Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy Iray avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

Taratasy Iray avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

Taratasy Iray avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

MAMPIENTANA toy inona moa ny nijery tamin’ny mason’ny saina indray ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tanin’i Hongria sy i Mozambika ary i Venezoela! Azo antoka fa feno fankasitrahana an’i Jehovah ny fontsika noho izy manao an’ireo tany ireo ho henika ny fahalalana azy ankehitriny, taorian’ny “andron’ny zava-madinika”. — Zak. 4:10; Isaia 11:9.

Makà fotoana izao hanopaza-maso indray amin’ny Tatitra ho An’ny Taom-panompoana 1995 eo amin’ny pejy faha-34 ka hatramin’ny faha-41. Tsy maintsy manaiky isika fa fitoriana sy fampianarana momba ilay Fanjakana tsy toko tsy forohana no notanterahin’ny lehilahy sy vehivavy mahery kelin’ny dimy tapitrisa, tanora sy antitra, samy nampiseho fifikirana tamin’i Jehovah, samy tafaray tao amin’ilay asa ankamamin’ny fon’i Jehovah indrindra — ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Nilaza i Jesosy fa “misy fifaliana (...) eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka”. (Lioka 15:10). Izao dia eritrereto ny fifaliana tsy maintsy tsapan’ny fianakavian’i Jehovah any an-danitra, rehefa hitan’izy ireo maso ny olona 338 491 tonga mpanompo nanolo-tena sy vita batisan’ilay Rainy any an-danitra be fitiavana. Mifaly koa isika, nefa azo antoka fa ny fifaliantsika dia taratr’izay tsapa any an-danitra fotsiny. Milaza amin’ireo vao vita batisa rehetra izahay hoe: Tonga soa ato amin’ny fandaminana feno fitiavan’i Jehovah!

Matoky izahay fa ianareo rehetra izay nanao izany dingana tsara izany tamin’ny taon-dasa, dia hanohy hampitombo ny fahalalanareo ny fahamarinana. Tadidio ao an-tsaina ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka mendrika ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:62). Aza hadinoina mihitsy fa, na inona na inona fisedrana tsy maintsy atrehinareo, ‘ny Andriamanitry ny fahasoavana rehetra dia hampiorina sy hampitoetra anareo’. — 1 Pet. 5:10.

Ahoana ny amin’ny hoavy? Mamirapiratra ny fahatsinjovana ny amin’ny fanafainganana ny asa, noho ny fampiasana ny bokintsika vaovao hoe Fahalalana. Tsy misy na dia iray amintsika aza afaka mamaritra hoe hafiriana no mbola hisokafan’ny varavarana hahafahan’ny olona toy ny ondry hiditra ato amin’ny fiarovan’ny paradisantsika ara-panahy. Hoy i Jesosy momba ny fiantombohan’ny fahoriana lehibe: “Ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza,] afa-tsy ny Ray ihany.” (Matio 24:36). Io zava-misy io fotsiny dia tokony hahatonga antsika rehetra ho vao mainka ho mailo ka ‘hiambina’. (Matio 24:42). Ho loza toy inona moa ny hoe hiala an-daharana amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, amin’izao ora farany izao! Raha tia an’i Jehovah sy ny Zanany noho izay rehetra efa nataony ho antsika isika, dia tsy hamela izany hitranga mihitsy!

Ny Foibem-pampianarana ao Patterson, atỳ New York, izao dia miasa amin’ny fomba feno, ka azo atao ny mampiofana kilasin’i Gileada hafa koa sy mpiasan’ny sampana, ary koa izay mety ho antokon’olona fanampiny rehetra, arakaraka ny fandehan’ny fotoana. Misy fandaharana atao any amin’ny tany maro mba hanatrehan’ireo rahalahy ny Sekolin’ny Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Misy tranon’ny sampana aorina na havaozina. Izany rehetra izany dia manaporofo fa “ny mpanompo mahatoky sy malina” dia may ny hanao ny fandaharana rehetra mba hisian’ny fanambarana lehibe araka izay azo atao, alohan’ny hanondroan’i Jehovah hoe vita ny asantsika fanaovana fanambarana. (Matio 24:45-47, NW ). Azo antoka fa tsy misy na dia iray amintsika aza maniry hoheverin’i Jehovah ho tompon’andraikitra ny amin’ny fahafatesan’iza na iza heverin’Andriamanitra ho ratsy fanahy, satria hoe tsy nanome ilay fampitandremana isika. — Ezek. 3:18.

Noho izany, isika dia tena miahy an’ireo olona an-tapitrisany maro izay toa mankasitraka ny fanompoam-pivavahana marina nefa miahotra tsy manolotra ny fiainany mba hanompoana an’i Jehovah. Misy eo amin’ny valo tapitrisa eo ho eo ny ao amin’io sokajy io. Inona no azontsika atao mba hanampiana azy ireo? Nahoana raha manolotra ny hiara-mianatra ilay boky vaovao hoe Fahalalana amin’izy ireo? Ireo toko efatra farany ao amin’io boky io dia tena tokony hanosika ny fon’izy ireo ho tia an’i Jehovah. Manantena isika fa maro no hanana izany fihetsika manorina izany, ka ho anisan’ireo izay ho tian’i Jehovah mandrakizay!

Hoy i Jesosy: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” (Jaona 13:35). Nandritra ny taom-panompoana farany, io fitiavana io dia nasehon’ireo rahalahintsika maneran-tany hatramin’ny ambaratonga tena niavaka, rehefa nisahana tarehin-javatra maro samihafa izy ireo — tany Eoropa Atsinanana, tany Rwanda sy Burundi, tamin’ilay horohoron-tanin’i Kobe, any Japon, ary koa tany amin’ny faritra hafa. Ho vokany, dia mpitazana maro, toy ny olona tany Makoko, any akaikin’ny sisin-tanin’i Zaïre, no voatohina lalina ny fony. Rehefa nahita an’ireo rahalahintsika niverina tany Rwanda, sady salama tsara ara-batana no ara-tsaina, izy ireo, dia nihiaka tamim-pitalanjonana hoe: “Tena tia anareo marina ireo rahalahinareo any Eoropa sy maneran-tany; nikarakara anareo tany amin’ireo toby izy ireo, nefa ny mpikambana amin’ny fivavahana hafa maty noho ny mosary sy ny aretina.” Fanomezam-boninahitra ny fandaminan’i Jehovah re izany!

Andro feno fahataitairana no miandry antsika, eo am-pahitantsika ny fitohizan’ny fahatanterahan’ny Isaia 11:9 manao hoe: “Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, tahaka ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.” Koa ‘manan-javatra be dia be hatao eo amin’ny asan’ny Tompo’ àry isika, ary fantatsika fa ‘tsy very maina ny asa mafintsika misy ifandraisana amin’ny Tompo’. (1 Kor. 15:58, NW ). Mazava ho azy izany! Mametraka ny fanorenana ho an’ny fototr’ilay fitambaran’olona ao amin’ny tontolo vaovao isika. Aza afoy mihitsy ny fifandraisanareo sarobidy amin’i Jehovah! Aoka ianareo ho tapa-kevitra ny haneho foana ny fihetsik’i Mika mpaminany, izay nanao hoe: “Izaho kosa dia hanandrandra an’i Jehovah, eny, hiandry an’Andriamanitry ny famonjena ahy aho; Andriamanitro no hihaino ahy.” — Mika 7:7.

Enga anie i Jehovah ka hanohy hitahy anareo amin’ny fomba tondraka eo am-piezahanareo hanamarina ny fiandrianany sy hanamasina ny anarany masina.

Ireo rahalahinareo,

Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah