Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Japon

Japon

Japon

ASA mafy tsy an-kijanona sy fiombonan-java-kendrena no anisan’ireo toetra tsara izay nampisandratra an’i Japon avy tamin’ny fandravan’ny Ady Lehibe Faharoa ho amin’ny laharan’ny firenena matanjaka eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Amin’izao andro izao, io tany misy mponina 125 tapitrisa io dia malaza noho ireo anaran’ny fakantsariny sy ny fiarakodiany ary ny fitaovany elektrika, ary koa noho ireo vonin-tseriziny sy azaleany ary ny Tendrombohitra Fuji rakotra ranomandry, izay mahatratra haavo 3 776 metatra.

Kanefa, ny fandrosoana teokratika nanaraka ny ady no vao mainka nanaitra. Tamin’ny 1951, ny fivoriambe iray tatỳ Tokyo dia natrehin’ny misionera 40 teo ho eo, izay nahazo diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, sy ny mpitory japoney tokony ho 200. I N. H. Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, dia nilaza fa tsy andriny ny fotoana haha-maro aoka izany ny isan’ny mpitory japoney, hany ka ho sarotra ny hahita ireo misionera eo anivon’izy ireo. Tsy ela dia tonga izany andro izany! Koa satria i Jesosy Kristy no fototr’ilay asa, tao anatin’ny folo taona ireo misionera, izay mpiara-miasa tamin’Andriamanitra, dia nahangona ireo mpitory japoney 1 000 voalohany. Tamin’ny 1992 anefa, dia mpitory vaovao 1 000, tamin’ny antsalany, no nanampy isam-bolana. (Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 3:9-11.) Ny tontalin’isan’ny minisitry ny Fanjakan’Andriamanitra teto amin’ireo nosy mahaforona an’i Japon dia nahatratra ny tampon’isa 220 663, ary nisy tampon’isa vaovao tratra isam-bolana nandritra ny 18 taona mahery. Ny zava-nitranga dia anisan’ny fahatanterahana mampientan’ny Isaia 60:8, 9, manao hoe: “Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ny varavarankeliny? Fa Izaho no andrasan’ny nosy”.

Ny Diary 1973 dia nitantara ny sasany tamin’io tantaran’i Japon tany am-boalohany io hatramin’ny taona 1972, fony tokony ho 14 000 ny isan’ny mpitory, ka anisan’izany ireo 3 000 mahery tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana izay nihaniitatra haingana. Averina eto indray iny tantara iny ary ampiana 25 taona.

Ireo voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana tany am-boalohany

Teto amin’itỳ tany bodista sy shintoista hatramin’ny fahagolan-tany itỳ, ahoana no namafazana ireo voa izay nijinjana vokatra ara-panahy tondraka toy izany? Tamin’ny 1911, i C. T. Russell, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, dia nanao dia fanombantombanana teto Japon. Nitatitra izy fa ireo misioneran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana dia kivy ratsy ary ny olona tamin’ny ankapobeny dia tsy liana firy tamin’ny fivavahana. Tsapany anefa fa ny zavatra nilain’ny olona dia ny “Filazantsaran’ilay Fanjakana”. Notendrena ho solontenan’ny Fikambanana tatỳ Atsinanana i R. R. Hollister, izay Amerikana. Nisy taratasy mivalona sy boky nadika, toy ny Le divin plan des âges, ary an-tapitrisany maro tamin’ireo no nozaraina, ka mpiasa teto an-toerana no nokaramaina mba hanao ilay asa, tamin’ny voalohany. Tamin’ny 1926, i Junzo Akashi, izay Amerikana nanam-piaviana japoney, dia nirahina hankatỳ Japon mba ho solontenan’ny Fikambanana. Nisy biraon’ny sampana naorina tao Kobe tany am-piandohan’ny 1927, ary nafindra tatỳ Tokyo izy io tatỳ aoriana kokoa tamin’io taona io ihany. Tamin’ny 1938, dia efa nitombo ho 110 ny isan’ny colporteurs nizara gazety sy boky. Nampirisihana anefa ny fanindrahindram-pirenena ara-pivavahana nirehitra fatratra nanerana ilay tany, ka izany dia nitarika nivantana ho amin’ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin’ny 21 Jona 1939, dia mpikambana 130 tao amin’ny Todaisha (midika hoe “Fikambanan’ny Tilikambo Fanilon-tsambo”, araka ny niantsoana ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto an-toerana tamin’izay) no nosamborina indray niaraka sy natao an-tranomaizina. Izany dia namarana ny asa voalamina nandritra ireo taona naharetan’ny ady.

Mampalahelo fa nivadi-pinoana teo ambanin’ilay fanerena ilay mpiandraikitra ny sampana. Sasantsasany ihany no naningana, toy ny fianakaviana Ishii sy Miura, fa ny ankamaroan’ny Todaisha dia nanaraka azy, ka niala tamin’ny fanompoana an’i Jehovah. Ny fanarahan’izy ireo olona, izany hoe i Junzo Akashi, koa no azo lazaina fa nahatonga ny fahalavoan’io antokon’olona io. Nanaraka ny fombafomba nentin-drazana japoney ny amin’ny fananana vady maro izy, na dia efa nanambady aza. Ny vadiny dia nanohy nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny 40 taona mahery tany New York, ary ny sasany ao amin’ny kongregasiona West Manhattan dia mbola mahatadidy amim-pitiavana ny Anabavy Ogawachi ihany. Rehefa tonga teto Japon ireo misioneran’i Gileada taorian’ny ady, dia nahita mpikambana maro tao amin’ny Todaisha tao Osaka. Nitaky vola izy ireo ho an’ny fanaovana batisa, ary ny mbola ratsy kokoa aza, dia nanaraka ny fomba fiaina tena naloto ara-pitondran-tenan’i Akashi izy ireo. Tsy nety namela io fomba fiaina io izy ireo; koa mba hitandroana ny fahadiovan’ny kongregasiona àry, dia tsy maintsy noroahina ny 30 tamin’izy ireo.

Ireo izay tsy nivadika

Nifanohitra tamin’izany kosa, dia raiso ny ohatr’i Jizo sy i Matsue Ishii, izay anisan’ny colporteurs japoney voalohany. Nitory nanerana ilay tany izy ireo teo anelanelan’ny 1929 sy ny 1939. Tamin’ny Jona 1939, dia nosamborina izy ireo ka nampidirina an-tranomaizina tao Sendai. Mbola tadidiny ny taona voalohany fony izy natokana tao amin’ny cellule kely sy naloto ary feno parasy. Tsy navela hisasa na handro izy, ary dia lanin’ny kongona ny vatany. Tsy nilanja afa-tsy 30 kilao sisa izy, ka kaozatra kely, ary saika maty. Rehefa nalefa tany amin’ny tranomaizina iray hafa izy, dia nihasalama kokoa, ary nafahana tany amin’ny faramparan’ny 1944. Nitovy tamin’izany ny nahazo ny vadiny, ary tatỳ aoriana dia nampiseho ny tsy fivadihany koa izy io rehefa tsy nanaiky hampidiran-dra. (Asan’ny Apostoly 21:25). Maty teo amin’ny faha-71 taonany i Jizo. I Matsue kosa dia mbola Vavolombelona mahatoky hatramin’izao. Hoy izy: “Ny ankamaroan’ireo olona talohan’ny ady izay niavaka noho ny fahaizany sy ny fahalalany dia niala tamin’ny fandaminan’Andriamanitra, rehefa niharan’ny fanerena mafy. (...) Ireo izay tsy nivadika kosa dia ireo tsy nanana fahaizana manokana ary tsy nisehoseho. Tena tsy maintsy mitoky amin’i Jehovah amin’ny fontsika manontolo daholo isika rehetra.” — Ohab. 3:5.

Ny mpivady nahatoky iray hafa dia i Katsuo sy i Hagino Miura, izay nirotsaka hanao ny fanompoan’ny colporteur tamin’ny 1931. Nosamborina koa izy ireo tamin’ny 1939, tao Hiroshima. Tsy nety nivavaka tamin’ny emperora na nanohana ny ezaka an’ady nataon’i Japon izy ireo. Nokapohina mafy i Katsuo, ary nijaly izy tany am-pigadrana mandra-pandringan’ny baomba ataomika iray ilay tranomaizina tamin’ny Aogositra 1945. Na dia 38 taona monja aza izy, dia simba tanteraka ny fahasalamany. Tamin’ny fotoana nanafahana azy, dia toy ny anti-dahy ny fahitana azy. Niverina tany Ishinomori, any avaratra, izy. Tao i Hagino, izay nafahana taloha kelin’io, no nitaiza an’i Tsutomu, zanakalahin’izy ireo.

Ahoana no nahitan’i Katsuo indray ny fandaminan’i Jehovah? Ny Asahi, ny gazety lehibe indrindran’i Japon, dia nahare fa nisy zazavavy dimy, misioneran’ny Watch Tower, tonga tao Osaka, mba hiaina ny fomba fiaina japoney tao amin’ny trano japoney iray. Nisy mpanao gazety nandeha nitsidika azy ireo sy nanomana lahatsoratra iray faran’izay tsara, izay narahina sary ary nampitaha an’ireo anabavy dimy tamin’ny anjely nanidina avy tany an-danitra toy ny vonin-tserizy. Nanome ny adiresin’ilay tranon’ny misionera koa ilay lahatsoratra. An-jatony kilaometatra maro tany avaratr’io, i Katsuo no sendra nahita io lahatsoratra io. Avy hatrany dia nifandray indray tamin’ny fandaminana izy ary nirotsaka ho mpisava lalana. Nanompo tamim-pahatokiana hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1957 izy.

Ny anabavy iray mbola manompo hatramin’izao ao Kobe dia i Miyo Idei, izay 92 taona ankehitriny. Niaritra zava-tsarotra maro izy nandritra ireo 65 taona naha-tao amin’ny fahamarinana azy. Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1991 ny tantaram-piainany mampientana.

“Ireo faha-49”

Nihamora kokoa ny fitoriana taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Tamin’ny 1947 anefa, i Junzo Akashi dia nampahafantatra ny biraon’ny Fikambanana Watch Tower any Brooklyn, any New York, fa tsy nanaiky ireo fampianaran’ny Baiboly intsony ny tenany. Nandefa taratasy tany Hawaii avy hatrany ny Rahalahy Knorr mba hangataka rahalahy sy anabavy hawaiiens nanam-piaviana japoney mba handeha hanaraka fiofanan’ny misionera tao amin’ny kilasin’ny Sekolin’i Gileada faha-11. Niangavy toy izao ny mpiandraikitra ny sampan’i Hawaii, izay sekreteran’i J. F. Rutherford tany am-piandohan’ireo taona 1920: “Ary ry Haslett angaha tsy mety, ry Rahalahy Knorr?” Koa nasaina koa àry i Don Haslett sy i Mabel vadiny, na dia efa nananika ny faha-50 taonany aza. Tany Gileada, dia nampianatra ny teny japoney tamin’ny mpianatra 20 mahery i Shinichi Tohara sy i Elsie Tanigawa.

Nandritra ny 1949, “ireo Hawaiiens” — i Don sy i Mabel Haslett, i Jerry sy i Yoshi Toma, i Shinichi sy i Masako Tohara ary ny zanak’izy ireo telo mianadahy, ary koa i Elsie Tanigawa — dia nanaiky ny fanendrena azy ho atỳ Tokyo, tanàna ravan’ny baomba. Tamin’io taona io ihany, izy ireo dia narahin’ireo Aostraliana, dia i Adrian Thompson, i Percy sy i Ilma Iszlaub, ary i Lloyd sy i Melba Barry, izay notendrena ho any Kobe, tanàna potiky ny ady. Ireo misionera voalohany tonga teto Japon ireo dia nanjary nantsoina hoe “ireo faha-49”. Tamin’izy ireo, dia enina no efa maty tany amin’ny nanendrena azy, “teo am-perinasa”, araka ny fiteny, ary ny valo hafa dia mbola manompo manontolo andro eto Japon sy any Brooklyn, any New York. Tamin’ny 1949, dia nisy mpitory valo avy teto an-toerana nanao tatitra koa ny amin’ny fotoana laniny teo amin’ny fanompoana momba ilay Fanjakana.

Fitomboana tatỳ Tokyo

Ireo Hawaiiens dia nanao fandrosoana niavaka tatỳ Tokyo. I Yoshi Toma dia mahatsiaro fa tamin’io taona taorian’ny ady io, dia niasa ny faritany “isan-davaka fialofana” izy ireo. Hoy izy: “Nahantra ny olona ary niady mafy mba ho tafavoaka avy tamin’ireo vokatry ny ady. Notsinjaraina ny sakafo, ary i Don Haslett dia niara-nilahatra tamin’ireo mpifanila trano taminy mba hahazoana laisoa iray.” Nahafinaritra sady tsara fanahy anefa ireo tompon-trano, ka nihaino tamim-paharetana an’ireo misionera niezaka mafy nitory tamin’ny teny japoney. Tsy maintsy nianatra ny hiala kiraro rehefa hiditra ny trano ireo misionera. Avy eo dia niditra tao amin’ilay efitra teo anilany. Iva anefa ny valin-drihana, hany ka naratra imbetsaka i Don Haslett, izay lava be, isaky ny voadona ny lohany. Rehefa afaka herintaona na roa taona, “ireo Hawaiiens” dia nametraka fototra mafy tatỳ Tokyo, izay manana kongregasiona 139 ankehitriny.

Tamin’ireo “faha-49”, i Don sy i Mabel Haslett, izay Vavolombelona voahosotra, dia namela ohatra faran’izay tsara teo amin’ny asa teny amin’ny saha, na dia efa nandroso taona aza. Rehefa maty i Don tamin’ny 1966, ireo rahalahy enina izay nibata ny vatam-patiny hiditra ny Efitrano Fanjakana ho amin’ny lahatenim-pandevenana, dia samy zatovolahy nampianariny ny fahamarinana daholo, ary nanompo teo anivon’ny fianakavian’ny Betelan’i Japon nisy mpikambana 19, tatỳ Tokyo, tamin’izany fotoana izany.

Mbola velona valo taona taorian’ny nahafatesan’i Don i Mabel. Efa 70 taona mahery izy raha voan’ny kanseran’ny tsinaibe. Feno fiheverana ny hopitaly lehibe irain’i Tokyo, ao Toranomon, ka nanaiky ny handidy azy tsy nisy ra, nefa tsy maintsy niditra hopitaly tapa-bolana nialoha aloha izy. Tamin’ny andro nidirany tao, dia tonga nitsidika azy ny dokotera tanora iray, ta hahalala hoe nahoana izy no tsy nanaiky ra. Izany dia nitarika ho amin’ny resaka ara-baiboly nahafinaritra izay nitohy isan’andro mandra-pahatongan’ny fandidiana. Noho ilay fandidiana sarotra, dia dokotera efatra no nandray anjara tamin’ilay izy. Rehefa nahatsiaro tena i Mabel, dia nihiaka hoe: “Ozony any iny Adama iny!” Tena nety izany raha teny! Iray andro monja i Mabel no tao amin’ny fikarakarana marary mafy, fa ny marary efatra hafa nodidiana toa azy koa tamin’io andro io ihany, saingy nampidirana ra, dia nijanona andro maromaro tao. Ary ahoana ny amin’ilay dokotera tanora? Tatỳ aoriana, dia hoy izy tamin’i Mabel: ‘Tsy fantatrao tamin’izay fa dokotera dimy no tao anatin’iny efitra fandidiana iny. Nankao koa aho mantsy, mba hahazoana antoka tsara fa tsy hanome ra anao ry zareo.’ Nanohy ny fianarany ny Baiboly ny Dr. Tominaga tany Yokohama. Ankehitriny izy sy ny rainy, izay dokotera, ary ny vadin’izy mianaka avy dia mpikambana marisika ao amin’ny kongregasiona. Izany ka vokatra mahafinaritra nateraky ny fijanonana tany amin’ny hopitaly!

Nanohy ny fanompoan’ny misionera tao amin’ny tranon’ny misioneran’i Tokyo Mita i Mabel. Fony izy 78 taona, dia niverina ilay kansera, ary voatana teo am-pandriana izy. Kanefa, rehefa nody ireo misionera indray takariva, ka nitantara ireo fanandraman-javatra nahafinaritra hitany tamin’ny fizarana Vaovao Momba Ilay Fanjakana, dia nanizingizina i Mabel ny mba hampiankanjoan’izy ireo azy sy hitondran’izy ireo azy handeha hizara Vaovao Momba Ilay Fanjakana. Nanana hery hitsidihana olona telo monja teo akaiky izy, dia ireo olona telo voalohany nitoriany fony izy tonga teto Japon. Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana dia namita ny fihazakazahany teto an-tany izy, ka nifindra nankany amin’ny fanendrena azy any an-danitra. — Ampitahao amin’ny Lioka 22:28, 29.

Fizotran-javatra tao Kobe

Tany Kobe koa, tsy ela dia hita ny fitomboana. Natao teo amin’ny tokotany malalaky ny tranon’ny misioneran’i Kobe ny fivoriambe tena teokratika voalohany teto Japon, nanomboka tamin’ny 30 Desambra 1949 ka hatramin’ny 1 Janoary 1950. Nitombo be ka nahatratra 101 ny isan’ny mpanatrika tamin’ny Fivoriana Ampahibemaso ny alahady, izay natao tao amin’ny efitra malalaky ny Sekolin’i Tarumi tao Kobe. Telo no natao batisa tao amin’ny trano lehibe fandroam-bahoakan’i Tarumi.

Nanao fandrosoana nahavariana tamin’ny teny japoney i Adrian Thompson, iray tamin’ireo misioneran’i Kobe, hany ka tamin’ny 1951 dia notendrena ho ny mpiandraikitra ny fizaran-tany voalohany teto Japon izy. Tatỳ aoriana dia tonga ny mpiandraikitra ny distrika voalohany izy. Nanampy be izy mba hanorenana fototra mafy ho an’ny fitomboana ho avy. Zanaky ny anabavy mpisava lalana nahatoky hatramin’ny ela tany Nouvelle-Zélande izy, nefa nitady laza teo amin’ny lalao rigby ka tonga kalazalahy tamin’izy io. Rehefa nipoaka anefa ny Ady Lehibe Faharoa, dia nihataka tamin’ny laza amam-boninahitry ny fanatanjahan-tena izy, ka tonga Vavolombelona vita batisa, ary avy eo dia nirotsaka hanao ny fanompoana manontolo andro tany Aostralia. Na dia maty tamin’ny 1977 aza i “Tommy”, dia mbola tsaroana foana noho ny heriny tsy mety ritra sy ny ‘fanizingizinany ny amin’ny fifikirana tsy mizarazara’ amin’i Jehovah. — Nom. 25:11, NW.

Nila fotoana ireo misionera vao zatra tamin’ny trano sy ny kolontsaina ary ny fiteny japoney. Ny nahaliana azy ireo voalohany indrindra anefa dia ny hizara ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tamin’ny hafa. Hoy ny tsaroan’i “Tiger” (Percy) Iszlaub, rahalahy iray sariaka be avy tany Queensland, any Aostralia: “Nitarika fampianarana Baiboly maro be izahay. Nisy 36 ny ahy, ary toraka izany koa ny an’i Ilma sy ny hafa rehetra. Tonga tany amin’ny tranon’ny misionera mba hianatra ireo mpianatra, ka ny sasany dia isan’andro. Nisy fampianarana Baiboly notarihina tao amin’ny efitra tsirairay tao amin’ilay trano, ka telo na mahery isan’alina. Namelatra ny boky fianarana tamin’ny teny anglisy sy japoney izahay. Mba hanampiana an’ireo mpianatra, dia nanisa ireo andalan-tsoratra hatreo amin’ilay valin-teny izahay. Nandeha niadana ilay izy, nefa nahavariana ny zavatra azon’izy ireo tamin’ny famakiana ireo andinin-teny sy tamin’ny fampitahana azy ireo tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra fotsiny. Ary dia ao amin’ny fahamarinana izy ireo ankehitriny!”

Tany am-boalohany ireo misionera dia tsy nanana zavatra vita an-tsoratra firy momba ilay Fanjakana, nentina nitory. Nisy baoritra iray nisy ny Boky Faharoa tamin’ny Lumière tamin’ny teny japoney, tonga tao Kobe talohan’ny ady, nefa nilaza ny olona hoe: ‘Aleoko mamaky ny Boky Voalohany aloha.’ Ny iray tamin’ireo Japoney voalohany tonga tao amin’ny fahamarinana tao Kobe anefa dia nanjary liana, noho ny famakiana ny Boky Faharoa, ka nitombo fahamatorana ary tatỳ aoriana dia tonga mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tsy ela dia nampiasaina ny fanazavana tao amin’ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”. Ny sasany tamin’ireo nianatra dia nandika ny toko sasany tao amin’ilay boky, izay natao kopia ary nampindramina an’ireo misionera mba hampiasainy tany amin’ny fampianarana Baiboly hafa. Nampisalasala anefa ny sasany tamin’ireny dikan-teny ireny. I Ilma Iszlaub, ohatra, dia taitra rehefa nahita fa tafiditra tao amin’ny fanamarihana ambany pejin’ny iray tamin’ireny dikan-teny ireny ny ‘filazana hevitra nomen-dRatoa Ilma Iszlaub’.

Folo taona teo ho eo tatỳ aoriana, tao amin’ny tanànan’i Fukuoka, dia nahita fanandraman-javatra tsy nisy ohatra izany i Percy. I Kimihiro Nakata, mpigadra nahery setra voaheloka ho faty, izay nokaramaina mba hamono lehilahy roa, dia nangataka fianarana Baiboly, ary i Percy no niara-nianatra taminy. Ho vokatr’izany, dia niala tanteraka tamin’ny ‘toetrany taloha’ i Kimihiro. Natao batisa tao an-tranomaizina izy, ary i Percy dia nilaza azy ho ny “iray tamin’ireo mpitory ilay Fanjakana be zotom-po indrindra fantatro”. (Efes. 4:22-24). Nianatra ny soratra Braille izy ary nandika ny boky “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” sy ny bokikely “Itỳ Vaovao Tsaran’ny Fanjakana Itỳ” ary lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tamin’ny soratra Braille. Nozaraina tany amin’ny faritra samihafa teto Japon, toy ny sekoly ho an’ny jamba, ireo zavatra vita an-tsoratra ireo. Kanefa vao maraina koa tamin’ny 10 Jona 1959, dia nisy fiaran’ny polisy tonga tao amin’ny tranon’ny misionera. Nangataka an’i Percy mba hanatrika ny famonoana azy ho faty tamin’io maraina io i Kimihiro. Nanaiky i Percy. Tao amin’ny tokotany nanaovana ilay famonoana, dia nifampiresaka vetivety izy mirahalahy, ary tamin’ny farany, dia niara-nihira hiran’ilay Fanjakana iray. Hoy i Kimihiro tamin’i Percy: “Fa nahoana i Percy no mangovitra? Izaho no tokony ho hendratrendratra, fa tsy ianao.” Talohan’ny nanantonana azy, dia hoy ny teniny farany: “Androany aho dia tena matoky mafy an’i Jehovah sy ny sorom-panavotana ary ny fanantenana ny fitsanganana amin’ny maty. Hatory vetivety aho, ary raha sitrapon’i Jehovah, dia hahita anareo rehetra indray ao amin’ny Paradisa.” Nandefa firarian-tsoa mafana ho an’ireo rahalahiny naneran-tany izy. Maty i Kimihiro mba hampiharana ny rariny, ho aina solon’ny aina — tsy mpanao heloka bevava tsy nanam-panantenana na maty eritreritra anefa izy tamin’izay, fa mpanompon’i Jehovah nanolo-tena sy vita batisa ary nahatoky. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 25:11.

Rehefa niady tamin’ny kansera nandritra ny folo taona teo ho eo i Ilma Iszlaub, dia maty tato amin’ny Trano Betela teto Ebina, eto Japon, tamin’ny 29 Janoary 1988. Taorian’izay, i Percy, izay mpikambana tao amin’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, dia nanatrika imbetsaka ny fivoriana fanaon’ny Fikambanana isan-taona ary nanao tatitra nahafinaritra vao haingana momba an’i Japon; avy eo dia maty koa izy tamin’ny 1996.

Na dia teo aza ny tsy fahaizany ilay fiteny, i Melba Barry dia nanomboka fampianarana Baiboly iray tamin’ny andro voalohany nanaovany fanompoana teny amin’ny saha tao Kobe, tany amin’ny faramparan’ny 1949. Mpitory vaovao roa no vokatr’izany fampianarana izany, ary ny iray tamin’izy ireo, i Miyo Takagi, dia nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny am-polony taona maro. Nilaza tamin’i Melba izy tatỳ aoriana fa nanohina ny fony ny nahita rahavavy misionera roa namakivaky saha feno fotaka mba hitsidika azy. Ankehitriny, 48 taona atỳ aoriana, dia seza misy kodiarana no mitondra an’i Miyo isan-trano, eo am-panohizany manao ny fanompoany. Tao anatin’ny telo taona latsaka, talohan’ny nanendrena azy indray hanao ny fanompoan’ny misionera tatỳ Tokyo, dia nanampy olona fito teo ho eo hanaiky ny fahamarinana i Melba. Ireo koa dia naneho fiaretana nandritra ny taona maro, ary mahafaly fa tsy maty tamin’ilay horohoron-tany lehibe tao Kobe tamin’ny 1995 izy ireo.

Misionera hafa koa ho eny amin’ny saha

Teo am-piandohan’ny 1950, ny anabavy dimy avy tamin’ny kilasin’i Gileada faha-11, izay tsy nahazo visa hidirana tany Nouvelle-Calédonie, dia notendrena indray ho ao Kobe, eto Japon. Anisan’izy ireo i Lois Dyer, izay mpisava lalana efa hatramin’ny 67 taona ankehitriny, sy i Molly Heron. Niara-nitory izy ireo nandritra ireo 49 taona farany, ary manompo ao amin’ny tranon’ny misioneran’i Mita, atỳ Tokyo. Hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1980 ny tantaram-piainan’i Lois.

Hoy ny tsaroan’i Molly Heron: “Nalalaka ilay trano tao Kobe, ary nankalaza ny Fahatsiarovana izahay, enim-bolana taorian’ny nahatongavan’ireo misionera voalohany. Olona tokony ho 180 no tonga, ka nameno ny efitrano fisakafoana sy ny lalantsara, ary ny sasany aza nihaino an’ilay lahateny nadika, avy teny am-baravarankely.” Nisy fampandrenesana natao tamin’io fivoriana io, momba ny fanompoana teny amin’ny saha, ka olona 35 teo ho eo no tonga ny ampitson’iny (alahady). Hoy ny tatitra nataon’ny Rahalahy Barry: “Voatery nitondra telo na efatra tamin’ireny olona vao liana ireny teny am-baravarana ny misionera tsirairay, ary noho ireo misionera mbola tsy dia nahay ilay fiteny, dia nitodika tany amin’ireo namany japoney ireo tompon-trano, ka nifampiresaka taminy. Izay nolazain’ireny olona vao liana ireny tamin’ireo tompon-trano dia tsy fantatray mihitsy hatramin’izao.”

Tany amin’ny faramparan’ny Jona 1950, dia nipoaka tampoka ny Adin’i Korea. Mazava ho azy fa ireo misionera teto Japon dia naniry hahafantatra hoe nanao ahoana ireo misionera valo iray kilasy taminy notendrena ho any Korea. Tsy voatery niandry ny valiny ela izy ireo. Ny andro faharoa taorian’ny nipoahan’ilay ady, dia handeha lamasinina hody ny sasany tamin’ireo misioneran’i Kobe. Tonga tao amin’ny gara tamin’izay fotoana izay koa ny lamasinina iray nifanena taminy. Rehefa niainga ireo lamasinina roa, dia jereo ange e! Ireo misioneran’i Kobe dia nahita ireo misioneran’i Korea valo mianadahy nitsangana terỳ amin’ny ilany. Endrey izany fihaonan’izy ireo indray! Ireo avy tany Korea dia afaka nivoaka ilay tany tamin’ilay fiaramanidina farany nitondra sivily. Izao dia nitombo ho 18 ny isan’ireo misionera 10 tao amin’ilay trano tany Kobe. Nahazo fanambarana tena feno ny faritany tao amin’io tanàna io, izay sisan-javatra rava ny ankabeazany.

Tsy ela i Scott sy i Alice Counts dia nifindra nankatỳ amin’ilay trano tatỳ Tokyo, fa tamin’ny Oktobra kosa ireo misioneran’i Korea valo mianadahy dia nifindra nankany amin’ny trano vaovao iray vao nosokafana tao Nagoya daholo. Tamin’ireo avy tany Korea, dia i Don Steele sy i Earlene vadiny ihany no niverina tany amin’io tany io, rehefa namela izany ny toe-javatra.

Saha masaka hojinjaina

I Grace sy i Gladys Gregory no anisan’ireo izay nanokatra ilay trano tany Nagoya. Faritany masaka hojinjaina no hitan’izy ireo. Tamin’ny Aprily 1951, i Grace dia nahita an’i Isamu Sugiura, 18 taona, izay niasa ho an’ny mpivarotra piano iray. Hoy ny tsaroan’i Gladys: “Ny renin’i Isamu dia nitaiza azy tao amin’ny sekta shintoista, ary nilazana izy fa i Japon dia shinshu (tanin’Andriamanitra) ary ny kamikaze (rivotra avy amin’Andriamanitra) dia hiaro an’i Japon sy hanampy azy ireo handresy tamin’ilay ady. Nirodana anefa ny finoany an’ireo andriamanitra japoney, rehefa nilavo lefona i Japon, ka niharan’ilay fahasahiranana ara-bola mafy sy ilay tsy fahampian-tsakafo nateraky ny ady ny tenany. Maty noho ny tsy fahampian-tsakafo ny rainy tamin’ny taona nanaraka ny fifaranan’ny ady. Nanaiky ilay fanantenana ny amin’ny paradisa an-tany i Isamu, izay mbola tanora, ary natao batisa tamin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray tamin’ny Oktobra 1951.

Misionera tokony ho 50 no nanatrika azy iny, niaraka tamin’ny Japoney 250 teo ho eo. Nanohina lalina ny fon’i Isamu ny fahitana ireo misionera nifanerasera malalaka tamin’ireo Japoney, tsy nisy fanavakavahana, na dia vao enin-taona talohan’io aza izay no nifaranan’ny Ady Lehibe Faharoa. Rehefa avy nanompo tamin’ny fanahiny manontolo nandritra ny 45 taona, tany Gileada sy teo amin’ny asa fitetezana fizaran-tany sy distrika, ny Rahalahy Sugiura, dia mpikambana ato amin’ny Komitin’ny Sampana ato amin’ny Betela eto Ebina ankehitriny.

I Gladys Gregory dia mahatadidy ny nitsidihany vehivavy iray izay Bodista anarana taloha ary avy eo dia nankany amin’ireo fiangonan’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana; niala tamin’ireo koa anefa izy, noho ny fahadisoam-panantenana. Nanjary diso fanantenana tokoa izy rehefa tsy afaka nanome fanazavana tsara ireo pastora hoe iza Andriamanitra sy hoe nahoana izy ireo no tsy nampiasa ny anaran’Andriamanitra, na dia miseho efa ho im-7 000 ao amin’ny Baiboliny (ny Bungotai, dikan-teny tranainy) aza izy io. Tsy namaly ireo fanontaniany maro be ilay mpitondra fivavahana, fa nilaza taminy hoe: “Minoa fotsiny.” Nahazo Ny Tilikambo Fiambenana iray (nivoaka isam-bolana tamin’ny teny japoney nanomboka tamin’ny May 1951) izay napetrak’i Gladys tamin’ny mpifanila trano taminy, izy. Nanohina ny fony izay novakiny, ka nitady an’i Gladys izy. Momba io fanandraman-javatra io, dia hoy i Gladys tatỳ aoriana: “Rehefa nahita ny valin-teny nomen’ny Baiboly ho an’ireo fanontaniany izy, dia nanohina ny fony izany. Tonga tany amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona avy hatrany izy. Tany, dia nahare ireo fampandrenesana ny amin’ny fanompoana ny ampitso izy, ka nilaza fa naniry handeha koa. Nanandrana ny hampiadam-pandeha azy izahay tamin’ny filazana taminy fa nila nianatra izy aloha. Hoy izy: ‘Eny àry, hianatra aho, fa maniry handeha eny amin’ny fanompoana koa aho!’ Nandeha tokoa izy, ary nanao tatitra ora 50 mahery tamin’iny volana voalohany iny! Tao anatin’ny herintaona dia vita batisa sy nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana izy, ary tatỳ aoriana dia mpisava lalana manokana namokatra. Valopolo taona izy izao, nefa mbola ao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana ihany.”

Nampitombo i Jehovah

Faly ireo anabavy misionera dimy notendrena ho any Osaka tamin’ny 1951, satria olona maro no tonga tany amin’ny tranon’ny misionera mihitsy mba hianatra. Sarotra tamin’ireo misionera vaovao ireo anefa ny nanavaka ireo Japoney. Hoy i Lena Winteler, avy tany Soisa: “Rehefa tonga izy ireo, dia niara-nankeo aminy izahay dimy mirahavavy ary namela azy ireo hanondro ilay mpampianatra azy.” Niezaka nanahaka ny fombafomba japoney ireo misionera, ka nandahatra kapa hampiasain’ireo mpitsidika. Tsy hain’izy ireo anefa ny nanavaka ny kapa ho an’ny vahiny sy ny kapa ho an’ny efitra fivoahana. Indray andro, dia nisintona kely an’i Lena ny mpianatra iray ka nanazava hoe: “Tsy fanaonay ny mamoaka kapa ho an’ny kabine mba hanaovan’ny vahiny.” Nianatra niandalana ireo misionera.

Indraindray dia nandeha nitsidika azy dimy mirahavavy mpitovo tany Osaka ireo rahalahy misionera tany Kobe, mba hanampiana azy ireo. Tsy nisy afa-tsy mpitory vitsivitsy tao Osaka tamin’izany fotoana izany. Indray mandeha, i Lloyd Barry dia niaraka tamin’ny sasany tamin’ireo misioneran’i Osaka tany amin’ny fampisehoana opéra an-kalamanjana iray tao amin’ny kianja malalaka fanaovam-baolina tao Koshien. Nisy niteny hoe: ‘Tsy hahafinaritra ve raha mahafeno itỳ kianja itỳ amin’ny fivoriambe iray isika indray andro any!’ Zavatra toa tsy hety izany tamin’izany.

Tany amin’ny faramparan’ny 1994 anefa, ny Rahalahy Barry, izay mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana any Brooklyn ankehitriny, dia nasaina hanao ny lahatenim-pitokanana tao amin’ny Efitrano Fivoriamben’i Hyogo vao naorina, izay natao ho an’ny kongregasiona 52 ao Kobe sy ny manodidina azy. Fivoriana tena nahafinaritra ilay izy, natrehin’ny sasantsasany tamin’ireo mpitory japoney voalohany tany. Nisy fivoriambe lehibe lavitra noho iny, nalamina ho an’ny ampitso. Ary taiza izy io, hoy ianareo, no nokasaina hatao? Tsy taiza fa tao amin’ilay Kianja Fanaovam-baolina tao Koshien. Olona maherin’ny 40 000 no nanatrika, nefa toy inona moa ny filaminan’izy ireo! Nisy olona maro koa nanatrika tany amin’ny toerana 40 hafa nanerana an’i Japon, izay nampifandraisina tamin’ny telefaonina. Araka izany, dia nihoatra ny 254 000 ny tontalin’isan’ny mpanatrika — betsaka lavitra noho ilay fivoriambe goavana tany New York tamin’ny 1958. Tena ‘nampitomboin’i Jehovah’ tamin’ny fomba nahatalanjona ny teto Japon! — 1 Kor. 3:6, 7.

Tany am-piandohan’ny 1951, dia nisy tranon’ny misionera iray nosokafana tany Yokohama. Hita ho saha namokatra indrindra koa io tanàna io. Ilay mpiandraikitra io trano io voalohany, i Gordon Dearn, izay maty vady ankehitriny, dia manohy ny fanompoany manontolo andro ato amin’ny biraon’ny sampan’i Ebina, atỳ Tokyo. Ankehitriny dia misy kongregasiona 114 ao Yokohama, ary mbola mitohy ihany ny fitarana, ka ireo rahalahy eo an-toerana no manohy ny asan’ireo misionera.

Tamin’ny 1952, dia nisy tranon’ny misionera iray koa naorina tao amin’ny tanànan’i Kyoto. Nafindra ho any Kyoto ireo misionera avy tany Osaka sy Kobe mba hiaraka tamin’ireo misionera vaovao be zotom-po tany. Tamin’ny Aprily 1954, dia notendrena ho any Kyoto koa i Lois Dyer sy i Molly Heron avy tany Kobe.

Ao Kyoto, dia misy tempoly arivo eo ho eo, izany hoe efa ho iray isaky ny zoron-dalana. Tsy nanjerana baomba ilay tanàna nandritra ny ady, mba hitsimbinana an’ireo tempoly ireo. Hoy ny tadidin’i Lois: “Fony izahay tao, dia nahita an’i Shozo Mima, mpivarotra enta-madinika ambongadiny iray, izay avy narary ela be ary naka tanjaka tao an-tranony. Na dia Bodista be zotom-po aza izy, dia nilaza tamiko fa naniry hahafantatra momba ilay Andriamanitra marina. Tena mora ny nanomboka fampianarana Baiboly taminy. Tatỳ aoriana, dia nianatra koa ny vadiny sy ireo zanany vavy, ary tonga tao amin’ny fahamarinana ilay fianakaviana manontolo. Tonga andry ara-panahy tao amin’ny Kongregasionan’i Kyoto i Shozo, izay nahay nifandray tamin’olona.”

I Margrit Winteler, avy tany Soisa, dia tonga hiaraka tamin’i Lena zokiny vavy tao Kyoto. Hitany fa tao amin’io fanendrena azy vaovao io, dia tsy maintsy nizatra tamin’ny teny sy tamin’ny fihetsehana izy. Ohatra, ny lehilahy iray izay niandry ny vadiny hanao ny fanapahan-kevitra handray zavatra vita an-tsoratra na tsia, dia mety hanofahofa ny ankikeliny fotsiny mba hampisehoana fa tsy ao an-trano ny vadiny. Ilay ramatoa kosa dia mety hanainga ny ankibeny, izay mampiseho ny vadiny, mba hilazana fa tsy ao an-trano izy io. Nanjary takatr’i Margrit koa fa rehefa nijery foana an’ireo gazety natolotra ny olona tao Kyoto, ka namadibadika ireo pejy tamim-pitandremana, ny tena dikan’ilay fihetsehana dia hoe tsy handray azy ireo izy ka tiany ny hahatakaran’i Margrit izany, nefa ny tenany tsy ho voatery hilaza izany. Tsy hoe tsia avokoa anefa ny valin-teny rehetra, na tenenina ilay izy na tsia. Ankehitriny dia misy kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah miroborobo 39 ao Kyoto.

Fiatrehana ririnina mangatsiaka sy fiteny vaovao

Rehefa nisy misionera hafa koa tonga teto Japon avy tany Hawaii tamin’ny 1953, toa an’i Adeline Nako sy i Lillian Samson namany, dia notendrena ho any Sendai, tanàna mangatsiaka any avaratra, izy ireo. Ny maripana tamin’ny alina dia nidina hatramin’ny dimy degre Celsius ambanin’ny zero. I Don sy i Mabel Haslett no nanokatra ilay tranon’ny misionera vaovao tany tamin’ny Oktobra talohan’io, ary tonga hiaraka taminy tany i Shinichi sy i Masako Tohara. Notezaina tany amin’ny tany mafana ireo Hawaiiens, ka nahita fa tena zava-tsarotra ireo ririnina nangatsiaka tao Sendai. Nanjary fantatra tamin’ny anarana hoe ireo “Hawaiiens vao avy notazana sy nampangatsiahina” izy ireo.

Hoy ny tsaroan’i Lillian: “Vao voalohany teo amin’ny fiainanay izahay no nianatra ny hikapa hazo handrahoan-tsakafo. Tao an-dakozia ihany no nisy hafanana, hany ka niezaka nanafana ny fandriananay tamin’ny yutanpo, fitaovana metaly fanafanana fandriana fampiasa eto Japon, izahay. Nandritra ny andro izahay dia nividy ishi-yakiimo (vomanga nomasahina tamina karazana lafaoro vato), izay nataonay tao anaty paosy mba hanafanana ny tananay, ary avy eo dia nataonay sakafo antoandro.”

Tsy ny hatsiaka ihany anefa no zava-nanahirana. Mandra-pahain’ireo misionera ireo soratra japoney, dia nisy tarehin-javatra nahasanganehana. Tsy mety hadinon’i Adeline ny andro nanindriany ny bokotra fanairana ny amin’ny hain-trano, fony izy mbola tsy nahay namaky ny teny japoney, ka nihevitra fa sonnerie-m-baravarana mena ilay izy. Nirohotra nivoaka ny tranony ny olona, hijery izay nitranga. Voateny mafy izy noho iny fahadisoana iny.

Tsy ny fanandraman-javatra hitan’ny tenany manokana tamin’ireo taona voalohany naha-teto Japon azy ireo ihany anefa no ao amin’ny fahatsiarovan’ireny misionera ireny. Ho azy ireo, ireo rahalahiny sy anabaviny japoney an’arivony maro, ary koa ireo zava-niseho niarahany niaina tamin’izy ireo, dia samy manana toerana ao amin’ny “bokin-tsarim-pianakaviany”. Manasa anareo izahay hamadibadika ny pejin’izany bokin-tsary izany, ka hanao jery todika ny fisehoan-javatra hafa izay nitarika ho amin’ny fitomboan’ny fikambanana teokratika eto Japon.

Nanokatra faritany vaovao ireo mpisava lalana manokana

Tena lafin-javatra lehibe teo amin’ny fampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana hatrany amin’ny faritra rehetra teto ny asan’ireo mpisava lalana manokana. Ny sasany taminy dia nampiofanin’ireo misionera nivantana, ary nampiseho ilay haben’ny zotom-po ho an’i Jehovah sahala amin’ny azy ireo. Nifanindran-dalana tamin’ny asan’ireo misionera ny an’ireo mpisava lalana manokana japoney ireo, saingy nirahina ho any amin’ireo tanàna kely kokoa izy ireo. Maro tamin’ireo mpisava lalana manokana voalohany no nampiseho fandavan-tena sy fiaretana faran’izay niavaka, na dia vao vita batisa vao haingana aza izy ireo tamin’ny fotoana nanendrena azy.

Vao vita batisa herintaona sy efa-bolana monja i Hisako Wakui, raha nahazo ny fanendrena azy. Niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana manokana niaraka izy sy i Takako Sato namany, nanomboka tamin’ny 1957. Raha akambana ny isan’ny olona nampian’izy mirahavavy ho tonga Vavolombelona vita batisa, dia 80 mahery.

Momba ny vokatra azo noho ny fitahian’i Jehovah ny iray tamin’ireo fampianarana Baiboly voalohany notarihiny, dia hoy i Hisako: “Mpiangona nafana fo ilay ramatoa, nefa hoy izy: ‘Raha fianarana Baiboly, dia azoko atao isan’andro.’ Raha vao fantany hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra, sy hoe Rain’i Jesosy izy, dia niala tamin’ny fiangonana izy ka tsy ela dia teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha.” Tsy nihena ny zotom-pony, na dia nifindra tany amin’ny faritra mangatsiaka be, tsy nisy kongregasiona, aza izy. Ankehitriny ny vadiny sy ny zanany efatra dia samy ao amin’ny fahamarinana. Loholona ireo zanany telo mirahalahy, ary mpisava lalana manokana ny zanany vavy.

Fony izy ireo tao Tsuru, any amin’ny Faritanin’i Yamanashi, dia hitan’i Hisako sy i Takako fa niadana ny fitomboana. Olona efatra na dimy monja no nanatrika ireo fivoriana. Nihevitra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany fa tokony homena fanendrena vaovao tany amin’ny faritany namokatra kokoa, izy ireo. Tsy may ny hiala tao Tsuru anefa izy mirahavavy. Nino mafy izy ireo hoe, matoa i Jehovah naniraka azy ireo tao Tsuru, dia tsy maintsy ho nanana ondry tao izy. Koa hoy àry ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany: “Raha misy olona 18 tonga amin’ny lahateny ampahibemaso amin’izao faran’ny herinandro izao, dia hampita amin’ny Fikambanana ny fanirianareo hijanona eto amin’itỳ faritany itỳ aho.” Nanao izay rehetra azony natao nifanaraka tamin’ny Soratra Masina ireo mpisava lalana, mba hahatongavan’ny olona tamin’ny fivoriana ny alahady. Nahazendana fa olona 19 no tonga! Ny herinandro nanaraka, dia nihena ho efatra na dimy indray ny isan’ny mpanatrika, nefa afaka nanohy ny asany tao amin’io faritany io ihany ireo mpisava lalana. Ankehitriny ny Kongregasionan’i Tsuru dia misy mpitory mahafinaritra maro sy Efitrano Fanjakana iray tsara tarehy.

I Kazuko Kobayashi dia mpisava lalana manokana iray hafa izay nanompo efa hatramin’ny 40 taona, ary nanokatra faritany vaovao maro. Fony i Pauline Green, misionera tao Kyoto, nahita azy voalohany, dia nitady ny zava-kendren’ny fiainana i Kazuko. Nasehon’i Pauline azy ny Mpitoriteny 12:13, ary dia nahafa-po azy izany. Nanatsoaka hevitra izy fa ny fomba fiainan’ny misionera no nifanentana indrindra tamin’ny fomba tokony hiainan’ny Kristiana, hany ka nataony ho zava-kendreny ny fiainana toy izany. Fony izy voatendry ho mpisava lalana manokana, dia vao telo taona monja talohan’izay izy no vita batisa. Avy hatrany anefa izy dia nanomboka nahatsapa ny fiarovana feno fitiavan’i Jehovah teo amin’ny fanompoana manokana nataony, ary nahita vokatra tsara. Takatr’i Kazuko koa ny fomba fisainan’ny olona tany ambanivohitra — ny tahotra ny amin’izay mety hoeritreretin’ny hafa no manan-kery eo amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Ahoana no niatrehany izany? Hoy izy: “Nanao ezaka aho mba ho tonga naman’izy ireo. Tia ny olona aho, ary tany amin’izay rehetra nalehako dia niezaka nitadidy fa tia azy ireo koa i Jehovah. Tamin’izany dia mora ny ho tonga naman’izy ireo.”

Tamin’ny Martsa 1971, ny biraon’ny sampana dia naniraka mpisava lalana manokana vaovao hafa koa mba hitory tany amin’ny faritra nitokana. Nampiseho tsara ny toetra nampiavaka azy ireo ny anabavy tanora roa vao 20 taona, dia i Akemi Idei (Ohara ankehitriny), zanaka natsangan’i Miyo Idei, sy i Kazuko Yoshioka (Tokumori ankehitriny), izay notendrena ho any Kaga, any afovoan-tanin’i Japon. Hatreo izy ireo dia nanompo teo ambanin’ny “elatra” miaron’ny ray aman-dreniny sy ny kongregasionany. “Izao dia hafa ny zava-drehetra”, hoy ny tsaroan’i Kazuko. “Izahay irery no nanambara ny vaovao tsara tao amin’ilay faritany nanendrena anay.” Mba hanombohana fifandraisana tsara tamin’ny olona, izay fatra-piahiahy vahiny, dia nizatra nampahafantatra ny tenany tamin’ny fitenim-paritra teo an-toerana izy ireo, ka nampiasa ilay fiovaovam-peo fampiasan’ny olona mihitsy. Anisan’ireo nanaiky ny fahamarinana ny tovolahy telo tao amin’ny ekipan’ny mpanao hazakazaka. Nitantara i Kazuko fa fony izy telo mirahalahy ireo nanomboka ny fanompoana teny amin’ny saha, dia tsy naharaka azy ireo ny tenany. Mpanao hazakazaka lavitra ezaka izy ireo taloha, ary tsy nandeha isan-trano, fa nihazakazaka isan-trano.

Rehefa nisy mpisava lalana manokana be zotom-po nitory tany amin’ny faritany tsy nisy tompony taloha, dia nitombo ny isan’ny kongregasiona sy ny groupes isolés, ka nahatratra 1 000 tamin’ny Janoary 1976.

Fizotran-javatra tany Okinawa

Nisy fandrosoana vita koa tany amin’ireo nosin’i Okinawa. Ireo nosy ireo, izay nisy mponina 1 200 000, dia nanjary notantanan’i Etazonia, taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Ny mponin’i Okinawa dia olona tsy be teny, feno faharetana sy fitiavana, ary sariaka. Ireo rahalahinay sy anabavinay any Okinawa dia maneho toetra tsara hafa koa, dia ny fiaretana sy ny zotom-po ho an’ny fahamarinana.

Notendrena hiandraiketan’ny sampan’i Japon i Okinawa, ary i Lloyd Barry, izay efa mpiandraikitra ny sampana tatỳ Tokyo tamin’izay, dia nitsidika voalohany tany tamin’ny 1953. Rahalahy efatra, izay samy mpiasa nanamboatra ny simban’ny ady avy tany Philippines, no nitsena azy ary nitondra azy avy hatrany tany amin’ny foibem-panarenan’ny Tafika Amerikana, nihazonana miaramila telo. Niandany tamin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ireto tovolahy ireto, saingy tsy dia nanana fahaiza-mandanjalanja loatra. Nanao zavatra tafahoatra izy ireo. Indray mandeha, ohatra, dia tsy afa-natory ny tao amin’ilay toerana manontolo noho izy ireo nihira mafy hiran’ilay Fanjakana hatramin’ny alina be. Nampiana mba hahay handanjalanja kokoa izy ireo. Marihina kely eto fa ilay pastoran’ny tranomaizina dia nanamarika fa, araka ny fomba fijeriny zavatra, ny Fanjakan’i Kristy dia mbola afaka arivo taona any vao hisy. Nanompo teo anivon’ny fianakavian’ny Betelan’i Brooklyn ny iray tamin’ireo tovolahy ireo tatỳ aoriana; izy telo mirahalahy dia samy tonga mpanompo mitana andraikitra ao amin’ny kongregasiona kristiana. Nandritra iny fitsidihana iny, dia nisy fivoriana natao, ka mponin’ilay nosy 100 mahery no tafavory tao amin’ny trano bongo kely iray.

Nanatrika iny fivoriana iny i Yoshi Higa, teratanin’i Okinawa. Any Okinawa, dia fanaon’ny olona ny mametraka ireo faty ao amin’ny zohy lehibe iray, izay miendrika tranon-jaza ny fidirana ao aminy — mba hampisehoana fa ny maty dia miverina any amin’ny toerana niaviany. Nahita fiarovana tao amin’ny zohy toy izany i Yoshi nandritra ilay Adin’i Okinawa nahatsiravina aoka izany, tamin’ny Ady Lehibe Faharoa. Rehefa nijery ireo fatin’olombelona tao izy, dia nanjary niaiky fa tena maty tokoa ny maty. Rehefa nianatra ny Baiboly izy, dia nanaiky avy hatrany ny fampianaran’izy io momba ny toetran’ny maty sy ny fanantenana mahafinaritra ny amin’ny fitsanganan’ny maty.

I Yoshi no tonga ny mpitory voalohany sy ny mpisava lalana maharitra voalohany tany Okinawa. Ny radio tany an-toerana dia efa may ny handefa fandaharana ara-baiboly, nefa ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana tsy rototra hanome izany azy ireo. Kanefa, hitan’izy ireo fa i Yoshi dia vonona indrindra ny hanome azy ireo izay nilainy. Nandritra ny volana maromaro àry izy dia namaky tao amin’ny radio, lahatsoratra avy tao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana.

Tsy ela dia azo natao ny nandamina fivoriamben’ny fizaran-tany ho an’ny mpitory 12 vaovao avy teo an-toerana. Nifandimbasan’i Adrian Thompson sy i Lloyd Barry natao, tamin’ny teny japoney, ireo anjara tamin’ny fandaharana. Niitatra haingana ny asa, ary nitombo be ny isan’ny mpitory sy ny mpisava lalana.

I Yoshi Higa dia nirotsaka hanao ny asan’ny mpisava lalana tamin’ny May 1954. Nandritra ny 43 taona nanaovany ny fanompoan’ny mpisava lalana tamim-pahatokiana, dia olona 50 mahery no nampiany hianatra ny fahamarinana, ka ny maro tamin’ireo ‘epistiliny filazan-tsoa’ voalohany dia avy tamin’ny fiangonan’i Shuri ihany. (2 Kor. 3:1-3). Mbola manohy ny asan’ny mpisava lalana izy ao Ginowan.

Ny Vavolombelona feno risi-po iray hafa dia i Mitsuko Tomoyori, izay maty vady, ary nanomboka ny asan’ny mpisava lalana niaraka tamin’i Masako zanany vavy, tamin’ny 1957 tao Shuri, renivohitr’i Okinawa taloha. Mbola mamirapiratra ihany ny mason’i Mitsuko, rehefa mitantara momba ireo 40 taona lasa nankafizany ny fanompoan’ny mpisava lalana izy, sy momba ireo olona maro nampiany hanaiky ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Tamin’ny 1965, ny Fikambanana Watch Tower dia nanorina sampana iray tany Okinawa, ka i Shinichi Tohara, misionera avy tany Hawaii, no mpiandraikitra tao. (Avy tany Okinawa ny fiaviany.) Mbola nitohy ihany io fandaharana io, na dia taorian’ny namerenana an’ireo nosy hofehezin’ny fitondram-panjakana japoney indray aza, tamin’ny 1972. Rehefa nampiharina ny fandaharana ny amin’ny Komitin’ny Sampana tamin’ny Febroary 1976, dia i Shinichi Tohara sy i James Linton (misionera aostraliana), ary i Chukichi Une (teratanin’i Okinawa sady nahazo diplaoman’i Gileada), no notendrena ho anisan’ilay komity.

Nilaina ny fikirizana

Nandritra ny taom-panompoana 1976, dia natao ny ezaka mba hanitarana ny fitoriana ny vaovao tsara, ka nisy mpisava lalana manokana nirahina tany amin’ny nosy hafa niandraiketan’ny sampan’i Okinawa. Tany amin’ny sasany tamin’ireo nosy ireo, dia tsara ny fandraisan’ny mponina. Tany amin’ny hafa, dia nila taona maro vao azo noresena ny fombafomba sy ny finoanoam-poana ary ny fatoram-pianakaviana mafy. Nila fikirizana be ireo mpisava lalana manokana notendrena hiasa tany. Noho ny tsy fatokian’ny mponina tany an-toerana ny vahiny, dia matetika no nila tsy hahita toerana hipetrahana izy ireo, na dia be dia be aza ny trano tsy nisy mpipetraka. Indraindray ny hany trano azo noraisina dia ny trano iray nisy olona avy namono tena. Noho ny finoanoam-poana teo an-toerana anefa, dia tsy azo nampiasaina ho toeram-pivoriana ny trano toy izany.

Na dia izany aza, noho ny fikirizana be, dia nanomboka nahita vokatra ireo mpisava lalana. Teo amin’ny nosin’i Tokuno Shima, dia tonga tamin’ny lahateny ampahibemaso ny fianakaviana iray, nandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Ilay raim-pianakaviana dia nandray anjara tamin’ny adin’ombilahy, lalao tena be mpitia tany an-toerana. (Nampiadiana tamin’izy samy izy ireo ombilahy mba hamantarana izay matanjaka kokoa.) Nanana ombilahy iray tena tsara izay nampianarina hiady, izy. Nanjary taitra anefa ny fahalianany tamin’ny Baiboly, noho ny zanany vavy iray izay niresahan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ Japon. Nanaiky hianatra ny Baiboly ilay fianakaviana, ary tonga Vavolombelona vita fanoloran-tena ilay raim-pianakaviana, ny vadiny, ilay zanany vavy, ary ny telo tamin’ireo zanany lahy. Tonga tao amin’ny fahamarinana koa ny fianakaviana roa teo akaiky teo. Nanjary toy ny tranon-tantely feno asa io antokon’olona io. Misy kongregasiona iray voaforona mpitory 49, sy mpisava lalana 16, izao any amin’io nosy kely io.

Any amin’ny nosin’i Ishigaki, any amin’ny farany atsimo, dia gaga ireo mpitory satria nikaroka azy ireo ny tovolahy iray, izay mpanao ady totohondry nalaza, ary nangataka fianarana Baiboly. Efa nianatra izy taloha, tany Yokohama, saingy natahotra ilay andraikitra atoron’ny fahamarinana ara-baiboly. Mba handosirana azy io, dia nitsoaka nankany Iriomote, izay nosy vitsy mponina, izy. Nino mafy izy fa tsy hisy Vavolombelon’i Jehovah mihitsy tany. Tsy ela anefa, dia sendra nahita zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower izy, ka nitolagaga rehefa nahazo an-tsaina fa nitory teo koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanatsoaka hevitra izy fa tsy nisy fomba azony nandosirana hiala teo anatrehan’i Jehovah. (Ampitahao amin’ny Jona 1:3.) Nampiasa ny adiresin’ny mpitory iray voasoratra teo amin’ny iray tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra ireo izy, ka nikaroka ireo Vavolombelona teo amin’ny nosin’i Ishigaki teo akaiky. Tao anatin’ny fotoana fohy dia tonga Vavolombelona vita fanoloran-tena sy mpisava lalana feno risi-po izy.

Taorian’ny fitsidihana zone, nataon’i Milton Henschel tamin’ny Septambra 1980, dia nanjary niandraiketan’ny sampan’i Japon indray i Okinawa. Nanohy ny fanompoana manontolo andro tao Okinawa ny Rahalahy Tohara sy ny vadiny, ary koa ny Rahalahy Une sy ny vadiny, fa ny Rahalahy sy ny Anabavy Linton kosa dia niverina nanao ny asan’ny distrika tany amin’ireo nosy lehibe kokoan’i Japon.

Manana anjara asa lehibe ireo rahalahy mpitety faritany

Noho ny toe-tsaina feno fahafoizan-tenan’ireo mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadin’izy ireo avy, dia afaka nandray anjara tamin’ny fomba maro tamin’ny fitomboan’ireo kongregasiona japoney sy ny fahatongavany ho matotra, izy ireo. Nisy vokany nampahery teo amin’ireo kongregasiona ny fanompoan’izy ireo. Takatr’ireo rahalahy fa ireny mpiandraikitra ireny sy ny vadin’izy ireny dia efa nahafoy ‘trano sy reny sy ray noho ny vaovao tsara’. — Marka 10:29, NW.

Rehefa nitsidika kongregasiona ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany tany aloha tany, dia vitsy dia vitsy ireo fonenana afaka nanome fahafahana hitokan-toerana. Ny faneken’izy ireo tamim-pifaliana izay rehetra nisy anefa dia nahatonga azy ireo ho tian’ireo rahalahy. Tsaroan’i Keiichi Yoshida amim-bazivazy fa vao tamin’ny 1983, izy mivady dia nilasy tany amin’ny rahalahy tanora iray sy ny fianakaviany tsy mpino, tao amin’ny trano lehibe iray tany ambanivohitra, any amin’ny faritra avaratr’i Honshu. Hoy izy: “Narahabain’ilay fianakaviana tamin-kafanana izahay ary nentina tany amin’ny filasianay — efitra iray nisy alitara bodista lehibe iray. Rehefa handeha hatory izahay, tsy nisy fampiomanana fa iny i Dadabe, nanao akanjomandry, nanokatra ilay varavarana nikorisa, ary tsy niteny na dia indraim-bava taminay aza, fa nampaneno ny lakolosin’ilay alitara, nandrehitra ny ditin-kazo manitra, nanonona vavaka, ary nivoaka teny amin’ny varavarana ilany. Nanao toy izany koa ny hafa. Nandritra ilay herinandro manontolo izahay dia hendratrendratra foana tsy nahafantatra mialoha hoe rahoviana no ho avy ireo mpitsidika ny alitara sy hoe avy taiza no hidirany. Nahafinaritra anefa ilay herinandro niarahanay tamin’iny fianakaviana tsara fanahy sy nahay nandray vahiny iny.”

Ireo mpiandraikitra mpitety faritany, izay miisa 209 ankehitriny, dia nanao ny fanompoana manontolo andro nandritra ny 20 taona teo ho eo tamin’ny antsalany. Mpisava lalana manokana ny ankamaroan’izy ireo taloha. Izany dia manampy azy ireo hanome fampiofanana tsara dia tsara eo amin’ny fitoriana isam-baravarana. Ny risi-pon’izy ireo ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha dia anisan’ny niteraka toe-tsain’ny mpisava lalana faran’izay tsara eto Japon.

Ny sasany tamin’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany ireo dia nanampy mba hampirisika olona sy fianakaviana hifindra tany amin’ny faritra nilana Vavolombelona ny amin’ilay Fanjakana bebe kokoa. Ny hafa naneho fiheverana manokana an’ireo vady tsy mpino, ka ny sasany tamin’ireo tsy mpino ireo dia tonga Vavolombelona vita batisa. Ny tanora koa dia nampiana hiezaka hanatratra tanjona ara-panahy, ho vokatry ny fanehoam-piheverana manokana nasehon’ireo rahalahy mpitety faritany sy ny ohatr’izy ireo.

Manohy manao ny anjarany ireo misionera

Tamin’ireo taona 1970, ireo misionera dia notendrena ho any amin’ireo tanàna kely kokoa. Tany amin’ireny toerana ireny, ny olona dia nirona hifikitra kokoa tamin’ny efa nahazatra sy ny nentin-drazana, hany ka niadana kokoa ny asa fanaovana mpianatra. Tany amin’izay nisy kongregasiona, ireo misionera dia nanampy an’ireo rahalahy teo an-toerana ho za-draharaha, tamin’ny famelana azy ireo hitari-dalana. I Akita, i Gifu, i Kofu, i Kawaguchi, i Kochi, i Nagano, i Wakayama, ary i Yamagata no sasany tamin’ireo tanàna nanompoan’izy ireo.

Niezaka tamim-paharetana izy ireo nanampy an’ireo Vavolombelona avy teto an-toerana hahita fa fahendrena ny manaiky ny fahamarinana ara-baiboly manontolo. (Heb. 6:1). Tsaroan’i Masao Fujimaki, mpiandraikitra mpitantan-draharahan’ny kongregasiona iray ao Kofu, ny fotoana nianaran’ny kongregasiona ny boky Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra. Sarotra tamin’ny rahalahy iray efa zokiolona ny nahazo ilay toromarika momba ny tokony hanehoan’ny lehilahy fitiavana an-karihary tamin’ny vadiny. Hoy izy: “Hita fa tsy nety mihitsy izany taminay izay nobeazina talohan’ny ady.” Nanampy azy nitokana sy tamin-katsaram-panahy i Richard Bailey, iray tamin’ireo misionera tao amin’ny kongregasiona, tamin’ny filazana hoe: ‘Ireo fahamarinana ianarantsika dia tokony handresy ny fiaviana ara-pirenena na ny taranaka; mihatra foana izy ireo ary mahasoa foana. Raha hamaivanintsika ny tapany iray amin’ny fahamarinana, na inona izany na inona, dia mety hanjary ho sahy handa ny lafiny lehibe kokoa aminy isika.’ (Lioka 16:10). Azon’ilay rahalahy ilay hevitra, ary taorian’izay dia hita nipetraka, falifaly, teo akaikin’ny vadiny izy — fanandraman-javatra vaovao ho azy mivady.

Tamin’ny fomba hafa koa ireo Vavolombelona avy teto an-toerana dia nandray soa avy tamin’ny fifaneraserana tamin’ireo misionera. Hoy ny nolazain’ny anabavy iray: “Falifaly izy ireo ary nahalala ny fomba hanompoana an’Andriamanitra amim-pifaliana. Nianarako tamin’izy ireo koa fa zava-dehibe ny manaraka foto-pitsipika miorina amin’ny fitiavana, toy izay ny hanao fitsipika.” — Deot. 10:12; Asa. 13:52.

Ireo misionera dia nanampy mpitory maro hahatsapa kokoa fa anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy iray maneran-tany izy ireo. I Kazuko Sato, izay nanomboka nianatra tatỳ Tokyo niaraka tamin’i Melba Barry, dia mahatadidy fa nahazo hery izy fony nanao ny asan’ny mpisava lalana tany amin’ny faritra ambanivohitra nisy fankahalana ara-pivavahana be. Nahatsiaro ho irery izy, ka nanoratra toy izao tamin’ireo misionera nifaneraserany tao amin’ny kongregasionany taloha: “Mitory irery foana aho.” Tonga ny taratasy iray nitondra hafatra avy tamin’ny misionera maromaro, izay hita fa nanao ezaka mafy mba hanoratra araka ny fanononana japoney hoe: “Tsy irery ianao, Kazuko a! Mihainoa, dia ho renao avy any ambadiky ny saham-paoma ny famindran’ireo rahalahy be zotom-po sy mahatoky maneran-tany.” — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 7:9, 10.

Amin’izao fotoana izao, dia mbola misy misionera 41 manompo any amin’ny tranon’ny misionera dimy eto Japon — any Yamagata sy Iwaki ary Toyama, ary roa atỳ Tokyo. Fanampin’izany, dia misionera sivy no ao amin’ny asa fitetezana faritany, ary sivy ato amin’ny Betela eto Ebina. Ireo misionera ireo dia namela ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny tsy fivadihana amin’i Jehovah sy ny fandaminany. Tamin’ny teniny sy ny nataony, izy ireo dia nanampy ny Vavolombelon’i Jehovah eto Japon mba ‘hihamalalaka’ teo amin’ny fomba fijeriny zavatra, sy handalina ny fahatakarany ny fahamarinana. — 2 Kor. 6:13; Efes. 3:18.

Fiasana ireo faritany tsy nisy tompony, tamin’ny fotoam-pahavaratra

Nisy hafa koa nandray anjara tamin’ny fampielezana ny vaovao tsara tany amin’ireo tanàna lavitra. Tamin’ny 1971, dia nasaina ireo mpisava lalana maharitra mba hiasa ireo faritany tsy nisy tompony, nandritra ireo volan’ny fotoam-pahavaratra. Avy eo, tamin’ny 1974, dia natomboka ny fandaharana ny amin’ny mpisava lalana manokana tsy naharitra nandritra ireo telo volan’ny fotoam-pahavaratra. Isan-taona, dia mpisava lalana manokana tsy naharitra 50 no notendrena tany amin’ny faritra 25 samy hafa, ka zavatra vita an-tsoratra tsy toko tsy forohana no voapetraka.

Tamin’ny 1980, dia efa olona 7 800 000 teo ho eo monja sisa no nonina tany amin’ny faritany tsy nisy tompony teto Japon. Koa tsy nanendry mpisava lalana manokana tsy naharitra intsony àry ny biraon’ny sampana, fa nanasa ireo kongregasiona sy mpisava lalana maharitra ary fianakaviana mba hiasa tany amin’ny faritany tsy nisy tompony, nandritra ireo volan’ny fotoam-pahavaratra. Ho an’ireo Vavolombelona japoney, izay tia kokoa ny manao zavatra miaraka, izany dia fahatsinjovan-javatra nahafinaritra.

Nanafana ny fo ny vokatra azo. Tamin’ny 1986, ny mpitory iray niasa tao amin’ny faritany iray tsy nisy tompony, dia nanatona trano iray teny an-tendrombohitra tao amin’ny tanàna kelin’i Miwa, any amin’ny Faritanin’i Ibaraki. Ramatoa iray nanana ny boky Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra sy Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly teny an-tanany, no nandray azy. Nahazo an’ireo boky ireo izy talohan’io, ary efa namaky azy ireo imbetsaka. Nitady Baiboly tany amin’ny mpivaro-boky izy, nefa tsy nahita, ka faly nahare fa hisy fianakaviana kristiana iray hifindra tao amin’ilay tanàna kely. Natomboka haingana ny fianarana Baiboly, ary izao dia ao amin’ny fahamarinana ilay fianakaviana manontolo.

Nanendrena tsikelikely kongregasiona teo akaiky ireo tanàna sisa tavela.

Fampianarana natao manokana ho an’ny loholona

Rehefa niely ny fitoriana ny vaovao tsara, dia nitombo koa ny isan’ny kongregasiona sy ny habeny. Matetika no tsy nisy afa-tsy rahalahy nahay iray, angamba roa, mba hitari-dalana tao amin’ny kongregasiona iray. Vitsy tamin’ireo no nahazo fampiofanana be raha ny amin’ny raharahan’ny kongregasiona. Raha vao natomboka anefa ny fandaharana ny amin’ny loholona tamin’ny 1 Oktobra 1972, dia nasaina tany amin’ny biraon’ny sampana tany Numazu ireo loholona vao voatendry, ary nomena fampianarana natao ho azy manokana nandritra ny tapa-bolana.

Tena dingana lehibe iny sekoly iny. Ireo mpampianatra dia niezaka nanampy an’ireo rahalahy hahita fa zava-dehibe ny mampiseho fitiavana feno fahatsorana sy ny mahay mandanjalanja sy mahalala ny antonona, rehefa mifampiraharaha amin’ireo Vavolombelona hafa. (2 Kor. 1:24). Nohantitranterin’izy ireo koa fa zava-dehibe ny mikarakara ara-panahy ny fianakavian’ny tena. (1 Tim. 3:4; 5:8). Tsy hamafisina io mazàna ao amin’ny ankohonana tatsinanana.

May ny hitondra hody ny fampianarana rehetra azony nentina avy tamin’ilay sekoly ireo rahalahy. Kanefa, maro no nirona hianatra tsianjery, toy ny nataony fony izy nankany an-tsekoly. Hoy ny tsaroan’i Takashi Abe, iray tamin’ireo mpampianatra: “Niari-tory alina be ireo mpianatra, nikely aina handray an-tsoratra izay noresahina nandritra ny andro. Niezaka nanakivy azy ireo tsy handray an-tsoratra be dia be sy hanao fitsipika izahay, fa nampirisika azy ireo kosa hampiasa ny fahaizany misaina sy hampihatra foto-pitsipika ara-baiboly.” — Rom. 12:1; Heb. 5:14.

Rahalahy maro no naneho fahafoizan-tena be mba hanatrehana io sekoly io. Nisy tonga avy tany Hokkaido, toerana feno orampanala, any amin’ny 1 300 kilaometatra any avaratra; ny hafa avy tany Okinawa, faritra akaikin’ny tany mafana, any amin’ny 1 800 kilaometatra any atsimo. Anisan’izy ireo ny rahalahy sasany izay nety ho voatery hitady asa hafa rehefa niverina tany amin’ny fianakaviany. Tamin’ny 1977, dia nisy fotoam-pianarana naharitra roa andro natao tany amin’ny faritra maro samihafa nanerana an’i Japon. Izany dia nanamora kokoa ny fanatrehan’ireo rahalahy ilay sekoly.

Fiatrehana ny fanoheran’ny fianakaviana

Tsy hoe tsy ahitana zava-tsarotra akory ny fahatongavana ho Kristiana eto Japon. “Any ambanivohitra indrindra indrindra, ireo vaovao dia iharan’ny fanoherana be avy amin’ny havany mipetraka eo amin’ny manodidina”, hoy i Hiroko Eto, izay mpisava lalana efa hatramin’ny 37 taona. “Menatra ireo havana manana mpianakavy iray izay tsy mitovy amin’ny hafa rehetra eo amin’ny manodidina, ary tena mahery ny tahotra olona.”

I Yuriko Eto, renin’i Hiroko, dia efa tia ny Baiboly, na dia talohan’ny nifandraisany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aza. Tamin’ny 1954 anefa, dia nampian’izy ireo izy hahatakatra fa tsy ny haka Kristiana mahatoky hahaforona andian’ondry vitsy ho any an-danitra ihany no fikasan’Andriamanitra, fa ny hahatonga ny tany ho paradisa feno mpanompon’i Jehovah sambatra koa. Koa may àry izy hizara izany vaovao tsara izany tamin’ny hafa. Nanampy olona maro tamim-paharetana handresy ny tahotra olona mba hahazoana ny fankasitrahan’i Jehovah izy sy ny zanany.

Momba ny ezaka nataony mba hanampiana vehivavy tso-po iray, dia mitantara izao fanandraman-javatra izao i Hiroko. Niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviny ny ramatoa iray sy ny vadiny, fony izy nanomboka nianatra, ary niatrika ny fanoheran’izy io. Tsy ta hanakorontana ny fiadanan’ny fianakaviany ilay ramatoa, ka nanajanona ilay fianarana. “Niandry azy teny amin’ny lalana aho, ary nampirisika azy ho tsara fanahy tamin’ny rafozambaviny aho”, hoy i Hiroko, “sy hampiseho amin’ny ohatra ny vokatra tsaran’ny fianarana ny Baiboly. Nametraka fanontaniana tamim-pahaiza-mandanjalanja tamin’ny vadiny, momba izay nianarany izy, ary nahatonga azy io ho liana tsikelikely. Tamin’ny voalohany dia hoy ny vadiny taminy: ‘Atỳ ambanivohitra, dia tsy mety izany hoe ho tonga Kristiana izany.’ Kanefa ny fitiavan’izy ireo an’i Jehovah dia nanampy azy ireo handresy fanoherana be.” Izao izy mivady sy ny zanak’izy ireo lahimatoa dia vita batisa. Ilay rahalahy, izay mpanampy amin’ny fanompoana, dia mitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona ao an-tokantranony, ary nanaitra ny rehetra ny reniny tonga nanatrika ny fivoriana nanaovany ny lahateniny ampahibemaso voalohany.

Matetika ny fanoherana no avy amin’ny vadin’ilay mianatra. Ny lehilahy sasany dia manohitra noho ny fahasarotam-piaro, na noho izy ireo nihabe teo anivon’ny fiaraha-monina anjakazakan’ny lahy. Fony i Keiko Ichimaru, izay vao nampakarina, nanomboka nianatra ny Baiboly tany am-piandohan’ireo taona 1970, dia nanohitra mafy azy i Hiroyuki vadiny, ary nilaza taminy mba tsy hanatrika ireo fivoriana. “Tsy tantiko tsotra izao izany hoe natao ho latsa-danja noho ny fivavahana izany”, hoy i Hiroyuki tatỳ aoriana. Tia ny vadiny i Keiko, hany ka nangataka azy tamim-pahaiza-mandanjalanja mba hanamarina raha tsara ilay zavatra nianarany. Tapa-kevitra ny hianatra ny Baiboly samirery ny vadiny, nefa tsy azony ny heviny. Tamin’ny farany, dia nanontany ny vadiny izy raha afaka nanatrika ny fianarany. Samy tonga Vavolombelona vita batisa izy mivady. Tatỳ aoriana, dia tonga mpisava lalana maharitra i Hiroyuki, ary loholona izy ankehitriny.

Taorian’ny nanombohan’ny asa fitoriana ilay Fanjakana tao Chikugo tamin’ny 1971, dia i Mayuki Sakamoto no anisan’ny voalohany nanaiky ny hafatry ny Baiboly. Nanohitra i Toyota vadiny, rehefa nanomboka nanatrika ireo fivoriana tany amin’ny tanàna iray teo akaiky izy sy ny zanakalahy kelin’izy ireo. Tapa-kevitra ny hampijanona ny vadiny i Toyota, ka nanamafy ny fanoherany. Nandritra ny 14 taona, ary na dia taorian’ny batisan’ny vadiny tamin’ny 1973 aza, dia nanohy nanohitra izy. Indray mandeha, dia nanambana basy poleta ny vadiny izy, ka nihiakiaka hoe: “Hovonoiko ianao raha tsy miala amin’io!” Nahalasa eritreritra an’i Toyota ny valin-teny nomen’ny vadiny tamim-pahatoniana. Nanontany tena izy hoe inona no nahatonga azy io tsy hihozongozona toy izany.

Nandritra izany rehetra izany i Mayuki dia niezaka nampiseho fitiavana ny vadiny. Tsy kivy mihitsy izy niezaka nanampy azy hianatra ny fahamarinana. (1 Pet. 3:1, 2). Indray andro, dia sosotra i Toyota, satria nanao ny asan’ny mpisava lalana ny vadiny sy ny zanany lahy, nefa izy niasa tany ivelany, hany ka nankany am-piasany izy ary nametra-pialana. Dingana tena lehibe izany nataony izany, satria mazàna no mila ho masina amin’ny lehilahy japoney mihitsy ny asany. Nanantena i Toyota fa halahelo azy ny vadiny sy ny zanany. Rehefa nody anefa izy ka nilaza tamin’izy ireo ny amin’ny nataony, dia nitehaka izy ireo. Izany dia nahatonga an’i Toyota hisaintsaina. Tsy ela dia nanomboka nianatra izy. Tatỳ aoriana dia nanao ny asan’ny mpisava lalana toa azy ireo koa izy, ary loholona kristiana ankehitriny.

Teo am-piandohan’ireo taona 1970, ireo lehilahy nanatrika ireo fivoriantsika voalohany dia nanamarika matetika fa vehivavy sy ankizy ihany no tao. Nanomboka tamin’izay anefa, dia lehilahy an’aliny maro no nanao fandrosoana ara-panahy faran’izay tsara. Izao ilay fandaminana dia manana fototra mafy orina, dia lehilahy matotra ara-panahy izay mikarakara ny zavatra rehetra ilaina eo amin’ny fandaminan-javatra. Ny sasany amin’ireo dia nanohitra tany amin’ireo taona 1970.

Mankany an-tsekoly ireo mpisava lalana

Noho ny tahan’isan’ny mpisava lalana ambony (25 ka hatramin’ny 30 isan-jato) tao amin’ny kongregasiona rehetra, tany amin’ireo taona 1970, dia maro be no nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, izay nanomboka tamin’ny Janoary 1978, teto Japon. Nanana anjara lehibe teo amin’ny fahamatoran’ireo kongregasiona io sekoly io.

Ny voalohany nasaina ho amin’ilay sekoly dia ireo mpisava lalana manokana sy misionera ary mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadin’izy ireo avy. Hoy ny tsaroan’i Shigeru Yoshioka, iray tamin’ireo mpampianatra voalohany: “Fanampiana lehibe ny nananana an’ireny mpisava lalana za-draharaha ireny tao amin’ireo kilasy voalohany. Izay nianaranay avy tamin’ny teny sy ny fanandraman-javatr’ireny minisitra matotra ireny, dia nampitainay tamin’ireo kilasy nanaraka.”

Nanomboka tamin’ny Febroary 1980, dia natao tany amin’ny fizaran-tany tsirairay ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Mpiandraikitra ny fizaran-tany sy rahalahy matotra hafa efa nanatrika ilay fianarana no mpampianatra. Tao anatin’ny valo taona nanaraka ny fiantombohan’ilay sekoly, ny fitomboan’ny isan’ny mpisava lalana maharitra isan-taona dia 22 isan-jato tamin’ny antsalany, nefa 12 isan-jato ny fitomboan’ny isan’ny mpitory. Izao ny ankamaroan’ireo fizaran-tany dia manana kilasin’ny mpisava lalana roa na telo, ahitana mpianatra 25 na 30, tsy tapaka isan-taona.

Ny ankabeazan’ireo mpisava lalana manatrika io sekoly io dia mbola tena vaovao ao amin’ny fahamarinana, nefa ho vokatr’ilay fampianarana, dia mahazo fatokian-tena sy fahaizana izy ireo eo amin’ny fanompoany, ary mianatra lesona sarobidy raha ny amin’ny fomba fiaina kristiana. Hoy ny filazan’ny mpisava lalana iray azy: “Hatramin’izao, ny fanompoana, ny fitaizana zanaka, ny toetra kristiana ary ny fahalalana ara-baiboly dia bambaray tao an-tsaiko tao. Tamin’ny alalan’ilay fampianarana naharitra folo andro anefa, dia afaka nanasokajy azy rehetra ireo araka ny toerany avy aho.” Tamin’ny Septambra 1997, dia kilasy 3 650 no efa natao, ka mpisava lalana 87 158 no nanatrika.

Ny karazan’olona rehetra no manaiky

Olona avy amin’ny fiaviana maro isan-karazany no mahaforona ny fandaminana teokratika mahavariana eto Japon. I Toshiaki Niwa, ohatra, dia loholona iray malemy fanahy ao amin’ny kongregasionan’i Yokohama. Tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa anefa, dia nampiofanina mba ho mpanamory Ohka iray izy. Io dia fiaramanidina mpitondra bala afomanga, nazeran’ilay mpanamory tamin’ny sambon’ny tafika amerikana, ka nanaovany kamikaze, na sorona ny tenany. Ny fanompoana toy izany dia noraisina ho porofon’ny fandavan-tena ho an’ny emperora. Kanefa dia nifarana talohan’ny nananan’i Toshiaki fahafahana ho faty ho an’ny taniny ny ady. Tatỳ aoriana dia niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny. Rehefa fantatr’i Toshiaki fa nihazona fialanalanana tanteraka ny Vavolombelona nandritra ny ady, dia nanjary liana koa izy. Tamin’ny 1977 dia nizara ny hafatry ny Baiboly momba ny fiadanana tamin’ny hafa, toy ny vadiny koa, izy.

Teo amin’ny sehatry ny fialam-boly koa izahay dia nahita olona izay faly nanova ny fomba fiainany mba ho mpidera an’i Jehovah. I Yoshihiro Nagasaki, ohatra, dia nanangana tarika jazz Dixieland, niaraka tamin’ny mpiara-mianatra sasantsasany. Nangataka tamin’ny lehilahy iray, izay nampianatra jazz azy ireo, mba ho mpitarika azy, izy ireo. Io lehilahy io, i Yoshimasa Kasai, dia iray tamin’ireo mpahay mozika jazz havanana indrindra teto Japon, ary tamin’izay fotoana izay izy dia nifandray tamin’i “Trummy” Young, mpitsoka trompetra tonga nitsidika avy tany Hawaii. “Raha vao teo am-piandohana, dia nanomboka ny fianarana, tsy mozika anefa, fa ny fahamarinana”, hoy ny tsaroan’i Yoshihiro, izay anisan’ny Komitin’ny Sampana ankehitriny. “Tsy liana na dia kely akory aza izahay, fa noho izy feno risi-po, no sady tsy tianay ho very mpitarika ny tarikay, dia nihaino azy izahay.” Nanaiky ny hianatra mihitsy aza izy ireo. Nisy fiovan-javatra lehibe anefa ho an’i Yoshihiro, rehefa nanatrika fivoriamben’ny fizaran-tany iray izy tamin’ny Aprily 1966. Tany, ny mpiara-mianatra iray tany amin’ny lise, izay hitan’i Yoshihiro talohan’io, dia nanasa azy hiaraka taminy teny amin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Nampiasa ny Baiboly izy io rehefa nitory, ary i Yoshihiro kosa nizara taratasy nivalona tamin’ireo tompon-trano. “Vao voalohany tamin’izay vao tena nanomboka nisy heviny tamiko ny fahamarinana”, hoy ny tsaroany. Rehefa avy nanatrika iny fivoriambe iny izy, dia nandeha teny amin’ny fanompoana isan’andro ary nandroso haingana. Ny efatra tamin’ireo mpikambana enina tao amin’ilay tarika dia Vavolombelona marisika ankehitriny.

I Shinji Sato kosa dia pretra tao amin’ny Tempoly fanta-dazan’i Izumo, ao amin’ny Faritanin’i Shimane, dia ny iray tamin’ireo tempoly shintoista lehibe indrindran’i Japon. Mpampianatra fivavahana tao amin’ny Izumo Oyashirokyo koa izy. Na dia pretra shintoista hatramin’ny efa ho 20 taona aza izy, dia nanjary diso fanantenana noho ny tsy rariny sy ny tsy fisian’ny fitiavana voamariny teo amin’ireo pretra. Nanjary takany fa tsy nanolotra famonjena ireo andriamanitra shintoista, ka nanomboka nitady ilay Andriamanitra marina izy. Nanomboka namaky ny Baiboly izy, nefa mbola nanana fanontaniana maro be ihany.

Tamin’izay izy no nihaona tamin’ny olom-pantany iray, izay fantany ho Vavolombelon’i Jehovah, teny an-dalana. Koa nametrahany fanontaniana izay noheveriny fa hamantarana ny fivavahana marina, àry izy io hoe: “Manao politika ve ny fivavahanareo? Fikambanana mitady tombony ara-bola ve ny anareo? Avy amin’Andriamanitra, fa tsy avy amin’ny olona, ve ireo fampianaranareo? Mampihatra izay toriny ve ny olona ao amin’ny foibenareo?” Avy eo dia hoy ny fanontaniany: “Raha mahafeno ireo fepetra ireo ny fikambananareo, moa ve ho tianao ny hampianatra Baiboly ahy?” Fahamaivanana toy inona moa ny azy, rehefa nanapa-patorana tamin’i Babylona Lehibe ny tenany tamin’ny farany! (Apok. 18:4). Hoy izy: “Ankehitriny aho dia Vavolombelon’i Jehovah ary mampianatra ny hafa ny lalan’ilay Andriamanitra marina, ka tena araka ny voarakitra ao amin’ny Ohabolana mihitsy no tsapako, dia ny hoe: ‘Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon’ny fisasarana ampiana izany.’ ” — Ohab. 10:22.

Misy mpanakanto sy mpahay mozika fanta-daza, mpanoratra tantara an-tsary iray, mpanao tolona sumo iray, ary mpihazakazaka am-bisikileta matihanina, izay samy nahafoy ny laza amam-boninahiny taloha avokoa. Misy mpiasa matihanina toy ny dokotera, ny mpanao soratra voakaly iray tsy lefy laza, ny mpisolovava, izay nahita ny fahazavan’ny fahamarinana ary mampiasa ny fahaizany mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana ankehitriny. Misy olon-dratsy, jiolahy, polisy ary mpanao politika taloha, izay miara-miaina amim-piadanana amin’ireo rahalahiny ara-panahy ankehitriny. (Isaia 11:6-9). Misy pretra bodista, pretra shintoista ary vehivavy iray nanangana ny fivavahany manokana, izay niala tamin’i Babylona Lehibe. (Apok. 18:2). Misy mpampianatra sy mpandraharaha ambony toerana ary koa mpanao asa tanana manam-pahaizana maro samihafa, izay miara-miasa eo amin’ny tetik’asa teokratika ankehitriny. Nitombo ny fandaminan’i Jehovah, ka mahafaoka ny karazan’olona rehetra, izay nampiana mba hitafy “ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana”. — Efes. 4:24.

Toe-tsain’ny mpisava lalana feno risi-po

Na dia mihamifintina aza ny faritany ary mihamitombo ny tsy firaharahana ara-pivavahana, dia mbola lehibe ihany ny risi-po ho amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Amin’ny lohataona, rehefa misy mpisava lalana mpanampy maro be manatevin-daharana ny mpisava lalana, dia mitombo be ny tontalin’isan’ny mpisava lalana rehetra, ka mahatratra mihoatra ny antsasaky ny isan’ny mpitory. Tamin’ny Martsa 1997, dia 108 737 no tao amin’ny laharan’ny mpisava lalana.

Re matetika ny fanontaniana hoe: “Nahoana no misy mpisava lalana be dia be toy izany any Japon?” Lafin-javatra maromaro no toa mahatonga izany. Misionera be zotom-po no nametraka ny fototra ho an’ny fitomboana taorian’ny ady teto Japon, ary ireo mpianatra velom-pankasitrahana dia miezaka ny hanahaka an’ireo izay nampianatra azy. (Lioka 6:40). Ho vokany, dia toy ny lova mifindra amin’ireo mpianatra manaraka, ny zotom-po ho amin’ny fanompoana. Afa-tsy izany koa, dia mazàna no tsotra dia tsotra ny tokantrano japoney, ka tsy mitaky fotoana firy ny fikarakarana azy, ary amin’ny ankamaroany, dia zatra mihazona ny fiainany ho tsotra ny olona. Izany dia manamora kokoa ny hanomezan’ny vehivavy mpikarakara tokantrano ny toerana voalohany ho an’ny tombontsoa ara-panahy. (Matio 6:22, 23). Fanampin’izany, dia antonona ny toetr’andro eto Japon, ary tsy sarotra ny toe-javatra ara-politika sy ara-toe-karena.

Ny kolontsaina sy ny lafin-toetran’ny Japoney dia toa lafin-javatra hafa koa. Amin’ny ankapobeny, ny Japoney dia olona mankatò toromarika, sy manaraka ny fampirisihan’ny hafa ary be risi-po eo amin’ny asany. Momba izany, dia hoy i Shinichi Tohara, Amerikana manam-piaviana japoney, izay iray tamin’ireo misionera voalohany tonga teto Japon taorian’ny ady: ‘Ireo mpanamory kamikaze dia maty ho an’ny emperora tamin’ny fandatsahana ny fiaramanidiny teo amin’ny sambo mpiadin’ny fahavalo. Raha mahatoky toy izany eo anatrehan’ny tompo olombelona ny Japoney, inona no hataony raha mahita an’ilay tena Tompo marina, dia i Jehovah, izy ireo?’ Eny, ny faniriana mafy hampifaly an’i Jehovah no ao ambadiky ny taratasy fangatahana ho mpisava lalana rehetra.

Ray aman-dreny izay mpisava lalana

Iza avy moa ireo mpisava lalana? Ny ankamaroany dia anabavy, ary ny ankabeazan’izy ireo dia manambady aman-janaka. Maro no manao ny asan’ny mpisava lalana, nefa tsy mahazo fanohanana ara-panahy avy amin’ny vadiny sy ny havany tsy mpino.

“Fony aho nanomboka ny asan’ny mpisava lalana, dia vao volana vitsivitsy monja ny zanako faravavy”, hoy i Mutsuko any Fujisawa, izay mpisava lalana efa hatramin’ny 20 taona mahery izao. “Niasa tao amin’ny banky iray ny vadiko, ary mazàna izy no tsy nody raha tsy efa tafaverina avy tany amin’ny fivorianay hariva izahay. Na dia nitaky ezaka mafy aza ilay izy, dia naniry hanohy ho mpisava lalana aho.” Novalian-tsoa izy, rehefa samy nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana toa azy koa ireo zanany telo, raha vao nahavita ny fianarany tany amin’ny lise. Rehefa avy nanohitra, ary avy eo dia tsy niraika, nandritra ny taona maro ny vadiny, dia nanomboka niova koa. Toy inona moa ny fifalian’i Mutsuko, tao amin’ny kongregasiona, nihaino ny zanany lahy nanao ny tapany voalohany tamin’ny lahateny ampahibemaso iray, narahin’ny vadiny nanao ny tapany faharoa!

Manome fitaomana tsara dia tsara koa ireo raim-pianakaviana izay mpisava lalana. Fantatr’i Hisataka fa ny rainy dia niala tamin’ny asan’ny mpampianatra informatika nataony, mba ho mpisava lalana. Nandritra ny fotoam-pialan-tsasatr’i Hisataka tamin’ny fahavaratra, fony izy mbola tany amin’ny sekoly fanabeazana fototra, dia nanasa azy hiaraka taminy teo amin’ny asany fanateran-dronono vao maraina koa, ny rainy. “Tamin’ny maraina, ilay vao mangiran-dratsy iny”, hoy ny tsaroan’i Hisataka, “dia nilaza tamiko ny fihetseham-pony lalina indrindra momba ny fahafaham-po entin’ny fanompoana an’i Jehovah amin’ny fanahy manontolo, i Dada. Ny fahitana azy nikely aina tamim-pifaliana ho an’i Jehovah dia nanohina ahy mihoatra noho izay teny hafa rehetra.” Mpianakavin’ny Betelan’i Ebina izao i Hisataka.

Voavonjy tamin’ny Karoshi

“Raha mila miasa mafy ianao, dia midira ao amin’ny kompania japoney iray”, hoy ny sasany nivazivazy. Ny loham-pianakaviana tena japoney marina mantsy dia mandà tena tanteraka ho an’ny asany ary mandany ora maro be any amin’ny toeram-piasany. Kanefa raim-pianakaviana maro izay niasa mafy aoka izany hatramin’ny karoshi (fahafatesana vokatry ny fiasana tafahoatra) taloha, no nanolo-tena ankehitriny, tsy ho an’ny kompania iray, fa ho an’i Jehovah Andriamanitra, ary ao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana toy ny fianakaviany koa.

Hoy i Shunji, avy any akaikin’i Kobe, izay niasa ho an’ny fikambanam-panorenana lehibe iray, teo aloha: “Ny hery nanosika ahy taloha dia ny fifikirako tamin’ny asako sy ny faniriako fahombiazana. Rehefa lavitra ny tranoko ny toerana niasako, dia tsy nody tany amin’ny fianakaviako aho raha tsy tamin’ny faran’ny herinandro, raha nody aza.” Inona no nanova izany rehetra izany? Hoy ny valin-teniny: “Natahotra ny fahafatesana aho, ka feno fanahiana ny amin’izay mety hanjo ny fianakaviako raha sendra maty aho. Nahagaga ahy ny nahita ny vadiko sy ny zanako lahy falifaly foana erỳ rehefa nandeha nitory.” Fony i Shunji nanome fanampiana teknika ho an’ny kongregasiona teo an-toerana tamin’ny fanorenana ny Efitrano Fanjakanan’izy ireo, dia nampirisika azy hianatra ny Baiboly ny loholona iray. Nanao izany izy, ka miara-mifaly amin’ny fianakaviany eo amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra ankehitriny. Faly koa izy fa anisan’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana.

Mila tena finoana sy toe-tsaina feno fahafoizan-tena ireo raim-pianakaviana mba hialana amin’ny asa ao amin’ny kompania iray voantoka tsara ho an’ny androm-piainany rehetra, ka hanaovana asa tapa-potoana tsy dia azo antoka loatra, mba hananana fotoana ho amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana. Ny rain’i Mitsunobu, avy any Chiba, dia niova asa. Tao amin’ilay kompania lehibe niasany taloha sy nahitany ireo mpiara-miasa taminy nasondrotra ho mpitantan-draharaha, dia nandeha isam-birao izy, nanangona fakon-taratasy natao hahodina indray. Tena velom-pankasitrahana i Mitsunobu, nanao hoe: “Tena misaotra ny ray aman-dreniko aho, noho izy ireo nampianatra ahy nivantana hankasitraka ny hasarobidin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, ka nanampy ahy hanao azy io ho ny asa hataoko eo amin’ny fiainako!” Ireo izay manao fanitsiana toy izany eo amin’ny fiainany dia miaiky fa mihelina ihany ireo valisoa ara-bola, fa ny harena ara-panahy kosa dia sarobidy lavitra. — Matio 6:19-21.

Mitandrema tsara mba ho velona elaela kokoa!

Tsy fahasalamana lehibe koa no notoherin’ny sasany izay naniry mafy hanao izay farany azony atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. “Ny tsara indrindra azonao antenaina, dia ny ho ampy androm-pahavelomana hahita ny zanakao mihalehibe. Aza manao ezaka tafahoatra mihitsy, fa mitandrema tsara kosa mba ho velona elaela kokoa.” Izany no nolazain’ilay dokotera nizaha an’i Yaeko Ono momba ny aretina nahakasika ny fony. Telo taona ny zanany lahy tamin’izay. “Ahoana no ahafahako miaina ny androm-piainako sisa tavela, tsy hisy nenina?”, hoy izy nanontany tena, teny an-dalana hody avy tany amin’ny hopitaly. Rehefa tonga tany aminy izy, dia tapa-kevitra ny ho mpisava lalana. Rehefa nahare izany ny havany, dia nanjary feno fanahiana, nefa tsy nampiova hevitra an’i Yaeko izany. Hoy izy: ‘Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana aho tamin’ny Septambra 1978. Tsy fantatro tamin’izay fa bevohoka aho. Nanjary narary mafy ny reniko. Niharatsy koa ny toe-pahasalamako. Na dia izany aza, dia nanome herim-po ahy ny tenin’i Jesosy hoe: “Ny fananana finoana ohatra ny voan-tsinapy dia mahafindra tendrombohitra iray.” (Matio 17:20). Nanapa-kevitra ny hanao ny fara heriko aho.’

Rehefa afaka 17 taona, dia hoy i Yaeko: “Tsapako fa namihina ahy ny sandrin’i Jehovah feno fampiononana.” Indraindray dia nila hanototra azy ireo zava-nanahirana, nefa namisavisa ireo fitahian’i Jehovah izy, ka izany dia nanampy azy haneho fikirizana. Voataonan’ny zotom-pony ny vadiny, ka nanomboka nianatra. Ary safononoka ny fifaliany, rehefa voavaly ny vavaka mafy nataony, ka tonga mpisava lalana niara-niasa taminy izy io!

Izany no toetra mampiavaka ny mpisava lalana eto Japon. Maro hafa koa no azo tononina — toy ilay rahalahy malemy hatreo amin’ny tendany ka hatrany amin’ny faladiany, nefa loharanom-pampaherezana tsy tapaka ho an’ny hafa, noho izy nanao ny fanompoan’ny mpisava lalana tamin’ny fanoratana taratasy indrindra indrindra; sy ilay anabavy teraka teo am-piandohan’itỳ taonjato itỳ ary nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ireo 13 taona farany tamin’ny fiainany ka hatramin’ny 1994, tany amin’ny faritra rakotry ny orampanala; ary ilay loholona jamba izay nifindra tany amin’ny tanàna iray mba hanao ny asan’ny mpisava lalana sy hanampy ilay kongregasiona kely tany. Ireo rehetra ireo, toy ireo vavolombelona nahatoky fahiny, na dia manana fahalemena ara-batana aza, dia “tonga nahery” noho i Jehovah, mba hanao ny sitrapony. — Heb. 11:32-34.

Ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao amin’ny teny japoney

Maneran-tany, ny fampiasana ny Baiboly eo amin’ny fanompoana ampahibemaso dia nanjary marika ahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah. Eto Japon, ireo mpitory dia naniry mafy ny hanana Baiboly araka ny marina sy mora vakina amin’ny teny japoney maoderina. Maro no sahirana rehefa namaky ilay dikan-teny tranainy. Na dia teo aza ny fomba fiteniny kanto sy ny fampiasany tsy tapaka ny anarana masin’Andriamanitra, dia sarotra tamin’ireo nobeazina taorian’ny ady ny nahazo ny firafitry ny fehezanteny tranainy ao anatiny. Noho izany, tamin’ny Janoary 1970, dia faly tsy nisy ohatra izany ireo rahalahy tato amin’ny sampana naharay taratasy avy tany amin’ny foibe, nanome lalana ny handikana amin’ny teny japoney, ny Soratra Grika amin’ny New World Translation (Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao).

Telo taona tatỳ aoriana, tamin’ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fandresen’Andriamanitra” tany Osaka, dia vahoaka be nisy olona 31 263 no nitehaka tamim-pifaliana tsy hay notanana, rehefa nanambara ny fivoahan’ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ny teny japoney, i Lyman Swingle, anisan’ny Fitambara-mpitantana. Nandritra ireo sivy taona nanaraka ny fivoahany, dia 1 140 000 taminy no voazara, sahabo ho avo 75 heny noho ny isan’ny mpitory tamin’ny fotoana nanontana azy voalohany. Iny Baiboly iny dia natao pirinty tany Etazonia, nefa tsy ela dia tonga ny andro nanaovana pirinty sy nanakambanana azy ho boky teto amin’ny tranon’ny sampanay eto Japon.

Ho azo hatsaraina ve ireo toeram-pivoriana?

Rehefa nihanitombo ihany ny isan’ireo kongregasiona nanerana an’i Japon, dia nihananjary niharihary fa nilaina mafy ny toeram-pivoriana sahaza. Talohan’ireo taona 1970, dia vitsy kely ireo kongregasiona nanana ny toeram-pivoriany manokana. Raha ny marina aza, dia Efitrano Fanjakana sivy monja no notokanana nandritra ireo taona 1960 rehetra. Ny ankamaroan’ireo kongregasiona dia nivory tao amin’ny tranom-bahoaka nohofana na tao an-tranon’olona manokana.

Nahatsiaro ny fahasahiranana naterak’ireny “fivoriana nafindrafindra toerana” ireny i Ai Nakamura, anabavy iray any Hirosaki, ka nanao hoe: “Tamin’ny 1963 tany ho any, dia nanofa ny Efitra Lehiben’ny Fampianarana tao amin’ilay tanàna isaky ny faran’ny herinandro izahay, ary tamin’ireo andro tsy nahafahanay nahazo azy io, dia tao an-tranoko no tonga nanao fivoriana ilay kongregasiona nisy olona tokony ho 15. Samy voatery nanampy ny rehetra mba hibata ireo gazety, boky, polipitra azo nobataina, sy ny toy izany, isaky ny nisy fivoriana.” Matetika ireo efitra nohofana no maimbo fofon-tsigara ary feno teny faneva sy fitaovana ara-politika na ara-pivavahana. Samy tsy nifanentana tamin’ny fandaharana ara-panahin’ny fivorian’ny Vavolombelona izany rehetra izany.

Tsaroan’i Molly Heron sy i Lois Dyer ilay efitra nohofan’izy ireo hanaovana fivoriana tao Kyoto. Efitrano nisy tatami, na tsihy, teo amin’ny rihana ambonin’ny fivarotana iray, ilay izy. Nisy efitrano hafa teo amin’ny andaniny avy. Teo amin’ny andaniny, dia nisy fianarana samisen, lokanga japoney; teo amin’ny ankilany dia nisy lehilahy nilalao go, fanorona japoney. “Tao anatin’izany tabataba rehetra izany izahay no niezaka nanao ny Fianaranay Ny Tilikambo Fiambenana. Izany no voatery nampiasainay tamin’izany fotoana izany”, hoy i Lois Dyer. Noho izahay tsy nanana toeram-pivoriana raikitra toy ireo fivavahana hafa, dia nirona hihevitra anay ho sekta tsy nisy dikany sy nihelina fotsiny, ny olona.

Teo antenatenan’ireo taona 1970 anefa, noho ny fitomboan’ny isan’ireo kongregasiona vaovao, dia nitady trano ho azony ampiasaina ho Efitrano Fanjakana ireo rahalahy. Tamin’ny Jolay 1974, dia kongregasiona 646 no efa nampiasa Efitrano Fanjakana tokony ho 200 nanerana an’i Japon. Tamin’ireo, dia 134 no notokanana nandritra ny taom-panompoana 1974 fotsiny.

Na dia voafetra aza ny fahafahana ara-bolan’ireo rahalahinay, dia tsy nisy fetrany kosa ny fahaizany namoron-kevitra. Teo amin’ny nosin’i Kyushu, ohatra, ny Kongregasionan’i Kitakyushu Wakamatsu dia nanorina Efitrano Fanjakana 130 metatra tora-droa, teo amin’ny tany iray nomen’ny mpitory iray teo an-toerana. Nahazo maimaim-poana hazo fisaka sy taila efa nampiasaina, avy tamin’ny trano dimy noravana, ilay kongregasiona. Nahazo maimaim-poana hazo avy tamin’ny trano fandroam-bahoaka izay tsy niasa intsony, koa izy ireo. Ny hany fitaovam-panorenana novidin’izy ireo dia ho an’ireo tapany ho hita maso, rehefa vita ilay Efitrano Fanjakana. Avy tamin’ny sinema iray teo akaiky, izay tsy niasa intsony, izy ireo dia nahazo seza maimaim-poana, nandoko azy ireo indray ary nametraka azy ireo tao amin’ilay Efitrano Fanjakana. Rehefa avy niasa mafy nandritra ny enim-bolana ireo rahalahy, dia nahazo Efitrano Fanjakana iray tsara tarehy.

Noho ny vidin’ny tany mihoa-pampana, ny Vavolombelona sasany izay nanan-tany tao amin’ireo tanàn-dehibe, dia nandrava ny tranony, izay naoriny indray avy eo, ka nataony Efitrano Fanjakana ny tao ambany rihana, ary fonenany ny tao ambony rihana.

Nilaina ny fanorenana tranon’ny sampana mba haharaka ny fitomboana

Toy ny akanjon’ny zaza iray tsy omby azy intsony, dia toy izany koa ireo trano nampiasain’ny sampan’i Japon, izay nila fanalehibeazana niverimberina, mba hikarakarana ilay fitomboan’isan’ny Vavolombelona teto. Tamin’ny 1971, dia natao ny mari-trano ho an’ny orinasa hisy rihana roa sy ny Trano Betela hisy rihana efatra tao Numazu, izay nahitana mazava tsara ny Tendrombohitra Fuji tsara tarehy.

Tamin’ny voalohany, ireo tranon’ny orinasa dia nampiasaina indrindra indrindra mba hanaovana pirinty Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! tamin’ny teny japoney. Amin’io lafiny io, dia dingana lehibe ny nanaovana pirinty ny nomerao manokan’ny Mifohaza! 8 Oktobra 1972, tamin’ny milina rotative Tokyo Kikai 40 taonina, izay vao avy natsangana vonon-kiasa. Io no gazety voalohany novokarin’ireo rahalahinay tao amin’ny fanontam-pirintinay tao Numazu. Mbola nanan-javatra be dia be hianarana anefa ny ekipan’ny fanontam-pirinty. Indraindray dia nanontany tena izy ireo raha hahay hampiasa ilay milina araka ny tokony ho izy. “Tamin’izany andro izany”, hoy ny rahalahy iray anisan’ilay ekipa, “dia natevina be ny ranomainty teo amin’ireo litera, hany ka azonao novakina tamin’ny fikasihana azy izy ireny!” Ny soratra hafa kosa tsy nazava na nisy tasy. Kanefa, arakaraka ny nahazoan’ireo rahalahy fanandraman-javatra, dia nihatsara miandalana ny pirinty natao ary nitombo ny isan’ireo gazety voapetraka teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha.

Rehefa niteny tamin’ny fandaharana fitokanana iny tranon’ny Sampana tao Numazu iny ny Rahalahy Knorr tamin’ny 1973, ireo nasaina dia nivory tao amin’ilay toerana foana, teo amin’ny rihana faharoa tamin’ilay orinasa vaovao, mba hihaino ny fandaharana. Hoy izy momba ny fomba hampiasana io rihana io: “Mariky ny finoanareo itỳ toerana foana itỳ. Mino izahay fa hilaina itỳ toerana itỳ rehefa afaka herintaona na roa taona any. Mandroso ny fandaminan’Andriamanitra, ary mandroso haingana be mihitsy.”

Araka ny naminanian’ny Rahalahy Knorr azy, tsy ela dia nampiasaina ilay toerana manontolo. Tamin’ny 1974, dia trano roa hafa koa no nilaina — ny iray hitahirizana entana ary ilay faharoa hipetrahan’ireo mpiasa. “Io no fanorenana voalohany nataon’ireo Vavolombelona samirery teto Japon”, hoy i Toshio Honma. “Nampanahy kely anay ihany ny hoe ho ampy mpiasa za-draharaha ve izahay. Nitahy anay Andriamanitra tamin’ny fanomezana olona toa an’i Tadazo Fukayama, mpiandraiki-panorenana iray nahazo fanandraman-javatra nandritra ny 30 taona mahery tao amin’ny kompania lehibe iray.”

Rehefa avy nanao asa izay nitondra azy lavitra ny tokantranony nandritra ny taona maro i Tadazo, dia niala tamin’ny asany mba hiarahana bebe kokoa tamin’ny fianakaviany. Koa sady faly àry izy no nalahelo, rehefa nangatahina mba handinika ny fahafahana ho any Numazu mba hiandraikitra ny fanitarana ny Betela. Ho voatery hamela ny fianakaviany indray ve izy? “Tsia!”, hoy ny valin-teny avy tany amin’ny biraon’ny sampana. Nasaina ho tonga koa ny vadiny sy ny zanany roa lahy, 18 sy 20 taona.

Na dia kelikely ihany aza ireo trano naorina tamin’io fotoana io, raha oharina amin’ilay tatỳ aoriana, iny tetik’asa iny dia nanome an’ireo rahalahy fanandraman-javatra sy ilay fatokiana fa ho afaka hikatroka asa lehibe kokoa aza izy ireo, noho ny fanampian’i Jehovah.

Mandray andraikitra mavesatra kokoa ireo rahalahy teratany

Tamin’ny Aprily 1975, i Lloyd Barry, izay mpiandraikitra ny sampana hatramin’ny 1952, dia nandao an’i Japon mba ho mpikambana tao amin’ny Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandray anjara tamin-jotom-po tamin’ny asa izy tao anatin’ilay fe-potoana nitomboan’ny fandaminana teokratika, avy tamin’ny mpitory ilay Fanjakana be zotom-po 8 tamin’ny 1949, izay tonga 30 000 mahery. Rehefa lasa izy, dia nankinina tamin’i Toshio Honma, rahalahy teratany japoney izay niandraikitra ny orinasa tamin’izay, ny fiandraiketana ny biraon’ny sampana.

Momba ny fahaizan’ny Rahalahy Honma, dia hoy ilay mpanampy azy tao amin’ny orinasa: “Tsy olona niandry fotsiny ny hilazana aminy ny dingana tsirairay tokony hataony i Toshio. Afaka nanome azy asa iray ianao, sy nilaza taminy hoe: ‘Izao no zotra halehantsika’, ary dia lasa izy ka tsy nijanona raha tsy maty ny baolina. Nahay nandamin-javatra sy nahatonga ny olona haniry hiasa izy.”

Nisy fiovana ara-pandaminana iray hafa tamin’ny Febroary 1976. Toy ny nataon’ny sampana hafa rehetra naneran-tany, dia napetraka teo an-tanan’ny komitin-drahalahy ny fiandraiketana ny sampana teto Japon, fa tsy teo an-tanan’ny mpiandraikitra ny sampana iray monja. Ireo rahalahy dimy voalohany notendrena dia i Toshio Honma, ilay mpandrindra, i Masataro Oda, i Shigeo Ikehata, i Kiichiro Tanaka, ary i James Mantz. Neken’ireo rahalahy japoney avy hatrany io fandaharana vaovao io, satria efa zatra tamin’ilay hoe olona maro miara-mikaon-doha sy miara-mahita valiny eo amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra, izy ireo. Hoy ny iray tamin’ireo mpikambana tao amin’ny komity tatỳ aoriana: “Noho ny fandaharana ny amin’ny Komitin’ny Sampana, dia niantehitra tamin’ny fitambaran-drahalahy matotra izay solontenan’ny fandaminana, ireo rahalahy. Izany dia nisarika ny sain’izy ireo ho amin’ny fandaminan’Andriamanitra, fa tsy ho amin’olon-tokana.” Rehefa nisy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy natao, noho io fandaharana io, dia fitambaran-drahalahy araka ny fanahy izay samy hafa fiaviana sy fahaizana, no nandinika ilay raharaha ary nitady ny fitarihan-dalan’ny fanahy masina sy ny Tenin’Andriamanitra.

Tamin’ny Janoary 1983, dia i Masataro Oda, izay tao amin’ny Betela hatramin’ny Febroary 1960, no tonga mpandrindra. Nisolo toerana ny Rahalahy Honma, izay nanan-janaka roa taona tsy maintsy nokarakarainy, izy. Ny mpikambana hafa tao amin’ny Komitin’ny Sampana nandritra ny fe-potoana maro samihafa hatramin’izay dia i Ryosuke Fujimoto, i Percy Iszlaub, i Isamu Sugiura, i Yoshihiro Nagasaki, i Makoto Nakajima, i Kenji Mimura, ary i Richard Bailey. Amin’izao fotoana izao, dia rahalahy fito no ao amin’ny Komitin’ny Sampana. Rehefa niitatra ny asa, ny tsirairay tamin’ireo rahalahy ireo dia nampiasa tamim-panetren-tena ny talentany mba hampandrosoana ny tombontsoan’ny Fanjakan’Andriamanitra atỳ amin’ny faritaninay.

“Ankehitriny, rehefa manao jery todika izahay”, hoy ny Rahalahy Oda, “dia mahita ny fahendren’Andriamanitra ao amin’ny fandaharana ny amin’ny komity. Nanomboka tamin’ny 1976, rehefa natomboka ny fandaharana ny amin’ny komity, dia efa nitombo be ny asa ka tsy nisy olon-tokana afaka nitantana azy samirery intsony. Nanome ho an’ny Fitambara-mpitantana ny fahendrena hanankina ilay andraikitra tamin’ny rahalahy maro i Jehovah, ka tamin’izany dia tsy voasakantsakana ny fisosan’ny asa.”

Rahalahy avy teto an-toerana no nandamina ireo fivoriamben’ny distrika

Toy izany koa, tamin’ireo taona 1970, dia natomboka ny famindrana tamin’ny Vavolombelona avy teto an-toerana ny fandaminana ireo fivoriamben’ny distrika. Ny iray tamin’ireo mpiandraikitra ny distrika japoney voalohany tonga mpiandraikitra ny fivoriamben’ny distrika dia i Takashi Abe. Nahazo fanandraman-javatra sarobidy izy, fony niara-niasa tamin’ny misionera toa an’i Percy Iszlaub. I Percy no mpiandraikitra ny fivoriambe tamin’ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fiadanana Ambonin’ny Tany” natao tao amin’ny Kianja Korakuen Fanaovana Hazakazaka Am-bisikiletan’i Tokyo, tamin’ny 1969. Roa taona tatỳ aoriana, dia ny Rahalahy Abe no mpiandraikitra ny fivoriambe tamin’ny fivoriambem-pirenena natao tao amin’io kianja io ihany. Noho ny fanandraman-javatra azony tamin’ilay fivoriambe tamin’ny 1969, dia nisosa tsara ny zava-drehetra. Nisy andraikitra navesatra kokoa anefa niandry azy.

Tamin’ny 1973, ny Rahalahy Abe dia notendren’ny Fikambanana mba ho mpiandraikitra ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ny Fandresen’Andriamanitra” natao tao Osaka nandritra ny dimy andro. Mpanatrika 30 000 teo ho eo no nandrasana, ka vahiny ny 400 tamin’ireo. Nanao ahoana ny fihetsiky ny Rahalahy Abe? Hoy ny tsaroany: “Rehefa nahazo ilay taratasy fanendrena aho, dia nanjary narary mafy, ka nijanona teo am-pandriana nandritra ny andro maromaro, ary tsy afaka niarina akory. Tsy afaka nieritreritra zavatra hafa afa-tsy ny fomba handaminana ireo sampan’asa rehetran’ilay fivoriambe aho. Toy inona moa ny hafaliako, rehefa naharay ilay bokikely hoe Convention Organization [Fandaminana Fivoriamben’ny Distrika] avy tamin’ny Fikambanana aho, volana vitsivitsy talohan’ilay fivoriambe! Tamin’ny fanarahana fomba fanaovan-javatra niorina tamin’ny Baiboly, dia zava-manahirana maro no voalamina.”

Ny iray tamin’ireo zava-tsarotra maika dia ny fahazoana seza ampy ho an’ny mpanatrika rehetra. Tao amin’ny Festival Plaza ao amin’ny Saha Fahatsiarovana ny Fampirantiana (1970) ao Osaka no hanaovana ilay fivoriambe, nefa tsy nisy seza na lampihazo tao amin’ilay kianja. Nangatahina ireo kongregasiona nanodidina mba hitady seza azo aforitra hohofana ho amin’ilay fivoriambe. Nohatonina daholo ireo talen-tsekoly rehetra tao amin’ny tanàn-dehibe iray. Afa-tsy izany koa, ny lehiben’ilay orinasa mpanao fitaovana elektrika lehibe indrindra eto Japon dia nangatahina raha naniry hampanofa seza ho an’ilay fivoriambe ny kompaniany. Nihaona tamin’ny mpiandraikitra ny fivoriambe ny solontenan’ilay kompania, momba io fangatahana io. Na dia tsy nanana seza azo aforitra fanampiny azony nampanofaina aza ilay kompania, dia nanome an-tsitrapo vola hanofana seza 5 000. Mbola nila seza hafa koa anefa. Ny vahaolana? Dabilio hamboarina avy tamin’ny kombarika nindramina tamin’ny kompania iray mpanao fanorenana. Vita andro vitsivitsy talohan’ilay fivoriambe ireo dabilio, ary mpanatrika 31 263 no nihaino ny lahateny ampahibemaso. Noho ny isan’izy ireo nitombo be, dia iny no farany nahafahan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra teto Japon sy Okinawa niaraka tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray ihany.

Mpikambana dimy tao amin’ny Fitambara-mpitantana, ary koa ny mpiandraikitra ny orinasa tany amin’ny foibe any Brooklyn, no tonga mba hanatrika ilay fivoriambe sy hampahery ny mpanatrika. Nisy solontena hafa tonga avy tany Alemaina, Aostralia, Etazonia, Goatemalà, Grande-Bretagne, Hawaii, Kanada, Nizeria, Nouvelle-Zélande ary Papouasie-Nouvelle-Guinée ka nahatonga ilay fivoriambe ho tena niraisam-pirenena marina.

Nanaraka iny fivoriambe tany Osaka iny, dia rahalahy avy teto an-toerana maro kokoa no nanomboka niantsoroka ireo andraikitra momba ny fandaminana fivoriamben’ny distrika. Izany dia nanamora kokoa ny fampifandanjan’ireo rahalahy ny asa nialoha ny fivoriambe tamin’ireo andraikiny hafa. Fanampin’izany, ireo mpiandraikitra mpitety faritany izao dia afaka nifantoka tamin’ny asa nanendrena azy, fa tsy handany volana maro talohan’ny fivoriamben’ny distrika tsirairay, hanaovana asa momba ny fivoriambe.

Ireo Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ny Finoana Mandresy” tamin’ny 1978

Ny fivoriambe niraisam-pirenena fahefatra natao teto Japon dia ny Fivoriambe “Ny Finoana Mandresy” naharitra dimy andro tamin’ny 1978. Tamin’io indray mandeha io, dia toerana efatra no nampiasaina mba hahafahan’ny rehetra hanatrika. Ilay lehibe indrindra natao tao Osaka dia nisy tampon’isan’ny mpanatrika 31 785, ka anisan’izany ny solontena 200 mahery avy tany Alemaina, Etazonia, Kanada ary Soisa, ary koa avy tany amin’ny tany hafa tany Eoropa sy Azia ary Amerika Atsimo. Mpikambana telo tao amin’ny Fitambara-mpitantana no tonga sy nandray anjara tamin’ny fandaharan’ilay fivoriambe.

Nisy toe-tsaina tia miara-miasa tsara dia tsara nambolena, arakaraka ny fandehan’ireo taona. Nanjary nanana fatokiana feno ireo rahalahy hoe, noho ny fanampian’i Jehovah, dia afaka niantsoroka na dia fanendrena teokratika lehibe aza izy ireo.

Toeram-pilalaovana baolina akorisa, tonga Efitrano Fivoriambe

Nihananjary niharihary fa tsy Efitrano Fanjakana ihany no nilain’ireo rahalahy, fa toerana nalalaka kokoa hanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany koa. Teo am-piandohan’ireo taona 1970, dia toeram-bahoaka maro no tsy nekena hohofan’ny fikambanana ara-pivavahana, ary ireo fifanekena mba hahazoana kianja mitafo dia azo nofoanana tamin’ny minitra farany, satria ny fanatanjahan-tena teo an-toerana no nanana ny toerana voalohany. I Hirofumi Morohashi, izay mpiandraikitra fivoriamben’ny fizaran-tany tatỳ amin’ny manodidina an’i Tokyo nandritra ny taona maro, dia mahatsiaro zava-nitranga manokana iray izay nanosika an’ireo rahalahy hanomboka hikaroka ny Efitrano Fivoriambeny. Hoy izy: “Tamin’ny 1974, dia nandrotsaka vola 200 000 yen [870 000 FMG] mialoha izahay mba hampiasana efitra nalalaka iray tao amin’ny toerana fanaovana kermesy iray tao amin’ny Tanànan’i Oyama, ho amin’ny fivoriamben’ny fizaran-taninay. Tatỳ aoriana, dia bankirompitra ilay toerana fanaovana kermesy. Sarotra be vao azonay indray ilay vola narotsakay mialoha, ary saika tsy nahita toerana hafa hanaovana ilay fivoriambe izahay.” Avy eo, i Percy Iszlaub dia nampiseho sary avy tany Aostralia, nampiseho orinasa mpanenona tranainy iray, izay navadika ho Efitrano Fivoriambe tsara tarehy. Tsapan’ireo rahalahy teto Tokyo fa izao no fotoana hanandraman’izy ireo zavatra toy izany.

Nahita toeram-pilalaovana baolina akorisa tsy niasa izy ireo, tao Higashi-Matsuyama, eo ivelan’i Tokyo. Tsy nahalala na inona na inona momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny tompon’ilay trano, ka nanoratra tany amin’ny fianakaviana iray nipetrahany tany Etazonia, ary nanontany azy ireo momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Valin-taratasy feno teny mankasitraka no azony, izay nilaza taminy fa ny Vavolombelon’i Jehovah no fivavahana azo nitokiana indrindra tany Etazonia. Nanomboka tamin’izay, dia nisosa tsara ny zava-drehetra, ary natao ny fifanekena.

Noho izany, tamin’ny Desambra 1976, dia vita ilay Efitrano Fivoriambe voalohany teto Japon. Tetsy an-danin’izany, dia nisy fanorenana lehibe iray hafa koa efa nandroso tsara.

Nitarika ilay fifindran-toerana i Jehovah

Tamin’ny fotoana nitokanana ny biraon’ny sampana nitarina tao Numazu tamin’ny 1977, dia 40 000 mahery ny mpitory. Nomena toromarika ny biraon’ny sampana mba hitady tany avo telo heny noho ilay tany tao Numazu. Orinasa tranainy iray mpanao lamba no hita teto Ebina, eo anelanelan’i Numazu sy i Tokyo, izay nisy velaran-tany fito hektara. Izany dia avo 16 heny noho ilay toerana tao Numazu. Moa ve anefa ny Fitambara-mpitantana hanaiky ny fifindran-toerana toy izany eto amin’ny tany iray izay avo dia avo ny vidin-tany? Ho avo roa heny mahery noho ny vola naloan’i Etazonia tamin’i Rosia mba hividianana indray an’i Alaska tamin’ny 1867, ny vidin’io tany io. Tsy nahazoana valin-teny nandritra ny fotoana kelikely ny tany amin’ny foibe. “Avy eo, tampoka teo, dia tonga avy tany New York ny Rahalahy Barry, niaraka tamin’i Max Larson, mpiandraikitra ny orinasan’ny Fikambanana tany Brooklyn, mba hijery an’ilay tany, ary dia nahazo ny faneken’izy ireo izahay”, hoy i Toshio Honma. “Rehefa manao jery todika ireo fitomboana azonay tao anatin’ireo 20 taona lasa izahay, dia misaotra an’i Jehovah noho izy nitarika anay hividy an’itỳ tany malalaka be itỳ.”

Tamin’ny Janoary 1979, dia natomboka ny fanorenana ny orinasa iray nisy rihana, ny trano iray nisy ireo birao, ny trano fonenana telo nisy efitrano 161 ho an’ny Betelita, ny Efitrano Fanjakana iray ary ny trano fanamboaran-javatra roa kely kokoa. Iny no iray tamin’ireo tetik’asa fanorenana lehibe indrindra teto an-tany nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’io fotoana io.

Loham-pianakaviana maro nanana fahaizana momba ny fanorenana no niala tamin’ny asany teo aloha ka namindra toerana ny fianakaviany ho eto Ebina na ny tanàna nanodidina, mba handray anjara tamin’ilay asa fanorenana. Iray tamin’izany i Yoshiaki Nishio. Fony izy nahazo ny taratasy voalohany nanasa azy mba ho mpametaka fantsona tao amin’ilay tetik’asa, dia vao avy nifindra nonina tao amin’ny tanàna kely iray tany amin’ny Nosin’i Shikoku izy, mba hanompo tany amin’ny nilana fanampiana bebe kokoa. Koa satria nanan-janaka kely telo izy, no sady tsy an’asa sy tsy ampy vola, dia nanda izy tamin’ny voalohany. Rehefa nahazo ny taratasy fahatelo, nalefa express, nanasa azy izy, dia nahatsapa fa i Jehovah no nilaza taminy mba ho any. Niara-nidinika ilay raharaha tamin’ny vadiny, izay nanolotra ny hamelona ny fianakaviana tamin’ny fotoana tsy naha-teo azy, izy. “Rehefa tonga tany amin’ny Betela aho vao fantatro fa hay izahay dimy mianaka no nasaina! Tena tsy nampino ilay izy!”, hoy ny tsaroan’i Yoshiaki. Rehefa lehibe ireo zanany telo, dia tonga mpisava lalana, ary ny iray aminy izao dia mpianakavin’ny Betela eto Ebina.

“Matetika izahay no nahita fa nanokatra varavarana ho anay i Jehovah, raha ny amin’iny fanorenana iny”, hoy ny tsaroan’i James Mantz, mpitari-draharaha tao amin’ny Komitin’ny Fanorenana. “Nahita vato misakana toa tsy ho azo nihoarana izahay. Ny fitondrana teto amin’ny Faritanin’i Kanagawa no nanana ny lalàna henjana indrindra teto Japon momba ny fifehezana ny fandotoana. Nilazana izahay fa tsy nahazo nandatsaka na dia rano maloto indray mitete monja aza tao amin’ilay tatatra namakivaky ilay tany. Nanokatra ny lalana ho anay anefa i Jehovah. Ilay orinasa teto teo aloha dia nampangatsiaka ireo miliny tamin’ny rano avy tamin’ny lava-drano telo. Nivarina tany amin’ny tatatra iray ilay rano ary io no nampiasaina mba hanondrahana ny sahan’ireo nifanila tany taminy. Rehefa ren’izy ireo fa hofoanana io rano io, dia nankany amin’ny lapan’ny tanàna izy ireo mba hitaraina hoe: ‘Miankina amin’ny rano avy amin’io tany io ny vokatray.’ Koa namadika ny fanapahan-keviny àry ireo manam-pahefana, ka nanome fetra ho an’ny habetsahan-drano kely indrindra tokony hampidirinay isan’andro tao amin’ilay tatatra ho an’ireo tantsaha. Ho fanampin’ilay rano maloto voadio niditra tao amin’ilay tatatra, dia tsy maintsy nisintona rano avy tamin’ireo lava-dranonay izahay, mba hanomezana izay nilain’ireo tantsaha.”

Nanatrika teo i Frederick Franz, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, ary dia notokanana ho an’i Jehovah tamin’ny 15 May 1982 ireo trano voaorina. Teo koa i Lloyd Barry sy i Melba, vadiny, ary nanana anjara tamin’ilay fandaharam-pitokanana. Rehefa nanadinadina ny 14 tamin’ireo niaraka taminy tao amin’ny kilasin’i Gileada faha-11 ka nirahina ho atỳ Japon, ny Rahalahy Barry, dia tsapan’ny mpanatrika ny fitiavany lalina an’ireo rahalahy japoney.

Fandrosoana teo amin’ny habetsahana sy ny hatsarana

Nihanitombo ihany ny isan’ny mpitory; toy izany koa ny zavatra vita an-tsoratra notadiavin’ny olona. Na dia talohan’ny nitokanana ny tranon’ny Betela teto Ebina aza, tamin’ny Oktobra 1979, ny biraon’ny sampana dia efa nahazo ny miliny fanontam-pirinty offset voalohany. Nilanja 75 taonina io milina io, nahatratra 20 metatra ny halavany, ary afaka nanao gazety 300 niloko tanteraka, isa-minitra, izy io. Nahatontosa izay nilainay ve izy io?

“Tamin’ny 1981”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Mantz, “dia nahazo ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny zone, dia ny Rahalahy Jaracz, izahay. Voamariny fa ekipana mpiasa roa no nifandimby niasa tamin’ilay milinay. Nanoro hevitra anay àry izy mba hangataka fanekena hividianana milina faharoa. Nisalasala ny hangataka milina faharoa izahay, satria nihevitra fa hitsitsiam-bola kokoa ny fampiasana iray monja. Kanefa, rehefa afaka iray volana dia nahazo toromarika avy tany Brooklyn izahay mba hanafatra ny milina offset-nay faharoa. Tamin’izany fotoana izany, dia mbola tsy takatray izay niandry anay. Rehefa tonga anefa ilay milina, tamin’ny May tamin’ny taona nanaraka, dia tsy maintsy nanomboka avy hatrany ny famokarana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo tamin’ny teny japoney, izay havoaka voalohany tamin’ireo fivoriamben’ny distrika, roa volana monja taorian’izay, izahay. Natao havoaka voalohany tamin’ireo fivoriambe ireo koa ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Teo indray koa àry, dia nahita ny tanan’i Jehovah nitarika ny raharaha izahay. Tsy ho afaka nanao ireo gazetinay sy ny Baiboly ary ilay boky mihitsy izahay, raha ilay milina iray monja no teo.”

Tafatsangana vonon-kiasa ny milina iray fahatelo, dia milina Mitsubishi matanjaka be, tamin’ny 1984. Nanana faritra fihodinan’ny horonan-taratasy roa sy faritra efatra ho an’ireo loko izy io, ankoatra ny faritra mainty iray fanampiny; afaka namokatra gazety 1 000 isa-minitra izy io. Tamin’izany fotoana izany, dia izy io no milina nandeha haingana indrindra teto Japon, ka tonga anton-dresaka teo amin’ireo mpanao pirinty tany ivelany. I Ichiki Matsunaga, izay nampiofanina manokana momba ny fampiasana ilay milina, dia nientam-po erỳ nahita azy io nandeha faran’izay haingana. “Ny vao mainka mampientam-po anefa”, hoy izy, “dia ny fahitana ny hafainganan’ny hiparitahan’ilay hafatra vita pirinty.”

Ahoana no hikarakarana tsara gazety 60 000 vita pirinty isan’ora? Tatỳ aoriana, ireo rahalahy tao amin’ny fanamboarana milina dia namolavola sy namboatra fitaovam-pitaterana elektrika izay naka ireo gazety avy teo amin’ilay milina, ka nanindry azy ireo ho fisaka tamin’ny alalan’ny fitaovana nandeha tamin’ny rano, sy nanapaka ny sisiny, ary nitatitra azy ireo ho any amin’ny toeram-pamonosana azy ireo. Hoy ny nohazavain’ilay mpiandraikitra: “Fahanana horonan-taratasy milanja antsasa-taonina isaky ny 20 minitra ilay milina, ary erỳ amin’ny farany, ireo gazety dia voafono ka miditra avy hatrany ao anaty baoritra efa misy adiresy, ary vonona ny halefa.” Ao anatin’ny dimy minitra, ilay taratasy dia miala amin’ilay horonana, mankeo amin’ilay milina, mandalo ilay fanapahana sisiny ary miditra ao anatin’ilay baoritra. Io fitaovana misy lafiny maro mifandray amin’izy samy izy io dia mampihena ny isan’ny mpiasa sy ny toeram-pitahirizana ilaina.

Ilay asa pirinty ambony karazana vokatr’io fitaovana io, omban’ireo fanatsarana teo amin’ny sary sy ny taratasy, dia nahatonga ireo gazety ho nanintona kokoa. Feno risi-po ireo mpitory nanolotra azy ireo teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha.

‘Misy manam-pahaizana be dia be foana’

Sady nifindra ho amin’ny milina offset ny Fikambanana no nanomboka nampiasa ordinatera mba hanaovana ireo asa nialoha ny fanontam-pirinty. Nisy Vavolombelona japoney ampy fahaizana teknika ho vonona hanao io fiovana io ve? Eny! I Yasuo Ishii, iray tamin’ireo nisava ny lalana teo amin’ny sehatry ny ordinatera teto Japon, dia tonga mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena. Nizara ny finoany tamin’ireo mpiara-miasa taminy koa izy. Ho vokany, dia olona enina izay injenieran’ny ordinatera sy mpamorona programa nahay, no tonga Vavolombelona vita batisa. Izy rehetra ireo dia samy nanaiky ilay fanasana handray anjara tamin’ilay tetik’asan’ny Fikambanana, ka ny sasany tonga Betelita, ny hafa kosa mpiasan’ny Betela nody isan-kariva. Nahatsiaro ny zava-niseho i Toshio Honma, mpandrindra ny Komitin’ny Sampana tamin’izany fotoana izany, ka nanao hoe: “Nanana manam-pahaizana be dia be foana i Jehovah, tamin’ny fotoana nilana azy indrindra.”

Raha ny amin’ny ordinatera hampiasaina, ny biraon’i Brooklyn dia nanoro hevitra ny hanofana ny modely 4341 mbola vao havoakan’ny IBM. Ny sampan’ny Fikambanana eto Japon no voafidy an-tsapaka ho ny faharoa hahazo ireo modelin’ordinatera farany indrindra ireo. Kanefa, nihevitra ny solontenan’ilay kompania teto Japon fa ho tsara kokoa ny hanomezana azy io ho an’ny iray tamin’ireo clients-ny izay nanana fahafahana hamorona programa. Nosoritan’ireo rahalahy dimy sy ilay anabavy niasa tamin’ilay tetik’asanay, haingana ireo tsipirian-javatra nilain’ny Fikambanana manokana. Rehefa nahita ireo fanazavana tamin’ny an-tsipiriany ireo ilay kompania, dia nampiditra avy hatrany ny fanafaranay io modely vaovao io tao amin’ny lisitr’ireo halefa voalohany.

Teo ambany fitarihan’ireo manam-pahaizana kinga ireo, dia rahalahy sy anabavy tanora 40 niasa an-tsitrapo no nahazo fampiofanana mba ho mpamorona programa. Ny tanjona dia ny hanorina fandaharana mandeha ho azy tanteraka eo amin’ny fandravahana amin’ny soratra sy ny sary ny pejin’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana amin’ny teny japoney. Ilay fandaharana dia nanjary nantsoina hoe SCRIPT (System of Character Reproduction Incorporating Photo-Typesetting). Tao anatin’ny roa taona latsaka, dia vonona ilay izy. Ny boky voalohany vita tamin’ny alalan’io fandaharana io, dia ilay boky 192 pejy hoe “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”.

Tamin’ny 1987, dia efa nandroso aoka izany ny zavatra vitan’ireo ordinatera manokana tany ivelany, hany ka afaka nikarakara tsara ny zavatra manokana nilain’ny soratra japoney izy ireo. Koa rehefa simba àry ilay milina namoaka ny pejy voaravaka nifandray tamin’ny fandaharan’ny SCRIPT, dia ny fandaharana fandravahana pejy an’ny Fikambanana, izay kely vidy kokoa, no nampiasaina. Ireo lafin-javatra manokana namboarin’ireo rahalahinay ho an’ny fandaharan’ny SCRIPT, izay nampiasa “abidy” japoney misy soratra japoney sarotra be 8 000 teo ho eo, dia nampidirina ho anisan’ny fandaharan’ny MEPS. Ny sasany tamin’ireo mpamorona programa nanao ilay fandaharana japoney teto an-toerana dia miasa any amin’ny sampana hafa ankehitriny mba hanampiana eo amin’ny fandaharam-panontan’ny Fikambanana manerana ny tany.

Nanomboka ny sampan-draharaha vaovao iray

Nandritra ny efa ho 30 taona, ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana any Brooklyn dia nanome an’i Japon ireo boky nilainy teny amin’ny saha. Rehefa nanomboka anefa ny fanorenana ny orinasa vaovao teto Ebina tamin’ny 1978, dia tapaka ny hevitra fa ny sampan’i Japon ihany no hanomboka hamokatra ny bokiny.

Ren’ny talen’ny kompania lehibe iray mpanao lakaoly ny amin’ny fikasanay, ka tonga nitsidika anay izy. Rehefa hitany fa nikasa hanao ny lakaolinay manokana izahay, dia nanolotra ny hanome ireo akora sy fitaovana hilainay izy. Na koa, raha tianay, dia ho faly izy hanomana sy handoa ny vidin’ilay dity ho anay. Fa nahoana? Taona vitsivitsy talohan’io izy dia nanatrika fampirantiana milina mpanambatra sy mpanao pirinty boky tany Chigago, any Etazonia. Tany izy sy ny mpiara-miasa taminy dia nifanena tamin’ny rahalahy avy tany amin’ny Betelan’i Brooklyn, izay nanasa azy ireo hitsidika ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana Watchtower any New York. Nanohina mafy azy ireo ilay fomba fiasa manontolo, indrindra fa ny hatsaram-panahy sy ny asa mafin’ireo rahalahy. Izao izy dia naniry hanampy anay teo amin’izay rehetra nahafahany nanao izany. Hita ho mora kokoa noho ny nanamboatra ny anay manokana ny nividy lakaoly tany aminy. Tamin’ny alalany, dia afaka nifandray tamin’ny mpamokatra fitaovana hafa koa izahay, ka izany dia nanampy anay hitsitsy vola be.

Mpanao milina maro no niara-niasa taminay toy izany. Rehefa tonga teto Ebina mba hanao sonia fanekena iray ireo solontenan’ny mpanao milina mpanapaka sisiny sy mpanakambana ho boky, dia nanohina azy ireo lalina izay rehetra hitany teto amin’ny toeram-panorenana, indrindra fa ireo mpiasa an-tsitrapo niasa mafy. Ho vokany, dia nanolotra ny hampidina 1 000 000 yen (43 500 000 FMG) ny vidin’ireo miliny, izy ireo.

Iza no ho afaka hampiofana ireo rahalahy?

Tsy nisy tao amin’ny orinasa nanana fanandraman-javatra momba ny fanakambanam-boky. Nasaina ho any Brooklyn i Robert Pobuda mba hanaraka fampiofanana iray volana sy tapany sy hahazo fanazavana momba ny fampiofanana ireo rahalahy teto Japon. Nadika ilay fanazavana ary naorina ny kilasy fianarana ny fomba fanakambanam-boky. Izany dia nohatevenin’ny fanampian’ny mpiasa matihanina avy tamin’ny kompania tany ivelany izay tonga mba hampianatra an’ireo rahalahy ny fampiasana ireo fitaovana fanakambanam-boky. Nandamina ny hitsidika fanakambanam-boky sasany tany ivelany koa izahay, mba handinihana ny fomba fiasan’izy ireo.

Indray mandeha, rehefa avy nitsidika fanakambanam-boky iray toy izany ireo rahalahy, dia nasaina tao amin’ny biraon’ilay tale. “Fantatrareo ve ny antony namelako anareo ho tonga?”, hoy izy. “Raha ny ara-dalàna, dia tsy mamela mpiasan’ny fanakambanam-boky any ivelany hahita ny orinasanay mihitsy izahay, nefa herinandro talohan’ny nangatahanareo lalana hitsidika anay, dia nisy Vavolombelona iray tonga teo am-baravarako, nanolotra ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Nanohina lalina ahy ny fahalalam-pombany sy ilay zavatra novakiko tao amin’ireo gazety.” Nanaiky zavatra vita an-tsoratra hafa koa izy, anisan’izany ny famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, ary nanolotra ny hanampy mba hampiofana sasantsasany tamin’ireo rahalahy nandritra ny iray volana tao amin’ny orinasany.

Nandritra ireo taona nanaraka izay, dia nanohy nanatsara ny fahaizany sy nandalina ny fahalalany ireo mpiasa tao amin’ny fanakambanam-boky. Nandefa ny mpiasany hitsidika ny orinasanay mihitsy aza ireo kompania fanakambanam-boky any ivelany. Nanohina lalina azy rehetra foana ny fahadiovana sy ny fanehoam-piheverana ny tsipirian-javatra kely hitan’izy ireo. Hoy ny tsaroan’i James Mantz, mpiandraikitra ny orinasa taloha: “Nisy kompania fanakambanam-boky iray nomena lalana haka sary vidéo, nandritra ny fitsidihana nataon’ireo solontenany. Nikasa ny hampiasa azy io mba hampiofanana ireo mpiasa tao amin’ny orinasany izy ireo. Nitovy tamin’ny anay ny fitaovana nampiasain’izy ireo sy ny asa nataony. Naniry hampiasa ireo Betelita ho modely anefa izy ireo, noho ny fihetsiny, izay niharihary teo amin’ny endriny falifaly teo am-piasana, ary koa noho izy ireo tena nahita vokatra teo amin’ny asany.” Tadidin’ny Rahalahy Mantz koa ny mpitantana fandraharahana iray izay talanjona rehefa nitsidika ny fanakambanam-bokin’ny Fikambanana. Hoy ilay mpitantana: “Ny tanora japoney dia voan’izay antsoina hoe aretin’ireo ‘K’ telo — kiken sy kitanai ary kitsui.” Ny dikan’ireo dia hoe mampidi-doza sy maloto ary mitaky be. Raha ahitany ny iray amin’ireo monja ny asa iray, dia tsy mahaliana ny ankamaroan’ireo tanora. Tsy izany anefa no izy ato amin’ny orinasan’i Ebina.

Nahaliana indrindra ny olona ny fanakambanam-boky de luxe. Ilay fanakambanam-boky eto amin’ny tranon’ny sampanay eto Ebina no nanjary ny iray tamin’ireo loharanom-panazavana voalohany indrindra momba ny fanakambanam-boky de luxe eto Japon. Ao amin’io fanakambanam-boky io, dia Baiboly mifono hoditra be dia be no vokarina.

Famokarana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo

Ny fifindrana ho amin’ny fanontam-pirinty offset, sy ny fanorenana ny fanakambanam-boky, ary ny fanamboarana ny fandaharan’ny SCRIPT dia samy nanorina ny fototra ho amin’ny famokarana ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo.

Efa azo tamin’ny 1975 ny lalana hanomboka handika tenin’ny Soratra Hebreo amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Tsy maintsy ho ezaka hiombonan’ny ekipa iray izy io. Mpandika teny telo no voatendry handray anjara tamin’ilay tetik’asa. Inona no ho azo atao mba hitovy hatrany ny fomba fandikan’ireo mpiasa samihafa ireo? Natao ny lisitra feno sy amin’ny an-tsipiriany an’ireo teny hadika, sy ny an’ireo fanazavana momba ny anarana manokana, ny biby, ny zavamaniry, ny mineraly, ny loko, ny aretina ary ny zavatra toy ny fitaovana, ny fitafiana, ny sakafo ary ny fanatitra, ka nozaraina tamin’ireo mpandika teny. Teny mitovy hevitra sy fomba fiteny lehibe an-jatony maro koa no tsy maintsy nofakafakaina tamim-pitandremana ary nanampy tao amin’ireo lisitra. Tatỳ aoriana, dia ireo mpandika tenin’ny Baiboly japoney no anisan’ireo nasaina mba hizara ny fanandraman-javatra nananany tamin’ireo izay namolavola fandaharana manohana ny fandikana tenin’ny Baiboly any amin’ny foibe. Ny fanipazan-kevitr’izy ireo no anisan’ireo ampiasain’ny mpandika tenin’ny Baiboly manerana ny tany ankehitriny.

Natao pirinty sy nakambana ho boky tato amin’ny tranon’ny sampanay eto Ebina ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo amin’ny teny japoney. Mba hamokarana ireo Baiboly 136 000 nilaina havoaka voalohany tamin’ireo Fivoriamben’ny Distrika “Ny Fahamarinan’ilay Fanjakana” 17 tamin’ny 1982, ny Sampan-draharahan’ny Sary sy ny fanontam-pirinty ary ny fanakambanam-boky dia niasa nandritra ny 24 ora isan’andro. Ny sasany tamin’ireo rahalahy dia niasa nandritra ny 12 na 16 ora isan’andro. Nandrisika azy ireo ny fitadidiana tao an-tsaina fa nanao ilay karazan’asa nataon’i Ezra, ‘mpanao kopia nahay ny lalàn’Andriamanitra’, taloha izy ireo. Raha nanao ny asany tamin’ny tanana anefa i Ezra, izy ireo kosa dia nampiasa milina offset haingam-pandeha mba hanaovana azy io tamin’ny teny japoney. Ho fampahatsiahivana ny amin’ny tokony hanahafana an’iny mpanao kopia nahay iny, dia nametraka ireo teny ao amin’ny Ezra 7:6 (NW ) teo amin’ny ilan’ilay milina izy ireo.

Tamin’iny taona iny, dia ilay fivoriambe farany tao Fukushima no natrehin’ireo rahalahy rehetra tao amin’ny fanakambanam-boky. Valo minitra monja talohan’ny nifaranan’ny andro fiasana farany talohan’ilay fivoriambe no namitan’izy ireo ilay Baiboly farany nilaina mba havoaka tamin’io. Hoy ny tsaroan’i Shigeru Yoshioka, izay tao amin’ny fanakambanam-boky tamin’izay: “Reraka izahay, nefa rehefa nahita ireo ranomasom-pifaliana teo amin’ny endrik’ireo rahalahy nahazo ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao manontolo nandrasany efa hatramin’ny ela izahay, dia samy nahatsapa fa mendrika ny nanaovana azy ilay ezaka.”

Noho ny dikan-tenin’ny Baiboly amin’ny teny japoney tafiditra ao amin’ny ordinatera, dia tsy sarotra ny namokatra fanontana samy hafa velarana. Nandritra ireo taona nanaraka ny namitana azy io tamin’ny 1982, dia efa ho 3 000 000 tamin’ny fanontana maro samihafa amin’ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao amin’ny teny japoney no efa novokarina.

Toerana fanampiny nilaina noho ny fitomboana

Tsy misy hafa amin’ny zatovo iray mitombo haingana, vetivety dia tsy omby ny fandaminana teokratika eto Japon ireo tranon’ny sampany. Tamin’ny Febroary 1984, dia nambara ny hanaovana fanitarana fanampiny, ka tamin’io indray mandeha io, dia fanampin’ny orinasa hisy rihana dimy sy trano fonenana hisy rihana fito, samy hisy lakaly avy, no haorina. Ny ho velaran’ilay orinasa vaovao dia efa ho 22 500 metatra tora-droa, izany hoe avo roa heny noho ny an’ilay orinasa voalohany teto Ebina. Ilay trano fonenana vaovao dia hisy efitrano 128 hipetrahan’ny mpiasa an-tsitrapo ato amin’ny Betela.

Ny asa fanorenana ireo trano fanampiny ireo dia nanomboka tamin’ny Septambra 1984 ary vita tamin’ny Febroary 1988. Nandritra io fe-potoana io, dia nihoatra ny 100 000 ny isan’ny mpitory teto Japon, ary nitombo ihany. Io tetik’asa io dia hanome ho an’ny biraon’ny sampana fahafahana hikarakara, tsy ny zavatra tsy mitsaha-mitombo ilain’ny saha japoney ihany, fa ny fanaovana pirinty ireo zavatra ilain’ny tany hafa koa. Tamin’ny 13 May 1989, ireo trano vaovao ireo dia notokanana ho an’i Jehovah, Ilay nanome ilay fitomboana nahatonga azy ireo hilaina.

Fametrahana ny fianakaviana alohan’ny zavatra hafa

Ny fampitam-baovao teto Japon indraindray dia nisarika ny saim-bahoaka ho amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny ezaka iray nataon’ny fampitam-baovao tamin’ny 1986 dia nampahafantatra ny olona fa tena mikarakara ny zanany ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ny matoan-dahatsoratra iray tao amin’ny gazety Mainichi Daily News: “Miala Amin’ny Asany ny Tale Ambony Iray ao Amin’ny JNR mba Hiaraka Amin’ny Fianakaviany”. Eto Japon, ny ray iray manan-janaka zatovo dia miatrika safidy sarotra iray rehefa asaina mifindra asa, na dia asa misy fisondrotana aza ilay izy. Afindra asa izy ireo, na manao ahoana na manao ahoana toe-javatra misy ny fianakaviany. Rehefa any amin’ny lise ny zanany, dia ray aman-dreny maro matetika no tsy mety mitondra ny fianakaviana hiala ny tanànany. Mazàna ilay raim-pianakaviana no hanaiky hafindra asa, nefa tsy hitondra ny fianakaviany hiaraka aminy. Amin’ny teny japoney, izany dia antsoina hoe tanshinfunin. Ny lahatsoratra an-gazety iray dia niresaka momba an’i Takeshi Tamura, Vavolombelon’i Jehovah iray izay voatendry ho tale jeneralin’ny Biraon’ny Lalambim-pirenena Japoney (JNR) any Kyushu. Kanefa, naleony nametra-pialana toy izay hanaiky io toerana ambony io ka tsy hitondra ny fianakaviany hiaraka aminy. “Ny asan’ny tale jeneraly dia azon’iza na iza atao, fa izaho irery ihany no rain’ireo zanako”, hoy ny Rahalahy Tamura, araka ny teniny voatonona tao amin’ny iray tamin’ireo gazety.

Nanitikitika ny sain’ny olona ilay izy. Teo aloha kokoa mantsy ny fampitam-baovao dia nampiseho ny Vavolombelon’i Jehovah ho olona lozabe, izay vonona ny hamela ny zanany ho faty. Ary indro anefa, lehilahy iray izay naniry hiaraka tamin’ny fianakaviany ka ampy herim-po mba hametra-pialana tamin’ny toerana iray izay hiadian’ny ankamaroan’ny mpiasan’ny JNR mafy ny hahazoana azy. Nandeha isan-trano ireo mpanao gazetin’ny televiziona. Nanadinadina mpandraharaha anisan’ny tanshinfunin nidina ny fiarandalamby mba hiaraka tamin’ny fianakaviany nandritra ny faran’ny herinandro, izy ireo. Nanontany ny olona ny amin’izay tsapany momba ny fanapahan-kevitry ny Rahalahy Tamura ireo mpanao gazety. Ny valin-teny re matetika dia hoe: ‘Mahatalanjona ahy ny fanapahan-keviny. Raha mba nanana herim-po hanao ny nataony koa mantsy aho.’

Nahatsiaro ilay zava-nitranga ny Rahalahy Tamura, ka nanao hoe: “Tsy fantatro ny fomba nahazoan’ny gazety Mainichi ilay vaovao. Mazàna, rehefa tafavoaka ny vaovao tsiambaratelo toy izany, dia ampifanovan’ny JNR asa ireo mpiasa mba hanaporofoana fotsiny fa tsy marina ilay vaovao. Kanefa, tamin’io indray mandeha io, dia navelan-dry zareo handeha araka izay nambaran’ny fampitam-baovao ilay izy. I Jehovah no tsy maintsy ho tao ambadik’ilay raharaha manontolo. Tamin’ny alalan’ny fampitam-baovao, ireo Japoney dia nahazo ilay hafatra hoe olona mikarakara ny fianakaviany ny Vavolombelon’i Jehovah.” Ankehitriny ny Rahalahy Tamura sy ny fianakaviany dia samy mpitory ny filazantsara manontolo andro daholo. Mpiandraikitra mpitantan-draharaha ao amin’ny kongregasionany izy, ary ny zanany lahy dia mpiasan’ny Betela tsy raikitra.

Fandrosoana tany Okinawa

Rehefa avy nampidirina hotantanan’ny sampan’i Japon koa i Okinawa, dia nisy fandrosoana tsara hafa vita tao amin’io faritany io, na dia mbola nahery aza ny fitaoman’ny fomban-drazana tranainy teo amin’ny fiainan’ny olona. Tsy nisakana an’i Kiku Sunagawa, anabavy iray 70 taona, tsy hanao ny asan’ny mpisava lalana ny fahanterana. Nandritra ny taona maro izy dia nandevozin’ny yuta, na mpanelanelana amin’ny tontolo ara-panahy, teo an-toerana. Nanohina lalina azy anefa ny nianatra avy tamin’ny Soratra Masina fa nanana anarana ilay Andriamanitra marina no sady afaka namaky ny fo. Nopotehiny avy hatrany izay rehetra nananany ka nifandray tamin’ilay yuta. Avy eo izy dia tapa-kevitra ny hianatra hamaky teny mba hahazoana fahalalana feno kokoa momba ny sitrapon’Andriamanitra. Nanome azy tamim-paharetana ilay fanampiana nilainy ilay mpampianatra azy. Natao batisa izy tamin’ny 1981, ary ny taona nanaraka dia nirotsaka ho mpisava lalana.

Na dia tsy nahay taratasy aza ny tenany taloha, izao izy dia afaka nampianatra ny vadin’ny mpianatra Baiboly be taona iray hianatra hamaky teny sy hanoratra, mba hahafahan’izy mivady ireo hiara-mandroso hatramin’ny batisa. Io mpivady velom-pankasitrahana io dia nanome ho an’ny Kongregasionan’i Akamichi, tany sahaza iray hanorenana Efitrano Fanjakana vaovao iray tsara tarehy. Nahazo fitahiana fanampiny koa i Kiku, noho ny ezaka nataony, rehefa nanafa-tena tamin’ny fitaoman’ilay yuta ny zandriny vavy roa, mba hanompoana an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.

Tamin’ny 1989, ny mpivady be taona iray tao Hamamatsu dia nanaiky fanendrena hitory tany amin’ny nosy kelin’i Aguni Jima, any amin’ny 60 kilaometatra miala ny moron-tsirak’i Okinawa. Namidin’izy ireo ny peratra mariaziny mba hanangonana ny vola handehanana tany amin’io nosy lavitra io. Roapolo andro no natokana hitsidihana ireo trano 600 teo amin’ilay nosy. Indray andro, fony izy ireo nandeha an-tongotra nanaraka tamboho vato iray teo ambany masoandro nigaingaina, dia nisy ankizivavy kely roa nanolotra azy ireo rano avy tao anaty tavoahanginy. Nanohina azy mivady ny hatsaram-panahin’ireo ankizivavy kely ireo, ka nanapa-kevitra ny hitsidika ny ray aman-dreniny izy. Rehefa nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, dia namihina azy ireo tamin-kafanana ny ray aman-drenin’ireo ankizy. Tsy nahita Vavolombelon’i Jehovah ireo olona ireo hatramin’ny nifindrany avy tany Okinawa, valo volana talohan’izay. Nalamina hatao an-taratasy ny fampianarana Baiboly, ary tatỳ aoriana, dia nafindra tamin’ny kongregasiona iray tao Naha, any Okinawa, ilay fampianarana. Natao batisa tamin’ny 1993 ireo ray aman-dreny sy ny zanany vavimatoa. Manampy olona maro hianatra ny fahamarinana izy ireo any amin’io nosy mitokana io.

Tamin’ny 1980, rehefa naverina hotantanan’ny sampan’i Japon i Okinawa, dia nisy mpitory 958 tao amin’ny kongregasiona 22, tany Okinawa sy ireo nosy manodidina. Ankehitriny dia misy mpitory ilay Fanjakana 2 600 mahery manompo amim-paharisihana ao amin’ny Faritanin’i Okinawa.

Manampy ireo Komitim-paritra Momba ny Fanorenana

Nandritra ny am-polony taona maro ireo kongregasiona dia nanorina ny Efitrano Fanjakanany tamin’izay fanandraman-javatra sy izay fananana nisy teo an-toerana. Nisy zava-nanahirana anefa teo amin’ny rafitry ny trano sy ny lalàna ary hafa koa. Ny ankamaroan’ireo kongregasiona dia tsy niraharaha loatra momba ny fifanarahan’ireo loko. Ny ankabeazan’ny mpiasa dia mpiasa an-tsitrapo tsy ampy fahaizana, hany ka ela be vao vita ireo fanorenana. Ireo volana, na taona maro mihitsy aza, notakin’ny tetik’asa fanorenana sasany dia nampidi-doza ny fahasalamana ara-panahin’ilay kongregasiona, ary indrindra fa ny an’ireo izay nanao ilay fanorenana. Tonga ny fotoana handinihana ny fahafahana hampihatra ny fomba fanorenana haingana efa nampiasaina tany Etazonia.

Ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana voalohany dia niforona tatỳ amin’ny manodidina an’i Tokyo, tamin’ny Septambra 1990. Nisy fito hafa natsangana taorian’izay mba hikarakara faritra hafa teto Japon. Tamin’ny Martsa 1991, ny Efitrano Fanjakana voalohany teto Japon nampiasana ny fomba fanorenana haingana, dia natsangana tao Nakaminato, ao amin’ny Faritanin’i Ibaraki. Na dia nampiato vetivety ny asa aza ny tafio-drivotra nahery iray tamin’ny andro faharoa, dia vita tao anatin’ny efatra andro monja ilay efitrano mahazaka olona 120.

Nanomboka tamin’izay, ireo Komitim-paritra Momba ny Fanorenana 8 voalohany nanerana an’i Japon dia nitombo ho 11. Izy ireo dia manampy eo amin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana 80 ka hatramin’ny 100 isan-taona. Tafiditra amin’izany ireo Efitrano Fanjakana roa sosona sy ireo efitrano asiana parking ny ambany rihana, noho ny vidin’ny tany lafo be. Any Okinawa, ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana dia voatery nanova ireo mari-trano mba hahatoherana ireo rivo-doza mamely matetika ireo nosy any.

Ny andro talohan’ny tokony hanombohan’ny tetik’asa fanorenana haingana ho an’ny Kongregasionan’i Kochinda, any Okinawa, dia nody mandry ilay rahalahy nanome ilay tany. Nalamina hatao ny alahady nanaraka tamin’ny efatra ora hariva ny fandevenana azy — tao amin’ilay Efitrano Fanjakana mbola tsy vita. Fantatr’olona teo an-toerana ilay rahalahy, hany ka nampandrenesina tamin’ny fampitam-baovao ny fandevenana azy. Rehefa tsy nahita afa-tsy ny fototra rihibato teo amin’ny toeram-panorenana ny olona, dia nanontany hoe: “Dia tena ho vitanareo ara-potoana ho amin’ilay fandevenana tokoa ve ilay trano?” Eny, vita ara-potoana ilay efitrano, ary olona maro, anisan’izany ny olona sasany teo amin’ny sehatry ny lalàna sy ny politika, no niangona tao mba hihaino ilay lahatenim-pandevenana.

Amin’izao isika miteny izao, dia misy Efitrano Fanjakana 1 796 manerana an’i Japon sy i Okinawa, ary ny 511 amin’ireo dia naorina na nohavaozina araka ny fomba fanorenana haingana. Ireo efitrano ireo dia porofo mibaribary ny amin’ny fisian’ny Vavolombelon’i Jehovah ary manome fiderana araka ny tokony ho izy an’ilay Andriamanitra tompoiny.

Efitrano Fivoriambe manerana an’i Japon

Zavatra mitovy amin’izany koa no azo lazaina momba ireo Efitrano Fivoriambe, izay anaovana ny fandaharan’ny fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny andro fivoriambe manokana. Nanomboka tamin’ireo taona 1980, dia nisy Efitrano Fivoriambe naorina nisesy — tao Kansai, Ebina, Chiba, Tokai, Hyogo, Gumma, Hokkaido ary Tochigi. Nisy Efitrano Fivoriambe iray fahasivy, ao Kyushu, vita tamin’ny 1997.

Ny fitondran-tena fakan-tahak’ireo rahalahy miasa mafy dia matetika no manova ny fihetsik’ireo mpiray monina aminy izay tsy nankasitraka tamin’ny voalohany. Teo am-panorenana ny Efitrano Fivoriamben’i Tokai, any akaikin’i Nagoya, ny mpifanila trano iray dia nanohitra mafy ilay tetik’asa, ary nanandrana nandamina ny hanajanona azy io mihitsy. Tonga teo amin’ny toeram-panorenana isan’andro izy mba hijery ny fandehan’ny asa tao. Indray andro, dia tonga izy, nitondra tsofa teny an-tanany. Rehefa nanontany azy ny amin’izay kasainy hatao ilay rahalahy tompon’andraikitra tamin’ny fanorenana, dia hoy izy: “Nijery ny nataonareo aho hatramin’izao. Ary toa ohatra ny manelingelina ny lalanareo itỳ kirihitra volotsangana itỳ. Avelao aho mba hanao fanompoana an-tsitrapo koa anio.” Nanao ny anjarany koa àry izy.

Tamin’ny 1995, fony nanorina ny Efitrano Fivoriamben’i Hokkaido, any amin’ilay nosy farany avaratra, ireo rahalahy, dia tena voafetra ny volany. Koa faly aoka izany àry izy ireo nahazo seza 2 000 maimaim-poana. Ahoana no nitrangan’izany? Nandritra ilay fanorenana, dia nisy horohoron-tany nahery be namely an’i Kobe sy ireo tanàna manodidina azy, ka nahatonga trano maro tsy ho azo ampiasaina intsony. Iray tamin’izany ny Kobe Kokusai Kaikan, izay nisy efitra iray tsara tarehy fanaovana konseritra. Rehefa tapaka ny hevitra hoe horavana io trano io, dia nampiseho mpahay mozika nanao veloma an’ilay efitra ny filazam-baovaon’ny televiziona iray. Nahita ilay vaovao ireo Vavolombelona nanao asa vonjy rano vaky tao Kobe, ka nifandray tamin’ireo tompon’andraikitr’ilay trano ary nahazo lalana haka ireo seza sy handefa azy ireo tany amin’ny Efitrano Fivoriamben’i Hokkaido. Mbola vaovao tanteraka ny ampahatelon’ireo seza 2 000, ary ny hafa ho azo ampiasaina rehefa avy namboarina. Faly ilay kompania nandrava an’ilay efitra fanaovana konseritra fa efa lasa ireo seza.

Nanomboka tamin’ireo Efitrano Fivoriamben’i Tochigi sy i Hokkaido tamin’ny 1995, dia rahalahy sy anabavy nahafeno fepetra mba hanompo teo ambanin’ny fitarihan’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana Efitrano Fanjakana no nanjary nanorina Efitrano Fivoriambe koa. Tena mihevitra ho sarobidy ny Efitrano Fivoriambeny sy ny fahafahana hifanerasera mandritra ny fivoriambe ireo rahalahy. Mbola porofo hafa koa ny amin’ny fitahiana tondraka arotsak’i Jehovah noho ny ezaka ataony mba hanolotra fanati-piderana mendrika, no hitan’izy ireo amin’ireny trano tsara tarehy ireny.

Toerana sahaza anaovana fivoriamben’ny distrika

Nandritra ireo taona 1980, ny ankamaroan’ireo fivoriamben’ny distrika lehibe dia natao tao amin’ny kianja an-kalamanjana. Tsy maintsy niaretana tamin’izany ny hafanam-be sy ny hamandoana izaitsizy amin’ny fotoam-pahavaratra ary koa ireo rivo-doza, izay manomboka mampitondra faisana an’i Japon amin’ny fotoan’ny fivoriamben’ny distrika.

Tamin’ny 1983, dia nalamina hatao tamin’ny 18 ka hatramin’ny 21 Aogositra, tao amin’ny Greenery Squares tao amin’ny Saha Fahatsiarovana ny Fampirantiana ao Osaka, ny fivoriamben’ny distrika iray hisy olona maherin’ny 20 000. Ho fanomanana azy io, dia nanangana lay roa ngezabe ireo mpiasa an-tsitrapo, tamin’ny alahady 14 Aogositra. Kanefa, nisy rivo-doza iray nahatratra 160 kilaometatra isan’ora nanitsy nankany Osaka. Nanapa-kevitra ny hamaha ireo lay ireo rahalahy mba tsy hisian’ny loza. “Toy ny biraon’ny famantarana ny toetr’andro ny fahitana ny foiben’ny fivoriambe, teo am-panarahan’ireo rahalahy tamim-pitandremana ny fandroson’ilay rivo-doza”, hoy i Shogo Nakagawa, mpiandraikitra ilay fivoriambe.

“Nanjary androm-bavaka ny faha-16. Raha tiana hanomboka ara-potoana ny fivoriambe, dia tsy maintsy nanomboka nanangana ireo lay tamin’ny dimy ora, ny marainan’ny 17 Aogositra, ireo rahalahy. Hoy ny gazety ny harivan’ny 16 Aogositra: ‘Hisy Oram-batravatra any Amin’ny Faritr’i Osaka’. Raha tianay ny hanangana ireo lay ara-potoana, dia tsy maintsy nandroso haingana kokoa sy niankavanana ilay rivo-doza, ary tsy maintsy nisinda ireo rahona avy andrefana. Izany indrindra no nitranga. Tamin’ny efatra ora, ny marainan’ny faha-17, dia nanoram-be tany amin’ny faritra atsimon’i Osaka, fa tsy teo amin’ny toeran’ny fivoriambe. Natsangana indray ireo lay, ara-potoana ho amin’ilay fivoriambe, izay nanomboka tamin’ny iray ora sy fahatelony, tamin’ny alakamisy faha-18, araka ny efa nalamina.”

Tsikelikely anefa, dia nanjary nisy kianja mitafo sy efitra lehibe nahazaka olona maherin’ny 10 000, azo nampiasaina. Tamin’ireo taona 1990, dia nanomboka nanofa ireny efitra lehibe nisy fampangatsiahan-drivotra ireny ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny iray tamin’ireo fiaraha-mivory lehibe indrindra tao anaty trano dia natao tao amin’ny Tokyo Dome Stadium, tamin’ny 1992. Tamin’ny fitambarany, dia olona 39 905 no nanatrika io Fivoriambe hoe “Mpitondra Fahazavana” io. Noho io kianja io eo afovoan’i Tokyo, dia fanambarana tsara no azon’ireo mpitazana. Ny lehilahy iray niasa teo akaikin’ilay kianja, dia niaiky tamin’ny mpisava lalana iray tonga nitsidika ny tranony, fa nanakiana ny Vavolombelona izy sy ireo mpiara-miasa taminy, taloha. Rehefa avy nijery an’ireo mpanatrika ny fivoriambe anefa izy, dia niala tsiny ary nanao hoe: “Izao izaho niova fihevitra izao, dia hamaky ireto gazety ireto izaho sy ny vadiko.”

Narahabaina tonga soa ireo nafindra toerana

Tamin’ireo taona 1980, dia voasedra ny fahaizan’ireo rahalahy hanome fanampiana ilaina hafa. Toy ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany nanana fahafahana hampiseho ny halalin’ny fitiavany tamin’ny fanomezana fanampiana an’ireo mpiray finoana nahantra tany Jodia, dia toy izany koa fa ireo Vavolombelon’i Jehovah teto Japon, tato anatin’ireo taona faramparany, dia nanana fahafahana haneho ireo toetra kristiana ireo koa tamin’ny fotoan’ny loza. (Asa. 11:28, 29; Rom. 15:26). Ny fomba nanaovan’izy ireo izany dia nanome porofo fanampiny ny amin’ny fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” — Jaona 13:35.

Ny ohatra voalohany nanaovana asa vonjy rano vaky be dia be dia tamin’ny fotoana nipoahan’ny Mount Mihara, eo amin’ny nosin’i Izu Oshima, tamin’ny 21 Novambra 1986. Tamin’ny 4.17 hariva, dia nahare fipoahana lehibe iray i Jiro Nishimura, loholona tao amin’ilay hany kongregasiona teo amin’ilay nosy. “Rehefa nankany ivelany aho”, hoy ny Rahalahy Nishimura, “dia nisy rahona niendrika holatra teo ambonin’ny Mount Mihara, tsy nisy hafa tamin’ny fipoahan’ny baomba ataomika.” Tao anatin’ny adiny iray, dia horohoron-tany 80 no nampihozongozona ilay nosy. Tao anatin’ny indray alina dia olona maherin’ny 10 000 no nafindra hiala tao amin’ilay nosy.

Tao anatin’ny ora vitsivitsy taorian’ilay fipoahana, dia nisy komitin’ny vonjy rano vaky voatendry tao amin’ny Saikinosy Izu sy tatỳ Tokyo, mba hikarakara ireo Vavolombelona nafindra toerana. Taorian’ilay baiko ny amin’ny famindrana toerana, i Yoshio Nakamura dia niaraka tamin’ny mpikambana hafa tao amin’ireo kongregasiona tatỳ Tokyo, ka nihazakazaka nankany amin’ireo fiantsonan-tsambo tamin’ny roa ora maraina, mba hanampy ireo mpikambana tao amin’ny Kongregasionan’i Izu Oshima. Hoy ny iray tamin’ireo nafindra toerana tatỳ aoriana: “Vao niala ny sambo izahay, dia nahatazana soratra nanao hoe ‘Vavolombelon’i Jehovah’. (...) Nirotsa-dranomaso ny vadiko, noho izy nahatsapa fahamaivanana be nahita ireo rahalahinay tonga nitsena anay teo amin’ilay fiantsonana.”

Nipoaka i Shimabara

Dimy taona latsaka tatỳ aoriana, tamin’ny Jona 1991, dia nipoaka ny Mount Fugen, eo amin’ny Saikinosy Shimabara, any akaikin’i Nagasaki. Olona maherin’ny 40 no maty. Ny tranon’ny Vavolombelona iray dia teo amin’ny lalana nandalovan’ilay riakan’etona niharo lavenona faran’izay nahamay, ka saika tsy voavotra ny ain’izy sy ireo zanany. Tamin’ireo mpitory 42 tao amin’ny Kongregasionan’i Shimabara, dia 30 no tsy maintsy nafindra toerana. Tsy afaka nampiasa ny Efitrano Fanjakanany intsony ilay kongregasiona, satria tao amin’ilay faritra nampidi-doza no nisy azy io. Nampahafantarina ny amin’ny zavatra nilain’ireo rahalahiny tany amin’ny faritra niharan-doza ireo kongregasiona nanerana an’i Japon, ary nisy kaonty iray nosokafana tany amin’ny banky mba handefasana vola vonjy rano vaky. Nanoina ny antso avy hatrany ireo rahalahy, hany ka tototra ilay banky teo an-toerana. Nangataka izy ireo mba haato kely aloha ny fandefasam-bola, mandra-pamitan’izy ireo ny fikarakarana ny mbola teo am-pelatanany. Tao anatin’ny iray volana latsaka, ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky teo an-toerana dia nangataka an’ireo kongregasiona mba tsy handefa vola intsony, satria efa nahazo mihoatra noho izay nilainy izy ireo. Fanampin’ny fikarakarana ireo izay namoy ny asany sy ny toeram-ponenany, ireo vola fanomezana nalefan’ireo rahalahy, dia nahafahana nanorina Efitrano Fanjakana vaovao iray tsara tarehy ho an’ny Kongregasionan’i Shimabara sy iray hafa ho an’ny Kongregasionan’i Arie vao niforona, izay misy ny antsasak’ireo nitsoa-ponenana ankehitriny.

Nanohina lalina ny fon’ireo Vavolombelona tany amin’ilay faritra niharan-doza ireo asa vonjy rano vaky, nomban’ny fanehoam-piahiana feno fitiavana tao amin’ireo taratasy 3 000 mahery voarainy. Ho vokany, tamin’ny Aprily tamin’ny taona nanaraka ilay loza, ireo mpitory 28 tao amin’ny Kongregasionan’i Shimabara, ary koa ireo mpikambana vita batisa 20 tao amin’ny Kongregasionan’i Arie, dia samy nirotsaka hanao ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy. Izany dia mariky ny fankasitrahany an’i Jehovah.

Nilaina ny fanampiana araka ny lalàna

Mazava ho azy fa tsy nahafaly an’i Satana ny fiaraha-miasan’ny mpanompon’i Jehovah tamim-piraisan-tsaina. Toy ny any amin’ny tany hafa, dia nitady hanisy fanakantsakanana mba tsy handrosoan’ny vahoakan’i Jehovah izy. Noho izany, dia nanjary nilaina indraindray ny nitondra raharaha tany amin’ny fitsarana. — Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 25:11.

Mba hikarakarana ireo tarehin-javatra nilana torohevitra araka ny lalàna, dia natsangana ny sampan’asa momba ny lalàna teto amin’ny biraon’ny sampana, tany am-piandohan’ireo taona 1980. Tamin’ny 1991, dia nanolotra an-tsitrapo ny hanompo manontolo andro teto amin’ny biraon’ny sampana ny mpisolovava tanora iray sy ny vadiny. Naka hevitra tamin’ny rahalahy hafa niasa teo amin’ny sehatry ny lalàna izy, ary avy eo dia nanomana fanazavana nitondra fanampiana be dia be ho an’ireo fitambaran-doholona, momba ny raharaha toy ny fanofana sy ny fananana Efitrano Fanjakana, ny fandaminana raharaha momba ny herisetra atao amin’ny vahoakan’i Jehovah ary ny dingana mampiseho fahendrena eo amin’ny raharaha momba ny fisaraham-panambadiana sy ny zo hitaiza ny zanaky ny tena. Fanampin’izany, ny biraon’ny sampana dia nomena torohevitra nilaina mba hiatrehana ireo fiovan’ny lalàna momba ny fanontana sy ny fanondranana boky ara-baiboly sy ny raharaha nitovy tamin’izany.

Nentina tany amin’ny fitsarana ny feon’ny fieritreretana ara-pivavahana

Ny raharaha lehibe iray nentina tany amin’ny fitsarana dia nahakasika an’i Kunihito Kobayashi, 16 taona, nisoratra anarana tao amin’ny Kolejy Teknikan’i Kobe. (Eto Japon, ny kolejy teknika dia manolotra fianarana tsy an-tery maharitra dimy taona, ka efa tafiditra amin’izany ireo telo taonan’ny lise.) Nanjary fanaon’ny sekoly sasany ny nampamerina taona na nandroaka ireo mpianatra izay tsy nandray anjara tamin’ny fanazarana amin’ny arts martiaux. Tsy nomena ny zony hahazo fianarana àry izy ireo tamin’izany. Tamin’ny fotoana nanaovan’i Lloyd Barry fitsidihana ny zone tamin’ny Desambra 1986, dia nanoroana hevitra ny hifantenana tarehin-javatra nahakasika rahalahy fakan-tahaka iray, tsara kokoa raha zanaka loholona, sy ny hampakarana tany amin’ny fitsarana ny raharaha momba ny fandroahana azy.

Tamin’ny 1990, i Kunihito Kobayashi, niaraka tamin’ny mpianatra efatra mirahalahy hafa, dia nanda tsy hanaraka ny fanazarana amin’ny kendo (ady sabatra japoney), ho fanarahana ny baiko ao amin’ny Isaia 2:4 mba ‘hanefy ny sabatra ho fangady sy tsy hianatra ady intsony’. Ho vokany, dia tsy nasondrotra kilasy izy ireo. Na dia nahazo ny naoty ambony indrindra tao amin’ny kilasiny aza i Kunihito, dia noroahina tatỳ aoriana, satria namerina ny taranja fanatanjahan-tena tao anatin’ny roa taona nisesy. Nampakatra ny nataon’ilay sekoly tany amin’ny fitsarana i Kunihito sy ireo mpianatra efatra hafa, tamin’ny filazana fa nohitsakitsahina ny zony hanana fahalalahana hanao fanompoam-pivavahana sy hahazo fampianarana, nomen’ny lalàm-panorenana azy. Taorian’ny famerenam-pitsarana maro samihafa, dia ny raharahan’i Kunihito no tonga tany amin’ny Fitsarana Tampony tamin’ny farany. Tamin’ny 8 Martsa 1996, ireo mpitsara rehetra tao amin’ny ambaratonga iray tao amin’ny Fitsarana Tampony tsy an-kanavaka dia samy nanome rariny azy, ka nanambara fa diso ilay sekoly nanery azy hifidy ny fivavahany na ny fampianarana. Iny no voalohany nanapahan’ny fitsarana ny raharaha momba ny fandaharam-pianarana, ka nanomezany lanja kokoa ho an’ny fahalalahana ara-pivavahana, noho ny ho an’ny fahefan’ny sekoly. Nampiantso ny mpianatra rehetra ny tale vaovaon’ilay sekoly, ka niaiky fa tsy naneho fahaiza-mitsara zavatra ilay sekoly tamin’iny raharaha iny, ary nangataka azy ireo mba “hiarahaba tonga soa amin-kafanana indray an’Atoa Kobayashi ho mpiara-mianatra amin’izy ireo”. Tamin’ny Aprily 1996, efa-taona taorian’ny nandroahana azy, dia niverina nianatra indray ny Rahalahy Kobayashi, izay 21 taona izao.

Noresahina be dia be nanerana an’i Japon ilay fanapahan-kevitra, ary faly ny Vavolombelon’i Jehovah fa nisarihana ny sain’ny vahoaka indray ny anaran’i Jehovah sy ny lalany marina, no sady nisy fanambarana tsara vita. — Matio 10:18.

Fanehoana fanajana ny lalàn’Andriamanitra momba ny ra

Na dia fantatra tsara aza ny fiahian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ain’ny mpiara-belona aminy, dia nanjary nilaina ny ezaka mafy mba handresena ireo fitsarana an-tendrony lalim-paka momba ny fanajan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahamasinan’ny ra. (Gen. 9:4; Asa. 15:28, 29). Talohan’ireo taona 1980, ny biraon’ny sampana dia nihazona ny lisitr’ireo hopitaly sy dokotera izay nanao fandidiana tsy nisy fampiasana ra. Tsy ny lisitr’ireo dokotera tia miara-miasa taminay anefa io lisitra io; tsy sazoka no nanaovan’ny sasany fandidiana tsy nisy fampidiran-dra.

Mety hisy zavatra hafa azo natao ve mba hanampiana an’ireo Vavolombelona nila ny anaran’ireo dokotera vonona hanao fandidiana tsy nisy fampiasana ra? Hoy ny tsaroan’i Akihiro Uotani, izay nanjary anisan’ny nikarakara io zavatra nilaina io: “Kivy izahay, satria tsy fantatray matetika izay tokony hatao rehefa naharay antso feno famoizam-po avy tamin’ireo nitady ny anaran’ireo dokotera vonona handidy tsy nisy fampidiran-dra, ny Fikambanana.” Avy eo, teo am-piandohan’ny 1989, dia tonga teto Japon ny siosio hoe nanao seminera ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH) tany Etazonia. Liana ny biraon’ny sampana, ka nanoratra taratasy iray nangatahana vaovao tany amin’ny foibe tany Brooklyn. Tatỳ aoriana, tamin’ny Novambra tamin’io taona io ihany, dia nisy taratasy iray voaray avy tamin’ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly tany Brooklyn, nampahafantatra ny biraon’ny sampana fa nanome lalana ny hanaovana semineran’ny KMH teto Japon, tamin’ny Martsa 1990, ny Komitin’ny Fampanontana. Izy io no ho ny iray tamin’ireo voalohany hatao ivelan’i Etazonia.

Fanampin’ireo mpikambana 91 tao amin’ny KMH vao avy notendrena, dia mpiandraikitra mpitety faritany 111, dokotera Vavolombelona 25 avy teto Japon, rahalahy 44 avy tany amin’ny Repoblikan’i Korea ary mpampianatra 3 avy tany Brooklyn no hanatrika ilay izy. Hatao tamin’ny teny anglisy ilay seminera ary hadika tamin’ny teny koreana sy japoney.

“Nandritra ilay seminera, ireo mpampianatra dia nanantitrantitra niverimberina ny ilana ‘hampahafantaran-javatra an’ireo dokotera’ ”, hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Uotani. “Nisalasala be ny sasany hoe hekena eto Japon ve ny hanadinadinana ireo dokotera sy ny hitsidihana ireo hopitaly mba hampahafantaran-javatra an’ireo dokotera. Ny tena anton’izany dia noho ireo Japoney nanaiky be fotsiny izay fitsaboana nomen’ny dokotera azy, ary ireo dokotera matetika dia tsy niresaka ny amin’izay nataony tamin’olona tsy tao anatin’ny fitsaboana. Kanefa, taorian’ilay seminera, dia nahaforona ekipa niaraka tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ireo mpampianatra telo, ary nitsidika hopitaly tatỳ amin’ny manodidina an’i Tokyo, ka nahazo vokatra tsara dia tsara.”

Fampahafantaran-javatra ny fampitam-baovao sy ny dokotera

Noho ireo tatitra feno fitsarana an-tendrony sy vaovao tsy marina niseho tao amin’ny gazety, dia tsapa fa tokony hisy ezaka hatao mba hampahafantaran-javatra ny fampitam-baovao sy ny dokotera, momba ny toerana tananay mahakasika ny ra. Koa nanomboka tamin’ny Septambra 1990 àry, rehefa avy navoaka ilay bokikely vaovao hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?, dia nanomboka ezaka manokana ny biraon’ny sampana mba hihaonana tamin’ny mpanao gazety izay nanoratra lahatsoratra ara-pitsaboana tao amin’ny gazetim-pirenena sy ny gazety teo an-toerana. Tena nahomby ilay izy. Ny sasany tamin’ireo mpanao gazety, talanjona noho izay naseho azy, dia nanolotra ny hanoratra lahatsoratra momba ireo dokotera izay nanao fandidiana tsy nisy fampiasana ra, mihitsy aza.

Nisy vokatra tsara iray hafa azo: Nampahafantatra ny KMH tany Osaka ireo mpanao gazety ara-tsiansa tao amin’ny gazetim-pirenena lehibe indrindra, fa ny Komity Manapaka ny Fitsipika Arahina ao amin’ny Foibem-pirenena Momba ny Aretim-po dia nandinika ny fomba hifampiraharahana tamin’ny Vavolombelona. Avy hatrany, dia nisy taratasy iray nosoratana, nangatahana fihaonana tamin’ny lehiben’ilay foibe. Samy nanatrika io fivoriana io ilay lehibe sy ny mpitari-draharaha lefitr’ilay Komity Manapaka ny Fitsipika Arahina. Ho vokany, tamin’ny 22 Aprily 1991, dia noraisina ny fanapahan-kevitra hanaja ny zon’ny Vavolombelona handa fampidiran-dra.

Nanaraka io fiandohana tsara io, dia nohatonina koa ireo komity manapaka ny fitsipika arahina tany amin’ny hopitaly hafa, ka nahazoana vokatra nitovy tamin’izany koa. Fony nanomana toro lalana momba ny fomba hiatrehana ny fandavana fampidiran-dra noho ny antony ara-pivavahana ny Komity Manapaka ny Fitsipika Arahina ho an’ireo Hopitaly sy Trano Fiterahana atỳ Tokyo, dia nisy mpikambana tao amin’ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly avy tato amin’ny biraon’ny sampana, sy mpikambana tao amin’ny KMH tatỳ Tokyo, nasaina mba handray anjara tao koa. Nanoro hevitra ilay komity nisy mpikambana 13 hoe ireo hopitaly 16 rehetra tantanan’ny fanjakana atỳ Tokyo dia samy tokony hanaja ny fanirian’ny marary efa olon-dehibe mitady fitsaboana tsy misy fampiasana ra, na dia mihevitra aza ny dokotera fa tena ilaina ny ra. “Rehefa entina ao amin’ny hopitaly ny marary iray tsy mahatsiaro tena, nefa manana taratasy manamarina fa tsy maniry fampidiran-dra ny tenany, ilay dokotera dia tsy maintsy manome ny toerana voalohany ho an’izany faniriana izany”, hoy ny tatitry ny Mainichi Shimbun. Ankoatra izany, dia nambara fa “hohajaina ny fanirian’ny ankizy mianatra any amin’ny lise, momba ny fampidiran-dra, toy ny hoe olon-dehibe izy ireo”.

Na dia ireo hopitaly nametraka soratra hoe “Tsy Mandray Vavolombelon’i Jehovah” teo aloha aza, dia niova fihetsika, ka vonona ny hitsabo Vavolombelona sy hampiasa fitsaboana tsy misy fampiasana ra. Misy anarana maherin’ny 15 000 izao ao amin’ny lisitr’ireo dokotera tia miara-miasa aminay. Nahatsiaro ho nailika ny dokotera sasany, raha tsy naka ny anarany ny KMH teo an-toerana. Tamin’ny Oktobra 1995, dia nanomboka fandaharana ny amin’ny fitsaboana tsy misy fampiasana ra ny Shin-Tokyo Hospital ao Matsudo, dia fandaharana izay manaja tanteraka ny toerana tanan’ny Vavolombelona momba ny ra. Koa dingana sy fandrosoana tsara dia tsara àry no vita tamin’io raharaha lehibe io.

Fitiavana omban’ny fahaiza-mandamin-javatra

Araka ny nambaran’i Jesosy Kristy mialoha, amin’izao andro farany izao, dia hisy horohoron-tany lehibe hanohy hamely any amin’ny tany samy hafa. (Matio 24:3, 7). Ny iray taminy dia namely an’i Kobe sy ny manodidina azy tamin’ny talata 17 Janoary 1995. Io horohoron-tany io, izay nahatratra 7,2 teo amin’ny mari-drefy Richter, dia naka ain’olona 5 000 mahery ary namela olona an’arivony maro hafa tsy hanam-pialofana. Tamin’ireo Vavolombelona 9 000 nipetraka tao amin’ilay faritra niharan-doza, dia Vavolombelona vita batisa 13 sy mpitory tsy vita batisa 2 no namoy ny ainy. I Hiroshi sy i Kazu Kaneko, mpivady mpisava lalana manokana nanompo tao amin’ny Kongregasiona Nishinomiya-Afovoany, dia hita tao ambanin’ny korontan-javatra rava avy tamin’ny trano tranainy iray, tamin’io maraina io. Nila adiny efatra mahery vao nahatafavoaka ny Rahalahy Kaneko, fa i Kazu vadiny kosa voatsindry tao ka maty. Voatsindrin’ny havesatr’ireo sisan-javatra nandritra ny fotoana ela be i Hiroshi, hany ka nanjary tsy niasa intsony ny voany, ka nampanahy mafy ny fahasalamany, nandritra ny andro maro. “Tsapako tsara mihitsy tamin’izay fa tsinontsinona ny fananana ara-nofo”, hoy i Hiroshi. “Mifanohitra amin’izany kosa, fa tsapako ny maha-zava-dehibe ny toetra anaty, toy ny finoana sy ny fanantenana. Manampy antsika hahatohitra ny toe-javatra ratsy indrindra mety hatrehintsika ireo toetra ireo.”

Voatosiky ny fitiavany lalina an’ireo rahalahiny ireo Vavolombelona, ka avy hatrany dia nanampy. Soa ihany fa ireo fizaran-tany nanodidina an’i Kobe dia voazara araka ny tsipika mampisaraka ilay tanàna hatrany avaratra ka hatrany atsimo. Koa satria ilay horohoron-tany namely ilay faritra amoron-tsiraka avy any atsinanana ka hatrany andrefana, ny fizaran-tany tsirairay dia nanana kongregasiona tsy tra-boina izay afaka nanampy an’ireo nila fanampiana. Ireo loholona tao amin’ireo kongregasiona tsy niharan-doza teo akaiky no tonga dia nandamina ny asa vonjy rano vaky. Ny ampitson’ilay hovotrovotra voalohany, dia nisy môtô 16 nanatitra sakafo sy rano tany amin’ireo kongregasiona tao afovoan-tanànan’i Kobe.

Ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany dia nanangana avy hatrany foiben’ny vonjy rano vaky hikarakara an’ireo Vavolombelona tany amin’ilay faritra niharan-doza. Ny biraon’ny sampana dia nanendry Efitrano Fanjakana tsy rava enina mba ho fanatobiana ireo fanampiana vonjy rano vaky. “Tao anatin’ny adiny dimy, dia feno hipoka ireo Efitrano ireo”, hoy ny tsaroan’i Yoshihiro Nagasaki, mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana, izay tonga tany amin’ilay faritra niharan-doza, nitaingina ny môtôn’ny Vavolombelona iray hafa. “Voatery nangataka an’ireo rahalahy mba hampivily lalana an’ireo fanampiana vonjy rano vaky ho any amin’ny Efitrano Fivoriambe teo akaiky, izahay.” Nisy foiben’ny vatsy fanampiana natsangana tany amin’ny toerana nahafahan’ireo solontenan’ny kongregasiona teo an-toerana naka ireo zavatra nilainy, ary ireo loholona tao amin’ny kongregasiona tsirairay avy eo no nizara ireo fanampiana tamin’ireo mpikambana tao aminy.

Ny Baiboly dia mampirisika ny Kristiana “hanao soa amin’ny olona rehetra, indrindra fa amin’ny mpianakavin’ny finoana”. (Gal. 6:10). Ny Vavolombelona dia faly nizara izay azony tamin’ireo mpiara-monina taminy. Roa andro taorian’ilay horohoron-tany tao Kobe, rehefa hitan’ny loholona Vavolombelona iray fa ampy ny fanampiana vonjy rano vaky ho an’ny Vavolombelona, nefa nisy olon-kafa nila fanampiana mafy, dia nandefa haingana kamiaonety roa feno sakafo tany amin’ny foiben’ny mpialokaloka tany an-toerana izy.

Fanomezana fanampiana fanampiny

Nanehoana fiheverana koa ny zavatra ara-pihetseham-po sy ara-panahy nilain’ny olona. Natao haingana ny fandaharana mba hanohizana ireo fivorian’ny kongregasiona. Ny kongregasiona iray dia nivory tao amin’ny zaridainam-panjakana iray tamin’ny andro nisian’ilay horohoron-tany. Ny alahady nanaraka ilay horohoron-tany, dia nanao ny Fianarany Ny Tilikambo Fiambenana mahazatra ny ankamaroan’ireo kongregasiona teo an-toerana. Mba hikarakarana ny zavatra ara-pihetseham-po sy ara-panahy nilain’ireo izay niharan-doza, dia mpiandraikitra ny fizaran-tany fito no nirahina tany amin’ireo fizaran-tany niharan-doza dimy, ankoatra ireo mpiandraikitra ny fizaran-tanin’izy ireo avy. Nanao fitsidihana manokana izy ireo mba hanatanjahana ireo rahalahy sy hanampiana azy ireo hihazona ny tombontsoan’ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany, na dia teo aza ilay loza.

Efitrano Fanjakana folo no nanjary tsy azo nampiasaina intsony. Rava tanteraka na simba ny tranon’ny maro tamin’ireo rahalahy. Ireo Komitim-paritra Momba ny Fanorenana 11 eto Japon dia samy nandamina ekipana mpiasa tokony ho 21 avy, mba hanamboatra ireo trano simba. Nisy ekipana Vavolombelona mpanao vonjy rano vaky avy tany Etazonia nianto-tena ka tonga mba handray anjara tamin’ilay asa. Rehefa vita ny asany, dia trano simba 1 023 no voamboatran’izy ireo, ary trano rava 4 no nesoriny. Efitrano Fanjakana dimy no voaorina indray, ary efatra simba no voamboatra, noho ny rahalahy feno fahafoizan-tena izay tonga avy tany amin’ny faritra rehetra teto Japon.

Ireo mpianakavy tsy mpino dia nanehoana hatsaram-panahy nitovy tamin’izay naseho tamin’ireo mpianakavy mpino ihany. Ny anabavy iray nanana vady tsy mpino sy zanaka efatra dia namoy ny zanany lahiaivo tao amin’ilay horohoron-tany. Nijanona tao amin’ny Efitrano Fanjakana niaraka tamin’ny Vavolombelona 70 hafa nandritra ny herinandro ilay fianakaviana. Nahita ny fiahian’ireo rahalahy sy ny fanampiana nomen’izy ireo, ilay rangahy, ka nanomboka nankasitraka ny fandaminan’i Jehovah. Indray andro izy dia nitsidika ny foiben’ny vonjy rano vaky tao Suita. Tao izy dia nahita rahalahy maro niasa mafy ho an’olona tsy fantatr’izy ireo akory. Resin’ny fihetseham-pony izy, ka tsy nahatana ny ranomasony. Ny androtr’iny ihany izy dia nanaiky hianatra Baiboly.

Fihetsika manorina eo anoloan’ny fiovana

Arakaraka ny fandehan’ireo taona, dia niova ny tarehin-javatra teto Japon. Tamin’ny faran’ny Martsa 1992, telo amby efapolo taona taorian’ny nahatongavan’ireo misionera voalohany tamin’ny 1949, ny faritany manontolo teo ambanin’ny fitantanan’ny sampan’i Japon dia nitoriana tsy tapaka tamin’ny alalan’ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Kanefa ny fihetsiky ny olona sy ny toe-javatra misy azy dia niova koa, ka izany dia mitaky fahaiza-mampifanara-javatra avy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hoy ny nomarihin’i Rodney Kealoha, misionera tao amin’ny asa fitetezam-paritany nandritra ny taona maro: “Dimy amby roapolo taona lasa izay [tamin’ireo taona 1970], dia mbola tena nahalala fomba sy sariaka ny Japoney. Rehefa tonga nitsidika azy ny Vavolombelona, dia nihaino izy ireo, na dia tsy liana aza.” Naka fotoana mba hamakian-teny ny olona, ary tamin’ny ankapobeny, dia nanana fiheverana ambony ny fitondran-tena tsara sy ny filaminan’ny fiaraha-monina. Kanefa, tsikelikely izy ireo dia nanjary variana tamin’ny fanambinana ara-nofo nihanitombo. Niditra ny sehatry ny asa ireo vehivavy mpikarakara tokantrano. Nihavitsy ny olona tratra tao an-tranony mandritra ny andro. Ireo izay tao an-trano dia sahirana loatra matetika ka tsy afaka niresaka maharitra momba ny fivavahana, ary tsy vonona handray zavatra vita an-tsoratra izay fantany fa tsy hovakiny, noho ny tsy fananany fotoana.

Trano avo voaro mafy sy trano manokana misy telefaonina eny am-bavahady no aorin’ny olona ankehitriny. Ireo mpitory any amin’ireny faritra ireny dia tsy maintsy nizatra ny hiteny tamin’ny telefaonina teny am-bavahady. Nianatra ny hiverina hitsidika an’ireo izay tsara fanahy sy nahafinaritra fotsiny, izy ireo. I Hiroko, mpisava lalana tao Sapporo, dia nolavin’ny ramatoa iray nilaza tena ho Shintoista, teo amin’ny telefaonina teo am-baravarana. Nino mafy i Hiroko fa tsy maintsy ho nanana fo tsara ilay ramatoa, noho ilay feony falifaly sy ny hatsaram-panahiny, ka niverina nitsidika azy izy. Nanorina fisakaizana tsikelikely taminy teo amin’ilay telefaonina teo am-baravarana izy. Rehefa avy nanao fitsidihana toy izany nandritra ny folo volana izy, tamin’ny farany dia noraisin’ilay ramatoa tamin’ny hoe: “Andraso kely hoe, aza fady.” Niseho teo am-baravarana ilay ramatoa ka nanasa azy hiditra. Niresaka momba ny raharaham-pianakaviana iray izy ireo, ka izany dia nitarika haingana ho amin’ny fianarana Baiboly, ary avy eo dia ho amin’ny batisa. Nanana fo tsara tokoa ilay anabavy vaovao, izay mpisava lalana ankehitriny.

Koa satria olona maro no tsy ao an-trano mandritra ny andro, Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana dia nanoro hevitra ny hampitomboana ny fitoriana takariva sy eny amin’ny arabe. Nanoina ilay antso tamin-kafanam-po avy hatrany ireo mpitory. Tsy ela, nanerana an’i Japon, dia hita izy ireo nampiseho Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! teny amin’ny arabe, indrindra fa teny akaikin’ireo gara feno olona.

Ny ohatra tsara ny amin’izany dia ny anabavy iray tany akaikin’i Yokohama. Na dia nanana asa manontolo andro aza izy, dia naniry ny ho mpisava lalana mpanampy. Nanoro hevitra ny hanaovany fitoriana teny amin’ny arabe, teo akaikin’ny gara iray, nanomboka tamin’ny 6 ka hatramin’ny 8, talohan’ny handehanany tany am-piasana isa-maraina, ny loholona iray. Rehefa avy nandresy ny hasarotan-kenatry ny tenany sy ny fanarabian’ny mpandeha lamasinina sasany tamin’ny voalohany izy, dia nanjary nahazo lalana fizarana gazety tamin’olona 40 teo ho eo, izay faly nandray ireo gazety. Mpandeha lamasinina sy mpiasan’ny gara ary mpivarotra teo akaiky no anisan’izy ireo. Ny salanisan’ny gazety voapetrany dia 235 isam-bolana, tao amin’ny faritany iray izay nametrahan’ny mpisava lalana gazety 30 teo ho eo mazàna. Rehefa nizara hevitra ara-baiboly tamin’ny olona nandritra ny minitra vitsivitsy monja isan’andro izy, dia afaka nanomboka fampianarana Baiboly enina samy hafa — ny iray dia tamin’ny polisy iray.

Ny mpitory hafa dia nampihatra ireo fanipazan-kevitra momba ny fitoriana an-telefaonina mba hiresahana tamin’ireo olona tao amin’ireo trano avo voaro mafy. Nanokatra ny lalana ho amin’ny fampianarana Baiboly maro ny fikirizana sy ny fanasongadinana foto-kevitra nanintona iray. Rehefa nanontanian’ny anabavy iray nampiasa ny telefaonina ny ramatoa iray raha mba efa nieritreritra ny amin’ny hoaviny sy ny an’ny fianakaviany izy, dia namaly hoe eny. Diso fanantenana izy raha ny amin’ny fahafahan’ny hafa hanampy, ka izany dia nisy fiantraikany teo amin’ny fahasalamany. Ho vokany, dia nitoka-monina tao an-tranony izy. Nanohina azy ny fiahiana feno fahatsoram-po nasehon’ilay Vavolombelona, ka nanaiky ny hihaona taminy teo amin’ny fivarotana iray teo akaiky izy. Rehefa naseho azy ny loha hevitra tao anatin’ny boky Fiainam-pianakaviana, dia nanaiky fianarana Baiboly mora foana izy.

Ny asa feno faharisihana teny amin’ny saha, nomban’ny fahatratraran’ireo kongregasiona fahamatorana, dia nitarika ho amin’ny fitomboana tsy niovaova sy nitohy. Ny fitohizan’ireo tampon’isa nisesy teo amin’ny isan’ny mpitory dia nanomboka tamin’ny 1979 ka nitohy tsy niato nandritra ny 18 taona mahery. Teo anelanelan’ny tapany faharoa tamin’ireo taona 1980 sy ny tapany voalohany tamin’ireo taona 1990, ny fitomboan’ny isan’ny mpitory teto Japon dia maherin’ny 10 000 isan-taona tamin’ny antsalany. Tamin’ny Martsa 1995, dia nisy mpitory ilay Fanjakana 200 000 teto. Tamin’ny Aogositra 1997, dia mpitory 220 663 no tao amin’ny kongregasiona 3 785, raha oharina amin’ny mpitory 14 199 tao amin’ny kongregasiona 320 tamin’ny Aogositra 1972. Amin’ireo anefa, dia mitombo ny isan’ireo mpitory izay tsy miteny japoney.

Fanampiana ho an’ireo olona miteny vahiny

Ho vokatry ny toe-karena matanjaka eto Japon, dia mpiasa maro tsy mahay teny japoney no nifindra nonina teto. Misy Vavolombelon’i Jehovah anisan’izy ireo. Tsy tany tsy ahitana afa-tsy olona miteny japoney fotsiny intsony i Japon. Ahoana no hahafahana hanome fanampiana ara-panahy an’ireo mponina miteny vahiny?

Talohan’ireo taona 1980, dia vitsy ihany ny mponina niteny vahiny. Nisy groupes isolés na kongregasiona kely noforonina tany Misawa sy Tachikawa ary Okinawa, ho an’ny vady aman-janak’ireo mpiasan’ny tafika amerikana sy ho an’ny olona liana sasany.

Ny lehibe indrindra tamin’ireo dia ho an’ny tobin’ny tafika amerikana tao Okinawa. Tamin’ny 1968, i Karl sy Evalyn Emerson, izay misionera tany Korea taloha, dia nifindra toerana niaraka tamin’ny zanany lahy kely, mba hanampiana ireo mponina niteny anglisy tao Okinawa. Tonga tao amin’io saha namokatra io koa tatỳ aoriana i Bill sy i Mary Ives ary i Wayne sy i Penny Frazee, avy tamin’ny kilasin’i Gileada faha-40 sy faha-52. I Wayne, izay nitondra fiara kely efa rotidrotika nanerana ny Tobin’ny Tafika Ana Habakabak’i Kadena niparitaka be, dia tena nahita vokatra teo amin’ireo zazavao, satria miaramila koa ny tenany taloha. Tamin’ny fitambarany, dia olona tokony ho 100 no nampian’i Wayne sy i Penny ho tonga hatramin’ny batisa nandritra ireo 15 taona nanompoany tao Okinawa. Nahomby aoka izany ny fanompoany, hany ka nangataka azy ireo hitory tany an-toeran-kafa ny komandàn’ny toby iray. Fa nahoana? “Alainareo ireo oloko tsara indrindra”, hoy izy nitaraina.

Na dia nahitana olona tonga sy lasa tsy tapaka aza tao amin’ilay kongregasiona, noho ny famindrana asa ho amin’ny toby miaramila hafa, dia olona an’arivony maro ara-bakiteny no nanatrika ireo fivoriana ary an-jatony maro no nampiana mba hiandany amin’i Jehovah. Nanohy nanompo an’i Jehovah ny ankamaroan’ireo, rehefa niverina tany Etazonia. Ny sasany tonga loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana. Ny iray tamin’ireo, i Nick Simonelli, dia nanatrika ny kilasin’i Gileada faha-93 tatỳ aoriana, ho fanarahana ny dian’ilay niara-nianatra taminy. Manompo any Ekoatera miaraka amin’ny vadiny izy ankehitriny.

Faritany miteny anglisy eto Japon

Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1970, rehefa nifarana ny Adin’i Vietnam, dia rava tsikelikely ireo groupes niteny anglisy teto Japon. Teo am-piandohan’ireo taona 1980 anefa, rehefa nahamarika ny isan’ireo olona niteny anglisy teo akaikin’ny Tobin’ny Tafika Ana Habakabaka sy An-dranomasina Amerikan’i Atsugi, izay 15 minitra tamin’ny aotomobilina monja avy teo amin’ny Betela, i James Mantz, zanany, dia nanasa ny ray aman-dreniny, izay nipetraka tany Kalifornia, any Etazonia, tamin’izay, mba hita hankatỳ Atsinanana, ka hanampy. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:9.) Koa tamin’ny Martsa 1981 àry, dia nifindra nankany Sagamihara, teo akaikin’ny tobin’i Atsugi, i James Mantz, rainy, 62 taona, sy i Ruth vadiny, 59 taona. “Ny faritaninay dia izay rehetra nahitanay olona niteny anglisy”, hoy ny tsaroan’i Ruth. “Teo am-pitoriana teny amin’ny arabe, dia matetika i Ruth no nanajanona ireo miaramila amerikana tanora nandeha bisikileta, tamin’ny fanatsorana ny tanany nitana gazety”, hoy ny tsaroan’ny mpianakavin’ny Betelan’i Ebina iray. Mampalahelo fa nody mandry i James Mantz, rainy, tsy ela taorian’ny nahatongavany teto Japon, fa i Ruth kosa nijanona teto ary nanampy olona maromaro ho tonga tao amin’ny fahamarinana. Tonga kongregasiona ilay antokon’olom-bitsy niteny anglisy tao Sagamihara, tamin’ny Oktobra 1985.

Rehefa nihanatanjaka ihany ny toe-karena japoney nandritra ireo taona 1980, dia nitombo be ny isan’ny vahiny. Olona an’arivony maro avy tany Philippines, Amerika Atsimo, Afrika, Sina ary Korea no nirohotra teto mba ho mpiasa vahiny teto. Nanao zavatra ny Fikambanana mba hanomezana fanampiana ara-panahy an’ireny mpiasa vahiny ireny. Notendrena mba hanolotra fanampiana ireo mpisava lalana japoney nahay niteny anglisy, ary koa ny maro nanompo teto amin’ny Betela. “Rehefa nanomboka nitari-dalana tamin’io ny Fikambanana”, hoy ny rahalahy iray izay tao amin’ny kongregasiona anglisy hatramin’ny taona maro, “dia tonga avy hatrany ny fitomboana.” Tamin’ny 1 Septambra 1997, dia nisy kongregasiona anglisy 18, izay nahaforona fizaran-tany iray nitokana, teto.

Fanampiana ho an’ny Breziliana

Japoney maro be, nanana ray aman-dreny na raibe sy renibe nifindra nonina tany Brezila, no niverina hiasa teto Japon, nefa sady tsy nahay teny japoney no tsy nahay teny anglisy, izy ireny. Tamin’ny 1986, i Kazuyuki sy i Nanako Kiritani, mpivady misionera taloha, izay nanompo tany Brezila, dia nifindra nankany Yokohama, izay nisy anabavy sy mpianatra Baiboly vitsivitsy niteny portogey. Io antokon’olom-bitsy io dia nanomboka nanao Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy Sekolin’ny Fanompoana Teokratika indray mandeha isam-bolana, tamin’ny teny portogey.

Tamin’ny lohataonan’ny 1991, ny Fikambanana dia nanasa loholona breziliana telo, nipetraka tatỳ Tokyo sy tany Nagoya ary tany Toyohashi, ary koa ny Rahalahy Kiritani, mba hiara-midinika momba ny fandroson’ny saha portogey. Tamin’ny Aogositra 1991, dia nisy groupes portogey efatra nanomboka niasa. Nanendry Betelita izay vonona, ny biraon’ny sampana ary nanomboka kilasy fianarana teny portogey teto amin’ny Betela. May ny hianatra ilay fiteny izy ireo ary tonga anisan’ny fototr’ireo groupes portogey. Tsy ela dia tonga kongregasiona ireo groupes vao niforona ireo, ary tao anatin’ny enin-taona, dia nisy kongregasiona portogey 21, izay nahaforona ny fizaran-taniny manokana koa, teto.

Nisokatra ny saha espaniola

Tamin’ny Septambra 1987, dia natao tamin’ny teny espaniola ny fivoriana voalohany mba hanampiana anabavy valo izay niaraka tamin’ilay groupe portogey hatramin’izay. I Louis Delgado, rahalahy mpitovo avy tany Peroa, no nitari-dalana. Tamin’izany andro izany, ny sasany tamin’ireo anabavy dia nandeha an-tongotra adiny enina mba hanatrehana ireo fivoriana tamin’ny teny espaniola, nefa mendrika ny nanaovana azy izany, noho ilay fanampiana ara-panahy noraisiny. Noho ny tsy fahaizana ilay fiteny, ny vehivavy sasany izay nanambady teratany japoney noho ny antony ara-bola, dia nahita zava-nanahirana ara-panambadiana no sady sahirana nanazava ny fihetseham-pony tamin’ireo loholona tao amin’ireo kongregasiona japoney.

Zava-tsarotra ho an’ilay groupe espaniola koa ny fanompoana teny amin’ny saha. Mba handaminana ny faritany, dia nankany amin’ireo gara 29 teny amin’ny Zotra Yamanote, dia ilay zotran-dalamby mivezivezy eo afovoan’i Tokyo, izy ireo ary nitady anarana espaniola teny am-baravaran’ny olona. Na dia namizana sy naka fotoana be aza io asa io, dia nanome faritany ampy niasan’izy ireo.

Nandritra ny andro, dia nitsidika ireo faritra nisy vehivavy kolombiana maro ireo anabavy. Ireo vehivavy ireo dia niasa tao amin’ny trano fisotroan-toaka, izay mazàna no notantanan’ny yakuza, ny Mafia japoney. Rehefa toa nanao fandrosoana ara-panahy ny vehivavy iray, dia nisalovana ny yakuza ka namindra toerana azy. Ny mpianatra ny Baiboly iray toy izany anefa dia nandroso ka nahatakatra fa tokony hiova asa izy, mba hampifaliana an’i Jehovah. Ny dikan’izany dia hoe fandosirana sy fiafenana tamin’ny yakuza. Noho ny fanampian’ilay mpampianatra azy, dia afaka niverina tany amin’ny tany niaviany izy tamin’ny farany.

Araka izany, teo am-piandohan’ireo taona 1990, rehefa nisy mpiasa maro be nifindra nanketo Japon avy tany Peroa, Arzantina, Paragoay, Bolivia ary tany hafa koa, i Jehovah dia efa nanana antokon’olom-bitsy niteny espaniola, vonona ny hikarakara ny zavatra ara-panahy nilain’izy ireo. Tamin’ny 1991, dia nisy kilasy fianarana teny espaniola natomboka ho an’ny Betelita izay vonona ny hanampy. Tao anatin’ny herintaona ny sasany dia nanao lahateny ampahibemaso. Tamin’ny 1993, dia niforona ny kongregasiona espaniola voalohany tatỳ amin’ny manodidina an’i Tokyo. Tamin’ny 1997, dia nisy kongregasiona espaniola niroborobo 13. Mahaforona fizaran-tany vahiny nitokana izy ireo.

Fanampiana ho an’ireo avy tany Azia

Nisy Sinoa maro be koa nirohotra nanketo Japon. Anisan’izy ireo dia nisy mpianatra an’arivony maro sy taranaky ny zanaka Japoney tavela tany Sina tamin’ny faran’ny Ady Lehibe Faharoa. Notombanana ho 300 000 mahery ny Sinoa nipetraka teto Japon, ka ny 200 000 tamin’ireo dia tatỳ Tokyo sy ny manodidina azy. Nanopy ny masony ireo rahalahy ka nijery ny saha sinoa, ary nahita fa efa masaka hojinjaina ilay izy, nefa ‘vitsy ny mpiasa’. — Matio 9:38; Jaona 4:35.

I Masayuki Yamamoto sy i Masako, vadiny, dia nanao ny fanompoan’ny misionera tany Taïwan nandritra ny valo taona. Tamin’ny 1992, dia nampianarina ny teny sinoa ny Betelita maromaro izay vonona ny hanampy ny mponina niteny sinoa. Avy hatrany, dia niresaka tamin’ireo nahay kely ny teny sinoa i Masayuki, ary dia natomboka ny groupe sinoa iray, nisy mpitory 28. Tamin’ny ankamaroany izy ireo dia mpisava lalana japoney, izay mbola niezaka mafy niteny sinoa, nefa may erỳ ny hanampy ireo olona liana niteny an’io fiteny io. Nanohina ny fon’ireo Sinoa ny zotom-pon’ireo Vavolombelona japoney. Nandray ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany tamin’ny rahalahy iray, iray sekoly taminy, ny zazavavy iray. Nahavita ilay boky tao anatin’ny herinandro izy. Izany dia nanosika azy hanomboka hanatrika ireo fivoriana rehetra. Talanjona izy nahita Japoney maro be aoka izany nianatra ny teny sinoa, mba hahafahany hizara ny vaovao tsara tamin’ny olona niteny sinoa fotsiny. Nandroso haingana izy sy ny zandriny lahy, ary dia vita batisa izy ireo tao anatin’ny herintaona. Efa nitarika ny fampianarany Baiboly manokana izy, talohan’ny nanaovana batisa azy.

Tamin’ny May 1993, dia natao ny fivoriamben’ny fizaran-tany voalohany tamin’ny teny sinoa. Nisy 399 ny mpanatrika ary 8 no natao batisa. Tsy ela dia nisy kongregasiona dimy tamin’ny teny sinoa mandarin, ary koa fianarana ny boky iray tamin’ny teny sinoa, tao amin’ny kongregasiona japoney iray.

Groupes amin’ny fiteny hafa koa

Tamin’ny faramparan’ireo taona 1980, dia nanomboka nianatra ny Baiboly i Penn Pitorest sy i Phiksang, vadiny. Samy mpitsoa-ponenana avy tany Kambodja izy mivady, ary namoy ny ray aman-dreniny tamin’ilay vonoana olona tsy an-kiantra tany amin’ny taniny. Niadana ny fandrosoana, satria saika tsy nisy zavatra vita an-tsoratra tamin’ny teny kambodjiana mba hianarana mihitsy. Tamin’ny farany anefa dia vita batisa izy ireo. Niahy ny amin’ny zavatra ara-panahy nilain’ireo mpitsoa-ponenana hafa avy tany Kambodja izy ireo, ka niezaka mafy nampianatra Baiboly azy ireo. Tsy ela dia niforona ny groupe kambodjiana kely iray. Nahazo fanampiana bebe kokoa izy ireo tamin’ny 1994, rehefa nanomboka nivoaka tamin’ny teny kambodjiana Ny Tilikambo Fiambenana. Nanaraka izany, dia nisy rahalahy folo tato amin’ny Betela nanomboka nianatra ilay fiteny ary notendrena hanatrika ireo fivoriana tamin’ny teny kambodjiana.

Na dia ny koreana aza no groupe vahiny lehibe indrindra eto Japon, ny ankamaroan’izy ireo dia mahay ny teny japoney, hany ka tsy nisy kongregasiona nitokana ho azy ireo nandritra ny taona maro. Tatỳ aoriana anefa, dia nomarihina fa ho afaka hahatakatra ny fahamarinana haingana kokoa ireo Koreana nipetraka teto Japon, raha nianatra azy io tamin’ny fiteniny. Izany dia nitarika ho amin’ny fiforonan’ny groupe koreana iray teto akaikin’ny Betela, tamin’ny Aprily 1996, sy ny groupe iray tatỳ aoriana, tao amin’ny tanànan’i Itami, ao amin’ny Faritanin’i Hyogo.

Tsy tokony hohadinoina ireo kongregasiona mampiasa ny baikon’ny moana. Maro be no vonona hianatra ny baiko moana japoney mba hanampiana ireo olona lalodalovana manerana an’i Japon. Nanomboka tamin’ny 1982, ny Fikambanana dia nandamina fandikan-teny amin’ny baikon’ny moana tany amin’ny fivoriamben’ny distrika sasany. Kanefa, ny tena ezaka mba hanampiana ireo olona tsy nahare dia nanomboka tamin’ny 1992, fony noforonina tao amin’ny tanànan’i Fukuoka sy i Kumamoto ny kongregasiona nampiasa ny baikon’ny moana. Nisy vidéos amin’ny baikon’ny moana koa nomanina. Ankehitriny dia misy kongregasiona 11 sy groupes kely 9 manerana an’i Japon, izay manampy amim-paharisihana ireo olona lalodalovana.

Araka izany, dia nanao ezaka faran’izay tsara ny Vavolombelon’i Jehovah eto Japon mba hahatratrarana sy hanampiana ireo antokon’olona maro mampiasa fiteny hafa eto, mba hahafahan’izy ireo handray soa avy amin’ny vaovao tsara amin’ilay fiteny hainy indrindra.

Risi-po ho an’ilay sekoly vaovao

Tamin’ny 1993, dia nisy fahafahana nampientana vaovao nisokatra ho an’ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana mpitovo teto Japon. Izany dia nanome fahafahana azy ireo hanitatra ny fanompoany teto Japon sy tany ampita. Nirahina avy tany Etazonia i James Hinderer sy i David Biegler, rahalahy roa tao amin’ny asa fitetezana faritany hatramin’ny am-polony taona maro, mba hitarika ny kilasy voalohany tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana teto Japon. Nisy rahalahy mpitazana fito, avy teto Japon sy avy tany amin’ny Repoblikan’i Korea ary Philippines, koa nanatrika io kilasy voalohany, izay natao tamin’ny teny anglisy, io. Izany dia mba hanomanana azy ireo ho mpampianatra tany amin’ny taniny avy.

Rehefa niresaka momba ny soa noraisin’izy ireo avy tamin’ilay sekoly ny iray tamin’ireo mpianatra tao amin’ilay kilasy voalohany, dia nanao hoe: “Sarotra ho an’ny maro taminay, araka ny hevitro, ny nanjohy hevitra ho an’ny tenanay manokana sy nanao fanapahan-kevitra tamin’ny fampiharana foto-pitsipika ara-baiboly. Nanavanana anay kokoa ny nampiasa fitsipika. Nandritra ilay sekoly anefa, tamin’ny alalan’ny fanontaniana roa naverimberina foana hoe ‘Nahoana?’ sy hoe ‘Amin’ny fomba ahoana?’, izahay dia nampiofanina mba hisaintsaina momba ireo foto-pitsipika ao ambadik’ireo zava-misy sy ireo valim-panontaniana nomena.” Namerina io hevitra io ihany koa ny mpianatra iray hafa tao amin’ilay kilasy, rehefa nitantara ny fanoloran-kevitra iray nataon’ny iray tamin’ireo mpampianatra. Notoroany hevitra ny mpanampy amin’ny fanompoana mpikarakara ny gazety mba hanomana fomba fampiseho gazety ho azo ampiasaina mba hanolorana ireo gazety vao tonga, ary avy eo dia mba hizara izany tamin’ireo mpitory. Ny fanontaniana iray momba izany, napetraky ny iray tamin’ireo mpianatra, dia nitarika ho amin’ny fanazavana tena nanaitra momba ny fahasamihafana eo amin’ny fahitsiana sy ny hatsaram-po. Hoy ny nohazavain’ilay mpampianatra: “Ny fahitsiana dia fanatontosana toromarika voasoratra, fa ny hatsaram-po kosa dia fanaovana mihoatra noho izay takina mba handraisan’ny hafa soa. Tsy mila ny ho mahitsy fotsiny isika, fa ho feno hatsaram-po koa, ary hanao izay azontsika atao mba handraisan’ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona soa, tsy miandry fitsipika an-tsoratra.”

Ireo rahalahy mpitovo tanora eto Japon dia mazàna no tsy maika ny hanambady. Ny salanisan’ny taonan’ireo tao amin’ireo kilasy 18 voalohany dia 29, ny salanisan’ny taona naha-tao amin’ny fahamarinana azy dia 13, ary ny salanisan’ny taona naha-tao amin’ny fanompoana manontolo andro azy dia 8. Tamin’ny Aogositra 1997, dia mpianatra maherin’ny 790 no efa nahazo diplaoma tamin’ny kilasy 33 tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ka mbola misy an’arivony maro hafa miandry ny hanatrika azy io. Rehefa mahazo diplaoma ny sasany dia tendrena ho mpiandraikitra ny fizaran-tany, mpisava lalana manokana, misionera. — Sal. 110:3.

Tsapa avy hatrany ny soa entin’ireo loholona sy mpanampy amin’ny fanompoana voaofana tsara ireo, rehefa miara-miasa amin’ny kongregasiona izy ireo. Hoy ny loholona iray, rehefa niresaka momba ny fitaomana tsaran’ny rahalahy iray nahazo diplaoma teo amin’ny kongregasionan’izy ireo: “Nihananjary velombelona kokoa sy falifaly kokoa ny kongregasiona. Nitombo ny toe-tsain’ny mpisava lalana, ary nihalalina ny fahatakaran’ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona ny maha-zava-dehibe ny hanaovan-javatra araka ny fomba teokratika. Nitombo ny risi-pon’ny tanora ho an’ny raharaha ara-panahy, ka maro no nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika.” Koa nihanatanjaka sy nihanahery àry ireo kongregasiona.

Fandefasana solontena tany amin’ireo fivoriambe tany ampita

Nanana fahafahana maro ny Vavolombelon’i Jehovah teto Japon, tao anatin’ireo taona maro lasa, mba ‘hihamalalaka’ teo amin’ny fanehoany fitiavana tamin’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena. (2 Kor. 6:13). Rehefa nanjary takatry ny vola kokoa ny fandehanana tany ampita, dia nanasa ny sampan’i Japon mba handefa solontena tany amin’ireo fivoriambe niraisam-pirenena manokana tany Eoropa, Afrika, Azia, Amerika Avaratra sy Atsimo, Hawaii ary Nouvelle-Zélande, ny Fikambanana.

Nihanitombo arakaraka ny fandehan’ireo taona ny isan’ireo solontena nanoina ny antso, ary tsy nahalana ny nahitana mpisava lalana sy mpanompo manontolo andro hafa maro be anisan’izy ireo. Tamin’ny 1996, rehefa nisy fivoriambe manokana natao tany amin’ny République tchèque sy tany Hongria, dia nisy mpanompo manontolo andro 1 114 anisan’ireo solontena 1 320 avy teto Japon.

Izay hitan’ireo solontena japoney sy reny tany amin’ireny fivoriambe manokana ireny dia nanitatra ny fomba fijeriny zavatra, ary nanome azy tosika fanampiny hanompo an’i Jehovah amin’ny fony manontolo. Hoy ny nohazavain’i Shigeo Ikehata, izay nitsidika ny Repoblikan’i Korea, i Hong-Kong, i Philippines ary i Taïwan, tamin’ireo fivoriambe niraisam-pirenena tamin’ny 1978: “Nanohina lalina ahy ilay fatoram-pitiavana nisy teo amin’ireo rahalahy sy anabavy tany andafy. Ny fahitan’ny tenako manokana fa ampiraisin’ny fiteny madio ny Vavolombelon’i Jehovah dia tena nisy akony indrindra teo amin’ny fankasitrahako ny tombontsoam-panompoako sy ny vavaka ataoko.”

Tamin’ny fitsidihany tany izay niaretan’ny mpanompon’i Jehovah fanenjehana mafy, sy tamin’ny fandrenesan’ny tenany manokana ny fanandraman-javatra nodiavin’izy ireny, ireo solontena dia voatosika haniry hanahaka ny finoany. I Misako Oda dia nanatrika ny fivoriambe niraisam-pirenena voalohany tany Saint-Pétersbourg, tany amin’ny Firaisana Sovietika taloha, tamin’ny 1992. Hoy ny tsaroany: “Rehefa nanomboka ny hira fanokafana tamin’ny andro voalohan’ilay fivoriambe, dia nanomboka nitomany ny rahavavy rosiana iray nipetraka teo akaikiko. Nitraka aho ka nahita ny ranomason’ny rahavavy rosiana maro hafa, izay tsy afaka namita ilay hira. Nisaotra lalina an’i Jehovah aho noho ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, tamin’ny namelana ahy, izay tsy nandia ilay karazam-panenjehana nodiavin’izy ireo, hiaraka tamin’izy ireo sy hiaina iny fotoam-pandresena nanan-tantara ho an’i Jehovah sy ireo anadahy sy rahavavy mahatoky iny.”

Nahatsiaro tsara ilay fivoriamben’i Buenos Aires tamin’ny 1990 i Seiko Namba (Nakajima ankehitriny), mpisava lalana tanora iray. Hoy izy: “Nianatra ny haneho fitiavana sy fankasitrahana, avy tamin’ireo anadahy sy rahavavy tany Arzantina aho, ary koa ny maha-zava-dehibe ny hampisehoana ireo fihetseham-po ireo amin’ny hafa. Namihina ahy ny rahavavy zokiolona iray teo am-piainganay, ary nanolotra fanomezana ho ahy. Nitomany izy, ary namerimberina foana hoe: ‘Hasta luego en el Paraíso’ [Mandra-pihaona any amin’ny Paradisa]. Rehefa tafaverina teto Japon aho, dia niezaka haneho ilay fitiavana sy hatsaram-panahy sahala amin’ny azy, tamin’ireo olona tao amin’ny kongregasionako sy ny faritaniko.” Ny solontena japoney hafa, izay saro-kenatra sy tsy be teny kokoa mazàna, dia nampiana koa mba hivelatra kokoa teo amin’ny fanehoana ny fitiavany, noho ny fifaneraserana tamin’ireo solontena avy tany Amerika Atsimo.

Tao anatin’ireo taona maro lasa, ny sampan’i Japon dia nanana tombontsoa handefa solontena an’arivony maro ho any amin’ny fivoriambe manokana tany an-tany hafa. Be dia be aoka izany ireo nanoina ny fanasana nalefa tany amin’ireo kongregasiona, ka izany dia mampiseho ny haben’ny risi-po sy ny fankasitrahan’ireo rahalahy ho an’io fahafahana hiaraka amin’ny fianakaviany kristiana iraisam-pirenena io.

Fandraisana anjara amin’ny fanomezana ny zavatra ilaina maneran-tany

Tombontsoa lehibe ny fahafahana mandray anjara ankehitriny, amin’ny fomba maro samihafa, amin’ny fanomezana izay ilain’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany. Nahazo fanandraman-javatra sarobidy teo amin’ny fanontam-pirinty ny sampan’i Japon, ka afaka manampy ireo sampana manodidina, eo amin’izay ilain’izy ireo eo amin’ny fanaovana pirinty. Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! maherin’ny 9 000 000 amin’ny fiteny folo isam-bolana no vokarina eto amin’ny orinasan’i Ebina ankehitriny.

Ny sampan’i Japon izao dia manao pirinty boky sy Baiboly ary bokikely amin’ny fiteny 26, anisan’izany ny teny cinghalais, laosiana, sinoa, tailandey, tamoul (ho an’i Sri Lanka) ary fitenin’i Philippines 11 — samy miloko tanteraka avokoa. Ireo milina offset haingam-pandeha dia ahafahan’ilay orinasa manome haingana izay ilaina eny amin’ny saha. Tamin’ny Septambra 1993, ohatra, dia nalefa hatao pirinty teto Japon ny soratra ho an’ny fanontana manokana amin’ny Baiboly amin’ny teny tagalog efa nandrasana ela, ka nisy Ny Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao. Teo antenatenan’ny Oktobra, dia Baiboly tagalog 70 000 no vita pirinty sy nalefa tany Philippines, ara-potoana tsara mba havoaka voalohany ho an’ireo rahalahy tamin’ny fivoriamben’ny distrikany tamin’ny Desambra. Nanaraka tsy ela taorian’izay ireo Baiboly tamin’ny teny cebuano sy iloko. Ny fanakambanana ireo Baiboly de luxe amin’ny teny portogey sy espaniola koa ankehitriny dia ataon’ny fanontam-pirinty eto Ebina.

Rehefa tafaorina tany amin’ny foibe maneran-tany ny Sampan’asan’ny Fandikan-teny tamin’ny 1989, ny sampan’i Japon dia nasaina hanolotra fanampiana ho an’ireo mpandika teny manerana an’i Azia sy ny faritr’i Pasifika. Maherin’ny antsasaky ny mponin’ny tany no mipetraka atỳ, nefa maro be aminy, izay mampiasa fiteny am-polony maro, no mbola tsy manana zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower. Rahalahy japoney manam-pahaizana momba ny fandikan-teny, no sady mahay ordinatera, no nomena tombontsoa hitsidika an’i Inde, i Pakistan, i Sri Lanka, i Népal, i Liban, i Malezia, i Tailandy, i Kambodja, i Indonezia, i Myanmar, ireo Nosy Salomon, i Guam ary ny tany hafa koa. Ny anton-diany dia mba hanampy hitady sy hampiofana ary handamina ekipana mpandika teny, ary koa mba hametraka programa naorin’ny Fikambanana mba hanampiana ireo mpandika teny.

Fifampaherezana

Tsy tokony hohadinoina koa ireo rahalahy sy anabavy japoney 76, izay may erỳ nanaiky ny fanendrena azy hampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana any amin’ny tany sivy any ampita, ho fanahafana ireo misionera manompo eto Japon. Anisan’izy ireo ny rahalahy 13 nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Ny anisan’ny tany nanendrena azy ireo dia i Brezila (7), i Guam (2), i Kambodja (1), i Malezia (2), i Nizeria (1), i Papouasie-Nouvelle-Guinée (11), i Paragoay (8), ireo Nosy Salomon (5) ary i Taïwan (39). Ireo taratasy voaray avy tamin’ireo izay any amin’ny nanendrena azy dia mampiseho fa nahavita nianatra ireo fiteny sy fombafomba ary sakafo vaovao izy ireo, ary nahazaka aretin’ny tany mafana. Vonona koa izy ireo ny hanompo any amin’ny faritra tsizarizary, ao amin’ny trano tsy misy jiro sy rano na fanafanana indraindray, mifanohitra amin’ny harem-ben’ny fiainana maoderina eto Japon. Namboly fitiavana ny olona eo an-toerana izy ireo ary nianatra hanana ny fahaiza-mianina araka an’Andriamanitra. Tena faly izy ireo afaka mampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana amin’io fomba io.

Rehefa nanjary nilaina indray ny hanitatra ny tranon’ny Sampana, noho ny fitomboana teokratika teto Japon, dia natomboka noho ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ilay asa. Tafiditra tamin’ilay tetik’asa ny trano fonenana roa nitovy, samy nisy rihana 13 avy, sy ny trano fiasana iray nisy rihana 5. Tamin’ny 1994, i Frank Lee, avy tany Etazonia, dia notendrena ho mpiandraikitra ny fanorenana. Tao amin’ny komitin’ny fanorenana koa i Steve Givins, mpanompo iraisam-pirenena iray avy tany Etazonia. Mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 49 no tonga avy tany Angletera, Aostralia, Costa Rica, Etazonia, Failandy, Frantsa, Italia, Kanada, Luxembourg ary Nouvelle-Zélande. Faly avokoa izy rehetra ireo nanao sorona fiainana nilamindamina kokoa tany amin’ny tany niaviany, mba hizarana ny fanandraman-javatra sy ny fahaizana nananany tamin’ireo rahalahy tatỳ ampitan-dranomasina sy mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana.

Be dia be aoka izany koa ny isan’ireo rahalahy japoney nanoina ny antso: Mpiasa nanam-pahaizana sy tsy nanam-pahaizana maherin’ny 4 600 no nameno fangatahana hiasa tamin’ilay tetik’asa. Ny ankamaroan’izy ireo dia voatery nanao fanitsiana lehibe mba hahafahana hiasa tamin’ilay tetik’asa, na dia vetivety fotsiny aza. Ny asany sy ny fianakaviany no tsy maintsy nilaozany tamin’izany. Nahatsiaro ho novalian-tsoa be dia be anefa izy ireo noho ny ezaka nataony.

Efa be taona nefa mbola be zotom-po ihany

Ny fitomboan’io vahoaka ben’ny mpidera an’i Jehovah eto Japon io dia nanomboka tamin’ny fahatongavan’ireo misionera avy tamin’ny kilasin’i Gileada faha-11 tamin’ny 1949 sy 1950. Nisy hafa koa tonga hiaraka taminy, toy ny misionera sasany avy tamin’ny kilasy faha-7 sy hafa koa avy tamin’ny kilasy tatỳ aoriana. Mbola ao amin’ny fanompoana manontolo andro eto Japon ihany ny 59 amin’izy ireo. Ny sasany aminy izao dia 70 na 80 taona, ary mbola be zotom-po eo amin’ny fanompoana ihany izy ireo. Hoy i Lois Dyer, rehefa avy nanao fanompoana manontolo andro tamim-pahatapahan-kevitra nandritra ny 64 taona: “Mivavaka amim-patokiana tsy tapaka aho, toy ny nataon’i Davida tamin’ny teny mazava tsara hoe: ‘Rehefa ketraka ny heriko, ka mandra-pahantitro sy votsy volo, dia aza mahafoy ahy, Andriamanitra ô’.” (Sal. 71:9, 18). Tsy nafoin’i Jehovah ireo olo-mahatoky ireo, izay nandany ny be indrindra tamin’ny fiainany teo amin’ny fanompoana momba ilay Fanjakana. Nilaza izany toy izao ny mpikambana iray ao amin’ilay fianakaviana misionera: “Ny fandaminan’i Jehovah dia toy ny reny iray mandrakotra anao amin’ny bodofotsy mafana iray ary mamihina mafy anao.”

Ny 21 amin’ireo ela nihetezana ireo izao dia ao amin’ny tranon’ny misioneran’i Tokyo Mita. Nohavaozina tanteraka ilay trano voalohany tatỳ Tokyo izay nisy ny biraon’ny sampana, mba hipetrahan’ireo misionera efa antitra ireo. Izany ka fianakaviana misionera miavaka! Ny salanisan’ny taonan’izy ireo dia 74, ary ny salanisan’ny taona naha-tao amin’ny fahamarinana azy dia 50. Ny valo aminy dia avy tamin’ny kilasin’i Gileada faha-11. Amin’ny fitambarany, ilay fianakaviana misionera dia nanome antontam-panambarana tao anatin’ireo taona maro lasa, ary nanampy olona 567 teo ho eo hianatra ny fahamarinana. Na dia efa mihoatra be ny 80 taona aza ny maromaro amin’ireo mpianakavy ao ary iharan’ny tsy fahasalamana lehibe, dia tsy mipetra-potsiny velively izy ireo. Nandritra ny taom-panompoana 1997, dia 40 ora mahery ny salanisan’ny ora lanin’izy ireo isam-bolana teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha, ary gazety 17 291 sy boky an-jatony maro no napetrak’izy ireo teny amin’ny faritaniny efa voasa tsara. Mahazo ny fanajan’ny mpikambana ao amin’ny kongregasionany sy ny an’ny mpiara-monina aminy ireo ela nihetezana ireo.

I Ruth Ulrich, izay 87 taona izao, dia nandany ny 68 tamin’izany taona rehetra izany teo amin’ny asan’ny mpisava lalana sy misionera. Hoy izy: “Nanatanjaka ny finoako ny fahitana ireny olona rehetra ireny niala avy tamin’ny fanompoan-tsampy ho ao amin’ny fahamarinana, ka tena tonga anadahintsika sy rahavavintsika.”

Rehefa namadibadika ilay “bokin-tsarim-pianakaviana” izay milaza ny tantara maoderin’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Japon isika, dia nihaona tamin’ny maro tamin’ireo mpanompon’i Jehovah be zotom-po. Azo isaina amin’ny rantsantanana ihany anefa ireo, raha oharina amin’ireo 220 000 mahery mitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra eto Japon. Mahatsiaro fahafaham-po lalina ireo misionera noho ny zava-bitan’ny zanany sy ny zafiny, ary ny zafiafiny sy ny zafin-dohaliny. Miandrandra amim-pahalianana mafy ny hahita izay mbola hasain’i Jehovah hataony izy ireo, amin’izao andro faran’ny fandehan-javatra ankehitriny izao sy ao amin’ny tontolony vaovao mahatalanjona, izay efa antomotra dia antomotra ankehitriny!

[Sary, pejy 66]

[Sary, pejy 71]

Mpitory japoney nahatoky tamin’ny andro talohan’ny ady: 1) Jizo sy Matsue Ishii, 2) Miyo Idei, 3) Katsuo sy Hagino Miura

[Sary, pejy 72, 73]

Misionera sasany izay nanomboka nanompo tany Japon tamin’ny 1949-1950: 1) Don sy Mabel Haslett, 2) Lloyd sy Melba Barry, 3) Jerry sy Yoshi Toma, 4) Elsie Tanigawa, 5) sy 6) Percy sy Ilma Iszlaub, 7) Norrine Thompson (teraka Miller), 8) Adrian Thompson, 9) Lois Dyer, 10) Molly Heron, 11) Shinichi sy Masako Tohara

[Sary, pejy 79]

N. H. Knorr (ankavia, ambony) nandaha-teny tamin’ny fivoriambe, tamin’ny 1951, tao amin’ny tranon’ny misionera tany Kobe

[Sary, pejy 81]

Grace (ambony) sy Gladys Gregory, kilasin’ny Sekolin’i Gileada faha-11

[Sary, pejy 82]

Margrit Winteler (ankavanana, kilasin’i Gileada faha-23), izay tonga hiaraka tamin’i Lena rahavaviny (kilasy faha-15) tany Japon

[Sary, pejy 88]

Don Haslett sy Lloyd Barry tao amin’ny Trano Betelan’i Tokyo, 1953

[Sary, pejy 89]

Mpisava lalana manokana japoney, izay nanompo efa hatramin’ny 40 taona (avy eo ankavia miankavanana): Takako Sato, Hisako Wakui, Kazuko Kobayashi

[Sary, pejy 90]

Sampan’i Okinawa, 1979

[Sary, pejy 95]

Handeha hitory amin’ny ririnina any Hokkaido

[Sary, pejy 95]

Ambony: Adeline Nako

Ambany: Lillian Samson

[Sary, pejy 99]

Yuriko Eto

[Sary, pejy 102]

Fianakaviana mpisava lalana falifaly, ho eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha

[Sary, pejy 110]

Biraon’ny sampana tao Tokyo, 1949-1962

Biraon’ny sampana tao Tokyo, 1963-1973

Biraon’ny sampana tao Numazu, 1972-1982

[Sary, pejy 115]

Toshio Honma, mpiandraikitra ny sampana teo antenatenan’ireo taona 1970

[Sary, pejy 116]

Komitin’ny Sampana tamin’ny 1997 (avy eo ankavia miankavanana): Richard Bailey, Shigeo Ikehata, Isamu Sugiura, Masataro Oda, Makoto Nakajima, Yoshihiro Nagasaki, Kenji Mimura

[Sary, pejy 124]

James Mantz, anisan’ny niandraikitra ny orinasa (aseho eto miaraka amin’i Sarah, vadiny)

[Sary, pejy 132]

Efitrano Fivoriambe: Hyogo, Ebina, Kansai

[Sary, pejy 139]

Kunihito Kobayashi

[Sary, pejy 142]

Kobe, taorian’ilay horohoron-tany tamin’ny 1995

[Sary, pejy 150]

Masayuki sy Masako Yamamoto

[Sary, pejy 156]

Solontena japoney tany amin’ny fivoriambe tany ampita: 1) Kenya, 2) Afrika Atsimo, 3) Rosia

[Sary, pejy 158]

Biraon’ny Sampana sy Trano Betela ao Ebina; sary kely mampiseho ny fanorenana ireo trano fanampiny tamin’ny 1997