Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mozambika

Mozambika

Mozambika

“AOKA hazava izao, ry Chilaule a: Eto Mozambika isika, ary tsy hekena araka ny lalàna na oviana na oviana ianareo eto amin’itỳ tany itỳ. (...) Hadinoy tsotra izao ny amin’iny!” Rehefa nilaza izany tamim-pahatezerana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ireo iraky ny Polisy ho An’ny Famotopotorana sy ny Fiarovana ny Fitondrana (PIDE), izay efa tsy misy intsony ankehitriny, dia teo amin’ny fara tampon’ny fanapahan’ny mpanjana-tany portogay ny teto Mozambika tamin’izay. Tsy niadian-kevitra ny fanjakazakan’ny Eglizy Katolika Romana.

Na dia izany aza, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy nitsahatra naneho ampahibemaso ny finoany an’i Jehovah, no sady tsy nitsahatra nilaza tamin’ny hafa momba ny fikasany feno fitiavana. Ny tantaran’izy ireo teto Mozambika dia manome porofo miharihary ny amin’ny hatsaran’ny fifikirany amin’i Jehovah. Nohatanjahin’ny fatokiany ny fitiavan’Andriamanitra sy ny an’ny Zanany izy ireo, dia ilay karazam-pitiavana izay nolazalazain’ny apostoly Paoly rehefa nanoratra izy hoe: “Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra? Araka ny voasoratra hoe: ‘Fa noho ny aminao no namonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay.’ (...) Matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, (...) na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, (...) na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” — Rom. 8:35-39.

Ny tantaran’ireo mpanompon’i Jehovah teto Mozambika dia fitantarana momba ny olona izay, na dia nendahana taminy aza ny fananany ara-nofo rehetra, dia nanankarena noho ny finoany lalim-paka. Nahita ny porofon’ny fitiavan’Andriamanitra azy izy ireo ary nanana fifankatiavana lalina. Alohan’ny handinihantsika izany tantara izany anefa, dia andeha aloha isika hijery an’ilay tany mihitsy.

Ny hakantony sy ny mampiavaka azy

I Mozambika, izay tombanana ho 17 400 000 ny mponina ato aminy, dia mitomandavana eo amin’ny 2 500 kilaometatra manaraka ny moron-tsirak’i Afrika atsimo-atsinanana. Mafana ny toetrandro, raha ny tena izy, ary ny vokatra ao aminy dia ny an’ny tropika — voaniho, mananasy, mahabibo, mangahazo ary fary. Tapany lehibe eo amin’ny sakafo koa ny hazandranomasina.

Ny Mozambikana, amin’ny ankapobeny, dia vahoaka falifaly sy sariaka izay tia ny fiainana. Avy teo amin’izy ireo no nivoahan’ny atleta malaza maneran-tany. Marina fa vitsy ny isan’izy ireo. Misy maherin’ny 19 000 hafa anefa izay nivoaka ho mpandresy tamin’ny hazakazaka iray nahafaoka fari-pitsipika hafa. Izany dia ny Vavolombelon’i Jehovah, izay manana tantara eto Mozambika, izay niandoha tany amin’ny 1925.

Namaka ireo voan’ny fahamarinana

Tamin’io taona io i Albino Mhelembe, Mozambikana iray niasa tany amin’ireo toeram-pitrandrahan’i Johannesburg, atsy Afrika Atsimo, no nandre ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Namaka tao am-pony ireo voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana, ary tsy ela izy dia natao batisa. Niverina nody izy, ka nanomboka nitory tamin’ireo mpikambana tao amin’ny fiangonany taloha, dia ny Misiona Soisa, tao Vila Luísa (Marracuene amin’izao fotoana izao), any amin’ny faritany farany atsimo indrindra amin’i Mozambika. Ireo Afrikana liana vao haingana dia tena be zotom-po ary nanao dia 30 kilaometatra matetika mba ho any amin’ny fivoriana. Nisy groupes vaovao natomboka, anisan’izany ny iray teto Lourenço Marques, dia i Maputo ankehitriny.

Tokony ho tamin’io fotoana io ihany, ny asa fitoriana ny hafatra ao amin’ny Baiboly dia nanomboka tany avaratra kokoa. I Gresham Kwazizirah, Afrikana iray tany Nyasaland (Malawi amin’izao fotoana izao), dia nianatra ny boky La Harpe de Dieu noho ny fanampian’i John sy i Esther Hudson, avy tatsy Afrika Atsimo. Tamin’ny 1927, i Gresham, niaraka tamin’i Biliyati Kapacika, dia nifindra teto Mozambika mba hitady asa. Niditra teto avy teo amin’ny faritr’i Milange izy ireo ary nianatsimo nankany Inhaminga, any Sofala. Tany izy mirahalahy dia samy nahita asa tao amin’ny Lalamby Trans-Zambézia.

Tao Inhaminga izy ireo dia nahita kongregasionan’ireo nantsoina hoe fihetsiketsehana Watch Tower sy ny pastorany, i Robinson Kalitera. Rehefa nahare ireo fampianarana ara-baiboly voasoritra tao amin’ny La Harpe de Dieu i Kalitera, dia nahiratra ny masony. Nanaiky izy fa diso hevitra, ka nanomboka nifanerasera tamin’ny fandaminan’i Jehovah izy sy ny kongregasionany iray manontolo.

Natodika tany amin’ny saha eoropeana ny saina

Tamin’ny 1929, dia tonga teto Lourenço Marques avy tatsy Afrika Atsimo ny Vavolombelona eoropeana voalohany, i Henry sy i Edith Myrdal, ka nanomboka nanao fanambarana tamin’ireo mponina portogay. Efa-taona tatỳ aoriana, dia nanatevin-daharana azy ireo ry de Jager. Voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly maro no voaely, ho vokatry ny fifindran’izy ireo monina.

Avy eo, tamin’ny 1935, dia nisy mpisava lalana roa hafa koa, i Fred Ludick sy i David Norman, tonga nitsidika an’i Lourenço Marques. Nipetraka tao amin’ny fianakaviana Myrdal izy ireo. Kanefa, tamin’ny andro fahadimy nanaovany fanompoana, dia nosamborin’ny polisy niafina tampoka tao amin’ny trano fonenan-dry Myrdal izy ireo, nampidirina tao anatin’ilay Black Maria (kamionety nampiasaina hitondrana mpanao heloka bevava), ary nentina tany amin’ny manam-pahefana ambony iray, dia izany Atoa Teixeira izany. Rehefa nanambara tamim-pahasahiana i David hoe fantany fa ilay eveka no tao ambadik’ilay fiokoana manontolo, dia nitsamboatra Atoa Teixeira ka nitrerona hoe: “Raha olom-pireneko ianareo, dia ho nasaiko natao sesitany tany amin’ny Nosy Madeira izao dia izao ihany, fa noho ianareo olom-pirenen’i Afrika Atsimo, dia hasaiko horoahina avy hatrany ianareo!” Tamin’iny andro iny ihany izy ireo dia notronin’ny polisy nirongo fiadiana izaitsizy sy nahafeno fiara roa, hatrany amin’ny sisin-tany. Kanefa, rehefa tonga teo amin’ny sisin-tany ireo rahalahy, dia nanao fanambarana tamin’ireo polisy mpiambina, nametraka zavatra vita an-tsoratra tamin’izy ireo, ary nifamihin-tanana tamin’ny rehetra teo, talohan’ny hanohizana ny diany.

Fiatrehana fitsapana mafy

I Janeiro Jone Dede, mpamboly afrikana tso-piaina iray, dia nianatra ny fahamarinana tamin’ny 1939 tany Inhaminga. Rehefa tafaverina tany aminy tany Mutarara izy, dia nizara ny fahamarinana tamin’ny havany, izay mpikambana tao amin’ny antoko ara-pivavahana iray nampihatra ny fananana vady maro. Tonga mpisava lalana manokana izy, ary ny roa tamin’ireo rahalahiny ara-nofo, i Antonio sy i João, dia mpisava lalana maharitra. Kanefa, tamin’ny 1946, dia voasambotra i Janeiro ary nalefa tany Tete, ka tany dia nasaina nanasa kabine ho an’ireo Eoropeana nandritra ny efa-taona. Nafindra tany amin’ny fonja foibe tany Beira izy avy eo, ary avy tany dia nentina teto Lourenço Marques tamin’ny fomba izay sady hafahafa no tsy nifaditra ovana. Nalefa an-tsambo izy sady natao tao anaty vata iray nofenoina ranon-tsira, ka ny lohany ihany no niseho. Rehefa tonga teto Lourenço Marques izy, dia nitanjaka nivoaka avy tao; nanjary levona ireo akanjony. Nomena gony iray izy mba handrakofany ny tenany. Tamin’ny fitsarana azy, dia nomena baiko izy hamoy ny fivavahany sy ny Andriamaniny, nefa tamin’ny fomba nitovy tamin’ny an’ireo apostolin’i Jesosy Kristy, dia hoy ny navaliny: “Ny zava-dehibe dia ny manaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona.” — Asa. 5:29.

Taorian’ilay fitsarana, i Janeiro dia napetraka tao amin’ny cellule nitokana iray no sady tao anaty vata hazo kely iray, izay tsy nisy afa-tsy lavaka bitika iray nanisihana sombim-boankazo sasantsasany isan’andro. Rehefa navoaka avy tao izy, herinandro tatỳ aoriana, dia tsy afaka nitsangana ara-bakiteny. Niaraka tamin’i Antonio sy i João, rahalahiny ara-nofo, izy dia natao sesitany tany São Tomé e Príncipe, mba hanefa sazy fito taona tany. Nandritra io fotoana io ry Dede mirahalahy dia nanampy mba hanorina kongregasiona iray tany amin’ireo nosy fanasaziana olona ireo. Rehefa fantatr’i Portugal Dede, izay tany Afrika Atsimo, ny amin’ny fanaovana sesitany an’ireo rahalahiny, dia niverina tany Mutarara izy mba hikarakara ilay kongregasiona mandra-pahafak’izy ireo avy tany amin’ilay toerana fanasaziana olona.

Ary ahoana ny amin’ireo Vavolombelona tany atsimo? Tao anatin’ny fanenjehana namaivay, izy ireo koa dia hita ho Vavolombelona tsy nivadika. Anisan’izy ireny i Albino Mhelembe, izay efa be taona tamin’izay. Tamin’ny 1957, izy sy ny hafa koa avy teto Lourenço Marques dia natao sesitany tany São Tomé koa, nefa nanohy nanao fanambarana izy ireo. I Sional Tomo, na dia naverina avy tany São Tomé rehefa afaka roa taona aza, dia natao sesitany indray, ka tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia tany Meconta, tany amin’ny faritanin’i Nampula. Maty tany izy, nefa namela kongregasiona iray ho porofon’ny fanompoany.

“Ho mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra aho”

Izany no navalin’i Calvino Machiana, rehefa nanontany ny iray kilasy ny mpampianatra azy ny amin’izay tian’izy ireo hatao rehefa lehibe. Tatỳ aoriana, tany Johannesburg, dia nanao fanambarana taminy ny mpiara-mianatra taminy taloha. Kanefa, rehefa tafaverina teto Lourenço Marques tamin’ny 1950 izy vao nanapaka ny fatorany tamin’ny Fiangonan’ny Misiona Soisa tamin’ny farany. Rehefa nisambotra sy nandroaka an’ireo za-draharaha kokoa tao amin’ilay groupe ny polisin’ny mpanjana-tany, ny PIDE, ireo tavela dia tsy nisy nanara-maso ny asany.

Noho ny fitondran’Andriamanitra, i Nelli Muhlongo, Afrikana Tatsimo iray, dia tonga nitsidika ny havany teo amin’ny manodidina nisy an’i Machiana. Fantatr’i Machiana fa Vavolombelon’i Jehovah izy io ary dia nilaza taminy ny amin’ireo olona liana tao amin’ilay faritra izy. Namory azy ireo ilay anabavy ary nanomboka fiaraha-mianatra ny Baiboly tamin’ilay groupe. Nisy enina ireo nandray anjara tao amin’io groupe niara-nianatra io. Nangataka an’i Machiana mba hitarika ny Anabavy Muhlongo, nefa nanda izy, ka nanao hoe: “Tsy vita batisa aho.” Hoy ny navaliny: “Izaho ange ka mitsidika fotsiny eto e. Rehefa handeha aho, dia tsy maintsy handray ny fitarihana ianao.” Toy izany àry no nahatongavan’i Machiana ho “mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra” taloha kokoa noho ny nampoiziny.

‘Zunguza a, miverena any amin’ny taninao’

Tamin’ny 1953, i Francisco Zunguza, fony mbola tanora, dia nandao an’i Beira mba ho any Le Cap, atsy Afrika Atsimo. Ny tanjony dia ny hahazo vatsim-pianarana mba hianatra ho dokotera tany Londres. Tao anatin’ny entany dia nisy ny boky Children, izay nataon’ny namany iray ho fanomezana ho azy. Nipetraka tao Prétoria tao amin’ny fianakaviana anglikanina iray izy, ary hitan’izy ireo namaky ilay boky izy indray andro ka nanontanian’izy ireo raha Vavolombelon’i Jehovah. Namaly izy hoe tsia, fa namaky ilay boky fotsiny. Kanefa, ilay fianakaviana dia nampifandray azy tamin-katsaram-panahy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay nanomboka niara-nianatra taminy tamin’izay. Roa taona taorian’ny nahatongavany tao Afrika Atsimo, dia natao batisa izy.

Tsaroan’ny Rahalahy Zunguza fa nahazo izao torohevitra manaraka izao avy tamin’ireo rahalahy matotra tao amin’ny kongregasiona izy: “Zunguza a, ny tsara indrindra dia ny hiverenanao any amin’ny taninao, any Mozambika, sy ny hiasanao any. Vita batisa ianao ankehitriny. Nahoana ianao no hikatsaka zavatra hafa? Tsy mendrika ny hanaovana azy izany.” (Ampitahao amin’ny Romana 11:13; Filipiana 3:7, 8; 1 Jaona 2:15-17.) Nanaiky io torohevitra io ny Rahalahy Zunguza ka tsy niahotra niverina teto Lourenço Marques, izay nanatevenany ny laharan’ilay groupe kely teto. Tatỳ aoriana, dia nanambady izy, ary niaraka tamin’i Paulina vadiny, dia nampiasain’ny fandaminan’i Jehovah be dia be teo amin’ny asa fitetezana faritany nanerana an’i Mozambika manontolo. Nandia fitsapam-piaretana mafy ny fitiavany an’Andriamanitra. Na dia teo aza ny 14 taona teo ho eo naha-tany an-tranomaizina sy tany amin’ny toby fitanana ary teo ambany fameperan’ny fitondram-panjakana azy, dia nitoetra ho nahatoky izy. Mora azo raha tian’ireo rahalahy mozambikana sy nankasitrahan’izy ireo be dia be izy. Araka ny lazain’ny tenan’ny Rahalahy Zunguza ihany, “ny tsara indrindra dia ny niverenako teto amin’ny taniko”.

Fanandramana hahazo fanekena araka ny lalàna

Nanahy ny amin’ilay fanenjehana sy ireo fanaovana sesitany nataon’ny fitondram-panjakan’ny mpanjana-tany ny sampan’i Afrika Atsimo, ka naniraka an’i Milton Bartlett, nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, mba ho eto Mozambika tamin’ny 1954. Nandritra ny fivahiniany tsy naharitra afa-tsy andro vitsivitsy monja izy dia afaka niresaka tamin’ny consul amerikana sy tamin’ny manam-pahefana portogay ambony iray, izay nanoro hevitra ny hangatahany fanekena araka ny lalàna tamin’ny governora jeneraly. Nilaza anefa ilay manam-pahefana fa, noho ny fifanekena nataon’ny fitondram-panjakana tamin’i Vatikana, na dia nomena fahalalahana ihany aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia tsy hahazo ilay fahalalahana nananan’ny Eglizy Katolika Romana na oviana na oviana.

Izany dia notohizina ny taona nanaraka, rehefa nitsidika ny consul britanika teto Mozambika i John Cooke, nahazo diplaoman’i Gileada hafa iray. Na dia tsara fanahy aza ilay consul, dia nilaza fa vao avy nanao teny namely ny endriky ny Protestantisma rehetra tao amin’ny gazety vao haingana ny kardinaly katolika. Nanampy teny koa ilay consul fa nihevitra ny Vavolombelon’i Jehovah ho nampidi-doza ny polisy. Ho famaranana, izy dia naneho ny heviny hoe, tamin’ny “antokom-pinoana” rehetra, araka ny teny nampiasainy, dia ny Vavolombelona no nanana ny fanantenana maivana indrindra hahazo fanekena araka ny lalàna.

Na dia izany aza, dia niteraka vokatra tsara ny fitsidihan’ny Rahalahy Cooke. Afaka nanao fiverenana mitsidika tamin’ny tovolahy portogay liana iray nantsoina hoe Pascoal Oliveira, izy. Efa nifampikasoka tamin’ny fahamarinana i Pascoal taona vitsivitsy talohan’izay, tany Lisbonne. Nalamina ny hanaovana fiaraha-nianatra taminy sy ny ray aman-dreniny. Nanolo-tena ho an’i Jehovah i Pascoal tatỳ aoriana.

Tamin’ny 1956, ny sampan’i Nyasaland, izay nikarakara ny asa teto Mozambika tamin’izay, dia nanomboka nandefa mpisava lalana manokana hiampita ny sisin-tany mba hitory tany amin’ireo vohitra tany amin’ny faritra avaratra. Nisy hafa koa tonga mba hanompo tany amin’izay nilana fanampiana teto Mozambika, ary tsapa indrindra indrindra ny fitaoman’izy ireo tany amin’ny nisy ny sisin-tany.

Niverina ireo natao sesitany

Tatỳ aoriana, dia niverina avy tany São Tomé i Janeiro Dede sy ireo rahalahiny. Tany São Tomé izy ireo dia afaka nitory nalalaka, nefa rehefa niverina nody izy ireo, dia nasiana karavasy sy nilazana mba hampitsahatra izay asa fitoriana rehetra, raha tsy izany dia hatao sesitany indray, ka tsy hiverina intsony mihitsy. Toy inona moa ny fitovian’izany tamin’ny fomba nitondran’ny Synedriona jiosy an’ireo apostolin’i Jesosy Kristy! — Asa. 5:40-42.

Tsy namela izany fandrahonana izany hampitsahatra azy ireo tsy hanompo an’i Jehovah i Janeiro sy ireo rahalahiny. Tamin’ny Martsa 1957, i Janeiro dia notendrena ho mpisava lalana manokana, ary tatỳ aoriana, nandritra ny folo taona mahery izy dia mpiandraikitra ny fizaran-tany saika nanerana ilay tany manontolo.

Fanaovana fanambarana ny alina manontolo

Nisy olona liana vao haingana nanohy nanatevin-daharana ilay groupe teto Lourenço Marques. Ny iray tamin’ireo tokantrano nanaovana fianarana dia ny an’i Ernesto Chilaule, Mozambikana iray. Nipetraka tao koa i Antonio Langa. Katolika i Langa, ka nanontany momba ny foto-pampianarana ary nangataka porofo, indrindra fa momba ny Trinite. Natahotra ilay groupe sao hitory azy ireo tany amin’ny PIDE (Polícia de Investigação e Defesa do Estado) izy. Liana tamim-pahatsorana tamin’ny fahamarinana anefa i Langa ka nanohy nihaino ilay fianarana avy tany ivelan’ilay trano, niafina tao an-tohatra. Niorina tamin’izay reny izy, ka nanatsoaka hevitra fa ny fahamarinana io.

Indray andro dia nanolotra boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” ho fanomezana ho an’i Langa ny rahalahy iray. Rehefa niverina nody avy niasa i Langa ny ampitson’iny, dia nanomboka namaky ilay boky tamin’ny roa ora tolakandro ary tsy nametraka azy io raha tsy rehefa tonga tany amin’ny farany, tamin’ny roa ora maraina! Rehefa afaka izany, dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana tsy tapaka izy ary nanizingizina ny hamakian’i Chilaule namany an’ilay boky koa mba hahafahan’izy ireo hanomboka hitory.

Nifidy ho faritaniny ireo antokon’olona animista sionista (Mazione) teny amin’ny faritra nanamorona an’i Lourenço Marques, izy ireo. Tamin’ny alina, rehefa niara-nivory mba hanao ireo fombafombany tao anatin’ny feon’amponga ireo antokon’olona ireo, sady nisy fandihizana sy fisotroana ary mozika, dia nandeha tany amin’izy ireo izy mirahalahy ary, rehefa avy nahazo lalana avy tamin’ny mpitarika ilay antokon’olona, dia nanao lahateny fohy iray. Rehefa nangiran-dratsy matetika vao niverina nody izy ireo. Zotom-po re izany raha ny amin’ny fampielezana ny finoany vaovao!

Batisa teto Lourenço Marques

Rehefa nahatratra 25 ny isan’ny namerina tatitra momba ny fanompoana tao amin’ilay groupe, dia nisy taratasy nosoratana ho an’ny sampan’i Afrika Atsimo nangataka solontena iray mba ho avy hanao batisa ireo vaovao. Ny valin-teny azo dia nanome toromarika fa ny Rahalahy Zunguza mihitsy no tokony hikarakara izany. Tamin’ny 24 Aogositra 1958, tamin’ny fivoriana iray natao teo amin’ny toerana tsy nisehoseho iray, dia olona 13 no natao batisa — ny voalohany teto Lourenço Marques. Anisan’io groupe io i Calvino Machiana sy i Ernesto Chilaule ary i Antonio Langa, niaraka tamin’ny vadin’izy ireo avy, ary koa i Paulina Zunguza.

Tamin’ny 1959, rehefa avy nifindra nankany Beira ny Rahalahy Zunguza, dia nampiantsoin’ny PIDE ny Rahalahy Chilaule. Efa nisakana sy namaky foana ny taratasiny izy ireo. Nadinadinina nandritra ny maraina iray manontolo izy. Tamin’iny tolakandro iny, dia nisy iraka nankany amin’ny tranony ka nitana ny zavatra vita an-tsoratra rehetra. Natahotra ireo rahalahy sy olona liana nahita ny Land-Rover-n’ny polisy teo anoloan’ny tranon’i Chilaule, sao hosamborina koa izy rehetra. Nahagaga fa herinandro tatỳ aoriana dia naverina daholo ireo boky rehetra. Izany no ilay fampaherezana nilain’ilay groupe.

Nanome fampaherezana ny fitsidihana tamin’ny fotoana nilana azy

Nandritra izany fotoana izany, i Pascoal Oliveira sy ilay groupe kelina Eoropeana teto Lourenço Marques dia nahazo fitsidihana nampahery avy tamin’i Halliday sy i Joyce Bentley, mpivady misionera nirahin’ny sampan’i Nyasaland. Tafiditra tamin’ny fitsidihan’izy ireo, natao indroa isan-taona, i Beira, 720 kilaometatra teo ho eo tany avaratry ny renivohitra, ary koa ny tanàna hafa. Tatỳ aoriana, i Milton Henschel, avy tany amin’ny foibe maneran-tany, dia nitsidika azy ireo koa ary nampahery azy ireo hanohy hiara-miasa tamin’ny fandaminan’i Jehovah.

Ny kongregasiona voalohan’ireo Vavolombelona mozambikana dia efa niasa teto an-drenivohitra nandritra ny taona maromaro, rehefa niforona, tamin’ny 1963, ny kongregasiona iray ho an’ny mpitory eoropeana teto.

Fanambarana ny vaovao tsara amin-kerim-po

Rehefa avy namerina ny zavatra vita an-tsoratr’i Ernesto Chilaule ny PIDE, ny polisin’ny mpanjana-tany, dia nanjary tsy nanan-tahotra ilay groupe afrikana teto Lourenço Marques. Ny alahady izy ireo dia nivory teo akaikin’ny tsenan’i Xipamanine feno olona somebiseby, teo amin’ny aloky ny hazo iray. Nampiasa fanamafisam-peo izy ireo, ka nandinika ny teny natao hovakina ho an’ny andro. Nizara tsiroaroa avy eo ilay groupe mba hitsidika ireo trano sy fivarotana nanodidina ilay tsena. Tamin’ny 11 sy sasany maraina izy ireo dia niverina teo amin’ilay toerana voalohany nivoriany tamin’ny sakafo maraina, talohan’ny hanombohany, tamin’ny mitataovovonana, ilay lahateniny ampahibemaso nampandrenesina hatraiza hatraiza. Tsindraindray, rehefa nitaredretra vao niverina avy tany amin’ny fanompoany ny mpitory sasany, dia nantsoina tamin’ny fanamafisam-peo hoe: “Efa tonga ny fotoana (...) Efa tonga ny fotoana (...) Andao isika hiverina amin’izay fa efa tonga ny fotoana (...)”

Nisy vahoaka be nanomboka niangona. Fanampin’ireo izay nasaina manokana sy ireo rahalahy, dia nisy mpitazana maro ta hahafanta-javatra tonga, voasinton’ilay feo nohamafisina. Nahaforona faribolana lehibe teo amin’ilay faritra feno olona somebiseby izy ireo, ary avy eo dia nanomboka ny lahateny. Ireo tompon-trano tamin’ilay faritra dia nivoaka teo amin’ny lavarangany mba hihaino, ka maro no nitondra ny Baiboliny mba hanarahana ny famakiana ireo andinin-teny. Nanohy io fandaharana io nandritra ny taona sasantsasany ireo rahalahy, ka nanesy ny tsenan’i Xipamanine sy ny an’i Chamanculo ary ny Arabe Craveiro Lopes (Avenida Acordos de Lusaka ankehitriny). Izany dia anisan’ny nitarika ho amin’ny fitomboana tamin’ireo taona 1960 — kongregasiona iray tonga efatra.

Ny karany tany amin’ny PIDE aloha

Ny olona iray hita tamin’io fomba io dia i Micas Mbuluane. Rehefa nandray ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” izy, ka nangataka fampianarana Baiboly, dia nanontany hoe: “Ohatrinona no tsy maintsy haloako amin’izany?” Tsy misy sarany mihitsy ny fampianarana toy izany, fa nanipy hevitra kosa ireo rahalahy mba hanaovany ny tranony ho azo ampiasaina ho an’ny lahateny iray ny alahady nanaraka. Nanaiky avy hatrany izy. I Ernesto Chilaule no mpandahateny, ary nisy olona 400 teo ho eo nanatrika. Nitatitra momba ilay fivoriana tany amin’ny polisy ny mpitsikilo iray avy tamin’ny PIDE. Nampiantso an’i Micas tany amin’ny biraony ny lehiben’ny polisy. Nitebiteby i Micas. Hoy ny teniny: “Indro izaho Jentilisa roa sosona, tsy nanatrika afa-tsy fivoriana iray monja. Inona no holazaiko?” (Eto an-toerana, ny dikan’ny hoe “Jentilisa” dia hoe tsy mpino; ny hoe “Jentilisa roa sosona” dia nanantitrantitra ny tsy fahamendrehana tsapany.) Niantso avy hatrany an’ilay rahalahy niara-nianatra taminy izy mba hahazoany fampiofanana tao anatin’ireo minitra vitsivitsy nananany talohan’ny hamaliany ilay fampiantsoana.

Rehefa tonga tany amin’ny paositry ny polisy i Micas, dia nanontaniana hoe inona no fivavahany. Tsy niahotra izy namaly hoe: “Vavolombelon’i Jehovah.” Avy eo, dia niroso tamin’ny fanadinadinana i Mario Figueira, ilay lehiben’ny polisy: “Nisy fivoriana lehibe, hono, natao tao an-tokantranonao, sady nisy fitaomana vahiny, ny vavahady nihidy ary ny polisy tsy navela hiditra. Tena tsy maintsy nisy nifandraisany tamin’ny Frelimo ilay izy.” Ny tiany horesahina dia ny Antoko Mpanafaka An’i Mozambika (Frente da Libertação de Moçambique), ilay fihetsiketsehana izay niady ho an’ny fahaleovan-tenan’i Mozambika tamin’izany fotoana izany. Nanontany tena ny amin’ny fomba tokony hamaliany i Micas; tsy voaresaka tao amin’ny “fampiofanana” azy izany. Niezaka nanazava tamim-pahaiza-mifampiraharaha momba ilay fandaharana manontolo izay vao hitany sy nandraisany anjara voalohany izy.

“Eny àry, ry Micas a, ampy izay”, hoy Atoa Figueira nanapaka ny teniny. Nametraka ny sandriny teo amin’ny sorok’i Micas izy, ka nanohy ny teniny hoe: “Ny fahamarinana izany lazainao izany. Hatrany am-piandohan’ny tantara, ny mpanompon’Andriamanitra dia nenjehina noho ny firesahana ny fahamarinana, toa anareo. Tsy hangataka afa-tsy zavatra iray aho: Amin’ny manaraka, rehefa manao fivoriana lehibe toy izany ianareo, dia ampahafantaro izahay mba tsy hisian’ny fifandirana. Mandehana amim-piadanana. Fa rahampitso kosa, miverena atỳ, ary mitondrà sary roa mba hahafahanay hanao karatra maha-Vavolombelon’i Jehovah anao.” (Tamin’izany fotoana izany, ireo nitana andraikitra rehetra tao amin’ny kongregasiona dia nanana karatra tany amin’ny tahirin-taratasin’ny PIDE.) Tian’i Micas ny milaza amim-pihomehezana hoe: “Izaho, izay Jentilisa roa sosona dia nanana karatra tany amin’ny PIDE talohan’ny nananako karatra tao amin’ny kongregasiona!” Mampalahelo fa tsy mateti-pitranga iny fitondrana feno fangorahana avy tamin’ireo iraky ny polisy iny.

Nitondra soa ho an’ny asa tany avaratra ireo fisehoan-javatra tany Malawi

Ny telo tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Fanaovana Mpianatra” tany Malawi tamin’ny 1967 dia natao teo akaikin’ny sisin-tanin’i Mozambika, ka nanamora kokoa ny fanatrehan’ny rahalahy mozambikana sasany azy ireny. Tamin’ny Oktobra anefa, dia nanambara ny Prezidà H. Kamuzu Banda fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia fikambanana voarara tany Malawi. Nipoaka ny fanenjehana azy ireo tamin-kasiahana nihoa-pampana. Nanerana ilay tany manontolo, dia noringanina ny fananany, novelezina izy, ny sasany novonoina ho faty, vehivavy kristiana maherin’ny arivo no nosavihina. Tamim-pamoizam-po, dia nitady fialokalofana teto Mozambika ny maro tamin’ireo tsy maty. Nifanohitra tamin’izay nety ho nampoizina, dia nandray azy ireo tamim-pahaiza-mampiantrano vahiny ireo manam-pahefana portogay. Nomena sakafo izy ireo tany amin’ny toby lehibe roa teo akaikin’i Mocuba, any amin’ny faritanin’i Zambézia. Tao amin’ny iray tamin’ireny toby ireny monja, dia nisy 2 234 tamin’ireo rahalahintsika. Ny naha-teo azy ireo dia anisan’ny nitarika indrindra ho amin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana tany avaratra.

Tany Beira, ny tanàna lehibe indrindra faharoa eto, ny Vavolombelona mozambikana dia nanana fahalalahana lehibe kokoa noho ireo teto an-drenivohitra nandritra io fotoana io. Afaka nanao ny fivoriany izy ireo, saingy voafetra raha ny amin’ny fitoriana isan-trano, indrindra fa teny amin’ireo faritra nihaja eoropeana.

Niteraka fisarahana ny filazana iray nampifanditra

Tamin’ny 1968, ireo loholona teto Lourenço Marques dia naharay fampiantsoana avy tamin’ny PIDE. Naseho azy ireo ny “Filazana” iray, izay nanambara fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia norarana tsy hampiova finoana olona, ary koa fa tsy tokony hiara-mivory afa-tsy amin’ireo anisan’ny fianakaviany ihany izy ireo. Tokony hasiana sonia io “Filazana” io ho fanamarinana fa voarain’ireo loholona.

Rehefa takatr’ireo loholona fa tsy fandavana ny finoany velively akory izany, fa fanekena fotsiny ny naharaisany an’ilay filazana, dia nanisy sonia izy ireo. Kanefa dia tapa-kevitra izy ireo ny hanohy hankato ireo teny ara-baiboly mandidy ny hiaraha-mivory sy hitory, saingy tamin’ny fanaovana izany tsy nisehoseho sy niaraka tamin’ny antokon’olom-bitsy kokoa. (Matio 10:16; 24:14; 28:18-20; Heb. 10:24, 25). Na inona na inona fahatapahan-kevitr’izy ireo, dia niteraka fisarahana teo amin’ireo rahalahy izany. Nisy nino fa nanaiky lembenana ireo loholona tamin’ny fanisiana sonia iny taratasy iny.

Mba hanaporofoana tamin’ilay antokon’olona hafa fomba fijery fa tsy nanao zavatra noho ny tahotra akory izy ireo, ary koa fa tsy nisy fanekena lembenana tamin’izany, dia nanangana komity iray notarihin’i Ernesto Chilaule ireo loholona. Nanatona an’ireo manam-pahefana tao amin’ny PIDE izy ireo mba hanontaniana ny amin’ny anton’ilay fandrarana. “Inona no tsy mety ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?”, hoy izy ireo nanontany. Nilazana izy ireo hoe: “Tsy manan-java-manahirana aminareo izahay, fa io fivavahana io kosa dia voarara eto Mozambika. Na dia tsy manao na inona na inona tsy mety aza ianareo, ny fitondram-panjakana dia tsy manome fahazoan-dalana an’io fivavahana io.” Nanampy teny ireo manam-pahefana fa na iza na iza naniry hanaraka io fivavahana io, dia ho voatery ho any an-tany hafa izy.

Hentitra ny valin-teny nomen’ny Rahalahy Chilaule sy ireo namany: “Raha manapa-kevitra ny fitondram-panjakana fa tsy mety ny fampianarana ny olona tsy hangalatra, tsy hamono olona, na hanao na inona na inona ratsy, dia aoka izahay hosamborina. Hanohy hampianatra ny fahamarinana izahay, ary izany indrindra no hataonay raha vao miala eto.” Ireo teny ireo dia mampahatsiahy antsika indray koa an’ireo apostolin’i Jesosy teo anatrehan’ny Synedriona. — Asa. 4:19, 20.

Moa ve izany fanaovan-javatra feno herim-po izany nampihavana an’ireo hafa fomba fijery tamin’ny hafa? Mampalahelo fa tsia. Na dia teo aza ny fanampiana rehetra natolotra azy ireo, anisan’izany ny fitsidihana niverimberina nataon’ny solontena manokana iray avy tatsy amin’ny sampan’i Afrika Atsimo, dia nanohy nanaraka lalana tsy tia niankina izy ireo, ka niantso tena hoe “Vavolombelon’i Jehovah Afaka”. Voatery noroahina noho ny fivadiham-pinoana izy ireo. Nanoratra ny Fikambanana tatỳ aoriana hoe tsy manondro tahotra akory ny fanarahana lalana maneho fitandremana eo anoloan’ny fanenjehana, fa mifanaraka amin’ny torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Matio 10:16 (NW ) kosa.

Namely mafy ny PIDE

Herintaona latsaka taorian’iny fikomiana iny, dia nisambotra rahalahy 16 samy nitana toeram-piandraiketana ny PIDE. Anisan’izy ireny i Ernesto Chilaule sy i Francisco Zunguza ary i Calvino Machiana. Tamin’izay no nilazan’ireo iraky ny PIDE tamin’ny Rahalahy Chilaule ireo teny teo am-piandohan’itỳ fitantarana itỳ.

Nisy fisamborana hafa koa nanaraka izany. Ahoana no nahazoan’ny PIDE ny anarana sy ny adiresin’ireo mpikarakara voatendry? Nandritra ny fanaovana bemidina tamin’ny tranon’ny Rahalahy Chilaule, teo ambony latabatra iray izy ireo dia nahita antontan-taratasin’ny Fikambanana nisy ny anaran’ireo mpikarakara voatendry, ary koa ny boky Preaching Together in Unity. Nanana an’io fanazavana io teo am-pelatanany izy ireo, ka nitady indrindra indrindra ny mpikarakara ny kongregasiona, ny mpikarakara lefitra ny kongregasiona, ny mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, sy ny hafa koa. Natsipy tao an-tranomaizin’i Machava, tsy nisy fitsarana, ireo — voaheloka roa taona an-tranomaizina.

Ny sampan’i Afrika Atsimo dia nampahery an’ireo rahalahy tany an-tranomaizina ary nanome fanampiana ho an’ny fianakavian’izy ireo mbola niankina taminy. Ny Amnesty International dia nanao ezaka mba hanafahana an’ireo rahalahy ary koa mba hanomezana fanampiana ho an’ny fianakavian’izy ireo mbola niankina taminy. Ireo rahalahy teto Mozambika tsy tany an-tranomaizina dia nandamina ny hanomezana sakafo ho an’ireo nila izany. Hoy i Alita, zanakavavin’ny Rahalahy Chilaule, momba io fandaharana io: “Tsy ory sakafo mihitsy izahay isan’andro. Indraindray aza dia tsara kokoa noho izay nahazatra anay ilay izy.”

Nitohy ny asa fitoriana

Na dia teo aza ny “vanim-potoana sarotra”, ny vahoakan’i Jehovah dia tsy afaka nampitsahatra ny asany fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana sady fanomezana fiainana. (2 Tim. 4:1, 2, NW ). Tsaroan’i Fernando Muthemba, izay tonga iray tamin’ireo andrin’ny asa teto amin’itỳ tany itỳ, fa tao amin’ny kongregasionany, dia samy voasambotra na ny mpikarakara ny kongregasiona na ny mpikarakara lefitra ny kongregasiona. Koa satria izy no mpikarakara ny fampianarana Baiboly, dia nanjary nilaina ny handraisany ny fitarihana. Nanome toromarika ny Fikambanana mba hanaovana fitohitohizan-dahateny niorina tamin’ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Tamin’ny fanehoana fitandremana nifanentana, dia nandamina ny hanaovana azy ireo tamin’ny alina, tany amin’ireo fianarana ny boky, izy. Nanao ny lahateniny tamin’ny fianarana ny boky roa isan’alina ny mpandahateny tsirairay. Noho izany, dia olona nasaina maro no nahazo io sakafo ara-panahy io, ka dia nitombo ny fahatakaran’izy ireo ny fahamarinana.

Fampiofanana be dia be no nomena an’ireo vaovao mba hahitan’izy ireo vokatra teo amin’ny fanompoany sy hananany herim-po teo anoloan’ny fanenjehana. Nilazalaza toy izao ny soa noraisiny avy tamin’ny fampiofanana tany am-boalohany i Filipe Matola: “Nampiofanina izahay mba hizara tamin’ny hafa izay nianaranay, ka hanaporofo tamim-pahakingana avy tao amin’ny Baiboly izay rehetra nampianarinay. Taorian’ny tapa-bolana nianarana, dia nanomboka nitory tsy ara-potoana izahay. Tamin’ny herinandro fahatelo, dia nanomboka nitondra olona liana hafa tao amin’ilay fianarana izahay. Tamin’ny herinandro fahefatra, dia nanomboka nitory isan-trano izahay. Ireo vaovao dia nampirisihina mba hiaritra tao anatin’ny fitsapana sy ny fanaovana an-tranomaizina, sy tsy hatahotra. Rahalahy iray monja nitana toeram-piandraiketana tao amin’ny kongregasiona no tsy tany an-tranomaizina, ary nilaza izy hoe: ‘Tsy fantatro hoe rahoviana aho no hatao an-tranomaizina. Izany no antony tokony hianaranareo rehetra hikarakara ny kongregasiona.’ ” Rehefa nalefa tany amin’ny tranomaizin’i Machava koa ny Rahalahy Matola, dia tsy nihanangatsiaka ny zotom-pony.

Fitoriana sy fivoriana tany an-tranomaizina

Raha vantany vao azo natao, dia nandamina ny fivoriana rehetra ilay antokon’olona tao amin’ny tranomaizin’i Machava, mba hitoerana ho matanjaka ara-panahy. Ahoana no nahafahan’izy ireo nanao izany, nefa natao andry maso izy ireo? Toy izao, hoy i Filipe Matola: “Nanararaotra an’ireo fotoana nahafahanay nankao an-tokotanin’ny tranomaizina izahay. Ilay notendrena hanana anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia niara-nandehandeha tamin’ny efatra hafa, toy ny hoe nitsangantsangana sy nifampiresaka izy ireo. Niala teo amin’io antokon’olona io izy avy eo ary nanao toy izany koa tamin’ny antokon’olona faharoa, ary dia toy izany hatrany mandra-panaony ilay anjara tamin’ny antokon’olona tsirairay.”

Tamin’ny voalohany, dia niezaka hanao ny fianarana ny boky tao amin’ireo cellules tamin’ny alalan’ny zavatra vita an-tsoratra iray izy ireo, saingy tratra ilay fianaran’izy ireo, ary dia norarana tsy hanohy izy ireo. Nanova ny fomba nampiasainy izy ireo. Hoy ny tsaroan’i Luis Bila, iray tamin’ireo mpigadra hafa: “Nanao fanomanana samirery izahay, ary avy eo, tamin’ny andro sy ora voatondro mialoha, ary tsy nisy zavatra vita an-tsoratra teny aminay, dia nandehandeha izahay nampiasa ilay fomba nampiasainay tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ihany, ka ny tsirairay no namoaka ireo hevi-dehibe tamin’ilay lesona. Nisy tombony be io fomba io satria tsy maintsy nitadidy ilay lesona izahay, mba tsy hanadinoana azy mihitsy.”

Ireo mpianakavy tsy tany an-tranomaizina dia nanampy tamin’ny fanafenana zavatra vita an-tsoratra tao ambanin’ny sakafo sy tamin’ny fampidirana azy io an-tsokosoko tao an-tranomaizina, isaky ny tonga nitsidika izy ireo. Tamin’izany fomba izany, ireo rahalahy dia voafahana ara-batana sy ara-panahy.

Nisy fotoana koa nahafahan’ireo mpigadra hafa nandray soa avy tamin’ireo fivoriana. Indray mandeha, rehefa niray toerana tamin’ny mpigadra 70 hafa tao amin’ny trano fanampiny iray tamin’ilay tranomaizina ny rahalahy 3, dia nisy lahateny ampahibemaso natao. Rahalahy iray no mpitari-draharaha, ary ilay faharoa nanao vavaka. Nihira izy telo mirahalahy avy eo, ary dia natao ilay lahateny. Nisy 73 ny tontalin’isan’ny mpanatrika.

I Ernesto Chilaule dia niray cellule tamin’ny mpikambana iray tao amin’ny Frelimo izay nosamborin’ny PIDE noho ny fiadiany ho an’ny fahaleovan-tena. Nisy resaka tamim-pisakaizana sy fanambarana momba ny fanantenana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, natao. Nihaona indray izy ireo tatỳ aoriana tao anatin’ny toe-javatra hafa.

May ny hizara ny fahamarinana tany Inhambane

I Inhambane, iray tamin’ireo faritany tany atsimo, dia nanjary sehatry ny asa be dia be nataon’ny mpandatsa-biriky tso-piaina iray. Io lehilahy io, i Arão Francisco, rehefa avy nahare lahateny iray tamin’ny 1967 teto Lourenço Marques, dia tsy nanam-pisalasalana ny amin’ny hoe nahita ny fahamarinana ny tenany. Nahatsiaro ho voatery hizara izay reny tamin’ireo olona tany amin’ny tany niaviany, i Arão. Izany no nataony. Rehefa niverina teto Lourenço Marques izy, dia natao batisa tokony ho tamin’ny fotoana nisamboran’ny PIDE ilay antokona loholona be dia be. Nahatsiaro ho tompon’andraikitra ny amin’ilay fahalianana notairiny teo amin’ireo havany izy ary natahotra sao hatao an-tranomaizina talohan’ny nahafahany nanome fanampiana fanampiny azy ireny. Niezaka hampijanona azy ny sasany tamin’ireo rahalahy, tamin’ny filazana fa mbola vaovao loatra tao amin’ny fahamarinana izy, ka tsy ho afaka ny handeha irery. Niandry volana vitsivitsy izy, nefa tsy nahatana intsony ny faniriana nanery azy hanao fanambarana tamin’ireo havany. Namory ny vadiny sy ny zanany roa izy, ary dia nanomboka niverina tany Inhambane izy ireo. Tsy niaraka afa-tsy tamin’ny fianakaviany aloha teo am-piandohana no nanaovany ny fivoriana rehetra.

Nampiely ireo voan’ny fahamarinana tao amin’ny tanànan’i Inhambane, any Maxixe, izy, sy tany amin’ny tanàna hafa teo amin’ny manodidina, ka nametraka ny fanorenana ho an’ireo kongregasiona hita any amin’izao andro izao. Rehefa nitady hisalovana ny pretra katolika iray, tamin’ny filazana hoe: “Tsy afaka manangana antokon’olona eto ianareo”, dia namaly tamin-kerim-po i Arão hoe: “Tsy misy fetrany ny vaovao tsara izay entiko. Afaka mandeha na aiza na aiza izy io.” Ary izany tokoa, araka ny asehon’ny Asan’ny Apostoly 1:8, no nolazain’i Jesosy fa hiseho.

Nampanao fivoriana ilay pretra teo an-toerana mba hanapahan-kevitra raha tokony horoahina tamin’ilay faritra i Arão. Nanizingizina i Arão hoe tsy hihetsika teo. Tsy nahagaga fa niantso an’ilay sakaiza tiany indrindra, ny PIDE, ilay pretra.

Nanao haza lambo ny mpanao trano sady mpitory iray ny PIDE

Indray alahady, rehefa nitsidika groupes hafa lavitra kokoa i Arão, dia nisy iraky ny PIDE efatra nanatrika ny fivoriana tao Inhambane. Nihambo ho Vavolombelon’i Jehovah nandalo teo izy ireo. Tamin’ny faran’ilay fivoriana anefa, dia nitonona anarana izy ireo ka nangataka ny hahita an’i Arão. Tsy nahita azy izy ireo, ka nisambotra ny valo tamin’ireo rahalahy teo.

Koa satria i Arão nanao trano ho an’ny mpitantan-draharahan’i Ngweni, dia nandeha nitady azy tany ireo iraka ireo. Nahare an’ilay mpitantan-draharaha nilaza toy izao tamin’izy ireo i Arão: “Tsy afaka mamela azy handeha noho ny fivavahana aho. Tsy maintsy mamita ny asa eto amin’ny tranoko izy aloha.” Nanontany ireo iraka tamin’izay hoe: “Izy ve izany no manao itỳ trano itỳ?” “Ia”, hoy ny navalin’ilay mpitantan-draharaha, “ary izy koa no nanao ilay trano any Maxixe sy ny maro hafa koa. Io asa ataony amin’ny tranoko io, tsy misy mahay manao azy eto amin’ny manodidina eto. Nanao ny biraon’ny fisoratana anarana tao Maxixe izy, ary mbola tsy maintsy manao ny trano fandraisam-bahiny.” Rehefa nahare izany curriculum vitae izany ireo iraka, dia nanao hoe: “Hiverina izahay haka an’i Arão hanao ny trano ho an’ny mpitantan-draharahan’ny Asa Vaventy.”

Nosamborina i Arão ary dia nampiasaina hanao tetik’asa fanorenana maro samihafa ho an’ny fitondram-panjakana. Na dia mpigadra aza anefa izy, dia nanana fahafahana maro hanao fanambarana.

Nampiantso an’i Arão tany amin’ny biraony tamin’ny alina ny manam-pahefana iray tao amin’ny PIDE, mba hanampy azy hianatra ny boky Fahamarinana. Rehefa nisy olon-kafa tonga, dia naka taratasy sasany haingana ilay manam-pahefana, Atoa Neves, ary mody nitarika fanadinadinana. Indray andro, dia hoy izy: “Arão a, noho izay nampianarinao ahy, dia niova finoana aho. Nandritra ny androm-piainako rehetra, hatramin’ny naha-tany Lisbonne ahy ka mandrak’androany, dia niresaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Ankehitriny, rehefa hisotro ronono aho rehefa afaka kelikely, dia ho tonga iray amin’izy ireny. Alohan’ny handehanako anefa, dia tsy maintsy manafaka anao aho. Miezaha hamita ny asanao amin’izao fotoana izao, ary dia hiresaka amin’ny inspecteur général aho mba hakany mpandatsa-biriky iray hafa. Mba tsy hisian’ny zava-manahirana, dia tsy hiverina any Lisbonne aho, fa hivarotra ny zavatra rehetra ananako ary ho any Amerika. Renao ve izay nolazaiko, ry Arão? Aza milaza na inona na inona na amin’iza na amin’iza.”

Tapa-kevitra mafy ny hihazona ny fampanantenany Atoa Neves, ka nanafaka an’ireo rahalahy tany an-tranomaizina tany Inhambane mihitsy aza. Kanefa, tsy raharaha mora ny fanafahana an’i Arão. Ny PIDE dia nanjary nihevitra azy ho ny mpanao ny tranony. Atoa Neves, tamin’izay, dia efa nisotro ronono, nefa nandeha nitsidika an’ilay namany isan’andro izy ary niangavy ny inspecteur général mba hanafaka an’i Arão. Araka ny nampanantenainy, dia taorian’ny nanafahana an’i Arão Atoa Neves vao nanohy ny diany. Asa raha aiza no misy an’Atoa Neves ankehitriny. Nitana ilay tapany hafa tamin’ny fampanantenany ve izy? Manantena izany amim-pahatsorana izahay.

Nitondra fanamaivanana vonjimaika ireo fiovana ara-politika

Tamin’ny 1 May 1974, dia nisy hiakam-pifaliana re nanerana ny tranomaizin’i Machava manontolo. Namarana ny fitondrana jadona tany Portogaly ny “Revolisiona Pika” (Revolução dos Cravos) tamin’ny 25 Aprily, ka nitondra fiovana goavana tany amin’ireo zanataniny tany ampitan-dranomasina. Tamin’ny 1 May, dia nomena famotsoran-keloka ny mpigadra politika rehetra. Tafiditra tamin’io famotsoran-keloka io ny Vavolombelon’i Jehovah, izay natao an-tranomaizina noho ny fialanalanany ara-politika. Niomana ho tonga firenena mahaleo tena izao i Mozambika.

Raha vao nafahana ireo rahalahy, dia nampaherezin’ny fahitana ireo fitomboana teo amin’ny isan’ny mpanompon’i Jehovah. Faly koa izy ireo nahita fa natanjaka ara-panahy ireo izay tsy natao an-tranomaizina. (Ampitahao amin’ny Filipiana 1:13, 14.) Nanararaotra ny fahalalahany vaovao izy ireo, ka nanao fivoriamben’ny fizaran-tany nanetriketrika. Nanampy ny faharavoan’izy ireo ny fanatrehan’ny rahalahy afrikana tatsimo roa malalan’izy ireo — i Frans Muller, mpampifandrindra tao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Afrika Atsimo, izay nampiseho fahalianana lalina ny hahasoa ireo rahalahy teto Mozambika, sy i Elias Mahenye, izay mpiandraikitra ny fizaran-tany nandritra ny taona maro tany amin’ny faritra atsimo amin’i Mozambika.

Tamin’io fivoriambe io, ireo izay natao an-tranomaizina dia nampirisihina mba hiara-miasa tamim-piraisan-kina tamin’ny fandaminan’i Jehovah nandroso haingana. Nampahatsiahy an’ireo rahalahy toy izao ny Rahalahy Mahenye: “Nanjavona ny PIDE, fa ny raibeny, i Satana Devoly, dia mbola eo ihany. Manatanjaha tena ary mambole herim-po.” Nangataka an’ireo izay tany an-tranomaizina mba hitsangana izy. Nisy am-polony maro izy ireo. Avy eo izy dia nangataka an’ireo izay tonga tao amin’ny fahamarinana nandritra ny fe-potoana naha-tany an-tranomaizina an’ireo rahalahy, mba hitsangana. Ny antsasak’ireo mpanatrika sahabo ho 2 000 no nitsangana. Hoy ny famaranan-tenin’ny Rahalahy Mahenye: “Tsy misy antony tokony hatahoranareo.”

Teny fampaherezana tamin’ny fotoana nilana azy, ireo. Nisy rahona mainty niforona teny amin’ny faravodilanitra, ary nisy fitsapana faran’izay mafy ny fitiavany an’Andriamanitra niandry ny vahoakan’i Jehovah rehetra teto Mozambika.

Nandalo haingana ny taona 1974. Nandritra io taona io, dia 1 209 no natao batisa; 2 303 tamin’ny 1975. Maro amin’ireo loholona amin’izao andro izao no natao batisa tamin’izany fotoana izany.

Kanefa nahazo vahana teo amin’ny mponina ny firehetam-po revolisionera. Ilay teny faneva hoe “Viva Frelimo” (Ho Ela Velona Anie ny Frelimo) dia tonga famantarana ilay ady ho amin’ny fahafahana sy ny fahaleovan-tena, naharitra folo taona. Nisy haravoam-be eran’ilay firenena, ary ho an’ny ankamaroany, dia toa tsy azo nosaintsainina ny hoe nisy tsy nandray anjara tamin’izany. Ireo fihetseham-po nanjaka dia nadiva hametraka rindrina iray teo anoloan’ilay fahafahana tsy naharitr’ireo rahalahy, ary ho rindrim-by ilay izy.

Baiko mba hisambotra

Rehefa hita nisongadina ny fiomanana ho amin’ny andron’ny fahaleovan-tena, ny 25 Jona 1975, dia nihaniharihary hatrany ny toerana nialanalana notanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niezaka hihaona tamin’ilay fitondram-panjakana vaovao ireo rahalahy nitana andraikitra, nefa tsy nahomby. Nanome baiko ilay prezidà vao nahazo ny toerany, raha ny tena izy, rehefa nikiakiaka nandritra ny lahateny iray tao amin’ny radio hoe: “Hamarana tanteraka ny fisian’ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo izahay (...) Mino izahay fa iraka navelan’ny fanjanahan-tany portogay izy ireo; ny PIDE taloha izy ireo (...) Noho izany, dia manolo-kevitra izahay mba hisamboran’ny vahoaka azy ireo avy hatrany.”

Nipoaka ny fanenjehana. Nisy herim-pamoretana nahetsika teny amin’ny fiaraha-monina noho ny zava-kendrena niombonana iray, dia ny hisambotra ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra — tany am-piasana, tany an-trano, teny an-dalana, na tamin’ny fotoana inona na tamin’ny fotoana inona tamin’ny andro na tamin’ny alina, nanerana ilay tany manontolo. Ny tsirairay dia noterena hiseho tany amin’ireo fivorian’ny mpiara-monina natao tany amin’ny toeram-piasana na teny amin’ny kianjam-bahoaka, ary izay rehetra tsy niara-nikiakiaka tamin’ny vahoaka hoe “Viva Frelimo” dia fantatra ho fahavalo. Toy izany ny toe-tsaina manjaka rehefa tafakatra hatrany amin’ny fara tampony ny firehetan’ny fanindrahindram-pirenena.

Kanefa, fantatra tsara fa ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia mialanalana raha ny amin’ny raharaha ara-politika aza, dia manohana ny lalàna sy ny filaminana, mitondra ireo manam-pahefana amim-panajana, manao ny marina ary malina tsara eo amin’ny fandoavan-ketra. Nandritra ireo taona lasa, ny fitondram-panjakana mozambikana dia nanamarina io zava-misy io. Nandritra izany fotoana izany anefa, ny tarehin-javatra nisy ny Vavolombelon’i Jehovah teto Mozambika dia hita ho tahaka ny an’ireo Kristiana tany am-boalohany izay novonoina ho faty tao amin’ireo kianja romana noho izy ireo nanda tsy handoro ditin-kazo manitra ho an’ny emperora, sy tahaka ny an’ireo rahalahiny tany Alemaina izay natsipy tany amin’ny toby fitanana noho izy ireo nanda tsy hikiakiaka hoe “Heil Hitler”. Maneran-tany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra noho ny fandavany tsy hampanaiky lembenana ny fankatoavany an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy, izay nilaza momba ny mpanara-dia azy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” — Jaona 17:16.

Fanaovana sesitany tambabe — Ho aiza?

Vetivety foana ireo tranomaizin’i Mozambika dia nanjary feno hipoka Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro. Mpianakavy maro no nanjary tafasaraka. Ilay fampielezan-kevitra faran’izay nahery dia niteraka fankahalana ny Vavolombelona aoka izany, hany ka, na dia tsy nampirisika izany aza ireo loholona, dia naleon’ny maro nitolo-batana, noho ny fahatsapany ho voaro kokoa niaraka tamin’ny rahalahiny sy ny havany izay efa tany an-tranomaizina.

Nanomboka tamin’ny Oktobra 1975, ny sampan’i Zimbabwe (Rhodésie tamin’izay) sy i Afrika Atsimo, dia naharay tatitra tondraka avy tany amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny komity tompon’andraikitra maro samihafa ary ireo rahalahy manokana, izay nampita filazalazana nampahonena. Ireo indray kosa dia nalefa tany amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha vantany vao naharay vaovao ny amin’ny tarehin-javatra faran’izay nampijaly nisy ireo rahalahy teto Mozambika ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany, dia nisy vavaka tsy niato ho an’ireo rahalahy nenjehina ireo niakatra tany an-danitra avy tamin’ny faritra rehetra tamin’ny tany, nifanaraka tamin’ny torohevitra ao amin’ny Hebreo 13:3. I Jehovah irery no afaka nanohana azy ireo, ary izany no nataony araka ny fombany.

Tena azo inoana fa tsy fikasan’ireo manam-pahefana ambony teo amin’ny fitondram-panjakana ny hampihatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay karazana fitondrana feno halozana tena niainan’izy ireo. Kanefa ny sasany tamin’ireo manam-pahefana ambany kokoa, tapa-kevitra ny hampiova ny finoana lalim-paka sy niorina tamin’ny feon’ny fieritreretany, dia nitady, tamin’ny fomba feno herisetra, hanery olona hilaza hoe “Viva”. Ny iray tamin’ireo ohatra maro dia ny an’i Julião Cossa avy tany Vilanculos, izay novelezina nandritra ny adiny telo mba hampanekena lembenana ny finoany, nefa tsy nisy vokany izany. Rehefa nahavita nanery olona iray hilaza hoe “Viva” ireny mpampijaly ireny indraindray, dia mbola tsy afa-po ihany. Nitaky ny hikiakiahan’ilay Vavolombelona koa hoe “Matesa anie i Jehovah” na hoe “Matesa anie i Jesosy Kristy”, izy ireo. Ireo zavatra nampihoron-koditra niainan’ireo rahalahintsika dia betsaka loatra ka tsy ho voatantara ary nahatsiravina loatra ka tsy ho voalazalaza. ( Jereo Réveillez-vous!, tamin’ny 8 May 1976, pejy 16-26.) Kanefa fantatr’izy ireo fa, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’ireo Kristiana filipiana tamin’ny taonjato voalohany, ny toerana feno herim-po notanan’izy ireo teo anatrehan’ny fahoriana sy ny fanenjehana dia porofon’ny halalin’ny fitiavany an’Andriamanitra ary nanome toky fa hanome azy ireo ny famonjena ho valisoa Izy. — Fil. 1:15-29.

Ny toe-piainana nanempotra tao amin’ireo tranomaizina feno hipoka, ka vao mainka nanampy trotraka izany ny loto sy ny tsy fisian’ny sakafo, dia nahatonga ny fahafatesan’ny ankizy maherin’ny 60 tao anatin’ny fe-potoana nisy efa-bolana, tao amin’ireo tranomaizin’i Maputo (Lourenço Marques taloha). Nanao izay azony natao ireo rahalahy mbola tsy tany an-tranomaizina mba hiezahana hanohana ireo rahalahiny tany an-tranomaizina. Nandritra ireo volana farany tamin’ny 1975, ny Vavolombelona sasany dia nivarotra ny fananany mba hanohizana hanome sakafo ho an’ireo rahalahiny natao an-tranomaizina. Kanefa, ny fampahafantarana ny tenany ho naman’ireo tao an-tranomaizina dia nidika ho fanaovana vivery ny fahalalahan’ny tenany, ary maro no nosamborina teo am-pikarakarana izay nilain’ireo rahalahiny. Izany ilay karazam-pifankatiavana nolazain’i Jesosy hoe hananan’ireo mpanara-dia azy marina. — Jaona 13:34, 35; 15:12, 13.

Nifanohitra tamin’izany kosa, nandritra io fe-potoana io ihany, ny Vavolombelona sasany tany amin’ny faritanin’i Sofala dia nentina tamin’ny fomba hafa tanteraka. Raha vao voasambotra izy ireo, dia nentina tany amin’ny Grande Hotel be renty tao amin’ny tanànan’i Beira ary nomena sakafo teo am-piandrasana ny hoentina tany amin’ny toerana halehany farany.

Toerana taiza? Zava-niafina io, na dia ho an’ireo mpamily ireo aotobisy sy kamiao maro nitondra azy ireo aza.

Ny toerana haleha — Carico, Zaran-tanin’i Milange

Teo anelanelan’ny Septambra 1975 sy Febroary 1976, ny Vavolombelon’i Jehovah voatana rehetra, na tany an-tranomaizina izany na teny amin’ny saha an-kalamanjana, dia nafindra. Ilay toerana haleha tsy nampahafantarina dia mbola fiadiana iray hafa koa nampiasain’ny polisy sy ny manam-pahefana teo an-toerana mba hitadiavana hampahatahotra ireo rahalahy. “Hohanin’ny biby masiaka ianareo”, hoy ny nolazaina taminy. “Toerana tsy fantatra any avaratra ilay izy, ary tsy hiverina avy any mihitsy ianareo.” Ireo mpianakavy tsy mpino dia niara-nitomany sy nitoreo ary nanizingizina ny hilavoan’ireo mpino lefona. Kanefa, vitsy dia vitsy no nanaiky lembenana. Na dia ireo liana vao haingana aza dia nifikitra tamin-kerim-po tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Toy izany no izy tamin’i Eugênio Macitela, izay mpanohana filamatra ara-politika tamin-jotom-po. Taitra ny fahalianany raha vao reny fa feno Vavolombelon’i Jehovah ireo tranomaizina. Mba hahafantarana hoe iza izy ireo, dia nangataka fampianarana Baiboly izy, ary dia voasambotra sy natao sesitany herinandro monja tatỳ aoriana. Anisan’ireo voalohany natao batisa tany amin’ny toby fitanana izy, ary amin’izao andro izao dia mpiandraikitra ny fizaran-tany.

Tsy nampiseho soritry ny tahotra na ny fanahiana ireo Vavolombelona rehefa nalaina tao amin’ireo tranomaizina ka nampidirina tao anaty aotobisy sy kamiao ary na dia fiaramanidina mihitsy aza. Niala teto Maputo tamin’ny 13 Novambra 1975 ny iray tamin’ireo filaharana fiara nanaitra indrindra. Nisy aotobisy, na machibombos araka ny iantsoana azy ireo eto, 14. Ny fifaliana toa tsy azo nohazavaina tsapan’ireo rahalahy dia nanosika an’ireo miaramila tompon’andraikitra hanontany hoe: “Ahoana no ahafahanareo ho faly toy izao, nefa tsy fantatrareo akory izay halehanareo? Izay halehanareo ange ka tsy tsara velively e.” Tsy nampihena ny fifalian’ireo rahalahy anefa izany. Raha mbola nitomany ireo havana tsy mpino, noho ny fahatahorany ny amin’ny hoavin’ireo olo-malalany, ireo Vavolombelona kosa nihira hiran’ilay Fanjakana, toy ilay mitondra ny lohateny hoe “Mandrosoa Amin-kerim-po”.

Tany amin’ny tanàna tsirairay nandalovany, dia niantso an-telefaonina an’ireo lehibeny ireo mpamily mba hahafantarana ny toerana halehany, ary dia nomena baiko mba handroso hatreo amin’ny fijanonana nanaraka izy ireo. Very lalana ny sasany tamin’ireo mpamily. Tamin’ny farany anefa, dia tonga tany Milange, izay sady tanàna no foiben’ny zaran-tany iray tao amin’ny faritanin’i Zambézia, 1 800 kilaometatra avy eto Maputo, izy ireo. Tany ireo rahalahy dia noraisin’ilay mpitantan-draharaha tamin’ny alalan’ny “lahateny fiarahabana tonga soa” iray, izay kabary feno fandrahonana.

Nentina tany amin’ny 30 kilaometatra niantsinanana izy ireo avy eo, tany amin’ny toerana iray teo amoron’ny Ony Munduzi, ilay faritra fantatra amin’ny hoe Carico, mbola tao amin’ny zaran-tanin’i Milange ihany. Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro avy tany Malawi, izay nandositra ny onjam-panenjehana tany amin’ny taniny, no efa mpitsoa-ponenana nipetraka teto hatramin’ny 1972. Fahagagana ho an’ireo avy tany Malawi ny fahatongavan’ireo rahalahy mozambikana tsy nampoizina. Ary fahagagana ho an’ireo Mozambikana ny hoe noraisin’ny rahalahy niteny fiteny hafahafa. Fahagagana nahafinaritra indrindra anefa ilay izy, ary ireo rahalahy avy tany Malawi dia nandray an’ireo Vavolombelona mozambikana tamin-kafanana sy fahaiza-mampiantrano vahiny aoka izany, hany ka nanohina ny fon’ireo mpamily. — Ampitahao amin’ny Hebreo 13:1, 2.

Ny mpitantan-draharahan’ilay zaran-tany dia ilay rangahy niaraka tamin’ireo rahalahy tao amin’ny tranomaizin’i Machava, taona maro talohan’io. Isaky ny nandray ny antokon’olona tsirairay izy, dia nanontany hoe: “Aiza ry Chilaule sy Zunguza? Fantatro fa ho avy ry zareo.” Rehefa tonga tokoa ny Rahalahy Chilaule, dia hoy ilay mpitantan-draharaha taminy: “Chilaule a, tsy dia tena fantatro ny fomba handraisana anao. Tsy mitovy ny andaniny misy antsika ankehitriny.” Nifikitra tamin’ireo tsangan-keviny izy ary tsy nanao velively izay hahamora kokoa ny toe-javatra nisy an’ireo mpiray cellule taminy taloha. “Osy nanapaka teo anivon’ny ondry” izy, hoy izy momba ny tenany.

Fanohanana feno fitiavana avy tamin’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena

Ny fianakavian’ny mpirahalahy Vavolombelon’i Jehovah iraisam-pirenena dia naneho ny fiahiany feno fitiavana an’ireo rahalahy teto Mozambika. Nataon’izy ireo tondraka hafatra niangavy an’ireo manam-pahefana mozambikana, ny sampan-draharahan’ny paositra teto. Ireo mpiara-miasa tamin’i Augusto Novela, Vavolombelona iray, tao amin’ny kompaniam-pifandraisan-davitra iray, dia nanesoeso azy taloha ka nilaza fa antokom-pinoana teo an-toerana fotsiny ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanjary nangina anefa izy ireo rehefa nanomboka naharay hafatra avy tany amin’ny faritra rehetra naneran-tany ireo milina télex. Ny fihetsika avy tamin’ny olona tsy tambo isaina toy izany dia nanamarina fa tena tafaray noho ny fitiavana ny vahoakan’i Jehovah.

Rehefa afaka tokony ho folo volana, ny minisitra iray tao amin’ny fitondram-panjakana, nandritra ny fitsidihana fisafoana ireo toby, dia nanaiky fa natao an-tranomaizina noho ny fiampangana lainga ireo rahalahy. Kanefa, dia mbola aloha loatra tamin’izay mba hanantenana fahafahana.

Ireo zava-tsarotry ny fiainana vaovao iray

Nisokatra ny toko vaovao iray teo amin’ny tantaran’ny vahoakan’i Jehovah teto Mozambika. Ireo rahalahy avy tany Malawi teo amin’ilay faritra dia nandamina vohitra valo. Nahazo fanandraman-javatra be dia be izy ireo raha ny amin’ny fanarahana fomba fiaina vaovao tany anaty kirihitr’ala no sady nampitombo ny fahaizany nanorina trano sy Efitrano Fanjakana ary na dia Efitrano Fanaovana Fivoriambe mihitsy aza. Ireo izay tsy nanana fanandraman-javatra raha ny amin’ny fambolena teo aloha dia niana-javatra be dia be koa momba io karazan’asa io. Maro tamin’ireo Mozambikana, izay mbola tsy namboly tao amin’ny machamba (saha voasa) mihitsy, no nadiva hahita voalohany ny atao hoe asa mafy teny an-tsaha. Nandritra ireo volana vitsivitsy voalohany, ireo vao tonga dia nandray soa avy tamin’ny fahaiza-mampiantrano vahiny tamim-pitiavana nasehon’ireo rahalahiny avy tany Malawi, izay nandray azy ireo tao an-tranony ary nizara ny sakafony taminy. Izao anefa dia tonga ny fotoana hanorenan’ireo rahalahy mozambikana ny vohitry ny tenany manokana.

Tsy asa mora ilay izy. Efa nanomboka ny orana, ary voatahy be dia be tamin’ny alalan’ny rano avy tany an-danitra mbola tsy nisy toy izany, ilay faritra. Kanefa, rehefa tondraka ny Ony Munduzi, izay namakivaky ny afovoan’ilay toby, tao amin’ny faritra iray izay nampijalin’ny hain-tany raha araka ny mahazatra, izany dia noraisin’ireo rahalahy ho toy ny famantarana fa hikarakara azy ireo i Jehovah. Eny tokoa, nandritra ireo 12 taona nanaraka, dia tsy maina toy ny taloha ilay ony na dia indray mandeha aza. Tetsy an-danin’izany kosa, “ilay tany feno fotaka sy nalama, nateraky ny orana tsotra izao, dia nahatonga zava-tsarotra fanampiny iray ho an’ireo mponina an-tanàn-dehibe taloha”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Muthemba. Ankoatra izany, dia tsy mora ho an’ireo vehivavy ny nita ilay rano, nihilangilana teny ambony tetezana namboamboarina, izay tsy inona fa vatan-kazo fotsiny. “Noho izahay lehilahy zatra birao, ny zava-tsarotra taminay dia ny hiditra tany anatin’ilay ala nikitroka sy ny hikapa hazo mba hanorenana ireo tranonay”, hoy ny tsaroan’i Xavier Dengo. Ireo toe-javatra ireo dia nanjary fitsapana, ary tsy voaomana ho amin’ilay izy ny sasany.

Tsaroantsika fa tamin’ny andron’i Mosesy, dia nisy fitarainana nanomboka teo anivon’ireo “olona hafa firenena” izay niaraka tamin’ireo Isiraelita nivoaka an’i Egypta sy niditra ny tany efitra, ary avy eo dia niely teo amin’ireo Isiraelita koa. (Nom. 11:4). Nitovy tamin’izany koa fa teo anivon’ireo Vavolombelona tsy vita batisa, dia nisy antokona mpitaraina niseho raha vao tany am-boalohany, ary nanatevin-daharana azy ireo ny sasany tamin’ireo efa vita batisa. Nanatona an’ilay mpitantan-draharaha izy ireo ary nampahafantatra taminy fa vonona ny handoa na inona na inona izy ireo mba haverina hody haingana araka izay azo natao. Tsy nitarika ho amin’ny fodiana haingana araka ny nantenain’izy ireo anefa izany. Voahazona tao Milange izy ireo, ary maro taminy no tonga fanorisorenana ho an’ireo nahatoky. Nanjary fantatra ho “ireo mpikomy” izy ireo. Nonina teo anivon’ireo rahalahy nahatoky izy ireo saingy vonona foana ny hamadika azy ireo. Tsy nahatohitra fitsapana ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra.

Ny antony nianjeran’ireo Efitrano Fanaovana Fivoriambe

Nanana fahalalahana be hanao fanompoam-pivavahana ireo rahalahy avy tany Malawi. Rehefa tonga ireo rahalahy mozambikana, dia nandray soa avy tamin’izany izy ireo tamin’ny voalohany. Isan’andro dia niangona tao amin’ny iray tamin’ireo Efitrano Fanaovana Fivoriambe lehibe izy ireo mba handinihana ny teny natao hovakina ho an’ny andro. Mpiandraikitra ny fizaran-tany avy tany Malawi matetika no nitarika. “Nanome tanjaka”, hoy ny tsaroan’i Filipe Matola, “taorian’ny volana maro naha-tany an-tranomaizina sy nanaovana dia, ny nahare fampirisihana ara-panahy niaraka tamin’ny rahalahy maro be aoka izany.” Kanefa, tsy naharitra io fahalalahana voafetra io.

Tamin’ny 28 Janoary 1976, ireo manam-pahefana tao amin’ny fitondram-panjakana, niaraka tamin’ny miaramila, dia namakivaky ireo vohitra ka nampandre hoe: “Rarana ianareo tsy hanao fanompoam-pivavahana na hivavaka ato amin’ireto efitrano ireto na any amin’ny toerana hafa rehetra amin’ireo vohitra. Hatao fananam-pirenena ireo efitrano ary hampiasain’ny fitondram-panjakana araka izay hitiavany azy.” Nomeny baiko ireo rahalahy mba hamoaka ny bokiny rehetra, izay notanany avy eo. Mazava ho azy fa nanafina izay azony nafenina ireo rahalahy. Nanaraka izany, dia nisy saina natsangana teo anoloan’ny efitrano tsirairay, ary nisy miaramila najanona ho mpiambina mba hahazoana antoka ny fanarahana ilay didy.

Na dia naorina tamin’ny hazo aza ireo efitrano ary toa hita ho tsizarizary, dia tena mafy. Kanefa, tao anatin’ny fotoana fohy ihany, dia nanomboka nihasimba izy rehetra. Tadidin’i Xavier Dengo fa, indray mandeha, dia vao tonga tao amin’ny iray tamin’ireo vohitra izy sy ilay mpitantan-draharaha rehefa nanomboka nirodana ara-bakiteny ilay efitrano, na dia tsy avy aza ny orana na nitsoka ny rivotra. Nihiaka ilay mpitantan-draharaha hoe: “Fa inona àry itỳ? Ratsy ianareo ka. Izao izy efa nataonay fananam-pirenena izao vao mianjera daholo ireo efitrano!” Tamin’ny fotoana iray tatỳ aoriana, dia hoy ilay mpitantan-draharaha tamin’ny iray tamin’ireo loholona: “Tsy maintsy ho nivavaka mba hianjeran’ireo efitrano ianareo, (...) ary dia nampianjera azy ireo ny Andriamanitrareo.”

Fandaminana tao amin’ireo vohitra

Nisy vohitra mozambikana sivy nipongatra, izay sady nirazotra tamin’ireo vohitra valon’ireo rahalahy avy tany Malawi efa teo no nanatrika azy ireo. Ireo antokon’olona roa ireo, tafaray noho ilay “fiteny madio”, dia niara-nonina nandritra ireo 12 taona nanaraka. (Zef. 3:9, NW ). Ny faritra nisy ny tsirairay tamin’ireo vohitra dia nizara ho faritanàna, voasoritry ny lalana voakojakoja tsara, ka ny faritanàna tsirairay dia nahafaoka saha valo 25 metatra ny sakany ary 35 metatra teo ho eo ny lavany. Nakambana araka ny faritanàna ireo kongregasiona. Taorian’ny nanambarana ilay fandrarana tao amin’ireo toby, dia tsy afaka nanorina Efitrano Fanjakana mora fantatra izy ireo. Koa nanorina trano manokana niendrika L kosa izy ireo mba hampiasaina ho amin’izany. Nisy vehivavy maty vady iray na olon-kafa tsy nanambady nipetraka tao amin’izy ireny mba ho hita ho toy ny trano fonenana izy ireny. Avy eo, rehefa natao ireo fivoriana, dia nitsangana teo amin’ny zoron’ilay “L” ny mpandahateny mba ho afaka hanatrika ny mpanatrika teo amin’ny lafiny roa.

Nanodidina ny tsirairay tamin’ireo vohitra dia nisy machambas. Ny kongregasiona tsirairay koa dia nikarakara “machamba iray an’ny kongregasiona”, izay niarahan’ny rehetra novolena ho fandraisany anjara tamin’ny fikarakarana izay nilain’ny kongregasiona.

Samy hafa ny haben’ny vohitra tsirairay arakaraka ny mponina. Ny fanisam-bahoaka tamin’ny 1979 dia nampiseho fa ny Vohitra Mozambikana Faha-7 no kely indrindra, tsy nisy afa-tsy mpitory 122 sy kongregasiona 2, fa ny Faha-9 kosa, izay ny lehibe indrindra sady ny lavitra indrindra, dia nanana mpitory 1 228 sy kongregasiona 34. Ilay toby iray manontolo dia nanana fizaran-tany 11. Io toby rehetra io, voaforon’ireo vohitra nisy rahalahy avy tany Malawi sy avy teto Mozambika, sy ireo faritra niankina taminy, dia nanjary fantatr’ireo rahalahy tamin’ny hoe Faribohitr’i Carico. Ny fanisam-bahoaka farany voarakitra anananay dia tamin’ny 1981, rehefa nisy 22 529 ny isan’ny mponin’ny Faribohitr’i Carico iray manontolo, ka ny 9 000 tamin’ireo dia mpitory narisika. Tatỳ aoriana, dia nisy fitomboana hafa koa. (Ny prezidà tamin’izay, i Samora Machel, dia nanambara fa nisy 40 000 ny isan’ny mponina tao, araka ilay bokikely hoe Consolidemos Aquilo Que nos Une [Fanamafisana Izay Mampiray Antsika], pejy 38-39.)

Ny andron’i Chingo — Andro sarotra

Mazava ho azy fa tsy nentina tany Milange mba ho tonga vondron’olona mpamboly fotsiny akory ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy hoe tsy nisy antony akory ny niantsoan’ny fitondram-panjakana an’ilay toby hoe Foibe Fanarenan’i Carico, araka ny noporofoin’ny foibe fitantanan-draharaha teo afovoan’ny Toby Faha-4 nisy rahalahy avy tany Malawi, izay notarihin’ny mpiasam-panjakana ary nisy birao sy toeram-ponenana. Tao koa dia nisy komandàn’ny toby sy ireo miaramilany ary tranomaizina iray izay nampidirana ny maro tamin’ireo rahalahintsika nandritra ny fe-potoana samy hafa, araka ny fanapahan-kevitr’ilay komandà.

Ny komandà nalaza ratsy indrindra tamin’ny rehetra dia i Chingo. Ny fe-potoana naharitra roa taona naha-komandà azy dia nanjary fantatra tamin’ny hoe andron’i Chingo. Tapa-kevitra ny hampitsahatra ny tsy fanekena lembenana notanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tsy nanaiky lembenana sy ny “hanarina” azy ireo izy, ka nampiasa ny tetika psikolojika rehetra fantany, ary koa herisetra, mba hanatratrarana ny tanjony. Na dia zara raha nahita fianarana aza izy, dia mpandahateny nalama vava sy nahay nandresy lahatra ary tia nampiasa fanoharana. Nampiasa io talentany io izy mba hitadiavana hampianatra an’ireo rahalahy ny filozofiany ara-politika sy hampahalemy ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra. Ny iray tamin’ireo tetik’adiny dia “ny seminera dimy andro”.

“Ny seminera dimy andro”

Nampandre ilay komandà fa hisy “seminera dimy andro” nalamina ary koa fa tokony hifidy ireo lehilahy nahay indrindra tao amin’ireo vohitra ny Vavolombelona, dia ireo izay ho afaka hampita fanazavana nahaliana. Halefa any amin’ny seminera iray hatao tany amin’ny toerana lavitra iray, izy ireo. Nanda ireo rahalahy, satria nisalasala momba ny fikasany. Kanefa “ireo mpikomy” nanatrika teo dia nanondro an’ireo rahalahy nitana andraikitra, anisan’izany ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tafiditra tamin’ireo i Francisco Zunguza sy i Xavier Dengo ary i Luis Bila. Lasa ny kamiao iray nitondra lehilahy 21 sy vehivavy 5. Nanao dia nisy an-jatony kilaometatra maro nianavaratra izy ireo, ho any amin’ny faritra iray tany avaratr’i Lichinga, tao amin’ny faritanin’i Niassa. Tany ireo lehilahy dia natsipy tao amin’ny “toby fanarenana” iray niaraka tamin’ny mpanao heloka bevava, fa ireo vehivavy kosa nentina tany amin’ny toby iray ho an’ny mpivaro-tena.

Teto izy ireo dia nampiharana fampijalijaliana mafy dia mafy, anisan’izany ilay nantsoin’ireo mpampijaly azy hoe “fomban’i Kristy”. Natsotra teo amin’ny andaniny roa ireo sandrin’ilay olona, toy ny hoe teo amin’ny vokovoko iray, ary avy eo dia nisy hazo iray natao nirazotra tamin’ireo sandry. Nisy tady nylon nafatotra mafy nanodidina ireo sandry sy ilay hazo, nanaraka ny halavan’ireo sandry roa manontolo, hatramin’ny tendron’ny rantsantanan’ny sandry iray ka hatramin’ny tendron’ny rantsantanan’ilay iray hafa. Tapaka tanteraka ny fikorianan’ny ra tany amin’ireo tanany sy sandriny ary sorony, ary nohazonina tamin’io toerana io nandritra ny fe-potoana lava be izy mba hanerena azy hiteny hoe “Viva Frelimo”, nefa very maina foana izany. Noho io fitondrana tamin’ny fomba feno habibiana sy tsy nifaditra ovana io, i Luis Bila, loholona nahatoky, dia narary fo ka maty.

Ireo anabavy dia nampiharana ny hoe “fampiasan-tena”, izay nitaky ny hihazakazahany saika tsy nisy farany, indraindray niditra sy nivoaka ny rano, ny hanaovany tsingolobatita niakatra sy nidina tendrombohitra tsy an-kijanona, ary ny hampiharana taminy zavatra tsy nahamendrika tsy hita isa. Seminera re izany! “Fanarenana” re izany!

Na dia teo aza io fitondrana tamin’ny fomba feno habibiana io, dia nihazona ny tsy fivadihany ny ankamaroan’ireo rahalahy ireo; roa monja no nanaiky lembenana. Nahavita nandefa taratasy tany amin’ny Minisitry ny Atitany teto Maputo ny iray tamin’ireo rahalahy, mba hanalana sarona io fomba nitondrana azy ireo io. Nisy vokany ilay izy. Tonga tamin’ny helikoptera mihitsy ny tenan’ny governoran’i Niassa. Nanendaka avy hatrany ny fahefana rehetra tamin’ilay komandà sy ireo mpanampy azy izy, ka nanambara hoe: “Afaka mihevi-tena ho voasambotra ireto, noho ny fanaovana zavatra izay tsy nokasain’ny Frelimo hatao mihitsy.” Rehefa nahare izany ireo mpigadra hafa izay nentina tamin’ny fomba nitovy tamin’izany koa, dia nikiakiaka tamim-pifaliana ka nanao hoe: “Noho ianareo, dia nafahana izahay”, nefa hoy ny navalin’ireo rahalahy hoe: “I Jehovah no omeo fisaorana.”

Rehefa afaka kelikely, dia nafindra tany amin’ny toby hafa izy ireo, ka ny fomba fitondrana tany dia fampanaovana asa an-tery vozona fotsiny. Tamin’ny fitambarany, dia efa ho roa taona vao tafaverina tany Carico izy ireo — ary tao i Chingo mba handray azy ireo. Nanohy nanao fanandramana tsy nahomby hampahalemy ny tsy fivadihan’izy ireo tamin’i Jehovah izy, tamin’ny fitarihana “seminera” nitovy tamin’ny teo aloha. Farany, rehefa nadiva handao an’i Carico izy, dia nanao lahateny araka ny fomba feno fanoharana nampiavaka azy. Niaiky ny fahareseny izy ka nanao hoe: “Mamely ny hazo iray amin’ny kapoka maro ny lehilahy iray, ary rehefa tsy manana kapoka maro hafa intsony izy mba hanjerana azy, dia soloana olon-kafa izay, amin’ny alalan’ny kapoka iray monja, dia mamita ilay asa. Namely tamin’ny kapoka maro aho, nefa tsy nahavita hatramin’ny farany. Hisy olon-kafa ho avy ao aoriako. Hampiasa fomba hafa izy ireo. Aza milefitra. (...) Hazòny mafy hatrany ny toerana tananareo. (...) Raha tsy izany, dia izy ireo no handray ny voninahitra rehetra.” Tamin’ny fihazonana ny fitiavany an’i Jehovah ho mafy anefa, dia niezaka ireo rahalahy mba hahazoana antoka fa i Jehovah irery no handray ny voninahitra. — Apok. 4:11.

Ireo izay nijanona tany amin’ireo tanàn-dehibe

Tany an-tranomaizina na tany amin’ny toby fitanana daholo ve ny Vavolombelona mozambikana rehetra? Na dia nataon’ireo fahavalony haza lambo aza izy ireo tany amin’ny toeram-piasany sy saika tany amin’ny manodidina rehetra, dia nisy afa-nandositra. Tsy ny rehetra no may ny handefasana azy ireo tany an-tranomaizina na ny hanasaziana azy ireo tamin’ny fomba hafa. Notandindomin-doza tsy an-kijanona ny ho voasambotra anefa ny Vavolombelona. Ny zavatra fanao andavanandro toy ny fividianana sakafo na ny fantsakana teny amin’ny paompim-bahoaka dia nampidi-doza.

Hoy ny tsaroan’i Lisete Maienda, izay nijanona tao Beira: “Tsy nomena karatra nilaiko mba hividianana sakafo aho satria tsy nankany amin’ireo fivoriana ara-politika nasaina natrehina. Soa ihany fa niantso ahy mangingina ny mpivarotra tsara fanahy iray ary nivarotra lafarinina kilao vitsivitsy tamiko.” (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 13:16, 17.) Noroahina tamin’ny asany tao amin’ny seranan’i Beira inenina ny Rahalahy Maienda, nefa isaky ny voaroaka izy, dia niverina nitady azy ireo mpampiasa azy satria sarobidy aoka izany ho an’ny kompaniany ny fahaizany teo amin’ny asany.

Na dia raharaha nampidi-doza be aza ny fanaovana fanambarana sy ny fiaraha-mivory, dia tsy maty ilay fahazavana na taiza na taiza tao amin’ireo tanàna lehibe indrindra teto amin’ilay tany. Nanatevin-daharana ny fianakaviana Maienda tao Beira ny antokona tanora iray teo amin’ny manodidina an’i Esturro, izay be herim-po sy nangetaheta ny fahamarinana. Niaraka izy ireo nihazona ilay fahazavana hamirapiratra tao amin’io renivohitry ny Faritanin’i Sofala io. Lehibe aoka izany ny zotom-pon’ilay antokon’olona tao Beira, hany ka, na dia teo aza ny loza, dia niampita ny sisin-tany nankany Rhodésie (Zimbabwe ankehitriny) izy ireo mba hahazoana sakafo ara-panahy.

Niasa tamim-pahasahiana sady tsy nitandro hasasarana ny biraon’ny sampana tany Salisbury (Harare ankehitriny) mba hikarakarana ny rahalahy rehetra izay niparitaka tany amin’ny faritra avaratra. Ohatra, rehefa tonga tao amin’ny birao ny vaovao hoe nisy antokon’olona mbola niara-nivory tao Tete, dia naniraka rahalahy roa tany ny sampana mba hanehoana fiheverana izay nilain’io antokon’olona io, satria, tahaka an’i Epafrodito, mpiara-miasa tamin’ny apostoly Paoly, dia manina an’ireo rahalahy izy ireo. (Fil. 2:25-30). Ny iray tamin’ireny rahalahy ireny dia i Redson Zulu izay tian’ny rehetra ary fantatra nanerana ny avaratra rehetra noho ireo lahateniny nampientana tamin’ny teny chichewa. Nisetra loza lehibe izy sy ilay namany, nandeha bisikilety namakivaky ny kirihitr’ala mba hanompoana an’ireo rahalahiny mozambikana nitokana.

Nitovy tamin’izany koa fa nanohy nirehitra ny fahazavan’ny fahamarinana tany amin’ny faritanin’i Nampula. Nisy antokon’olona tsy vita batisa nijanona tany, ary nanohy nanao fivoriana araka ny fombany manokana. Tamin’ny voalohany, dia 8 ny mpanatrika, nefa tsy ela dia nitombo ka nahatratra 50 izy ireo. Rehefa nalefa avy tany Carico mba hampidirina hopitaly tao Nampula ny rahalahy iray, dia nifandray tamin’ny mpikambana iray tao amin’io antokon’olona tsy vita batisa io, izay mpiasa tao amin’ilay hopitaly. Nanoratra tany amin’ny Fikambanana ilay rahalahy, ary dia nanome toromarika azy ny biraon’ny sampana mba hiara-mianatra tamin’ilay antokon’olona, mba hanomana ho amin’ny batisa, ireo izay vonona. Dimy no natao batisa. Nahazo fanampiana hafa koa izy ireo rehefa nanokatra ny tokantranony mba hanaovana fivoriana, ny Vavolombelona iray avy tany Holandy izay tao Nampula noho ny asany. Tatỳ aoriana, ny sasany tamin’io antokon’olona io dia nahafeno fepetra mba ho loholona niantsoroka andraikitra.

Fanamaivanana tao amin’ny tranomaizina foibe

Tamin’ny 1975, dia nisy antokona mpigadra nifandimby nalefa tany avaratra avy tao amin’ireo tranomaizin’i Maputo, fa nisy hafa foana kosa tonga tsy tapaka ka naka ny toerany. Avy eo, tokony ho tamin’ny faran’ny Febroary 1976, dia nanapa-kevitra ny hampitsahatra io fitaterana mpigadra Vavolombelona tsy an-kijanona io ny fitondram-panjakana.

Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, ny Prezidà Samora Machel dia nitsidika ny tranomaizina foiben’i Maputo. Nanararaotra an’ilay fahafahana ny Anabavy Celeste Muthemba, iray tamin’ireo mpigadra, mba hanaovana fanambarana tamin’ilay prezidà. Nihaino tamin-katsaram-panahy izy, nefa taorian’ny nandehanany, dia notenenin’ireo manam-pahefana tao amin’ny tranomaizina mafy ilay anabavy. Kanefa, herinandro tatỳ aoriana, dia tonga ny baiko nandidy ny hanafahana azy, niaraka tamin’ny taratasy iray nanome antoka ny fiarovana azy tamin’ny fanenjehana hafa koa noho ny antony ara-politika, sy ny zony handray ny asany teo aloha tao amin’ilay hopitaly foibe. Ankoatra izany, dia nomena ny lalana hanafahana ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra tao amin’io tranomaizina io.

Ireo teto Maputo dia nalamina ho kongregasiona. Vetivety foana, dia kongregasiona 24 no voaforona ho fizaran-tany iray niitatra avy teto Maputo ka nianavaratra-atsinanana hatrany Inhambane. I Fidelino Dengo no notendrena hitsidika azy ireo. Fanampin’izany, ny sampan’i Afrika Atsimo dia nanendry komitin-doholona iray mba hikarakara ny zavatra ara-panahy nilain’ireny antokon’olona ireny. Nahita fomba feno fitandremana nitoriana tsy ara-potoana izy ireo. Nanao fandaharana izy ireo mba hanatrehan’ireo rahalahy fivoriamben’ny distrika tatsy Swaziland teo akaiky. Ary teto Mozambika mihitsy, rehefa nisy niverina avy tany Carico, dia nanao fivoriambe izay mody natao hoe lanonana “fiarahabana tonga soa ireo tafody”, ireo rahalahy.

Ary tany Carico? Inona avy no fandaharana natao ho an’ny zavatra ara-panahy tany?

Nanara-maso ny asa tao amin’ireo toby ny Komity “O.N.”

Ireo rahalahy avy tany Malawi, teo ambany fiandraiketan’ny sampan’i Zimbabwe, dia nanangana komity manokana iray mba hikarakara ny zavatra ara-panahy nilaina tao amin’ireo toby. Rehefa nentina tao Carico ireo rahalahy avy tany amin’ny faritra atsimo amin’i Mozambika, izy ireo koa dia nandray soa avy tamin’ilay fandaharana efa niasa tao. Nisy roa tamin’ireo rahalahy avy tany atsimo, i Fernando Muthemba sy i Filipe Matola, nanampy isa an’ilay komity.

Ny Komity O.N. (Ofisi ya Ntchito: Biraon’ny Fanompoana, amin’ny teny chichewa) dia nifandray an-taratasy tamin’ny Fikambanana ary nandamina fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika. Nanambatra tatitra ho an’ilay toby manontolo izy ireo ary niara-nivory tsy tapaka tamin’ireo loholona tao amin’ireo vohitra. Nanara-maso ny asan’ireo fizaran-tany 11 koa izy ireo. Andraikitra navesatra ny azy ireo, indrindra fa noho ny fifandraisana narefo nisy teo amin’ireo rahalahy sy ireo manam-pahefana tao amin’ny fitondram-panjakana.

Fitoriana sy fanaovana mpianatra tao amin’ireo toby

Tsy toko tsy forohana ny isan’ireo olona liana sy mpianatra ny Baiboly niaraka tamin’ireo rahalahy nankany Milange tamin’ny 1975, ka natao batisa tamin’ny Novambra 1976.

Maro tamin’ireo efa mpisava lalana maharitra no nanohy nitory avy hatrany nandritra ny fotoana nanaovana azy an-tranomaizina sy namindrana azy tany amin’ireo toby. Iza anefa no nitorian’izy ireo? Teo am-piandohana, dia niara-nianatra tamin’ireo mbola tsy vita batisa izy ireo, anisan’izany ny zanak’ireo rahalahy. Ny fianakaviana iray maro anaka dia noheverina ho “faritany tsara”. Niara-nianatra tamin’ny sasany tamin’ireo zanany ireo ray aman-dreny, ary ny sisa dia nozaraina tamin’ireo mpitory mpitovo. Tamin’io fomba io, dia maro no narisika hatrany teo amin’ny asa fanaovana mpianatra.

Kanefa, tsy ampy izany ho an’ireo izay tena nanana marina ny toe-tsain’ny mpitory ny filazantsara. Nanomboka nitily faritany tany ivelan’ireo toby ny mpisava lalana be zotom-po iray. Mazava ho azy fa nampidi-doza izany, noho ireo fetra nampiharin’ireo manam-pahefana tao amin’ny toby. Takany fa ho voatery hitady antony iray hialana tamin’ireo toby izy. Inona àry no azony nampiasaina? Rehefa avy nivavaka mba hahazoana ny fitarihan-dalan’i Jehovah izy, dia nanapa-kevitra ny hivarotra sira sy zava-pihinana sasany tamin’ireo olona tany ivelan’ireo toby. Nangataka vidiny lafo be izy mba tsy hisian’ny tena varotra raikitra, no sady hanokafany fahafahana hanao fanambarana. Nanjary be mpanaraka io fomba io. Tatỳ aoriana, dia maro tamin’ireny “mpivarotra” ireny no hita nanolotra ny vokany teny ivelan’ireo toby. Ny fiasana ilay faritany niparitaka dia nahafaoka fanaovana dia lavitra be, sy fialana tamin’ny andro vao nangiran-dratsy ary fiverenana tamin’ny alina. Nanify ny “ahitra” ho an’ny “valala” be dia be aoka izany. Tamin’izany fomba izany anefa, dia olona maro nonina tao amin’ilay faritra no nianatra ny fahamarinana.

“Foibem-pamokaran’i Zambézia”

Noho ny asa tamim-pahazotoana nataon’ireny “mpianatra nanarina” nazoto niasa ireny sy ny orana naharavoravo nanondraka ilay faritra, dia nirobona ny vokatry ny fambolena. Nanjary tondraka ny vokatra katsaka, vary, mangahazo, ampemby, vomanga, fary, tsaramaso ary voankazo avy teto an-toerana toy ny mafura, notazan’ireo Vavolombelona tao amin’ireo toby. Feno hipoka ireo fitoeram-bokatry ny Faribohitr’i Carico. Nanatsara ny sakafon’izy ireo ny proteina nentin’ny fiompiana vorona sy biby madinika toy ny akoho, ganagana, voromahailala, bitro ary kisoa. Nanjary anisan’ny lasa ilay hanoanana hitan’izy ireo tany am-boalohany. Nifanohitra tamin’izany kosa fa ny sisa tamin’ilay tany dia nahita ny tsy fahampian-tsakafo lehibe indrindra teo amin’ny tantarany. — Ampitahao amin’ny Amosa 4:7.

Ho fanekena io fahombiazana teo amin’ny fambolena io, dia nanomboka niantso ny faritr’ireo toby ireo hoe “Foibem-pamokaran’i Zambézia” ny fitondram-panjakana. Tamin’ny vola niditra avy tamin’ny fivarotana ny ambim-bava, ireo rahalahy dia afaka nividy fitafiana ary koa radio sy bisikilety sasany mihitsy aza. Na dia mpigadra aza izy ireo, dia ampy fitaovana tsara, noho ny fahazotoany. Nanaraka fatratra ireo lalàn’ny fitondram-panjakana momba ny hetra izy ireo; eny tokoa, anisan’ireo mpandoa hetra tsara indrindra teo amin’ilay faritra izy ireo. Mifanaraka amin’ny fari-pitsipika ara-baiboly, ny fandoavana hetra amim-pahamalinana tsara, na dia tao anatin’ireo toe-javatra ireo aza, dia iray tamin’ireo fepetra notakina tamin’izay rehetra noheverina homena tombontsoa tao amin’ny kongregasiona. — Rom. 13:7; 1 Tim. 3:1, 8, 9.

Fifanakalozana kolontsaina

Nisy fifanakalozana fahaizana sy kolontsaina tao Carico. Maro no nianatra fahaizana vaovao, toy ny fandatsaham-biriky sy ny fandrafetana ary ny asa sokitra tamin’ny hazo. Niaraka izy ireo namboly fahakingana teo amin’ny fanamboarana fitaovana, fiasana tamin’ny fonte, fanaovana fanaka tsara, ary zavatra hafa koa. Ankoatra ny fandraisan’ny tenany soa avy tamin’ireo fahaizana nianarany na nohatsarainy, dia nahazo fidiram-bola hafa koa izy ireo, noho io asa io.

Ny zava-tsarotra lehibe indrindra tamin’ny fifanakalozana kolontsaina dia teo amin’ny fiteny. Ireo mozambikana dia nianatra ny teny chichewa, nitenenan’ireo avy tany Malawi. Nanjary ny fiteny lehibe indrindra nitenenana tao amin’ireo toby izy io, ary ny ankamaroan’ny zavatra vita an-tsoratra nisy tao dia tamin’ny teny chichewa. Tamin’ny fomba niadana nefa nahafinaritra, ireo avy tany Malawi koa dia nianatra ny teny tsonga sy ireo fitenim-paritra avy aminy, izay itenenana any amin’ny faritra atsimo amin’i Mozambika. Maro no nianatra koa ny teny anglisy sy portogay, izay ho hita fa sarobidy taminy tatỳ aoriana teo amin’ny tombontsoam-panompoana manokana. Hoy ny tsaroan’ny loholona iray: “Afaka nifanena tamin’ny rahalahy na anabavy iray niteny ny fiteninao nisosa tsara ianao, nefa tsy fantatrao raha Mozambikana izy na avy tany Malawi.”

Ahoana no nidiran’ny sakafo ara-panahy tao amin’ireo toby?

Tonga avy tany Zambia, tamin’ny fandalovana tao Malawi, izy io. Tamin’ny fomba ahoana? Hoy ny navalin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray: “I Jehovah irery no mahalala.” Tao amin’ireo toby, ny Komity O.N. dia nanendry tanora avy tany Malawi, izay maro taminy no mpisava lalana, mba hiampita ny sisin-tany tamin’ny bisikilety ary, tamin’ny toerana iray efa voatondro mialoha, dia mba hifanena tamin’ireo izay nirahina mba hanatitra taratasy sy zavatra vita an-tsoratra. Tamin’io fomba io, ireo kongregasiona dia nahazo sakafo ara-panahy nivoaka farany.

Fanampin’izany, ireo mpikambana tao amin’ny Komity O.N. dia niampita ny sisin-tany ary nankany Zambia na Zimbabwe mba handray soa avy tamin’ny fitsidihana isan-taona nataon’ny mpiandraikitra ny zone nirahin’ny Fitambara-mpitantana. Tamin’ireo fomba ireo sy ny hafa koa, ireo rahalahy tao Carico dia nihazona fatorana mafy tamin’ny fandaminana hita mason’i Jehovah ka nitoetra ho tafaray tao amin’ny fanompoam-pivavahana taminy.

Ireo fivorian’ny kongregasiona dia nitaky fandaharana manokana. Noho ireo rahalahy nambenana tsy an-kijanona, dia maro tamin’ireo fivoriana no natao tamin’ny andro vao nangiran-dratsy na taloha kokoa. Ireo mpanatrika dia niangona teny ivelany, toy ny hoe nihinana voamadinika nandrahoina tao an-tokotany, fa ny mpandahateny kosa nijanona tao anatin’ilay trano. Ny fivoriana sasany dia natao teny amin’ny fanambanin’ny renirano ritra na tao anaty vava volkano voajanahary. Kanefa, ny fanomanana fivoriamben’ny distrika iray dia nahafaoka asa betsaka lavitra.

Fivoriamben’ny distrika — Ny fomba nandaminana azy ireny

Rehefa avy naharay avy tamin’ny Fikambanana ny fanazavana rehetra ho an’ny fandaharana ny Komity O.N., dia nitokana tao amin’ny Vohitra Faha-9 nandritra ny herinandro maromaro. Tao amin’io toerana lavidavitra io izy ireo dia niasa nandritra ny alina tamin’ny hazavan’ny fanala iray, nandika ireo planin’ny lahateny sy naka feo ireo fampisehoana tantara ary nanendry ireo mpandahateny. Nanampy indrindra ny milina fanaovana kopia nahodina tanana izay voarain’izy ireo avy tany Zimbabwe. Tsy nijanona ny asan’izy ireo raha tsy feno ny fandaharana manontolo ho an’ny fitohitohizana fivoriamben’ny distrika enina.

Fanampin’izany, dia nisy ekipa iray notendrena mba hitady sy hanomana toerana mety hanaovana ilay fivoriamben’ny distrika. Nety ho teny amin’ny tehezan-tendrombohitra na tany anaty ala ilay izy, nefa tsy latsaka ny folo kilaometatra avy teo amin’ireo toby. Ny zavatra rehetra dia tsy maintsy natao mba tsy ho fantatr’ireo manam-pahefana na “ireo mpikomy”. Nisy radio kely azo nobataina nindramina, ary tamin’ny alalan’izy ireny dia naorina ny fanamafisam-peo ho an’ny mpanatrika maherin’ny 3 000. Nisy renirano foana teo akaiky, izay azo nanomanana dobo fanaovana batisa, tamin’ny fanamboarana tohodrano. Ny lampihazo, ny faritra nisy ny mpanatrika, ny fanadiovana, ny fikojakojana dia samy nalamina mialoha avokoa. Farany, dia vonona ilay toerana hanaovana ilay fivoriamben’ny distrika — tamin’ny toerana hafa foana isan-taona.

Nisy fandaharana natao mba hamelana ny rehetra tao amin’ireo vohitra, hanatrika. Nandeha tsara ilay izy satria ireo rahalahy dia nampiseho toe-tsaina tia niara-niasa nahatalanjona. Tsy afaka nanatrika tamin’ny fotoana iray ihany izy rehetra; ny vohitra iray nilaozan’ny rehetra dia ho nisarika ny sain’ireo manam-pahefana. Noho izany, dia nifandimby ireo mpifanila trano — ny ankohonana iray nanatrika tamin’ny andro iray, fa ilay ankohonana iray hafa kosa nanatrika tamin’ny andro nanaraka. Ilay fianakaviana nijanona dia nivezivezy tao amin’ny tranon’ilay mpifanila trano taminy; tamin’izany, dia tsy nisy nahamarika ny tsy naha-tao an’ilay fianakaviana. Nidika ve izany fa nisy maty antoka tsy nanatrika ny tapany sasany tamin’ilay fivoriambe? Tsia, satria naseho indroa ny fandaharana tamin’ny andro tsirairay. Tamin’izany, ny fivoriamben’ny distrika iray tokony haharitra telo andro dia naharitra enina andro; ary ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray tokony haharitra roa andro, naharitra efatra andro.

Nisy zotram-pifandraisana voaforona mpikarakara ny mpanatrika mailo nahaforona fitohitohizam-pampitan-kafatra. Niitatra avy teo amin’ny foibem-pitantanan-draharahan’ilay toby ka hatreo amin’ny toerana nanaovana ilay fivoriambe ilay izy, ka nisy lehilahy iray isaky ny 500 metatra. Izay fihetsehana nampiahiahy rehetra ka nety ho fandrahonana ho an’ilay fivoriambe dia nampihetsika io lalana fampitan-kafatra io, izay nampitampita hafatra hatrany amin’ny 30 na 40 kilaometatra tao anatin’ny 30 minitra monja. Izany dia namela fotoana ampy mba handraisan’ny fitantanan-draharahan’ilay fivoriambe fanapahan-kevitra. Nety hidika ho famaranana ilay fivoriambe na fiafenana tany anaty ala, ilay izy.

Hoy ny tsaroan’i José Bana, loholona iray avy any Beira: “Indray mandeha, dia nampitandrina anay ny polisy iray ny alina talohan’ny fivoriambenay, hoe efa fantatr’izy ireo ny momba azy io ka handeha hampijanona azy io izy ireo. Nentina tany amin’ireo rahalahy tompon’andraikitra ilay raharaha. Tokony hanafoana ilay fivoriambe ve izy ireo? Nivavaka tamin’i Jehovah izy ireo ary nanapa-kevitra ny hiandry hatramin’ny ampitso maraina. Tonga ny valiny — nisy oram-be nikija nandritra ny alina nahatondraka ny Ony Munduzi, ka namadika azy io ho ranomasim-be. Koa satria terỳ andafin’ilay ony no nisy ireo polisy, dia afaka nanatrika ilay fivoriambe ny rehetra, tsy nilana ny nijanonan’iza na iza tany an-trano na ilay fitohitohizam-pampitan-kafatra voaforon’olona. Nanaram-po nihira hiran’ilay Fanjakana be dia be izahay.”

Fivadiham-pinoana sy ny Vohitra Faha-10

Nisy fihetsiketsehana izay namelona zava-nanahirana lehibe, natomboky ny antokon’olona mpivadi-pinoana izay niantso ny tenany hoe “ireo voahosotra”. Nanomboka tao amin’ireo vohitr’ireo avy tany Malawi indrindra indrindra io antokon’olona io, ka nanambara fa efa nifarana tamin’ny 1975 ny “andron’ireo loholona” ary koa fa ny tenan’izy ireo, tamin’ny naha-“voahosotra” azy, no tokony handray ny fitarihana. Ny fanazavana tao amin’ny bokin’ny Fikambanana hoe La vie éternelle dans la liberté des fils de Dieu dia fitaovana lehibe tamin’ny fanampiana ny sasany izay nisalasala, hahatakatra izay tafiditra tamin’ny hoe tena fanosorana marina. Niely anefa ny fitaoman’ireo mpivadi-pinoana, ary maro tamin’ireo nihaino azy ireo no voatarika hania. Anisan’ny foto-pampianarany ny hoe tsy nilaina ny nandefa tatitra tany amin’ny Fikambanana. Natsipiny teny amin’ny rivotra fotsiny izy ireny rehefa avy nanonona vavaka izy.

Notombanana fa tokony ho 500 no voaroaka, vokatr’io fitaoman’ny mpivadi-pinoana io. Nanapa-kevitra manokana sy noho ny fahazoan-dalana avy tamin’ireo manam-pahefana, izy ireo, ny hanorina ny vohiny manokana. Nanjary ny Vohitra Faha-10 izy io. Tatỳ aoriana, ny mpitarika ilay fihetsiketsehana dia nokarakarain’andian-jatovovavy, izay maro taminy no niterahany.

Ny Vohitra Faha-10 sy ny antokon’olona tao aminy dia nisy hatrany nandritra ny fotoana tavela rehetra nipetrahana tao amin’ireo toby. Nahatonga fahasahiranana maro ho an’ireo rahalahy nahatoky izy ireo. Ny sasany izay voataona hanatevin-daharana an’io antokon’olona io teo am-boalohany, dia nibebaka tatỳ aoriana ka niverina tamin’ny fandaminan’i Jehovah. Nisaratsaraka tamin’ny farany io fitambaran’olona mpivadi-pinoana io rehefa nifarana ny fiainana tao amin’ireo toby.

“Ny toby no tranomaizinay, ary ireo trano no cellules-nay”

Mandra-pahatongan’ny fiandohan’ny taona 1983, dia toa ara-dalàna ihany ny fiainana tao amin’ireo toby. Kanefa, ireo rahalahintsika dia tsy nanadino fa mpigadra izy ireo. Marina fa ny sasany dia afaka niverina irery tany amin’ny tanànany. Ny hafa tonga, dia lasa. Na dia izany aza, dia teo ihany ilay fitambaran’olona tamin’ny fitambarany. Ara-dalàna tsotra izao ny naha-manina ny tokantrano niaviany, azy ireo. Nifandefa taratasy izy ireo, na tamin’ny alalan’ny paositra izany na tamin’ny alalan’ny rahalahy sasantsasany izay sahy nitsidika ireo toby mba hahita havana na namana taloha — na dia tratra sy natao an-tranomaizina aza ny sasany tamin’ireny rahalahy ireny.

Hoy i Xavier Dengo, lasa eritreritra: “Ianareo avy any Malawi dia mpitsoa-ponenana, fa izahay kosa mpigadra. Ny toby no tranomaizinay, ary ireo trano no cellules-nay.” Raha ny tena izy anefa, dia nitovy be tamin’ny nisy azy ny tarehin-javatra nisy an’ireo rahalahintsika avy tany Malawi. Na inona na inona fiainana ara-dalàna toa nananan’ireo vohitra, dia nadiva hifarana tampoka izany.

Nitondra sahotaka sy fahafatesana ny fanafihana nitanam-piadiana

Teo am-piandohan’ny taona 1983, ireo mpikambana nitam-piadiana tao amin’ilay antoko mpanohitra dia nanomboka nanafika ny faritra nisy an’i Carico, ka nanery an’ilay komandà tao amin’ny foibem-pitantanan-draharaha hitady fialofana tany amin’ny foiben’ilay zaran-tany tany Milange, 30 kilaometatra avy teo. Nandritra ny fe-potoana fohifohy ihany, dia toa afaka nahazo aina kokoa ireo rahalahy, na dia mbola teo ambany fiambenan’ireo manam-pahefana ihany aza izy ireo.

Kanefa, namely ny loza tamin’ny 7 Oktobra 1984, raha mbola teo am-pamaranana azy ny fiomanana ho amin’ny fivoriamben’ny distrika. Nisy antokon’olona nitam-piadiana nanatona avy tany atsinanana. Teo am-pamakivakiany ny Vohitra Faha-9 izy ireo dia namela tao aoriany sahotaka sy ra nandriaka ary fahafatesana. Rehefa avy namono ny Rahalahy Mutola tao amin’ny Vohitra Faha-7 an’ireo avy tany Malawi izy ireo, dia namono an’i Augusto Novela tao amin’ny Vohitra Mozambikana Faha-4. Tao amin’ny Vohitra Mozambikana Faha-5, ny Rahalahy Muthemba dia taitra noho ny feon’ny basy nipoaka. Rehefa nahita ny fatin’ny rahalahy iray teo amin’ny tany izy, dia nitomany mafy nangataka fanampiana tamin’i Jehovah. Nandoro sy nandroba trano ireo lehilahy nitam-piadiana. Nisy lehilahy sy vehivavy ary ankizy nifanaretsaka toy ny adala, nitady fialofana tamim-pamoizam-po. Vao santatry ny zavatra hafa mbola ho avy fotsiny iny fanafihana feno herisetra iny. Rehefa avy namakivaky ireo toby ilay antokon’olona, dia nifidy faritra iray teo avaratry ny Vohitra Voalohany mba ho tobiny.

Tamin’ireo andro nanaraka izy ireo dia nanao bemidina isan’andro tao amin’ireo toby — nandroba sy nandoro trano ary namono olona. Tamin’ny iray tamin’ireny, izy ireo dia namono Vavolombelona avy tany Malawi enina, anisan’izany ny vadin’i Fideli Ndalama, mpiandraikitra ny fizaran-tany.

Ny hafa dia nentina ho mpigadra tany amin’ny tobin’io antokon’olona io. Ireo tovolahy indrindra indrindra no niezahan’izy ireo noraisina an-tery tao amin’ny fihetsiketsehany ara-tafika. Maro tamin’ireo tovolahy no nandositra avy tamin’ireo vohitra mba hiafina tao amin’ireo machambas (ireo saha novolen’izy ireo), ary ireo mpianakaviny no nitondra sakafo ho azy ireo tany. Ireo tovovavy dia noraisina ho mpahandro sakafo, nefa avy eo ireo mpanafika dia niezaka hanery azy ireo ho “sakaizany”. I Hilda Banze dia nanohitra izany fanerena izany, ka noho izany, dia novelezina mafy aoka izany izy, ka toy ny maty. Mahafaly ny milaza fa sitrana izy.

Ilay antokon’olona nitam-piadiana dia nitaky ny hanomezan’ny mponina hanina ho azy ireo sy ny hitondrany ny fitaovan’izy ireo. Hitan’ireo rahalahy fa tsy nifanaraka tamin’ny fialanalanana kristiana notanany izany ka noho izany dia nanda izy ireo. Faharomotana no setrin’ny fandavan’izy ireo. Ny fialanalanana sy ny zon’olombelona dia tsy nanana ny toerany tao amin’ny tontolo iray nitokana izay ny fivelezana sy ny fitaovam-piadiana no hany lalàna nekena. Rahalahy 30 teo ho eo no maty nandritra io fe-potoana feno korontana io. Iray tamin’ireo i Alberto Chissano, izay nanda tsy hanome ny fanohanany ka niezaka nanazava hoe: “Tsy mandray anjara amin’ny politika aho, ary izany no antony nitondrana ahy teto avy tany Maputo. Nanda aho tamin’ny lasa, ary tsy hiova izany ankehitriny.” (Ampitahao amin’ny Jaona 18:36.) Tsy laitran’ireo mpampahory izany, ka nitaritarika azy hivoaka tamim-pisafoahana izy ireo. Fantatry ny Rahalahy Chissano izay tsy maintsy hiseho, ka nanao veloma an’ireo rahalahy izy, tamin’ny fihetsika nampiseho finoana tsy nihozongozona. Ny hoe “Mandra-pihaona any amin’ny tontolo vaovao” no teniny farany talohan’ny nikapohana mafy azy sy nandratrana azy mandra-pahafatiny. Niezaka hamonjy azy ireo rahalahy tao amin’ny ekipa mpitsabo, nefa tsy nisy vokany izany. Ho tena “mandra-pihaona any amin’ny tontolo vaovao” tokoa, satria na dia ny fandrahonan’ny fahafatesana aza tsy afaka nampihena ny finoany. — Asa. 24:15.

Nafahana avy tao amin’ny lafaoro nisy afo

Tsy maintsy nisy zavatra natao mba hanamaivanana ilay fihenjanana tsy zaka. Niara-nivory tamin’ireo loholona sy mpanampy tamin’ny fanompoana ny Komity O.N. mba hiresahana momba ny fanandramana hiresaka tamin’ilay antoko mpanohitra. Kanefa, efa nisy olona tao amin’ilay antoko mpanohitra nandefa fanasana tamin’ny rehetra tao amin’ilay faritra mba ho tonga tao amin’ny tobin’izy ireo. Nanapa-kevitra ny ho any ireo loholona, niaraka tamina Vavolombelona maro be izay nanolo-tena ny hiaraka taminy. Rahalahy roa no nasaina hiteny tamin’ny anaran’ireo vohitra rehetra. I Isaque Maruli, iray tamin’ireo mpitondra teny voatendry, dia nandalo tany an-tranony mba hampahafantatra izany tamin’ny vadiny tanora sy hanao veloma. Nanahy mafy noho izay nety hiseho ny vadiny, ka nitady hampijanona azy. Niteny taminy tamin’ny fomba nampionona izy ka nanontany hoe: “Heverinao ve fa noho ny hakingan-tsain’ny tenantsika manokana no nahatafita velona antsika hatramin’izao? Ary heverinao ve fa zava-dehibe kokoa noho ireo rahalahy hafa isika?” Naneho mangina ny fanekeny ny vadiny. Niara-nivavaka izy ireo ary avy eo dia nifanao veloma.

Ny tao amin’ilay fivoriana dia tsy ny Vavolombelona ihany, fa olona tsy Vavolombelona koa izay vonona ny hanohana ilay antoko nitam-piadiana. Nihoatra ny isan’ny hafa anefa ny an’ireo rahalahy, izay nisy 300 teo ho eo. Nafana ilay fivoriana, nisy olona nikiakiaka teny faneva ara-politika ary nihira hira miaramila. Nisy fampandrenesana natao, nanao hoe: “Anio isika dia hikiakiaka hoe ‘Viva Renamo’ [Resistência Nacional de Moçambique (Fanoheram-pirenen’i Mozambika), ilay antoko niady tamin’ny fitondram-panjakan’ny Frelimo] mandra-pihintsan’ireo ravina avy amin’ireto hazo ireto.” Ilay komandà sy ireo miaramila ary ireo mponina tsy Vavolombelona dia nanjary tsy nanana faharetana noho ny fanginan’ireo rahalahy. Nanazava ny tsangan-kevitra filamatry ny antokony ny mpitondra teny ara-politika iray izay nitarika ilay fivoriana. Nilaza ny fahatapahan-kevitry ny mpibaiko avy any ambony hampisaratsaraka an’ireo vohitra izy, sy hampiparitaka ny rehetra hipetraka tany amin’ireo machambas. Nanome fahafahana an’ireo mpanatrika hilaza ny heviny izy avy eo. Nanazava ny toerana nialanalana notanany ireo rahalahintsika. Nanantena izy ireo fa ho azon’ny hafa ny antony tsy handraisany anjara amin’ny fanomezana sakafo, fitondrana fitaovana, sy ny toy izany. Raha ny amin’ny hoe hihahaka avy tamin’ireo vohitra, dia efa voatery nanao izany rahateo izy ireo.

Tsy tian’ilay komandà velively ny valin-teny feno herim-pon’ireo rahalahy, nefa, noho ny fitondran’Andriamanitra, ilay mpitondra teny dia nahatakatra kokoa ny fihevitr’izy ireo. Nampitony an’ilay komandà izy ary nandefa an’ireo rahalahy tamim-pilaminana. Tafavoaka velona, araka izany, avy tao amin’izay nolazalazainy hoe “lafaoro nisy afo” izy ireo. (Ampitahao amin’ny Daniela 3:26, 27.) Kanefa tsy nahazoana antoka ny filaminana. Ho tonga andro vitsivitsy tatỳ aoriana ilay hany fisehoan-javatra nampikorontana indrindra.

Ilay vonoana olona tsy an-kiantra tao amin’ny Vohitra Faha-7

Na dia namiratra aza ny masoandro, ny alahady 14 Oktobra 1984 dia nanjary andro maizina tao Carico. Vao maraina be, ireo rahalahy dia nanao ny fivorian’ny kongregasionany, avy eo ny sasany dia nitsidika ireo vohitra mba haka ireo vatsy sisa tavela, talohan’ny hiverenany haingana tany amin’ny fonenany vaovao tany amin’ireo saha. Tsy nisy fampitandremana akory, dia nisy antokon’olona nitam-piadiana nandao ny tobiny ka niroso nankany amin’ny Vohitra Mozambikana Faha-7. Naka an-keriny rahalahy iray teo amoron’ny Vohitra Faha-5 izy ireo ka nitaky hoe: “Asehoy anay ny lalana mankany amin’ny Vohitra Faha-7; ho hitanareo izany atao hoe ady izany.” Rehefa tonga teo amin’ilay vohitra izy ireo, dia nanangona ireo rehetra hitany tao. Nasainy nipetraka nanao faribolana izy ireo, nanaraka ny laharan’ireo vohitra nisy azy. Avy eo dia nanomboka ny fanadinadinana.

“Iza no namely sy nanendaka ny mudjiba-nay [mpiambina, na mpitsikilo, tsy mitam-piadiana]?”, hoy izy ireo nitaky valiny. Ireo rahalahy, izay tsy nahalala izay noresahin’ireo lehilahy ireo, dia namaly hoe tsy fantatr’izy ireo. “Eny àry, raha tsy misy mety miteny, dia horaisinay ho ohatra itỳ lehilahy mipetraka eto anoloana itỳ.” Ary dia nitifitra ny rahalahy iray teo amin’ny handriny an-kitsirano izao izy. Nangovitra ny rehetra. Naverimberina hatrany hatrany ilay fanontaniana, ka isaky ny naverina ilay izy, dia nisy olona iray hafa foana niandry ny ho voatifitra. Ireo vehivavy, namikitra tamin’ireo zanany kely, dia voatery nijery ny famonoana tamin-kabibiana ny vadiny, toy ny Anabavy Salomina, izay nijery an’i Bernardino vadiny, niala aina. Novonoina koa ireo vehivavy. I Leia Bila, vadin’i Luis Bila, izay efa maty narary fo tany amin’ilay toby tany akaikin’i Lichinga, dia iray tamin’izany, ka noho izany dia lasa kamboty ireo zanany kely. Ireo famonoana dia tsy nitsimbina ny tanora koa, toa an’i Fernando Timbane, izay, na dia efa voatifitra aza, dia nivavaka tamin’i Jehovah ary niezaka nampahery ny hafa.

Rehefa avy nisy olona folo novonoina tamin-kalozana toy izany, dia nisy tsy fitovian-kevitra nipoitra teo amin’ireo mpamono olona, ka namarana ilay nofy ratsy. Araka ny baikon’izy ireo, dia nitsangana avy teo amin’ny “seza famonoana” ny Rahalahy Nguenha, izay tokony ho ny olona faha-11 novonoina. Hoy ny tantarainy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hikarakara ny fianakaviako mbola tsy maty, satria efa hifarana ny androm-piainako. Nitsangana aho avy eo, ary dia nahatsapa toa herim-po tsy nahazatra. Tatỳ aoriana aho vao nahatsapa ilay fahatairana ara-pihetseham-po.”

Noterena handoro ireo trano sisa tavela tao amin’ireo vohitra avy eo ireo tsy novonoina. Talohan’ny nandehanany, dia hoy ny nampitandreman’ireo lehilahy nitam-piadiana: “Tonga niaraka tamin’ny baiko hamono olona 50 taminareo izahay, nefa ireo dia efa ampy. Tsy tokony halevina izy ireo. Hiambina tsara izahay, ka raha misy faty manjavona, dia folo no hatao maty ho solon’ny faty tsy hita tsirairay.” Baiko hafahafa sady naharikoriko re izany!

Noho ny feon’ireo poa-basy nanako nanerana ilay faritra, sy noho ilay vaovao niely niaraka tamin’ireo izay nahavita nandositra, dia nisy onjam-pisahotahana indray nahazo ireo vohitra. Tamim-pamoizam-po, ireo rahalahy dia nandositra tany anaty ala sy tany an-tendrombohitra. Tatỳ aoriana vao hita fa ny rangory fototry ny afo tamin’ireo fanontaniana feno fiampangana izay niteraka ilay vonoana olona tsy an-kiantra, dia olona voaroaka iray izay naniry hanatevin-daharana an’ilay antoko mpanohitra. Efa tonga mpangalatra koa izy. Niampanga lainga an’ireo rahalahy tao amin’ny vohitra nisy azy izy, mba ho mamy hoditra teo amin’ilay antokon’olona sy hahazo ny fatokian’izy ireo. Tatỳ aoriana, rehefa hitan’ilay antokon’olona fa voafitaka izy ireo, dia nisambotra an’ilay nipoiran’ireo lainga ireo izy ka namono azy ho faty tamin’ny fomba feno habibiana indrindra.

Nanomboka ny fiparitahana

Vonton’alahelo sy nisafotofoto ilay Faribohitr’i Carico iray manontolo. Ireo loholona, izay latsa-dranomaso koa, dia niezaka hampionona ireo fianakaviana nalahelo noho ny famoizana olon-tiana tamin’ilay vonoana olona tsy an-kiantra. Tsy zaka ilay eritreritra hoe hijanona tao amin’ilay faritra. Nanomboka ho azy àry ny fiparitahana. Kongregasiona iray manontolo no nitady toerana lavitra, hatrany amin’ny 30 kilaometatra, izay nety ho nahatsapany fiarovana kokoa. Nisy nanapa-kevitra ny hijanona teo amin’ny manodidina an’ireo machambas. Noho izany, dia nitombo avo roa heny ny asan’ireo loholona tao amin’ny Komity O.N. Tsy maintsy nandeha an-tongotra kilaometatra maro izy ireo mba hahazoana antoka ny amin’ny firaisan-tsaina sy ny fiarovana ara-batana sy ara-panahin’ny andian’ondry tao amin’ireo kongregasiona niparitaka lavitra be.

Ny vaovao momba an’io zava-nanjo nampalahelo io dia tonga tany amin’ny sampan’i Zimbabwe, izay avy eo dia nandamina ny hisian’ny mpikambana tao amin’ny biraon’ny sampana hitsidika sy hampahery an’ireo rahalahy. Naka hevitra tamin’ny Fitambara-mpitantana tany Brooklyn koa izy ireo momba ny sakafo sy ny fitafiana ary ny fanafody nilaina tao amin’ireo toby tao Milange. Noho ny fiahiana lalina izay hahasoa an’ireo rahalahy, ny Fitambara-mpitantana dia nanome toromarika mba hampiasana ny tahirim-bola nisy mba hikarakarana ny zavatra nilain’izy ireo, anisan’izany, raha noheverina fa fanehoam-pahendrena izany, ny fanaovana fandaharana mba handaozany ny faritr’i Milange sy hiverenany tany amin’ny faritra niaviany. Toa tena fanehoam-pahendrena tokoa io safidy io.

Tany akaikin’ny fiandohan’ny taona 1985, dia nisy mpikambana tao amin’ny Komity O.N., araka ny efa nataony isan-taona, nandao an’i Milange mba hihaona tamin’ny mpiandraikitra ny zone, izay nirahin’ny Fitambara-mpitantana. I Don Adams no tao, avy tany Brooklyn. Tao amin’ny fivoriana iray izay nahafaoka ireo Komitin’ny Sampan’i Zambia sy i Zimbabwe, dia nampiseho ny fiahian’izy ireo nifandray tamin’ny Faribohitr’i Carico ireo mpikambana tao amin’ny Komity O.N. Notoroana hevitra izy ireo mba handinika raha fahendrena ny hijanonana tao Carico. Nosarihina ny saina ho amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly voasoritra ao amin’ny Ohabolana 22:3, manao hoe: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery”. Nitadidy izany tao an-tsaina izy ireo, rehefa niverina tany amin’ireo toby.

Handeha ve? Tamin’ny fomba ahoana? Ary ho aiza?

Nampitaina avy hatrany tany amin’ireo kongregasiona ilay torohevitra. Nisy nanaraka azy io haingana, toa an’i João José, rahalahy mpitovo izay nandray anjara tamin’ny fanorenana ny biraon’ny sampan’i Zambia sy i Mozambika tatỳ aoriana. Niaraka tamin’ny hafa izy niampita ny sisin-tany nankany Malawi ary avy eo dia nankany Zambia, tsy nisy zava-nanahirana lehibe.

Tsy mora toy izany anefa ny tarehin-javatra ho an’ny hafa. Fianakaviana maro no nanan-janaka kely tsy maintsy noheverina. Niambina ny lalana tsy an-kijanona ilay antoko mpanohitra, ary izay rehetra nandeha teny dia nety ho notafihina. Ny sisin-tany tamin’i Malawi dia zava-tsarotra hafa iray, indrindra fa ho an’ireo rahalahy avy tany Malawi, satria mbola nohamavoina sy natao haza lambo ihany ireo Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, dia nipetraka ilay fanontaniana nahavery hevitra hoe: Ahoana no handehanan’izy ireo? Aiza no halehan’izy ireo? Rehefa avy nonina nandritra ireny taona rehetra ireny tany anaty kirihitr’ala, sady tsy nanana taratasy, izy ireo, ahoana moa no hahafahany hiampita sisin-tany? “Izahay koa tsy mahalala”, hoy ny valin-tenin’ireo mpikambana tao amin’ny Komity O.N., nandritra ny fiaraha-nivory faran’izay henjana, tamin’ny loholona rehetra. “Zavatra iray no azo antoka — tsy maintsy miparitaka isika”, hoy ny nohamafisin’izy ireo. Nanatsoaka hevitra izy ireo hoe: “Samia mivavaka sy manao fandaharana ary manao zavatra.” — Ampitahao amin’ny 2 Tantara 20:12.

Nandritra ireo volana nanaraka, izany dia nanjary ny loha hevitra lehibe indrindra tao amin’ireo fivoriana. Ny ankamaroan’ireo loholona dia nanohana ilay hevitra ny amin’ny handehanana ary nampirisika an’ireo rahalahy mba hanatanteraka ilay izy hatramin’ny farany. Ny hafa nanapa-kevitra ny hijanona. Tamin’ny farany, dia nanomboka ny fifindrana rodobe nihahaka iray. Nisy rahalahy avy tany Malawi izay nanandrana hody, voasakana teny amin’ny sisin-tany noho ireo antony taloha ihany ary dia voatery niverina. Nampihena ny risi-pon’ireo izay nanapa-kevitra ny handeha izany ary nanatanjaka ny hevitra naroson’ireo izay naniry hijanona. Ny “fanasana” hanatrika “fivoriana lehibe” hafa iray tany amin’ny toby miaramila no lafin-javatra nampanapa-kevitra ny ankamaroan’izy ireo.

Fifindrana rodobe sady tambabe

Tamin’ny 13 Septambra 1985, roa andro monja talohan’ilay fivoriana nampandrenesina, ny Rahalahy Muthemba sy Matola ary Chicomo, mpikambana telo sisa tavela tao amin’ny Komity O.N., dia niara-nivory indray. Inona no tokony hanoroan’izy ireo hevitra an’ireo rahalahy momba ilay “fanasana”? Naharitra indray alina manontolo ilay fivoriana. Taorian’ny vavaka sy ny fisaintsainana be dia be, dia nanapa-kevitra izy ireo hoe: “Tsy maintsy mandositra isika rahampitso alina.” Avy hatrany, araka izay azo natao, dia naelin’izy ireo ny vaovao momba ilay fanapahan-kevitra ary koa ny fotoana sy ny toerana hihaonana. Tonga ireo kongregasiona nanaiky ny handeha. Izay no asa farany nataon’ny Komity O.N. tao amin’ireo toby.

Nanomboka tamin’ny valo ora sy sasany alina, rehefa avy nanao vavaka ireo rahalahy, dia nanomboka fifindrana rodobe iray ara-potoana. Ny fifindrana rodobe nataon’izy ireo dia tsiambaratelo voatana tsara tsy ho ren’ireo miaramila sy “ireo mpikomy”. Raha tratra izy ireo, dia ho nidika ho loza izany. Tao anatin’ny haizina, ny kongregasiona tsirairay dia nanana 15 minitra avy mba hivoahana, ka ny fianakaviana tsirairay dia nomena 2 minitra avy. Ilay laharana lava sady tokana dia niolakolaka moramora namakivaky ny kirihitr’ala, ka tsy nisy na dia iray aza nahalala izay havoakan’ny mangiran-dratsy teo amin’ny sisin-tanin’i Malawi, raha tena ho tonga tany tokoa izy ireo. Ireo mpiandry ara-panahy tao amin’ny Komity O.N. no nandeha farany, tamin’ny iray ora maraina. — Asa. 20:28.

Rehefa avy nandeha an-tongotra tokony ho 40 kilaometatra izy ireo, dia resin’ny havizanana i Filipe Matola, vokatry ny tsy fisian-torimaso nandritra ny roa andro. Resin-tory teo amoron’ilay lalan-kely izy, teo am-piandrasana ny fandalovan’ny farany tamin’ireo be taona. Afaka maka sary an-tsaina fotsiny ny fifaliana tsy maintsy ho tsapany isika, rehefa tonga nihazakazaka avy tany amin’ny lohan’ilay laharana ny “zanany”, i Ernesto Muchanga, nitondra ilay vaovao tsara hoe: “ ‘Dadatoa’ a, voaray ho ao Malawi ireo rahalahy!” “Izany dia ohatra iray”, hoy ny fihiakan’i Matola, “ny amin’ny fanokafan’i Jehovah ny lalana, rehefa toa tsy misy lalan-kombana intsony, toy ny teo amin’ny Ranomasina Mena.” — Eks. 14:21, 22; jereo Salamo 31:21-24.

Nandritra ireo volana maromaro nanaraka, izy ireo dia nahita izany hoe nipetraka tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Malawi sy Zambia, talohan’ny niverenany tany Mozambika sy nodiany tany amin’ny tanàna niaviany. Inona anefa no nanjo an’ireo izay nijanona tao amin’ny faritr’i Carico?

Ireo izay nijanona

Tsy tonga tany amin’ny kongregasiona niely patrana rehetra talohan’ny nanombohan’ilay fifindrana rodobe ilay fanapahan-kevitry ny Komity O.N. Ny olona sasany izay nahare ilay fampandrenesana dia nanapa-kevitra ny hijanona sy ho any amin’ilay fivoriana tany amin’ny toby miaramila. Ny Kongregasionan’i Maxaquene, niaraka tamin’ny hafa, dia tsy nahare ilay fampandrenesana, nefa efa nanapa-kevitra ny handositra. Talohan’ny nandehanana tany amin’ilay fivoriana, ireo rahalahy ireo dia nanomana ny fianakaviany ho amin’ilay fandosirana. Rahalahy 500 teo ho eo no tonga tao amin’ilay fivoriana. Fohy sy nivantana ilay izy. Hoy ilay komandà: “Notapahin’ireo lehibenay fa izay rehetra manatrika eto dia tokony ho tonga any amin’ny tobim-paritray lehibe indrindra. Ho dia lava be ilay izy. Any ianareo dia handany hatramin’ny telo volana.” Ary dia nanomboka teo no ho eo ihany ilay dia.

Nanararaotra ny fihenan’ny fiambenan’ireo miaramila ireo rahalahy izay nanapa-kevitra ny handositra, ka niala moramora. Nankany amin’ny fianakaviany izy ireo ka nandositra tamin’izay fomba rehetra hitany, ho any amin’ny sisin-tanin’i Malawi. Ny hafa, na ho fanarahana ireo baikon’ilay antoko nitam-piadiana na noho ny tsy fisian’ny fahafahana, dia nanomboka ilay dia nianatsimo-andrefana nankany amin’ilay toby tany Morrumbala, ka tonga tany, andro maromaro tatỳ aoriana. Raha vao tonga tany izy ireo, dia nampiharana fanerena fanampiny mba hanohana ilay antoko. Ny fandavany dia nitarika ho amin’ny fampijalijaliana mafy sy fivelezana tsy tambo isaina, ka rahalahy iray fara fahakeliny no maty tamin’izay. Telo volana tatỳ aoriana izy ireo dia navela hiverina tany aminy tamin’ny farany.

Maro no nanohy nonina tao amin’ny faritr’i Carico, teo ambany fifehezan’ilay antoko mpanohitra tanteraka. Nahita ny tenany ho nitokana sy tafasaraka tamin’ny sisa tamin’ny fandaminan’i Jehovah nandritra ireo fito taona nanaraka izy ireo. Antokon’olona maro ihany izy ireo, ka nahaforona kongregasiona 40 teo ho eo. Tafita velona ara-panahy ve izy ireo? Ho mafy tsara ve ny fitiavan’izy ireo an’Andriamanitra mba hisakana azy ireo tsy ho resin’ny famoizam-po? Hiverina ho amin’izy ireo isika any aoriana any.

Tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Malawi sy Zambia

Tsy ny rehetra nandositra avy tao Carico no voaray avy hatrany tao Malawi. Ny Kongregasionan’i Maxaquene, rehefa avy niampita ny sisin-tany ka niala sasatra, dia hitan’ny polisin’i Malawi ary nomena baiko hiverina. Niangavy tamin’ny polisy ireo rahalahy, tamin’ny fanazavana fa nandositra ny ady tao amin’ilay faritra nonenany izy ireo. Tsy nangoraka ireo polisy. Noho ny toa tsy fisian’ny safidy sy tamim-pamoizam-po, dia nisy nikiakiaka hoe: “Andao isika hitomany, ry rahalahy!” Ary dia izany indrindra no nataon’izy ireo, ary mafy be aoka izany, ka nisarika ny sain’ny manodidina. Sadaikatra ireo polisy, ka niangavy azy ireo mba hampitsahatra ilay izy. Nitalaho ny anabavy iray hoe: “Aoka izahay hanomana sakafo ho an’ny zanakay fara faharatsiny.” Nanaiky ny fangatahany ireo polisy, ka nilaza ny hiverina any aoriana. Soa ihany fa tsy niverina mihitsy izy ireo. Tatỳ aoriana, dia nisy manam-pahefana iray tonga nanampy an’ireo Vavolombelona, nitondra sakafo sy nitarika azy ireo tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana nisy ny sisa tamin’ireo rahalahy.

Nanenika an’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Malawi izao ny Vavolombelon’i Jehovah mozambikana. Nandray azy ireo toy ny mpitsoa-ponenana noho ny ady ny fitondram-panjakan’i Malawi. Nanome fanampiana ny Vokovoko Mena Iraisam-pirenena, ka nitondra vatsy mba hanamaivanana ny fahasorisorena sy ny fahasahiranana nateraky ny fiainana sarotra tao amin’ireo toby an-kalamanjana. Nisy nanohy nankany Zambia, ka tany dia notarihina tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana hafa. I Filipe Matola sy i Fernando Muthemba izao dia niara-niasa tamin’ny mpikambana tao amin’ny Komitin’ny Tanin’i Malawi, ka nikaroka ireo rahalahy mozambikana tao amin’ireo toby ireo, mba hanomezana azy ireo fampiononana ara-panahy sy ny fanampiana ara-bola nahazoan-dalana avy tamin’ny Fitambara-mpitantana.

Tamin’ny 12 Janoary 1986, i A. D. Schroeder, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, dia nanome fampaherezana ara-panahy ary koa ny fitiavana mafana avy tamin’ny Fitambara-mpitantana ho an’ireo rahalahy ireo. Na dia tsy afaka niditra tao amin’ireo toby aza izy, dia nanao lahateny tany Zambia, izay nadika tamin’ny teny chichewa sy nalaina feo ary avy eo dia nentina tany amin’ireo toby nisy an’ireo rahalahy mozambikana.

Tsikelikely, ireo mpitsoa-ponenana ireo dia nampiana mba ho any amin’ny fijanonany nanaraka — teto Mozambika. Ho an’ny maro izany dia i Moatize, tany amin’ny faritanin’i Tete. Eny, teto Mozambika, dia nisy fiovana nitranga teo amin’ny fihetsiky ny fitondram-panjakana teo anatrehan’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia mbola tsy ny manam-pahefana rehetra teo an-toerana aza no nanome porofon’izany.

Fiverenana teto Mozambika

Nifandimby ireo antokon’olona nanomboka nameno hipoka moramora ireo tanàna tany avaratry ny tanànan’i Tete. Kalesin-dalamby efa nilaozana, izay nampiasaina ho toerana fivoaham-bahoaka taloha, no nampiasaina mba hametrahana azy ireo. Rehefa avy nodiovina ny maro tamin’izy ireo, dia nampiasaina ho toeram-pivoriana ho an’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 24 Martsa 1986.

Rahalahy avy tany amin’ny faritr’i Mozambika rehetra no niandry teo nandritra ny volana maro, tsy nahafantatra ny fomba hitaterana azy ireo hiverina tany amin’ny toerana niaviany. Nampisy fahoriana koa io fiandrasana io. Niezaka hamorona asa mba hameloman-tena na mba hitsitsiana vola hividianana billet handehanana fiaramanidina izy ireo, nefa tsy nahita fahombiazana firy. Noho ny ady, dia tsy azo natao ny nanao dia tamin’ny lalana. Tsy nitondra azy ireo tamin-katsaram-panahy foana ireo manam-pahefana teo an-toerana, izay mbola nitady hanery azy ireo hamerina teny faneva ara-politika. Tamin’izany, dia hoy ny navalin’ireo rahalahy tamim-pahasahiana: “Nentina tany Carico noho io raharaha io izahay. Tany izahay dia nanefa ny sazinay ary navela teo am-pelatanan’ny mpanafika nitam-piadiana. Izahay ihany no nanao izay hahatafavoahanay. Inona indray no mbola tadiavinareo aminay?” Taorian’io valin-teny io izy ireo dia tsy nohelingelenina intsony. Kanefa, ireo tanora dia mbola nenjehina sy nampidirina am-ponja ho fanandramana ny handray azy ireo tao amin’ny tafiky ny fitondram-panjakana mba hiady tamin’ilay fikomiana nampiasana fitaovam-piadiana mbola nitohy, tao amin’ilay faritra. Rahalahy tanora maro no nampiasa izay fomba feno hafetsena rehetra azony nampiasaina mba hialana sy hiafenana.

Ny komity tao Malawi dia nanapa-kevitra fa i Fernando Muthemba dia tokony ho any Tete mba hanome fanampiana an’ireo rahalahy tany. Rehefa tonga tany Moatize ny Rahalahy Muthemba, ireo manam-pahefana dia nanapa-kevitra ny hisava ny entany. Ara-potoana tsara no nahafahan’ireo rahalahy namonjy ireo zavatra vita an-tsoratra teny aminy. Koa rehefa nikaroka ny kitapony àry ny polisy, inona moa no hitan’izy ireo? “Voro-damba fotsiny”, hoy izy. Nanontany ireo polisy diso fanantenana hoe: “Izay ve no izy?” Eny, izay. Izay no hany entan’ny lehilahy iray izay niantsoroka andraikitra navesatra aoka izany tao amin’ireo toby. Toy ny hafa rehetra, dia niverina izy, nanendahana izay rehetra nananany. Raha ny marina, tamin’io fotoana io, dia tsy nahafinaritra velively ny fisehoana ara-batan’ireo rahalahy — naloto, nitafy voro-damba, noana ary niharihary fa nentina tamin’ny fomba ratsy. Nifanentana tamin’izy ireo tsara ilay filazalazana ara-tsindrimandry momba ny maro tamin’ny mpanompon’Andriamanitra tamin’ny lasa, manao hoe: “Nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy [izy]; efa lao, (...) [nampiharana fitondrana tamin’ny fomba ratsy, NW ] (nefa izao tontolo izao tsy miendrika ho nitoerany akory); dia nirenireny tany an-efitra (...) sy tany an-johy ary tao an-dava-tany izy.” — Heb. 11:37, 38.

Rehefa ela ny ela, dia notaterina ho eto Maputo

Teto Maputo, ny komity iray notendren’ny Fikambanana dia nanomboka nifandray tamin’ny fikambanana maro samihafa niankina tamin’ny fanjakana sy tsy niankina, mba hiezahana hahita fitaterana ho an’ireo rahalahy tany Tete sy tany Zambia. Hasambarana toy inona moa no tsapan’i Isaque Malate sy i Francisco Zunguza rehefa nampahafantarina izy ireo, tany amin’ny Vaomiera Ambony Manara-maso ny Mpitsoa-ponenana ao Amin’ny Firenena Mikambana, hoe: “Fiaramanidina maherin’ny 50 no efa nomena lalana hitondra Vavolombelon’i Jehovah hody”! Velom-pankasitrahana izy ireo noho ilay fanomezan-dalana avy tamin’ny fitondram-panjakana.

Tsy nahafantatra io fandaharana io ireo rahalahy tany Tete, izay samy tao amin’ireo toby teo akaikin’ny seranam-piaramanidina avokoa, ka nankany amin’ny seranam-piaramanidina isan’andro, nanantena ny hitondran’ny fiaramanidina mpitondra entana iray ny sasantsasany taminy fara faharatsiny. Mientam-po i Fernando Muthemba miresaka momba ny faha-16 May 1987 hoe: “Tamin’ny fito ora sy sasany maraina tamin’izay. Rehefa nijery ny seranam-piaramanidina aho, dia nahita Boeing lehibe roa izay handeha hanomboka ireo dia ‘fifandraisana ana habakabaka’ mba hitondrana ny Vavolombelon’i Jehovah ho eto Maputo.” Fahatsinjovan-javatra nampientana re izany! Rehefa afaka 12 taona — hiverina tany amin’ny tanànany avy!

Nampalahelo fa tsy fampiseho vahoaka velively ny fisehoan’izy ireo. I Emídio Mathe, loholona tao amin’ny Kongregasionan’i Maxaquene, dia nindrana pataloa tamin’ny olona iray nanana nihoatra noho ny iray, mba hahatongavany teto Maputo, niakanjo tamin’ny fomba azo nekena. Ireo rahalahy niandry ny fahatongavan’izy ireo teto Maputo koa dia nitondra akanjo tany amin’ireo fiaramanidina mba hahafahan’ireo mpitsoa-ponenana hidina, nanana fahamendrehana ihany. Menatra ve izy ireo? “Tsia”, hoy i Emídio namaly, “na dia nendahana taminay aza ny fanananay ara-nofo, dia nanana ny fanantenana izahay fa indray andro any i Jehovah dia hampiasa anay mba hanandratra avo ny anarany. Tsy nanahy ny amin’ny zavatra ara-nofo izahay; tsy nahatsiaro tena ho menatra izahay. Nandehandeha niakanjo voro-damba izahay, fa ny finoanay an’i Jehovah kosa tsy nisy naharesy.” Ireo rahalahy tatsy Afrika Atsimo sy Zimbabwe dia faly nanome sakafo sy fitafiana an-taonina maro ho an’ireo rahalahiny mozambikana tafaverina.

Nisy fitaterana fanampiny nomen’ny fitondram-panjakana ho an’ireo Vavolombelona niverina tany amin’ny faritany hafa. Ho an’ireo izay niverina tany amin’ny faritanin’i Sofala, tany amin’ilay faritra fantatra tamin’ny hoe Lalantsaran’i Beira (noho ny fiarovan’ireo miaramilan’i Zimbabwe), dia mbola hisy zava-nanahirana. Ny 18 tamin’izy ireo, anisan’izany ny loholona iray, dia nalaina an-keriny ary nentina tany amin’ny toby irain’ilay antoko mpanohitra.

‘Lehibe i Jehovah, Lehibe i Jehovah!’

Rehefa avy nanadinadina azy ireo ny komandàn’ilay toby ka nahatakatra fa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, dia nampiantso ny pastora iray izay nitarika fiangonana iray tao amin’ilay faritra teo ambanin’ny fifehezan’ilay antoko mpanohitra. Hoy izy tamin’io lehilahy io: “Vavolombelon’i Jehovah ireo, ary hiara-mivavaka aminareo izy ireo ankehitriny. Ento amin’ny fomba tsara izy ireo.” Gaga ireo rahalahy rehefa nihatokato-doha io pastora io (izay nahazo zavatra vita an-tsoratra sasan’ny Watch Tower nandritra ny fotoana kelikely fony izy tany Zimbabwe) sady nihiaka hoe: “Lehibe i Jehovah (...) Lehibe i Jehovah!” Hoy ny teny nanampiny: “Nivavaka tamin’i Jehovah izahay mba handefa olona iray fara faharatsiny mba hampianatra anay.”

Ny ampitson’iny izy dia nanangona ireo mpiangona 62 tao amin’ny fiangonany ary nangataka an’ilay loholona mba hiresaka tamin’izy ireo. Nanomboka ilay rahalahy tamin’ny filazana fa nilaina nesorina ny sary masin’izy ireo rehetra. (Deot. 7:25; 1 Jaona 5:21). Nankato izany haingana izy ireo. Nasehony koa fa i Jehovah dia sady tsy mankasitraka no tsy manome lalana ny fandroahan’ireo mpanompony amin’izao andro izao demonia, ary koa fa ny fikapohana amponga misy fombafomba dia tsy anisan’ny fanompoam-pivavahana marina voasoritra ao amin’ny Baiboly. (Matio 7:22, 23; 1 Kor. 13:8-13). Ho famaranana, dia nitsangana ny mpitarika ilay antokon’olona ka nanao hoe: “Manomboka anio, dia Vavolombelon’i Jehovah izaho sy ny fianakaviako.” Ilay kongregasiona iray manontolo, afa-tsy ny mpivady iray, dia naneho izany faniriana izany koa.

Nandritra ireo efa-bolana nijanonan’ireo rahalahy tao, dia nanao fivoriana tsy tapaka izy ireo. Rehefa tonga ny fotoana handehanan’izy ireo, dia nitondra niaraka taminy olona be dia be tamin’io antokon’olona io izy ireo, ka ny maro tamin’ireo, taloha, dia mpikambana narisika tao amin’ireo ankolafiny nifanandrina.

Maro no nanatevin-daharana ny vahoakan’i Jehovah nandritra io fe-potoana io, satria na dia teo aza ny toe-piainana sarotra nisy azy ireo, dia tsy nampitsahatra ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanaovana mpianatra mihitsy ireo rahalahy. — Matio 24:14; 28:19, 20.

Fiverenana ho amin’ny fiainana an-tanàn-dehibe

Velom-pankasitrahana ireo rahalahy noho izy ireo afaka niverina tany amin’ireo tanàn-dehibe. Noho izy ireo tsy nanana taratasy, na toerana hipetrahana, na asa, anefa, dia mbola sarotra ihany ny fiainana ho azy ireo. Ambaratonga vaovao teo amin’ny fiainany feno zava-tsarotra tamin’izay. Ilay firenena mihitsy dia nandia fikorontanana, noho ny ady an-trano, ny hanoanana, ny hain-tany ary ny tsy fisian’ny asa namely azy. Ho afaka ny hitraka ve ny vahoakan’i Jehovah teo anivon’izany fahoriana faran’izay mafy izany?

Tonga nanampy azy ireo ny fitondram-panjakana, ka nanangana ny Sampan-draharahan’ny Famerenana ho Isam-bahoaka. Vavolombelona maro no naverina ho amin’ny asany taloha, ka nitana toerana lehibe tao amin’ny kompaniam-panjakana na tsy miankina. Ny hafa tonga mpianto-draharaha.

Maro no afaka niverina tany amin’ny fonenany taloha, satria nisy havany mbola nipetraka tao amin’izy ireny. Ho an’ny hafa kosa anefa, dia tsy mora toy izany ny tarehin-javatra. Nalain’ny olon-tsy fantatra na ny havana tsy dia tsara fanahy ny tranony, na nataon’ny Fitondrana fananam-pirenena. Nampiseho fandeferana ireo Vavolombelona tafaverina ka nifidy ny tsy hiteraka tabataba, nifanohitra tamin’izay nety ho natahoran’ny fitondram-panjakana. Vavolombelona izay tsy nalefa tany amin’ireo toby no nanokatra ny tokantranony mba handraisana ireo rahalahiny tsy nanam-ponenana. Tsikelikely, dia nahita na nanorina toerana hanorenam-ponenana izy ireo. Noho ny fitahian’i Jehovah ny fahazotoan’izy ireo, dia maro amin’izao andro izao no manana trano tsara, ka mahagaga an’ireo izay nahita ny toe-piainana nampahonena nisy azy ireo fony niverina. Mendri-komarihina fa teo anivon’ny fahantrana nihanaka, dia tsy nisy na dia Vavolombelon’i Jehovah iray aza voatery nangataka. Rehefa afaka taona vitsivitsy, rehefa nisokatra ny fomba hahazoan’ny olona ny tranony manokana tamin’ny fividianana azy tamin’ny Fitondrana, ny olona voalohany nanao izany teto amin’ilay tany iray manontolo dia ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay tany Carico taloha. Ny toerana fitahirizana zavatra vita an-tsoratra teto Maputo dia miasa avy eo amin’io toerana io amin’izao fotoana izao.

Kanefa, tsy ny fahazoana trano na soa ara-nofo hafa akory no zavatra nahin’ireo rahalahy voalohany. Ny fahitana toerana hanaovana fivoriana ho amin’ny fanompoam-pivavahana no zava-dehibe kokoa. Rehefa jerena tokoa, tsy izany ve no antony voalohany nampodian’i Jehovah azy ireo soa aman-tsara? Tena izany indrindra no ninoan’ireo rahalahy mafy. (Ampitahao amin’ny Hagay 1:8.) Nanamboatra an-tehaka haingana Efitrano Fanjakana isan-karazany izy ireo — tao an-damosin-trano, tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny sy lakozia, tao amin’ny trano bongo vita tamin’ny vifotsy sy mololo; indraindray — ny fara tampon’ny haitraitra — dia nivory tao an-trano lakilasy na tao an’efitra lehiben’ny hopitaly izy ireo. Ny ankamaroan’ireo kongregasiona 438 eto Mozambika dia mivory ao amin’ireny Efitrano Fanjakana namboamboarina ireny na dia ankehitriny aza. Mahalana vao misy maningana. Ny iray amin’izany dia ny any Beira, izay nandresen’ireo rahalahy vato misakana maro, noho ny fanampian’ny sampan’i Zimbabwe sy ny ekipan’ny fanorenana be herim-pon’izy ireo, ka farany, tamin’ny 19 Febroary 1994, dia notokanany ny Efitrano Fanjakana roa voalohany vita tamin’ny biriky eto Mozambika.

Komity manokana — Fanekena araka ny lalàna

Mba hikarakarana ny zavatra ara-nofo sy ara-panahy nilain’ireo rahalahy teo am-pandaminan’izy ireo ny fiainany, ny Fitambara-mpitantana dia nanendry komity manokana tao Tete sy Beira ary teto Maputo, mba hiandraiketan’ny sampan’i Zimbabwe sy i Afrika Atsimo. Noho io fandaharana io, ireo kongregasiona dia azo nanehoana fiheverana akaiky kokoa. Mba hanomezana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly tena ilaina, dia nisy fitahirizan-javatra naorina tao amin’ireo tanàna ireo. Nampiasaina ho toeram-pizarana fanampiana ara-tsakafo sy ara-pitafiana koa ireo. Nisy fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika nalamina, na dia mbola nisy vato misakana sasany tsy maintsy noresena aza talohan’ny nahafahana nanao azy ireny tamim-pahalalahana.

Avy eo, tamin’ny 11 Febroary 1991, dia nisy vaovao nampientana nanako nanerana ilay tany, ka naharavoravo ny vahoakan’i Jehovah naneran-tany. Ny fitondram-panjakan’i Mozambika dia nanaiky araka ny lalàna ny Associação das Testemunhas de Jeová de Moçambique (Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Mozambika). I Fernando Muthemba, izay nanampy tamim-pahatokiana tamin’ny fikarakarana ireo rahalahy tany Carico, no ho prezidàn’izy io voalohany. Nifaly koa ny vahoakan’i Jehovah teto Mozambika noho izy ireo nanana teo anivony ireo misionerany voalohany voaofana tany Gileada. Tao amin’ny tranon’ny misionera teto Maputo sy tany Beira izy ireo. Kanefa, nisy trano hafa iray nomanina tao Tete mba handraisana misionera hafa koa, izay ho avy tsy ho ela.

Mitondra fifaliana ho an’ireo rahalahiny ireo misionera

Nisy tena saha misionera marina nisokatra teto Mozambika. Feno fahafoizan-tena sy faniriana handray anjara tamin’ny asa fanorenana indray sy fijinjana ara-panahy eto Mozambika ireo nahazo diplaoman’i Gileada sy mpisava lalana manokana za-draharaha izay efa nanompo tany amin’ny saha hafa, ka nanaiky tamim-pahadodonana ny fanasana hanompo eto. Tonga avy tany amin’ny kontinenta dimy izy ireo, ka ny maro taminy dia avy tany amin’ny tany niteny portogay toa an’i Brezila sy i Portogaly. Ny fanendrena vaovao azon’izy ireo dia tsy hoe tsy nisy zava-tsarotra akory, satria tamin’ny 1990 sy 1991, ilay tany dia vao nanomboka nivoaka avy tao amin’ny honahona ara-toe-karena nateraky ny ady sy ny hain-tany. Hoy ny tsaroan’i Hans Jespersen, misionera danoà nanompo tany Brezila ary mpiandraikitra ny distrika amin’izao fotoana izao: “Saika tsy nisy na inona na inona ara-bakiteny tao amin’ireo fivarotana, ary niharihary mazava ny famantarana ny nisian’ny ady sy ny vokany.” Efa miharihary anefa ny fiarenan’ny toe-karena miandalana. Na dia izany aza, dia maro amin’ireo rahalahintsika any amin’ireo faritra avaratra sy ambanivohitra no mbola miaina ao anatin’ny toe-piainana faran’izay sarotra.

Niatrika zavatra be dia be izay vaovao taminy ireo misionera. Ohatra, talohan’ny nanaovana sonia ny fanekem-pihavanana teo amin’ny fitondram-panjakana Frelimo sy ny Renamo, ny fanendrena azon’ireo misionera indraindray dia nitaky ny hanaovany dia niaraka tamin’ny colunas (filaharam-piarakodia lava be, notronin’ny tafiky ny fitondram-panjakana nitam-piadiana), ary indraindray ireo dia nisy nanafika. Nahatsapa fifaliana lehibe anefa izy ireo nahafantatra ireo rahalahiny; ary ho an’ny maro tamin’ireto rahalahy farany ireto, ny fahitana Vavolombelona hafa firazanana sy firenena dia fahatanterahan’ny nofy iray.

Tany amin’ny faritra lavitra be iray tany avaratra, dia nanao dia an-tongotra indray andro maninjitra niaraka tamin-drainy ny zaza iray mba hahitana misionera iray avy tany Aostralia. Rehefa nahita ny fahatalanjonana teo amin’ny endrik’ilay zaza ilay rainy, dia nanao hoe: “Tsy efa nilazako moa ianao fa manana rahalahy fotsy hoditra isika?” Maro, rehefa miarahaba an’ireo misionera, no naneho ny faharavoravoany, ka nanao hoe: “Tsy nahafantatra momba anareo afa-tsy avy tamin’ireo fanandraman-javatra tao amin’ny Diary izahay.” Hoy ireo Vavolombelona mozambikana izay mbola tany amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Zambia tamin’ny 1993: “Rehefa nahare izahay tany Zambia fa nisy tranon’ny misionera iray tao Tete, dia nanao izay rehetra azonay natao izahay mba hiverenana, mba hahitan’ny masonay izany sy mba hanohizana ny fanompoanay eto, 18 taona aorian’ny nitondrana anay tany Carico.”

Ny zava-kendren’ireo misionera ireo lehibe indrindra eto Mozambika dia ny hitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena nahafa-po ny fanaovana izany. Hoy ny tsaroan’ireo misionera voalohany teto Maputo sy tany Beira: “Lehibe aoka izany ny hanoanana ara-panahy, hany ka zavatra vita an-tsoratra tsy toko tsy forohana no voapetraka isan’andro.” Tsy manam-paharoa eto amin’itỳ tany itỳ ireo zavatra vita an-tsoratra miloko efatry ny Fikambanana, ary misarika be dia be ny sain’ny sarambabem-bahoaka. Ireo tranon’ny misionera dia ampiasaina matetika ho foibe itarihana fampianarana Baiboly, satria toa aleon’ny mpianatra maro izany.

Amin’izao fotoana izao, dia misy tranon’ny misionera enina manerana ilay tany manontolo, ka misionera 50 no manompo amin’ny fanendrena maro samihafa. Misy misionera manao dia isam-bolana amin’ny lalana nosoritan’ny sampana, mba hanangona tatitra avy amin’ireo kongregasiona sy hanatitra taratasy sy gazety ary zavatra vita an-tsoratra. Tafiditra tao amin’ny iray tamin’izany lalana izany ilay toerana taloha nisy ny Faribohitr’i Carico any Milange.

Inona no nanjo an’ireo Vavolombelona izay nijanona tao amin’io faritra io ka nanjary nitokana ka tafasaraka tamin’ny sisa tamin’ireo rahalahiny?

Misokatra ny Faribohitr’i Carico

Tamin’ny 4 Oktobra 1992, dia natao sonia tany Roma ny Fanekem-pihavanana Faobe teo amin’ny Frelimo sy ny Renamo, ka namarana tamin’ny fomba ofisialy ny ady an-trano naharitra 16 taona teto Mozambika. Noho io fisehoan-javatra nankalazaina hatraiza hatraiza io, dia nanjary azo nosokafana ilay rindrina nanakatona ny faritra nisy ny Faribohitr’i Carico taloha. Ary inona no nanjary hita? Kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 50, izay nipoitra avy tamin’ny fitokanana naharitra fito taona. Ahoana no nahatafitany velona ara-panahy nandritra izany fitokanana mafy izany?

Tamin’ny Febroary 1994, dia nisy fanadinadinana natao tao Milange tamin’ny 40 tamin’ireo rahalahy tompon’andraikitra. Nanatrika teo koa ny olona arivo hafa izay nanao dia an-tongotra maherin’ny 30 kilaometatra mba hahitana an’ireo misionera fotsiny. Hoy ny notantarain’ireo loholona izay nijanona taorian’ilay fifindrana rodobe: “Rehefa avy novelezina tany amin’ilay toby miaramila ny maro taminay, dia navela hiverina izahay, mba honina tao amin’ireo machambas an’ireo vohitra efa tsy nisy intsony. Tatỳ aoriana, ny Renamo dia nanome lalana anay hanorina Efitrano Fanjakana sy hanao ireo fivorianay. Nampanantena izy ireo — sady nitana ny teniny — fa, raha mbola ao amin’ireo Efitrano Fanjakananay koa izahay na teny an-dalana hanao ny fanompoam-pivavahanay, dia tsy hotabatabaina. Kanefa, nilaza izy ireo fa tsy ho tompon’andraikitra ny amin’izay hiseho raha toa, tamin’ny andro fivoriana iray, ka nisy hita tany an-trano na teny ivelan’ny Efitrano Fanjakana fotsiny aza.” Ary ahoana ny amin’ny fitoriana? Nanohina ny fo ny valin-tenin’izy ireo: “Tsy nanana akanjo sy nanendahana ny zava-drehetra izahay, ary niaina toy ny biby, nefa tsy nanadino fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenanay ary koa fa nanana ny adidy hitory ilay Fanjakana.” Fanehoam-pankasitrahana sy fitiavana an’Andriamanitra mazava re izany!

Tamin’ny 1993, dia vavolombelona nahita maso ny fisehoan-javatra iray tsy nisy toa azy ny mpiandraikitra ny distrika sy ny vadiny tany amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray natao tany Milange, dia zavatra izay nanamarina fa tena tsy nitsahatra nanao mpianatra tokoa ireo rahalahy ireo. Rehefa nangataka an’ireo mpilatsaka hatao batisa mba hitsangana ny mpandahateny nanao ny lahatenin’ny batisa, dia olona 505 tamin’ny mpanatrika 2 023 no nitsangana mba hatao batisa! Tsy izay ihany anefa.

I “Saoly” avy any Carico

I Saoly avy any Tarsosy, mpanenjika nafana fo an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy Kristy tamin’ny taonjato voalohany am.f.i., dia tonga mpanompon’i Jehovah be zotom-po. I Carico koa dia nanana ny “Saoliny”. Izy io dia lehilahy mahafinaritra endrika sy hita ho malemy paika ary amin’izao fotoana izao dia mpanampy amin’ny fanompoana sady mpisava lalana izy. Toa tsy misy na inona na inona mampiavaka azy amin’ireo mpiara-miasa aminy rehefa misasatra manao asa ara-batana mafy mba hivelomana izy ireo. Mihainoa anefa rehefa miato amin’ny asany izy mba hilaza ny tantarany:

“Tamin’ny Jona 1981, ilay faritra nonenako dia nalain’ilay antoko mpanohitra. Niara-nentina tamin’ny lehilahy hafa tany amin’ireo trano miaramilany aho. Nohazavain’izy ireo taminay ireo tanjona mendrika nananan’ilay ady nataony sy ny naha-zava-dehibe ny hanohanana ny fanafahana ny vahoakantsika. Nahazo fampiofanana ara-tafika aho ary nandray anjara tamin’ny fiadiana nahomby. Nanjary ny fomba fiainako nahazatra nandritra ireo fito taona nanaraka izany. Noho ny tsy fivadihako tamin’ilay antoko mpanohitra, dia nasondrotra ho amin’ny toeran’ny komandà aho. Komandàn’ny tafika kely fito aho. Faritra maro no nanjary teo ambany fifehezanay, ary ny iray tamin’izany dia i Carico. Naniraka antoko miaramila hitsofoka tao amin’ireo vohitra nisy ny Vavolombelon’i Jehovah aho, mba hahazoana ny fanohanan’izy ireo. Nanome lalana ny handoroana ny tranony sy ny hamonoana ho faty ny sasany taminy aho. Hoy ireo commandos-ko tamiko: ‘Hamono azy rehetra ho faty isika, fa tsy hahova azy ireo na oviana na oviana.’ Tatỳ aoriana, dia nalefa tany amin’ny toby hafa aho.”

Na dia tsy nenjehin’ny eritreriny velively aza io komandà io noho ny fanenjehany ny vahoakan’i Jehovah, i Jehovah kosa, noho ny famindram-pony, dia nanome azy fahafahana hiova. Hoy ny hazavainy: “Rehefa afaka fito taona tsy nahitako ny vadiko, dia nangataka congé aho hitsidihana azy. Ary dia tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana iray tany Malawi no nifandraisako manokana voalohany tamin’ny fahamarinana. Tamin’ny voalohany, dia nolaviko izy io. Tatỳ aoriana, rehefa nahare momba ny tontolo vaovao sy ny Fanjakan’Andriamanitra ary ny tontolo iray tsy hisian’ny ady, aho, dia nanontany tena hoe: ‘Afaka mandray soa avy amin’izany ve ny olona iray izay nanao zavatra ratsy be dia be aoka izany?’ Izao no valin-teny nomena ahy avy tao amin’ny Baiboly: ‘Eny, amin’ny fananana finoana sy amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra.’ Nanaiky fampianarana Baiboly aho, ary tamin’ny Jona 1990 aho dia natao batisa. Hatramin’izay aho dia mpisava lalana, ka nanampy maro tamin’ireo mpiara-nitolona tamiko. Tao amin’ny toby iray monja, dia nanampy olona 14 ho tonga mpanompon’i Jehovah aho. Nanompo tany amin’izay nilana fanampiana bebe kokoa aho, ary nanana ny anjara fijaliako koa noho ny fialanalanana. Tena velom-pankasitrahana an’i Jehovah aho noho ny famindram-pony sy ny finiavany tsy hijery ny andron’ny tsy fahalalako, ka namelany ny heloko, miorina amin’ny soron’i Jesosy Kristy. (Asa. 17:30). Izany dia iray monja amin’ireo ohatra maro mampiseho hoe nahoana ireo rahalahy mozambikana no milaza matetika aoka izany, amim-pankasitrahana lalina, hoe: “Lehibe Jehovah”. — Sal. 145:3.

Biraon’ny sampana eto Maputo

Iza no ho naminavina izany? Niseho taloha kokoa noho ny nampoizina ilay izy. Ny Fitambara-mpitantana dia nanaiky ny hanokafana biraon’ny sampana eto Mozambika. Nanomboka tamin’ny 1925, fony nitondra ny fahamarinana avy tany Johannesburg i Albino Mhelembe, mpiasa tao amin’ny toeram-pitrandrahana, ny asa teto Mozambika dia nokarakarain’ny sampan’i Afrika Atsimo sy i Malawi ary i Zimbabwe. Farany, teto Maputo, tamin’ny 1 Septambra 1992, tao amin’ny trano lehibe iray novidin’ny Fikambanana sy nohavaoziny, tao amin’ny faritra iray feno ambasady, ny sampan’i Mozambika dia nanomboka ny asa fiandraiketany itỳ saha midadasika itỳ. Nanomboka tamin’ny fianakaviana kely nisy mpianakavy fito, ilay Komitin’ny Sampana voatendry vao haingana dia nanana asa sarotra teo anoloany. Tsy maintsy handamina ny asa teny amin’ny saha izy ireo, hikarakara ny zavatra ara-panahy — sy ara-nofo mihitsy aza — nilain’ireo rahalahy, hanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana, ary hanorina ilay tranon’ny sampana vaovao. Tena asa goavana tokoa. Nanomboka tonga anefa ny fanampiana.

Ekipana mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena izay tonga avy tany amin’ny faritra samihafa amin’ny tany no miara-miasa amin’ireo rahalahiny mozambikana ankehitriny mba hanorenana ilay tranon’ny sampana vaovao eo amin’ny toerana mahafinaritra manaraka ny moron-dranomasina. Ny mpianakavin’ny Betela dia nitombo ka nahatratra 26. Manampy koa ireo rahalahy sy anabavy avy eto amin’ny faritra misy an’i Maputo. Antokon’olona tafaray izy ireo, ka samy miara-miasa mba hanandratana ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitra marina, dia i Jehovah, atỳ amin’itỳ faritra amin’ny tany itỳ. — Isaia 2:2.

“Omeo voninahitra izay olona tahaka izany”

Misy asa sarotra koa ataon’ireo mpiandraikitra mpitety faritany eto. Misy lehilahy toa an’i Adson Mbendera, izay nitsidika ireo kongregasiona tany avaratra ary tatỳ aoriana dia nanjary mpikambana tao amin’ny Komity O.N. tao amin’ireo toby; toa an’i Lameck Nyavicondos, izay tadidin’ireo rahalahy any Sofala amim-pankasitrahana; toa an’i Elias Mahenye, izay tonga avy tany Afrika Atsimo mba hanompo, sy niaritra zavatra nampihoron-koditra, ary nampitandrina mialoha hoe: “Nanjavona ny PIDE [ny polisin’ny mpanjana-tany], fa ny raibeny, i Satana Devoly, dia mbola eo ihany. Manatanjaha tena ary mambole herim-po.” (1 Pet. 5:8). Tsy nanantena zavatra nanamora ny fiainany izy ireo, fa namoy izay rehetra nampiadana nety ho nananany mba hanompoana ireo rahalahiny.

Vao haingana kely izay, tao amin’ny faritra misy an’i Milange, izay nisy an’ireo vohitra “tranomaizina” taloha, dia nisy fizaran-tany iray naorina. Ireo rahalahy izay monina ao amin’io faritra io dia velom-pankasitrahana an’i Jehovah indrindra, noho izy ireo mandray soa feno kokoa amin’ny fikarakarana omena amin’ny alalan’ny fandaminany hita maso. Noraisin’i Orlando Phenga sy ny vadiny ho tombontsoa ny niala teto Maputo mba hanompo any, dia toerana izay nandraisan’ny tenany sy ny hafa an’arivony maro anjara teo amin’ny “Sehatr’i Carico”. Any andrefan’ny tanànan’i Tete, mba hanampiana ny hafa izay nitokana nandritra ny taona maro noho ny ady, mba hiverina ho isan’ny fitambaran’olona, i Benjamin Jeremaiah sy ny vadiny dia manao dia an-tongotra mandritra ny andro maro hatrany amin’ny toerana mbola tsy nahitan’ny olona maro fiarakodia mihitsy. I Raymond Phiri, rahalahy mpitovo iray feno fahafoizan-tena, dia voatery natory teny an-tampon’ny tendrombohitra, niaraka tamin’ny sisa tamin’ilay kongregasiona nampiany, mba handosirana fanafihana nety hisy, ary tany izy dia nanomana ireo tatitra nalefany tatỳ amin’ny birao. Afa-tsy izany koa, i Hans sy i Anita Jespersen dia mpiandraikitra ilay distrika tokana voaforon’ilay tany ary nanjary nahafantatra ny harena ara-panahy sy ny fahantrana ara-nofon’ireo rahalahiny.

Ireo rahalahy rehetra ireo dia maneho ilay karazana toe-tsaina izay nanosika ny apostoly Paoly hanoratra momba an’i Epafrodito hoe: “Omeo voninahitra izay olona tahaka izany”. — Fil. 2:29.

Fandrosoana amin-jotom-po araka an’Andriamanitra

Ankoatra ny fihazonana tsy fivadihana tao anatin’ny fisedrana mafy, ireo olo-mahatoky eto Mozambika dia naneho ny fitiavany an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy tamin’ny fomba hafa iray. Eo amin’ny fanompoana ampahibemaso ataony, izy ireo dia mampiasa be dia be ny fahalalahany vao azony sy ireo fanomezana tondraka avy amin’i Jehovah, amin’ny endriky ny gazety sy zavatra vita an-tsoratra hafa. Hita mitory malalaka eny amin’ny arabe sy eny amin’ny toeram-bahoaka ary eny an-tsena toy ny an’i Xipamanine, izy ireo. Miharihary ny vokatra arakaraka ny itomboan’ny isan’ireo mpidera an’i Jehovah haingana.

Ho fanampin’ireo mpitory vaovao, ny fitomboana dia nohatsarain’ny fiverenan’ny rahalahy avy tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany amin’ireo tany manodidina. Fizaran-tany iray manontolo no niverina. Avy hatrany izy ireo dia manorina Efitrano Fanjakana, amin’ny fampiasana izay fitaovana rehetra misy. Manao izany izy ireo na dia ao amin’ireo fiaraha-monin’ny mpitsoa-ponenana vonjimaika, toa an’i Zóbuè, eo amin’ny sisin-tanin’i Malawi, sy i Caboa-2, eo ivelan’i Vila Ulonge, aza. Tsy miandry ny tarehin-javatra hihatsara ny maro, fa manatevin-daharana ireo mpisava lalana. Maherin’ny 1 900 no mandray anjara amin’io fanompoana manontolo andro io. Maneho fankasitrahana lehibe izy ireo noho ilay fampiofanana azony any amin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, izay nanomboka natao teto tamin’ny 1992.

Azonao vinavinaina ve hoe iza avy no mpampianatra tamin’ny sekoly vao haingana iray teto Maputo, izay saika ny kilasy iray manontolo dia voaforon’olona avy tany amin’ny Faribohitr’i Carico? I Francisco Zunguza, ilay tompon-daka eto Mozambika eo amin’ny isan’ny nanaovana azy an-tranomaizina noho ny finoany, sy i Eugênio Macitela, izay voasambotra sy nalefa tany Milange, rehefa avy nianatra nandritra ny herinandro monja. Samy mpiandraikitra ny fizaran-tany izy mirahalahy ireo amin’izao fotoana izao. Ary ny iray tamin’ireo mpianatra dia i Ernesto Chilaule. Manana fahatsiarovana izay tiany ny mitantara azy toy izao, izy: “Rehefa mandalo eo amin’ilay lalana misy an’ilay tranon’ny PIDE efa tsy misy intsony aho, dia mijery an’ilay varavarankely ka mahatadidy — tao no nilazan’ireo iraka tamiko hoe: ‘Aoka hazava izao, ry Chilaule a: Eto Mozambika isika, ary tsy hekena araka ny lalàna na oviana na oviana ianareo eto amin’itỳ tany itỳ.’ Jereo anefa! Erỳ ambanin’ilay lalana fotsiny ny biraon’ny sampantsika neken’ny lalàna!”

Tsy maintsy ho mahatsapa fahafaham-po toy inona moa ny Rahalahy Chilaule, satria ankehitriny dia vadin’i Francisco Coana, iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana, i Alita, zanany vavy kely, izay nandeha naka sakafo avy tamin’ireo vatsin’ny kongregasiona fony ny rainy tao an-tranomaizin’i Machava! Ny Rahalahy Coana dia ilay mpisava lalana be zotom-po tao Carico izay nahita hevitra “hivarotra” entana tamin’ireo olona tany ivelan’ireo toby, mba hahafahana hitory taminy. Tena notahin’i Jehovah tokoa ireo olo-mahatoky an’arivony maro, izay, tany avaratra tao amin’ny zaran-tanin’i Milange, tao amin’ny Faribohitr’i Carico, dia nahaforona fanomezana tsara tarehy, dia fitiavana sy finoana ary tsy fivadihana, ho haja sy voninahitr’i Jehovah. — Ohab. 27:11; Apok. 4:11.

Tsy tapitra anefa ny ady. Misy loza vaovao, izay tena sarotra. Ny toe-tsaina milefitra loatran’itỳ tontolo itỳ izay niely naneran-tany, dia afaka mahavoa olona eto koa ary efa nahavoa olona. Ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fitiavana fatratra zavatra ara-nofo ary ny tsy firaikana ateraky ny fotoana toa mora kokoa, dia efa nanimba. Kanefa, ireo mpanompon’i Jehovah mahatoky eto Mozambika dia manohy amim-pahatsorana mihazona tsy an-kijanona ny fiambenany. Tafita velona avy tamin’ny fitsapam-pinoana goavana izy ireo. Ny fahatapahan-kevitr’izy ireo, noho ny fanampian’i Jehovah, dia ny hanohy hanome porofo fa tia an’i Jehovah amin’ny fony, ny sainy, ny fanahiny (âme) ary ny heriny rehetra izy ireo, ary koa fa tia ny mpiara-belona aminy tahaka ny tenany izy ireo. Manana finoana tsy azo hozongozonina izy ireo hoe tsy ho ela dia hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra, ka ao dia tsy vitan’ny hoe hitsahatra ny ady sy ny hanoanana, fa hanana ny fifaliana lehibe handray ireo olon-tiany hiverina avy any amin’ny maty izy ireo, anisan’izany ireo rehetra hita ho nahatoky tamin’Andriamanitra na dia hatramin’ny fahafatesana tao amin’ny Faribohitr’i Carico aza. — Ohab. 3:5, 6; Jaona 5:28, 29; Rom. 8:35-39.

[Sarintany, pejy 123]

(Jereo ny boky)

ZAMBIA

ZIMBABWE

AFRIKA ATSIMO

MALAWI

MOZAMBIKA

Tete

Milange

Carico

Mocuba

Inhaminga

Beira

Maxixe

Inhambane

Maputo

Sarintany: Rahalahy maro no natao sesitany tany São Tomé, tany amin’ny 3 900 kilaometatra tany ho any, tao amin’ny Oseana Atlantika

[Sary, pejy 116]

[Sary, pejy 131]

Nilazana i Ernesto Chilaule hoe: “Tsy hekena araka ny lalàna na oviana na oviana ianareo eto amin’itỳ tany itỳ. (...) Hadinoy tsotra izao ny amin’iny!”

[Sary, pejy 140, 141]

Tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenan’i Carico, ireo rahalahintsika dia 1) nanapaka hazo sy 2) nanosihosy tanimanga hanaovana biriky, fa 3) ny anabavy kosa nitatitra rano. 4) Nahita fomba hanaovana fivoriambe izy ireo. 5) I Xavier Dengo sy 6) i Filipe Matola ary 7) i Francisco Zunguza dia mpiandraikitra ny fizaran-tany nanampy tamin’ny fanomezana fiandraiketana ara-panahy teto. 8) Efitrano Fanjakana naorin’ny Vavolombelona avy tany Malawi teto ary mbola ampiasaina

[Sary, pejy 175]

Vavolombelona tafangona ho amin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fitiavam-pivavahana” teo akaikin’i Maputo tamin’ny 1989, tsy ela taorian’ny niverenany avy tany amin’ireo toby

[Sary, pejy 177]

Ambony: Loholona sy mpiandraikitra ny fizaran-tany eo amin’ny toerana anateran’ny misionera zavatra vita an-tsoratra sy taratasy isam-bolana

Ambany: Misionera ao Tete, ampianarina ny teny chichewa

[Sary, pejy 184]

Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia: Emile Kritzinger, Francisco Coana, Steffen Gebhardt), sy ny sarin’ny tranon’ny sampana eo an-dalam-panorenana ao Maputo