Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

I Afrika sy Ireo Nosy eo Akaiky

Ny kontinentan’i Afrika dia voasaratsaraka ho tany am-polony maro. Ireo indray koa dia mizarazara ho foko sy fiteny. Tsy mahalana ny fipoahan’ny herisetra eo amin’ireo firazanana samy hafa. Misy olona maherin’ny 636 000 avy amin’ireny firenena sy fokom-pirenena ary antokon’olona samy hafa fiteny ireny anefa tafaray ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay hany Andriamanitra marina, dia i Jehovah. Mampirisika mafy ny hafa izy ireo mba ‘hatahotra an’Andriamanitra sy hanome voninahitra azy’, ary maro no manaiky amim-pankasitrahana an’io fampirisihana io. — Apok. 14:6, 7.

Nisy olona sasany izay tafalentika ao amin’ny finoanoam-poana sy ny filalaovana ody, nanafa-tena tamin’izany rehetra izany mba hanompoana an’i Jehovah. Tatsy Afrika Atsimo, rehefa nandondòna ireo Vavolombelona ka nisokatra ny varavarana, dia nifanehatra tamin’ny vehivavy iray nanao ny fitafiana nampiavaka azy tsara ho Sangoma (mpimasy) izy ireo. Te hitsoaka haingana izy ireo, nefa nanizingizina ny hilazan’izy ireo ny hafatra nentiny ilay vehivavy. Nampiasa ny Deoteronomia 18:10-12 ny iray tamin’ireo Vavolombelona mba hampisehoana ny fomba fijerin’ny Baiboly momba ireo fanao mifandray amin’ny spiritisma. Nanaiky ilay fanolorana fampianarana Baiboly ilay mpimasy. Nilaza izy fa raha toa ny fianarany ny Baiboly ka nampiaiky azy fa nifanohitra tamin’izay irin’i Jehovah ny fanaony tamin’ny naha-Sangoma azy, dia hiala izy.

Rehefa avy nianatra ny toko faha-10 ao amin’ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, niaraka tamin’ny Baiboly, izy, dia nandoro ireo fitaovany rehetra nifandray tamin’ny filalaovana ody ary nanomboka nanatrika ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Na dia nanambady ara-dalàna aza izy, dia nisaraka tamin’ny vadiny efa hatramin’ny 17 taona. Izao dia hitany fa nilainy ny nanitsy izany tarehin-javatra izany. Samy Vavolombelona vita fanoloran-tena sy batisa izao izy mivady.

Nandritra iny taon-dasa iny, ny iray tamin’ireo vaovao nampientana indrindra dia avy tany Malawi. Nifaly toy inona moa ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany nahare fa, tamin’ny 12 Aogositra 1993, dia nofoanana ilay fandrarana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah naharitra 26 taona! Izany dia narahin’ny fanoratana ara-dalàna, tamin’ny 15 Novambra 1993, ny Watch Tower Bible and Tract Society sy ny fanafoanana, tamin’ny 25 Febroary 1994, ny fandrarana ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah. Mahaliana fa herinandro vitsivitsy monja taorian’ny nanoratana ara-dalàna ny Fikambanana no nandravana ny foiben’ireo Mpisava Lalana Tanoran’i Malawi (MYP), izay nitondra ny Vavolombelon’i Jehovah tamin-kabibiana aoka izany. Nakatona daholo ny biraony rehetra ary maro taminy no nataon’ny miaramila haza lambo sy novonoiny. Ny hafa nandeha namonjy ny ainy tany Mozambika.

Ireo rahalahy any Malawi dia vao mianatra indray ny handeha isan-trano sy hanolotra zavatra vita an-tsoratra ary hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Taorian’ny fanafoanana ilay fandrarana ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana avy hatrany, dia nisy ezaka manokana nalamina mba hatao nanerana ilay tany tamin’ny volana Aprily. Tamin’izay ireo mpitory dia nizara, tamin’ny fiteny telo, ilay taratasy mivalona hoe Inona no Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah? Maherin’ny 1 000 000 tamin’ireo taratasy mivalona ireo no voazara.

Nandritra ny 30 taona mahery, ireo Kristiana marina izay vitsy kely any São Tomé sy Príncipe, avy eo amin’ny moron-tsiraka andrefan’i Afrika, dia nenjehina sy nokapohina ary natao an-tranomaizina noho ny fiarahany nivory mba hianarana ny Baiboly. Tamin’ny 1993 anefa, dia nahazo fahalalahana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah tany. Avy eo, tamin’ny Janoary 1994, dia faly izy ireo nanao Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” naharitra telo andro, tao amin’ny efitra maoderina sy nisy fampangatsiahana ary tsara tarehy indrindra teo amin’ilay tany. Nisy teny sasany notsoahina avy tamin’ilay fandaharana mihitsy aza nalefa tamin’ny Radiom-pirenena.

Rehefa avy namerina tamin’ny laoniny ny maha-ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampony any Zaïre, dia nanjary azo natao indray ny fivoriamben’ny distrika teo amin’ilay tany. Nanao ahoana ny fihetsika teo anoloan’izany? Ny fivoriamben’ny distrika iray natao tao Kinshasa tany am-piandohan’ny taom-piasana dia nahafeno hipoka an’ilay kianja tamin’ny mpanatrika maherin’ny 70 000. Tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra” enina voalohany tamin’ny 1994, dia 120 127 ny tontalin’isan’ny mpanatrika, ny isan’ny natao batisa dia 1 155, ary mbola nisy 19 hafa tamin’io fitohitohizana fivoriambe io ihany nalamina hatao.

Ao amin’ny Kongregasionan’i Koumassi Prodomo, any Côte d’Ivoire, dia misy mpikarakara momba ny asa malemy fanahy iray. Tsy nalaza ho toy izany foana anefa izy. Talohan’ny nahafantarany ny fahamarinana, dia nisotro toaka be izy, nifoka, nifanerasera tamin’ny naman-dratsy ary nandamina matetika ireo zava-manahirana azy tamin’ny totohondry. Ireo izay nahafantatra azy dia manamarina fa naleo na ny ho namany na ny tsy hifampikasoka taminy. Hoy anefa izy: “Nalahelo ahy i Jehovah.” Natomboka ny fiaraha-mianatra ny Baiboly taminy. Nitondra fiovana niandalana teo amin’ny fiainany izy, ary, tamin’ny farany, dia natao batisa. Fiovana tanteraka ve anefa ilay izy? Iray volana talohan’ny batisany, dia nosedraina izany rehefa nisy lehilahy sasany nanafika azy. Tsy namaly faty izy. Herinandro vitsivitsy taorian’ny batisany, dia nisy zavatra ohatra izany koa nitranga. Teo indray koa dia nanome ny porofo izy fa efa nanesotra ny toetra taloha izay araka ny fitondran-tenany fahiny, fa efa nohavaozina teo amin’ny hery manetsika ny sainy (NW ) izy, ary koa fa efa tena nitafy toetra vaovao izay manome taratry ny fanahin’i Jehovah izy. — Gal. 5:22-24; Efes. 4:22-24.

Azia sy Ireo Nosin’i Pasifika

Any Orient sy any amin’ireo nosin’i Pasifika, eo amin’ireo mpidera an’i Jehovah 514 847 any, dia 152 343 no mpisava lalana.

Any Japon, ny mpisava lalana iray izay niezaka mafy hanao fiverenana mitsidika 100 isam-bolana, dia nanapa-kevitra ny hanomboka hiverina hitsidika na dia ireo izay tsy nampiseho fahalianana tamin’ny fitsidihany voalohany aza. Nitadidy izany tao an-tsaina izy, ka nanomboka nandray an-tsoratra ireo rehetra hitany teo amin’ny asa isan-trano, ary avy eo, tao anatin’ny fito andro nanaraka, dia nitsidika azy ireo indray. Isaky ny nanao fitoriana isan-trano izy, dia niezaka koa hanao fiverenana mitsidika dimy. Nanomana tamin’ny fomba lalina izay holazainy izy ary nanao ny fanompoany tamin’ny fatokiana tanteraka an’ilay hafatra nentiny. Tamin’ny faran’ny volana dia nanao fiverenana mitsidika toy izany 241 izy. Tamin’ny iray tamin’ireo izy dia afaka nanomboka fampianarana tamin’ny olona iray izay nilaza hoe: “Nanda anareo foana aho hatramin’izay. Vao voalohany izao no nihainoako anareo.” Nitondra vokatra ilay fikirizana tamim-pitiavana. Tamin’ny faran’ny volana izy dia nanao tatitra fampianarana Baiboly folo.

Ireo taona vitsivitsy lasa dia nahita firohotry ny vahiny be dia be, indrindra fa avy tany Azia, niditra tao Nouvelle-Zélande. Vao ­haingana, dia nisy antokon’olona miara-mianatra amin’ny teny koreana sy amin’ny teny thaï, niorina. Ireo rahalahy dia manantena koa, tsy ho ela, ny fiorenan’ny kongregasiona sinoa iray ao Auckland, izay misy, araka ny tatitra voaray, mponina sinoa izay tafakatra ho maherin’ny 50 000 ny isany. Ny tanàn-dehibe hafa any amin’ny fizaran-tanin’i North Island toa an’i Wellington sy Palmerston North dia nanao tatitra koa momba ny fahalianana be dia be hita eo amin’ireo mponina sinoa.

Nisy mpianatra ny Baiboly sasany nahita fahombiazana tsara rehefa nanaiky ny fanipazan-kevitra ny amin’ny hampahafantarany ny fahamarinana tamin’ny havany izy ireo. Tany Tainan, any Taïwan, dia nanomboka nianatra ny vehivavy tanora iray mpikarakara tokantrano. Miara-mipetraka amin’ny fianakaviana maro anaka izy, ka ny maro tamin’izy ireo dia nanana toerana ambony tao amin’ny Fiangonana Presbyterianina. Noho ny fanakianan’ny fiangonany matetika ny Vavolombelona satria hoe ‘mamely ny fivavahana hafa’ izy ireo, dia nitandrina izy mba tsy hanao izany fa nifantoka kosa tamin’ny fanehoana toetra tsara kristiana. Tsy maintsy nandeha moto 16 kilaometatra izy mba handehanana tany amin’ireo fivoriana, nefa dia nanatrika izany tsy tapaka izy. Tsy ela, dia nanomboka nahamarika ireo fiovana nentiny teo amin’ny toetrany ny mpianakaviny. Ho vokatr’izany sy ny fanaovany fanambarana tamim-pahaiza-mandanjalanja, dia nanomboka nianatra ny zaobaviny. Avy eo dia ny vadiny mihitsy no nanaiky hamotopototra ny amin’izay nianarany. Nanaraka izany, dia nanomboka nianatra ny zandriny lahy sy ny zanak’olo-mpiray tam-po tamin’ny vadiny. Avy eo ny rafozam-baviny dia nampiseho fahalianana tamin’izay nianaran’ireo mpianakavy samihafa ireo. Avy eo io vehivavy tanora io dia nitory tamin’ireo ray aman-dreniny, izay nipetraka tany amin’ny 320 kilaometatra avy teo. Nanomboka nianatra izy ireo. Ilay vehivavy tanora sy ny vadiny ary ny havana roa hafa izao dia efa vita batisa, ny havana maromaro hafa dia manao fandrosoana tsara dia tsara eo amin’ny fianarana ny fahamarinana, ary ny mpivady hafa iray tao amin’io fiangonana io ihany dia vao avy niala tao mba hahafahany handray anjara amin’ny asa fitoriana. Fitahiana avy amin’i Jehovah toy inona moa no azo noho ny fampisehoana tsara ny fahamarinana amin’ny hafa amin’ny alalan’ny teny sy ny fitondran-tena tsara!

Tamin’ny 1912, fony nitsidika an’i Ceylan, araka ny nahafantarana an’i Sri Lanka tamin’izay, i C. T. Russell, ny prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower voalohany, dia vao 12 taona monja i Matilda. Hita mipetraka amin’ny tany, dia ny faharoa avy eo ankavanana, izy eo amin’ilay sary eo amin’ny pejy faha-239 ao amin’ny boky Prédicateurs. Tatỳ aoriana, dia mpisava lalana manokana nandritra ny taona maromaro niaraka tamin’ny vadiny izy. Ankehitriny izy dia 94 taona ary mbola be zavatra hatao eo amin’ny fitoriana. Vao haingana izy dia namita taona iray nanaovany ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Afaka mandeha kely amin’ny alalan’ny tehina iray izy — kanefa ampy izany mba hanararaotana ireo toe-javatra miseho rehefa tonga mitsidika ny mpifanila trano, namana, havana, mpivarotra, mpizara taratasy na olon-kafa. Na dia izany aza, dia tsy maintsy manao ny ankabeazan’ny fitoriany, an-taratasy izy. Mahita anarana sy adiresy ao amin’ireo filazana manjo ao amin’ireo gazety mivoaka isan’andro izy ary manoratra any amin’ny sasany amin’ireo. Faly toy inona moa izy rehefa maharay valiny maneho fankasitrahana!

Any amin’ny Repoblikan’i Korea, ny 31 isan-jaton’ireo Vavolombelona dia mpisava lalana maharitra, ary an’arivony maro hafa no mandray anjara amin’ny asan’ny mpisava lalana mpanampy. Ny faritany sasany dia voasa matetika. Kanefa, amin’ny alalan’ny teny mivantana tsara ao anatin’ny fehezanteny iray, dia mahita vokatra tsara ireo mpitory, na dia ao amin’ny tokantrano misy olona milaza tena ho tsy liana aza. Tamin’ny vehivavy katolika iray izay nilaza fa tsy te hihaino, ny anabavy iray dia nilaza hoe: “Tsy fantatro ny karazana fanantenana anananao, fa” — nampiseho ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao izy — “izaho kosa dia manana ny fanantenana hiaina amim-piadanana ao amin’ny tontolo vaovao toy izao.” Rehefa nilaza ny tenany ho tsy liana ny ramatoa iray efa zokiolona, dia nampiseho io taratasy mivalona io ihany ny anabavy iray ka nanontany hoe: “Raha misy manasa anao hiaina ao amin’ny paradisa aseho eto amin’itỳ sary itỳ, moa ve ianao tsy hanaiky izany fanasana izany?” Samy nitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly ireo fitsidihana roa ireo, avy eo dia ho amin’ny fanatrehana fivoriana, ary izao ireo ramatoa roa ireo dia mandroso ho amin’ny batisa.

Misy ezaka voalamina atao any Hawaii mba hanatratrarana ny olona na aiza na aiza ary na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana mety hahitana azy ireo — ireo izay monina ao amin’ny fitambaran’efitrano fonenana mihidy be sy ireo any amin’ny toeram-piasany ary ny olona eny an-dalana, eny an-jaridainam-bahoaka, eny amin’ny torapasika ary hatraiza hatraiza. Izany dia nitarika ho amin’ny fananan’ireo kongregasiona faritany betsaka kokoa ary koa ho amin’ny fiasana ny faritany amin’ny fomba feno kokoa. Nahitam-bokatra ny fitoriana an-telefaonina. Tamin’io fomba io no nifandraisan’ny anabavy iray tamin’ny lehilahy tanora iray tao amin’ny tafika an-dranomasina izay nonina tao amin’ny fitambaran’efitrano fonenana nihidy be iray. Ampy ny fahalianana hita mba handaminana ny hanaterana bokikely iray tany amin’io lehilahy io. Nataon’ny rahalahy iray, izay nanomboka fampianarana Baiboly tamin’ny boky Hiaina Mandrakizay, ilay fiverenana mitsidika. Arakaraka ny fandehan’ny fotoana, dia nanomboka nitory tamin’ireo iray efitrano sy iray sambo taminy ilay lehilahy. Raha ny marina aza, dia nanasa azy ireo (nifandimby) hanatrika ny fianarany izy. Rehefa avy nianatra nandritra ny herinandro maromaro io lehilahy io, dia nanontany hoe: “Ahoana no hahitan’i Jehovah an’ireo rehetra maniry hahafantatra ny fahamarinana alohan’ny hahatongavan’ny farany?” Hoy ny navalin’ilay rahalahy: “Heverinao ve fa sendrasendra fotsiny ny nifandraisana taminao an-telefaonina tao amin’ny trano iray tsy azo nidirana, sy mbola tsy nitoriana mihitsy ary tamin’ny fotoana naha-tao an-trano anao?” Nieritreritra kely ilay lehilahy ary nanao hoe: “Mahaliana izany, satria taloha kelin’ilay antso an-telefaonina aho dia naniry hahafantatra raha nisy fomba hahafantarana izay tena lazain’ny Baiboly.”

Afaka manohy mitory ve ny Vavolombelona iray na dia hampidirina hopitaly ela be aza izy? Izany no zava-tsarotra natrehin’ny anabavy iray tao amin’ny nosin’i Tarawa, any Kiribati, any Pasifika afovoany. Avy hatrany izy dia nametraka bokikely “Indro” betsaka araka izay azony natao tamin’ireo niara-narary taminy ka nanaiky handray azy io. Ny olona iray niara-narary taminy dia nahamarika fa nanana mpitsidika tsy tapaka ilay anabavintsika, ka nanontany raha havany daholo izy ireny. Rehefa nohazavaina fa anadahiny sy rahavaviny ara-panahy ireny, anisan’izany ny loholona tao amin’ny kongregasiona, dia voatohina lalina ny fon’ilay ramatoa. Naneho fahadisoam-panantenana lehibe izy satria, nandritra ireo telo volana nijanonany tao amin’ny hopitaly, dia tsy nisy na dia mpikambana iray tao amin’ny fivavahany aza mba nisahirana hitsidika azy, na dia fantatr’izy ireo aza fa narary mafy izy. Nangataka fampianarana Baiboly izy. Tatỳ aoriana, dia nanaiky hianatra koa ny vadiny sy ny reniny. Afaka nivoaka ny hopitaly vetivety mba hamonjy fivoriamben’ny fizaran-tany ilay anabavintsika. Fifaliana toy inona moa ny azy rehefa niaraka taminy tany amin’io fivoriambe io ny olona iray niara-narary taminy sy ny mpianakavy maromaron’ny hafa!

Eoropa

Tamin’iny taon-dasa iny, tany amin’ireo tany any Eoropa, anisan’izany i Rosia, izay miitatra hatrany amin’ireo Tendrombohitra Oural sy hatrany Orient, dia adiny 248 763 468 no natokana hitoriana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nisy olona 89 578 any amin’io tapany amin’ny tany io natao batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah. Amin’ny fomba ahoana no itondrana ny vaovao tsara any amin’ireny olona ireny?

Tato anatin’ireo taona faramparany, dia mpialokaloka an’arivony maro no nitady hahazo fahazoan-dalana hiditra ao Belzika. Izany dia nanokatra sahan’asa vaovao ho an’ireo rahalahy belza. Tao anatin’ireo telo taona lasa, tao amin’ny foibe iray ipetrahan’ny mpialokaloka 480, dia nitarika fampianarana Baiboly 160 tamin’ny olona avy tany amin’ny tany 43 ireo rahalahy. Antokon’olona folo indraindray no manatrika izany. Be dia be aoka izany ny fahalianana, hany ka nandamina birao manokana iray ny talen’ilay foibe mba hahafahan’ireo rahalahy hitarika ireo fampianarany Baiboly tao.

Ny mpialokaloka katolika tanora iray avy tany Slovakia dia nitaky ny hanaovana ny fianarany ny Baiboly indroa isan-kerinandro. Rehefa nanoratra tany amin’ny reniny izy ka nitory taminy, dia nitsidika ny kongregasiona teo an-toerana tany Slovakia izy io mba hahafantarana hoe karazan’olona nanao ahoana no nifaneraseran’ny zanany lahy. Gaga sady faly izy, ka nanaiky fampianarana Baiboly, ary toy izany koa ny zanany vavy. Nanoratra tany amin’ny fofom-badiny koa ilay tovolahy. Nanandrana ny hanakivy azy ny zokin’izy io vavy, nefa tsy ela dia samy nianatra izy mirahavavy. Rehefa tsy nitsahatra nanoratra tany amin’ny fianakaviany io tovolahy tao amin’ny foibem-pialokalofana io, dia novakin’ny mpianakaviny rehetra ny taratasiny. Izao dia fampianarana Baiboly folo no tarihina amin’ireo havany any Slovakia.

Valian-tsoa ny faharetana — izany no fanatsoahan-kevitry ny anabavy mpisava lalana iray any amin’ny Repoblika Tchèque. Hoy ny tantarainy: “Herintaona lasa izay, dia nanomboka fampianarana tamin’ny tovovavy iray aho. Tsy naharitra afa-tsy 10 ka hatramin’ny 15 minitra ny fahalianany sy ny fahaizany mifantoka mba handinihana hevitra ara-baiboly, nandritra ireo roa volana voalohany. Imbetsaka izy no nanova ny andro sy ny ora fianaranay. Tsy nilaza taminy mihitsy anefa aho hoe: ‘Tsy manam-potoana aho’, na hoe: ‘Fohy loatra izany fianarana izany’, na dia tena sarobidy tamiko aza ny fotoana ary very takariva roa ao anatin’ny herinandro aho matetika mba hanaovana io fianarana io nandritra ny 10 minitra monja. Novalian-tsoa anefa ilay faharetana. Rehefa afaka roa volana io tovovavy io dia nanipy hevitra ny haharetan’ny fianaranay antsasak’adiny, ary tatỳ aoriana, dia adiny iray feno mihitsy aza. Amin’izao fotoana izao izy dia manatrika ny fivoriana rehetra, manomana azy ireo ary manome valin-teny. Niala tamin’ny fivavahan-diso izy ary miezaka mba ho tonga amin’ny batisa.”

Ny vidéo-n’ny Fikambanana hoe Les Témoins de Jéhovah — Un nom, une organisation dia ampiasaina tsara. Ny mpivady iray mpisava lalana any amin’ireo Nosy Féroé, eo anelanelan’i Islande sy i Norvezy, dia manana vidéocassettes roa izay ampindraminy olona. Indray mandeha, dia nisy olona 14 teo amin’ny lisitra niandry hahita ilay vidéo. Ireo izay mindrana azy io dia mampiseho azy io amin’ny hafa koa. Ny mpampianatra iray efa misotro ronono, izay nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! nandritra ny taona maro, dia nindrana ilay vidéo. Rehefa niverina mba haka azy io ilay rahalahy, dia feno hafanam-po be ilay rangahy ka nilaza fa efa nampiseho azy io tamin’ny olona 14 tao amin’ilay vohitra. Kanefa tsy azon’ilay rahalahy ny vidéo-ny satria nampindramina vehivavy iray tao amin’ny vohitra iray teo akaiky ilay izy. Nilazana ilay rahalahy tatỳ aoriana fa nasehon’io vehivavy io tamin’ny olona 15 tao amin’ny vohitra nisy azy izy io. Tamin’ny fialan-tsasatra tamin’ny Paka, dia nasehon’ilay mpampianatra tamin’ny olona 6 hafa koa ilay izy. Ny vaovao farany dia hoe nampindramina mpanjono iray ilay vidéo. Natolotr’ilay mpampianatra taloha an’ilay mpanjono ilay izy, kanefa raha toa hasehony amin’ireo olona 11 rehetra tao amin’ny sambony ihany.

Rehefa nitarika ny fivoriana ho amin’ny asa fanompoana indray maraina ny loholona iray tany Failandy, dia nilaza tamin’ilay antokon’olona hoe: “Tsy fantatsika izay hitarihan’i Jehovah antsika eny amin’ny fanompoana anio, nefa tena zava-dehibe ny maha-eny amin’ny fanompoana antsika, satria amin’izay i Jehovah dia afaka mampiasa antsika araka izay tiany.” Tatỳ aoriana, teny amin’ny faritany, dia nahatsiaro ho voatosika mafy hitsidika trano iray nandalovan’izy ireo ilay loholona. Nilaza ilay niaraka taminy fa tsy nisy nipetraka tao, nefa naniry ny ho any ihany ilay loholona. Nahita ramatoa iray izy ireo, ary nilaza izy io fa vao nifindra tao vao haingana izy sy ny vadiny. Rehefa nilaza taminy ireo rahalahy fa Vavolombelon’i Jehovah, dia nanasa azy ireo hiditra tao an-tranony izy ary nanazava fa kely foana sisa dia ho tafody ny vadiny. Rehefa niditra ny trano izy ireo, dia hoy izy: “Vao avy nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hitarihany ny iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hankatỳ aminay, satria vao nifindra teto amin’itỳ tanàna itỳ izahay. Ahoana anefa no nahafahanareo ho tonga haingana be ohatra izao? Vao folo minitra monja izay no nanaovako ilay vavaka.” Rehefa tonga ny vadiny, dia hita ho liana koa izy, ary natomboka avy hatrany ny fianarana ny Baiboly niaraka tamin’izy ireo. Haingana ny fandrosoana, ka natao batisa tamin’ny May 1994 izy ireo.

Dingana lehibe eo amin’ny fitomboana ho amin’ny fahamatorana kristiana ny fanaovana fanapahan-kevitra hentitra hametraka ireo tombontsoa ara-panahy alohan’ny fiahiana ny ara-nofo. Marina izany raha ny amin’i Jacques, mpanjono iray any Frantsa, izay miasa ao amin’ny seranana iray eo amin’ny Ranomasina Mediterane. Fotoana fohy fotsiny no lasa hatramin’ny nanombohany niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Naniry hanatrika ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny fotoam-pahavaratra izy. Nifanitsy tamin’ny fotoana teo afovoan’ny fe-potoam-panjonoana tsara indrindra amin’ny taona anefa ilay izy, dia ny fotoana iasan’ny ankamaroan’ny mpanjono andro aman’alina mba hahazoana ireo trondro ilaina amin’io vanin-taona io. Ambonin’izany, i Jacques dia nanana mpiasa 12 niasa tao amin’ny sambony. Ahoana no hahafahany hanazava amin’izy ireo fa tsy handeha hanjono mandritra ny andro maromaro izy ireo amin’io fara tampony amin’ny vanin-taona io? Na dia nataon’ny sasany ho adala sy niharan’ny fanesoana be dia be aza i Jacques, dia nametraka tamin’ny fomba hentitra ny zavatra ara-panahy teo amin’ny toerana voalohany, ka nanatrika ny fivoriamben’ny distrika niaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany mirahalahy kely.

Ny alatsinainy nanaraka ilay fivoriambe, dia nitondra ny sambony sy ny mpiasany hanjono indray i Jacques. Rehefa nisintona ireo haratony izy ireo, dia tsy ireo saridinina 300 kilao teo ho eo toy ny mahazatra no azon’izy ireo, fa talanjona kosa izy ireo nahita brème (karazana karpa) efa ho iray taonina, dia trondro heverina ho sarobidy ary lafo avo dimy heny noho izay nety ho azon’izy ireo tamin’ireo andro tsy niasany nandritra ny fivoriambe! Tsy nisy na dia mpanjono iray aza tao amin’ilay vohitra nahatsiaro hoe efa nisy olona nahazo trondro toy izany hatramin’izay!

Ny tovolahy iray dia nanaovana fanambarana fony izy niala sasatra tany am-panaovana ski tamin’ny ririnina. Na dia tsy tena liana aza izy, dia nanapa-kevitra ny hanatrika fivoriana iray tany amin’ny tanàna niaviany tany Holandy, mba hahitana fotsiny hoe inona izany. Rehefa avy nanatrika ilay Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona nandritra ny herinandro maromaro izy, dia nanaiky fampianarana Baiboly tamin’ny alalan’ny boky Hiaina Mandrakizay. Rehefa afaka volana maromaro, dia nanatrika ny fivoriana ny alahady koa izy, nefa tsy dia tena nisy fandrosoana loatra teo amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra hanompo an’i Jehovah. Nobeazina tsy hanana finoana an’Andriamanitra io tovolahy io. Kanefa, rehefa nahita ilay vidéo hoe La Bible: un récit historique exact, des prophéties dignes de foi izy, dia nisy vokany lalina teo aminy izy io. Nanontany izy raha afaka nihazona ilay vidéo nandritra ny herinandro nanaraka. Tamin’ny farany, dia hoy izy: “Misy Andriamanitra, ary ny Baiboly dia ny Teniny.” Nanomboka tamin’izay, dia nandeha haingana ny fandrosoany, ary dia Vavolombelon’i Jehovah be zotom-po izy izao.

Amerika Afovoany sy Atsimo

Nanjary saha mahavokatra toy inona moa io tapany amin’ny tany io raha ny amin’ny fanaovana mpianatra! Nandritra iny taon-dasa iny, dia fampianarana Baiboly any an-tokantrano 1 613 268 no notarihina tany amin’ireo tany ireo, ary mpianatra 91 126 no nandroso hatramin’ny batisa anaty rano.

Ho vokatry ny fitoriana teo akaikin’ny Farihy Titicaca, tany an-tampon’ny Tendrombohitra Andes, any Bolivia, dia nahita fanandraman-javatra tsara dia tsara sasany ireo rahalahintsika. Hitan’izy ireo fa rehefa nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah izy ireo tao amin’ny tanàna kely iray tany ambanivohitra antsoina hoe Atahuallpani, dia maro tamin’ireo olona no nilaza fa Vavolombelon’i Jesosy Kristy izy ireo. Rehefa nanontaniana ny amin’ny antony nakany io anarana io izy ireo, dia namaly tamin’ny fanononana ny Asan’ny Apostoly 1:8. Nodinihina tamin’ny fomba nanorina, teo anatrehan’ireo pastoran’ilay antokon’olona, ny fanontaniana maro, anisan’izany ny fototra araka ny Soratra Masina niavian’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Nanaraka izany, dia nanasa an’ilay antokon’olona ho any amin’ny Efitrano Fanjakana tany Corpa ireo mpitory.

Herinandro maromaro tatỳ aoriana, dia tena tonga tao amin’ilay Efitrano Fanjakana tokoa ny telo tamin’ireo pastora tao amin’io antokon’olona io. Taorian’ny fivoriana, dia niresaka ela be tamin’ireo loholona izy ireo ary nanasa azy ireo ho any amin’ny toeram-pivoriany, mba hanazava bebe kokoa momba ireo zavatra ampianarintsika momba ny Baiboly. Nanomana fitohitohizan-dahateny iray ireo loholona momba ny hoe ‘Haramagedona’ sy ny hoe ‘Iza no Mankany An-danitra’ ary ny hoe ‘Paradisa An-tany’. Nisy tokony ho 50 tamin’ireo mpikambana tao amin’ny fiangonany, nanatrika izany. Taorian’ireo lahateny, dia niteny ilay mpitari-draharaha teo aminy, ka nampahafantatra ny rehetra nanatrika fa ‘voafitaka izy ireo sady nanaraka fivavahan-diso’. Taorian’iny fivoriana iny, dia namihina tamin-kafanana an’ireo rahalahy ireo pastora sy ny olona maromaro hafa. Fampianarana Baiboly maro no natomboka tamin’ny mpikambana tao amin’io antokon’olona io. Amin’ny fotoana anoratana an’itỳ, dia 25 amin’izy ireo no efa tonga Vavolombelona vita batisa ary 10 hafa no manao fandrosoana tsara eo amin’ny fianarany ny Baiboly. Alao sary an-tsaina ny fifalian’io antokon’olona tso-po io rehefa takany fa rehefa ela ny ela dia nahita ny fahalalana araka ny marina momba ny fahamarinan’Andriamanitra manome fiainana izy ireo!

Any amin’ny tapany atsinanan’i Salvador, dia nandamina ny hitsidika ny tapany lavitra indrindra tamin’ny faritaniny any ambanivohitra ireo rahalahy, mba hitory ny vaovao tsara. Rehefa avy nandeha an-tongotra nandritra ny ora maromaro teo amin’ny lalan-kely niakatra sy nidina ireo rahalahy, dia tonga teo amin’ny vohitra kely iray izay mbola tsy notsidihin’izy ireo taloha. Tao amin’ny trano iray, dia nisy ankizilahy jamba 11 taona tonga teo am-baravarana sy nihaino vetivety. Avy eo dia gaga ilay rahalahy rehefa nanambara ilay ankizilahy hoe: “Vavolombelon’i Jehovah aho.” Tena izany tokoa ve? Toy inona moa ny hagagan’ilay mpitory rehefa nanomboka nihira ny hira faha-32 hoe “Isan-trano” ilay ankizilahy! Hainy hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ilay izy. Nilaza izy fa nahay hira hafa koa, ary nanomboka nihira niaraka tamin’izay ny hira faha-105 hoe “Arahabao ny Lahimatoan’i Jehovah!” Nanaraka izany izy dia nanazava tamin’ilay rahalahy ny amin’ny Paradisa an-tany. Tamin’ny fomba ahoana no nianaran’io ankizilahy io, izay nipetraka tany amin’ny toerana lavitra be aoka izany, izany rehetra izany? Avy tamin’ny ankizilahy kely hafa iray izay tsy nahay namaky teny akory. Ny renin’itỳ ankizilahy itỳ dia niasa ho an’ny fianakaviana Vavolombelona iray tany amin’ny tanàn-dehibe iray, ary nanaraka an-dreniny tany amin’ireo fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Rehefa niverina teto amin’ilay vohitra kely nipetrahany izy ireo, dia nitantara tamin’ilay namany jamba izay rehetra reny izy. Nifindra honina tany amin’ny tanàna iray lehibe kokoa izao ilay ankizilahy jamba, ary mazoto ireo rahalahy any manampy azy hanao fandrosoana fanampiny ao amin’ny fahamarinana.

Nanoratra ny mpisava lalana manokana iray any amin’ny faritra avaratr’i Brezila fa rehefa tonga tao amin’ny toerana nanendrena azy izy ireo, dia nanjary nahafantatra fa nisy mpitory efatra tao, izay nanao dia an-tongotra 10 kilaometatra mba hahatongavana tany amin’ireo fivoriana, satria tsy nisy aotobisy niasa tamin’ny faran’ny herinandro. Nanapa-kevitra ny hanao ireo fivoriana tao amin’ilay tanàna nipetrahan’ireo mpitory ireo, ireo mpisava lalana. Ny alahady voalohany dia nisy olona 40 nanatrika. Tamin’ny fivoriana faharoa, dia toy izany ihany ny isan’ny nanatrika tao amin’ilay trano, saingy tao ivelany dia nisy ny pastoran’ny fiangonana Assemblée de Dieu, niaraka tamin’ny olona 15 mpikambana tao aminy. Nasaina hiditra izy ireo, nefa naleony nihaino avy tao ivelany. Hoy ny notantarain’ilay mpisava lalana: “Tamin’ny faran’ilay fivoriana, dia nivoaka aho mba hiresaka tamin’izy ireo sy hamaly ny fanontaniany. Nilazako ilay pastora fa izaho koa dia pastora tahaka azy taloha. Hoy izy nanontany: ‘Fa ahoana no nahatonga anao ho Vavolombelon’i Jehovah izao?’ Mba hamaliana ny fanontaniany, dia nanasa azy ho any an-tranonay aho, ary dia nanaiky izy. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy dia niala tamin’ny fiangonany izy sy ny sasany tamin’ilay antokon’olona nisy azy ary nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka taminay.”

Tamin’ny fankalazana voalohany ny Fahatsiarovana tao amin’io tanàna io, dia olona 140 no tonga, antsasak’adiny talohan’ny fanombohana. Nampalahelo anefa fa tsy nisy fitaovana ho amin’ny fanamafisam-peo. Nanipy hevitra ny ramatoa katolika iray fa hanandrana hindrana ny fitaovana tao amin’ny fiangonany izy. Rehefa nanontaniany ilay mompera, dia hoy io hoe: “Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ve?” Hoy ny navaliny: “An, an, an. Tsy misy afa-tsy Vavolombelona valo ao. Ilaina ho an’ireo Katolika maherin’ny 100 ao, ilay fanamafisam-peo!” Tsy nahomby iny hevitra naroso iny. Nanao fanipazan-kevitra nitovy tamin’izany ny ramatoa protestanta iray, nefa hoy ilay mpitandrina hoe: “Tsy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah!” Hoy ny hevitra naroson’ilay ramatoa: “Anisan’ny nanome vola hividianana azy io izahay sy ny mpikambana hafa rehetra ao amin’ny fiangonana, ka noho izany dia manana zo hampiasa azy!” Noho izany, dia navelan’ilay mpitandrina hindraminy ilay izy. Fampianarana Baiboly vaovao maro no natomboka taorian’iny Fahatsiarovana iny. Ny rehetra tao an-tanàna dia niresaka fa hoe tena nanampy ireo olona nitokana tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah.

Indray tolakandro, tao anaty fiaran’ny métro iray tao Caracas, any Venezoela, dia nitady fomba hitoriana tamin’ny vehivavy iray teo akaikiny ny Vavolombelona iray. Nanomboka niresaka momba ny fitambaran’olombelona izay mihamiova sy momba ny fitakian’izany amintsika mba hanaraka azy koa, ilay Vavolombelona.

Nanaiky ilay ramatoa nefa nanao hoe: “Izany no lazaiko amin’ny vadiko, nefa vendrana izy. Tiany hotezaina araka ny fomba efa lany andro ny zanakay. Vavolombelon’i Jehovah mantsy izy.”

Nanapa-kevitra ny tsy hampahafantatra ny tenany ho Vavolombelona ilay mpitory. Hoy kosa izy: “Ireo Vavolombelon’i Jehovah fantatro kosa dia olona faran’izay tsara. Hony hoy aho, mamo lava angaha ny vadinao?” Rehefa namaly ilay vehivavy hoe: “An, an, an!”, dia nanohy ny teniny tamin’ny fanomezana lisitra lava be toy izao ilay anabavintsika: “Mpidoroka zava-mahadomelina izy izany?” “Tsy maintsy ho lehilahy tia vehivavy sy mody alina foana izy izany.” “Mampianatra teny ratsy ireo ankizy izy, sa tsy izany?” “Hay, fantatro amin’izay. Voatery miasa sy mamelona azy ianao, fa izy kosa mijanona ao an-trano.” Tamin’ny tsirairay tamin’ireo, dia “Tsia!” hentitra no valiny, matetika narahina teny momba ireo toetra tsaran’ny vadiny. Koa hoy àry ilay Vavolombelona: “Koa misy zavatra tsy azoko àry. Inona no ratsy aminy?”

Nieritreritra kelikely ilay vehivavy ary avy eo dia nanao hoe: “Ny manahirana dia entiny any amin’ireny fivoriana any amin’ny efitrano ireny mandritra ny adiny roa ny ankizy. Nefa aho efa nilaza taminy mba tsy hitondra azy ireo any intsony.”

“Inona no lazaina any amin’izany fivoriana izany?”, hoy ilay Vavolombelona nanontany. Ary avy eo dia hoy izy: “Rehefa tsy mankany amin’izany fivoriana izany ireo zanakao, inona moa no ataony?” Teo indray koa ilay Vavolombelona dia nanandrana nanampy an’ilay vehivavy hanjohy hevitra toy izao: “Heverinao ve fa tsara kokoa ny hijeren’izy ireo televiziona sy ny herisetra, ny ady, ny vonoana olona ary ny tantara mitohy maloto rehetra asehony, toy izay hianatra momba an’Andriamanitra? Hilazako ny marina ianao”, hoy ilay Vavolombelona nanohy ny teniny, “be dia be ny vehivavy tsara tarehy, vehivavy fatra-paniry fisondrotana eo amin’ny asany sady mitady vady. Voatery manaiky ireo lehilahy araka izay maha-izy azy, lehilahy manana izao karazan-toetra ratsy rehetra izao, izy ireo. Manjary hita ho mamo lava ireo lehilahy, mpidoroka zava-mahadomelina, maloto fitondran-tena; mamindra SIDA sy aretina hafa amin’ny vadiny izy ireny, ary hita ho mijaly ireo vehivavy. Olo-masina ny vady azonao; tsy ankasitrahanao ve izy? Ny marina dia hoe tsy azoko ny fihetsikao. Raha tsy tianao izy, dia halaiko! Izy no karazana vady tadiaviko. Raha misy olona tahaka azy milaza amiko hoe: ‘Andao ho any amin’ny Efitrano [Fanjakana]’, dia hanao aho hoe: ‘Andao àry!’, ary raha manao izy hoe: ‘Tsy maintsy mitondra ny ankizy isika’, dia ho ravoravo aho. Ankasitraho moa izay anananao e.” Rehefa niala teo amin’ilay fijanonana tokony hialany ilay vehivavy, dia nitsiky, ary nisaotra an’ilay Vavolombelona. Manantena isika fa izy koa dia hanaraka ilay fanipazan-kevitra hamakafaka ny amin’izay tena atao any amin’ireo fivoriana.

Ny fanandraman-javatra hitan’ny anabavy iray tany Paraguay dia mampiseho fa fahendrena ny manao zavatra amim-pitokiana amin’i Jehovah, rehefa manao fandaharana mba hamonjy fivoriambe isika. Tany amin’ny renivohitra, 580 kilaometatra avy teo, no hanaovana ny fivoriambe. Nanan-janaka kely dimy ilay anabavintsika, nilaozan’ny vadiny izy, taona vitsivitsy lasa izay, ary tsy nanam-bola firy. Na dia izany aza, dia nanomboka nanangona izay vola azony nangonina izy mba hahafahany hanatrika ny fivoriambe niaraka tamin’ny zanany rehetra. Kanefa, rehefa tonga ny andro hiaingana, dia mbola tsy ampy ihany ny volany, mba handoavana ny saran’ny fitaterana. Inona no azony natao? Koa satria tanàna kely ilay izy sady natao tamim-pahaiza-mifandray amin’ny olona ny raharaha rehetra, dia nankany amin’ny fiandrasana aotobisy izy sy ny zanany dimy. Nanazava tamin’ilay mpizara billets izy fa nila nankany an-drenivohitra izy sy ny zanany, saingy tsy ampy afa-tsy ho an’ny billets roa ny volany. Faly dia faly izy rehefa nilaza taminy mba hiakatra tao amin’ny aotobisy niaraka tamin’ny fianakaviany, ilay mpizara billets. Avy eo, rehefa nanangona ny volan’ny billets izy, rehefa nanomboka ilay dia, dia tsy naka afa-tsy ny saran’ny billet iray, dia ny an’ilay anabavy. Aotobisy faran’izay tsara ilay izy, dia ilay lafo indrindra tao an-tanàna. Velom-pankasitrahana toy inona moa io fianakaviana io tsy namela ilay sakafo ara-panahy tany amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany, handalo fotsiny!

Amerika Avaratra sy Ireo Nosy Caraïbes

Tany amin’io tapany amin’ny tany io ny fandaminan’i Jehovah maoderina eto an-tany no nanomboka, maherin’ny 110 taona lasa izay. Nisy fitoriana be dia be ny vaovao tsara natao tany, nefa mbola tsy nilaza ny Tompon’ny fijinjana hoe efa vita ny asa. Tamin’iny taon-dasa iny tokoa, dia olona an’aliny maro no natao batisa any amin’ireo tany ireo.

Nilaza ny mpisava lalana iray any Grenade fa nahatsiaro ho kivy kely izy noho ny fieritreretana fa tsy maintsy handeha indray ho any amin’ny faritany izay efa niasana imbetsaka tao anatin’ny volana lasa. Inona anefa no nitranga? Hoy ny nosoratany: “Rehefa nitsidika an’i Rossell (ankizilahy 16 taona) aho tamin’iny maraina iny, dia gagagaga ny endriny. Tamin’izay fotoana izay aho dia nanontany tena raha nisy tsy netinety taminy. Nanazava tamiko izy tatỳ aoriana fa ilay fijery ‘gagagaga’ dia noho izy tsy nanampo ny hamaliana haingana be aoka izany ny vavaka nataony. Herinandro talohan’izay mantsy izy dia nivavaka tamim-pahatsorana tamin’Andriamanitra mba hampiseho taminy ny fomba mety mba hanolorana fanompoam-pivavahana, ary indro aho fa niresaka taminy momba an’i Jehovah.

“Tao anatin’ny iray volana, dia nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Tena tia ny namaky teny izy, ary tamin’ny faran’ireo roa volana dia efa vitany ny famakiana ny ‘Que ta volonté soit faite sur la terre’, ‘Les nations sauront que je suis Jéhovah’ — Comment?, Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, L’humanité à la recherche de Dieu, ny boky Fanjohian-kevitra, Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, ireo Diary 1991 sy 1992, ny ankamaroan’ireo bokikely, ary koa ireo nomerao farany tamin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! (...) Natao batisa tamin’ny Jolay farany teo tany amin’ny fivoriamben’ny distrika, izy. Tena takany marina ny fahamarinan’ireo tenin’ny mpanao salamo ao amin’ny Salamo 145:18 manao hoe: ‘Jehovah dia eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.’ ”

Mahaliana fa i Rossell dia nipetraka tao amin’ny lakalin’io trano io nandritra ny roa taona. Nandritra izany fotoana izany, dia samy tsy nifankahita tamin’ny Vavolombelona na izy na ilay rahavavin-dreniny, na dia iasana matetika aza ilay faritany. Zava-dehibe toy inona moa ny hiasantsika ny faritany amin’ny fomba feno!

Tonga tamin’ny andro faran’ny Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra” ny vehivavy iray vao nanomboka nifanerasera tamintsika tany Antigua. Navela hiala tamin’ny fiarany teo amin’ny fidirana tao amin’ny Efitrano Fanaovana Fivoriambe izy. Tatỳ aoriana, tamin’io maraina io ihany, dia hitany fa very ny poketra keliny nisy vola maherin’ny 2 000 $EC (2 664 000 FMG). Tsaroany fa mbola hitany ilay izy taloha kelin’ny nialana tamin’ilay fiara. Tsy nahitana vokatra ny fanarahana tamim-pitandremana indray ny lalana nalehany sy ny fanontaniana an’ireo mpikarakara ny parking. Nanome toky azy ilay Vavolombelona nanasa azy fa “raha hita tao amin’ny parking na tao amin’ny Efitrano Fanaovana Fivoriambe ilay izy, dia haverin’ireo Vavolombelona, satria manao ny marina sy be fitiavana ny Vavolombelon’i Jehovah”.

Ny ampitso marainan’iny ilay ramatoa dia nahatadidy fa nisy seky iray tamin’ny anarany mbola tsy nalainy, tao amin’ilay poketra, ka niantso an-telefaonina an’ilay raharaham-barotra nanome azy io izy. Gaga be izy rehefa nihiaka ilay vehivavy mpanao raharaham-barotra tao hoe: “Nisy lehilahy Vavolombelon’i Jehovah vao niantso teo, nanontany raha nahafantatra anao aho ary hoe aiza no mety hahitany anao. Hitany teo ivelan’ny fivoriamben-dry zareo omaly, hono, ny poketranao.” Mihamiaiky kokoa noho ny hatramin’izay ilay ramatoa fa tena matahotra an’Andriamanitra marina ny Vavolombelon’i Jehovah.

Andraikitry ny Kristiana rehetra, na ao amin’ny fanompoana manontolo andro izy na tsia, ny mikarakara ny mpianakaviny izay marary. Ny iray tamin’ireo anabavintsika any Alaska dia nahita fomba hanohizana hanao ny asan’ny mpisava lalana na dia nitaky ny fanampiany tamin’ny fotoana tsy nampoizina aza ny tsy fahasalaman’ny zanany vavy. Izany dia nametra ny asa fanompoany ho amin’ny fanaovana fanambarana an-telefaonina tao an-tranony. Avy eo, rehefa avy nieritreritra sy nivavaka izy, dia nanapa-kevitra ny hitondra telefaonina cellulaire teny aminy rehefa teny amin’ny fanompoana izy. Tamin’izany fomba izany izy dia afaka niala tao an-trano kanefa “azo nantsoina” rehefa nilaina izany. Faly izy efa nahavita 28 taona nanompoana teo amin’ny asan’ny mpisava lalana, ary mbola tsy may ny hamela io tombontsoa sarobidy io ihany.

Hitan’ny anabavy iray tany amin’ny nosin’i St. Croix, any amin’ireo Nosy Vierges amerikana, fa tena nila ny nitondra ny zanany vao teraka hotsaboina tany Porto Rico izy. Indray andro, dia nitondra an’ilay anabavy tao amin’ny biraony ilay infirmière-major ka nanao hoe: “Ahoana no ahafahanao tonga isan’andro hijery ny zanakao mandritra ny telo volana? Tsy maintsy ho efa tafakatra ambony be izay ny faktioran’ny hotely. Ny reny hafa rehetra avy any amin’ireo nosy dia tonga eto, mamela ny zanany kely eto ary avy eo dia tsy maintsy miverina mody.” Nilaza taminy momba ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ilay anabavy, ary nanazava fa nisy mpivady iray nandray azy tao an-tranony, nikarakara azy, nanome ny saram-pitaterana nankany amin’ny hopitaly ary nanao zavatra hafa koa. Nanontany ilay infirmière raha efa nahalala ireo olona ireo izy taloha. Rehefa nilaza ilay anabavy hoe: “An, an, an, nefa anadahiko sy rahavaviko ry zareo”, dia talanjona ilay infirmière. Raha ny tena izy dia ny fon’ireo mpiasan’ny hopitaly rehetra no tohina. Hoy ilay infirmière-major: “Izany no fivavahana ilaina eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao.”

‘Indro! Efa Masaka Sahady Hojinjana ny eny An-tsaha’

Rehefa nanantitrantitra tamin’ny mpianany ny maha-zava-dehibe ny fanompoana nanofanany azy ireo i Jesosy, dia nampitaha azy io tamin’ny fijinjana, ka nanao hoe: “Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.” (Jaona 4:35). Tatỳ aoriana dia hoy izy tamin’izy ireo: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:38). Tena mifanentana amin’ny ankehitriny toy inona moa ireo teny ireo!

Ny tatitra momba ny asa tamin’ny taom-piasana farany dia mampiseho fa tany maro no manome vokatra tondraka, dia mpidera an’i Jehovah amim-pifaliana. Anisan’ireo izay nanao tatitra fitomboana 20 isan-jato na mahery i Albania, i Bolgaria, i Ukraine, i Estonia, i Lettonie, i Lituanie, i Angola ary i Mozambika.

Nisy fitrangan-javatra tsara nanampy tosika mafy ny fitarana teokratika goavana tatsy Mozambika nandritra ny taom-piasana 1994. Ny lafin-javatra lehibe indrindra tamin’izany dia ny firohotry ny mpialokaloka niverina avy tany amin’ireo tany nanodidina, indrindra fa avy tao Malawi. Nahaforona fizaran-tany manontolo efatra ireo izay niverina nody nandritra ny 1993, tamin’ny fotoana izay tsy nananan’i Mozambika afa-tsy fizaran-tany folo ho an’ilay tany manontolo. Ny lafin-javatra hafa iray dia ny fandaminana indray ireo kongregasiona, izay, noho ny ady, dia tsy afaka nifandray tamin’ny fandaminana. Ary olona liana betsaka kokoa no mandroso hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa.

Tao amin’ny tanànan’i Milange, ao amin’ny faritanin’i Zambézia, dia nisy fivoriamben’ny fizaran-tany iray natao tamin’ny Novambra 1993. Ravoravo izy ireo rehefa nisy mpilatsaka hatao batisa 505, izany hoe ny ampahefatr’ireo mpanatrika 2 023 tamin’ny asabotsy maraina, nitsangana mba hamaly ireo fanontaniana roa nataon’ny mpandahateny. Avy eo, nanoloana ny Tendrombohitra Mlanje tsara tarehy, io antokon’olona be dia be io dia sady niara-nihira hiran’ilay Fanjakana tamim-pirindrana no namakivaky an-tongotra ny afovoan’ny tanàna, nandalo ny fiangonana katolika ary nankany amin’ny renirano akaiky indrindra, tany amin’ny enina kilaometatra avy teo, mba hatao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah.

Misy olona tahaka ny ondry sasany manaiky ny fahamarinana haingana. Hoy ny tatitra nataon’ny misionera iray notendrena vao haingana ho any Kambodja: “Indray asabotsy, teny am-pitoriana isan-trano aho dia nahapetraka bokikely iray tamin’ny vehivavy tanora iray. Nasehoko ilay fandaharana fianarana Baiboly ary nanao fotoana taminy aho mba hiverina rehefa afaka roa andro, mba hanohizana ilay resaka. Ny alatsinainy, taorian’ny fianaranay, dia nohazavaiko ny momba ireo fivoriana ary nomeko taratasy fanasana ho amin’ireo fivoriana izy. Nojereny ilay izy ka hoy izy: ‘Rahampitso izany.’ Ny talata àry dia nanatrika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona izy. Rehefa nifarana ilay izy, dia nanontany azy aho hoe: ‘Rahoviana indray àry isika no hifankahita?’ ‘Rahampitso?’, hoy izy nanontany. ‘Eny àry’, hoy ny navaliko, hany ka nanao ny fianarana fahatelonay izahay ny alarobia. Rehefa nifarana io fianarana io, dia nanontany aho hoe: ‘Rahoviana indray àry isika no hifankahita?’ Namoaka ilay taratasy fanasana izy ka nanao hoe: ‘Rahampitso any amin’ny fivoriana.’ Tamin’ny herinandro voalohany nifankahitanay àry, dia nianatra intelo sy nanatrika ireo fivoriana telo izy. Nanohy nanatrika ireo fivoriana tsy tapaka izy.”

Ny fampitahana ireo tatitra voaray avy tany Rosia momba ny asa tamin’ny Aogositra 1993 sy tamin’ny Jona 1994 dia mampiseho fa nisy fitomboana 49 isan-jato teo amin’ny isan’ny mpitory ary fitomboana 87 isan-jato teo amin’ny isan’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Ny ankamaroan’ireo vaovao dia nampiana teo amin’ny lafiny isam-batan’olona. Fa any amin’ny faritra sasany, dia fitambaran’olona betsaka ihany no miara-manaiky ny fahamarinana. Ny lehilahy iray mipetraka ao amin’ny tanàna iray eo akaikin’i Saint-Pétersbourg dia naharay boky Hiaina Mandrakizay iray tamin’ny havana tany amin’ny Repoblikan’i Géorgie. Noho io tovolahy io nizara izay nianarany, dia nisy antokon’olona nanomboka niara-nivory mba hianatra tamin’ny alalan’ilay boky. Niorina tamin’izay nianarany izy ireo ka nanapotika ireo sary sampiny ary nitondra fiovana teo amin’ny asa fivelomany. Avy eo dia nanomboka nitady an’ireo Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, mba hahazoana fanampiana teo amin’ny fandaminana ny asa fitoriana teo amin’ny faritra nisy azy. Nisy mpisava lalana sasany tonga mba hanampy, ary tao anatin’ny efatra andro monja, dia nanomboka fampianarana Baiboly 50 izy ireo. Izao dia misy mpitory 22 ao amin’ilay tanàna, ka ny 7 aminy dia vita batisa, ary ny tsirairay aminy dia mitarika fampianarana Baiboly sivy na folo avy. Teo amin’ny nosin’i Sakhalin, any amin’ny farany atsinanan’i Rosia, koa dia nisy fandraisana faran’izay tsara. Tamin’ny Janoary 1991, dia tsy nisy afa-tsy mpitory valo teo amin’ilay nosy. Izao any dia misy mpitory be zotom-po maherin’ny 300, izay miaraka amin’ny kongregasiona enina.

Isan-taona ny sampan’i Kolombia dia manao ezaka manokana mba hiasana ny faritaniny amin’ny fomba feno, ary noho ny fanampian’ireo mpisava lalana manokana tsy maharitra, dia mba hanatratrarana tanàna hafa koa any amin’ny faritra lavitra be. Tamin’iny taona iny, ireo mpisava lalana manokana dia notendrena ho any amin’ny tanàna 33 tany amin’ny faritra lavitra amin’ilay tany, indrindra fa tany amin’ireo tany lemaka any atsinanana. Izy io dia faritra midadasika izay voaforona ala dia ny ankamaroany ary vitsy ny lalana mampifandray ireo tanàna mitokana. Na dia teo aza ny toe-javatra sarotra, dia nitarika ho amin’ny fiforonan’ny groupes vaovao 22 ny ezaka nataon’izy ireo. Tao amin’ny vohitra iray, ny rahalahy iray dia nahita lehilahy iray izay nilaza fa tia namaky ny Baiboly ny vadiny. Tatỳ aoriana, dia nanipy hevitra ny hitsidihan’izy ireo ny mpifanila trano taminy izy. Ilay mpifanila trano indray kosa dia nampahafantatra azy ireo tamin’ny fianakaviana hafa iray izay naniry hianatra. Tao anatin’ny enim-bolana, dia mpianakavy dimy tamin’ireo fianakaviana telo ireo no natao batisa, ary izao ny roa aminy dia mpisava lalana maharitra. Misy havana sy mpifanila trano maromaro hafa koa nanomboka nianatra. Tany amin’izay tsy nisy Vavolombelona na dia iray aza 18 volana lasa izay, dia 80 izao no manatrika ireo lahateny ampahibemaso ao amin’ny Efitrano Fanjakanany manokana.

Hatramin’ny vao haingana, ny groupe isolé iray any amin’ny faritra afovoan’i Guyana dia tsy nanana afa-tsy mpitory vita batisa iray, dia anabavy iray. Niasa mafy teo amin’ireo olona, izay Indianina caraïbes, izy io. Nanorina Efitrano Fanjakana iray misokatra ila tena tsara tarehy sy omby olona maherin’ny 500, izy ireo. Misy fitaovana fanamafisam-peo ampiasana micro azo afindrafindra sy mandeha amin’ny pila izy io. Ny alahady izy ireo dia manao ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny maraina, manomboka amin’ny valo ora sy sasany. Amin’ny tolakandro izy ireo dia manao ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy ny Fivoriana Momba ny Asa. Tsy maintsy adika amin’ny fiteny caraïbe, izay fiteny tsy soratana, ireo anjara rehetra. Mba hahatongavana any amin’ireo fivoriana, dia misy manao dia an-tongotra 40 kilaometatra ny andro alohan’ny fivoriana. Samy efa mipetraka daholo ny rehetra alohan’ny hanombohan’ny fivoriana, ary na dia dabilio tsy misy fiankinana aza no ipetrahana, dia faran’izay kely ny fihetsiketsehana. Ny alarobia alina, dia misy kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra tarihina amin’ny teny anglisy amin’ny olona tokony ho zato. Amin’ny fotoana anoratana an’itỳ, dia mpivady efatra no efa nanao fandaharana mba hisora-panambadiana ara-dalàna talohan’ny fivoriamben’ny distrika. Ny mpivady 16 hafa dia nilaza fa miomana hisoratra ara-dalàna izy ireo mba hahafahany ho tonga mpanompon’i Jehovah nanolo-tena koa.

Tena manome fanambinana ny vahokany marina i Jehovah. Nambara mialoha ao amin’ny Isaia 9:⁠2 hoe: “Hamaroinao ity firenena ity, ary ampitomboinao ny hafaliany; mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ny fararano”. Na aiza na aiza iainantsika, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy antsika, dia enga anie isika rehetra mpanompon’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra marina, handray anjara feno araka izay azo atao amin’ny asa lehibe fanambarana ilay Fanjakana, asa izay eo am-panaovana azy ankehitriny.