Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Asan’ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Andro Ankehitriny

Japon

I Japon no iray amin’ireo firenena be mponina indrindra eto ambonin’ny tany. Fantatra noho ny fahalalam-pomba mahafinaritry ny vahoakany izy io. Fantatra ho firenena matanjaka eo amin’ny indostria koa izy io. Ary eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia malaza ho manana ny tahan’isan’ny mpisava lalana ambony indrindra izy io. Fantaro hoe nahoana, amin’ny famakianao itỳ tatitra mahaliana itỳ.

Martinika

Nisy vokany lalina teo amin’ny tantaran’i Martinika ny fanandevozana. Hatramin’ny 50 taona lasa izay anefa, dia nisy hafatra momba ny fanafahana nambara tany, tamin-kery nihanitombo hatrany. Rehefa mamaky itỳ fitantarana itỳ ianao, dia hahafantatra ny vahoakan’i Martinika — ny fisainany sy ny fombafombany ary ny fomba fiainany. Fantaro ny fiantraikan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly teo amin’ireo zavatra telo ireo.

Paragoay

Efa hatramin’ny am-polony taona maro, ny fitoriana tany Paragoay dia niatrika ny fitaomana maherin’ny klerjy katolika. Mihamiova io tarehin-javatra io. Tsy fivavaham-panjakana intsony ny Fivavahana Katolika. Tsy ny teny espaniola foana akory no itenenana any. Ny ankamaroan’ny olona dia miteny amin’ny fiteny guarani. Misy hafa miteny amin’ny fitenin’i Eoropa na ny an’i Azia. Ahoana no nahatongavan’ny vaovao tsara tany amin’izy ireny?