Mikronezia
Mikronezia
Paradisa. Io teny io dia mety hahatonga anao hieritreritra nosin’ny tany mafana lonaka, lanitra manga tsy misy rahona, palmie ahofahofan’ny rivotra malefaka, torapasika fotsy, ranomasina mangarahara misy trondro marevaka, masoandro mody madera. I Mikronezia dia mifanentana amin’izany sary mitory paradisa izany. Mampiaiky volana ny hakantony.
Misy zavatra izay tsy hampifandraisinao velively amin’ny paradisa koa anefa eto. Ireo nosy ireo dia nahazo takaitra ratsy avy tamin’ireo fiadiana tsy nifaditra ovana nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, ary amin’izao andro izao ny olona atỳ Mikronezia dia miady amin’ny zava-manahirana ara-toe-karena sy ny heloka bevava ary ny aretina. Tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo izay mahatakatra fa tsy maintsy halamina ireo zava-manahirana lalim-pakan’ny olombelona vao ho afaka ny ho tena paradisa i Mikronezia.
Toetra maro karazana no mahatonga ny fiainana atỳ Mikronezia hahafinaritra
Misy fitambara-nosy maro samihafa mahaforona an’i Mikronezia, izay samy hafa avy, raha ny amin’ny zava-manintona ao aminy sy ny kolontsainy. Mahagaga fa ny tsirairay aminy dia samy manana ny fiteniny, izay tsy azon’ny hafa, eny, fa na dia ny olona ao amin’ny fitambara-nosy eo akaiky aza.
Tsy misy izany hoe nosy mampiavaka an’i Mikronezia izany. Ny sasany manankarena, ny hafa mahantra. Ny nosy volkanika mikitoantoana toa an’i Pohnpei dia tafakatra hatrany amin’ny 900 metatra, nefa ny nosikely manify sasany dia fisaka aoka izany, ka tsy tafakatra mihoatra ny iray metatra
eo ambonin’ny ranomasina akory. Iray amin’izany i Majuro, anisan’ireo Nosy Marshall. Mandritra ny tafio-drivotra, ireo onjan-dranomasina indraindray dia mitosaka hatrany amin’ny faritra rehetra amin’ilay nosikely.Ireo mponin’i Mikronezia dia olona sariaka sy mahafinaritra. Maro aminy no mivelona amin’ny vokatry ny tany sy ny ranomasina. Mamboly ny foto-tsakafony eo amin’ny tanin’ny fianakaviany izy ireo, miompy akoho na kisoa sasantsasany angamba, ary maka trondro avy any an-dranomasina.
Inoana fa ireto nosy mitokana ireto tamin’ny voalohany dia nonenan’ny olona niantsinanana avy tany Azia sy niankandrefana avy tany Melanezia. Espaniola mpizaha tany mbola tsy fantatra, tany amin’ireo taona 1500, anefa no Tandrefana voalohany tonga tatỳ Mikronezia. Nitondra ny fivavahany niaraka taminy izy ireo. Amin’izao andro izao, ny Eglizy Katolika Romana dia miorina lalina ao amin’ny ankamaroan’ireo nosy, ary eo koa ny endriny mahazatra amin’ny finoana protestanta izay naorin’ireo misioneran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tamin’ny faran’ireo taona 1800.
GUAM: Foiben’asan’ireo nosy
I Mikronezia, izay midika hoe “nosy kely maro”, dia mahafaoka nosy miparitaka 2 000 eo ho eo, ka ny 125 eo ho eo aminy no misy
mponina. Ireo dia miely eo amin’ny faritra amin’ny tany izay mitovitovy velarana amin’ny kontinentan’i Etazonia. Kanefa, bitika dia bitika ireo nosy, ka ny fitambaran’ny velaran-taniny dia eo amin’ny 3 100 kilaometatra tora-droa monja — tsy mihoatra lavitra ny an’i Rhode Island, ny fanjakana kely indrindran’i Etazonia.Ny varavarana fidirana atỳ Mikronezia dia i Guam, izay iaingan’ireo fiaramanidina ho amin’ny maro amin’ireo nosy hafa. Amin’ireo mponin’i Mikronezia 470 000, ny 150 000 dia hita eto Guam. Misy 51 kilaometatra ny halavan’i Guam, koa izy àry no lehibe indrindra amin’ireo nosin’i Mikronezia. Izy koa no mandroso indrindra. Ny lalam-be hipoka fiarakodia sy ny fomba fiaina misafotofoto dia mampiavaka itỳ nosy itỳ amin’ny hafa rehetra, izay miadana kokoa ny fandehan’ny fiainana any.
Notsiriritin’ireo hery ara-tafika hatramin’ny ela be noho ny toerany stratejika atỳ Pasifika i Guam, ary toerana ifaharan’ny Amerikana amin’izao fotoana izao. Maherin’ny ampahatelon’ilay tany no fehezin’ny tafika amerikana. Kanefa, i Guam dia toerana stratejika koa ho an’ny fampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ato amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower, dia misy zavatra vita an-tsoratra atao pirinty sy ampiasaina mba hampianarana ny Baiboly amin’ny fiteny 11, ary haely manerana an’i Mikronezia manontolo.
Mahatratra ny “sisin-tany farany” ny fahamarinana momba ilay Fanjakana
Nandritra ny lahateny fitokanana ny tranon’ny sampan’i Guam nataony tamin’ny Aprily 1980, i Milton Henschel, anisan’ny Fitambara-mpitantana, dia nilazalaza an’i Mikronezia ho ny “iray amin’ireo sisin-tany farany” eo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Noho i Mikronezia voaforona nosy mitokana maro, ary noho ny fisian’ny tenin-drazana maro karazana aoka izany eto, dia hita ho zava-tsarotra indrindra itỳ “sisin-tany farany” atỳ amin’ny tany mafana itỳ.
Nandritra ny 40 taona, dia nisy misionera mahatoky nandresy io zava-tsarotra io noho ny asa mafy sy ny fahaiza-mahita hevitra. Nandritra ireo taona ireo, dia misionera 175 fara fahakeliny no nanompo tatỳ Mikronezia, ary izany dia anton-javatra lehibe manazava ny fisian’ireo kongregasiona 26 sy Vavolombelona tokony ho 1 300 izay marisika atỳ amin’ireto nosy ireto ankehitriny.
Vitsy kely monja amin’ireo misionera 63 manompo ankehitriny atỳ Mikronezia no nanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower. Ny ankamaroany dia mpisava lalana avy tany Philippines sy Hawaii izay nasaina mba hanao ny fanompoan’ny misionera. Ho an’ny maro, izany dia nidika ho fanoloana ny zava-nampiadana tany an-trano tamin’ny fomba fiaina tsizarizary kokoa. Any amin’ny nosy sasany, dia vitsy ireo lalana tsara, tsy misy ny herin’aratra ary ireo trano dia tsy misy rano. Miatrika aretina be dia be ireo misionera; tsy maintsy mahatohitra toetr’andro izay mafana sady mando ary indraindray dia faran’izay mahery, izy ireo. Ny rivo-doza mpandrava dia mandrahona saika mandavantaona. Nahita vokatra mahafa-po ho an’ny asa mafiny anefa ireo misionera.
Ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia nahita fototra mafy orina tao amin’ny tsirairay amin’ireo nosy lehibe. Ny anisan’ireo izay nanaiky ny hafatra momba ilay Fanjakana voalohany dia ireo mponina nitana toerana ambony. Tany Pohnpei, ohatra, dia teo i Carl Dannis, mpikambana tao amin’ny antenimiera mpanao lalàna tany. Tany Kosrae, ny iray tamin’ireo Vavolombelona voalohany dia i Fredy Edwin, izay nahay fiteny fito ary havan’ny mpanjaka. I Augustine Castro, izay nianatra mba ho pretra taloha, dia nanampy mba hanorina kongregasiona iray tany Saipan. Ary teto Guam, i Tony Salcedo, ilay mpanao ady totohondry taloha, dia nampiasa ny lazany mba hanomezana ho an’ny olona, hafatra izay ho afaka hanampy azy ireo hanana fiadanana izay tsy nomen’ireo nosy tsara tarehy azy ireo mihitsy.
Ny fomba nahatratraran’ny vaovao tsara an’i Guam
Tsy i Tony Salcedo no Vavolombelona voalohany tonga tatỳ Mikronezia. Raha ny marina aza, dia tsy Vavolombelona izy fony tonga teto. Tonga teto Guam avy tany Philippines tamin’ny 1948 izy, mba hanao asa an-tselika ho fanamboarana izay simba taorian’ny ady. Maromaro tamin’ireo mpiara-niasa taminy no Vavolombelon’i Jehovah, ary nanomboka nampianatra Baiboly an’i Tony izy ireo.
Nandamina ny hisian’ny kongregasiona voalohany tatỳ Mikronezia tamin’ny Desambra 1951 ireny rahalahy be zotom-po ireny. Tamin’ny 1954 anefa, dia voatery nandao an’i Guam izy rehetra, afa-tsy i Tony, rehefa maty ny kompanian’izy ireo. I Tony, izay namoy ny fanaovana ady totohondry, dia navela hijanona satria nanambady ankizivavy avy teto Guam.
Teo antenatenan’ireo taona 1950, dia natao tao an-tranon-dry Salcedo ireo fivoriana, ary nitombo ho 12 ny mpikambana tao amin’ilay kongregasiona. Ny faritany nitorian’izy ireo dia ilay nosy manontolo. “Isaky ny asabotsy izahay dia nanao ny fanompoana teny amin’ny saha tontolon’ny andro, ary tsy ela dia fantatry ny olona tany amin’ireo tanàna rehetra izahay”, hoy i Tony.
Toe-piainana mafy no niandry azy ireo
Tamin’izay, i Guam dia tsy nitovy velively amin’izy amin’izao andro izao, dia nosy fitsidiky ny olona mifanaretsaka. I Sam sy i Virginia Wiger, ireo misionera voalohany notendrena ho eto Guam, dia mahatadidy tsara ny nahatongavany tamin’ny 1954.
“Tamin’izany andro izany, i Guam dia toby miaramila ranofotsiny”, hoy i Sam. “Rava noho ilay ady ilay nosy; nisy baomba sy bala velona hatraiza hatraiza, nipetrapetraka teny rehetra teny ny fitaovam-piadiana, ary mbola nisy Japoney mpitifitra an-kiery ihany tratra sy nosamborina. Nanofa trano bongo kely tsy nisy frigidaire, climatiseur, fandriana na fanaka hafa, izahay mivady. Natory teo ambony fandriana lamban’ny tafika voasarona aro moka, izahay.”
Ny ezaka hitory nataon-dry Wiger dia nahomby aoka izany, ka tsy ela dia nilaina ny toeram-pivoriana lehibe kokoa. Koa nanofa efitra fisakafoan’ny miaramila izay tsy nampiasaina intsony àry ilay kongregasiona ary nanadio azy io tsara. Teo ampitan’ny eglizy katolika iray no nisy an’ilay trano. Rehefa nanangana soratra hoe Efitrano Fanjakana ireo rahalahintsika, dia tsy nanaiky ilay pretra katolika.
Avy eo dia nisy varatra nipoaka. Nandritra ny oram-baratra iray tsy toy ny fahita, dia nisy tselatra nanjera ny tilikambon’ilay fiangonana ka nanamontsana sampy maromaro. “Nilaza tamin’ireo mpiangona tao amin’ny paroasiny ilay pretra fa ilay Efitrano Fanjakana no tian’Andriamanitra hasiana, saingy tsy voany”, hoy i Wiger. “Rehefa tsy nino izany fanazavana izany ny olona, dia namorona tantara iray hafa ilay pretra. Nilaza izy fa nandringana ilay fiangonana Andriamanitra satria nila iray hafa lehibe kokoa sady tsara kokoa ry zareo.”
Fahatongavana tany amin’ireo Faritany Miankina
Rehefa notendrena ho misionera tany Japon ry Wiger, dia nahazo andraikitra fanampiny i Merle Lowmaster, rahalahy lava iray izay nitsiky matetika, fa nihevitra foana kosa ny fahamarinana ho zava-dehibe. Nangataka an’i Merle hanao dia fizahana ny tany nanerana an’i Mikronezia ny Fikambanana Watch Tower tamin’ny 1960. Noho ireo nosy ireo faritany niankina tamin’ny Amerikana, dia nila fahazoan-dalana ho any izy avy tamin’ilay tompon’andraikitra ambony, izay lehilahy nasiaka sady tsy azo nifanarahana. Hoy izy io tamin’i Lowmaster: “Maty aho angaha vao ho tafiditra ao amin’ireo faritany miankina ianareo.”
Tsy nilaina anefa ny hahafatesany. Telo volana monja tatỳ aoriana, dia nisy tompon’andraikitra ambony vaovao voatendry, ary dia nahazo ny fahazoan-dalany i Merle. Araka izany, dia izy no olona voalohany niteny ny hafatra momba ilay Fanjakana teo amin’ireo nosin’i Saipan, i Chuuk, i Pohnpei, i Belau ary i Yap.
Fanampiana avy tamin’ny tenan’ny prezidàn’ny Fikambanana
Nisy loza namely an’i Guam tamin’ny Novambra 1962, rehefa nitroatra nanerana an’ilay nosy ny Rivo-doza Karen, nitondra rivotra nifofofofo efa ho 320 kilaometatra isan’ora, ka namono olona sivy ary niteraka fahasimbana nitentina dolara an-tapitrisany maro. Soa ihany fa tsy nisy na dia iray tamin’ireo rahalahintsika aza namoy ny ainy, nefa dia namoy ny Efitrano Fanjakanany izy ireo. Rehefa toa tsy azo nantenaina ny fahafahana hahazo trano vaovao iray, dia nisy anabavy iray vao vita batisa namonjy, tamin’ny fanomezana tany tamim-pahalalahan-tanana. Naorina teo ny Efitrano Fanjakana iray lehibe kokoa, izay vita ara-potoana ho an’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny zone tamin’ny 1964, dia i N. H. Knorr, izay prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay.
Ho fikendrena ny hanao fanambarana feno tany amin’io faritra amin’ny tany io, ny Rahalahy Knorr dia nanendry misionera enina vao tonga teto, mba hiasa tany amin’ny faritra maro samihafa tatỳ Mikronezia. Hoy izy tamin’izy ireo: “Na dia mety ho toa tany vahiny aza ireto faritra ireto, dia tadidio fa “any aminareo” foana ianareo eto amin’ny planeta Tany. Ny hany tena misionera vahiny dia i Kristy, satria nandao ny lanitra izy mba hanompo tetỳ. Mifikira amin’ny nanendrena anareo mandra-pahavitan’ny asa!”
Nandritra ireo taona vitsivitsy talohan’io, ireo mpiandraikitra mpitety faritany dia nanao dia nanerana an’ireo nosy indray mandeha isan-taona, tamin’ny sambo mpitatitra entana. Nitsidika ireo Vavolombelona vitsy dia vitsy tany amin’ireo nosy izy ireo, nitory tany amin’izay nijanonan’ilay sambo, ary nanome fampaherezana fanampiny an’izay rehetra nampiseho fahalianana nandritra ireo fitsidihana teo aloha. Nanipy hevitra ny hanaovan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany dia indroa isan-taona, tamin’ny fiaramanidina, ny Rahalahy Knorr.
Anisan’ny nitarika ho amin’ny fitomboana ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany
Nanomboka tamin’ny 1968, io fanaovana dia tamin’ny fiaramanidina nanerana an’i Mikronezia io dia nataon’i Nathaniel Miller, mpiandraikitra ny fizaran-tany avy tany Hawaii. Koa satria niteny japoney ny maro tamin’ireo mponin’i Mikronezia efa zokiolona ary efa misionera tany Japon i Miller, dia nandeha ho azy raha izy no
nofidina ho amin’io fanendrena sarotra io. Nahoana no hoe sarotra? “Ny dia nandroso sy niverina tamin’ny fiaramanidina avy tany Honolulu ka nanerana an’ireo nosy ireo, dia nisy maherin’ny 14 000 kilaometatra”, hoy ny tsaroan’i Miller.Raha vao tonga teto Guam izy, dia nahita kongregasiona kivy. Tsy nisy fitomboana, ary mahalana vao voasa ny faritany. Nanoro hevitra ny handefasana misionera efatra hafa ho eto Guam i Miller, sy ny hisian’ny tranon’ny misionera faharoa tany atsimon’ilay nosy.
Tamin’ny 1969 i Guam sy ireo faritanin’i Mikronezia dia nanendrena ny sampan’i Hawaii hokarakarainy. Nanomboka tamin’ny 1970, i Robert K. Kawasaki, Sr., mpandrindra ao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Hawaii, dia nitsidika an’i Mikronezia koa, ka nitsidika ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny distrika ary ireo tranon’ny misionera indray mandeha isan-taona.
Tsy ela dia niharihary ny vokatr’io fanehoan’ny mpiandry ara-panahy fiheverana manokana io. Ny Fivoriamben’ny Distrika “Olona Ankasitrahana” teto Guam tamin’ny 1970 dia nisarika mpanatrika 291, izay tampon’isa, ka ny gazety sy ny radio ary ny televiziona dia samy nampahafantatra momba ilay izy isan’andro.
Na dia izany aza, dia tena mbola nisy toerana ho an’ny mpiasa betsaka kokoa tatỳ amin’itỳ tapany amin’ny saha itỳ. Avy taiza no hiavian’izy ireo?I Robert sy i Mildred Fujiwara dia mpisava lalana maharitra izay nitantana fivarotana enta-madinika tany Hawaii. Naniry mafy ny hanompo tany amin’izay nilana fanampiana bebe kokoa anefa izy ireo. Nahatanteraka izany nofinofiny izany izy ireo tamin’ny 1970, tamin’ny fifindrana honina teto Guam, niaraka tamin’ireo zanany telo, teo anelanelan’ny 8 taona sy 16 taona. Tsara ho azy ireo sy ny zanany ve izany fifindra-monina izany? Ny zanak’izy ireo rehetra ankehitriny dia efa lehibe sy manambady, ary samy mpanompon’i Jehovah be zotom-po. Ny roa amin’izy ireo dia manompo ato amin’ny sampan’i Guam, ary ilay fahatelo dia mpisava lalana. Kongregasiona iray monja no teto Guam, fony tonga teto ry Fujiwara. Nanana ny fifaliana nandray anjara tamin’ilay asa izy ireo, rehefa nitombo ho sivy ny isan’ireo kongregasiona, ary nisy groupe iray fanampiny. Ireo dia alamina mba hikarakara olona mampiasa fiteny enina. Nisy fianakaviana maromaro hafa koa tonga mba hanampy, tamin’ireo taona 1970 sy ireo taona 1980.
Mora tadidy ny adiresin’ny sampana
Tamin’ny 1976, ny Efitrano Fanjakanan’i Guam, naorina tamin’ny 1964 ary nohalehibeazina tamin’ny 1969, dia potiky ny Rivo-doza Pamela. “Toy ny hoe nisy cylindre namisaka azy ny fahitana an’i Guam”, hoy ny rahalahy iray.
Tsy iny toeram-pivoriana kelikely iny no naorina indray, fa tranon’ny sampana vaovao niendrika L, nisy birao iray, fanontam-pirinty iray, efitra fatoriana enina ary Efitrano Fanjakana nalalaka iray nahazaka olona 400, izay ho azo ampiasaina ho amin’ny fivoriambe koa. Mba hahatoherany rivo-doza, dia naorina hanana rindrina rihibato nohamafisina vy sy nanana hatevina 20 santimetatra, izy io. Hoy ny tenin’ny rahalahy iray izay tonga nifindra monina avy tany Hawaii: “Lehibe aoka izany ilay izy, hany ka nihevitra izahay fa tsy hahafeno azy io mihitsy. Tsy nisy afa-tsy Vavolombelona 120 teto amin’ilay nosy manontolo, ary nahatsiaro tena ho toy ny kanety kely tao anaty boaty be izahay tao amin’io toerana io.” Taona vitsivitsy monja taorian’izay anefa, dia zara raha nahazaka ireo mpanatrika fivoriambe iny Efitrano Fanjakana makadiry iny.
Ny Rahalahy Miller, fantatra noho ny famihinany tanana mafy sy noho ny fihomehiny miavaka, dia tonga ny mpandrindra ao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Guam voalohany. Rahalahy za-draharaha roa no nanatevin-daharana azy tao amin’ilay komity — i Robert Savage, izay mpiandraikitra ny sampana tany Vietnam, sy i Hideo Sumida, izay tao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Hawaii.
Rehefa naorina voalohany ny sampana, dia nalaina tany amin’ny boîte postale ny taratasy. Nisy mpiasam-panjakana iray nandalo anefa indray andro, ary nanazava fa nanome adiresy ho an’ireo trano izy, mba hahafahana hanatitra ny taratasy tany. Rehefa nandoko ny tarehimarika “143” teo amin’ilay trano izy, dia nanontany azy i Miller hoe inona no ho anarana homena ilay lalana nisy azy ireo. Hoy ilay rangahy: “Tsy fantatro. Nahoana moa isika raha mijery ny sarintany mba hahafantarana azy.” Gaga i Miller nahita fa nomen’ny fitondram-panjakana ny anarana hoe Jehovah Street (Lalana Jehovah) ilay izy.
Tetik’asa fanorenana ataon’ny tena ihany
Nisy asa fanorenana hafa koa nilaina hatao. Tany am-piandohan’ireo taona 1980, i Jim Persinger, tany Etazonia, dia nanapa-kevitra fa naka be loatra tamin’ny fotoanany ilay orinasany mpanao simenitra.
Koa nifidy ny hanatsotra ny fiainany àry izy sy i Jene, vadiny. Nanamboatra sambo lay nisy vatany rihibato 15 metatra izy ireo, niantso azy io hoe Petra, ary niondrana ho atỳ Guam. Hita ho sarobidy teo amin’ny tetik’asa fanorenana ny sambon-dry Persinger.Teo anelanelan’ny 1982 sy ny 1991, dia nisy tranon’ny misionera sy Efitrano Fanjakana naorina teo amin’ny enina tamin’ireo nosin’i Mikronezia. Nahatonga ny asa fanorenana ho zava-tsarotra ny tsy fisian’ny fitaovana. Tamin’ny tetik’asa fanorenana sasany, ireo rahalahy dia voatery nanao ireo birikiny simenitra manokana tamin’ny tanana. Nandraraka ilay simenitra tao anaty lasitra kely izy ireo ary niandry azy hihamafy. Nanao ny karaobatony manokana izy ireo tamin’ny fanapotehana haran-dranomasina, ary voatery naka fasika ho an’ny tenany. Mba hitaterana ireo entana sy mpiasa avy teo amin’ny nosy iray ho amin’ny iray hafa, dia matetika i Petra no nampiasaina. “Fony izahay nanorina ny Efitrano Fanjakana tany Chuuk, dia tsy afaka nividy fasika teo amin’ilay nosy izahay”, hoy ny nohazavain’i Jim Persinger, “ka niondrana ho any amin’ny nosy kely iray tsy nisy nipetraka, ary nihady fasika teny amin’ny torapasika hatao ao anaty lasàka. Avy eo, dia nampiditra azy io tao anatin’ilay sambo izahay, ary dia niondrana hiverina ho any amin’ilay toeram-panorenana.”
I Ray Scholze, izay nanana fanandraman-javatra momba ny teknika miaramila, no niandraikitra ny ankamaroan’ireo tetik’asa fanorenana tatỳ Mikronezia. Ny kitro nifaharan’ny ekipan’ny mpiasany dia i Calvin Arii sy i Avery Teeple ary i Miles Inouye, izay tonga avy tany Hawaii mba hanampy hanorina ilay sampana vaovao, ary avy eo dia nanorim-ponenana teto Guam. Niaraka izy ireo ary nampiasa ny zava-nisy teto an-toerana mba hahavitan’ny asa.
Fitomboana hafa koa teo ambany fiandraiketana vaovao
Nandao an’i Guam tamin’ny 1987 ny Rahalahy Miller, rehefa nanjary fantany fa narary mafy ny vadiny. Nisolo azy mba ho mpandrindra i Arthur White, izay lava sady natanjaka. Efa mpikambana tao amin’ny komitin’ny Sampan’i Hawaii sy ny an’i Guam izy, ary efa mpiandraikitra ny distrika nanao dia nanerana an’i Mikronezia koa nanomboka tamin’ny 1981. Teo ambany fiandraiketany, ny sampan’i Guam dia nandia fiovana maro. Efitrano Fanjakana roa no nanampy ny fitambaran-tranon’ny sampana, ary ny tetik’asa fanorenana iray vita tamin’ny 1995 dia nanome toerana nilaina mafy hanaovana birao sy orinasa, ary koa efitrano fonenana vaovao.
Niara-nanompo taminy tao amin’ny Komitin’ny Sampana i Julian Aki sy i Salvador Soriano, izay misionera efa hatramin’ny ela tatỳ Mikronezia. Mampalahelo fa i Hideo Sumida, iray tamin’ireo mpikambana tao amin’ilay komity tany am-boalohany, dia maty rehefa avy nandray anjara nandritra ny taona maromaro tamin’ny fananganana ilay sampana teto Guam.
Fitenenana amin’ny teny vahiny
Rehefa nihanandroso ny nosin’i Guam, dia nihanitombo koa ny mponina vahiny teto. Nisy misionera hafa koa nanampy mba hanolokolo ny saha tagalog, iloko, koreana ary sinoa.
Nandritra ny 14 taona, i Ernesto sy i Gloria Gabriel dia nitory tamin’ireo olona avy tany Philippines, izay mahaforona ny ampahefatry ny mponin’i Guam. Ireo kongregasiona tagalog sy iloko miaraka dia lehibe kokoa noho ireo kongregasiona anglisy dimy eto amin’ilay nosy, na iza izany na iza.
Tonga teto tamin’ny 1985 i Jung-Sung Chung, misionera koreana. “Nafana sady mando aoka izany ny toetr’andro”, hoy ny tsaroany, “hany ka nandro imbetsaka isan’andro izahay mivady mba hanesorana ny tsembokay.” Nitory nandritra ny ora maro tao anatin’ilay hafanam-be anefa izy ireo, ary ny oha-pahatapahan-kevitr’izy ireo dia nanampy mba hanorenana kongregasiona iray kely nefa matanjaka.
Misy fitoriana be dia be atao amin’ny mponina eto Guam. Amin’ny antsalany, dia misy Vavolombelona iray isaky ny mponina 262 eto.
KIRIBATI: Te Koaua no ahafantaran’izy ireo anay
Na dia nahatratra voalohany an’i Guam avy tany Philippines aza ny fahamarinana momba ilay Fanjakana, izy io kosa dia tonga tao Kiribati (fantatra tamin’izay ho ireo Nosy Gilbert) avy tany Nouvelle-Zélande. Zana-tany anglisy ireo nosy ireo, ary noferana ny fitorianay, nefa i Huia Paxton dia nahazo niditra tamin’ny 1959, noho izy pharmacien, ary nijanona tao hatramin’ny 1967. Nahita fitambara-nosikely tsara tarehy — tery dia tery matetika, ary mafana sady mando foana — teo amin’ny andaniny roa amin’ny ekoatera, izy.
Ny asan’i Huia dia nitondra azy tany amin’ireo Nosy Gilbert rehetra, izay nitadiavan’izy sy i Beryl, vadiny, ary ny zanany roa lahy kely, fahafahana hiresaka momba ny Baiboly. Tamin’ny pique-nique iray, dia nanontany an’i Stephen, zanak’izy ireo dimy taona, ny
vehivavy iray raha nanana anarana ny Andriamaniny. “Ia. Jehovah no anarany”, hoy ny navalin’i Stephen. Ny valin-teniny dia nitarika ny hafa hametraka fanontaniana. Vetivety foana dia nitarika fianarana Baiboly tamin’antokon’olona maro ry Paxton isaky ny alahady.Talohan’ny niverenan-dry Paxton tany Nouvelle-Zélande, dia nandamina ny hisian’ny fivoriana manokana teo amin’ny nosikely iray tsy nisy nipetraka izy ireo. Nisy lahatenin’ny batisa natao tamin’io andro io, ary olona dimy avy tamin’ireo Nosy Gilbert no nampiseho ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah tamin’ny firobohana tao anaty ranon’ilay farihy amoron-dranomasina. Mampalahelo fa nihena moramora ny zotom-po nasehon’ireo mponina ireo tamin’ny voalohany.
Tatỳ aoriana, ny lehilahy iray mponin’ireo Nosy Gilbert nantsoina hoe Nariki Kautu dia nankany Aostralia mba hianatra comptabilité tany amin’ny sekoly iray tany. Fony izy tany, dia nianatra ny Baiboly koa izy niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ary natao batisa. “Rehefa niverina niaraka tamin’ny fianakaviako aho tamin’ny 1978, dia nanomboka nanontany raha nisy Vavolombelon’i Jehovah hafa tao Kiribati”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Kautu. Tsy ela dia takany fa tsy fantatr’olona ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ireo nosy niaviany. “Nahita mpivady efa zokiolona izahay, sy lehilahy iray hafa sy ny zanany, saingy tsy nisy fivoriana nalamina, ary tsy nisy na dia iray aza tamin’ny zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana tamin’ny fitenin’ireo Nosy Gilbert”, hoy izy. “Nanomboka nivory isaky ny alahady izahay. Nivavaka izahay, namaky teny avy tao amin’ny Baiboly, ary satria izaho no hany nahay namaky ny teny anglisy, dia nanazava zavatra avy tao amin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana aho.”
Tsy trano tsotra fotsiny ny Efitrano Fanjakana
Tamin’ny 1982, ilay antokon’olom-bitsy tao Kiribati dia nohatanjahin’ny fahatongavan’i Paul sy i Marina Tabunigao, misionera notendrena ho any. Natao tao amin’ny tranon’ny misionera ireo fivoriana ary tatỳ aoriana dia nafindra tao amin’ny efitry ny sekoly iray, nefa tsy noheverin’ny olona ho “tena fivavahana” ny Vavolombelon’i Jehovah raha tsy rehefa tafaorina ny Efitrano Fanjakanany tamin’ny 1991. Mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena no nanao ny ankamaroan’ny asa, ary nitolagaga ny olona teo an-toerana ny amin’ireo “vahiny” nanolotra ny fotoanany sy ny volany mba hanampiana tamin’ilay
fanorenana. Araka izany, dia nanjary porofo azo notsapain-tanana ny amin’ny firaisan-tsaina feno fitiavana teo amin’ny vahoakan’i Jehovah ilay Efitrano Fanjakana.Maro no voasarika ho amin’ny fahamarinana ho vokatr’izany. Hoy ny anabavy iray izay natao batisa fotoana fohy taorian’ilay tetik’asa fanorenana: “Nanohina ahy lalina ny hoe nahazo ny fanampian’ny mpitsidika avy tany ampita io kongregasiona kely io.” Iny kongregasiona “kely” nisy mpitory 28 tamin’ny 1990 iny dia nitombo be ka nahatratra mpitory tokony ho 70 ankehitriny, ka izy io no iray amin’ireo kongregasiona mitombo haingana indrindra atỳ Mikronezia.
Ananan’ny olona fiheverana ambony ireo bokin’ny Fikambanana
Na dia efa nisy taratasy mivalona sy bokikely sasany aza, dia rehefa tonga tamin’ny 1994 ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany vao afaka namaky bokin’ny Fikambanana tamin’ny fiteniny ny olona teo an-toerana. “Tsy nisy afa-tsy zavatra vita an-tsoratra vitsivitsy tamin’ny fitenin’ireo Nosy Gilbert, na karazany inona izany na karazany inona”, hoy i Edi Possamai, misionera izay niara-nanompo tamin’ny vadiny tamim-pahatokiana, “ary tena tsy misy na inona na inona manakaiky akory ny hatsaran’io boky io.”
Ny boky Hiaina Mandrakizay izao dia efa natonta tamin’ny fitenin’i Mikronezia enina, ary ilay fanontana amin’ny fitenin’ireo Nosy Gilbert dia nisy fiantraikany lehibe. Nanosika mponin’ireo nosy maro hianatra ny Baiboly io boky io. Ny sasany aza dia hita nitondra ny bokiny Hiaina Mandrakizay tany am-piangonana mihitsy.
Ny olona ao Kiribati dia nametaka anaram-bosotra tamim-piraiketam-po tamin’ireo fivavahana teo amin’ireo nosy nisy azy. Noho ireo Protestanta nanakimpy ny masony rehefa nivavaka, dia fantatra amin’ny hoe Kamatu, midika hoe “Mampahatory”, izy ireo. Ireo Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito dia antsoina hoe Itibongs, na hoe “Andro Fito”. Ahoana kosa no fiantson’izy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah? Te Koaua, izay midika fotsiny hoe “Ny Fahamarinana”.
IREO NOSY MARSHALL: Varavarana ho an’ny fanompoana
Efa nisy Vavolombelona teto Guam nandritra ny roa ambin’ny folo taona teo ho eo, talohan’ny nitondran’ny mpivady amerikana
iray tia fiainana feno fahasahisahiana, ny vaovao tsara tany amin’ireo Nosy Marshall, 3 200 kilaometatra eo ho eo any atsimo-atsinanan’i Guam. I Powell Mikkelsen sy i Nyoma, vadiny, dia nikasa ny ho any Bahamas, mba hanompo tany amin’izay nilana fanampiana bebe kokoa. Ho fikendrena izany àry, dia nividy sambo kely folo metatra, izay nantsoiny hoe Integrity, izy ireo. Talohan’ny nahafahan’izy ireo hiondrana anefa, dia notolorana asa fiandraiketana ny fanorenana orinasa lehibe mpamokatra herin’aratra tany amin’ireo Nosy Marshall, i Powell. Nampirisika azy mafy hanaiky ilay toerana ny Fikambanana Watch Tower. Tamin’izay fotoana izay mantsy, noho ny fameperan’ny lalàna momba ny fidiran’ny vahiny, dia tsy nisy Vavolombelona tao amin’ireo Nosy Marshall.Teo am-piantsorohan’ny Rahalahy Mikkelsen ireo andraikiny nifandray tamin’ny fanorenana ilay orinasa, dia nanararaotra ny tarehin-javatra nisy azy izy sy ny vadiny mba hanampiana ara-panahy ny mponin’ireo nosy. Tonga tao amin’ny Nosikely Kwajalein izy ireo tamin’ny 1960, ary tatỳ aoriana, dia niantsona tao amin’ny Nosikely Majuro, ary tao izy ireo dia nampiana-tena hahay ny teny marshall. Rehefa nitory izy ireo, dia mahalana ireo mponina sariaka ireo vao tsy nety nihaino azy, ary tamin’ny 1964 i Powell sy i Nyoma dia efa nitarika fampianarana Baiboly 12, anisan’izany ny iray tamin’ny Iroij Lap Lap (Mpanjaka Ambony) tao Majuro.
I Julian Aki sy i Melvin Ah You, izay samy misionera, dia nanatevin-daharana an-dry Mikkelsen tany tamin’ny 1965, ary tao anatin’ny volana vitsivitsy monja, ireo rahalahy feno risi-po ireo dia efa ampy fahaizana ny teny marshall mba hanolotra sermona tsotra iray, ary efa nahaorina tranon’ny misionera iray miendrika A.
Mba hahazoana toerana hanaovana ireo fivoriana, dia nisy Efitrano Fanjakana iray namboamboarina, tamin’ny fanenjanana ilay lay lehibe indrindra avy teo amin’i Integrity ho eo ambonin’ny tsato-kazo maromaro natsatoka tao anaty tany. “Isaky ny nitombo ireo vahoakanay, dia nanampy lay iray hafa fotsiny izahay”, hoy ny Rahalahy Mikkelsen. “Nanaraka izany àry ilay lay tany aoriana; taoriana kely, dia ilay lay tany aloha. Rehefa tsy nanana lay intsony izahay, dia tonga ny fotoana hanorenana Efitrano Fanjakana ‘tena izy’.”
Nanohina ny mponin’ireo nosy ireo misionera vaovao
Mba hanombohana ny taom-panompoana 1966, i Aki sy i Ah You dia nanapa-kevitra fa tonga ny fotoana hahafantarana tsara kokoa ny faritaniny. Nividy billets handehanana tamin’ny sambo vy mpitatitra entana, izay nijanona teny amin’ireo nosikely an-tsisiny indrindra amin’ireo Nosy Marshall, àry izy ireo. Teny ambonin’ilay sambo nanaovany io dia fikarohana naharitra 24 andro io koa ny mpitondra fivavahana protestanta iray vao nampaka-bady, izay teo amin’ireo nosy efa hatramin’ny telo taona. Nisy fampandrenesana tao amin’ny radio nampahafantatra tamin’ny nosikely tsirairay hoe ho tonga
tsy ho ela ilay “révérend” sy ilay vadiny vao nampakariny. Diso fanantenana toy inona moa ny mponina rehefa niteny tamin’ny alalan’ny mpandika teny ilay mpitondra fivavahana! Tsy nisahirana hianatra ny teny marshall mihitsy izy.Rehefa nampitandrina an’ireo mpihaino azy mba hanalavitra an’ireo “mpiandry sandoka roa” teny ambonin’ilay sambo, io mpitondra fivavahana io, dia vao mainka ny olona nihananjary liana ta hahita an’ireo misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay nahay ny fiteniny, dia ny teny marshall, no sady nitantara zavatra nahafinaritra avy tao amin’ny Baiboly. Niverimberina nilaza izy ireo hoe: “Mijanòna eto mba hampianatra anay ny Baiboly. Hokarakarainay ny zavatra hilainareo, fa mijanòna miaraka aminay mandra-pahatongan’ny sambo manaraka!”
Taitra mafy noho ny kolontsaina vaovao ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany
Rehefa nandeha fiaramanidina avy tany Hawaii mba hanao ny diany fitetezana fizaran-tany voalohany nanerana an’i Mikronezia tamin’ny 1968, i Nathaniel Miller, ny tapany voalohany tamin’ny diany dia nitondra azy tao Majuro. “Tadidiko ny nahitako voalohany an’ireo nosikely bitika tany amin’ireo Nosy Marshall”, hoy ny tsaroany. “Nidina mba hipetraka tamin’ny tany ilay DC-9, nefa, tsy izay no nataony, fa niakatra indray izy io ary nanodidina an’ilay seranana. Rehefa nijery tany ambany aho, dia nahita olona nandroaka kisoa avy teo amin’ilay toerana fipetrahan’ny fiaramanidina. Nisy vato nisakana iray hafa, dia fiarakodia iray nipetraka teo. Nisy lehilahy sasantsasany nibata ilay fiara ary niala teo niaraka tamin’ilay fiara!”
Ho an’ny olona iray avy tany Honolulu, dia nanaitra mafy io kolontsaina io. Ny seranam-piaramanidin’i Majuro dia nanana trano tsy nitafo namboarina tamin’ny ravim-boaniho sy lalana fipetrahan’ny fiaramanidina vita tamin’ny haran-dranomasina. “Tsy nahazatra ahy izany hoe haran-dranomasina mandòna ny vatana ben’ireo fiaramanidina nipetraka tamin’ny tany izany”, hoy i Miller. Raha vao tafidina teo amin’ny tany izy sy ny entany, dia napetraka tao andamosin’ny kamiaonety tsy nitafo iray ary nentina tany amin’ny tranon’ny misionera tamin’ny lalan-tany nikitoantoana.
Ilay Efitrano Fanjakana tamin’izany fotoana izany dia nanana tafo vifotsy, tsy nisy rindrina ary ny tany ihany no gorodona. “Niteny, tamin’ny alalan’ny mpandika teny iray, tamin’antokon’olom-bitsy 20
aho, tamin’ny fitsidihako voalohany”, hoy ny notantarain’i Miller. “Tapaka ilay lahateny noho ny fidiran’ny kisoa lehibe iray tao amin’ny Efitrano Fanjakana!”Aiza tokoa moa ireo maty?
Ireo fiangonan’ireo Nosy Marshall dia mampino ny olona zavatra tena hafahafa. Indray andro, i William Maddison, diakona protestanta iray, dia nitsapa an’i Julian Aki toy izao: “Ao amin’ny Filipiana, i Paoly dia nanoratra fa ‘ny lohalika rehetra dia handohalika eo anoloan’i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin’ny tany’. Ny fanontaniako dia izao: ‘Iza moa ireo izay any ambanin’ny tany?’ ” (Fil. 2:10). Rehefa nanazava ny Rahalahy Aki hoe izy ireo dia ny maty izay hitsangana amin’ny maty, dia dibo-kafaliana i William. Nanelingelina azy ilay fampianaran’ny fiangonany hoe ireo izay “any ambanin’ny tany” dia ireo ri menanui, na “olona kely” izay, araka ny anganon’ireo Nosy Marshall, dia tsy nivoaka ho eto ambonin’ny tany raha tsy rehefa alim-be.
Nandamina avy hatrany ny hiarahan’ny fianakaviany hianatra ny Baiboly tamin’ny Rahalahy Aki i William, ary dia niara-natao batisa izy sy i Almina, vadiny, tamin’ny 1966. Loholona izy nanomboka tamin’ny 1983, ary ny vadiny dia mpisava lalana maharitra nandritra ny 28 taona, izany hoe ela kokoa noho na iza na iza atỳ Mikronezia.
Ireo fiangonan’ireo Nosy Marshall dia mampianatra koa fa ny afobe dia vilany vy lehibe iray any an-danitra, ary ny mpanota any dia tanehina ao anaty rano mangotraka. I Sailass Andrike, toy ny olona maro, dia nino an’io fampianarana ny amin’ny “fahafatesana any an-danitra” io. Rehefa naseho an’i Sailass avy tao amin’ny Baiboly anefa, fa ny maty dia miverina any amin’ny vovoka, dia nanaiky ny fahamarinana izy, ka natao batisa tamin’ny 1969. (Gen. 3:19). Tamin’ny alalany no nahazoana tany hanaovana Efitrano Fanjakana vaovao. Nanjary ny mpandika teny voalohany ho amin’ny teny marshall koa izy. Nisy kongregasiona iray niforona tao Majuro tamin’ny 1967. Noho ny fisian’ny rahalahy avy teto an-toerana, toa an’i William sy i Sailass, hiantsoroka andraikitra, dia afaka nifindra ho any Ebeye, nosikely bitika iray tany amin’ireo Nosy Marshall andrefana, i Julian Aki sy i Donald Burgess, misionera iray vao tonga.
Mitovy habe amin’ny fitambaran-trano efatra any amin’ny tanàn-dehibe i Ebeye, nefa an-jatony vitsivitsy tamin’ny mponin’ireo
Nosy Marshall monja no nipetraka tany, mandra-pahatongan’ny tafika amerikana nitondra asa nampanankarena teo amin’ny Nosikely Kwajalein teo akaiky, ka nahatonga ny isan’ireo mponina hihoatra ny 8 000. Isan’andro, ireo mponin’ilay nosy dia mandeha bac mandroso sy miverina hiasa any amin’ilay toby miaramila lehiben’i Kwajalein.Fandaharana tao amin’ny radio ho an’ny mponin’ireo Nosy Marshall
Ny radio dia nampiasaina ho fitaovana fitoriana nanerana an’i Mikronezia, fa tany amin’ireo Nosy Marshall izy io no nandaitra indrindra. Ny radio WSZO, fantatra amin’ny hoe Ny Feo Volamenan’ireo Nosy Marshall, dia manolotra ho an’ireo mpihaino, zavatra sarobidy kokoa noho ny volamena aza. Nanomboka tamin’ny 1970, ireo loholona tao amin’ny Kongregasionan’i Majuro dia nanao lahateny 15 minitra tao amin’ny radio, izay natao tamin’ny teny marshall, ary nokendrena indrindra mba hahatratrarana ireo olona any amin’ireo nosikely an-tsisiny indrindra. Tsy mahatan-tena tsy hitsiky ireo misionera rehefa mahare olona avy amin’ny fivavahana hafa misiotsioka ilay hira famantarana mampiditra ilay fandaharana ao amin’ny radio hoe “Vavolombelon’i Jehovah Isika!”
Tonga maro ny kely
Ireo rahalahy any amin’ireo Nosy Marshall dia ohatra amin’ny fitiavana sy ny zotom-po miavaka. I Robert Savage, mpiandraikitra ny fizaran-tany nitsidika an’ireo Nosy Marshall tamin’ny faramparan’ireo taona 1970, dia mahatadidy ny fandraisana azon’izy mivady tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Hoy izy: “Rahalahy sy anabavy maherin’ny zato no nilahatra nanao faribolana, ary ny tsirairay dia namihin-tanana anay ka niarahaba anay tonga soa. Ary ny fihiran’izy ireo ny hiran’ilay Fanjakana dia tena kanto tsy nisy ohatra izany! Tsy nisy feon-javamaneno, nefa niara-nihira tamim-pirindrana ireo rahalahy sy anabavy, ka nanome feon-kira nahafinaritra.”
I Clemente sy i Eunice Areniego, misionera nandritra ny 28 taona, dia nanompo tany amin’ireo Nosy Marshall nanomboka tamin’ny 1977 ary nahita ny fitomboana nahazendana nandritra io fotoana io. Rehefa tonga, mba ho misionera tao Majuro i Julian sy i Lorraine Kanamu tamin’ny 1982, dia 85 ny salanisan’ny mpanatrika ny fivoriana ampahibemaso. Izao dia misy kongregasiona roa any, ary ny salanisan’ny mpanatrika dia 320 eo ho eo. Nahoana no nirobona ny asa? “Tsy paradisa velively ireto nosy ireto”, hoy ny nohazavain’ny Rahalahy Kanamu. “Fahita ny aretim-po sy ny tety ary ny diabeta, ary mamely ireo nosy ny fahafatesan-jazakely. Efa nahatratra ny olona sasany koa ny SIDA. Tsy afa-po ny olona, ary mitodika ho amin’ny fahamarinana.”
SAIPAN: Fiatrehana ilay zava-tsarotra
Miroborobo koa ny fahamarinana ao Saipan, nefa tsy toy izany foana no izy. Ireo misionera voalohany dia voatery nihodivitra vato natoraka taminy nandritra ny andro, ary nipetraka tao amin’ny trano nisy “matoatoa” tamin’ny alina. Tamin’ny farany, dia nila rivo-doza iray, vao nitsoka tao amin’io faritany mazana io ny hafatra momba ilay Fanjakana.
Rehefa nankany Saipan i Ernest sy i Kay Manion tamin’ny 1962, dia nahita nosy iray nofehezin’ny Eglizy Katolika. Izy io no hany fivavahana mba fantatry ny olona teo an-toerana, ary mba tsy hiovan’izany, ny lohan’ny pretra dia voalaza fa nanapotika ireo Baiboly vitsy nananan’ireo mpiangona tao amin’ny fiangonany. Ho vokany, dia tsy nino ny Baiboly ny olona tamin’ny ankapobeny, ary mampalahelo fa vitsy no mba efa nahita Baiboly.
Sarotra aoka izany ilay faritany, hany ka, rehefa hitan-dry Manion fa tena nila ny nandao an’i Saipan izy ireo tamin’ny 1966, dia tsy nanana afa-tsy fitsidihana iray nahitany fahalianana izy ireo. Nanohy teo amin’ny nijanonan-dry Manion anefa i Robert sy i Sharon Livingstone.
“Matetika, rehefa nanatona lalana iray izahay, dia nikatona daholo ny varavarana sy ny varavarankely rehetra, hany ka nety ho niasa ny maraina tontolo izahay, nefa tsy nahita olona tonga teo am-baravarana”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Livingstone. “Nisy zazalahy kely nitoraka vato anay avy teny lavitra, ary matetika i Sharon no niharan’ny teny sy ny fihetsika vetavetan’izy ireo. Nasain’ny olona sasany nanenjika anay ny alikany, ary ireo vehivavy zokiolona dia nanao mariky ny lakroa rehefa nandalo izahay, mazava fa mba hiarovan-tena tamin’ny ratsy.”
Tokony handao an’ilay nosy ve ireo misionera?
Miely patrana ny spiritisma manerana an’i Mikronezia, ary tao Saipan, ilay tranon’ny misionera, izay nohofana, dia teo amin’ny toerana nitokana iray nitrangan-javatra tsy hay nohazavaina, tamin’ny alina. Nifindra trano ireo misionera, ary ankehitriny ilay tranon’ny misionera dia tena tsara toerana eo akaikin’ny ranomasina, tsy lavitra ny lalam-be iray.
Rehefa avy notorina tao Saipan nandritra ny dimy taona ny vaovao tsara, dia naseho ampahibemaso ny iray tamin’ireo sarimihetsiky ny Fikambanana. Olona iray monja no nanatrika — vehivavy iray izay Matio 10:14.
efa nianatra nandritra ny efa-taona, na dia nanapatapaka aza, nefa dia mbola niafina an’ireo misionera ihany tsindraindray. Nijanona roa taona tao amin’ny nanendrena azy izy ireo, nefa zara raha niresaka na tamin’iza na tamin’iza akory. Tokony ‘hanintsana ny vovoka tamin’ny tongony’ ve izy ireo ka handao an’i Saipan? —Nampandresy lahatra ny besinimaro hihaino ny rivo-doza
Tamin’ny fotoana toa nahitan’ireo misionera fa tsy hisy olona hihaino mihitsy, dia nisy rivo-doza namely mafy tamin’ny 1968, izay nampiaiky ny olona hanisy fiheverana an’izay nolazain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Niantonta teo amin’i Saipan ny Rivo-doza Jean, nitondra rivotra nahatratra hatramin’ny 320 kilaometatra isan’ora ary nandringana ny 90 isan-jaton’ireo trano teo amin’ilay nosy. “Noheveriko fa tonga ny Haramagedona”, hoy ilay olona nanapatapaka ny fianarany Baiboly.
“Tadidiko mazava tsara fa niforitra tao ambany latabatry ny lakozia izahay”, hoy ny Rahalahy Livingstone. “Talanjona izahay nitazana ny valindrihana sy ny rindrina nifandimby nivohitra sy nifitsaka teo ambanin’ny herin’ilay rivotra. Ilay feo dia toy ny an’ny fiaramanidina mihamahazo hery mba hiainga, nifangaro tamin’ny an’ny firohondrohon’ny lamasinina mpitatitra entana. Nivavaka aho mba hanaronan’i Jehovah anay tamin’ny tranolay fiarovany. Mba handrenesan’i Sharon ny vavaka nataoko anefa, dia voatery nilelalela faran’izay mafy aho, ka ny vavako nitohoka teo amin’ny sofiny.”
Nahazo valiny ve ilay vavaka? Na dia rava tanteraka aza ny sekoly sy ny tranon’ny masera katolika teo akaiky, ilay tranon’ny misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah vita tamin’ny hazo sady efa tranainy dia mbola nijoro. Nandalo tamin’ny maraina ilay rivo-doza, ary ny fankalazana isan-taona ny Sakafo Harivan’ny Tompo, ny Fahatsiarovana, dia natao ny harivan’iny. Tao anatin’ny fisafotofotoana izaitsizy ilay nosy manontolo, nefa tao amin’ilay tranon’ny misionera, dia nisy olona efatra niara-nivory tamim-piadanana, tamin’ny hazavan’ny jiro nandeha tamin’ny solitany. Olona maro tao Saipan no nanomboka nanontany tena raha nitondra ilay tafio-drivotra mba hanasaziana azy ireo Andriamanitra.
Novalian-tsoa ny fikirizana
Ilay vehivavy nianatra nandritra ny efa-taona dia niandany tamin’ny fahamarinana tamin’ny farany, ary natao batisa tamin’ny
4 Jolay 1970. Natao batisa tamin’io andro io koa i Augustine (Gus) sy i Taeko Castro. Nisy fotoana nanaovan’i Gus fianarana mba ho pretra katolika, fa i Taeko kosa no ilay nitady ny fahamarinana. Rehefa nahita azy io izy, dia nanomboka nanatrika ireo fivoriana avy hatrany.I Gus, lehilahy chamorro tsy be resaka sy mihaja fiseho, dia tsy tonga dia niaiky toa azy. “Isaky ny alahady aho dia nasaina mba ho any amin’ny fivoriana, nefa nanda aho noho ny tahotra olona”, hoy izy. “Tsy tiako ho hitan’ny olona tany amin’ireo fivoriana aho. Tena akaiky an’ireo pretra aho, ary ny ray aman-dreniko dia Katolika mpivavaka be. Ho nihevitra ahy ho very saina izy ireo.”
Nihevitra i Gus fa voalamina ilay tarehin-javatra nahasanganehana azy, rehefa nirahina ho any Hawaii nandritra ny enim-bolana mba hahazo fiofanana teo amin’ny asany, izy. Indray andro anefa izy dia nahita taratasy kely teo ambany varavarany, nangataka azy hiantso ny rahalahy mpisava lalana iray tany an-toerana. Ireo misionera tany Saipan dia nanoratra tany amin’ireo namany tany Hawaii, ary nangataka mba hisy hiresaka taminy. Nanda fanolorana maromaro hianatra ny Baiboly i Gus, nefa nikiry ihany ilay rahalahy mpisava lalana. Nilaza izy io fa raha be loatra ny adiny iray isan-kerinandro, dia afaka nianatra nandritra ny 30 minitra izy ireo.
“Nanaiky hianatra nandritra ny 15 minitra isan-kerinandro aho tamin’ny farany”, hoy ny tsaroan’i Gus. “Tsy noho ny faniriako hianatra ny Baiboly anefa izany. Ny zava-nokendreko dia ny hahita diso iray monja ka hamarana ilay izy.” Nifotitra taminy ihany ny fikasany. Hitany ho nahaliana aoka izany ilay fianarana, hany ka tsy ela i Gus dia nangataka fianarana adiny iray indroa isan-kerinandro.
Loholona ao amin’ny Kongregasionan’i Saipan efa hatramin’ny taona maro izao ny Rahalahy Castro. Ny zanany lahimatoa dia niasa tao amin’ny Betelan’i Brooklyn nandritra ny telo taona ary ny zanany vavimatoa dia nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada tamin’ny 1990, mba ho misionera. Ny zanany lahy iray hafa dia loholona ankehitriny, ary ny zanany vavy iray hafa dia mpisava lalana.
Nampitodika ny olona sasany ho amin’ny fahamarinana ny fihatsarambelatsihin’ny fiangonana
Anton-javatra maromaro no nahatonga ny faritanin’i Saipan hihamalefaka. Voalohany aloha, dia talanjona noho ny herim-pon’ny
Vavolombelon’i Jehovah tsy hilavo lefona, ny olona. Taona maro lasa izay, ny manam-pahefana iray tany amin’ireo faritany miankina dia nahamarika fa ny asa fitorian’ny Vavolombelona dia niteraka tabataba be teo amin’ny fiaraha-monina, ka nanontany ny rahalahy iray izy hoe firy no tao amin’ilay kongregasiona. Rehefa nilaza taminy ilay rahalahy fa nisy 12 izy ireo, dia hoy ny navalin’ilay manam-pahefana: “Hay 12 monja! Araka ny fomba firesaky ny olona any Saipan, dia nihevitra aho hoe tsy maintsy hisy zato any ianareo!”Ny fihatsarambelatsihin’ny Eglizy Katolika koa dia nahatonga ny olona hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nisy fotoana nampianaran’ireo pretra ny olona hoe “ny Protestanta dia ratsy tahaka ny Devoly”. Tatỳ aoriana, dia nilaza tamin’ireo mpiangona tao amin’ny paroasiny ireo pretra fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia “ratsy noho ny Protestanta”, ka nanosika ny olona tso-po hanontany hoe: “Ahoana koa no hetezan’inona na inona ho ratsy noho ny Devoly?”
Niova be aoka izany ny fihetsiky ny olona teo anoloan’ny fahamarinana, hany ka ankehitriny, atỳ Mikronezia, dia i Saipan no manana ny tahan’isan’ny mpitory tsara indrindra raha oharina amin’ny isan’ny mponina — 1 isaky ny 276. Ny Efitrano Fanjakana rihibato iray mahazaka olona 350 dia vita tamin’ny 1991, ary izao dia misy kongregasiona lehibe roa mivory any, ka ny iray anglisy, ny iray tagalog.
Fipoahan’ny vaovao tsara tao Tinian
Avy tany Saipan, dia nahatratra an’i Tinian, nosy kely iray latsaka ny valo kilaometatra avy teo, ny vaovao tsara. Ireo izay mahafantatra tsara ny tantaran’ny Ady Lehibe Faharoa, dia mahalala fa avy tao Tinian, tamin’ny 1945, no niaingan’i Enola Gay, mpandatsaka baomba B-29 amerikana, mba handatsaka ilay baomba ataomika teo amin’i Hiroshima, any Japon. Nanomboka tamin’ny 1970, ireo Vavolombelona tany Saipan dia nandany tsindraindray ireo faran’ny herinandro, hanelezana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tany Tinian. Ireo gazety ireo dia nampiseho fa, araka ny fahatapahan-kevitr’i Jehovah, dia efa tonga ny fotoana hanefen’ny olona tia fahitsiana avy tamin’ny firenena rehetra, ny sabany ho fangady sy tsy hianarany ady intsony. — Isaia 2:4.
Kanefa, mandra-pahatongan’i Robert sy i Lee Moreaux, izay nanompo tany Irlandy teo aloha, tamin’ny Aprily 1992, dia tsy nisy Vavolombelona nipetraka tao Tinian. Nisy voan’ny fahamarinana efa voafafy anefa.
I Joseph Manglona, zanaky ny ben’ny tanàna, dia nanana fianakaviana nahery ara-politika, ary mpanao lalàna koa ny maromaro tamin’ireo tao Tinian. Nankasitraka ny hasarobidin’izay novakiny tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! izy. Nanapa-kevitra izy fa nahita ny fahamarinana, ary nilaza momba izany tamin’ny hafa. Mba hisakanana azy tsy hatao batisa, ireo havany dia nanolotra azy toerana ara-politika iray tsara karama, izay hamelona tsara ny vadiny sy ny zanany roa. Hoy anefa ny navalin’i Joseph: “Horinganin’i Jehovah Andriamanitra tsy ho ela ny fitondram-panjakanareo. Koa nahoana aho no hitady ny ho anisan’izy io?” Ny toerana notanany tamin-kasahiana dia nahatonga ny maromaro tamin’ny havany, nanomboka tamin’izay, hiaraka aminy hanompo an’i Jehovah.
Taorian’ny fanomezana fanampiana manokana tsy tapaka an’ireo olona liana, dia roa taona monja no nilaina mba hanorenana kongregasiona iray niroborobo, nisy mpitory 24. Ankehitriny dia misy tranon’ny misionera iray sy Efitrano Fanjakana iray ao Tinian.
CHUUK: Tao amin’ny trano bongo iray ny fiandohana
Taorian’i Saipan, ny nanaraka nandray soa avy tamin’ny fanampiana nomen’ireo misioneran’ny Watch Tower tsy tapaka dia ireo Nosy Chuuk (Truk teo aloha). Efa tonga nitsidika tany vetivety i Merle Lowmaster tamin’ny 1961, nefa tamin’ny 1965, dia nanorim-ponenana tao Chuuk i Paul sy i Lillian Williams — dia ny voalohany tamin’ireo misionera maherin’ny 30 izay nifankazatra tamin’ny toe-piainana tsizarizary tao.
Rehefa tonga teo amin’ny nosy lehibe indrindran’i Moen izy ireo tamin’ny 1965, ny tsy fileferana ara-pivavahana dia nahatonga ny fahazoana trano ho an’ny misionera ho sarotra. Nanolotra ny hampanofa azy ireo ny antsasaky ny trano bongony ny mpitana fivarotana iray tamin’ny farany. Nampahatezitra be an’ireo pretra katolika izany, hany ka nankany amin’ny ben’ny tanàna nivantana izy ireo ary nangataka ny handroahana an’ireo Vavolombelon’i Jehovah avy teo amin’ireo nosy. Hoy ny navalin’ilay ben’ny tanàna: “Tonga teto ianareo taona maro lasa izay ary nilaza taminay mba hifankatia, koa
nahoana indray ianareo izao no milaza aminay mba hankahala?” Tsy nanan-kavaly ireo pretra, ary dia nijanona ireo misionera.Hita haingana ireo olona liana, ary tsy ela dia fampianarana Baiboly 30 no notarihina tao amin’ireo nosy ireo, izay toby lehibe indrindran’ny tafika an-dranomasin’i Japon tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Nanapotika ampahany lehibe tamin’ny sambo mpiady japoney teo ireo fiaramanidina mpandatsaka baomba amerikana. Ary amin’izao andro izao, dia misy mpisitrika an-dranomasina avy any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany tonga ao amin’ny Farihy Amoron-dranomasin’i Chuuk mba hizaha sambo sy fiaramanidina nilentika sy milevina any ambany rano. Ireo izay maka fotoana mba hahafantarana ny olona ao, dia mahita zava-mahaliana karazany hafa. Mety hampihomehy azy ireo anarana hafa kely. Mety hahita olona antsoina hoe Beer (Labiera), Whisper (Bitsika), Padlock (Gadanà), na Snow White (Blanche-Neige), izy ireo. Ny lehilahy iray dia niantso ny zanany lahy telo hoe Sardine (Saridinina) sy Tuna (Lamatra) ary Spam (hena am-bifotsy).
Ny iray tamin’ireo Mponin’ny Nosy Chuuk voalohany niara-nianatra tamin-dry Williams dia ny vadin’ilay mpitana fivarotana, i Kiyomi Shirai, izay Protestanta mpivavaka be sady nanam-pahefana tao amin’ny YWCA. Tsy tia ny hiovany fivavahana ny vadiny, ka nisaraka taminy, rehefa natao batisa ho Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanjary resa-be teo amin’ilay nosy ny batisan’i Kiyomi, ka ny antony iray dia noho izy natao batisa tao an-dranomasina ka hitan’ny rehetra.
Hatramin’izao isika miteny izao, ny batisa any amin’ny nosy sasany atỳ Mikronezia dia mbola atao ao an-dranomasina ihany.Izao ny vadiny nandao azy izao, dia nifindra honina any Dublon, nosy iray eo akaiky, i Kiyomi. Nitory tamin-jotom-po izy ary tsy ela dia niasa an’ilay nosy iray manontolo, afa-tsy ny trano iray teny an-tampon’ny havoana iray. Nodinganiny izy io, satria ilay nipetraka tao, rafotsy iray, dia fantatra ho mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy. Indray andro anefa, dia nisy zavatra nanery an’i Kiyomi hananika an’iny havoana nideza iny. Gaga izy rehefa nanaiky ilay hafatry ny Baiboly tamim-pifaliana ilay rafotsy, i Amiko Kata, izay tonga mpisava lalana be zotom-po koa tatỳ aoriana.
Anabavy be dia be, nefa rahalahy vitsy kely
Misy zava-tsarotra manokana iray tojo an’ireo Vavolombelona ao Chuuk. Faran’izay vitsy ny isan’ireo rahalahy, indrindra fa ireo mpitovo! Tsy misy afa-tsy rahalahy vita batisa roa ao Chuuk — ary samy manambady izy mirahalahy. Ireo nosy ireo dia manana fiaraha-monina anapahan’ny renim-pianakaviana, ary ny ankamaroan’ireo lehilahy dia malaza ho mpisotro sy mpiady ary maloto fitondran-tena. Izany dia manazava ny hoe nahoana amin’izao fotoana izao ireo rahalahy misionera dimy no hany loholona ao amin’ireo kongregasiona kely ao amin’ny nosy telo samy hafa — Moen sy Dublon ary Tol. Raha ny marina aza, talohan’ny nahatongavan’ireo misionera mba hanampy, dia nisy fotoana nahitana vehivavy 23 nahaforona ny Kongregasionan’i Moen.
“Afaka ny ho tena fitsapana ho an’ireo anabavintsika izany”, hoy i David Pfister, iray amin’ireo misionera. “Ny ankizivavy dia mihalehibe amin’ny fieritreretana ny hitaiza zanaka maro, nefa amin’izao fotoana izao, dia tsy misy rahalahy tanora ao amin’ireo kongregasionanay, izay ho azony vadina. Ny sasany amin’ireo anabavintsika dia manana fitiavana lalina an’i Jehovah, ary manaja ny torohevitry ny Baiboly mba ‘hanambady ao amin’ny Tompo ihany’. (1 Kor. 7:39). Ho an’ny hafa kosa, izany dia misakana azy tsy hanompo an’i Jehovah.”
I Salvador Soriano, mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Guam ankehitriny, dia misionera nandritra ny 14 taona tao Dublon, ary izy irery no hany rahalahy tao. Hoy izy: “Izany dia nampahatsiahy ahy ny Salamo 68:11, izay milaza fa ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.”
Fomba fitaterana tsy mahazatra ho any amin’ny Efitrano Fanjakana
Ireo misionera manerana an’i Mikronezia dia zatra mampiasa ny fiarany na ny kamiaonetiny mba hanampiana ny olona ho any amin’ireo fivoriana. Misy fomba fitaterana iray anefa izay angamba i Barak Bowman ihany no efa nanandrana azy. Rehefa nisakana ny anabavy vaventy be iray 70 taona tsy hanao ilay dia an-tongotra telo kilaometatra hatrany amin’ny Efitrano Fanjakana ny tsy fahasalamany, dia nitady fomba hanampiana azy i Barak. “Tiako ny haka anao ho any amin’ny fivoriana”, hoy izy, “nefa tsy manana afa-tsy broety aho.” Gaga izy rehefa namaly ilay anabavy hoe: “Eny àry, fa tsy mampaninona ahy izany.”
Azonareo alaina sary an-tsaina izy mianaka nandeha tamin’ilay lalan-kely ho any amin’ny fivoriana — ary koa ny ezaka tsy maintsy nataon’i Barak. Niala tany an-tranony tamin’ny fito ora maraina izy, niaraka tamin’ny broety tsy nisy na inona na inona, ary tonga tao ambadik’ilay efitrano, niaraka tamin’ilay anabavintsika tao anatin’ilay broety, ara-potoana tsara ho amin’ny fandaharana tamin’ny sivy ora sy sasany.
Niteraka vokatra tsara ny zotom-pon’ny Vavolombelon’i Jehovah ho amin’ny fanompoana sy ny fankasitrahany an’ireo fivoriana. Raha ny marina aza, ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny
1995 dia nihoatra avo folo heny noho ny isan’ny Vavolombelona ao Chuuk!POHNPEI: Fambolena vokatra ara-panahy
Tsy ny Vavolombelona voalohany nandia an’i Ponape (Pohnpei ankehitriny), iray amin’ireo nosy lehibe indrindra atỳ Pasifika afovoany, akory i William sy i Adela Yap. Efa nanao fitoriana kely tao i Merle Lowmaster tamin’ny 1961, ary tany am-piandohan’ny 1965, dia naharitra elaela ihany ny fitsidihany, ka nahafahana nanofa fivarotana iray efa nilaozana, izay ho azo nampiasaina ho tranon’ny misionera. Kanefa, rehefa tonga ry Yap, dia nahita fa tsy maintsy nampiasa antsibe izy ireo vao tafiditra tao amin’ilay trano. “Nila andro maromaro izahay vao nahatapaka ireo zava-naniry tsy nisy nanapaka nandritra ny enin-taona”, hoy i William. “Tsy nisy nikarakara ilay toerana, hany ka nanjary toerana fonenan’izao karazam-bibikely mahadikidiky sy mandady azo saintsainina rehetra izao.”
Mpivady natanjaka ry Yap, ary nahazo ny fanajan’ny hafa haingana, noho izy ireo mpitory feno hasahiana sy tsy nety vizana. Anisan’ireo izay nitorian’izy ireo ny governoran’ilay nosy. Nanome azy io iray tamin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao izy ireo. Tiany ilay fandikan-teny mazava, nefa somary nitady hitsara Ilay Boky araka ny fonony izy. Araka ny filazany, ilay fonony maitso dia tsy “maha-Baiboly” azy io, hany ka natakalon-dry Yap fanontana de
luxe, nisy fonony mainty sy sisiny volom-bolamena, ilay Baiboliny maitso. Nahafaly an’ilay governora aoka izany ilay izy, ka nampiasa ilay Baiboliny vaovao mba hampanaovana voady sy hitarihana fampakaram-bady izy.“Fiangonana An-dakozia” aloha, vao Efitrano Fanjakana
Tamin’ny 1966, i Carl Dannis, mpanao lalàna teo aloha tao Pohnpei, dia nanome ny antsasaky ny taniny mba hanaovana ny Efitrano Fanjakana voalohany tao Pohnpei. Mpitarika nahira-tsaina sy nahatalanjona ny hafa i Carl, izay lehilahy fohy sy zarazara hoditra ary nanana maso manga sariaka. I Rihka, vadiny, dia zanakavavin’ny mpanjaka faran’ny Nosy Mokil. Nianatra ny Baiboly tamin’ny hariva, imbetsaka isan-kerinandro, io mpivady mponin’i Pohnpei io, tamin’ny hazavan’ny jiro nandeha tamin’ny solitany, ka nandroso haingana hatramin’ny batisa.
Mandra-pahavitan’ilay Efitrano Fanjakana, ireo fivoriana dimin’ny kongregasiona, izay notarihina tamin’ny teny anglisy, dia samy natao tao amin’ny fandrahoan-tsakafon-dry Dannis daholo, ka nanosika ny mpiara-monina sasany hiantso an’io antokona Vavolombelona vitsy io hoe ilay “Fiangonana An-dakozia”. Latsaka ny folo no nanatrika ireo fivoriana. Rehefa nihira ilay hira hoe “Isan-trano”, izay nadika tamin’ny teny ponape, izy ireo, dia namazivazy ireo mpifanila trano hoe: “Tsy feom-bitsika mihira ve izany rentsika izany?”
Nahita ny faritaniny tamin’ny fomba fijery vaovao ireo misionera, rehefa namela azy ireo hampiasa ny kianja filalaovam-baolina ny ben’ny tanàna, mba hampisehoana sarimihetsika momba ilay fivoriambe niraisam-pirenena tany New York tamin’ny 1958. Nandritra ny
herinandro maromaro, dia nisy fampandrenesana tao amin’ny radio nampahafantatra ny amin’ilay sarimihetsika, ary rehefa tonga ilay fotoana, dia nameno hipoka an’ilay kianja kely ny olona. Lambam-pandriana nohenjanina tamin’ny tavolo ary nahinjitra teo anelanelan’ny tsato-kazo roa no natao efijery, ka afaka nijery ilay sarimihetsika avy teo amin’ny lafiny roa tamin’ilay lamba ny olona. Firy no nanatrika? Tokony ho 2 000 — iray isaky ny mponina enina tao amin’ilay nosy!Nanomboka tamin’izay, dia nitombo ilay “feom-bitsika”, ary ankehitriny dia maherin’ny 130 no mivory isaky ny alahady ao amin’ny Efitrano Fanjakana mampiadana iray.
BELAU: Ireo nosiny maro
Ny iray hafa koa tamin’ireo fitambara-nosy notsidihin’i Merle Lowmaster tamin’ilay dia fizahana tany vaovao natombony tamin’ny 1961 dia i Palau (Repoblikan’i Belau ankehitriny). Tamin’ny 1967, i Amos sy i Jeri Daniels, nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada, dia nirahina mba ho misionera tany. Nahatsapa ho toy ny hoe nirahina tany amin’ny faritra lavitra indrindra tamin’ny tany izy ireo. “Rehefa tonga tao Palau ilay fiaramanidina”, hoy ny tsaroan’i Amos, “dia voatery nihodina sy niverina tany Guam. Tsy nihoatra an’i Palau mba ho any amin’ny toerana lavitra kokoa, ilay izy.”
I Belau, araka ny fahitan’izy ireo, dia voaforona nosy mahafinaritra ny maso miisa 300 eo ho eo, ka anisan’izany ny fitambara-nosy tsy manam-paharoa antsoina hoe Nosy Rock, izay toerana tian’ny mpizaha tany indrindra. Rakotra ravinkazo matevin’ny tany mafana ireo nosy madinika ireo, ka toy ny holatra maitso mipoitra avy ao amin’ny ranomasina ny fahitana azy ireo.
Mandeha isam-baravarana ireo mponin’ny tanàna
Sady niezaka mafy nianatra ny teny palau ny Rahalahy sy ny Anabavy Daniels, no nanomboka nitory isan-trano. Gaga izy ireo rehefa nanaraka azy ireo mponina liana ta hahafanta-javatra ka nihaino ny resaka nifanaovany tamin’ny mpifanila trano.
Ny iray tamin’ireo fampianarana voalohany dia notarihina tamin’ny zanakalahin’ny ben’ny tanàna iray, izay nipetraka tany amin’ny tanànan’i Ngiwal tao amin’ny nosy lavitra iray. Isaky ny afaka izy, dia nankany Koror, ilay nosy nipetrahan’ireo misionera. Tsy nitsahatra nampirisika azy ireo hitsidika ny tanànany sy hiresaka tamin’ny olona
tany anefa izy. Tsy narisika hanao ilay dia ny Rahalahy sy ny Anabavy Daniels. “Ny hany fomba nahatongavana tany dia ny fitana rano feno voay”, hoy ny notantarain’i Amos. “Rehefa tonga nitsidika anefa ny mpiandraikitra ny fizaran-tany, dia afaka nanao ilay dia izahay tamin’ny farany, satria nisy olon-kafa iray niara-nianatra taminay, nanaiky hamily ilay sambo.” Nandeha isan-trano mba hitory tamin’ireo mponin’ilay tanàna izy ireo, ary rehefa nanao lahateny ampahibemaso izy ireo, dia 114 no nanatrika.Nanambara ny anaran’i Jehovah tamim-pahasahiana ny vehivavy diakona iray
I Obasang Mad, vehivavy diakona mpivavaka be tao amin’ny Fiangonana Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito tao Belau, dia hitan’ireo misionera tamin’ny 1968. Na dia teo aza ny fanoheran’ny vadiny sy ny an’ireo mpitarika ny fiangonana, dia nahatakatra haingana ny fahamarinana momba ny anaran’Andriamanitra sy ny Trinite ary ny fitsanganan’ny maty, i Obasang.
“Indray andro aho dia nangatahina mba hisolo tena ilay kongregasiona tamin’ny vavaka, tao am-piangonana”, hoy i Obasang. “Fantatro fa hahazo fanakianana mafy avy tamin’ireo Advantista namako aho, na dia izany aza dia nivavaka tamin’i Jehovah aho. Tsy ela dia nandao an’ilay fiangonana aho ary niaraka tamin’ireo misionera teo amin’ny asa fitoriana.”
Efa ho 70 taona izao i Obasang, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny 21 taona, na dia niaritra aretina ara-batana sy ny famoizana ny vadiny sy zanaka roa tamin’ny fahafatesana aza. Tsara fanahy sady mora mitsiky izy, ka tena andrin-kery ara-panahy.
Afaka ny ho fanandraman-javatra feno fahasahisahiana ny fitoriana amin’ny sambo
Naniry hitory tao amin’ny nosin’i Babelthuap teo akaiky (fantatra any an-toerana amin’ny hoe Babeldaop) i Amos sy i Jeri Daniels, nefa tsy nisy lalana nampifandray an’ireo tanàna teny amoron-dranomasin’ilay nosy, izay tsy azo aleha afa-tsy amin’ny sambo. Nanamboatra sambo ho azy ireo ny rahalahy iray tany an-toerana, nefa tsy nanana maotera izy ireo. Tokony ho tamin’io fotoana io, dia nanatrika fivoriambe iray teto Guam i Amos sy i Jeri. Teto izy ireo dia nahita rahalahy iray avy tany Etazonia, izay nahafantatra ny lehiben’ny filan-kevi-pitondrana tao amin’ny fanamboarana maoteran-tsambo
iray. Tsy ela izy ireo dia nahazo maoteran-tsambo vaovao iray. “Manome izay ilaina foana i Jehovah”, hoy ny nomarihin’i Amos.Manerana an’i Mikronezia, ny dia fitoriana amin’ny sambo any amin’ireo nosy an-tsisiny indrindra dia maharitra iray andro. Mitaky fiomanana amim-pitandremana ilay izy. Tsy maintsy eritreretina tsara ny samonta. “Niainga adiny roa talohan’ny samonta foana izahay ary niverina adiny roa taorian’ny samonta nanaraka (tokony ho adiny 14 tatỳ aoriana) mba tsy hanimbana ny helisy na mba tsy hihitsoka”, hoy ny misionera iray. Fonosina mialoha ny sakafo, miaraka amin’ny zavatra vita an-tsoratra ampy sy ny akanjo hisoloana, ary dia arovana ao anaty kitapo plastika izy rehetra. Any amin’ireo nosy tsy misy fiantsonan-tsambo, dia tsy maintsy miroboka ao anaty ranomasina ireo misionera vao afaka miondrana ao amin’ny sambony. Ary raha mbola tsy lena izy ireo, dia azo inoana fa ho voafafy ranon-dranomasina na ho voatobaky ny onja iray mandritra ilay dia. Misy vavaka iray atao foana alohan’ny hiaingan’izy ireo, ary rehefa misamboaravoara ny ranomasina, indraindray dia vavaka mangina maro no atao eny ambonin’ilay sambo.
Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia nianatra namakivaky ireo ranon’ny farihy amoron-dranomasina tao anatin’ny karazan-toetr’andro rehetra ireo misionera nanompo tatỳ Mikronezia, ary nanjary nanam-pahaizana tamin’ny fanamboarana sambo sy ny simba tamin’ny maotera.
Dia an-tongotra be dia be — Fitiavana mandray vahiny mafana
Koa satria tsy tongan’ny fiara na ny sambo ny tanàna sasany, ireo misionera dia mety handeha an-tongotra mandritra ny ora maro eny amin’ny lalana tsara tarehy voaravaka voaniho mamakivaky ala mikirindro, mba hahatongavana any amin’ireo olona tso-piaina. Noho ny toetr’andro mafana sady mando, ny rahalahy eto dia tsy manao karavato eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ary kapa fingotra (antsoina hoe zori) no anaovany matetika.
Hoy i Harry Denny, izay misionera tao Belau nandritra ny 21 taona: “Mahita sofina vonon-kihaino ny fahamarinana foana izahay. Matetika, mba hampisehoana ny fitiavany mandray vahiny, ireo mponina mitokana ireo dia hianika hazo voaniho, haka voaniho iray, hamaky ny tampony amin’ny antsibeny ary hanolotra zava-pisotro ho anao avy ao anaty ‘fonosany’ ihany.”
I Harry sy i Rene, vadiny, dia miombona ilay tranon’ny misionera amin’i Janet Senas sy amin’i Roger Konno, misionera mpitovo izay samy efa teo amin’ny fanendrena azy avy nandritra ny 24 taona. Niaraka, ireo misionera mahatoky efatra ireo dia nanampy ny Kongregasionan’i Belau hitombo ka hahatratra mpitory 60. Ireo fianarana ny bokin’ny kongregasiona izao dia tarihina amin’ny fiteny telo — palau sy tagalog ary anglisy.
YAP: Eo amin’izy io ny mason’i Jehovah
Herintaona taorian’ny nanombohan’ireo misionera avy tany Gileada nanompo tao Belau, dia tonga tao Yap i Jack sy i Aurelia Watson. Nisy misionera roa hafa tonga tamin’ny taona nanaraka. Na dia kely aza i Yap — tsy fantatry ny ankamaroan’ny olombelona izy io — i Jehovah dia mahafantatra ireo nosy ireo ary mampiseho fiheverana feno fitiavana ny mponina any. Nosy efatra mifanety be izy ireo, izay ampiraisin’ny tetezana, ary ny fomban-drazana tranainy dia mampifamatotra mafy azy ireo tsy misy hafa amin’izany koa. I Yap dia manana fiteny tsy ampiasaina na aiza na aiza any an-toeran-kafa eto ambonin’ny tany, sy vola notefena avy tamin’ny vato, ary mponina izay tsy taitra velively amin’ny kolontsaina tandrefana. Na dia amin’izao fotoana izao aza, eo amin’ireo mponin’i Yap 10 500, dia ahitana lehilahy manao sikina mareva-doko, sy vehivavy manao zipo bozaka, ka indraindray dia tsy mitafy ny tapany ambony amin’ny vatany.
Efa nanao fitoriana tao ihany i Merle Lowmaster tamin’ny 1964, fa i Jack sy i Aurelia Watson kosa dia nanantena ny ho afaka ny hijanona tao. Kanefa, tsy mora ho azy ireo ny nianatra ny teny yap. Ny hany zavatra vita an-tsoratra misy any dia bokikely sasantsasany momba ny fitsipi-pitondran’ny governemanta sy katesizy katolika iray. Nihaino ny olona ry Watson ary nanandrana nanahaka izay reny. Tamin’ny taona nanaraka, ny zatovolahy iray mponin’i Yap, izay nampiseho fahalianana tamin’ny fahamarinana, dia vonona koa ny hanome lesona fianarana ilay fiteny. Nandritra ilay volana voalohany, ireo misionera dia niezaka nanampy azy hahazo ny teny anglisy nampiasain’izy ireo, mba hahafahany kosa hampianatra azy ireo hiteny yap.
Fivoriana tany amin’ny “banky”
Ilay pretra katolika teo an-toerana sy ilay mpitondra fivavahana loteriana, izay mpifahavalo teo aloha, dia nifarimbona mba hanely bokikely iray nanameloka ny Vavolombelona. Efa nampiasa ny fitaomany koa ilay pretra mba hampandroahana an’ireo misionera tao amin’ny tranony, ary toa tsy azo natao ny hahita trano vaovao. Efa nampitandrina an’ireo tompon-tany mba tsy hampanofa tamin’ireo misionera ilay pretra, hany ka namindra vetivety ny vadiny avy, tany
amin’ny hotely ireo rahalahy, fa izy ireo kosa nijanona tao amin’ny trano bongo iray, izay 3,5 metatra ny sakany ary 4 metatra ny halavany, ary gorobaka ny gorodona.I Yap dia fantatra indrindra noho ny volany vato nisy hatramin’ny an-jatony taona maro, izany hoe kodiarana vato sokay mafonja antsoina hoe rai, izay mahatratra 0,6 ka hatramin’ny 3,5 metatra ny savaivony. Na dia tsy ampiasaina mba hividianan-tany na hamerenan-trosa intsony aza ny vola vato, dia heverina ho tena sarobidy noho ny tantarany. Ary ireo rahalahy dia nahita fa sarobidy tamin’ny heviny hafa koa izy io. Rehefa verin’izy ireo ilay tranon’ny misionerany, dia natao teo ambany hazo lehibe iray nampirantiana vola vato ireo fivoriana nandritra ny fotoana kelikely. Koa satria nitsangana mahitsy ireo vola vato tao amin’ilay ‘bankin’ny tanàna’, dia fiankinana tsara ho an’ny lamosin’ny mpanatrika izy ireny, ary barìka iray 190 litatra no polipitra.
Na dia izany aza, dia mbola tsy nahita toerana hipetrahana ihany izy ireo. “Toa toy ny hoe hifarana teo ny asa”, hoy ny nomarihin’i Watson. “Tonga hamonjy anay anefa i Jehovah.” Ny alina talohan’ny hiaingan’ireo misionera hamonjy fivoriambe tatỳ Guam, dia nisy lehilahy iray nanontany azy ireo raha tian’izy ireo ny hanofa trano iray. Ny trano ary fomba indrindra tao Yap angamba ilay izy, dia trano rihibato voaro tamin’ny rivo-doza, ary ampy toerana hanaovana fivoriana sy hipetrahana.
Nanome porofon’ny finoany izy ireo
Nisy misionera roa hafa avy tany Hawaii tonga tamin’ny 1970, dia i Placido sy i Marsha Ballesteros. Niadana ny fandrosoana. “Imbetsaka no tsy nisy afa-tsy izahay misionera efatra mianadahy no nanatrika ireo fivoriana, izay natao tao amin’ny efitra fandraisam-bahininay”, hoy ny tsaroan’i Placido.
Tamin’ny farany, dia tonga ihany ny fitomboana, rehefa nisy rahalahy teo an-toerana nanao fandrosoana. Ny iray tamin’izy ireo, i John Ralad, dia tojo tarehin-javatra sarotra. Rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly i John, dia teo am-panorenana fiangonana iray ilay orinasany mpanao fanorenana. Na dia teo aza ny fanerena avy tamin’ny andaniny rehetra, dia tapa-kevitra i John fa tsy hamela azy hamita ilay fiangonana ny feon’ny fieritreretany. Loholona ao amin’ny kongregasiona izy amin’izao fotoana izao.
Nanana safidy lehibe hatao koa i Yow Nifmed. Rehefa nahita azy voalohany ny Vavolombelona tamin’ny 1970, dia nanana vady roa izy. Mba hanarahana ireo zavatra takin’i Jehovah, dia tsy maintsy nandamina indray ny fiainany manontolo izy. Amin’izao fotoana izao ny Rahalahy Nifmed sy ny vadiny tokana dia samy manompo an’i Jehovah amim-pahasambarana. Loholona izy. Rehefa mankany amin’ireo fivoriana izy, dia mitondra ny kamiaonetiny, feno havana 15.
Tena hita hatraiza hatraiza marina ny vahoakan’i Jehovah
“Araka ny fomba fijerin’olombelona, i Yap dia tany bitika kely iray eto ambonin’itỳ giloby itỳ, ary ireo olona an’arivony vitsy mipetraka ao dia tsinontsinona raha oharina amin’ireo mponin’ny tany an’arivo tapitrisany maro”, hoy i Placido Ballesteros indray mandeha. “Ary anefa i Jehovah dia tsy manadino an’ireto olona ireto. Rehefa tonga teto voalohany aho, dia tsy tonga tao an-tsaiko ny hoe ho avy ny andro hanontana Ny Tilikambo Fiambenana indray mandeha isam-bolana amin’ny teny yap, sy ny hoe hanely boky amin’ny teny yap isam-baravarana izahay.”
Ny fanandraman-javatra mampihomehy iray dia mampiseho fa ampahafantarina amin’ny fomba feno tokoa ny anaran’i Jehovah. Indray andro i Placido dia nahita mpizaha tany iray nipetraka teo amoron’ny renirano iray, tany amin’ny kilaometatra maro lavitra ny toeran’ny mpizaha tany akaiky indrindra, ary tena lavitra ny faran’ny lalana mihitsy aza. Rehefa nanontaniana ilay rangahy raha very lalana izy, dia namaly hoe: “An, an, an, naniry ny handeha lavitra araka izay azoko natao aho, mba hahitana toerana mangina hieritreretana.” Rehefa nanontany an’i Placido kosa ilay mpizaha tany hoe nahoana izy no teo, dia nanazava i Placido fa misionera Vavolombelon’i Jehovah izy. “An, an, an kosa e!”, hoy ny fihiakan’ilay mpizaha tany. “Avy any Brooklyn, tsy dia lavitra ny foibenareo, aho. Tena tsy azo atao mihitsy ny mandositra anareo izany!”
KOSRAE: Ao koa dia fantatra ny anaran’i Jehovah
Nanatrika ny Fivoriambe Niraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany” tamin’ny 1969 tany Hawaii ny fianakaviana be zotom-po iray avy tany Pohnpei. Takatr’izy ireo taorian’izay fa ho afaka ny ho ny voalohany hanambara ilay fiadanana izay ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no afaka mitondra azy, teo amin’ny nosy tsara tarehin’
i Kosrae ny tenany. Nahazo tosika tany amin’ilay fivoriambe i Fredy Edwin, ka namindra ny fianakaviany ho any amin’ny 580 kilaometatra, ho ao amin’io teboka kely mitokana ao an-dranomasina io, izay fitodian-tsambo mpihaza trozona nalaza nandritra ny taonjato faha-19. Fifindra-monina nandeha ho azy io ho an-dry Edwin, satria i Lilian, vadin’i Fredy, dia zanakavavin’ny mpanjakan’i Kosrae, ary ny teny kosreana dia iray tamin’ireo fiteny fito hain’i Fredy.Talohan’ny nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah, i Fredy Edwin dia mpikambana tao amin’ilay komity protestanta nandika ny Baiboly tamin’ny teny ponape. Rehefa nifindra honina tany Kosrae izy, ny fahaizany mandika teny dia nanampy mba handikana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower ho amin’ny teny kosreana. Nisahirana nanambara ny hafatra momba ilay Fanjakana koa ny mpianakaviny hafa. I Desina, zanany vavy, dia nanda vatsim-pianarana hanaovana fianarana
ambony, mba ho mpisava lalana manokana, ka izy no voalohany tamin’izany tatỳ Mikronezia. I Mildred, zanany vavy iray hafa, dia nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra ary ny vadin’i Fredy dia nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy matetika.Tonga ny fanampiana mba hanorenana Efitrano Fanjakana
I Zecharias Polly, avy tany Chuuk, no Mikroneziana voalohany tonga misionera. Nandray anjara tamin’ny fananganana ny kongregasiona tao Kosrae izy, ary tamin’ny 1977, dia nanampy koa tamin’ny fanorenana ny Efitrano Fanjakana sy ny tranon’ny misionera tany.
Tsy natao tao anatin’ny faran’ny herinandro iray ilay Efitrano Fanjakana. Ny antony dia satria isaky ny alahady, io nosy anjakan’ny Protestanta io dia mangina toy ny fasana, noho ny lalàna iray momba ny “Sabata” izay mandrara tsy hividy, hivarotra, hisotro, hanjono, hiasa ary na dia hilalao aza. Na dia izany aza, dia tafatsangana haingana ihany ilay Efitrano Fanjakana, ka nahatalanjona ny olona teo an-toerana. Nampiasa izay rehetra teo am-pelatanana teo an-toerana ireo rahalahy, mba hamitana mialoha fitaovana betsaka araka izay azo natao. Ny fitaovana hafa dia novidina tany Pohnpei ary nalefa tamin’ny sambo. Rehefa tonga tao Kosrae ireo entana farany, niaraka tamin’ny mpiasa an-tsitrapo avy tany Pohnpei, dia nanjary nisy endriny haingana ilay trano. Mbola ampiasaina ihany io Efitrano Fanjakana io hatramin’izao — tsy hanaovana fivoriana isan-kerinandro ihany, fa hanaovana fivoriambe koa.
Midera an’i Jehovah ny kongregasiona lavitra iray
Rehefa naorina ilay kongregasiona tao Kosrae tamin’ny 1976, dia lavitra ny biraon’ny sampana aoka izany izy io, hany ka nampandalovina tany Pohnpei tamin’ny alalan’ny radio tsy miankina ireo tatitra momba ny fanompoana isam-bolana. Tsy nisy dia tamin’ny fiaramanidina nandoavam-bola raha tsy tamin’ny 1979. Fony sambo no nitondra ireo taratasy tany amin’ireo nosy, dia nila hatramin’ny enim-bolana indraindray vao tonga ny taratasy.
Amin’izao andro izao, ny seranam-piaramanidina rehetra atỳ Mikronezia dia manana lalana fipetrahan’ny fiaramanidina vita godorao, izay afaka mandray fiaramanidina lehibe. Tany am-piandohan’ireo taona 1980 anefa, ny fandehanana fiaramanidina ho any Kosrae dia fanaovana dia feno fahasahisahiana tao anaty
fiaramanidina nisy fitoerana fito. “Tamin’ny dia iray nataonay mivady ho any Kosrae, dia tratran’ny rivo-mahery mafy izahay, ary toa very lalana”, hoy ny tsaroan’i Arthur White. “Namily ilay fiaramanidina 30 metatra teo ambonin’ny ranomasina ilay mpanamory, ary nitady an’ilay nosy. Nivavaka tamin’ny feo avo ilay ramatoa nipetraka tao aoriananay. Fantatray fa raha tsy nahita an’i Kosrae ilay mpamily, dia azo inoana fa ho very tany an-dranomasina izahay; nefa tazana ihany ilay nosy tamin’ny farany, ary dia afaka nipetraka izahay — teo amin’ny lalana ety vita tamin’ny karaobato, izay nampiasain’izy ireo ho lalana fipetrahan’ny fiaramanidina.”I James Tamura dia misionera nandritra ny 17 taona tany Pohnpei sy Kosrae. Namintina ny fihetseham-pon’ny maro toy izao izy: “Mahatsapa fifaliana aho mahita fa mitombo ny asa sy mahita fa ny anaran’i Jehovah dia ampahafantarina atỳ amin’ireto nosy lavitra atỳ Pasifika ireto.”
ROTA: Tantaram-piaretana
Eo amin’ny nosy kelin’i Rota, izay zara raha hita avy eto Guam, ny fampandrenesana dia atao amin’ny fanamafisam-peo ampahibemaso indraindray. Indray andro tamin’ny 1970, dia re tamin’ireny fanamafisam-peo ireny ny feon’ny ben’ny tanàna nampahafantatra an’ireo mponin’i Rota fa tonga teo amin’ilay nosy ny Vavolombelon’i Jehovah ary ho avy any an-tranony. “Iangaviana ianareo mba hanokatra ny varavaranareo ho azy ireo”, hoy ny nambaran’ilay ben’ny tanàna, “sy handray ny fitsidihany an-tanan-droa.”
Iray tamin’ireo rahalahy telo nitory tao Rota tamin’io andro io i Augustine Castro. Nahapetraka boky maromaro tamin’ny ben’ny tanànan’i Rota, izay fantany fony izy mpiasam-panjakana tany Saipan, izy. Izany no nanosika an’ilay ben’ny tanàna hanao ilay fampandrenesany tamin’ny vahoaka. Tao anatin’ny adiny roa, ireo rahalahy tonga nitsidika dia nahapetraka ny zavatra vita an-tsoratra rehetra tao anaty kitapony. Niaraka tamin’izay koa anefa, dia niforona ny fanoheran’ny klerjy.
Nisalovana tamin’ny asa fitoriana ny klerjy
“Tsy maintsy nisy nampandre an’ilay pretra katolika momba anay”, hoy ny notantarain’i Gus. “Teo amin’ny fivarotan-dasantsy iray izahay. Efa handeha handray ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ny zatovolahy iray,
rehefa nitraka ka nahita an’ilay pretra. Niahotra izy ary hendratrendratra nilaza taminay hoe: ‘Tiako haseho an’ilay pretra ilay boky mba hahitany raha tsy maninona.’ Nijery an’ilay pretra namadibadika ireo pejy izahay. Fantany tsara aho, satria efa nanao fianarana mba ho pretra aho taloha. Hoy ny nolazainy tamin’ilay zatovolahy tamin’ny farany: ‘Tsy mampaninona ny mandray ilay boky (...) raha mbola tsy miova fivavahana koa ianao.’ ”Nihamafy ny fanoherana rehefa notendrena ho mpisava lalana manokana tao amin’io nosy anjakan’ny Katolika io Juan sy i Mary Taitano tamin’ny 1981. “Nanaraka anay isan-trano ilay pretra teo an-toerana ary nilaza tamin’ny olona fa anarana hafa ilazana an’i Satana ny hoe Jehovah”, hoy ny tsaroan’i Juan. “Nametraka soratra nilaza hoe ‘Trano katolika itỳ. Hajao, aza fady, ny fivavahanay’, saika tamin’ny trano rehetra, izy. Naniraka ankizilahy haka sy handoro izay zavatra vita an-tsoratra rehetra napetrakay tamin’ny olona koa izy.”
Nangeja ny tompon-trano ny fankahalana sy ny tahotra
Chamorro nitovy fiaviana tamin’ireo mponin’i Rota ry Taitano, ary samy nahay ny teny chamorro izy mivady, nefa dia mbola niharan’ny fankahalana mafy ihany.
“Indray mandeha, dia nandrahona ahy ny tompon-trano iray, ka nilaza fa ‘haka fikapoham-baolina izy mba hanapahana ny taolana rehetra tao amin’ny vatako’ ”, hoy i Juan. “Ny ampitso, dia voan’ny lozam-piarakodia io lehilahy io, ka tapaka ny tongony sy ny tanany. Nilaza ireo mponina tao an-tanàna fa nanasazy azy Andriamanitra noho izay nolazainy, ka izany dia nahatonga azy ireo hatahotra ny Vavolombelon’i Jehovah.”
Fihetsika manorina na dia tsy misy vokatra tsara aza
Tato anatin’ireo 25 taona farany, dia nitory tamin’ny mponin’i Rota nandritra ny ora tsy voaisa intsony, ireo misionera. Taorian’izany ezaka rehetra izany, dia tsy misy afa-tsy mpitory ilay Fanjakana valo eo amin’ireo mponina 2 500, ary tafiditra amin’izany ny mpivady mpisava lalana manokana iray. Na dia izany aza, dia manohy manorina tantaram-piaretana tsara dia tsara ireo Vavolombelona mahatoky, ka tsy manaiky ho kivy.
“Sarotra ny faritanin’i Rota, tsy azo afenina izany”, hoy i Gary Anderson, misionera. “Nefa na dia ny tarehin-javatra ratsy indrindra
aza dia tsy haharitra mandrakizay. Hiova i Rota. Tsy misy zavatra tsy azo atao, noho ny fanohanan’i Jehovah.”NAURU: Fitadiavana tena harena
Nisy fotoana niheverana ny Repoblikan’i Nauru, misy mponina tokony ho 7 000, ho ny iray tamin’ireo tany nanankarena indrindra teto ambonin’ny tany. Mila ny hafatra momba ilay Fanjakana koa anefa ny olona ao. Ny be dia be amin’ny hareny dia azony avy tamin’ny fandravana ampahany lehibe amin’ilay nosiny kely, tamin’ny fitrandrahana fosfaty. Tsy misy maha-paradisa azy izy io. Ary ankehitriny io nosy io koa dia manan-java-manahirana ara-bola lehibe.
Kanefa, ireo ezaka voalohany nitondrana ny hafatra momba ilay Fanjakana tao Nauru dia notoherina. Rehefa namafy voan’ny fahamarinana tao Nauru ny misionera iray tonga nitsidika avy tany amin’ireo Nosy Marshall tamin’ny 1979, dia noroahina tsy ho ao amin’ilay nosy izy, ka nisy polisy telo niaraka taminy hatrany amin’ny fiaramanidina.
Talohan’ny nandroahana azy anefa, dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’i Humphrey Tatum izy. Nanohy nianatra irery i Humphrey, ary rehefa nijanona tao Nauru i Nat Miller, mpiandraikitra mpitety faritany, dia nangataka ny hatao batisa i Humphrey. “Koa satria noheverina ho tsy ara-dalàna ny asanay, dia niandry mandra-pahamaizin’ny andro izahay”, hoy ny tsaroan’i Miller. “Nandeha hatrany amin’ny tokony ho 30 metatra tao anatin’ny Ranomasina Pasifika izahay mirahalahy, ary dia naroboka izy, tsy hitan’ny olona teo an-toerana.”
Talohan’ny 1995, dia norarana ny asa fitoriana isan-trano tao Nauru. Mbola tsy avela handray anjara amin’ny fanompoana isan-trano ihany ny vahiny, fa ny fitondram-panjakana kosa izao dia mamela ireo tera-tanin’i Nauru hanana fahalalahana hitory, ka izany dia mahatonga an’ireo Vavolombelona vitsy any hiresaka an-karihary momba ny Baiboly.
Hatreo amin’ny nahafatesany tamin’ny 1995, ny Rahalahy Tatum dia loholona tao amin’ny kongregasiona kelin’i Nauru. Mpandika teny ho amin’ny tenin’i Nauru koa izy, ka nandika taratasy mivalona sy fanasana ho amin’ny Fahatsiarovana ho an’ireo Vavolombelona namany. Na dia vitsy aza ny Vavolombelon’i Jehovah ao Ohab. 3:1, 2, 13-18.
Nauru, dia miezaka mafy hisarika ny sain’ny mpiara-belona aminy ho amin’ny hasarobidin’ny harena ara-panahy, dia ilay karazany mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay, izy ireo. —Ireo nosin’i Pasifika dia malaza ho paradisa an-tany, nefa ao ambadik’izany sary mahafinaritra ny saina izany, dia ahitana ilay zava-misy mangidy, dia ny hoe miady mafy mba hivelomana ny Mikroneziana maro. Ny fomba fiaina tsotra nananany taloha dia nosimban’ireo loza nentin’ny sivilizasiona — ny televiziona, ny heloka bevava, ny zava-mahadomelina ary ny areti-mifindra, raha ireo ihany aza no hotononina. Mihamitombo ireo olona mahatakatra fa ny hafatra momba ilay Fanjakana torin’ny Vavolombelon’i Jehovah no hany fanafodin’ireo zava-manahirana azy mihamaro.
Ny sampan’i Guam, izay mitarika ny ezaka fitoriana atỳ Mikronezia, dia miandraikitra ny asan’ny mpitory vitsy kokoa noho ny ankamaroan’ireo sampana 103 hafan’ny Fikambanana, nefa ny faritaniny no iray amin’ireo lehibe indrindra eto ambonin’ny tany. Na dia sarahin’ny ranomasim-be aza ireo rahalahintsika sy anabavintsika atỳ amin’ireto nosy lavitra ireto, dia mbola mahatsiaro ho akaiky ny fandaminan’i Jehovah ihany izy ireo. Ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly azony tsy tapaka amin’ny fiteniny, sy ny fivoriambe atao ara-potoana, ary ny fitsidihana ara-panahy ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany tsy tapaka, dia mahatonga azy ireo
hahatsapa fa anisan’ny firahalahiana iraisam-pirenena iray ny tenany.Ireo misionera manompo any amin’ny fanendrena mitokana toy izany koa dia mahazo fampahatsiahivana ny amin’ny fitiavana misy eo amin’ny vahoakan’i Jehovah. Isan-taona, dia misy fandaharana atao mba hankanesan’izy ireo atỳ Guam, mba hanatrika fivoriamben’ny distrika iray, izay ampiarahina amin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny zone matetika. Indray mandeha dia nanazava ny maha-zava-dehibe an’io dia hankatỳ Guam isan-taona io i Rodney Ajimine, misionera nandritra ny 20 taona mahery, no sady mpiandraikitra mpitety faritany tatỳ Mikronezia. “Mampifanakaiky ny misionera rehetra ao amin’ireo nosy samy hafa izy io”, hoy izy, “no sady manampy anay rehetra hiaritra.”
Misy fandaharana hafa koa izay manampy an’ireo rahalahintsika atỳ amin’ireto nosy miparitaka ireto. Teo ambany fitarihan’ny Fitambara-mpitantana, dia naorina tato amin’ny sampan’i Guam ny Sampan-draharahan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly tamin’ny 1993, ka nandamina, nanomboka tamin’izay, Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ho an’ny tsirairay amin’ireo fitambara-nosy atỳ Mikronezia. Isan-taona, dia misy Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana tarihina ho an’ireo izay ao amin’ny fanompoana manontolo andro, ary misy Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana atao ara-potoana mba hampiofanana ireo mpiandraikitra ny kongregasiona. Afa-tsy izany koa, tamin’ny 1994, ny sampan’i Guam dia nanangana Sampan-draharahan’ny Fanorenana mba handrindra ny fanaovana drafitra sy ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy tranon’ny misionera vaovao atỳ Mikronezia.
Nanampy ny mponin’ireo nosy maro hahafantatra sy ho tia an’i Jehovah ireo ezaka tsy nitsahatra nataon’ireo misionera sy mpitory nandritra ireo efapolo taona farany. Ankehitriny, ny sasany amin’ireny mponin’ireo nosy ireny dia mitari-dalana ao amin’ireo kongregasiona eo an-toerana ary miezaka mafy mba hanambara ny fikasan’Andriamanitra hahatonga ny tany manontolo ho paradisa.
Mbola misy asa be dia be tsy maintsy atao atỳ Mikronezia, nefa noho ny fiarovana sy ny fitarihana feno fitiavana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah, dia tanteraka ny faminaniana ao amin’ny Isaia 51:5 manao hoe: “Izaho [Jehovah] no hantenain’ny nosy, ary ny sandriko no handrasany.”
[Sarintany, pejy 210]
(Jereo ny boky)
JAPON
MIKRONEZIA
SAIPAN
ROTA
GUAM
YAP
BELAU
POHNPEI
CHUUK
KOSRAE
NAURU
NOSY MARSHALL
KIRIBATI
HAWAII
[Sary, pejy 208]
[Sary, pejy 213]
Sam sy Virginia Wiger, eo anoloan’ny Efitrano Fanjakana voalohan’i Guam
[Sary, pejy 215]
Ambony: Merle sy Fern Lowmaster, misionera
Nathaniel Miller, (miaraka amin’i Allene, vadiny, efa nody mandry), mpandrindra ao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Guam voalohany
[Sary, pejy 216]
Biraon’ny sampan’i Guam, miaraka amin’ny Komitin’ny Sampana (avy eo ankavia miankavanana: Julian Aki, Salvador Soriano, Arthur White)
[Sary, pejy 218]
Misionera tafangona mba hiara-mivory tamin’ny mpiandraikitra ny zone tamin’ny 1994
[Sary, pejy 223]
1, 2. Efitrano Fanjakana sady tranon’ny misionera any Kiribati, voaorina noho ny fiaraha-miasa niraisam-pirenena
3. Nariki Kautu sy Teniti, vadiny
4. Fitarihana fampianarana Baiboly any Kiribati
[Sary, pejy 227]
Mpitory eo amin’ny Efitrano Fanjakanan’i Ebeye
[Sary, pejy 228]
Augustine Castro, loholona be zotom-po any an-toerana
[Sary, pejy 229]
Robert sy Sharon Livingstone
[Sary, pejy 234]
Fandraisana mafana an’ireo misionera vaovao
[Sary, pejy 236]
Rehefa mitory amin’ny botry, dia mivonòna ho lena
[Sary, pejy 237]
Efitrano Fanjakana, fa tsy fandrahoan-tsakafo intsony, hanaovana fivoriana
[Sary, pejy 237]
Carl sy Rihka Dannis, Vavolombelona avy tany an-toerana voalohany tany Pohnpei
[Sary, pejy 238]
Neal Maki, misionera, sady mpandika teny
[Sary, pejy 241]
Obasang Mad, mpisava lalana hatramin’ny ela, vonona ho amin’ny fanompoana
Ankavia: Mpitory eny amin’ny saha fanompoana, mandeha kamiaonety
[Sary, pejy 243]
Fitoriana any Yap
Ankavanana: Merle Lowmaster miaraka amin’ny volan’i Yap eo amin’ilay ‘bankin’ny’ tanàna
[Sary, pejy 246]
Mitaky fahaiza-mifahatra tsara ny fiampitana tetezana any Kosrae
[Sary, pejy 246]
Fredy Edwin, ankavia, miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany ary ny zafikeliny
[Sary, pejy 251]
Vavolombelona izay miatrika ilay zava-tsarotra any Rota