Hongria
Hongria
ANDRO nahafaly ho an’ny asa momba ilay Fanjakana eto Hongria ny faha-25 Jolay 1991. Io daty io dia nanamarika ny nahatongavan’ny misionera voalohany nampiofanin’ny Fikambanana Watch Tower ary notendrena hanompo eto Hongria. I László Sárközy sy i Karen vadiny, dia tody tamin’ny 1 ora sy 3 minitra tolakandro tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Ferihegy, any atsimon’i Budapest. Nandeha fiaramanidina izy ireo avy tany Toronto, any Kanada, izay nanompoan’ilay rahalahy taorian’ny nahazoany diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Ho an’ny Rahalahy Sárközy, izany dia fiverenana nody taorian’ny 27 taona mahery.
I Hongria amin’ny andro ankehitriny dia tany misy mponina maherin’ny 10 tapitrisa atỳ Eoropa atsimo-afovoany. Ny maherin’ny 95 isan-jaton’ny mponina dia avy tamin’ireo Magyar (Hongroà), ary ny sahabo ho androatokon’ireo dia misoratra ho Katolika Romana. Ny fototry ny Katolisisma eto amin’itỳ tany itỳ dia tonga hatrany amin’ny arivo taona mahery lasa izay. Tsy ela taorian’ny nampidirana ny Katolisisma Romana teto, i István (Etienne) dia nataon’ny Papa Sylvestre II mpanjaka. Nanaraka izany, dia nandray ny anaram-boninahitra hoe Regnum Marianum (Fanjakan’i Maria [Virjiny]) i Hongria.
Kanefa, tsy ny rehetra eto Hongria akory no Katolika Romana. Ny Baiboly feno voalohany navoaka
tamin’ny teny hongroà, tamin’ny 1590, dia nadikan’ny Protestanta iray, i Gáspár Károli. Io fandikan-teny nohavaozina imbetsaka io, izay mirakitra ny anaran’Andriamanitra, no Baiboly hongroà be mpampiasa indrindra amin’izao fotoana izao. Ny fisian’olona tsy katolika sy ny fitaoman’izy ireo dia neken’ny fitondram-panjakana tamin’ny 1868, rehefa nanjary nanan-kery ny lalàna iray izay namela ny tsirairay hanana fahalalahana hifidy ny fampianarany ara-pivavahana. Tamin’ny 1989, ny fitondram-panjakana hongroà dia nanitatra io zo io mba hahafaoka ny Vavolombelon’i Jehovah. Azo nirahina hiditra teto izao ny misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa, ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy vaovao velively ho an’ny vahoaka hongroà.Niely teto Hongria ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly
Telo amby sivifolo taona talohan’ny nahatongavan’i László sy i Karen Sárközy, ny Zion’s Watch Tower (tamin’ny 15 May 1898) dia namoaka izao fanambarana manaraka izao momba ny rahalahy iray tany Kanada: “Manao veloma ny rahalahy malala iray izay ho any amin’ny tany niaviany, dia i Hongria, mba hilaza ny vaovao tsara amin’ireo iray firenena aminy, isika. Mpampianatra nandritra ny taona maro tao amin’ireo sekolin’ny tany niaviany izy, ka nahita fianarana tsara momba ny teny latina sy alemanina ary koa ny teny hongroà, ary manantena isika fa ho azon’ny Tompo ampiasaina mba hahita sy hanisy tombo-kase ny sasany amin’ireo voafidy, izy.”
Niharihary fa nitondra vokatra ny asa nataony. Dimy taona tatỳ aoriana, rehefa nitsidika an’i Zurich, i Charles Taze Russell sy ireo mpiray dia taminy, dia nifankahita tamin’ny mpiray finoana roa avy tany Hongria, ankoatra ny hafa koa. Fanampin’izany, dia nisy taratasy maromaro avy tamin’ny rahalahy hongroà navoaka tao amin’ny fanontana alemanin’ny Zion’s Watch Tower tamin’ny 1905, nampiseho fa nisy naharay zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly avy tany Alemaina.
Tamin’ny 1908, i Andrásné Benedek — vehivavy hongroà iray tso-piaina izay tonga Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany — dia niverina tany Hajdúböszörmény, any amin’ny faritra atsinanana amin’i Hongria, mba hizara tamin’ny hafa ilay vaovao tsara nianarany avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Efa-taona tatỳ aoriana, dia nisy Mpianatra
ny Baiboly roa hafa koa niverina avy tany Etazonia. Nianatra ny fahamarinana momba an’Andriamanitra sy ny fikasany, tamin’ny fanatrehana ny sasany tamin’ireo lahateny ampahibemason’ny Rahalahy Russell, izy ireo. Nataon’ny Rahalahy Russell ho fahazarana, taorian’ny fandaharana toy izany, ny nanatona ireo anisan’ny mpanatrika izay efa hitany tonga imbetsaka talohan’izay. Nanontany toy izao izy: “Avy aiza moa ianao? Olom-pirenena inona ianao? Ho tianao ve ny hiverina any amin’ireo havanao ka hizara ny fahamarinana aminy?”Ny iray tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly roa ireo, i Károly Szabó, dia niverina tany amin’ny tanànan’i Marosvásárhely (Tîrgu-Mureş, any Romania, ankehitriny), izay tany Hongria tamin’izany. Ilay rahalahy hafa, i József Kiss, dia niara-niasa tamin’ny Rahalahy Szabó nanaparitaka zavatra vita an-tsoratra teo amin’ny manodidina, talohan’ny niverenany tany amin’ny tanàna niaviany, dia i Abara (Oborín, any Slovakia, ankehitriny). Nitondra vokatra ny asa nataon’izy ireo, satria nanaiky ny fahamarinana ny fianakavian’ny Rahalahy Szabó, ary tatỳ aoriana dia nisy olona hafa koa tao amin’io faritra io niandany tamin’ny fahamarinana ary nandray anjara tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara.
Saha hongroà tany Amerika Avaratra
I Andrásné Benedek, i Károly Szabó, i József Kiss ary ilay mpampianatra avy tany Kanada dia vitsivitsy monja tamin’ireo olona maro nianatra ny fahamarinana tany Amerika Avaratra ka niverina teto Hongria mba hitory ny vaovao tsara. Ny nisian’ny maro be toy izany niverina tany amin’ny tany niaviany dia taratry ny naha-voasa tsara ny saha hongroà tany Amerika.
Eny tokoa, Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 15 Aogositra 1909 dia nampahatsiahy an’ireo rahalahy fa nisy “olona an’arivony maro namaky ny teny magyar tany amin’ireo tanàna lehibe indrindran’ireo Fanjakana tatsinanana sy afovoany” tany Amerika. Noho izany, dia nampirisihina ireo rahalahy mba hanafatra sy hanaparitaka maimaim-poana ny fanontana hongroà tamin’ireo taratasy mivalona nantsoina hoe Peoples Pulpit. Tamin’ny faran’ny taona nanaraka, dia efa nisy 38 000 teo ho eo tamin’izy io niparitaka tany Etazonia sy Kanada ary Meksika. Anisan’ireo zavatra vita an-tsoratra hongroà hafa navoaka nandritra ireo taona
nanaraka dia ny Études des Écritures, ny Scénario du Photo-drame de la création, Ny Tilikambo Fiambenana, ny L’âge d’or ary ny bokikely Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy. Tatỳ aoriana, ny Fikambanana dia nampiasa fandaharana tamin’ny radio tamin’ny teny hongroà mba hampielezana ny vaovao tsara. Radio dimy no nandefa fandaharana 27 tamin’ny teny hongroà tamin’ny 1930.Fiatrehana vato misakana teto Hongria
Tamin’ny dia fanaovana lahateny tany Eoropa tamin’ny 1911, izay nitsidihan’ny Rahalahy Russell tany folo fara fahakeliny, dia nanantena izy fa, rehefa any Budapest, dia ho afaka ny hanao lahateny momba ny “Sionisma ao Amin’ny Faminaniana”. Kanefa, ny raby jiosy iray tany New York izay nanohitra tamin-kasiahana ny asa nataon’ny Rahalahy Russell, dia nitaona ireo mpiara-miasa taminy tany Aotrisy-Hongria mba hanohitra ny fandaminana ny hisian’izany fivoriana izany.
Tatỳ aoriana, dia nanoratra ho an’ny Rahalahy Russell i Károly Szabó, ka nanao hoe: “Ny asa eto Hongria dia sarotra lavitra noho ny any Amerika, satria mahantra be ireo namana, ka vitsy ihany no maningana, no sady tsy maintsy atao amin’ny ambaratonga kely lavitra ny asa. (...) Misy kilasy kely roa amby efapolo amin’izao fotoana izao any amin’ny zaran-tany samihafa. (...) Tamin’ny fahiraika ambin’ny folo sy roa ambin’ny folon’ny volana May izahay dia nanana fivoriamben’ny distrika kely, ka olona tokony ho 100 no tonga. (...)
“Nitady ny hampitsahatra ny asanay tamin’ny fampiasana ny lalàna ireo pastora sy pretran’ny antokom-pivavahana samihafa. Notaritina teo anatrehan’ny fitsarana izahay. Afaka niaro ny lalana arahinay izahay hatramin’izao.”
Tonga tany an-drenivohitra ny fahamarinana
Talohan’ny Ady Lehibe Voalohany, ny mpamafa lalana iray tany Budapest dia nahita ny iray tamin’ireo taratasy mivalon’ny Mpianatra ny Baiboly tao ambanin’ny fako nofafany. Nisy adiresy iray tany Marosvásárhely ilay taratasy mivalona. Nasehony tamin’ny vadiny ilay taratasy mivalona, ary dia namaky azy io tamim-pahafinaretana sy fahalianana be io vadiny io. Avy hatrany izy dia nanoratra mba
hangataka zavatra vita an-tsoratra hafa koa. Nalefa àry ny zavatra vita an-tsoratra, ary tatỳ aoriana dia nisy olona nitsidika azy manokana.Ho vokany, tsy ela dia niforona ny antokon’olom-bitsy iray niara-nianatra, ary io vehivavy io, Rtoa Horváth, dia nanolotra ny tokantranony mba hanaovana ireo fivorian’ilay antokon’olona. Io toerana io, teo amin’ny Kianja Tisza Kálmán (Kianja Köztársaság ankehitriny), no voalohany nampiasain’ny Mpianatra ny Baiboly teto Budapest ho an’ny fivoriany. Rehefa maty ny Anabavy Horváth tamin’ny 1923, dia mbola nampiasain’ireo rahalahy ho toeram-pivoriana ihany ny tranony, no sady natao birao vonjimaika.
Natao an-tranomaizina i Kiss sy i Szabó
Noho ny fitahian’i Jehovah ny zotom-pon’ny Rahalahy Kiss sy Szabó ary ny hafa koa, rehefa nipoaka ny Ady Lehibe Voalohany, dia nisy antokon’olona niara-nianatra tany amin’ny tanàna samihafa ivelan’ny renivohitra — Hajdúböszörmény sy Bagamér ary Balmazújváros tany amin’ny faritra atsinanana amin’i Hongria, ary Nagyvisnyó tany amin’ny faritra avaratra amin’i Hongria. Tsy vitan’ny hoe nisy antokon’olona iray tany Marosvásárhely, fa nisy iray koa tany Kolozsvár (Cluj), izay samy any Romania ankehitriny.
Sorena ny klerjy noho ny asa feno zotom-pon’ny Rahalahy Kiss sy Szabó ka nambosy ny fitondram-panjakana hanao zavatra hanoherana azy ireo. Samy nosamborina izy mirahalahy ary nosazina dimy taona an-tranomaizina. Kanefa, nandritra ny revolisiona tamin’ny 1919, dia nafahana izy ireo ary avy hatrany dia nanomboka nanorina fifandraisana teo amin’ireo kongregasiona. Nanjary nihasarotra anefa izany, vokatry ny Faneken’i Trianon tamin’ny 1920, izay nanendaka tamin’i Hongria be dia be tamin’ny faritaniny, ka nanankina izany tamin’ireo tany manodidina.
Nalamina avy tany Cluj ny asa taorian’ny ady
Taorian’ny ady lehibe, dia nisy olon-kafa koa, izay nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tany Etazonia, niverina teto Hongria. Anisan’izany i József sy i Bálint Soós, mpirahalahy ara-nofo, izay natao batisa tamin’ny 1918. Rehefa tonga teto amin’ny tany niaviany izy ireo tamin’ny 1919, dia nanomboka avy hatrany nampiely ny vaovao tsara tamin’ny alalan’ireo zavatra vita an-tsoratry
ny Fikambanana. Niharihary ny fitahian’i Jehovah teo amin’ny ezak’izy ireo. Nisy kongregasiona iray niforona tao Tiszaeszlár, ary avy eo dia nisy kongregasiona hafa koa nipongatra tao amin’ireo vohitra teo akaiky.Ny taona nanaraka ny nahatongavan-dry Soós mirahalahy teto Hongria, dia naniraka an’i Jacob B. Sima nankany Romania ny Fikambanana. Andro vitsivitsy taorian’ny nahatongavany tany Cluj, dia nihaona tamin’i Károly Szabó ary avy eo dia tamin’i József Kiss izy mba handamina indray ny asa teto Hongria sy tany Romania. Nitady toerana nety hatao birao izy ireo. Ny fitoriana ny vaovao tsara tany Romania, teto Hongria, tany Bolgaria sy Iogoslavia ary Albania dia nanjary teo ambany fiandraiketan’io birao io.
Koa satria hita fa tsy azo natao ny nahita toerana sahaza hatao biraon’ny sampana tao Cluj, dia nanomboka ny fanorenana birao sy fanontam-pirinty tany ny Fikambanana tamin’ny 1924. Tamin’ny faran’io taona io, dia nanao izao tatitra izao Ny Tilikambo Fiambenana: “Ny orinasa fanontam-pirintin’ny Fikambanana tao Cluj nandritra iny taona iny dia nahavita boky 226 075, ary boky 129 952 no naparitaka. Fanampin’izany, dia gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy L’âge d’or niisa maherin’ny 175 000 tamin’ny tsirairay tamin’ireo fiteny roa [romana sy hongroà] no naparitaka.”
Talanjona ireo mpitazana teo amin’izao tontolo izao noho izay nitranga. Hoy ny gazetiboky Az Út (Ny Lalana): “Amin’izao fotoana izao [1924] dia tsy misy fanontam-pirinty hafa misy fitaovana maoderina toy izany eto Romania. (...) Bitika dia bitika toy inona moa ny (...) isan’ny vitantsika raha oharina amin’ny [an’ny Mpianatra ny Baiboly].”
Be fitiavana sy herim-po ary nankahalaina
Ny fandrosoana teo amin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana teto Hongria mihitsy anefa dia tsy niandry ny naha-vonona ho amin’ny asa ny fanontam-pirinty tany Romania. Tamin’ny 1922, dia nisy olona 160 tafangona teto Hongria mba hankalaza ny nahafatesan’ny Tompo. Tamin’io taona io ihany, teo ambany fitarihan’ny Fikambanana, dia natao ny fandaharana mba hanaovana pirinty 200 000 tamin’ilay fanapahan-kevitra hoe A Challenge to World Leaders, ary nomena andro iray tamin’ny fomba ofisialy ireo rahalahy mba hanaparitahana azy io. Nisy tamin’ireo taratasy ireo
tonga tany amin’ny biraom-panjakana sy manam-pahefana ambony maro tamin’ny alalan’ny paositra.I György Kiss dia olona iray namela ohatra tsara dia tsara ho an’ireo rahalahiny hongroà nandritra io fe-potoana io. Lehilahy vaventy sy be fitiavana sy herim-po izy. Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, dia nomelohina ho faty noho ny toeram-pialanalanana nohazoniny izy, nefa tatỳ aoriana dia novana ho fanaovana an-tranomaizina mandra-pahafatiny ny saziny ary taorian’ny ady izy dia nafahana. Nampiasa tsara ireo androm-piainana fanampiny nomena azy izy, ka nanampy mba hanorenana kongregasiona maro. Nanao ny fanompoan’ny pèlerin, mpandahateny nitety faritany ho an’ny Mpianatra ny Baiboly, koa izy.
Noho ireo asa nataony tsy tamin-tahotra sy tamim-pahombiazana, ny Rahalahy Kiss dia nankahalain’ny klerjy sy ny Polisim-panjakana indrindra. Na dia nosamborina sy nentina tamin’ny fomba ratsy aza izy matetika, dia sarotra ny nanasazy azy satria nahafantatra tsara ny lalàna izy ka niaro tena tamim-pahakingana tamin’ireo fiampangana. Nitalaho taminy ireo rahalahy mba hanehoany fitandremana kokoa, nefa dia nanohy nitety ilay tany izy, ka nitsidika ireo kongregasiona sy niezaka mafy hanatanjaka ny hafa ara-panahy. Ohatra tsara izy, ka nifanentana tamin’ireo tenin’i Paoly hoe “malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, (...) mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy”. — 2 Tim. 2:24, 25.
Tamin’ny 20 Jolay 1931, dia niandry azy tao amin’ny kongregasionan’i Debrecen nihanitombo, tany akaikin’ny sisin-tanin’i Romania, ireo rahalahy, fa tsy tonga izy. Nanatsoaka hevitra àry izy ireo fa novonoin’ireo fahavalony izy ka ‘nody’ tany amin’ny valisoany tany an-danitra. — Jaona 14:2.
Hafa koa avy tany Etazonia
Nandritra ireo taona 1920 rehetra, ny olona izay tonga Mpianatra ny Baiboly tany Etazonia dia nanohy niverina teto Hongria, noho ny fananany ny toe-tsain’ny mpitory ny filazantsara. Anisan’ireny i János Varga, izay nankany Hajdúszoboszló, tany amin’ny faritra atsinanana amin’i Hongria, aloha, ary tatỳ aoriana dia nanao ny fanompoan’ny pèlerin, ary koa i József Toldy, izay nankany Nagyvisnyó, tany amin’ny faritra avaratra amin’i Hongria ka
nirotsaka tamin-jotom-po hitory ny filazantsara tany.I János Dóber, izay nianatra ny fahamarinana fony izy nanatrika ny lahateny iray nataon’ny Rahalahy Russell tamin’ny 1910, dia nankany amin’ny faritra andrefana amin’i Hongria ary nanomboka nitory tamin-jotom-po tany Zalaudvarnok. Tao
anatin’ny fe-potoana fohy dia fohy, dia nisy antokon’olona iray niforona, ary teo ambany fitarihany feno zotom-po, dia nitory tany amin’ireo tanàna sy vohitra nanodidina rehetra io antokon’olona io. Kanefa dia niatrika fanoherana mafy izy matetika, ary indraindray dia naniry hiverina tany Amerika. Nanontany azy anefa ny vadiny hoe: “Malala a, inona moa no antony niverenantsika teto Hongria? Tsy mba hitory ve?” Ary dia tony indray i János.Fanoherana avy tao anatiny sy tany ivelany
Rehefa tonga tany amin’ny faritra hafa koa ka nihanitombo ny fitoriana ny vaovao tsara, dia nihamafy koa ny fanoherana. Tamin’ny 1925, dia nanafoana ny fanomezany lalana hanaparitaka ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana ny fitondram-panjakana. Mba hanohizana hanome sakafo ara-panahy an’ireo rahalahy, dia nanjary nilaina ny namoaka ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana tany Cluj tamin’ny fanovana tsy tapaka ny lohateniny, toy ny hoe “Pèlerin” Kristiana sy hoe Filazantsara.
Nanamafy ny asany nanoherana ireo rahalahy koa ny klerjy. Ohatra, i Zoltán Nyisztor, pretra katolika, dia nanonta bokikely iray nitondra ny lohateny hoe Ireo “Millennialists” na Mpianatra ny Baiboly, izay nanambara hoe: “Ny Russellisme dia ratsy kokoa sy mahatsiravina kokoa noho ny Bolsevisma Mena, satria (...) ny Russellisme dia manafina antso ho amin’ny fanjakan’i Baroa ao ambadiky ny fivavahana; milaza izy fa ny revolisiona sy ny fanenjehana fiangonana ary ny fanamontsanana na fanafoanana ny klerjy dia fikasan’Andriamanitra.”
Ny fiangonana matetika no rangory fototry ny afo tamin’ilay fitondrana feno halozana nampiharin’ny polisy tamin’ireo rahalahy. Ny porofon’izany halozana izany dia hita tamin’ireo holatra nentin’i Károly Szabó rehefa niverina tany Etazonia izy.
Nanampy an’io fanenjehana io ireo fahasahiranana anaty novelomin’i Satana sy ny demoniany. Tany Cluj, i Jacob B. Sima dia nanomboka nikatsaka zava-kendrena naneho fitiavan-tena, ka tsy nahita intsony ny naha-zava-dehibe ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ary naniry hisarika ny sain’ny hafa ho amin’ny tenany. Izany dia nitarika ho amin’ny fisarahana lehibe.
Fotoana fohy taorian’izany, ny biraon’ny Fikambanana Watch Tower tany Magdeburg (Alemaina) dia nasaina hitarika ny asa teto
Hongria, ka nangataka an’i Lajos Szabó izy ireo mba hankatỳ Budapest mba hanampy handamina ny asa fitoriana sy ny fandikana Ny Tilikambo Fiambenana. Rehefa afaka izany, dia natao pirinty tany Magdeburg Ny Tilikambo Fiambenana hongroà, nitondra ny lohateny hoe Gazety ho An’ireo Izay Mino ny Ran’i Kristy.Fanampiana avy tamin’ireo rahalahy alemanina
Tamin’ny 1931, ny Mpianatra ny Baiboly naneran-tany dia nahatakatra fa, rehefa noheverina izay voambara mazava ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia hety indrindra ny hahafantarana azy ireo ho Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10). Ireo bokikely hoe Ilay Fanjakana, ny Fanantenan’izao Tontolo Izao sy hoe Fanazavana, navoaka teto Hongria, dia niresaka momba ny antony nandraisana ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, ary, mifanaraka amin’izany anarana izany, dia nampifantoka ny saina tamin’i Jehovah sy ny fikasany mifandray amin’ny Fanjakany.
Nanao izao tatitra izao ny Diary 1933: “Rehefa niseho ny bokikely Fanjakana, izany dia nampiasaina ho toy ny fahafahana iray manokana hanao fanambarana be dia be tao amin’ny renivohitr’i Hongria. Tamin’ny fotoana voatondro iray, dia namana alemanina 90 no nankany, ary tao anatin’ny dimy andro, dia bokikely Fanjakana tokony ho 125 000 sy taratasy mivalona 200 000 no voaely.”
Ny fanaparitahana ny bokikely Fanjakana dia iray tamin’ireo fahafahana maro nanampian’ireo Vavolombelona alemanina an’ireo rahalahiny hongroà. Rehefa tonga teo amin’ny fahefana i Hitler tany Alemaina, ka nanomboka nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah, dia rahalahy sy anabavy maro no voatery niala tany Alemaina, ary ny sasany nifindra nanketo Hongria. Anisan’ireny i Martin Poetzinger, izay efa nandany herintaona tany Bolgaria ary, taona maro tatỳ aoriana, dia tonga mpikambana tao amin’ny Fitambara-mpitantana, sy i Gertrud Mende, izay tonga vadiny.
I Gerhard Zennig, izay Vavolombelona niteny alemanina koa, dia niara-niasa tamin’ny Rahalahy Szabó tamin’io fotoana io. Na dia tsy natanjaka ara-batana aza ny Rahalahy Zennig, dia nentina tamin-kalozana, indrindra fa teo an-tanan’ny mpitsongo dia iray tao amin’ny polisy, nantsoina hoe Balázs. I Heinrich Dwenger, izay nirahina nivantana avy tany amin’ny biraon’ny sampana tany Alemaina, dia tadidin’ireo rahalahy eto Budapest koa noho ny fitiavany.
Noho ny fahalemem-panahiny sy ny hatsaram-panahiny ary ny torohevitr’olo-matotra nomeny, dia nitondra fanampiana be dia be ho an’ireo rahalahy hongroà izy. Nanome azy ny anaram-bosotra hoe “dadatoa mpisava lalana” ireo mpisava lalana alemanina satria nikarakara azy ireo tamim-pitiavana izy.Nandritra io fe-potoana io, dia nanomboka nanan-kery mafy teto Hongria ny fasisma. Ireo rahalahy alemanina dia noterena hiala teto, ary ireo rahalahy hongroà dia niharan’ny fanenjehana nihanitombo. Maro tamin’izy ireo no nentin’ny polisy tamin-kalozana ary avy eo dia nomena sazy an-tranomaizina ela be.
Fivoriana natao tamim-pitandremana
Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1930, dia tsy afaka nanao fivoriana izahay raha tsy niafina sy niaraka tamin’antokon’olom-bitsy. Ny zavatra vita an-tsoratra nisy mazàna dia Tilikambo iray monja isaky ny kongregasiona, ary nampitampitaina teo amin’ireo rahalahy izy io.
Hoy ny tsaroan’i Ferenc Nagy avy tany Tiszavasvári: “Tsy mitovy amin’ny atao amin’izao andro izao ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’izany andro izany. Rehefa tonga daholo izay rehetra nantenaina ho avy, dia nohidiana ny varavarana. Indraindray, dia naharitra adiny enina ny fandinihana lahatsoratra iray. Tokony ho dimy taona aho tamin’izany, ny zandriko lahy, efa-taona, nefa tianay ny nipetraka teo amin’ny seza kelinay sy nihaino an’ireo fianarana lava be. Tena fahafinaretana mihitsy ilay izy. Mbola tadidiko ny sasany tamin’ireo tantara ara-paminaniana. Nisy vokany tsara ny fomba nitaizan’ny ray aman-dreninay anay.”
I Etel Kecskemétiné, izay eo amin’ny fahavalopolo taonany ankehitriny ary mbola manompo amim-pahatokiana ao Budapest, dia mahatadidy fa tany Tiszakarád, ireo rahalahy dia nanao fivoriana teny amin’ny sahan’izy ireo nandritra ny fiatoana tamin’ny sakafo antoandro. Koa satria izy ireo samy niara-niasa tamin’ny fambolena ny tanin’ny Vavolombelona iray aloha, avy eo dia ny an’ny iray hafa, dia tsy afaka nisakana ny fivoriana toy izany ireo manam-pahefana. Nandritra ny fararano sy ny ririnina, ireo anabavy dia niara-nipetraka namoly kofehy, ary nankeo aminy koa ireo rahalahy. Na dia nanontany momba ny asa nataon’izy ireo aza ny polisy, dia tsy afaka nampijanona azy ireo. Raha tsy nisy ny fahafahana hivory toy
izany, dia niangona tany amin’ny toerana iray vao maraina be na tamin’ny alina be izy ireo.Mpitory nahay nahita hevitra
Rehefa norarana ny fitoriana teny am-baravarana, dia nahita fomba hafa nizarana ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelona. Mbola vaovao ihany tamin’izany andro izany ny fampiasana ny grafofaonina azo nobataina, ary tsy nisy lalàna nandrara ny fandefasana azy ireny. Noho izany, ireo rahalahy dia nangata-dalana tamin’ny tompon-trano mba handefa hafatra nalaina feo. Raha nomena izany, dia nalefa ny iray tamin’ireo lahatenin’ny Rahalahy Rutherford nalaina feo. Mba hanaovana izany, dia nanao kapila ho an’ny grafofaonina tamin’ny teny hongroà nirakitra ireo lahateny nataon’ny Rahalahy Rutherford ireo rahalahy, ary nampiasa grafofaonina azo nobataina sy grafofaonina nisy fanamafisam-peo lehibe.
Momba ireny hafatra ara-baiboly nahery nalaina feo ireny, dia hoy ny tsaroan’i János Lakó, izay nanambady ny zanakavavin’ny Anabavy Kecskemétiné tatỳ aoriana: “Niaina ny fanandraman-javatra nahafaly nahare ny iray tamin’izany aho tany Sátoraljaújhely. Ny iray tamin’ireo fehezanteny voasoritra tato an-tsaiko dia hoe: ‘Ireo fanapahan’ny mpanjaka, demokrasia, fitondran’ny tarana-mpanjaka, ny Fasisma, ny Komonisma ary ny Nazia, sy ny ezaka hanapaka rehetra toy izany, dia hanjavona ao Haramagedona ary tsy ho ela dia hohadinoina.’ Talanjona izahay noho ilay fampisehoana tamin-kery ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tamin’ny 1945, ilay lahateny, izay nanaitra ny saiko aoka izany, izao dia toy ny faminaniana.”
Nitohy ny zava-tsarotra
Nitohy sady nihanahery vaika ny fanenjehana. Rehefa avy nitsidika ny biraon’ny Fikambanana teto Budapest ny pretra katolika iray ka nahazo ny fanazavana rehetra azony nalaina, dia nisy ezaka fanendrikendrehana nalefa an-gazety. Izany dia narahina fampitandremana avy teny ambony polipitra sy tamin’ny radio. Nanerana ilay tany manontolo, dia nalaina an-keriny ireo zavatra vita an-tsoratra, ary novelezina tamin-kabibiana ireo Vavolombelona. Tany Kisvárda, dia nisy Vavolombelona maromaro nentina tany amin’ny
lapan’ny tanàna. Nifandimby nentina tany amin’ny efitra hafa iray izy ireo, ka novelezina sy nampijalijalina tamin-kalozana. Nanao tatitra momba izany ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1938, ka nanontany hoe: “ ‘Paka’, ilay Alahady fanaovana filaharam-be. Inona no nankalazain’izy ireo tamin’io andron’ny fitsanganana amin’ny maty io? Ny fitsanganan’ny Inquisition romana ve?”Rehefa tsy nahavita nampanao izay tiany hataon’ny manam-pahefana sasany ny klerjy, dia nampiasa fomba hafa. Nanao izao tatitra izao ny Diary 1939: “Ireo namana matetika dia nokapohin’ny karin’olona, izay nisy nanambosy sy nanakarama matetika mba hanao izany, ary notenenin’izy ireo ratsy. Nanjary hitanay fa, tany amin’ny toerana sasany, ny klerjy teo an-toerana dia nanome ravim-paraky 10 kilao ho an’ny tsirairay tamin’ireo olona ireo ho valisoany, noho ireo fiampangana lainga nataony tamin’ireo zanak’Andriamanitra.”
Voarara
Tamin’ny 1938, i András Bartha, izay niasa tany amin’ny biraon’ny Fikambanana tany Magdeburg, tany Alemaina, nandritra ny dimy taona ary avy eo dia nanompo tany Tsekoslovakia tamin’izay, dia nahita fa tany amin’ny faritany hongroà no nisy ny tenany rehefa avy nalain’i Hongria ny faritany sasany tamin’i Tsekoslovakia sy i Carpatho-Ukraine. Notendrena haingana mba hikarakara ny asan’ny Fikambanana teto Hongria ny Rahalahy Bartha. Efa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina teo ambany Fitondrana Nazia. Nosakanana ny fivorian’izy ireo tany Tsekoslovakia. Avy eo, tamin’ny 13 Desambra 1939, dia norarana koa ny asan’izy ireo teto Hongria.
Tamin’io taona io ihany, dia nisy toby fihazonana roa natsangana teto Hongria, ny iray tany amin’ny 30 kilaometatra avy teto Budapest ary ilay iray hafa tao amin’ny tanànan’i Nagykanizsa, tany amin’ny faritra atsimo-andrefana amin’i Hongria, 26 kilaometatra avy teo amin’ny sisin-tanin’i Iogoslavia. Tsy ela ireo toby ireo dia feno olona nantsoin’izy ireo hoe tsy azo nianteherana — mpanao heloka bevava sy Komonista ary Vavolombelon’i Jehovah, izay nampangaina ho fandrahonana ny fitambaran’olona.
Tamin’izay fotoana izay ihany, ny mpiandraiki-draharahan’ny polisy foiben’i Budapest iray dia nandamina antoko-mpitsongo dia mba hanala sarona ny “mpitarika” ny Vavolombelon’i Jehovah sy hamakafaka ny fomba fiasan’io fandaminana tsy araka ny lalàna io sy ny fifandraisany tamin’ny any ivelany. Nanaraka izany ny fisamborana sy ny fitondrana tamin’ny fomba ratsy ara-batana sy ara-tsaina, ary ny fanaovana an-tranomaizina.
Moa ve izany rehetra izany nampijanona ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Hongria? Tsia, nefa izany dia nitaky ny hitandreman’ny mpitory tsirairay ny torohevitr’i Jesosy mba “hitandrina tahaka ny menarana, ary anefa ho tsy manan-tsiny tahaka ny voromahailala”. (Matio 10:16, NW ). Ny Diary 1940 dia manome ohatra iray ny amin’ny fomba nanehoan’ny anabavy mpisava lalana iray fitandremana. Nanao lamba mainty iray teo amin’ny lohany sy iray hafa teo amin’ny sorony izy. Rehefa avy niasa faritany iray teo amin’ny faritra iray izy, dia nahita ny iray tamin’ireo tompon-trano nanatona azy niaraka tamin’ny zandary roa. Nitady fialofana tao amin’ny lalan-kely iray ilay anabavy, nanova ireo lamba mainty nanaovany tamin’ny lamba hafa loko, ary nandroso moramora nanatona an’ireo zandary roa. Nanontanian’ireo izy raha nahita vehivavy nanao lamba mainty, ary dia namaly ilay anabavy hoe nahita iray izy, izay niharihary fa maika sy nihazakazaka tany amin’ilay lalana hafa. Lasa nihazakazaka ireo zandary sy ilay mpitsikilony mba hanatratra azy, fa ilay Vavolombelona kosa nandeha nody moramora.
Ny anabavy mpisava lalana nahatoky iray tatỳ aoriana dia nahatsiaro ny fomba nisamboran’ireo manam-pahefana, teo ambany faneren’ny klerjy, azy. Nandritra ny fotoana kelikely izy dia teo ambany fanaraha-mason’ny polisy ary voatery nanao tatitra tany amin’ny polisy indroa isam-bolana. Raha vantany vao niala tao amin’ny paositry ny polisy anefa izy, dia nitaingina ny bisikiletiny ka nankany amin’ny faritaniny mba hitory. Noho ny fikirizany hanao fanambarana, dia nampidirin’izy ireo am-ponja izy — nandritra ny dimy andro aloha, avy eo dia nandritra ny folo sy dimy ambin’ny folo ary telopolo andro, nandritra ny efapolo andro indroa, avy eo dia nandritra ny enimpolo andro sy nandritra ny zato andro indroa ary farany dia nandritra ny valo taona. Fa nahoana? Noho ny fampianarana ny Baiboly tamin’ny olona. Tahaka an’ireo apostolin’i Jesosy Kristy, dia nanaiky an’Andriamanitra nihoatra noho ny olona izy. — Asa. 5:29.
Rehefa nanjary sahirana tanteraka tamin’ny asa fandikan-teny ny Rahalahy Bartha, tamin’ny 1940 ny Fikambanana dia nanankina ny fitarihana ny asa teto Hongria tamin’i János Konrád, izay mpikarakara ny zone (mpiandraikitra ny fizaran-tany) taloha.
Toby fihazonana hafa koa
Tamin’ny Aogositra 1940, dia lasan’i Hongria ny tapany tamin’i Transylvania (Romania). Ny taona nanaraka, dia nihamafy ny fanenjehana tany amin’io faritra io. Tany Cluj, tany Transylvania, dia nisy toby fihazonana hafa iray natsangana, ary rahalahy sy anabavy an-jatony maro, tanora sy antitra, no nentina tany amin’io toby io. Tatỳ aoriana, ireo Vavolombelona tao dia nampiharana halozana be satria tsy nety nanda ny finoany ka hiverina tamin’ny fivavahany taloha, izy ireo. Rehefa tonga tany amin’ireo Vavolombelona tany ivelan’ilay toby ny vaovao momba izany, dia niray feo nivavaka ho azy ireo, ireo olo-nahatoky nanerana ilay tany manontolo. Fotoana
fohy taorian’izay, ny famotopotorana ofisialy natao tao amin’ny tobin’i Cluj dia nanala sarona ny fisian’ny fandraisana tsolotra, hany ka nafindra ilay komandà sy ny ankamaroan’ireo mpiambina, ary natao an-tranomaizina mihitsy aza ny sasany. Izany dia nitondra fanamaivanana kely ho an’ireo rahalahintsika, ary noho izany dia nanolotra fisaorana an’i Jehovah izy ireo.Nandritra izany fotoana izany, tany amin’ny faritra atsimo-andrefana amin’i Hongria, tao amin’ny toby iray teo akaikin’i Nagykanizsa, ireo mpivady dia niara-nohazonina, ary ny zanany dia nokarakarain’ny Vavolombelona mbola tsy voasambotra. Tany amin’ireo toby rehetra ireo, dia nampiharana fanerena ny vahoakan’i Jehovah. Notolorana fahafahana izy ireo, raha nanisy sonia kely fotsiny ny taratasy iray ho fandavana ny finoany sy ho fampanantenana fa hanapaka ny fifandraisana rehetra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo ary hiverina tamin’ny finoany teo aloha izay neken’ny Fitondrana.
Nanjary nihanampidi-doza kokoa ihany ny tarehin-javatra nisy ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 27 Jona 1941, rehefa niditra tamin’ny ady nifanaovana tamin’ny Firaisana Sovietika i Hongria. Izany dia nitarika ho amin’ny fitsarana maro nifandray tamin’ny
fandavana tsy hanao raharaha miaramila.Voasambotra ilay mpikarakara ilay tany
Ilay antoko-mpitsongo dia izay nifampiraharaha tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanjary nihanikofoka hatrany, nanao bemidina tao an-tokantranon’ny rahalahy maro. Naharay fampiantsoana azy matetika ny Rahalahy Konrád, nanaovana bemidina ny tokantranony, ary voatery niseho tany amin’ny polisy foibe indroa isan-kerinandro izy.
Tamin’ny Novambra 1941 izy dia namory ny mpikarakara ny zone (mpiandraikitra ny fizaran-tany) rehetra ary nilaza tamin’izy ireo fa azony antoka fa hosamborina tsy ho ela izy, ka notondroiny fa i József Klinyecz, iray tamin’ireo mpikarakara ny zone, no tokony hiandraikitra ny asa, raha sendra voasambotra izy.
Ny volana nanaraka mihitsy, tamin’ny 15 Desambra, dia nosamborina ny Rahalahy Konrád. Nandritra ny andro maromaro, dia nentina tamin-kalozana sy tamin-kabibiana tsy hay lazaina izy mba hanaovana izay hilazany ny anaran’ireo mpikarakara ny zone sy mpisava lalana, nefa tsy nahomby ireo mpampijaly azy. Farany dia natolotra teo an-tanan’ny mpampanoa lalàna izy. Taorian’izany rehetra izany, dia nosazina roa volana an-tranomaizina monja izy. Tamin’ny faran’ny saziny anefa, dia tsy nafahana izy. Nafindra tany amin’ny toby fitanana tany Kistarcsa kosa izy, satria hoe nampidi-doza ho an’ny fitambaran’olona.
Mpikarakara ilay tany roa
Nandritra izany fotoana izany, tamin’ny 1942, ny Birao Foibe Eoropeana tany Soisa dia nanendry tamin’ny fomba ofisialy an’i
Dénes Faluvégi mba hiandraikitra ny asa teto Hongria. Ny Rahalahy Faluvégi, izay sady nalemy fanahy no nahay nandefitra, dia afaka nandrisika ny hafa koa na dia izany aza noho ny zotom-pon’ny tenany manokana ho an’ny fahamarinana. Mpampianatra izy tany Transylvania ary nandray anjara lehibe tamin’ny fandaminana ny asa tany Romania taorian’ny Ady Lehibe Voalohany.Kanefa, ny Rahalahy Klinyeck, ilay mpikarakara ny zone izay nanankinan’ny Rahalahy Konrád vonjimaika ny andraikitra ny amin’ny asa raha sendra voasambotra izy, dia tsy faly rehefa nomena ny Rahalahy Faluvégi ilay fanendrena. Nihevitra izy fa tsy afaka niatrika io asa sarotra io ny Rahalahy Faluvégi.
Rahalahy be zotom-po sy herim-po foana ny Rahalahy Klinyecz, ary henjana kokoa noho ny hoe nalemy fanahy. Be zotom-po teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha izy sady fantatra tsara sy tian’ireo rahalahy nanerana ilay tany manontolo. Nanjary nizara ho andaniny roa ireo rahalahy — ny andaniny iray nanaiky ny fanendren’ny Fikambanana ny Rahalahy Faluvégi, ny ankilany nitovy hevitra tamin’ny Rahalahy Klinyecz hoe nila ny ho teo an-tanan’olona henjana ny fiandraiketana tamin’ny fotoan-tsarotra toy izany.
Ny kongregasiona sasany dia niara-notsidihin’ny mpikarakara ny zone roa — ny iray nirahin’ny Rahalahy Faluvégi, ilay iray hafa nirahin’ny Rahalahy Klinyecz. Nampalahelo fa, tamin’ny tarehin-javatra toy izany, dia tsy nampahery an’ireo rahalahy ireo mpikarakara ny zone roa, fa indraindray dia nifamaly tamin’izy samy izy kosa. Mora azo raha nampalahelo an’ireo rahalahy nahatoky izany.
Tranon-tsoavaly mpihazakazaka tany Alag
Tamin’ny Aogositra 1942, dia nanapa-kevitra ny hamarana ny fisian’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Hongria ireo manam-pahefana. Ho amin’izany zava-kendrena izany, izy ireo dia nanomana toeram-pamoriana folo izay nitondrana an’ireo Vavolombelona na lehilahy na vehivavy, na tanora na antitra. Na dia ireo olona mbola tsy vita batisa aza, nefa fantatra ho nanana fifandraisana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nentina tany amin’ireo toerana ireo.
Ny Vavolombelona avy teto Budapest sy ny manodidina azy dia nentina teo amin’ny tranon-tsoavaly mpihazakazaka iray tany Alag.
Teo amin’ny andaniny roa tamin’ilay tranon-tsoavaly, nanaraka ireo rindrina ivelany, dia nisy mololo navelatra hatorian’ireo rahalahy sy anabavy tamin’ny alina. Raha nisy te hivadika fotsiny nandritra ny alina, dia tsy maintsy nahazo lalana ofisialy avy tamin’ireo mpiambina izy. Nandritra ny andro izy ireo dia noterena hipetraka nilahatra teo ambony dabilio hazo niatrika ny rindrina, fa ireo mpiambina kosa nivezivezy teo amin’ilay tranon-tsoavaly nitondra basy nisy benitra. Tsy azo natao ny niresaka.Teo akaikin’ilay tranon-tsoavaly, dia nisy efitra kely kokoa izay nitarihan’ireo mpitsongo dia ny “fanadinadinana”, teo ambany fitarihan’i István sy i Antal Juhász, mpirahalahy ara-nofo. Nampijalijaly an’ireo rahalahy izy ireo, tamin’ny fampiasana fomba izay mampietry aoka izany ny sasany taminy ka tsy azo tononina.
Tsy notsimbinin’izy ireo koa ireo anabavy. Ny ban’ny anabavy iray dia nasesika tao am-bavany mba tsy handrenesana ireo fitarainany. Avy eo izy dia noterena hihohoka tamin’ny tany, ka nisy iray tamin’ireo mpitsongo dia nipetraka teo amboniny sy nihazona ny tongony, fa ny iray hafa kosa namely azy tsy nisy antra teo amin’ny faladiany. Re mazava tsara tao amin’ilay efitra nisy an’ireo rahalahy, ireo kapoka sy ireo kiakiakany.
“Fitsarana” tany Alag
Novitaina ireo “fanadinadinana” tamin’ny faran’ny Novambra. Tamin’io volana io, dia nisy efitra fitsarana iray namboarina an-tehaka tao amin’ny efitra fandihizan’ny hotely iray tao Alag, izay nitarihan’ny fitsaran’ny mpanampy ny komandà Heinrich Werth ny raharahan’ny 64 tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa niditra tao amin’io efitra fitsarana io izy ireo, dia nahita zavatra vita an-tsoratra, Baiboly, milina fanoratana, grafofaonina ary kapila izay notanana nandritra ireo fisavana trano.
Nosokafana ilay raharaha, tsy nisy fakana am-bavany nataon’ny mpampanoa lalàna tao amin’ny tafika na tamin’iza na iza tamin’ireo voampanga 64, na fahafahan’izy ireo hiteny tamin’ilay mpisolovava nasain’ny fitsarana hiaro azy akory. Tsy naharitra afa-tsy ora vitsivitsy monja ny fakana am-bavany an’ireo voampanga rehetra, ary ireo Vavolombelona dia tsy dia tena nomena fahafahana hiaro tena. Nanontaniana ny anabavy iray raha vonona ny handray
fiadiana izy. Hoy ny navaliny: “Vehivavy aho, ka noho izany dia tsy voatery handray fiadiana.” Tamin’izay izy dia nanontaniana hoe: “Handray fiadiana ve ianao raha lehilahy?” Hoy ny navaliny: “Hamaly izany fanontaniana izany aho amin’ny andro hahatongavako ho lehilahy!”Tatỳ aoriana, dia navoaka ny didim-pitsarana. Ny Rahalahy Bartha sy Faluvégi ary Konrád dia tokony hahantona. Ny hafa nomelohina hatao an-tranomaizina mandra-pahafatiny, ary ny hafa rehetra nosazina roa ka hatramin’ny dimy ambin’ny folo taona tao amin’ny fonja iray. Tamin’io tolakandro io ihany dia nentina tany amin’ny tranomaizin’ny tafika teo amin’ny Boulevard Margit, teto Budapest, izy ireo. Ireo rahalahy telo izay nosazina ho faty dia nanampo isa-minitra ny hovonoina, nefa iray volana katroka taorian’ny nidirany an-tranomaizina, dia tonga ny mpisolovavan’izy ireo ka nampahafantatra tamin’izy ireo fa novana ho fanaovana an-tranomaizina mandra-pahafatiny ny fanasaziana azy ho faty.
Tany amin’ireo toeram-pamoriana sivy hafa, dia notarihina tamin’ny fomba nitovy tamin’ireo nampiasaina tany amin’ilay tranon-tsoavaly tany Alag ireo fakana am-bavany. Ireo rahalahy voampanga dia nafindra tany amin’ny trano fitanana tany Vác, tany avaratr’ilay tany, tamin’ny farany.
Masera no mpiambina tranomaizina
Ireo anabavy mazàna dia nohazonina tao Budapest, teo amin’ny Lalana Conti, tao amin’ny tranomaizin’ny contre-espionnage. Ireo izay voasazy an-tranomaizina telo taona na mahery dia nafindra tany amin’ny tranomaizina ho an’ny vehivavy tany Márianosztra (I Mariantsika), vohitra iray teo akaikin’ny sisin-tanin’i Slovakia, ka ny mpiambina azy ireo tany dia masera izay nitondra an’ireo anabavintsika tamin’ny fomba faran’izay ratsy indrindra. Nentina tao koa ireo Vavolombelona izay efa tany amin’ny tranomaizina hafa taloha.
Na iza na iza tsy vonona hankato ireo fitsipiky ny tranomaizina nosoritan’ireo masera dia nampidirina tao amin’ny lakalin’ny tranomaizina. Anisan’ireny fitsipika ireny ny fanerena hiangona sy ny fiarahabana katolika hoe “Hoderaina anie i Jesoa Kristy”. Raha nomena na inona na inona ireo mpigadra, ny fisaorana dia tsy maintsy hoe “Andriamanitra anie hamaly soa anao noho izao”.
Mazava ho azy fa ireo anabavintsika nahatoky dia tsy nanaraka izany fitsipika izany. Isaky ny nanda tsy ho any am-piangonana izy ireo, dia nampidirina tao amin’ilay lakalin’ny tranomaizina nandritra ny 24 ora; tamin’ireny toe-javatra ireny no nitenenan’ireo anabavintsika hoe: “Andriamanitra anie hamaly soa anao noho izao.” Tsy navela hahazo ireo tombontsoa nahazatra rehetra koa ireo Vavolombelona, toy ny fahazoana fonosan’entana sy ny fifanoratana tamin’ny havana ary ny fahazoana mpitsidika. Vitsivitsy ihany no nanaiky lembenana mba handosirana zava-tsarotra hafa koa. Rehefa afaka kelikely anefa, ho an’ireo nahatoky, dia nisy fihenana teo amin’ilay fomba henjana nitondrana azy ireo.
Ny toby fitanan’i Bor
Tamin’ny fahavaratry ny taona 1943, ireo rahalahy latsaka ny 49 taona avy tany amin’ny tranomaizina rehetra teto dia novorina tao amin’ny iray tamin’ireo tanàna ambanivohitra ka nomena baiko hanao raharaha miaramila. Ireo rahalahy nahatoky, na dia nampiharana halozana indray aza, dia nitoetra ho mafy orina ka nanda, ary tsy nety nanao koa ilay akanjo miaramila natolotra azy. Nisy sivy tamin’ilay antokon’olona anefa nanao ilay fianianan’ny miaramila ka nanaiky ireo fanamiana. Tsy nitondra fanamaivanana ho azy anefa ny fanekeny lembenana. Ireo 160 rehetra nangonina teo, anisan’izany ireo mpivadika sivy, dia nafindra tany amin’ny toby fitanana tany Bor (Serbia). Roa taona tatỳ aoriana, ny iray tamin’ireo mpivadika ireo, nitondra basy, dia hatsatra sady nangovitra rehefa nahita ny tenany anisan’ny antoko-miaramila iray notendrena hamono, ankoatra ny hafa koa, ny rahalahin’ny tenany ara-nofo, izay Vavolombelona nahatoky.
Teny an-dalana ho any amin’ilay toby sy tao anatiny, dia nahita fanandraman-javatra namaivay ireo rahalahy. Ny komandàn’ilay toby anefa mazàna dia tsy nanizingizina ny hampanao an’ireo rahalahy asa nifanipaka tamin’ny feon’ny fieritreretany. Indray mandeha, rehefa nampiasa fampijalijaliana ny sasany tamin’ireo miaramila mba hitadiavana hanery an’ireo Vavolombelona handika ny feon’ny fieritreretany, dia niala tsiny mihitsy aza ilay komandà.
I Károly Áfra, rahalahy iray eo amin’ny fahafitopolo taonany ary mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ihany, dia
mitantara toy izao: “Nisy fanandramana handrava ny finoanay, nefa nitoetra ho tsy nihozongozona izahay. Indray mandeha izahay dia nasaina nanamboatra fametraham-basy tamin’ny rihibato. Rahalahy roa no nofantenana mba hanao ilay asa. Nanda izy ireo ary nilaza fa ny nanaovana azy ireo an-tranomaizina dia noho izy ireo tsy nanao na inona na inona nifandray tamin’ny ady. Nilaza tamin’izy ireo ilay manamboninahitra fa raha tsy niasa izy ireo, dia hasainy hovonoina ho faty. Nentin’ny miaramila iray tany ambadik’ilay tendrombohitra ny iray tamin’ireo rahalahy, ary dia nisy poa-basy re. Nitodika tany amin’ilay rahalahy hafa ilay manamboninahitra hoe: ‘Maty izao ny rahalahinao, nefa mbola afaka mieritreritra ianao.’“Izao no valin-tenin’ilay rahalahy: ‘Raha nanaiky ho faty noho ny finoany ny rahalahiko, nahoana aho no tsy hanaiky?’ Nandidy an’ilay miaramila hafa hitondra an’ilay rahalahy ‘voatifitra’ hiverina ilay manamboninahitra ary nikapokapoka ny lamosin’ilay iray hafa ka nanao hoe: ‘Mendrika ny ho velona ny lehilahy be herim-po toy izao’, ary dia nampandefa azy ireo.”
Fantatr’ireo rahalahy fa ny antony naha-mbola velona azy ireo dia mba ho Vavolombelon’i Jehovah. Nisy mpigadra hafa an’arivony maro tao amin’ny tobin’i Bor, ary ireo Vavolombelona dia nanao fanambarana lalina momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany tamin’ny maro tamin’izy ireo. Nanerana ilay tany manontolo nandritra ireny taona sarotra ireny, ny Vavolombelon’i Jehovah — na tany an-tranomaizina izy ireo, na tany amin’ny toby fitanana, na tany an-toeran-kafa — dia nahay nanararaotra ireo fahafahana hanao fanambarana. Nahita olona nanana fironana tsara izy ireo hatraiza hatraiza, na dia teo amin’ireo manam-pahefana ambony aza, dia olona izay talanjona noho ny amin’ny fiaretan’ireo Vavolombelona tamin-kerim-po. Ny manamboninahitra sasany aza nampirisika azy ireo hoe: “Enga anie ianareo ka hanohy hiaritra ao amin’ny finoanareo.”
Ireo Vavolombelona dia efa tao Bor tao anatin’ny toe-javatra nampidi-doza sady nisedra, nandritra ny 11 volana, rehefa nanomboka ny tsaho hoe nisy mpiady nafana fo nikasa hanafika ilay vohitra. Noraisina ny fanapahan-kevitra hamoaka ny olona tao amin’ilay toby. Rehefa ren’ireo Vavolombelona, roa andro talohan’ilay fiaingana nokasaina hatao, fa ho voatery hanao ilay dia an-tongotra izy ireo, dia nanomboka nanamboatra sarety nisy kodiarana roa
sy efatra avy hatrany izy ireo. Tamin’ny fotoana niaingana, dia efa nanana sarety be dia be aoka izany izy ireo, hany ka tonga nijery, talanjona, ny zava-bitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo manamboninahitra sy miaramila ary mpigadra hafa.Talohan’ny nitondrana azy ireo teny amin’ny lalana (niaraka tamin’ny mpigadra jiosy 3 000), ny rahalahy tsirairay dia nomena mofo iray kilao latsaka fahefany sy kaonserva trondro dimy, izay zara raha ampy akory ho an’ilay dia. Nanome izay tsy nomen’ireo manamboninahitra anefa i Jehovah. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny alalan’ireo mponina serba sy hongroà teo amin’ilay faritany nandalovan’izy ireo. Faly nanome azy ireo izay mofo azony notahirizina izy ireo. Nanangona izany mofo izany ireo rahalahy, ary nandritra ny fiatoana iray, dia nizara azy io tamin’ny fomba tsy niangatra aoka izany, hany ka nahazo tapany iray ny tsirairay, na dia sombiny kely fotsiny aza. Na dia mpigadra an-jatony maro aza no natolotra teo an-tanan’ireo miaramila alemanina mba hovonoina teny an-dalana, ny tanam-piarovan’i Jehovah dia teo amin’ireo Vavolombelona.
Voatsapa indray ny tsy fivadihana
Tany amin’ny faramparan’ny taona 1944, rehefa nihananatona ny tafika sovietika, dia nasaina nandroso nankany amin’ny sisin-tanin’i Aotrisy-Hongria ireo Vavolombelona. Hitan’ireo Vavolombelona fa tany an’ady avokoa ny vatan-dehilahy natanjaka, ka nanampy an’ireo vehivavy teo amin’ilay faritra mba hanao ny asa mafy teny amin’ny sahany, izy ireo. Tany amin’izay nilasiany, ireo rahalahy dia nanararaotra ny fahafahana hanao fanambarana.
Tamin’ny Janoary 1945, ilay komandà dia nampahafantatra an’ireo Vavolombelona fa ny lehilahy rehetra afa-niasa dia tokony hiseho tany amin’ny lapan’ny tanànan’i Jánosháza. Avy teo ny manamboninahitra alemanina iray dia nitondra azy ireo tany ivelan’ilay vohitra mba handavaka hady fiarovana. Rehefa nanda ireo enina voalohany voafantina, dia nandidy avy hatrany ilay manamboninahitra hoe: “Vonoy ho faty ireo!” Nalahatra ireo rahalahy enina, nijoro ireo miaramila hongroà nitana basy vonon-kitifitra raha vao tonga ny baiko, ary ireo rahalahy 76 hafa nitazana. Nampirisika moramora toy izao an’ireo rahalahy nitazana ny iray tamin’ireo
miaramila hongroà: “Mankanesa eny ary atsipazo amin’ny tany koa ny fiasanareo, raha tsy izany dia hotifiriny izy ireo.” Nanaraka ny toroheviny avy hatrany izy ireo. Very hevitra aoka izany ilay manamboninahitra alemanina, hany ka tamin’ny voalohany dia nitanàka teo fotsiny izy, tsy nino. Avy eo, dia hoy izy nanontany: “Tsy mety miasa koa angaha ireo?” Namaly tamin’ny teny alemanina ny Rahalahy Bartha hoe: “Te hiasa izahay ka, saingy tsy afaka manao asa mifanipaka amin’ny finoanay. Ilay serizà eto itỳ dia afaka manamarina fa nanao ny zavatra rehetra tamin’ny fahamalinana sy ny fahaizana tratran’ny ainay izahay, ary mbola manao toy izany ihany, fa itỳ asa eritreretinao hataonay itỳ kosa tsy hataonay.”Hoy ny tsaroan’ny iray tamin’ireo rahalahy ireo tatỳ aoriana: “Nanambara avy eo ilay manamboninahitra fa hosamborina daholo izahay rehetra, zavatra izay nampihomehy ihany, raha ny tena izy, satria efa mpigadra daholo tsinona izahay rehetra teo.”
Mpihazona tsy fivadihana hafa koa
Toy ireo rahalahy voatonona teo aloha ireo, dia nisy rahalahy sy anabavy an-jatony maro hafa nanerana an’ilay tany nanao io ady ho an’ny finoany io ihany, tany amin’ny toby fitanana sy tranomaizina maro hafa.
Tamin’ny lohataonan’ny taona 1944, rehefa nentina avy tany amin’ny toby fihazonana tany Nagykanizsa ho any amin’ireo toby tany Alemaina ny Jiosy maro, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah roa anisan’izy ireo, dia i Éva Bász, 20 taona, sy i Olga Slézinger, 45 taona, izay samy Jiosy tamin’ny nahaterahany. Samy mpivavaka tamin’i Jehovah Andriamanitra be zotom-po sady nadio am-po izy mirahavavy. Ny Anabavy Bász dia ankizivavy narefo dia narefo, nefa efa nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana izy talohan’ny nisamborana azy. Teny amin’ny fanompoana tany Dunavecse izy no nosamborin’ny polisy ka nentiny tany amin’ny lapan’ny tanàna.
Noho ny famokisan’ny ben’ny tanàna, dia nentina tamin’ny fomba nampietry izy. Hoy ny tsaroan’ny Anabavy Bász: “Nokakasana ny voloko rehetra; voatery nijoro nitanjaka teo anoloan’ny polisy folo na roa ambin’ny folo aho. Avy eo dia nanomboka fanadinadinana izy ireo ary naniry hahafantatra hoe iza no mpitarika anay tany Hongria. Nohazavaiko fa tsy nanana mpitarika hafa ankoatra
an’i Jesosy Kristy izahay.” Fivelezana tsy nifaditra ovana tamin’ny hazony no nasetrin’izy ireo izany. Tapa-kevitra ny tsy hamadika an’ireo anadahiny kristiana anefa ny Anabavy Bász.Hoy ny tsaroany manaraka: “Niara-nofatoran’ireny olona tsy manjary ireny teo ambony lohako ny tanako sy ny tongotro, ary nampietry ahy izy rehetra tamin’ny fisavihana ahy, dia izy rehetra afa-tsy ny iray tamin’ireo polisy. Nofatoran’izy ireo mafy aoka izany aho, hany ka mbola nisy marika teo amin’ny hatotanako rehefa tonga teto Soeda aho, telo taona tatỳ aoriana. Nentina tamin’ny fomba ratsy aoka izany aho, hany ka nafenin’izy ireo tao anaty lakaly nandritra ny tapa-bolana, mandra-pahasitran’ireo ratra ratsy indrindra. Tsy sahy namela olon-kafa hahita ny nanjo ahy izy ireo.” Nalefa tany amin’ny tobin’i Nagykanizsa ny Anabavy Bász ary avy tany, niaraka tamin’ny Anabavy Slézinger, dia tany Auschwitz.
Hoy ny tohin’ny teniny: “Nahatsiaro ho voaro aho niaraka tamin’i Olga; afaka ny ho be vazivazy izy tao anatin’ny tarehin-javatra nisedra. Ny asan’ny Dokotera Mengele dia ny nanavaka an’ireo vao tonga tsy afaka niasa, tamin’ireo natanjaka. Iretsy voalohany dia nalefa tany amin’ny chambres à gaz. Rehefa tonga ny anjaranay, dia hoy izy tamin’i Olga: ‘Firy taona ianao?’ Sady feno hasahiana izy no nisy namirapiratra feno vazivazy teo amin’ny masony, ary namaly hoe: ‘Roapolo.’ Raha ny tena izy dia avo roa heny noho izany ny taonany. Nihomehy anefa i Mengele ka namela azy ho eny amin’ny ankavanana mba ho velona ihany.”
Nisy kintana mavo nahafantarana azy ireo ho Jiosy nozairina teo amin’ny akanjony, nefa nanohitra izy ireo, ka nanizingizina hoe Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Norovitiny ireo kintana mavo ary nangataka ny hanjairana telozoro volomparasy teo amin’ny akanjony mba hahafantarana azy ho Vavolombelon’i Jehovah, izy ireo. Na dia novelezina mafy noho izany aza izy ireo, dia namaly hoe: “Ataovy aminay izay tianareo hatao, fa hitoetra ho Vavolombelon’i Jehovah foana izahay.”
Tatỳ aoriana dia nentina tany amin’ny toby fitanana tany Bergen-Belsen izy ireo. Tokony ho tamin’io fotoana io no nipoahan’ny valanaretina tefoedra tao amin’ilay toby. Nanjary narary aoka izany ny Anabavy Slézinger, ka nesorina tamin’ilay toby niaraka tamin’ny maro hafa, ka tsy hita intsony mihitsy. Fotoana fohy taorian’izay,
dia nafahan’ny tafika britanika io faritany io. Nentina tany amin’ny hopitaly iray ny Anabavy Bász, ary rehefa afaka izany dia nifindra honina tany Soeda izy, ka tany dia nifandray haingana tamin’ireo rahalahy.Maro tamin’ireo rahalahy izay natao an-tranomaizina tany Hongria no natao sesitany tany Alemaina tatỳ aoriana. Ny ankamaroan’ireo dia niverina taorian’ny ady, nefa tsy ny rehetra. I Dénes Faluvégi dia iray tamin’ireo maty fony notaterina avy teo amin’ny toby fitanana tany Buchenwald nankany amin’ilay tany Dachau. Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny 30 taona mahery izy.
Vavolombelona nahatoky hatramin’ny fahafatesana
Rehefa nofoanana ny tobin’i Nagykanizsa tamin’ny fararanon’ny taona 1944, dia nafahana ireo Vavolombelona izay mbola tsy natao sesitany tany Alemaina. Kanefa, noho ny vava ady tsy namela azy ireo hiverina hody, dia nanapa-kevitra ny hiasa teo amin’ireo toeram-piompiana manodidina izy ireo mandra-pihatsaran’ny tarehin-javatra. Avy eo, tamin’ny 15 Oktobra 1944, ny Nyilaskeresztes Párt (antokon’ny Vokovoko Zana-tsipìka), notohanan’ny antoko nazia alemanina, dia nandray ny fahefana ary avy hatrany dia nanomboka niantso an’ireo zatovolahy ho amin’ny raharaha miaramila.
Tsy ela ireo rahalahy dia nosamborina indray noho ny fialanalanany. Ny dimy tamin’ireo rahalahy tanora voasambotra dia nentina tany Körmend, tokony ho folo kilaometatra avy teo amin’ny sisin-tanin’i Aotrisy, izay nitarihana tribonaly miaramila tao amin’ny trano sekoly teo an-toerana. Ny voalohany notsaraina dia i Bertalan Szabó, izay nosazina hovonoin’ny antoko-mpitifitra ho faty. Talohan’ny namonoana azy ho faty izy dia nanoratra taratasy fanaovam-beloma iray nampihetsi-po, izay azonao vakina ao amin’ny boky Les Témoins de Jéhovah: Prédicateurs du Royaume de Dieu, pejy 662. Taorian’izany, ny rahalahy roa hafa, i János Zsondor sy i Antal Hönis, dia nentina teo anatrehan’ilay tribonaly. Nitoetra ho hentitra koa izy ireo, ary dia novonoina ho faty koa.
I Sándor Helmeczi dia natao an-tranomaizina tamin’io toerana io ihany. Hoy ny tsaroany: “Tamin’ny ora voafaritra iray tamin’ny andro, dia nomena lalana izahay hampiasa ny trano fivoahana tao
an-tokotany. Namboarin’izy ireo indray ny fandaharana mba hahitanay izay nitranga. Te hilaza izy ireo tamin’izany hoe: ‘Izao dia fantatrareo izay hanjo anareo koa.’ Tena fotoana nampalahelo be taminay tamin’izay — ny nahita an’ireo rahalahy malalanay nidaraboka tsy nisy aina. Avy eo dia nentina niverina tany amin’ny cellules-nay izahay.“Rehefa afaka folo minitra, dia nantsoina hivoaka izahay, ary nasaina namafa ny ran’ireo rahalahinay. Tamin’izay dia hitanay akaiky izy ireo. Tsy niova fa tena toy ny nahazatra ny tarehin’i János Zsondor. Tsy nampiseho soritry ny tahotra ny tarehiny nitsiky sy sariaka ary naneho fahalemem-panahy.”
Tamin’izay fotoana izay ihany, ny rahalahy hafa iray, i Lajos Deli, 20 taona, dia nahantona ampahibemaso teo amin’ny tsenan’i Sárvár, tokony ho 40 kilaometatra avy teo amin’ny sisin-tanin’i Aotrisy. Tamin’ny 1954, ny manamboninahitra taloha iray, vavolombelona nahita maso izany, dia nahatsiaro toy izao izay nitranga tamin’io andro io:
“Nisy maro taminay, lehilahy sivily sy miaramila, nandositra niankandrefana. Namakivaky an’i Sárvár izahay, ka nahita ireo hazo fanantonana natsangana teo amin’ny tsena. Nisy tovolahy iray, izay nahafinaritra be sy tony ny tarehiny, nijoro teo ambanin’ireo hazo fanantonana. Rehefa nanontany ny iray tamin’ireo mpijery aho hoe inona no nataon’ilay tovolahy, dia nilazana fa nanda tsy handray fiadiana na angady izy. Nisy miaramila zazavao maromaro avy tamin’ny antokon’ny Vokovoko sy Zana-tsipìka nanodidina teo, nitondra basy marovava. Nahare ny rehetra, rehefa nilaza tamin’ilay tovolahy ny iray tamin’izy ireo hoe: ‘Izao no fahafahana farany anananao, raiso itỳ, raha tsy izany dia hahantonay ianao!’ Tsy namaly ilay zatovolahy; tsy taitra akory izy na dia kely aza. Avy eo, tamin’ny feo hentitra, dia hoy izy: ‘Alefaso, afaka manantona ahy ianareo, fa aleoko mankato an’i Jehovah, Andriamanitro, toy izay hankato olona tsotra.’ Nahantona izy avy eo.”
Araka ny Diary 1946, dia Vavolombelona 16 no novonoina teo anelanelan’ny 1940 sy 1945 noho ny feon’ny fieritreretany nanohitra ny raharaha miaramila; 26 hafa no maty noho izy ireo nentina tamin’ny fomba nampijaly. Toy ny Tompony, izy ireo dia nandresy izao tontolo izao tamin’ny finoany.
Fiaingana vaovao taorian’ny ady
Ny ankamaroan’ireo rahalahy izay niverina nody, dia nanao izany tao anatin’ny tapany voalohan’ny taona 1945. Tsy nitsahatra nanao fanambarana momba ny fahamarinana mihitsy izy ireo, na dia tsy afaka niasa tamin’ny fomba voalamina aza nanomboka tamin’ny 1942. Tamin’ny faran’ny taona 1945 anefa, dia efa nisy 590 namerina tatitra indray. Ny taona nanaraka, io isa io dia niakatra ho 837, izay tampon’isa ary nihoatra noho ny tamin’ny fotoana inona na fotoana inona talohan’ny ady.
Ny fihilangilanana ara-toe-karena faran’izay ratsy nanaraka ny ady dia nanome enta-mavesatra lehibe ho an’ny rehetra. Nitombo avo roa heny tao anatin’ny adiny iray ny vidin-javatra indraindray. Tena nilaina ny namaritra ny vidin-javatra araka ny sakafo, ary ny fototra niaingana dia atody iray. Ohatra, rehefa nanome saran’ny zavatra vita an-tsoratra ho an’ny biraon’ny Fikambanana ireo rahalahy, dia nanao izany tamin’ny fitondrana sakafo tany — atody, menaka fanendasana, lafarinina sy ny sisa. Ireo zavatra ireo, avy eo, dia tsy maintsy notahirizina sy namidy. Ny faktioran’ny taratasy sy ny fanaovana pirinty dia naloa sakafo matetika. Nisy fanamaivanana tonga tamin’ny 20 Aogositra 1946, rehefa nisy vola vaovao nanomboka nampiasaina. Nampahery lavitra noho izany anefa ireo gony maro feno akanjo sy ireo sakafo sesehena nalefan’ireo rahalahinay kristiana avy tany amin’ny tany hafa, ho fanomezana.
Tsy ela dia nanjary azo natao ny nanao fivoriana lehibe tsy an-kiafina teto Hongria mihitsy. Tamin’ny 1945, tamin’ny lahateny ampahibemaso iray natao tao Sárospatak, dia maherin’ny 500 no nanatrika. Diboky ny hafaliana ireo rahalahy. Tamin’ny Oktobra 1946, dia nisy fivoriambem-pirenena natao tao Nyíregyháza, ka 600 no nanatrika. Tamin’ny 1947, dia nisy fivoriambem-pirenena hafa iray natao — tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia teto Budapest renivohitra. Ny lalambim-panjakana hongroà dia nanome fihenam-bidy 50 isan-jato mihitsy aza ho an’ireo nandeha tamin’ny fiarandalamby manokana ho any amin’ilay fivoriambe, dia fiarandalamby nisy soratra hoe: “Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah”. Ny mpanatrika tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia nahatratra 1 200. Tamin’io taona io ihany, dia nisy villa iray novidina teto Budapest mba hampiasaina ho biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower.
Ny fanenenan’i József Klinyecz
Mety ankehitriny ny manonona indray an’i József Klinyecz, izay, na dia be zotom-po teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha aza, dia niteraka fisarahana lehibe teo amin’ireo rahalahy tamin’ny 1942 noho ny fihetsiny tsy nahay nilefitra. Taorian’ny ady izy dia nandefa tany amin’ny foiben’ny Fikambanana tany Brooklyn, taratasy valo pejy izay niampangany ny Rahalahy Konrád sy Bartha. Tao amin’ny valin-teniny, ny Rahalahy Knorr, izay prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, dia nampiseho tamin’i Klinyecz fa efa nandeha indray izao ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana teto Hongria ka haneho fahendrena izy raha nandray anjara tamin’izany, fa tsy nandany ny fotoanany hanoratana fiampangana momba ny rahalahiny. “Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon’ny hafa?”, hoy ny nanontanian’ny Rahalahy Knorr, nilaza ny Romana 14:4.
Rehefa avy nieritreritra momba izay novakiny i József Klinyecz, dia nankany amin’ny Rahalahy Konrád ka nanao hoe: “Naharay ny taratasin’ny Rahalahy Knorr aho, ary nisy vokany lalina teo amiko ny famakiana ilay izy. Nandinika ny lalana narahiko hatramin’izao aho ary nieritreritra indray momba ny fiainako manontolo. Nangataka famelan-keloka tamin’i Jehovah tamin’ny vavaka aho, ary izao aho dia tonga eto aminao mba hangataka anao mba hamela ny heloko koa, raha afaka ianao!” Hoy ny navalin’ny Rahalahy Konrád tamim-pitiavana: “Raha namela ny helokao i Jehovah, iza moa izahay no tsy hamela ny helokao?”
Tamin’izay, ny Rahalahy Klinyecz dia nanomboka nitomany. Niaiky izy fa efa nihamafy aoka izany ny fony, hany ka, talohan’io, raha nisy iray tamin’ireo rahalahy nanatona azy toy ny nataony izao, dia ho noroahiny tamin’ny tranony. Hafa toy inona sady namelombelona toy inona moa ny fomba nandraisana azy! Taorian’io avy hatrany, ny Rahalahy Klinyecz dia nanomboka indray ny fanompoana teny amin’ny saha, ary tatỳ aoriana izy dia nirotsaka hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana. Amin-katsaram-panahy sy amim-pamindram-po toy inona moa no ifampiraharahan’i Jehovah amin’ireo izay miverina aminy amim-pibebahana ka mandeha amin’ny lalany! — Isaia 55:6, 7.
Rivo-piainana ara-politika niova
Tamin’ny 1948, ny Antoko Komonista dia nandray niandalana ny fahefana teto Hongria. Tamin’io taona io, ireo Vavolombelona dia mbola afaka nanao ireo fivoriamben’ny fizaran-taniny, saingy tao anatin’ny toe-javatra sarotra matetika. Diniho izay nitranga nifandray tamin’ilay fivoriambe natao tao amin’ny tranom-pokonolon’i Sátoraljaújhely.
Nikasa ny hampiely ny feon’ilay fandaharana, tsy tao amin’ilay efitra lehibe fotsiny, ireo rahalahy, fa teo amin’ilay kianja teo anoloan’ilay trano koa. Teo am-pitsapana ireo fanamafisam-peony tany ivelany izy ireo dia nampandre momba ilay lahateny ampahibemaso. Teo no ho eo ilay rahalahy tompon’andraikitra ny amin’ny fandaminana ilay fivoriambe dia nampiantsoina tany amin’ny efitra fandraisam-bahinin’ireo manamboninahitra tao amin’ny polisy. Hoy ny nohazavain’i János Lakó tamin’izy ireo: “Hanao fivoriamben’ny fizaran-tany izahay, ka noho izany dia nampandre ny amin’ilay lahateny ampahibemaso. Efa nampahafantatra taminareo ny amin’izany tany amin’ny paositry ny polisy izahay.” Hoy ny navalin’ilay polisy: “Tamin’izay ange anefa ianareo tsy nanonona ny amin’ireo fanamafisam-peo e. Esory izao dia izao ihany izy ireo!”
Rehefa nitantara tamin’ireo rahalahy hafa izay nolazaina taminy sy ny toe-javatra nanaovana izany ny Rahalahy Lakó, dia hoy ny natoron’izy ireo: “Ianao no nandrarana azy, koa aza manao na inona na inona ianao. Fa izahay kosa afaka manandrana zavatra iray. Polisy iray no nandrara ilay izy, fa iza kosa no mahalala raha hanome lalana ny iray hafa.”
Tamin’izay izy ireo dia nanoratra fangatahana nasiany kopia iray, momba ny fampiasana ireo fanamafisam-peo tany ivelany ka nanolotra ilay izy tany amin’ny paositry ny polisy. Ilay polisy mpiandry raharaha dia nanandrana nifandray an-telefaonina tamin’ireo lehibeny, fa tsy nisy vokany. Nilaza taminy ireo rahalahy fa ampy ny mampirina azy io sy ny manisy tombo-kase ny kopian’izy ireo. Izany àry no nataony.
Araka ny nampoizina, dia nisy polisy niseho nandritra ny lahateny ampahibemaso ary nanome baiko an’ireo rahalahy mba hanala ireo fanamafisam-peo.
“Nahoana izahay no hanao izany, nefa izahay manana fanomezan-dalana?”
“Aiza ilay izy?”, hoy ny nanontanian’ireo polisy.
“Any amin’ilay mpandamin-draharaha.”
“Asaivo mankatỳ izy.”
Hita izy, ka nampiseho ilay fanomezan-dalana tamin’ireo polisy. Nijoro teo kelikely izy ireo ary nihaino ilay lahateny. Feno hipoka ilay efitra ary maro hafa no nahare azy io tamin’ny alalan’ireo fanamafisam-peo tany ivelany. Nandeha tsara daholo ny zava-drehetra tamin’iny andro iny. Na dia izany aza, dia nisy zava-nanahirana mafy kokoa niandry anay.
Nomena anarana hafa
Talohan’ny ady, ireo gazety dia namerimberina niantso ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Komonista” na hoe ireo izay “manomana ny lalan’ny Komonisma”. Kanefa, rehefa teo amin’ny fahefana ny Antoko Komonista, dia tsy nahatratra ny zava-kendren’ireo mpanohitra intsony ny anarana toy izany. Araka izany, tamin’ny 1949 dia nisy lahatsoratra nivoaka saika isan-kerinandro niampanga azy ireo ho “mpikarama an’ady ho an’ny imperialisma amerikana” izay nahazo famatsiam-bola avy tamin’i Etazonia.
Tamin’ny 1950, ireo Komonista sy ny klerjy ary ny fampahalalam-baovao dia nifarimbona mba hanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahare matetika tamin’ireo olona liana ireo rahalahy fa, rehefa nilaza tamin’ny momperany izy ireo hoe handao ny eglizy tamin’ny fomba ofisialy, dia hoy ilay anisan’ny klerjy: “Ahoana hoe? Iraky ny imperialisma ny Vavolombelon’i Jehovah, dia te hiaraka aminy ve ianareo?” Nanjary mateti-pitranga ny fisamborana — 302 tamin’io taona io. Tsy azo natao ny lahateny ampahibemaso afa-tsy tamin’ny fandevenana, nefa nisy 72 tamin’izany tao anatin’ny taona. Na dia teo aza ny zava-nanahirana, dia nahavita nanao tatitra momba ny tampon’isan’ny mpitory 1 910 ireo rahalahy.
Voasambotra indray ireo mpiandraikitra lehibe indrindra
Avy eo, tamin’ny 13 Novambra 1950, dia nisy mpitsongo dia tonga tao amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana teto Budapest ary nanao fisavana. Nanakorontana entana aoka izany izy ireo,
hany ka toy ny sahan’ady ny fahitana ireo birao. Ny mpiandraikitra ny sampana, i János Konrád, sy ilay mpandika teny, i András Bartha, ary koa ny mpikarakara ny fizaran-tany iray, i János Lakó, dia nosamborina niaraka tamin’ny rahalahy efatra hafa ary nentina tany amin’ny tranomaizina teo amin’ny 60 Lalana Andrássy.Hoy ny nosoratan’i János Konrád momba izany: “Tamin’ny fakana am-bavany tany, dia tsy nampiasa fampijalijaliana ara-batana be dia be sy nanaintaina toy ny tamin’ireo fakana am-bavany nataon’ny polisy izy ireo, nefa ny fanasana atidoha sy ny fampijalijaliana ara-tsaina tamin’ny misasakalina indraindray dia ratsy kokoa noho ilay fampijalijaliana ara-batana.
“Natao tamin’ny 2 Febroary 1951 ny fitsarana anay. Ny fiampangana: ‘Fiaraha-mitarika fandaminana iray mikendry ny hanongana ny Governemanta sy ny fitambaran’olona, sy fivadihana’. Ilay prezidàn’ny tribonaly, ny Mpitsara Jónás (izay tao anatin’ny horohoro aoka izany nandritra ilay contre-révolution naharitra dimy taona tatỳ aoriana, ka namono tena), dia nanasazy dimy ka hatramin’ny fito taona an-tranomaizina, ny fito taminay. Niharihary fa efa nalamina mialoha io sazy io, satria tsy nisy fifampidinihana na dia kely aza, ary talohan’izay, nandritra ny iray tamin’ireo fakana am-bavany, dia efa nilazan’ny iray tamin’ireo nanadina azy ny rahalahy iray hoe: ‘Hataonay am-ponja folo taona ianareo, ary rehefa tapitra ireo folo taona ireo, dia ho matanjaka kokoa noho ny ankehitriny ny Repoblikan’ny Vahoakanay, ary ny vahoaka dia ho efa voaofana amin’ny tsangan-kevitra filamatray, sy ho vita fanefitra amin’ny fiezahanareo hitaona azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly. Amin’izay dia ho afaka hanafaka anareo izahay.’ ”
Hoy ny tohin’ny tenin’ny Rahalahy Konrád: “Nalefa tany amin’ny tranomaizina tany Vác, tany avaratr’i Budapest, izahay. Fifaliana ho anay rehetra anefa ny nampiarahana anay tao amin’ny cellule iray ihany. Ela ny ela ka afaka nifanakalo hevitra sy fanandraman-javatra izahay! Nandany ny andro tamin’ny fanarahana fandaharam-potoana iray izahay, ka nanomboka tamin’ny teny natao hovakina ho an’ny andro, izay nifandimbasanay nomanina. Tsy nanana Baiboly akory izahay; na dia izany aza, dia nanomboka ‘namaky’ ny Baiboly hatrany am-boalohany izahay tamin’ny filazana ireo andalan-teny tadidinay. ‘Namaky’ lahatsoratra tao amin’ny Ny
Tilikambo Fiambenana tamin’izany fomba izany koa izahay. Ary nivavaka isan’andro izahay mba hanampian’i Jehovah an’ireo rahalahinay tany ivelany mba hitoerany tsy hihozongozona.“Tsy nitoetra niaraka ela be anefa izahay, satria nosarahina ary nampiarahina tamin’ny mpigadra teo amin’izao tontolo izao — satria nanatsoaka hevitra ireo manam-pahefana fa raha nitoetra niaraka izahay, dia hifanatanjaka teo amin’ny finoanay ary tsy ‘hivoatra’ mihitsy. Tatỳ aoriana dia nampiarahina indray izahay, ka tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia noho izy ireo natahotra sao hampiaiky an’ireo mpiray cellule taminay ny amin’ny fahamarinan’Andriamanitra izahay. Niverimberina nandritra ny fotoana manontolo nanaovana an-tranomaizina anay io paikady io.”
Nanomboka niasa ny komity vaovao iray
Tamin’ny lohataonan’ny 1953, dia saika ny rahalahy matotra rehetra nanankinana andraikitra no voasambotra. Natao tampoka, tsy nampoizina, nandritra ny fanaovana bemidina ny tranon’ireo rahalahy, ireo fisamborana. Tena nilaina ny fandaminana tanteraka indray ny asa teto Hongria. Mpiandraikitra ny fizaran-tany telo izao no nanompo tao amin’ilay komity vaovao: i Zoltán Hubicsák sy i József Csobán ary i György Podlovics.
Tamin’ny Novambra 1953, ireo mpikambana telo tao amin’io komity io dia nosamborina ary nentina tany amin’ny tranomaizim-panjakan’i Békéscsaba. Tena mahagaga fa nafahana izy ireo rehefa afaka folo andro. Tatỳ aoriana vao fantatra hoe niforitra noho ny fanerena i József Csobán ka nanaiky hiara-miasa tamin’ireo manam-pahefana. Kanefa dia nalamina indray ilay komity: nisolo toerana an’i József Csobán, izay nanjary mpikarakara ny distrika, i Mihály Paulinyi.
Ny iray tamin’ireo andraikitra lehibe indrindran’ilay komity dia ny handika ireo lahatsoratra natao hianarana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny hahazo antoka fa nisy kopia iray tamin’ny tsirairay taminy tonga tany amin’ny fizaran-tany tsirairay. Nanao kopia azy io avy eo ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany ka nanome kopia iray ho an’ny kongregasiona tsirairay.
Fanampin’izany, dia tsy maintsy tonga tany amin’ireo rahalahy nohazonina tany amin’ireo toby fanaovana asa an-tery vozona koa
ilay sakafo ara-panahy. Angamba ny nalaza indrindra tamin’ireo toby fanaovana asa an-tery vozona dia i Tólápa, toeram-pitrandrahana arintany tany amin’ny faritra avaratra amin’ilay tany. Nisy 265 ny tampon’isan’ireo rahalahy nasain’ireo manam-pahefana niasa tany. Tany amin’ireo toeram-pitrandrahana, ireo rahalahy dia niara-niasa tamin’ireo mpiasa ara-dalàna tao, ka ny maro tamin’ireto dia nanana fironana tsara teo anatrehan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampiditra zavatra vita an-tsoratra an-tsokosoko izy ireo ary namoaka tatitra an-tsokosoko, ho azy ireo.Tanjona lehibe roa no nokatsahin’ireo fahavalonay nandritra ireny taona ireny — ny hanery an’ireo Vavolombelona hanaiky hanao raharaha miaramila sy ny hanery azy ireo hiditra tao amin’ny Fikambanan’ireo Fiangonana Afaka. Tsy nahavoa na tamin’iza na tamin’iza tamin’ireo tanjona ireo izy ireo, hany ka nanandrana tetika hafa iray.
Teny nalefaka tany an-tranomaizina
Tamin’ny 1955, i János Lakó dia nafindra tao amin’ny cellule-n’i János Konrád indray. Nisy olona nantsoina hoe Atoa Szabó nanatona ny Rahalahy Lakó ka nanao fanipazan-kevitra sasany taminy. “Tsy nisy resaka azonay nifanaovana tamin’i Konrád”, hoy Atoa Szabó, “fa mafy loha be izy. Ianao kinga saina kokoa. Vonona ny hanafaka anao sy hanome lalana anao hanao ny asanao izahay. I Konrád hijanona atỳ, fa ny kongregasiona kosa afaka miara-mivory. Mahazo mitoetra ho Vavolombelon’i Jehovah ianareo, afaka mivavaka betsaka araka izay tianareo ianareo, fa aza manakorontana ny hafa kosa.”
“Ny ho dikan’izany dia hoe ho karazan’irony vavolombelona tsy manao teny fanambarana irony izany izahay”, hoy ny navalin’ny Rahalahy Lakó. “Tsy afaka mampanantena izany aho.”
“Eritrereto aloha ilay izy e. Hitsidika anao indray aho.” Rehefa tonga indray izy, ny anisan’ny fanontaniana napetrany dia hoe: “Manao ahoana i Konrád ao?”
“Tsara izy ka.”
“Oviana izy no hitanao farany?”
“Vao izao, iray cellule izahay.”
“Ary nilazanao ny amin’ilay noresahintsika ve izy?”
“Mazava ho azy izany, zavatra rahalahiko ange izy e!” Tezitra ilay iraky ny fitondram-panjakana niala teo ka tsy nitsidika ny Rahalahy Lakó intsony mihitsy.
Tamin’io taona io ihany, ireo Komonista dia nanolotra ny hanome lalana ny hamoahana Ny Tilikambo Fiambenana teto Hongria, raha nampidirana pejy roa nisy fampielezan-kevitra komonista tao anatiny. Mazava ho azy fa tsy afaka nanaiky izany ireo rahalahy.
Fanandramana hamitaka hafa koa
Tamin’ny fahavaratry ny taona 1955, dia rahalahy tokony ho zato no nafahana avy tao amin’ny toby tany Tólápa. Rehefa avy faly tafaverina indray tany amin’ny fianakaviany nandritra ny iray volana sy tapany monja izy ireo, dia nomena baiko ho any amin’ny vohitr’i Szentendre, tany akaikin’i Budapest.
Rehefa tonga tany Szentendre ireo rahalahy, dia nampidirina tao amin’ny efitra lehibe iray. Nilaza tamin’izy ireo ny manamboninahitra iray fa tsy ho voatery handray fiadiana izy ireo, satria nanana fandaharana manokana iray izay hankasitrahan’izy ireo, ny fitondram-panjakana. Tsy hitondra fiadiana na hitatitra fitaovam-piadiana akory izy ireo, fa ny hany hilainy hatao kosa dia ny hanampy tamin’ny fanamboarana lalana, tetezana, lalamby ary zavatra nitovy tamin’izany. Volana vitsivitsy atỳ aoriana, dia ho afaka hiverina hody any amin’ny fianakaviany izy ireo. Toa tsara aloha ny fahitan’ny maro tamin’ireo rahalahy tsy ampy fanandraman-javatra
kokoa ilay fandaharana, fa ny rahalahy matotra sasany kosa nahatsapa fandrika ka avy hatrany dia nanontany hoe: “Hantenaina hanampy mba hanorina tetikasa ara-tafika koa ve izahay?” Tsy nisy valin-teny nivantana azo.Avy eo ireo rahalahy dia nanontany raha ho voatery hanao fanamiana izy ireo. Namaly ilay manamboninahitra fa homena kepỳ izy ireo, ary koa, raha tiany, dia ho afaka hahazo fanamiana koa mba tsy ho voatery hanimba ny akanjony manokana. Toa azo nekena izany ho an’ny sasany. Izao dia tonga ilay baiko hoe: “Ianareo izay vonona ny hiasa mandritra ny roa na telo volana ary avy eo dia hiverina any amin’ny fianakavianareo dia afaka mankany amin’ny fitahirizan’entana mba hanolo ireo akanjo sivilinareo amin’ny fanamiana sy baoty. Ireo izay tsy vonona ny hanao izany kosa dia afaka manantena ny hahazo sazy dimy ka hatramin’ny folo taona an-tranomaizina.”
Fitsapana mafy ho an’ireo rahalahy izany. Maromaro tamin’ireo rahalahy ireo no efa nandany efa-taona tany an-tranomaizina na toby fihazonana. Izao, rehefa avy nankafy fahafahana nandritra ny iray volana sy tapany izy ireo, dia halefa any amin’ny toeram-pitrandrahana na fihadiam-bato maizina iray, ka hiverina daholo indray ireo zavatra rehetra nandalovany. Nisy nanjohy hevitra hoe ho volana vitsivitsy monja izany ary avy eo dia ho afaka ny hiverina tany amin’ny fianakaviany ka hanompo an’i Jehovah tamim-pahalalahana izy ireo. Tokony ho 40 tamin’ireo 100 no nandroso moramora mba handray ireo fanamiana.
Ireo rahalahy hafa dia nanatsoaka hevitra tamim-bavaka fa izay natolotra azy ireo dia tsy inona fa asa miaramila, ary koa fa hanjary ho antoko-mpiasa manokana tao amin’ny tafika izy ireo. Naniry ny hihazona ny fialanalanany kristiana izy ireo, ka nanilika ilay fanolorana.
Izao ny tapany iray tamin’ilay efitra dia nisy an’ireo izay nanaiky ireo fanamiana, fa ilay iray hafa kosa nisy an’ireo tsy nanaiky. Tamin’izay dia nisy kaporaly iray niditra ilay efitra ary nikiakiaka tamin’ny Vavolombelona iray teo akaikiny hoe: “Tsy afaka manome saporitra angaha ianao?” Namaly ilay rahalahy hoe sivily ny tenany fa tsy miaramila akory. Tamin’izay vao voamarik’ilay kaporaly fa nizara ho antoko roa ireo rahalahy, ny iray nanao fanamiana ary ilay
iray hafa nanao akanjo sivily. Nitodika tany amin’ireo nanao fanamiana izy, ary naka toeran’ny mpibaiko, ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Tandremo! Ianareo izay nanaiky hanao asa miaramila, manomboka anio ianareo dia tsy maintsy manao jery atrika rehefa misy ambony grady kokoa miditra ny efitra, ary tsy maintsy mijoro mahitsy tsara. Manomboka anio ianareo dia miaramila ary voatery mankato ny baiko rehetra.”Nisy fanginana niharo fahakiviana nanerana ilay efitra, narahin’ny fahatezerana lehibe nasehon’ireo nanao fanamiana tamin’ny hoe: “Tsy miaramila izahay! Tsy nanaiky hanao raharaha miaramila na inona na inona izahay! Nanaiky ny hiasa fotsiny izahay!” Nahare ilay tabataba ilay manamboninahitra niresaka voalohany tamin’ireo rahalahy, ka niditra tao amin’ilay efitra indray ary nahita fa nosimban’ilay kaporaly ny zava-drehetra. Nanandrana avy hatrany ny hanjohy hevitra tamin’ireo rahalahy izy. Ny ankamaroan’ireo rahalahy anefa dia efa nanala ny fanamiany ary nangataka ny hamerenana taminy ny akanjony sivily. Tsy nety namerina azy ireo ilay miaramila niandraikitra ilay fitahirizan’entana. Ny ampitso, noho ny ezaka hentitr’ireo rahalahy, vao nahazo ireo akanjony indray izy ireo.
Afaka fotoana fohy, dia nisy manamboninahitra ambony grady maromaro niditra. Nasaina nilahatra ireo rahalahy. Hoy ny notakin’ny iray tamin’ireo manamboninahitra: “Ianareo izay maniry hanao asa miaramila, mandrosoa!” Tsy nisy nihetsika. Nangataka izy izao hoe: “Ireo izay tsy vonona hanao asa miaramila, mandrosoa!” Toy ny hoe ilay baiko tokony ho izy no voateny tamin’itỳ indray mandeha itỳ, ka nandroso daholo izy rehetra.
Sakafo ho an’ireo mpigadra
Nandritra ny revolisiona tamin’ny 1956, dia nafahana ireo rahalahintsika, fa nandritra ny fotoana fohy monja. Tapa-bolana tatỳ aoriana, dia nahazo ny fahefana indray ny Komonista. Nandritra ireo volana nanaraka, ireo manam-pahefana dia niezaka hisambotra indray ireo rehetra efa tany an-tranomaizina fony nanomboka ny revolisiona — ny Vavolombelon’i Jehovah ary koa ny hafa.
Kanefa, ara-panahy, dia mbola voafahana ihany ireo rahalahintsika. Rehefa natao an-tranomaizina i Sándor Völgyes, dia
nangataka tamin’ny vadiny mba hanao mofo mamy ka hampiditra lahatsoratra tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tao anatiny. Nataon’ny anabavy iray kopia teo amin’ny andaniny roa tamin’ny ravin-taratasy manify roa ny lahatsoratra natao hianarana manontolo iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Kanefa, rehefa nahazo ilay mofo mamy ny Rahalahy Völgyes, dia tsy afaka “nihinana” azy io avy hatrany, satria niray cellule tamin’ny olona teo amin’izao tontolo izao izy. Nosokafany ilay izy ny ampitso, tany amin’ny trano fivoahana tany amin’ny toeram-piasany. Avy eo dia nisy kopia natao tamin’ny soratra vaventy nosoratana teo amin’ny papier hygiénique nivalona. Izany dia natao mazàna ny asabotsy tolakandro sy ny alahady, rehefa mba somary nilamina sy nangina nanerana ilay tranomaizina manontolo.Fahafahana ho an’ireo nentina ho babo
Tamin’ny Martsa 1960, ny Rahalahy Bartha, rehefa avy nahefa sazy sivy taona, dia nafahana. Nanohy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana hatramin’ny fahafatesany tamin’ny 1979, izy. Rahalahy maro amin’izao andro izao no mbola mahatadidy azy ho mpandika teny tsy nety sasatra sady tena sakaiza nahay nanao vazivazy.
Tsikelikely, dia nafahana ireo rahalahy rehetra. Kanefa, nifampikasoka tamin’izy ireo matetika ireo manam-pahefana. Nanjary niharihary fa nitady hampahalemy ny fahatapahan-kevitry ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, tamin’ny alalan’ny teny malefaka sy ny fandresen-dahatra, fa tsy tamin’ny alalan’ny fampiasan-kery.
“Fanaovana fanambarana” tamin’ny radio
Tamin’ny faramparan’ireo taona 1960, ireo gazety dia namely matetika ny Vavolombelon’i Jehovah. Indraindray dia nalefa tamin’ny radio koa ny fampielezan-kevitra nanohitra azy ireo. Kanefa, tamin’ny iray tamin’izany, ny fampisehoana tantara iray naharitra adiny iray, izay natao mba hampitandremana momba ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanao fanambarana raha ny tena izy. Milaza momba azy io ny tatitra manaraka:
“Niorina tamin’ny zavatra tena niainan’ny tovovavy iray ilay tantara. Ny vehivavy tanora iray izay mpampianatra tany
ambanivohitra dia tsy nokarakarain’ny antoko komonista araka ny tokony ho izy. Ohatra, tsy nomena efitra sahaza hipetrahany izy. Tao an-dakilasiny, dia nisy zanaka Vavolombelon’i Jehovah. Nanolotra efitra iray ho azy ireo rahalahy, ary ilay rivo-piainana feno hatsaram-panahy sy fitiavan’ny tokantranon’izy ireo dia nanohina an’ilay zazavavy. Rava avokoa ny fitsarana an-tendrony rehetra nananany momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ary dia tonga anabavy ao amin’ny fahamarinana izy.“Ny zava-kendren’iny tantara tamin’ny radio iny dia ny mba hampisehoana fa ny antoko komonista dia tokony hikarakara tsara ny vahoakany mba hanalavirana ny fiovam-pinoana toy izany. Araka ny efa nambara, dia tena nitranga teto Hongria tokoa izy iny. Ilay mpampianatra teo aloha dia vady sambatry ny rahalahy iray ankehitriny. Na dia tsy izany aza no nokendrena tamin’iny tantara tamin’ny radio iny, dia nitarika ho amin’ny fanaovana fanambarana ho antsika ilay izy. Nankasitrahan’ireo rahalahy indrindra rehefa novakina nandritra ilay tantara ilay andinin-teny ao amin’ny Salamo 83:18 manao hoe: ‘Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.’ ”
Fivoriana tany anaty ala
Tany amin’ireo taona 1970 sy ireo taona 1980, noho ilay fandrarana teo amin’ny fiaraha-mivory, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanao ireo fivoriany tany anaty ala. (Heb. 10:24, 25). Ireny fivoriana tany anaty ala ireny dia natao nanerana ilay tany nanomboka tamin’ny lohataona ka hatramin’ny fararano. Ny ankamaroan’ireo kongregasiona teto Budapest dia nivory tany amin’ireo havoana manodidina ny renivohitra.
Hoy ny tadidin’ny Rahalahy Völgyes: “Nisy toerana nazava toy ny faribolana tany anaty ala teny amin’ireo havoana, tokony ho [30 metatra] ny savaivony, izay nivorian’ireo rahalahy. Teo amin’ny manodidina tsara tarehy ilay izy, ary ny fahanginany dia nampifalian’ny fisiokan’ny vorona. Nazava ny lanitra, ary feno ny fameroveron’ireo zavamaniry ny rivotra. Tena toerana tonga lafatra nahitana niharihary hatraiza hatraiza ny fiderana ny Mpamorona Lehibe antsika, ilay izy.
“Notarihina tsy tapaka teo ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Rehefa avy ny orana, dia niaro anay ny aro orana plastikanay. Tsy ireo fivorian’ny kongregasiona ihany no natao teo, fa ireo fivoriambe koa.
“Ho fanehoana fitandremana, dia nisy rahalahy notendrena ho mpiambina mba hampitandrina ny amin’ny fiavian’izay rehetra nampiahiahy. Indray andro anefa, tamin’ny faran’ny fahavaratry ny taona 1984, na dia teo aza ny fitandremana, dia nisy polisy nanao akanjo sivily niseho tsy nisy fampitandremana.
“Nofantsihina teo amin’ny vatan-kazo ireo fanamafisam-peo. Tsy nankasitrahan’ireo polisy izany, ary nilaza izy ireo fa nanimba ireo hazo izahay tamin’ny fandentehana ireo fantsika tao aminy. Nanana fanoherana hafa momba ny tontolo iainana koa izy ireo, ary dia nitolo-batana ho tompon’andraikitra ny amin’izy ireny ny rahalahy iray, mba tsy ho voakasika ny hafa.
“Rehefa avy nilaza tamin’izy ireo izahay fa fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay izy, dia nanontany ny iray tamin’ireo polisy nanao akanjo sivily hoe nahoana izahay no tsy nangataka fahazoan-dalana hanao ireo fivorianay tamin’ireo manam-pahefana. ‘Satria tsy hahazo lalana mihitsy izahay’, hoy ny valin-teninay. ‘Andramo fotsiny hoe’, hoy ny fanipazan-kevitr’ireo polisy.” Nanandrana izahay.
Nesorina ny fandrarana
Ny Rahalahy Völgyes sy Oravetz, mpikambana ao amin’ny komity ho an’ilay tany, dia nihaona tamin’ireo manam-pahefana ambony tao amin’ny Sampan-draharahan’nyMinisiteran’ny Atitany. Nilaza tamin’izy ireo momba ny fitsidihan’ireo polisy sy ny fanipazan-kevitr’izy ireo hangataka fahazoan-dalana hanao fivoriana, izy mirahalahy. Izany dia nitranga tamin’ny 23 Oktobra 1984. Nanomboka tamin’izay, ireo kongregasiona nanerana ilay tany dia nangataka fahazoan-dalana hanao ireo fivoriany. Indraindray dia nomena izany.
Nisy fifampiraharahana nifanaovana tamin’ny Biraom-panjakana Momba ny Raharaham-piangonana tatỳ aoriana. Tamin’ny 1987, dia nanjary afaka nisolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny fomba ofisialy tamin’ireo raharaha ireo i Milton G. Henschel sy i Theodore Jaracz, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, niaraka tamin’i Willi Pohl, avy ao amin’ny sampan’i Alemaina. Farany, tamin’ny 27 Jona 1989, dia nesorina ilay fandrarana. Ho an’ny Biraom-panjakana Momba ny
Raharaham-piangonana, dia ny fanekena ny Vavolombelon’i Jehovah no zavatra farany karazan’io nataony. Nakatona izy io efatra andro tatỳ aoriana, tamin’ny 1 Jolay 1989.Fivoriambe ampahibemaso
Taorian’ireo fisamborana Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny ambaratonga lehibe tany am-piandohan’ireo taona 1950, dia tena sarotra na ho an’iza na ho an’iza tamin’izy ireo ny nanatrika fivoriambe lehibe. Indraindray, ny sasany tamin’ireo rahalahy dia afaka nankany amin’ny fiaraha-mivory lehibe natao tany an-tany hafa, toy ny tamin’ny 1963, tamin’ny fitohitohizan’ireo Fivoriambe “Vaovao Tsara Mandrakizay”. Teo anelanelan’ny 1978 sy 1988, dia nisy solontena hongroà voafetra isa afaka nihaino koa ireo fandaharana tamin’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny fiteniny, tany Aotrisy. Ny hafa dia nivory tany anaty ala teto amin’ny tany niaviany — tsy tamin’ny fomba ofisialy aloha, avy eo, nanomboka tamin’ny 1986, dia tsy niafina tamin’ireo manam-pahefana.
Tamin’ny 1989 anefa, rehefa avy nomena fanekena araka ny lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nisy fivoriambe ampahibemaso nalamina haingana. Ny volana taorian’ny nanesorana ilay fandrarana, dia 9 073 no nanatrika ny Fivoriamben’ny Distrika
“Fitiavam-pivavahana” tao amin’ny Kianja Fanatanjahan-tenan’i Budapest. Ny taona nanaraka, dia nisy fivoriamben’ny distrika natao, tsy teto Budapest ihany, fa tany Debrecen sy Miskolc ary Pécs koa.Tamin’ny 1991, ny fivoriambenay iraisam-pirenena voalohany dia natao tao amin’ny kianja lehibe indrindra eto Hongria, dia ny Népstadion, ka 40 601 no niara-nivory mba hankafy ilay hafanan’ny fifankatiavan-drahalahy. I John E. Barr, i Milton G. Henschel, i Theodore Jaracz ary i Karl F. Klein no nisolo tena ny Fitambara-mpitantana sy nampahery ireo rahalahy hongroà ary koa ireo mpitsidika avy tany amin’ny tany 35, tamin’ny fanaovana lahateny nampahery.
Fandrosoana ara-pandaminana
Noho ilay fahafahana azo indray, dia nisokatra ny lalana ho amin’ny fanitsiana ara-pandaminana, mba hampifanarahana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Hongria tamin’izay nataon’ireo rahalahiny kristiana tany amin’ny tany hafa. Ohatra, ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sasany dia nanana asa ivelan’ny fivavahana nandritra ny herinandro, satria izany dia fepetra ankapobe notakina teo ambanin’ny Komonisma. Noho izany, dia tsy afaka nanompo ireo kongregasiona afa-tsy tamin’ny faran’ny herinandro izy ireo. Kanefa, tamin’ny Janoary 1993, rehefa avy nampiofanina ny rahalahy ampy isa nahafeno fepetra sy tsy nanana adidy ara-pianakaviana, dia nitarina ny fanompoana ireo kongregasiona mba hahafaoka ny talata ka hatramin’ny alahady.
Nandritra ireo taona 1980, dia voafetra ihany ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana notarihina. Tamin’ny 1994, dia nasaina daholo ny mpisava lalana rehetra izay nahafeno ireo fepetra. Nandritra ny fe-potoana naharitra sivy volana, dia rahalahy sy anabavy 401 no nomena io fampianarana manokana io.
Ny fandraisana tsara dia tsara teo anoloan’ny asa fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahatonga ny fandaminana ny asa fanorenana Efitrano Fanjakana ampiasana fomba fanorenana haingana, ho tena nilaina. Ireo kongregasiona dia nivory tao amin’ny sekoly, foibe ara-kolontsaina, trano foana ary na dia tao amin’ireo birao nilaozan’ilay antoko komonista taloha aza. Kanefa, tamin’ny
1993, dia nisy Komitim-paritra Momba ny Fanorenana najoro, nisy fampiofanana nomen’ireo rahalahy avy tany Aotrisy, ary nisy fanampiana ara-bola tonga avy tany amin’ny Vavolombelona tany amin’ny tany maro. Tamin’ny May 1994, dia tafatsangana ny Efitrano Fanjakana vita haingana voalohany tao Érd, tanàna eto akaikin’i Budapest. Tamin’ny faran’ny taom-panompoana 1995, dia Efitrano Fanjakana 23 no efa voaorina ary 70 hafa no kasaina hatao.Mba hanohanana ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny fahatapahan-keviny tsy handika ny lalàn’Andriamanitra mandrara ny fampiasana ratsy ny ra, dia nisy Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly koa naorina. Eto Hongria, toy ny any amin’ny faritra hafa amin’ny tany, dia misy mpitsabo tsy mahafantatra fa misy fomba fitsaboana hafa, izay tsy mitaky ny fampiasana ra. Ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly — miasa ankehitriny eto Budapest sy any Debrecen ary any Miskolc, ary koa any Szeged sy Pécs ary Tatabánya — dia manampy mba hanomezana ny fanazavana farany ho azy ireny. Profesora sy lehiben’ny mpitsabo ary mpandidy tokony ho 120 no efa miara-miasa amin’ireo komity. Tamin’ny ohatra vao haingana iray nahakasika an’i Dalma Völgyes, roa taona, ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly eto Budapest dia nifandray tamin’ny Sampan-draharahan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly any Brooklyn, ary tao anatin’ny adiny telo dia nanana teo am-pelatanany ny fanazavana nilaina momba ny fomba fitsaboana tsy ampiasana ra, izay nampiasaina tamim-pahombiazana mba handaminana ilay raharaha.
Nahazo diplaoma avy any Gileada sy avy amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana
I László Sárközy no misionera voalohany nampiofanin’ny Fikambanana Watch Tower mba hirahina tamin’ny fomba ofisialy ho eto Hongria. Tokony ho dimy herinandro tatỳ aoriana, tamin’ny 31 Aogositra 1991, dia nisy efatra nahazo diplaoma avy tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana voalohany natao tany Alemaina tonga: i Axel Günther, i Uwe Jungbauer, i Wolfgang Mahrt ary i Manfred Schulz. Teo am-piandohan’ny volana Oktobra, dia nanatevin-daharana azy ireo i Martin sy i Bonnie Skokan, nahazo diplaoman’i Gileada avy tany Etazonia.
Rahalahy sy anabavy 14, izay nanatrika na ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower na ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ankehitriny no manompo eto Hongria. Notendrena mba hanompo ao amin’ny Betela, na eo amin’ny asan’ny mpisava lalana manokana, na eo amin’ny asa fitetezana faritany, izy ireo. Nandritra izany fotoana izany, i István Mihálffy, ny rahalahy voalohany avy teto Hongria nahazo izany fampiofanana izany, dia nirahina ho any Ukraine mba ho mpiandraikitra ny fizaran-tany hanompo ireo rahalahy miteny hongroà any.
Tany am-boalohany dia tsy nanana afa-tsy fahalalana voafetra ny fiteny hongroà ny sasany, nefa nampiasa izay nananany izy ireo. Hoy ny tantarain’i Stefan Aumüller, avy any Aotrisy: “Noho ny naha-voafetra ny fahalalako ny fiteny hongroà, dia tena tsotra ny fomba fampisehoko. Mazàna aho dia nanokatra ny boky Hiaina Mandrakizay ary nanontany an’ilay tompon-trano raha tiany ny hianatra ny Baiboly. Ho vokany, dia nanomboka fampianarana maro aho. Rehefa hitan’ny mpitory hafa fa nandaitra io fomba tsotra sy nivantana io, dia nanomboka nanolotra fampianarana Baiboly tany an-tokantrano avy hatrany koa izy ireo, ka nahita fahombiazana nitovy tamin’izany. Izany dia anisan’ny nitarika ho amin’ny fitomboan’ilay kongregasiona, izay nisy mpitory 25 tamin’ny Aogositra 1992, ka nahatratra 84, izay namerina tatitra, tamin’ny Jona 1995.”
Mandroso hatrany ireo tia fahafahana
I Hongria dia antsoina hoe tanin’ireo Magyars. Ny hoe Magyar, izay ny anarana iantsoan’ny Hongroà ny tenany, dia lazaina fa avy amin’ny teny iray midika hoe “miresaka”. Mifanentana amin’izany, ny fiteny hongroà dia ampiasain’ny mpitory 16 907 eto mba hiresahana momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany dia araka ny nolazain’i Davida Mpanjaka momba ireo mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, hoe: “Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy sady miresaka ny herinao”. — Sal. 145:11.
Ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny kongregasiona 219 sy fizaran-tany 12 dia manao izany amin-jotom-po. Tamin’ny 1995 izy ireo dia nanokana adiny 2 268 132 niresahana tamin’ireo mpiara-belona taminy momba ny ‘voninahitry ny fanjakan’i Jehovah’.
Isam-bolana, dia fampianarana ny Baiboly tokony ho 14 000 no notarihina, ary ny Fahatsiarovana tamin’ny 1995 dia natrehin’olona 37 536. Ny isan’ny mpitory dia nitombo hatrany isan-taona. Nanomboka tamin’ny Jona 1989, rehefa azo natao tamim-pahalalahana indray ny asa momba ilay Fanjakana teto Hongria, ka hatramin’ny Aogositra 1995, dia nitombo ny isan’ireo mpitory 9 626 ka nahatratra 16 907. Niaraka tamin’izay koa, ny isan’ny mpisava lalana maharitra 48 dia nitombo ka nahatratra 644.Toy ny natao tamin’ny andron’i Solomona, rehefa notokanana ho an’i Jehovah ny tempoly tao Jerosalema, dia toy izany koa fa tamin’ny 31 Jolay 1993, ireo rahalahy teto Hongria dia “sady faly no ravoravo ny fony” tamin’ny fitokanana ny trano fonenana sy birao fanampiny vao naorina ho an’ny Betelan’i Budapest. (1 Mpanj. 8:66). Ny fanorenana ny Efitrano Fanaovana Fivoriambenay voalohany, izay ho eto Budapest, no ho tetikasa lehibe manaraka. Amin’izao fotoana izao, ireo fizaran-tany eto amin’ny faritr’i Budapest dia manao ireo fivoriamben’ny fizaran-taniny sy andro fivoriambeny manokana ao amin’ny foibe fanaovana kaonferansan’i EFEDOSZ, izay nanaovan’ny antoko komonista ny fivoriambeny taloha.
Nandritra ny taona maro, ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Hongria dia teo ambanin’ny fiandraiketan’ny sampana hafa, toa an’i Romania, i Alemaina, i Soisa ary, vao haingana indrindra, dia i Aotrisy. Nanomboka tamin’ny Septambra 1994 anefa, i Hongria dia nanjary sampana iray eo ambany fiandraiketana mivantan’ny foibe maneran-tany any Brooklyn.
Ny Vavolombelon’i Jehovah dia niharan’ny fanenjehana sy ny tsy fileferana ara-pivavahana hatramin’ny nanombohan’ny asany teto Hongria mihitsy, efa ho zato taona lasa izay. Kanefa, tsy niresaresa ka nitsahatra ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, fa mandroso hatrany kosa, amin-kery vao mainka lehibe kokoa aza. Noho ny fanampian’i Jehovah, ny Vavolombelony eto Hongria dia tapa-kevitra ny hilaza toa an’i Davida mpanao salamo hoe: “Ny fiderana an’i Jehovah no hotenenin’ny vavako; ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.” — Sal. 145:21.
[Sary, pejy 66]
[Sary, pejy 74]
I János Dóber (eto ambony) sy i József Toldy (ankavanana) dia niverina nitondra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tany Hongria ary nanao asa fitoriana ny filazantsara tamin-jotom-po
[Sary, pejy 79]
Mpisava lalana be zotom-po tao Budapest tamin’ny 1934/35: (avy eo ankavia miankavanana) Adi sy Charlotte Vohs, Julius Riffel, Gertrud Mende, Oskar Hoffmann, Martin Poetzinger
[Sary, pejy 82]
Vavolombelona tao amin’ny toby fitanana tany Nagykanizsa
[Sary, pejy 83]
János Konrád, tany an-tranomaizina nandritra ny 12 taona noho izy mpialanalana kristiana
[Sary, pejy 90]
Tsy nivadika tamin’i Jehovah mandra-pahafatiny: (etsy ambony) Bertalan Szabó, notifirina; (ankavanana) Lajos Deli, nahantona
[Sary, pejy 102]
Toy ny Vavolombelona maro hafa, i János Lakó dia nanda tsy hanaiky lembenana teo anatrehan’ireo mpanenjika azy
[Sary, pejy 107]
I Ilona Völgyes dia nandefa sakafo ara-panahy niafina tao anaty mofo mamy ho an’ny vadiny tany an-tranomaizina
[Sary, pejy 108, 109]
Avy eo amin’ny “fivoriambe tany anaty ala” tamin’ny 1986 ka hatramin’ny fivoriambe niraisam-pirenena tao amin’ny Népstadion ao an-drenivohitra tamin’ny 1991
[Sary, pejy 110]
Efitrano Fanjakana vita haingana voalohany any Hongria, ao Érd
[Sary, pejy 115]
Biraon’ny sampana sy fianakavian’ny Betela ao Budapest