanabeazana, dia nisalovana ireo manam-pahefam-pirenena tamin’ny toe-javatra maro. Nisy manam-pahefan’ny fanabeazam-pirenena sasany nanjary nahalala ny antonona kokoa momba io raharaha io, ary nandefa toro lalana sasany izay nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah.
Nisy fandaharana iray nalamina mba hitsidihan’ny Vavolombelona ireo manam-pahefan’ny sekoly tany amin’ny faritra rehetra eto Meksika. Izany dia mba hanomezana azy ireny fanazavana avy tamin’ny tenan’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy, momba ny toerana tanantsika raha ny amin’ny fombafomba tsy ara-pivavahana. Nisy fanazavana ara-baiboly sy araka ny lalàna nozaraina tamin’izy ireny. Maro tamin’ireny olona ireny no tsy nahalala firy momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanjary takatr’ireo manam-pahefana tsikelikely fa ny fandavan’ny ankizy Vavolombelona tsy handray anjara amin’ny fombafomba fanomezam-boninahitra sasany dia Eks. 20:4; Rom. 13:1). Na dia tsy voalamina tanteraka aza ireo zava-manahirana, dia nisy fanambarana tsara natao tamin’ireo mpitsara sy manam-pahefan’ny sekoly ary mpampianatra, ary ho vokany, dia nampiseho fahalianana tamin’ny fahamarinana ny sasany taminy. — Matio 10:18-20.
toerana tanany mifanaraka amin’ny feon’ny fieritreretana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika ara-pivavahana. Takatr’izy ireo koa fa, na dia eo aza izany, ireo ankizy dia manaja ireo mariky ny firenena sy ireo manam-pahefana. (Ny mpitsaram-pirenena iray tany Ciudad Juárez, any Chihuahua, izay namoaka didim-pitsarana nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah, ankehitriny dia tsidihin’ireo rahalahy. Nilaza tamin’izy ireo vao haingana izy fa kely sisa dia ho vitany ny famakiana ny boky La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création? Avy eo dia nanokatra ny vata sarihin’ny biraony izy ary nilaza hoe: “Ato ilay Baiboly napetrakareo tamiko, ary ireto boky roa ireto no namako akaiky indrindra.”
Ny vehivavy mpitsaram-pirenena hafa iray, tany Chilpancingo, any Guerrero, dia namoaka didim-pitsarana iray nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah. Nangataka tamin’ireo rahalahy io ramatoa io mba hanazavan’izy ireo taminy mazava tsara ny toerana tanantsika momba ny fialanalanana kristiana. Nankasitrahany ilay fanazavana ary nasehony fa, na dia tsy nahatakatra mazava tsara ny toerana tanantsika aza izy teo aloha, dia faly satria ny didim-pitsarana navoakany, izay nifanaraka tamin’ny lalàna, dia nanome rariny antsika. Nanaiky zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly sasany koa izy.
Fivoriamben’ny distrika sy fizaran-tany — Fanaovana fanambarana lehibe
Nanao ahoana ny fiantraikan’ny fanekena ny fandaminanay ankehitriny tsy ho fikambanana ara-kolontsaina tsotra, fa ho ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa, teo amin’ny fanaovanay fivoriamben’ny distrika sy fizaran-tany? Tamin’ny 1988, rehefa naroso voalohany teo anatrehan’ireo manam-pahefana io tarehin-javatra io, dia nasehon’izy ireo anay fotsiny ny lalàna izay tsy manome lalana ny hanaovan’ireo fivavahana fivoriana ampahibemaso ivelan’ny toeram-pivoriany mahazatra. Tamin’izany fotoana izany, dia nanoro hevitra izy ireo ny hanananay toerana lehibe anay manokana mba hanaovanay fivoriamben’ny distrika sy fizaran-tany, fa tsy ny hampiasanay toerana ampahibemaso. Nikiry ihany izahay ary nanontany raha afaka nahazo lalana manokana hanao ireo fiarahanay miangona lehibe tamin’ny toerana ampahibemaso. Nilaza izy ireo fa afaka nandefa ny fangatahanay izahay, ary koa fa hodinihina ilay izy. Tsy nandrara ny hanaovanay fivoriana lehibe izy ireo, satria efa nanao azy ireny foana izahay, ary ny fivavahana hafa koa dia nanao asa ara-pivavahana ampahibemaso. Hoy ny tadidin’ny iray tamin’ireo rahalahy tompon’andraikitra tao amin’ny Fikambanana, momba ny nifaranan’ilay fihaonana: “Rehefa nanao veloma izahay, dia hoy aho hoe: ‘Araka izany àry, dia hanohy toy ny nataonay hatramin’izay ihany izahay, mandra-pisian’ny fandaharana hafa.’ Nanaiky izy ireo, ary dia nifanao veloma tamin-kafanana izahay.”
Koa nanohy nandamina fivoriamben’ny distrika sy fizaran-tany àry ny Fikambanana, saingy nanomboka nampiasa insignes izahay, tsy misy hafa amin’ny ataon’ny Vavolombelona manerana ny sisa
rehetra amin’ny tany. Nanomboka nihira sy nivavaka koa izahay tany amin’ireo fivoriamben’ny distrikanay. Tsy nandositra ny fanaovana fampahafantarana ampahibemaso izahay, fa nandray ireo mpanao gazety tamin-katsaram-panahy kosa. Voatohina tamin’ny fomba tsara ny fon’ireo mpandinika avy tany amin’ny fitondram-panjakana izay nanatrika ireo fivoriamben’ny distrika tany amin’ny toerana samihafa. Ary, noho ny fitahian’i Jehovah, dia nanao fanambarana lehibe ho an’ny anarany ireo fivoriamben’ny distrika.Nandritra ireo volana namarana ny taona 1993, dia nisy Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” 161 natao tany amin’ny tanàna 74, ka 830 040 ny isan’ny mpanatrika ary 15 662 ny isan’ny natao batisa. Tena nifanohitra tamin’ny tany am-piandohana tokoa izany.
“Antso famohazana ny Eglizy Katolika”
Gazety maro teto Meksika no niresaka tamin’ny fomba manorina momba ny sasany tamin’ireo fivoriamben’ny distrikanay faramparany, ary izany fotsiny dia efa nanao fanambarana izay manome taratra tsaran’ny anaran’i Jehovah. Hoy ny El Norte any Monterrey, any amin’ny Fanjakan’i Nuevo León, tamin’ny 27 Oktobra 1991: “Na dia Vavolombelon’i Jehovah 25 000 aza no tao amin’ny Monterrey Baseball Stadium, dia tsy nisy fako, na fifanosehana, na kiakiaka tao, no sady tsy nilana ny fiambenan’ny polisy (...) Tonga nanatrika ilay fisehoan-javatra nanao akanjo mihaja ilay vahoaka, dia ankizy sy zatovo ary olon-dehibe; niavaka noho ny fanaovany karavato ireo lehilahy ary ireo vehivavy noho ny zipony lava niloko maotina. Saiky teny an-tanan’ny rehetra dia nisy Baiboly, dia ny fandikan-tenin’ny Vavolombelona antsoina hoe Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao, izay nampiasain’izy rehetra isaky ny nanisy firesahana momba ny toko sasany tao amin’ilay boky ireo mpandahateny.” Tao amin’io tanàna io ihany, ny tatitra an-gazety hafa iray dia nanonona ny teny nataon’ny eveka katolika iray nanao hoe: “Ny hafatra navelan’ny Fivoriana Fanao Isan-taonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho antsika dia antso famohazana ny Eglizy Katolika mba hanamafisany indray ny finoany.”
Ny vehivavy mpanao gazety iray nanatrika ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny Arena México, dia nilazalaza izay hitany sy reny ary avy eo dia hoy izy: “Raha ny
amiko, dia niala teo tamim-pisaintsainana aho. Mijery ireo paroasintsika aho, ireo fiaraha-monina misy antsika, mijery ny ato anatiko aho ary mahatsiaro ho menatra noho ny tsy fanomezako fanamarinana firy momba ilay finoana ihamboako fa ananako sy inoako mafy. (...) Koa rehefa avy manao veloma ny Vavolombelon’i Jehovah aho, dia mandinika ny feon’ny fieritreretako ary mangataka ny hery mba ho tonga vavolombelona marina ho an’ny finoana marina.” Tany amin’ny tanànan’i Monclova any avaratra, any amin’ny Fanjakan’i Coahuila, dia hoy ilay gazety hoe La Voz: “Tsy maintsy miaiky ny fahamarinan’izay vitan’izy ireo isika (...) Tsy ela izay, teto amin’itỳ toerana itỳ ihany, ny Katolika dia nanao fivoriana natrehin’ny filohan’ny Eglizy Katolika teto amin’ny fanjakana mihitsy, nefa dia tsy hita ho madio toy ny isehoany ankehitriny ilay kianja (...) na dia aorian’ny nanaovan’izy ireo fivoriana mandritra ny telo andro sy alohan’ny handaozan’izy ireo ny kianja aza, dia ilaozan’izy ireo madio izy io (...) Tena sahy miteny izahay fa ny hany fotoana isehoan’io zaridaina io ho tsara tarehy sy ‘azo ampiasaina’, dia rehefa manao ny fivoriany ao ny Vavolombelon’i Jehovah.”Ny raharaha momba ny fampiasana amin’ny fomba mety ny ra
Ny toeranay ankehitriny eto Meksika amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah anay dia nanome anay fahafahana tsara kokoa hiaro ny toerana tanantsika momba ny ra miorina amin’ny Baiboly. Sarotra tamin’ireo rahalahintsika foana taloha ny nahazo fitsaboana tany amin’ny hopitaly. Ireo dokotera eto Meksika dia tsy zatra ny anontanian’ny hafa ny fahalalany sy ny fahefany eo amin’ny fikarakarana ireo marary ao amin’ny hopitaly. Ireo rahalahy nila fandidiana dia nanazava ny toerana ara-pivavahana notanany tamin’ireo dokotera, nefa tamin’ny toe-javatra vitsy dia vitsy ihany vao nohajaina ny feon’ny fieritreretany. Voatery nitety toeram-pitsaboana izy ireo mba hahitana dokotera haniry hitsabo azy tsy nisy fampiasana ra.
Mba hanatsarana ny tarehin-javatra, dia nisy seminera ara-pitsaboana natao teto Meksika nanomboka tamin’ny 25 ka hatramin’ny 27 Janoary 1991. Notarihina rahalahy avy tany Brooklyn izy io. Nanaraka izany, dia naorina tao amin’ny biraon’ny sampana
ny Biraon’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly iray, ary nisy Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly maromaro natsangana nanerana an’i Meksika. Nanomboka tamin’izay, ireo toeram-pitsaboana eto Meksika dia nahazo teny fanambarana tsy toko tsy forohana momba ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny ra.Tamin’ny Aprily 1991, ny sasany tamin’ireo rahalahy niara-niasa tamin’ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly dia nasaina ho any Acapulco, any amin’ny Fanjakan’i Guerrero, mba hanatrika ny Kongresin’i Amerika Latina Voalohany Momba ny Fitsaboana Ampiasana Ra sy ny Foibe Fanomezan-dra. Nanatrika tao ny solontena avy tamin’ny tany 12 tatỳ Amerika Afovoany sy Atsimo. Tao amin’ny lahateny iray nitondra ny lohateny hoe “Fandaminana sy Fampifanarahan-javatra ary Rafitra Araka ny Lalàna”, dia nomarihina fa “ny Vavolombelon’i Jehovah dia antokon’olona iray, izay, noho ny fiekeny ara-pivavahana, dia mandà ny fampiasana ra, izay mahatonga ny fitadiavana fomba hafa ho solony, ho zavatra tsy maintsy atao”. Ilay dokotera nanolotra io fanazavana io dia niresaka fohy momba ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Talohan’izay dia nisy fanadinadinana natao tamin’io dokotera io ary fantany ny fomba fandaminantsika zavatra. Nisy fotoam-pivoriana nanaovana fanontaniana, ary rehefa nisy nanizingizina fa tokony hovonjena ny aina na dia eo aza ny fiekena ara-pivavahana, dia nilaza fotsiny ilay dokotera hoe: “Raha tianareo ny tsy hanan-java-manahirana araka ny lalàna, dia tsara kokoa ny hitondranareo io antokon’olona io amim-panajana.” Avy eo dia nanampy teny izy fa, araka ny Lalàna Ankapobe Momba ny Fahasalamana, dia tsy maintsy azo aloha ny faneken’ilay marary, alohan’ny hampiasana ra.
Nisy fitohitohizan-dahateny hafa iray natao tao amin’ny efitra lehiben’ny Fitsarana Tampony. Nandritra ny iray tamin’ireny, ny mpisolovava iray dia nanolotra fanontaniana roa izay nahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny hoe: “Araka ny lalàna ve ny fandavana tsy hanome fanampiana ara-pitsaboana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah satria fotsiny hoe tsy manome ra izy ireo?”, sy ny hoe: “Mety ve ary araka ny lalàna ve ny mampiditra ra an-tery amin’ny marary Vavolombelona?” Nasehon’ny Tale Ara-pitsaran’ny
Minisiteran’ny Fahasalamana fa tsy misy na inona na inona ao amin’ny lalàna mitaky ny hanomezan’ny marary iray ra ho solon’ny fikarakarana ara-pitsaboana. Hoy ny nambarany: “Ny fikarakarana ara-pitsaboana dia adidy izay apetraky ny Lalàm-panorenana Ankapoben’ny Repoblika amin’ny toeram-pitsaboana rehetra, ary tokony homena tsy misy fameperana izy io. Ny fandavana tsy hanome fikarakarana ara-pitsaboana dia heloka bevava.” Ireny lahateny ireny dia nanokatra ny lalana ho an’ny fanadinadinana tena nanorina tamin’ny manam-pahefana tao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamana.Hoy ny tatitra iray avy tamin’ny Biraon’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly: “Nisy fanadinadinana natao tamin’ny Tale Ara-pitsaran’ny Minisiteran’ny Fahasalamanana eto Meksika. Nohazavaina ny fandaharana ny amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, ary, araka ny heviny, dia zavatra faran’izay miavaka izy io. Avy eo dia nangatahiny izahay mba hanazava avy tao amin’ny Baiboly mivantana ny fototry ny toerana ara-pivavahana tanantsika. Toa tena azony tsara ilay izy ary nilaza izy fa hampifandraisiny amin’ny manam-pahefana ara-pitsaboana hafa izahay mba handrenesan’izy ireo koa ny toerana tanantsika sy ireo fandaharana ataontsika. Ny iray tamin’ireo fanadinadinana nanaraka izany dia natao tamin’ny dokotera iray izay lehiben’ny Fikarakarana ny Famindrana Taova ary efa nanao fandidiana famindrana voa tamim-pahombiazana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireny fanadinadinana ireny dia hita ho tena nahaliana, satria voatohina lalina ny fon’ireo dokotera noho ny fomba nahatongavantsika ho voalamina maneran-tany mba hisian’ny fifankahazoan-kevitra tsara kokoa eo amin’ny marary Vavolombelona sy ny mpiasan’ny hopitaly.”
Miteny ho azy ireo isa
Nandritra ny nitrangan’izany rehetra izany, ireo mpitory kosa dia nanohy nitory ny vaovao tsara tamim-paharisihana be. Nisy fitomboana niavaka niseho nanomboka tamin’ny 1931, fony nisy 82 nanao tatitra momba ny asany teny amin’ny fitoriana. Tamin’ny 1961, dia efa nanana tampon’isan’ny mpitory 25 171 izahay. Nihatsara ny asa fampianarana Baiboly, nefa mbola tsy nisy rahalahy maro voaofana hitarika fampianarana. Nampianarina tsikelikely
ireo mpitory, ary izany dia nitarika ho amin’ny fahazoan’izy ireo fahombiazana lehibe kokoa teo amin’ny asa isan-trano sy tamin’ny fanaovana fiverenana mitsidika ary tamin’ny fitarihana fampianarana Baiboly.Koa tamin’ny 1971 àry dia nisy maherin’ny 50 000 ny tampon’isa vaovaon’ny mpitory. Nandritra ny fito taona tao anatin’ny valo taona, dia nanana fitomboana maherin’ny 10 isan-jato izahay; indraindray izany dia nahatratra 14 isan-jato. Ankoatra izany, dia saika isan-taona, nandritra ireo taona 1970, dia olona maherin’ny 5 000 no natao batisa. Folo taona monja no nilaina taorian’ny 1971 mba hisian’ny mpitory efa ho 50 000 fanampiny. Tamin’ny 1981, dia nisy tampon’isa 101 171. Tamin’io fotoana io, dia saika nahatratra ny tampon’isan’ny mpitory ny isan’ny fampianarana Baiboly, ary nanomboka tamin’izay, tamin’ny antsalany, dia nisy fampianarana Baiboly maherin’ny iray isaky ny mpitory.
Tsy nihena ny zotom-pon’ireo rahalahy ho an’ny asa fitoriana. Ny taom-piasana 1994 dia nifarana tamin’ny tampon’isan’ny mpitory 404 593. Ny antsalan’isan’ny fampianarana Baiboly izao dia mihoatra ny 535 000. Nisy 1 379 160 ny mpanatrika ny fankalazana ny Fahatsiarovana tamin’ny 1994, izay mampiseho fa olona 1 isaky ny 63 eto Meksika no nanatrika. Ny tabilao eto ambany dia mampiseho ny fitomboan’ny asan’ny mpanompon’i Jehovah teto Meksika nandritra ireo taona nanomboka tamin’ny 1931.
Araka ny asehon’ilay tabilao, ireo folo taona nanomboka tamin’ny 1981 dia nahita fitomboana be teo amin’ny isan’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano, izay 100 636 tamin’ny antsalany tamin’ny 1981 ka nahatratra 472 389 tamin’ny 1991. Izany dia fitomboana 369 isan-jato tao anatin’ny folo taona, ary mbola tsy nijanona izy io hatramin’izao!
Tena mora ny manomboka fampianarana Baiboly eto Meksika. Ho ohatra, ny mpitory iray tany Monterrey, any amin’ny Fanjakan’i Nuevo León, dia nanolotra fampianarana Baiboly tamin’ny ramatoa iray tamin’ny fotoana voalohany niresahany taminy teo am-baravarana. Nanaiky avy hatrany ilay ramatoa. Tatỳ aoriana dia nanontany azy ilay mpitory hoe nahoana izy no nanaiky tamim-pahavononana ny hianatra ny Baiboly tao an-tokantranony. Hoy ny navaliny: “Ianao no olona voalohany mba nanolotra ny hiara-mianatra ny Baiboly amiko.”
“Miboiboika hafanam-po ireo mpitory”
Olona maro no nanontany hoe: “Inona no tsiambaratelon’ny fitomboana teto Meksika tao anatin’ireo folo taona farany?”
Hoy ny navalin’ny iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana: “Na aiza na aiza alehanao eto Meksika, dia miboiboika hafanam-po tsotra izao ireo mpitory, ary ilay tany manontolo no toa mirehidrehitra be noho ny fahamarinana. Feno fanandraman-javatra hitany teny amin’ny fitoriana ireo rahalahy ary mangataka ny handre ny anao koa. Mandrakotra ireo rahalahy ny fahamarinana, ary mihodinkodina amin’ny fahamarinana ny fiainany. Feno zotom-po ireo mpitory ka mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana na aiza na aiza alehany, ary dia mitahy ny ezaka ataony i Jehovah. Mamintina izany amin’ny fomba kanto amin’izao teny izao ny Ohabolana 10:22: ‘Ny fitahian’i Jehovah no mampanankarena.’ Tena fahita koa ny anombohan’ny olona manatrika fivoriana amin’ny fotoana anombohany mianatra ny Baiboly. Manomboka mianatra izy ireo amin’ny fikendrena ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah. Manampy azy ireo handroso haingana ao amin’ny fahamarinana izany.”
Ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana
Ankehitriny dia misy fandaharana fanampiny iray mba hanampiana ireo rahalahy eto Meksika ho ampy fitaovana kokoa
hikarakarana ilay saha mamokatra — ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Ny kilasy voalohany teto Meksika dia nanomboka tamin’ny Novambra 1991. Kilasy 12 no efa natao hatramin’izay. Fianarana maharitra valo herinandro izy io, izay nomanin’ny Komitin’ny Fampianarana. Ilay lesona dia novolavolaina indrindra mba hahatonga ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa ho ampy fitaovana mba hanome izay zavatra ilaina maika dia maika ao amin’ny fandaminana teokratika. Eo ambanin’ny fanaraha-mason’ny Komitin’ny Fanompoana ao Amin’ny Fitambara-mpitantana, dia misy rahalahy mpitovo mahafeno fepetra eto Meksika asaina hanatrika izany mba hampiofanina hiantsoroka andraikitra fanampiny any amin’ny faritra ilana fanampiana bebe kokoa. Amin’ny toe-javatra sasany izany dia midika ho fanompoana any an-tany hafa.Feno hafanam-po ny fihetsik’ireo rahalahy teo anatrehan’izany. Rehefa natao voalohany ny fampandrenesana ny amin’io sekoly io, dia 600 no nameno ireo taratasy fangatahana mialoha! Satria maro be aoka izany ireo rahalahy tanora manohy manafa-tena mba ho azo ampiasaina, dia kilasy roa no atao miaraka, maherin’ny indray mandeha isan-taona. Ho vokany, dia voakarakara amin’ny fomba tsara kokoa ny andian’ondrin’Andriamanitra atỳ amin’itỳ tapany amin’ny tany itỳ.
Manohy manokatra faritany mitokana ireo mpisava lalana
Koa satria misy kongregasiona maherin’ny 9 800 manerana an’i Meksika, dia voatondro ho faritanin’ny kongregasiona avokoa ireo tanàna rehetra. Na dia izany aza, dia mbola misy faritany mitokana maro. Mpisava lalana maro no manafa-tena mba ho
afaka ho any amin’izy ireny. Maka asa tapa-potoana izy ireny, na ampian’ny fianakaviany amin’ny fomba samihafa, mba hahafahany hanompo any amin’ireny faritra ireny.Ankoatra azy ireo, dia misy mpisava lalana manokana 671 amin’izao fotoana izao, indrindra fa any amin’ireo kongregasiona kely sy ireo toerana sarotra aleha mbola tsy tratran’ny vaovao tsara hatramin’izay. Manao asa tsara dia tsara izy ireo.
Anisan’ireo mpisava lalana manokana dia misy an’ireo izay azontsika antsoina hoe mpisava lalana mandehandeha. Mifindrafindra toerana izy ireo ao anatin’ny faritra iray, mba hahatratrarana ireo olona mipetraka any amin’ny faritany zara raha azo aleha. Mampiasa kamionety pickup misy tafo izay afaka mitondra zavatra vita an-tsoratra ampy tsara sady misy fitaovana hatoriana, ireny rahalahy ireny. Noho izany, dia manana toerana hatoriana izy ireo rehefa tratra alina. Any an-tendrombohitra anefa, dia matetika izy ireo no voatery mamela ilay kamionety eo amin’ny faran’ny lalana ka manomboka mandeha an-tongotra, mibaby sakafo sy entana hafa ao anaty kitapo fibaby. Nandritra ireo dimy taona farany, dia antokon-drahalahy maromaro no efa notendren’ny Fikambanana hanao io asa io, ka nahita vokatra faran’izay tsara.
Izao manaraka izao dia ohatra iray amin’ireo fanandraman-javatra mahaliana maro hitan’ireny rahalahy be zotom-po ireny: “Tao amin’ny tanànan’i Altamirano, any amin’ny Fanjakan’i Guerrero, izahay dia nahita olona maro liana amin’ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tao anatin’ny iray volana monja izahay dia nanomboka fampianarana Baiboly 40 tany an-tokantranon’ireo olona liana. Ny iray tamin’izany dia notarihinay tamina lehilahy katolika iray izay feno sary ny tranony. Rehefa nohazavaina taminy ary rehefa namaky tao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay izy ny maha-ratsy ny fanompoan-tsampy eo imason’i Jehovah, dia nopotehiny daholo ireo sariny rehetra. Nanasa azy hanatrika ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1991 izahay, ary dia tonga izy niaraka tamin’ny olona enina hafa. Nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra izy, na dia tsy maintsy nanao dia 45 kilaometatra aza izy mba hahatongavana tany. Izao izy dia eo am-pamenoana ireo fepetra takina mba ho mpitory tsara.”
Ho vokatry ny asan’ireny mpisava lalana ireny, dia zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly be dia be no voazara, ary kongregasiona kely no naorina tany amin’ny toerana tsy nisian’ny Vavolombelona teo aloha. Naneho izay tsapany momba io asa io ny iray amin’ireo mpisava lalana, ka nanoratra hoe: “Nitsidika toerana tsara tarehy sy olona nahafinaritra izay naniry hihaino izahay. Maro no nitomany mihitsy sy nangataka anay mba hijanona hiaraka aminy ela kokoa, ary raha ny tena izy, dia nahatonga anay haniry hijanona hiaraka aminy izany, noho ilay fanampiana nilainy (...) Izany koa dia nahatonga anay hahatakatra ny maha-be fitiavana an’i Jehovah, izay mampiasa ny mpanompony mba hitondra ny vaovao tsara any amin’ireny olona izay mahantra sy manetry tena ireny ary mipetraka any amin’ny faritany mitokana toy izany.”
‘Efitrano betsaka kokoa sy tsara kokoa’
Toa tsy ampy tsotra izao ny fotoana mba hanaovana izay rehetra ilaina hatao eto Meksika. Nitarina ny fandaharam-panorenana mba hahafaoka fanorenana Efitrano Fanjakana sy Efitrano Fanaovana Fivoriambe. Ny teny fanevanay dia nanjary hoe “Efitrano Fanjakana betsaka kokoa sy tsara kokoa ary lehibe kokoa”, ary dia manorina amin-kafanam-po toeram-pivoriana tsara kokoa manerana an’i Meksika ireo rahalahy. Koa satria olona eo amin’ny 800 000 eo ho eo no manatrika ireo fivoriamben’ny distrika, dia nihananjary sarotra ny nanofa toerana nety. Anehoana fiheverana ny fanorenana Efitrano Fanaovana Fivoriambe izay ho azo anaovana, tsy fivoriamben’ny fizaran-tany ihany, fa fivoriamben’ny distrika kely koa. Eo ambanin’ireo lalàna amin’izao fotoana izao, sy noho ny fitahian’i Jehovah, dia misy fanantenana tena tsara ny amin’izany.
Nisy tetik’asa niavaka iray vita tao amin’ny tanànan’i Reynosa eo amin’ny sisin-tany, any amin’ny Fanjakan’i Tamaulipas. Tany dia nisy olona nalala-tanana iray nanome tany nisy tokony ho efatra hektara mba hanorenana Efitrano Fanaovana Fivoriambe iray. Niasa tamin-kafanam-po tamin’io tetik’asa io ireo rahalahy avy tany amin’ny fizaran-tany valo nanodidina, ka nanao sorona lehibe mba hanorenana Efitrano Fanaovana Fivoriambe iray omby olona 3 600. Izany dia namela modely izay antenainay harahina any amin’ny faritra hafa eto Meksika. Tamin’ny Novambra 1992, dia
notokanan’i Albert D. Schroeder, anisan’ny Fitambara-mpitantana, io Efitrano Fanaovana Fivoriambe any Reynosa io.Nandritra ny taona sasantsasany izahay dia nanana Efitrano Fanaovana Fivoriambe kely roa tao Mexico. Omby olona tokony ho arivo ny tsirairay amin’izy ireo. Tamin’ny 9 May 1993 anefa, tao amin’ny faritanàna manamorona an’i Tultitlán, dia nisy efitrano tsara tarehy iray izay omby olona 3 000 notokanan’i John E. Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Tao anatin’ny herintaona monja no nanorenan’ny rahalahy feno hafanam-po avy tao Mexico azy io. Tena fanomezam-boninahitra an’i Jehovah marina io Efitrano Fanaovana Fivoriambe tsara dia tsara io.
Fanorenana amin’ny lafiny lehibe kokoa noho ny hatramin’izay
Nanohy niitatra haingana be tsy nisy ohatra izany ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tao anatin’ireo folo taona farany monja, dia nitombo ny isan’ireo Vavolombelona 150 000 ka nahatratra 400 000 mahery. Nitombo be ny isan’ireo olona na fianakaviana tokony ho 180 000 nitarihana fampianarana Baiboly tany an-tokantranony, ka nahatratra 535 000 mahery. Zavatra vita an-tsoratra fianarana ny Baiboly tsy toko tsy forohana no ilaina. Tamin’ny herintaona, dia boky sy bokikely ary gazety manazava ny Baiboly maherin’ny 30 000 000, ambonin’ny taratasy mivalona an-tapitrisany maro, no nozarain’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Meksika. Misy tetik’asa iray ho fanorenana biraon’ny sampana vaovao eo am-panaovana azy — lehibe kokoa noho ny hatramin’izay. Hanome fonenana ampy ho an’ny Betelita tokony ho 800 fanampiny izy io. Hohalehibeazina avo efatra heny ny toerana fanontam-pirinty ankehitriny. Izy io dia tetik’asa fanorenana izay hila eo amin’ny dimy taona eo ho eo sy fiaraha-miasa iraisam-pirenena be dia be.
Manantena izahay ny hanana toerana fanontam-pirinty izay ho afaka hamoaka Baiboly, boky, bokikely, gazety ary zavatra vita an-tsoratra hafa ampy tsara mba hanomezana fahafaham-po amin’ny hanoanana ara-panahin’ireo olona tso-po, tsy eto Meksika ihany, fa any amin’ny tany hafa atỳ Amerika Latina koa.
Mpiandry ara-panahy ho an’ny andian’ondrin’Andriamanitra
Ireo rahalahy mahaforona ny Komitin’ny Sampana dia manara-maso ny lafiny samihafa amin’ny asa ao amin’ny biraon’ny
sampana sy any an-toeran-kafa, ary manao dia tsy tapaka izy ireo mba hitsidihana fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika. Izany dia manampy azy ireo hitoetra ho akaiky an’ireo lafiny rehetra amin’ny asa atao atỳ Meksika. Ny vadin’izy ireo avy dia manohana azy ireo amim-pahatokiana amin’ny andraikitra mavesatra sahaniny. Amin’ny fitambarany, ireo rahalahy ireo dia nanompo, amin’ny antsalany, nandritra ny 41 taona hatramin’ny batisany, ary nandritra ny 37 taona tao amin’ny fanompoana manontolo andro. Samy mpianakavin’ny Betela avokoa izy rehetra.Ireo izay miasa any amin’ny saha dia mpiandraikitra ny distrika 34 sy mpiandraikitra ny fizaran-tany 446. Misy kongregasiona 9 810 ankehitriny ary kongregasiona vaovao 20 amin’ny antsalany no miforona isam-bolana. Noho izany, ireny mpiandraikitra mpitety faritany ireny, miaraka amin’ireo loholona sy mpikarakara momba ny asa ao amin’ny kongregasiona, dia be zavatra atao foana eo am-pikarakarana ny andian’ondry. Manana loholona 1,7 sy mpikarakara momba ny asa 2,8 isaky ny kongregasiona izahay, amin’ny antsalany. Araka izany, dia kongregasiona maro no mila maika dia maika rahalahy mahafeno fepetra fanampiny. Ankoatra izany, ny fitomboan’ny isan’ny mpitory tsy an-kijanona dia mitarika ho amin’ny fiforonan’ny kongregasiona hafa koa, ary izy rehetra ireo dia samy mila loholona sy mpikarakara momba ny asa mahafeno fepetra avokoa. Ireo vitsivitsy izay manompo ao amin’ny kongregasiona tsirairay dia manao asa tsara dia tsara amin’ny fiandrasana ireo ondry kelin’i Jehovah. — Jaona 21:15-17, NW.
Lalàna vaovao Momba Ireo Fikambanana Ara-pivavahana sy ny Fanompoam-pivavahana Ampahibemaso
Nandritra ireo 135 taona farany, i Meksika dia nanaraka ny fitsipiky ny fampisarahana ny Eglizy sy ny Fanjakana. Tamin’ny 1865, dia nanjary henjana aoka izany ny tarehin-javatra, hany ka notapahina ny fifandraisana teo amin’i Meksika sy ny Vatican. Rehefa jerena ny fanandraman-javatra nifandray tamin’ny fivavahana hitany taloha, dia nampihatra fameperana nahakasika ny fivavahana rehetra ny fitondram-panjakana. Na dia izany aza, rehefa nanomboka ny fotoana niasany amin’ny maha-prezidàn’ny Repoblika azy tamin’ny Desambra 1988 i Carlos Salinas De Gortari, dia hita sahady fa hisy fiovana eo amin’ny fitsipika momba ny
fivavahana, ary koa fa hisy fifanatonana amin’ny Vatican. Tamin’ny fotoan’ny lahateny fitokanana nataon’ilay prezidà, dia nisy solontena ambonin’ny Eglizy Katolika nanatrika teo.Mazava ho azy fa nipoitra ny fanontaniana ny amin’ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Taorian’io fanehoana fankasitrahana tamin’ny Eglizy Katolika io, dia nanery ny hisian’ny fiovana tao amin’ny Lalàm-panorenana ny klerjy katolika mba hanomezana fahalalahana bebe kokoa an’ireo fandaminana ara-pivavahana. Niadiana hevitra tsy an-kijanona nandritra ny roa taona tao amin’ny gazety io raharaha io, ka nanomana ny lalana ho amin’ny fahazoan’ireo fandaminana ara-pivavahana toerana ara-dalàna eto Meksika. Hatramin’izay, ny fivavahana dia tsy nanana afa-tsy fisiana nampihatra fahefana fotsiny, fa tsy toerana na zo ara-dalàna. Nazava fa ny klerjy dia nitady, tsy fanekena ara-dalàna fotsiny, fa tombontsoa mifandray amin’ny politika sy ny fampianarana koa. Ambonin’izany, tao amin’ny fanambarana nataon’izy ireo, ny pretra katolika sasany dia nilaza an-kolaka fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia tokony hampiharana fameperana sady tsy homena toerana ara-dalàna. Farany, tamin’ny Janoary 1992, ny Antenimieram-bahoaka dia nanisy fiovana sasany tamin’izay nolazain’ny Lalàm-panorenana momba ny fivavahana. Tatỳ aoriana, tamin’ny volana Jolay, dia nisy lalàna anaty nanampy mba hampanan-kery ireo fiovana. Izy ireo dia nantsoina hoe Lalàna Momba Ireo Fikambanana Ara-pivavahana sy ny Fanompoam-pivavahana Ampahibemaso.
Ny zava-kendren’io lalàna io dia ny hanome fahalalahana bebe kokoa an’ireo fikambanana ara-pivavahana. Araka io lalàna io, dia afaka manana tany izao ireo fandaminana ara-pivavahana. Nomena lalana hanao fivoriana sy fihetsiketsehana ara-pivavahana any ivelan’ny fiangonany koa izy ireo. Ny andininy iray dia manonona ireo mariky ny fitiavan-tanindrazana, ary azo natao ny nihevitra fa lalàna navoaka ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io. Kanefa, tamin’ny 7 May 1993, ny Minisiteran’ny Atitanin’ny Fitondram-panjakana dia nanaiky ny La Torre del Vigía sy ny Los Testigos de Jehová en México. Matoky izahay fa io lalàna vaovao io dia hamela ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah handroso eto Meksika ary koa fa homena lalana hanohy ao anatin’ny fahalalahana feno izahay,
amin’ny fahaizanay manararaotra ireo zo sy tombontsoa ara-dalàna izay tsy nisokatra ho anay teo aloha. Tsy takatry ny Vavolombelon’i Jehovah eto Meksika akory, fa efa niomana ho amin’io fahalalahana io izy ireo na dia talohan’ny namoahana io lalàna io aza.Misy zavatra bebe kokoa azo lazaina momba an’i Meksika
Tsy ho azo atao ny hampiditra eto ny zavatra rehetra nitranga teo amin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Meksika. Izay hitantsika teo dia fandinihana vetivety ihany ny bokim-pahatsiarovanay ara-tantara. Ny sasany tamin’ireo fisehoan-javatra tany am-boalohany dia toy ny sary mainty sy fotsy vasobasoka ihany. Ireo zava-niseho vao haingana kokoa dia mampiseho fihetsehana sy aina mora raisina kokoa ao amin’ny vidéocassette.
Ho an’ireo olona vao nifanerasera vao haingana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ireo fisedrana natrehin’ireo izay nandray anjara tamin’ny fanokafana ny asa teto Meksika dia mety hahagaga. Zatra mahita paradisa ara-panahy ahitany sakafo ara-panahy tondraka, sy iarahany amin’ny namana matahotra an’Andriamanitra ana hetsiny maro, ary anaovany ny fanompoana an’Andriamanitra amin’ny fomba voalamina tsara, izy ireo. Na dia izany aza, any amin’ny faritra maro eto Meksika, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mbola tsy maintsy manao ezaka be mba hankanesana any amin’ny fivoriana. Ny sasany mbola mila hampiana mba hahay hamaky teny, mba handraisany soa avy amin’ny fandaharana ara-panahy azo raisina. Afa-tsy izany koa, dia mbola misy mpiandraikitra mpitety faritany izay tsy maintsy miroboka anaty rano sy mianika tendrombohitra mba hahatratrarana ireo kongregasiona tsidihiny. Ho an’ireo izay mipetraka an-tanàn-dehibe, dia mety ho toa hanolotra zavatra ara-nofo bebe kokoa ny fiainana, nefa misy fakam-panahy bebe kokoa koa any. Na inona na inona fanerena hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Meksika, dia ravoravo izy ireo tafaray amin’ireo rahalahiny sy anabaviny kristiana manerana ny tany eo am-panompoana an’i Jehovah — asa izay mitondra fifaliana sy fahafaham-po marina ho azy ireo.
Na dia mahafantatra be dia be momba ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Meksika aza ianao izao, dia tsy mahafantatra velively ireo rahalahinao sy anabavinao rehetra eto. Kanefa izy
rehetra dia samy manana fanandraman-javatra mahaliana azony tantaraina avokoa. Ankoatra izany, dia mbola maro be ireo izay antenainay hotohinina amin’ny alalan’ny vaovao tsara ny fony. Ny fanantenanay amim-pahatsorana dia ny hahatongavan’izy ireo koa ho anisan’ilay fianakaviana mihamitombo haingana izay miantehitra amin’i Jehovah, Andriamaniny sady Rainy. Ary raha efa nanohina ny fontsika ny fitarana tao anatin’ireo taona faramparany, inona moa no holazaintsika aorian’ny Haramagedona, rehefa hanomboka hanangana avy amin’ny maty ireo Meksikanina an-tapitrisany maro izay ao am-pasana ankehitriny i Jesosy Kristy, ka hanome azy ireo fahafahana hianatra momba an’i Jehovah sy ireo lalany marina? Koa tsy mirakitra ny vaovao rehetra avy eto Meksika velively àry itỳ tatitra itỳ. Mbola ho amin’ny hoavy ny sasany amin’ireo fisehoan-javatra mampientana indrindra. Noho ny fitahian’i Jehovah, dia mbola hisy zavatra bebe kokoa holazaina.[Tabilao, pejy 242]
TAONA TAMPON’ISA ANTSALAN’ISA FAMPIANARANA
MPITORY MPITORY BAIBOLY
1931 82
1941 859
1951 10 335 8 366 5 409
1961 25 171 22 235 18 198
1971 54 384 51 256 50 270
1981 101 171 98 610 100 636
1991 335 965 319 634 472 389
1994 404 593 388 623 535 912
[Sarintany, pejy 168]
(Jereo ny boky)
MEKSIKA
Monterrey
Guadalajara
Mexico
Veracruz
[Sary, pejy 170]
Misy lafin-javatra sasany tamin’ny fivavahana aztèque nanjary nifangaro tamin’ny finoana katolika
[Sary, pejy 175]
Antokona mpianatra ny Baiboly tao Mexico, tokony ho tamin’ny 1920
[Sary, pejy 177]
Ny “Le Bulletin” nampandre ny amin’ny fanoratana ara-dalàna ny Fikambanana tany Meksika, miaraka amin’ny karatra famantarana ny mpitory iray
[Sary, pejy 178]
José Maldonado, iray tamin’ireo mpisava lalana tany am-boalohany tany Meksika
[Sary, pejy 184]
Manuel Amaya sy ilay fitaterana nampiasainy fony izy mpisava lalana
[Sary, pejy 188]
Nitory nanerana an’i Meksika i Pedro de Anda
[Sary, pejy 191]
Rehefa avy namaky ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana i Mario Mar, dia nanaiky ny fanendrena azy hitory raha mbola tsy nifankahita tamin’ny Vavolombelona akory
[Sary, pejy 192]
Fivoriamben’ny distrika iray nataon’ny Vavolombelona (Testigos) tao Mexico tamin’ny 1934
[Sary, pejy 198]
Mpisava lalana tany am-boalohany miaraka amin’ilay fomba fitateran’izy ireo tao amin’ny Fanjakan’i Veracruz
[Sary, pejy 200]
Fred sy Blanche Anderson, nahazo diplaoman’i Gileada izay nanokana ny tapany lehibe indrindra tamin’ny fiainany ho an’ny fanompoana tany Meksika
[Sary, pejy 202]
Shirley Hendrickson (ankavia) sy Rosa May Dreyer — mpiara-manompo nandritra ny 50 taona mahery
[Sary, pejy 207]
Ny hafa koa tamin’ireo nahazo diplaoman’i Gileada izay nanompo tany Meksika: 1) Elizabeth Tracy, 2) Jean Friend, 3) Esther Lopez, 4) Rubén Aguirre, 5) Russell Cornelius, 6) Esther Vartanian (Lozano), 7) Mildred Simpkins, 8) Maxine Miller (García)
[Sary, pejy 209]
Ny sasany tamin’ireo nanampy tamin’ny asa fiandraiketana tao amin’ny sampana
1) Rodolfo Lozano, 2) George Papadem, 3) Samuel Friend, 4) William Simpkins, 5) Robert Tracy
[Sary, pejy 210]
Adulfo sy Leonor Salinas; ny fanendrena azy ho mpiandraikitra ny distrika dia nahatonga azy ireo hanao dia nandritra ny taona maro
[Sary, pejy 223]
Biraon’ny Sampana ampiasaina any Meksika nanomboka tamin’ny 1985
[Sary, pejy 236, 237]
Mpitory ilay Fanjakana falifaly ankehitriny any Meksika
[Sary, pejy 244, 245]
(Etsy ankavia) Ny fianakavian’ny Betelan’i Meksika tamin’ny 1993 — ary mbola mitombo izy io! (Eto ambany) Ny Biraon’ny Sampana vaovao eo am-panorenana azy mba hikarakarana ny zavatra ilaina mifandray amin’ny fitaran’ireo kongregasiona haingana any Meksika
[Sary, pejy 252]
Ny Komitin’ny Sampana any Meksika amin’izao fotoana izao (avy eo ankavia miankavanana): Robert Tracy, Roberto Gama, Carlos Cázares, Santos Estrada, Juan Angel Hernandez ary Rodolfo Lozano