Bénin
Bénin
Volana Aprily 1976 tamin’izay. Nisy miaramila nitana basy marovava nikapokapoka teo am-baravaran’ny Trano Betela. “Mivoaha hiaraka aminay amin’ny fananganan-tsaina!”, hoy ny notakin’ilay komandà. Nihiakiaka teny faneva politika ny vahoaka mpitabataba iray.
Tao an-trano, ireo misionera dia nanohy ny fiarahany nandinika ny andinin-teny ara-baiboly ho an’ny andro, araka ny fanaony. “Ny herin’ny lanitra hohozongozonina”, hoy ilay andinin-teny tao amin’ny Soratra Masina nodinihina. (Matio 24:29). Loharanom-pampaherezana toy inona ho an’ireo misionera moa izy io tamin’iny maraina iny! Teny ivelany, ireo miaramila dia nanangana ilay saina teo an-tokotanin’ny biraon’ny sampana. Nibodo an’ilay toerana izy ireo!
Tsy ela ireo miaramila dia nandidy an’ireo misionera rehetra mba hivoaka. Tsy navela hitondra afa-tsy ireo zavatra manokana azony nentina tao anaty vatany izy ireo. Tsy nisy hataka andro, ireo misionera dia nampakarina tao anaty kamiaonetin’ny Fikambanana, ary narahina rehefa nivoaka an’ilay tany.
Rehefa nandao ny tokotanin’ny Betela ilay kamiaonety, dia nisy rahalahy tanora iray nitaingina bisikilety nahatratra azy ireo. “Fa maninona? Fa entin-dry zareo ho aiza ianareo?”, hoy izy nanontany. Nanome baiko tanana azy handeha ireo misionera sao ho voasambotra eo koa.
Inona no nitarika ho amin’ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah teto Bénin? Ahoana no nahafahan’ireo
Vavolombelona teto an-toerana nitoetra ho matanjaka ara-panahy nandritra ireny 14 taona sarotra ireny? Niverina ve ireo misionera? Ary raha vao nesorina ireo fameperana tamin’ny farany, ahoana no nampiasan’ireo Vavolombelon’i Jehovah teto Bénin ny fahalalahany vaovao?Izao no atao hoe Bénin
Tany iray toy ny bikan’ny lavaka fampidirana lakile, voatery eo anelanelan’i Togo sy i Nizeria, eo amoron-tsirak’i Afrika Andrefana — io no atao hoe Bénin. Mety hahafantatra azy amin’ny anarany taloha hoe Dahomey ianao. Ny olona eto dia be fitiavana sy sariaka, ary ny toetr’andro, mahafinaritra. Na dia misy fiteny maherin’ny 50 ampiasain’ny foko 60 eo ho eo aza eto an-toerana, dia ny teny frantsay no tenim-pirenena.
I Bénin dia toerana ahitana lapa kely sy fanjakana afrikana tranainy. Ao amin’ny farihy amoron-dranomasina manga no misy an’i Ganvié, tanàna mitsinkafona antsoin’ny sasany hoe Venise-n’i Afrika. Ao ireo lalana dia renirano ary ny taksia dia lakana milokoloko. Misy valam-pirenena roa, ny Pendjari sy ny “W”, hita any amin’ny faritra avaratr’ilay tany, ary any dia ahitana liona, elefanta, gidro, lalomena ary biby hafa mirenireny amin-kalalahana ao amin’ilay tany lava volo. Any atsimo, dia misy palmie adoladolan’ny rivo-dranomasina.
Kanefa, ny fiainana indraindray dia nampijaly mafy ny vahoaka teto. Tany am-piandohan’ny taonjato faha-17, i Kpassè, mpanapaka ny fanjakan’i Houéda, dia nifandray ara-barotra tamin’ny Frantsay sy ny Anglisy ary ny Portogey mpanao varotra andevo. Ho takalona fitaovana madinika sy fiadiana, dia nivarotra ny rahalahiny io mpanjaka tsy nanana antra io. Naondrana an-tsambo tao Gléhoué, izay antsoina ankehitriny hoe Ouidah, izy ireo, ary nentina tany Haïti sy Antilles néerlandaises ary Amerika. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-17 ary nitohy hatramin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19 ny varotra andevo. Avy eo, rehefa ela ny ela, dia nofoanana izy io tany amin’ny tany maro.
Tany am-piandohan’ny taonjato faha-20 anefa no nananan’ny olona teto Bénin fahafahana voalohany hovotsorana tamin’ireo gadran’ny karazana fanandevozana lozabe kokoa — ny
fanandevozan’ny fivavahan-diso amin’ny endriny maharikoriko rehetra. Eto Bénin, izy io dia mahafaoka ny Vaudou.Toerana nipoiran’ny Vaudou
Ny animisma no fivavahan-drazana, ary eo amin’ireo animista eto, ny andriamanitra heverina ho fara tampony dia i Mahou. Misy andriamanitra manarakaraka, na hoe vaudous, maro be misolo tena azy, ary ireo dia tolorana fanatitra amin’ny andro fety sasany. Ohatra, i Hébiosso dia andriamanitry ny kotroka, ary i Zangbeto dia andriamanitra voalaza fa miaro ny sahan’ny tantsaha amin’ny alina. Mbola ambany kokoa noho ireo vaudous ireo aza ireo andriamanitra lefitra, dia izay inoana koa ho fanahin’ireo maty. Noho izany, dia arahin’ny olona ny fivavahana amin’ny razana. Ao amin’ny tokantrano maro ianao dia hahita asen, na karazana elo kely vita amin’ny vy notefena sy voaravaka sarisary ho fahatsiarovana ny olon-tiana maty iray.
Ny fifandraisana amin’ireo andriamanitra ireo dia mitaky mpanelanelana, dia pretra mpivavaka amin’ny sampy, lahy na vavy. Rehefa avy nijanona telo taona tao amin’ny couvent-n’ny mpivavaka amin’ny sampy iray ilay pretra, dia heverina ho ampy fahaizana mba hifandray amin’ireo andriamanitra sy fanahy hafa. Io ambaratongam-pahefana mahery io dia manan-kery lehibe eo amin’ny fiainan’ireo mponin’i Bénin mifikitra aminy.
Ireo izay manaraka io endri-pivavahana io dia mino fa rehefa maty ny olona iray, dia afaka miverina ho fanahy sy mamono ireo mpikambana hafa ao amin’ny fianakaviana. Olona maro no hivarotra ny fananany na hidi-trosa lalina mba handoavana ny vidin’ny fanatitra biby sy ny fankalazana mitobaka, mba hampitonena havana maty. Ho vokany, dia mety ho latsaka ao anatin’ny fahantrana ilay fianakaviana. Mihazona ny olona ao anatin’ny fanandevozana ny tahotra feno finoanoam-poana aterak’ireny finoana ireny.
Hita eto koa ireo fivavahana antsoina hoe kristiana, ary matetika no ampiarahina amin’ny animisma. Tsy heverin’ny olona ho zavatra ratsy mazàna ny fampifangaroana ireo endri-pivavahana roa ireo. Ny fitsaharana tsy handray anjara amin’ireo fanaon-drazana amin’ny animisma kosa anefa dia heverina ho fahotana lehibe. Na dia izany aza, dia maro no nanao izany.
Ireo taona voalohany
Tamin’ny 1929 no tonga teto Dahomey ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, izay tena afaka manafaka ny olona amin’ny tahotra feno finoanoam-poana. Rehefa avy nianatra izany fahamarinana izany tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly (araka ny niantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany) tany Ibadan, any Nizeria, ny Rahalahy Yanada, avy tamin’ny foko goun, dia niverina mba hampianatra ireo mpiray foko taminy. Nanangona antokon’olona enina tao Porto-Novo, renivohitra sy tanàna niaviany, izy, ka nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’izy ireo. Tao amin’io antokon’olona io, i Daniel Afeniyi, izay tera-tanin’i Nizeria, dia nifikitra mafy tamin’ny fahamarinana ka natao batisa tamin’ny 1935. Ny fanenjehan’ny klerjy teo an-toerana anefa dia nanery ny Rahalahy Yanada hiverina tany Nizeria, ary i Daniel Afeniyi vao vita batisa, dia voatery niverina tany Daagbe, tanàna niaviany. Rehefa nanomboka nitory tao Porto-Novo ny Vavolombelona nizeriana efatra hafa, dia voasambotra ary noroahina teo no ho eo ihany.
Tamin’ny 1938, dia nisy rahalahy roa ambin’ny folo avy tamin’ny foko ibo tany Nizeria notendrena hanompo tao Porto-Novo. Sorena mafy ny klerjy protestanta satria olona maro no nankasitraka izay nampianarin’ny Vavolombelona azy ireo avy tao amin’ny Baiboly. Iray tamin’ireo i Moïse Akinocho, mpanao varotra avy tamin’ny foko yoruba. Méthodiste izay nanaraka koa ny fivavahana tamin’ny razana izy taloha. Ho vokatry ny faneren’ny klerjy an’ireo manam-pahefana teo an-toerana, dia voatery nandao an’i Porto-Novo indray ireo Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa nanjary namaivay anefa ny afon’ny fanenjehana an’ireo rahalahy ibo ireo, dia nijanona teo anilany ny Rahalahy Akinocho ka nanao hoe: “Raha hamono ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ireo mpitantana, dia vonona aho.” Nitoetra ho nahatoky tao amin’ny finoana hatramin’ny fahafatesany tamin’ny 1950, izy.
Nandritra ny ady lehibe faharoa, dia tsy nahazo niditra teto Bénin intsony ireo Vavolombelona nizeriana. Kanefa, nisy voan’ny fahamarinana voafafy, ary tatỳ aoriana, noho ny fanondrahana sy ny fanolokoloana kely, dia nitsiry haingana izy ireo. Tonga tsy ela taorian’ilay ady io fahafahana io. Tonga Vavolombelon’i Jehovah i Nourou Akintoundé, tera-tanin’i Bénin, fony izy tany Nizeria.
Tamin’ny 1948 izy dia mpisava lalana rehefa niverina teto amin’ny tany niaviany, ka nandany ny ampahany lehibe tamin’ny fotoanany nitoriana tamin’ny hafa momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fikasany aharihary ao amin’ny Baiboly. Nihoatra izay rehetra azo nampoizina ny vokatra azo.Hoy ny nambaran’ny tatitra momba ny fanompoana teny amin’ny saha, tamin’ny May 1948: “Tena mampientana mihitsy ny mandefa tatitra momba ny tany vaovao iray. Tonga eto Dahomey Frantsay [Bénin] ny filazantsara, ary ireo olona manaiky azy dia miara-mivondrona eo ambanin’ilay ‘faneva ho an’ny jentilisa’.” — Isaia 11:12.
Tamin’io volana io ihany, dia natao ny fangatahana tamin’ny governoran’i Dahomey, mba hanekena ny Fikambanana amin’ny fomba ofisialy. Nampakarina tany amin’ilay tompon’andraikitra ambony tany Dakar, any Sénégal, ilay izy. Kanefa, taorian’ny fanemoram-potoana herintaona mahery, dia nolavina ilay fanomezan-dalana. Na dia izany aza, dia nihaniitatra ihany ny asa. Tatỳ aoriana, dia hoy ny nosoratan’i Wilfred Gooch, mpiandraikitra ny sampana tany Nizeria tamin’izany fotoana izany: “Nisy fahalianana be dia be aoka izany efa niandry tao, hany ka tao anatin’ny iray volana sy tapany, dia olona 105 no nanatevin-daharana an’ilay mpisava lalana [Rahalahy Akintoundé] teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Nandritra ireo volana vitsivitsy nanaraka, dia nanohy nampiely ny vaovao tsara tao amin’ireo tanàna teo akaiky io mpisava lalana io, ka nitohy ny fitomboana tsara dia tsara — tratra ny tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana 301 tamin’ny Jolay 1948.”
Miely ny fitoriana ny vaovao tsara
Nanomboka tao Porto-Novo ny fitoriana ny vaovao tsara ka niely hatrany amin’ireo tanàna sy vohitra nanodidina. Naka ny sasany tamin’ireo olona vao liana hiaraka taminy ny Rahalahy Akintoundé, mba hitory tany amin’ny toerana toa an’i Lokogbo sy i Cotonou. Nijanona tao amin’ny tanàna iray nandritra ny andro maromaro izy ireo, ary noraisin’ireo olona vao liana tsara sy nampiantranoiny. Tamin’izany fotoana izany, ireo olona liana dia nanomboka nitory niaraka tamin’ireo rahalahy tonga nitsidika, vetivety foana taorian’ny nahitana azy voalohany.
Efa-bolana latsaka taorian’ny niverenan’ny Rahalahy Akintoundé teto Bénin, dia nisy fivoriamben’ny distrika telo andro natao tao Porto-Novo. Tonga teo i W. R. Brown (i Brown Baiboly) sy i Anthony Attwood ary i Ernest Moreton, avy tany amin’ny sampan’i Nizeria. Olona 30 no natao batisa tamin’izay, ary tena tsy nahafaly an’ireo misionera protestanta mihitsy izany. Nanao izay rehetra azony natao izy ireo mba hanakiviana an’ireo olona vao liana, nefa nitoetra ho nahatoky ireo. Hoy ny nambaran’ny iray tamin’ireo olona natao batisa tamin’io fivoriambe io: “Raha nandinika ny zava-drehetra ianao, ka nahita fa misy zavatra tsy tsara — dia anao ny manapa-kevitra. Raha ny amiko, dia nahita aho fa tena tsara ilay izy.” Nisy olona maro hafa nandinika koa izay nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah ka nahita fa “tena tsara” ilay izy. Tamin’ny Janoary 1949, dia nisy kongregasiona telo teto Bénin — Porto-Novo sy Lokogbo ary Cotonou.
Nahita ny fahamarinana ny olona iray nanana vady maro
Na dia tsy nekena ara-dalàna aza ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto, dia nomena lalana izahay, tamin’ny Janoary 1949, hanao fivoriambe iray tao Cotonou. Fiara nisy fanamafisam-peo no nampiasaina mba hampandrenesana momba ilay fandaharana, ary olona maherin’ny 1 000 no nanatrika ilay lahateny ampahibemaso hoe “Fitondram-panjakam-piadanana”.
Iray tamin’ireo nanatrika io fivoriambe io i Sourou Houénou, izay sady notaire no mpitsara ary koa filohan’ireo Revenants, antokon’olona voaray tao amin’ny fivavahana tamin’ny razana. Nanana vady efatra izy. Moa ve izy ho afaka hanao ireo fiovana ilaina mba Lioka 4:8). Nitondra fanitsiana teo amin’ny fanambadiany koa izy, ho fanarahana ny fari-pitsipika kristiana. Na dia nanana asa izay heverina ho sarobidy eto amin’itỳ fandehan-javatra ankehitriny itỳ, toa an’i Saoly avy tany Tarsosy talohan’ny nahatongavany ho ny apostoly Paoly, aza izy, dia nataony ho “taimboraka” izany rehetra izany, ka nilaozany. (Fil. 3:8). Mba hananany fahalalahana ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana, dia nandao ny toeran’ny notaire sady mpitsara notanany izy, ka nirotsaka hanao ny fanompoana manontolo andro.
hanarahana ny dian’i Jesosy Kristy? Niala tamin’ny fivavahana tamin’ny razana sy ny spiritisma mifandray aminy, izy. Nanao izany izy ho fanarahana ny fanambaran’i Jesosy hoe: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.” (Ny Kongregasionan’i Cotonou dia nivory tsy tapaka tao amin’ny tranon’ny Rahalahy Houénou tao amin’ny faritanànan’i Missebo tao amin’ilay tanàna. Indray mandeha, dia nambosy ankizy mpitabataba hanakorontana ny fivoriana ireo mpitondra fivavahana katolika. Nandritra ny lahateny ampahibemaso tao amin’ny tokotany voafefin’ny tranon’ny Rahalahy Houénou, dia nianika hazo ny ankizy iray ka nanomboka namely ompa sy vato an’ilay mpandahateny avy tao ambadik’ilay fefy. Toa tsy nahay nikendry izy, satria tsy nisy nandratra an’ilay mpandahateny ireo vatony. Ny vato iray tsy tonga tany amin’ny nikendreny azy, fa nahavoa mafy aoka izany kosa ny iray tamin’ireo ankizy mpanakorontana hafa, hany ka voatery nampidirina hopitaly izy io! Nandositra tamin-tahotra daholo ireo ankizy rehetra, noho ny finoana fa sazy avy tamin’Andriamanitra izany. Nitohy tsy nisy fisehoan-javatra hafa ilay fivoriana.
Ny Vaudou sa i Jehovah?
Nitazana avy teny lavitra ilay zava-nitranga i Dogbo-Tindé Ogoudina. Mpivaro-damba io vehivavy io, ary teny ampitan’ny arabe nisy ny tranon’ny Rahalahy Houénou ny fivarotany. Sekretera tao amin’ilay couvent-n’ny mpivavaka tamin’ny sampy tao Porto-Novo koa izy. Kanefa nanohina azy tsara ny fitondran-tenan’ireo Vavolombelona tojo an’iny fanoherana iny, hany ka nanjary liana tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana izy. Tsy ela ny tenany koa dia nanjary niharan’ny fanoherana namaivay avy tamin’ireo pretra
mpivavaka tamin’ny sampy. Nanambara ny lohan’ireo pretra mpivavaka tamin’ny sampy fa ho faty ao anatin’ny fito andro izy, noho ny fombàny an’ireo Vavolombelona! Nampiasa ody izy mba hahatanteraka ny fambarany.Na dia efa nisy olona novonoin’ireo fanahy ratsy aza, dia tsy nampihontsina ny Anabavy Ogoudina izany. Hoy izy: “Raha ilay sampy no nanao an’i Jehovah, dia ho faty aho; fa raha i Jehovah kosa no Andriamanitra Fara Tampony, dia handresy an’ilay sampy izy.” Tamin’ny alin’ny andro fahenina, ireo pretra mpivavaka tamin’ny sampy dia nanolotra fanatitra osy sy teniteny majika ho an’ilay sampiny — i Gbeloko. Nanapaka akondro naniry iray izy ireo, nampiakanjo lamba fotsy azy io ary nitaritarika azy io teny amin’ny tany ho fampisehoana ny fahafatesan’ny Anabavy Ogoudina. Taorian’izany, dia nahazo antoka aoka izany ny amin’ilay fiafarany izy ireo, ka nanambara ampahibemaso fa efa maty izao ny Anabavy Ogoudina. Inona anefa no nitranga ny ampitson’iny?
Teo amin’ilay nisy azy saika isa-maraina ny Anabavy Ogoudina — nivarotra lamba teny an-tsena. Tsy maty izy, fa tena velona! Avy hatrany, dia nisy solontena nirahina tany amin’ny lohan’ireo pretra mpivavaka tamin’ny sampy tany Porto-Novo mba hampahafantatra azy izay nitranga, na ny marina kokoa, izay tsy nitranga. Tezitra mafy izy, noho ilay ody famosaviana nataony tsy nisy vokany. Fantany fa hampihena ny hery nananany teo amin’ny olona izany, koa nandao an’i Porto-Novo izy ary nankany Cotonou, noho ny zava-kendrena iray — hitady sy hamono ny Anabavy Ogoudina. Fantatr’ireo rahalahy teo an-toerana fa nisy zava-nanahirana nisoko tao, hany ka nanampy an’ilay anabavy hanakatona ilay fivarotany kely izy ireo ary nitondra azy tany amin’ny toerana voaro.
Rehefa avy nanafina ny Anabavy Ogoudina nandritra ny herinandro ny Rahalahy Houénou, dia nanofa fiara iray ary nitondra azy hamakivaky an’i Porto-Novo, mba hahitan’ny rehetra fa velona izy. Mbola tsy fahita firy ny aotomobilina teto Afrika tamin’ny 1949, hany ka vitsy ireo izay nandalo ka hoe tsy voamarika. Nataon’ny Rahalahy Houénou azo antoka fa olona betsaka araka izay azo natao no nahita an’ilay anabavy; avy eo dia namarana ny diany teo am-baravaran’ilay couvent-n’ireo mpivavaka tamin’ny sampy nisy an’ilay anabavy taloha, izy ireo. Nidina tamin’ilay fiara izy ary Ohab. 18:10). Na dia tsy tsara aza ny fahasalamany, dia nanohy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana hatramin’ny fara fofonainy izy. Ny toerana notanany tamin-kerim-po dia nanampy ny mpivavaka tamin’ny sampy hafa hanafa-tena tamin’ny fatoran’ny spiritisma.
nanambara ampahibemaso mba ho ren’ny rehetra fa, na dia nanao ody famosaviana mba hahafaty azy aza ny lohan’ireo pretra mpivavaka tamin’ny sampy, dia i Jehovah, ilay Andriamaniny, no nandresy! Hita ho “tilikambo mafy” ho azy Izy. (Mihamafy ny fanoherana
Rehefa nanatona ny fotoan’ny Fahatsiarovana tamin’ny 1949, dia nisy fandaharana natao mba hanaovana lahateny manokana tao Porto-Novo. Olona liana maherin’ny 1 500 no nanatrika. Tsy noraisin’ny klerjy tamin’ny fomba tsara anefa izany vaovao izany. Teo indray koa, dia nambosy ny manam-pahefana hanohitra ireo rahalahy izy ireo, ka folo no voasambotra.
Hoy ny tatitra nataon’ny rahalahy iray tatỳ aoriana: “Notanana nandritra ny andro maromaro ireo rahalahy ary avy eo dia nafahana rehefa avy nampitandremana mafy mba tsy ‘hampianatra na hitory amin’izany anarana izany’. Io fanoherana io dia nanome an’ireo rahalahy ny fahafahana hitory teo anatrehan’ny ‘mpanjaka sy ny mpanapaka’ sy hanazava ilay fanantenana tao anatiny.” — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 4:17.
Natao niafina ny Fahatsiarovana tamin’io taona io, ka 134 no nanatrika, anisan’izany ny olona dimy nandray ireo marika. Rehefa nisy fanaovana batisa, dia natao tamin’ny alina izany, tao amin’ny farihy amoron-dranomasin’i Porto-Novo. Ireo toeram-pivoriana dia niovaova hatrany, ary nisy rahalahy iray foana niambina. Talohan’ny fivoriana tsirairay, dia namelarana sakafo teo ambony latabatra iray; raha nisy olona nanatona, dia nipetraka haingana teo an-databatra ireo rahalahy ary mody niara-nihinana. Ary tena nihinana tokoa izy ireo — hanina ara-panahy tsara dia tsara!
Tsy maintsy malina tamin’ny fotoana rehetra ireo rahalahy — araka ny nolazain’i Jesosy hoe ‘malina tahaka ny bibilava, ary anefa tsy manan-tsiny tahaka ny voromahailala’. (Matio 10:16, NW ). Tsy nitsahatra nitady ny Rahalahy Akintoundé, izay noheverin’izy ireo ho ny mpitaona ny Vavolombelona, ireo manam-pahefana. Indray andro, dia nirahina hitady azy ny polisy iray. Tsy fantany ny toerana nipetrahan’ny Rahalahy Akintoundé, ka nangataka rangahy iray mba hitondra azy tany amin’ny tranon’ny Ramose Akintoundé izy. Araka ny fomban’ny mponin’i Bénin izay tia mandray vahiny, dia nanao izany ilay lehilahy. Io lehilahy nanoro ny lalana io anefa dia tsy iza fa ny Rahalahy Akintoundé ihany. Tsy nahafantatra azy ilay polisy. Rehefa tonga teo amin’ilay trano izy ireo, dia tsy gaga ny Rahalahy Akintoundé raha tsy tao an-trano ny tenany! Tamin’ny farany anefa, tamin’ny Jona 1949, rehefa voarara tamin’ny fomba ofisialy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia niverina tany Nizeria, tany niaviany, ny Rahalahy Akintoundé.
Tamin’ny Aogositra 1949, dia namoaka fampitandremana ho fanoherana ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower ny fitondram-panjakana, ary nametra sazy roa taona an-tranomaizina sy lamandy 500 000 F CFA (tokony ho 4 000 000 FMG) ho an’izay rehetra tratra mizara izany zavatra vita an-tsoratra izany na tamin’ny fiteny inona na tamin’ny fiteny inona. Ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” indrindra no nokendrena. Tsy kivy noho io fiovan-javatra io ireo rahalahy. Fantatr’izy ireo tsara fa nilaza i Jesosy Kristy hoe: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa”. — Jaona 15:20.
Nandritra izany fotoana izany, i Kpoyè Alandinkpovi, iray tamin’ireo voalohany nanaiky ny fahamarinana teto, dia nampiasa tsara ny akanjo fanaon-drazana anaovan’ny lehilahy eto Bénin, mba hanampy azy teo amin’ny fanompoana. Io akanjo malalaka sy lava tanana, anaovan’izy ireo ary antsoina hoe boubou, io dia manana paosy anaty malalaka be. Rehefa azon’ny Rahalahy Alandinkpovi antoka fa nahita olona tena liana marina izy, dia nanakatra ny paosiny izy, ary namoaka boky na bokikely iray niafina tao anatin’io paosy malalaka io. Mody nilaza foana izy fa iny no boky farany, nefa toa nisy boky hafa foana, isaky ny nahita olon-kafa nangetaheta ny fahamarinana izy.
Niparitaka izy ireo, nefa tsy nitsahatra nitory
“Mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ny [vanim-potoana mora na amin’ny vanim-potoana sarotra, NW ]”. (2 Tim. 4:2). Io torohevitra nosoratan’ny apostoly Paoly io dia noraisin’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Bénin tam-po, ary dia niroborobo ny asa fitoriana na dia tamin’ny “vanim-potoana sarotra” aza. Nandritra ny tapany farany tamin’ny 1949, ny iray tamin’ireo mpisava lalana voatendry vao haingana teto Bénin, i Albert Yédénou Ligan, dia nankany Zinvié, tanàna kely any avaratr’i Cotonou. Ny andro voalohany izy dia efa nahita an’i Josué sy i Marie Mahoulikponto sahady. Tsy ela dia takatr’izy ireo fa ny fahamarinana ireo fampianarana ara-baiboly reny. Na dia Protestanta aza i Josué, dia nanaraka ny fivavahana tamin’ny razana, sy nanana vady roa, ary lohan’ireo pretra mpivavaka tamin’i Zangbeto andriamanitra. Tamin’iny volana nandrenesany ny fahamarinana voalohany iny ihany, dia nilaozany ireo fanao rehetra ireo. Tsy noraisin’ny fianakaviany tamin’ny fomba tsara ny finoany vaovao. Nanohitra mafy izy ireo, ka nandroaka azy tamin’ny tranom-pianakaviana sy nanapotika ny sahany mihitsy aza.
Nandositra ilay tanàna mba hamonjy ny ainy ry Mahoulikponto, ary nanorim-ponenana tao Dekin, iray tamin’ireo tanànan’ny mponina amoron-drano. Io fifindra-monina io dia nampiely ny fahamarinana tany amin’ny faritra vaovao. Ilay ben’ny tanàna tao Dekin no voalohany nanaiky ny fahamarinana tao. Tao anatin’ny roa taona, dia olona 16 tao amin’io faritra io no nanaiky ny fivavahana marina, na dia nisambotra sy nikapoka azy ireo aza ny manam-pahefana, ary nopotehina ny zavatra vita an-tsorany rehetra, anisan’izany ny Baiboliny.
Fony nitory tao amin’ny tanàna iray tamin’ny 1950 ny mpisava lalana iray, dia nahita lehilahy izay nilaza taminy fa nisy rangahy zokiolona nampianatra zavatra avy tao amin’ny Baiboly nitovy tamin’izay nampianarin’ilay mpisava lalana. Io rangahy zokiolona io dia ny Rahalahy Afeniyi, izay iray tamin’ilay antokon’olona voalohany nianatra ny fahamarinana teto ary natao batisa tamin’ny 1935. Na dia nitokana aza ny Rahalahy Afeniyi, dia tsy hadinon’i Jehovah, no sady tsy nanadino ny fifaliana tsapany fony izy nafahana tamin’ireo finoana tsy araka ny Soratra Masina tao amin’ny fivavahana protestanta nisy azy taloha. Tsy nanaiky ny fahamarinana mihitsy ny vadiny, ary nanorim-paka lalina tao amin’ilay tanàna nitorian’ny Rahalahy Afeniyi ny vaudou, nefa tsy nilavo lefona izy.
Nandritra ny taona maro izy dia hita nampianatra ny Baiboly tamin’ny hafa tamim-pahatokiana. Maty teo amin’ny faha-80 taonany izy, rehefa avy nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny 42 taona mahery.Tany am-piandohan’ny taona 1950, dia nanohy namely ny Vavolombelona ireo onjam-panenjehana. Tao amin’ny faritr’i Kouti, dia nahita antokona rahalahy nandinika ny andinin-teny ho an’ny andro ny polisy iray. Nosamborina ny sasany, nafatotra tamin’ny tady ary nentina teo anatrehan’ny komandà, na ny lehibem-paritany. Nafahana izy ireo tatỳ aoriana, ka nampitandremana mafy mba tsy hitory na hanao fivoriana intsony. Na dia izany aza, ny vahoakan’i Jehovah dia nahatakatra fa zava-dehibe ny fanohizana miara-mivory tsy tapaka mba hianarana ny Tenin’Andriamanitra, sy hanaovana izany niafina, rehefa nilaina izany. Hoy ny nosoratan’ny iray tamin’ireo loholona teo an-toerana: “Izao ny hany fahafahana iarahan’ireo rahalahinay mivory dia ny fifohazana maraina mba hanaovana fianarana. Ireo izay manana bisikilety dia mankany amin’ny toerana lavitra mba hitory. (...) Na dia ny fitondran’izy ireo ny Baiboliny aza dia mampidi-doza. Na dia eo aza ireo zava-tsarotra ireo, dia hanohy hitory ny teny hatramin’ny farany izahay.” Tamin’ny Martsa 1950, dia niara-nivory tamim-pahatokiana izy ireo tamin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Tsy ‘nihemotra’ noho ny tahotra izy ireo. (Heb. 10:38). Teo am-piandohan’ny taona 1951, dia nisy kongregasiona fito namerina tatitra, ary ny 36 tamin’ireo mpitory 247 namerina tatitra dia nirotsaka ho mpisava lalana.
Namerina ireo kojakojany ara-pivavahana izy
Tany am-piandohan’ireo taona 1950, dia maro tamin’ireo rahalahintsika no tsy nahay namaky teny tsara; nanao izay rehetra azony natao anefa izy ireo mba hitoriana, ary dia nitahy ny ezaka nataony i Jehovah. Indray andro, dia nisy rahalahy roa niezaka nanazava ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny olon-kafa iray, raha tonga teo i Samuel Ogungbe. Hoy ny tatitra nataony tatỳ aoriana: “Tsy fantatro tamin’izay, fa hay Vavolombelon’i Jehovah ireo lehilahy ireo, ary tsy nitovy hevitra izy ireo satria tsy nahay namaky ny Baiboliny tamin’ny fiteny goun. Nandray anjara tamin’ilay fiaraha-midinika aho ary afaka nanampy azy ireo, satria
nianatra hamaky ny Baiboly tamin’ny fiteny goun.” I Samuel Ogungbe dia mpitahiry vola no sady mpikambana tao amin’ny filan-kevi-pitondran’ny Fiangonana Kerobima sy Serafima. Mora fantatra ireo mpikambana ao amin’io fivavahana io; manao akanjo malalaka fotsy sady lava sy saron-doha fotsy izy ireo, satria mino fa izy ireo no ampakarin’i Kristy. Na dia teo aza anefa ny fifandraisany tao amin’io fivavahana io, dia hitan’i Samuel Ogungbe fa nahaliana azy ilay fiaraha-midinika tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah ireo. Nifanao fotoana izy ireo mba hanohizana ilay fiaraha-midinika ny asabotsy, efatra andro monja tatỳ aoriana. Kanefa, talohan’izay, dia nisy zavatra nitranga izay nahatonga azy hatahotra.“Ilay fiangonana nisy ahy dia mampiasa fisikidianana sy famantarana ny hoavy miaraka amin’ny fanaovana majika hafa”, hoy ny nohazavainy. “Ny ampitson’ny nifankahitako tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nankany am-piangonana toy ny fanaoko aho. Avy hatrany aho dia nampitandreman’ireo mpiara-niangona tamiko, izay naka hevitra tamin’ireo fanahy, hoe tokony hitandrina aho, noho ny antony roa — voalohany, na dia nanana toerana ambony tao amin’ilay fiangonana aza aho, dia notandindomin’ny ‘fivadihana’, ary faharoa, tsy ho ela aho dia ho voan’ny aretim-bavony mafy izay hahafaty ahy, raha tsy hoe nanaraka ny torohevitra nomen’ireo fanahy angaha aho. Nilaza izy ireo fa tokony hividy labozia fito aho, ary koa emboka manitra sy miora, ho amin’ny fombafombam-pivavahana manokana iray hisian’ny vavaka amin’ny feo avo sy fifadian-kanina mandritra ny fito andro. Raha tsy nankatò aho, dia hidika ho fahafatesako izany.”
Tatỳ aoriana, dia niaiky tamim-pahatsorana izy hoe: “Rehefa nody aho ny alakamisy alina, dia natahotra. Ny zoma maraina, dia nanomboka nivavaka sy nifady hanina aho, no sady nahafantatra fa tsy ho ela dia ho voatery hanapa-kevitra raha hanohy ilay fiaraha-midinika tamin’ireo Vavolombelona aho na tsia. Saika tsy nankany amin’ilay fotoana nifanaovako taminy aho, nefa tamin’ny minitra farany dia nanapa-kevitra ny hanaja ilay fotoana. Niresaka momba ny zavatra maro izahay, ary dia nanasa ahy ho any amin’ny fivoriany ny alahady izy ireo.” Nandeha haingana ireo fiovana
nataony. Nitady hanakivy azy ny mpikambana tao amin’ilay fiangonana nifaneraseran’i Samuel Ogungbe, nefa niaiky izy fa nahita ny fahamarinana. Namerina an’ireo kojakojany ara-pivavahana rehetra izy, ary tamin’io volana io ihany, dia nanomboka nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Tao anatin’ny enim-bolana izy dia vita batisa ho mariky ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah. Marihina kely eto fa tsy maty noho ilay finoany vaovao ny Rahalahy Ogungbe. Nanompo an’i Jehovah tamim-pahatokiana nandritra ny 40 taona mahery izy, hatramin’ny fahafatesany tamin’ny 1996.Nohamafisina ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra
Mety ho afaka mitory nefa tsy mahay taratasy ny olona iray. Ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra anefa dia afaka manampy azy hahazo tanjaka hizakana tarehin-javatra sarotra. Ny fahaizana mamaky teny koa dia anton-javatra lehibe iray eo amin’ny fampianarana mandaitra. Kanefa, taloha dia olona maro teto Bénin, anisan’izany ireo rahalahintsika, no tsy nahay namaky teny; koa nampirisika ny handaminan’ireo rahalahy kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra àry ny Fikambanana. Tamin’ny voalohany, dia natao nitokana sy nivantana tamin’ireo isam-batan’olona io fampianarana io.
Avy eo, tamin’ireo taona 1960, dia nisy kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra naorina tao amin’ireo kongregasiona.Mandraka ankehitriny, dia mbola misy kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra ihany ao amin’ny maro amin’ireo kongregasiona eto Bénin. Fanampin’izany, dia misy olon-kafa ampiana mitokana. Rehefa nanjary nisy sekolim-panjakana tsara kokoa anefa, dia nihanihena ny nilana izany fanampiana izany. Raha vao mahatakatra ny hevitr’izay ao amin’ireo pejy vita pirinty ny olona iray, dia afaka mampihatra azy io amin’ny fomba feno kokoa eo amin’ny fiainany manokana, sy mampiasa ny Tenin’Andriamanitra amin’ny fomba mandaitra kokoa mba hanampiana ny hafa. — Efes. 6:14-17.
Mifarimbona ireo pretra katolika sy juju
Ny klerjy dia tsy afaka nanaporofo hoe diso ny fahamarinana nampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah avy tao amin’ny Baiboly, ka matetika no nampiasa ny manam-pahefana mba hampitsaharana ny asan’ny vahoakan’i Jehovah. Tamin’ny toe-javatra iray, dia nifarimbona ny pretra katolika iray sy ny pretra juju iray mba hanesorana ny Vavolombelon’i Jehovah avy teo amin’ny faritr’i Dekin. Nitondra fiampangana tany amin’ny manam-pahefana izy ireo, ka nampifangaro filazana tsy dia marina loatra tamin’ny tena lainga tsotra izao. Nilaza izy ireo fa ny Vavolombelona dia nitaona ny olona hikomy tamin’ny fitondram-panjakana, naminany ny amin’ny ady haneran-tany iray, nitory ny faran’izao tontolo izao, ary nanda tsy handoa hetra! Nilaza tamin’ilay lehibem-paritany ilay pretra juju fa, noho ireo Vavolombelona, dia nanda tsy hanome orana ireo fanahy ary koa fa noho io antony io dia nandrahona ilay tany ny mosary! Ilay pretra katolika kosa dia nilaza fa ireo Vavolombelona no tompon’andraikitra ny amin’ny tsy nihainoan’Andriamanitra ny vavaka sy ny Lamesa nataony!
Ireo olona tso-po dia nahatakatra izay tao ambadik’ireo famelezana ireo — ny tahotra tsapan’ireo mpitondra fivavahana. Natahotra izy ireo sao hamaka teo amin’ny vahoaka ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nanao afa-tsy ny nanatanjaka ny fatokian’ireo rahalahy an’i Jehovah ireny famelezana ireny. Hoy ny nambaran’ny tatitra iray nosoratana tamin’io fotoana io: “Tena Fil. 1:27). Mino izahay fa hanohy hanao izany izy.”
‘maharitra amin’ny fanahy iray ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara’ marina ireo rahalahy, ary dia mitahy ny ezaka ataony amin’ny fanomezana azy fitomboana i Jehovah. (Moa ve i Jehovah nanohy nitahy ny ezaka nataon’izy ireo tamim-pahatapahan-kevitra? Izany tokoa! Na dia teo aza ny fanoherana sy ny fanenjehana mafy, dia nitombo ny isan’ireo 301 nandray anjara tamin’ny fitoriana momba ny anarany sy ny Fanjakany tamin’ny 1948, ka nahatratra 1 426 tamin’ny 1958! Indraindray anefa, dia natao tany an-tranomaizina ny fitoriana.
Fitoriana tamin’ny fomba feno tany an-tranomaizina
Rehefa nosamborina i David Denon avy tany Porto-Novo, noho izy tsy nety nitsahatra nanompo an’i Jehovah, dia nandray ny tranomaizina ho faritaniny izy. Ary tena nambabo ara-panoharana ny sain’ireo mpihaino babo ara-bakiteny ireo izy! Tsy nahafaly an’ilay mpiambina tranomaizina, izay namindra azy tany amin’ny tranomaizina iray hafa, anefa ny fitoriany. Kanefa, tany izy dia nentina tamin’ny fomba tsara kokoa ary afaka nitory tamin’ireo mpiray fonja taminy, tsy nisy sakantsakana. Nanjary liana ny tenan’ilay lehiben’ny mpiambina tany, ary ny mpigadra roa hafa dia nanaiky ny fahamarinana ka nanatevin-daharana ny Rahalahy Denon mba hitory tao amin’ny faritanin’izy ireo — tao anatin’ny rindrin’ny tranomaizina.
Nandritra ny andro, ny Rahalahy Denon, izay nanehoana fitokiana feno, dia nirahina tany ivelan’ny tranomaizina mba hanao ny asan’ny mpandrafitra tao amin’ny tranon’ny sefon’ny polisy. Liana tamin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly koa io lehilahy io, ka namela ny Rahalahy Denon hody mihitsy aza, mba haka zavatra vita an-tsoratra ho azy, dia ireo zavatra vita an-tsoratra izay nampidirana ny Rahalahy Denon an-tranomaizina ny fananana azy!
Nisy fanampiana hafa koa tonga tsy ela mba hiasana io faritany tsy nahazatra io. Tamin’ny 1955, dia nisy mpitory nizeriana dimampolo hafa nita nankatỳ Bénin, mba hanampy hitondra ny vaovao tsara tany amin’ny faritra nitokana teto Bénin. Nangonina ilay antokon’olona rehetra ka nentina tany amin’ilay fonja teo an-toerana. Indrisy anefa fa kely loatra ilay izy ka tsy omby azy rehetra, koa
nasaina nody àry ny anabavy rehetra sy ny sasany tamin’ireo rahalahy. Rahalahy 27, notanana satria voampanga ho nanely “zavatra vita an-tsoratra voarara”, no nafindra tany amin’ny tranomaizina iray tany afovoan-tany mba hiandry ny fitsarana azy. Fony izy ireo tany, dia tsy nandanilany fotoana izy ireo. Rehefa tonga avy tany Nizeria izy ireo, dia tsy io no faritany nokasainy hitoriana, nefa nisy olona nila ny handre ny vaovao tsara koa tao. Ho vokatry ny asan’izy ireo, dia olona 18 fara fahakeliny no nampiseho fahalianana, anisan’izany ny mpiasa tao amin’ny tranomaizina sy ny dokoteran’ny tranomaizina.Tamin’ny faran’ny Aogositra, dia nentina hotsaraina ireo Vavolombelona ireo. Niely eran’ny vazan-tany ny vaovao momba io raharaha io, ka olona maherin’ny 1 600 no tonga. Nisy pretra katolika tonga avy tany amin’ny faritra maro ary nilaza tamin’ny olona maro fa samy hanefa sazy 12 taona avy ireo rahalahy — ka izany dia talohan’ny hanombohan’ny fitsarana akory!
Na dia izany aza, ilay mpitsara dia nanana fihetsika nankasitraka ary namela an’ireo rahalahy hanao fanambarana tsara tao amin’ny fitsarana. Nampitaha an’ireo Vavolombelona tamin’i Jesosy Kristy izy, dia i Jesosy Kristy izay nentina hotsaraina na dia tsy nandika lalàna na inona na inona aza. Nilaza ny alahelony noho izy voatery hanome sazy telo volana ho an’ny ankamaroan’ireo rahalahy, ilay mpitsara. Ireo sazy anefa dia hanomboka hatreo amin’ny fotoana nisamborana azy ireo, izany hoe telo volana latsaka talohan’io. Nampiasa tsara ny fotoana sisa nolaniny tao an-tranomaizina ireo rahalahy. Nandritra ny volana Aogositra, dia samy nanao tatitra 100 ora mahery nitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana tao anatin’ny rindrin’ny tranomaizina, avy izy ireo! Nisarika ny sain’ny besinimaro tamin’ny fomba nakotroka ho amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay fisehoan-javatra manontolo.
Zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly amin’ny fiteny goun
Ny fananana zavatra vita an-tsoratra amin’ny fitenin’ny sarambabem-bahoaka dia fanampiana lehibe eo amin’ny fampianarana azy ireo ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ny fiteny goun dia ampiasaina be dia be manerana ilay tany. Toy inona moa ny hafalian’ireo rahalahy, rehefa nahazo tamin’ny fiteny goun an’ilay
taratasy mivalona hoe Inona no Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah? izy ireo tamin’ny 1955. Izany dia narahin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny 1957, izay nanampy an’ireo rahalahy handamina ireo Fivoriany Momba ny Fanompoany sy ny asany teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha, tamin’ny fomba nandaitra kokoa. Nanomboka nanao pirinty indray ny Baiboly manontolo tamin’ny fiteny goun koa ny fikambanana mpampiely Baiboly iray.Nanaraka izany ny bokikely “Itỳ Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Itỳ”. Rehefa voaray ny voalohany taminy, dia natao ny fandaharana mba hianarana azy io tany amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona rehetra. Teo am-piandohan’ny taona nanaraka, dia navoaka mba hozaraina tamin’ny besinimaro izy io. Tena nahavariana ny vokatra azo. Nanaiky tamim-pifaliana an’io fanazavana tsara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly io ireo olona nanetry tena teto. Tamin’ny Aprily 1958, dia tratra ny tampon’isan’ny mpitory 1 426 — nihoatra 84 isan-jato noho ny salanisa tamin’ny taona teo aloha.
Nampahery aoka izany ny faneken’ny maro an’ireny zavatra vita an-tsoratra ireny tamin’ny fiteny goun, hany ka tsy ela dia natomboka ny fandikana ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”. Navoaka tamin’ny duplicateur koa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny goun, nanomboka tamin’ny nomeraon’ny 1 Desambra 1960. Ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra ireo dia nanampy an’ireo rahalahy hampitombo ny fankasitrahany ny fahamarinana sy hanampy ny hafa hanafa-tena tamin’ny fanandevozan’ny fivavahan-diso.
Hita ho “tsy isantsika” ny sasany
Rehefa manjary mahafantatra ny olona hoe nampianarina lainga ny tenany, dia mety hiala haingana amin’ny fivavahany teo aloha ka hanomboka hanolotra fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ny fanohizana manaraka ny fivavahana madio anefa dia mitaky fanetren-tena sy fitiavana marina an’i Jehovah, fahavononana handroso ho amin’ny fahamatorana kristiana sy hampihatra ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Tsy ny rehetra teto Bénin izay nanomboka nitory tamin-kafanam-po no nanohy nanaraka an’io lalana io. Hita ho “tsy isantsika” ny sasany. — 1 Jaona 2:19.
Matio 24:12). Nanampy teny koa ny Rahalahy Tovihoudji hoe, satria nihamangatsiaka ny fitiavan’izy io, dia hitany izao fa marina izay nolazain’ny Baiboly. Tamim-pahendrena àry, ny Rahalahy Tovihoudji dia tsy nanaraka azy fa nitoetra ho nahatoky teo anatrehan’i Jehovah.
Rehefa niala tamin’ny fahamarinana ny mpiandraikitra iray tao amin’ny Kongregasionan’i Gbougbouta, dia nitady handresy lahatra an’i Kouadinou Tovihoudji hanao toy izany koa. Nampahatsiahy azy tamim-pahaiza-mandanjalanja ny Rahalahy Tovihoudji fa, fony io mpiandraikitra io mbola mpanompon’i Jehovah, dia nilaza tamin’ny hafa fa hihamangatsiaka ny fitiavan’ny sasany ny fahamarinana. (Kanefa, tsy ny rahalahy rehetra no nahazo mazava tsara ny fomba tokony hitondrana an’ireo izay tsy naniry hanaraka ireo fotopoto-pitsipika marin’i Andriamanitra intsony. Nila fanampiana izy ireny. Tamin’ny 1959, i Theophilus Idowu, mpiandraikitra ny fizaran-tany nizeriana, dia notendrena ho amin’ny tanànan’i Porto-Novo mba hampahery an’ireo rahalahy. Faly izy ireo nahita azy, nefa somary kivy ihany rehefa nahare fa tsy nahay ny fitenin’izy ireo izy io. Nilana mpandika teny ireo lahateniny sy fiaraha-midinika tamin’ireo loholona. Hitan’ny Rahalahy Idowu fa nisy zava-nanahirana nila ny halamina tao amin’ireo kongregasiona. Noho izy tsy nahay ilay fiteny anefa, dia voafetra izy teo amin’izay azony natao. Nanelingelina azy izany, hany ka nanomboka nianatra ny fiteny goun izy. Nanao fandrosoana haingana izy, ary tsy ela dia afaka nanampy an’ireo rahalahy na dia tamin’ny tarehin-javatra sarotra aza. Tsikelikely dia voalamina ireo zava-nanahirana; ireo izay nifidy fomba fiaina maloto ara-pitondran-tena ka nifikitra taminy, dia nesorina tsy ho ao amin’ny kongregasiona.
Ny iray tamin’ireo fahalemena lehibe indrindra dia mbola ny tsy fahazoan’ireo vaovao tsy nahay namaky teny sy nanoratra, ny hevitr’izay nianarany, ihany. Kanefa, ireo izay nahazo mazava tsara ny fahamarinana ka nandentika izany tao am-pony, dia nanao fiovana lalina teo amin’ny fiainany. Iray tamin’izany i Germain Adomahou.
Nahita lalana tsara kokoa ny olona iray nanana vady maro
Nanana vady 12 ny rain’i Germain Adomahou. Na dia talohan’ny nahatongavany ho Vavolombelona aza anefa, dia nanapa-kevitra
ny hanambady tokana ihany i Germain. Hitany fa na dia mariky ny fananana harena sy fahefana aza ny fananana vady maro, dia nisy fifamaliana sy fialonana lalina teo amin’ireo vadin-drainy. Kanefa, rehefa nanambady i Germain, dia tsy niteraka ny vadiny, ary fahafaham-baraka izany eo amin’ny Afrikana sasany. Na dia teo aza ireo fikasany tsara tany am-boalohany, tsy ela dia naka vady roa hafa izy. Tatỳ aoriana, dia naka roa hafa indray koa izy, ka lasa dimy ny tontalin’isan’izy ireo. Vetivety foana dia niseho ny fifandrafiana sy ny fialonana lalina tao an-tokantranony. Mba hanadinoana ireo zava-nanahirana ireo, dia nitodika tany amin’ny vehivavy hafa tsy vadiny izy. Nanjary toy ny an-drainy, izay tsy tiany mainty, ny tokantranony.Na dia mpivavaka tamin’ny sampy aza izy, dia nitady fampiononana sy torohevitra tamin’ny pretra katolika iray, izay nilaza taminy fa, mba hankanesany any an-danitra, dia tsy maintsy hatao batisa izy. Tsy nisy na inona na inona nolazaina momba ny fivavahany tamin’ny sampy, momba ireo vadiny dimy, na izay nolazain’ny Baiboly momba ny fananana firaisana tamin’ny vehivavy tsy vadin’ny tena. Nataon’ny eglizy batisa i Germain, no sady nanohy ny fivavahany tamin’ny sampy sy ny fananany vady maro. Tsy nisy na inona na inona tena niova. Avy eo, tamin’ny 1947, dia nahazo iray tamin’ny boky “La vérité vous affranchira” izy. Rehefa avy namaky azy io izy, dia nanafa-tena tamin’ny Eglizy Katolika sy tamin’ny fivavahana tamin’ny sampy narahiny. Kanefa, ny fananana vady maro sy ny fomba fiaina maloto dia mbola nangeja azy ihany. Takany fa, mba hahatongavany ho anisan’ny vahoakan’i Jehovah, dia tsy maintsy mamela ireo izy. Avy eo, indray andro, dia niova ny zava-drehetra.
Nosamborina sy natao an-tranomaizina ny sasany tao amin’ny Kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Abomey. Niely nanerana an’ilay tanàna io vaovao io. Mbola tsy nahita olona 2 Tim. 3:12). Tapa-kevitra izy. Namela ny fomba fiainan’ny fananana vady maro narahiny izy, ka nanaraka ireo fampianaran’ny Baiboly, ary dia nanolotra ny tenany ho an’i Jehovah Andriamanitra.
anisan’ny fivavahana hafa nentina tamin’izany fomba izany mihitsy i Germain. Nanohina lalina azy ny fahavononan’ny Vavolombelon’i Jehovah hiaritra fanenjehana mba hitoriana ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Niaiky izy fa Kristiana marina ny Vavolombelon’i Jehovah. (Kanefa, ny finoany vaovao dia tsy namela azy handao fotsiny amin’izao an’ireo vadiny taloha. Na dia tsy niara-nipetraka tamin’izy ireo intsony aza izy, dia nikarakara izay nilain’izy ireo ara-nofo sy ara-panahy, mandra-panambadin’izy ireo. Tonga mpanompo nanolo-tena ho an’i Jehovah tatỳ aoriana ny roa tamin’ireo vadiny taloha; ka ilay zandriny dia nanambady mpanompo manontolo andro ary tatỳ aoriana, dia niara-nanompo tamin’ny vadiny teo amin’ny asan’ny fizaran-tany. Maro tamin’ireo zanaka naterak’i Germain fony izy nanambady maro no nianatra koa ny fahamarinana.
Ny fanirian’ny lehilahy iray teo am-pialana aina
Nisy hafa koa nangetaheta ny fahamarinana. I Amos Djagun dia filohan’ny fiangonana méthodiste tao Kilibo, tanàna tany amin’ny faritra avaratr’i Bénin, ary i Silas Fagbohoun no iray tamin’ireo mpikambana ambony tao. Rehefa nitsidika ny tranon’i Silas Fagbohoun anefa ny Vavolombelon’i Jehovah iray, dia nilaza tamim-pahatsorana i Silas fa tsy afa-po tamin’ny fisafotofotoana tao amin’ny fiangonany izy sy ny maro hafa, ary koa fa fantatr’izy ireo fa nisy fanao ratsy navela harahin’ireo mpiangona. Ny tenany aza dia nanana vady roa sy sakaiza be dia be, anisan’izany ny vadin’ny iray tamin’ireo mpitory teny lehibe indrindra tao amin’ny fiangonany.
Rehefa nitsidika an’i Amos Djagun ireo Vavolombelona, dia nanangona maro tamin’ireo mpiangona tao amin’ny fiangonana izay fantany fa nangetaheta ny fahamarinana, izy. Ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany, izay nitsidika tamin’io fotoana io, dia nampiseho tamin’izy ireo ny fomba fianarana ny Baiboly tamin’ny alalan’ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” sy ny bokikely “Itỳ Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Itỳ”. Nasehony azy ireo koa ny fomba fampiasa tsara ny andinin-teny ho an’ny andro. Maro
tamin’izy ireo, anisan’izany i Amos Djagun sy i Silas Fagbohoun, no nanaiky tamim-pifaliana lehibe ireo zavatra nianarany.Mazava ho azy fa naniry mafy ny haneken’ny vadiny sy ny zanany ny finoany vaovao i Silas Fagbohoun, nefa toa tsy nisy valiny firy avy tamin’izy ireo. Ny alina talohan’ny hahafatesany, tamin’ny Jona 1963, i Silas dia nampiantso an’i Joseph, zanany lahimatoa, teo anilan’ny fandriany, ka nanao hoe: “Malahelo aho fa mandrak’izao dia mbola tsy niandany tamin’ny fivavahana marina ialahy. Fantaro fa izao lavin’ialahy izao dia ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Mivavaka aho mba homba an’ialahy i Jehovah, eo amin’ilay asa sarotra apetrako amin’ialahy; manomboka izao, dia tompon’andraikitra amin’ireo zandrin’ialahy rehetra ialahy. Karakarao izy ireo eo amin’ny ara-nofo, ary indrindra fa eo amin’ny ara-panahy.” Ho tanteraka ve ny fanirian’ny Rahalahy Fagbohoun farany?
Toa efa raikitra ny fomba fihevitr’i Joseph. Tatỳ aoriana, dia niditra tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa protestanta teto Cotonou izy. Fony izy tany, indray andro dia niara-niresaka momba ny Soratra Masina tamin’ilay mpitandrina teo anatrehan’ny mpianatra 80 iray kilasy izy. Ny valin-tenin’ilay mpitandrina ho an’ny ankamaroan’ireo fanontaniana dia hoe: “Zava-miafin’Andriamanitra izany.” Tamin’ny alalan’ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, i Joseph dia afaka nanome valiny nahafa-po ho an’ny fanontaniana ara-baiboly maro. Nanako tao an-tsofin’i Joseph ilay fangatahan-drainy farany, ka nangataka ampahibemaso izy, teo anatrehan’ilay kilasy manontolo sy ilay mpitandrina, ny hanesorana ny anarany tsy ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny fiangonana protestanta intsony. Afaka izy! Natao batisa izy tamin’ny Jolay 1964 ary nirotsaka hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra tamin’ny 1969.
Na dia olona tena tsara fanahy sy tsara fo aza, i Lydie, vadin’ny Rahalahy Fagbohoun, dia tsy nahita ny nilàny hiova fivavahana. Nino izy fa ho afaka hahazo ny fiainana mandrakizay, no sady mbola ho Protestanta ihany. Nahiratra anefa ny masony, rehefa nangataka azy hanana firaisana taminy ny pastora zokiolona iray tao amin’ny fiangonany, mba “hampiononana” azy, izao izy maty vady izao! Tsy nandingana iny fiangonana iny intsony mihitsy izy! Noho
ny fampirisihan’ny zanany lahy sy ny fanampian’ny mpisava lalana manokana iray, dia nanomboka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Tatỳ aoriana, dia tsy vitan’ny hoe natao batisa izy, fa saika ny zanany rehetra koa dia nanaiky ny fahamarinana.Nisy misionera nampiofanina tany Gileada tonga
Nifaly toy inona moa ireo rahalahy, rehefa tonga tamin’ny 3 Febroary 1963 ireo misionera voalohany avy tamin’ny Sekolin’i Gileada! I Keith sy i Carroll Robbins dia nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada faha-37. Nahita trano izy ireo ary tsy ela dia nianatra ny fiteny goun. Nahazo fampaherezana lehibe ireo rahalahy, noho ny fisian’ireo Vavolombelona namany izay fotsy hoditra ireo — izay porofon’ny firaisan-tsain’ny firahalahiana maneran-tany. Nandeha bisikilety ireo misionera, ka tsy vitan’ny hoe nitsidika ireo kongregasiona tany anaty ala, fa nampiofana ny hafa notendrena hanao
izany koa. Rehefa hitan’izy ireo fa nilainy ny niverina tany Kanada, ny tany niaviany, mba hiantsorohana andraikitra ara-pianakaviana, dia nahatsiaro famoizana lehibe ireo rahalahy teto an-toerana.Tamin’ireo volana nanaraka, dia nisy misionera kanadiana roa hafa notendrena ho eto Bénin — i Louis sy i Eleanor Carbonneau. Nahay niteny frantsay izy ireo, koa naorina teto Cotonou àry ny kongregasiona iray tamin’ny teny frantsay, fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’izy ireo. Anisan’ny nitarika ho amin’ny fitomboana ara-panahy haingan’io antokon’olona io ny boky fianarana maro be tamin’ny teny frantsay.
Mpitari-draharaha tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Vokatry ny Fanahy” tao Abomey tamin’ny Novambra 1964 ny Rahalahy Carbonneau. Tonga teo ny polisy, toy ny fanaony rehefa nisy olona maro tafangona. Tsy nahita hokianina izy ireo; raha ny marina aza, dia tena tsara fanahy tamin’ireo rahalahy izy ireo, ary nankafy ireo lahateny ara-baiboly. Talanjona koa izy ireo nahita olona 1 442, ny sasany avy tany avaratra, ny hafa avy tany atsimo, samy nifangaro toy ny mpirahalahy. Zavatra niavaka izany, satria nisy rotaka nampifanandrina ny tavaratra sy ny tatsimo hafa tamin’izany fotoana izany.
Nisy misionera hafa koa nanompo teto Bénin — ny sasany nandritra ny fotoana fohy; ny hafa kosa tonga mba hanao an’i Bénin ho ny tany fonenany. Taorian’ny fanemoram-potoana kelikely noho ny korontana politika teto Bénin, dia tonga teo am-piandohan’ny 1966 i Don sy i Virginia Ward ary i Carlos sy i Mary Prosser. Tsy ela taorian’ny nahatongavan’izy ireo, tamin’ny Martsa 1966, dia naorina teto Cotonou ny biraon’ny sampana iray mba hiandraikitra ny fitoriana ny vaovao tsara teto.
Nanomboka tamin’ny 1948, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitady ny hanekena tamin’ny fomba ofisialy ny asa fampianarany Baiboly teto Bénin, nefa nolavina izany. Koa toy inona àry ny fifaliana, rehefa hitan’izy ireo tao amin’ny gazetim-panjakan’i Bénin ny anarana hoe Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania. Izy io dia narahin’ny filazana hoe afaka nampianatra ny Baiboly isam-baravarana tany amin’ny faritra rehetra teto Bénin ny Vavolombelon’i Jehovah, ary koa hoe hisy misionera homena lalana hanao ny asany tsy hisy sakantsakana!
Fotoana hanambadiana
Talohan’ny 1966, dia tsy nisy fandaharan’ny fitondram-panjakana ho amin’ny fisoratam-panambadiana araka ny lalàna. Ny fanambadiana rehetra dia nankalazaina araka ny fanaon-drazana; ireo rahalahy anefa dia nandefa koa tatỳ amin’ny biraon’ny sampana, fanambarana nosoniavina. Kanefa, tamin’ny 1966, ny fitondram-panjakana dia nanao fandaharana ny amin’ny fisoratam-panambadiana araka ny lalàna, na dia tsy nanerena aza izany. Nasehon’ireo misionera tamin’ireo Vavolombelona teto an-toerana fa zava-dehibe ny hisoratan’izy ireo araka ny lalàna, ho fanarahana io fandaharana araka ny lalàna io.
Izany dia nampiseho zava-nanahirana isan-karazany ho an’ireo rahalahy. Voalohany aloha, dia nila vola ny fanaovana izany — vola izay sarotra erỳ ny fahazoana azy. Faharoa, dia tsy maintsy nofantarina ny daty nahaterahan’ireo mpivady vao. Tsy fantatra foana izy io, satria mahalana vao nisy firaketana an-tsoratra marina. Na dia teo aza ireo vato nisakana ireo, dia tapa-kevitra ny hanana fanambadiana ‘nanan-kaja’ teo imason’Andriamanitra ny vahoakan’i Jehovah. — Heb. 13:4.
Ireo Vavolombelona tao Hetin, tanàna izay voaforona trano misy tongony ny ankabeazany, dia nanapa-kevitra fa tsy handaniam-bola kokoa raha nasaina hanatona azy ireo ilay mpanoratra fanambadiana ofisialy, toy izay mpivady 25 no nasaina hanatona azy. Koa satria be dia be izy ireo, dia nanaiky ilay manam-pahefana. Rehefa tonga izy tamin’ny farany, dia nahita mpivady 60 niandry ny hisora-panambadiana araka ny lalàna! Inona no nahatonga izany? Teo am-pandaminana ny fankalazana io fanambadiana
tambabe io, dia nahare momba azy io ireo mponina tany amin’ny tanàna hafa. Koa satria tsy nanolotra fanampiana mba hanoratana ny fanambadian’izy ireo araka ny lalàna ny mpitondra fivavahan’izy ireo, dia nangataka tamin’ny Vavolombelona izy ireo raha afaka nanararaotra ny fahatongavan’ilay manam-pahefan’ny fitondram-panjakana koa ny tenany, rehefa tonga izy. Tao anatin’ny tokony ho efa-bolana, dia nitombo haingana ny haben’ilay kongregasiona, ka nahatratra 90 ny isan’ireo mpitory 69.Tranon’ny sampana sahaza
Mba hiasan’ny biraon’ny sampana araka ny tokony ho izy, dia nilaina ny hisian’ny trano sahaza. I Don Ward dia mpanao trano talohan’ny nirotsahany tao amin’ny fanompoana manontolo andro. Nandritra ny 1968, dia nampiasa io fanandraman-javatra io izy, teo amin’ny fanorenana trano iray izay sady biraon’ny sampana no tranon’ny misionera teto Cotonou. Noho ny fanampian’ny mpisava lalana 16 sy ny Vavolombelona teto an-toerana maro hafa, dia tsy nila afa-tsy valo volana ilay tena asa fanorenana. Tao ambany rihan’ilay trano, dia nisy Efitrano Fanjakana tsara tarehy, ary koa toerana ho an’ny birao sy ny fisakafoana ary ny fandefasana entana, ho an’ny sampana. Tany ambony rihana, dia nisy efitrano enina izay nahatazanana zaridaina nidadasika feno palmie. Hita tany ambadiky ny fefin’ilay zaridaina ny farihy amoron-dranomasina iray namirapiratra, nisy mpanjono tao anaty lakana, izay toy ny pentimpentina teo amboniny.
Tsy ho hay hadinoina ny faha-12 Janoary 1969, izay andro manokana eo amin’ny tantara teokratikan’i Bénin. Tamin’io andro io, dia notokanana ho an’i Jehovah ilay trano vaovao nisy ny sampana sy ny tranon’ny misionera. Nahatsapa ireo rahalahy fa tena porofon’ny fitahian’i Jehovah ny asan’izy ireo marina io trano tsara tarehy io. Sarobidy kokoa noho ilay trano aza anefa ireo Kristiana izay vita tamin’ny toetra araka an’Andriamanitra.
Fanaovana ny marina — Ilay tena izy
Voasedra indray andro ny toetra kristian’i Daniel Aïnadou, izay niasa tao amin’ny iray tamin’ireo hotely tsara indrindra. Rehefa nitondra pataloan’ny vahiny iray tao amin’ny hotely ho any amin’ny mpanadio izy, dia nahita vola nitovy sanda tamin’ny
6 500 000 FMG tao amin’ny iray tamin’ireo paosy. Nitovy tamin’ny karama roa taona mahery io vola io taminy. Inona no hataony? Indro izy nitana vola be teny an-tanany, ary tsy nisy na iza na iza nanodidina azy.Vao vita batisa vao haingana ilay rahalahy, nefa vao avy nianatra momba ny fanaovana ny marina tao amin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana. Tapa-kevitra ny tsy hampahatezitra an’Andriamanitra tamin’ny fahazoana tombony tamin’ny fomba ratsy izy. Nitondra ilay vola tany amin’ilay mpiasa teo amin’ny birao fandraisana olona izy. Rehefa nahita an’io vola rehetra io anefa ilay mpandray olona, dia nitondra an’ilay rahalahintsika hitokana ka nanao hoe: “Andao hohazonintsika roa lahy io vola io, ka hataontsika ho tsiambaratelontsika roa lahy.” “Tsy afaka manao izany aho”, hoy ilay rahalahintsika, “fa Kristiana sady Vavolombelon’i Jehovah.” “Izaho koa ange Kristiana e”, hoy ny navalin’ilay mpiasa. “Mankany amin’ny eglizy katolika tsy tapaka aho. Tsy hitako izay maha-ratsy ny fihazonana an’io vola io. Raha heverina tokoa anie, moa ve tsy verin’ilay rangahy izy io?” Tsy nampihontsina an’ilay rahalahintsika izany, ka nitondra ilay vola tany amin’ny tompon’ilay hotely, izay nampiditra azy io tao amin’ny fitoeran-drakitr’ilay trano, izy.
Fotoana kelikely tatỳ aoriana, dia niverina tao amin’ny efitranony ilay vahiny ary nipenimpenina nitady ny volany — tao ambany fandriana, tao anaty lalimoara, tao ambadik’ireo seza. Tsy hitany na taiza na taiza ilay izy. Ketraka mafy izy, ka nankany amin’ny tompon’ilay hotely, izay nanome toky azy fa tsy very akory ny volany fa tao amin’ny fitoeran-drakitry ny hotely. Rehefa fantatr’ilay vahiny fa mpiasa iray tao amin’ny hotely no namerina ilay izy, dia nangataka ny hahita an’izany olona mpanao ny marina izany izy. Nanohina mafy azy ilay izy, ka hoy izy: “Fantatro fa olona tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa tafaverina any Frantsa aho, dia tena hitady azy ireo, satria ta hahafantatra bebe kokoa momba azy ireo.” Na dia ilay mpitantana ny hotely, izay tsy nanam-potoana firy ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah teo aloha, aza dia nilaza izao fa faly izy nanana azy ireo niasa ho azy.
Tsy hadino vetivety iny fisehoan-javatra iny. Tatỳ aoriana, dia nisy vahiny iray hafa voalaza fa very vola kely, ary niampanga ny
Rahalahy Aïnadou ho nangalatra ilay izy. Rehefa nahare momba ilay fisehoan-javatra ny tompon’ilay hotely, dia niaro avy hatrany an’ilay rahalahintsika ka nitantara ilay zava-niseho tetsy aloha.Tao anatin’ireo taona nanaraka, dia nisy fitomboana tsy tapaka teo amin’ny isan’ireo Vavolombelona narisika teto Bénin. Tamin’ny 1971, dia misionera 22 no nanompo teny amin’ny saha sy tato amin’ny biraon’ny sampana teto. Tamin’ny 1975, dia nisy mpitory 2 381 narisika teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha, raha 290 monja ny tampon’isan’izy ireo tany amin’ny 1950. Tena nitahy an’ireo olona tso-po nanafa-tena tamin’ny fatoran’ny fivavahan-diso, tokoa i Jehovah. Kanefa, tsy nahafaly ny rehetra izany fitomboana izany. Nisy rahom-panenjehana nahatahotra hafa nanomboka nandondona.
Fiovana tao amin’ny fitondram-panjakana
“Pour la révolution?” (Vonona ho amin’ny revolisiona?) “Prêt!” (Vonona!) Fiarahabana fandre teny amin’ny lalan’i Bénin ny toy ireo, fony nifehy an’ilay tany ny fitondrana marksista-leninista tany am-piandohan’ny 1975. Tamin’ny faran’ny taratasim-panjakana tsirairay, dia nahitana ny teny hoe “Vonona ho amin’ny Revolisiona, mitohy ny tolona!”
Fantatra maneran-tany noho ny fitoerany ho mialanalana eo anoloan’ny raharaha politika ny vahoakan’i Jehovah, ary ny fieritreretany nampiofanin’ny Baiboly dia tsy mamela azy ireo hamerina teny faneva toy izany. (Jaona 15:19; 18:36). Niteraka fankahalana be azy ireo izany.
Novambra 1975 — Fisamborana
Teny amin’ny fanompoana i Pierre Worou tamin’ny Novambra 1975, fony nifanena tamin’ny lehilahy iray izay niarahaba azy tamin’ny teny faneva politika iray. Rehefa tsy namaly tamin’ny fomba nitovy tamin’izany ny Rahalahy Worou, dia nentina avy hatrany tany amin’ny paositry ny polisy. Nitady hampamerina azy teny faneva ny polisy, nefa nanda izy. Noterena handady tamin’ny lohaliny sy ny kihony nandritra ny ora maro izy. Nitoetra ho nahatoky ny Rahalahy Worou.
Tamin’ny farany, dia niresaka tamin’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny polisy ny sasany tamin’ireo rahalahy, ary noho ny
andro alahady, dia nanaiky ny hanafaka azy tamin’ny faran’ny andro izy ireo. Iny zava-nitranga iny dia nampitandrina an’ireo rahalahy ny amin’izay niandry azy ireo.Desambra 1975 — Fampitandremana tao amin’ny radio sy ny gazety
Nandritra ny volana Desambra, ny radiom-panjakana hoe “Ny Feon’ny Revolisiona” dia namelively ny fivavahana tamin’ny fitambarany. Nisy antokona tanora voalaza ho nandroba fiangonana sasany. Revolisionera maro no nampitandrina ny Vavolombelona mba hijanona tsy hitory intsony. Tamin’ny 14 Janoary 1976, dia efa nosakanan’ireo manam-pahefana ny fitoriana ampahibemaso tany amin’ny toerana sasantsasany. Efa nohidiana ny Efitrano Fanjakana tany amin’ny toerana enina, ary natsahatra ireo fivoriana tany amin’ny tranon’olona telo. Tany Hetin, dia noraisina ny Efitrano Fanjakana ka nampiasaina ho amin’ny fivoriana politika. Kanefa, tany amin’ny sasany tamin’ireo tanàna lehibe kokoa, ireo mpisava lalana sy misionera dia mbola afaka nanohy ny fanompoany tsy dia nisy fanelingelenana loatra.
Martsa 1976 — Nitombo ny fameperana
Tamin’ny 24 Martsa 1976, dia hoy ny tatitra nataon’ny sampana teto Bénin tamin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah: “Manohy mamepetra ny asan’ireo fivavahana amin’ny fomba maro samihafa ireo manam-pahefana any amin’ny faritra samy hafa eto Bénin. Fankalazana maro fanaon’ny mpivavaka amin’ny sampy sy fankalazana ara-pivavahana hafa no norarana tany amin’ny toerana maro teto Bénin. Norarana koa ny fitoriana rehetra isan-trano na tany amin’ny faritanàna samy hafan’ireo tanàn-dehibe sy tanàna kely.”
Tapa-bolana tatỳ aoriana, dia hoy ny tatitra hafa koa nataon’ny sampana tamin’ny Fitambara-mpitantana: “Any amin’ny faritra iray any avaratra (Gouka), dia nosamborina sy notanana nandritra ny 72 ora ny rahalahy rehetra (fa tsy ny anabavy) tao amin’ny kongregasiona. Izany dia mba hampitandremana azy ireo tsy hitory sy mba hanerena an’ireo rahalahy hamerina teny faneva politika, zavatra izay tsy neken’izy ireo. (...) Nilazana ireo rahalahy fa afaka nivory tao amin’ny Efitrano Fanjakanany izy ireo, raha mbola nanisy saina teo anoloan’ilay izy koa. Ary taloha sy taorian’ny fivoriana tsirairay izy ireo dia tsy maintsy nandamina ny hisian’ny fe-potoana hanaovana hira sy teny faneva politika. Fantatr’ireo rahalahy fa tsy afaka nanao izany izy ireo, ary dia voatery nanohy nanao ireo fivoriana tao amin’ny tranon’ireo rahalahy izy ireo.”
Aprily 1976 — Nosamborina ireo rahalahy teto Cotonou
Nihanitombo hatrany ny fihenjanana politika nanerana ilay tany. Tany am-piandohan’ny Aprily, tany amin’ny ankamaroan’ny toeram-piasana, dia nisy fe-potoam-pianarana isan-kerinandro natokana ho an’ny teny faneva politika, ny fananganan-tsaina, ny hiram-pirenena ary ny fianarana “ara-pirehan-kevitra”. Ireo izay tsy nandray anjara tamin’ireny fivoriana ireny dia tsy maintsy nanaovana tatitra tany amin’ny manam-pahefana. Nisy fivoriana toy izany nampiantsoana tany amin’ny faritra iray teto Cotonou, niasan’ny rahalahy telo sy ny anabavy iray. Tsy nety nanatrika ilay fivoriana ireo rahalahy, fa ilay anabavy kosa nandeha, saingy tsy nety nandray anjara. Rehefa tonga niasa izy ireo ny alatsinainy taorian’
izay, ilay anabavy aloha, dia avy eo ireo rahalahy telo, dia noterena hihazakazaka teny amin’ny arabe teo anoloan’ny fiaran’ny polisy, hatrany amin’ny foiben’ny polisy — dimy kilaometatra teo ho eo. Bevohoka efa-bolana ilay anabavy tamin’izay. Tany amin’ny paositry ny polisy, dia mbola tsy niova ihany ny toerana notanan’izy ireo; tsy nety namerina ireo teny faneva politika izy ireo. Na dia nokapohina mafy aza izy ireo, dia nitoetra ho nahatoky — tsy nandrava ny finoan’izy ireo ny famelezana ara-batana.Hoy ny nosoratan’i Carlos Prosser, solontenan’ny Komitin’ny Sampan’i Bénin, tamin’ny Fitambara-mpitantana tamin’ny 7 Aprily 1976: “Teo am-panoratako itỳ taratasy itỳ, dia tonga nitsidika ahy ny filoham-paritany niaraka tamin’ny mpiambina azy sy ny sekreterany. Nametraka fanontaniana momba ny teny faneva, ny fiarahabana saina, sns. izy, ary dia afaka niresaka momba ny sasany tamin’ireo hevitra ireo taminy aho. Nilaza koa izy fa voasambotra ny sasany taminay, noho izy ireo tsy nety nandray anjara tamin’ireo zavatra ireo. Nanonona lisitra nisy ny anaran’ireo izay nomaniny hosamborina koa izy. Feno fisakaizana ny fitsidihany, nefa hentitra tsara izy momba ny hevitra sasany. Nilaza izy, ohatra, fa tsy havela hitory tany amin’ny tranon’ny olona intsony izahay, fa tokony hijanona tao amin’ny ‘fiangonanay’. Tsy fantatray izay kasain’ireo olona ao amin’ny fahefana ireo hatao, fa zavatra iray kosa no azo antoka: mihafantatra kokoa noho ny taloha ny Vavolombelon’i Jehovah, ary mivavaka izahay mba hiafara amin’ny fanaovana fanambarana izao zava-mitranga rehetra izao. Ny misionera rehetra dia efa manomboka manontany tena hoe hafiriana no mbola hahafahanay hijanona eto.”
Nihanitombo ny hamafin’ny fanenjehana
Tamin’ny 16 Aprily 1976, tao amin’ny fandaharana tao amin’ny radio natao ho an’ny firenena, dia nanakiana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah ny minisitry ny atitany. Anisan’ny zavatra nolazainy ny hoe ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mety mandray anjara amin’ny fianarana firehan-kevitra, no sady ampianarina fa tsy afaka mamerina teny faneva politika. Nampiasa teny nanizingizina izy, nanambara fa raha tsy nanova ny fihetsiny hatramin’ny faran’ny volana ny Vavolombelon’i Jehovah, ny solontenany
rehetra izay ‘masoivoho ofisialin’ny C.I.A.’ — fampisehoana diso ny anjara asan’ireo misionera — dia horoahina avy eto amin’ilay tany!Nalefa tao amin’ny radio nandritra ny tapa-bolana tany amin’ny faritra rehetra teto Bénin ny teny toy izany. Olona maro izay mbola tsy nahare mihitsy momba ny Vavolombelon’i Jehovah taloha, no nanomboka nanontany tena hoe: ‘Fa mba iza àry izany olona anaovana resaka be dia be izany?’ Nanitikitika mafy ny sain’ny olona maro ireny fandaharana tao amin’ny radio ireny, ary dia nanjary re nanerana an’ilay tany ny anaran’i Jehovah, ka tonga hatrany amin’izay tsy ho tratran’ny Vavolombelona tamin’ny alalan’ny asany ampahibemaso izay voafetra izao.
Tonga tao amin’ny sampana ny solontena iray hafa avy tamin’ny biraon’ny filoham-paritany, mba haka ny anaran’ny rehetra sy ny filazana hafa momba azy avy. Nitady ny anaran’ireo tompon’andraikitra rehetra teto amin’ilay tany izy ireo. Nomena ny anaran’ireo misionera nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera sady biraon’ny sampana izy ireo. Rehefa lasa izy ireo, dia nesorina avy teo amin’ilay toerana ny firaketana sy ny tahirin-taratasy rehetran’ny Fikambanana, ka nafenina tsara.
Ny ampitson’iny, ny 17 Aprily, dia nisy polisy roa niverina, nangataka ny hahita ilay tompon’andraikitra. Noho izy mirahalahy ireo nifoka sigara, dia nilaza tamin’izy ireo ny Rahalahy Prosser fa ho voatery hamono ny sigarany avy izy ireo alohan’ny hidirany. Nanaiky izy ireo ary dia nasaina hiditra tao amin’ny birao. Mbola nitady ny anaran’ireo rahalahy tompon’andraikitra rehetra nanerana ilay tany ihany izy ireo. Tamin’izay fotoana izay anefa, dia efa tsy hita intsony ireo tahirin-taratasy lehibe tao amin’ny sampana, na dia nanapa-kevitra ny hanao fisavana aza izy ireo.
Ireo ora farany ho an’ireo misionera
Tamin’ny 26 Aprily 1976, dia nisy rahalahy nihevitra fa ho fahendrena ny handehanana tany amin’ny filoham-paritanin’i Akpakpa, eto Cotonou, mba hanomezana fanazavana tsara kokoa. Raha toa ka nahafantatra momba ny fikasan’izy ireo ny sampana, dia ho nosakanana izy ireo. Na dia niezaka hampijanona an’ireo rahalahy tsara fikasa ireo aza ny loholona tany an-toerana sasany,
dia nanizingizina ny handeha ihany ireo. Nitera-doza ny vokany. Rehefa avy niresaka kelikely tamin’izy ireo ilay filoham-paritany, dia nihiakiaka teny faneva politika, ary rehefa tsy namaly izy ireo, dia nasainy nosamborina.Tamin’izay fotoana izay, dia 10 tamin’ireo misionera 13 no mbola teto. Bevohoka ny Anabavy Mahon, ka niomana ny hiverina tany Angletera rehefa afaka herinandro vitsivitsy izy mivady. Noho ilay tarehin-javatra nahatahotra, ny sampana dia nampirisika azy ireo handeha haingana araka izay azony natao, fa tsy hiandry hatramin’ny minitra farany. Izany no nataon’izy ireo. I Maryann Davies kosa, izay nipetraka tao amin’ny tranon’ny misionera tany Porto-Novo, dia tany Kanada tamin’io, satria narary ny reniny.
Ny takarivan’ny 26 Aprily, dia nanjary “mpigadra” tao amin’ny Trano Betela ireo misionera sisa tavela — tsy afaka nivoaka izy ireo no sady tsy nisy olona afaka niditra. Tsy nisy telefaonina. Nanomboka nampirina ny entany ireo misionera, sao horoahina.
27 Aprily 1976 — Nalaina ny Mpandrindra tao Amin’ny Komitin’ny Sampana
Ny ampitso maraina, dia nisy polisy iray nitam-basy tonga haka ny Rahalahy Prosser. Nasainy niditra tao amin’ny kamiaonetin’ny Fikambanana sy hamily azy io ilay rahalahy, izay nambanan’ilay polisy basy nandritra izany fotoana rehetra izany. Nentina tany amin’ny paositry ny polisy tao Akpakpa mba halaina am-bavany, ny Rahalahy Prosser. Tsy nampiasa famelezana ara-batana izy ireo, fa nitady hampahatahotra azy tamin’ny famelezana am-bava kosa.
“Omeo anay ny anaran’ireo tompon’andraikitra rehetra eo aminareo!”, hoy ilay polisy nihiakiaka. Hoy ny navalin’ny Rahalahy Prosser: “Tsy afaka manome anareo ny anaran’ny rahalahiko aho. Raha ta hahazo azy ireo ianareo, dia afaka mankany amin’ny Efitrano Fanjakana sy manoratra izany.” Neken’izy ireo izany. Kanefa, fantatr’ilay rahalahy fa tsy nisy natahorana, satria tsy nisy fivoriana natao intsony tao amin’ny Efitrano Fanjakana efa elaela ihany izay. Ireo fivoriana izao dia nataon’ireo antokon’olona niara-nanao ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, tany an-tranon’olona.
“Ahoana ny amin’i Samuel Hans-Moévi? Mahafantatra azy ve ianao? Tsy iray aminareo moa izy?” Taitra ny Rahalahy Prosser nahare io fanontaniana io. Tao amin’ny tranon’ny Rahalahy Hans-Moévi no nanafenan-dry zareo ireo tahirin-taratasin’ny Fikambanana, tao anaty valizy roa efa tonta sy simba. Nisy ny anaran’ny rahalahy maro ireo tahirin-taratasy ireo. Efa nahita azy ireo ve ny polisy? Nahavita nihazona fihetsika tony ny Rahalahy Prosser, nefa tao am-pony tao izy dia nivavaka mba hahazoana ny tari-dalan’i Jehovah.
Vita ihany ilay fakana am-bavany tamin’ny farany. Tsy nisy anarana nomena, ary tsy nisy fahavoazana ara-batana natao tamin’ny Rahalahy Prosser. Nasaina nandeha izy avy eo — irery! Taona maromaro tatỳ aoriana, rehefa nisaintsaina momba io fotoana io ny Rahalahy Prosser, dia nanao hoe: “Ny eritreritro voalohany dia hoe: ‘Inona no azoko atao mba hanampiana an’ireo rahalahy?’ Avy eo aho dia nieritreritra hoe: ‘Tandremo, fa mety ho fandrika izao! Mety hitetika ny hanaraka ahy ry zareo, sao sendrasendra ka hoentiko tany amin’ireo rahalahy.’ ”
“Tsy nody tany an-trano avy hatrany aho”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Prosser, “fa niampita ilay tetezana ary niditra tao an-tanàna mba hijery raha nisy taratasy tany amin’ny paositra. Tsy naniry hanao na inona na inona izay hanasarotra ny fiainan’ireo rahalahy aho. Nefa dia tena naniry mafy ny hahita azy ireo aho mba hanomezana toky azy ireo hoe tsy naninon-tsy naninona izahay, sy mba hanomezana fitarihan-dalana ho amin’ireo andro ho avy.
“Nanomboka nankany an-trano aho, no sady nanontany tena hoe ahoana no hahafahako hiresaka tamin’ireo rahalahy. Tampoka teo, dia nisy rivo-mahery nifofofofo sy oram-be nirotsaka. Tsy nampitandrina ny moto iray nisy mpitaingina roa, fa nifanindran-dalana tamin’ny fiarako. Nanontany tena aho hoe mba iza koa àry izany, satria nampidi-doza ny nihoatra fiara teo ambonin’ilay tetezana ety, indrindra fa tao anaty oram-be. Teo anoloako izao ilay moto, ary dia nitodika ilay lehilahy nipetraka teo andamosina no sady nanala ny casque-ny, mba hahafantarako azy. Gaga be aho, fa hay mpikambana iray tao amin’ny Komitin’ny Sampana ilay izy! Ary ilay mpamily dia mpikambana iray hafa! Efa andro maromaro
no tsy nahitako azy ireo, satria notanana tao amin’ilay tranon’ny misionera sady trano Betela izahay.“Mbola nivatravatra ihany ny orana, ary nihazakazaka hamonjy fialofana ny ankamaroan’ny olona. Nanohy niampita ilay tetezana aho, nandalo an’ilay lalana nitarika tany amin’ny tranonay ary niandry teo an-tsisin-dalana (...) dia nivavaka (...) sy niandry (...) ary nanantena ny hahita an’ireo rahalahiko, angamba farany.
“Toa toy ny tsy hifarana ilay fiandrasana, nefa tonga teo anilako ihany tamin’ny farany ilay moto nitondra azy mirahalahy. Tena fotoana nety niresahana tamin’izay, satria tsy nisy na iza na iza nanodidina noho ilay oram-be. Nolazaiko tamin’ireo rahalahy fa nilaina nafindra toerana ireo tahirin-taratasin’ny Fikambanana, noho izay nolazain’ilay polisy nandritra ilay fakana am-bavany. Niresaka momba ny raharaha nahakasika an’ireo mpisava lalana manokana koa izahay, sy momba ny fandaharana mba hitsidihan’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany haingana ny kongregasiona rehetra mba hampahafantarana azy ireo izay nitranga, ary momba ny fandaharana mba hanohizan’ny antokon’olom-bitsy hivory tany an-tranon’olona. Toa tena azo antoka fa ho avy tsy ho ela ny fandrarana.”
Nosavaina ilay tranon’ny misionera sady trano Betela
Tamin’ny talata tolakandro, ny 27 Aprily, dia nanodidina ilay tranon’ny misionera sady trano Betela ny tafika. Nitondra basy marovava izy ireo. Nijanona teo amin’ny fidirana ny miaramila iray, ary ny iray hafa teo am-baravarana tao andamosina, fa ny hafa kosa tao an-jaridaina. Nomena baiko hidina tao amin’ny efitra fisakafoana ireo misionera rehetra no sady nambanana basy. Nentina tsirairay tany amin’ny efitranony avy izy ireo, ka tao dia nanao ny fisavany ireo miaramila. Nihevitra mantsy izy ireo fa tsy maintsy hahita filazana hanaporofo fa mpitsikilo amerikana na revolisionera vahiny ireo misionera. Niditra tao amin’ny efitranon’i Margarita Königer ireo miaramila, ary nanomboka ny fisavany. Iny tokoa àry! Teny am-pelatanan’izy ireo izao ny taratasy sasany niampanga azy ireo — araka ny fiheveran’izy ireo aloha. Nihazona ny didim-pananan’ny rain’ny Anabavy Königer tamin’ny teny alemà izy ireo! Nino izy ireo fa hafatra niafina izy io. Tao amin’
ny efitranon’i Peter Pompl izy ireo dia nahita izay ninoany ho toromarika tsiambaratelo, nefa raha ny tena izy dia taratasin’ny dokotera momba ny fitsaboana holatra tamin’ny hohon-tongotra.Ny efitranon’i Carlos sy i Mary Prosser no nosavaina farany. Tao amin’ny valizy iray, ireo miaramila dia nahita vola be. Nalaina avy tany amin’ny kaontin’ny Fikambanana tany amin’ny banky izy io, roa andro talohan’io, satria natahorana sao dia tafahitsoka tany ilay kaonty. Koa satria notanana tao amin’ilay trano efa hatramin’ny elaela ireo misionera rehetra, dia tsy afaka nitondra ilay vola hivoaka ny trano izy ireo. Noho ny antony tsy fantatra anefa, rehefa nahita azy io ireo miaramila, dia saika natahotra mihitsy ny hikasika azy, ka namerina azy haingana tao amin’ilay valizy. Nalefa tany amin’ny sampana tany Lagos, any Nizeria, ilay vola manontolo tatỳ aoriana.
Hoy ny filazalazan’ny Anabavy Prosser an’ilay fisehoan-javatra: “Hoy ny iray tamin’ireo miaramila tamiko: ‘Efa nipetraka teto hatramin’ny ela be ianao, ary mino aho fa tsy maintsy fantatrao ny anaran’ny sasany amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kongregasionanareo.’ Hoy ny navaliko: ‘Fantatrao ihany moa ny eto, fa tsy misy olona antsoina amin’ny tena anarany. Ny tsirairay eto dia fantatra amin’ny hoe Papa Emmanuel na Mama Eugenie, sy ny toy izany. Tsy dia fantatro loatra izay tena anaran’izy rehetra.’
Nihomehy ilay miaramila nametraka ilay fanontaniana ka nanao hoe: ‘Tena efa ela marina ianao no teto!’ ”Nanohy ny teniny ny Anabavy Prosser hoe: “Voamarikay fa nijanona tsy nisava ny efitranonay intsony ny iray tamin’ireo lehilahy, fa nipetraka fotsiny. Nahamarika izany ilay komandà ka nilaza taminy mba hanohy ny asany. Nampihetsi-po ny valin-teniny, rehefa nitraka izy ka nanao hoe: ‘Fantatro hatramin’ny taona maro Ramose sy Madama Prosser, ary niara-niresaka momba ny Baiboly tamiko matetika tany an-tranoko ry zareo. Ahoana no hahafahako hisava ny tranony indray izao?’ ”
Nahavita ny fisavana ny efitranon-dry Prosser ireo miaramila ka nidina tany ambany rihana. Tsy nahita na inona na inona nahameloka izy ireo. Ny alina talohan’io, ny ankamaroan’ireo misionera dia nandany ora maro nanalana ireo anarana tao amin’ireo tahirin-taratasy rehetra izay sendra mbola tavela tao amin’ny sampana. Na nariana tany an-kabine izy ireny, na nodorana. Nandritra ilay fisavana, dia nahamarika antontan-javatra nanetroka tao an-jaridaina ny iray tamin’ireo mpiambina ka nanontany momba azy io. “Ah ia, eo izahay no mandoro ny fakonay”, hoy ny navalin’ny Rahalahy Prosser. Na ilay mpiambina na ny Rahalahy Prosser dia samy nahalala fa nisy tahirin-taratasy lehibe nodorana teo.
“He, jereo itỳ!”, hoy ny fihiakan’ny iray tamin’ireo miaramila izay nitarika ny fisavana ny faritra fandefasana entana. Nahita ireo horonam-peo sy ny soratra ho amin’ny fampisehoana tantara ara-baiboly iray tamin’ny fivoriamben’ny distrika, ireo miaramila. Azony antoka fa tsy maintsy ho ny an’ny tompon’andraikitry ny fandaminana ny anaran’ireo mpandray anjara tao amin’ilay fampisehoana tantara. Nibitaka izy ireo nanangona ireo cassettes sy soratra ho toy ny porofo.
Tany amin’ny Sûreté Nationale
Nomen’ireo miaramila baiko haka ny pasipaorony avy ireo misionera, ary dia nentina tany amin’ny Sûreté Nationale, sampan-draharaha iray tao amin’ny Ministeran’ny Atitany. Novakina ireo taratasy momba ny fandroahana azy ireo — hoentina tany amin’ny sisin-tany ireo misionera ary horoahina teo no ho eo ihany, ka tsy havela hiverina tany an-tranony haka ny fananany akory! Soa
ihany fa efa hariva ny andro no sady efa nody ny ankamaroan’ny polisy. Koa satria àry tsy nisy afaka ny hiaraka taminy hatrany amin’ny sisin-tany, dia nomena baiko hiverina tany an-tranony sy ho vonona ny hiainga tamin’ny fito ora maraina, ireo misionera.“Rehefa tafaverina tao an-trano izahay”, hoy ny notantarain’ny Rahalahy Prosser, “dia efa lasa ny tamin’ny valo alina. Fantatray fa ho sarotra io alina io. Nisy revolisionera an’arivony maro nanodidina ny tranonay sy nihirahira teny faneva politika, nivalan-drano tamin’ny rindrina, niantsoantso an’ireo misionera tamin’ny teny nanevateva. Nitohy nandritra ny alina manontolo izany fihetsika izany. Tsy nisy natory firy, na afaka natory akory aza, satria tsy fantatray izay nety hataon’io vahoaka mpitabataba sy romotra io. Nisy nanontany tena raha hisy zavatra hanjo azy tamin’io alina io, na raha mbola ho velona ihany izy ny ampitso. Ireo anabavy dia tsy nanary toky na nitomany, fa nisahirana nampirina entana sy nifampahery kosa. Noho ny fitahian’i Jehovah, dia tsy niditra tao amin’ilay trano ireo revolisionera, no sady tsy nisy olona niharam-pahavoazana ara-batana. Kanefa, ilay fihenjanana ara-pihetseham-po sy ilay fampijalijaliana ara-tsaina tsy an-kijanona dia fisedrana izay tsy zakan’ireo misionera raha tsy noho ny fanohanan’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fifampaherezana.” Ho zava-dehibe toy inona moa ny hifanampiana sy ny hianteherana tamin’i Jehovah tamin’ireo ora ho avy!
Ny andro farany teto Bénin
Nanarangarana avy tao ambadiky ny rahona ireo tara-masoandro voalohany tamin’ny enina ora maraina, nanambara ny fiandohan’ny andro vaovao. Ny 28 Aprily tamin’izay — andro izay tsy hohadinoina mora foana. Araka ny fanaony, dia tafavory teo amin’ny latabatry ny sakafo maraina ireo misionera tamin’ny fito ora, mba handinika ny andinin-teny ara-baiboly ho an’ny andro. Io andro io dia tena tsy tokony hanaovana tsirambina ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra! Fantatr’ireo misionera rehetra fa hila hery fanampiny mba handiavana ilay andro izy ireo.
I Theophilus Idowu, Nizeriana iray izay nianatra ny fiteny goun taona maro lasa talohan’io, dia mpandika teny tao amin’ny sampana, saingy tsy nipetraka tao. Nandinika akaiky ilay Matio 6:11). Eny, nahita ny tanan’i Jehovah nitari-javatra ireo misionera ka nanovo tanjaka avy tamin’izany.
tarehin-javatra manontolo avy teny ivelany izy. Koa satria tsy nisy afaka niditra na nivoaka, dia tsy nisy mofo ho an’ny sakafo marainan’ireo misionera. Fantatry ny Rahalahy Idowu izany, hany ka nankany amin’ny mpanao mofo izy, nividy mofo, ary nilaza tena ho ilay mpanatitra mofo, tamin’ilay miaramila teo am-bavahadin’ny Betela. Nanao akanjo tonta sy rovidrovitra izy, ary koa satroka izay nanakona ny tarehiny, mba tsy hisy hahafantatra azy teo amin’ilay vahoaka mbola nitaredretra teo ivelany. Namela azy hiditra ilay mpiambina. Fampaherezana toy inona ho an’ireo misionera moa ny nahita indray ny endrika feno tsikin’ny Rahalahy Idowu malala! Iny zavatra tsotra nataony iny dia nanome heviny vaovao an’ilay vavaka hoe: “Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay.” (“Bang! bang! bang!” Nisy nandondòna mafy teny amin’ny vavahady lehibe. Rehefa nanomboka ny fandinihana ny andinin-teny ho an’ny andro, dia nisy fifanjevoana be re tao ivelany. Nanangana tsato-kazo hananganan-tsaina teo ivelan’ny toerana nisy ny sampana ilay filoham-paritany sy ny revolisionera hafa, ho famantarana fa “an’ny vahoaka” izao ilay trano. Nomena baiko hivoaka sy handray anjara tamin’ny fananganan-tsaina ireo misionera. Tsy azon’izy ireo antoka raha hosarihina an-keriny izy ireo, nefa izy rehetra dia samy tapa-kevitra ny tsy handray anjara tamin’ilay izy. Nanambara i Paul Byron, iray tamin’ireo misionera, hoe: “Ho voatery hitaritarika ahy ho any izy ireo.” Nanatanjaka ny fahatapahan-kevitry ny hafa ny teniny. Noho ny antony tsy fantatra — angamba ny fisalovanan’i Jehovah — dia tsy nasain’ireo miaramila nankany ivelany ireo misionera. Izany dia nanome azy ireo minitra vitsivitsy fanampiny hamitana ny andinin-teny ho an’ny andro.
Taorian’ilay fananganan-tsaina, dia nanome baiko an’ireo misionera mba hitondra ny entany tany ambany rihana ireo manamboninahitry ny tafika. Natao sava hao ireo entana. Tsy navela hitondra afa-tsy izay tao anatin’ny valiziny ireo misionera. Navelany avokoa ny fananany hafa rehetra. Nitondra ny Rahalahy Prosser hitety an’ireo efitranon’ny Betela mba hanidy lakile ireo varavarana, ireo miaramila, ary nitaky ny hanomezany ireo lakile. Nalain’izy
ireo ny sampana! Hontsa ny fon’ireo rahalahy sasantsasany avy teto an-toerana izay nitazana avy teny lavitra teo ivelan’ny fefin’ny Betela, ka nahita ny fakana an’ireo misionera malalany avy tao an-tranony, narahina mpiambina nitam-basy, toy ny mpanao heloka bevava.Noroahina!
Nentina tany amin’ny Sûreté Nationale indray ireo misionera, ary dia nomena taratasy fandroahana avy ny tsirairay taminy. Izy rehetra, afa-tsy i Margarita Königer sy i Gisela Hoffmann, dia nafatratra tao amin’ny kamiaonetin’ny Fikambanana mba hoentina tany amin’ny sisin-tanin’i Nizeria. Ny Anabavy Königer sy Hoffmann kosa dia nentina tany amin’ny sisin-tanin’i Togo tatỳ aoriana.
Hendratrendratra be ilay mpiambina nitam-basy tao amin’ilay fiara nisy ny ankamaroan’ireo misionera. Tena nino izy fa mpanao heloka bevava nampidi-doza ireo narahiny ho any amin’ny sisin-tany ireo. Namela an’ilay fiara hijanona mba haka lasantsy ihany anefa izy. Ilay ankizilahy mpivaro-dasantsy, izay nahafantatra ny fiaran’ny Fikambanana, dia nanontany ny anton’izao fifanjevoana rehetra izao. “Misionera roahina noho ny fitorianay momba ny Baiboly izahay”, hoy ny navalin’ilay misionera nalahelo. “Aza matahotra fa hiverina ianareo indray andro any”, hoy ny navaliny. Hita ho marina ny tenin’ilay tovolahy, nefa tsy teo no ho eo.
Teo ambanin’ny fandrarana
Ny gazetin’i Bénin hoe Ehuzu tamin’ny 30 Aprily 1976, dia nitondra ny matoan-dahatsoratra hoe: “VOARARA NY ANTOKOM-PIVAVAHAN’NY ‘VAVOLOMBELON’I JEHOVAH’ ETO AMIN’NY REPOBLIKA ENTIM-BAHOAKAN’I BÉNIN”. Tsy vaovao tamin’ny vahoakan’i Jehovah teto ny fanenjehana. Hatrany am-boalohany, dia niezaka mafy hampitsahatra ny fikorianan’ny ranon’ny fahamarinana teto amin’itỳ toeram-pamaharan’ny fivavahan-diso itỳ i Satana.
Tamin’ireo andro sy herinandro ary volana taorian’ny nandroahana an’ireo misionera, dia rahalahy maro — maherin’ny 600 — no nandositra niala an’ilay tany, tsy nanan-javatra ara-nofo firy, fa nanankarena ara-panahy kosa. Maro tamin’ireo izay nijanona, na
tanora na antitra, no nokapohina tsy nisy antra. Ny hafa koa namoy ny fananany rehetra sy ny asany.Ireo rahalahy nitana toerana ambony tany amin’ireo orinasa no voa mafy indrindra, satria nantenaina tamin’izy ireo ny hamaranany ny taratasy tsirairay, sy ny hamaliany antso an-telefaonina, ary ny hiarahabany olona, tamin’ny alalan’ny teny faneva politika toy ny hoe “Vonona ho an’ny revolisiona?” sy ny hoe “Mitohy ny tolona!” I Apollinaire Amoussou-Guenou dia niandraikitra toeram-pitsaboana iray tatỳ amin’ny misy an’i Cotonou. Tsy nety nandray anjara tamin’ny zavatra toy izany izy, satria ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra ihany ny fanohanany. Nitalaho taminy mba hamerina ireo teny faneva ny havany, na dia tsy tena nino izay holazainy aza izy. “Ny zanakao eritreretina”, hoy ny nampahatsiahivin’ny iray tamin’ireo zanaky ny iray tam-po taminy. Rehefa nihamafy ny fanenjehana ny vahoakan’i Jehovah, dia nanapa-kevitra ny handao an’i Bénin mba ho any Nizeria izy.
Tany Nizeria izy dia nanoratra hoe: “Tao anatin’ny fotoana fohy, dia very daholo ny fananako ara-nofo — trano, aotomobilina, asa. Mipetraka ato amin’ny trano iray mbola tsy vita eto Nizeria aho izao. Tsy misy varavarankely na varavarana na simenitra amin’ny gorodona. Miaraka amiko eto ny zanako sivy, ary soa ihany fa efa nahita asa ny zokiny roa. Voatery miaritra ny kankana, ny moka, ny orana ary ny hatsiaka izahay. Nomen’ny rahalahy iray fandriana kely, izay ampiasainay ho an’ilay zanakay kely telo volana, izahay. Mianina amin’izay anananay izahay, no sady manohy manantena an’i Jehovah, ilay Andriamanitray be fitiavana, izay hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masonay.” Taorian’ny fampiharana an’ilay fandrarana, dia nitovy tamin’izany ny nanjo ny rahalahy maro.
“Malina tahaka ny bibilava”
Tsy afaka nampijanona ny fivavahana marina ny toe-piainana toy izany. Mbola nisy ihany olona nihevitra ho sarobidy ny fahafahana avy tamin’ny fatorana ara-pivavahana. Ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia nanohy nitsidika an’ireo kongregasiona, saingy matetika no nandritra ny roa na telo andro monja isaky ny fitsidihana. Izao ireo rahalahy dia voatery nampiasa fahamalinana sy
fahaiza-mitsinjo zavatra mialoha mba tsy ho tratra. Nanao akanjo tonta sy maloto ny ankamaroan’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany, rehefa niditra tao an-tanàna, mazàna talohan’ny mangiran-dratsy na taorian’ny filentehan’ny masoandro, mba tsy hisy hahamarika ny fahatongavany. Raha sendra nisy olona niahiahy ny aminy, dia efa vonona ny hisolo akanjo haingana foana izy ireo. I Zacharie Elegbe, izay mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Bénin ankehitriny, dia mahatsiaro ny nitsidihany an’ireo kongregasiona tamin’izany fotoana izany, fony izy mpiandraikitra ny fizaran-tany. “Tadidiko fa, indray mandeha aho dia nijanona indray andro maninjitra tao anaty fitoeran-katsaka vita tamin’ny feta, fony nitady ahy ireo manam-pahefana”, hoy izy. “Reko ny feon’izy ireo, fa tsy nihevitra ny hitady ahy tao amin’ilay fitoeran-katsaka mihitsy izy ireo. Afaka nanohy ny diako aho, rehefa nifarana ny andro.”Mba hanaovana fivoriana lehibe tamin’izany fotoana izany, dia nilaina ny fahazoan-dalan’ny lapan’ny tanàna teo an-toerana. Kanefa, ny mpanompon’i Jehovah dia hita ho ‘malina tahaka ny bibilava ary anefa tsy manan-tsiny tahaka ny voromahailala’. (Matio 10:16, NW ). Rehefa fantatra fa nisy olona naniry hivady, dia nangatahina tany amin’ny manam-pahefana teo an-toerana ny fahazoan-dalana hanao ilay fankalazana. Nomena tsy nisy olana izany mazàna. Nanomboka ny fandaharana ilay mpitari-draharaha, tamin’ny fanazavana ny ho fizotran’ilay “fankalazana roa andro”. Fankalazana roa andro hoe? Eny tokoa. Raha ny tena izy, ilay fankalazana dia fivoriamben’ny distrika kely! Nipetraka teny aloha, teo anoloan’ireo mpandahateny ireo mpivady vao, ary dia nisy lahateny ara-baiboly natao ho azy ireo sy ho an’ireo mpanatrika falifaly. Indray mandeha tao amin’ny tanànan’i Hetin, dia maherin’ny 600 no nanatrika ilay “fankalazana”, ary 13 no natao batisa. Maro tamin’ny mponina tao an-tanàna no nanamarika fa hafahafa be ny fampakaram-badin’ny Vavolombelon’i Jehovah — indrindra fa rehefa nahare momba ny fanaovana batisa izy ireo! Ireo fandevenana koa dia nanome fahafahana hanao fivoriambe.
Nampidirina teto tamin’ny fomba maro samihafa ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly — tamin’ny lakana, tamin’ny bisikilety, tao anaty kitapo fibaby, tamin’ny lalan-kely anaty ala, na tamin’ny fomba hafa izay toa nety tamin’izany fotoana izany. Tsy ny nanam-pahefana Matio 24:45, NW.
rehetra no nanohitra tamin-kerisetra ny asanay. Ohatra, tamin’ny 1984, rehefa nita renirano iray tamin’ny lakana ny rahalahy tanora roa, nitondra zavatra vita an-tsoratra avy tany Nizeria, dia tratran’ny mpiasan’ny ladoany roa tatỳ amin’ny ilan’ny sisin-tany. Hotanana ve ireo zavatra vita an-tsoratra, sa ireo rahalahy no hokapohina sy hatao an-tranomaizina? “Inona no ao anatin’ireo kitapo ireo?”, hoy ny nanontanian’ny iray tamin’ireo mpiasan’ny ladoany. “Zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly”, hoy ny navalin’ireo rahalahy. “Ao hoe hojerena.” Notoloran’ireo rahalahy bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! iray avy, izay nekeny avy hatrany, izy ireo. “Mbola mitondra zavatra vita an-tsoratra ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ihany angaha ianareo?” Tsy nahahetsika ireo rahalahy, tsy nahalala izay tokony holazaina. “Mandehana”, hoy ilay mpiasan’ny ladoany. Nisaotra mangina an’i Jehovah izy mirahalahy. Ny ohatra toy izany dia nanatanjaka ny fatokian’ireo rahalahy hoe nitahy ny ezaka natao mba hitondrana ny sakafo ara-panahy tany amin’ireo rahalahy “amin’ny fotoana mety”, i Jehovah. —“Ny tenin’Andriamanitra dia tsy mba voafatotra”
Ireo Vavolombelona mbola teto Bénin dia tsy afaka niahotra tsy hiteny momba ireo fahamarinana sarobidy izay tao am-pony. Araka izany, dia nanjary nisy fiovana ny fiainan’i Maurice Kodo. Mpampianatra tao Calavi, tanàna kely 20 kilaometatra avy eto Cotonou, izy. Nieritreritra izy fa raha olona tsara ny tenany, dia ho any an-danitra. Kanefa, rehefa nifankahita tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, dia nianatra avy tao amin’ny Baiboly fa nihoatra noho izany no notakina taminy, raha naniry ny fankasitrahan’Andriamanitra izy. Nampifankahalala an’i Maurice tamin’ny mpifanila trano iray izay Vavolombelona, ny zanak’olo-mpiray tam-po taminy. Rehefa hitan’ilay Vavolombelona ny fahalianan’i Maurice tamin’ny Baiboly, dia nanolotra azy fampianarana Baiboly maimaim-poana tany an-tranony avy hatrany izy io. Nanomboka nianatra ny Baiboly i Maurice sy ny vadiny, ary nandroso haingana. Tsy ela izy dia nandray anjara tamin’ny asa fitoriana, satria niaiky fa nahita ny fahamarinana. Mazava ho azy fa tsy maintsy nahazo antoka ny amin’ny fahatsoram-pony ireo rahalahy. Nisy mantsy mody nampiseho fahalianana, nefa mba hamadihana an’ireo rahalahy fotsiny. Kanefa,
tsy izany no izy ny amin’i Maurice Kodo. Nanararaotra ny fahafahana rehetra mba hiresahana momba ny fahamarinana tamin’ny havany sy ny namany ary ny mpiara-miasa taminy, izy.Avy eo, tamin’ny 11 Febroary 1982, dia nosamborina ny Rahalahy sy ny Anabavy Kodo. Nampidirina an-tranomaizina niaraka tamin’ilay rahalahy niara-nianatra ny Baiboly taminy tany am-boalohany, izy ireo, ary koa niaraka tamin’ny olona vao liana iray izay niara-nianatra tamin’ny Rahalahy Kodo. Fa nahoana? Satria, na Vavolombelon’i Jehovah izy ireo ary niresaka tamin’ny mpiara-belona taminy momba ny Fanjakan’Andriamanitra, na nampiseho fahalianana tamin’izay nampianarin’ny Vavolombelona. Araka ny tatitra nataon’ireo manam-pahefana, dia tonga “tranon-tantely feno asa” ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tanànan’i Calavi. Tena tsy nahafaly an’ireo manam-pahefana izany.
Izy efatra mianadahy nosamborina, anisan’izany ny vadin’ny Rahalahy Kodo, dia nampidirina tao amin’ny cellule nisy ny karazana mpanao heloka bevava ratsy indrindra sy tao anatin’ny toe-javatra tsy nifaditra ovana indrindra. Nilazana izy ireo hoe hafahana raha nanao zavatra tsotra iray — nanisy sonia taratasy iray nilaza fa tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony ny tenany. Izany aloha dia nolavin’ireo rahalahy mazava tsara. Tsy afaka nanda an’i Jehovah Andriamaniny izy ireo. Tsy nisy fepetra no sady tsy azo niadiana varotra ny fanoloran-tenan’izy ireo ho azy. Nahatezitra mafy an’ireo manam-pahefana ny toerana notanan’izy ireo, ka izay zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly rehetra nananan’ireo rahalahy tao amin’ny cellule-ny dia notanana avokoa.
Narary ny zanaky ny Rahalahy sy ny Anabavy Kodo mianadahy, i Nadine sy i Jimmy (enin-taona sy telo taona). Nanontany ny Anabavy Kodo raha afaka nody izy mba hikarakara an’ireo zanany narary. Nolavina izany, fa nomen-dalana kosa ilay anabavy hikarakara azy ireo tao an-tranomaizina. Izao dia enina izy ireo no tao an-tranomaizina, anisan’izany ireo ankizy!
Ahoana no hankalazan’izy ireo ny Fahatsiarovana nihananatona? Afaka nampiditra an-tsokosoko ho azy ireo, mofo tsy nisy lalivay sy divay hanaovana ilay fankalazana, ireo rahalahy teo an-toerana. Hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Kodo: “Nahagaga tamin’izay, fa rehefa nankalaza ny Fahatsiarovana izahay, dia lasa nisy fahatoniana
tao amin’ilay tranomaizina, ka tsy nisy nanelingelina ny fankalazanay ny Fahatsiarovana.”Tamin’ny farany, dia notendrena ho any amin’ny faritra hafa teto Bénin ilay manam-pahefana teo an-toerana nampanao azy ireo an-tranomaizina. Nankasitraka kokoa azy ireo ilay olona nisolo toerana azy, hany ka tamin’ny 26 May, telo volana sy tapany taorian’ny nanaovana azy ireo an-tranomaizina, dia nafahana izy ireo.
Efa-taona tatỳ aoriana, dia nigadra indray ny Rahalahy Kodo — ka tamin’itỳ indray mitoraka itỳ, dia noho izy tsy nety namerina teny faneva politika. Hoy izy tatỳ aoriana, momba ny fomba nampiasany ny fotoanany tamim-pahendrena: “Nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy aho, fony tao an-tranomaizina. Tamin’io indray mitoraka io aho dia afaka nihazona zavatra vita an-tsoratra be dia be, mba hampiasaiko tao amin’ny ‘faritaniko manokana’. Nitory tamin’ireo mpiray fonja tamiko sy tamin’ireo mpiambina ary tamin’ny polisy aho, ary nitarika fampianarana Baiboly maro.” Na dia tao an-tranomaizina aza izy, dia ‘tsy voafatotra ny tenin’Andriamanitra’. — 2 Tim. 2:9.
Rehefa mitodika ny lasa ireo rahalahy, dia manaiky fa tena tonga “tranon-tantely feno asa” ho an’ny vahoakan’i Jehovah tokoa ny tanànan’i Calavi. Raha mpitory 4 izy ireo tamin’ny 1982, dia nitombo ny isan’izy ireo, hany ka ankehitriny dia misy kongregasiona miroborobo roa, misy mpitory maherin’ny 160, any. Hatramin’ny batisany, ny Rahalahy Kodo dia nanana ny tombontsoa hanampy olona maherin’ny 30 hahazo fahafahana, tsy avy tamin’ny gadran’ny tranomaizina akory, fa avy tamin’i Babylona Lehibe, ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso.
Tamin’ny faramparan’ireo taona 1980, dia nisy fiovana nanomboka niseho tao amin’ny fitondram-panjakana. Tsy nisy nahazo antoka ny amin’izay ho fiafarany. Ireo onjam-panenjehana nahery vaika nahazo ny vahoakan’i Jehovah kosa anefa dia nanomboka nihanalefaka. Afaka nanao fivoriana an-karihary mihitsy aza izy ireo tany amin’ny faritra sasany, saingy tsy tany amin’ny toerana rehetra.
“Ilay mpialoha lalana ihany aho”
Nandritra io fotoana io, dia nisy fanandraman-javatra niseho izay nampiseho fa mbola nisy olona maro ihany teto Bénin
nanaiky tamim-pankasitrahana ireo fahamarinana tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay nanafaka. I Pierre Awhanto dia nanjary kivy ratsy nahita ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana sy ny fitiavam-bola ary ny fahalotoam-pitondran-tena tao amin’ny Eglise du Christianisme Céleste (Fiangonan’ny Kristianisma any An-danitra), nisy azy. Na dia nanao fanasitranana aza ilay fiangonana, izany dia tsy nahavonjy ny zanany tsy ho faty. ‘Niantso ny zanakao ho any an-danitra Andriamanitra’, hoy ilay pastora taminy. Tsy afa-po noho izany valin-teny izany izy, no sady voahelingelin’ireo fanao navela hisy tao am-piangonana, ka niala tao tamin’ny 1973. Nikasa ny hanorina ny fivavahan’ny tenany manokana izy. Naniry fivavahana iray izay afaka tamin’ilay fihatsarambelatsihy sy ireo fanao ratsy hitany tany amin’ny toerana hafa rehetra, izy.Avy eo izy dia nanendry tena ho mpanorina sady pastoran’ny Fiangonana Ayi-Wiwé (Fo Masina). Tamin’ny 1964 izy dia efa niresahan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Talanjona noho ny amin’izy ireo izy. Natoky izy fa, raha nanangana ny fiangonany manokana ny tenany, dia ho afaka koa ny hanana fivavahana tsy hahitana fierenana na fahalotoam-pitondran-tena, sahala amin’ny an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nitombo ny fiangonany ka nanjary nisy mpanara-dia azy maherin’ny 2 700 tao amin’ny kongregasiona 21. Tiany ilay fahefana sy ilay harena nananany.
Indray andro, dia nanatona azy mba hositranina ny lehilahy iray. Voan’ny aretin-koditra izay tsy nety niala efa hatramin’ny ela be, izy io. Nahasitrana azy i Pierre Awhanto. Faly aoka izany ilay lehilahy, ka nanome azy trano iray ho valisoa.
Kanefa, nitsofoka tsikelikely tao amin’ny fiangonany izao ny fahalotoam-pitondran-tena sy ny fierenana, dia ireo fanao izay nanosika an’i Pierre Awhanto indrindra hanorina ny fivavahan’ny tenany manokana. Nanomboka nahatakatra izy fa, raha naniry fanompoam-pivavahana madio ny tenany, dia tsy afaka ny hanahaka ny vahoakan’i Jehovah — tsy maintsy tonga iray tamin’izy ireo izy. Nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Tsikelikely izy dia nampianatra avy teny amin’ny polipitra ny zavatra nianarany tamin’ny fianarany ny Baiboly niaraka tamin’ireo Vavolombelona. Matetika izy no namarana ny toriteniny
tamin’ny fanambarana iray hafahafa nanao hoe: “Ilay mpialoha lalana ihany aho, fa mbola ho avy any aoriana ireo tena mpitondra ny fahamarinana.” Maro tamin’ireo izay nahare azy no nanontany tena hoe inona no tiany holazaina tamin’izany.Rehefa nampitomboiny ho indroa isan-kerinandro ny fotoana nianarany niaraka tamin’ireo Vavolombelona, dia takany fa tsy maintsy nanao fanapahan-kevitra izy. Niantso ny pastorany rehetra hivory izy. Nisy 28 izy ireo. Nampiasa ny Soratra Masina izy, ka nanazava ny fahasamihafana teo amin’ny fivavahana marina sy ny fivavahan-diso. Tamin’io fivoriana io, dia tapaka ny hevitra fa hesorina avokoa ny sary rehetra tao amin’ireo fiangonany, ary koa fa tsy hanao fitafiana manokana intsony ny klerjy. Avy eo ireo pastora dia nasaina niresaka tamin’ireo Vavolombelona tany amin’ny toerana nisy azy avy, mba hahazo fampianarana Baiboly tany an-tokantranony. Nanomboka nanao izay nataon’i Pierre Awhanto ireo pastora tao amin’ny maro tamin’ireo fiangonana. Ny alarobia ireo filoham-piangonana dia nianatra ny Baiboly, ary ny alahady izy ireo dia nampiorina ny toriteniny tamin’izay nianarany. Tatỳ aoriana, ny fandaharana tamin’ny alarobia dia nanjary ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, ary ny toriteny tamin’ny alahady dia nanjary lahateny ampahibemaso.
Tamin’ny 1989, i Pierre Awhanto dia niantso ny mpanara-dia azy rehetra hivory. Maherin’ny 1 000 ny olona tonga tamin’io fiaraha-nivory tao Porto-Novo io. Tamin’io fotoana io, dia hoy izy tamin’izy ireo: “Tadidinareo angamba fony aho namarana ireo toriteniko tamin’ny hoe: ‘Ilay mpialoha lalana ihany aho, fa mbola ho avy any aoriana ireo tena mpitondra ny fahamarinana’? Tonga ihany izy ireo rehefa ela ny ela — izany hoe ny Vavolombelon’i Jehovah!” Nitarika ho amin’ny fandaharana nisy fanontaniana sy valiny, izay naharitra adiny fito, io fanambarana io! Tsy ny rehetra no nihevitra azy io ho vaovao tsara. Naleon’ny sasany ny fomba fiaina narahiny, anisan’izany ny fananana vady maro. Kanefa, amin’izao isika miteny izao, eto Bénin fotsiny, dia olona maherin’ny 75, izay mpikambana tao amin’ny Fiangonana Ayi-Wiwé taloha, no efa natao batisa ary olona sahabo ho 200 hafa koa no mianatra ary mandroso ho amin’io tanjona io. Maro amin’io antokon’olona io koa no mianatra mamaky teny sy manoratra.
Raha ny amin’i Pierre Awhanto kosa, dia natao batisa izy tamin’ny Jona 1991. Nanapaka tamin’ny fomba ara-dalàna ny fatorany rehetra tamin’ny fivavahany taloha izy. Valo tamin’ireo fiangonany taloha no navadika ho Efitrano Fanjakana. Ary ahoana ny amin’ilay trano azony ho fanomezana avy tamin’ny lehilahy iray nositraniny? Naverin’ny Rahalahy Awhanto taminy izy io. Mora azo raha gaga be ilay rangahy. Nohazavain’ilay rahalahintsika anefa fa izao izy nahita ny fahamarinana izao, dia fantany fa izay fanasitranana rehetra vitany dia vokatry ny hery azony, tsy avy tamin’Andriamanitra, fa avy tamin’ireo demonia.
Mampahery toy inona moa ny mahita olona — eny, be dia be aminy mihitsy aza — afaka amin’ny fahadisoana ara-pivavahana sy tonga amin’ny “fahalalana araka ny marina ny fahamarinana”! (1 Tim. 2:4, NW ). Ary tonga ny fotoana hahafahan’izy ireo hivory amin-kalalahana mba hampianarina ny Tenin’Andriamanitra.
Andro iray tsy hohadinoina na oviana na oviana
Tamin’ny 24 Janoary 1990, dia nisy rahalahy roa avy teto Bénin nankany Lagos, any Nizeria, nitondra taratasy iray nisy vidiny lehibe teny an-tanany. Naniry hampahafantatra ny sampan’i Nizeria, izay nikarakara ny asa teto Bénin nandritra ireny taona sarotra ireny, izy ireo fa ny Didim-panjakana laharana faha-004 tamin’ny 23 Janoary 1990, dia nanambara fa ilay didim-panjakana teo aloha (laharana faha-111 tamin’ny 27 Aprily 1976) nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto amin’ny Repoblikan’i Bénin, dia foana sy tsy nanan-kery intsony nanomboka teo! Ela ny ela ka afaka amin’ny fomba ofisialy ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hitory ampahibemaso sy hanao fivoriana kristiana! Ahoana no hampahafantarana izany an’ireo Vavolombelona teto an-toerana?
Nanaovana fandaharana mialoha ny hisian’ny fivoriana iray teto Cotonou. Kanefa ireo rahalahy nandamina azy io dia tsy nampahafantatra mialoha ny anton’io fiaraha-mivory io. Tsy afaka ny tsy hanontany tena ireo Vavolombelona teto an-toerana hoe nahoana izy ireo no nasaina hiara-mivory tao amin’ny efitra ampahibemaso iray tao afovoan-tanànan’i Cotonou. Rehefa tonga tao izy ireo, dia toy inona moa ny fahagagany nahita faneva lehibe iray niarahaba tonga soa ny Vavolombelon’i Jehovah! ‘Ahoana àry
no hetezan’izao, nefa isika eo ambanin’ny fandrarana?’, hoy ny noeritreretin’ny maro tamin’ireo rahalahy. Ny sasany nanontany tena hoe: ‘Sao dia mba fandrika àry izao?’Tamin’ny folo ora maraina no tokony hanomboka ilay fivoriana, nefa tamin’ny sivy ora dia efa feno ireo toerana hipetrahana. Tao anatin’ilay efitra dia nisy faneva lehibe roa. Ny iray nampiseho ireo teny ao amin’ny Apokalypsy 4:11 (NW ), manao hoe: “Ianao, Jehovah, ilay Andriamanitray, no mendrika ny handray ny fankalazana sy ny voninahitra”. Ilay faharoa kosa nisy ny Salamo 144:15, nanao hoe: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny.”
Rehefa nanomboka ilay fivoriana, dia nanambara ilay mpitari-draharaha fa, araka ilay taratasy teny an-tanany, “ny fitondram-panjakana dia nanesotra ilay fandrarana ny asantsika”! Hoy ny notantarain’ny Rahalahy Olih, mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Nizeria, izay tonga teo: “Tsy nisy ohatra izany ilay fitehafana niarahabana io fampandrenesana io, hany ka, raha tsy mafy tsara ilay trano, dia nety ho nirodana teo ambanin’ny hamafin’ilay tehaka nirefodrefotra sady nihanitombo hatrany hatrany. Avy eo, dia nijanona tampoka ilay fitehafana, toy ny hoe te hitadidy izay nolazaina teo ireo mpanatrika. Avy eo dia nanomboka indray izy ireo, ary dia nitohy nandritra ny minitra maro izany. Nanonona ny Salamo faha-126 ilay mpitari-draharaha, nefa tsy afaka namaky azy io, noho ilay fitehafana. Tsy vitsy taminay, anisan’izany
ilay mpitari-draharaha, no nanganohano ranomaso. Toy ny nanatri-maso fitsanganana tamin’ny maty izahay, nahita ireo rahalahy nitodika mba hifampijery sy hifamihin-tanana noho ny fankasitrahana sy ny fifaliana.”Tamin’ireo lahateny nanaraka, dia nanaovana teny fiderana ireo rahalahy noho ny fiaretany nandritra ilay fandrarana naharitra 14 taona. Tsy fotoana ho an’ny ranomason’alahelo mafy izao, fa fotoana hanorenana sy hampiasana amim-pahendrena ilay fahafahany vaovao, amin’ny firotsahana ho mpisava lalana raha namela hanao izany ny tarehin-javatra nisy azy, na mba hiezahana handroso ho amin’ny tombontsoam-panompoana hafa ao amin’ny kongregasiona. Ho zava-dehibe ny hanohizana hiantehitra amin’i Jehovah, izay nanome ny fandresena ho an’ny vahoakany izao! Naharitra adiny efatra tsy nisy fiatoana ilay fivoriana, nefa tamin’ireo izay tonga teo, dia toy ny minitra vitsy monja ilay izy.
Nilaza ilay mpandahateny farany fa vao andro vitsivitsy monja izay, rehefa nifankahita teny an-dalana ireo rahalahy, dia nitandrina mba tsy hamadika ny rahalahiny. Tamin’io fotoan-dehibe io anefa, dia nilazana izy ireo fa afaka nanomboka nanonitra ny fotoana very, tamin’ny fiarahabana ny rahalahiny tamin-kalalahana. Tokony ho adiny roa taorian’ny vavaka farany feno fahatsoram-po, dia Vavolombelona maro no mbola teo anoloan’ilay trano, nifamihina sy nifanoroka ary niverina hifankahalala tsara indray. Mahafinaritra izany hoe fahalalahana ara-pivavahana izany. Ahoana anefa izao no hampiasan’ireo rahalahy an’io fahalalahana io?
Mifaly satria afaka miara-mivory hanao fanompoam-pivavahana
Nila ny hodiovina sy holokoana ary hamboarina ireo Efitrano Fanjakana mba ho azo ampiasaina indray. Nanome tamim-pahalalahan-tanana ny fotoanany sy ny fananany ireo rahalahy mba hanao ilay asa. Nataon’ny Fikambanana koa ny fandaharana mba hitsidihan’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany haingana ireo kongregasiona rehetra, nandritra ny roa na telo andro isaky ny fitsidihana. Nandroso ny fanaovana fandaminana indray.
Fifaliana toy inona moa ny mahita fianakaviana mirohotra indray ho any amin’ireo Efitrano Fanjakana! Matetika ny isan’ny mpanatrika fivoriana no avo roa na telo heny noho ny isan’ny mpitory. Maro no mandeha bisikilety; ny sasany mandeha moto na lakana. Ny hafa koa mandeha an-tongotra, ary ireo kilaometatra maromaro tsy maintsy ataony dia tsy misakana azy. Mibaby ny zanany kely indrindra ao anaty lamba asikiny, ilay renim-pianakaviana. Ireo zokiny manampy ireo zandriny. Ary matetika ilay raim-pianakaviana no mitondra ireo boky sarobidy ilaina any amin’ny fivoriana — sarobidy satria, amin’ny alalan’izy ireo no anomezan’i Jehovah fianarana; nefa sarobidy koa, satria ny tsirairay amin’ireo boky be ireo dia mitovy vidy amin’ny karama iray andro.
Tatỳ aoriana, ireo Efitrano Fanjakana rehetra nanerana an’i Bénin, sy ny tranon’ny misionera tany Porto-Novo, ary ny tranon’ny sampana teto Cotonou, izay notanan’ny fitondram-panjakana nandritra ilay fandrarana, dia naverina tamin’ny tena tompony. Nisy asa fanavaozana fototra natao haingana tamin’ny tranon’ny
sampana sy tamin’ilay trano tany Porto-Novo, ary tamin’ny Aogositra 1990, iray volana latsaka taorian’ny namerenana ilay tranon’ny sampana, dia nisy fivoriambe natao teo amin’io tanin’ny Fikambanana io mihitsy, ka olona 2 000 teo ho eo no nanatrika. Nanjary fantatry ny rehetra fa nampiasa io toerana io indray ny Vavolombelon’i Jehovah, nifandray tamin’ny asa fampianarany Baiboly.Nanomboka niasa indray ny sampan’i Bénin tamin’ny Septambra 1991, hany ka nanjary azo natao ny nifandray akaiky kokoa tamin’ireo rahalahy, sy ny nanome fanampiana bebe kokoa mba hikarakarana ny zavatra nilainy ara-panahy.
Dodona ny hitory ny fahamarinana
Ny Vavolombelon’i Jehovah teto Bénin dia naniry hitory ny vaovao tsara tamin’ny fomba nanaovan’ireo rahalahiny tany amin’ny tany hafa izany. Nandritra ilay fandrarana 14 taona, ny ankabeazan’ny fitoriana natao dia fitoriana tsy ara-potoana. Na dia ny sasany tamin’ireo loholona aza dia mbola tsy nitory isan-trano mihitsy. Tamin’ny alalan’ny fampirisihana sy ny toromarika kely anefa, dia nanomboka nanao izany izy ireo.
Tsy sarotra ny mitory eto Bénin. Tia ny Baiboly ny olona amin’ny ankapobeny. Matetika izy ireo no manolotra toerana hipetrahana ho an’ilay Vavolombelona tonga mitsidika, ary mihaino
amim-pitandremana. Rehefa mankeo amin’ny trano iray avy eo amin’ny trano iray hafa ireo Vavolombelona, dia tsy mahalana no iantsoantsoan’ny olona iray mitaingina bisikilety azy, mba hangataka ireo nomerao farany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!Matetika dia olona maro avy amin’ny fianakaviana iray ihany no miray tokotany. Ho fanehoam-panajana, dia mangataka ny hiresaka amin’ny loham-pianakaviana aloha ilay Vavolombelona. Aorian’izany izy dia mitsidika ireo zanakalahy sy ny fianakavian’ireo avy, izay miray tokotany eo koa.
Mba hampisehoana ny fankasitrahany noho izay rehetra nataon’i Jehovah ho azy ireo, dia an-jatony maro no nirotsaka ho mpisava lalana, rehefa avy nesorina ilay fandrarana. Niisa 162 ireo mpisava lalana manokana sy maharitra ary mpanampy tamin’ny 1989; tamin’ny 1996, dia nisy 610 izy ireo.
Inona no vokatra azon’izy ireo? Ny mpivady mpisava lalana manokana iray dia notendrena ho any amin’ny tanàna iray tsy nisy Vavolombelona mihitsy. Rehefa afaka volana vitsivitsy monja, dia tonga ny fotoana hankalazana ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nanjary fantatr’ireo olona liana tao amin’io tanàna io fa mazàna isika no mankalaza ny Fahatsiarovana ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray, nefa tsy nisy tao. Nanatona lehilahy iray nanana tany iray nidadasika ny iray tamin’ireo olona liana ireo, ary nanontany raha azon’izy ireo natao ny nanadio faritra iray tamin’ilay izy mba hanorenana Efitrano Fanjakana. Nankasitraka ny asan’ireo Vavolombelona ilay rangahy, ka nanaiky. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia efa voadion’ireo mpisava lalana manokana roa sy ireo olona liana ilay tany, ary voaoriny ny Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray izay nisy rindrina vita tamin’ny rantsana palmie sy tafo bozaka. Teo anoloana, dia nasiana rantsana palmie niendrika andohalambo sy voaravaka voninkazo. Rehefa nitady hampisy fanoherana ny vehivavy pretra vaudou iray teo an-toerana, dia hoy ireo loholon’ny tanàna: “Tsy anao ny tany eto amin’itỳ tanàna itỳ. Tianay ny hijanonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto. Raha mandeha izy ireo, dia mandeha koa ianao!” Tsy nitady hanakorontana intsony izy. Tamin’ilay Fahatsiarovana, dia 110 no tonga, ka tamin’ireo, dia ireo mpisava lalana manokana ihany no Vavolombelona vita batisa.
Toerana ho an’ny fivoriamben’ny distrika
Fotoana fohy taorian’ny nanesorana ilay fandrarana, dia nisy tany dimy hektara novidina tao Calavi, tanàna iray tsy lavitra an’i Cotonou, ary novidina koa tatỳ aoriana ny tany efatra hektara nifanila taminy. Io tanàna io no nisy ny sasany tamin’ireo rahalahintsika natao an-tranomaizina, satria nilaza ireo manam-pahefana fa “tranon-tantely feno asa” ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay faritra. Toy inona moa ny fahamarinan’ireo teny ireo! Tamin’ny 1990, dia afaka nanao fivoriamben’ny distrika teo ny vahoakan’i Jehovah, tamin-kalalahana sy teo amin’ny taniny!
Ahoana anefa no hahafahana hanorina toerana ho an’ny fivoriamben’ny distrika hahazaka olona 4 000, kanefa ho takatry ny volan’ireo rahalahinay ny vidiny? Amin’ny fomba mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Afrika Andrefana. Nankany anaty ala ireo rahalahy, nanapaka rantsana volotsangana sy voaniho. Ireo tsato-kazo volotsangana dia nampiasaina ho amin’ny toerana hipetrahana. Natsatoka tao anaty tany, isaky ny 1,2 metatra, ny tsato-kazo nisy tokony ho 50 santimetatra ny haavony. Ireo no ho tongotr’ireo toerana hipetrahana. Nisy tsato-kazo volotsangana lava kokoa nampandriana teo ambonin’ireo tsato-kazo 50 santimetatra ireo, ary nafatotra taminy. Dia izay! Toerana hipetrahan’olona 15 io. Tsato-kazo volotsangana vaventy kokoa no nampiasaina mba hanohanana ilay tafo, ary notenomina ireo ravina mba hanaronana ny tafo. Na dia idiran’ny rano aza ny rafitra toy izany, dia miaro ny rehetra amin’ny masoandro migaingainan’i Afrika, ary ireo mipetraka ao ambaniny dia miadana tsara.
Any aoriana, dia hisy tranon’ny sampana vaovao, sy Efitrano Fivoriambe tsy misy rindrina sy mateza kokoa, haorina eo.
Miverina ireo misionera
Tokony ho telo volana taorian’ny nanesorana ilay fandrarana, dia nisy didim-panjakana iray hafa navoaka. Izy io dia nanafoana ilay didim-panjakana nitarika ho amin’ny fandroahana ireo misionera tamin’ny 1976, ary nanambara fa afaka manao asa misionera eto Bénin ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ho valin’io fanapahan-kevitra ofisialy io, tamin’ny Novambra 1990, dia nisy misionera indray notendrena ho eto Bénin. I Tab sy
i Janis Honsberger, izay nanompo tany Dakar, any Sénégal, dia nahazo fanendrena vaovao ho eto Bénin. I Michel Muller sy i Babette vadiny, ary i Claude sy i Marie-Claire Buquet, dia tonga teto Bénin andro vitsivitsy taorian’izay. Vao avy nanompo tany Tahiti izy ireo.Hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Honsberger: “Gaga sady finaritra izahay noho ny fihetsiky ny olona hitanay, rehefa nitory isan-trano voalohany teo amin’ny fanendrena anay vaovao izahay. Tena niarahaba anay tonga soa indray teto Bénin izy ireo! Nilaza ny lehilahy iray hoe, fony lasa ny Vavolombelon’i Jehovah taona maro lasa izay, dia nanomboka nikororosy itỳ tany itỳ.” Tadidio ireo tenin’ny zatovolahy iray mpiasa tao amin’ny fivarotan-dasantsy iray, izay nolazainy tamin’ireo misionera, 14 taona lasa izay. Hoy izy: “Aza matahotra fa mbola hiverina ianareo indray andro any.” Marina ny teniny — niverina ireo misionera!
Ny Rahalahy Buquet dia miantso an’i Bénin hoe paradisa ho an’ny misionera, satria olona maro eto Bénin no manana fitiavana lalina an’Andriamanitra sy ny Baiboly. Maro amin’ireo misionera maherin’ny 50 manompo eto Bénin ankehitriny no efa najanon’olona teny an-dalana. Nangataka fampianarana Baiboly na valiny ho an’ny fanontaniana ara-baiboly lalina ireo olona ireo!
Fampiasana ny fahalalahana amim-pahendrena
Taona maro lasa izay, ny mponina teto Bénin dia namidy ho andevo ary nentina tany ampitan-dranomasina. Na dia tena nahatsiravina aza izany, dia misy karazana fanandevozana iray hafa, izay vokatry ny fivavahan-diso, mbola mitohy ihany hatramin’izao. Mamatotra ny fo sy ny sain’ny olona izay mety hihevi-tena ho afaka, izy io. Indraindray dia miteraka tahotra kokoa noho ny karavasin’ny tompon’andevo izy io.
Olona an’arivony maro eto Bénin no nafahana tamin’io fanandevozana io, ka tonga Vavolombelona falifalin’i Jehovah. Fantatr’izy ireo koa ny hevitry ny hoe “tsy naman’izao tontolo izao” ho fanahafana an’i Kristy. Ho vokany, izy ireo dia afaka amin’ny fanandevozan’ilay “andrianan’izao tontolo izao”, izay nolazain’i Jesosy fa tsy afaka nitana azy. (Jaona 12:31; 14:30; 15:19). Ny fanenjehana mafy nandritra ny taona maro hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Bénin dia tsy namerina azy ireo ho amin’ny fanandevozana indray. Fantatr’izy ireo tsara ny tenin’i Jesosy Kristy manao hoe: “Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa”. (Jaona 15:20). Ary fantatr’izy ireo fa ny apostoly Paoly dia nanoratra hoe: “Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.” (2 Tim. 3:12). Na dia nesorina taminy nandritra ny fotoana kelikely aza ny fahalalahana hivory an-karihary mba hanao ny fanompoam-pivavahany, sy hitory tamin’ny hafa ampahibemaso — ka ny sasany aza dia nampidirina an-tranomaizina — dia mbola nanana fahalalahana izay tsy azon’olombelona na iza na iza nalaina taminy, ihany izy ireo.
Tokony ho fito taona izao no lasa hatramin’ny nanesorana ny fandrarana sy naneken’ny lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah indray. Nampiasa izany fahalalahana izany tamim-pahendrena ve ireo rahalahintsika eto Bénin? Fotoana fohy talohan’ny nampiharana ilay fandrarana, dia nisy mpitory ilay Fanjakana narisika tokony ho 2 300 teto Bénin. Ankehitriny dia maherin’ny avo roa heny io isa io. Raha ny amin’ireo mandray anjara amin’ny fanompoana manontolo andro kosa, dia nitombo maherin’ny avo telo heny ny isan’izy ireo. Olona maro no manoina ilay antso mba “hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”. (Apok. 22:17). Rehefa mivory amin’ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ireo kongregasiona, dia olona liana be dia be no manatevin-daharana azy ireo, hany ka maherin’ny avo efatra heny noho ny isan’ny Vavolombelona ny isan’ny mpanatrika. Mazava ho azy fa misy zavatra betsaka mbola ilaina hatao mba hanampiana an’ireo olona liana ireo hahatakatra sy hampihatra izay rehetra nandidian’i Jesosy. — Matio 28:19, 20.
Misy toe-javatra sarotra maro koa tsy maintsy iaretan’ny olona, raha mbola mitohy koa itỳ fandehan-javatra tranainy itỳ. Na dia izany aza, dia manafana ny fo ny mitsidika ireo kongregasionan’ny vahoakan’i Jehovah eto Bénin, sy ny manatri-maso ilay fahalalahana izay efa nentin’ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny olona eto. Eo, ohatra, ilay olona nanana vady maro taloha ao amin’ny tanànan’i Logou, izay naniry hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah, ka nanafa-tena tamin’ireo fomban-drazana eo an-toerana tsy araka ny Soratra Masina, ary miara-miaina amin’ny vady tokana ihany ankehitriny. Eo ilay zatovolahy ao amin’ny Kongregasionan’i Togoudo Godomey, izay notoloran-drainy fahafahana hianatra, ho nohararaotin’2 Kor. 3:17, NW.
ny maro tamim-pahadodonana. Nampanantenain-drainy koa izy hoe any aoriana dia ho tonga pretra vaudou ny zanany sy handova ny tranon-drainy ary koa ireo vadiny; nifidy ny hanompo an’i Jehovah anefa io zanakalahy io. Eo ny anabavy iray ao Tori-Cada Zounmé, izay nipetraka tao amin’ny couvent vaudou nandritra ny taona maro, nefa mpisava lalana maharitra ankehitriny. Ny zatovolahy iray izay nanao ny fangalarana ho ny antom-pivelomany taloha, dia nitafy ny toetra vaovao ka mpisava lalana manokana ao Kotan ankehitriny. Ny miaramila taloha iray, izay nanenjika ny vahoakan’i Jehovah taloha, dia mpisava lalana maharitra sady mpanampy amin’ny fanompoana ankehitriny. Ireo sy ny maro hafa tahaka ireo dia misahirana manampy olona tso-po hianatra ny fomba hahazoana fahafahana avy amin’ny fanandevozana ara-pivavahana, tsy misy hafa amin’ny nanampiana azy ihany. Fantany avy amin’ny zavatra niainany fa “izay misy ny fanahin’i Jehovah, dia misy fahafahana”. —[Sary, pejy 66]
[Sary, pejy 72]
Mpisava lalana i Nourou Akintoundé rehefa niverina tany Bénin ary nanampy olona maro hanomboka hanompo an’i Jehovah
[Sary, pejy 80]
Kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra any Sekandji (1996)
[Sary, pejy 86]
Namela ny fomba fiainan’ny fananana vady maro i Germain Adomahou mba hiaina hiaraka tamin’i Vigue, ilay vadiny voalohany
[Sary, pejy 89]
Amasa Ayinla sy ny fianakaviany, fony izy mpiandraikitra ny fizaran-tany tany Bénin
[Sary, pejy 90]
Carlos sy Mary Prosser, misionera vonona ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha
[Sary, pejy 95]
Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tamin’ny 1975, tamin’ny fotoana nisian’ny fihenjanana politika tany Bénin
[Sary, pejy 102]
Peter Pompl miaraka amin’i Mary sy i Carlos Prosser — samy noroahina avy tany Bénin, ary manompo any Nizeria sy any Cameroun ankehitriny
[Sary, pejy 115]
I Pierre Awhanto, izay nanendry tena ho mpitondra fivavahana taloha, dia mpanompo voatendrin’ilay Andriamanitra marina ankehitriny
[Sary, pejy 116]
Ilay fivoriana nanambarana ny fanesorana ilay fandrarana
[Sary, pejy 118]
Toerana fanaovana fivoriambe any Calavi
[Sary, pejy 123]
Biraon’ny sampan’i Bénin, miaraka amin’ny Komitin’ny Sampana, tamin’ny taom-panompoana farany teo (avy eo ankavia miankavanana): Zacharie Elegbe, Tab Honsberger, Sourou Hounye