Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hiverina Aminy Foana ny Tenin’i Jehovah

Tsy Hiverina Aminy Foana ny Tenin’i Jehovah

Tsy Hiverina Aminy Foana ny Tenin’i Jehovah

VAKIO, aza fady, ny Isaia 6:6-10 ao amin’ny Baibolinao. Amin’ny alalan’ny mason’ny sainao, dia diniho amim-pitalanjonana ilay serafiman’i Jehovah manadio ny molotr’i Isaia amin’ny vainafo nalainy avy teo amin’ny alitaran’ny tempoly. Henoy amim-pitandremana mafy i Jehovah manontany hoe: “Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay?” Taiza moa no tokony halehan’ilay mpanompon’i Jehovah, ary inona no tokony hataony? Hoy ny didin’i Jehovah: “Mandehana, ka lazao amin’ity firenena ity hoe: Mandrenesa mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahalala; ary mijere mandrakariva ihany hianareo, nefa aza mahafantatra.”

Moa ve izany midika fa tsy nisy fanantenana mihitsy ho an’ilay firenena? Moa ve ireo teny farany ao amin’ny Isaia 6 andininy faha-10 — “fandrao (...) hibebaka izy ka ho sitrana” — midika fa tsy nahomby ny nifampiraharahan’i Jehovah tamin’ny Isiraely? Tsy izany mihitsy!

Ny tenan’i Jesosy Kristy mihitsy dia naka teny avy tao amin’io fitantarana ara-tsindrimandry io, rehefa niresaka momba ireo vokatry ny fanompoana niavaka nataon’ny tenany teo amin’ireo Jiosy tamin’ny androny izay nanjary jamba ara-panahy, izy. Izy no lehibe indrindra tamin’ny mpampianatra rehetra nandia itỳ tany itỳ. Teo aminy tamin’ny fomba tondraka ny fanahin’i Jehovah. Kanefa, ny fanandraman-javatra hitan’ilay Zanak’Andriamanitra dia nitovy tamin’ny an’i Isaia; koa nanambara àry i Jesosy hoe: “Efa lalodalovana ny sofiny”. (Matio 13:13-15). Loza mahatsiravina re izany! Moa ve tsy nahomby ny fanompoana feno risi-po nataon’i Jesosy? Eto indray koa isika dia tsy maintsy milaza hoe: ‘Tsia, tsy izany velively!’ Ao amin’ilay andininy manaraka avy hatrany, ao amin’ny Matio 13:16, dia hoy i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Fa sambatra ny masonareo, fa mahita, ary ny sofinareo, fa mandre.” Eny, ny sasany tamin’ireo voan’ny fahamarinana dia latsaka tamin’ny tany tsara ary niteraka ny vokatra nirina. Teraka ny kongregasiona kristiana, dia ny Isiraely ara-panahy. Ary ankehitriny, amin’izao androntsika izao, dia fifaliana toy inona moa ny mahita an-tapitrisany maro amin’ireo zavatra faniry eto an-tany manaiky tsara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana!

Nanatanteraka ny fikasan’i Jehovah teo amin’ny Isiraely i Isaia. Fantatsika amim-patokiana fa nanao izany koa i Jesosy. Tsy hisy na dia iray amin’ny tenin’i Jehovah aza, tsy hisy na dia iray amin’izay zavatra nokasainy aza, tsy hahomby. Ho tanteraka avokoa izany rehetra izany ho voninahitra ho azy. — Isaia 55:11.

Manambara ny Salamo 46:8 fa i Jehovah dia “mahatonga faharavana [“fisehoan-javatra mahagaga”, NW ] etỳ an-tany”. Nanomboka tamin’ireo taona 1919-1922 indrindra indrindra izy dia nampiasa antokona mpitory ilay Fanjakana vitsy monja aloha, mba hitondra ireo teniny ara-tsindrimandry manome fiainana tany amin’ny faran’ny tany. Teo anatrehan’ny fanoherana nahery vaika avy tamin’ireo izay nampitahain’i Jesosy tamin’ny “amboadia mitoha” sy “taranaky ny menarana”, ny vaovao tsara dia notorin’ny Vavolombelona be zotom-po tsy mitsaha-mitombo isa. (Matio 7:15; 23:33). Ampy fankasitrahana ireo tonga Vavolombelona ireo mba ‘hibebaka ka hositranin’i’ Jehovah, ilay Mpanome Fiainana Lehibe. Ary ankehitriny izy ireo dia manampy hafa koa mba ho sitrana. Mba hanatanterahana io asa io any amin’ny tany tsy mino ny fisian’Andriamanitra, ary koa any amin’ny tany tapahin’ny mpiandry ara-pivavahana sandoka, dia tsy maintsy resena ny fanoherana azo ampitahaina amin’ny “tendrombohitra lehibe”. Teo anoloan’ilay Zerobabela Lehibe, dia natao tonga “tany lemaka” izy io, araka ny nambara mialoha tao amin’ny Zakaria 4:7. Tena marina fa ilay Mpanjaka mpandresy, i Jesosy Kristy, dia manohy ‘mandresy sady mbola haharesy’. — Apok. 6:2.

Manatanjaka ny finoana toy inona moa ny mamaky ato amin’ny Diary 1995 momba ireo mpanompon’i Jehovah any Meksika, ohatra! Tany, tao anatin’ireo folo taona lasa, ireo mpivavaka amin’i Jehovah tokony ho 150 000 dia nitombo ka tonga 400 000 teo ho eo. Mila tsy hampino ilay izy!

Mahatalanjona mitovy amin’izany koa ny fitomboana any amin’ireo tany balkanika sy ireo Fanjakana Baltika, ary koa any Hongria, any Rosia, Ukraine ary any amin’ireo tany anisan’ny Firaisana Sovietika taloha. Nihoatra ny isa 200 000 i Italia, ary i Japana dia mihamanatona azy io. Na dia eo aza ny fikorontanana any Afrika, dia misy fandrosoana tsara dia tsara vita atsy Mozambika, Nizeria, Afrika Atsimo, Zambia ary Zaïre. Ary tsara toy inona moa ny nahafantatra fa ny Vavolombelon’i Jehovah any Guinée Equatoriale, Repoblikan’i Guinée, Burundi, Népal, Lituanie ary Moldavie dia nekena ara-dalàna, ary koa fa afaka manao amin-kalalahana ilay fanompoana mamonjy aina izy ireo!

Any Atsinanana, i Hong-Kong dia nanana ny fitahiana tsy nahazatra nampiantrano roa tamin’ireo Fivoriambe Niraisam-pirenena “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”. Fisehoan-javatra tena niavaka teo amin’ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah any Hong-Kong ireny fivoriambe ireny. Amin’ny fotoany sy araka ny fombany, dia enga anie i Jehovah mbola hanohy hampitodika ny sainy any amin’io faritra feno olona io, izay tapany kely aminy fotsiny ny mponin’i Hong-Kong.

Manerana ny tany, dia olona tia an’i Jehovah efa ho valo tapitrisa no nanatrika ireo fivoriamben’ny distrika nandritra ny taom-piasana 1994. Teto amin’ny faritany iandraiketan’ny sampan’i Etazonia, dia fivoriamben’ny distrika 168 no natao tany amin’ny toerana 65, ka 1 481 258 ny tontalin’isan’ny mpanatrika. Mihoatra 45 598 noho ny nampoizina izany! Ny tontalin’isan’ny natao batisa dia 13 742. Ireo mpitory ny filazantsara vaovao rehetra ireo dia tena hanampy tokoa mba tsy hitsaharana hampiely ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any amin’ireo firenena.

Nanerana an’i Rosia sy Ukraine ary ny tany hafa rehetra any Eoropa Atsinanana, dia Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra” 62 no natao, ka 394 303 no nanatrika ary 18 117 no natao batisa. Na dia teo aza ny ady sy ny fikorontanana tany amin’ireo tany balkanika, dia feno hafanam-po sy fijerena lafy tsaran-javatra ny tatitra azo avy tany amin’io tapany amin’ny saha io. Ireo rahalahy any dia faly noho ny fanantenana ny hisian’ny fandrosoana fanampiny. Fifaliana toy inona moa no entin’izany tatitra tsara dia tsara izany ho antsika rehetra!

Tsy misy antony tokony hitebitebentsika momba ny fahatanterahan’ireo fikasan’i Jehovah. Tsy afaka ny tsy hahomby izy ireo. Tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany ny tany, fa nataony honenana. (Isaia 45:⁠8). Ao amin’ny Isaia 66:22, 23, dia hoy ny toky omen’i Jehovah antsika: “Tahaka ny lanitra vaovao sy ny tany vaovao, izay hataoko, no haharitra eo anatrehako, hoy Jehovah, dia toy izany ny haharetan’ny taranakareo sy ny anaranareo. Ary isaky ny voaloham-bolana sy isan-tSabata [na hoe isam-bolana sy isan-kerinandro] dia ho avy NY NOFO REHETRA hiankohoka eo anatrehako, hoy Jehovah.” Tsy afaka ny hiverina aminy foana mihitsy ny tenin’i Jehovah.

Enga anie ireo olona an-tapitrisany maro mifanerasera amin’ny mpanompon’i Jehovah marisika ankehitriny ka ho voatosika handray ho an’ny tenany ny fanompoana masina azy. Miaraka amin’ireo olona an-tapitrisany maro efa manompo an’i Jehovah, dia enga anie izy ireo hiaraka amin’izy ireny koa mba hidera ny anarany sy hizara ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny hafa. NY NOFO REHETRA — izay rehetra velona hatrany — dia tsy maintsy ho avy sy hiankohoka eo anatrehany. Moa ve ianao efa manompo an’i Jehovah? Raha tsia, dia izao no fotoana mety handraisanao ho an’ny tenanao ny fanompoam-pivavahana marina. Mihafohy hatrany ny fotoana. Aza mangataka andro. Ataovy sakaizanao i Jehovah, ary aoka ianao ho tafita velona ao amin’ny tontolony vaovao.

Enga anie ianao hanana ireo maso voatahy izay mahita sy ireo sofina voatahy izay mandre, ary enga anie ianao ho voatosika hanao zavatra miorina amin’ny fahalalana azonao. Avelao hilentika lalina ao an-tsainao sy ao am-ponao ny fahamarinana izay manome fiainana, ary avy eo dia zarao amin’ny hafa koa izy io. Amin’izany fomba izany, dia aoka ianao hameno zava-kendrena ny fiainanao, amin’ny fampiasanao azy io ho fankalazana an’i Jehovah sy ho famonjena ny hafa ary ho fifaliana mandrakizay ho an’ny tenanao.

Ireo rahalahinao,

Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah