Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Venezoela

Venezoela

Venezoela

NY HOE mianatra hahafantatra an’i Venezoela dia mety ho toy ny fanaovana dia iray maneran-tany. Inona no mety ho hitanao? Angamba Indianina iray mihaza amin’ny lefony any anaty ala mikirindro. Senõra miakanjo tsara iray mividy zavatra ao amin’ny fivarotana mirenty iray. Vahiny mandihy manaraka ny fidoboky ny amponga araka ny fively afrikanina, amin’ny fiesta iray amin’ny hariva. Ankizilahy kely iray misintona ny poncho-ny handrakotra ny tenany mba hiarovan-tena amin’ny rivo-mangatsiaka any an-tendrombohitra, eo am-panangonany ireo ondriny. Ary Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 71 000 — tanora sy antitra, avy amin’ny fiaviana maro — sahirana miresaka amin’ny hafa momba ilay Andriamanitra marina sy ny Fanjakany.

Ny fototra niavian’ny ankamaroan’ireo Venezoelianina dia fifangaroan’ny razambe indianina sy espaniola ary afrikanina. Nanomboka tamin’ny ady lehibe faharoa, dia nisy mpiavy eoropeanina maro avy tany Italia sy Portogaly ary Espaina nanjary nahaforona tapany lehibe tamin’ilay mponina. Ary ny mpitazana iray dia tsy afaka ny tsy ho taitra noho ny isan’ny tanora hatraiza hatraiza.

I Venezoela, eo amin’ny moron-tsiraka avaratr’i Amerika Atsimo, dia tena tany feno fifanoheran-javatra mahavariana tokoa. Ilay moron-tsirak’i Caraïbe misy 2 800 kilaometatra izay tsiotsiofin’ny rivo-malefaka mafana dia mifanohitra amin’ireo tendrombohitra izay voasaron’ny orampanala ny tendrony, sy amin’ireo ala mikirindro sy mirobona. Tsy lemaka midadasika antsoina hoe llanos ihany no misy eto, fa rian-drano tsara tarehy ka mampitolagaga koa, toa an’i Cuquenán, mianjera avy any amin’ny 600 metatra, sy i Salto Angel, na koa hoe Rian-dranon’ny Anjely, ny avo indrindra eto ambonin’ny tany, izay mitsontsorika hatrany amin’ny 979 metatra avy amin’ny ony iray ambanin’ny tany, izay miandoha ao amin’ilay haram-bato avo marin-tampona eny ambony. I Caracas, renivohitra, izay misy mponina 4 000 000 eo ho eo, dia tanàn-dehibe maoderina misy centres commerciaux ary fomba. Misy fitambaran-dalana tsara mampifandray azy amin’ny afovoan-tany. Misy koa anefa olona ana hetsiny maro monina ao amin’ny fitambaran-trano namboamboarina eny amin’ny tehezan-tany, mitazana ny fanambinan’i Caracas.

Ny rivo-piainana ara-pivavahana eto Venezoela

Ny ankamaroan’ireo Venezoelianina dia Katolika Romana, na dia tsy afa-mifehy ny vahoaka toy ny taloha intsony aza ny eglizy. Ireo Indianina tera-tany, na dia Katolika anarany aza matetika, dia manana ny fombafombany sy ny finoanoam-poanany manokana, toy izany koa ireo izay manana razambe afrikanina. Tena be mpitia eto ny filalaovana ody sy ny spiritisma. Olona maro no manana eny aminy ody atao fiaro amin’ny famosaviana. Miely patrana ny antokom-pinoana mivavaka amin’i María Lionza, izay mitovy amin’ny vaudou. Afa-tsy izany koa, ny antokom-pivavahana evanjelika dia mitombo isa.

Mandray anjara lehibe eo amin’ny fiainan’ny Katolika venezoelianina ireo “olo-masina” sy “virjiny”. Ny faritra tsirairay eto dia manana ny “olo-masiny” na ny “virjininy” manokana. Ny ankamaroan’ireo trano dia manana sary ara-pivavahana. Ao amin’ny trano sasany, eo ambonin’ny varavarana anoloana, dia misy tapa-javamaniry iray natao hampivily fanahy ratsy, na misy Baiboly iray eo ambony latabatra avela hisokatra eo amin’ny Salamo faha-91, noho ny finoana fa izany dia hanome fiarovana ho an’ilay ankohonana.

Matetika, eo akaikin’ny sarin’ny “olo-masina” tiany indrindra, dia misy ny an’i Simón Bolívar, izay nahavita nitondra ny fahaleovan-tena tamin’ny fanapahana espaniola ho an’i Venezoela sy ho an’ny tany efatra hafa atỳ Amerika Atsimo. Manamarina ny haja omena azy eto Venezoela ny fahitanao ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Simón Bolívar, ny Oniversite Simón Bolívar, ny Arabe Simón Bolívar, ny Tanàna Bolívar ary ny Fanjakana Bolívar. Afa-tsy izany koa, ny vola dia ny bolivar. Ny tanàna tsirairay eto Venezoela dia manana kianja lehibe iray, izay saika antsoina foana hoe Plaza Bolívar. Misy fitenenana lazaina fa nataony hita matetika voaloko tamim-pitandremana eny amin’ny mandan’ny tanàna.

Miaraka amin’izany anefa, ny zavatra iray mampiavaka an’ireo Venezoelianina dia ny fanajany lalina an’Andriamanitra sy ny filazany ho mino ny Baiboly. Zara raha misy olona esoina noho ny faniriany hiresaka momba ny zavatra ara-panahy. Io fihetsika mora mandray io dia nanome tany lonaka hambolena voan’ny fahamarinana momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ireo fikasany.

Vehivavy nanana ny tena toe-tsain’ny misionera

Mbola niezaka hiatrika ny toe-javatra vokatry ny ady lehibe voalohany ihany ny olona maro teto ambonin’ny tany, ary mbola niteraka zava-nanahirana tany Eoropa ihany i Adolf Hitler, fa ny Vavolombelon’i Jehovah roa nonina tany Texas, any Etazonia — vehivavy iray nantsoina hoe Kate Goas sy i Marion zanany vavy — kosa dia nanapa-kevitra fa ta hanao bebe kokoa izy ireo mba hampielezana ny hafatra momba ny fiadanana voarakitra ao amin’ny Baiboly. Nanoratra tany amin’ny foiben’ny Watch Tower Bible and Tract Society, tany Brooklyn, any New York, izy ireo, ka nanontany hoe taiza no nety hampiasana azy ireo tsara indrindra; nanazava izy ireo fa nahay niteny espaniola. Ny nanendrena azy ireo? I Venezoela.

Tonga tamin’ny sambo izy ireo tamin’ny 1936, ary nanofa efitra iray tao Caracas, renivohitra, izay nisy mponina 200 000 tamin’izany. Efa nisy Mpianatra ny Baiboly sasany — araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany — folo taona mahery talohan’izay, nitsidika an’i Venezoela ary nizara taratasy mivalona ara-baiboly an’arivony maro tao amin’ireo tanàna lehibe indrindra, nefa tsy nijanona teto izy ireo. Kanefa, i Kate Goas sy ny zanany vavy dia tsy teto Venezoela mba hitsidika vetivety fotsiny. Na dia somary manifinify kingakinga sy marefo aza ny fijery an’i Kate, dia nitondra kitapo goavam-be iray nisy zavatra vita an-tsoratra sy grafofaonina iray izy, rehefa nitsidika olona isan-trano. Niasa ny faritanin’i Caracas rehetra tamin’ny fomba voalamina izy sy ny zanany vavy. Rehefa vita izany, dia nifindra nankany amin’ny afovoan-tany izy ireo, ka nanao dia lavitra tamin’ny aotobisy tamin’ny lalana feno vovoka sy tsy nisy godorao. Nitory tany amin’ny faritra toa an’i Quiriquire, El Tigre, Ciudad Bolívar tany atsinanana, ary i Maracaibo tany andrefana izy ireo.

Kanefa, tamin’ny Jolay 1944, izy ireo dia voatery niverina tany Etazonia, satria voan’ny tazo mahery i Marion. Nanoratra izao manaraka izao i Kate Goas, tao amin’ny taratasy iray ho an’ny Fikambanana izay nitondra ny datin’ny 2 Aogositra 1944: “Nahapetraka zavatra vita an-tsoratra be dia be izahay. (...) Rehefa avy nitory saika nanerana an’ilay Repoblika manontolo izahay, dia mbola mahita ihany olona izay tia ny zavatra vita an-tsoratsika sady mamaky azy ireo, isaky ny tonga nitsidika izahay. (...) Ankehitriny, taorian’ny fitoriana tsy an-kijanona nandritra ny roa taona tao Caracas, dia misy olona fito, izany hoe rahavavy enina sy anadahy iray, niandany tamin’ny fahitsiana, ka natao batisa. (...) Ireo rahavavy sy anadahy ireo dia tena faly noho ny fahalalany kristiana an’i Jehovah sy ny Fanjakany. (...) Tena nisy fanambarana tsara natao niverimberina nanerana an’i Caracas, ary fantatra tsara izay raketin’ireo zavatra vita an-tsoratra. (...) Avy amin’i Kate Goas, ho an’ny Teokrasiany.” Ilay “anadahy iray” voatonona teo dia i Rubén Araujo, fony mbola tanora, izay handrenesantsika zavatra bebe kokoa any aoriana. (Marihina kely eto fa ireo fito nataon’ny Anabavy Goas batisa ireo dia nataon’ny rahalahy iray batisa indray tamin’ny 1946, ho fanarahana ny modely ara-baiboly izay mampiseho batisa nataon’ny lehilahy nanana fifandraisana azo nekena tamin’i Jehovah ihany.)

Fametrahana ny fanorenana ho an’ny fanaovana fanambarana niitatra

Tamin’ny fotoana nanoratan’i Kate Goas ny taratasiny ho an’ny Fikambanana, dia nisy fandaharana natao tany Brooklyn mba handefasana misionera voaofana tany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, ho atỳ Venezoela. I Nathan Knorr sy i Fred Franz, izay prezidà sy prezidà lefitry ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany fotoana izany, dia nanao dia niverimberina nankatỳ Amerika Latina mba hametraka ny fototra ho an’ny asa misionera niitatra tatỳ. Nandamina fitsidihana an’i Venezoela ho amin’ny taona 1946 izy ireo. Efa nisy misionera telo, nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada, notendrena hankatỳ Venezoela, nefa hatramin’izay izy ireo dia mbola tsy nahazo visa. Iza no handamin-javatra ho an’ny fitsidihan’ny prezidà tamin’ny 9-12 Aprily 1946?

Nalefa mialoha ny iray tamin’ireo misionera telo, nitondra visa-n’ny mpizaha tany. Tonga tamin’ny fiaramanidina izy ary nipetraka tao amin’ny tranon’i Jeanette Atkins, olona nahay nandray vahiny izay nianatra ny fahamarinana tamin’i Kate Goas. Roa tokom-bolana taorian’ny nahatongavan’ilay misionera anefa, dia nanjavona tamin’ny fomba tsy fantatra izy io. Nanontany tany amin’ny polisy sy tamin’ireo kompaniam-piaramanidina ny tompon-tranony sy ny namany, ka tamin’ny farany dia nahafantatra fa niverina nankany Etazonia izy, manina mafy ny tany aminy!

Talohan’ny nitrangan’izany anefa, dia efa nanao fitsidihana nandraisany soa indrindra tamin’ilay groupe teto Venezoela ny Rahalahy Knorr sy Franz. Tsaroan’i Rubén Araujo fa tamin’ny andro nahatongavan’izy ireo ihany, dia nisy fivoriana natao tao amin’ny tokotanin’ny tranon’i Jeanette Atkins, ka olona 22 no nahare ireo lahateny nataon’ireo rahalahy mpitsidika.

Anisan’ny nanatrika teo i Pedro Morales, izay nirehitra aoka izany noho ny vaovao tsara. “Tamin’ny faramparan’ireo taona 1930”, hoy izy tatỳ aoriana, “dia nametraka ny boky Riches tamiko teo amin’ny tsena ben’i Maracaibo i Kate Goas sy ny zanany vavy. Taona maro tatỳ aoriana, dia nanomboka namaky azy io aho, ary dia nampiharihary ny hevitry ny Baiboly ho ahy izy io. Rehefa tonga teo amin’ilay tapany momba ny fanisiana marika eo amin’ny handrin’ireo olo-mendrika aho, dia toy ny afo ilay izy! (Ezek. 9:4). Io no nahatonga ahy hitady ireo olona nanana io zavatra vita an-tsoratra io. Nahita olona efatra izay nahazo boky avy tamin’ny olona iray avy tany Trinité aho. Niara-nivory izahay mba hianatra ny boky Riches isan’alina, ka nifandimby nampiasa ny tranon’ny tsirairay ho toeram-pivoriana.”

Rehefa nahazo fanasana mba ho any Caracas (tokony ho 700 kilaometatra avy teo) i Pedro Morales mba hanatrika ilay fivoriana hatao nandritra ny fitsidihan’ny Rahalahy Knorr, dia tapa-kevitra ny hanao ilay dia izy sy ny namany iray. Nisy zava-nanahirana tsy maintsy nalamina anefa. Hoy i Pedro nanohy ny teniny: “Nanomboka nihetsi-jaza ny vadiko izay bevohoka, ary nila ny fikarakarako ny orinasako. Inona no hataoko? Naka mpampivelona iray mba hiara-mipetraka tamin’ny vadiko aho ary namela ilay orinasako mpanao vatomamy teo am-pelatanan’ireo zanako telo, izay 14 sy 12 ary 10 taona. Avy eo izahay dia nandeha aotobisy nankany Caracas, nanao dia sarotra nandritra ny roa andro tamin’ny lalana tsy nisy godorao.” Fifaliana toy inona moa ny azy nahita an’ireo Vavolombelona tao Caracas! Fony tany izy, dia naharay telegrama iray avy tany Maracaibo, nanao hoe: “Vadinao salama tsara. Zazakely salama kokoa. Tenako mikarakara orinasa. Justo Morales.” Tonga tsy nampoizina avy tany Kolombia ny rahalahiny ka nikarakara ny zava-drehetra.

Tamin’ny andro voalohany nanaovana ireny fivoriana manokana ireny tao Caracas ihany, ny Rahalahy Franz dia niresaka momba ny hoe “Ny Vavolombelon’i Jehovah ao Anatin’ny Fitsapana Mafy”. Avy eo ny Rahalahy Knorr dia nanohy tamin’io loha hevitra io ihany, fa i Fred Franz kosa nandika teny. Fampahiratana ny maso toy inona moa io fandinihana io! Nampifantoka ny saina tamin’izay lazain’ny Baiboly fa tsy maintsy ampoizin’ny Kristiana avy eo an-tanan’izao tontolo izao izy io, ary nanome tsipiriany momba ilay fanenjehana mafy hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa nandritra ny Ady Lehibe Faharoa.

Ny ampitso, dia nisy fanaovana batisa tao Los Chorros, tao amin’ny dobo iray teo am-pototry ny rian-drano iray. Olona folo no natao batisa tamin’io andro io, anisan’izany i Winston Blackwood (izay hitan’ny Anabavy Goas tany Quiriquire) sy i Eduardo zanany lahy, i Horacio Mier y Terán sy i Efraín zandriny lahy, i Pedro Morales, i Gerardo Jessurun avy any Suriname, i Israel Francis ary i José Mateus.

Dibo-kafaliana i Pedro Morales sy ny rahalahy roa hafa avy tany amin’ny faritra andrefana amin’ilay tany rehefa nilaza ny Rahalahy Knorr fa handefa misionera tany Maracaibo ny Fikambanana, raha vao nanome lalana ny fitondram-panjakana. Tonga mpisava lalana maharitra ny tenan’i Pedro ary nanohy nanao io fanompoana io hatreo amin’ny nahafatesany.

Nanosika azy ireo ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly

Talohan’ny nahatongavan’ireo misionera, ny birao foiben’ny Fikambanana tany Brooklyn dia efa naharay tatitra avy tamin’ilay groupe kely naorin’ny Anabavy Goas. Tsy nisy afa-tsy mpitory azo nisaina tamin’ny rantsantanana tao, izay tsy nanana zavatra vita an-tsoratra firy. Ireo boky matetika dia voatery nampindramina an’ireo olona liana. Ny tatitra nalefa ho an’ny volana Martsa 1946 dia nampiseho fa nisy mpitory ny vaovao tsara sivy teto Venezoela, ka i Josefina López no nikarakara ilay groupe, satria izy no narisika indrindra tao amin’ilay groupe.

Mampahatsiahy toy izao ny ohatra faran’izay tsara navelan’ny Anabavy López i Rubén Araujo: “Mbola zatovo aho tamin’izany fotoana izany. (...) I Josefina López dia renim-pianakaviana nanan-janakalahy efatra sy zanakavavy roa, ary tena nafana fo momba izay nianarany tamin’ny Anabavy Goas. Saika isan’andro, rehefa avy nianatra aho dia nankany an-tranony ary niara-niresaka taminy momba ireo zavatra vaovao nianarany momba ny fahamarinana. Na dia mpikarakara tokantrano sahirana aza ny Anabavy López, dia nahavita nandeha nitory isan-trano sy nitarika fampianarana Baiboly isan’andro taorian’ny sakafo antoandro, rehefa niverina nankany am-piasana ny vadiny sy ireo zanany lahy zokiny tamin’ny tolakandro. Ohatra tsara ho anay rehetra izy ary tena nanana ny toe-tsain’ny mpisava lalana, izy izay mpitory nahatratra teo anelanelan’ny adiny 60 sy 70 isam-bolana tamin’ny antsalany. Maherin’ny 40 taona atỳ aoriana, dia mbola misy epistily velona filazan-tsoa momba azy ao Caracas.”

Ny iray hafa tao amin’ilay groupe tany am-boalohany dia i Domitila Mier y Terán, vehivavy iray maty vady. Efa nanana fironana ho amin’ny zavatra ara-panahy foana izy. Ny rainy dia nanana Baiboly iray izay tian’ilay anabavy ny namaky azy, ary rehefa maty ny rainy, dia nikaroka tao amin’ny tranony izy mba hahitana azy io. Ny Baibolin-drainy no hany lova notadiaviny. Tapany iray tamin’ilay Baiboly ihany no hitany, satria ny sisa taminy dia rovitra noho ny tsy fahaiza-nampiasa. Kanefa, nankamamy na dia io tapany io aza izy ary nampiasa azy io mandra-pahafany nividy Baiboly iray vaovao sy feno tatỳ aoriana. Indray andro, ny namany iray izay nahazo ny bokin’ny Fikambanana hoe Réconciliation, dia nitondra azy io tany amin’i Domitila, ka nilaza fa, noho i Domitila mpamaky fatratra ny Baiboly, dia hankasitraka azy io kokoa izy. Niezaka tamim-pahatsorana hahita ireo mpampanonta ilay boky i Domitila, ka nitsidika an’ireo Advantista sy ny antokon’olona protestanta hafa. Farany, dia niravoravo i Domitila rehefa nitsidika azy tao an-tranony i Kate Goas, ary avy hatrany i Domitila dia nanaiky hiara-mianatra ny Baiboly taminy. Ny roa tamin’ireo zanany lahy, izay natao batisa nandritra ilay fitsidihan’ny Rahalahy Knorr sy Franz voalohany, dia mpiandraikitra ny fizaran-tany tatỳ aoriana, ary i Gonzalo, zanany iray hafa, dia loholon’ny kongregasiona. Kanefa, i Guillermo, zanany iray hafa koa, na dia nanatrika teo aza rehefa nitsidika voalohany ny tranon’izy ireo i Kate Goas, dia tsy natao batisa raha tsy tamin’ny 1986.

“Ary ianareo hafiriana no hijanona?”

Tamin’ny 2 Jona 1946, fotoana fohy taorian’ny fitsidihan’ny Rahalahy Knorr, dia tonga ireo misionera roa hafa tamin’ilay antokon’olona notendrena hankatỳ Venezoela. Izany dia i Donald Baxter sy i Walter Wan. Tonga nitsena azy ireo tao Caracas i Rubén Araujo, mbola tanora. Nandinika azy ireo tamim-piahiahiana izy, ary tsy isalasalana fa mbola nazava tsara tao an-tsainy ny fanandraman-javatr’ilay misionera teo aloha, ka nanontany tamin’ny fomba fiteniny anglisy tsizarizary izy hoe: “Ary ianareo hafiriana no hijanona?”

Nandamina ny hanaovana Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana i Rubén, ary natao tamin’ny andro nahatongavan’ireo misionera ihany ilay izy. Niezaka hampihatra ireo toromarika nomen’ny Rahalahy Franz azy izy. Nanao ny tsara indrindra araka izay azony natao izy, nefa dia fianaran’olon-tokana ilay izy. I Rubén no namaky ny fanontaniana. Avy eo dia izy no namaly azy io. Avy eo dia izy no namaky ny fehintsoratra. Tadidiny fa tsy tokony hihoatra ny adiny iray ilay fianarana, koa dia nankato izy ka nijanona ara-potoana, na dia tsy nahavita afa-tsy fehintsoratra 17 aza, nefa tsy ilay lesona manontolo akory izany! Nanjary za-draharaha izy arakaraka ny fotoana sy ny faharetana.

Amin’izao andro izao, dia misaintsaina momba ny nandehanan’ilay misionera voalohany tampoka i Rubén Araujo, ka manampy teny hoe: “Fotoana fohy taorian’izay, ilay fahabangana navelany dia nofenoin’ireo roa vaovao nahazo diplaoman’i Gileada. Faly toy inona moa izahay noho io fanomezana avy tamin’ny fandaminan’i Jehovah tamin’ny endrika misionera io, mba hanampiana anay tatỳ Makedonia venezoelianina!” (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:9, 10.) Talohan’io ny Rahalahy Knorr dia nilaza tamin’ny Rahalahy Baxter hoe: “Mijanòna any amin’io nanendrena anao io, na dia hamono anao aza ilay izy!” Tsy namono azy ilay izy, ary ny Rahalahy Baxter dia mbola manompo eto Venezoela ihany, efa ho 50 taona atỳ aoriana.

Fianarana hifanaraka amin’ny manodidina vaovao

Ilay tranon’ny misionera voalohany tao Caracas dia teo amin’ny 32 Arabe Bucares, teo amin’ny faritanàna nantsoina hoe El Cementerio. Teo koa no nanokafana ny biraon’ny sampana iray tamin’ny 1 Septambra 1946, ka i Donald Baxter no mpikarakara ny sampana. Tsy ny filamatra velively ny toe-piainana. Tsy nisy godorao ilay lalana, ary tsy nisy rano ny trano. Mora azo raha maivamaivana erỳ ireo misionera tamin’ny 1949, rehefa nafindra avy teo amin’ny El Cementerio (ny fasana) ny sampana ho eo amin’ny El Paraíso (ny paradisa), izay toerana nisy rano.

Tsaroan’ny Rahalahy Baxter ireo zava-nanahirana “nampanaintaina” hitan’ireo misionera momba ny fiteny sy ny fahatsapan’izy ireo fahakiviana. May hampiasa ny fampiofanana azony tany Gileada izy ireo mba hitondrana fanampiana, nefa rehefa tonga teto, dia tsy afaka nifampiresaka akory. Kanefa, io fahasahiranana nihelina io dia voaonitry ny vokatra tsara azony teny amin’ny saha. Momba ilay fitoriana voalohany teny amin’ny arabe nataon’izy ireo, dia hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Baxter: “Nanapa-kevitra ny ho any amin’ilay faritra teo afovoan’ny tanàna fantatra amin’ny hoe El Silencio izahay, sy hijery hoe inona no hitranga. I Walter Wan, ilay namako, dia nijoro teo amin’ny zoron-dalana iray, ary izaho teo amin’ny iray hafa. Tena liana ta hahafantatra ny olona; mbola tsy nahita zavatra toy izany mihitsy izy ireo taloha. Zara raha nila ny hiteny na inona na inona izahay. Nilahatra ara-bakiteny ny olona mba hahazo ireo gazety, ary nahapetraka ny gazetinay rehetra tao anatin’ny 10 ka hatramin’ny 15 minitra izahay. Samy hafa toy inona tamin’izay nahazatra anay tany Etazonia moa izany!” Hoy i Walter Wan: “Rehefa nanisa ny zavatra voapetrako aho, dia talanjona nahita fa nandritra ireo efatra andro feno fisehoan-javatra niderana an’i Jehovah teny amin’ny arabe sy teny an-tsena, toy ny nataon’i Jesosy sy ireo apostoliny, dia nahapetraka boky sy Baiboly 178 aho.”

Ny tatitra voalohany nalefan’ny sampana tany amin’ny birao foibe tany Brooklyn, any New York, dia nampiseho fa 19 ny tontalin’isan’ny mpitory, anisan’izany ireo misionera roa sy ny mpisava lalana maharitra efatra. Ireo mpisava lalana ireo dia i Eduardo Blackwood, i Rubén Araujo, i Efraín Mier y Terán ary i Gerardo Jessurun. I Eduardo Blackwood dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana nandritra ilay volana nitsidihan’ny Rahalahy Knorr, ary ireo telo hafa dia nirotsaka tsy ela taorian’izay. Olona sivy no nitory tany amin’ny afovoan-tany. I Winston sy i Eduardo Blackwood, izay nipetraka tany El Tigre, dia nanao fanambarana hatrany Ciudad Bolívar, any atsimo, ary hatrany amin’ireo toby fitrandrahana solitany tany akaikin’i Punta de Mata sy i Maturín, tany atsinanana. I Pedro Morales sy ny hafa dia nitory tany Maracaibo. Teo amin’ny ilany atsinanana tamin’ny Farihy Maracaibo, tao amin’ireo toby fitrandrahana solitanin’i Cabimas sy i Lagunillas, kosa no nitorian’i Gerardo Jessurun sy i Nathaniel Walcott ary i David Scott. Tatỳ aoriana dia nanatevin-daharana azy ireo i Hugo Taylor, izay mbola mpisava lalana manokana ihany tamin’ny 1995. Niaraka izy rehetra ireo, niasa faritany nidadasika iray teto. Hitan’ny Rahalahy Baxter sy ny Rahalahy Wan tsy ela avy tamin’ny fanandraman-javatry ny tenany manokana hoe tena toy inona marina izany.

Fiaingana hitsidika ireo groupes rehetra

Nandritra ny volana Oktobra sy Novambra 1947, ireo misionera mirahalahy dia nanao dia hatrany amin’ny farany andrefana sy hatrany amin’ny tapany atsinanana amin’ilay tany, mba hahitana izay azo natao mba hanampiana ireo groupes kely. Ny zava-kendren’izy ireo dia ny handamina ireny groupes ireny ho kongregasiona. “Nandeha aotobisy izahay, ary izany dia tena fanandraman-javatra tokoa teto Venezoela”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Baxter, nitsiky teo am-pieritreretana momba iny dia tsy hay hadinoina iny. “Kely sady nifanakaiky ireo seza tao anaty aotobisy, satria kely ny ankamaroan’ireo Venezoelianina; koa zara àry raha nahita toerana ho an’ny ranjonay izahay Amerikana tavaratra mirahalahy. Teny amin’ny tafon’ireo aotobisy, dia tsy nahalana ny fahitana fandriana, milina fanjairana, latabatra, akoho, vorontsiloza ary akondro, niaraka tamin’ny entan’ireo mpandeha. Raha tsy handeha afa-tsy lalana fohy fotsiny ny mpandeha iray, dia tsy hisahirana hametraka ny akohony na ny entan-keliny teny ambony tafo izy, fa nitondra izany niaraka taminy tao anaty aotobisy ary nampifanaingina izany teo amin’ny lalantsara teo anelanelan’ireo seza. En panne ilay aotobisy, hany ka nandritra ny ora maromaro, mandra-pahatongan’ny aotobisy iray hafa, dia tafahitsoka tany an’efitra tsy nahitana afa-tsy karazan-draiketa sy osy, izahay. Taorian’izay izahay dia lany lasantsy.”

Tany amin’ny tsirairay tamin’ireo toerana efatra notsidihin’izy ireo, dia nahitany groupe iray nisy olona tokony ho folo niara-nivory tao amin’ny efitra fandraisam-bahinin’ny olona iray. Nasehon’ireo misionera tamin’izy ireo ny fomba fitarihana fivoriana, ny fomba famerenana tatitra momba ny asany tsy tapaka tatỳ amin’ny biraon’ny sampana, ary ny fomba fahazoana zavatra vita an-tsoratra ho an’ny asa fitoriany.

Fony tany El Tigre ny Rahalahy Baxter, dia nahamarika fa i Alejandro Mitchell, iray tamin’ireo rahalahy vaovao tao, dia nandray ara-bakiteny tokoa ilay fananarana ao amin’ny Matio 10:27 momba ny tokony hitoriana avy eny amin’ny tampon-trano. Nametraka fanamafisam-peo iray teny amin’ny tampon’ny tranony izy, ary isan’andro, nandritra ny antsasak’adiny teo ho eo, dia namaky tamin’ny feo avo tapany nofantenany avy tao amin’ny boky Enfants na The New World ary koa avy tao amin’ny zavatra vita an-tsoratra hafan’ny Watch Tower. Nampakatra ny hamafin’ny feo ho avo aoka izany izy, ka re hatrany amin’ny faritanàna maromaro! Tsy mahagaga raha nahasosotra an’ireo mpifanila trano taminy izany. Natoro azy fa nety ho tsara kokoa raha nitory isan-trano sy namela ilay fanamafisam-peo izy.

Tena nandraisan-tsoa ilay dia nitsidihana ireo groupes kely maro samihafa. Nandritra ireo roa volana nanaovan’ireo rahalahy ilay dia, dia afaka nanao batisa olona 16 izy ireo.

Nisy misionera tonga tany Maracaibo

I Maracaibo, any amin’ny tapany avaratra-andrefana amin’ilay tany, no tanàna lehibe indrindra faharoa eto Venezoela. Ny roa amin’ireo zavatra mampiavaka azy dia ny hafanana sy ny fahamandoany be. Izy io koa no renivohitry ny solitanin’i Venezoela. Ilay tapany vaovao amin’ilay tanàna dia mifanohitra tanteraka amin’ilay tanàna tranainy eo akaikin’ny fiantsonan-tsambo; io tapany tranainy kokoa io, ahitana ireo lalany ety sy ireo trano birikiny avy tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany, dia zara raha niova hatramin’ny taonjato farany.

Misionera enina no tonga tao Maracaibo tamin’ny sambo mpitondra entana tamin’ny 25 Desambra 1948. Novesaran’ny akanjo ririnina be dia be izy ireo, satria vao avy tany New York nangatsiaka. Anisan’io antokon’olona io i Ragna Ingwaldsen, izay natao batisa tamin’ny 1918, ary mbola mpisava lalana any Californie ihany, i Bernice Greisen (“Bun” Henschel ankehitriny, ary mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betela any amin’ny foibe maneran-tany), i Charles sy i Maye Vaile, i Esther Rydell (rahavavin’i Ragna iray reny aminy) ary i Joyce McCully. Noraisina tao amin’ny trano kelin’ny mpivady iray nifanerasera vao haingana tamin’ny Vavolombelona, izy ireo. Tao ireo misionera tsemboka dia nandamina araka izay azony natao ireo vata 15 sy baoritra 40 nisy zavatra vita an-tsoratra nentiny. Ny efatra dia natory tamin’ny hammacs ary ny roa teo ambony fandriana natao tamin’ny baoritra fitoeram-boky, mandra-pahitan’izy ireo trano hofana ho tranon’ny misionera.

Tsaroan’i Ragna fa izy enina mianadahy dia toa hafahafa tamin’ireo Maracuchos, araka ny fiantsoan’ny besinimaro ny mponin’i Maracaibo. Maromaro tamin’ireo misionera no lava sady mena volo. “Matetika rehefa nitsidika olona isan-trano izahay, dia nisy ankizy kely nitanjaka hatramin’ny folo nanaraka anay, nihaino ilay fomba hafahafa nitenenanay ny fiteniny”, hoy i Ragna tatỳ aoriana. “Tsy nisy na dia iray aza taminay enina mianadahy nahay mihoatra noho ny teny vitsivitsy tamin’ny teny espaniola. Nefa rehefa nihomehy anay izy ireo, dia niara-nihomehy tamin’izy ireo fotsiny koa izahay.” Fony tonga ireo misionera ireo, dia tsy nisy afa-tsy mpitory efatra tao Maracaibo. Teo am-piandohan’ny taona 1995, dia nisy kongregasiona 51, izay nisy tontalin’isan’ny mpitory 4 271, tao.

Re ny vavaka nataony

Ilay mpivady nandray tamin-katsaram-panahy an’ireo misionera enina tao an-tranony dia i Benito sy i Victoria Rivero. I Benito dia nahazo ny boky “Le Royaume s’est approché” tamin’i Juan Maldonado, mpisava lalana avy tany Caracas. Rehefa nitsidika an’i Benito i Pedro Morales tatỳ aoriana mba hanolotra fampianarana, dia feno risi-po i Benito; tsy vitan’ny hoe nianatra izy fa avy hatrany dia nanomboka nanatrika ireo fivorian’ilay groupe kely. Nampirisika ny vadiny mba hanatrika koa izy, tamin’ny filazana taminy — noho izy io tia nihira — fa tena nahafinaritra ireo hira nohirain’izy ireo. Niaraka taminy izy, nefa tena tsy nahazo ny hevitr’izay rehetra nolazaina, hany ka resin-torimaso matetika.

Indray alina tao an-trano, dia nihevitra i Benito fa natory ny vadiny, ka nivavaka tamin’ny feo avo tamin’i Jehovah izy ary nangataka ny hampahazavany azy io. Ren’ny vadiny ilay vavaka ka nanohina lalina ny fony. Taorian’ny nahafatesan’i Benito tamin’ny 1955, dia tonga mpisava lalana maharitra i Victoria ary avy eo dia mpisava lalana manokana.

Fanatratrarana ireo faritra ambanivohitra nanodidina an’i Maracaibo

Ny anisan’ireo izay nanaiky ny fahamarinana tany amin’ny faritr’i Maracaibo dia ny rain’i Rebeca (Rebeca Barreto ankehitriny). Vao dimy taona monja izy fony i Gerardo Jessurun nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin-drainy, izay nandroso ka tonga hatramin’ny batisa tamin’ny 1954. Manana fahatsiarovana mahafinaritra momba ny fandraisana anjara tamin’ny asa fitoriana fony izy mbola kely, izy. “Nanofa aotobisy izahay, ary dia nivoaka nankany ambanivohitra ny kongregasiona manontolo”, hoy ny tsaroany. “Tsy nanam-bola firy ireo tambanivohitra, nefa nankasitraka ireo zavatra vita an-tsoratra. Endre ny fahitana, tamin’ny faran’ny andro, an’ireo anadahy sy rahavavy nampifanaingina tao anaty aotobisy atody, karazam-boatavo, katsaka ary akoho velona izay nomena azy ireo ho takalon’ny zavatra vita an-tsoratra!”

Tsy ny rehetra anefa no faly nahita azy ireo. Tsaroan’ny Anabavy Barreto ny zava-niseho iray izay nitranga tao amin’ny vohitr’i Mene de Maurora. Hoy izy: “Rehefa nandeha isan-trano izahay, dia nanaraka tao aorianay ilay pretra katolika teo an-toerana, ka nandrovitra ireo zavatra vita an-tsoratra noraisin’ny olona ary nilaza tamin’izy ireo mba tsy hihaino ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandrisika vahoaka nisy tanora maro izy ary nahavita nanosika azy ireo hahatsapa faharomotana, hany ka nitora-bato anay izy ireo. Anadahy sy rahavavy maromaro no voa.” Nihazakazaka nankany amin’ny prefecto-n’ilay tanàna ilay antokona Vavolombelona mba hitady vonjy. Noho izy nanana fironana tsara teo anatrehan’ny Vavolombelona, dia nilaza tamin’ilay pretra izy fa ho voatery hihazona azy tao amin’ny biraony nandritra ny adiny roa ‘ho fiarovana azy ihany tamin’ireo mpitory ireo’. Ilay vahoaka, izay tsy nanana mpitarika izao, dia niparitaka, ary ireo Vavolombelona dia nandany ireo adiny roa nanaraka tamim-pifaliana, tsy nisy mpanenjika, ary nanao fanambarana feno tao amin’ilay tanàna.

Nisy fanampiana hafa koa tonga

Nidadasika ilay faritany, ary ho nilaina ny fanampiana fanampiny mba hikarakarana azy io. Nisy mpiasa hafa koa izay vao nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada tonga tamin’ny Septambra 1949 mba handray anjara tamin’ilay fijinjana ara-panahy. Vonona izy ireo, eny, may ny handray anjara tamin’izany, nefa izany akory tsy nidika fa mora tamin’izy ireo ilay izy. Rehefa nanjary hita ireo jiron’ny seranana, avy teo amin’ny varavarankelin’ny efitra keliny tao amin’ilay sambo hoe Santa Rosa, dia nihevitra i Rachel Burnham fa mbola tsy maivamaivana toy izany mihitsy izy teo amin’ny fiainany rehefa nahita zavatra iray. Nisalebolebo foana izy hatramin’ny nialan’ilay sambo tany New York. Na dia tamin’ny telo ora maraina aza tamin’izay, dia namoha tamim-pahataitairana an’izy telo mirahavavy hafa izy. I Inez rahavaviny, sy ireo zazavavy hafa, i Dixie Dodd sy i Ruby (Baxter ankehitriny) rahavaviny, dia nankafy an’ilay dia, nefa faly izy ireo tonga teo amin’ny fanendrena azy vaovao.

Tonga nitsena azy ireo ny antokon’olona nisy an’i Donald Baxter, i Bill sy i Elsa Hanna (misionera tonga teto tamin’ny taona talohan’io), ary i Gonzalo Mier y Terán. Niditra tao amin’ny aotobisy iray izy ireo mba hitondra azy ireo avy teo amin’ny seranana ka hatreo Caracas. Ilay mpamily dia toa naniry hampitsangam-bolo manokana an’ireo vao tonga nandritra ilay dia, ary dia tena nahomby izy. Tamin’ny tsirairay tamin’ireo fiolahana niendrika U, dia nanamorona ny sisin’ny hantsana matetika izy ary tamin’ny hafainganam-pandeha izay toa tafahoatra loatra! Hatramin’izao, dia mbola miresaka momba iny dia iny foana ireo anabavy.

Notendrena ho ao amin’ny tranon’ny sampana sady tranon’ny misionera tao El Paraíso izy ireo. I Rachel dia nanompo tamim-pahatokiana teo amin’ny saha misionera hatreo amin’ny nahafatesany tamin’ny 1981; i Inez, tamin’ny 1991. Ireo hafa tamin’io antokon’olona io dia mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ihany.

Rehefa manao jery todika ireo volana voalohany tamin’ny fanendrena azy i Dixie Dodd, dia hoy izy: “Nahatsiaro ho manina ny tany aminay aoka izany izahay. Nefa tsy afaka na dia nankany amin’ny seranam-piaramanidina akory aza izahay, raha naniry izany. Tsy ampy ny volanay!” Nampifantoka ny sainy tamin’ny hoe nanankinan’ny fandaminan’i Jehovah fanendrena ho misionera tatỳ an-tany hafa, kosa izy ireo. Tamin’ny farany, dia tsy nieritreritra intsony ny handeha hody izy ireo ka nilofo tamin’ilay asa.

Tsy azo ny tiany holazaina

Ho an’ny ankamaroan’ireo misionera vaovao, dia zava-manahirana ny fiteny — fara faharatsiny mandritra ny fotoana kelikely.

Tsaroan’i Dixie Dodd fa ny iray tamin’ireo zavatra voalohany nolazaina tamin’izy ireo dia ny hilaza hoe “Mucho gusto”, isaky ny nampifankahalalaina tamin’ny olona iray izy ireo. Tamin’io andro io ihany izy ireo dia nentina tany amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona. Teny an-dalana, teny ambony aotobisy, dia namerimberina tsy an-kijanona ny hoe: “Mucho gusto. Mucho gusto” izy ireo. “Nefa rehefa nampifankahalalaina tamin’olona tokoa izahay”, hoy i Dixie, “dia hadinonay ilay izy!” Tamin’ny farany anefa, dia tadidin’izy ireo ihany ilay izy.

I Bill sy i Elsa Hanna, izay misionera nanompo nanomboka tamin’ny 1948 ka hatramin’ny 1954, dia nahatsiaro ela be ny sasany tamin’ireo fahadisoana nataony. Indray mandeha, rehefa naniry hividy atody fotsy roa ambin’ny folo ny Rahalahy Hanna, dia nangataka huesos blancos (taolana fotsy), fa tsy huevos blancos. Indray mandeha koa, dia naniry hividy kifafa izy. Natahotra izy sao tsy azo ny tiany nolazainy, ka nanandrana ny hamaritra ilay izy kokoa: “Mba hamafana ‘el cielo’ ” (ny lanitra), hoy izy, fa tsy hoe el suelo (ny gorodona). Somary nanao vazivazy ilay mpivarotra ka namaly hoe: “Fanirian-daza be izany an-dRamose izany.”

Rehefa nankany amin’ny ambasady i Elsa, vadin’i Bill, dia nangataka azy ireo mba hi-remover (hanaisotra) ny pasipaorony, fa tsy hoe hi-renovar (hanavao) azy. “Fa nataonao inona ilay izy, Madama”, hoy ny nanontanian’ilay sekretera, “natelinao angaha?”

I Genee Rogers, misionera tonga tamin’ny 1967, dia kivy kely tamin’ny voalohany rehefa nitodika tany amin’ny namany ilay tompon-trano, ka nanontany hoe: “¿Qué dijo?” (Inona hono?), isaky ny avy nanao fanolorana izay nanaovany famerenana tamim-pitandremana izy. Tsy nitsahatra niezaka anefa ny Anabavy Rogers, ary tao anatin’ny 28 taona teo ho eo naha-misionera azy, dia nanampy olona 40 hianatra ny fahamarinana sy handroso hatramin’ny batisa anaty rano, izy.

I Willard Anderson, izay tonga avy tany Gileada niaraka tamin’i Elaine vadiny, tamin’ny Novambra 1965, dia niaiky teo imason’olona fa tsy zavatra nanavanana azy mihitsy ny fiteny. Vonona ny hihomehy noho ny fahadisoana ataon’ny tenany foana i Willard, ka nanao hoe: “Nianatra espaniola tany amin’ny C.E.G. nandritra ny enim-bolana aho, rehefa nasain’ny mpampianatra ahy nampanantena ny tsy hisoratra anarana hanaraka ny lesony intsony mihitsy!”

Noho ny fanahin’i Jehovah sy ny fikirizana ary ny fahaizana mandray vazivazy anefa, tsy ela ireo misionera dia nanjary tsy nananosarotra tamin’ny fiteniny vaovao.

Na ireo trano aza dia manana anarana

Tsy ny fiteny ihany no hitan’ireo misionera ho hafa. Nila ny nampiasa fomba hafa nandraisana an-tsoratra ny momba ireo trano tiany hotsidihina indray izy ireo. Tamin’ny andro taloha, dia trano maro tao Caracas no tsy nanana nomerao. Ny tompon-trano tsirairay no nifidy anarana ho an’ny tranony. Ireo trano ambony karazana kokoa dia fantatra amin’ny hoe quintas ary matetika no omena ny anaran’ilay ramatoa tompon’ankohonana. Ohatra, ny adiresin’ny olona iray dia mety ho Quinta Clara. Matetika ilay izy dia fikambanan’ny anaran’ireo ankizy: Quinto Carosi (Carmen, Rosa, Simon). Ny tompon’ilay tranon’ny sampana sady tranon’ny misionera voalohany nohofan’ny Fikambanana dia efa nanome ny anarana hoe Quinta Savtepaul (Saint Vincent de Paul) ho an’ny tranony, ary noho izy io teo amin’ilay lalana lehibe indrindra, dia nanjary fantatra tsara haingana ho ny toerana nivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io.

Tamin’ny 1954, rehefa novidina mba ho biraon’ny sampana sady tranon’ny misionera ny trano vaovao iray, dia navela hampiasa ny sainy sy hifidy anarana sahaza, ireo rahalahy. Notadidina tao an-tsaina ny fananaran’i Jesosy mba ‘hamela ny fahazavanareo hazava eo imason’ny olona’, ka ny anarana hoe Luz (Fahazavana) no nofidina ho an’ilay trano. (Matio 5:16). Na dia nafindra tany amin’ny toerana lehibe kokoa aza ny biraon’ny sampana tatỳ aoriana, tany am-piandohan’ny taona 1995, ny Quinta Luz dia mbola tranon’ny misionera 11 ihany.

Ny eo afovoan’i Caracas dia manana ny fomba famaritana adiresy tsy manana ny mitovy aminy. Raha manontany ny adiresin’ny tranom-barotra iray na ny trano be iray nisy appartements ianao, dia mety hilazana zavatra toy ny hoe: “La Fe a Esperanza.” ‘ “Ny Finoana ka Hatramin’ny Fanantenana” hoe? Tsy adiresy anefa ange izany e!’, hoy angamba ianao. Eo afovoan’i Caracas anefa ny sampanan-dalana tsirairay dia manana anarana. Koa ilay adiresy tadiavinao àry dia eo amin’ilay fitambaran-trano eo anelanelan’ny Lalana Finoana sy ny Lalana Fanantenana.

Avy teto Venezoela nankany Gileada ary niverina

Tao anatin’ireo taona lasa, dia misionera 136 voaofana tany Gileada, anisan’izany ny 7 izay nandray soa avy tamin’ny fampianarana tao amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, no tonga teto Venezoela avy tany an-tany hafa — avy tany Etazonia, Kanada, Alemaina, Soeda, Nouvelle-Zélande, Angletera, Porto Rico, Danemark, Uruguay ary Italia. Teo anelanelan’ny 1969 sy 1984, dia tsy nisy misionera vaovao tonga teto Venezoela avy tany Gileada, satria tsy azo natao ny nahazo visa. Kanefa, nandritra ny taona 1984, dia nahomby ny ezaka nifarimbonana mba hahazoan’ny mpivady roa lalana hiditra teto, ary dia nisy misionera roa hafa tonga tamin’ny 1988. Nisy Vavolombelona avy teto an-toerana enina koa nandray soa avy tamin’ny fampiofanana tany Gileada.

Rehefa tonga nitsidika ny Rahalahy Knorr tamin’ny 1946, i Rubén Araujo, fony mbola tanora, dia nanontany raha mety hahafeno fepetra mba hanatrika any amin’i Gileada izy indray andro any. “Eny, raha manatsara ny fahaizanao ny teny anglisy ianao”, hoy ny valin-teny. “Mazava ho azy, fa tena faly aho tamin’izay”, hoy i Rubén. “Telo taona tatỳ aoriana, tamin’ny Oktobra 1949, aho dia naharay taratasy avy tamin’ny Rahalahy Knorr nanasa ahy hanatrika ny kilasy faha-15, izay nalamina mba hanomboka nandritra ny ririnina tany am-piandohan’ny taona 1950.”

Ireo rahalahy dimy hafa izay nanatrika tany amin’i Gileada avy teto Venezoela dia i Eduardo Blackwood sy i Horacio Mier y Terán (izay samy natao batisa tamin’ny 1946 nandritra ny fitsidihan’ny Rahalahy Knorr voalohany), i Teodoro Griesinger (izay hitantarana zavatra bebe kokoa), i Casimiro Zyto (izay nifindra honina teto avy tany Frantsa ary nanjary nizaka ny zom-pirenena venezoelianina), ary vao haingana kokoa, dia i Rafael Longa (izay nanao ny fanompoan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany).

Ny sasany nikaroka, ny hafa tsia

Tany amin’ny 1948 tany, i Víctor Mejías, tao Caracas, dia nieritreritra momba ny tontolo iray tsara kokoa. Nihevitra tamim-pahatsoram-po izy fa ho azo atao ny hahazo azy io tamin’ny alalan’ny ezaky ny olona, ary vonona ny hanao ny anjarany izy. Kanefa nanana fisalasalana koa izy.

Tamin’io taona io, i Josefina López, Vavolombelona nahafinaritra be iray, dia namela ny boky “La vérité vous affranchira” tamin’i Dilia, vadin’i Víctor. Nahaliana an’i Víctor ilay lohateny, koa nanomboka namaky ilay boky àry izy. Nianarany ny antony tsy hahafahan’ny olombelona samirery mihitsy hanorina tontolo iray izay tena afaka marina. Tsy ela izy sy ny vadiny dia nanatrika fivoriana niaraka tamin’ireo Vavolombelona. Hoy izy tatỳ aoriana: “Na dia vahiny aza ireo izay nanatrika tao, ny endrik’izy ireo dia sariaka aoka izany, ka izany dia nampiaiky ahy fa hafa izy ireo. Tadidiko koa fa nanohina ahy ny nahita ny Rahalahy Knorr, prezidàn’ny Fikambanana, tamin’ny fivoriambe iray tao amin’ny Club Las Fuentes tao Caracas. Tena hafa noho ireo mpitondra fivavahana sy ireo mahery fo ary ireo mpanakanto malaza izay samy maniry ny ho hitan’ny olona, izy. Nanaitra ahy ny fanetren-tenany sy ny fombany tsotra.” Tsy ela koa i Víctor dia nizara tamin’ny hafa ilay fahamarinana izay afaka manafaka ny olona — eny, na dia amin’ny fahotana sy ny fahafatesana aza. Taona vitsivitsy lasa izay, rehefa nanao jery todika ireo am-polony taona maro nanokanany tena hizara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny hafa, ny Rahalahy Mejías, dia hoy izy: “Ireny taona ireny no sambatra indrindra teo amin’ny fiainako manontolo.”

Tamin’ny 1950, ny taona nanaovana batisa an’i Víctor Mejías, ny tovolahy iray hafa teto Caracas, i Teodoro Griesinger, dia nanontany an’i Ronald Pierce, izay vao nanomboka ny fanompoan’ny misionera, hoe: “Hazavao amiko ny hevitry ny isa 666 ao amin’ny Apokalypsy.” Namelan-drainy Baiboly alemanina lehibe iray ho lova i Teodoro, ary namaky azy io tsindraindray. “Tsy dia ny lasa loatra no nahaliana ahy”, hoy ny nohazavain’i Teodoro, “fa ny hoavy, ireo zavatra izay mbola hiseho, voatonona ao amin’ny Apokalypsy.” Afa-po tamin’ny fanazavana nomen’ny Rahalahy Pierce izy, ka nanaiky ny fanasan’ny Rahalahy Pierce hianatra ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”. Ilay boky dia tamin’ny teny espaniola, ny Baibolin’i Teodoro tamin’ny teny alemanina, ary ilay mpampianatra sy ilay mpianatra dia samy niteny anglisy. Haingana ny fandrosoana. Tamin’ny 1951, dia efa nirotsaka ho mpisava lalana i Teodoro, ny taona nanaraka izy dia nanaiky ny fanendrena ho mpisava lalana manokana tany Puerto La Cruz, tamin’ny 1954 izy dia nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada, ary avy eo dia nanao ny fanompoan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany teto Venezoela.

Tokony ho tamin’ny fotoana nanombohan’i Ronald Pierce niara-nianatra tamin’i Teodoro Griesinger, ny lehilahy vaventy iray, i Nemecio Lozano, dia nipetraka tao amin’ny vohitra indianina iray tany ivelan’i El Tigre mba handosirana ny polisy. Mpihetraketraka izy ary mailaka nampiasa ny antsiny. Natahotra azy ny filohan’ny Indianina ka nanao izay nolazainy rehetra, koa, raha ny tena izy, dia i Lozano no filoha. Nampitandremana momba azy ny Vavolombelona, nefa nitory taminy ihany izy ireo. Nanapaka ny tenin’izy ireo izy ka niteny tamin’ny fomba henjana hoe: “He! Tsy tiako raha ianareo no manazava zavatra amiko. Tiako raha ny tenako ihany no mamaky.” Lany anefa ny zavatra vita an-tsoratra teny amin’izy ireo. Nanizingizina ny hahazo ny bokin’ny rahalahy iray hoe “La vérité vous affranchira” izy — nefa rehefa azony antoka ihany aloha hoe tsy nisy pejy tsy tao! Tena hitondra soa ho an’ny olona tahaka azy ve ilay izy?

Tao anatin’ny herinandro izy dia nahavaky ilay boky, nahazo bokikely sasany hozarainy, ary nanomboka samirery nitory. Rehefa niverina hijery azy ireo Vavolombelona, dia nanontany tamim-panahiana izay nolazainy tamin’ny olona izy ireo. Hoy ny navaliny: “Afaka mahazo itỳ bokikely itỳ amin’ny vidiny medio iray [vola vy eto an-toerana], izay tsinontsinona, ianao.” Nanazava tamim-pahaiza-mandanjalanja ny fomba hahafahany hiteny tamin’ny fomba tsara kokoa izy ireo.

Mba hanatrehana fivoriana tany El Tigre, tany amin’ny 30 kilaometatra, dia nandeha soavaly na bisikilety izy, ary indraindray dia nandeha an-tongotra. Tsikelikely, dia nanolo ny fombany taloha tamin’ny toetra kristiana izy. Tsy ela dia nanokana fotoana be dia be aoka izany ho an’ny fitoriana izy, ka nampirisika azy hirotsaka ho mpisava lalana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tamin’ny 1955, dia nirahina ho mpisava lalana manokana izy, ary mbola manao io fanompoana io ihany izy sy i Omaira vadiny.

Fihazonana ny fahadiovana ara-panahy

Tamin’ny andro taloha, dia tsy namirapiratra tamim-pahazavana manjopiaka tany amin’ny toerana rehetra foana ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra. Ny sasany izay nifanerasera amin’ilay groupe niara-nianatra tao El Tigre dia nitondra hevitra avy tany amin’izao tontolo izao. Tadidin’i Rafael Hernández sy ny vadiny, izay nifandray tamin’ny fahamarinana efa hatramin’ny 1947, ny fotoana nisian’ny rahalahy iray tao amin’ilay groupe niara-nivory tao El Tigre, izay nahita heviny manokana tamin’ireo nofiny. Ary nisy fotoana izay niheveran’ny sasany fa, raha mbola nahatoky tamin’izy samy izy ny mpivady, dia tsy nisy nilana ny nanoratana ny fanambadiany ara-dalàna. Voasolo tsikelikely anefa ireny hevitra ireny, ho vokatry ny fampianarana ara-baiboly marim-pototra.

Kanefa, tany amin’ny faramparan’ireo taona 1940, ny iray tamin’ireo folo natao batisa tamin’ny 1946 nandritra ny fitsidihan’ny Rahalahy Knorr voalohany teto Venezoela dia nanomboka nampirisika ny hanarahana ny fampianaran’ny tenany manokana, mba hanandramana hanainga olona hanaraka azy. Tsaroan’i Leopoldo Farreras, loholona ao Ciudad Guayana amin’izao andro izao, izay nitranga. Mpiserivy lamesa (monaguillo) voalohany tao amin’ny Eglizy Katolika Romana izy taloha, nefa niala tao teo amin’ny faha-20 taonany, noho ny fahalotoam-pitondran-tena nibaribarin’ny klerjy. Izao izy dia nahita olon-kafa nampiasa fahefana tsy araka ny tokony ho izy. Na dia teo aza ny tsy fananany fanandraman-javatra sy ny fahatanorany tamin’izany fotoana izany, dia nifikitra tamin’ny lalam-pahatokiana i Leopoldo nandritra ireny fotoan-tsarotra tao El Tigre ireny ary tsy nivadika tamin’i Jehovah sy ny fandaminany.

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ny vadin’i Leonard Cumberbatch, izay loholona ao El Tigre ankehitriny, dia nanomboka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. “Nahatsiravina ny fihetsiko”, hoy ny fieken’i Leonard. “Niara-niaina tamim-piadanana sy tamim-pitiavana foana izahay mivady taloha, nefa raha vao nanomboka nianatra ny Baiboly izy, dia nanjary fatra-mpandatsa aho. Indray mandeha dia niteny ahy izy noho izaho namily ny fiarakodia haingana loatra ka nampidi-doza. Nilazako izy mba tsy hanahy, ary koa fa hamonjy azy i Jehovah Andriamaniny — rehefa dinihina tokoa, dia efa hiaina mandrakizay rahateo izy. Tsy nahenako ny hafainganam-pandehako.

“Nilazako izy fa nanararaotra azy ireo Vavolombelona, fa nahafantatra momba ny Baiboly mihoatra noho izy ireo aho, ary koa fa naniry ny hiresaka tamin’izy ireo aho. Nanaiky ny fihaikako izy ireo. Lasa resaka nahafinaritra ilay izy. Tsy nahavita nanaporofo aho hoe lainga ny fampianaran’izy ireo, koa nanaiky ny hiara-mianatra ny Baiboly taminy àry aho. Dimy volana taorian’ny nanombohako nianatra, dia natao batisa aho. Notendrena ho mpitarika ny fianarana tao amin’ny groupe iray tao Anaco aho, satria nanana fiarakodia. Ny fanompoana io groupe io dia nidika ho fanaovana dia 160 kilaometatra nandroso sy niverina. Avy eo aho dia nasaina nikarakara groupe iray hafa tany amin’ny 30 kilaometatra. Misy kongregasiona ankehitriny any amin’ireo tanàna ireo.”

I El Tigre, any amin’ny faritra atsinanana amin’i Venezoela, dia foibe fanaovam-barotra lehibe. Nanjary foibe lehibe anaovana fanompoam-pivavahana marina koa izy io. Teo am-piandohan’ny taona 1995, dia nisy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah fito tao El Tigre, ka maherin’ny 730 ny tontalin’isan’ny mpitory ny vaovao tsara.

Nitsahatra tsy nanao sary ny mpanefy firavaka iray

Eo atsimo-atsinanan’i El Tigre no misy an’i Ciudad Bolívar, eo amin’ny morony atsimon’ny Ony Orinoco. Toerana feno olona somebiseby izy io, misy fifamoivoizana an-drano be dia be. Tamin’ny 1947, dia nitsidika an’i María Charles tao amin’io tanàna io ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Hoy i María: “Mpanefy firavaka no asako, ary nipetraka niasa tao amin’ny trano fiasako aho indray andro, rehefa nandalo i Alejandro Mitchell nitondra kitapo lamba nihantona teo an-tsorony. Hoy aho: ‘Inona no ao anaty kitaponao ao?’ Hoy ny navaliny: ‘Harena sarobidy.’ ‘Raha volamena no ao, dia hovidiko’, hoy aho, ‘satria izany no asako.’ Nilaza izy fa tsara kokoa noho ny volamena no tao. ‘Ny hany zavatra tsara kokoa noho ny volamena fantatro dia ny Baiboly’, hoy aho. Niaiky i Alejandro fa marina ny ahy ary dia namoaka Baiboly sy zavatra vita an-tsoratra hafa izy.

“Tiako be ny namaky teny, nefa tsy afaka nahazo ny hevitry ny Baiboly mihitsy aho, koa hoy aho taminy: ‘Hovidiko izy rehetra.’ Tamin’io andro io aho dia naka gazety 11 taminy ary koa ireo boky hoe “Le Royaume s’est approché” sy Salut ary Baiboly vaovao iray. Babon’izay novakiko aoka izany aho, ka nanapa-kevitra ny tsy hiasa tao amin’ny trano fanefeko firavaka nandritra ny herinandro aho, mba hahafahako hanokan-tena ho amin’ny famakiako teny. Rehefa namaky ilay boky hoe “Le Royaume s’est approché” aho, dia nanohina ahy ny ohatr’i Jaona Mpanao Batisa ka hoy aho anakampo: ‘Maniry ny ho mpitory tsy manan-tahotra tahaka azy aho.’ ”

Nanontany olona ny amin’ny toerana nivorian’ireo Vavolombelona i María, nefa nilazana fa tsy nisy tao Ciudad Bolívar. Ilay akaiky indrindra dia tany El Tigre, tokony ho tany amin’ny 120 kilaometatra. Tsy nahakivy azy izany, fa lasa izy, nahita ilay toerana, nanatrika fivoriana iray, ary namela taratasy fohy ho an’i Alejandro Mitchell mba hitsidika azy tany Ciudad Bolívar, raha sitrany izany.

Mandra-pahatongan’izay, dia hitany fa ny mpanjaitra iray teo akaikiny dia nanana ny boky “Le Royaume s’est approché” koa. Fantatr’izy io ny toerana nivorian’ny antokon’olom-bitsy iray mba hamakiana Ny Tilikambo Fiambenana. Niaraka taminy i María ary nahita an’i Leopoldo Farreras, ny reniny, ny anabaviny ary olon-kafa sasantsasany. Nankafiziny ilay fivoriana, ary feno hafanam-po aoka izany izy momba ilay lesona ka nanangan-tanana isaky ny fanontaniana!

Rehefa tapitra ilay fianarana, dia nanontany azy i Leopoldo Farreras hoe: “Ary ianao moa avy aiza?” Hoy ny navalin’i María: “Avy ao amin’ny trano fanefeko firavaka, nefa tsy hanao sary intsony aho.” Nitsiky noho ny teniny nivantana i Farreras, ka nanontany azy hoe: “Fa nahoana?” “Noho izay voalaza ao amin’ny Salamo 115:4-8”, hoy ny navalin’i María.

Mbola tsy voalamina mba hanao fanambarana ampahibemaso ilay groupe. Io mpikambana vaovao io, i María Charles, raha ny tena izy, no nanolo-kevitra ny hankatoavan’izy ireo ny didin’ny Baiboly mba hitory. Nivatsy karatra fanaovana fanambarana sy zavatra vita an-tsoratra izy ireo, ka nanomboka tamin’ny fitondrana ny vaovao tsara tany amin’ireo mponin’i Ciudad Bolívar tamin’ny fomba voalamina. Ireo taona vitsivitsy voalohany dia tena sarotra satria natahotra ny klerjy ny olona. Nitondra vokatra anefa ny ezaka tamim-pahatokiana nataon’io groupe be zotom-po io. Tamin’ny 1995, tao Ciudad Bolívar dia nisy kongregasiona sivy sy tontalin’isan’ny mpitory 869.

Nisy misionera hafa koa tonga

Nisy vaovao nameno fahataitairana tao amin’ny biraon’ny sampana tao Caracas tamin’ny 1950. Hisy misionera 14 hafa koa hirahina ho eto Venezoela, ary hisy tranon’ny misionera telo hafa hosokafana — tany Barquisimeto sy Valencia ary Maracay. Ho afaka hiditra eto amin’ilay tany ve anefa ireo misionera? Vao avy nisy namono ny prezidà; nisy lalàna nandrara ny fivezivezena nanomboka tamin’ny 6 ora hariva; nisy fiantraikany teo amin’ny fifandraisana izany.

Ilay fiaramanidina voalohany niditra teto amin’ilay tany taorian’ilay vonoana olona dia nipetraka teo amin’ny seranana teo akaikin’i Caracas. Misionera vaovao 14 no nidina. Tsy nisy olona nitsena azy ireo anefa teo. Tao anatin’ilay toe-javatra, dia tsy nisy nanampo azy ireo tsotra izao. Hoy ny tsaroan’i Ralphine (Penny) Gavette, iray tamin’ireo 14: “Niditra tao anaty taksia telo izahay, nitondra ny adiresin’ny sampana. Tsy ny fahitana ilay lalana, ny Avenida Páez tao Caracas, no olana; fa ilay arabe no lava be, ary tsy nety hitanay ilay trano. Maizina ny andro, tao anatin’ny fe-potoana tsy nahazoana nivezivezy tamin’izay ary nihananjary hendratrendratra ireo mpamily taksia. Rehefa ela ny ela, i Vin Chapman, iray tamin’ireo misionera, dia nilaza tamin’ilay mpamily mba hijanona ary dia handeha handondòna tamin’ny varavarana iray izy ka hanontany ny amin’izay tokony halehany, na dia voafetra be aza ny fahaizany ny teny espaniola. Rehefa nandondòna izy, dia nanokatra ny varavarana i Donald Baxter, ny mpiandraikitra ny sampana. Fahamaivamaivanana re izany!”

Ireo misionera notendrena ho any Barquisimeto, tokony ho 270 kilaometatra any atsimo-andrefan’i Caracas, dia nahita fa tanàna mpivavaka be ilay izy. Tany amin’ireo taona 1950, dia vonton’ny lovantsofina ny olona tao, ka nanohitra ny fiovana.

Samy hafa anefa ny fihetsiky ny olona, arakaraka izay natao sy hoe iza no nanao izany. Momba ilay asabotsy voalohany nivoahan’ireo misionera hanao fitoriana teny amin’ny arabe, dia hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Chapman: “Izahay dimy mianadahy dia nijoro teo amin’ireo kihon-dalana lehibe indrindran’ny faritanàna be fivarotan’ilay tanàna. Fahataitairana izao naterakay izao! Zara raha nisy Amerikana tao Barquisimeto tamin’izany fotoana izany, ary tsy nisy tovovavy amerikana mihitsy. Toa tsy nahapetraka gazety mihitsy aho, nefa izy mirahavavy avy poatoizay dia nahapetraka be dia be!” Tamin’ny andro iray hafa anefa, rehefa nivoaka teny an-tsena hividy sakafo izy efatra mirahavavy, dia nanapa-kevitra ny hanao ny pataloany jeans. Vetivety foana dia vehivavy efa ho zato no nanodidina azy ireo, nanondro tanana azy ireo ary nikiakiaka hoe: “¡Mira! ¡Mira!” (Jereo! Jereo!) Tsy zatra nahita zazavavy teny amin’ny arabe nanao fitafiana toy izany izy ireo. Mazava ho azy fa nandeha nody haingana izy mirahavavy avy mba hisolo akanjo.

Mbola tsy nahita Baiboly mihitsy ny ankamaroan’ny olona tamin’io faritra io. Na dia rehefa Baiboly katolika aza no nampiasaina, dia tsy nety nanaiky izay voalazany izy ireo. Ny sasany aza tsy nety namaky andinin-teny avy tao amin’ny Baiboly akory, satria natahotra izy sao nanota raha nanao izany. Tamin’ny taona voalohany, dia fandrosoana kely dia kely no vita tao Barquisimeto.

Ny fivavahana marina, rehefa ela ny ela

Tsy ny rehetra tao Barquisimeto anefa no nohajambain’ny lovantsofina katolika romana an-taonany maro. Ny ohatra niavaka iray dia i Luna de Alvarado, ramatoa efa tena zokiolona, izay katolika romana nandritra ny taona maro. Rehefa tonga teo am-baravarany voalohany ny Anabavy Gavette, dia hoy ilay vehivavy: “Senorita a, hatramin’ny naha-tovovavy ahy aho, dia niandry olona mba ho avy eto am-baravarako sy hanazava ireo zavatra vao nolazainao tamiko teo. Fony aho mbola ankizivavy mantsy, dia nanadio ny tranon’ny mompera, ary izy dia nanana Baiboly iray tao amin’ny fitahirizam-bokiny. Fantatro fa norarana tsy hamaky azy io izahay, nefa liana aoka izany aho ta hahafantatra hoe nahoana, hany ka indray andro, rehefa tsy nisy olona nijery, dia nentiko nody ilay izy ary dia namaky azy niafina aho. Izay novakiko dia nahatonga ahy hahatakatra fa tsy nampianatra ny fahamarinana taminay ny Eglizy Katolika, ka noho izany dia tsy ny fivavahana marina. Natahotra ny hilaza na inona na inona na tamin’iza na iza aho, nefa azoko antoka fa indray andro any, dia ho tonga eto amin’ny tanànanay ireo izay mampianatra ny fivavahana marina. Rehefa tonga ny fivavahana protestanta, dia nihevitra aho aloha fa tsy maintsy ho ry zareo izany, nefa tsy ela dia hitako fa nampianatra maro tamin’ireo lainga nitovy tamin’izay nampianarin’ny Eglizy Katolika izy ireo. Ankehitriny, izay vao avy nolazainao tamiko teo dia ilay novakiko tao amin’iny Baiboly iny, taona maro be lasa izay.” Nalamina avy hatrany ny fampianarana, ary tsy ela dia nampiseho ny fanolorany tena ho an’i Jehovah i Luna. Na dia teo aza ny fanoherana mafin’ny fianakaviany, dia nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana hatreo amin’ny nahafatesany izy.

I Eufrosina Manzanares koa dia nanana fo izay nanosika azy handray tsara ny Tenin’Andriamanitra. Rehefa nitsidika azy voalohany i Ragna Ingwaldsen, dia mbola tsy nahita Baiboly mihitsy i Eufrosina. Nanaiky ny hamela an’i Ragna hiara-mianatra taminy anefa izy. Hoy ny tsaroan’i Ragna: “Mpivavaka araka ny fombafomba fotsiny izy taloha, nanatrika Lamesa isaky ny alahady sy nanana jiro nirehitra foana ho fanajana ny sarivongan’ny ‘olo-masina’ iray, izay tao anaty lavaka tao amin’ny rindrina. Mba hahazoana antoka fa tsy ho faty mihitsy ilay jiro, dia nataony nisy solika litatra maro vonona foana teo, ho amin’izany zava-kendrena izany fotsiny!” Nampihatra izay nianarany avy tao amin’ny Baiboly anefa i Eufrosina. Rehefa nianatra izy fa nisy zavatra sasany tsy nampifaly an’i Jehovah, dia nitondra fiovana teo amin’ny fiainany izy. Ohatra, nanary ireo sariny izy, nitsahatra tsy nifoka intsony, ary nisora-panambadiana ara-dalàna. Tatỳ aoriana, dia niara-nianatra taminy ny reniny. Tsy mora ho an’i Eufrosina ny niala tamin’ireo sigara lehibe. Fony izy vao roa taona monja, dia nametraka sigara teo am-bavany ny reniny mba hampangina azy, ary dia nifoka izy hatramin’izay. Izao anefa, mba hampifaliana an’i Jehovah, dia nitsahatra tsy nifoka intsony izy, natao batisa ary tonga mpitory tena be zotom-po.

Enin-taona taorian’ny nanirahana an’ireo misionera voalohany tany Barquisimeto, dia mbola tsy nisy afa-tsy mpitory tokony ho 50 ihany tao. Nitahy ny ezaka feno fikirizana hikaroka ireo olona toy ny ondry anefa i Jehovah. Tamin’ny 1995, ireo kongregasiona 28 ao Barquisimeto dia nanao tatitra tontalin’isan’ny mpitory 2 443.

Valencia, saha mahavokatra

Tokony ho eo amin’ny antsasan-dalana manelanelana an’i Barquisimeto sy i Caracas no misy ny tanànan’i Valencia, ny tanàna lehibe indrindra fahefatra eto amin’ny repoblika. Ny toetra mampiavaka ireo lalany tranainy kokoa sady ety kokoa dia ny an’i Espaina fahiny, ary toy ilay tanàna espaniola mitovy anarana aminy, i Valencia dia malaza noho ireo voasariny.

Tamin’ilay antokona misionera tonga teto Venezoela tamin’ny 1950, dia valo no nirahina ho any Valencia. Tadidin’i Evelyn Siebert (Ward ankehitriny) fa nanomboka tao Valencia tamin’ny alalan’ny fomba fampiseho nataony tsianjery izy. “Na dia teo aza ny tsy fahaizanay ny teny espaniola, dia nanomboka fampianarana Baiboly maro izahay”, hoy ny tsaroany. Ny iray tamin’ireo dia i Paula Lewis. I Paula dia Katolika, ary tena nifikitra tamin’ny sary, indrindra fa tamin’ny “Ny Fo Masin’i Jesoa”, izay nangatahany fanampiana manokana tsy tapaka. Nidina tany am-piangonana isan-kerinandro izy, nanome ny rakiny telo bolivar, ary nivavaka tamin’ilay sary mba hiverenan’ny vadiny hiara-mipetraka tamin’ny fianakaviany. Rehefa nanohy nipetraka nisaraka tamin’izy ireo izy io, dia nanapa-kevitra ny hiresaka tamin-kery kokoa tamin’ilay sary ilay ramatoa. ‘Tompo ô, raha tsy mahazo valiny aho amin’itỳ indray mandeha itỳ, dia izao no rakitra farany omeko anao.’ Namela ireo bolivar-ny telo izy, ary dia tsy niverina intsony mihitsy.

Ny volana nanaraka, dia tonga teo am-baravarany i Evelyn Siebert. Faly i Paula nihaino, naka ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” (na dia tsy nahay namaky teny aza izy), ary noho ny fanampian’i Evelyn, dia nanomboka nianatra ny Baiboly izy. I Paula sy ny iray tamin’ireo zanany vavy no anisan’ireo voalohany tao Valencia natao batisa. I Stephen, vadin’i Paula, na dia tsy naniry hanana fifandraisana na inona na inona tamin’“io hadalana io”, araka ny niantsoany azy, aza tamin’ny voalohany, dia nieritreritra indray, niverina hiara-mipetraka tamin’ny fianakaviany, ary tonga mpanompon’i Jehovah koa — tsy vokatry ny fifikirana tamin’ny sary iray fantatra tamin’ny hoe Ny Fo Masin’i Jesoa akory, fa noho ny fianarany ny Baiboly.

Roa taona taorian’ny nahatongavan’ireo misionera hafa tao Valencia, dia nanatevin-daharana azy ireo i Lester Baxter (zokilahin’i Donald) sy i Nancy vadiny. Voatery niezaka mafy manokana i Lester mba hahay tsara ny teny espaniola. Tsy vitan’ny hoe nila azy io ho an’ny fanompoany teny amin’ny saha izy, fa noho izy ny hany rahalahy tao amin’ilay antokona misionera koa, dia tompon’andraikitra ny amin’ny fitarihana ny fivoriana rehetra izy. Niteraka vokatra tsara ilay fampiofanana be dia be. Roa taona tatỳ aoriana, rehefa niforona ny distrika voalohany teto Venezoela, dia i Lester no notendrena ho mpiandraikitra ny distrika. Taorian’izay, dia nanompo tao amin’ny asa fitetezana faritany nandritra ny 30 taona izy.

Anisan’ireo misionera nanompo tao Valencia i Lothar Kaemmer, fohy sady mena volo, avy tany Alemaina, sy i Herbert Hudson, manga maso sy mavokely takolaka, avy tany Grande-Bretagne. Nisy fotoana naha-mpiray efitrano azy ireo, ary fampisehoana velona ny amin’ny vokatra ateraky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly eo amin’ny fiainan’ny olona izy ireo. I Lothar, mantsy, fony mbola tanora, dia mpikambana tao amin’ny Tanora Hitlerianina alemanina, ary i Herbert dia tao amin’ny Tafika ana Habakabaky ny Fanjakana Britanika — mpifahavalo nandritra ny ady! Nanova ny fomba fijerin’izy ireo ny fiainana anefa ny Tenin’Andriamanitra. Tamin’ny naha-misionera azy, izy ireo dia niara-niasa mba hampianatra ny olona ny fomba hiainana tamim-pihavanana — tamin’Andriamanitra aloha, ary koa teo amin’izy samy izy.

Hitsambikina ny fefy sa hitana mafy ny toerany?

I Alice Palusky, iray tamin’ireo misionera tany Valencia, dia nitsidika an’i Gladys Castillo, 18 taona, tamin’ny 1953. Tian’i Gladys ilay zavatra reny; kanefa, somary niahiahy izy satria tsy nampiasa Baiboly katolika i Alice. Koa nankany amin’ny katedralin’i Valencia àry i Gladys ka niresaka tamin’ilay eveka. Nanazava izy fa niara-nianatra tamin’ny “Protestanta” ny tenany, satria ninoany ho izany ireo Vavolombelona, nefa naniry Baiboly katolika izy mba hijerena ireo andinin-teny rehetra. Tamin’izany fotoana izany, dia vitsy ihany ny Vavolombelona ka tsy fantatra tsara tao Valencia. Toa nampiseho fahaiza-mitsara zavatra no fahitan’ilay eveka izay tao an-tsain’i Gladys, koa dia nanome azy Baiboly iray izy. Talanjona noho izay novakiny tao amin’ilay Baiboly i Gladys, ka nahatakatra fa tsy nampihatra izay nampianarin’ny Baiboly ny Katolika. Nanapa-kevitra ny handao ny eglizy izy.

Tamin’ny 1955, rehefa niomana hatao batisa izy, dia nipoitra ny fitsapana iray ny finoany. Nianatra mba ho mpampianatra izy, ary herintaona sisa tsy hahazoany diplaoma. Nisy fankalazana nokasaina hatao tao amin’ny sekoly ambony nisy azy, ho fanajana an’i Maria Virjiny. Nantenaina ny hanatrehan’ny rehetra ny Lamesa manokana iray. Hoy ny tsaroan’i Gladys: “Tamin’ny andron’i Pérez Jiménez, ilay mpitondra tsy refesi-mandidy, tamin’izay, ary fahita ny fandroahana tamin’ny sekoly, raha nisy tsy nety nankato. Natao ny fampandrenesana hoe na iza na iza tsy hanatrika ilay Lamesa dia tokony handeha haka ny taratasy fandroahana azy, izay nanala taminy koa ny fahafahana hianatra tany an-toeran-kafa. Tena fitsapana ho ahy ilay izy. Tonga ny fotoana hankanesana tany amin’ny Lamesa, ary nieritreritra ny hiafina tany amin’ny toerana fivoahana, na ny hitsambikina ny fefy ka hody, aho. Tamin’ny farany, dia nanapa-kevitra ny hitana mafy ny toerako aho. Nanazava tamin’ny talen’ilay sekoly ambony aho fa tsy ho any amin’ilay Lamesa, satria tsy nihevitra ny tenako ho Katolika intsony, fa niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Na dia tezitra be tamiko aza izy, dia navelany hody aho. Tsy voaroaka aho. Faly aho fa nitoky tanteraka tamin’i Jehovah.”

Rehefa nahazo fanambarana ireo anisan’ny klerjy

Ankoatra ny hafa, dia nisy mpikambana tao amin’ny klerjy nahazo fanambarana. I Marina Silva, iray tamin’ireo olona voalohany tonga Vavolombelona tao Valencia, dia mahatsiaro ny andro nitsidihan’ny pretran’ilay eglizy niangonany talohan’ny nahatongavany ho Vavolombelona, azy. Afaka niresaka taminy ela be izy. Ny tena tadidiny mazava tsara dia ny fiekeny toy izao, rehefa tsy afaka nahita ireo andinin-teny tao amin’ny Soratra Masina izay tian’i Marina hojereny izy: ‘Tany amin’ny seminera mantsy izahay dia nianatra ny zavatra rehetra, afa-tsy ny Baiboly.’ Nitovy hevitra tamin’i Marina tamin’ny lafiny maro izy; nefa rehefa nampirisihin’i Marina hiala tamin’ny naha-pretra azy ka hanompo an’i Jehovah izy, dia nanao hoe: “Dia iza àry no hanome ahy ny arepa-ko?” (Ny arepa dia mofo vita tamin’ny katsaka eto an-toerana.)

Na dia mpifikitra tamin’ny “Ny Fo Masin’i Jesoa” aza ny tenan’i Marina taloha — ka nanokana ny andro zoma ho an’io sary io — ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia nanova ny fiainany. Natao batisa izy tamin’ny 1953, tonga mpisava lalana manokana tamin’ny 1968, ary mbola manohy manao io fanompoana manokana io ihany. Noho izy nandray anjara tamin’ny fitoriana ny vaovao tsara, dia nanana ny tombontsoa nanampy hanokatra ny asa tao San Carlos, Temerla, Bejuma, Chirgua, Taborda, Nirgua ary Tinaquillo, i Marina.

Rehefa tonga voalohany tao Tinaquillo, eo atsimo-andrefan’i Valencia, ny hafatra momba ny fahamarinana, dia tsy fankasitrahana no fihetsika voalohany. Tadidin’i Marina fa, rehefa nanomboka niasa ilay tanàna ilay groupe kely, ilay pretra teo an-toerana, i “Monsignor” Granadillo, dia nametraka fanamafisam-peo mba hampitandremana ny olona. “Tonga eto Tinaquillo ny areti-mandozan’ny tazo vony!”, hoy izy nikiakiaka. “Aza mihaino an’ireo olona ireo! Arovy ny tanàna sy ny fivavahanareo! Arovy ny misiterin’ny Trinite masina!” Nanapa-kevitra ny hitsidika an’ilay pretra i Marina. Nankany an-tranony izy ary niandry teo mandra-podiny.

Niarahaba azy izy, ka nanao hoe: “Anisan’ilay ‘areti-mandoza’ nitarainanao anikeheo maraina aho. Tiako hatao mazava aminao fa Vavolombelon’i Jehovah izahay. Mitory hafatra lehibe iray momba ny Fanjakan’Andriamanitra izahay, hafatra izay tokony hotorin’ny eglizy, nefa tsy ataony.” Nangataka tamin-kerim-po taminy ny Baiboliny izy ary nampiseho taminy ilay andinin-teny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:14, izay ilazana mialoha fa i Jehovah dia haka avy amin’ny jentilisa ‘olona hankalazana ny anarany’. Niova ny fihetsiny. Nilaza izy fa niala tsiny, ary koa fa tsy takany hoe karazan’olona nanao ahoana isika. Nahagaga ny rehetra fa nanatrika ny lahateny ampahibemaso izay nanasan’ilay anabavy azy, izy. Taorian’izany, dia nandray ireo gazety imbetsaka izy teo amin’ny kianja lehibe indrindra. Ny hafa izay nahita izany dia voarisika haka azy ireo koa. Tamin’ny 1995, dia nisy kongregasiona efatra tao Tinaquillo sy tontalin’isan’ny mpitory 385.

Niroborobo ireo voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tany Maracay

Tsaroanareo angamba fa, ho fanampin’ireo misionera nirahina nankany Barquisimeto sy Valencia, dia nisy tamin’ireo tonga tamin’ny 1950 nasaina haneho fiheverana an’i Maracay. Io no tanàna lehibe indrindra fahadimin’i Venezoela, 120 kilaometatra monja any atsimo-andrefan’i Caracas. Eo amin’ny ilany atsinanan’ny Farihy Valencia no misy azy ary voahodidina havoana izy io.

Noho ny fahatongavan’ireo misionera tao Maracay, dia nanjary azo natao ny nanao fivoriana tao amin’io tanàna io koa. Tamin’izany fotoana izany, ilay antokona misionera dia voaforona rahalahy mpitovo. Kanefa, tamin’ny fotoana nahatongavan’i Leila Proctor, misionera aostralianina, tamin’ny 1958, na dia olona teo anelanelan’ny 12 sy 20 aza no nanatrika ireo fivoriana, dia tsy nisy afa-tsy rahalahy vita batisa iray monja tao Maracay. I Keith Glessing izany, izay nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada tamin’ny 1955, niaraka tamin’i Joyce vadiny. Noho ny tsy fahampian’ny rahalahy, dia nilaina ny fanampian’ireo anabavy tamin’ny lafiny maro samihafa. Hoy ny tsaroan’ny Anabavy Proctor: “Izahay rahavavy dia nanana anjara tamin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ary nanampy teo amin’ny kaonty sy ny boky ary ny gazety. Rehefa avy nanao io fanendrena io nandritra ny dimy volana aho, dia notendrena hitarika fianarana ny boky iray. Tamin’ny voalohany, dia tsy nisy afa-tsy izaho sy ny mpitory tsy niasa iray. Ilay fivoriana dia natao tamin’ny fahazavan’ny labozia iray tao amin’ny trano iray, izay tany ny gorodony. Tsy ela, na dia nahatsiravina aza ny tsy fahaizako ny teny espaniola, dia nitombo be dia be aoka izany ny mpanatrika, hany ka samy feno avokoa ny efitra fandraisam-bahiny sy ny lakozia ary ny tokotany. Noho ny fanahy masin’i Jehovah ihany no netezan’izany.”

Olona maro be aoka izany tao Maracay no nampiseho faniriana mafy ny hahafantatra sy hanompo an’i Jehovah, hany ka tany am-piandohan’ny taona 1995, dia nisy kongregasiona 30 sy tontalin’isan’ny mpitory 2 839 tao amin’io tanàna io.

‘Hotifiriko ianao raha marina izany!’

Anisan’ireo olona tao Maracay izay nampiseho fahalianana i María, vadin’i Alfredo Cortez. Niara-nianatra ny Baiboly taminy nandritra ny enim-bolana i Joyce Glessing. Avy eo, indray andro, dia tonga tao an-tranony ny vadiny ary nahita an’io gringa io, araka ny fiantso ny vehivavy amerikana eto. Nanontany ny vadiny izy hoe inona daholo izany rehetra izany. Mba hanazavana ilay izy, dia nanome azy gazety iray izay navelan’i Joyce ho azy, i María. Nirakitra lahatsoratra iray momba ny spiritisma ilay izy, ary nampifamatotra azy io tamin’ny Ordre de la Rose-Croix. Namaky azy io tamim-pahalianana izy, satria nifandray tamin’ny zavatra ninoan’izy ireo.

Rehefa nilaza tamin’ny Anabavy Glessing momba ny fahalianan’ny vadiny tamin’ilay gazety i María, dia natao ny fandaharana mba hitsidihan’i Keith, vadin’ilay misionera, an’Atoa Cortez. Nitsidika azy izy, ary dia natomboka ny fampianarana Baiboly. Rehefa afaka roa tokom-bolana monja — somary aloha loatra — dia nanasa an’Atoa Cortez hiaraka taminy teny amin’ny asa fitoriana isan-trano ilay misionera. Nanao izany izy, nankafy be an’ilay izy, ary nahapetraka gazety 16. Dibo-kafaliana izy ka nandeha nivoaka niaraka tamin’ny namana tsy Vavolombelona ny alin’iny, mba hankalaza ny fahombiazany, sy nimamo, ary nody tamin’ny telo ora maraina!

Ny ampitson’iny, dia tsy nandry ny eritreriny momba ilay izy, ka nieritreritra izy hoe: ‘Izay iray na hanompo an’i Jehovah araka ny tokony ho izy aho, na hiverina any amin’ny fomba fiainako taloha.’ Sarotra ilay izy, nefa noresena lahatra hanohy ny fianarany ny Baiboly ihany izy. Tsikelikely, dia nandao ny fomba fiainany taloha izy, ary nandroso hatramin’ny batisa tamin’ny 1959.

Tapa-bolana tatỳ aoriana, ny kolonely romotra iray, izay ny rain’ny iray tamin’ireo zanakavavin’i Alfredo tamin’ny batemy, dia tonga nijery azy, nanambana poleta teo amin’ny tratrany, ary nandrahona hoe: “Marina ve izany reko izany — hoe tonga Vavolombelon’i Jehovah ianao? Hotofiriko ianao raha milaza fa marina izany!” Nitoetra ho tony i Alfredo ary nanaiky fa marina izany, no sady nanazava ny antony. Nahatsiaro rikoriko ilay kolonely, ka nampirina ny basiny ary nirintona niala teo, tamin’ny filazana fa tsy nihevitra ny tenany ho rain’ilay ankizivavy tamin’ny batemy intsony izy. Noho ny fanahin’i Jehovah sy ny zotom-pon’i Alfredo nanao fanambarana na tamin’iza na tamin’iza sy tamin’ny rehetra, dia nanampy olona 89 hahafantatra ny fahamarinana sy hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, izy. Loholona manompo ao Cabudare, any akaikin’i Barquisimeto izy amin’izao fotoana izao; ny iray amin’ireo zanany lahy dia mpisava lalana manokana; ary i Carolina zanany vavy dia manompo ato amin’ny sampana miaraka amin’ny vadiny.

Mitandrema, fa fotoan’ny carnaval izao!

Ny fotoan’ny carnaval eto Venezoela dia fotoana ho an’ny lanonana sy ny fanaovana akanjo be renty — ary ny fanipazana rano! Ny ankizy indrindra indrindra no mahita fahafinaretana be manakotsa ireo mpandeha tsy manampo na inona na inona. Tsy fahendrena mazàna ny ho sahisahy hivoaka eny amin’ny arabe ny alatsinainy sy ny talata amin’ny herinandron’ny carnaval.

“Tsy nihaino an’ireo fampitandremana aho”, hoy ny fieken’i Leila Proctor. “Tamin’ny taona voalohany naha-tao Maracay ahy, dia nieritreritra aho fa hitarika an’ireo fampianarako Baiboly ihany, na inon-kidona na inon-kihatra. Nandeha tokoa aho, nefa kotsa be aho rehefa tonga tao amin’ny fampianarako voalohany, satria nisy nandraraka rano iray siny tamiko avy tany ambony. Nandeha an-tongotra tany amin’ny fampianarako faharoa aho, efa maimaina ihany, nefa tratran’ny rano roa siny indray teny an-dalana. Kotsa tanteraka aho tonga tany.” Manan-tantara mitovy amin’izany hotantaraina koa ireo misionera hafa.

I Leila, izay ao amin’ny tranon’ny misionera ao Quinta Luz ao Caracas, ankehitriny dia mandamina ny fandaharam-potoanany amin’ny fomba hafa kely kokoa amin’ny fotoan’ny carnaval.

“Nahare ny vavaka nataoko tamim-pahatsoram-po izy”

Fony mbola kely i Alfredo Amador, dia nampiseho azy ny lanitra feno kintana ny rainy ka nilaza taminy ny anaran’ny sasany tamin’ireo fitambaran-kintana. “Andriamanitra no nanao azy rehetra ireo”, hoy izy. Maty anefa ny rain’i Alfredo raha mbola tsy folo taona akory ny zanany lahy. I Alfredo, izay nipetraka tao Turmero, ao amin’ny Fanjakan’i Aragua, tamin’izay, dia nanomboka nisalasala momba ny fivavahany. Hitany ho toa tsy nety ny fangatahan’ilay pretra vola mba hanao vavaka ho an’ny maty, na ny hoe hahafahan’ireo manankarena hamoaka ny havany avy ao amin’ny afo fandiovana haingana kokoa noho ireo olo-mahantra. Feno fisalasalana izy, ka nanjary tafiditra tao anatin’ny fimamoana, ny fahalotoam-pitondran-tena teo amin’ny lahy sy ny vavy, ny herisetra ary ny fidorohana zava-mahadomelina. Rehefa nanomboka nijinja ireo vokatr’izay nafafiny izy, dia nikaroka fomba hivoahana. Tamin’izay dia tadidiny ireny alina niandrandrany ny lanitra niaraka tamin-drainy ireny.

“Indray tolakandro, dia nahatsiaro ho namoy fo tanteraka aho, no sady feno ranomaso ny masoko”, hoy ny tantarainy, “ka nivavaka aho mba hamelan’Andriamanitra ahy hahafantatra azy. Toa nahare ny vavaka nataoko tamim-pahatsoram-po izy, satria ny ampitso marainan’iny ihany, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah roa nandondòna teo am-baravarako. Nisy fifampiresahana nahaliana nanaraka izany, nefa tsy nanaiky hianatra ny Baiboly aho. Naniry hamaky ny Baiboly samirery aho, na dia nanaiky ho any amin’ny Efitrano Fanjakana aza aho. Nitondra ahy tany amin’ny fivoriambe iray teo akaiky, tany Cagua, koa ilay rahalahy nitsidika ahy. Teo am-pihainoana ireo lahateny samy hafa aho dia nahatakatra fa io no fahamarinana. Rehefa nitsangana mba hamaly ireo fanontaniana ireo mpilatsaka hatao batisa, dia mba nitsangana koa aho!”

Gaga i Alfredo satria tany amin’ny tapany iray tamin’ilay efitrano avokoa ny hafa rehetra izay nitsangana, fa izy kosa teny amin’ny iray hafa. Niara-nilahatra tamin’izy ireo mba hatao batisa anefa izy. Tamin’izay, dia nisy nanontany azy hoe avy tamin’ny kongregasiona taiza izy. Tsy fantany akory hoe nanana anarana ireo kongregasiona! Tsy ela dia nanjary fantany fa tsy dia tena vonona hatao batisa izy.

Tsy ela taorian’izay, dia nanambady ilay vehivavy niarahany nipetraka izy, ary noho ny fanampian’ny fianarana Baiboly tamin’ny fomba voalamina, dia nahafeno fepetra mba hiaraka tamin’ireo rahalahy hanao fanambarana isam-baravarana izy. Tamin’ny 1975 izy dia natao batisa niaraka tamin’ny vadiny. Ankehitriny izy dia loholona kristiana manompo ao Maracay. Miandry amim-panantenana ny andro, ao amin’ny fandehan-javatra vaovaon’Andriamanitra, hiverenan’ny rainy, amin’ny fitsanganan’ny maty, izy. Amin’izay izy dia ho afaka hilaza amin-drainy fa ny anaran’ilay Mpamorona izay noresahiny taona maro lasa izay, dia hoe Jehovah, no sady ho afaka hampirisika an-drainy hahafantatra tsara an’i Jehovah.

Loza tany Maracay

Ny fahenina Septambra 1987 dia daty izay tsy ho afaka ao an-tsain’ireo izay mipetraka ao amin’ny faritr’i Maracay, mora foana. Nisy oram-be nahatonga tondra-drano sy nampihotsaka tany izay nampanjavona na nanafotra tanteraka trano an-jatony maro.

Maro tamin’ireo mpitory efa ho 2 000 tao Maracay no nanatrika fivoriamben’ny distrika iray fony namely ilay loza. Rehefa niverina izy ireo, dia nahita fa nanjavona ny tranony sy ny fananany. Olona 160 fara fahakeliny no maty; an-jatony maro hafa no tsy hita popòka; 30 000 no nanjary tsy nanam-pialofana. Na dia tsy nisy Vavolombelona namoy ny ainy na naratra mafy aza, dia Vavolombelona sy mpianatra ny Baiboly 114 tamin’ny fitambarany no anisan’ireo nanjary tsy nanam-pialofana, ka ny akanjo teny an-kodiny sisa no hany fananany.

Nanetsika haingana komitin’ny vonjy rano vaky nandaitra ireo rahalahy ary nitantana ny fanomezana fanampiana tondraka tamin’ny endriky ny sakafo, fanafody, fitafiana ary lamba firakotra. Eran’ny kamiao no nahatongavan’ireny vatsy ireny, izay avy tamin’ny Vavolombelona hafa feno fiahiana tany amin’ny tanàna sy tanàn-dehibe hafa, mandra-pahatongan’ny fotoana tsy nilana na inona na inona intsony. Rehefa takatr’ireo rahalahy tompon’andraikitra fa nisy nihoatra noho izay nilaina mba hikarakarana ireo Vavolombelona sy mpianatra ny Baiboly, dia nataon’izy ireo koa izay hisian’ny sakafo sy fitafiana ho an’ireo mpifanila trano tao anatin’ny fahoriana faran’izay mafy. Tena nanatanjaka finoana marina ny fahalalahan-tanana mampiaiky volan’ireo rahalahy sy ny fahavononan’izy ireo hanampy.

Faniriana miavaka hiara-mivory

Ny Venezoelianina dia manan-toetra tena tia miaraka amin’olona. Tia ny miara-mivory amin’ny olona be dia be izy ireo — mba hisakafo, mba hanao lanonana, mba hitsangantsangana eny amoron-dranomasina na any ambanivohitra. Rehefa tonga ao amin’ny fandaminan’i Jehovah izy ireo, dia mbola tena misongadina io lafiny amin’ny toetrany io. Tia an’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika izy ireo. Ho amin’ny maro aminy, ny fotoana, ny halavirana, ny sarany ary ny zavatra mampananosarotra dia tsinontsinona raha mbola afaka ny hiaraka koa izy ireo.

Tamin’ny Janoary 1950, dia nisy fahataitairam-be, rehefa nanomana fivoriambe roa andro tao Maracaibo ireo rahalahy. Hanatrika izany ny Rahalahy Knorr sy i Robert Morgan, avy tany amin’ny foibe maneran-tany. Diso fanantenana i Pedro Morales, satria nolavin’ireo mpanao gazety teo an-toerana ny fampahafantarana ampahibemaso momba ilay fivoriambe, vokatry ny fanoherana avy tamin’ny eglizy. Kanefa, rehefa nanakaiky ny fotoana hahatongavan’ireo rahalahy tamin’ny fiaramanidina, dia namorona fomba hafa iray izy. Hoy izy tatỳ aoriana: “Nandamina ny handehanan’ny ankizy rehetra tao amin’ny kongregasiona tany amin’ny seranam-piaramanidina aho, ka ny tsirairay taminy dia hitondra fehezam-boninkazo velona. Izany, mazava ho azy, dia nanaitra ny fahalianan’ireo mpanao gazety teo, izay nanontany raha niandry olona manokana iray izy ireo. Ireo ankizy, izay nomena toromarika tamim-pitandremana, dia namaly hoe: ‘Eny, Tompoko, ary hanao lahateny ao amin’ny Masonic Hall, eo amin’ny Faha-6 Lalana Urdaneta, eo akaikin’ny paositry ny polisy, izy.’ Rehefa tonga ireo rahalahy mpitsidika, dia naka sary ireo mpanao gazety, ka dia nivoaka tao amin’ireo gazety ny filazana momba ilay fivoriana, niaraka tamin’ny sary. Azonay ilay fampahafantarana ampahibemaso notadiavinay.”

Afa-tsy izany koa, nandritra ny roa andro talohan’ny Fivoriana Ampahibemaso, ny radio iray teo an-toerana, ny Ondas del Lago (Onjan’ny Farihy), dia nanao fampandrenesana isaky ny antsasak’adiny, hoe hisy io lahateny io ary koa hoe halefa amin’ny radio ilay izy. Tena tsara ireo vokatra. Fanampin’ireo 132 tany amin’ilay fivoriambe, dia nisy be dia be nihaino ny radio. Iny taona iny dia nahitana ny taham-pitomboana lehibe indrindra teo amin’ny isan’ny mpitory voarakitra teto Venezoela — 146 isan-jato.

Ny fivoriamben’ny distrika iray hafa tadidin’ny maro dia natao tao amin’ny kianja fanaovana tolona omby Nuevo Circo tao Caracas, tamin’ny 23 ka hatramin’ny 27 Janoary 1967. Io no fivoriambe niraisam-pirenena nataonay voalohany teto Venezoela. Nisy solontena vahiny 515 teo amin’ny mpanatrika, anisan’izany ny mpikambana tao amin’ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana Watch Tower. Lafiny vaovao tamin’ny fandaharana ireo fampisehoana tantara ara-baiboly tamin’izany fotoana izany. Hoy ny tsaroan’i Dyah Yazbek, izay niandraikitra ny iray tamin’izy ireny: “Niteraka vokany nanaitra aoka izany izy ireny, tsy noho ny naha-zava-baovao ilay fampisehoana tantara sy ny hafatra raketiny fotsiny, fa noho ireo fakantsary 500-n’ireo solontena mpitsidika koa, izay nipiaka tsy an-kijanona mba hirakitra ilay fisehoan-javatra!” Nisarika ny saina ny fiangonan’olona niraisam-pirenena toy izany. Na dia latsaka ny 5 000 aza ny Vavolombelona teto Venezoela tamin’izany fotoana izany, dia nahatratra 10 463 ny isan’ny mpanatrika. Nandritra ireo telo taona nanaraka, ny fitomboan’ny isan’ny Vavolombelona narisika teto amin’ilay tany dia 13 isan-jato sy 14 isan-jato ary 19 isan-jato.

Tsy mahalana ny hoe manatrika fivoriamben’ny fizaran-tany na distrika ny olona liana iray alohan’ny hananany fianarana Baiboly ara-dalàna, na hoe hidirany ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray, akory. Io faniriana hiara-mivory io dia niseho tamin’ny fomba niavaka tamin’ny Janoary 1988. Nanao ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny zone i Don Adams, avy tany amin’ny foibe any Brooklyn. Nohofana ny kianja fanaovana tolona omby iray tao Valencia, ary nalamina ny fandaharana iray haharitra adiny roa. Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy afa-tsy mpitory 40 001 nanerana an’i Venezoela rehetra. Kanefa, olona 74 600 no tonga tamin’ilay fandaharana; tonga avy tany amin’ny faritra faran’izay lavitra tamin’ilay tany izy ireo. Nisy nandeha aotobisy nandritra ny adiny 12 na mahery mba ho tonga teo; ary rehefa tapitra ilay fandaharana, dia niakatra tao amin’ilay aotobisiny indray izy ireo mba hanao ilay dia niverina adiny 12. Ho an’ireo Venezoelianina nitsiky sy miramirana ary tsy nitaraina anefa, dia mendrika ny hanaovana azy ny ho eo anivon’ny maro be aoka izany tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy fotsiny, nandritra ny tapak’andro.

Nentina tany Andes ny hafatra

Tonga hatratỳ Venezoela atỳ avaratra ny tendrombohitra mitomandavan’i Andes. Ny tanàn-dehibe telo hita any amin’ny faritr’i Andes dia i Mérida sy i San Cristóbal ary i Valera. Ny fomba fiaina sy ny fihetsiky ny olona any dia miharihary ho hafa noho ny an’ireo any amin’ny tanàna amoron-tsiraka sy any amin’ny faritra maoderina.

Nanao izao fanamarihana izao momba ny olona mipetraka any, i Rodney Proctor, mpiandraikitra ny distrika nanompo tany Andes: “Imbetsaka ny olon-tsy fantatra iray no entina toy ny vahiny na dia avy eto amin’ny taniny ihany aza izy. Ny eglizy dia mbola mampihatra fifehezana mahery ihany, ary amin’ny ankapobeny, dia tsy ekena mora foana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Ny fanandraman-javatra hitan’ny sasany tamin’ireo mpisava lalana manokana dia ny hoe efa nipetraka tao amin’ny tanàna iray nandritra ny herintaona naninjitra izy vao namaly ny fiarahabany ny olona teny amin’ny arabe. Taorian’ny taona faharoa, dia mety hanomboka hianatra ny Baiboly ny sasany. Tsy toy ny any amin’ny tapany hafa amin’ilay tany, fa ny hoe ‘Inona no hoeritreretin’ny mpifanila trano amiko?’ dia toa sakana iray tsy hihainoana rehefa tonga ny Vavolombelona.”

Tany am-piandohan’ireo taona 1950, i Juan Maldonado, mpisava lalana avy tao Caracas, dia nitsidika tanàna maro samihafa tany Andes, ka nijanona herinandro vitsivitsy tao amin’ny tsirairay taminy, ary nitory teny amin’izay nalehany. Tsy nampahery, tamin’ny voalohany, ny fandraisan’ny olona tao San Cristóbal. Nosamborina imbetsaka ny Rahalahy Maldonado noho ny fitoriany tamim-pahasahiana.

Kanefa, nisy fianakaviana iray nampiseho fahalianana tamin’ny fahamarinana, ary dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’izy ireo imbetsaka isan-kerinandro izy nandritra ny fivahiniany. Nenjehin’ny havany sy ilay pretra teo an-toerana aoka izany anefa izy ireo, hany ka tsy afaka nahazo asa ampy mba hamelomana ny fianakaviany i Angelina Vanegas, ilay renim-pianakaviana.

Rehefa avy nanao ny fanompoan’ny misionera tao Barquisimeto i Vin sy i Pearl Chapman, dia notendrena ho any San Cristóbal tamin’ny Desambra 1953. Niarahaba azy ireo ho toy ny fanomezana nahatalanjona avy tamin’i Jehovah i Angelina Vanegas sy ny fianakaviany, ka nanomboka ny fanompoana niaraka tamin’ireo misionera avy hatrany. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanapa-kevitra ny hatao batisa ilay renim-pianakaviana. Nalalaka be ny baignoire fandroana tao amin’ilay tranon’ny misionera, ary i Angelina dia madinika kely, koa tsy nisy olana ny fahitana toerana sahaza hanaovana batisa.

Fatoriana antoandro sa famonjena?

Ry Chapman dia nanomboka niara-nianatra tamin’ny mpivady iray nahantra be, i Misael sy i Edelmira Salas. Katolika be i Edelmira. “Lehibe aoka izany ny fitiavam-pivavahako”, hoy izy manazava, “hany ka indray mandeha, fony aho bevohoka, mba hanefana ny voady iray nataoko tamin’Andriamanitra, dia nanao fivahiniana masina isam-bohitra, tsy nikiraro, aho, avy eo dia nandohalika avy teo amin’ny varavaran’ny eglizy ka hatreo amin’ny otely. Nanao ilay dia niverina an-tongotra sy tsy nikiraro indray aho, ka noho ny fanaovako izany, dia nanjary narary aho ka afa-jaza.”

Tamin’ny fotoana nahaterahan’ny zanak’izy ireo nanaraka, dia efa nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin-dry Chapman i Misael sy i Edelmira. Indray andro, rehefa narary mafy ilay zazakely, dia nanapa-kevitra ny hitondra azy tany amin’ny hopitaly i Edelmira. Talohan’ny nandehanany, dia nampihatra fanerena taminy mba hampanao batisa ilay zazakely haingana ireo mpifanila trano, tamin’ny filazana fa, raha sendra maty ilay zazakely, dia tsy havela halevina ary ho any amin’ny Limby. Nanapa-kevitra i Edelmira fa, mba hanalavirana izany, dia hijanona teo amin’ny eglizy izy teny an-dalana ho any amin’ny hopitaly, ary hangataka an’ilay mompera mba hanao batisa ny zanany kely.

“Tonga tany tokony ho tamin’ny mitataovovonana aho, ka tsy faly ilay mompera nohelingelenina nandritra ny fatoriany antoandro”, hoy izy mahatsiaro. “Nasainy nandeha ka hiverina tamin’ny fotoana hafa aho. Hoy aho taminy: ‘Efa ho faty ny zanaka keliko. Inona no zava-dehibe kokoa, ny mamonjy zazakely iray tsy ho any amin’ny Limby, sa ny mamita ny fatorianao antoandro?’ Nanaiky tsy fidiny ihany izy hampanao batisa an’ilay zazakely, saingy naniraka ny mpanampy azy, mpitandrina ny sakristy, mba hanao ilay izy.”

Tsy maty ilay zazakely, nefa iny fisehoan-javatra iny no fanapahan-javatra ho an’i Edelmira. Diso fanantenana tanteraka tamin’ny eglizy izy izao, ka nanomboka nandray ny fiarahany nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona ho zava-dehibe. Avy eo izy sy ny vadiny dia nifindra honina tany amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Colón, izay tsy nisy Vavolombelona. Rehefa nitsidika an’i San Cristóbal, i Casimiro Zyto, mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia nangataka azy mba hitsidika an’i Edelmira ireo misionera. Velom-pankasitrahana toy inona moa izy noho io fitsidihana io! Tamin’io fotoana io, dia natao batisa izy.

Noho ireo ezaka nataony tany am-boalohany, dia misy kongregasiona iray ankehitriny any Colón. Misy telo koa any El Vigía, izay nitondrany ny fanampiany ho amin’ny fanokafana ny asa, rehefa nifindra honina tao ny fianakaviany. Rehefa afaka taona vitsivitsy dia natao batisa koa ny vadiny, ary koa ireo zanany vavy telo.

Nampirisika ny herisetra ilay pretra

Tao amin’ny vohitra kely iray hafa tany Andes, dia nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana i Luis Angulo. Taitra noho ny tabataba teo ivelan’ny tranony izy indray andro tamin’ny 1985, ka nijery tany ivelany, ary dia gaga nahita latabatra iray teo akaikin’ny varavarany anoloana, sy sarin’ny “olo-masina” iray teo amboniny. Nisy vahoaka tezitra niantsoantso ny hialan’ireo Vavolombelona tamin’ilay tanàna, ary dia nandrahona ny handoro ilay trano izy ireo. “Omenay herinandro ianareo mba hialana eto amin’ny tanàna!”, hoy ny kiakiakan’izy ireo.

Hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Angulo: “Nanapa-kevitra aho fa ny tsara indrindra dia ny nankany amin’ny prefecto-n’ilay tanàna mba hahazoana vonjy. Nangoraka ilay prefecto ary naka ny polisy mba hitondra an’ireo lehiben’ny jiolahimboto teo aminy. ‘Iza no nandamina ny hanaovanareo izao?’, hoy izy nanontany azy ireo. Niaiky izy ireo tamin’ny farany fa ilay mompera katolika no nanao izany. Tao amin’ny toriteny iray nandritra ny Lamesa, dia nampirisika an’ireo olona tao amin’ny paroasiny izy mba handroaka anay hiala tao amin’ilay tanàna, satria hoe nampidi-doza ny fahasalamana ara-panahin’ilay vohitra izahay. ‘Adala io mompera io!’, hoy ny fihiakan’ilay prefecto. ‘Ankehitriny dia mandehana mody ary aza manakotaba an’ireo Vavolombelona intsony, raha tsy izany dia hiditra am-ponja daholo ianareo rehetra.’ ”

Tsy ela taorian’izay, dia hita fa voarohirohy tamina fanambakana ilay pretra, ary toy ny mitranga matetika aoka izany amin’ny toe-javatra toy izany, dia nafindra toerana fotsiny izy.

Olona niova iray

Tao Pueblo Llano, ny vohitra nanaraka, dia tena fantatry ny olona tsara i Alfonso Zerpa. Nanao politika izy, mpimamo, nidoroka zava-mahadomelina, nifoka, adalam-behivavy ary nampihorohoro ny mponina teo an-toerana tamin’ny fampitatatatana ny moto-ny, niakatra sy nidina ireo arabe roa lehibe indrindra. Kanefa, rehefa avy nafafy tao am-pony ny voan’ny fahamarinana tamin’ny 1984, dia nitombo haingana. Nanomboka nahita ny nilana hanaovana fiovana lehibe sy hitafiana ny toetra vaovao, i Alfonso. — Efes. 4:22-24.

Rehefa tonga tamin’ny Fivoriana Ampahibemaso natrehiny voalohany izy, dia izy irery no teo ankoatra ireo mpisava lalana manokana. “Aiza daholo ny olona rehetra?”, hoy izy nanontany. Angamba tsara kokoa ny naha-irery azy tao. Nanana fanontaniana maro be aoka izany izy, hany ka nandany ny fotoana hatramin’ny misasakalina ireo mpisava lalana, namaliana azy ireo avy tao amin’ny Baiboly. Tsy nanapaka fivoriana mihitsy izy taorian’izay, ary niaraka taminy i Paula vadiny. Nanadio ny tenany sy ny fiainany izy, ary tamin’ny farany dia nahafeno fepetra mba ho mpitory. Ny faritany voalohany niasany dia ireny arabe roa lehibe indrindra tao Pueblo Llano ireny ihany! Ankehitriny izy dia mahalala fomba sy manao complet sy karavato madio sy milamina, ary afaka manao fanambarana faran’izay tsara. Izy sy i Alcides Paredes, izay nentin’i Alfonso tany amin’ireo fivoriana ary nampahalalainy ho ny namany akaiky indrindra, ankehitriny dia loholona izay manompo, miaraka amin’ny fianakaviany avy, ao amin’ny Kongregasionan’i Pueblo Llano. Havan’i Paula maherin’ny 20 no nampiana koa mba hankasitraka ny fahamarinana.

Tamin’ny farany, dia nirodana ireo sakana ho an’ny fandrosoana izay toa tsy azo nihoarana, ary tamin’ny 1995, i San Cristóbal dia nanana kongregasiona folo, i Mérida nanana fito, ary i Valera nanana efatra. Misy groupes sy kongregasiona kely maro koa manerana ny faritr’i Andes rehetra.

Nila lehilahy ny tany Cumaná

Ny tanànan’i Cumaná, renivohitry ny fanjakan’i Sucre, no tanàna espaniola tranainy indrindra atỳ Amerika Atsimo. Ny fahamarinana dia nampahafantarina tamin’ny mponin’i Cumaná tamin’ny fomba voalamina tamin’ny 1954, rehefa nisy mpisava lalana manokana tonga. Tatỳ aoriana, dia tonga nanampy i Rodolfo Vitez sy i Bessie vadiny, izay misionera. Tatỳ aoriana, dia notendrena hanao ny asan’ny fizaran-tany izy — nefa talohan’izay aloha, dia nahavita nanofa efitra kely iray izy ireo, nanadio sy nandoko azy ary nametraka tao anatiny dabilio tranainy sy efa nariana, izay voavotra avy tamin’ny kianja iray fanaovana base-ball. Noho ny fisian’ny toerana hivoriana, dia nitombo haingana ny isan’ny olona nanatrika. Saika vehivavy sy ankizy daholo anefa izy ireo.

I Penny Gavette sy i Goldie Romocean dia notendrena ho anisan’ilay antokona misionera tao Cumaná, ary ny tadidin’izy ireo dia hoe, rehefa lasa hanao ny asan’ny fizaran-tany ny Rahalahy Vitez, dia tsy nisy lehilahy handray ny fitarihana. Tsy naniry ho tonga tsotra izao ireo lehilahy. Hoy i Penny: “Nilaza taminay izy ireo hoe: ‘Tsy tianay io fivavahana io. Tsy mamela anay himamo sy hanana vehivavy hafa izy io. Ny fivavahanay mamela anay hanao izay tianay.’ Na dia nisy 70 na 80 aza ny mpanatrika, dia mbola tsy nisy afa-tsy lehilahy dimy na enina ihany tao, ary izahay rahavavy no mbola tsy maintsy nitarika ireo fivoriana indraindray.”

Tsikelikely anefa, dia nanomboka nisy lehilahy nanatrika sy nandroso mba hanankinana andraikitra tao amin’ny kongregasiona. Tsy ela ilay Efitrano Fanjakana kely dia feno hipoka. Tsy nisakana ny olona tsy ho tonga ny tsy fahampian’ny fidiran’ny rivotra sy ny fahafenoana hipoka. Na dia toa nahatsapa aza ireo misionera fa vonton’ny hatsembohana toy ny ao amin’ny bain turc ny tao amin’ilay Efitrano Fanjakana tamin’ny fotoan’ny fivoriana, ny fitiavana ny fahamarinana dia nanosika an’ireo nanatrika hipetraka sy hihaino nandritra ny adiny roa. Tatỳ aoriana, dia nanokatra ny lalana i Jehovah, ka nisy Efitrano Fanjakana vaovao naorina.

Nitombo hatrany ny asa tao Cumaná. Tamin’ny 1995, dia nisy kongregasiona nandrobona 17, sy tontalin’isan’ny mpitory ny vaovao tsara 1 032.

Nanara-dia ny zokiny vavy

Rehefa nandao ny tany aminy tany Californie i Penny Gavette mba hanatrika ny Sekolin’i Gileada tamin’ny 1949, dia vao dimy taona monja i Eloise zandriny vavy. Nanaitra mafy an’i Eloise ny nataon’i Penny. Mahatadidy ho nieritreritra izy hoe: ‘Maniry ho tonga misionera koa aho rehefa lehibe.’ Samy dibo-kafaliana izy mirahavavy, tamin’ny 1971, rehefa notendrena ho misionera naman’i Penny tao Cumaná, i Eloise, izay nahazo diplaoman’i Gileada koa.

I Eloise, izay vadin’i Rodney Proctor, mpiandraikitra ny distrika, ankehitriny, dia mahatadidy ilay faritany nidadasika niasan’izy sy i Penny. “Rehefa avy niasa roa taona tao Cumaná izahay sy ny rahavaviko, dia nanapa-kevitra fa ho tianay ny haneho fiheverana kokoa an’ireo tanàna kely kokoa”, hoy izy mitantara. “Nahazo lalana tamin’ny sampana izahay mba hiasa ny tanànan’i Cumanacoa sy i Marigüitar, ary nandany andro na herinandro manontolo tany. Nafana be tany, ary tsy maintsy nandeha an-tongotra hatraiza hatraiza izahay. Tany amin’ireo toerana roa ireo, dia samy nisy groupes niforona.”

Tonga tany amin’ireo tanàna teny amin’ny sisin-tany ny vaovao tsara

Any amin’ny faritra atsinanan’ilay tany, dia misolo toerana an’ireo havoana boribory sy rakotra ala, eo atsimon’ny Ony Orinoco, ny lembalemba any avaratry ny sisin-tany amin’i Brezila. Ireo dia tany vatovary marin-tampona manaitra, izay mahatratra hatrany amin’ny 2 700 metatra ny haavony. Io faritra tsy misy mponina firy io no loharanom-bolamena sy diamondra lehibe indrindran’i Venezoela. Kanefa, misy harena karazany hafa tadiavina any amin’ireo tanàna kelin’io faritra io. Izany dia harena ara-panahy, “ireo zavatra faniry ao amin’ny firenena rehetra”. — Hagay 2:7NW.

Tamin’ny 1958, dia nisy antokona Vavolombelona dimy nandeha fiaramanidina kely nankeo amin’io faritra io. Nahapetraka gazety an-jatony maro tamin’ireo mponina indianina izy ireo. Efa ho 20 taona tatỳ aoriana, rehefa nankany Santa Elena niaraka tamin’antokona rahalahy avy tany Puerto Ordaz, i Alberto González, mpiandraikitra mpitety faritany, dia gazety 1 000 no voapetraka. Tsy nisy jiro ilay tanàna tamin’izay, nefa nampindrana groupe électrogène azy ireo ny rangahy iray, mba hahafahan’izy ireo hampiseho sary diapositives, ary ireo dia nankafizin’ny olona 500 tonga nanatrika. Avy eo, tamin’ny 1987, dia nisy mpisava lalana manokana roa, i Rodrigo sy i Adriana Anaya, tonga avy tany Caracas.

Ny antokom-pivavahana izay niditra tao amin’ireo faritra ireo talohan’izay, dia nametraka fanorenana izay nampiasain’ny Vavolombelona. Ny Katolika sy ny Advantista dia nampianatra an’ireo Indianina hiteny sy hamaky ny teny espaniola. Nitondra ny fandikan-tenin’ny Baiboly Valera, izay mampiasa hatrany hatrany ny anaran’Andriamanitra hoe Jehová, koa izy ireo.

Ny sasany tamin’ireo Indianina anefa dia nahatakatra fa ny Eglizy Katolika dia tsy naneho fahitsiana raha ny amin’ny fampianarana izay tao amin’ny Baiboly. Ohatra, ny ramatoa indianina iray, rehefa nianatra momba ny fomba fijerin’Andriamanitra ny sary, dia nihiaka hoe: “Endre ny fahasahian’izy ireo nilaza taminay hoe ratsy ny nivavaka tamin’ny masoandro ary koa hoe diso ny sampy indianina, nefa niaraka tamin’izay koa, ny sarin’ny Eglizy Katolika dia tsy nampifaly an’Andriamanitra ihany koa! Te hidina any amin’ny eglizy aho, mba hively an’ilay mompera amin’ny tsora-kazo, noho izy namitaka ahy izay ela be izay!” Noresena lahatra tsy hanao izany izy, nefa naneho am-bava ny fihetseham-pon’ny mponina maro tao amin’io faritra io.

Tia be an’ireo zavatra vita an-tsoratsika ireo Indianina any amin’io faritra atsimo amin’ny Fanjakan’i Bolívar io. Noho izy ireo tia ny natiora, dia voasarik’ireo sary miloko feno mampiseho ny zavatra noforonin’Andriamanitra, indrindra izy ireo. Mahaliana ny manatri-maso ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra iray. Mandray ilay boky eny an-tanany ilay Indianina, mitsapa azy, maka ny fofony, manokatra azy, misento amim-paharavoam-be, isaky ny sary miloko tsirairay, ary mingonongonona tenim-pankasitrahana amin’ny teny pemón. Indraindray dia may aoka izany izy ireo, ka maka zavatra vita an-tsoratra avy ao amin’ny kitapon’ilay mpisava lalana ary manomboka mizara azy ireo amin’ireo mpianakaviny. Tena mahay mandray vahiny ny olona eo an-toerana ary manolotra sakafo matetika ho an’ireo izay mitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana ho azy.

Tamin’ny Fahatsiarovana voalohany taorian’ny nahatongavan’ireo mpisava lalana manokana, dia olona 80 no teo. Ankehitriny dia misy kongregasiona iray any. Ny lovantsofina indianina lalim-paka anefa dia nahatonga ny fandrosoana hiadana.

Fandraisana tsara avy hatrany tany Amazonia

Ny faritr’i Amazonia eto Venezoela dia any amin’ny tapany atsimo-afovoany amin’ilay tany. Eo akaikin’ny sisin-tanin’i Kolombia no misy ny tanàna kelin’i Puerto Ayacucho. Izy io dia voahodidin’ny ala velona mikirindro feno biby mahavariana sy rian-drano maro.

Tany amin’ireo taona 1970, i Willard Anderson, mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia nitsidika an’i Puerto Ayacucho, fony tsy nisy afa-tsy mpitory fito tany. Faran’izay tsara no fahitany ny fandraisan’ny olona tao amin’ilay faritany; indray maraina izy dia nahapetraka boky 42. Nijery ny lafy tsaran-javatra ilay antokon’olona ka nametraka seza tokony ho 20, ho an’ny fampisehoana sary diapositives, nefa alao sary an-tsaina ny fahagagany sy ny haravoany, rehefa olona 222 no tonga! Misy kongregasiona miroborobo iray voaforona mpitory ilay Fanjakana maherin’ny 80 ankehitriny ao Puerto Ayacucho.

Indianina goajiro tao Zulia

Any amin’ny farany andrefan’i Venezoela no misy ny fanjakan’i Zulia. Ny mponina voalohany tao amin’io faritra io dia ny Indianina goajiro. Any amin’ny toerana sasany, toa an’i La Boquita, dia mipetraka ao anaty trano vita amin’ny tsihy zozoro voatenona, sy voaorina eo ambony tongo-kazo, izy ireo. Marevaka ny fombafombany sy ny fitafiany. Ireo lehilahy dia mitaingin-tsoavaly, tsy manisy na inona na inona amin’ny ranjony. Ireo vehivavy dia manao akanjo lava sy madera ary miendrika trano lay, ary ny kapany dia misy pompons volonondry lehibe.

Misy manana fironan’ny olona tahaka ny ondry hita eo anivon’ireo Indianina goajiro ireo. Ny fihetsik’izy ireo voalohany eo anoloan’ny hafatry ny Baiboly matetika dia somary mampiseho fahamalinana, satria efa nohararaotin’ireo antoko ara-pivavahan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana izy ireo. Misy mandray tsara anefa.

I Frank Larson, misionera iray, dia nampiditra ny iray tamin’ireo sarimihetsiky ny Fikambanana tao amin’ny tany goajiro. Nampandrenesina hoe hatao amin’ny fito ora hariva ny fampisehoana ilay sarimihetsika, nefa tsy nisy tonga. Kanefa, rehefa nalefa ny mozika salsa be mpitia iray tamin’ny kapila efa simba, dia olona 260 no tonga, ary dia nankafy ilay sarimihetsika izy ireo. Indray mandeha koa, dia olona maherin’ny 600 no tafangona mba handre lahateny iray nataon’i Mario Iaizzo, mpiandraikitra ny fizaran-tany iray.

Mpiavy, izay mizara amin-jotom-po ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly

Eto Venezoela, dia olona 1 ao anatin’ny 6 no vahiny. Tany amin’ireo taona 1950 indrindra indrindra, dia nisy mpiavy be dia be tonga avy tany Portogaly, Italia, Espaina ary ireo tany arabo. Matetika izy ireny dia tonga, zara raha nanam-bola, nefa arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia maro taminy no nanorina raharaham-barotra niroborobo. Olona tena miasa mafy izy ireo; ny fiainany dia feno fiahiana momba ny zavatra ara-nofo. Ho vokany, matetika dia sarotra ny mitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’izy ireny. Eo koa, mazava ho azy, ireo mpiavy avy tany amin’ireo tany hafa atỳ Amerika Atsimo, indrindra fa i Kolombia.

Eto Venezoela, ny iray tamin’ireo Vavolombelona nanana tantaran’ny zava-bita lava indrindra teo amin’ny fanompoana teokratika dia i Vilius Tumas, izay natao batisa tany Lituanie tamin’ny 1923. Tafita velona tamin’ireo andro maizin’ny fitondran’i Hitler tany Eoropa ny Rahalahy Tumas, ka nifindra nanketo Venezoela taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Hatreo amin’ny fahafatesany tamin’ny 1993, izy dia ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny fanompoana tamim-pahatokiana, ho an’ireo rahalahiny teto amin’ny tanànan’i La Victoria, ary loholon’ny kongregasiona izy teto.

I Remigio Afonso, tera-tanin’ireo Nosy Canaries, dia mpiandraikitra mpitety faritany eto Venezoela. Nifandray tamin’ny mpiavy hafa izy. Hitany fa ny sasany tao amin’ny fianakaviana iray dia mety ho tsy liana, fa ny hafa kosa tao amin’io fianakaviana io dia mety ho may handre ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ohatra, tany Cumaná, ny mpivady iray niteny arabo, izay nitantana raharaham-barotra iray, dia tsy naniry hihaino, fa ny zanany vavy kosa naniry hihaino. “Nasainy hitondra Baiboly ho azy aho”, hoy i Remigio mitantara. “Hoy aho hoe eny, nefa nanontany tena izy raha hitana ny teniko aho. Nanao fandaharana ny amin’ny andro sy ny fotoana izahay, ary dia nanao ezaka manokana aho mba ho tonga ara-potoana, zavatra izay nanaitra azy. Nandray ilay Baiboly izy, ary koa ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, ary natao ny fandaharana mba hanohizan’ny anabavy iray ilay fampianarana natomboko.

“Tsy ela taorian’izay, rehefa nitsidika kongregasiona iray tao Güiria aho, dia nahita lehilahy iray nipetraka teo am-baravaran’ny fivarotana iray teny ampitan’ny Efitrano Fanjakana, namaky boky iray nifono maitso. Nanaovany baiko moana mba ho eny aminy aho. Arabo no fiteniny ary nanontany ahy izy raha iray tamin’ireo bokintsika ilay novakiny. Tamin’ny teny arabo ilay izy, nefa tonga dia fantatro fa ny boky ‘Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina’ ilay izy. Nohazavainy fa nahazo azy io ho fanomezana tany amin’ny tany niaviany izy, ary koa fa tsy hampindrana na hivarotra azy io na tamin’iza na tamin’iza izy! Rehefa azoko antoka fa nahay namaky ny teny espaniola koa izy, dia nanolotra azy ny boky Fahamarinana, izay noraisiny avy hatrany, aho, ary dia nanomboka nianatra izahay. Tonga tany amin’ny fivoriana telo tamin’iny herinandro iny izy, ary namaly mihitsy aza tamin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana.”

Roa taona tatỳ aoriana, tany amin’ny fivoriamben’ny distrika iray tany Maracay, dia niarahaba ny Rahalahy Afonso ny lehilahy iray nitondra kitapo ary nanontany raha nahafantatra azy izy. “Izaho ilay rangahy tany Güiria”, hoy izy nanazava. “Natao batisa aho ary ankehitriny aho dia manana fampianarana Baiboly telo izay tarihin’ny tenako manokana.” Ny taona nanaraka, tany amin’ny fivoriamben’ny distrika iray tany Kolombia, rehefa avy nanana anjara iray tamin’ilay fandaharana ny Rahalahy Afonso, dia nisy ramatoa tanora iray nihazakazaka nankeny aminy, ny masony feno ranomasom-pifaliana ary nampahalala ny tenany ho ilay ankizivavy tany Cumaná izay nanaovany fanambarana. Nanazava izy fa izy koa dia Vavolombelona vita batisa. Fifaliana toy inona moa no entin’ny fanandraman-javatra toy izany!

Ny ohatra hafa iray ny amin’ny olona tonga avy tany an-tany hafa, ka nanao an’i Venezoela ho fonenany, ary nanatri-maso ny fandrosoan’ny asa, dia i Dyah Yazbek. Tadidiny izy nitory niaraka tamin’ny ray aman-dreniny sy ny rahalahiny ary ireo anabaviny tany amin’ireo vohitra sy tanàna tany Liban, izay naneken’ny rainy ny fahamarinana tany amin’ireo taona 1930. Kapoka mafy ho an’ny fianakaviana Yazbek ny nahafatesan’i Michel, ilay raim-pianakaviana, roa volana taorian’ny nahatongavan’izy ireo teto Venezoela; nefa, hoy ny tsaroan’i Dyah: “Nanohy tao amin’ny fahamarinana izahay ankizy sy i Neny, nanatrika ireo fivoriana tao amin’ny Kongregasiona Avaratra, tao Caracas. Natao batisa aho teo amin’ny faha-16 taonako ary nirotsaka tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana.” Ny fahavoazana ara-bola tao an-trano dia nitarika ho amin’ny fanajanonany ny fanompoan’ny mpisava lalana nataony rehefa afaka telo taona monja. Rehefa avy niasa teo amin’ny sehatry ny banky nandritra ny 28 taona anefa izy, dia nahatsapa fa teo amin’ny toerana tsara mba hialana tamin’ny asany, nefa tsy hitondra fatiantoka ho an’ny vadiny sy ireo zanany telo ary ny reniny, izay niara-nipetraka tamin’izy ireo. Nirotsaka ho mpisava lalana indray izy. Mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny ny Rahalahy Yazbek. Manao jery todika an’ireo efa ho 40 taona lasa izy, ka mahatadidy ny fivoriamben’ny distrika teto Venezoela tamin’ny 1956. Tany, vao voalohany, no nihoatra ny arivo ny isan’ny mpanatrika. “Ankehitriny”, hoy ny ambarany, “dia mihoatra ny iray hetsy ny tontalin’isan’ny mpanatrika amin’ireo fivoriamben’ny distrika.”

Manampy ireo mpiandraikitra mpitety faritany

Nandritra ny faramparan’ireo taona 1940, fony i Donald Baxter ny hany tao amin’ny biraon’ny sampana ary fony tsy nisy afa-tsy kongregasiona enina na fito teto amin’ilay tany iray manontolo, dia nitsidika ireny antokon’olona ireny ny Rahalahy Baxter, rehefa afaka nanao izany.

Kanefa, raha vao niverina avy tany Gileada tamin’ny 1951 i Rubén Araujo, 21 taona, dia notendrena hitsidika ireo kongregasiona sy groupes isolés nanerana ilay tany manontolo izy. Niakatra ho 12 ny isan’ny kongregasiona tamin’io taona io. Tsy nanana fiarakodia i Rubén ka nandeha aotobisy na taksiam-bahoaka ary indraindray dia fiaramanidina na lakana kely (chalanas), rehefa nitsidika toerana lavitra.

Mbola tadidiny ny fitsidihana iray nataony tamin’ny olona iray nanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tany akaikin’i Rubio, any amin’ny Fanjakan’i Táchira, tany akaikin’ny sisin-tanin’i Kolombia. Nilaza ny tompon’ilay toeram-pambolena fa soisa ny tenany ka tsy nahay namaky ny teny espaniola. “Fa afaka miresaka amin’ny vadiko ianao, satria tia ny Baiboly izy”, hoy izy. “Rehefa avy niresaka tamin’ny vadiny aho”, hoy ny tsaroan’i Rubén, “dia niantso ny reniny, izay ramatoa 81 taona, izy. Rehefa hitan’ny reniny ireo boky nananako, dia nanontany izy raha nisy nifandraisana tamin’ny boky Le divin plan des âges io asa io. Namiratra ny masony, ary nanjary feno fahataitairana izy. Nanontany izy hoe: ‘Izany hoe mahafantatra momba an’Atoa Rutherford izany ianao?’ Nandika ny teniny ho amin’ny teny espaniola ho azy ny zanany vavy, satria tsy nahay afa-tsy ny teny alemanina ilay ramatoa be taona. Nilaza izy fa namerimberina namaky ilay boky hatramin’ny nahazoany azy tamin’ny 1920. Nahita ny ‘Photo-Drame de la création’ sy nahare ny lahateny hoe ‘Olona An-tapitrisany Maro Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy’, koa izy. Roa ambin’ny folo taona talohan’izay, rehefa tonga teto Venezoela avy tany Soisa izy, dia tsy nahita Vavolombelona intsony. ‘Nalahelo mafy dia mafy anareo aho’, hoy izy. Nampiseho ny fifaliany izy tamin’ny fihirana hiran’ilay Fanjakana iray tamin’ny teny alemanina, ary dia niara-nihira taminy avy hatrany ilay hira tamin’ny teny espaniola aho. Nihira izahay, ny masonay feno ranomasom-pifaliana.”

I Keith sy i Lois West, nahazo diplaoman’ny kilasin’i Gileada faha-19, dia nandray anjara tamin’ny asan’ny fizaran-tany nandritra ny 15 taona. Tsy mora foana ny toe-javatra hitan’izy ireo. Ohatra tsara ny amin’izany ny fitsidihana an’i Monte Oscuro, any amin’ny Fanjakan’i Portuguesa. Hoy ny tenin’i Keith: “Noho ny oram-be halina, dia tsy afaka nandeha fiarakodia hatrany amin’ilay nantenainay haleha izahay, koa navelanay àry ilay fiara ary nandeha an-tongotra hatreo amin’ny renirano izahay. Nanala ny kiraronay izahay ka nandeha tao anaty rano nanohitra ny fandehan’ilay ony, ary avy eo dia voatery nananika ny tendrombohitra, izay nitondra anay tany amin’ilay Efitrano Fanjakana kely. Tsy nahita na iza na iza izahay. Hoy anefa ny rahalahy iray izay niaraka taminay: ‘Aza manahy, fa ho avy eo ry zareo.’ Nively jante metaly haingana izy, ka tamin’ny farany dia olona tokony ho 40 no tonga. Nanao ny lahateniko aho — lena aho, ny tongo-pataloako feno fotaka, sy ny hafa koa. Ny fitambaran’ilay renirano nangatsiaka sy ilay fananihana nafana hatrany amin’ilay efitrano ary ny fanaovako an’ilay lahateny nanao pataloa lena dia toa niteraka aretin-kozatra nanaintaina. Nisy fotoana taorian’izay naha-voatery ahy hila fanampiana rehefa niakatra sy nidina ny lampihazon’ny Efitrano Fanjakana, sy naha-voatery ahy hiala vizana matetika rehefa nitory.”

Ny filasiana isan-karazany matetika dia zava-tsarotra ho an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany. Imbetsaka no tsy misy rano ny trano. Ny tafo fanitso dia anisan’ny niteraka mari-pana teo anelanelan’ny 30 sy 40 degre tao amin’ny efitrano. Zavatra tsy fantatra mihitsy ny aromoka fanao amin’ny varavarankely sy ny varavarana, koa ny efitranon’ny tena — ary indraindray ny fandrianan’ny tena — dia niombonana tamin’ny biby teo an-toerana. Ary ny fomba fiaina tsy sarotiny sy tsy miolakolaka ary tia miaraka amin’olona ananan’ireo fianakaviana venezoelianina indraindray dia mitaky ny hanaovan’ny vahiny zatra ny fiainana mitokana kokoa, fanitsiana. Kanefa, ny toetra sariaka sy ny fahaiza-mandray vahinin’ireo Venezoelianina dia miavaka ary ny fitenenana hoe “Usted está en su casa” (Aza mihafahafa mihitsy) dia anisan’ny fiarahabana tonga soa azon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany eo am-pahatongavany.

Nasehon’ireo mpiandraikitra mpitety faritany nanerana an’i Venezoela rehetra ireo sarimihetsika sy sary diapositives-n’ny Fikambanana. Olona mpijery sinema be ny Venezoelianina. Noho izany, dia afaka manampo ny vahoaka betsaka indrindra foana ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Mipetraka amin’ny gorodona ny olona, na mijoro ao anatin’ny trano, na mijery avy any ivelany avy eo amin’ny varavarankely. Ny lehilahy liana iray dia faly nandoko fotsy ny ilan’ny tranony mba hahafahana hampiasa azy io ho toy ny efi-jery. Tao amin’ny vohitra kely iray tany an-tendrombohitra, any akaikin’i Carúpano, ny mpivarotra tsara fanahy iray dia nanome ny herin’aratra avy tao amin’ny fiasany (ny hany herin’aratra tao anatin’ny kilaometatra maro) ary koa ny efitra malalaka — ny kianja fampiadiany akoholahy. Nandefa karazan’afomanga izy avy eo, ho filazana fa tokony hidina ireo olona nipetraka teny amin’ny havoana. Dimy amby valopolo tamin’izy ireo no nidina, ka maro no nitaingina ny ampondrany. Sinema an-kalamanjana hafa kely ilay izy!

I Gladys Guerrero, any Maracaibo, dia miraiki-po manokana amin’ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadin’izy ireo. Rehefa teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha, tao amin’ny tanànan’i Punto Fijo, niaraka tamin’i Gladys, fony io mbola kely, indray andro i Nancy Baxter, vadin’ilay mpiandraikitra mpitety faritany, dia nahamarika fa tsy afaka niteny tsara ilay ankizivavy. Nanazava i Gladys fa zavatra nolovany tamin’ny fianakavian-drainy ilay izy. Na dia nizaka fanesoana be dia be aza izy, dia tsy afaka nanova ilay izy. Nanohina azy lalina anefa ny nanokanan’ny Anabavy Baxter fotoana hampianatra azy ny fomba fanononana marina ny teny sasany sy ny fomba famerimberenana azy ireny. “Novalian-tsoa ny faharetany”, hoy i Gladys. “Ankehitriny aho dia afaka miteny araka ny tokony ho izy.” Nisy hafa koa anisan’ny nitarika ho amin’ny fitomboan’i Gladys ara-panahy.

Nitoky tamin’i Jehovah izy ireo, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana

Misy mpisava lalana maherin’ny 11 000 eto Venezoela amin’izao fotoana izao. Maro amin’ireo no nanomboka, vokatry ny fampaherezana feno fitiavana avy tamin’ny hafa ao amin’ny fanompoana manontolo andro.

I Pedro Barreto dia nahazo fampaherezana toy izany. Tamin’ny 1954, ny mpiandraikitra ny sampana dia nanasa azy hirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana manokana, niaraka tamin’ny tovolahy telo hafa. I Pedro no zokiny indrindra, 18 taona. Inona no tokony hataony? “Tanora aho no sady tsy ampy fanandraman-javatra, ary tsy nahay nanasa na nipasoka akanjo akory. Raha ny marina, dia zara aho raha nahay nandro irery!”, hoy i Pedro mihomehy. Natao batisa vao tamin’ny taona talohan’iny izy. Rehefa avy niresadresaka tamin’ilay mpiandraikitra ny sampana nandritra ny adiny iray teo ho eo i Pedro, dia nandray ny fanapahan-keviny. Notendrena ho any Trujillo, renivohitr’ilay fanjakana mitovy anarana amin’izany, izy efatra mirahalahy. Ny mponina any, indrindra fa tamin’izay, dia voafatotry ny lovantsofina ary mpivavaka be. Nanao be dia be tamin’ny asa nametrahana fanorenana tany ireny mpisava lalana efatra ireny. Teo amin’ireo izay nitorian’izy ireo, dia nisy sasany tamin’ireo mponina ambony toerana kokoa, anisan’izany ny lehiben’ny paositra sy ny mpitsara tao amin’ny tribonalin’i Trujillo.

Indray andro, teo amin’ny kianja lehibe indrindra, ireo mpisava lalana efatra dia nifanehatra tamin’ny pretra katolika iray izay fantatra tsara teto Venezoela noho ireo lahatsoratra namely mafy sy nanendrikendrika ary tsy marina momba ny Vavolombelon’i Jehovah nataony tao amin’ny gazetim-pirenena. Rehefa nisy vahoaka niangona, dia nilaza tamin’ny olona ilay pretra mba tsy hihaino an’izay holazain’ireo tovolahy ireo, satria, hoy izy, nanakotaba ny filaminan’ilay tanàna ary tsy nahafaly ny rehetra izy ireo. Nampirisika mafy an’ilay vahoaka izy mba hitadidy fa ny finoan’ny olona dia an’ny Eglizy Katolika. “Tao anatin’ilay fisafotofotoana sy ilay tabataba”, hoy ny tsaroan’i Pedro, “dia niteny zavatra feno fandrahonana tamiko tamin’ny feo iva ilay mompera no sady nampiasa teny ratsy. Koa niteny tamin’ny feo avo tamin’ilay vahoaka àry aho hoe: ‘Renareo ve izay vao avy nolazainy teo? (...) nefa izy mompera!’, ary dia namerina ny sasany tamin’ireo zavatra noteneniny tamiko aho. Nihidy vazana izy avy eo nilaza hoe: ‘Mialà eo haingana, raha tsy izany dia hodakako hiala eto ianareo.’ Koa nilaza àry aho fa tsy hila hampiasa ny tongony izy, fa handeha izahay.”

Tonga tany an-tsofin’ilay mpitsara vao notononina tetsy aloha iny fisehoan-javatra iny. Nidera an’ireo mpisava lalana izy, ka nilaza fa tena talanjona noho ny amin’ny asa nataon’izy ireo ny tenany. Namaka tao Trujillo ny hafatra ny amin’ny fahamarinana notorin’ireny tanora be herim-po efatra ireny, ary tamin’ny 1995, dia nisy kongregasiona roa tao amin’ilay tanàna, ankoatra ireo kongregasiona sy groupes isolés any amin’ny ankamaroan’ireo tanàna sy vohitra manodidina.

I Arminda López, anabavin’i Pedro, dia mahatadidy fa tany amin’ny faramparan’ireo taona 1950, fony izy mpisava lalana tao San Fernando de Apure niaraka tamin’ny anabavy telo hafa, dia nanome azy ireo foana ny zavatra nilainy teo amin’ny fiainana i Jehovah, araka ny ampanantenainy fa hataony ho an’ireo izay mikatsaka ilay Fanjakana aloha. (Matio 6:33). Tamin’ny volana iray, dia tsy tonga tamin’ny fotoana nanantenan’izy ireo azy ny allocation-n’ny mpisava lalana manokana, ary efa tapitra ny volany. Foana ara-bakiteny ny fitoeran-tsakafony. Mba tsy hahatsapana ny filelalelan’ny ambavafony, dia nanapa-kevitra ny hamonjy fandriana aloha be izy ireo. Tamin’ny 10 ora alina, dia nandre olona nandondòna teo amin’ny varavarana anoloana izy ireo. Nijery avy teo am-baravarankely izy ireo, ka nahita lehilahy iray izay nampianarin’izy ireo ny Baiboly. Niala tsiny izy noho ny andro efa alina be, nefa nilaza fa vao tafaverina avy tamin’ny dia iray ary nitondra zavatra sasany izay noheveriny fa ho azon’izy ireo ampiasaina — baoritra iray feno voankazo sy legioma ary entana hafa! Hadino avokoa ny eritreritra rehetra ny ho any am-pandriana, ary nanjary toy ny tranon-tantely tampoka teo ny lakozia. “Tsy maintsy ho i Jehovah no nanosika an’ilay rangahy ho tonga tamin’iny alina iny”, hoy i Arminda, “satria efa nalamina hatao ny ampitson’iny ny fianarany ary afaka niandry tsara mandra-pahatongan’izay izy.” Mbola mpisava lalana maharitra ihany i Arminda, saingy any Cabimas izy ankehitriny.

Eo amin’ireo mpisava lalana be zotom-po, dia toa saika tsy misy zava-manahirana lehibe loatra. Ny taona, ny tsy fahasalamana, na ny mpianakavy manohitra dia tsy voatery ho vato misakana tsy azo resena. Na dia tena manana solontena eo amin’ny laharan’ny mpisava lalana aza ny tanora — teo am-piandohan’ny 1995 dia nisy mpisava lalana maharitra 55 teo anelanelan’ny 12 sy 15 taona — dia tsy izy irery velively akory no ao amin’io sampam-panompoana io. Anabavy maro izay tsy Vavolombelona ny vadiny, no mifoha aloha be isa-maraina mba hanomanana ny sakafo sy hikarakarana ireo zanany sy ny raharahany ao an-trano, mba hahafahany hihaona amin’ilay antokon’olona hanao fanompoana eny amin’ny saha isan’andro, ary hitarika fampianarana Baiboly, nefa koa tsy hanao tsirambina ireo adidiny amin’ny maha-vehivavy manambady azy.

Misy rahalahy manambady aman-janaka koa manamboatra ny asa aman-draharahany ary maharaka amim-pahombiazana ny fandaharam-potoanan’ny mpisava lalana. I David González dia nanomboka ny asan’ny mpisava lalana, fony izy tovolahy mpitovo tamin’ny 1968. Tatỳ aoriana, dia mpisava lalana manokana niaraka tamin’i Blanca vadiny izy, mandra-piterak’izy ireo. Ankehitriny izy sy ny vadiny ary koa ny zanany vavy iray dia mpisava lalana maharitra. Miaraka amin’ny fiantsorohana andraikitra mifandray amin’ireo zanany telo, dia loholona koa izy no sady mpiandraikitra ny fizaran-tany mpisolo toerana tsy tapaka. Ahoana no hetezan’izany? Milaza izy fa afaka manao izany amin’ny fanaovana sorona zavatra ara-nofo tsy ilaina sy amin’ny fananana fandaharam-potoana tsara. Mahazo ny fiaraha-miasa fenon’ny vadiny koa izy.

Avy eo, dia eo koa ireo izay efa zokiolona, izay niova ny toe-javatra misy azy ary afaka mieritreritra ny hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana ankehitriny. Tafiditra amin’izany ireo izay efa lehibe ny zanany, sy ny hafa izay misotro ronono. Eo koa ny sasany tahaka an’i Elisabeth Fassbender. I Elisabeth, teraka tamin’ny 1914, dia natao batisa tany Alemaina taorian’ny ady, talohan’ny niaviany teto Venezoela tamin’ny 1953, niaraka tamin’ny vadiny tsy mpino. Nandritra ny 32 taona izy dia niaritra fanoherana mafy mandra-pahafatin’ny vadiny tamin’ny 1982. Teo amin’ny faha-72 taonany, sady malalaka izao ny lalana mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fomba feno kokoa, dia notanterahin’i Elisabeth ny faniriany hatramin’ny ela, tamin’ny firotsahana ho mpisava lalana maharitra.

Ny zavatra iray izay tsy isalasalana fa anisan’ny nitarika ho amin’ny toe-tsain’ny mpisava lalana mahomby eto Venezoela dia ny tsy fahitana, amin’ny ankapobeny, fomba fiaina tia fatratra ny zavatra ara-nofo eo amin’ny ankabeazan’ireo rahalahy. Ny ankamaroan’izy ireo dia tsy voafandriky ny ady atao tsy an-kijanona mba hahazoana haitraitra ho an’ny tranony na mba hahazoana vola hanaovana vakansy lafo vidy. Noho ny tsy fisian’ireo adidy ara-bola tsy ilaina ireo, dia mpanompon’i Jehovah mihamitombo isa no mahita fa azony atao tsara ny mahazo ireo tombontsoan’ny mpisava lalana.

Saha mamokatra volena

Ny Venezoelianina amin’ny fitambarany dia vahoaka mandefitra sy manaja ny Baiboly; milaza ho mino an’Andriamanitra koa izy ireo, ka vitsy dia vitsy no maningana. Ny famoretana nampiharin’ny Eglizy Katolika fahiny dia nihanihena, ka olona maro tso-po nefa tsy sambatra, ao amin’ireo paroasy, no mitodika any an-toeran-kafa mba hahafa-po ny tenany amin’izay ilainy ara-panahy. Ny fitsabahan’ny eglizy amin’ny politika sy ny fanaovan-dratsy ataon’ny pretra sasantsasany izay manjary afa-tsarona tsindraindray, dia tsy manampy velively mba hahazoan’ny eglizy fanohanana.

Tsy isalasalana fa ireo anton-javatra rehetra ireo dia anisan’ny manamora ihany ny fahafahana manomboka fampianarana Baiboly eto. Tamin’ny Aogositra 1995, ireo Vavolombelon’i Jehovah 71 709 eto Venezoela dia nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano maherin’ny 110 000. Tsy sarotra ho an’ny mpitory iray izay mitory tsy tapaka sy malina tsara manolokolo ny fahalianana, ny manomboka fampianarana Baiboly mandroso. Amin’ny ankapobeny, ireo mpianatra dia manatrika ireo fivoriana ary manao fiovana haingana mba hifanaraka amin’ireo fepetra marina takin’i Jehovah.

Tamin’ny 1936, dia tsy nisy afa-tsy mpitory ny vaovao tsara roa namerina tatitra momba ny asa teto Venezoela. Tamin’ny 1980, dia 15 025 ny isan’ny mpitory. Dimy ambin’ny folo taona atỳ aoriana, dia nihoatra ny 71 000 ny tontalin’isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Tamin’ny 1980, dia tsy nisy afa-tsy kongregasiona 186 teto amin’ilay tany iray manontolo. Ankehitriny dia misy 937 izy ireo. Ary ny isan’ireo izay tia sy manompo an’i Jehovah dia mitombo hatrany.

Fotoana hanorenana

Noho ny fitomboana miavaka eo amin’ny isan’ny mpitory tato anatin’ireo taona faramparany, dia Efitrano Fanjakana maro no tsy manana toerana sahaza ho an’ireo izay tonga amin’ny fivoriana. Ny vidin’ny tany, indrindra fa eny afovoan-tanàna, dia tsy ahafaha-mividy. Ao Caracas dia misy kongregasiona 140 amin’izao fotoana ankehitriny izao, ary lafo dia lafo ny tany, ka tsy mahalana no ahitana kongregasiona lehibe dimy samy feno hipoka, mampiasa toerana iray ihany. Amin’ny alahady, izany dia manome zava-mahaliana hojeren’ny mpifanila trano, rehefa milahatra mivoaka ny kongregasiona iray aorian’ny fivoriany, ary mandroso miditra kosa ny iray hafa, ka tsy an-kijanona ny fifandraisan-tanana sy ny fifanorohana rehefa mifampiarahaba ireo rahalahy sy anabavy. Maro no voatery mijoro mandritra ireo fivoriana, ary matetika no tsy ampy ny fidiran’ny rivotra. Tena ilaina mafy ny hisian’ny Efitrano Fanjakana fanampiny, ary noho ny fanampian’ny Famoriam-bola foibe ho an’ny Efitrano Fanjakana eto Venezoela, dia manomboka mihamisy ezaka atao mba hiatrehana io zavatra ilaina io.

Na dia voafetra aza ny vola, ny fahalalahan-tanan’ireo rahalahy dia nahafahana nanorina ny Efitrano Fanaovana Fivoriambe voalohan’i Venezoela tany Cúa, any amin’ny Fanjakan’i Miranda. Manome tsipiriany sasany i Dyah Yazbek, izay anisan’ilay komitin’ny fanorenana. “Tojo zava-nanahirana sasany ny fanorenana ilay efitrano tany Cúa taorian’ny taona voalohany, rehefa tafatsangana ny rafi-trano nefa mbola nisy asa hafa tsy vita, ka tsy ampy ny vola teo am-pelatanana. Tamin’ny 12 Oktobra 1982, dia niara-nivory tamin’ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana teo an-toerana izahay ka nampiseho ilay tarehin-javatra tamin’izy ireo, ary nangataka azy ireo indray kosa mba hitsapa ny fahafahan’ireo rahalahy tany amin’ireo kongregasiona. Ho vokatr’izany, telo volana tatỳ aoriana, dia akory ny fahagaganay, raha vola 1,5 tapitrisa bolivars no fanomezana azo — vola tsy toko tsy forohana tamin’izany andro izany. Izany dia nanampy anay hamita ilay tetik’asa, anisan’izany ny fametrahana climatiseurs sy seza mampiadana. Ilay efitrano dia hita ho tena fitahiana ho an’ireo fizaran-tany 11 mampiasa azy io amin’izao fotoana ankehitriny izao.” I Venezoela ankehitriny dia manana Efitrano Fanaovana Fivoriambe roa, ka ilay faharoa dia any Campo Elías, any amin’ny Fanjakan’i Yaracuy.

Tranon’ny sampana tsara kokoa

Komity misy rahalahy matotra enina ankehitriny no mitantana ny asa sahanin’ny sampana. Izany dia i Teodoro Griesinger, i Keith West, i Stefan Johansson (mpampifandrindra ao amin’ny Komitin’ny Sampana amin’izao fotoana izao), i Eduardo Blackwood (izay iray amin’ireo mpiandraikitra ny distrika efatra koa), i Dyah Yazbek (mpisava lalana maharitra sady raim-pianakaviana), ary i Rafael Pérez (mpiandraikitra ny fizaran-tany).

Rehefa nitombo ny asa teny amin’ny saha, dia nilaina koa ny nanitatra ny tranon’ny sampana. Rehefa nitsidika an’i Venezoela ny Rahalahy Knorr sy Henschel tamin’ny Novambra 1953, dia notondroin’ny Rahalahy Knorr fa ho tsara ny hividianan’ny Fikambanana ny toerany manokana hatao tranon’ny misionera sady biraon’ny sampana. Trano lehibe sy vaovao ary nisy rihana no hita tao amin’ny faritra mangina sy mihajan’i Las Acacias, ao Caracas. Nifindra honina tao Quinta Luz ny fianakavian’ny sampana sy ny misionera tamin’ny Septambra 1954, ary dia niasa tao ny sampana nandritra ny 22 taona.

Rehefa nitombo ka nihoatra ny 13 000 ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, dia nifindra tao amin’ny trano vaovao indray ny sampana — ka tamin’itỳ indray mandeha itỳ dia teto amin’ny tanànan’i La Victoria teo akaiky, atỳ amin’ny Fanjakan’i Aragua. Io fitambaran-trano vaovao kanto dia kanto io dia toa tena goavam-be raha noharina tamin’ilay sampana teo aloha, ary sarotra ho an’ny sasany ny naka sary an-tsaina hoe hampiasaina amin’ny fomba feno izy io. Tamin’ny 1985 anefa, dia novitaina sy notokanana ny tapany vaovao iray, satria efa kely loatra sahady ilay tapany teo aloha.

Tao anatin’ny taona vitsivitsy, dia nanjary kely loatra indray ilay sampana, ary tamin’ny 1989, dia nisy tany fanaovana fanorenana faran’izay tsara 14 hektara novidina mba hanorenana tranon’ny sampana vaovao. Efa vita ny asa voalohany, ary antenaina fa ho vita amin’ny hoavy tsy ho ela ilay trano vaovao.

“Aoka ho avy izay mangetaheta”

Rehefa nadiva hahavita ny fanoratany ny bokin’ny Apokalypsy ny apostoly Jaona, dia nataon’i Jesosy Kristy izay hampidirany an’izao manaraka izao: “Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 22:17). Io fanasana feno hatsaram-panahy io dia natolotra ny vahoakan’i Venezoela nandritra ny 70 taona teo ho eo izao. Mihamafy kokoa noho ny hatramin’izay izy io, ka tonga hatrany amin’ny faritra rehetra amin’ilay tany — ary mitondra vokatra tsara.

Tsy nampiadana ny asa ny fitomboan’ny heloka bevava. Ireo trano sy appartements, dia misy bara vy eo amin’ny varavarana anoloana, ka saika tsy misy maningana, ary indraindray dia voaravaka rojo matevina na kadanà lehibe. Loza mandrahona tsy an-kijanona ny fanendahana, na dia amin’ny antoandrobenanahary aza. Ireo Caraqueños (mponin’i Caracas) indrindra indrindra no mitandrina mba tsy hanao firavaka volamena na famantaranandro lafo vidy rehefa eny amin’ny arabe. Ireo mpizaha tany tsy mailo matetika no lasibatr’ireo mpanendaka. Rehefa mitory any amin’ny faritra mahantra amin’ilay tanàna ireo rahalahintsika dia tsy maintsy maneho fitandremana lehibe. Mazàna, ny Vavolombelon’i Jehovah dia hajaina. Kanefa, nisy antokona mpitory iray manontolo nambanana basy ary nasaina nanome ny famantaranandrony sy ny volany ary ny firavany. Tsy nisy fiantraikany teo amin’ny zotom-pon’ireo rahalahintsika any amin’ireny faritra mampidi-doza anefa izany, ary dia fanambarana feno no atao.

Nitondra soa ho an’ny karazan’olona rehetra ny fanambarana ny vaovao tsara tamim-paharetana sy tamim-pikirizana. Ny injeniera iray sy ny fianakaviany tao Maracaibo dia nanda mafy ny ezaka nataon’ireo Vavolombelona mpifanila trano taminy tsara fanahy mba hiresaka momba ny Baiboly tamin’izy ireo, ary nandritra ny 14 taona, dia tsy nihoatra ny fifampiarahabana tamim-pahalalam-pomba mihitsy ny resaka teo amin’ireo fianakaviana roa. Avy eo, indray andro tamin’ny taona 1986, dia niresaka teo amin’ny fefy tamin’ny zanakavavy kelin’ireo mpifanila trano ny zanakalahin’ireo Vavolombelona, izay dimy taona. Rehefa nifarana ny resak’izy ireo, dia hoy ilay ankizilahy kely: “Raha omen’ny dadanay ny boky Création ny dadanareo, dia hahita fa i Jehovah no nanao antsika.” Ny ampitso maraina, dia nihevitra ny rainy fa angamba tian’i Jehovah ny hanandramany indray hiresaka tamin’ilay mpifanila trano taminy, ka nankeny am-baravarany izy ary nitantara ilay resak’ireo ankizy. “Koa amin’ny anaran’ny zanako lahy àry”, hoy izy, “dia ho tiako ny hanekenao itỳ boky hoe Création itỳ ho fanomezana.” Gaga ilay rahalahy, roa andro tatỳ aoriana, rehefa tonga tao an-tranon’ireo Vavolombelona io mpivady io, nangataka famelan-keloka noho ny fihetsiny tsy nety nilefitra teo aloha ary naneho fankasitrahana noho ilay boky mahatalanjona. Natomboka ny fianarana ny Baiboly, ary ankehitriny io mpivady io sy ny zanany roa voalohany dia Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena sy batisa.

Tany Barquisimeto, i Ana dia nanda an’ireo Vavolombelona foana rehefa tonga teo am-baravarany izy ireo. Mpivavaka nafana fo tao amin’ny antokom-pivavahan’i María Lionza izy, ary tamin’ny naha-izany azy, dia nandray anjara tamin’ny fanao nisy spiritisma. Naniry mafy ny ho afaka tamin’ireny zavatra izay nanandevo azy ireny anefa izy. Nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy hanova ny fomba fiainany. Tsy ela taorian’izay, dia tonga teo am-baravarany ny Vavolombelon’i Jehovah iray, i Esther Germanos. Tsy afaka ny tsy hanontany tena i Ana raha nisy nifandraisany ny vavaka nataony sy ny fitsidihan’ilay Vavolombelona. Nanaiky fampianarana Baiboly tsy tapaka izy, nanomboka nanatrika fivoriana, tsy ela dia nilaza tamin’ireo mpanofa tranony naloto fitondran-tena mba hifindra trano, nanadio ny tranony tsy hisy ireo zavatra nifandray tamin’ny spiritisma intsony, nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah tamin’ny 1986, ary rehefa ela ny ela dia nahazo ilay fahafahana izay ny fahamarinana ihany no afaka mitondra azy!

I Hernán dia anisan’ny antokon’olona iray izay nanaraka fombafomba nisy spiritisma, sy nihevitra ny fahalotoam-pitondran-tena teo amin’ny lahy sy ny vavy ho azo nekena, ary nampiasa alkaola izaitsizy nandritra ireo fombafomba ara-pivavahana mba “hanatanjahana ny fanahy”, araka ny nilazan’izy ireo azy. Rehefa tonga voalohany tao amin’ny Efitrano Fanjakana izy, dia nihaino izay nolazaina ary avy eo dia nandeha nivantana tany amin’ny fiangonany ka nanao lahateny nitovy tamin’izany. Rehefa avy nanatrika fivoriambe iray anefa izy, dia nanomboka nandray izay nianarany ho zava-dehibe kokoa. Avy eo, indray alahady tamin’ny taona 1981, rehefa tonga tany am-piangonana izy, dia nahita an’ilay nantsoin’izy ireo hoe reny ara-panahy nandoa vory. Nilaza taminy ny hafa fa azon’i Satana Devoly izy io. Tsy niverina tany intsony mihitsy izy. Ny taona nanaraka izy dia natao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah. Mpisava lalana maharitra ankehitriny izy sy ny vadiny ary ny zanany lahimatoa.

Ny ankohonana Martínez dia nadiva ho rava. Nandrahona tsy an-kijanona ny fisaraham-panambadiana. Ireo ankizy dia nanararaotra ilay tarehin-javatra. Nitady fampiononana tamim-pamoizam-po ilay ramatoa, ka nitady ny Vavolombelon’i Jehovah iray izay niresaka taminy momba ny Baiboly taloha, ary dia natomboka ny fianarana, nefa tsy fantatry ny vadiny. Nandritra izany fotoana izany, tany am-piasana, ny sekreteran’ilay rangahy dia nanao fanambarana taminy, ary natao ny fandaharana mba hiarahany nianatra tamin’ny iray tamin’ireo loholona. Tsy ela dia nanapa-kevitra ny hizara tamin’ny vadiny ireo zavatra nianarany avy tamin’ny fianarany ny Baiboly izy. Fahagagana toy inona moa rehefa fantany fa izy koa dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana hafa iray! Nanomboka tamin’io fotoana io, ny fiaraha-nianatra ny Baiboly sy ny fanatrehan’ilay fianakaviana fivoriana dia nanjary fahazarana tao amin’ny fiainam-pianakavian’izy ireo. Io fianakaviana io, izay nadiva ho rava, dia manompo an’i Jehovah amim-pifaliana sy amim-piraisan-tsaina ankehitriny.

I Beatriz dia nanonofinofy nandritra ny fiainany manontolo ny hahazo ny hevitry ny Baiboly. Nanambady izy, ary niaraka tamin’ny vadiny, dia nifindra honina tao Caracas, ka tao dia nanjary anisan’ny sarangan’olona ambony. Tao amin’io renivohitra io izy, dia nanjary ninamana tamin’ny rangahy antitra iray izay niala tsy ho pretra, satria tsy afaka nitovy hevitra tamin’ireo fampianarana fototry ny eglizy. Indray mandeha, dia hoy ilay rangahy taminy: “Ny hany batisa manan-kery dia ny fandrobohana tanteraka toy ny ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.” Taona maro tatỳ aoriana, i Beatriz, izay nisaraka tamin’ny vadiny, dia niatrika zava-nanahirana manokana nampahory azy. Feno famoizam-po izy ka nivavaka tamin’Andriamanitra. Indray alina indrindra indrindra — ny 26 Desambra 1984 — dia nandany ora maro nivavahana izy. Ny ampitso maraina, dia naneno ny sonnerie teo am-baravarana. Sosotra izy, nijery teo amin’ny judas teo amin’ny varavaran’ilay appartement-ny ary nahita olona roa nitondra kitapo. Tsy faly izy fa nohelingelenina, ka niantso toy izao avy tao ambadiky ny varavarana, toy ny hoe ilay mpanampy tao an-trano ny tenany: “Tsy ato i Madama, ary tsy afaka manokatra ny varavarana aho.” Talohan’ny nandehanan’izy ireo, dia nanatsofoka taratasy fanasana tao ambany varavarana ilay mpivady. Noraisin’i Beatriz ilay izy. “Fantaro ny Baibolinao”, hoy ilay izy. Nitamberina tao an-tsainy ny tenin’ilay pretra taloha efa antitra. Sao dia Vavolombelon’i Jehovah, dia ireo olona noresahiny, àry ireny mpitsidika ireny? Sao dia nifandray tamin’ireo vavaka nataony halina àry ny fitsidihan’izy ireny? Nanokatra ny varavarana izy, nefa efa lasa izy ireo. Niantso azy ireo avy teo an-tohatra mba hiverenany izy, niala tsiny noho ny fihetsiny teo am-boalohany ary nanasa azy ireo hiditra. Natomboka avy hatrany ny fianarana Baiboly, ary fotoana kelikely tatỳ aoriana i Beatriz dia natao batisa ho Vavolombelona Kristian’i Jehovah. Faly izy satria, rehefa ela ny ela, dia nahatanteraka ny faniriany nandritra ny androm-piainany rehetra, ka ankehitriny izy dia mandany ampahany lehibe amin’ny fotoanany anampiana ny hafa hahafantatra ny Baiboliny.

Noho ny fitahian’i Jehovah, dia mitombo haingana ireo kongregasiona. Feno tanteraka sy hipoka ireo Efitrano Fanjakana. Misy kongregasiona vaovao foana miforona. Mitombo izaitsizy ny isan’ireo mpitory ilay Fanjakana, ary koa ny laharan’ireo mpanompo manontolo andro. Ny isan’ny mpanatrika be dia be amin’ny Fahatsiarovana sy ny fivoriamben’ny distrika dia manondro fa maro hafa koa no hanatevin-daharana anay mba hanao fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah alohan’ny faran’itỳ fandehan-javatra itỳ.

Rehefa manamafy ny fanaovany fanambarana any amin’ireo tanàn-dehibe, vohitra, lemaka ary tendrombohitr’i Venezoela ny Vavolombelon’i Jehovah, ka mahita ireo vokatra miavaka, dia mahatsiaro ny tenin’ny apostoly Paoly manao hoe: “Tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.” — 1 Kor. 3:7.

[Sary, pejy 186]

[Sary, pejy 194]

Rubén Araujo, iray tamin’ireo Venezoelianina voalohany tonga Vavolombelona vita batisa

[Sary, pejy 199]

Inez Burnham, Ruby Dodd (Baxter ankehitriny), Dixie Dodd ary Rachel Burnham niala tao New York tamin’ny 1949. Talohan’ny niaingan’ilay sambo, dia samy salama tsara ny tsirairay!

[Sary, pejy 200, 201]

Ny sasany tamin’ireo misionera izay nanompo tao amin’ny saha venezoelianina nandritra ny taona maro: 1) Donald sy Ruby Baxter, 2) Dixie Dodd, 3) Penny Gavette, 4) Leila Proctor, 5) Ragna Ingwaldsen, 6) Mervyn sy Evelyn Ward, 7) Vin sy Pearl Chapman

[Sary, pejy 207]

Quinta Luz

[Sary, pejy 208]

Eto ambony: Milton Henschel manao lahateny amin’ny fivoriamben’ny distrika ao amin’ny Club Las Fuentes, tamin’ny 1958

Eto ambany: Nathan Knorr (ankavia) miaraka amin’i Teodoro Griesinger, mpandika teny, tamin’ny 1962

[Sary, pejy 227]

Tamin’ny 1988, dia olona maherin’ny 74 600 no nameno hipoka ny kianja fanaovana tolona omby tany Valencia, mba hanatrika fandaharana manokana iray

[Sary, pejy 236]

Ny sasany tamin’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany na distrika (miaraka amin’ny vadiny avy): 1) Keith sy Lois West, 2) Alberto sy Zulay González, 3) Casimiro Zyto, 4) Lester sy Nancy Baxter, 5) Rodney sy Eloise Proctor, 6) Remigio Afonso

[Sary, pejy 244]

Ny sasantsasany amin’ireo izay manana tantaran’ny zava-bita lava teo amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana: 1) Dilia de Gonzáles, 2) Emilio sy Esther Germanos, 3) Rita Payne, 4) Ángel Maria Granadillo, 5) Nayibe de Linares, 6) Irma Fernández, 7) José Ramon Gomez

[Sary, pejy 252]

Eto ambony: Biraon’ny sampana ao La Victoria

Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia miankavanana): Dyah Yazbek, Teodoro Griesinger, Stefan Johansson, Keith West, Eduardo Blackwood, ary Rafael Pérez