Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Brezila

Brezila

Brezila

Tamin’ny taona 1500, i Pero Vaz de Caminha dia nanoratra tamin’ny mpanjakan’i Portogaly momba an’i Brezila, izay vao avy nahatongavan’ireo Portogey mpizaha tany mbola tsy fantatra. Hoy ny nambarany: “Ny vokatra tsara indrindra azo raisina avy aminy (...) dia hamonjy ny mponina ao aminy [ny Indiana].” Ireo teny ireo dia mampiharihary ny iray tamin’ireo antony lehibe indrindra nanitaran’i Portogaly ny taniny tany ampitan-dranomasina tamin’ny taonjato faha-15 sy faha-16. Izany dia ny fampielezana ireo fampianarana ara-pivavahan’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana tany amin’ny tany hafa.

Kanefa, efa ela be tatỳ aoriana vao natao ho azon’ireo mponin’i Brezila ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly, mba hahitan’ny tenan’izy ireo ihany izay ampianarin’izy io. Ny Baiboly portogey iray manontolo dia nisy voalohany tamin’ny 1751 (ka ny tapany iray tany Eoropa, ny tapany hafa tany amin’ny faritra atsimon’i India). Nisy 125 taona hafa koa lasa vao nisy tapany taminy natao pirinty tamin’ny teny portogey ampiasaina any Brezila. Ary efa tatỳ amin’ny faran’ny taonjato faha-20 vao nisy tapany amin’ny Baiboly natonta tamin’ny fiteny ampiasain’ireo foko indiana eto Brezila.

I Brezila no iray amin’ireo tany vitsy atỳ Amerika Atsimo izay tsy ny teny espaniola no fiteny lehibe indrindra — fa ny teny portogey. Mameno tokony ho ny antsasaky ny velaran’i Amerika Atsimo i Brezila ary voahodidin’ireo tanin’i Amerika Atsimo hafa rehetra, afa-tsy i Silia sy i Ekoatera. Tany ahitana karazan-javatra maro samihafa àry i Brezila. Feno risi-po sy sariaka ary liana amin’ny zavatra ara-panahy ny olona eto. Ny ankamaroany (ny 85 isan-jaton’ireo mponina 161 tapitrisa) dia milaza tena ho Katolika, ary ny ampahany lehibe amin’ireo dia mirona ho amin’ny spiritisma. Tato amin’ireo taona faramparany, dia nisy fitomboana niavaka koa teo amin’ny isan’ny mpanaraka fivavahana ara-pilazantsara.

Nanomboka ny tena fampianarana Baiboly

Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny ‘hahavoavonjy ny karazan’olona rehetra ka hahatongavany amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana’. (1 Tim. 2:3, 4, NW ). Io karazam-pahalalana io dia nanomboka naely teto Brezila tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19. Tamin’ny 1899 i Sarah Bellona Ferguson, tany São Paulo, no nahazo voalohany sasany tamin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower, nalefa paositra avy tany Etazonia. Rehefa nianatra ireo fahamarinana ara-baiboly sarobidy izy, dia nanao izay azony natao mba hizarana azy ireo tamin’ny hafa. Rehefa nisy ny fahafahana rehefa afaka tokony ho 25 taona, dia natao batisa izy.

Tetsy an-danin’izany, ny matiloa breziliana tanora valo, izay nahazo fotoana tsy niasana ka nidina ny sambo tao New York, dia voasinton’ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly (araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany). Tany izy ireo dia nahazo Baiboly portogey iray. Nampiana mba hahazo ny hevitr’izy io koa izy ireo. Rehefa niverina teto Brezila izy ireo tamin’ny Martsa 1920, rehefa avy nifanerasera nandritra ny volana maromaro tamin’ny Mpianatra ny Baiboly tany New York, dia nanohy niara-nivory sy niresaka tamin’ny hafa momba izay nianarany. Tamin’ny voalohany izy ireo dia nampiasa zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower tamin’ny teny espaniola, ho fitaovana fianarany, satria tsy nisy na inona na inona tamin’ny teny portogey. Kanefa, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nirahina ho eto Brezila i George Young, ary natao ny fandaharana mba handikana zavatra vita an-tsoratra ho amin’ny teny portogey sy hanontana azy ireo. Tamin’ny 1923, dia naorina ny sampan’ny Watch Tower Bible and Tract Society tao Rio de Janeiro, mba hampandrosoana ny fampianarana ny Baiboly teto amin’itỳ tany midadasika itỳ.

Nisy fanampiana hafa koa tonga

Na dia teo aza io fanombohana tsara io, dia niadana ny fandrosoana. Koa rehefa nasain’i J. F. Rutherford, izay prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, àry i Alston Yuille, dia tonga teto Brezila tamin’ny 1936 mba hanampy ny Vavolombelona teto handray soa feno kokoa avy tamin’ny fandaharana ara-panahy nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaminany hita maso. Niaraka taminy i Maude, vadiny, ary koa i Antonio Pires de Andrade, izay mpisava lalana niaraka taminy no sady nandika teny ho azy, teo am-boalohany fara faharatsiny. Telo taona tatỳ aoriana, dia nirahina avy tany Eoropa mba ho mpisava lalana teto i Otto Estelmann sy i Erich Kattner, izay nanokan-tena ho amin’ny fitsidihana olona tany an-tokantranony mba hampisehoana ny fomba nahafahan’izy ireo nandray soa avy tamin’ny fahamarinana ara-baiboly. Avy eo, tamin’ny 1945, dia tonga ny misionera roa avy tamin’ny kilasy voalohan’ny Sekolin’i Gileada: i Charles D. Leathco sy i Harry Black.

Nitahy ny asan’ireo sy ny an’ny mpitory ilay Fanjakana be zotom-po maro hafa i Jehovah, hany ka tamin’ny 1948, dia efa nisy Vavolombelon’i Jehovah 1 000 teto Brezila, izay nizara tamin’ny hafa ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nitombo isa haingana io antokon’olona io: 10 000 tamin’ny 1957 ary 50 000 tamin’ny 1968. Nandritra izany fotoana izany, dia voatery nohalehibeazina ny Trano sy ny orinasan’ny Betela ary tamin’ny 1968, dia nafindra avy tany Rio de Janeiro ho ao amin’ny toerana nalalaka kokoa tao São Paulo ny biraon’ny sampana. (Mba hahazoana fanazavana bebe kokoa momba ny asa teto Brezila teo anelanelan’ny 1920 sy ny 1972, dia jereo ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1973 [frantsay], pejy 33-88.)

Fanaovana izay hahazoan’ny olona ny Tenin’Andriamanitra

Dimampolo taona lasa teo ho eo izay, ny olon-tsotra katolika teto Brezila dia namonjy Lamesa foana, nivavaka tamin’i Maria foana, nankatò ny mompera foana ary tsy namaky ny Baiboly mihitsy. Fa nahoana? Voalohany aloha, ireo pretra dia nandrara ny fananan’ny andian’ondriny Baiboly izay tsy nisy ny fahazoan-dalana hatao pirinty avy tamin’ny Eglizy Katolika. Ankoatra izany, dia lafo dia lafo ny vidin’ireo Baiboly neken’ny Eglizy ireo — tsy takatry ny volan’ny mpiangona tsotra. Tsy mahagaga raha nifanena matetika tamina Katolika izay mbola tsy nahita Baiboly mihitsy ny Vavolombelona tamin’izany!

“Namaky ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo tamin’ny olona toy izany aho”, hoy ny tsaroan’i Fern, misionera efa hatramin’ny ela. “Nahay tsianjery an’io vavaka io ireo Katolika, nefa gaga izy ireo rehefa nahita azy io tao amin’ny Baiboly.” Tamin’ny toe-javatra maro, ny fahagagana dia nitarika ho amin’ny fahalianana, ary ny fahalianana dia nitarika ho amin’ilay fangatahana hoe: “Azonao itadiavana Baiboly ve aho?” Faly ny Vavolombelona nitady dikan-teny tsy dia lafo loatra tany amin’ny Fikambanana Mpampiely Baiboly breziliana.

Ireo misionera folo tao São Paulo tamin’izany dia mpitsidika matetika ny fivarotan’ny Fikambanana Mpampiely Baiboly tao amin’io tanàna io. Ireo mpiasa protestanta tao amin’ilay fivarotana anefa dia tsy faly rehefa nifindra avy teo amin’ny talantalam-bokiny ny tahiriny manontolo tamin’ny Tradução Brasileira — dikan-tenin’ny Baiboly nirakitra ny anarana hoe Jehovah — ho ao amin’ny kitapon’ireo misionera. Indray andro, dia nilaza tamin’ireo misionera ilay mpiasa tao fa tsy afaka namela azy ireo haka tamin’ireo Baiboly ireo intsony izy. Fotoana fohy taorian’izay, dia lany ny Tradução Brasileira. Tsy mahagaga raha naniry zavatra hafa indray ny Vavolombelona maro. Tamin’ny 1963, dia nisy solontena 57 avy teto Brezila tany amin’ireo fivoriambe niraisam-pirenena tany Etazonia, rehefa navoaka ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ny teny portogey. Efa-taona tatỳ aoriana, rehefa vita ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo tamin’ny teny portogey, dia tapitra teo ny andron’ny fanelezana mitsitaitaika ny Baiboly.

Nandritra ireo telopolo taona farany, dia an-tapitrisany maro tamin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao navoaka avy tamin’ireo fanontam-pirintin’ny Fikambanana, no naely nanerana an’i Brezila tany ka nisarika ny sain’ny besinimaro. Tamin’ny 1987, ny Veja, ny gazety mivoaka isan-kerinandro lehibe indrindra eto Brezila, dia nilazalaza Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao Misy Fakan-teny ho ny “dikan-tenin’ny Soratra Masina feno indrindra” eto. Mitovy hevitra amin’izany ny Vavolombelon’i Jehovah eto Brezila (maherin’ny 430 000 ankehitriny) ary mientam-po satria, ho vokatry ny ezaka fanelezana ny Baiboly ataony, dia Breziliana maro any amin’ny tanàn-dehibe sy any ambanivohitra no velom-pankasitrahana ankehitriny mamadibadika ny pejin’ny Tenin’Andriamanitra azy manokana rehefa ela ny ela.

Fampianarana fahamarinana ara-baiboly amin’ny isam-batan’olona

Zavatra iray ny mamaky ny Baiboly, fa zavatra hafa kosa ny fahazoana ny hevitr’izay vakin’ny tena sy ny fomba fampiharana azy. Izany dia mitaky fandaharam-pampianarana Baiboly atao amin’ny isam-batan’olona. Tamin’ny 1968 — herintaona taorian’ny nivoahan’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo tamin’ny teny portogey — ireo Vavolombelona 50 000 teto Brezila dia nahazo Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, boky izay hanampy azy ireo hianatra ny Baiboly.

Rehefa avy namaky ilay boky ny mpisava lalana za-draharaha iray, dia nihiaka hoe: “Hanampy olona an-tapitrisany maro hanaiky ny fahamarinana io boky io!” Ary marina ny azy. Nitombo maherin’ny avo telo heny ny isan’ny boky voapetraka tamin’io taona io. Nitombo be dia be ny isan’ny fampianarana Baiboly. Nilaza ny hevitry ny olona nianatra maro i Rute, any amin’ny faritra atsimon’i Brezila, ka nanao hoe: “Fony aho nianatra ny boky Fahamarinana, dia sady velom-pankasitrahana no romotra. Velom-pankasitrahana satria nianatra ny fahamarinana momba ny toetran’ny maty sy ny fanantenana Paradisa, ary tezitra satria namitaka ahy nandritra izay androm-piainako rehetra izay ny Eglizy Katolika.”

Avy eo, tamin’ny 1983, ireo Vavolombelona dia nandray an-tanan-droa fanampiana vaovao hampianarana ny Baiboly — ny fanontana amin’ny teny portogey amin’ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Io boky io dia nanohina ny fon’ny olona maro hafa koa avy tamin’ny saranga rehetra. Tany am-piandohan’ny 1996, dia olona maherin’ny 500 000 no nandray soa avy tamin’ny fampianarana ara-baiboly, ka ny ankamaroan’izy ireo dia tamin’ny alalan’ny fampianarana niorina tamin’io fitaovana fampianarana mandaitra io.

Raha nisy fiantraikany teo amin’ny fiainan’ny besinimaro nahay namaky teny teto Brezila ny soratra tao amin’ny boky Hiaina Mandrakizay, ireo sary ao amin’ny bokikely Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay! kosa dia nampianatra fahamarinana ara-baiboly tamin’ny maro tamin’ireo olona 28 tapitrisa tsy nahay namaky teny teto Brezila. Maherin’ny enina tapitrisa tamin’io bokikely io no natao pirinty tamin’ny teny portogey tao anatin’ireo 13 taona lasa. Mahazo ny hevitr’ireo fampianarana ara-baiboly ve ny olona tsy mahay taratasy? Eny tokoa! Raiso ny ohatr’i Maria, vehivavy zokiolona iray. Noho ny fanampian’io bokikely io, dia nanjary fantany fa ny anaran’Andriamanitra dia hoe Jehovah, fa tsy Senhor (Tompo na Andriamatoa) tsy misy hafa amin’ny anarany izay hoe Maria, fa tsy Senhora (Ramatoa) akory. Na dia tsy nahare ny anaran’Andriamanitra mihitsy aza izy talohan’io, dia nanaiky tamim-pankasitrahana io fahamarinana vaovao io na dia tamin’ny fianarany Baiboly voalohany aza. Rehefa handeha ilay Vavolombelona nampianatra azy, dia niantso i Maria hoe: “Homba anao anie i Jehovah!” Tena hita ho marina iny firarian-tsoa feno fahatsoram-pon’i Maria iny. Noho ny fitahian’i Jehovah, dia nandroso ny fampianarana ara-baiboly teto Brezila.

Fanitarana indray ny toerana hanaovana pirinty

Tamin’ny 1971, telo taona taorian’ny namindrana ny biraon’ny sampana tao São Paulo, dia nihoatra ny 70 000 ny isan’ny Vavolombelona narisika. Tamin’io taona io, dia nisy kongregasiona 1 202 nanerana an’i Brezila; nanokana ora maherin’ny 11 000 000 ho an’ny fanompoany ampahibemaso ny Vavolombelon’i Jehovah; ary nitarika, tamin’ny antsalany, fampianarana Baiboly 58 902 izy ireo. Mba hanomezana ny fitarihan-dalana sy ny fitaovana nilaina ho an’io fandaharam-pampianarana io, dia hita fa ho voatery hohalehibeazina indray ny tranon’ny sampana. Nitady ny fitarihan-dalan’i Jehovah ireo rahalahy, ka nanome fiheverana an’io zavatra nilaina io.

Nandritra ny taona maro, ny fanontana amin’ny teny portogey amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana dia natao pirinty teto Brezila tamin’ny presse typographique (milina fanontam-pirinty ampiasana lohavy) tranainy iray. Tamin’ny 1957 anefa, noho ny fitomboan’ny fangatahana, sy ny zava-nanahirana teo amin’ilay milina (izay namboarina tamin’ny 1918), ary ny tsy fahampian’ny tahirin-taratasy, dia nafindra tany New York io fanaovana pirinty io. Izao, rehefa hita ny vahaolana ho an’ireo zava-nanahirana momba ny milina sy ny taratasy, dia afaka nanohy nanao pirinty teto Brezila indray ireo rahalahy.

Mba hanomezana ny toerana nilaina ho an’ny fanontam-pirinty, dia nanomboka ny asa fanorenana ny fanampin’ny tranon’ny sampana. Ankoatra izany koa, dia natao ny fandaharana mba hanafarana rotative typographique (milina ampiasana horonan-taratasy) mandeha haingana be. Noho ireo gazetintsika manome fampianarana, dia natao ny ezaka mba hahazoan-dalana tsy handoa haban-tseranana tamin’ny fanafarana ilay milina. Indraindray anefa, ireo fikambanana ara-pivavahana, izay nahazo lalana tsy handoa haban-tseranana, dia nivarotra ireny entana ireny tatỳ aoriana mba hahazoana tombony be. Mora azo raha tsy vonona hanome izany fahazoan-dalana izany intsony ho an’ireo fivavahana ny sasany tamin’ireo manam-pahefana. Kanefa, nisy fanampiana tonga avy tamin’ny loharano tsy nampoizina — mpiasam-panjakana iray izay nisalasala momba ny fisian’Andriamanitra. Nampiseho fahalianana tamin’ny fangatahanay fahazoan-dalana tsy handoa haban-tseranana izy ary nanoro ny fomba tokony harahinay. Tamin’ny Novambra 1972, rehefa afaka efa-bolana monja, dia azo ilay fahazoan-dalana notadiavinay. Hoy ny tadidin’i Augusto Machado, izay niasa tao amin’ny biraon’ny Fikambanana: “Nampianarina hatrany am-boalohany mihitsy izahay, satria tsy nahalala ny abidin’ilay izy; nefa noho ny fatokiana an’i Jehovah, sy tamin’ny fanaovana izay nasaina hataonay, dia nahazo izay nilainay izahay. Tena mitarika ny mpanompony tokoa i Jehovah.”

Nisy zavatra be dia be tsy maintsy nianarana

Nanome zava-tsarotra vaovao ny fahatsinjovana ny hanao pirinty tamin’ny rotative typographique mampiasa horonan-taratasy. Ilay milina nosaratsarahina tanteraka dia tonga tamin’ny Desambra 1972, tao anaty kesika lehibe 47, izay nilanja enina taonina ny sasany taminy. Mba hahazoana antoka fa voapetraka araka ny tokony ho izy ilay izy, dia nirahina avy tany amin’ny foibe maneran-tany i Milan Miller. Nandrindra ny asan’ny rahalahy sivy mba hanangana ilay milina ho vonon-kiasa izy ary avy eo dia nampianatra azy ireo ny fomba fampiasana azy. Ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fananganana ilay milina ho vonon-kiasa dia nanampy azy ireo hahatakatra ny fomba fikarakarana azy. Ny ankamaroan’izy ireo dia rahalahy tanora izay tsy nahalala firy na nahalala na inona na inona momba ny fanaovana pirinty talohan’izay. I Karl Rietz, izay nandray anjara tamin’io tetik’asa fananganana ilay milina ho vonon-kiasa io, no mpiandraikitra ny fanontam-pirinty, ary mbola manompo amin’io toerana io ihany izy mandraka ankehitriny.

Tokony ho tamin’io fotoana io ihany, dia tonga ilay taratasy nohafarana mba hanaovana pirinty ireo gazety. “Nilanja 150 taonina ilay entana voalohany”, hoy ny tsaroan’i Euclides Justino, izay nirahina avy tany amin’ny Betela ho any amin’ny seranana mba haka azy. “Nandamina ny hisian’ny kamiao mba hitatitra ilay taratasy avy tany amin’ny seranana tany Santos ho any amin’ny Betela tao São Paulo izahay. Tsy takatray anefa fa, satria tsy nanao afa-tsy ny nampakatra ireo horonan-taratasy teo ambonin’ireo kamiao ilay fanaingana entana tany amin’ny seranana, dia hila lehilahy natanjaka izahay mba handamina ireny horonana navesa-be ireny teo amin’ireo kamiao. Koa nianika teo ambonin’ny iray tamin’ireo kamiao àry izahay sy ny Rahalahy Machado ary nanomboka nanatongilana ireo horonana — izay samy nilanja 400 kilao avy — ary nanakodia azy ireo ho eo amin’ny toerany. Toran’ny hehy ireo mpibata entana nijery rangahy roa nanao karavato nitolona tamin’ireo horonana. Soa ihany fa efa ho fotoan’ny sakafo antoandro tamin’izay, ka tsy ela dia niala izahay. Nandritra ny fotoan’ny fisakafoana, dia nanakarama olona hamita ilay asa izahay.” Nianatra niandalana hanao ny sasany tamin’ilay asa nifandray tamin’ny fanaovana pirinty tamin’ny milina rotative, anefa ireo rahalahy.

Tamin’ny 1973, dia nisy milina rotative faharoa tonga, izay afaka nanao pirinty, toy ilay voalohany, gazety 12 500 isan’ora. Nanomboka tamin’izay, dia nisy milina hafa koa — izay afaka nampiasa loko efatra — natsangana ho vonon-kiasa. Koa arakaraka ny fandehan’ireo taona àry, dia naharaka ny fangatahan’ny olona zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly izahay.

Fitokanana ilay fanampiny vaovaon’ny Betela

Tokony ho efa-bolana talohan’ny nahatongavan’io milina faharoa io, dia nalamina ny hitokanana ilay fanampiny vaovaon’ny Betela. Nisy naneho fisalasalana ny amin’ny hahavitan’ilay asa fanorenana ara-potoana. Hoy anefa ny valin-tenin’i Fred Wilson, mpiandraikitra ny sampana: “Tsy mahalala an’ireo rahalahintsika ianareo izany.” Tsy niroa fo izy ireo nanao ilay asa, ka tsy niala teo hatramin’ny alina be, ary na dia ny asabotsy sy ny alahady koa aza. Tamin’ny 17 Martsa 1973, ny andron’ny fitokanana, dia mbola namita zavajavatra kely sasany izy ireo. Tamin’ny mitataovovonana, dia vonona ny zava-drehetra! Nivoaka ny vavahady aoriana ilay kamiao farany nitondra fako, rehefa nanomboka niditra ny efitra fandraisam-bahiny ireo mpitsidika!

Tonga teo an-toerana ho amin’ilay fotoan-dehibe i Nathan H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany, sy i Max Larson, mpiandraikitra ny orinasa tany Brooklyn. Ny Rahalahy Knorr no nanao ny lahateny fitokanana. Ny ampitso, dia nisy fandaharana manokana naharitra adiny telo ary natrehin’olona maherin’ny 28 000 izay nameno hipoka ny Kianja Mitafon’i Ibirapuera. Tamin’io fotoana io, rehefa avy niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fandinihana tsy tapaka ny andinin-teny ho an’ny andro ny Rahalahy Knorr, dia namoaka ny Diary 1973, izay nivoaka voalohany tamin’ny teny portogey. (Teo aloha, dia niseho tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny fanazavana nampiasaina ho an’ny fiaraha-midinika ny andinin-teny ho an’ny andro, tamin’ny teny portogey.) Izany famakiana sy fiaraha-midinika isan’andro tapany iray amin’ny Tenin’Andriamanitra izany dia zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’i Jehovah, ary mifanaraka amin’izay nolazain’ny tenan’i Jesosy Kristy hoe: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” — Matio 4:4.

Fivoriambe Niraisam-pirenena “Fandresen’Andriamanitra”

Ny taona 1973 dia nifarana tamin’ilay fivoriambe lehibe indrindra nataon’ny vahoakan’i Jehovah teto Brezila hatramin’izay, tao amin’ny Kianjan’i Pacaembu tao São Paulo, tamin’ny 26-30 Desambra. Nisy balaonina goavam-be nanambara ilay loha hevitra hoe “Fandresen’Andriamanitra”, nisavoana teo ambonin’ilay kianja. Ilay fandaharana dia nanatanjaka ny fieken’ireo izay nanatrika fa tena hitondra ny fitahiana lehibe indrindra ho an’ny olombelona ny fandresen’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanjakany. Nandritra ilay fivoriambe mihitsy izy ireo dia nahita porofo fa ny fampianarana momba ny sitrapon’Andriamanitra voarakitra ao amin’ny Baiboly dia efa nanova sahady ny fiainan’ny olona an’aliny maro teto Brezila. Valo amby roapolo taona talohan’io, ny Rahalahy Knorr dia niresaka tamin’ny mpanatrika 765 tao amin’ny kianja mitafo iray teo akaiky teo. Tamin’izay fotoana izay, rehefa nijery tany amin’ilay kianja makadiry izy, dia nanontany raha mba hahafeno io toerana io ny Vavolombelon’i Jehovah eto Brezila indray andro any. Nanjary zava-misy io hevitra io tamin’ny 1973, rehefa niresaka tamin’ny mpanatrika 94 586 nameno hipoka io kianja io ihany ny Rahalahy Knorr! Ny omalin’iny, dia minisitra vaovao 3 187 no natao batisa. Iny fivoriambe naharitra dimy andro iny dia efa porofon’ny fandresen’Andriamanitra!

Nisy solontena tonga teo an-toerana avy tamin’ny faritra rehetran’i Brezila. Avy tany amin’ny tanànan’i Manaus, renivohitry ny Fanjakan’i Amazonas — tokony ho 4 000 kilaometatra avy teo — dia nisy aotobisy telo sy fiara efatra nitondra solontena; izy ireo no olona voalohany nandeha tamin’ilay Lalam-be tsizarizary namakivaky an’i Amazonia. Ny antokon’olona iray hafa dia nanao dia 3 000 kilaometatra teo ho eo avy tany Belém, any amin’ny moron-tsiraka avaratra, ary ny fiarandalamby manokana iray sy ny aotobisy maherin’ny 180 dia nitondra solontena falifaly avy tany Rio de Janeiro. Be dia be aoka izany ny fampahafantarana ampahibemaso natao, hany ka nitsidika ny toerana nanaovana ilay fivoriambe ny governoran’ny fanjakan’i São Paulo sy ny ben’ny tanàna.

Zava-tsarotra ny fahazoana filasiana ho an’ireo solontena an’arivony maro ireo, satria maro taminy no tsy nanana fahafahana ho any amin’ny hotely. Fangatahana filasiana 21 000 teo ho eo no nokarakarain’ny Sampan-draharahan’ny Filasiana. Nifanaraka tamin’ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hanaraka ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny’, ny Vavolombelona sy ny olon-kafa dia nanome toerana tao amin’ny tokantranony. (Rom. 12:13, NW ). Solontena maherin’ny 6 000 no nilasy tao amin’ireo Efitrano Fanjakana. Ireo solontena rehetra avy tany Amazonia dia samy nomena filasiana tao amin’ny orinasa iray natolotry ny vadin’ny anabavy iray. Ny kidoro dia nampindramin’ny Vavolombelona sy ny olona liana.

Roa volana tatỳ aoriana, dia naverina tany Salvador, any Bahia, koa io fandaharan’ny fivoriambe io, ka olona 32 348 no nanatrika tany.

“Aoka ho masina hianareo”

Na dia tsy nankasitraka ny fampiasana sigara sy paraky aza ny Vavolombelon’i Jehovah, ny maha-zava-dehibe io raharaha io dia tsy voavaka tsara raha tsy tamin’ny 1973. Koa nanohy nifoka sigara àry ny Vavolombelona sasany, na dia vita batisa aza. Kanefa, tamin’ny fotoany, i Jehovah dia nanampy ireo mpanompony hahay hanavaka ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly izay tokony hisy fiantraikany eo amin’ny fihetsiny momba io fahazarany io. (2 Kor. 7:1; Gal. 5:19-21, NW, fanamarihana ambany pejy). Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1973 (tamin’ny teny portogey), dia nanondro fa, nanomboka izao, izay rehetra naniry hatao batisa dia ho voatery tsy hampiasa sigara na paraky intsony. Ireo izay efa vita batisa kosa, nefa mbola nifoka, dia nomena enim-bolana hialana tamin’io fahazarana io, raha tiany ny hitoetra ho mpikambana tao amin’ny kongregasiona.

Nanana antony nanosika tsara ny ankamaroany, ka afaka nanafa-tena tamin’io fahazarana maloto io. Ny rahalahy iray izay mbola nifoka tamin’io fotoana io, na dia vita batisa tamin’ny 1964 aza, dia nanjohy hevitra hoe raha afaka niala noho ny antony ara-pahasalamana ny hafa, dia vao mainka izy no tokony ho afaka hiala mba hahafahana hanohy hanompo an’i Jehovah. Marina fa noroahina ny sasany, nefa ny sasantsasany tamin’ireo dia nanova ny sainy sy ny fony tamin’ny farany, ka niala tamin’ny fifohana ary dia noraisina indray. Tamin’izany fomba izany, ny vahoakan’i Jehovah dia nanohy nampifanitsy ny tenany tamin’ny fari-pitsipika ambonin’ny fahamasinan’Andriamanitra. — Lev. 19:2; 1 Pet. 1:16.

Mihatapitra ve ny fotoana?

Ho fikendrena ny hanampy ny olona hahita fa ilaina maika ny miandany amin’i Jehovah eo amin’ny raharaha ny amin’ny fiandrianana, dia nisy fanelezana be dia be ny taratasy mivalona Vaovao Momba Ilay Fanjakana natao nandritra ireo taona 1970. Mihatapitra ve ny Fotoana ho An’ny Olombelona? no lohatenin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 16. Hoy ny nohazavain’i Amaro Santos, izay nanompo teto amin’ny Betela nandritra ireo 25 taona farany: “Ny Fikambanana dia nandefa taratasy mivalona 100 isaky ny mpitory, ho an’ny kongregasiona tsirairay, mba haely maimaim-poana tao anatin’ny folo andro monja, nanomboka tamin’ny 22 ka hatramin’ny 31 Martsa 1974. Ilay taratasy mivalona dia natao pirinty tamin’ny endriny nanintona, ka nahasarika na dia ny sain’ireo izay mazàna no tsy niraika tamin’ny hafatra momba ilay Fanjakana aza. Mpitory vaovao maherin’ny 7 000 no nanatevin-daharana ny Vavolombelona hafa mba hanelezana taratasy mivalona valo tapitrisa.”

Ny sasany izay nahazo ilay taratasy mivalona dia nanao zavatra avy hatrany nifanaraka tamin’izay nianarany. Marina izany ny amin’ny mpianatra iray tany amin’ny fianarana ambony tany São Paulo, izay 22 taona. Nanohina azy ny naha-maika ny tarehin-javatra, hany ka nanaiky hianatra ny Baiboly tamin’ny alalan’ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay izy. Tsy ela izy dia nanomboka niresaka momba izay nianarany, tamin’ny olon-kafa tany am-pianarana, ary telo volana tatỳ aoriana, dia nandray anjara tamin’ny fanelezana manokana taratasy mivalona iray hafa ny tenany.

Nisy ezaka mafy natao mba hahatratrarana ny olona na dia tany amin’ny faritra lavitra aza. Nisy mpitory tanora nandray anjara tamin’izany tamim-pifaliana. Mikasika izay nataon’ny roa tamin’ny tanora toy izany tany amin’ny fanjakan’i Rio Grande do Sul, dia hoy ny nosoratan’i Belarmino Colla, izay 15 taona tamin’izany: “Niala tao an-trano tamin’ny enina ora maraina izahay, ary satria nifanalavitra be ireo trano, dia tsy nahita na iza na iza izahay mandra-pahatongan’ny tamin’ny folo ora maraina. Indraindray dia voatery nandeha an-tongotra izahay, satria tsy azo natao ny nitaingin-tsoavaly tamin’ireo lalan-kely. Nitory mandra-pahatongan’ny tamin’ny valo ora sy sasany alina izahay, ary avy eo dia natory tany amin’ny olona liana iray. Tamin’ny fito ora ny ampitso maraina, dia nanomboka indray izahay, ka nitory hatramin’ny telo ora tolakandro, ary avy eo dia niverina hody, ka tonga tamin’ny misasak’alina. Tao anatin’ny roa andro, dia nanao dia an-tongotra 90 kilaometatra izahay, nefa tsy nahapetraka afa-tsy taratasy mivalona 30.” Takatr’ireny mpitory ilay Fanjakana ireny fa ilay hafatra nampitainy dia nametraka teo anoloan’ny olona fahafahana iray izay mety hidika ho fiainana mandrakizay, ary koa fa olona an-tapitrisany maro teto Brezila no nila ny fahafahana handray soa avy taminy. Nahatsapa ny naha-maika ny fotoana natoron’ny lohatenin’iny taratasy mivalona No. 16 iny izy ireo.

‘Tsy azo atao ny mandositra ny Vavolombelona’

Tamin’ny 1974, i Edivaldo Gil da Silva sy i Marli vadiny, izay mpisava lalana manokana tamin’izany fotoana izany, dia nandamina ny hiara-mianatra Baiboly indroa isam-bolana tamin’ny ramatoa iray nipetraka tany amin’ny toeram-pambolena iray lavitra be, tany akaikin’i Ribeirão Prêto, tany amin’ny Fanjakan’i São Paulo. Mba hahatongavana tany, dia nanao auto-stop tamin’ny kamiao mpitatitra ronono tamin’ny efatra ora maraina izy ireo, ary avy eo dia mbola nanao dia an-tongotra folo kilaometatra. Nandeha tsara ny fianarana nandritra ny volana vitsivitsy; avy eo dia nanomboka nanohitra ny vadin’ilay ramatoa. Namindra toerana ny fianakaviany mihitsy aza izy, ka tsy namela adiresy vaovao.

Tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray, valo taona tatỳ aoriana, dia nisy mpivady nanatona an’i Edivaldo sy i Marli, ka nanontany hoe: “Tadidinareo ve izahay? Izahay ilay mpivady notsidihinareo tany amin’ilay toeram-pambolena.” Nanazava ilay rangahy fa nifindra trano izy mba handosirana ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa tonga tany amin’ny tranony vaovao izy ireo, ary na dia talohan’ny nampidinany ny entany avy teny ambonin’ny kamiao aza, dia nisy Vavolombelona roa nipoitra ary niresaka tamin’izy ireo momba ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Nampieritreritra an’ilay rangahy izany. Nanaiky fampianarana Baiboly izy ary nanao fandrosoana tsara; volana maromaro tatỳ aoriana dia samy natao batisa izy mivady.

Fitsidihana namelombelona ara-panahy

Tamin’ny Septambra 1974, dia nisy fampifaliana manokana nankafizin’ireo rahalahy tao São Paulo. Inona izany? Ny fitsidihan’i Frederick W. Franz, izay prezidà lefitry ny Fikambanana Watch Tower tamin’izany. Tsy fitsidihany voalohany an’i Brezila akory io. Niaraka tamin’ny Rahalahy Knorr izy dia efa nanana anjara tamin’ny fandaharan’ny fivoriamben’ny distrika iray tao São Paulo tamin’ny 1945. Tamin’itỳ indray mandeha itỳ anefa, dia niaraka taminy i Karl Klein, izay tsy ela taorian’izay, dia nanomboka niara-nanompo taminy tao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanao vakansy telo andro tao São Paulo izy mirahalahy, nefa nahita fifaliana koa nanome “fanomezana ara-panahy” ho an’ireo rahalahiny kristiana. (Rom. 1:11, 12, NW ). Mety hisy zavatra mahafinaritra kokoa noho ny fiaraha-midinika zavatra ara-panahy ve? Haingana àry dia natao ny fandaharana mba hisian’ny fivoriana manokana tao amin’ny sinema iray. Nisy 2 000 ny tontalin’isan’ireo nanatrika.

Hoy ny tsaroan’i Massasue Kikuta, izay mpikambana tao amin’ny biraon’ny sampana hatramin’ny 1967: “Nahagaga ny rehetra ny Rahalahy Franz tamin’ny fanaovana ny lahateniny tamin’ny teny portogey nisosa tsara. Tsy nampiasa Baiboly na fandraisana an-tsoratra izy (efa niharatsy ny fahitany tamin’izay), nefa nanonona sy nanazava ny Salamo faha-91 manontolo, isan’andininy, nandritra ny maherin’ny adiny roa izy, na dia efa 80 taona aza.” Re tatỳ aoriana fa nanao toy izany koa izy tamin’ny teny espaniola ho an’ireo rahalahy tany Paragoay!

Nianatra ny fahamarinana ny kamboty 11 mianadahy

Tokony ho tamin’io fotoana io ihany, ny fianakaviana iray tao amin’ny fanjakan’i Goiás dia nila fanampiana maika mba hahatakarana ny antony isian’ny fahorian’ny olombelona sy ny tena zava-kendren’ny fiainana. Ny rain’izy ireo, izay ketraka noho ny zava-nanahirana ara-bola mafy, dia namono tena, ary volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia narary fo ka maty ny renin’izy ireo. Kamboty ireo mpianakavy sisa tavela tamin’ny fianakaviana Vinhal — izy 11 mianadahy. Rehefa namely toy izany ny fianakaviany ny loza tamin’ny 1974, dia 17 taona ilay zokiny indrindra ary 40 andro ilay zandriny indrindra. Noho ny fikirizana sy ny asa mafy, dia afaka niara-nipetraka ny dimy tamin’izy ireo, fa ireo enina zandriny kosa dia voatery nalefa hiara-nipetraka tamin-kavana. Niezaka hampionona azy ireo ny olona sasany, ka nilaza fa sitrapon’Andriamanitra ny fahoriana nanjo azy. Mazava ho azy fa vao mainka nampahory azy ireo fotsiny izany.

Ilay vavimatoa, i Maria Lucia, dia nanana fanontaniana lehibe momba an’Andriamanitra sy momba ny Eglizy Katolika. Rehefa nahare Vavolombelona iray nanolotra fampianarana Baiboly maimaim-poana ho an’ny iray tamin’ireo mpiara-miasa taminy izy, dia taitra ny fahalianany. Nahamarika ny fahalianany ny mpiara-miasa iray, ka nanao fanomezana ho azy ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Rehefa nahita an’ilay Vavolombelona indray i Maria Lucia andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nangataka mafy ilay fianarana Baiboly maimaim-poana natolotra an’ilay mpiara-miasa taminy izy. Ny fampanantenana ny fananganana ny maty, voarakitra ao amin’ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 5:28, 29, dia nameno fanantenana azy. Ny fianarany izay lazain’ny Baiboly momba ny antony amelan’Andriamanitra ny faharatsiana hisy dia nanampy azy hahatakatra fa tsy nanadino azy ireo izy. Tatỳ aoriana, dia nanjary fianakaviana niara-nipetraka indray izy rehetra, afa-tsy ilay zandriny indrindra. Nifampahery ara-panahy izy ireo. Samy nianatra ny Baiboly sy natao batisa izy 11 mianadahy. Avy tao amin’ny Baiboly izy ireo dia nianatra fotopoto-pitsipika momba ny fitondran-tena kristiana. Tamin’ny heviny ara-panahy, dia tsy kamboty intsony izy ireo, fa nahazo “rahalahy sy anabavy sy reny” zato heny. (Marka 10:29, 30). Amin’izao andro izao, ny iray amin’ireo ankizivavy dia mpisava lalana manokana, ny iray hafa misionera any Paragoay ary i Paulo dia manompo ato amin’ny Betelan’i Brezila miaraka amin’ny vadiny.

Mpitory 100 000!

Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nisy fitomboana tsy an-kijanona teo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana. Ny taom-panompoana 1959 dia nampiseho fitomboana 23 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny taona teo aloha. Nandritra ireo folo taona nanaraka, dia nihena ny taham-pitomboana, ka nijanona teo amin’ny 9 ka hatramin’ny 14 isan-jato. Avy eo, tamin’ny 1975, dia niakatra ho 16 789 ny isan’ny olona natao batisa, ary vao voalohany ny isan’ny mpitory no nihoatra ny 100 000, izay nanamarika fitomboana 17 isan-jato raha oharina amin’ny tamin’ny taona teo aloha. Vao voalohany koa ny isan’ny mpisava lalana manokana teny amin’ny saha no nihoatra ny 1 000, satria nitombo ny fanantitranterana ny fiasana ireo faritany nitokana sy tsy niasana firy. Na dia nihena aza ny taham-pitomboana tamin’ireo folo taona nanaraka, ny asa fitoriana dia nandroso ihany. Ary nisy fitomboana hafa koa nampoizina.

Tamin’izany fotoana izany, i Brezila dia nanana mponina maherin’ny 100 tapitrisa, ary ny tokony ho 20 isan-jaton’ireo dia mbola tsy nitondrana ny vaovao tsara tsy tapaka. Maro tamin’ireo no nipetraka tany amin’ny tanàna kely, lavitra ireo tanàn-dehibe. Ho fanandramana hahatratra ireny olona ireny sy handamina fivoriana any amin’izay nahitana fahalianana ampy, dia nanome ny fanekeny ho an’ny fanendrena mpisava lalana manokana vonjimaika, ankoatra ireo 1 000 efa mpisava lalana manokana, ny Fitambara-mpitantana. Tamin’ny voalohany, ny sasany dia notendrena nandritra ny telo volana; tatỳ aoriana, dia nohalavaina izany fe-potoana izany. Ny voalohany tamin’ireo mpisava lalana manokana vonjimaika ireo dia notendrena tamin’ny Novambra 1985, ka 128 no nirahina tany amin’ny tanàna 113 samy hafa. Tena nampahery ny vokatra azo.

Tao amin’ny tanànan’i Goiás, rehefa niverina nitsidika ramatoa iray izay nangataka iray tamin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao ireo mpisava lalana, dia nahita azy nitomany. Fa nahoana? Nilazana izy fa tsy tokony hamaky io Baiboly io, satria hoe nisy anarana hafa ho an’Andriamanitra izy io hoe Jehovah. Rehefa nampiana mba hamotopototra ilay raharaha anefa izy sy ireo namany, dia nianatra fa ny anarana hoe Jehovah dia hita koa tao amin’ny toerana sasany tao amin’ny Baibolin’izy ireo. Romotra tamin’ny pastoran’ny fiangonany izy. Ho vokany, dia fampianarana Baiboly 45 vaovao no natomboka!

Tany amin’ny fanjakan’i Piauí, dia nahitana rangahy iray izay nangetaheta ny ranon’ny fahamarinana. Talohan’ny nahitan’ireo mpisava lalana azy, dia efa namaky tapany tamin’ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany nindraminy izy. Nanjary feno risi-po aoka izany izy momba izay novakiny, hany ka tapa-kevitra ny handika tanana ilay boky. Rehefa nahita azy ireo mpisava lalana, dia efa nandika toko 21 sahady izy. Toy inona moa ny hafaliany nahazo ny azy manokana tamin’ilay boky vita pirinty sy nahazo fianarana Baiboly tsy tapaka tamin’izy io!

Ny anabavy mpisava lalana roa izay nanompo tao amin’ny fanjakan’i Sergipe dia tojo fanoherana mafy avy tamin’ny diakra iray tao am-piangonana, izay nisolo toerana ny mompera. Inona no vokany? Nampandre ny besinimaro tamin’ny alalan’ny haut-parleur ilay diakra hoe tsy anaran’Andriamanitra ny hoe Jehovah, fa anarana noforonin’ny antokom-pivavahana amerikana iray. Vao mainka nanaitra ny fahalianan’ny mpikambana maro tao amin’ny fiangonana fotsiny izany, ary tao anatin’ny fotoana fohy, dia nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantrano 67 ireo mpisava lalana!

Tany Rio Grande do Norte, ireo mpisava lalana dia nanomboka fampianarana tamin’ny ramatoa iray izay nankafy aoka izany ny fianarany voalohany, hany ka nanasa ireo mpifanila trano taminy izy mba ho tonga tamin’ilay nanaraka. Ho fanomanana izany, dia nindrana dabilio dimy tamin’ny sekoly izy. Olona 30 no nanatrika, nefa nisy hafa koa naniry hiditra, hany ka notohizina tao an-tokotanin’ilay sekoly ny fianarana.

Tao amin’ny tanàna kelin’i Mato Grosso do Sul, dia nianatra ny Baiboly ny dokotera iray sy ny vadiny, ary tatỳ aoriana, dia nanomboka nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Namelona resaka be tao an-tanàna ny fahitana ilay dokotera nandeha isan-trano mba hiresaka momba ny Baiboly. Rehefa hitan’ireo mpisava lalana niara-nianatra tamin’io mpivady io fa nila ny handeha amin’izay ny tenany, dia ilay dokotera sy ny vadiny sisa no hany Vavolombelona narisika tavela tao. Nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy izy ireo, ary tatỳ aoriana dia ny an’ny mpisava lalana maharitra. Tamin’ny voalohany, dia nanao ireo fivoriana samirery izy ireo, nefa tatỳ aoriana, dia nisy kongregasiona iray nisy mpitory folo niforona. Manompo ato amin’ny Betelan’i Brezila izao io mpivady io.

Ireo Efitrano Fivoriambe voalohany

Rehefa nitombo ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Brezila, dia nihananjary sarotra ny nahita toerana sahaza hanaovanay fivoriambe. Ny fanandramana voalohany hahazo ny toerana anay manokana dia tao Salvador, any Bahia, izay manana toetr’andro mafana sy malefaka mandavan-taona. Tamin’ny 1975, dia naorina teo amin’ny ilany misolampin’ny lohasaha iray, ny amphithéâtre iray, izay nitafo sasaka ary nanana laharana dabilio rihibato natao ho an’ny olona 4 000. Nantsoina hoe Saha Fivoriambe izy io. Tatỳ aoriana, tamin’io taona io ihany, dia nanomboka ny fanorenana Efitrano Fivoriambe iray tao amin’ny faritra feno ala tsara tarehy tao Ribeirão Pires, any São Paulo, tokony ho 40 kilaometatra avy teo amin’ny tanànan’i São Paulo. Taona maromaro tatỳ aoriana, dia naorina ny efitrano iray hafa, natao nifanila tamin’ilay voalohany ary nampifandraisina taminy tamin’ny alalan’ny télévision en circuit fermé. Nahazaka mpanatrika 3 300 tamin’ny fitambarany izy roa ireo. Tamin’ny 1979, dia natomboka ny fanorenana Efitrano Fivoriambe faharoa, tao Duque de Caxias, teo akaikin’i Rio de Janeiro.

Naneho toe-tsaina feno risi-po ireo izay niasa tamin’ny fanorenana ireny Efitrano Fivoriambe ireny. Io toe-tsaina tsara dia tsara io dia nanonitra izay tsy fahampian’ny fanandraman-javatra teo amin’ny maro sy ny tsy fananana milina sy fitaovana nifanentana. Ohatra, tao Ribeirão Pires, dia nilaina ny nandavaka hatrany amin’ny fito metatra mba hahatratrarana tany mafy hanaovana ny fototr’ireo fanorenana. Lapelina mekanika no nampiasaina, nefa tsy azo nampiasaina afa-tsy hatreo amin’ny antsasak’ilay halalina nilaina ilay izy. Tsy maintsy nolavahana tamin’ny lapika sy ny angady ny ambiny. Lavaka maherin’ny 20 toy izany no tsy maintsy nolavahana.

Ahoana ny amin’ny fampifangaroana sy fandrarahana ny rihibato? Tsy nisy orinasa fanaovana rihibato na kamiao mpampifangaro rihibato azo nampiasaina ho an’ilay tetik’asa tao Ribeirão Pires. Hoy ny tsaroan’i Natal Batulevicins, mpikambana ato amin’ny fianakavian’ny Betela: “Ilay rihibato dia nampifangaroina tao anaty fitaovana mpampifangaro rihibato tranainy roa, izay nofenoina tamin’ny tanana, ary avy eo dia nentina tamin’ny broety tany amin’ny faritra tokony hatao rihibato. Nisy filaharana mpiasa an-tsitrapo 20 na 30 samy nanosika broety. Tamin’ireo faritra avo sy sarotra tratrarina, dia nisy olona faharoa nisintona ireo broety tamin’ny faraingo. Mba handrarahana ilay rihibato tamin’ireo gorodona, ny mpiasa an-tsitrapo rehetra — anisan’izany ireo mpiasa tao amin’ireo birao — dia nandray anjara tamin’ilay asa, izay naka 24 ora indraindray.”

Fitantanan-draharaha vaovao

Ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, ny taona 1976 dia nahitana fiovana lehibe teo amin’ny firafitry ny fandaminana ireo sampana. Tamin’ny 1 Febroary tamin’io taona io, dia nanjary nanan-kery ny fandaharana ny amin’ny Komitin’ny Sampana. Tsy mpiandraikitra iray monja, fa komitin-drahalahy matotra ara-panahy nisolo tena ny Fitambara-mpitantana kosa no notendrena hanara-maso ny asa ao amin’ny tany tsirairay. Izy rehetra ireo dia lehilahy zokiolona ara-panahy avokoa, mpiandry ny andian’ondrin’Andriamanitra.

Teto Brezila, ilay komity dia voaforon’ny mpikambana fito tamin’ny voalohany: i Massasue Kikuta, i John Kushnir, i Augusto Machado, i Karl Rietz, i Amaro Santos, i Heinrich Selbert, ary i Fred Wilson. Tamin’ireo taona nanaraka, dia voatery nandao an’i Brezila ny Rahalahy Selbert, noho ny andraikitra ara-pianakaviana, ary ny Rahalahy Kushnir dia nody mandry tamin’ny 1988. Ny hafa dia manohy manompo ao amin’ilay komity, ary tamin’ny 1995, i Östen Gustavsson dia notendrena mba ho ny mpikambana fahenina ao amin’ilay komity. Tany amin’ny faramparan’ny 1976, ny mpikambana sasany tao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Brezila, niaraka tamin’ny solontenan’ny sampana hafa naneran-tany, dia nandray anjara tamin’ny fivoriana nataon’ny Fitambara-mpitantana tany New York. Ireny fivoriana ireny dia natao mba hampahafantarana tsara kokoa tamin’ireo mpikambana ao amin’ny komitin’ny sampana ny andraikiny sy ny mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana ary ny foibe maneran-tany.

Fandraisana soa be kokoa avy tamin’ireo fivoriamben’ny distrika

Tamin’ny 1976 koa, dia nanomboka nanehoana fiheverana ny nilana hanatsara ny fanamafisam-peo tany amin’ny fivoriamben’ny distrika. Teo aloha, dia amplis sy haut-parleurs natao ho an’ny toerana kely no nampiasaina. Indraindray, dia karazany maro samy hafa — izay antitra be ny sasany taminy — no niara-nampiasaina tamin’ny fotoana iray. Ny vokany? Fampitana feo tsy nahomby sy fampiatoana ny fandaharana matetika.

Asa naharitra aman-taonany maro sy fitaovana vaovao be dia be no nilaina mba hanatsarana io tarehin-javatra io. Ankehitriny, any amin’ny ankamaroan’ireo fivoriamben’ny distrika, dia samy afaka mahare mazava sy mankafy ilay fandaharana ara-panahy ny mpanatrika tsirairay. Zava-dehibe izany rehefa takatsika fa tamin’ny 1995, dia nisy fivoriamben’ny distrika 158 tany amin’ny tanàna 82 samy hafa, ary koa fa ireo olona 724 849 nanatrika izany dia nandany fotoana sy hery ary fananana be dia be mba ho tonga teo. Mendrika ny fanamafisam-peo tsara indrindra izy ireo, mba hanovozana soa feno avy amin’ny fandaharana. Faly noho ireo vokatra azo ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray tany Rio Grande do Norte, ka nanoratra toy izao tamin’ny 1994: “Fifaliana ho ahy ny mampahafantatra aminareo fa tamin’ny fivoriamben’ny distrikanay, dia faran’izay tsara ny fanamafisam-peo, ary ho vokany, dia tena nihaino tsara ireo rahalahy ary naka an-tsoratra be dia be.”

Ahoana anefa ny amin’ny hatsaran’ny fanamafisam-peo ao amin’ireo Efitrano Fanjakana manerana an’i Brezila? Tamin’ny 1993, dia fandaharana manokana maherin’ny 100 no natao nanerana an’i Brezila mba hanomezana fanoloran-kevitra azo ampiharina momba ny fomba hampitomboana ny hatsaran’ny fanamafisam-peo ho an’ireo fivorian’ny kongregasiona. Rahalahy maherin’ny 9 000 no nanatrika ireny lahateny ireny, ary hoy ny notantarain’ny mpampianatra iray: “Ilay lahateny tao Floriano, any Piauí, dia natao nandritra ny fe-potoana nisian’ny hain-tany faran’izay mafy, ary ireo rahalahy dia sahirana mafy ara-bola. Na dia izany aza, dia tonga avokoa izay rehetra nasaina! Ny sasany nanao dia nandritra ny maherin’ny adiny 12 mba ho tonga teo.”

Naato ny fahalalahana tao Cachoeiras de Macacu

Indraindray, dia nisy vato nisakana nipoitra, vokatry ny tsy fahazoan-kevitry ny manam-pahefana. Tamin’ny alahady 13 Jona 1976, ny polisy dia nanidy ny Efitrano Fanjakana tao Cachoeiras de Macacu, any amin’ny fanjakan’i Rio de Janeiro, vokatry ny didy navoakan’ny mpitsara iray tany. Norarana koa ny fitoriana rehetra momba ilay Fanjakana tao amin’ilay tanàna. Inona no antony?

Roa andro talohan’io, dia nandratra tena tsy nahy noho ny tifi-basy ny ankizilahy iray 17 taona. Nentina tany amin’ny hopitaly izy, satria voan’ny lotsi-dra anaty sy ny tsy fahampian-dra mafy. Nangataka an’ilay dokotera mba hanao izay rehetra azony natao mba hamonjena an-janany, nefa tsy nisy fampidiran-dra, ilay rainy. Nampalahelo fa maty ilay tovolahy nandritra ilay fandidiana, na dia nampidirana ra, nifanohitra tamin’ny sitrapon’ny rainy nambarany mazava, aza. Nisy famotopotorana ara-pitsarana natao mba hamaritana izay tompon’andraikitra. Nanan-kery teo amin’ilay fanapahan-kevitra ny tatitra voaolana tamin’ny vaovao, ary ny vokany dia didy hanakatona ilay Efitrano Fanjakana. Nampian’ny mpisolovava efatra i Ladislau Lehký, ilay mpiandraikitra tao amin’ilay kongregasiona teo an-toerana, ka nangataka fanafoanana ilay didy. Nohenoina ihany tamin’ny farany ilay fangatahana, tamin’ny 26 Oktobra. Ny Rahalahy Orlando do N. Paula, iray tamin’ireo mpisolovava, dia nanararaotra ilay fahafahana mba hanaovana famelabelarana am-bava haingana an’ilay raharaha. Samy nanome ny fanekeny momba ny fanafoanana ilay didy avokoa ireo mpitsara, ka nanafoana ilay didy voalohany ary nahatonga ilay Efitrano Fanjakana ho azo nampiasaina indray sy ny asa fitoriana ilay Fanjakana hitohy. Nohamafisina indray ny fahalalahana ara-pivavahana!

Tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Mpiasa Falifaly” tamin’ny taona nanaraka, dia nisy lahateny nanantitrantitra indray koa ny fitakian’i Jehovah ny hiheverana ny ra ho zavatra masina. (Lev. 17:10, 11; Asa. 15:28, 29). Tamin’io fotoana io, dia navoaka ilay bokikely hoe Les Témoins de Jéhovah et la question du sang, ary nandritra ny volana Aprily sy May 1978, dia nisy ezaka manokana natao mba hametrahana azy io teny am-pelatanan’ireo mpitsara, mpisolovava, dokotera, mpitsabo mpanampy ary mpitantana hopitaly, mba hanampiana azy ireny hahatakatra sy hanaja ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampirisihina ireo rahalahy mba hanome iray tamin’io bokikely io ho an’ny dokoteram-pianakaviany. Tetsy an-danin’izany koa anefa, dia nisy rahalahy notendrena hanome ilay bokikely niaraka tamin’ny taratasy fanazavana ho an’ny dokotera sy ny mpiasa matihanina hafa izay nety ho tsy hitan’ireo mpitory. Nisy dokotera maherin’ny 70 000 teto Brezila. Tetik’asa goavana ilay izy, nefa dia vita soa aman-tsara ihany; tsy izay ihany anefa no nilaina natao. Tatỳ aoriana, dia nomena fiheverana indray io raharaha io.

Fiomanana ho amin’ny fitomboana hafa koa

Nampoizina ny hisian’ny fitomboana fanampiny teo amin’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana sy teo amin’ny habetsahan’ny asa fitoriany, ary tsy maintsy natao ny fiomanana ho amin’izany. (Ampitahao amin’ny Isaia 54:1-3.) Mba hamokarana ireo zavatra vita an-tsoratra nilaina, dia nanjary nilaina ny nanolo ilay rotative typographique tamin’ny rotative offset mandeha haingana kokoa. Nila toeram-piasana nalalaka kokoa izany. Ho ezaka vonjimaika hanomezana io zavatra nilaina io, dia nisy fanampin’ny Efitrano Fivoriambe tao Ribeirão Pires naorina tamin’ny 1975. Izany dia nanome toerana fitahirizana ny sasany tamin’ireo taratasinay. Kanefa, niharihary fa tsy maintsy nitady tany hafa izahay, hanitarana ny Trano Betela ary koa ny biraon’ny sampana sy ny fanontam-pirinty.

Noheverina ny fahafahana hividy tany fanampiny teo akaikin’ilay trano efa nisy tao São Paulo, nefa ireo lalàna momba ny fizarazaran’ny faritanàna sy ny halafon’ny vidin-tany dia nahatonga izany ho tsy azo natao. Ny safidy hafa dia ny famindrana ny sampana ho amin’ny toerana vaovao tanteraka. Nanoro hevitra anay hitady tany tany ivelan’ny tanànan’i São Paulo ny Fitambara-mpitantana. Rehefa avy noheverina ny fahafahana maromaro, dia novidina ny tany iray nisy 115 hektara tamin’ny Aogositra 1977 tato amin’ny tanànan’i Cesário Lange, atỳ amin’ny fanjakan’i São Paulo, tokony ho 150 kilaometatra avy eo amin’ny tanànan’i São Paulo.

‘Kely loatra ny zavatra eritreretinareo hatao!’

Taorian’ny nividiananay ilay tany avy hatrany, dia nalefa ny fanasana mba hanampian’ny mpiasa an-tsitrapo tamin’ny fanomanana ilay tany hanaovana fanorenana. Nisy fanoloran-kevitra momba ny fanorenana koa nalefa tany amin’ny Fitambara-mpitantana. Nihevitra izahay fa ireo mari-trano nataonay dia hanome toerana be dia be ho an’ny fitomboana mandritra ny fotoana ela be ho avy. Raha ny tena izy aza, dia nihevitra izahay fa nety ho lehibe loatra ilay zavatra nokasainay hatao. Kanefa, nahazendana anay rehetra ny valin-teny avy tamin’ny Fitambara-mpitantana hoe: ‘Kely loatra ny zavatra eritreretinareo hatao! Avo roa heny noho ny nokasainareo hatao no tokony haorinareo!’

Ny vokatra dia mari-trano izay nitaky ny hisian’ny toerana ho an’ny fonenana sy ny birao ary ny orinasa avo dimy heny noho izay nanananay tao São Paulo. Nilaina ve izany? Nanomboka tamin’ny 1977, ny isan’ny Vavolombelona teto Brezila dia nitombo avo efatra heny, ary ny isan’ny ora natokana ho an’ny fanompoana isan-taona dia tokony ho avo enina heny noho ny tamin’izay.

Natao ny fandaharana mba ho kompania mpanao fanorenana no hanangana ny tranon’ilay sampana vaovao. Nikarakara lafin-javatra tena nilaina tamin’ilay asa koa anefa ireo rahalahintsika. I Paulo Tinoco Carneiro, Vavolombelona injenieran’ny asa vaventy za-draharaha, dia namindra ny fianakaviany avy tany amin’ny tanànan’i Salvador ho eo amin’ny toerana akaikin’ny toeram-panorenana. Nisy Vavolombelona tokony ho 150 hafa, anisan’izany ny mpianakavin’ny Betela sasany, nanao ireo asa fanohanana ireo mpiasa, toy ny fanaovana ny rafitr’ireo varavarankely tamin’ny viraty sy ny fanomanana ny sakafo ho an’ny mpiasa ary ny fikojakojana sy ny fanadiovana. Tamin’ny fara tampon’ny asa fanorenana, dia sakafo telo isan’andro no naroso ho an’ny mpiasa maherin’ny 1 000. Asa be izany!

Ireo lehilahy be dia be nampiasain’ilay kompania mpanao fanorenana dia nahaforona faritany faran’izay tsara ho an’ny asa fitoriana tamin’ny takariva sy ny faran’ny herinandro. Tao anatin’ny iray volana, ny rahalahy iray dia nahapetraka maherin’ny 80 tamin’ny Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly tamin’ireo mpiasa ireo. Nisy fampianarana Baiboly natomboka, ary mpiasa enina no nandroso ka tonga hatramin’ny batisa. Ny iray tamin’izy ireo dia mpianakavin’ny Betelan’i Brezila ankehitriny.

Fiantsorohana andraikitra fanampiny

Nitondra andraikitra fanampiny ny fanorenana ny tranon’ilay sampana vaovao. Niresaka momba izany i Max Larson, avy tany amin’ny foibe maneran-tany nandritra ny fitsidihany an’i Brezila tamin’ny 1980. Tamin’ny lahateny nandrisika iray nataony tao amin’ny Kianjan’i Pacaembu, tao São Paulo, dia nanamafy izy fa nilain’ireo rahalahy tany amin’ny tany tsirairay ny nanohana ara-bola ny asa fitoriana sy ny fanorenana fanontam-pirinty sy tranon’ny Betela tao amin’ny faritaniny avy. Ho vitan’ireo rahalahy teto Brezila ve ny hiantsoroka izany andraikitra izany? Niatrika fotoan-tsarotra ara-toe-karena mafy i Brezila, nahitana fisondrotan’ny vidim-piainana ambony be sy tsy fisian’ny asa. Na dia izany aza, dia faran’izay tsara ny fihetsik’ireo rahalahy. Nanao fanomezana an-tsitrapo sy tsy tapaka ny kongregasiona sy ny isam-batan’olona, hany ka vita ilay fanorenana ary tafatsangana vonon-kiasa ny fitaovana nilaina. Ilay fahalalahan-tanana naseho dia nampahatsiahy ilay toe-tsaina niharihary teo amin’ny Isiraely fahiny fony natao ny fandaharana, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, mba hanorenana ny tempoly tao Jerosalema. — 1 Tant. 29:3-9.

Nanomboka tamin’ny Aogositra 1980 ny famindrana ireo mpianakavin’ny Betela 225 sy ny fitaovana fanontam-pirinty rehetra avy tany São Paulo ho eto Cesário Lange. Entana nahafeno kamiao 160 vao nahavita ilay fifindra-monina. Avy eo, dia tonga ny fananganana ilay fitaovana ho vonon-kiasa sy ny fe-potoana hifankazarana tamin’ilay toerana vaovao.

Nisy fandaharam-pitokanana natao tamin’ny 21 Martsa 1981. I Lloyd Barry, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, no tonga teto mba hanao ny lahateny fitokanana. Nanonona ireo teny kanton’i Solomona Mpanjaka tamin’ny fotoan’ny fitokanana ny tempoly tao Jerosalema ny Rahalahy Barry, ka nanazava fa an’i Jehovah Andriamanitra ny dera sy ny voninahitra rehetra noho ireo tranon’ny Betela tsara tarehy ireo. Avy eo, dia namaran-teny toy izao izy: ‘Noho ny fitomboan’ny asa fitoriana no nanorenana ireto trano ireto. Koa mendrika ny fiheveranareo rehetra tsy mizarazara àry ny asa fitoriana.’

Nandritra ireo volana nanaraka, dia Vavolombelona avy tany amin’ny faritra rehetran’i Brezila no tonga nitsidika ny Betela. Tamin’ny andro fety iray monja, dia mpitsidika 12 000 no tonga, nandeha aotobisy 300 sy aotomobilina am-polony maro.

Hitan’izy ireo fa nihoatra noho ny fanorenam-ponenana tao amin’ny trano vaovao fotsiny no natao tato amin’ny sampana. Nisy fandrosoana lehibe natao teo amin’ny sahan’ny fanontana pirinty zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Tamin’ny 1981, ny fanontana tamin’ny teny espaniola tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! dia nanomboka natao pirinty teto Brezila, mba halefa tany amin’ireo tany miteny espaniola teo akaiky — Bolivia sy Orogoay sy Paragoay. Ambonin’ny fanontana pirinty ireo gazety, ny sampan’i Brezila dia nanomboka nanao pirinty sy nanakambana boky fianarana Baiboly koa. Izany dia nitaky fitaovana vaovao be dia be sy fianarana fahaizana vaovao. Tamin’ny 1981, dia nanomboka niasa ilay toerana fanakambanana ho boky tao amin’ilay fanontam-pirinty, ary ny zavatra voalohany novokariny dia ny Diary ho an’ny 1982 tamin’ny teny portogey. Tsy ela taorian’izay, dia natao pirinty sy nakambana ho boky ny voalohany tamin’ireo boky efatra tamin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible. Ary nanomboka tamin’ny 1987, dia navoaka avy tamin’io milina fanakambanana ho boky io ilay boky lehibe indrindra amin’ny rehetra — ny Baiboly, izany hoe ny fanontana tamin’ny teny portogey amin’ny Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao.

Fanaterana entana amin’ny kamiaon’ny Fikambanana

Ho fikendrena ny hampihena ny vidin’ny fandefasana zavatra vita an-tsoratra sy ny hahazo antoka ny amin’ny fahatongavany tany amin’ireo kongregasiona, dia nohatevenina ny fomba fanaterana entana nampiasana ireo fiaran’ny Fikambanana tamin’ny 1982. Efa niasa nanomboka tamin’ny 1974 io fandaharana io, nefa izao izy io dia nahafaoka ireo kongregasiona tany amin’ny faritra avaratra-atsinanan’i Brezila — ny sasany taminy dia tany amin’ny 3 000 kilaometatra.

Amin’izao fotoana izao, ireo kamiaon’ny Fikambanana dia manao fanaterana entana 463 isaky ny roa tokom-bolana, ka mahavita maherin’ny 30 000 kilaometatra. Ao anatin’io fandaharana io, dia kongregasiona maherin’ny 4 600 no mahazo izany fanampiana tsy tapaka izany. Manaraka lalana tsy miova 12 ireo kamiao, ka ny lava indrindra dia maharitra 15 andro ary mahavita maherin’ny 7 000 kilaometatra. Mpianakavin’ny Betela ireo mpamily. Mampilasy azy ireo ao an-tranony amim-pitiavana mandray vahiny ireo Vavolombelona ao amin’ireo kongregasiona maro samihafa eny amin’ny lalany, ary ireo mpamily dia manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona miaraka amin’ireo rahalahy eo an-toerana, any amin’izay ijanonany amin’ny alina.

Fahatratrarana ireo faritany mitokana

Ny fitoriana ny vaovao tsara dia nanohy nahatratra faritra izay mbola tsy nanaovana fitoriana firy na mbola tsy nitoriana mihitsy. Tamin’ny 1976, i Francisco Albuquerque sy ny vadiny dia mpisava lalana manokana nanompo tao Tefé, any amin’ny faritr’i Amazonia. Nanararaotra ireo andro fety izy ireo mba hitoriana tamin’ny olona tonga tamin’ny sambo tao amin’ilay tanàna. Indray andro, i Francisco dia nametraka iray tamin’ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay tamin’ny mpivaro-mandeha tanora iray, ary nanazava ny fomba fianarana azy io. Rehefa nifankahita indray izy ireo tamin’ny farany, rehefa afaka roa taona, dia hitan’i Francisco fa efa nianatra ilay boky ilay tovolahy ary nanipika ireo valin-teny tamim-pahaiza-mahataka-javatra. Natomboka ny fianarana Baiboly isan-kerinandro taminy. Koa satria nila dia an-tsambo adiny roa vao tonga tany amin’ny nipetrahan’ilay tovolahy, dia nankany aminy indroa i Francisco, ary avy eo, tamin’ireo herinandro roa nanaraka, dia ilay tovolahy no nankany amin’ny tranon’i Francisco. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia vita batisa ilay tovolahy sy ny lehilahy efatra hafa. Nanova ny efitrano iray tao amin’ny tranony ho Efitrano Fanjakana ilay tovolahy, ary tsy ela taorian’izay, dia nisy kongregasiona iray niforona.

Tamin’ny 1977, ny mpisava lalana manokana sasany, izay nitory tany amin’ny tanàna kely sy tany ambanivohitra tany amin’ny faritra afovoan’ilay tany, dia nampiasa caravane hipetrahana. Hoy ny tantarain’ny iray tamin’ireo mpisava lalana ireo, i Jair Paiva Ferreira, izay mpianakavin’ny Betelanay ankehitriny: “Namela ilay caravane tao amin’ny tanàna iray lehibe kokoa teo afovoan’ny faritany izahay, ka niainga avy teo, tamin’ny aotomobilina, mba hitory. Nifoha maraina izahay, ary rehefa avy nisakafo maraina tsara, dia efa teny amin’ny faritany sahady tamin’ny valo ora. Rehefa avy niasa tontolo andro izahay, dia nitady toerana teo akaikin’ny renirano iray, nandro tao ary avy eo dia nisakafo hariva. Natory tao anaty aotomobilina izahay, ka tsy nisy nanelingelina afa-tsy ny rivotra sy ny angely. Tena nahafinaritra ny nifoha sy ny nijery ireo boloky nanidintsidina teo akaiky teo. Raha ny amin’ny olona tao amin’ilay faritany, dia nanafana ny fo ny nahamarika ny hetahetany ho amin’ny fahamarinana. Ny sasany naka iray tamin’ny tsirairay tamin’ireo boky teny aminay. Tao anatin’ny indray andro aho dia nahapetraka boky 48, ary tao anatin’ny iray volana dia nanao fiverenana mitsidika 109 ary mbola tsy nahavita niverina indray tany amin’ireo olona liana rehetra. Fampianarana maro no natomboka, ary na dia olona maro aza no tsy nahay namaky teny tsara, dia maromaro taminy no tonga tao amin’ny fahamarinana.”

Ny fanambadiana — Mendri-kaja eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona

Ankoatra ny tsy fananana fahalalana fototra teo amin’ny famakian-teny sy ny fanoratana, ny vato nisakana iray hafa nahatonga olona maro tsy handray ny fahamarinana dia ny fanambadiany. Ny sasany dia tsy nanana fahafahana hanao fanambadiana sivily sy fanambadiana ara-pivavahana niaraka, ka nifidy itỳ farany fotsiny izy ireo, nefa tsy nisy vidiny araka ny lalàna izy io. Mazava ho azy fa, rehefa mianatra ny Baiboly ny olona toy izany, dia manjary mahafantatra fa mila misoratra ara-dalàna izy ireo. — Heb. 13:4, 18.

Nisy ramatoa iray tao anatin’io tarehin-javatra io tao Uberlândia, any Minas Gerais. Efa “nanambady” araka ny fombafomba katolika izy, fito taona talohan’io, ary ilay sakaizany dia tsy nahita ny nilana ny hisoratra ara-dalàna. Inona àry no hataony? Arakaraka ny nandrosoany teo amin’ny fahatakarany ny Baiboly, dia nilaza tamin’ilay sakaizany izy, fa raha tsy nety hisoratra ara-dalàna izy io, dia ho voatery handao azy izy, na dia tsy naniry hanao izany aza. Takatr’ilay lehilahy fa nihevitra ilay raharaha ho zava-dehibe ilay vehivavy, hany ka nanaiky izy tamin’ny farany. Taorian’ny fampakaram-badin’izy ireo, dia natao batisa haingana ilay vehivavy.

Mandra-pahatongan’ny 1977, dia tsy nisy fandaharana ny amin’ny fisaraham-panambadiana teto Brezila. Koa izay rehetra nanambady ary avy eo dia nandao ny vadiny ka niaraka tamin’ny vady hafa indray, dia tsy nanana fomba hisoratana ara-dalàna. Ny sasany aza dia efa nanana zafikely tamin’io fanambadiana faharoa io. Mifanaraka amin’ny ohatra navelan’ny tenan’i Jehovah raha ny amin’ny famelana heloka natao tamin’ny lasa noho ny tsy fahalalana, dia nisy fandaharana neken’ny Fitambara-mpitantana mba hanaovana batisa ireo mpianatra ny Baiboly tao anatin’io tarehin-javatra io, raha toa izy ireo ka nanaiky hanisy sonia fanambarana iray misy voady tsy hivadika amin’ny vadiny sy fampanantenana ny hisoratra ara-dalàna, raha vao nisy fetezan’izany. (Asa. 17:30; Rom. 3:25). Nisy fotoana naha-feno an’ireny fanambarana ireny ny tahirin-taratasin’ny Fikambanana.

Ny raharaha iray dia ny an’ny renim-pianakaviana iray nanan-janaka 13. Efa nianatra ny Baiboly nandritra ny valo taona izy, nefa tsy afaka nisoratra ara-dalàna. Avy eo izy dia nanisy sonia fanambarana iray ary dia nekena ho amin’ny batisa. Rehefa nanjary fantatr’ireo zanany izay tsy maintsy nataony mba hananany ny toetra ilaina mba hatao batisa, dia nianatra ny Baiboly koa ny valo taminy, ary tatỳ aoriana dia natao batisa ny dimy tamin’ireo ary ny hafa nanomboka nanatrika fivoriana.

Tamin’ny farany, dia nivoaka ny lalàna iray momba ny fisaraham-panambadiana, ary na dia nitaky ny hisian’ny fe-potoana fiandrasana telo taona teo anelanelan’ny fisarahan-toerana ara-dalàna sy ny fisaraham-panambadiana aza izy io, dia azo natao ny nandamina ny ankamaroan’ny raharahan’ireo izay nanisy sonia ilay fanambarana. Tamin’ny 1988, dia nampihena ilay fe-potoana fiandrasana ho herintaona ny fitondram-panjakana.

Fampianarana manokana ho amin’ny fanompoana

Tamin’ny 1978, dia nomena fiheverana fanampiny ny fampiofanana ireo loholon’ny kongregasiona. Nanomboka tamin’ny 1959, ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana dia nanome fampiofanana manokana ho an’ireo voatendry ho mpiandraikitra. Kanefa, tamin’ny 1978, ny loholona rehetra teto Brezila, na nanatrika ilay sekoly izy ireo teo aloha na tsia, dia nasaina mba handray soa avy tamin’ny fandaharam-pampianarana manokana naharitra roa andro. Nandritra io fe-potoana io izy ireo dia niara-nidinika avy tao amin’ny Baiboly ny fomba hahatongavana ho mpiandry sy mpampianatra tsara kokoa ny andian’ondry, ny fomba itarihan-dalana eo amin’ny asa fampielezana ny filazantsara, ny fomba ihazonana ny kongregasiona ho madio ara-panahy sy ara-pitondran-tena, ary koa ny fomba iarahan’ny fitambaran-doholona miasa. Loholona efa ho 7 000 no nanatrika izany. Nanomboka tamin’izay, dia nisy fianarana fanampiny vaovao kokoa tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana natao ara-potoana.

Tsy nohadinoina koa ireo mpanampy amin’ny fanompoana. Nisy kilasin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana koa nalamina ho azy ireo teto Brezila, nanomboka tamin’ny 1985. Ary nanomboka tamin’ny 1988, dia azo natao ny nampiasa Efitrano Fivoriambe, ankoatra ireo Efitrano Fanjakana, mba hanaovana ilay sekoly, ka izany dia nahatonga loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana be dia be ho afaka hiara-nanatrika ilay fianarana. Ilay fianarana farany, tamin’ny 1995, dia natrehin’ny loholona 22 092 sy mpanampy amin’ny fanompoana 27 544. Fitambaran-dehilahy tsara dia tsara re izany, izay vonona sady manana ny toetra araka ny Soratra Masina ilaina mba hanankinana andraikitra ao amin’ny kongregasiona!

Nisy sekoly iray hafa koa anefa nanomboka niasa teto Brezila tamin’ny 1978 — ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Ny kilasy voalohany, naharitra roa herinandro, dia natao tao Fortaleza, any Ceará. Ny zava-kendren’io sekoly io dia ny mba hanatanjahana ny fifandraisan’ireo mpisava lalana amin’i Jehovah, sy hanampiana azy ireo hanaraka amin’ny fomba feno kokoa ny dian’i Jesosy Kristy, ary hanatsarana ny fandairan’ny fanompoan’izy ireo.

Ireo firaketan’ny Fikambanana dia mampiseho fa, nandritra ireo 18 taona farany, dia kilasy 1 650 no natao teto Brezila ary mpisava lalana maharitra 39 649 no nandray soa avy tamin’io fandaharana mahatalanjona io. Tamin’ny 1994 fotsiny, mba hanampiana ny mpisava lalana manerana an’i Brezila, dia kilasy 187 no natao tany amin’ny tanàna 107 samy hafa.

Mendri-komarihina ny ezaka nataon’ny mpisava lalana sasany mba hanatrehana ilay sekoly. Ny anabavy iray manambady tsy mpino dia nifoha tamin’ny dimy ora isa-maraina mba hikarakara ny raharahany tao an-trano talohan’ny handehanana tany amin’ilay fianarana, ary avy eo dia niainga taorian’ny fianarana avy hatrany mba haka ny zanany tany am-pianarana. Ny anabavy iray hafa dia naniry hanova ireo datin’ny vakansiny mba hanatrehana ilay sekoly. Tsy nanaiky ny mpampiasa azy, nefa tsy nitsahatra niezaka hampiaiky azy izy. Nitovy foana ny valin-teny azony hoe: “Tsy mety!” Tamin’ny farany, rehefa avy nivavaka tamin’i Jehovah ilay anabavy, dia nilaza tamin’ilay mpampiasa azy fa hiala tamin’ny asany izy. Fa nahoana? Tsy maintsy nanatrika ilay sekoly tsotra izao izy. Nanohina ilay mpampiasa azy ny fahatsoram-pony, hany ka nanaiky hanova ireo datin’ny vakansiny ihany izy io tamin’ny farany.

Hoy ny nambaran’i Paulo Azevedo, mpampianatra tao amin’ny kilasy voalohany, tamin’ny fanadinadinana iray: “Ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana dia manampy ny mpisava lalana hahita ny faritaniny amin’ny endriny vaovao, satria manantitrantitra ny ilana hampiseho fiheverana manokana ny tompon-trano, amin’ny fanehoana fiheverana ny zava-manahirana azy, ny toe-javatra misy azy, ny fomba fiheviny ary ny zavatra inoany. Ny mpisava lalana mihazona izany ao an-tsaina dia manaiky fa tena toy ny manana faritany vaovao indray izy ireo.”

Misionera ho an’i Brezila

Ireo misionera dia nanao fanompoana sarobidy tamin’ny fanorenana rafitra ara-pandaminana mafy orina. Ireo misionera roa voalohany, izay nahazo diplaoma tamin’ny kilasy voalohan’ny Sekolin’i Gileada, dia tonga teto Brezila tamin’ny 1945. Tamin’ny 1967, dia efa nitombo ka nahatratra 76 ny isan’ireo nahazo diplaoman’i Gileada, ary nahatratra tampon’isa, 117, izy io tamin’ny 1974. Nisy nanompo nandritra ny am-polony taona maro teo amin’ny asan’ny fizaran-tany sy ny distrika, toa an’i Richard sy i Ruth Wuttke, ary i Eric sy i Christina Britten. Tato anatin’ireo taona maro lasa, dia misionera 250 teo ho eo avy tany amin’ny tany 11 no nanompo teto.

Raha lazaina ankapobeny, ny olona eto Brezila dia manaja vahiny. Na dia izany aza, dia mitaky fikirizana sy fahaizana mandray vazivazy ny fifankazarana amin’ny tany vaovao iray misy toetr’andro, sakafo, fiteny ary fomba amam-panao hafa. Hoy ny tsaroan’i Sylvia Gustavsson, misionera avy any Soeda: “Ny fiverenana mitsidika voalohany nataonay sy i Östen, vadiko, teto Brezila dia tamin’ny mpivady iray tao Belo Horizonte, any Minas Gerais. Rehefa avy niresaka tamin’izy ireo nandritra ny adiny iray teo ho eo izahay, dia nilaza fa tokony handeha. ‘Aloha loatra izao, fa mbola mijanòna kely!’, hoy ny valin-teny azonay. Nihevitra izahay fa tena liana tokoa izy ireo, ka nipetraka indray izahay ary nanohy ilay fitsidihana. Rehefa afaka antsasak’adiny, dia namerina indray izahay hoe tokony handeha. ‘Aloha loatra izao, fa mbola mijanòna kely!’, hoy ny naverin’izy ireo. Nitranga intelo izany, ary tamin’ny farany dia tamin’ny efa ho misasak’alina izahay vao nandeha! Niverina foana io tantara io tamin’ireo fitsidihana nanaraka, mandra-pahazonay fa ilay fitenenana hoe ‘Aloha loatra izao, fa mbola mijanòna kely!’ dia fahalalam-pomba anehoana fankasitrahana noho ny fitsidihana iray fotsiny, fa tsy voatery hidika hoe tokony hijanona ela kokoa ny tena. Mahafaly fa feno fahatsorana ny fahalianan’ilay mpivady tamin’ny fahamarinana!”

Misionera avy teto Brezila ho any an-tany hafa

Rehefa heverina ny fanampiana faran’izay tsara azo avy tamin’ireo misionera tonga teto Brezila, dia faly toy inona moa izahay nahare tamin’ny 1982 fa hisy rahalahy avy eto Brezila hasaina ho misionera any an-tany hafa! Tamin’ny faran’io taona io, dia efa notendrena ho any Bolivia ny mpivady telo, ary hatramin’izay dia rahalahy sy anabavy breziliana 90 no nasaina ho misionera any Angola, Bolivia, Mozambika ary Paragoay.

Ny sasany tamin’ireo misionera breziliana ireo mihitsy dia nampian’ny misionera hafa hianatra ny fahamarinana. Marina izany raha ny amin’i Átila Carneiro, avy any Belém. Nanjary diso fanantenana tamin’ny fivavahana izy. Rehefa hitan’i Delfina Munguia, izay misionera, izy, dia nampiseho fahalianana tamin’ny fahamarinana ary nanomboka nandray ireo gazety tsy tapaka taminy. Rehefa afaka kelikely, dia nanao fandaharana ilay anabavy mba hiarahany nianatra ny Baiboly intelo isan-kerinandro tamin’ny rahalahy misionera iray. Taorian’ny fianarany faharoa, dia niresaka tamin’ny hafa momba izay nianarany i Átila, ary na dia talohan’ny batisany aza, dia nitarika fampianarana Baiboly telo izy! Taorian’ny batisany, dia nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra izy, ary avy eo dia ny an’ny mpisava lalana manokana. Ankehitriny izy sy ny vadiny dia misionera any Mozambika.

I Benjamim Silva sy i Iolanda, vadiny, koa dia anisan’ireo misionera breziliana manompo any Mozambika. Nandritra ny taona maro izy ireo dia mpisava lalana tany amin’ny faritra avaratr’i Brezila. Nahavita nampifanaraka andraikitra lehibe roa izy ireo — nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana no sady nitaiza zanaka. Rehefa nanambady i Martha, zanany vavy, dia nanafa-tena hanao ny fanompoan’ny misionera izy ireo. I Martha dia manohy manao ny fanompoan’ny mpisava lalana, ary dia miharihary amin’izy telo mianaka ny fitahian’i Jehovah.

Tondra-drano tany atsimo

Hatrany amin’ny taonjato voalohany, dia nanome fanampiana ara-nofo ho an’ny rahalahiny nahita fahasahiranana lehibe ny Kristiana. (Asa. 11:29, 30). Ireo fanjakan’i Paraná sy i Santa Catarina ary i Rio Grande do Sul, any atsimo, dia ravan’ny tondra-drano lehibe tamin’ny 1983. Tao Blumenau, any Santa Catarina, dia niakatra hatramin’ny 16 metatra ambonin’ny haavony ara-dalàna ny ranon’ny Renirano Itajaí-Açu, ka nahatondraka saika ilay tanàna iray manontolo. Nifanaraka tamin’ny ohatry ny Kristiana tamin’ny taonjato voalohany, ny Vavolombelona tany amin’ny toerana hafa dia nanome fanampiana ara-nofo — sakafo 43 taonina sy fitafiana 41 taonina.

Ny faniriana hanampy dia hita tamin’ny ohatr’i João Vicentim Carrer, loholona tao Campo Grande, any amin’ny fanjakan’i Mato Grosso do Sul, tany amin’ny 1 400 kilaometatra. Rehefa nahita tatitra tao amin’ny televiziona momba ilay tondra-drano izy, dia niantso an-telefaonina ny biraon’ny Fikambanana ary nanontany ny amin’ny fomba azony nanampiana. Niaraka tamin’ny loholona hafa izy, dia nanangona sakafo, fitafiana, kiraro ary fanafody telo taonina, izay nomen’ireo kongregasiona tao amin’ilay tanàna. Ny androtr’iny ihany izy sy ny zanany lahy dia teny an-dalana ho any Blumenau, nitondra ireo entana ho fanampiana.

Hoy ny nosoratan’i Luiz Bognar, loholona tao Blumenau izay nandray anjara tamin’ny fizarana ilay entana nalefa ho azy ireo: “Noho ny fanampian’ireo rahalahy, dia nanisy kodiarany ny botry iray izahay, mba hahafahany handeha tao anaty rano na teo ambonin’ireo dongon-tany kely nivohitra avy tao anatin’ilay renirano. Avy eo izahay dia nanomboka nikaroka ireo rahalahy nitokana. Tany amin’ny toerana sasany, noho ny haavon’ny rano, dia voatery nanapaka taribin’aratra izahay mba hahafahana handeha. Niaraka tamiko ireo zanako mirahalahy, 10 sy 12 taona. Nahay nilomano tsara izy ireo, no sady fantatro fa ny botry nisy ankizy dia nohajain’ny olona kokoa.”

Tao amin’ny iray tamin’ireo trano izy ireo dia nahita olona 16 izay tsy hita nandritra ny folo andro, no sady lany ny tahirin-tsakafony. Taloha kelin’ny nahatongavan’ilay botry, rehefa avy nandinika ny andinin-teny ho an’ny andro izy ireo, dia nilaza ny iray tamin’ireo rahalahy fa hanome izay zavatra nilain’izy ireo amin’ny fotoany i Jehovah. Ary izany indrindra no nitranga. Tao amin’ny trano iray hafa, dia nisy olona 22 voahidy tany amin’ireo rihana farany ambony, nandritra ny herinandro. Rehefa nahare ny feon’ny botry iray nihananatona izy ireo, dia nihevitra tamin’ny voalohany hoe nety ho mpangalatra ilay izy; nefa avy eo izy ireo dia nahare olona niantso hoe “Rahalahy Walter Germer a!” Hay rahalahy tonga hitondra fanampiana ilay izy. “Fanaovana fanambarana tsara ho an’ireo mpifanila trano tsy Vavolombelona tamin’izay”, hoy ny tsaroan’i Janis Duwe, izay tao anatin’io trano io ary mpianakavin’ny Betelan’i Brezila ankehitriny. Nihoatra lavitra be noho izay nilain’izy ireo nandritra ny iray na roa andro ny nomena azy ireo. “Volana maromaro tatỳ aoriana izahay vao voatery nividy hanina tsy azo notahirizina”, hoy izy.

Nifindra ny toe-tsain’ny mpisava lalana

Na dia mifanampy ara-nofo amin’ny tarehin-javatra maha-maika aza ny Vavolombelon’i Jehovah, ny asany voalohany indrindra dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Fantany fa izy io ihany no handamina mandrakizay ireo zava-manahirana tsy toko tsy forohana hitan’ny olombelona. Nanantitrantitra io asa io ny biraon’ny Fikambanana ka nandefa taratasy iray tamin’ny 1984 ho an’ny mpitory vita batisa tsirairay teto Brezila. Nanomboka toy izao izy io: “Manoratra izao taratasy izao izahay mba hampita fanasana ho anao mba handray anjara amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy amin’ny Aprily.” Izany dia hidika hoe fanokanana 60 ora fara fahakeliny nandritra io volana io mba hizarana ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny mpiara-belona tamin’ny tena. Nisy nanaiky ilay fanasana ve? Ny tampon’isan’ny mpisava lalana mpanampy teo aloha dia 8 000 tamin’ny Aprily 1983, nefa ho famaliana io fanasana io, dia maherin’ny 33 000 no nandray anjara — 21 isan-jaton’ny tontalin’isan’ny mpitory! Ary volana nahafaly toy inona nanaovana fanompoana teokratika moa ilay izy!

Ezaka tamim-pahazotoana no notakina. Ny Vavolombelona iray mpamily kamiao sy ny iray hafa mpandatsa-biriky dia nandamina ny hanao ny fanompoana teny amin’ny saha tsy tapaka nanomboka tamin’ny enina ora sy sasany hariva ka hatramin’ny valo ora sy sasany alina, rehefa vita ny asany. Ny anabavy iray izay mpanjaitra tao an-trano ny asany, dia nifoha maraina mba hanao ny asany talohan’ny niaingany ho amin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Ny renim-pianakaviana iray nanan-janaka valo — 12 taona ny zokiny indrindra ary 5 volana ny zandriny indrindra — dia nampian’ny fianakaviany, ka ireo ankizy zokiny dia nanampy tamin’ny fikarakarana ireo zandriny, ary ny vadiny, tamin’ny fanomanana ny sakafo hariva. Tamin’ireo mpitory 12 tao amin’ny kongregasiona iray, dia 5 no nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy. Anisan’izany ny raim-pianakaviana roa, ka ny iray nanan-janaka 10, ilay faharoa 14. Samy nipetraka tany amin’ny 15 kilaometatra avy teo an-tanàna izy mirahalahy. Nankany an-tanàna indroa isan-kerinandro izy ireo mba handray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha nandritra ny adiny sivy tamin’ny andro tsirairay. Ny anabavy iray hafa, izay tsy afaka nandeha, dia nipetraka teo ambony seza teo amin’ny trottoir teo anoloan’ny tranony, ary niresaka tamin’ny mpandalo.

Rehefa nanandrana ny fifaliana tamin’io fanompoana io ny mpitory maromaro izay mpisava lalana mpanampy nandritra io volana io, dia nangataka mba hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra. (Sal. 34:8). Tamin’ny Aprily 1984, dia nisy mpisava lalana maharitra 3 500 teo amin’ny lisitra. Enim-bolana tatỳ aoriana, dia nisy 4 200 izy ireo, ary herintaona tatỳ aoriana, dia 5 400 izy ireo. Ankehitriny dia maherin’ny 22 500 ny mpisava lalana maharitra eto Brezila. Ary fifaliana toy inona moa ny azy ireo mandray anjara amin’ny fomba feno aoka izany amin’ilay asa lehibe indrindra atao eto ambonin’ny tany amin’izao andro izao!

Zavatra vita an-tsoratra miara-mivoaka amin’ny teny anglisy

Talohan’ny 1984, ny fanazavana tao amin’ireo gazetinay tamin’ny teny portogey dia tsy nivoaka raha tsy enim-bolana taorian’ny nivoahany tamin’ny teny anglisy. Kanefa, tamin’io taona io, dia nisy milina rotative offset roa natsangana vonon-kiasa teto Brezila, ary koa ny MEPS (Système électronique de photocomposition multilingue, namboarin’ireo rahalahy any amin’ny Foibe Maneran-tany any New York). Natao nivantana tamin’ny ordinatera ny fandikan-teny, ary ny programa amin’ny MEPS dia nanafaingana be ny fanamboarana ny fisehoan’ireo pejy. I Paul Bauer sy i Erich Kattner ary i Franz Schredl dia nomena fiofanana momba ny fampiasana sy ny fikojakojana ny MEPS tany New York. Noho izany, tamin’ny 1984, ny fanazavana navoaka tamin’ny teny anglisy dia niara-natonta tamin’ny teny portogey.

Ireo milina rotative offset, izay samy afaka nanao pirinty gazety 32 000 isan’ora, dia nomen’ireo rahalahy tany Etazonia. I Harry Johnson, mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn, no nanara-maso ny fananganana azy ireo. Ny vokatra voalohany dia zavatra vita an-tsoratra miara-mivoaka amin’ny teny anglisy. Fotoana fohy taorian’izany, dia nampiasa loko efatra sy taratasy tsara kokoa ny fanaovana pirinty. Faran’izay tsara ny vokatra azo! Mbola tsy nisy famandrihana tamin’ireo gazety be dia be toy izany mihitsy azo tao anatin’ny volana iray talohan’io — 50 000 tamin’ny Jona 1987. Nitombo tsy an-kijanona ny isan’ny famandrihana, ka nahatratra tampon’isa, 87 238, tamin’ny Aprily 1994. Isam-bolana, ankehitriny izahay dia manao pirinty gazety 3 500 000, amin’ny antsalany, amin’ny teny portogey sy espaniola.

Faran’izay betsaka ny isan’ireo mpihazona tsy fivadihana nanatrika ny fivoriamben’ny distrika

Ny fisehoan-javatra niavaka iray hafa tamin’ny 1985 dia ny fampiasana tamin’ny fotoana iray ihany ireo kianja roa lehibe indrindra teto Brezila — ny Kianja Morumbi ao São Paulo sy ny Kianja Maracanã ao Rio de Janeiro — ho an’ny Fivoriamben’ny Distrikanay “Ireo Mpihazona Tsy Fivadihana”. Ireo fivoriambe ireo, izay natao ny 23-25 Aogositra 1985, dia natrehin’ny solontena avy tamin’ny tany 11. Nisy mpikambana roa tao amin’ny Fitambara-mpitantana koa nanatrika tao, dia i John Barr sy i Lyman Swingle.

Ny lahateny ampahibemaso hoe “Aiza ho Aiza Isika Izao ao Amin’ny Andro sy Fotoana Noferan’Andriamanitra?”, dia nataon’i John Kushnir tamin’ny mpanatrika 162 941 tao São Paulo, ary nataon’i Augusto Machado tamin’ny mpanatrika 86 410 tao Rio de Janeiro — olona efa ho 250 000 tamin’ny fitambarany! Kely sisa dia hitovy isa tamin’ireo mpanatrika tany New York tamin’ny 1958 izany, fony nisy solontena avy tamin’ny tany 123 nivory tamin’ny fotoana iray ihany, tao amin’ireo kianja roa tany. Kanefa mbola tsy ny isa fenon’ireo mpanatrika ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1985 teto Brezila akory io.

Ankoatra ireo fivoriambe niraisam-pirenena roa ireo, dia nisy 23 hafa natao tany amin’ny faritra maro samihafa teto amin’ilay tany, ka ny tontalin’isan’ny mpanatrika tamin’izany dia 144 000, ary 1 192 no natao batisa. Anisan’ireo natao batisa dia nisy ramatoa iray avy tao São Leopoldo, any Rio Grande do Sul, izay vao avy namoy zanaka noho ny voina iray, ka ho vokany, dia nitodika tamin’ny spiritisma. Kanefa, namaky ny bokikely Les esprits invisibles — sont-ils bons ou malfaisants? izy. Nanohina azy aoka izany izay novakiny, ka nandeha nitady ny Efitrano Fanjakana teo an-toerana izy. Tany izy dia nanaiky fanolorana fianarana Baiboly ary dia nandroso haingana ka tonga hatramin’ny batisa. Amin’izao andro izao, izy sy ny vadiny ary ny zafikeliny vavy iray dia manompo an’i Jehovah.

‘Fiaraha-mivory’ na dia eo aza ny elanelan-toerana

Ireo rahalahintsika sy anabavintsika kristiana eto Brezila dia tena mahatakatra marina ny torohevitry ny Baiboly tsy hahafoy ny fiaraha-mivory, indrindra satria hitany fa mihantomotra ny andron’i Jehovah. (Heb. 10:24, 25, NW ). Indraindray izany dia mitaky ezaka goavana amin’izy ireo. Ny rahalahy iray ao amin’ny kongregasiona ao Fazenda Taquari, any Bahia, na dia malemy sady efa 70 taona aza, dia manao dia an-tongotra valo kilaometatra mba hahatongavana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Ireo rahalahy ao amin’ny kongregasionan’i Olindina, any Bahia, dia manao dia an-tongotra 16 kilaometatra, no sady mitondra kitapo plastika misy fitafiana, mba hanoloana ny akanjo lena eny an-kodiny rehefa mita renirano iray izy ireo. Any Pará, dia misy fianakaviana maromaro manao dia an-tongotra enina kilaometatra, mamakivaky ala iray izay ahitan’izy ireo dian-tongotra jaguar matetika. Afa-tsy izany koa, ao amin’ny kongregasiona ao Repouso do Amatari, any Amazonas, ny fianakaviana roa, misy olona 15, dia mamakivaky ny ala mikirindro, ka ny olon-dehibe iray mialoha lalana mba hikapoka ireo hazo sy ny tany amin’ny hazo, mba hampandosirana ireo bibilava.

Ny anabavy bevohoka iray, izay sady nitrotro zaza, dia nanao dia an-tongotra 16 kilaometatra ho any amin’ny Efitrano Fanjakana tao amin’ny tanàna kelin’i Axixá, any Tocantins, isaky ny tsy afaka nandeha kamiao. Mba hitondrana ireo zanany kely niaraka taminy ho any amin’ny Efitrano Fanjakana, ny anabavy iray ao Bahia dia mametraka azy ireo ao anaty harona lehibe roa, izay ahantony eo amin’ny andaniny roa amin’ny ampondra iray tarihiny.

Tamin’ny fotoan’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray tany Cruzeiro do Sul, any Acre, dia olona 37 avy tamin’ny kongregasiona ao Rio Badejo, any Amazonas, no tonga nanatrika, na dia tsy nanao tatitra afa-tsy momba ny mpitory 9 aza ilay kongregasiona. Io antokon’olona io dia nandeha an-tongotra nandritra ny adiny valo mba hanatrehana ilay fivoriambe. Anisan’izy ireo dia nisy anabavy iray nanan-janaka valo, ka ny zandriny indrindra taminy dia dimy taona. Afa-tsy izany koa, dia nisy rahalahy folo nanao dia 100 kilaometatra tamin’ny bisikilety mba hanatrehana ny fivoriamben’izy ireo tao Floriano, any Piauí. Tena velom-pankasitrahana marina izy ireo noho ireo fandaharana ara-panahy nataon’i Jehovah.

Mpiandry ny andian’ondry feno fahafoizan-tena

Ny fitomboana haingana eo amin’ny isan’ny mpitory dia nampitombo ny ilana mpiandry ara-panahy betsaka kokoa mba hikarakara ny andian’ondrin’Andriamanitra. (Asa. 20:28, NW; 1 Pet. 5:2, NW ). Tsy loholona hikarakara ireo kongregasiona tsirairay ihany no ilaina, fa mpiandraikitra ampy fahaizana koa, izay afaka mandamina ny hanao dia mba hiandraikitra amim-pitiavana fizaran-tany sy distrika. Rahalahy maromaro no efa tsy nitsitsy aina nanao ny fanompoan’ny mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny 30 taona mahery. Fizaran-tany vaovao 12, amin’ny antsalany, no miforona isan-taona, ary ankehitriny dia misy mpiandraikitra ny fizaran-tany 326 sy mpiandraikitra ny distrika 21 atỳ amin’ny saha breziliana. Maneho toe-tsaina tsara dia tsara ireo rahalahy ireo, vonona ny hanompo na aiza na aiza, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra hanaovany izany.

Inona no mety ho tafiditra amin’izany? Ny sasany dia namela tokantrano nampiadana, ary ankehitriny dia faly manaiky filasiana ao anatin’ireo toe-piainana isan-karazany iainan’ireo rahalahintsika. Koa satria mafana sady mando ny toetr’andro, dia voatery miatrika moka sy bibikely hafa izy ireo. Noho ny hafanana, dia matory ao anaty hamac (fandriana harato mihantona), fa tsy eo ambony farafara, ny sasany. Misy trano manana tafo, fa tsy manana rindrina. Any amin’ireo toerana lavitra, ny fitaterana dia mety ho sambo, soavaly, aotobisy efa potika, na dia an-tongotra tsotra izao.

Hoy ny nosoratan’i José Vertematti, izay mpiandraikitra ny fizaran-tany tany Maranhão, tamin’ireo taona 1970: “Mba hahatongavana tany amin’ireo kongregasiona tany Sítio Ceará sy Guimarães, izahay sy i Mazolina, vadiko, dia nandeha sambo nandritra ny adiny roa, ary avy eo dia niandry izay nety ho fitaterana nipoitra teo, satria tsy nisy aotobisy nandalo tany. Imbetsaka izahay no nandeha kamiao, ka i Mazolina nipetraka teny aloha, fa izaho kosa tao andamosina teo ambonin’ireo entana, izany hoe kisoa sy akoho ary osy na gonim-bary sy lafarinina ary tsaramaso. Rehefa nihitsoka tao anaty fotaka ilay kamiao, dia voatery nidina sy nanosika izahay. Raha nandeha tsara ny zava-drehetra, dia naharitra tokony ho adiny dimy io tapany tamin’ilay dia io. Avy eo izahay dia nandeha an-tongotra nandritra ny adiny efatra fanampiny mba hahatongavana tany amin’ilay Efitrano Fanjakana.” Nankasitraka be dia be ireny fitsidihana ireny ireo Vavolombelona teo an-toerana.

Mba hanatrehana ireo fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana tao Guimarães, ny rahalahy sasany dia voatery nanao dia an-tongotra tokony ho 30 kilaometatra isan-kerinandro, izay naharitra adiny dimy na enina. Nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia nijanona tao an-tanàna nandritra ilay herinandro manontolo izy ireo, mba handraisana soa feno avy tamin’ny fitsidihany.

Misy fizaran-tany izay mahafaoka faritra midadasika sy zara raha misy mponina. Nandritra ireo taona 1980, ohatra, ny fizaran-tany iray dia nahafaoka ireo fanjakan’i Acre sy i Rondônia ary tapany amin’i Mato Grosso sy i Amazonas, izany hoe faritra nitovy velarana tamin’i Espaina. Fony izy tao amin’io fizaran-tany io, i Adenir Almeida dia nitsidika ny kongregasiona tao Lábrea, any Amazonas, izay tanàna feno olona voan’ny aretin’i Hansen, na habokana. Mba hahatongavana tany, dia nandeha aotobisy nandritra ny adiny efatra izy, natory tao amin’ny trano filasiana iray, ary dia niainga indray tamin’ny maraina, niaraka tamin’ny mpandeha valo hafa, tao andamosin’ny kamiao iray feno tavoahangy nisy zava-pisotro nisy alkaola. Rehefa avy nanao dia tao anatin’ny hafanana nandritra ny ora maromaro izy rehetra, dia nangetaheta mafy. Ny hany zavatra azo nosotroina dia tao anatin’ireo tavoahangy ireo. Niaiky ny Rahalahy Almeida fa, tao anatin’io toe-javatra io, dia tsy mora ny nanohitra ny fanolorana nataon’ny hafa hisotro tamin’ireo tavoahangy nangalariny tsikelikely avy tamin’ilay entana. Rehefa avy nanao dia nandritra ny adiny folo teo ambany masoandro nigaingaina izy ireo, ka feno vovoka ary avy eo dia tratran’ny orana, dia tonga tao Lábrea ihany tamin’ny farany. Tany, dia tonga mba hitsena azy ny kongregasiona iray manontolo — mpisava lalana manokana roa sy mpitory tsy vita batisa roa! Ny alahady, dia nahazo ny fifaliana nanao batisa ireo mpitory roa izy.

Ho an’i Wladimir Aleksandruk, rahalahy mpitovo izay mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny efa ho 30 taona, ny filasiany dia efa nahafaoka fatoriana tao amin’ny tranomaizina teo an-toerana. Tamin’ny 1972 tamin’izay, ary nitsidika mpitory nitokana iray izay nanambady tsy mpino izy. Kely ilay tanàna, ary tsy nisy hotely filasiana, hany ka nandamina ny hatory tao amin’ny tranomaizina ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany. Hoy ny tsaroany tamim-pihomehezana: “Noheverin’ny rehetra ho ny sefon’ny polisy vaovao aho, satria hitany niditra sy nivoaka ilay tranomaizina araka izay tiako, no sady nanao complet sy karavato. Tamin’ny voalohany, dia izaho irery no voatana tao, nefa tamin’ny andro faharoa, dia nanjary niaraka tamiko ny lehilahy iray avy nangalatra kisoa iray. Afaka nitory taminy àry aho.”

Tsy mihambahamba ireny rahalahy feno fahafoizan-tena ireny manaiky fa na inona na inona zava-manelingelina na tsy fananany fotoana itokanana, dia voaonitry ny fitiavana mafana sy ny zotom-po feno fahatsoram-po asehon’ireo rahalahy izany.

Niankandrefana

Nandritra ireo taona 1980, dia fianakaviana maro avy tany atsimo no nanaraka ilay baiko hoe: “Mankanesa any andrefana, ry tanora!” Nifindra honina any amin’ny faritra andrefan’i Brezila izy ireo, indrindra fa any Rondônia, mba hitady tany sahaza ho an’ny fambolena. Nanolotra azy io maimaim-poana ny fitondram-panjakana. Nisy lalana tokony ho 35 kilaometatra, nantsoina hoe tsipika, nosokafana tany anaty ala, ary nosokafana ho an’ireo mpanorim-ponenana ilay tany nanaraka ny andaniny roa tamin’ireny “tsipika” ireny. Izany dia nanome faritany faran’izay tsara nitoriana!

Tao Pimenta Bueno, any Rondônia, dia nanorina trano fiangonana iray ny mpanety iray, izay anisan’ny fivavahana ara-pilazantsara. Kanefa, nanjary sosotra izy nahita ireo fifamaliana teo amin’ireo pastoran’ny fivavahany, izay samy naniry ho any amin’ny fiangonana iray nisian’ny vola rakitra betsaka kokoa. Mbola tsy nihaino ny Vavolombelona mihitsy ilay mpanety talohan’io. Indray andro anefa, rehefa nitazana an’ireo mpisava lalana manokana nitory sy niharihary fa tena sambatra izy, dia nanontany tena hoe: ‘Raha manana ny fahamarinana aho, nahoana aho no sosotra toy izao? Ary raha izy ireo no “mpaminany sandoka”, nahoana izy ireo no sambatra toy izao?’ Nandeha nitsidika ireo mpisava lalana izy — tamin’ny alina, mba tsy ho hitan’ny hafa — ary nanaiky fianarana Baiboly. Nanohina azy izay nianarany, ka nanasa an’ireo mpisava lalana, i Jonas sy i Robson Barbosa de Souza, mba hitory tamin’ireo mpikambana 30 tao amin’ny fiangonany izy. Maromaro no nanaiky ny fahamarinana, ary tatỳ aoriana dia nakatona ilay fiangonana. Fotoana fohy taorian’izany, dia nohidiana koa ilay eglizy katolika tao amin’io faritra io, satria ilay lehilahy nitarika ny fotoam-pivavahana tao, niaraka tamin’ny fianakaviany, dia tonga Vavolombelon’i Jehovah koa.

Tamin’ny fotoan’ny fitsidihana voalohan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany tao amin’io kongregasiona io, dia efa nisy mpitory 49 sahady tao, ary olona 280 no nanatrika ny lahateny ampahibemaso. Kely ny faritany, ary tao anatin’ny fotoana fohy, ny mponina rehetra tao dia, na Vavolombelona, na niara-nianatra taminy. Koa voatery nandeha kamiao ho any amin’ireo toeram-ponenana nanodidina ireo mpitory mba hitory. Nampiasa kamiao (voarakotra labasy) koa izy ireo mba handehanana tany amin’ireo fivoriamben’ny distrika tany Pôrto Velho, ilay tanàn-dehibe akaiky indrindra, 600 kilaometatra avy teo.

Ny faritr’i Amazonia

Ny fitoriana any amin’ny faritr’i Amazonia dia zava-tsarotra manokana, nefa tsy atao tsirambina ny zavatra ara-panahy ilain’ny olona mipetraka any. Izy io dia faritra lehibe kokoa noho i Eoropa Andrefana. Ny faritra misy ilay ala eto Brezila dia mahafeno efa ho ny antsasak’ilay tany manontolo, nefa tsy manana afa-tsy mponina 9 000 000 — tokony ho ny 6 isan-jaton’ny mponin’i Brezila. Ny tapany sasany amin’ireo renirano ao amin’io faritra io dia tena tahaka ny ranomasina. Ohatra, ny sakan’ny Renirano Negro, iray amin’ireo sakeli-drano lehibe indrindran’ny Ony Amazone, dia 18 kilaometatra eo akaikin’i Manaus, renivohitr’ilay fanjakana, ary ny sakan’ny vavaranon’ilay lakan-drano lehibe indrindra ao amin’ny hefaky ny Ony Amazone, dia 50 kilaometatra. Amin’ireo ony rehetra eto ambonin’ny tany, dia i Amazone no heverina ho ny mpanjakan’izy ireo, saika amin’ny lafiny rehetra.

Ao amin’io faritra io, dia tsy mahalana ny handehanana sambo mandritra ny andro maromaro avy eo amin’ny tanàna iray ho amin’ny iray hafa. Hoy ny nosoratan’ny mpisava lalana manokana roa notendrena ho any Eirunepé, any Amazonas, tanàna iray misy mponina 20 000: “Naharitra 13 andro ny dia an-tsambo nataonay ho any amin’ny toerana nanendrena anay. Noraisinay ho toy ny anisan’ny faritaninay ilay sambo. Fony teny ambonin’ilay sambo izahay dia nahapetraka zavatra vita an-tsoratra maromaro ary nanomboka fampianarana Baiboly valo, izay notarihinay indroa isan’andro.” Any Amazonia, dia misy mpisava lalana manokana 213, izay variana manampy olona handray soa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Eny ambonin’ireo sambon’ny Fikambanana

Nanomboka tamin’ny 1991, ny sasany amin’ireo mpisava lalana manokana eto aminay dia nampiasa sambo ho anisan’ny fitaovana ampiasainy tsy tapaka eo amin’ny fanompoana. Tamin’io taona io, ny Fikambanana dia nanome sambo roa mba hampiasaina ho amin’izany. Eo i Boas Novas (Vaovao Tsara), izay mandeha eny amin’ny renirano Negro, Purus, Madeira ary Solimões. I Proclamador das Boas Novas (Mpitory ny Vaovao Tsara) dia mihodidina ny nosin’i Marajó — mitovy velarana amin’i Holandy — eo amin’ny vavaranon’ny Ony Amazone.

Mpisava lalana manokana dimy no tendrena ho amin’ny sambo tsirairay. Ny efatra aminy mandeha eny amin’ny fanompoana, fa ny iray kosa mijanona eny ambony sambo mba hanomana ny sakafo sy hanao ny fanadiovana ary koa hiambina sao misy jiolahin-tsambo. Ny zava-kendrena voalohany indrindra dia ny hahatratra ireo mponina ao amin’ireo tanàna kely eny amoron’ireo renirano sy ny hafa koa mipetraka ao anaty trano bongo misy tongony na ao anaty trano mitsinkafona.

“Entre!” (Mandrosoa!) no fiarahabana ren’ireo mpisava lalana saika mandrakariva rehefa manatona tokantranon’olona izy ireo. Izany dia arahina fitoriana maharitra 40 minitra na mahery. Mijanona mandritra ny efa ho roa volana ao amin’ireo toeram-ponenana lehibe ireo mpisava lalana, ka mitarika fampianarana Baiboly amin’ireo olona liana, imbetsaka isan-kerinandro matetika. Ireo lahateny ampahibemaso sy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana mazàna dia atao ao amin’ny sekoly iray na ao amin’ny tranon’olona manokana. Ireo fivoriana hafa dia atao eny ambonin’ilay sambo. Raha misy olona mampiseho faniriana feno fahatsorana ny hanompo an’i Jehovah, dia misy mpisava lalana manokana tendrena hijanona sy hanolokolo ny fahalianany.

Dia an-tsambo tokony ho adiny telo avy eo Manaus, any akaikin’i Janauacá, dia misy Efitrano Fivoriambe iray tsy manam-paharoa, izay naorin’ireo rahalahy teo an-toerana. Eto dia tsy manahirana ny mahazo filasiana ho an’ireo avy any lavitra tonga hamonjy fivoriambe. Maro no mipetraka ao anaty trano mitsinkafona, hany ka mitarika ny tranony amin’ny sambo ho eo amin’ilay Efitrano Fivoriambe, naorina eny amin’ny nosy iray, fotsiny izy ireo, “mametraka” ny tranony eo ary dia midina ny sambo mba ho any amin’ilay fivoriambe. Na dia tsy ampy 100 aza ny mpitory ao amin’ireo kongregasiona manodidina, ny isan’ny mpanatrika amin’ny fivoriambe dia mahatratra efa ho 250.

Ampiana hianatra ny fahamarinana ireo Indiana

Ireo Indiana dia matetika loatra no tsy anehoan’ny ankabeazan’ny olona fanajana firy, hany ka manohina ny fon’izy ireo rehefa tena mitondra azy amim-panajana ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny sasantsasany amin’izy ireo dia nandroso ara-panahy ka tonga hatramin’ny batisa. — Asa. 10:34, 35.

I Hamilton Vieira, izay mpiandraikitra ny fizaran-tany tao amin’ny faritra iray misy Indiana, dia mahatadidy fanandraman-javatra hitany niaraka tamin’izy ireo. Tao amin’ny lahateny iray izy dia nanonona ny Lioka 21:34-36 (NW ), izay mampitandrina amin’ny “fihinanana tafahoatra sy ny fisotroana tafahoatra”. Voalohany aloha, dia niresaka momba ny “fihinanana tafahoatra” izy. Rehefa sarotra tamin’ny mpihaino azy ny nahatakatra izay tian’izany holazaina, dia nohazavainy. Gaga ireo Indiana, ary avy eo dia nanomboka nihomehy. Hadalana tanteraka amin’izy ireo izany hoe fihinanana tafahoatra izany. Anisan’ny fomba fiainan’ireo Indiana ny mihodidina ny trondro rehetra mba ho eo amin’ny lafiny iray amin’ny renirano, nefa avy eo dia tsy manatratra afa-tsy izay hahafa-po azy amin’izay fotoana izay, fa tsy mihoatra. Ahoana anefa ny amin’ny “fisotroana tafahoatra”?

Mampalahelo fa zavatra fahita eo amin’ireo vahoaka indiana ny fisotroana tafahoatra zava-pisotro misy alkaola. Ny fanaranam-po amin’ny alkaola dia nampirisihan’ny olona izay mividy zava-pisotro ho azy ireo ary mihevitra fa mampiala voly ny fijerena ny fihetsika mahatsikaikin’izy ireo rehefa mamo. Afaka nanazava ny Rahalahy Vieira fa tsy misy hafa amin’ny maha-hadalana ny fihinanana be loatra, dia hadalana mitovy amin’izany koa ny fisotroana be loatra.

Ao amin’io faritra io, ny mpitsidika indraindray dia tsy maintsy mandeha amin’ny lalan-kely mamakivaky ny ala, sy mianatra tsy hihilangilana rehefa mandeha eo ambony vatan-kazo natao ho tetezana hitana lakan-drano kely. Mando sady malama mazàna ireny vatan-kazo ireny. “Tsy mora tamiko ny nandeha teo ambonin’izy ireny”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Vieira. “Tsy nahita ilay izy ho sarotra mihitsy ireo rahalahy teo an-toerana, toy izany koa ireo anabavy izay mbola nitrotro zaza koa, no sady nitondra ny kitapoko, ka nahamenatra ahy, izay niady mafy mba tsy hihilangilana.”

Fanampiana tsy nampoizina

Nandritra ireo taona 1970 sy 1980, ireo lahateny ampahibemaso nisy fampisehoana sary diapositives, dia nanana anjara asa lehibe teo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. I Pataíba, any Bahia, dia tsy nanana afa-tsy mponina 1 500 sy kongregasiona kely iray, nefa ny isan’ny mpanatrika ilay fampisehoana sary diapositives dia 1 572. Ahoana no netezan’izany? Hoy ny nohazavain’i Moacyr Soares, ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany: “Koa satria kely ilay Efitrano Fanjakana, dia nanipy hevitra tamin’ireo loholona aho mba hangata-dalana tamin’ny ben’ny tanàna mba hampiasa ny tsena teo afovoan’ny tanàna, teo ampitan’ny eglizy katolika. Nahazo lalana taminy izahay, ka nanala ireo talantalana fivarotana ary nanamboatra faritra hipetrahan’ny mpanatrika. ‘Herinandro Masina’ tamin’izay, ary nisy filaharam-be nokasaina hiainga avy teo am-piangonana tamin’ny enina ora hariva, dia ny fotoana hanombohan’ny lahateny ampahibemasonay. Nisy olona avy tamin’ireo tanàna nanodidina nasaina, ary satria tsy nisy pretra nipetraka tao an-tanàna, dia pretra iray avy tany ivelany no ho avy hitarika ilay filaharana. Kanefa, vaky pne ny fiarany, ary dia tsy tonga ara-potoana izy. Ho vokany, dia nanatrika ny lahateninay kosa ny ankamaroan’ireo olona tonga hanao ilay filaharana. Nifanentana ny lohatenin’ilay lahateny hoe ‘Famerenana ny Maro ho Amin’ny Fahamarinana Amin’ny Fotoan’ny Farany’.”

Mpitory 200 000!

Tamin’ny Janoary 1987, dia nihoatra ny 200 000 ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana teto Brezila, ary nitohy haingana be ny fitomboana. Nandritra ny 1988, dia nisy kongregasiona vaovao 367 niforona; nisy kongregasiona 370 hafa koa tamin’ny 1989 — maherin’ny iray isan’andro tamin’ny antsalany! Mpiasa betsaka kokoa — zavatra vita an-tsoratra betsaka kokoa! Koa nisy milina rotative fahatelo, mahavita gazety 38 000 isan’ora, àry nalefa mba hanampiana anay. Tena nilaina koa ny nanova ny Sampan’asan’ny Fandefasana Entana ho araka ny toetr’andro, mba haharaka ireo fanafarana zavatra vita an-tsoratra an’arivony maro avy amin’ireo kongregasiona.

Natao ny mari-trano ho an’ny fanampin’ilay fanontam-pirinty efa teo, hany ka nitombo ho 42 000 metatra tora-droa ilay velaran-toerana 27 000 metatra tora-droa niasana teo aloha. Nanomboka tamin’ny Desambra 1988 ny fanorenana ary nataon’ny ekipan’ny fanorenan’ny Betela, teo ambany fitarihan’ny mpanompo iraisam-pirenena maromaro manam-pahaizana manokana — samy mpiasa an-tsitrapo avokoa.

Fanampiana avy amin’ireo mpanompo iraisam-pirenena

Faly izahay nanana rahalahy kinga 35 avy tany an-tany hafa, izay nanampy anay tamin’io tetik’asa fanalehibeazana ny orinasa io, ary tatỳ aoriana dia niasa teo amin’ny fanorenana trano fonenana hafa koa. Ny sasany tamin’ireo rahalahy sy anabavy dia nanompo nandritra ny herinandro maromaro, ny hafa nandritra ny volana maro, ary ny sasantsasany nandritra ny maherin’ny enin-taona. Ny fijanonan’izy ireo teto dia nandrisika sy nampahery ary, noho ny fahaizany manokana, dia tena namokatra.

Ny sasany tamin’ireo mpanompo iraisam-pirenena ireo dia tanora; ny hafa efa nanan-jafikely. I Keith Colwell sy i Rae Etta, vadiny, no voalohany tonga teto, tamin’ny Martsa 1989, ary anisan’itỳ kilasin’olona faharoa. Efa maherin’ny 50 taona izy ireo. Hoy i Keith: “Tsy mora ny hoe lavitra an’ireo zanakay vavy roa sy vinantolahinay, an’ireo zafikelinay efatra ary an’i Dada sy i Neny. Indraindray izahay dia nieritreritra ny hody sy ny ho ‘dadabe sy bebe’ fotsiny. Nefa raha mbola azo ampiasaina koa izahay ka manana ny hery, dia ho faly hilaza hoe: ‘Inty aho, iraho aho.’ — Isaia 6:8.”

I Darwin Harley sy i Shirley vadiny, koa dia nanompo teto Brezila nandritra ny efa ho enin-taona. Manina an’ireo zanany efatra sy zafikeliny valo koa izy ireo. Na dia izany aza, dia tapa-kevitra ny hametraka an’i Jehovah ho loha laharana eo amin’ny fiainany sy hanohy hamela ohatra amin’io lafiny io ho an’ireo zanany, izy ireo. Koa rehefa nanambady ny zandriny indrindra, dia tsy nanana fisalasalana momba izay hataony i Darwin sy i Shirley. Nanao fangatahana mba hanao ny fanompoan’ny mpanompo iraisam-pirenena maharitra izy ireo. Ankehitriny, na dia efa maherin’ny 60 taona aza izy ireo, dia milaza amim-pihetseham-po hoe: “Velom-pankasitrahana ny Fitambara-mpitantana izahay noho ny fahafahana manompo an’i Jehovah amin’izao fomba manokana izao.” Nisy maso nanganohano maro rehefa voatery nanao veloma an’ireny mpanompo mahatoky avy tany an-tany hafa rehetra ireny ny fianakavian’ny Betelan’i Brezila. Ny sasany tamin’izy ireny dia niverina nody tany aminy, fa ny hafa kosa nankany amin’ny fanendrena vaovao.

Nianatra ny fahamarinana ny pretra iray

Ny zava-dehibe indrindra tamin’ireo zavatra lehibe nataon’i Jehovah teto Brezila dia ny fanafahana olona izay tafalatsaka lalina tao amin’ny fivavahan-diso. Teny ambony aotobisy, indray andro, ny Vavolombelon’i Jehovah iray dia tafapetraka teo akaikin’i Ademir de Oliveira, izay pretra nandritra ny folo taona tao amin’ny Eglizy Katolikan’i Brezila. Velona ny resaka momba ny hevitry ny teny hoe “afobe”. Tatỳ aoriana, dia nisaintsaina momba iny resaka iny i Ademir, ary rehefa namaky ireo gazetintsika izy, dia nanjary nazava tao an-tsainy ny fahamarinana.

Tao am-piangonany izy dia nanomboka nampianatra fa i Jehovah no Andriamanitra ary koa fa diso ny fampiasana sary. Takany anefa fa tsy nampihatra izay notoriny izy — raha ny tena izy tokoa, dia mbola nisy sary ny fiangonany. Tetsy an-danin’izany, rehefa nielanelana folo volana monja ny nahafatesan’ny rainy sy ny reniny, dia nanomboka nihevitra izy fa nanasazy azy noho ny fieritreretana ny hiala tamin’ny Eglizy Katolika, Andriamanitra. Kanefa, tamin’ny fandevenana ny reniny, dia takany fa i Jehovah no Ilay ho afaka hanangana azy io ho amin’ny fiainana indray. Tamin’ny 1989 izy dia nankany amin’ny fivoriany voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana ary dia nanatrika tsy tapaka taorian’izany. Niala tamin’ny Eglizy Katolika izy, ary tamin’ny volana voalohany naha-mpitory ilay Fanjakana azy, dia nitory nandritra ny 60 ora izy ary nahapetraka 12 tamin’ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Taorian’ny batisany izy dia tonga mpisava lalana maharitra, ary ankehitriny izy dia loholona koa ao Jundiaí, any São Paulo.

Valiny ho an’ireo fanontaniana apetraky ny tanora

Ny tanora dia mila fanampiana mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fomba azony ekena. (Mpit. 12:1). Ny fitohitohizan’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Fitiavam-pivavahana”, natao tamin’ny 1989, dia nanome fitaovana nanampy ho amin’izany. Hoy ny nosoratan’ny ankizivavy iray 15 taona: “Teo am-piandohan’ny fandaharana, dia nampandrenesina fa ny tanora rehetra teo anelanelan’ny 10 sy 19 taona dia tokony hiara-mipetraka teny aloha. Taitaitra be daholo izahay rehetra, nanontany tena ny amin’izay hitranga. Tamin’ny faran’ny fandaharana, taorian’ny lahateny iray feno hafanam-po dia nampandre ilay mpandahateny fa ny tanora tsirairay dia hahazo fanomezana boky iray nitondra ny lohateny hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra. Tena nampientam-po be ilay izy! Te hitomany aho, azony faly loatra. Tena io mihitsy no nilainay. Hatramin’izay dia nijery matetika an’ilay boky aho mba hahazoana torohevitra. Noho io fanomezana sarobidy avy tamin’i Jehovah io, dia voaomana tsara izahay hiatrika ireo faneren’itỳ fandehan-javatra itỳ.” Boky maherin’ny 70 000 no nozaraina tamin’ireo rahalahy sy anabavy tanora tamin’ireo fivoriamben’ny distrika 108 natao teto Brezila.

Notombanana fa tokony ho ny 35 isan-jaton’ireo manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona eto Brezila dia tanora. Isan’andro izy ireo dia tojo ny fitaomana mampietrin’itỳ tontolo mifantoka amin’ny zavatra ara-nofo sy maloto fitondran-tena itỳ. Miatrika zava-tsarotra izy ireo, dia ny hahazo fianarana sahaza mba hiomanana ho amin’ny fiainan’olon-dehibe, no sady hahazo ilay fanabeazana lehibe dia lehibe avy amin’ny Tenin’Andriamanitra izay afaka manomana azy ho tafita velona ho ao amin’ny tontolony vaovao sy marina. Afaka miaritra io zava-tsarotra io ny ankamaroan’izy ireo. Maro no mpisava lalana mpanampy na dia mbola mankany an-tsekoly aza, ary avy eo dia mirotsaka ho mpisava lalana maharitra izy ireo raha vao mahavita ny fianarany. Ny hafa mihevitra ny sekoly ho ny faritaniny manokana ary manararaotra ny fahafahana rehetra hitory any.

Rehefa nitsidika sekoly iray ny Vavolombelona iray any Minas Gerais, ka niresaka tamin’ny iray tamin’ireo mpampianatra, dia hoy ny nohazavain’ilay mpampianatra: “Nanana zazavavy kely roa aho tao an-dakilasiko, 9 taona sy 11 taona. Voamariko fa tsy nitovy tamin’ny mpianatra hafa rehetra izy ireo. Hitako fa nandritra ireo vavaka nataonay, dia nitsangana mangina niaraka tamin’ireo hafa izy ireo, nefa tsy namerina ireo vavaka. Rehefa nanontany azy ireo aho raha tsy nahay nivavaka izy ireo, na hoe nahatsapa ho sadaikatra ny hivavaka, dia nilaza tamiko izy ireo fa tsy mihaino ny vavaka miverimberina i Jehovah Andriamanitra, ary koa fa rehefa nivavaka izahay, dia nivavaka mangina izy ireo. Nanontany azy ireo aho hoe: ‘Ahoana no fomba fivavakareo?’ Hoy ilay zokiny tamiko: ‘Aondreho hoe, Tompoko, ny lohanao’, ary avy eo izy dia nivavaka. Nisaotra an’i Jehovah izy noho ireo ray aman-dreniny, ny sakafony, ny mpampianatra azy ary nivavaka mihitsy aza izy momba ny fahasalaman’ny reniny, izay nampianatra azy ireo ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Tsy nahatana ny ranomasoko aho, ka voatery nihazakazaka nankany amin’ny toeram-pivoahana mba hitomany.” Rehefa niverina nitsidika ilay mpitory, dia nahare fa nifindra toerana ny fianakavian’ireo zazavavy kely, satria tsy nisy Efitrano Fanjakana tao amin’ilay tanàna nampianaran’ilay mpampianatra. “Malahelo be azy ireo aho”, hoy ny famaranan-tenin’ilay mpampianatra.

Ny herin’ny fahamarinana izay manova

Ny Tenin’Andriamanitra dia afaka ny hisy vokany mahery sy manova eo amin’ny fiainan’ny olona. Ohatra, ireo olona andevozin’ireo demonia dia afahana. Marina izany ny amin’ny tovolahy iray ao São Paulo, izay manao spiritisma ny fianakaviany. Hatramin’ny faha-13 taonany izy dia efa niandraikitra foibe mpanao spiritisma (macumba) iray, izay nahatongavan’olona maro mba hahazoana fanampiana handaminana ny karazan-java-manahirana rehetra, momba ny fianakaviana, ny fahasalamana, ny asa, ary ny fiarahana alohan’ny fanambadiana. Ankoatra ny fampiasana tapa-kazo, dia tafiditra amin’ireo fombafomba koa ny fanaovana sorona biby — sahona, akoho, osy — any amin’ny fasana, amin’ny alina. Indraindray dia taolan’olona nangalarina tany amin’ny fasana no nampiasaina. Tamin’ny 1990, fony izy 19 taona, dia nifankahita voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah io tovolahy io. Rehefa takany fa ny fahamarinana no nianarany tamin’izy ireo, dia namory an’ireo mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy 11 niasa teo ambany fitarihany izy ary nanazava fa tsy nankasitraka ny fanao momba ny spiritisma ny Baiboly. Mba hanafahan-tena tamin’ny fanafihan’ireo demonia, dia nandoro ireo zavatra rehetra momba ny spiritisma nananany izy. Rehefa avy nianatra ny Baiboly nandritra ny dimy volana izy, dia tonga mpitory, ary nandritra ny volana voalohany nitoriany izy dia nitarika fampianarana Baiboly 12. (Asa. 19:19, 20). Ny ankamaroan’ireo dia tamin’ny olona teo amin’ny manodidina azy ihany, izay nahafantatra azy ho macumbeiro (mpanaraka ny macumba). Taorian’ny batisany izy, dia tonga mpisava lalana mpanampy, ary avy eo dia mpisava lalana maharitra, ary tatỳ aoriana, dia mpianakavin’ny Betelan’i Brezila.

Nisy fiovana lalina koa teo amin’ny fiainan’ny lehilahy iray izay nandray anjara tamin’ny karnavaly isan-taona nandritra ny 20 taona. Nahazo loka maro izy noho ny fandraisany anjara tamin’ireo bals malaza amin’ny karnavaly ao Rio de Janeiro. Anisan’ny fomba fiainany ny fisotroana tafahoatra sy ny filokana ary ny fifampikasohana tamin’olona nanao ny karazana fahalotoam-pitondran-tena rehetra. Rehefa nianatra ny fahamarinana izy, dia nanova tanteraka ny fomba fiainany. Ankehitriny izy dia mpanampy amin’ny fanompoana, ary mampiasa ny talentany mba handravahana ny lampihazo amin’ny fivoriamben’ny distrika.

Ny tovolahy iray hafa ao Rio de Janeiro dia nanao ny baolina kitra ho ny zavatra nankafiziny indrindra. Anisan’ny antokona mpandrisika izy. Ireo antokona mpandrisika dia alamin’ireo clubs mpifanandrina, ary mifanafika amin-kabibiana. Fanaony ny nankany amin’ny kianja filalaovam-baolina, nitondra basy poleta na baomba nataon’ny tenany. Saika tamin’ny lalao rehetra izy dia nanjary niady tamin’ilay ankilany sy tamin’ny polisy. Kanefa, nisy mpiara-mianatra taminy taloha, izay Vavolombelona, nanomboka niara-nianatra ny Baiboly taminy. Nanjary takany hoe iza avy no tena namany sy hoe iza ilay fahavalony lehibe indrindra. Namela ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly hanova ny toetrany izy, ary avy eo dia natao batisa.

I Pedro, tovolahy iray mipetraka ao São Paulo, dia nanjary nanana fomba fiaina feno herisetra koa. Nandray anjara tamin’ny endrika iray amin’ny arts martiaux antsoina hoe capoeira (teknika fanafihana mahery setra) izy ary tia nitondra fiadiana. Efa ho roa metatra ny halavany, no sady vory nofo tsara ny tenany, ka nanjary niady tsy an-kijanona. Indray andro anefa, dia nanaiky hianatra Baiboly izy. Rehefa avy nihaino lahateny ara-baiboly tao amin’ny Efitrano Fanjakana izy, dia nahatakatra fa ho voatery hanao fiovana goavana teo amin’ny fiainany. Nanapotika an’ireo fiadiany izy ary nanao fandrosoana ka tonga hatramin’ny batisa. Hatramin’izay izy dia nanampy ny folo tamin’ireo mpianakaviny hiaraka aminy hanompo an’i Jehovah.

Moa ve ny fahamarinana afaka manampy olona iray handresy ny fahasarotan-kenatra? Marina izany raha ny amin’ny ramatoa iray ao São Paulo. Rehefa nahare voalohany ny hafatry ny Baiboly izy, dia talanjona noho izay nianarany. Na dia izany aza, dia vato nisakana makadiry ho azy ny fanatrehana fivoriana sy ny fandraisana anjara tamin’ny fitoriana ampahibemaso ny vaovao tsara. Fa nahoana? Noho ny fahasarotan-kenatra sy ny tahotra ny hanohitra ny vadiny. Nihazona tao an-tsaina andinin-teny toy ny Matio 10:37 anefa izy, ary farany dia nahita ny herim-po handray anjara tamin’ny fanompoana eny amin’ny saha. Naniry hampifaly an’i Jehovah izy, kanefa imbetsaka izy no nitomany, niady tamin’ny faniriana hiala sy handeha hody. Tamin’ny farany anefa, dia nanjary mora kokoa sy nahafinaritra azy mihitsy aza ny fitoriana. Ho vokatry ny fikirizany, dia samy nianatra ny fahamarinana avokoa ny reniny sy ny anadahiny dimy ary ny vadiny.

Fiatrehana ny fisondrotan’ny vidim-piainana izaitsizy

Ny iray tamin’ireo zava-nanahirana lehibe indrindra tamin’ireo taona 1980 dia ny fisondrotan’ny vidim-piainana be. Na dia teo aza ny drafitra ara-toe-karena maromaro, dia tsy nitsahatra ny fisondrotan’ny vidim-piainana mandra-pahatratrarany 6 584 isan-jato teo anelanelan’ny May 1989 sy ny Aprily 1990. Tamin’ny volana sasany, dia nitombo efa ho 3 isan-jato isan’andro ny vidin-javatra! Tamin’ny faran’ny volana, ny olona iray dia nila vola efa ho avo roa heny noho ny nilaina teo am-piandohan’ny volana, mba hividianana zavatra iray ihany. Mba hiezahana hiatrika ilay tarehin-javatra, nandritra ny 18 volana nanomboka tamin’ny Martsa 1990, ny fitondram-panjakana dia nampihitsoka ny volan’ny olona rehetra tao amin’ny banky. Maherin’ny indray mandeha, ny fitondram-panjakana dia voatery koa nanesotra aotra maromaro tamin’ny volany sy nanao pirinty vola taratasy vaovao.

Mazava ho azy fa tsy zava-baovao ny zava-nanahirana momba ny fisondrotan’ny vidim-piainana, nefa izay nitranga tamin’ny 1990 dia tena nihoa-pampana. Soa ihany fa nanana tahirin-taratasy sy tahirin-javatra hafa ampy tsara izahay teto amin’ny sampana mba hanaovana pirinty. Tsy nividy afa-tsy izay zavatra tena nilaina izahay ary nampihemotra ny fividianana zavatra hafa. Ny fianakavian’ny Betela nisy mpikambana 800 dia nanaiky ny tsy haka ny vola fanampiana azy isam-bolana nandritra ny fotoana kelikely. Nampahery koa ny naharaisan’ny biraon’ny Fikambanana antso an-telefaonina sy taratasy avy tamin’ny rahalahy nanolotra fanomezana sy fampisamboram-bola mba hampandehanana ny zava-drehetra. Rehefa afaka volana vitsivitsy, ny fitondram-panjakana dia namela ireo fikambanana tsy mpitady tombony toy ny anay, hanohy ny asany mahazatra. Ho an’ny Fikambanana, dia tapitra teo ny fotoan-tsarotra.

Nandritra io fe-potoana sarotra io, ny Vavolombelona dia narisika hatrany teo amin’ny fanompoana. Nampiasa ny fotoanany sy ny volany ary ny heriny tamim-pahendrena izy ireo. Maro no nampiseho tena fankasitrahana ny torohevitra araka an’Andriamanitra mba hikatsaka ilay Fanjakana aloha. (Matio 6:33). Ho vokany, dia nisy tampon’isa vaovao teo amin’ny mpitory sy ny mpisava lalana ary ny zavatra vita an-tsoratra voapetraka nandritra ny 1990. Ny fitomboana 11 isan-jato teo amin’ny mpitory tamin’io taona io dia mbola tsy tratra mihitsy hatramin’izao.

Fony nahitsoka ny volan’ny olona tany amin’ny banky, ny Kongregasiona Floresta tao Joinvile, any Santa Catarina, dia nanana ny nitovy sanda tamin’ny 400 000 000 FMG tany amin’ny banky, hampiasaina mba hanorenana Efitrano Fanjakana. Nampihemotra ilay tetik’asa izy ireo, nefa ireo fanomezana voaray dia nahatonga ny fananganana ilay efitrano vaovao hety, tsy nisy fampiasana ilay vola tany amin’ny banky. Rehefa azo nalaina amin’izay ireo tahirim-bola tany amin’ny banky, ilay kongregasiona dia afaka nividy tany teo akaikin’ilay Efitrano Fanjakana mba hametrahana fiara sy hanampiana ny kongregasiona iray hafa hanorina Efitrano Fanjakana.

Fianarana mamaky ny Baiboly amim-pahaizana mahazo ny heviny

Rehefa nilazalaza momba ny olona sambatra ny mpanao salamo, dia nanao hoe: “Ao amin’ny lalàn’i Jehovah ny fahafinaretany, ary ao amin’ny lalàny no amakiany teny amin’ny feo iva andro aman’alina.” (Sal. 1:2, NW ). Misy olona maro anefa izay tsy nanana fahafahana ho any an-tsekoly mihitsy mba hianatra hamaky teny. Ho azo ampiana ve izy ireo mba hahatsapa ilay fifaliana noresahin’ny mpanao salamo? Nanomboka tamin’ny 1958, dia nisy kilasy manokana natao tao amin’ireo Efitrano Fanjakana mba hanampiana an’ireo izay tsy nahay namaky teny na nanoratra. Tamin’ny 1970, dia nisy dingana fanampiny natao tao amin’io fandaharam-pampianarana io, rehefa navoaka tamin’ny teny portogey ny bokikely Comment apprendre à lire et à écrire. Hatramin’izao, dia olona maherin’ny 20 000, anisan’izany ny olona maro izay tsy Vavolombelona, no nampiana mba hianatra hamaky teny.

Na dia ny olona izay tsy Vavolombelon’i Jehovah aza dia nahamarika ireo soa azo avy amin’ireny kilasy ireny ary nankasitraka azy ireny. Tao São Paulo, ny vady tsy mpinon’ny anabavy iray dia nisaotra ny kongregasiona teo an-toerana noho izay natao mba hanampiana ny vadiny hianatra hamaky teny. Ny sefon’ny polisy tao Ferros, any Minas Gerais, dia nandefa taratasy fiderana tatỳ amin’ny Fikambanana noho ny asa natao mba hampianarana ireo mpigadra tao amin’ny tranomaizina tany, ka nanao hoe: “Na teo amin’ny lafiny ara-panahy na teo amin’ny lafiny ara-nofo, ny Vavolombelon’i Jehovah dia niara-niasa tamin’io sefon’ny polisy io mba hampianarana an’ireo mpigadra hamaky teny. Toy ny erikerika mahatondra-drano, izy ireo dia nanao zavatra be dia be mba hamerenana ireo mpigadra ho isan’ny fiaraha-monina indray.”

Mazava ho azy fa ny famakian-teny dia sarobidy indrindra rehefa mahita fahafinaretana amin’ny Tenin’Andriamanitra sy mizara azy io amin’ny hafa ny olona iray. Ny Vavolombelona iray 74 taona ao Rio de Janeiro, izay nandray soa avy tamin’ilay fampianarana hahay taratasy, dia manao izany indrindra, ary ankehitriny izy dia afaka mampianatra ny fahamarinana amin’ny olona maro mipetraka ao amin’ny faritra misy azy.

Rehefa navoaka ny bokikely Comment apprendre à lire et à écrire, dia nampirisihina ireo mpitory mba hampiasa azy io mba hitarihana fampianarana tamin’ny olona liana izay nila izany fanampiana izany. Indray andro, i Sonia Springate, izay misionera tao Curitiba, any Paraná, dia nangataka ny ramatoa iray nitoriany mba hamaky ny Apokalypsy 21:4. Niahotra ilay vehivavy ary avy eo dia nanao hoe: “An, an, an, vakionao ihany ka.” Rehefa niverina nitsidika io olona io i Sonia, dia nanjary nahafantatra fa tsy nahay namaky teny izy io. Na dia sahirana nikarakara zanaka efatra aza ilay vehivavy, dia nitarihana fampianarana tamin’ny alalan’ny bokikely Comment apprendre à lire et à écrire izy. Tamin’ny voalohany, dia kivy izy, nefa nahazo fampaherezana, ka nikiry ary, tao anatin’ny herintaona, dia nahay namaky teny. Amin’izao andro izao izy sy ny vadiny dia Vavolombelona vita batisa, ary ny zanak’izy ireo dia manao fandrosoana ao amin’ny fahamarinana.

Ny sasany izay efa nahay namaky teny dia nila fanampiana mba hanatsarana ny fahazoany ny hevitr’izay novakiny. Mba hiatrehana izany, dia nisy antokon’olona nalamina mba hahazo fanampiana amboniny teo amin’ny famakian-teny sy ny fifampiresahana, tao amin’ny kongregasiona sasany tamin’ny 1990. Izany fanampiana izany ankehitriny dia omena ho an’ny Vavolombelona efa ho 6 000, ary tsara ny vokatra azo. Rehefa nanomboka ilay fianarana ny anabavy iray ao Rio de Janeiro, dia nila tokony ho adiny roa mba hamakiana sy hahazoana ny hevitry ny zavatra hianarana ho an’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona. Rehefa afaka roa volana nanaovana ilay fianarana, dia afaka nanao izany tao anatin’ny 20 minitra izy.

Fanelezana manokana ireo gazety

Eo amin’ny loha laharan’ny zavatra vakin’ny Vavolombelon’i Jehovah Ny Tilikambo Fiambenana, izay natao mba hanampiana ny olona tia ny fahamarinana hahazo ny hevitry ny Baiboly. Manandratra an’i Jehovah Andriamanitra ho ny Tompo Manam-piandrianana eo amin’izao rehetra izao izy io, ary mampiseho ny fomba handaminan’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo zava-manahirana ny olombelona. Ny Mifohaza! namany dia manondro ny tena hevitra fonosin’ireo fisehoan-javatra farany ary mampitombo fatokiana ny fampanantenan’ny Mpamorona tontolo vaovao miadana sy mandry feizay. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia dodona ny hizara io fanazavana sarobidy io amin’ny hafa. Mba hampitomboana ny fanelezana an’ireo gazety ireo sy mba hampirisihana ireo vaovao mahafeno fepetra mba handray anjara amin’ny fanompoana, dia nisy fanelezana manokana an’ireo gazety nalamina ho amin’ny 1 May 1990, izay andro fety. Nanoroana hevitra ny handaminan’ireo kongregasiona fanompoana eny amin’ny saha ny maraina sy ny tolakandro ary ny takariva, ary koa ny handraisan’ny fianakaviana manontolo anjara tamin’ny fanompoana tamin’io andro io.

Faran’izay tsara ny fihetsiky ny mpitory! Ohatra, tao Rio de Janeiro, dia 121 tao amin’ny kongregasiona iray nisy mpitory 125 no teny amin’ny fanompoana ny maraina ary 118 ny tolakandro. Nisy tampon’isa vaovao teo amin’ny mpitory 288 107 teto Brezila tamin’io volana io, ary gazety maherin’ny 500 000 no nanaovana tatitra hoe voapetraka tao anatin’io andro io fotsiny. Hatramin’izay, dia nisy andro manokana fanelezana gazety hafa nalamina ka nahazoana fahombiazana tsara.

Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fiteny Madio”

Ireo fivoriamben’ny distrika dia zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ny sasany amin’izy ireny dia tsy hay hadinoin’ireo nanatrika azy. Nisy fivoriambe toy izany natao tao São Paulo tamin’ny Aogositra 1990. Tamin’ny andro farany, dia olona maherin’ny 134 000 — 86 186 tao amin’ny Kianjan’i Morumbi ary 48 220 tao amin’ny Kianjan’i Pacaembu — no nihaino ny lahateny ampahibemaso niara-nataon’ny mpandahateny roa tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fiteny Madio”. Tonga teo i C. W. Barber sy i A. D. Schroeder, mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana, ary koa solontena vahiny 2 350 avy tany amin’ny tany 14.

Tamin’ny faran’ilay lahateny famaranana tao amin’ireo kianja roa, dia nanomboka nanofahofa mosara sy folara ireo solontena. Nampihetsi-po lalina ny maro ny fahitana izany, ka latsa-dranomasom-pifaliana izy ireo. Velom-pankasitrahana toy inona moa ireo Vavolombelona breziliana noho ireo rahalahiny sy anabaviny kristiana tonga avy tany an-tany hafa mba hiaraka taminy tamin’io fotoan-dehibe io!

Ny fitiavana miavaka izay miharihary eo anivon’ny mpanompon’i Jehovah dia anton-javatra lehibe iray manampy ny olona tso-po hamantatra ny fahamarinana. (Jaona 13:35). Izany no izy tamin’ny tovolahy iray sy ny anabaviny izay nanohitra ny reniny efa maty vady, izay niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitsidika ilay fianakaviana ny loholona iray ary nanasa azy ireo hanatrika iny fivoriamben’ny distrika tao São Paulo iny ny alahady tolakandro. Naka azy ireo aloha be izy, satria tsy maintsy nikarakara ireo adidiny, noho izy mpiasa an-tsitrapo tao amin’ilay kianja. Nanohina lalina azy mianadahy ilay izy. Niresaka momba ny filaminana sy ny fahadiovana tao amin’ilay kianja izy ireo, sy momba ny fomba nandaminana ny zava-drehetra, ary, eny, momba ny fitiavana natobaka tamin’ireo solontena mpitsidika tamin’ny famaranana. Nanaiky fianarana Baiboly izy ireo, nanao fandrosoana tsara, ary niara-natao batisa tamin’ny reniny. Izao io tovolahy io dia mpanampy amin’ny fanompoana.

Ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly

Ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, na vao vita batisa izy ireo na efa za-draharaha kokoa, dia samy mahafantatra fa ny fifadiana ny karazana ra rehetra dia zavatra lehibe takina amin’ny Kristiana. (Gen. 9:3, 4; Asa. 21:25). Tamin’ny 1984, dia nisy komity sasantsasany voaforona loholona za-draharaha, natsangana mba hanadinadina dokotera sy handray ny anaran’ireo izay hanaja ny fanapahan-kevitry ny marary iray tsy hanaiky fampidiran-dra. Nahazo tosika io fandaharana io tamin’ny 1991, rehefa nisy seminera niraisam-pirenena iray nataon’ireo Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) tao São Paulo. Tonga tao i Eugene Rosam sy i Fred Rusk, avy tany amin’ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly any Brooklyn, any New York, Etazonia. Afa-tsy izany koa, dia nisy rahalahy hafa maherin’ny 700 nanatrika io seminera io, anisan’izany ny sasany izay dokotera na mpisolovava ary koa mpikambana tao amin’ny KMH.

Ilay seminera dia nampiseho fa nisy asa be dia be niandry azy ireo. Tsy maintsy halamina indray ireo komity, ary hanomboka hanao famelabelarana amin’ireo dokotera sy mpiasan’ny fitsaboana ireo mpikambana ao amin’ireo komity, mba hanazavana ny toerana tanantsika momba ny fampiasana ra, sy mba hanolorana azy ireo lahatsoratra ara-tsiansa momba ny fitsaboana tsy misy fampiasana ra. Ny tanjona napetraka teo anoloan’ireo mpikambana ao amin’ireo komity eo amin’ny fifandraisany amin’ny dokotera dia hoe “fifampiresahana sy fiaraha-miasa, fa tsy fifandonana”. Taorian’ilay fandaminana indray, ny isan’ireo komity 200 nisy mpikambana 1 200, dia nahena ho 64 nisy mpikambana 350. Ho vokany, dia vitsy kokoa nefa voaomana tsara kokoa ireo komity tao amin’ireo tanàna nisy foibem-pitsaboana lehibe.

Tamin’ny Oktobra 1992, dia nisy fahafahana hanao famelabelarana teo anoloan’ny dokotera 1 300 avy tany amin’ny tany maherin’ny 100, tamin’ny Fivoriambe Niraisam-pirenena Faha-XXII Momba ny Fampidiran-dra, tao São Paulo. Ireo mpandamina an’io fisehoan-javatra io dia nanaiky ny hampisehoan’ny Anabavy Zelita da Silva Souza, izay hématologiste, sary lehibe iray mitanisa fomba fitsaboana 65 tsy ampiasana ra. Hoy ny tatitra nataon’i Pedro Catardo sy i Sergio Antão, avy atỳ amin’ny Betela: “Tamin’ny voalohany, dia natahotahotra ihany izahay raha ny amin’ny ho fandraisan’ny olona anay, nefa tena tsara ny fihetsik’ireo dokotera maherin’ny 500 niresahanay nivantana. Ny iray tamin’ireo mpandahateny lehibe indrindra tamin’ilay fivoriambe dia nandinika tamim-pitandremana an’ilay sary lehibe sy ireo lahatsoratra narantiranty. Tatỳ aoriana, tao amin’ny lahateny iray nataony tao amin’ny efitra lehibe indrindra, dia naneho ny fahatalanjonany izy ny amin’ilay fanazavana sarobidy azo ‘avy tamin’ny loharano tsy nampoizina — ny Vavolombelon’i Jehovah’.”

Tamin’ireo volana nanaraka, dia nisy famelabelarana natao teo anoloan’ny Filan-kevi-paritra Ara-pitsaboana 20, ary maromaro tamin’izy ireo no nanoro hevitra fa, rehefa mipoitra ny zava-manahirana mifandray amin’ny ra, dia tokony hifandray amin’ny KMH eo an-toerana ireo dokotera. Tao anatin’ireo efa-taona lasa, dia famelabelarana maherin’ny 600 toy izany no natao, ary ankehitriny dia misy dokotera maherin’ny 1 900 miara-miasa amintsika, noraisina anarana.

Mahaliana fa ny dokotera sasantsasany mankasitraka ireo tombon’ny fitsaboana tsy ampiasana ra, dia nampirisika ny hisian’ny seminera teto Brezila, mba hiresahana momba ilay raharaha tamin’ny olon-kafa ao amin’ny sehatry ny fitsaboana. Ny sasany amin’ireo rahalahintsika izay dokotera na mpikambana ao amin’ireo KMH dia nasaina tamin’izany. Nisy seminera toy izany natao tao Rio de Janeiro aloha ary avy eo dia tany amin’ny tanàna hafa. Tatỳ aoriana, ny Filan-kevi-paritra Ara-pitsaboana ao Rio de Janeiro dia namoaka fanambarana mampirisika ny fampiasana fitsaboana solon’ny ra.

“Tsy hohadinoiko na oviana na oviana iny vavaka iny”

Ireo KMH dia nanome fanohanana be dia be an’ireo rahalahy marary sy ny fianakaviany. Hoy ny tsaroan’i Alaide Defendi, mpisava lalana manokana: “Naratra tamin’ny lozam-piarakodia iray tao Curitiba, any Paraná, tamin’ny Febroary 1992, ny zandriko vavy. Nanambara ilay dokotera fa niankina tamin’ny fanekeny fampidiran-dra ny ainy. Niantso an-telefaonina ny KMH aho, ary tao anatin’ny 15 minitra, dia nisy anadahy telo, nanao complet sy karavato ary nitondra kitapo, tonga tao amin’ny hopitaly ary nampiseho ny karatra famantarana azy tamin’ilay dokotera.”

Natao ny fandaharana mba hamindrana ilay marary tany amin’ny hopitaly iray hafa, 40 kilaometatra avy teo. Ny fanafody iray eken’ny olona sasany tsy manaiky fampidiran-dra dia ny érythropoïétine, izay hormonina sentetika mandrisika ny fampitomboan’ny tsoka liomena. Nilaza anefa ilay dokotera fa tsy nisy teto Brezila io fanafody io. Kanefa niresaka tamin’ny mpikambana iray ao amin’ny KMH tany São Paulo ireo rahalahy, ary dia nalefan’izy io fiaramanidina ny androtr’iny ihany ilay fanafody. Hoy ny famaranan-tenin’ny Anabavy Defendi: “Rehefa natahorana mafy ny ain’ny zandriko vavy, dia nijanona indray andro tontolo tao amin’ny hopitaly ny mpikambana iray ao amin’ny KMH, ary tamin’ny fotoana faran’izay sarotra iray, dia nitondra ahy ho any amin’ny toerana nitokana iray izy ka nanao hoe: ‘Andao isika hanolotra vavaka ho an’i Jehovah.’ Tsy hohadinoiko na oviana na oviana iny vavaka iny.”

Fitsidihana ireo faritanàna mahantra eny amin’ny havoanan’i Rio

Ny lazan’izy ireo ho olona tena mifikitra marina amin’Andriamanitra dia nahatonga an’ireo Vavolombelona ao Rio de Janeiro mipetraka any amin’ny faritra anjakan’ny varo-maizina zava-mahadomelina, hanohy ny fanompoany any amin’ireny faritra ireny. Misy kongregasiona maromaro any amin’ireny toerana ireny, ary araka ny nohazavain’ny loholona iray, arakaraka ny itorian’ireo rahalahy no ihatsaran’ny tarehin-javatra. Manjary fantatr’ireo mpanao varo-maizina zava-mahadomelina ireo rahalahy, ary tsy helingelenin’izy ireo. Ny havoana sasany dia misy mponina maherin’ny 200 000 miaina ao anatin’ny fahantrana. Ny ankamaroan’ireo olona ireo dia tsy manana ifandraisana amin’ny zava-mahadomelina, nefa ny fahafahany ara-bola dia tsy mamela azy hipetraka any an-toeran-kafa.

Ny loholona iray nipetraka tany amin’ny faritra hafa tamin’ilay tanàna dia nandeha aotomobilina tao amin’ny faritanàna mahantra iray mba hanao lahateny ampahibemaso tao amin’ny iray tamin’ireo kongregasiona. Rehefa nametraka ny fiarany teo anoloan’ny Efitrano Fanjakana izy, dia nisy tanora nitondra fiadiana niseho, nanontany hoe iza izy. Rehefa nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah izy, ka nilaza fa tonga mba hanao lahateny ara-baiboly ampahibemaso, dia nilaza taminy ireo tanora fa afaka nandeha izy no sady tsy tokony hanahy momba ny fiarany, satria tsy hisy hikitikitika ilay izy.

“Indray mandeha”, hoy ny notantarain’i Francisco Duarte, mpiandraikitra ny fizaran-tany, “dia tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana tamin’ny faran’ny fivoriana ireo mpanao varo-maizina mba hampitandrina an’ireo rahalahy fa hisy fifampitifirana. Natahotra kely izahay mivady, nefa ireo mpitory dia nanohy niresaka toy ny mahazatra ihany, na dia teo aza ny feon’ny fitifirana. Rehefa afaka kelikely, dia niverina ireo mpanao varo-maizina mba hilaza fa afaka nandeha izahay, satria efa tapitra ilay fitifirana.”

Tsy fahendrena ny handehandehanan’iza na iza tsy monina ao amin’ilay faritra, ka tsy hiaraka amin’olona mipetraka ao. Tena ilaina koa ny hiakanjoana amin’ny fomba tsy hanintonana ny sain’ny mpangalatra. Ny Rahalahy Duarte, na dia efa niaraka tamin’ny mpitory iray teo an-toerana aza, dia najanon’ny lehilahy iray izay nangataka ny famantaranandrony. “Tamin’ny voalohany, dia noheveriko ho mpanendaka ilay izy”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Duarte, “nefa nanohy ny teniny ilay rangahy hoe: ‘Fantatro fa ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany vaovao ianao, nefa raha mbola manao iny famantaranandro volom-bolamena iny ianao, dia hisy olona hangalatra azy, satria hoheveriny fa tena volamena ilay izy. Ny famantaranandroko ampiasaina, ary ny anao tahirizo ao am-paosinao.’ Hay rahalahy ilay izy. Tamin’izay aho dia nianatra ny hitandrina kokoa.”

Ny ankizilahy iray anisan’ny andian-jiolahy mpanao varo-maizina zava-mahadomelina ary nanomboka nianatra ny Baiboly, dia nahatakatra fa ho voatery hiova asa izy. Ahoana anefa? Fantany fa na iza na iza miala amin’ny andian-jiolahy iray, dia hovonoin’ireo namany mazàna, ho fiarovana — mba tsy haharihary amin’ny hafa ny tsiambaratelon’ilay andian-jiolahy. Na dia izany aza, dia nisikina herim-po ilay ankizilahy, nivavaka tamin’i Jehovah, ary nandeha hiresaka tamin’ny mpitarika ilay andian-jiolahy. Nanazava ilay ankizilahy fa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, namaky andinin-teny ara-baiboly sasany ary dia nilaza fa tsy afaka ny hiaraka tamin’ilay andian-jiolahy intsony. Nanjary fantany fa nianatra ny Baiboly koa ny tenan’ilay mpitarika ilay andian-jiolahy taloha. Navela handeha tsy nisy valy faty ilay ankizilahy ary ankehitriny izy dia mpitory marisika ao amin’ny kongregasiona.

Mpitory 300 000!

Isaky ny nisy vaovao tonga tao amin’ny kongregasiona, dia zavatra vita an-tsoratra betsaka kokoa no nilaina mba hampiasaina tao amin’ny fandaharam-pampianarana ny Baiboly. Efa nitarina ny fanontam-pirintinay, nefa nila toerana bebe kokoa izahay mba hipetrahan’ny fianakavian’ny Betela, izany hoe ireo mpiasa an-tsitrapo miasa ato amin’ny sampana. Ny rahalahy tanora sasany dia nampilasiana tao amin’ny efitrano malalaka nasiana fandriana maherin’ny 20 avy. Koa tamin’ny 1990 àry izahay dia nanomboka ny asa fanorenana trano fiasana iray sy trano fonenana valo hafa, izay hisy efitra 384 amin’ny fitambarany. Nohalehibeazina koa ny efitra fisakafoana mba hahazaka olona 1 500.

Ho an’io tetik’asa fanorenana io, dia mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 1 000 no tonga avy tany amin’ny faritra rehetra teto Brezila. Ny sasany tonga nandritra ny herinandro maromaro; ny hafa nandritra ny volana maromaro. Mpiasa matihanina ny maro taminy. (Tonga mpikambana maharitra ato amin’ny fianakavian’ny Betela ny tokony ho 130 tamin’izy ireo tatỳ aoriana.) Avy tany Feira de Santana, any Bahia — maherin’ny 2 000 kilaometatra avy eto — dia nisy antokona rahalahy 23 avy tamin’ny kongregasiona 12 samy hafa. Nanofa aotobisy iray izy ireo ary nanao dia nandritra ny 40 ora mba hanampy teo amin’ilay asa nandritra ny herinandro. Nisy rahalahy za-draharaha 35 avy tany amin’ny tany hafa koa tonga mba hanampy teo amin’ilay asa. Tena sarobidy koa ny fanampian’ny rahalahy sy ny anabavy an-jatony maro avy tao amin’ireo kongregasiona eto akaikin’ny Betela ary nanampy tamin’ny faran’ny herinandro.

Nandritra ny 1991, dia nihoatra ny 300 000 ny isan’ny mpitory. Fitomboana 100 000 tao anatin’ny efa-taona monja! Tena nilaina marina ireo trano nitarina teto amin’ny sampana.

“Tena haingana ianareo ka!”

Nitaky toerana fanolorana fanompoam-pivavahana betsaka kokoa koa ny fandrosoan’ny asa fanaovana mpianatra. Nandritra ireo taona teo aloha, dia nisy Efitrano Fivoriambe naorina tao Salvador, any Bahia; tao Duque de Caxias, any Rio de Janeiro; tao Ribeirão Pires, any Cosmópolis; tao Sertãozinho, any São Paulo; ary tao Betim, any Minas Gerais. Ny Efitrano Fivoriambe lehibe indrindra eto amin’ilay tany dia any akaikin’i Vargem Grande Paulista, any São Paulo; vita tamin’ny Oktobra 1992 ny fanorenana azy. Fotoana fohy taorian’izay, dia nisy efitrano iray hafa, mahazaka olona 4 000, vita tao Queimados, any Rio de Janeiro. Tamin’ny Septambra 1993, dia nisy Efitrano Fivoriambe dimy hafa koa niara-notokanana tao Fortaleza, any Ceará; tao Itaboraí, any Rio de Janeiro; tao Quatro Barras, any Paraná; tao Recife, any Pernambuco; ary tao Sapucaia do Sul, any Rio Grande do Sul. Amin’izao fotoana izao, dia Efitrano Fivoriambe 16 no ampiasaina, ary 5 hafa no atao drafitra.

Mifanaraka amin’ny baikon’ny Baiboly tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, dia Efitrano Fanjakana betsaka kokoa koa no ilaina mba hikarakarana ny firohotr’ireo olona toy ny ondry. (Heb. 10:23-25, NW ). Ny ampahatelon’ireo kongregasiona eto Brezila monja no manana ny toeram-pivoriany manokana, ary ny hafainganan’ny fiforonan’ireo kongregasiona vaovao dia lehibe lavitra noho ny an’ny asa fanorenana. Ankoatra izany, dia nila telo taona, tamin’ny antsalany, ny famitana Efitrano Fanjakana vaovao iray. Koa tamin’ny 1987 àry, dia nanomboka nanangana Komitim-paritra Momba ny Fanorenana izahay. Izy ireo dia voaforona loholona nanana fanandraman-javatra teo amin’ny fanorenana ary afaka nanome fanampiana an’ireo fitambaran-doholona tao amin’ireo kongregasiona. Ny Sampan-draharaha Ara-teknikan’ny Betela koa dia nanome fanoloran-kevitra azo nampiharina.

Nisy dingana lehibe iray hafa natao tamin’ny 1992, rehefa natomboka ny fandaharana fanorenana Efitrano Fanjakana vita haingana. Ny voalohany tamin’izany dia tao Agudos, any São Paulo, ka nisy mpiasa an-tsitrapo 200 sy ekipan’olona 25 avy tatỳ amin’ny Betela. Nila roa tokom-bolana ilay tetik’asa, nefa nanomboka tamin’izay, dia nahena ho 16 andro ny fotoana nilaina hanaovana trano toy izany. Nandritra ny taom-panompoana 1995, dia Efitrano Fanjakana vaovao 129 tamin’ny fitambarany no vita sy notokanana ho an’ny fanompoana an’i Jehovah.

Gaga foana ireo mpitazana noho ny hafainganan’ny asa fanorenana. Tamin’ny faran’ny herinandro voalohany nanorenana Efitrano Fanjakana iray, ny mpiasa iray tao amin’ilay kompania nifanaovana fanekena hanao ireo rafitry ny varavarankely, dia gaga rehefa nanizingizina ireo rahalahy mba hiverenany ny alarobia nanaraka mba hametaka azy ireo. “Diso hevitra ianareo izany”, hoy izy. “Mbola tsy ho tafatsanganareo akory ny rindrina amin’ny herinandro ambony, koa vao mainka ve fa ny rafitry ny varavarankely.” Niverina izy ny alarobia, saingy tsy nitondra ireo rafitra. Rehefa nahita ireo rindrina tafatsangana sy voalalotra izy, sy ireo fitoeran’ny varavarankely efa vonona, ary ny tafon-trano voapetaka — tao anatin’ny herinandro latsaka — dia nila tokony ho dimy minitra izy vao tafidina avy teny ambony kamiaony. Hoy izy niaiky: “Tena haingana ianareo ka!” Avy eo izy dia nandeha naka ireo rafitry ny varavarankely.

Ny lehilahy iray nipetraka teo akaikin’ny nanorenana Efitrano Fanjakana iray, dia talanjona noho ny hafainganan’ny asa fanorenana, ka nanontany hoe: “Inona no tsy maintsy ataoko mba hanampiana anareo?” “Voalohany aloha, dia tsy maintsy miara-mianatra ny Baiboly aminay ianao”, hoy ny valin-teny. Natomboka ny androtr’iny ihany ny fiaraha-mianatra ny Baiboly taminy.

Fizarana ilay hafatra amin’ny baiko tanana

Na dia teo aza ny fitomboana haingana, dia tsy natao tsirambina ireo marenina na jamba. Niteraka vokatra faran’izay tsara ny fanehoana fiheverana ny zavatra nilain’izy ireo. Tamin’ny 1992, dia natao ny boky Baikon’ny Moana, misy 336 pejy, tamin’ny teny portogey, mba hampianarana ny baikon’ny moana tamin’ireo marenina. Io boky io dia nampiray ireo baiko nampiasaina teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Brezila, ary niezaka koa mba hanafoana ireo baiko niorina tamin’ny hevitra babyloniana. Ny iray tamin’izany dia ny fihetsiky ny tanana izay maka tahaka ny fanatetevana rano — izay mazava ho azy fa tsy mampita araka ny tokony ho izy ny hevitra ny amin’ny batisa kristiana ao anaty rano.

Ny kongregasiona voalohany ho an’ny marenina sy ny tsy mahare tsara dia niforona tao Rio de Janeiro, tamin’ny 1982. Ankehitriny dia misy kongregasiona enina toy izany ary groupes 50 kely kokoa any amin’ny tanàna maro samihafa. Tamin’ny 1994, dia fivoriamben’ny distrika 18 no nisy antokon’olona nampiasa baikon’ny moana. Tamin’ny sasany tamin’ireo, ireo mpandika teny dia nisolo tena an’ireo mpilalao tao amin’ireo fampisehoana tantara. Tamin’ny 1996, dia tamin-tsikitsiky be niharo ranomasom-pifaliana no nandraisan’ireo Vavolombelona marenina eto Brezila, ny vidéo iray navoakan’ny Fikambanana ary mampiseho amin’ny baikon’ny moana ilay bokikely manontolo hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Mahasoa toy inona moa izy io, satria olona marenina maro no tsy mahay mamaky teny, nefa mahay ny baikon’ny moana!

Mendri-koderaina ny toe-tsaina vonon’ireo rahalahy izay loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana ary mpisava lalana ao amin’ireny kongregasiona ireny. Mitaky fotoana sy ezaka ary fikirizana ny fianarana ny baikon’ny moana, nefa novalian-tsoa ny vokatra azo.

“Nampahery ahy izy, nefa tsy nahita na nahare ahy, na niteny tamiko, akory.” Izany no teny filazan’ireo izay mahafantatra an’i Rosemary Varella, anabavy jamba sady marenina, izay nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy nandritra ireo telo taona lasa. Teraka marenina izy, ka ho vokany, dia tsy nianatra ny hiteny. Veriny miandalana ny fahitany ary ankehitriny izy dia azo lazaina hoe jamba. Miteny amin’ny alalan’ny baikon’ny moana izy ary mahatakatra ny baiko ataon’ny hafa, amin’ny fikasihana ny tanan’izy ireo.

Efa verin’i Rosemary ny fahitany talohan’ny nianarany ny fahamarinana, ary izany dia nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fifandraisany tamin’ny vadiny. Ketraka aoka izany izy, hany ka nieritreritra ny hamono tena. Tamin’io fotoana io izy dia hitan’i Nilza Carvalho, mpisava lalana tanora izay nahay ny baikon’ny moana. Rehefa nianatra ny fampanantenan’Andriamanitra hanasitrana ny olona amin’ny karazana kilema rehetra izy, dia nanaiky fampianarana Baiboly. (Isaia 35:5). Tsy ela izy dia nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona ho an’ny olona marenina ao São Paulo. Natao ny fandaharana mba hisian’ny mpandika teny iray hipetraka teo akaikiny nandritra ireo fivoriana mba hampita taminy izay nambara teny amin’ny lampihazo, tamin’ny fampiasana ny fandikan-teny amin’ny kasi-tanana. Tatỳ aoriana, dia nanaiky hianatra ny Baiboly koa ny vadiny; nitsahatra tsy nifoka intsony izy io, ary dia natao batisa izy mivady tamin’ny Febroary 1992. Tsy ela taorian’ny batisany, dia tonga mpisava lalana mpanampy maharitra izy roa. I Rosemary dia nitarika fampianarana Baiboly hatramin’ny 20 tamin’ny olona marenina hafa, no sady niantsoroka ireo adidiny tao an-trano.

Mba hanampiana ireo tsy mahita tsara, ny Fikambanana dia nanomboka nanao zavatra vita an-tsoratra amin’ny Braille portogey (Ambaratonga voalohany) tamin’ny 1980. Amin’izao andro izao, dia maro amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana, anisan’izany ny Baiboly sy Ny Tilikambo Fiambenana, no misy amin’ny Braille. Ny Baiboly manontolo amin’ny Braille portogey dia mila boky 84 — tsy dia fanao am-paosy loatra! Misy boky fianarana iray koa navoaka mba hanampiana an’ireo izay maniry hianatra ny Braille. Ny antontan’isa dia mampiseho fa maherin’ny iray tapitrisa ireo olona eto Brezila tsy mahita tsara.

Hain-tany tany avaratra-atsinanana

Na dia zava-manahirana raikitra amin’ny faritra avaratra-atsinanan’i Brezila aza ny hain-tany, dia mafy indrindra ny tarehin-javatra tamin’ny 1993. Tany amin’ny faritra sasany, dia tsy nisy orana nandritra ny roa taona talohan’io. Ny voa mafy indrindra dia ireo izay mipetraka any ambanivohitra ka miankina amin’ny vokatry ny taniny. Tao Mumbaba, any Ceará, ny olona dia nilahatra andro aman’alina mba hahazo rano avy tamin’ilay hany loharano sisa tavela. Ho vokatr’ilay hain-tany, dia norobain’ny sasany ireo tsena sy fivarotana lehibe tany amin’ny tanàna maromaro. Mba hanampiana an’ireo rahalahy tany amin’io faritra io, ireo kongregasiona tao São Paulo sy Rio de Janeiro ary Curitiba dia naneho fahalalahan-tanana toy ny an’ireo rahalahiny kristiana tany Filipy tamin’ny taonjato voalohany, ka nandefa kamiao lehibe efatra nisy hanina sy fitafiana ary kiraro 80 taonina. Tamin’ny fitambarany, dia rahalahy tany amin’ny tanàna 65 nanerana ny fanjakana dimy no nahazo fanampiana. — Fil. 4:14-17.

Teo amin’ny toeram-pisavana iray, dia nanontany ny mpamily ilay kamiao ilay mpiambina hoe ohatrinona no karama azony mba hanaovana dia nampidi-doza toy izao. Nampidi-doza mantsy ilay izy noho ireo mpandroba. Rehefa fantany fa Vavolombelon’i Jehovah ilay mpamily, dia hoy ilay mpiambina: “Vavolombelon’i Jehovah ihany no hanao zavatra toy izao maimaim-poana!” Teo amin’ny toeram-pisavana iray hafa teny amin’ny lalam-be iray, rehefa nilaza ilay mpamily fa Vavolombelon’i Jehovah ny tenany, dia nangataka azy mba hampiseho ny karany Fitakiana Mialoha Ara-pitsaboana/Fanalana Andraikitra ilay mpiambina, ary koa ny an’ilay namany. Rehefa avy nijery ireo karatra izy, dia nilaza tamin’ilay mpiambina iray hafa hoe: “Tena Vavolombelon’i Jehovah marina ireo. Afaka mampandeha azy ianao.”

Tany amin’ny fanjakan’i Paraíba, rehefa nahita ilay fanampiana nomena, ny lehilahy iray, dia niteny hoe: “Ny fivavahana hafa manao kabary fotsiny, fa ianareo kosa tena manao zavatra ho an’ny mpiara-belona aminareo.” Na dia sarotra aza ny tarehin-javatra, dia tsy mamoy fo ireo rahalahy, satria matoky izy ireo fa hanome azy, ireo zavatra tena ilainy i Jehovah. Hoy ny nosoratan’ny anabavy iray: “Tsy afaka manome fahafaham-po amin’ny fitadiavanay orana mafy ianareo, no sady tsy afaka mandamina ny zava-manahirana anay noho ny tsy fahampian’ny rano, nefa noho ny fanampiana nalefanareo ho anay, ianareo dia tena nanatanjaka ny finoanay sy ny fatokianay hoe tsy irery izahay eto amin’itỳ tontolo itỳ, no sady misy mieritreritra anay.” — Jak. 2:14-17.

“Tehafo ny Vavolombelon’i Jehovah!”

Ireo fivoriamben’ny distrika dia fotoam-pifaliana manokana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah. Misy zava-manahirana tsy ampoizina anefa afaka ny hipoitra rehefa atao ao amin’ny toerana anaovana fanatanjahan-tena ny fivoriamben’ny distrika. Nisy tarehin-javatra sarotra nipoitra tamin’ny 1992, tamin’ny fotoan’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ireo Mpitondra Fahazavana” tao amin’ny Kianjan’i Pacaembu, ao São Paulo. Efa nanao fifanekena mba hampiasa ilay kianja mandritra ny telo andro izahay, nefa any amin’ny toerana sasany ny fanatanjahan-tena dia heverina ho zava-dehibe kokoa noho ny zavatra hafa rehetra. Noho izany, ny alakamisy tolakandro — ny omalin’ny hanombohan’ny fivoriamben’ny distrikanay — dia nampahafantarina ireo rahalahy fa amin’ny alahady amin’ny enina ora hariva, dia hisy lalao baolina kitra hihaonan’ireo ekipa roa kalaza indrindra teto Brezila. Noho izany, dia tsy maintsy ho efa tafala avy tao amin’ilay kianja izahay tamin’ny efatra ora hariva.

Hoy ny tsaroan’i João Fernandes, mpiandraikitra ilay fivoriambe: “Tsy nisy azonay natao, na dia efa vita sonia aza ilay fifanekena. Nanao fivoriana izahay ny zoma alina, niaraka tamin’ny rahalahy telo avy tamin’ny sampan-draharaha tsirairay — rahalahy 110 tamin’ny fitambarany — mba hanao fandaharana ny amin’ny fandravana tselatra an’ilay fivoriambe. Hila ny fiaraha-miasa akaiky avy amin’ireo rehetra voakasik’izany, tsy ny fandravana ireo fitaovana ihany, fa ny fitaterana azy ireo koa ka tsy hanembantsembana ny fialan’ny olona 30 000 avy teo amin’ilay kianja. Rava tao anatin’ny minitra vitsivitsy ny lampihazo sy ny fitaovana momba ny fanamafisam-peo. Ny fitaovana hafa dia nentina tany amin’ny tranon’ny Betela taloha tao São Paulo, ka tany no nodiovina sy notahirizina. Tamin’ny efatra ora latsaka fahefany — mahery kelin’ny adiny iray taorian’ny faran’ny fandaharana — dia vita daholo ny zava-drehetra.”

Nandritra ny herinandron’ilay fivoriambe, dia nisy mpiteny tao amin’ny tele nilaza fa tsy ho afaka hanomana ilay kianja ara-potoana alohan’ny hahatongavan’ireo mpijery baolina ny Vavolombelon’i Jehovah. Tao amin’ny fandaharana iray momba ny spaoro ny alahady, dia nanontany an’ilay mpanao tatitra tao amin’ny Kianja Pacaembu ny mpanao tatitra iray tany amin’ny kianja iray hafa hoe: “Manao ahoana ilay kianja ao? Nitana ny teniny ihany ve ireny mpivavaka ireny ka niala tamin’ilay kianja ara-potoana?” Hoy ny valin-teny hoe: “Ia! Tsy vitan’ny hoe namerina ilay kianja ara-potoana izy ireo, fa madio daholo koa ny zava-drehetra. Mahafinaritra ny mahita, tsy ny toerana fivoahana voadio ihany, fa ireo gradins voafafa koa. Tehafo ny Vavolombelon’i Jehovah!”

Fivoriamben’ny distrika kely any amin’ireo toerana mitokana

Any amin’ny faritr’i Amazonia, dia misy groupes isolés sy fianakaviana sasany izay lavitra dia lavitra an’ireo tanàna anaovana ny fivoriamben’ny distrika. Ny hany fitaterana misy dia ny fiaramanidina, izay lafo be, na ny sambo, izay miadana be. Koa ireny mpitory ireny àry, amin’ny ankapobeny, dia tsy afaka mankany amin’ireo fivoriamben’ny distrika na ny fizaran-tany. Izany no izy tamin’ireo rahalahy any Tabatinga, any Amazonas, tokony ho 1 600 kilaometatra avy eo Manaus, ilay tanàna nanaovana ny fivoriamben’ny distrika akaiky indrindra.

Teo anoloan’io zava-nanahirana io, dia natao ny fandaharana tamin’ny 1990 mba hanolorana ny tapany nohafohezina tamin’ny fandaharan’ilay fivoriambe, nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Mbola mitohy ihany io fandaharana io ho an’ireo rahalahy any amin’ny tanàna dimy ao amin’ny fizaran-tany telo samy hafa. Misy antokon’olona 50 eo ho eo, na 180 mihitsy aza angamba, miara-mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana, raha manana ry zareo, na ao amin’ny efitra lehibe iray fivoriam-bahoaka.

“Tsy efa afaka ny ho mpisava lalana amin’izay ve aho izao?”

Ny fankasitrahana ny zavatra ara-panahy asehon’ny olona sasany mirotsaka hatao batisa dia tena manafana marina ny fo. Tamin’ny 1993, tany amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany kely iray tao Tefé, any amin’ny faritr’i Amazonia, dia nahamarika i Públio Cavalcante, mpiandraikitra ny fizaran-tany, fa ny iray tamin’ireo nipetraka teo amin’ny toerana voatokana ho an’ny mpilatsaka hatao batisa dia tovolahy iray izay mbola tsy hitany mihitsy talohan’io. Koa satria vitsy kely ireo rahalahy ao amin’io faritra io, dia mazàna no fantatr’ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany manokana izy rehetra. Nanontany an’ireo loholona izy raha diso toerana io tovolahy io. Nanazava izy ireo hoe: ‘An, an, an. Any amin’ny tokony ho 35 na 40 ora mandeha sambo avy eto izy no mipetraka. Nianatra ny fahamarinana an-taratasy izy. Isaky ny enim-bolana, dia nandeha nitsidika azy — tany Juruá — ny mpisava lalana manokana iray ary nijanona tany nandritra ny iray volana teo ho eo.’

Nandeha niresaka tamin’ilay ankizilahy ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany avy eo, ary nandritra ilay resaka dia nanontany azy raha mba efa nitarika fampianarana Baiboly izy. ‘Ia, manana fampianarana 11 aho. Irỳ ny iray amin’ireo olona ampianariko Baiboly’, hoy izy namaly, no sady nanondro zatovolahy iray niara-nipetraka tamin’ny mpanatrika hafa. Raha nanohy niresaka ihany izy ireo, dia nanondro ankizilahy roa hafa nampianariny izy. Samy nandoa ny saran-dalany avy ireo mpianatra ireo ary nanao dia maherin’ny 35 ora mba hanatrehana ilay fivoriambe sy ny batisan’ilay namany. Taorian’ny batisany tamin’io andro io, dia nanontany an’ilay mpisava lalana manokana ilay ankizilahy hoe: “Tsy efa afaka ny ho mpisava lalana amin’izay ve aho izao?” Hatramin’izao, dia mbola tsy misy fivoriana atao any amin’io faritra io. Izao ilay mpitory vita batisa izao anefa, dia manao fandaharana ilay mpisava lalana manokana mba hampiofanana azy hitarika fivoriana.

Fitoriana any amin’ireo faritra tsy iasana firy

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mihevitra hoe, raha mbola mandray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha koa izy ireo, dia izay no izy. Takatr’izy ireo fa mila manana fahafahana handre ny vaovao tsara ny olona tsirairay. Misy tanàna maro eto Brezila izay tsy nanendrena na kongregasiona iza na kongregasiona iza, ary tanàna hafa koa izay tsy iasana firy. Mazàna izy ireny no tanàna kely sy mitokana na sarotra tratrarina. Ny fandinihana iray natao tamin’ny 1990 dia nampiseho fa nisy olona 4 000 000 nipetraka tany amin’ny faritany tsy nanendrena na iza na iza, ary nisy olona 9 000 000 nipetraka tany amin’ny faritany hafa izay tsy niasana firy. Nisy ezaka manokana natomboka tamin’io taona io mba hahitana ny sasany tamin’ireny olona ireny. Mpitory maherin’ny 2 000 no nandray anjara tamin’izany, ka niasa tao amin’ny tanàna 177 tsy nanendrena na iza na iza teo aloha. Tatỳ aoriana, dia fianakaviana tokony ho 30 no nifindra honina tany amin’ireny tanàna ireny mba hamorona ny fototry ny kongregasiona vaovao.

Ny fahafahana ara-bola voafetra dia tsy vato misakana tsy azo resena ho an’ny Vavolombelona, raha ny amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa toy izany. Ireo loholona tao amin’ireo kongregasiona efatra tao Sobral, any Ceará, any amin’ny iray amin’ireo faritra maina indrindra sady mahantra indrindra eto Brezila, dia niara-nivory tamin’ny Septambra 1993, mba hanapahana hevitra ny amin’ny fomba hiasana ny tanàna sasany tamin’ny fomba tsy tapaka. Nisy tanàna folo nanendrena azy ireo, izay, hatramin’io, dia tsy niasana afa-tsy tsindraindray. Ny fotoana fandalovan’ny aotobisy nankany amin’ireny toerana ireny dia tsy nahafahan’ireo mpitory hanao ilay dia.

Tao anatin’ny faritra nisy tokony ho 130 kilaometatra nanodidina an’i Sobral no nisy an’ireo tanàna, hany ka nanapa-kevitra ny hividy kamiaonety efa nampiasaina iray ireo loholona, mba hahafahan’ireo mpitory ho any amin’ilay faritany isan’andro. Ho afaka ny hiainga ny maraina ary hiverina ny alina izy ireo. Rehefa nampahafantarina ny amin’ilay fanapahan-kevitra ireo kongregasiona, dia nandefa fanomezana an-tsitrapo ho an’ilay kamiaonety. “Tsy vokatry ny fanomezana lehibe iray teo an-toerana akory ny fividianana ilay fiara, fa noho ny ezaka nataon’ny rehetra”, hoy ny nosoratan’i Wilson P. Dias, iray tamin’ireo loholona voakasik’ilay izy. Hoy ny nosoratan’ny rahalahy iray hafa: “Ireo kongregasiona dia nanome 2 000 dolara, ny rahalahy iray tany Angletera nanome ny nitovy tamin’izany, ary ny ambiny dia nandoavana ny trosa tavela.”

Mpitory sy mpisava lalana maherin’ny 50 no nandray anjara tamin’ilay fandaharana, ka ny tsirairay dia nandeha tamin’ny andro iray tao anatin’ny herinandro. Tamin’io fomba io dia nahatratra mponina tokony ho 110 000 izy ireo. Afaka nanampy olona sasantsasany mba ho mpitory ilay Fanjakana sy nanampy ny hafa hiverina hitory indray, izy ireo. Ankehitriny dia misy fivoriana atao tsy tapaka any amin’ny efatra amin’ireny tanàna ireny.

Tany am-piandohan’ny 1995, dia nisy fandaharana iray hafa, teo ambany fandrindran’ny komitin’ny sampan’i Brezila, nanipazana hevitra. Izany dia mba hahatratrarana sy hikarakarana ireo olona mipetraka any amin’ny faritany tsy nanendrena na iza na iza, na lavitra. Ny kongregasiona sasany dia nandamina ny handoa ny fandanian’ny mpisava lalana maharitra izay ho vonona hanompo mandritra ny enim-bolana tany amin’ireny faritra ireny. Nisy kongregasiona hafa koa nanaraka ny ohatr’izy ireo, ary dia tena nampahery ny vokatra azo. Hatramin’izao, dia mpisava lalana maharitra maherin’ny 340 no notendrena hanompo any amin’ny tanàna 350, ary efa nisy olona maherin’ny 300 tany, nampian’izy ireo ho tonga mpitory.

Etsy an-danin’izany koa, dia misy asa tsara be dia be ataon’ireo mpisava lalana manokana maharitra sy tsy maharitra 1 400. Maro amin’ireo no tendrena hiara-miasa amin’ny kongregasiona tsy ampy rahalahy za-draharaha. Ohatra, ao Rio Branco, any Acre, ny iray amin’ireo kongregasiona dia tsy manana afa-tsy loholona iray eo an-toerana, ankoatra ilay mpisava lalana manokana, mba hikarakara ny zavatra ilain’ny mpitory 90. Ny ankamaroan’ireo mpisava lalana manokana anefa dia manompo any amin’ny tanàna kely tsy misy kongregasiona, ary mahafinaritra ny mahita ny asa tsara dia tsara atao any.

Ireo rahalahy ao amin’ireo tanàn-dehibe koa dia nanana ny anjarany tamin’ny fiasana faritany lavitra sy tsy niasana firy. Nandritra ny sivy taona nisesy, ireo ao Rio de Janeiro dia nandamina antokon’olona hiasa ny faritany toy izany nandritra ny herinandro vitsivitsy. Vao haingana izay, ny antokona rahalahy sy anabavy 68 dia niasa tany amin’ny tanàna 20 tany Paraná, ka nanao dia maherin’ny 2 500 kilaometatra, nandritra ilay ezaka naharitra 17 andro. Ny hany zavatra nanenenan’izy ireo, hoy i Georges Ghazi, iray tamin’ireo mpandamina ilay antokon’olona, dia ny tsy nanombohan’izy ireo izany fandehanana mitory izany taloha kokoa.

Fitambaran-trano fonenana tsy azon’ny hafa idirana

Tsy ireo olona any amin’ny faritany tsy nanendrena na iza na iza ihany no sarotra tratrarina. Misy olona maro ao amin’ireo tanàn-dehibe, izay tia kokoa ny mipetraka ao amin’ny faritra tsy azon’ny hafa idirana, sy ao amin’ny fitambaran-trano fonenana, ary ao amin’ny tranobe izay misy fiarovana amin’ny heloka bevava. Sarotra nefa tsy hoe tsy azo atao ny fahatratrarana ireny olona ireny. Ny mpivady iray izay tao amin’ny fanompoana manontolo andro tany amin’ireo taona 1980, dia nifindra honina tao amin’ny iray tamin’ireny tranobe ireny, any akaikin’i São Paulo. Nihevitra azy io ho ny faritaniny manokana izy ireo. “Isaky ny nandeha niantsena na nankany amin’ny banky na naka ny ankizy tany am-pianarana aho”, hoy ny tsaroan’ilay renim-pianakaviana, “dia vonona foana ny hiresaka tamin’ireo mpifanila trano tamiko.” Avy eo izy dia nitsidika azy ireo tamin’ny fomba voalamina, tamim-pitandremana.

Tamin’ny fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra, ny renim-pianakaviana iray dia nilaza tamin’ilay anabavintsika fa sarotra tamin’ny zanany lahy ny nifantoka. Nitondra lahatsoratra iray tao amin’ny gazety Mifohaza! niresaka momba io zava-manahirana io tany aminy ilay anabavy, ka izany dia nitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly. Tamin’ny farany, ilay ramatoa sy ny zanany vavy roa dia natao batisa. Ny mpifanila trano iray hafa dia nanontany an’ilay anabavintsika raha ho tiany ny hiara-miasa taminy mba hanangona hanina ho an’ny mahantra. Nilaza taminy ilay anabavy fa efa nandray anjara tamin’ny fanampiana olona teo amin’ny manodidina azy izy, ary nanazava ny fandaharana ny amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Nanomboka nianatra ilay ramatoa sy ny vadiny ary ny zanany lahy 18 taona, ary tamin’ny farany dia natao batisa.

Ny ramatoa iray hafa sy ny zanany vavy telo, izay zatovo, dia nanaiky fianarana Baiboly. Nanohitra ny vadiny, na dia nihevi-tena ho mpivavaka aza. Nanipy hevitra ny hanatrehany fivoriana mba handinihan’ny tenany ihany ny amin’ilay izy ny iray tamin’ireo zanany vavy, ary dia nanaiky izy. Andro vitsivitsy taorian’izay, dia nanasa ilay fianakaviana hisakafo tao an-tranony ilay anabavintsika, ary dia tonga izy ireo. Gaga ny rehetra rehefa niresaka momba ilay fivoriana natrehiny ilay rangahy. Tatỳ aoriana, dia nanaiky hianatra Baiboly izy. Amin’izao fotoana izao, dia samy manompo an’i Jehovah izy rehetra ao amin’io fianakaviana io.

Nisy hafa koa nianatra. Ho vokany, tamin’ny Novambra 1991, dia nisy kongregasiona iray niforona, izay tsy nisy afa-tsy olona nipetraka tao amin’io fitambaran-trano fonenana io fotsiny. Misy mpitory 46 ao, ary 80 no nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1995. Koa afaka mitsofoka na dia any amin’ireo faritra izay sarotra tratrarina kokoa aza ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

Mpitory 400 000 ary mbola hisy hafa koa ho avy!

Efa ho zato taona lasa izay, dia nahatratra voalohany an’i Brezila an-taratasy ireo voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Rehefa afaka 25 taona teo ho eo, dia natao ny fandaharana mba handikana tamin’ny teny portogey tamin’ny fomba tsy tapaka teto Brezila ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower sy hanaovana pirinty azy ireo tao Rio de Janeiro. Nandritra ireo 25 taona nanaraka, dia olona tokony ho 1 000 teto Brezila no tonga Vavolombelon’i Jehovah sy nanomboka nandray anjara tsy tapaka tamin’ny fampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’ny hafa. Tamin’ny Aprily 1995 anefa, dia nahatratra maherin’ny 400 000 io isan’ny mpitory ilay Fanjakana io! Dia mbola hisy zavatra hafa tokony hatao ihany ve?

Nilaza mialoha i Jesosy Kristy fa ny hafatra momba ilay Fanjakana dia hotorina “amin’ny tany onenana manontolo”, alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Matio 24:14, NW ). Nanao ahoana ny fahatanterahan’izany teto Brezila? Ireo fivoriana tany am-boalohany nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Brezila (fantatra tamin’ny hoe Mpianatra ny Baiboly tamin’izany) dia nisy an’ireo izay tao São Paulo sy tao Rio de Janeiro. Any amin’ireo faritra ireo amin’izao andro izao, dia misy kongregasiona maro izay feno olona tia sy manompo an’i Jehovah. Ao amin’ny tanàn-dehiben’i São Paulo, ankehitriny dia misy kongregasiona 837; ao Rio de Janeiro, 539; ary i Salvador dia manana 276. Manerana an’i Brezila, dia misy kongregasiona maherin’ny 6 650, voaforona Vavolombelon’i Jehovah be zotom-po. Ny mponina ao amin’ny maro amin’ireo tanàna ireo dia manana fahafahana handre ny hafatra momba ilay Fanjakana matetika — any amin’ny faritra sasany aza dia isan-kerinandro.

Any amin’ireo tanàna kely sy any ambanivohitra, dia tsy ny rehetra no voatsidika matetika toy izany. Misy tanàna kely tokony ho 350 (izay tombanana ho 1 500 000 ny tontalin’isan’ny mponina ao aminy) ary koa faritra ambanivohitra midadasika, izay tsy nanendrena na kongregasiona iza na kongregasiona iza. Tsy misy fitoriana araka ny fanao, any amin’ireny faritra ireny, na dia atao aza ny ezaka mba hahatratrarana azy ireny tokony ho indray mandeha isaky ny enim-bolana.

Mety hisy olona betsaka kokoa ve — na ao amin’ireo tanàn-dehibe na any amin’ireo faritra lavitra — ho azo ampiana mba hankasitraka ny hasarobidin’ny hafatry ny Baiboly? Mba hiezahana hanohina ny fon’izy ireny, nandritra ny Aprily sy May 1995, dia nisy ezaka manokana natao mba hiresahana nivantana tamin’ny olona betsaka araka izay azo natao sy mba hanomezana azy ireny ilay taratasy mivalona hoe Nahoana ny Fiainana no Feno Zava-manahirana Toy Izao? Maherin’ny 34 000 000 tamin’izy io no natao pirinty sy nalefa tany amin’ireo kongregasiona mba hozaraina. Rehefa nahazo iray taminy ny lehilahy iray, dia nanao hoe: ‘Nanontany tena ny amin’io fanontaniana io aho anikeheo maraina ary niresaka tamin’ny hafa momba azy io.’ Hoy ny ramatoa iray: ‘Efa nanontany tena momba io fanontaniana io nandritra ny taona maro aho, nefa tsy nieritreritra mihitsy hoe hisy valiny ilay izy.’ Ny iray hafa dia nanoratra tatỳ amin’ny Fikambanana ka nanao hoe: “Tena tiako ilay taratasy mivalona, ka mangataka fianarana Baiboly aminareo aho. Misaotra be dia be.”

Ny Vavolombelon’i Jehovah eto Brezila dia tsy mihevitra hoe efa vita ny asany, na koa hoe tsy misy zavatra hafa azo atao ho fankatoavana ilay baiko ara-paminanian’i Jesosy hitory momba ilay Fanjakana. Na dia any amin’ireo faritra itorian’ny Vavolombelona matetika aza, dia mahatakatra izy ireo fa olona maro no tsy ao an-trano. Mety ho any am-piasana ny olona, na miantsena, na mitsidika olona, na mety ho matory maraina mba hanavao hery ho amin’ny herinandro manaraka. Miahy ny amin’ireny olona ireny ny Vavolombelona. Mba hiatrehana io tarehin-javatra io, ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray ao Porto Alegre, any Rio Grande do Sul, dia nanaraka izao paika izao: Takany fa amin’ny andro ririnina mangatsiaka, dia olona maro no tia matory maraina satria ao am-pandriana no mafana indrindra. Nanodidina toerana iray ilay mpiandraikitra sy ny namany ary tsy nandondòna afa-tsy teo am-baravaran’ireo trano nandrenesany olona. Nanodidina toerana iray intsivy izy ireo, ary nahita olona hafa efa nifoha foana. Nahapetraka zavatra vita an-tsoratra tamin’ny trano tsirairay izy ireo, ka nanokatra ny lalana hanaovana fiverenana mitsidika.

Misy olona maro eto Brezila izay maneho fahalianana amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary ny Vavolombelon’i Jehovah dia dodona ny hanampy azy ireo hahazo ny hevitr’izy io sy hianatra ny fomba fampiharana azy io eo amin’ny fiainany andavanandro. Amin’izao fotoana izao, ny Vavolombelona dia mitarika tsy tapaka fampianarana Baiboly any an-tokantrano maherin’ny 500 000 amin’ny isam-batan’olona sy amin’ny fianakaviana. Ary nanomboka tamin’ny 1995, amin’ny fampiasana ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanomboka fandaharana iray natao hanampiana olona manana fironana tsara, hianatra ireo fampianarana fototra ara-baiboly haingana kokoa noho ny tamin’ny lasa aza. Ambonin’ireo izay manaiky io fanampiana io, dia misy hafa an-tapitrisany maro manerana an’i Brezila, faly mandray zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly aelin’ny Vavolombelona, araka ny asehon’ireo boky 2 334 630 sy gazety 21 168 979 ary bokikely 2 787 032 voapetraka nandritra ny taom-panompoana 1996.

Mihoatra lavitra ny sisin-tanin’i Brezila ny sahan’asa teokratikan’ireo rahalahintsika sy anabavintsika Breziliana. Mpisava lalana maro avy eto no nifindra honina mba hanompo any amin’izay ilana fanampiana bebe kokoa any amin’ny tany izay mbola tsy anaovana fitoriana firy. Ny sampana eto Cesário Lange dia mandefa zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly hampiasaina eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara, tsy eto Brezila ihany, fa any Alemaina, Angola, Arzantina, Bolivia, Mozambika, Orogoay, Paragoay ary Portogaly koa. Na firy na firy ny asa natao tamin’ny lasa, dia toa manohy mihafaingana isan-taona ihany ny fanaovana azy.

Nahafaly ilay izy!

Eny tokoa, asa be dia be no tafiditra tamin’ny fanaovana fanambarana nanerana an’i Brezila manontolo. Asa nahafaly anefa ilay izy! Marina aloha fa, ankoatra ny fotoana nahafinaritra, dia nisy fotoan-tsarotra koa. Nanafana ny fonay anefa ny nanatrehan’ny masonay ny porofon’ny fitahian’i Jehovah teo amin’ny asan’ireo mpanompony tsy mivadika.

I Erich Kattner dia mbola mahatadidy fa, tamin’ny 1939 sy 1940, rehefa nitory tany amin’ny faritra ambanivohitr’i Brezila izy, dia natory matetika teny an-kalamanjana, ka ny kitapony no nataony ondana. Tsy nisy afa-tsy Vavolombelona an-jatony vitsivitsy nanerana ilay tany tamin’izay. Vitsy dia vitsy tamin’ireo izay notsidihiny no nanana Baiboly tao an-tranony. Mba hahazoana Baiboly ho an’ireo olona liana, dia nankany amin’ny trano fivarotam-bokin’ny Fikambanana Mpampiely Baiboly teo an-toerana izy, nefa, rehefa afaka kelikely dia tsy nivarotra Baiboly taminy intsony izy ireo. Kanefa, hoy ny ambarany: “Nahazo ny fientanam-po sy ny tombontsoa nanatrika ny Fivoriambe ‘Ny Vaovao Tsara Mandrakizay’ tany New York aho tamin’ny 1963, rehefa navoaka Ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ny fiteny enina, anisan’izany ny teny portogey. Velom-pankasitrahana an’i Jehovah manokana aho nahazo azy io tamin’ny teny portogey, satria ho afaka hampiasa azy io teo amin’ny fanendrena ahy eto Brezila.” Nanomboka tamin’ny 1967, dia nisy tamin’ny teny portogey ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo, hatramin’ny Genesisy ka hatramin’ny Fanambarana. Fitahiana toy inona moa no nentin’izy io ho an’ny asa fampianarana Baiboly teto Brezila! Nitombo ny isan’ny mpidera an’i Jehovah marisika 30 118 teto Brezila tamin’ny 1963, ka nahatratra mihoatra ny 436 000 tamin’ny 1996.

I Augusto Machado kosa dia velom-pankasitrahana noho ny fanampiana nomen’ny iray tamin’ireo misionera voalohany nirahina ho eto Brezila, azy. Tsaroany koa ilay fivoriamben’ny distrikan’ny Vavolombelon’i Jehovah natrehiny voalohany. Tao Rio de Janeiro ilay izy. Tonga tao avy tany New York i N. H. Knorr sy i M. G. Henschel. Ny isan’ny mpanatrika dia 1 064 monja. Nitondra ny lohateny hoe “Ny Lalana Tsara Kokoan’ny Fitiavana” ny iray tamin’ireo lahateny. “Avy eo, tamin’ny 1958”, hoy ny ambaran’ny Rahalahy Machado, “dia nahazo ny tombontsoa ho anisan’ilay vahoaka sesehena nisy olona 253 922 nanatrika ilay fivoriambe niraisam-pirenena naharitra valo andro tany New York, aho. Vonton’ny toe-tsain’ny fitiavana nitovy ihany ireo fivoriambe roa ireo. (...) Rehefa niverina avy tany New York aho, dia niaiky kokoa noho ny hatramin’izay fa ny vahoakan’i Jehovah, izay afaka amin’ny fisaratsarahana ara-poko sy ara-pirazanana, dia manao asam-pampianarana ara-baiboly maneran-tany izay tsy manana ny mitovy aminy teo amin’ny tantara manontolo.”

Tamin’ny 1985 izy dia nahita porofo nanaitra ny amin’izay tanterahin’ny asa fampianarana Baiboly eto Brezila. Nanana ny tombontsoa handaha-teny tamin’ny fivoriambe niraisam-pirenena iray niara-natao tao São Paulo sy tao Rio de Janeiro izy. Nahatratra efa ho 250 000 ny tontalin’isan’ny mpanatrika, ka ny ankamaroany dia avy teto Brezila. Ary folo taona tatỳ aoriana, rehefa niara-nivory mba hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy ireo kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Brezila manontolo, dia olona maherin’ny 1 144 000 no nanatrika.

Ny mpanompon’i Jehovah nanolo-tena rehetra amin’izao andro izao dia manana antony maro mba hifaliana, na dia eo aza ny fotoana sarotra iainantsika. Manohina lalina ny fontsika ny fisaintsainana momba izay efa nataon’Andriamanitra sy izay nampanantenainy ho amin’ny hoavy. Avy amin’ny firenena rehetra, anisan’izany i Brezila, dia angonina ho ao amin’ny tranony ara-panahy fanolorana fanompoam-pivavahana aminy “ireo zavatra faniry”. (Hagay 2:7, NW ). Marina ny anambaran’ny Salamo 144:15 hoe: “Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny”!

[Sarintany/Sary, pejy 167]

(Jereo ny boky)

Ony Amazone

Manaus

AMAZONAS

MATO GROSSO

Cesário Lange

RIO GRANDE DO SUL

Belém

Fortaleza

Recife

Salvador

Rio de Janeiro

São Paulo

[Sary]

1. Torapasika any Recife

2. Rio de Janeiro

3. Alan’i Amazonia

4. Fitoriana eny ambonin’i Amazone

5. Biraon’ny Sampana, any Cesário Lange

[Sary, pejy 124]

[Sary, pejy 126]

Nanomboka ny fanompoany tany Brezila tamin’ny 1936 i Alston sy i Maude Yuille

[Sary, pejy 126]

Mbola manompo ao amin’ny Betela any Brezila ihany i Charles Leathco, anisan’ny kilasy voalohan’i Gileada

[Sary, pejy 133]

“Rotative typographique”, izay nampandehanina tao São Paulo tamin’ny 1973

[Sary, pejy 134]

Tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fandresen’Andriamanitra” tao São Paulo, ireo solontena dia nahita ny vokatra nanafana ny fo azo avy tamin’ny fitoriany tamin’ny fomba tafaray

[Sary, pejy 142]

“Saha Fivoriambe” nitafo sasaka, tao Salvador

[Sary, pejy 145]

Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia miankavanana): Massasue Kikuta, Karl Rietz, Amaro Santos, Östen Gustavsson, Augusto Machado, Fred Wilson

[Sary, pejy 150]

Tamin’ny fitokanana ny sampana tamin’ny 1981, dia nampirisika i Lloyd Barry hoe: ‘Omeo ny fiheveranareo tsy mizarazara ny fitoriana ny vaovao tsara’

[Sary, pejy 156]

Maherin’ny 39 000 no nampiofanina tamin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Aseho eto ny kilasy iray tany Sorocaba, any São Paulo

[Sary, pejy 158]

Misionera sy rahalahy nahazo diplaoman’i Gileada hafa ao amin’ny fanompoana manontolo andro, miaraka amin’ny vadiny avy, nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny zone tamin’ny 1996

[Sary, pejy 162]

Ireo milina “rotative offset” sy ny MEPS dia fitaovana lehibe mba hahazoana zavatra vita an-tsoratra hiara-mivoaka amin’ny teny anglisy

[Sary, pejy 170]

Sambo ampiasaina eo amin’ny vavaranon’ny Ony Amazone mba hitoriana ny vaovao tsara

[Sary, pejy 175]

Nisy mpanompo an-tsitrapo avy tany an-tany hafa nanampy ny Vavolombelona any an-toerana mba hanorina ny tranon’ny sampana; aseho eto ry Harley (ambony) sy ry Colwell

[Sary, pejy 176, 177]

Tranon’ny Sampana ampiasaina ankehitriny mba handrindrana ny asan’ny Vavolombelona maherin’ny 430 000 any Brezila

[Sary, pejy 192]

Efitrano Fivoriambe 16 ankehitriny no mahafa-po amin’izay ilain’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brezila

[Sary, pejy 193]

Efitrano Fanjakana betsaka kokoa no ilaina. Manampy amin’izany ny fomba fanorenana vita haingana

[Sary, pejy 194]

Ny kongregasiona sasany dia manome fanampiana manokana an’ireo izay marenina sy jamba

[Sary, pejy 205]

I Erich Kattner dia faly nahita ny “Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao” vita tamin’ny teny portogey

[Sary, pejy 207]

I Augusto Machado dia nahita porofo nanaitra ny amin’ireo vokatry ny fampianarana Baiboly tany Brezila