Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Afrika

Na inona na inona fiaviany ara-kolontsaina sy ara-pivavahana, ny olona dia mila ny fahafahana handre ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny sitrapon’Andriamanitra dia mba “ho voavonjy ny karazan’olona rehetra ary ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina momba ny fahamarinana”. (1 Tim. 2:3, 4, NW ). Ny Vavolombelon’i Jehovah ao Afrika dia miasa mifanaraka amin’io teny maneho ny sitrapon’Andriamanitra io.

Ny Fitambara-mpitantana dia nanaiky ny hanorenana sampana ao Malawi, tamin’ny 1 Septambra 1995, amin’ny fampiasana trano hofana. Eo am-panaovana azy ny drafitra ho an’ny trano mety, mba hahafahana hanomboka ny fanorenana. Misy asa be mbola tsy maintsy atao ao amin’io tany io. Any amin’ireo tanàn-dehibe indrindra indrindra, izay misy olona maro mahay taratasy, dia lehibe ny fahalianana aseho amin’ireo zavatra vita an-tsoratsika. Tia be ny Baiboly ny mponin’i Malawi, ary olona manetry tena sy tia fihavanana izy ireo raha ny tena izy. Noho ny fisian’ny fahalianana amin’ny zavatra vita an-tsoratsika toy izany, dia tsy tena ilaina amin’izao fotoana izao ny fomba fampiseho voakaly tsara. Mampahalala ny tenany amin’ny tompon-trano fotsiny ireo Vavolombelona, ary aorian’ny fifampiarahabana mahazatra, dia mampiseho amin’ilay olona izay boky na gazety eny aminy. Matetika dia handinika an’ireo gazety rehetra ananan’ilay mpitory ilay tompon-trano ary haniry hahita izay zavatra hafa ao amin’ny kitapony mihitsy aza. Ny mpitory sasany dia nanolotra ny gazetiny manokana voatsipika sy efa tranainy, ary nisy tompon-trano nandray azy ireo tamim-pifaliana. Na dia maneho fitiavana ny Baiboly aza ny olona amin’ny ankapobeny, izany akory tsy midika fa maniry hianatra ny fahamarinana ny rehetra. Misy antokom-pivavahana lazaina fa kristiana maro eto. Ny sasany amin’ireo dia tena mankahala ny Vavolombelon’i Jehovah ary milaza fa mendrika ilay fanenjehana nahazo azy ny Vavolombelona, ary koa fa iriny raha mbola ho eo ambanin’ny fandrarana ny Vavolombelona. Ny ankamaroan’ny olona anefa dia milaza hoe: “Faly izahay fa manana fahalalahana hivavaka ianareo ankehitriny, ary miarahaba anareo tonga soa ato an-tokantranonay izahay.”

Ekena mazàna ny fananana vady maro any Bénin ary koa any amin’ny tany afrikana maro hafa. Inona no vokatr’izany eo amin’ny mpitady ny fahamarinana tso-po? Ny vehivavy iray, izay vady faharoan’ny lehilahy iray, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy ela izy dia nianatra fa tsy nanome afa-tsy vady iray ho an’i Adama i Jehovah ary koa fa izany no tokony ho fari-pitsipika ho an’ny fanambadiana ho avy rehetra. (Matio 19:4-6). Tsy azon’Andriamanitra nekena ny fanambadiany, koa inona àry no hataony? Handao an’ilay vadiny nanambady maro ve izy? Aiza no halehany? Tsy misy fandaharam-panampiana ara-bola any Bénin, ary nanan-janaka dimy naterany tamin’io lehilahy io izy. Nitoky tamin’i Jehovah izy ka niala tao tamin-kerim-po. (Heb. 13:4-6). Ady mafy ny azy, satria navelan’ilay lehilahy hikarakara irery an’ireo zanany dimy, ara-bola sy ara-panahy, izy.

Ny toerana notanany tamim-pahatapahan-kevitra dia nisy vokany tsara teo amin’ny mpikambana hafa tamin’ilay fianakaviana. Mahafaly fa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay rangahy. Nianatra koa ilay vadiny voalohany ary tatỳ aoriana dia natao batisa. Manatrika ny fivoriana rehetra ankehitriny ilay rangahy ary nanapa-kevitra ny hanampy tamin’ny fikarakarana ireo zanany naterany tamin’ilay vadiny faharoa. Ilay vady faharoa kosa dia natao batisa vao haingana ary nilaza tsy ela taorian’izay hoe: “Tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah mandrakizay aho.”

I Elke, anabavy misionera any Burkina Faso, dia nanjary mpinamana tamin’i Djara, ankizivavy kely folo taona tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Nanatrika ny fivoriana rehetra niaraka tamin’ny reniny i Djara. Tamin’ny farany anefa, dia nandao ny fahamarinana ny reniny, ary nandritra ny volana maromaro, dia tsy afaka nifampikasoka tamin’i Djara i Elke. Avy eo, tany amin’ny fivoriamben’ny distrika, dia tonga teo i Djara ary nahita an’i Elke. Fahagagana toy inona moa ny fahitana azy! Nitalaho tamin’ny ray aman-drenin’izy ireo izy sy ny anadahiny mandra-pahazon’izy ireo lalana hanatrika ilay fivoriamben’ny distrika. Samy naneho fitandremana lalina izy mianadahy, ary nandray an-tsoratra. Kanefa, azon’ny fakam-panahy ho any amin’ny foiben’ny radio iray teo an-toerana izy ireo mba hahita an’i “Dadabe Noely” tamin’ny 25 Desambra, raha mbola nizotra ny fandaharan’ny fivoriamben’ny distrika. Nanontany ny hevitr’i Elke izy ireo. Nilaza izy fa tsy maintsy manao ny fanapahan-keviny manokana izy ireo, nefa koa fa, raha tonga tany amin’ny fivoriamben’ny distrika izy ireo, dia hampifaly be an’i Jehovah Andriamanitra, izay ho afaka hanome azy ireo fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa. Tany amin’ilay fivoriambe izy ireo tamin’ny 25 Desambra.

Natomboka ny fiaraha-nianatra tamin’i Djara, ary natao ny fandaharana mba hanatrehany ireo fivoriana. Taorian’ny fivoriana faharoa izy dia naneho ny faniriany hanome valin-teny. Tany amin’ny iray tamin’ireo fivoriana izy dia sendra nanana jiolahim-bola 50 francs (valopolo ariary) teny aminy. Nampiasa ny 20 francs (telopolo ariary) mba hividianana zavatra hohaniny izy, ary nanapa-kevitra samirery ny hametraka ireo 30 francs (dimampolo ariary) ambiny tao amin’ny vata fanaovana fanomezana tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Nianatra ny hivavaka tamin’i Jehovah, na dia ho an’ny faniriana kely indrindran’ny fony aza, i Djara. Nandritra ny fe-potoana iray nisian’ny fahasahiranana tao amin’ny fianakaviany, dia niharan’ny fahamarinan’ny Salamo 27:10 koa izy, ary nahita fa nanana reny sy anadahy ary rahavavy maro tao amin’ny kongregasiona.

Ny fielezan’ny SIDA dia nisy vokany nandrava teo amin’ny mponin’i Afrika afovoany. Ireo olona nahita fianarana indrindra indrindra no tena voany, dia olona eo amin’ny fara tampon’ny fahafahany mamokatra. Taona maro lasa izay, ilay hevitra hoe “lehilahy iray/vady iray” sy ny amin’ny fahatokiana amin’ny vadin’ny tena dia nesoesoin’ny maro. Ankehitriny, ho fanandramana hampijanona ilay areti-mandoza, ilay hafatra ampahafantarina ampahibemaso amin’ny radio sy amin’ny televiziona ary amin’ny peta-drindrina eny amin’ny arabe, ary koa any amin’ireo fivorian’ny mpiara-monina, dia ilay fari-pitsipika nesoesoina teo aloha. Maro tamin’ireo izay nahafantatra fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampianatra amim-pahatokiana ny Baiboly no tsy nandroso; nihevitra izy ireo fa maro loatra ireo fameperana. Velom-pankasitrahana toy inona anefa moa ireo rahalahintsika amin’izao andro izao noho i Jehovah sy ny fandaminany nanizingizina ny hanarahana fari-pitsipika ara-pitondran-tena ambony! Nilaza toy izao ny iray tamin’ireo loholona any République Centrafricaine: “Noho ny fahamarinana, dia nahavita nanorina fianakaviana izay mahazo ny fitahian’Andriamanitra aho. Ny fahamarinana dia nanafaka ahy tamin’ireo fandriky ny demonisma, izay nety ho nahatonga ho very saina. Izy io dia nanampy ahy hanalavitra fahafatesana alohan’ny fotoana noho ny SIDA, dia loza nihatra tamin’ny ankamaroan’ireo namako taloha. Ho fankasitrahana noho izay rehetra nataon’i Jehovah ho ahy, dia nanao fandaharana aho, na dia eo aza ireo andraikitro ara-pianakaviana, mba handraisako anjara amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana.” — Sal. 116:12-14.

Ny fianakaviana iray ao amin’ny renivohitr’i Etiopia dia nahazo valisoa tondraka noho ny fahaizany mandray vahiny. (Heb. 13:1, 2). Matetika dia misy havana avy any ambanivohitra manana raharaha hatao ao amin’ilay tanàna ary mila toerana hipetrahana. Maro amin’izy ireo no nifidy ny hiara-mipetraka tamin’io fianakaviana Vavolombelona tena be firaiketam-po io, izay ahitana rivo-piainan’ny fifikirana amin’Andriamanitra tsy fahita firy, ka nanintona azy ireo. Nanararaotra toe-javatra nety tsara io fianakaviana io mba hizarana ny vaovao tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra tamin’ireo havana nitsidika. Ho vokany, tamin’ny fotoan’ny Fivoriamben’ny Distrika “Tahotra Araka An’Andriamanitra”, dia 22 tamin’ireo havana ireo no tonga Vavolombelona vita batisa, havana 28 hafa no mpitory tsy vita batisa, ary havana 6 hafa no nanomboka nianatra. Maherin’ny 50 amin’io fianakaviana miitatra io no tany amin’ilay fivoriamben’ny distrika, ka amin’ny fitambarany izy ireo dia mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano mahery lavitra ny 50!

Azia sy Ireo Nosin’i Pasifika

Tamin’ny alalan’ny pejy vita pirinty, dia efa tonga tany Orient talohan’ny nanombohan’ny taonjato faha-20 ny vaovao tsara. Mbola ampiasaina ihany ny fanazavana vita pirinty mba hikarohana ireo mendrika. Ho vokany, dia olona an’arivony maro no mahita eo amin’ny fiainany manokana izay nolazain’i Jesosy hoe: afaka manafaka ny olona iray ny fahamarinana. — Jaona 8:32.

Hoy ny nosoratan’ny anabavy be zotom-po iray tany Hong-Kong: “Ny Hopitaly, ny arabe, ny zaridainam-bahoaka, ny gara, ny fijanonan’ny aotobisy, ny tsena, ny fametrahana fiarakodia ary ny ascenseurs no faritaniko anaovako fanambarana tsy ara-potoana. Rehefa miala ny trano aho, dia mivavaka amin’i Jehovah foana, ary ataoko azo antoka fa manana boky sy gazety ary taratasy mivalona isan-karazany eny amiko aho.”

Nampirisihin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ny Vavolombelona iray tany Japon, ka nanao ho tanjony ny hametraka gazety 130 isan-kerinandro, ka izany dia tao amin’ny faritany voasa matetika. Mandinika ireo gazety vaovao izy raha vantany vao tonga izy ireo, mba hahitana lahatsoratra na fanambarana izay mety hanintona karazan’olona maro samihafa. Nianatra ny handray an-tsoratra araka ny marina tsara an’ireo izay eny amin’ny lalana fizarany gazety, izy. Ny vokany? Manana olona 220 hotsidihina eny amin’ny lalana fizarany gazety izy. Kanefa, rehefa toa hita fa tsy namaky ireo gazety ny vehivavy iray tamin’izy ireo, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy hoe, noho ireo gazety sarobidy, sy andoavam-bola ny fanaovana azy ary ataon’ireo rahalahy any amin’ny Betela izay miasa andro aman’alina, pirinty, enga anie ka hotondroin’i Jehovah raha namaky ireo gazety ilay tompon-trano na tsia. ‘Raha tsia, dia avelao izy tsy handray azy ireo’, hoy ny fangatahany. Avy eo izy dia nankany amin’ilay trano. Tamin’io indray mandeha io, dia ny vadin’ilay ramatoa no nivoaka ka naka an’ireo gazety, tamin’ny filazana hoe: “Misaotra indrindra noho ny fitondranao ireto gazety ireto tsy tapaka. Mamaky azy ireo aho, no sady tena tia azy ireo.” Olona maherin’ny 206 000 any Japon, izay nandray soa avy tamin’ireo gazety ireo, no may ny hizara fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly amin’ny hafa ankehitriny.

Ny anabavy iray any Quezon City, any Philippines, dia milaza fa afaka nanomboka fampianarana Baiboly vaovao fito izy tamin’ny fampiasana taratasy mivalona. Mba hanazavana ny fomba nanaovany izany, dia hoy ny nosoratany: “Indray maraina tamin’ny 11 ora, dia nahita renim-pianakaviana iray sahirana nanomana sakafo ho an’ny fianakaviany aho. Nilaza aho fa takatro ny tarehin-javatra nisy azy, ka noho izany dia ho fohy ny teniko. Nilaza taminy aho hoe ny zava-kendrenay lehibe indrindra dia ny hitondra tena fampiononana ho an’ireo fianakaviana rehetra izay mahatsiaro ho ketraka, fa hoe avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra io fampiononana io, ary koa hoe hazavaina ato amin’itỳ taratasy mivalona ara-baiboly omena maimaim-poana itỳ hoe Fampiononana ho An’ireo Ketraka ilay izy.” Taorian’io fanazavana tsotra io, dia nasaina hiditra tao an-trano ilay anabavintsika ary afaka nanomboka fampianarana iray.

Nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitory any Aostralia tao anatin’ireo 16 taona lasa. Nanampy mba hanokafana ny fon’ny olona maro ireo fitaovana omen’ny fandaminan’i Jehovah. Rehefa maty tamin’ny loza iray ny zanakalahin’ny iray tamin’ireo rahalahintsika, dia nanapa-kevitra ny hanao fanomezana ilay bokikely hoe Rehefa Nody Mandry ny Olona Iray Tianao ho an’ny tsirairay tamin’ireo olona tonga tamin’ny fandevenana, ilay fianakaviana. Nizara bokikely 189 tamin’io fomba io izy ireo, ary avy eo dia 46 hafa no nalefa tany amin’ny havana tsy mpino. Ho vokany, dia maro tamin’izy ireo no nanalafeka ny fihetsiny teo anatrehan’ny Vavolombelona. Ny iray tamin’ireo nahazo ilay bokikely tany amin’ilay fandevenana dia prezidàn’ny Fikambanan’ireo Sekoly Katolika. Voalaza fa izy no mpamory vola nahay indrindra nananan’izy ireo hatramin’izay. Niara-nianatra ilay bokikely iray manontolo izy sy ny vadiny, tamin’ny fijerena ireo andinin-teny tao amin’ny Baiboliny katolika. Takatr’izy ireo tsy ela fa izay novakiny dia ny fahamarinana, koa niala haingana tamin’ilay Fikambanan’ireo Sekoly Katolika àry ilay rangahy ary tsy nety nanao famoriam-bola intsony. Na dia teo aza ny ezaka natao mba hampiovana hevitra azy, dia hentitra izy. Naka bokikely roa ambin’ny folo teo ho eo koa izy mba hozaraina tamin’ny mpikambana hafa tao amin’ny Eglizy Katolika.

Ny tovolahy iray tany Thaïlande dia nahare ny anabavy misionera iray nanao fanambarana tamin’ny zokiny vavy, nefa tsy naneho fahalianana izy. Tafalatsaka tao anatin’ny spiritisma izy. Avy eo, indray andro, dia nandray Baiboly iray izy, nanokatra azy io tamin’ny kisendrasendra, ary namaky ny 1 Petera 2:9, izay milaza fa Andriamanitra dia niantso ny vahoakany “hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga”. Nahasanganehana azy io andinin-teny io, ary dia nanomboka nieritreritra momba ilay misionera izy. Ny ampitson’iny ihany, dia teo am-baravarany ilay anabavy. Rehefa nilaza taminy ilay tovolahy fa naniry azy io hitsidika azy, dia namaly ilay anabavy fa tsy maintsy ho ireo anjely no nitarika ny diany. Avy eo, dia talanjona tsotra izao ilay tovolahy, satria, talohan’ny nilazany na inona na inona akory momba ilay andinin-teny novakiny, dia nanokatra ny Baiboliny ilay anabavy ka namaky io andinin-teny io indrindra. Gaga aoka izany izy, ka nitomany. Nanaiky hianatra ny Baiboly izy, ary nasain’ilay anabavy noraisin’ny loholona iray ilay fampianarana.

Kanefa, ny fifandraisan’ilay tovolahy tamin’ireo demonia dia nanasarotra ny raharaha ho an’ny tenany. Notafihin’ny zava-nanahirana ara-bola sy zava-nanahirana hafa izy talohan’izay, ka nanao “fifanekena” tamin’ny fanahy iray hoe, raha namela azy io hitoetra tao aminy izy, dia hanampy azy sy hanome azy izay hilainy izy io. Ho vokany, dia afaka nanangana raharaham-barotra iray tsy nisy ezaka firy izy tamin’izay ary nanjary tompon’ny orinasa iray nampiasany mpiasa maro. Nanaiky avy hatrany izy fa misy ny fanahy ratsy ary nahatakatra fa mahery ireo fanahy ireo, nefa nahatsapa fankasitrahana tamin’ilay fanahy noheveriny ho “mpanasoa” izy. Nanatrika fivoriana sasany izy, nefa nanakana azy tsy hahatakatra sy hihazona izay reny tany, ireo demonia. Avy eo, ny alina talohan’ny fivoriambe iray, dia nisy izay nolazalazainy hoe ady amana aina nifanaovany tamin’ilay demonia nampiasa azy ho mpanelanelana tamin’ny tontolo ara-panahy. Naharesy ilay tovolahy, kanefa taorian’izay, dia namoy tsikelikely nefa tamin’ny fomba azo antoka, ireo tombontsoa ara-nofo rehetra azony avy tamin’ilay demonia, izy. Rehefa nametraka ny fitokiany tamin’i Jehovah anefa izy, dia nanome azy izay nilainy Andriamanitra — tsy ilay harena tafahoatra nananany taloha, fa izay rehetra tena nilainy. (1 Tim. 6:8, 9). Manao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy amim-pifalianana izy ankehitriny.

Tany amin’ireo Nosy Salomon, ny fitambaran’olona sasany dia nanohitra ny ezaka ataontsika mba hitory ny vaovao tsara, hany ka nanapa-kevitra ny sampana ny haniraka mpisava lalana efatra tany amin’ny iray tamin’izany faritra be mponina be izany, teo amin’ny Nosy Santa Isabel, mandritra ny herinandro vitsivitsy mba hizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34. Toa nampalahelo fa, rehefa afaka iray andro monja, dia nijanona tsy nandeha ny maoteran’ilay sambo keliny, ka voatery niverina tany Honiara ireo mpisava lalana. Kanefa, i N’Gela, nosy iray hafa, dia vao nanjary azo naleha tamin’ny baka avy teo Honiara, koa nirahina mba hitory tany àry ireo mpisava lalana. Moa ve ny safidy faharoa fotsiny io fandaharana io, sa ilay fanahy izay nampitaina tamin’ny alalan’ilay Lohan’ny kongregasiona, no nitarika ny raharaha? (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:6-8.) Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nisy teny tonga tamin’ny telefaonina nanao hoe: “Mba andefaso zavatra vita an-tsoratra hafa koa, aza fady. Nisy 17 izahay tamin’ny fivorianay voalohany tamin’ny zoma.” Rehefa afaka andro vitsivitsy indray, dia mbola nisy zavatra vita an-tsoratra fanampiny nangatahina, ary nitatitra ireo mpisava lalana fa 30 no nanatrika ny fivoriana ny alahady. Rehefa afaka niverina teo amin’ny Nosy Santa Isabel ireo mpisava lalana, dia nahita fa, raha nitady hitory tamin’io faritra io nandritra ireo herinandro talohan’izay izy ireo, dia ho sarotra be izany, satria tonga nitsidika tao ny governora jeneraly mba hanamarihana ny fahazato taonan’ny fisehoan-javatra iray, ka saika ilay faritra manontolo no revo tamin’ilay fankalazana. Kanefa, teo amin’ireo olona liana hitan’izy ireo izao, dia nisy filoha iray teo an-toerana izay tena diso fanantenana noho ny fihatsarambelatsihin’ny Eglizy Anglikanina, ka nangataka fampianarana Baiboly. Efa nanatrika fivoriamben’ny fizaran-tany izy hatramin’izay, sy nanasa ny Vavolombelon’i Jehovah ho tonga teo amin’ny toerana nisy azy mba hampianatra ny olona.

Eoropa

Zavatra vita an-tsoratra tsy toko tsy forohana ampiasaina mba hampielezana ny vaovao tsara no atao pirinty any Eoropa. Ary toy inona moa iny taona iny ho an’ireo fianakavian’ny Betela mandray anjara amin’io asa io!

Mbola tsy maro be toy ny tamin’ny taom-panompoana 1995 hatramin’izay ny boky sy bokikely ary gazety novokarin’i Alemaina tao anatin’ny herintaona. Ohatra, tamin’ny volana Jona fotsiny, ny fanontam-pirinty tany dia namokatra gazety 10 835 200 sy bokikely 7 984 359, ary isan’andro, ny sampan’asan’ny fanakambanana ho boky dia nahavita boky 100 000. Amin’izao fotoana izao, ny sampan’i Alemaina dia mandefa gazety sy zavatra vita an-tsoratra hafa ary taratasy hofenoina ho an’ny kongregasiona 7 600 any amin’ny tany 30, izany hoe mpitory 625 000 eo ho eo amin’ny fitambarany. Ny ampahany lehibe amin’ny zavatra vita an-tsoratra vokarina ankehitriny dia ho an’ireo tany tatsinanana, izay tsy afaka nahazo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly firy nandritra ny taona maro. I Grande-Bretagne, i Italia, i Frantsa, i Espaina, i Failandy ary i Soeda dia mandray anjara koa amin’ny fanomezana fahafaham-po amin’ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly ilaina maneran-tany.

Tsy zavatra vita an-tsoratra fotsiny no nalefa tany amin’ireo tany mila fanampiana be dia be. Vavolombelona mahay avy any an-tany hafa koa no nasaina hifindra tany amin’ireny faritra ireny mba hanampy eo amin’ny asa fanaovana mpianatra. Ohatra, mpisava lalana 14 no nifindra avy tany Polonina nankany Vilnius, renivohitr’i Lituanie, mba hanampy eo amin’ilay asa. Tao anatin’ny roa volana izy ireo dia efa nitarika fampianarana Baiboly maherin’ny 100 sahady.

Nandritra ny folo volana tao anatin’ny taom-panompoana lasa, dia nisy tampon’isa vaovao maro teo amin’ny mpitory tany Rosia (niaraka tamin’ny 9 tamin’ireo repoblika sovietika teo aloha 14 hafa). Nisy 50 isan-jato ny fitomboana! Nisy tampon’isan’ny mpitory 77 985 nanaovana tatitra. Naneho zotom-po niavaka ireo mpitory tamin’ny volana May, tamin’ny fandaniana 17,6 ora tamin’ny antsalany teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Nandritra ny tsirairay tamin’ny volana May sy Jona, izy ireo dia nahapetraka gazety maherin’ny iray tapitrisa ary nanao fiverenana mitsidika maherin’ny iray tapitrisa. (Fitarana nitovy tamin’izany koa no hita tany Estonie, Lettonie, Lituanie, Moldavie ary Ukraine.)

Tsy nisy afa-tsy kongregasiona iray monja tao Moscou, enin-taona lasa izay. Ankehitriny dia misy 40 eo ho eo any, ary saika izy rehetra ireo dia ho azo zaraina ho kongregasiona 2 na 3, raha nisy loholona betsaka kokoa. Any Murmansk, any amin’ny faritra avaratra amin’i Rosia, dia tsy misy afa-tsy kongregasiona iray monja amin’izao fotoana izao. Misy mpanampy amin’ny fanompoana tanora maro faran’izay tsara ao, nefa tsy azo zaraina ilay kongregasiona, satria tsy misy afa-tsy loholona iray monja. Manana mpitory tokony ho 800 io kongregasiona io. I Ryazan sy i Ulyanovsk dia tanàna izay samy manana mponina maherin’ny 500 000, nefa tsy manana kongregasiona. Kanefa, nisy mpisava lalana manokana valo nanomboka ny asa tany tamin’ny volana May, ary tamin’io volana io izy ireo dia nanomboka fampianarana Baiboly 51 tao amin’io faritaniny vaovao io. Toy inona moa ny fifaliany manampy an’ireo olona noana ny fahamarinana ireo!

Ny fanandraman-javatra iray voatantara tao amin’ny gazety Mifohaza! dia nahatonga ny vadin’ny mpiandraikitra mpitety faritany iray tany Aotrisy handinika ny fahafahana hiresaka amin’ireo olona any amin’ireo biraom-panjakana. Hoy izy: “Nikaroka tao amin’ny annuaire téléphonique sy ny boky hafa aho mba hahazoana ny adiresin’ireo sampan’asan’ny fanampiana ara-tsosialy. Avy eo aho dia nitady lahatsoratra tao amin’ny Mifohaza! sahaza an’ireo olona miasa amin’ny sahan’asa toy izany. Rehefa nanomboka aho, dia nidobodoboka be ny foko, nangovitra be aho ary nanao vavaka be dia be. Rehefa avy niresaka tamin’ny sekretera izahay, dia nahita fa ireo lehilahy nitana toeram-piandraiketana mazàna dia sariaka be. Rehefa naneho fankasitrahana noho ireo asa fanampiana ataon’izy ireo izahay — satria mandray soa avy amin’izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah — dia mazàna no fahagagana no setrin’izany. Avy eo aho dia nanambara ny anton’ny fitsidihako: ‘Nikaroka lahatsoratra tao amin’ireo gazetinay izay mahakasika ilay asa manokana ataonao, aho. Raha sitrakao, Tompoko, dia makà fotoana handinihana azy ireto amin’ny fotoana maha-afaka anao.’ Tamin’izany fomba izany aho dia afaka nizara gazety efa ho 1 800 mihitsy nandritra ireo enim-bolana voalohany.” Ankehitriny ilay anabavintsika dia milaza fa mahita fifaliana lehibe izy amin’ny fanaovana io asa manokana io. Mitsidika ireo talen’ny sekoly, solontenam-panjakana, polisy, fandaminana ho an’ny asa fanampiana ara-tsosialy ary manam-pahefana ara-pitsarana, izy.

Ny tovolahy iray tany Kroasia dia teraka nanana fo tsy dia nandeha tsara ka nametra be ny fanaovany zavatra. Teo amin’ny faha-17 taonany izy dia nanjary nifampikasoka tamin’ny vaovao tsara tamin’ny alalan’ny mpifanila trano iray ary nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra. Na dia nanakivy azy aza ireo ray aman-dreniny, dia nanjary niaiky izy fa nahita ny fahamarinana. Tsy nianatra afa-tsy tapany iray monja tamin’ny boky Hiaina Mandrakizay izy, raha niharatsy ny fahasalamany, ka nanjary niharihary fa efa antomotra ny hahafatesany. Raha nipetraka teo akaikin’ny fandriany ny reniny, ka nitomany satria takany fa ho faty tsy ho ela ny zanany, dia niresaka taminy tamim-pahatsoram-po momba ny fanantenana ny amin’ny fitsanganan’ny maty, izy. (Asa. 24:15). Naneho ny fiekeny ny hatsangana ho amin’ny fiainana indray izy, nefa nanampy hoe ny hifankahitan’izy ireo any amin’ny fandehan-javatra vaovao dia hiankina amin’ny reniny sy amin’ny rainy. Nanohina lalina an-dreniny izany. Tapa-bolana taorian’ny nahafatesany, dia nangataka fampianarana Baiboly tao an-tokantranony ny ray aman-dreniny, ary dia manohy manao fandrosoana tsara izy ireo.

Tany Islande, ny roa tamin’ireo anabavintsika kristiana dia nahita fomba hanampiana an’ireo mpiara-miasa taminy hahafantatra tsara kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Na dia nankalaza ny andro fitsingerenan’ny nahaterahana sy ny Krismasy aza ireo mpiara-miasa taminy, dia tsy mba nandray anjara tamin’izany ireo anabavintsika roa. Kanefa, indray andro izy ireo dia nitondra mofo mamy tsara tarehy iray sy mofo nataon’ny tenany ihany, mba hiaraha-mihinana tamin’ny mpiara-miasa taminy nandritra ny fiatoana fisotroana kafe. Naniry hahafantatra ny anton’ilay izy ireo mpiasa. Nanazava ireo anabavy fa, noho ireo mpiara-miasa taminy tena naneho fiheverana azy sy ny zavatra ninoany, izao kosa izy ireo dia naniry hanolotra ho azy ireo, zavatra tsara hohaniny miaraka amin’ny kafe. Izany dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fifampiresahana tsara dia tsara, fanontaniana maro no novaliana, ary nihaino tamim-pahalianana be ny rehetra. Tatỳ aoriana, dia nanao fanomezana gazety Mifohaza! manokana iray ho an’ny tsirairay tamin’ireo mpiara-miasa taminy izy ireo, ka ny gazety tsirairay dia nisy ny anaran’ilay olona. Teo indray koa, dia nisy nametraka fanontaniana, ary fanambarana tsara no natao. Rehefa nitsangana mba handeha ireo anabavy, dia nandinika azy ireo ambony ambany ny vehivavy iray ka nanao hoe: “Na dia eo aza ny fivavahanareo, dia tena ohatra ny rehetra ihany ny fahitana anareo.” Eny, ireo mpiara-miasa ireo dia nihananana fomba fijery manorina kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny hafatra ambarany.

Tao amin’ny kongregasiona iray any Danemark, ny mpisava lalana iray dia nanao ezaka manokana mba hanampiana ireo vady tsy mpino. Nanomboka fampianarana Baiboly tamin’i Klaus, izay nanatrika ny sasany tamin’ireo fivoriana niaraka tamin’ny vadiny, izay Vavolombelona, izy. Nankasitraka ilay fianarana i Klaus, ary nandroso tsara. Naniry hanampy ny vady tsy mpino iray hafa ilay mpisava lalana, ka nanasa an’i Klaus sy ny vadiny niaraka tamin’io mpivady io, mba hiara-misakafo. Ny zava-nokasain’ilay rahalahy dia ny hanomboka fampianarana Baiboly iray niaraka tamin’io lehilahy io. Nandritra ny fitsangantsanganana an-tongotra taorian’ny sakafo, dia nitady hiresaka manokana tamin’ilay lehilahy izy, nefa tsy afaka satria nitory tamin’ilay rangahy foana i Klaus. Rehefa nahita fahafahana hiresaka tamin’ilay rangahy ilay rahalahy tamin’ny farany, dia efa nanomboka ilay fampianarana i Klaus. Tamin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany vao haingana, i Klaus, izay mpitory tsy vita batisa izao, dia nanatrika ireo fivoriana rehetra ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha — nisy folo izy ireo. Mandroso tsara koa ny fampianarana ataony amin’ny vadin’ilay anabavy hafa.

Henjehina ireo izay maniry hiaina amin’ny fifikirana amin’Andriamanitra, mifandray amin’i Kristy Jesosy. (2 Tim. 3:12, NW ). Mety ho avy amin’ny mpianakavy izany fanenjehana izany, ary mety ho tonga amin’ny ankizy mihitsy aza. Fony izy 12 taona, dia nianatra nanao akanjo ba tamin’ny iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Monika, izay ao amin’ny Kongregasionan’i Miechów, any Polonina, ankehitriny. Nampiditra tsikelikely tao aminy ny faniriana hianatra ny Baiboly koa io Vavolombelona io. Kanefa, nanohitra ny reniben’i Monika. Mba hanakiviana an’i Monika, dia tsy nahandro hanina ho azy intsony izy, ary tsy nety nividy akanjo ho azy. Nikapoka an’i Monika izy, rehefa niresaka momba ny Baiboly ilay zazavavy ary nanaraka azy tsy an-kijanona mba hanakanana azy tsy hianatra niaraka tamin’ireo Vavolombelona. Nianatra irery tao amin’ny fitoeram-bokatra sy teny an-dalana ho any am-pianarana anefa i Monika.

Rehefa nahavita ny fianarany tany amin’ny lise izy, dia nanao fandaharana mba ho mpisava lalana ary naneho ny faniriany hanompo tany amin’izay nilana fanampiana bebe kokoa. Naniry hiala tamin’ilay tanàna niaviany sy ny ho lavitra an’ilay renibeny nanohitra, araka izay azo natao, izy. Ketraka toy inona moa izy rehefa nilaza ny mpiandraikitra ny fizaran-tany hoe tena azo inoana fa ilay tanàna niaviany no ho faritaniny! Hoy ny tsaroany: “Niezaka tsy hampiseho taminy izay tsapako aho, nefa nitanondrika aho niala teo, mba hieritreritra momba ny zava-drehetra indray. Nilaza tamin’ilay ho namako teo amin’ny fanompoana aho hoe: ‘Hitanao, mitondra tena tahaka an’i Jona angamba aho izany. Nankany Ninive ihany anefa i Jona tamin’ny farany. Noho izany, dia ho any amin’izay nanendrena ahy koa aho, raha izany no sitrapon’i Jehovah.’ ” Efa-taona izay no lasa, ary hoy izy ankehitriny: “Hitako fa fahendrena ny nanapa-kevitra ny hanaraka ny fitarihan-dalan’i Jehovah. Ny fihetsiko tsy nanorina no zava-nanahirana lehibe indrindra. Izao aho dia mahita fifaliana lehibe, satria tao anatin’ny iray volana aho dia nahavita nitarika fampianarana Baiboly 24. Noho i Jehovah, dia nandamina ny hianaran’ilay renibeko nanohitra taloha mihitsy aza aho.”

Ireo Tanin’i Amerika

Any Meksika, dia misy fifindrana rodobe hialana amin’i Babylona Lehibe, miseho. Olona an’arivony maro avy amin’ny saranga rehetra no manaiky ilay fampirisihan’ny Baiboly mafy hoe: “Mialà aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy.” (Apok. 18:4). Ny Eglizy Katolika no ilaozan’ny ankamaroan’ireo olona ireo. Tamin’ny 1995, dia mpitory nahatratra tampon’isa 443 640 no nanompo an’i Jehovah tamim-paharisihana, tany Meksika. Misy hafa koa may ny hanatevin-daharana azy ireo, araka ny tondroin’ireo fampianarana Baiboly 569 842 tarihina any an-tokantrano sy ireo 33 077 niseho hatao batisa tao anaty rano, nandritra ny taom-panompoana.

Ny sasany amin’ireo izay tsy maniry intsony ny hampifandraisina amin’i Babylona Lehibe, dia tanora. Nisy Vavolombelona tany Silia nankany Requinoa, faritra lavitra iray tao amin’ny faritanin’izy ireo, izay tsy azo notratrarina raha tsy taorian’ny dia an-tongotra lava tamin’ny lalan-tany. Rehefa nanatona trano iray izy ireo, dia nisy ramatoa zokiolona efa teny an-dalana hitsena azy ireo. “Endre izany hatsaram-panahinao nivoaka mba hiarahaba anay!”, hoy ireo Vavolombelona. Hoy ny navaliny: “Mba hitanako ny teny nataoko tamin’ny zafikeliko, izay vao maty vao haingana, no anaovako an’izao.” Isaky ny nahita an’ireo Vavolombelona tonga ilay zafikeliny, izay 12 taona monja, dia nihazakazaka nankany amin’ny renibeny izy ka nanao hoe: “Bebe a, indreny fa tonga los de la Biblia [ireo olon’ny Baiboly].” Ary dia nangataka vola izy mba hakana ireo gazety. “Namaky azy ireo foana izy”, hoy ny tsaroan’ny renibeny, “nefa ny tiany indrindra dia ny boky mena iray mampiseho paradisa [Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany]. Namaky azy io tamiko izy ary nampianatra ahy, satria tsy mahay mamaky teny mantsy aho. Roa tokom-bolana lasa izay, noho ny antony tsy fantatra, dia narary izy. Natao daholo ny zavatra rehetra azo natao mba hamonjena azy, nefa nalefan’ireo dokotera nody izy, mba hiaraka taminay nandritra ireo ora farany tamin’ny fiainany. Efa ho faty izy tamin’izay.”

Nanodidina ny fandriany ny fianakaviany, rehefa nanakimpy ny masony izy. Hoy ny teny nanampin’ilay renibe: “Noheverinay fa maty izy, ka dia nitomany noho ny alahelo izahay, kanjo tampoka teo dia nanokatra ny masony izy ka nilaza taminay hoe: ‘Neny a, Bebe a, ilazao aho fa tsy Katolika. Tsy Katolika moa aho ô?’ ‘Tsia, tsy izy ianao’, hoy izahay. ‘Tsy izy aho’, hoy ny tohin’ny teniny, ‘satria iray amin’ireo tonga etsy amin’ny lalana aho, los de la Biblia, ary hiaina ao amin’ny Paradisa aho.’ Avy eo izy dia namoaka ny bokiny mena ary nampiseho sary anay. Nitodika tatỳ amiko izy, ka nanao hoe: ‘Bebe a, omeo toky aho fa isaky ny mahita los de la Biblia tonga etsy amin’ny lalana ianao, dia hivoaka mba hitsena azy ireo ho ahy.’ Hoy aho hoe hanao izany aho. Avy eo, dia hoy izy: ‘Tsy Katolika aho, fa iray amin’ny los de la Biblia, ary hiaina ao amin’ny Paradisa aho’, ary tamin’izay izy dia nody mandry. Izany no antony nivoahako mba hitsena anareo, rehefa hitako tonga tetsy amin’ny lalana ianareo.” Nampionona azy tamin’ny alalan’ny andinin-teny momba ny fitsanganan’ny maty ilay rahalahy. Enga anie ka ho azo ampiana mba hamboly finoana mafy orina io fianakaviana io, amin’izay, raha avelan’i Jehovah, dia ho afaka hiaina miaraka amin’ny zafikeliny ao amin’ny Paradisa izy ireo.

Tsy misy hafa amin’ny tsy maintsy anaporofoan’ireo efa lehibe ny tsy fivadihany amin’i Jehovah, dia takina amin’ireo tanora koa matetika ny hanaporofoany ny finoany rehefa tojo fanoherana. I Michael, 14 taona, any Costa Rica, dia tsy nianatra ny Baiboly afa-tsy nandritra ny volana vitsivitsy monja, rehefa nitaky ny handraisany anjara tamin’ny fankalazana izay, araka ny fiheverany, dia nifanohitra tamin’izay nianarany tao amin’ny Baiboly, ny lise nisy azy. Na dia mbola tsy vita batisa aza izy, dia niorina mafy tamin’ny toerana notanany, ary dia noroahin’ilay sekoly izy sy ny iray kilasy taminy enina izay Vavolombelona. Nisy fisedrana hafa koa niandry an’i Michael. Namoaka izao fampitandremana farany izao ny rainy: “Afoizo io fivavahana io, raha tsy izany, dia handa anao tsy ho zanako intsony aho.” Indray mandeha koa, ny rainy dia nitondra azy tany an-tanàna, nanajanona ny fiarakodia teo amin’ny toerana iray, ary nampiseho azy kitapo iray, tamin’ny filazana hoe: “Indro, anaka, misy $8 500,00 ato amin’itỳ kitapo itỳ. Anao daholo io raha miverina amin’ny fivavahantsika ianao ka mandao ny finoan’izy ireo.” Rehefa nanda i Michael, dia namely azy tehamaina teo amin’ny tarehiny ny rainy. Avy eo izy dia nitondra azy tany amin’ny eglizy katolika iray ka nilelalela mba handohalehany sy hanaovany ny mariky ny lakroa teo anoloan’i Maria Virjiny, raha tsy izany dia hiatrika sazy mafy izy noho ny tsy fanaovany izany. Namaly ilay ankizilahy fa, na dia voatery hanaja ny ray aman-dreniny aza izy, ny fifikirany tsy mizarazara dia tamin’i Jehovah. Namaly ilay rainy hoe tsy nahafantatra an’i Jehovah izy, no sady tsy nisy dikany taminy i Jehovah. Taorian’izany, dia nanda tsy hahita an’i Michael nandritra ny roa taona ny rainy! Kanefa, taona maro tatỳ aoriana, fotoana kelikely talohan’ny hahafatesany, dia nitady an’i Michael ny rainy ary nangataka azy hamaky ny Baiboly taminy. Nangataka an’i Michael mba hamela azy izy, nampirisika azy hanohy hanompo an’i Jehovah, ary nangataka fampianarana Baiboly.

Ny vehivavy iray tao Panama City, any Panama, dia nihaino rehefa nitsidika azy tao an-tranony ny Vavolombelona. Naka gazety iray izy ary nanasa azy ireo hiverina. Fa nahoana? Tsy hadinony mihitsy fa, fony izy nampianatra tany amin’ny faritra be tendrombohitra iray teo amin’ilay tany, dia nanana ankizy Vavolombelona tao an-dakilasiny izy. Tsy nandray anjara tamin’ny fombafomba fitiavan-tanindrazana mihitsy izy ireo, na dia teo aza ny fanerena nampihariny tamin’izy ireo. Indray andro, rehefa norosoana macaroni nifangaro lasosy nisy akoho nokendaina ny ankizy, ireo ankizy ireo dia nanda tsy hihinana azy io, na dia nampirisika azy ireo hifantina ilay macaroni sy hamela ilay lasosy, aza izy. Nanazava izy ireo fa ny Baiboly dia mandrara ny fihinana ra. (Asa. 15:28, 29). Tsy nitovy hevitra tamin’izy ireo izy, nefa tsy afaka ny tsy ho voatohina ny fony. Mbola tsy nahafantatra mihitsy izy talohan’izay, olona naneho tsy fivadihana toy izany, noho ny zavatra ninoany ara-pivavahana. Noho izany, rehefa nitsidika azy ny Vavolombelona taona maro tatỳ aoriana, dia nanasa azy ireo hiverina izy, mba hahafahany hianatra bebe kokoa momba ny fototry ny zavatra inoan’izy ireo. Natomboka ny fampianarana Baiboly, ary dia nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra izy. Ankehitriny, izy sy ny vadiny ary ny zanany telo dia manompo an’i Jehovah, noho ny ohatra faran’izay tsaran’ny Vavolombelona tanora tao amin’ny sekoly nampianarany.

Ny vehivavy iray tany Salvador, izay talanjona noho ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nanontany an’i Omar raha naniry hiara-mianatra tamin’ny zanany lahy enin-taona izy. Nanaiky i Omar. Rehefa nankany mba hanao ilay fampianarana izy, dia gaga. I Mario, ilay ankizilahy kely, dia efa nifoha maraina be sady nandro. Efa tafakanjo izy ary niandry ny hahatongavan’ilay rahalahy. Natomboka ny fianarana tamin’ny Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Nihaino ny renin’ilay zazalahy kely, teo am-panjairana. Nilaza izy fa tsy liana afa-tsy amin’ny haha-voataiza ny zanany lahy tahaka ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah, ny tenany. Nangataka lalana taminy mba hitondra an’i Mario kely tany amin’ireo fivoriana, ary tamin’ny farany, dia tany amin’ireo fivoriambe, ilay rahalahy. Nanao fandrosoana ilay ankizilahy kely, ary nanampy azy hanao ny fanompoana manontolo andro ho ny tanjona hotratrariny any aoriana, i Omar. Tatỳ aoriana, dia nanaiky hianatra koa ilay reniny, ka natao batisa, ny zandrin’i Mario lahy dia tonga mpitory, ary ny rainy ankehitriny dia manatrika ny fivoriana sasany. Ary i Mario? Mpisava lalana maharitra izy. Faly toy inona moa i Omar fa nanaiky ny hiara-mianatra tamin’iny ankizilahy kely enin-taona iny!

Ny fampiasana amim-pahakingana ny Baiboly dia afaka mahatonga olona tso-po handray tsara, araka ny asehon’izao fanandraman-javatra manaraka avy tany Jamaïque izao: “Ny vehivavy tanora iray izay nampahalalaina ahy dia nilaza fa nanana fanontaniana be dia be izay tiany hahazoana valiny, izy. Natao ny fandaharana mba hifampiresahanay. Tamin’ny fifankahitanay voalohany, dia nilaza izy fa tsy naniry hianatra na inona na inona tamin’ireo zavatra vita an-tsoratsika, no sady tsy naniry hasaina na tamin’ny fivoriana inona na tamin’ny fivoriana inona. Naniry ny hamaliana ireo fanontaniany avy tao amin’ny Baiboly izy. Ny ankamaroan’ny fanontaniany dia momba ny Sabata sy ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny Baiboly ihany no nampiasaina — ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. Isaky ny namaky andinin-teny ho famaliana ny fanontaniany izy, dia talanjona noho ny amin’ireo valin-teny mazava sy araka ny fandrindran-kevitry ny Soratra Masina. Nitohy nandritra ny roa tokom-bolana izany. Tamin’ny fitsidihana nanaraka, dia tsy nanana fanontaniana intsony izy, koa nanontany azy àry aho hoe: ‘Inona indray izao?’ Nilaza izy fa naniry ‘hianatra ilay boky mena’, izany hoe ny boky Hiaina Mandrakizay. Ny Toko Faha-22 hoe ‘Ny Fomba Famantatra ny Fivavahana Marina’ no nofidina. Taorian’io toko io, dia nanomboka hatrany amin’ny toko voalohany izahay. Avy eo izy dia nanontany momba ny fotoan’ireo fivoriantsika. Nanomboka nanatrika ny fivoriana rehetra izy; rehefa nanembantsembana ny asany, dia nialany. Taorian’ny fianarana nandritra ny volana vitsivitsy monja, dia nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika izy ary tonga mpitory tsy vita batisa.”

Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray tany Bolivia dia nanana andro malalaka teo anelanelan’ny fitsidihana groupes isolés kely, koa nampiasa azy io izy mba handehanana teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha niaraka tamin’ny kongregasiona nanana ilay faritany nisy ny toerana nilasiany. Nanontany tena izy hoe iza no hikarakara ilay antokon’olona hiara-mitory. Tonga ilay mpitarika, niaraka tamin’ny rahalahy iray hafa. Nanana famantaranandro iray nanonona ny fotoana ilay rahalahy nitarika, ary rehefa nampandre ny tamin’ny valo ora sy fahefany ilay izy, dia nangataka olona hamaky ny teny natao hovakina ho an’ny andro ilay rahalahy, nangataka fanazavana homena an-tsitrapo, ary avy eo dia namarana tamin’ny fanomezan’ny tenany fanazavana fohy. Taorian’ny vavaka, dia nanendry ny rehetra teo hiara-miasa tsiroaroa izy, ary na dia ny anabavy iray tsy teo aza. “Hafahafa izy izany!”, hoy ny noeritreretin’ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany. Rehefa afaka kelikely taorian’izay, dia teny amin’ny faritany izy ireo, ary nanontany ilay mpitarika hoe: “Aiza marina moa isika izao, ary manatrika aiza aho?” Tamin’izay, dia takatr’ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany hoe hay jamba ilay rahalahy. Rehefa fantatr’ilay mpitarika ny nitodihany, dia nanomboka nizara ny faritany izy. Ary teny antenatenan’ny maraina izy, dia nandamina ny fanovana ireo ho mpiara-miasa teo amin’ny fanompoana mihitsy aza. Ohatra tsara dia tsara toy inona moa izany raha ny amin’ny fahavononana hampiasain’i Jehovah sy ny fitokiana aminy mba hanonitra izay tsy ananana! Rehefa nilaza tamin’ireo loholona teo an-toerana ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany hoe tena nampahery aoka izany ny nahita ilay rahalahy nanompo tamin’izany fomba izany, dia hoy ny navalin’izy ireo: “Ia, ary tsy mandiso fanantenana anay na ilay groupe misy azy mihitsy iny rahalahy iny.”

Mbola misy faritany tsy nanendrena na iza na iza any Nikaragoay ary i Jehovah dia manome mpiasa vonona hikarakara ny fijinjana ara-panahy. Nandritra ny ezaka manokana naharitra efa-bolana, dia mpisava lalana manokana vonjimaika 100, rahalahy sy anabavy tanora feno fahafoizan-tena, no nirahina tany amin’ny toerana 22 tamin’ny fitambarany. Nahita vokatra ve izy ireo? Tamin’ny Fahatsiarovana, izy ireo dia nitatitra isan’ny mpanatrika 2 674, tamin’ny fitambarany. Groupes isolés vaovao dimy no naorina ho vokatry ny ezak’izy ireo. Fanampin’izany, dia rahalahy sy anabavy, na mpitovo na nanambady, no tonga avy tany Alemaina, Angletera, Costa Rica, Espaina, Etazonia, Goatemala, Kanada ary Porto Rico, mba hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana tany Nikaragoay. Ireo, niaraka tamin’ireo misionera izay notendrena tany nandritra ny taona, dia manao asa faran’izay tsara.

Tsy sarotra ny manomboka fampianarana, any Nikaragoay. Teny an-dalana ho any amin’ny fivoriana, ny misionera iray dia nohatonin’ny lehilahy iray izay nanontany aloha raha Vavolombelon’i Jehovah ilay antokon’olona. Avy eo izy dia nilaza fa naniry hianatra ny Baiboly. Rehefa nitsidika azy izy ireo, dia nitantara ny fanandraman-javatra hitany nandritra ny ady tao Nikaragoay izy. Indray mandeha, rehefa nomena baiko hisambotra Vavolombelona sasany izy, dia noraisin’izy ireo tamim-pahaiza-mandray vahiny aoka izany, hany ka tsy afaka nanatanteraka ilay baiko azony. Izao anefa dia nikorontana be ny sainy. Nandray anjara tamin’ny famonoana olona be dia be izy nandritra ny ady. Hamela azy ve Andriamanitra? Ny Isaia 1:15-18 no nampiasaina mba hamaliana ny fanontaniany, ary taorian’izay, dia latsa-dranomaso ilay lehilahy, noho ny fankasitrahana sy ny fahamaivamaivanana. Natomboka haingana ny fianarana. Rehefa takany fa, mba hampifaliana an’Andriamanitra, dia nila ny handao an’ilay sakaizany niarahany nipetraka izy, ka hiverina tany amin’ny vadiny, dia namaly avy hatrany izy hoe: “Maniry hanompo an’i Jehovah 100 isan-jato aho, fa tsy 80 isan-jato akory.”

Ankahalain’izao Tontolo Izao, Nefa Fantatra Noho ny Fitiavany

Tamin’ny alina farany talohan’ny hahafatesany, i Jesosy Kristy dia nilaza tamin’ireo apostoliny hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Hoy ny teny nanampiny: “Raha naman’izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.” (Jaona 13:35; 15:19). Tahaka an’i Jesosy, ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia ankahalain’izao tontolo izao, nefa fantatra noho ny fitiavany.

Na dia izany aza, izany fomba itondrana azy ireo izany matetika dia mivadika ho fampandrosoana ny vaovao tsara, fa tsy ny mifanohitra amin’izany. Misy lehilahy tia ny rariny indraindray voatosika ho sahy hiteny mba hiarovana ny Vavolombelona. Ny sasany aza manatevin-daharana azy ireo mihitsy mba hanompo an’i Jehovah.

Rehefa nitsidika antokona mpitory iray tany amin’ireo Tendrombohitra Caucase ny loholona iray, nandritra ny adiny roa ilay trano nivorian’izy ireo dia voahodidina vahoaka feno fankahalana sy nitaky ny hanolorana tamin’izy ireo an’ilay loholona sy ny rahalahy hafa tao amin’ilay antokon’olona. Kanefa, nisalovana ny polisy. Tany amin’ny paositry ny polisy, dia nanararaotra ilay fahafahana ireo rahalahy mba hanaovana fanambarana. Nanjary liana ilay sefon’ny polisy. Miara-mianatra ny Baiboly tsy tapaka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny izy sy ny fianakaviany.

Tapa-bolana talohan’ny tokony hanombohan’ny fivoriamben’ny distrika iray tany Irkutsk, any Rosia, dia nitsidika ny talen’ilay kianja ny pretra roa, nangataka ny hanafoanana ilay fivoriambe. Nanontany ny antony ilay tale. Hoy ny valin-tenin’izy ireo: “Fivavahan-diso ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy Kristiana izy ireo.” Namaly ilay tale hoe: “Tsy anjarako ny mamotopototra izay fivavahana marina sy izay tsy marina. Mitsara ny olona araka ny zavatra ataony aho, fa tsy araka ny finoany. Efa-taona izay no niarahako niasa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary miaiky aho fa izy ireo no olona tsara indrindra. Noho izy ireo sy ny asa mafy ataony, dia faran’izay tsara ny endrik’ilay kianja. Raha tsy izy ireo, dia azo inoana fa ho efa tsy niasa intsony ilay kianja ary tsy ho ny taleny aho. Raha ny amin’ny fomba ampiasainy kosa, dia zony izany, nefa iza moa no manakana anareo tsy hanao tahaka azy ireo koa? Nahoana ianareo raha mba manofa kianja sy manintona olona amin’izany fomba izany koa?” Naharomotra an’ireo pretra izany valin-teny izany, ka nandrahona azy izy ireo. Nilaza tsotra fotsiny anefa ilay tale fa izao aloha dia tsy ireo pretra no mitantana ilay kianja, fa mbola ny tenany.

Na dia “halan’ny firenena rehetra” aza ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha, dia fantatra tsara noho ny fitiavany miavaka koa izy ireo. (Matio 24:9). Tonga dia miharihary izany fitiavana izany rehefa mandray anjara amin’ny tetik’asa fanorenana teokratika ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny iray amin’izany dia any Solnechnoye, any Rosia, izay anomanana birao sy trano Betela hampiasaina mifandray amin’ny fitoriana ny vaovao tsara any Rosia. Misy rahalahy sy anabavy 530 avy any amin’ny tany 30 samy hafa eny amin’ny toeram-panorenana. Toe-tsaina tsara dia tsara toy inona moa no asehon’izy ireo! Maro amin’izy ireo no maka ny fotoam-pialan-tsasany mba hanampiana. Ny hafa nahafoy ny asany na nivarotra ny tranony mba hanompoana eo mandritra ny fe-potoana lava kokoa. Ny fahalianana lalina ananan’izy ireo amin’ny vahoaka rosianina dia hita taratra koa amin’ny zotom-pon’ny maro milofo mianatra ny teny rosianina, aorian’ny ora fiasana.

Izany fanampiana feno fitiavana izany dia natohy tany amin’ny tany hafa koa. Tamin’ny 8 Jona, dia nianto-tena ny Vavolombelona norvezianina 100 nankany Islande mba hanampiana ireo rahalahiny tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana roa niaraka, ny iray tany Keflavik ary ilay iray hafa tany Selfoss.

Niova fihetsika ny sasany izay mpanohitra taloha. Ohatra, indray andro, ny anabavy tanora iray dia nanao fitsidihana isan-trano tany Ukraine, ary nahita lehilahy zokiolona izay nandrahona ny handratra azy ara-bakiteny, raha mbola miverina indray izy. Nangataka azy handray bokikely iray ilay anabavintsika ary nampanantena ny tsy hanelingelina azy intsony. Veriny anefa ny fandraisany an-tsoratra momba ilay trano tokony hohodiviriny, ary tatỳ aoriana, dia voatsindriny tsy nahy ny sonnerie-n’ilay rangahy. Rehefa hitany ilay nanokatra ny varavarana, dia raiki-tahotra izy. Nivavaka tamin’i Jehovah izy. Ilay rangahy no niteny, ka nanao hoe: “Ramatoakely a, novakiko ilay bokikelinao ary niova ny hevitro. Maniry hanomboka hianatra ny Baiboly aho.”

Tonga dia mahita ny porofon’ny toe-tsaina misy eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah ireo mpitsidika ny fivoriamben’ny distrikantsika. Ny manam-pahefana iray tompon’andraikitra ao amin’ny toerana fanaovana fivoriambe iray tany Swaziland dia nitazana tamim-pitalanjonana, taorian’ny fotoam-pivoriana farany, rehefa nanampy tamin’ny fandravana sy tamin’ny fanadiovana ilay toerana manontolo ny rahalahy sy ny anabavy an-jatony maro. Niova ny fomba fijeriny manontolo. Araka ny filazany, dia “nisy vehivavy, lehilahy, fotsy hoditra, mainty hoditra ary ankizy, samy niasa tamin’ny fomba nirindra sy falifaly mba hahatonga ilay toerana ho madio tao anatin’ny ora vitsivitsy monja. (...) Handray anareo an-tanan-droa izahay mba hampiasa ireto toerana ireto isan-kerinandro, raha tianareo.”

Ny fitiavana dia manosika koa ny vahoakan’i Jehovah hihetsika amin’ny fotoan’ny fahasahiranana ara-toe-karena. (1 Jaona 3:17, 18). I Dande Valley, any amin’ny tapany avaratra-atsinanana amin’i Zimbabwe, dia voa mafy noho ny hain-tany tamin’iny taona iny. Rehefa nampahafantarina an’ireo kongregasiona hafa tao amin’ilay tany ny tarehin-javatra, dia nahatalanjona ny fihetsik’izy ireo. Nisy rahalahy nanome katsaka tamin’ny gony, ary koa fitafiana sy vola. Ny hafa nanome ny kamiaony hampiasaina mba hanaterana ireo fanampiana ara-nofo. Rehefa tonga tany amin’ny kongregasiona lavitra iray ilay ekipan’ny vonjy rano vaky, dia nahita mpivady iray izay efa roa andro talohan’io no nisakafo farany. Vavolombelona ilay vehivavy; ny vadiny, izay narary, dia tsy mpino. Tsy nanana fanantenana intsony mihitsy izy io, nefa ilay anabavy malalantsika dia naneho ny fiekeny fa hanome azy ireo hanina ilay Andriamaniny, dia i Jehovah. Rehefa tonga ireo rahalahintsika, dia nandrotsa-dranomasom-pifaliana izy.

Ny loza nety hateraky ny tohodrano dia nahatonga ny fampialana ny folo tamin’ireo kongregasionantsika tany Holandy ho tena nilaina. Avy hatrany dia nanao zavatra ireo kongregasiona teo akaiky. Nisy antso an-telefaonina avy tamin’ny faritra rehetra nanerana ilay tany, nanolotra toerana hilasiana. Nihoatra noho ny nilaina no natolotra. Tatỳ aoriana, rehefa niverina tany amin’ny tranony ireo rahalahy, dia nampian’ny rahalahy mahay avy tamin’ireo Komitim-paritra Momba ny Fanorenantsika sy ny mpiasa an-tsitrapo hafa koa izy ireo, mba hametraka tamin’ny toerany indray ny fanaka sy ny fitaovan’ny lakozia ary ny toy izany. Tamin’itỳ taona itỳ indray koa, noho ny fiaraha-miasan’ireo rahalahy tany amin’ny tany maromaro, dia nisy fanampiana ara-nofo koa naterina tany amin’ireo rahalahintsika any Bosnia rotidrotiky ny ady.

Izany rehetra izany dia manome porofo azo tsapain-tanana fa “tafakambana amin’ny fomba mirindra ao amin’ny fitiavana” isika. (Kol. 2:2, NW ). Mahatalanjona toy inona moa ny hoe anisan’ny fianakaviana iray iraisam-pirenena izay voaforon’ny olona tena mifankatia marina!