Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1995
Vavolombelon’i Jehovah — Tatitry ny Diary 1995
“MATOKIA an’i [“mitokia amin’i”, NW ] Jehovah amin’ny fonao rehetra”. Izany no fampahatsiahivana araka ny Soratra Masina tonga tamin’ny fotoana nilana azy, ary napetraka teo anoloantsika tamin’ny alalan’ny teny fototra ho an’ny taona 1994. (Ohab. 3:5). Ary ireo tatitra voaray maneran-tany dia mampiseho fa nandray azy io am-po ny mpanompon’i Jehovah.
Izany fitokiana izany dia niseho rehefa natao ny fandaharana mba hisian’ny fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Gbarnga, any Liberia, ny toeram-pamaharan’ny iray tamin’ireo ankolafiny niady lehibe indrindra tany Liberia. Nisy rahalahy sy anabavy am-polony maro tao amin’io faritra io, ary noho ny ady, dia maro no tsy nanatrika fivoriamben’ny distrika mihitsy tao anatin’ny efa-taona. Mba hahatongavana tany Gbarnga, dia tsy maintsy namakivaky ny vava ady ireo rahalahy avy tany amin’ny biraon’ny sampana. Araka ny filazana ofisialy anefa dia nihidy ny lalana. Rehefa avy nitondra ilay raharaha teo anatrehan’i Jehovah tamim-bavaka ireo rahalahy, dia nangataka fahazoan-dalana manokana. Rehefa andro vitsivitsy monja sisa no tavela, dia nomena azy ireo izany fahazoan-dalana izany. Nisy
toeram-pisavana 17 teo anelanelan’i Monrovia sy ilay vava ady. Rehefa tonga teo amin’ireo toeram-pisavana ilay kamiao hoe “Fanampiana Ara-nofo An’ny Watch Tower” izay tototra entana, dia nangataka gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ireo miaramila nizeriana niasa teo.Tao Gbarnga, tany amin’ny taona 1963, dia mpanatrika fivoriamben’ny distrika an-jatony maro, anisan’izany i Milton Henschel, izay mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana sady prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower ankehitriny, no nosamborina noho ny raharaha momba ny fiarahabana saina. Tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia niaro ny zon’ireo Vavolombelona hiara-mivory tamim-pilaminana ireo manam-pahefana. Ireo 651 nanatrika ny fivoriamben’ny distrika tao Gbarnga, izay rahalahy sy anabavy mpitsoa-ponenana sy mpialokaloka ny ankamaroany, dia ravoravo noho ilay fandaharana tsara dia tsara. Ary sambatra toy inona moa izy ireo nandray ireo fanampiana ara-nofo nentin’ireo rahalahy avy tany Monrovia! Ny fahombiazan’iny fivoriamben’ny distrika iny dia nanaporofo tamin’ireo rahalahy fa “raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy”. — 1 Jaona 5:14.
Fitokiana mitovy amin’izany no nasehon’ireo rahalahy tany amin’ny nosin’i Lifou, any Pasifika Atsimo. Tsy namaly ratsy izy ireo rehefa nangataka ny manam-pahefana teo an-toerana mba handrara ny fivoriany ny klerjy, na rehefa nokapohina izy ireo satria nitory tamin’ny hafa. (Rom. 12:17-19). Vao haingana izay, dia nihatsara ny tarehin-javatra, ary velom-pankasitrahana ireo rahalahintsika afaka mitory amin-kalalahana kokoa. Fitokiana tamin’i Jehovah no nasehon’ny Vavolombelona iray 11 taona tany Myanmar. Notadidiny tao an-tsaina ny Mpitoriteny 12:1, ka ho vokany, dia be zavatra natao izy teo amin’ny asa fanompoana taorian’ny ora fianarana sy tamin’ny faran’ny herinandro, ary nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano folo mihitsy aza. Fitokiana tamin’i Jehovah koa no nasehon’ny mpitolona miozolimanina taloha iray tany Angletera. Tonga mpanompon’i Jehovah vita batisa izy na dia teo aza ny fanoherana nahery vaika avy tamin’ireo mpiray finoana taminy taloha.
Tena manafaingana azy marina i Jehovah!
Ela be izay, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, dia nanambara mialoha i Jehovah fa amin’ilay fotoana voatondro Izy dia hanafaingana ny fanangonana ireo tia ny rariny. (Isaia 60:22). Ny tatitra momba ny asa tamin’ny taom-piasana lasa dia manome porofo fa izany indrindra no mitranga. Nahatratra 4 914 094 ny tampon’isan’ny Vavolombelona, izay nanilika ny fikatsahana zavatra hafa, mba handraisana anjara amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Nisy 5 isan-jato tamin’ny antsalany ny fitomboana naneran-tany. Nahitana fitomboana 20 isan-jato na mahery aza anefa tany amin’ny tany maherin’ny 20, ary fitomboana 10 isan-jato na mahery tany amin’ny 29 hafa.
Tamin’ny fitambarany, ny fitoriana ny vaovao tsara ankehitriny dia tanterahina any amin’ny tany sy fitambara-nosy 232. Ary atao amin-jotom-po izy io. Tamin’iny taon-dasa iny, dia adiny 1 096 065 354 no natokana ho an’ny asa fanompoana, fiverenana mitsidika olona liana 400 393 880 no natao, ary fampianarana Baiboly 4 701 357 tamin’ny antsalany no notarihina tamin’ny isam-batan’olona na antokon’olona. Niteraka vokatra faran’izay tsara izany ho fiderana an’i Jehovah, satria 314 818 no natao batisa ho fankatoavana ny baikon’i Kristy momba ireo izay maniry ho tonga mpianany. (Matio 28:19, 20). Hoy ny rahalahy efa zokiolona iray rehefa avy nijery ny fanaovana batisa antokona mpilatsaka hatao batisa niraisam-pirenena tany Caucase, any amin’ny faritra avaratr’i Rosia, izy: “Fehezam-boninkazo tsara tarehy toy inona moa izato atolotry ny Zanak’Andriamanitra ho an-dRainy.”
Ny lafin-javatra lehibe iray eo amin’ny fanafainganana ny asa dia ny isan’ireo izay mitondra fanamboarana eo amin’ny fiainany mba handraisana anjara amin’ny asan’ny mpisava lalana. Any amin’ny tany maro, ireo mpitory dia mandany adiny folo eo ho eo amin’ny antsalany isam-bolana eny amin’ny asa fanompoana. Ireo mpisava lalana mpanampy kosa dia manao tatitra fotoana avo enina heny noho izany ary ireo mpisava lalana maharitra indray koa dia manan-tombo antsasany amin’izany ataon’ny mpisava lalana mpanampy izany. Tsy mahagaga raha haingana kokoa matetika ny fitomboana any amin’ny faritra betsaka mpisava lalana. Tamin’ny taon-dasa, dia nahatratra 869 917 ny tampon’isan’ireo nandray anjara tamin’ny lafiny samihafa amin’ny asan’ny mpisava lalana maneran-tany.
Anisan’ireo mpiasa manontolo andro ireo mpikambana 15 145 ao amin’ny fianakavian’ny Betela maneran-tany. Izy ireo dia manampy amin’ny fanomezana zavatra vita an-tsoratra sy fanaraha-maso
ny asa ary asa handraisan-tsoa hafa mba hanohanana ny asa fampianarana Baiboly maneran-tany. Amin’ireo dia 5 082 no manompo any amin’ny foibe maneran-tany any Brooklyn, any New York, sy ao amin’ireo biraon’ny sampana eo akaiky. Izy rehetra ireo dia mpikambana ao amin’ny Laharan’ny Mpanompo Manontolo Andro Manokana, dia laharana ara-pivavahana izay nanokan-tena tanteraka ho amin’ny fanompoana.Ny tatitra momba ny Fahatsiarovana 1994 dia mampiseho fa nisy 12 288 917 ny tontalin’isan’ny mpanatrika. Tafiditra ao amin’io isa io ny 7 000 000 mahery izay tsy Vavolombelon’i Jehovah nefa tsy niahotra ny hiara-mivory tamin’ireo mpanompon’i Jehovah ary liana ihany amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Miharihary fa misy asa be ilaina hatao mba hanampiana azy ireo hahazo fahatakarana mazava kokoa ireo raharaha lehibe tafiditra, mba hahafahan’izy ireo hiandany mafy amin’i Jehovah, raha izany no anosehan’ny fony azy Josoa 24:14, 15; Sal. 83:18). Tany amin’ny tany sasany, ny isan’ny mpanatrika tamin’ny Fahatsiarovana dia avo dimy, enina na fito heny noho ny isan’ny Vavolombelona. Marina izany teto Madagasikara sy tany Tchad ary tany amin’ny République Centrafricaine. Tany Liberia, na dia teo aza ny ady an-trano, dia nisy mpitory nitokana roa nahavory olona 126 tamin’ny Fahatsiarovana. Tany Guyana ny groupe isolé iray nisy mpitory 8 dia nanao tatitra fa nisy mpanatrika 867. Ny isan’ny mpanatrika tany Togo dia nitombo 32 isan-jato tamin’itỳ taona itỳ. Tany Rosia, ny isan’ny mpanatrika dia nihoatra 55 isan-jato raha oharina amin’ny isa tamin’ny taon-dasa — tontalin’isa 128 049.
mba hataony. (Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”
Ny zavatra nisongadina tamin’iny taona iny dia ny Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”. Tamin’ny lafiny mbola tsy hita hatramin’izay mihitsy, dia nasongadina ny hevitry ny tahotra araka an’Andriamanitra sy ny fomba tokony hanehoana azy io eo amin’ny fiainantsika. Nampahery ireo lahateny, ka nanamafy ny fiekena fa tsy misy na dia iray aza amin’ireo manohy manompo an’i Jehovah amin’ny tsy fivadihana ho nanao izany ka hoe hiala maina. (1 Kor. 15:58). Tsapa tamin’izay koa ny ilana hanaovan-javatra maika dia maika. Taorian’ny fandinihana ny fitantarana ara-baiboly momba an’i Lota sy ny fianakaviany ary ireo ho vinantolahiny, dia natao mazava fa tsy nivazivazy ny “mpanompo mahatoky” rehefa nampitandrina ny amin’ny fandringanana mananontanona ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. (Ampitahao amin’ny Genesisy 19:14, 24, 25.) Izao no fotoana anaovan-javatra mba hahatafitana velona. Nosarihina koa ny saina ho amin’ilay fanapahan-javatra teo amin’i Jehovah sy i Bala tamin’ny andron’i Elia. Avy eo dia nampahatsiahivina isika hoe: “Hisy fanapahan-javatra lehibe kokoa noho ilay tamin’ny andron’i Elia aza, ho avy (...). Ary ireo izay miandany amin’i Jehovah mazava tsara ihany no ho tafita velona.” — 1 Mpanj. 18:21-40.
Rehefa avy nahare ilay fandaharana ny mpitari-draharahan’ny fivoriambe iray tany Danemark, dia nanoratra hoe: “Nisy fahatsapana mafy fa hoe tena manomana antsika hamakivaky ny fahoriana lehibe ny ‘mpanompo’ mahatoky. Izao no fotoana hiainana amin’ny fananana tahotra araka an’Andriamanitra, mba hahafahantsika hizaka ireo zava-tsarotra ho avy.”
Fivoriambe niraisam-pirenena nahafaly
Iny taom-piasana iny dia nahita koa fivoriambe niraisam-pirenena manokana. Tany Orient sy tany Amerika Atsimo ary tatsy Afrika no nanaovana azy ireny.
Nisy fivoriambe roa nalamina ho an’i Hong-Kong. Ny lafin-javatra niavaka iray tamin’izy ireo dia ny tsy fihambahambana haneho hafanam-po sy fankasitrahana nasehon’ireo solontena 3 800 izay tonga avy tany amin’ny tany 33 samy hafa. Ho an’ny maro tamin’ireo mpitory tany an-toerana, dia izany no fifampikasohan’ny tenany voalohany tamin’ny firahalahiana iraisam-pirenena. Tsy sakana ny fiteny satria nifangaro tamin-kalalahana ny rehetra teo anelanelan’ireo fotoam-pivoriana. Nisy fanehoana fitiavan-drahalahy marina, izay anisan’ny nampisy rivo-piainana feno hafanana sy fifaliana.
Nanome vokatra azo notsapain-tanana maro ireny fivoriambe niraisam-pirenena ireny. Voatohina aoka izany ny fon’ny vehivavy iray izay niverina nianatra ny Baiboly indray taloha kelin’ireo fivoriambe, noho ny fitiavana sy ny firaisan-tsaina teo amin’ny firahalahiana iraisam-pirenena, hany ka tapa-kevitra izy ny hameno ireo fepetra ho mpitory ary izao izy dia efa vita batisa. Ny mpianatra ny Baiboly hafa iray sy ny vadiny dia nahazo fampaherezana aoka izany noho izay hitany sy reny, hany ka namerina ny taratasiny fangataham-pialana tany amin’ny mpampiasa azy ilay rangahy. Ireo heures supplémentaires tsy maintsy nataony tany am-piasana mantsy dia nanakana azy tsy hamonjy fivoriana. Fotoana fohy taorian’izay izy dia nahafeno fepetra ho mpitory.
Ny fahatongavan’ny solontena an’arivony maro hanatrika ny fivoriambe niraisam-pirenena tany Philippines dia niteraka fahataitairana be tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Manille. Nisy resaka nifanaovan’ny mpiasan’ny ladoany roa lahy re. “Solontena protestanta angaha ireo?”, hoy ny iray nanontany. “An, an, an”, hoy ny navalin’ilay faharoa, “Vavolombelona ireo. Eo amin’izy ireo ihany no mety hahitana mainty hoditra sy fotsy hoditra miaraka.”
Kianja be dimy tao Manille no nilaina mba hanaovana ilay fivoriambe. Maro ireo tenim-pankasitrahana voaray avy tamin’ireo solontena. Hoy ny nosoratan’ny anabavy iray avy tany Angletera: “Izahay rehetra dia miresaka momba ny fitiavana nasehonareo anay, dia fitiavana marina. Raha ny amiko, dia tsy afaka mitsahatra tsy miresaka momba ny toetra mahafinaritr’ireo rahalahy filipinina aho.
Tena feno hafanana sy fahaiza-mandray vahiny marina ary miasa mafy eo amin’ny fanompoana izy ireo.”Tafiditra tao amin’iny fitohitohizana fivoriambe niraisam-pirenena iny koa i Silia sy i Kolombia, any Amerika Atsimo. Ireo rahalahy tany Silia dia nanao ezaka be dia be mba hanatrehana ny fivoriambe tao Santiago. Nanao dia avy tany atsimo be, toa an’i Porvenir, eo amin’ny nosin’i Tierra del Fuego, izy ireo, sy avy tany amin’ny tanànan’i Arica any avaratra, eo amin’ny sisin-tanin’i Peroa, ary avy tany amin’ny Île de Pâques lavitra be. Na dia nitaky fanaovana sorona ara-bola be aza izany, dia faly toy inona moa izy ireo tsy namela iny fisehoan-javatra tsy hay hadinoina iny handalo fotsiny! Azonao alaina sary an-tsaina ve ny dikan’izany ho an’ny mpitory avy tany amin’ny groupes isolés nisy mpitory 10 ka hatramin’ny 15 niara-nivory? Teto izy ireo dia teo anivon’ny vahoaka nisy solontena 80 891 nameno ny Kianja bem-pirenena! Nidobodoboka mafy noho ny fahataitairana ny fon’izy ireo. Marina fa efa namaky momba ireo fivoriambe lehibe tany amin’ny tany hafa izy ireo. Mbola tsy takatr’izy ireo tamin’ny fomba feno mihitsy anefa izany hoe eo anivon’ny rahalahy sy anabavy maro be aoka izany! Ny mpisava lalana manokana iray dia voatosika aoka izany noho ilay fandaharana, hany ka naka andro fialan-tsasatra sivy izy mba hamakiana sy hianarana ilay boky vaovao hoe Prédicateurs, ary feno hafaliana sy fahataitairana aoka izany noho ilay fanazavana — hany ka tsy afaka nitsahatra tsy niresaka momba azy io izy, fa tsy maintsy nizara tamin’ny hafa ireo hevitra hitany isaky ny azony natao izany.
Ilay fivoriambe tany Silia dia narahin’ny fivoriambe hafa iray tany Kolombia. Tany dia solontena 3 000 avy tany amin’ny tany 31 no niaraka tamin’ireo Vavolombelona teo an-toerana, tany Bogotá. Tany am-boalohany, dia toa tsy nety nino ireo manam-pahefana nikarakara ny fidiran’ny vahiny. Rehefa ren’izy ireo fa niandry solontena 40 000 izahay, dia hoy ny nanontanian’ny manam-pahefana iray: “Polisy firy no ilainareo mba hifehezana ilay vahoaka?” “Tsy misy”, hoy ny navalinay. Nohazavainay fa tany Silia dia nisy 80 000 ny mpanatrika. “Firy no maty?”, hoy ny fanontaniany. “Tsy nisy”, hoy indray izahay. “Tsy mino izany aho”, hoy ny navaliny. Rehefa tonga ireo solontena voalohany ka hitany fa niakanjo tsara sy nilamina izy ireo, dia hoy izy: “Izao vao azoko hoe nahoana ianareo no tsy mila polisy amin’ny fivoriambenareo.”
Tao amin’ny hotely iray nilasian’ny solontena 1 500, dia niaraka tao amin’ny efitrano fiandrasana tao amin’ny hotely ireo rahalahy tamin’ny takariva ary nihira hiran’ilay Fanjakana tamin’ny fiteny maromaro. Ilay toe-tsaina nasehon’io fianakaviana niraisam-pirenena nafana io dia nanohina marina ny fon’ireo mpijery. Tamin’ny fifaranan’ilay fivoriambe, ny fanofahofana mosara ho fanaovam-beloma, ny fifanolorana fanomezana, ary mazava ho azy fa ireo ranomaso be dia be nirotsaka taorian’ny hira famaranana dia nanohina lalina ny fon’ireo izay nanatrika teo. Tsy nisy te hiala teo na dia ela be taorian’ny nifaranan’ny fandaharana aza.
Nisy fivoriambe niraisam-pirenena roa hafa koa nalamina, ho an’i Kenya. Solontena efa ho 4 000 no avy tany amin’ny tany 44, ka nampiakatra ny tontalin’isan’ny mpanatrika ho 17 875. Ny tanànan’i Nairobi manontolo, ary koa ireo faritra hafa tao amin’ilay tany, dia nisamonimonina noho ny fahataitairana, rehefa nampiseho ny insignes-ny sy nanao fitoriana tsy ara-potoana ireo rahalahy.
Tatsy Afrika Atsimo, dia nisy fivoriambe niraisam-pirenena efatra natao tamin’ny fotoana nitovy ihany — tany Johannesburg, Durban, Le Cap ary Prétoria. Ny fitambaran’ny isan’ny mpanatrika tamin’ny lahateny ampahibemaso ny alahady dia 75 312, ary 1 360 no natao batisa. Fanampin’izany, dia nisy fivoriamben’ny distrika kely kokoa 20 natao tao Afrika Atsimo sy tany amin’ireo tany hafa iandraiketan’ny sampan’i Afrika Atsimo, ka nampitombo maherin’ny avo roa heny ireo isa ireo.
Nanokana ireny fivoriambe ireny, satria izany no voalohany nananan’i Afrika Atsimo fahafahana handray solontena betsaka aoka izany avy tany amin’ny tany hafa. Ireo mpitsidika dia avy tany amin’ny tany 34, anisan’izany i Japon, i Angletera, i Etazonia, i Suriname ary ny faritra maro samihafa any Eoropa. Nisy aotobisy roa koa, feno solontena falifaly, avy tany Zambia ary aotobisy iray avy tatsy Mozambika.
Nivory tao amin’ny efitra samy hafa ireo olona nitovy fiteny. Nefa teo anelanelan’ireo fotoam-pivoriana izy ireo dia nifanerasera sy niara-nihinana. Nanafana ny fo ny nahita olona samy hafa firazanana niresaka tamim-pahataitairana, nifanolotra fanomezana kely, nifanakalo adiresy ary nifamihina. Hita maso teo ny porofo ny amin’ny firaisan-tsaina eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah nambara mialoha. — Zef. 3:9; Jaona 10:16.
Rehefa nisy solontena avy tany Etazonia sy Japon tonga tao amin’ny Seranam-piaramanidina Louis Botha ao Durban, dia Vavolombelona teo an-toerana 2 000 teo ho eo no tonga teo mba hiarahaba tonga soa azy ireo tamin’ny alalan’ny hiran’ilay Fanjakana. Nifampiarahaba sy nifamihina tamin-kafanana ireo rahalahy. Ny sasany tamin’ireo mpizaha tany hafa niara-tonga tamin’ireo solontena dia tsy te hanohy ho any amin’ny hoteliny, satria naleony nijanona teo sy nanatri-maso io fisehoan-javatra niavaka io. Nisy mpitarika antoko politika malaza iray anisan’ireo nijery. Tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny sasany tamin’ireo rahalahy, dia hoy izy: “Raha nanana firaisan-tsaina mitovy amin’ny anareo izahay, dia ho efa nahalamina ny zava-manahirana anay hatramin’ny ela be.”
Ny fifaliana sy ny fitiavana, ny tena firahalahiana iraisam-pirenena marina, hitan’ny rehetra tamin’ireny fivoriambe ireny ary koa tany amin’ireo natao talohan’izay tany Kiev, any Ukraine, sy tany Moscou, any Rosia, dia sady hita no tsapan’izay rehetra nijery ilay vidéocassette vaovaon’ny Fikambanana Watch Tower mitondra ny lohateny hoe Tafaray Noho ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra (Anglisy).
Solontena niraisam-pirenena an-jatony — fa tsy an’arivony — vitsivitsy monja no nasaina ho tonga tao amin’ny fivoriambe tao Addis-Abéba, atsy Etiopia, tamin’ny Janoary. Ny fifaliana sy ny hafanam-po ary ny fitiavana naseho anefa dia tsy latsa-danja noho izay hita tany amin’ireo fivoriambe lehibe kokoa. Tombontsoa toy inona moa ny an’ireo izay nanatrika izany fiaraha-mivory nataon’ireo hita ho mpihazona tsy fivadihana izany! Misy tsipirian’izany nanaovana tatitra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1994.
Asa fanomezana fanampiana ara-nofo — Porofon’ny fitiavana avy amin’ny fo
Tamin’iny taona lasa iny indray koa, dia nisy tarehin-javatra nilana hanomezana fanampiana ara-nofo maika dia maika. Mbola mahatahotra ihany ny tarehin-javatra any Bosnia-Herzegovina. Nandritra iny taom-piasana iny, dia entana samihafa 66 taonina no nalefa tany. Tsy fikarakarana taratasy fahazoan-dalana tsy toko tsy forohana fotsiny no tafiditra tamin’izany, fa loza ara-batana lehibe koa ho an’ireo izay nitondra ireo fanampiana ara-nofo tamin’ny kamiao tany amin’ireo faritra mampidi-doza.
Kanefa, niaraka tamin’ilay fanampiana ara-nofo nalefa tany farany, dia naharay fitahiana manokana hafa ireo rahalahy. Tamin’ny ahoana? Ilay fitambaran-kamiao dia nitondra zavatra hafa ankoatra ny sakafo sy fitafiana ary zavatra vita an-tsoratra. Ireo rahalahy nirahina niaraka tamin’ireo kamiao, ka nampitomboina ny isany, dia niomana koa mba hampahery ireo rahalahy tamin’ny alalan’ny fandaharana ho an’ny andro fivoriambe manokana, dia ny voalohany nananan’ireo rahalahy tao anatin’ny telo taona. Naseho tao Sarajevo sy Zenica ary Tuzla ilay fandaharana. Nila tsy ho azo natao ny nilaza hoe iza no nahazo fampaherezana be indrindra — ireo rahalahy tany an-toerana sa ireo nirahina mba hampahery azy ireo. Tsy nisy toa azy ny vokatra azo: 726 no nanatrika ary 55 no natao batisa! Fifaliana toy inona moa, tsy ny an’ireo mpitory 219 teo amin’ilay toerana ihany, fa ny an’ireo mpitsidika koa!
Taona sarotra koa iny ho an’ireo rahalahy any Angola, satria mbola mandrotidrotika ilay tany ihany ny ady an-trano. Ny teny sasany notsoahina avy tao amin’ny taratasy iray nosoratan’ny mpiandraikitra prezidàn’ny kongregasiona iray tao amin’ny faritra nisy ady nafotaka, dia manome taratra toy izao ny toe-javatra atrehin’ireo rahalahy ireo: “Raha ny aminay, dia salama ara-panahy izahay, fa ny toetranay ara-batana dia mahatahotra. (...) Ny rahalahy sasany dia tsy manana ny hery hanaovana ireo asa anendrena azy hataony ao amin’ny kongregasiona intsony, ary izany na dia eo aza ny ezaka lehibe efa ataon’izy ireo.”
Rehefa voaray io taratasy io, dia nisy ezaka maika dia maika natao mba hanofana fiaramanidina kely iray hitondra sakafo sy fanafody 800 kilao tany amin’ireo rahalahy tany amin’io faritra nisian’ny ady nampidi-doza io. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia tonga soa aman-tsara tany amin’izy ireo izany.
Loza tany Rwanda
Nisongadina indrindra tamin’ny vaovao ny tarehin-javatra tany Rwanda sy ireo tany manodidina azy. Andro vitsivitsy talohan’ny nisehoan’ireo sary sy fitantarana nahatsiravina momba ny toe-javatra tany Rwanda voalohany tao amin’ny filazam-baovao, ny biraon’ny sampan’i Kenya dia efa nampiala misionera telo tao sy nanome fanohanana sy fitarihana ho an’ireo rahalahy izay voaray tsy fidiny tao amin’ilay fikorontanana. Avy hatrany dia nanolotra fanampiana ireo rahalahy tany Eoropa sy tany amin’ny tany lavitra toa an’i Etazonia sy Hong-Kong.
Hatrany am-piandohan’ny ady mihitsy, dia nanao vivery ny ainy ireo rahalahy sy anabavy, na Hutu na Tutsi, mba hiarovana ireo Vavolombelona namany. Voatsimbina ny ain’ny sasany, nefa tsy ny an’ny rehetra. Anisan’ireo Rwandais mety ho antsasa-tapitrisa namoy ny ainy, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah an-jatony maro.
Ny iray tamin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany tany Rwanda dia nanao vivery ny ainy tamin’ny fanaovana dia niverimberina,
tamin’ny lalana nisy maherin’ny 200 kilaometatra nandroso, mba hitondrana vola ho an’ireo rahalahy. Izany vola izany dia natao, tsy mba hividianana zavatra nilaina ihany, fa mba hamindrana koa ireo Vavolombelona ho any amin’ny toerana nisy fiarovana kokoa.Nihazona fifandraisana tamin’ny biraon’ny sampana, na dia tapatapaka aza, ireo rahalahy hatramin’ny faran’ny volana May. Avy eo dia nanjary nilaina ny niala tao Kigali. Rehefa nianavaratra ireo rahalahy, dia nisy namono teo amin’ny toeram-pisavana iray ny roa tamin’ireo mpiasa tao amin’ny fandikan-teny. Rahalahy sy olona liana 200 teo ho eo no niantsinanana nankany amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana any Tanzania; ny sasany nianavaratra nankany Ouganda; ny hafa nianatsimo nankany Burundi. Tokony ho 2 000 no nandositra nankany Goma, any Zaïre, sy ny toerana hafa. Tsy nisy tsy niharan’ny fijaliana ara-batana sy ara-pihetseham-po ny fianakaviana rehetra. Rehefa niampita ny sisin-tany ireo mpialokaloka, dia naharavoravo azy ireo toy inona moa ny fahitana ireo rahalahy sy anabavy tao Zaïre, izay nihazona zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly mba hahafantarana azy. Nisy komity ho an’ny fanampiana ara-nofo natsangana haingana tao Goma sy Bukavu ary Uvira.
Ireo Vavolombelona tao Kenya dia nandefa haingana fanampiana ara-nofo ho an’ireo rahalahiny rwandais. Nandritra ny fe-potoana nanomboka tamin’ny 23 May ka hatramin’ny 27 Jolay, dia fitafiana 2 367 kilao tamin’ny fitambarany no nalefa avy tao Kenya nankany Goma sy ireo toby tany Tanzania. Fanampin’izany, dia bodofotsy 2 437 sy savony 4 987 kilao ary fanafody 687 kilao no nalefa avy tao Nairobi. Nisy tranolay lehibe koa nalefa mba hanomezana fialofana ho an’ireo Vavolombelona izay nanjary mpialokaloka. Nanao asa fanampiny ireo rahalahy tao Nairobi mba hanomezana Ny Tilikambo Fiambenana sy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ary zavatra vita an-tsoratra hafa tamin’ny fiteny kinyarwanda sy fiteny hafa. Nalefa fiaramanidina tany amin’ireo rahalahy ireo izany mba hahazoan’izy ireo hanina ara-panahy.
Tamin’ny 22 Jolay, dia voarain’ny biraon’ny sampan’i Frantsa ny fangatahana fanampiana iray nalefa fax, izay nilaza ny amin’ny tarehin-javatra nahatahotra nisy ireo mpialokaloka. Herinandro enina talohan’izay, dia efa nisy fitafiana 65 taonina — izay vaovao ny ankamaroany — nalefa avy tany Frantsa ho an’ireo mpialokaloka. Izao, tao anatin’ny minitra vitsivitsy, dia natao ny fanapahan-kevitra
hameno fiaramanidina mpitondra entana iray tamin’ny fanampiana ara-nofo. Raha vao re fa nisy fanampiana nilaina maika dia maika, dia nanome fanomezana an-tsitrapo nitentina 1 600 000 $ (6 080 000 000 FMG) ireo rahalahy tany Frantsa sy Belzika ary Soisa. Nisy sakafo, fanafody, filitra fanadiovan-drano, ary fanampiana lehibe hafa natao tao anaty baoritra ary nentina tany amin’ny seranam-piaramanidina tany Ostend, any Belzika. Tamin’ny 27 Jolay, dia nalefa tany Bujumbura, any Burundi, tamin’ny fiaramanidina mpitondra entana lehibe iray, izay nohofan’ireo rahalahy, ny entana voalohany. Ny ampitso dia nisy fanafody hafa koa nalefa, ary hafa indray koa roa andro taorian’izay. Nisy Vavolombelona avy tany Belzika sy Frantsa koa nankany Goma, anisan’izany ny dokotera iray sy ny mpitsabo mpanampy roa. Niara-niasa tamin’ny rahalahy tany an-toerana izay nahay nitsabo izy ireo, ka niezaka nanampy ireo izay efa narary sy nisakana ny tsy hamoizana ain’olona fanampiny tamin’ny fanorenana fitsipika hentitra momba ny fitandroana fahasalamana. Teo afovoan’izany rehetra izany, dia tsy nanao tsinontsinona ny zavatra nilainy ara-panahy ireo rahalahy. Nandinika tsy tapaka ny teny natao hovakina isan’andro izy ireo ary nanao fandaharana mba hisian’ny fivoriana.Tamin’ny fotoana nanoratana an’itỳ, dia efa nisy nanomboka niverina nankany Rwanda. Norobain’ny sasany anefa ny fananan’izy ireo, ary trano maro no noringanin’ny hafa tanteraka. Na dia teo aza ny fikorontanana, dia misy olona toy ny ondry any Rwanda izay mbola mila fanampiana. Talohan’ny nilatsahan’ilay firenena tao anatin’ny herisetra, ny Vavolombelona tsirairay tany, tamin’ny antsalany, dia nitarika fampianarana Baiboly telo avy, tamin’ny olona liana, ary maherin’ny 10 000 no nanatrika ny Fahatsiarovana.
Fanomezana sakafo ara-panahy iankinan’ny aina
Ny zavatra ilain’ny olona hatraiza hatraiza indrindra dia sakafo ara-panahy. Tsapan’ny Fitambara-mpitantana ny andraikiny hanome azy io, ka be dia be amin’izy io no sady amin’ny fiteny maro araka izay azo atao. — Matio 24:14, 45; 28:19, 20.
Noho izany zava-kendrena izany, ny Fitambara-mpitantana dia tsy vitan’ny hoe nanendry rahalahy hanoratra lahatsoratra, any amin’ny sampana sasantsasany, fa ny Komitin’ny Fanoratana dia nandamina koa ny hisian’ny fandikana ireo zavatra vita an-tsoratra. Misy ezaka atao tsy an-kijanona mba hampiofanana ekipana
mpandika teny vaovao sy hanomezana fitaovana an’ireo ekipa efa miorina mba hanao asa tsaratsara kokoa.Amin’ireo firenena amin’ny tany, dia telo monja no kely kokoa noho i Tuvalu, nosy iray any Pasifika Atsimo. Tamin’ny 1994, dia nisy 359 ny nanatrika ny Fahatsiarovana tany, ary tamin’ireo, dia 47 monja no mpitory. Ny olona any Tuvalu anefa, toy ny olona any amin’ny toerana hafa rehetra, dia mila fahafahana hianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Mba hanaovana izay hahazoan’izy ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tsy tapaka, rehefa naorina ny Efitrano Fanjakana iray tao Funafuti, any Tuvalu, tamin’ny Aogositra, dia nasiana toerana ho an’ny birao fanaovana fandikan-teny tao. Rahalahy sy anabavy 64 avy tany Aostralia sy Hawaii ary Nouvelle-Zélande no nanao fandaharana mba handeha tany mandritra ny tapa-bolana tamin’ny Aogositra mba hanao ilay asa fanorenana.
Toy izany koa, ao Godthaab (Nuuk), renivohitr’i Groenland, dia misy Efitrano Fanjakana vaovao iray izay nasiana birao ho an’ireo mpandika teny groenlandais. Ho fanampin’ireo Vavolombelona tany an-toerana, dia nisy ekipana rahalahy sy anabavy danoa 80 nandray anjara tamin’io asa fanorenana io. Mba hikarakarana ny zavatra ilain’ireo Fanjakana Baltika, dia rahalahy avy tany Failandy no nanampy tamin’ny fanomanana trano tsara tarehy iray tany Tallinn, any Estonia, ary iray hafa any Riga, any Lettonie, izay nasiana toerana ho an’ny sampan-draharaha misahana ny Fanompoana sy ny Fandikan-teny ary hafa koa. Any Lituanie koa dia misy ekipana mpandika teny miasa mafy.
Ireo mpandika teny manerana ny tany dia faran’izay be zavatra natao. Ho vokany, tamin’itỳ taona itỳ, dia navoaka ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ny fiteny poloney, koreana, cebuano, iloko, tagalog ary indoneziana. Ireo ekipana mpandika teny tatsy Afrika koa dia faly afaka namita ny asa tamin’ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ny fiteny afrikana telo fanampiny, dia ny fiteny afrikaans sy yorobà ary zoloa, sy nandefa azy ireo nankany Brooklyn mba hatao pirinty sy hakambana ho boky. Ho fitahiana toy inona moa izany eo amin’ny faritanin’ireo tany itenenana ireo teny ireo!
Ny tetik’asa lehibe hafa iray teo amin’ny fandikan-teny dia nahakasika ny boky Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu. Efa misy amin’ny fiteny 28 sahady izy io. Ho fanampin’ny
teny anglisy (sy ny teny anglisy braille) sy espaniola, izany dia ny fiteny eoropeana 11 sy fiteny 7 any Orient ary fiteny 7 atsy Afrika.Noantitranterina manokana ny fanomanana zavatra vita an-tsoratra ho an’ireo tany any Eoropa Atsinanana sy ny toerana hafa teo ambanin’ny fifehezana komonista taloha. Tamin’iny taon-dasa iny, dia boky 16, ho fanampin’ireo gazety sy bokikely ary taratasy mivalona, nadika tamin’ny fiteny any Eoropa Atsinanana sy atsy Afrika ary any Orient, no natao ho azo ampiasaina any amin’ireo toerana ireo.
Noho ny fiaraha-miasa niraisam-pirenena akaiky, dia azo natao ny nampitombo ny isan’ireo fiteny amoahana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fotoana mitovy ihany ankehitriny. Herintaona lasa izay, dia nivoaka tamin’ny fiteny 81 tamin’ny fotoana nitovy ihany izy io. Manomboka amin’ny 1 Janoary 1995, dia fiteny 97 amin’ny fitambarany no hahazo fanazavana iray ihany amin’ny fotoana mitovy ihany. Vokatra mampiray tsara dia tsara toy inona moa no entin’izany eo amin’ny vahoakan’i Jehovah!
Miitatra hatrany amin’ny tany maro kokoa ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana
Rehefa notendrena mba hataon’ny sampan’i Alemaina ny fanontam-pirinty izay natao nandritra ny ela be tany Soisa, dia nihena ny isan’ny mpianakavin’ny Betela any Soisa. Izany dia nanome toerana malalaka, ary notapahina ny hevitra fa hampiasaina ho an’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana ilay izy. Nandritra iny taom-piasana iny, dia notokanana koa io sekoly io tany Brezila, Ghana, Guadeloupe, Haïti, Kenya, Korea, Philippines, Polonina, Porto Rico ary Zambia, ka nanjary 11 ny tontalin’isan’ireo tany anaovana io sekoly io. Mpianatra avy tany amin’ny tany 28 samy hafa no nahazo fampiofanana. Ankoatra ireo mpianatra ireo, izay nasaina mba hanompo ao amin’ny kongregasiona any amin’ny tany niaviany ihany, dia nisy sasany nirahina ho any amin’ny tany hafa atsy Afrika sy any Eoropa Atsinanana.
Nisy kilasy notarihina tany amin’ny tany 15 izay efa nitokanana ilay sekoly talohan’ny taom-piasana 1994. Mpianatra avy tany amin’ny tany 36 samy hafa no nanatrika izany, ary ankehitriny izy ireo dia miantsoroka andraikitra ao amin’ny kongregasiona ary koa andraikitra hafa.
Rehefa tonga tao amin’ilay sekoly tao Zambia ny mpianatra iray avy tany Malawi, izay nanafoanana vao haingana ny fandrarana, dia gaga izy nahita voalohany ireo boky Insight on the Scriptures, volumes reliés amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ny Baiboly misy fakàn-teny, ny Index des Publications de la Société Watch Tower, ary tsy lazaina intsony ireo vidéocassettes sy audiocassettes-n’ny Fikambanana. Ny iray tamin’ireo zavatra nankafiziny indrindra fony izy nanatrika ilay sekoly dia ny fahafahana nandeha isan-trano niaraka tamin’ireo rahalahy.
Ny taratasy iray avy tamin’ireo mpianatra tany Kenya dia nilaza ny fankasitrahany ny faharetan’ireo mpampianatra sy ny fanampiana manokana nomena azy. Velom-pankasitrahana koa izy ireo noho ny fahaiza-mandray vahiny tamin-katsaram-panahy nasehon’ireo rahalahy teo an-toerana izay nanome filasiana sy sakafo, ary koa noho ireo fiovana tsara teo amin’ny tenany, anisan’izany ny fitomboany sy ny fihatsarany teo amin’ny lafiny ara-panahy.
Hoy ny nosoratan’ny mpianatra iray nanatrika ny kilasy voalohany tamin’ny sekoly tany Philippines: ‘Ilay fampiofanana dia nanampy ahy hisahana ireo andraikitro ao amin’ny kongregasiona, araka ny Soratra Masina sy amin’ny fomba teokratika, amin’ny fahamaotinana rehetra.’ Hoy ny nosoratan’ny iray hafa: ‘Isan’andro aho dia nahatsapa ny fifaliana nampianarin’i Jehovah. Tena marina fa iny no fanandraman-javatra nahafinaritra indrindra hitako teo amin’ny fiainako.’
Misy fanamboaran-javatra tsy maintsy ataon’ireo mpianatra mba hanatrehana ilay sekoly. Maro no avy tamin’ny kongregasiona tsy misy afa-tsy loholona sy mpikarakara momba ny asa vitsy. Sarotra amin’ny sasany ny mahazo fotoana tsy hiasana amin’ny asany tapa-potoana. Amin’ny toe-javatra sasantsasany, dia miankina amin’izy ireny ny fiveloman’ny mpianakaviny, na manana ray aman-dreny tsy mpino izy ireny. Ny rahalahy tanora iray izay nasaina hanatrika ilay sekoly tany Arzantina, dia vao avy nahavita fianarana manokana tao amin’ilay banky niasany. Nivavaka tamin’i Jehovah izy ary avy eo dia nanatona ny mpampiasa azy mba hangataka tsy hiasa nandritra ireo roa volana nilainy. Rehefa avy nanazava ny anton’ilay fotoana tsy hiasana izy, dia nilazana hoe: “Raha mba hahitanao soa ilay izy, dia mahazo mandeha ianao.” Ny lehilahy tanora iray tany Bolivia, izay vao avy nanao sonia ny fanekena hanao asa fanorenana iray, dia
nahazo fanasana hanatrika ilay sekoly. Nifandimby niseho ireo zava-nanahirana tany am-piasana, nefa vitany ilay asa tamin’ny andro nokendreny handehanana tany amin’ilay sekoly. “Hitako fa mendrika ny hanaovana na sorona inona na sorona inona izao tombontsoa lehibe izao. Raha mitady fanampiana avy amin’i Jehovah ny olona iray ka manao ezaka mifanaraka amin’ny vavaka ataony, dia mahazo valiny sy fitahiana lehibe”, hoy ny fanatsoahan-keviny.Fanorenana maneran-tany mba hahafa-po amin’ny zavatra ilaina maika dia maika
Ela be izay, i Jehovah dia niteny ara-paminaniana tamin’ny alalan’i Isaia, tamin’ilay fandaminana noharina tamin’ny vadiny, ka nanao hoe: “Halalaho ny itoeran’ny lainao, (...) aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao”. (Isaia 54:2). Izay nitranga ho vokatr’izany fanambarana izany dia nametraka ny fanorenana ho an’ny fitomboan’ny fandaminana hitantsika ankehitriny. Izao indray koa dia mbola ilaina ny hisian’ny toerana fanampiny. Ilaina maika dia maika ny hisian’ny efitrano hafa koa mba hahafahan’ny olona hiara-mivory mba hampianarina momba ny Tenin’Andriamanitra. Mahafaoka ny fanaovana fanorenana izany, ary iny taona lasa iny dia niavaka noho ny zava-bita tamin’io lafiny io.
Any Malawi, taorian’ny taona maro nisian’ny fandrarana, dia vao manomboka indray izao ireo rahalahy, nefa be dia be ireo mpanatrika any amin’ireo fivoriany. Ilaina mafy ny hisian’ny Efitrano Fanjakana. Ireo any ambanivohitra dia faly afaka manorina Efitrano Fanjakana amin’ny biriky tany sy tafo bozaka. Ireo any amin’ireo tanàn-dehibe kosa dia mbola mivory ao amin’ny tranon’ireo rahalahy, ao amin’ireo tranom-pokonolona, na eny an-kalamanjana.
Atsy Afrika Atsimo, anefa, taorian’ny am-polony taona maro nampiasana tranon’olona sy lakilasin-tsekoly, ireo kongregasiona ankehitriny dia manorina ny efitranony manokana. Ary ny efitrano vaovao mazàna dia mitarika ho amin’ny fitomboan’ny isan’ny mpanatrika. Rehefa toa nihalefy ny herisetra taorian’ny fifidianana tamin’ny Aprily 1994, ny Komitin’ny Fanorenana Isam-paritra dia nanao fandaharana mba hanaovana efitrano vita haingana iray, ho an’ireo kongregasiona roa ao Tokoza. Na dia nipoitra indray aza ny herisetra tao amin’io faritra io, ireo mpiasa an-tsitrapo rehetra, avy tamin’ny firazanana maro samihafa, dia afaka nankany amin’ilay toerana sy namita Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray tao anatin’ny andro vitsivitsy. Nanome fanambarana tsara dia tsara izany.
Tao anatin’ireo efa-taona farany, dia kongregasiona vaovao 657 no niforona tany Nizeria. Tsy mahalana ny iombonan’ny kongregasiona fito Efitrano Fanjakana iray ihany. Ny fisondrotan’ny vidim-piainana dia tsy nahafahan’ireo rahalahy hanangona vola ampy mba hividianana tany sy fitaovam-panorenana. Tamin’ny 1994 anefa ny biraon’ny sampana dia afaka nanome fanampiana teknika sy fampisamboram-bola mba hanorenana na hanatsarana Efitrano Fanjakana 709. Noho io fanampiana io, dia manorina Efitrano Fanjakana manintona sady maharitra ireo rahalahy.
Misy asa fanorenana Efitrano Fanjakana be dia be koa mitranga any amin’ny faritra atsinanan’i Alemaina. Taorian’ny 40 taona mahery nisian’ny fanapahana komonista, dia notokanana ny Efitrano Fanjakana voalohany tany Alemaina atsinanana tamin’ny Jolay 1992. Tao anatin’ireo roa taona farany, dia Efitrano Fanjakana vaovao 36
no naorina. Izy ireo dia ampiasain’ny kongregasiona 94, koa ny 37 isan-jaton’ny kongregasiona rehetra amin’io tapany amin’ilay tany io àry dia miara-mivory ao amin’ny efitrano vaovao.Nijery tamim-pitalanjonana ny olona teo am-panorenan’ireo Vavolombelon’i Jehovah tany Estonia ny Efitrano Fanjakanany voalohany tany Maardu. Nasiana toerana ipetrahan’ny mpivady misionera efatra ny ao ambony rihan’izy io. Rahalahy sy anabavy avy tany Failandy, Soeda, Norvezy, Kanada ary Etazonia no niaraka tamin’ireo rahalahy teo an-toerana mba hanatanteraka ilay asa tao anatin’ny telo volana.
Nandritra ny am-polony taona maro, ireo rahalahy any Gresy dia tsy nomena zo hanana Efitrano Fanjakana, nefa efa niova be izany. Any Athènes, ireo toerana nisy ny Betela taloha dia navadika ho fitambaran’Efitrano Fanjakana ankehitriny, ka misy efitrano enina ampiasain’ny kongregasiona 18. Ao Halkida, rehefa naorina ilay Efitrano Fanjakana vita haingana voalohany tany Gresy, noho ny fanampian’ny rahalahy avy tany amin’ny faritra rehetra amin’ilay tany, dia nijery tamim-pitalanjonana ny filazam-baovao sy ny olona manodidina.
Tany Panama, dia Efitrano Fanjakana vaovao fito no naorina tamin’iny taona iny, noho ny fanampiana avy tamin’ny Sampan-draharahan’ny Fanorenana natsangana vao haingana tao amin’ny sampana. Mampiasa mpiasa an-tsitrapo 40 miasa manontolo andro izy ireo, ary mahavita efitrano vaovao iray ao anatin’ny iray volana. Any Kolombia, ireo rahalahy dia namolavola fitambaran-javatra préfabriqué (voamboatra mialoha) mba hanaovana Efitrano Fanjakana. Ny fanamboarana mialoha dia atao ao amin’ny sampana; ny fananganana azy kosa, eny amin’ny toeram-panorenana. Efitrano Fanjakana vaovao 37 no natambatra tany nandritra iny taona iny.
Nandritra ny taom-piasana 1993 — ny taona farany nahazoana tarehimarika feno — dia Efitrano Fanjakana vaovao 50 no naorina na nohavaozina tany Italia. Teo anelanelan’ny Septambra 1993 sy May 1994, dia natomboka ny fikarakarana ireo taratasy fahazoan-dalana hanorenana na hanavaozana efitrano tokony ho 60 hafa, ary notombanana fa tetik’asa 30 hafa no hanampy io tarehimarika io mandra-pahatongan’ny faran’ny volana Aogositra 1994.
Nisy Efitrano Fanaovana Fivoriambe malalaka koa naorina tany amin’ny tany maro. Nandritra iny taona iny, dia Efitrano Fanaovana
Fivoriambe vaovao enina no notokanana ho an’i Jehovah tany Brezila, ka roa tany amin’ny tapany avaratr’ilay tany (Recife sy Fortaleza), roa tany atsimo (Pôrto Alegre sy Curitiba), iray tany Niterói ary iray tany Pindamonhangaba, any akaikin’i São Paulo. Ny dimy tamin’izy ireo dia notokanana tamin’ny faran’ny herinandro iray ihany, ny 11 sy 12 Septambra 1993. Ny efitrano roa any avaratra mafana dia navela hisokatra teo amin’ny lafiny telo mba hanararaotana amin’ny fomba feno ireo tsio-drivotra avy any amin’ny ranomasina. Tamin’ny faran’iny taona iny, dia nisy Efitrano Fanaovana Fivoriambe 15 nampiasaina; ny roa amin’ireo (Queimados, any amin’ny Fanjakan’i Rio de Janeiro, sy Vargem Grande, any amin’ny Fanjakan’i São Paulo) dia samy mahalany olona 7 000 tsara avy.I Soeda izao dia manana Efitrano Fanaovana Fivoriambe dimy. Ny farany amin’ireo, izay kianja fanaovana fanatanjahan-tena sy fampisehoana mivelatra tao Strängnäs taloha, dia nohavaozina mba ho Efitrano Fanaovana Fivoriambe izay omby olona 10 000 ny efitrano lehibe indrindra ao aminy. Novidin’ireo rahalahy koa ny hotely iray misy efitra 156, tsy lavitra azy io, ka manome toeram-pilasiana, indrindra fa ho an’ireo be taona mandritra ny fivoriamben’ny distrika. Noho io Efitrano Fanaovana Fivoriambe lehibe eo afovoan’ilay tany io sy ireo efitrano kely kokoa any avaratra sy any atsimo, dia azon’ireo rahalahy atao ankehitriny ny mampiasa efitrano izay azy ihany, tsy ho an’ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny andro fivoriambe manokana ihany, fa ho an’ny fivoriamben’ny distrika koa. Sambatra indrindra izy ireo fa niaraka taminy tamin’ny fandaharana fitokanana i C. W. Barber sy i T. Jaracz, samy anisan’ny Fitambara-mpitantana, ary koa olona nasaina hafa tokony ho 400 avy tany amin’ireo tany teo akaiky.
Nanampy Efitrano Fanaovana Fivoriambe iray hafa koa i Alemaina nandritra iny taona iny; any Glauchau, any amin’ny faritany komonistan’i Alemaina atsinanana taloha, no misy azy io.
Any Nizeria, dia nandroso ny asa fanaovana mari-trano, sy fanorenana mihitsy aza tany amin’ny toerana sasany, mifandray amin’ny toerana vaovao 11 hanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika. Ny iray amin’izany toerana izany, izay vita nandritra iny taona iny tany Akure, dia ho omby olona 5 500. Rehefa nanjary fantatry ny mpitsara iray tao amin’ny fitsarana tampony tonga nitsidika ny toeram-panorenana fa mpiasa an-tsitrapo tsy nandray karama daholo
ny mpiasa rehetra tao, dia hoy izy: “Raha nisy zavatra ohatra izao nataon’ny fivavahako, na iza na iza nahazo ilay fifanekena amin’ny fanorenana dia ho tonga mpanefohefo. Hangalatra ny fitaovana rehetra ireo mpiasa. Rehefa hanao tetik’asa iray izay hila folo tapitrisa naira ny fanatanterahana azy, ny fiangonako, dia ho roapolo tapitrisa no hatokanay ho amin’izany, satria mpanao risoriso aoka izany ny olona.” Rehefa avy nandinika ny fiasan’ireo rahalahy tamin-kafanam-po be ny mpitsidika hafa iray, tovolahy iray, dia nitodika tany amin-drainy ka nanontany hoe: “Mitovy amin’ny antsika ve ny Baiboly vakin’izy ireo?” Hoy ny navalin’ny rainy: “Mitovy ny Baiboly vakintsika. Ny fomba anarahan’izy ireo azy fotsiny no hafa noho ny fomba anarahantsika azy.” Eny, miharihary amin’ny fomba maro ny fahasamihafana eo amin’ny fivavahana marina sy ny fivavahan-diso.Tsy ny tatitra feno velively izao omena izao. Raha mamela hanao izany ny toerana, dia ho tianay ny hitantara tsipiriany momba ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe vaovao tsara tarehy aorin’ireo rahalahy any South Auckland, any Nouvelle-Zélande; momba ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe voalohany any Norvezy, any amin’ny toerana ahafahan’ny antsasak’ireo mpitory ao amin’ilay tany eo ho eo mampiasa azy; momba ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe fahenina any Japon, ampiasana ny fomba fanorenana tilt-up; momba ilay efitrano vaovao ao amin’ny tanàna lehibe indrindra faharoan’i Portogaly, izay manana toerana ho an’ny mpanatrika be dia be ary koa toerana fanampiny hahafahana hanao fivoriamben’ny distrika; momba ilay fitambaran’Efitrano Fanjakana efatra any amin’ny tapany atsimon’i Ukraine, any Transcarpathia, izay misy rindrina azo akisaka mba hanaovana Efitrano Fanaovana Fivoriambe; momba ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe any Trinité izay nilaina maika dia maika aoka izany, hany ka nampiasaina mba hanaovana fivoriambe sivy na dia talohan’ny nahavitan’ny fanorenana aza; momba ilay efitrano tsy misy rindrina izay natsangana tao anatin’ny folo andro tany Sinamoga, any Samoa Andrefana, noho ny fiaraha-miasa niraisam-pirenena; momba ilay Efitrano Fanjakana tsy dia lehibe loatra natsangana tany Betlehema, any Israely, rehefa nividy ny tafon’ny trano vaovao iray niaraka tamin’ny zo hanampy rihana faharoa, ireo rahalahy; momba
ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe vaovao, miaraka amin’ny toerana fanaovana fivoriamben’ny distrika, any amin’ny nosy italianin’i Sardaigne; momba ireo toerana fanaovana fivoriamben’ny distrika nanampy ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe ao Prato, any Italia; momba ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe fahadimy any Kolombia, mba ho omby ireo vaovao maherin’ny 8 000 natao batisa tamin’iny taona iny; momba ilay Efitrano Fanaovana Fivoriambe malalaka naorina tany Guyane, ho fanampin’ireo Efitrano Fanjakana efatra izay misy toerana ipetrahan’ny mpisava lalana manokana sy misionera, ary naorina noho ny fanampian’ny rahalahy 761 izay nandoa ny saran-dalany manokana ka nifandimby naka fiaramanidina avy tany Frantsa mba hamita ilay asa tao anatin’ny roa volana monja.Fitokanana Biraon’ny Sampana
Noho ny fitomboana goavana teny amin’ny saha, dia nanjary tena nilaina koa ny toerana ho an’ny biraon’ny sampana vaovao ary koa nohalehibiazina. Ny sasany tamin’ireny dia notokanana nandritra iny taom-piasana farany iny.
Kanada
Tamin’ny 25 Septambra 1993, dia notokanana ireo toerana nitarina any amin’ny sampan’i Kanada. Ireo toerana efa nisy dia nampiana trano lehibe vaovao iray ho an’ny sampan-draharahan’ny fitantanana, fizarana iray misy rihana sy mirefy 60 metatra tora-droa ary hampiasaina ho toy ny Foibe Fanontam-pirinty sy Fandefasana Entana, trano fonenana vaovao iray izay hahalany mpiasa an-tsitrapo 330 eo ho eo, ary trano fanaovana asa samihafa. Anisan’ireo maro be nanompo an’i Jehovah efa hatramin’ny ela tonga nanatrika ny fandaharana ny amin’ny fitokanana, dia nisy mpikambana roa ao amin’ny Fitambara-mpitantana, dia i Milton Henschel sy i John Barr.
Nahoana no nilaina ny fanitarana? Ny birao eto dia manara-maso ny fitoriana ny vaovao tsara amin’ny faritany misy 5 100 kilaometatra mahery avy any atsinanana ka hatrany andrefana, ary miitatra any avaratra avy eo amin’ny Ony St. Lawrence sy ireo Grands Lacs ka hatrany Arktika. Io no iray amin’ireo tany lehibe indrindra amin’ny tany. Nisy fitomboana 59 isan-jato teo amin’ny isan’ny Vavolombelona any Kanada hatramin’ny nifindran’ny biraon’ny sampana nankeo amin’ny toerana misy azy amin’izao fotoana izao, ao Halton Hills, tamin’ny 1981. Nilaina ny toerana fanampiny tao amin’ny biraon’ny sampana mba hikarakarana ny zavatra ilain’io vahoaka mitombo io. Na dia efa notorina nandritra ny 110 taona teo ho eo
aza ny vaovao tsara any Kanada, io asa io dia nanjary naka endrika vaovao tao anatin’ireo taona faramparany rehefa natodika tany amin’ireo mponina niteny vahiny ny saina. Ankehitriny any dia misy kongregasiona sy fivoriana atao tsy tapaka amin’ny fiteny roa ambin’ny folo eo ho eo, ho fanampin’ny teny anglisy sy frantsay.Tahiti
Tany afovoan’i Pasifika Atsimo, dia nisy biraon’ny sampana vaovao tsara tarehy notokanana tany Tahiti tamin’ny 11 Desambra 1993. I Milton Henschel, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, izay niteny tao amin’ny fandaharana ny amin’ny fitokanana, dia nampahatsiahy ny mpanatrika rehetra fa tsy ny hatsaran-tarehin’ilay fanorenana, fa ilay asa hatao ao anatin’ilay trano no zava-dehibe indrindra.
Tena mendrika ny hiseho tao amin’ny vaovao ny fanorenana rafitra toy izany, izay vita tamin’ny alalan’ny fanomezana an-tsitrapo sy ny asa an-tsitrapo. Ary nanao tatitra momba ny fitokanana azy io tokoa tao amin’ny fampielezam-peony iraisam-pirenena ny vaovao tao amin’ny televiziona. Roa amby enimpolo taona talohan’izay, tamin’ny 1931, i Sydney Shepherd, Vavolombelon’i Jehovah, dia tonga tany Tahiti ary niezaka ny hitory tao. Narahin’i Frank Dewar izy. Samy tsy navela hijanona ela tao anefa izy mirahalahy ireo. Ankehitriny anefa dia misy Vavolombelona maherin’ny 1 700 any Tahiti sy any amin’ireo nosy hafa anisan’i Polynezia frantsay.
Samoa Andrefana
Ny fanangonana ireo zavatra faniry eo amin’ireo firenena dia nahatratra hatrany ambadik’ireo firenena lehibe amin’ny tany ka tonga tany amin’ireo fitambara-nosy any amin’ny Oseana Pasifika midadasika. Hatramin’ny tena nanombohan’ny asa marina tany amin’ireo tany ireo tany amin’ireo taona 1950, dia olona nahazo diplaoman’i Gileada 26 sy misionera 24 hafa ary mpisava lalana manokana avy tany ampita no nanompo tany amin’ireo tany dimy iandraiketan’ny sampan’i Samoa Andrefana. Ny vokatry ny asan’izy ireo dia hita amin’ireo mpitory 650 izay manompo ankehitriny any amin’ireo nosy lavitra be ireo. Tokony ho dimy taona lasa izay, dia nanjary tena nilaina ny biraon’ny sampana vaovao. Fa nahoana?
Ho fanampin’ireo rahalahy miparitaka any amin’ireo nosy 59 misy mponina, iandraiketan’ilay sampana, dia nanjary nisy kongregasiona mampiasa ireo fitenin’ireo nosin’i Pasifika teo amin’ireo Isaia 42:10, 12). Maneho fiahiana ny vahoakany i Jehovah, na aiza na aiza toerana ahitana azy ireo. Manome taratr’io fomba fijery zavatra io ny Fitambara-mpitantana ka niezaka mba hampitomboana ny fahaizan’ireo ekipa mandika ireo zavatra vita an-tsoratra ho amin’ireo teny polyneziana ampiasaina any amin’ireo nosy ireo, izany hoe ny teny samoan, tokelauan, tongan ary tuvalu. Misy rahalahy sy anabavy nampiofanina hampiasa ordinatera mba handika teny sy hitsara ary hanao composition an’ireo zavatra vita an-tsoratra.
fitambaran’olona be dia be nifindra honina any Aostralia, Nouvelle-Zélande, Hawaii ary Kalifornia. Na dia vitsy aza ny isan’izy ireo, dia zava-dehibe ny famahanana ara-panahy an’ireo olo-malala ireo. (Na kely toy inona aza ny isan’ireo kopia vita pirinty, dia mitovy ny habetsahan’ny asa sy ny mpiasa ary ny toerana ilaina mba handikana zavatra vita an-tsoratra ho amin’ireo fiteny ireo sy ho amin’ireo fiteny itenenan’ny olona an-tapitrisany maro. Tamin’ny 1990, dia efa zara raha nisy toerana tavela tao amin’ilay biraon’ny sampana taloha (tranon’ny misionera novana). Nilaina ny trano lehibe lavitra noho izy io, ary nanome ny fanekeny an’ilay tetik’asa ny amin’izany ny Fitambara-mpitantana.
Kanefa, ahoana no hanaovana ilay asa fanorenana? Ireo trano mahazatra any Samoa dia vita amin’ny fitaovana avy eo an-toerana sady tsy misy rindrina, fa tsato-kazo iankinan’ny tafon-trano fotsiny. Koa tsy mahalala velively ireo fomba fanorenana ampiasaina mba hanorenana biraon’ny sampana maoderina ny ankamaroan’ireo rahalahy any an-toerana.
Ny firahalahiantsika iraisam-pirenena no nanome ny valiny. Nanomana ireo mari-trano ny Biraon’ny Fanorenana any Brooklyn sy ny Biraom-paritra Iasan’ny Injeniera any Aostralia, ka namolavola ilay trano mba hahatohitra horohoron-tany sy sikilaonina. Mpiasa iraisam-pirenena 44 sy mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena 69 no nitondra niaraka taminy ny fahaizana nilaina nandritra ireo telo taona sy tapany nanaovana ny fanorenana. Izy ireo dia tsy vitan’ny hoe nampiofana rahalahy sy anabavy teo an-toerana 38 izay niasa manontolo andro teo amin’ilay tetik’asa ary koa mpiasa tapa-potoana maro, fa nanatsara koa ny fahasalamana ara-panahin’ireo kongregasiona teo an-toerana. Ny fanandraman-javatra sy fahaizana azo teny amin’ilay toeram-panorenana dia efa nanampy ireo rahalahy teo an-toerana sahady teo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana.
Ny 20 Novambra 1993 no andro fitokanana. I John Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantana, no nanao ny lahateny fitokanana. Nandany tamin-kafanam-po ilay tolo-kevitra mba hanokana ilay biraon’ny sampana ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah, daholo ny mpanatrika rehetra.
Alemaina
Ny fandaharana fanitarana biraon’ny sampana lehibe indrindra vita tamin’iny taom-piasana farany iny dia ilay tany Selters / Taunus, any Alemaina. Izy io dia nanamarika ny fara tampony tamin’ny tetik’asa naharitra telo taona sy tapany. Nandritra izany fotoana izany, dia mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 18 600 no nanampy mba hampitombo maherin’ny avo roa heny ny haben’ilay efa biraon’ny sampana sy fanontam-pirinty lehibe indrindran’ny Fikambanana.
Nanatrika ny fandaharana ny amin’ny fitokanana tamin’ny 14 sy 15 May ny mpikambana efatra tao amin’ny Fitambara-mpitantana, dia i Carey Barber, i Milton Henschel, i Karl Klein ary i Daniel Sydlik. Anisan’ireo mpanatrika dia nisy olona avy tany amin’ny firenena 55. Tao amin’ny lahateniny, ny Rahalahy Barber dia nampiseho fa ireo fionganam-panjakana tany Eoropa Atsinanana dia nanome fahalalahana lehibe kokoa ho an’ireo rahalahy. “Tsy ho azon’izy ireo atao anefa ny hanome ireo zavatra vita an-tsoratra sy gazety rehetra hilaina” mba hanomezana fahafaham-po amin’ny hanoanana ara-panahin’ireo olona any, hoy ny fanazavany. “Koa ny sampan’i Alemaina àry no manome izany ho azy ireo, ka hamela azy ireo hifantoka amin’ny asa fitoriana.” Tena mety toy inona àry ny nahatongavan’ny maro tamin’ireo nasaina avy tany amin’ireo tany any Eoropa Atsinanana, tamin’ilay fitokanana! Ravoravo izy ireo nitsidika ireo toeran’ny biraon’ny sampana, nijery ny fanakambanana boky sy ny fiasan’ilay milina fanontam-pirinty offset lehibe vaovao. Ireo toerana nohalehibiazina dia hahatonga ny sampan’i Alemaina ho afaka hamoaka gazety hatramin’ny 1,6 tapitrisa sy boky hatramin’ny 80 000 isan’andro. Efa misy zavatra vita an-tsoratra amin’ny fiteny 42 ho an’ny tany 58 sahady atao pirinty ao.
Olona 3 658 monja no afaka nanatrika ny fandaharana ny amin’ny fitokanana tany amin’ny biraon’ny sampana ny asabotsy. Ny Vavolombelona rehetra tany Alemaina anefa dia nandray anjara tamin’ilay asa fanorenana tamin’ny fomba iray na hafa, ary samy naniry handray soa avy tamin’ilay fampaherezana ara-panahy tamin’io
fotoana io ny rehetra. Koa ny alahady àry dia nitohy ny fandaharana tao amin’ny Betela sy tany amin’ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena enina nanerana ilay tany, ka tamin’io dia olona 177 902 no niara-nanome fiderana sy fisaorana an’i Jehovah. Namintina toy izao ny zavatra tsapan’ny maro be aoka izany ny Rahalahy Sydlik: “Iny fitokanana iny no andro iray toa zato. Tsy ho afaka ao an-tsaintsika mandritra ny ela be izy iny.”Tetik’asa fanorenana hafa koa
Mitohy haingana be ny asa fanorenana any amin’ny foibe maneran-tany any New York — ny asa atao amin’ireo toerana vaovao any Brooklyn sy any Patterson ary any Wallkill. Any amin’ireo toerana samihafa ireo, dia rahalahy sy anabavy maherin’ny 1 040 no mandray anjara amin’ny asa fanorenana amin’izao fotoana izao. Antenaina fa amin’ny Martsa 1995, dia hifindra ho any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson ny Sekolin’i Gileada.
Manana birao any amin’ny Repoblika Tchèque koa ny Fikambanana. Ny trano vaovao iray misy rihana sivy, izay nisy nanome ho an’ny Fikambanana, dia nohavaozina ka nampiasaina ho Trano sy biraon’ny Betela ao Prague. Ny fitambaran-trano vao naorina iray misy Efitrano Fanjakana sy tranon’ny misionera ao Maseru, any Lesotho, dia misy birao sy fitahirizana zavatra vita an-tsoratra koa.
Rehefa nilaina ny tranon’ny misionera vaovao telo tany amin’ireo Nosy Salomon, noho ny fiaraha-miasa niraisam-pirenena dia nanjary azo natao ny nanome fahafaham-po tamin’izany zavatra nilaina izany. Nisy antokon-drahalahy tany Aostralia nanamboatra mialoha ny sasany tamin’ireo tapany nilaina. Avy eo ny sampan’i Aostralia dia nanangona ny zavatra rehetra mba halefa tany amin’ireo Nosy Salomon. Nandritra izany fotoana izany ireo rahalahy tany amin’ireo Nosy Salomon dia nanomana ireo toerana hanaovana ilay fanorenana sady nanapaka hazo maherin’ny 40 taonina tany an’ala, ka nibata izany tamin’ny tanana. Vonona ara-potoana tsara daholo ny zava-drehetra rehefa tonga ireo rahalahy 96 avy tany Aostralia sy Nouvelle-Zélande ary Hawaii izay nanome an-tsitrapo ny fotoanany ary nandoa an-tsitrapo ny saran-dalany tamin’ny fiaramanidina, mba hanampiana tamin’ilay fanorenana izay hatao haingana tao amin’ny nosy roa. Vita tao anatin’ny telo herinandro monja ireo trano telo.
Nisy asa be dia be koa natao tamin’iny taon-dasa iny mba hamitana ny asa fanorenana ny biraon’ny sampana any Korea,
Taïwan, Ekoatera, Suriname ary Sri Lanka. Fanampin’izany, dia misy tetik’asa maro hafa eo am-panaovana azy. Misy asa fanorenana sampana lehibe atao any Meksika, (jereo ny pejy 244-245), Espaina, République Dominicaine, Aostralia, eto Madagasikara, any Sierra Leone, Irlande, Nicaragua, Paraguay, Peroa, Jamaïque ary Nouvelle-Calédonie. Taorian’ny fanakantsakanana maro noho ny fanoherana, dia mandroso ankehitriny ireo rahalahy any Frantsa manitatra ny biraon’ny sampana ao Louviers. Any akaikin’i Saint-Pétersbourg, any Rosia, dia mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 300 — avy any Scandinavie ary koa avy any amin’ny faritra rehetra amin’ny Firaisana Sovietika taloha — no miasa mafy mba hanomanana Foibem-pitantanana iray ho an’ny Fandaminana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia.Misy asa fanorenana be dia be atao koa atỳ amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Amin’izao fotoana izao, ireo sampan’i Afrika Atsimo, Kenya, Mozambika, Madagasikara ary Zaïre dia manao asa fanorenana. I Afrika Atsimo dia afaka tsara manome fitaovam-panorenana ho an’ny maromaro amin’ireo sampana ireo. Noho izany antony izany no ananan’io sampana io sampan-draharaha lehibe misahana ny fividianan-javatra sy ny fanondranana entana ary ny fitaterana amin’ny kamiao, mba hikarakara ny zavatra ilain’ny tenany sy ilain’ny sampana hafa koa.
Misy trano goavana hafa iray, dia tetik’asa fanorenana biraon’ny sampana misy rihana 12, eo amin’ny ambaratongan’ny fanaovana mari-trano sy ny famolavolana, any Japon. Fanampin’ny asa fanorenana mbola mitohy ao Cesário Lange, any Brezila, dia misy asa mialoha atao mba hanorenana toerana iray hisy birao sy fitahirizana entana ary fonenana ao São Paulo. Ary misy tetik’asa betsaka hafa eo amin’ny ambaratonga samihafan’ny famolavolana, izay hanampy mba hikarakarana ny zavatra ara-panahy ilain’ny vahoaka be izay manaiky ny fanompoam-pivavahana marina.
Ahoana no hetezan’izany rehetra izany? Amin’ny alalan’ny fanahin’i Jehovah. Ho setrin’ny asa ataon’izy io, ny vahoakan’i Jehovah — ireo izay mety tsy hanana firy ara-nofo ary koa ireo izay manana be kokoa — dia manome avy amin’ny tenany sy ny fananany ara-nofo amim-pahalalahan-tanana mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Ary fifaliana toy inona moa ny azy ireo mahita fa tahin’i Jehovah ny fiafarany!
[Sary, pejy 6]
Tao anatin’ireo dimy taona farany, dia olona 1 514 287 no natao batisa, ka nampahafantatra araka izany ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah
[Sary, pejy 12, 13]
Nisy fiarahana nafana sy sambatra niharihary tany amin’ireo Fivoriambe Niraisam-pirenena “Fampianarana Araka An’Andriamanitra”
1. Hong-Kong; 2. Philippines; 3. Kenya; 4. Silia;
5. Kolombia; 6, 7. Afrika Atsimo[Sary, pejy 14]
Nisy fanampiana ara-nofo nalefa fiaramanidina haingana tany amin’ireo Vavolombelona rwandais
[Sary, pejy 21]
Efitrano Fanaovana Fivoriambe any Strängnäs, any Soeda, izay omby olona 10 000 ny efitrano lehibe indrindra ao aminy
[Sary, pejy 27]
Biraon’ny sampana vaovao (avy any ambony miankavanana): Kanada, Samoa Andrefana, Tahiti, Alemaina (sy ny milina fanontam-pirintiny vaovao indrindra)