Taratasy Iray avy Amin’ny Fitambara-mpitantana
Taratasy Iray avy Amin’ny Fitambara-mpitantana
REHEFA “niverina tamin’ny fifaliana” ireo 70 lahy, ka nanao tatitra tamin’i Jesosy momba ny fahombiazan’ny ezaka fitoriana manokana nataon’izy ireo, dia “ravoravo tamin’ny Fanahy Masina” i Jesosy. Nisaotra an’i Jehovah izy, ka nanao hoe: “Midera Anao Aho, Raiko ô, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika”. — Lioka 10:17, 21.
Sahala amin’i Jesosy, moa ve isika tsy ravoravo noho ilay tatitra momba ny taona 1996? Isika koa dia sahala amin’ny zaza madinika nokolokoloin’ny fanahin’i Jehovah, fa ny hendry sy ny manan-tsaina eto amin’itỳ tontolo itỳ kosa dia tsy afaka mifampitaha na dia kely akory aza amin’izay notontosain’i Jehovah amin’ny alalan’ny vahoakany. Nandritra iny taom-panompoana lasa iny, dia nikely aina isika mba ho “mpankatò ny teny”. (Jak. 1:22). Ho vokany, dia ‘namoha ny varavaran’ny lanitra’ i Jehovah, ka nanampy fitahiana tondraka. — Mal. 3:10.
Ny antony hafa koa niteraka io fitahiana io dia noho isika ‘nitafy fitiavana, ilay fehy fampiraisana tonga lafatra’. (Kol. 3:14, NW ). Izany dia hita taratra teo amin’ny firaisan-tsaina niavaka teo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Sahala amin’ilay andian-jana-balala ao amin’ny faminanian’i Joela, ny tafika maherin’ny Vavolombelon’i Jehovah, izay miisa 5 413 769 ankehitriny, dia manohy mameno ny tany amin’ny fitoriany. — Joela 1:1-4, NW; 2:7, 9-11.
Eny, ny taona 1996 dia nijinjana vokatr’ilay Fanjakana tena mahavariana — ora mihoatra be ny arivo tapitrisa teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha, tampon’isa vaovaon’ny rahalahy sy anabavy vaovao vita batisa 366 579, ary gazety 543 667 923 voaely, izay isa tena mahavariana. Kanefa, ireo isa ireo dia taratra ihany ny amin’izay ao am-po sy eo amin’ny fiainan’ireo olona an-tapitrisany maro mirohotra ho amin’ny fandaminan’i Jehovah maneran-tany. (Isaia 2:2-4; 60:8-11). Mbola tsy nahita fampiharana lehibe kokoa noho izao mihitsy ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Indro, lazaiko aminareo: Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.” — Jaona 4:35.
Eo amin’ny fijinjana io vokatr’ilay Fanjakana io amin’izao andro izao, i Jesosy Tompo dia liana amin’ny fanangonana olona madio izay hanaraka ny modely omen’ireo rahalahiny voahosotra eo amin’ny fikatsahana ny tena fahamasinana eto an-tany. (Isaia 35:8-10; Rom. 6:19, 22, 23). Ny olona rehetra toy izany dia tsy vitan’ny hoe manolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, fa mamboly koa ny “vokatry ny fanahy”, ka mitafy “ny toetra vaovao”. ‘Manasa sy mamotsy ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy ireo. — Gal. 5:22, 23; Efes. 4:23, 24; Apok. 7:9, 14; 14:15, 16.
Araka izany, eo amin’ny fijinjana ny vokatr’ilay Fanjakana, i Jesosy dia liana, tsy amin’ny habetsahan-javatra — ny isan’ireo angonina — ihany, fa amin’ny hatsaran-javatra koa. Mitady mpanompo tsy mivadika izy, dia mpanompo izay hanaraka ireo fari-pitsipik’i Jehovah momba ny fahitsiany, ary hanao ireo tombontsoan’ilay Fanjakana ho loha laharana eo amin’ny fiainany. Moa ve ny fandinihan’ny tenanao ny fanompoanao eny amin’ny saha sy ny fanatrehanao fivoriana mampiseho fa mitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao ny tombontsoan’ilay Fanjakana? Nanantitrantitra izany tao amin’ny vavaka tamin’i Jehovah toy izao i Davida: “Ny olona tsy mivadika no hanaovanao zavatra amim-panehoana tsy fivadihana”. — Sal. 18:25, NW; Matio 6:31-33.
Nataon’i Jesosy mazava tsara fa “èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy”. (Matio 7:13, 14). Tsy maintsy manaraka izany fampitandremana izany isika! Raha maniry hanana ny toetra ilaina ho amin’ny fiainana mandrakizay isika, dia tsy maintsy mampihatra ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, amin’ny fontsika manontolo. (Jaona 17:3). Ho tafiditra amin’izany ny fitandremantsika akaiky ny andinin-teny ho an’ny taona 1997, izay amakiantsika hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho”. (Sal. 143:10). Eny, tsy tapaka, isan’andro sy isan-kerinandro, dia tsy maintsy manararaotra ireo fandaharana sy fitaovana rehetra nomen’i Jehovah mba hampianarana antsika, isika. Natao mba hiarovana antsika izy ireny. — Isaia 50:4, 5; 54:13, 14.
Mihamilentika hatrany ao amin’ny fotaka mandrevon’ny fahalotoana, sy ny tsy fankatoavan-dalàna sy ny herisetra aterak’ireo demonia, ary koa ny fankahalana fahefana sy ny fifankahalana, ny tontolon’i Satana. Miezaka misintona ny olombelona rehetra hiara-milentika aminy izy io. Eo no misy loza lehibe ho an’ny vahoakan’Andriamanitra. Ny fialam-bolin’izao tontolo izao dia feno zava-betaveta, fahalotoam-pitondran-tena, “feon-kira” midradradradra mafy ary tonon-kira manimba toetra. Tsy maintsy manalavitra io fampielezan-kevitr’i Satana io isika, ary koa ireo “fitenenana ara-tsindrimandry maloto (...) avy amin’ireo demonia”, izay hitarika, tsy ny mpanapaka ihany, fa ny hafa rehetra izay manao ny tenany ho “naman’izao tontolo izao” koa, ho any amin’ny fandringanana ao Haramagedona. — Apok. 16:13-16, NW; Jaona 15:19; 17:14, 16; 18:36.
Eny, ireo fialam-bolin’izao tontolo izao — ireo olona ifaneraserana ao aminy, ny faneren’izy ireo, ny eboebony, ny filany manantitrantitra ny zavatra ara-nofo — dia samy horinganina avokoa amin’ny hoavy tsy ho ela. (1 Kor. 15:33, NW; 1 Tim. 6:9, 10). Hoy ny nambaran’ny apostoly Jaona, efa be taona, tamim-pahendrena: “Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.” — 1 Jaona 2:15-17.
Toy ny ifaliantsika noho isika nanjary “mpankatò ny teny” nandritra ny 1996, dia enga anie ny vavaka sy ny zavatra ataontsika hifanaraka amin’ny andinin-teny ho an’ny taona 1997, manao hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho”. — Sal. 143:10.
Mandefa ny fitiavana kristiana mafana avy atỳ aminay ho an’ireo mpiara-miasa aminay maneran-tany izahay.
Ireo rahalahinareo,
Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah