Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Bénin

Avy tao Bénin, atsy Afrika Andrefana, dia olona an’arivony maro no namidy ho andevo teo anelanelan’ny taonjato faha-17 sy faha-19. Ireo izay nijanona teo an-toerana kosa anefa dia voahazona tao anatin’ny endriky ny fanandevozana vao mainka faraidiny. Ireo izay niezaka hanome fanampiana, tamin’ny fampianarana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia nampiharana fandrarana naharitra 14 taona. Vakio io tatitra nataon’ny olona nanatri-maso io, mba hahafantarana izay nitranga fony nampiharina ilay fandrarana, sy izay niseho nanomboka tamin’ny fotoana nanesorana azy.

Brezila

Ny ankamaroan’ny Breziliana dia milaza tena ho katolika, ary ny ampahany lehibe amin’ireo dia mirona koa ho amin’ny spiritisma. Hatramin’ny 50 taona lasa izay, ny ankabeazan’izy ireo dia mbola tsy nahita Baiboly mihitsy. Ankehitriny anefa, ny mponina manerana an’i Brezila dia omena fahafahana mba hijeren’ny tenany manokana izay raketin’ny Tenin’Andriamanitra. Ary ny sasany tamin’ireo fivoriambe lehibe indrindran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny, dia natao tany Brezila.

Mikronezia

Efa mba naniry ny hitsidika an’i Mikronezia ve ianao? Andao hiaraka aminay hitety ireo nosy ireo. Ho hitanao fa sariaka ny olona any. Mety hahatonga anao hieritreritra paradisa ny hakanton’ny nosin’izy ireo. Kanefa, rehefa mijery akaiky kokoa ianao, dia hahatakatra hoe nahoana, eto koa, ny olona no mila ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hifankahita amin’ireo izay miezaka mafy mba hilaza izany amin’izy ireo, koa ianao.