Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny
Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny
Hongria
Hatramin’ny niandohan’ny asany tany Hongria, 95 taona mahery izay, ny Vavolombelon’i Jehovah dia niaritra fanenjehana namaivay, tsy teo an-tanan’ny klerjy ihany, fa teo an-tanan’ny mpanapaka koa. Na dia norarana aza izy ireo tamin’ny 1939, ka nosamborina ny maro be taminy tany amin’ireo taona 1950, dia tsy nitsahatra nitory ny vaovao tsara izy ireo. Ankehitriny dia ekena araka ny lalàna izy ireo, ka manohy ny fanompoany amin-jotom-po bebe kokoa noho ny hatramin’izay.
Mozambika
Indro fitantarana ny amin’ny Kristiana marina, izay, na dia nendahana taminy aza ny fananany ara-nofo rehetra, dia nanankarena noho ny finoany, sy noho ny porofo hitany ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra azy, ary noho ny fifankatiavany lalina. Ankehitriny dia nisokatra ny vanim-potoana vaovao eo amin’ny fandrosoan’ny fanompoam-pivavahana marina atsy amin’ny moron-tsiraka atsinanan’i Afrika, atsy Mozambika.
Venezoela
Nandritra ny 50 taona mahery, dia natao ny ezaka mba hahatongavan’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tany amin’ny olona tsirairay tany Venezoela. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia namafy tamim-pahalalahan-tanana, voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana, ary dia mampitombo azy ireo Andriamanitra. Manerana ilay tany manontolo, dia feno hipoka ireo Efitrano Fanjakana ary mihamitombo ny isan’ny mpidera an’i Jehovah. Vakio itỳ fitantarana manafana ny fo itỳ.