Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Martinika

Martinika

Martinika

AMIN’NY olona any amin’ny faritra maro amin’ny tany, ny anarana hoe Martinika dia milaza zavatra avy hatrany. Mety hampahatsiahy masoandro sy torapasika fotsy ary ranomasina manga izy io. Mety hahatonga olona iray hieritreritra zava-mamy toy ny fary sy ny akondro, ary koa raoma, izy io. Mety ho hitany koa ny tsiky sariakan’ireo teratany mainty hoditra na zarazara hoditra, manolotra voankazo tsy mahazatra ho fandraisana an’ireo mpitsidika. Ho an’ny hafa kosa, i Martinika dia mampahatsiahy azy ireo ny fipoahan’ny Volkano Pelée tamin’ny 1902, sy ny faharavan’ny tanànan’i Saint Pierre tanteraka, izay renivohitra ara-toe-karena sy ara-kolontsain’io faritra io tamin’izay.

Itỳ nosy itỳ, raha oharina amin’ny hafa, dia toy ny piti-bovoka kely fotsiny, satria tsy nisy afa-tsy 80 kilaometatra ny halavany ary 35 kilaometatra ny sakany. Kanefa, tsy araka ny habeny, fa nanana anjara asa lehibe izy io teo amin’ny raharaha iraisam-pirenena. Teo anelanelan’ny taonjato faha-17 sy faha-19, ireo empira mpanjana-tany dia niady tsy an-kiantra teto mba hanjakana tatỳ amin’ireo tanin’i Amerika sy i Antilles. I Saint Domingue (Haïti), i Goadelopy, i Martinika ary ny nosy hafa tatỳ Antilles dia niovaova tompo, arakaraka ny fiafaran’ireo ady.

Nandritra ny am-polony taona maro, i Martinika, na dia nosy bitika kely aza, dia foibe nanaovana ny varotra andevo tatỳ Antilles. Tsy afaka miresaka momba ny mponina martinikey isika, ka tsy hiresaka momba ny fanandevozana, izay nanoritra ny tantarany tamin’ny lasa ary manazava be dia be momba ny toetran’ilay vahoaka ankehitriny.

Ny resahinay eto dia vahoaka iray izay nandevozina nandritra ny ela be, ka mirehareha ankehitriny fa afaka. Olona miavaka noho ny fifanipahan-javatra hafahafa izy ireo. Saro-piaro ny amin’ny fahafahana azony izy ireo, ary tia ny mampahafantatra izany amin’ny hafa. Etsy an-danin’izany anefa, dia manaraka ny kolontsaina frantsay, izay nampaneken’ireo mpanjana-tany azy, izy ireo, dia kolontsaina izay ankasitrahan’ny ankamaroany ny ankabeazan’ny fari-pitsipika sy ny harena ao aminy. Milaza tena ho manaraka ny Fivavahana Katolika, dia ilay fivavahana nampaneken’ny tompo mpampahory azy, ilay vahoaka. Niaraka tamin’izany ny fampianarana azy ireo hivavaka tamin’ny Andriamanitra iray izay tsy fantany firy. Aseho aminy ho Andriamanitra manohana ny fanandevozana ny mainty hoditra izy io, satria lazaina ho nanozona ny firazanan’izy ireo. Lazaina ho manana fitiavana sy tia ny rariny izy io, nefa mahagaga fa toa tsy hitany akory ireo toetra tsara ireo. Ny azy ireo dia fivavahana miorina indrindra indrindra amin’ny fombafomba sy ny lovantsofina, ka tsy dia misy heviny firy ny finoana zavatra voafaritra tsara sy ny famakafakana ara-pivavahana. (Mitovy amin’izany koa i Barbade, nosy eto akaiky, izay azo marihina eto fa milaza tena ho Anglikana, satria nozanahin’i Grande-Bretagne.)

Eo am-pifaranan’itỳ taonjato itỳ, ny ankamaroan’ny olona eto Martinika dia tia ny mihevi-tena ho afaka, nefa miasa fatratra eo ambanin’ny fanandevozan’ny tompo roa be fitakiana. Etsy an-daniny izy ireo dia vesaran’ny fandehan-javatra ara-pivavahana iray feno fombafomba sy lovantsofina, izay tsy mahafa-po amin’ny tena hanoanana ara-panahy. Ary etsy an-kilany, dia miezaka mafy izy ireo — nefa tsy nisy vokany — mba hahafa-po ireo faniriana tsy misy farany ateraky ny fitaomana maherin’ny fomba fiainan’ny sivilizasiona tandrefana mpiahy fatratra ny zavatra ara-nofo. — Mpit. 5:9.

Hafatra momba ny fahafahana sarobidy

Teto amin’itỳ nosy atỳ amin’ny faritra mafana itỳ no nanambarana tamin-kery nihanitombo hatrany, hafatra iray momba ny fahafahana, nandritra ireo 50 taona lasa. Io ilay fahafahana noresahin’i Jesosy Kristy tamin’ny hoe: “Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.” (Jaona 8:32). Izany dia fahafahana avy amin’ny fanandevozan’ny lainga, sy fahafahana avy amin’ny fatoran’ny fandehan-javatra ara-toe-karena izay manararaotra amin-kalozana ny olona, ary fahafahana avy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana.

Ireo voan’io fahamarinana io dia nanomboka nafafy tamin’ny 1946, fony i Georges Moustache, avy tany Goadelopy, nitory nandritra ny tapa-bolana teto Fort-de-France sy tany Saint Pierre. Telo taona tatỳ aoriana, tamin’ny 9 Aogositra 1949, dia nisy misionera efatra (mpivady iray sy anabavy tanora roa), izay nahazo diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, tonga teto. Izany dia i David sy i Celia Homer, i Mary Lolos ary i Frances Bailey. Avy tany Etazonia izy ireo ary nahay ny teny frantsay, na dia tsy dia tsara loatra aza. Tao anatin’ny herintaona sy tapany anefa, dia nahapetraka boky 631 sy bokikely maherin’ny 200 nanazava ny Baiboly izy ireo, ary nanomboka fampianarana Baiboly 32 tamin’ny olon-tokana sy tamin’ny fianakaviana. Mbola nanan-kery be anefa ny klerjy katolika tamin’izany fotoana izany ary tsy vonona mihitsy ny hamela olon-kafa hampihena ny fahefany. Koa nampihatra ny fitaomany àry izy mba hampandroahana ireo misionera avy teto, tamin’ny Janoary 1951. Nandritra ny telo taona mahery, dia nitsahatra tanteraka ny fitoriana ny vaovao tsara teto Martinika.

Natomboka indray ny asa

Tamin’ny 10 Jolay 1954, dia tonga avy tany Marseille, any Frantsa, i Xavier sy i Sara Noll. Samy mpanompo manontolo andro izy mivady, ary i Xavier dia mpiandraikitra tao amin’ny kongregasiona iray tany Marseille.

Mbola mahatadidy ny nahatongavany teto izy ireo. Toy ny hoe tany amin’ny faran’ny tany no niheverany ny tenany, tatỳ amin’ny 7 000 kilaometatra avy tany amin’ny tanindrazany. Tsy hadinon’izy ireo ny zavatra tsapany voalohany momba ilay hafanana sy ilay hamandoana, na ny toetran’ny olona mahafinaritra sy sariaka ary mahay mandray vahiny.

Dieny teo am-boalohany, dia nianatra ny hiaina tsy nanana afa-tsy fitaovana faran’izay vitsy izy ireo. Niara-nipetraka nandritra ny andro vitsivitsy tamin’ny lehilahy iray nankasitraka ny Vavolombelon’i Jehovah aloha izy ireo, ary avy eo dia nahita trano hazo vaovao iray. Ny dikan’io anefa dia hoe rafitra iray nisy rindrina hazo sy gorodona. Takelaka fanitso no tafony. Tsy nisy valindrihana, ary tsy nisy kabine. Rehefa ilay nody iny ny masoandro, dia anjaran’ny Rahalahy Noll ny nanary tany anaty hady ny maloto tao amin’ilay tavin-drano “fidiovana”. Ny diany voalohany tamin’izany dia tamin’ny 14 Jolay, andron’ny fetim-pirenena frantsay. Tsy maintsy namakivaky kianja iray nantsoina hoe Stalingrad, izay feno olona nanomana ilay fety, izy. Rehefa namakivaky ilay kianja izy, nitondra ilay tavin-drano hitan’ny mason’ny olona rehetra tonga hiala voly sy haka rivotra, dia tsipaky ny hehy izy ireo. Zava-baovao tamin’izy ireo ilay izy! Izay izy ireo vao nahita vazaha nanao an’io raharaha io!

Fandraisana nahatalanjona

Taloha kokoa tamin’io andro io ihany, nandritra ny ora maro ny Rahalahy Noll dia nifantina ireo boky sy bokikely navelan’ireo misionera, fony izy ireo noroahina. Maro tamin’ireo boky no simban’ny bibikely, nefa ireo mbola tsaratsara dia ampy nampiasain-dry Noll teo amin’ny fitoriany ampahibemaso, fony izy ireo nanomboka nitory ny ampitson’iny.

Indreto misy fitantarana sasany nataon’ny Rahalahy Noll momba iny andro voalohany teny amin’ny fanompoana iny: “Rehefa handeha hitory voalohany teto izahay mivady, dia may ny hifandray tamin’ireo olona, ny hahafantatra azy ireo, ny hahalala izay ho fandraisana anay. Nihoatra noho izay nantenainay ny zava-nitranga. Nanomboka nitory teo afovoan-tanàna izahay. Nisy mponina 60 000 tao tamin’izay. Tamin’iny maraina iny, dia nihaona indroa izahay mivady, rehefa samy nody mba hameno ny kitaponay tamin’ny boky ‘La vérité vous affranchira’ sy “Le Royaume s’est approché” ary koa tamin’ny bokikely toy ny ‘Prince de paix’.”

Matetika ireo tompon-trano no nilaza hoe: “Horaisiko ny bokinao ho fahatsiarovana ny nandalovanao”, na hoe: “Raha miresaka momba an’Andriamanitra izy itỳ, dia horaisiko.” Nandritra ny tapa-bolana voalohany, dia boky efa ho 200 sy bokikely an-jatony maro no voapetraka. Mora ny nanombo-dresaka, satria tia mamanta-javatra ny olona, ary faly nandray vahiny. Tena nampahery ny fahaiza-mandray vahiny toy izany!

Nanontany tena ny Rahalahy sy ny Anabavy Noll raha ho vitany ny hiara-mianatra tamin’ny olona be dia be toy izany! Vetivety anefa izy ireo dia nianatra fa tsy maintsy navahany ireo izay nampiseho fahaiza-mandray vahiny mahazatra sy ireo izay tena naniry hahalala sy hanaraka ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. Naniry hianatra ny sasany taminy. Hoy ny tsaroan’ny Rahalahy Noll: “Ilay olona nitsena anay, fony izahay tonga teto Martinika, dia nampahalala anay tamin’ny mpiasa sasany tao amin’ny trano fandrafetany hazo. Nanomboka fampianarana iray izahay ny alin’iny ihany, ary roa hafa tamin’ny herinandro voalohany.”

Ny iray tamin’ireo fampianarana ireo dia natao tamin’i Paul sy i Nicole Jacquelin, mpivady tanora iray. Nianatra intelo isan-kerinandro izy ireo ary nandroso tsara. Tsy ela dia nitory isan-trano niaraka tamin-dry Noll izy ireo. Noho ireo mpitory vaovao ireo, dia tsy zavatra vahiny intsony ny asa fitoriana.

“To-To-To”

Rehefa tonga teo amin’ny trano iray ianao, dia tsy maintsy nikiakiaka hoe: “To-to-to, aiza ny olona ô?” Matetika ianao no nahare feo avy tao anatiny namaly hoe: “Ahoana izay?” Rehefa nikiakiaka indray ilay mpitory mba hampahafantatra ny tenany, dia namaly ilay tompon-trano hoe: “Mandrosoa, dia mipetrapetraha.” Resaka nahaliana no tohiny.

Tamin’ny ankabeazan’ny fotoana, dia vonona hiresaka ny olona. Tsy nisy izany hoe firotorotoana izany teto Martinika tamin’izany andro izany. Mahalana vao nisy nilaza ilay renay tsy tapaka amin’izao andro izao hoe: “Tsy manam-potoana aho.” Kanefa dia izao no famaranan-teny re matetika: “Azoko daholo izay lazainao, nefa tsy hiala amin’ny fivavahan’ny ray aman-dreniko sy ny raibeko sy renibeko aho.” Na dia toa nisy fahalianana aza, ka nanontany ireo mpitory hoe: “Afaka mahita anao indray ve izahay ato ho ato?”, ny valin-teny matetika dia hoe: “Raha sitrapon’Andriamanitra.”

Mazàna ny olona no naneho fanajana lehibe ny Baiboly. Na dia izany aza, dia vitsy dia vitsy no nanana azy io. Niezaka mafy hisakana ny olona tsy hifampikasoka tamin’ny Baiboly ny klerjy katolika. Na dia izany aza, dia nisy olona sasany afaka nahazo ny fandikan-teny frantsay protestanta nataon’i Louis Segond. Ny sasany dia nahazo azy io avy tamin’ny mpivaro-mandeha, ny hafa avy tamin’ny mpifanila trano izay Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, ary ny hafa koa avy tamin’ireo Evanjelika.

Natahotra ny klerjy

Dimy volana taorian’ny nanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah indray ny asa fitoriany teto Fort-de-France, ny gazety iray navoakan’ny Eglizy Katolika dia namakiana ny fanontaniana hoe “Iza moa ny Vavolombelon’i Jehovah?” Izao no resaka nifanaovan’ny pretra iray sy ny mpiangona iray, voasoratra tao: “Mahafantatra an’i Jehovah ve ianao, Mompera?” “Fantatro tokoa! Fa angaha ianao izao miteny hebreo?” Avy eo dia nanaraka ny fitanisana zavatra niampangana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fampisehoana diso sy feno haratsiam-panahy ny fampianarany. Niseho tao amin’ny bokikelin’ny fiangonana mihitsy aza ny sary mahatsikaikin’ny Anabavy Noll.

Fotoana kelikely tatỳ aoriana, na dia azo nisaina tamin’ny rantsantanana aza ny Vavolombelona teto, dia nanambara toy izao ny pretra iray izay hita niharihary fa kivy ratsy noho ny zotom-pon’ireo mpitory ilay Fanjakana ireo: “Olona tsara an’arivony maro no tonga Vavolombelon’i Jehovah, satria tsy fantatr’izy ireo tsara ny fivavahan’ny tenany manokana.” Izany dia araka ilay nasehon’i Jesosy Kristy tao amin’ny fanoharany momba ilay mpanan-karena sy i Lazarosy. Ny sarambabem-bahoaka dia naniry hahazo ny poti-kanina ara-panahy avy tamin’ny latabatry ny klerjy nanam-be. — Jereo ny Lioka 16:19-31.

Ny fitsidihan’ny Notre Dame du Grand Retour

Taona vitsivitsy talohan’izay, tamin’ny 1948, dia voahozongozona ny finoan’ny Katolika maro. Nandamina fanaovana hosoka lehibe iray ny diosezy. Nisy sary vongan’i Maria iray nentina avy tany Frantsa, tao anatin’ny lanonam-be. Nentina namakivaky an’i Martinika ilay izy, ary nankalazain’ny vahoaka, tamin’ny fomba mbola tsy nisy toa azy hatramin’izao. Napetraka teo ambony sambo kely nisy kodiarany ilay sarin’ilay “Virjiny”, ary nampandehanina eran’ny arabe. Teny an-dalana, dia nameno an’ilay sambo tamin’ny vola sy ny firavaka ho an’ilay “Maria Virjiny” ny olona. Tamin’izany fotoana izany, ireo Martinikey, na nanankarena izy na nahantra, dia tsy nanao afa-tsy firavaka volamena. Ho vokany, ny zavatra voangona tamin’izay dia nitentina vola be.

Maro no mbola mahatadidy tsara izay nitranga. I Marthe Laurent, izay Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, dia mahatsiaro ny nahatongavan’ilay “Maria Virjiny”. “Asabotsy hariva ilay izy, teo am-piandohan’ny Martsa 1948, teo amin’ilay kianja manodidina an’i Savane eto Fort-de-France”, hoy izy. “Feno olona ilay kianja, raha tampoka teo, dia nahita fahazavana kely teo ambony ranomasina, teny amin’ny tendron’i La Pointe des Nègres, izahay. Taitaitra be ilay vahoaka sesehena; iny fa tonga tamin’ny sambo ilay ‘Virjiny’!” Niverimberina nametraka fanatitra tany i Pierrette Hantoni. Noravahan’izy sy ny vadiny voninkazo ny tranony ary nanantonany faneva nisy soratra hoe Chez Nous Soyez Reine (Ho Mpanjakavavy ato Amin’ny Ankohonanay Anie Ianao). Tao anatin’izany rivo-piainana izany, dia narehitry ny hafanam-po ny olona ka nalala-tanana be, tamin’ny fieritreretana fa hanao fahagagana ilay “Virjiny”. Teo, ohatra, ny lehilahy iray izay voan’ny halemen-kozatra ny zanany vavy. Nandohalika izy nanaraka ilay sambo kely nisy kodiarana, nanantena ny hanasitranan’ilay “Virjiny” ny zanany.

Tatỳ aoriana, dia nolazaina fa niverina tany Frantsa ilay sary vongana, nefa fitaka izany. Hita avy eo fa nafenina tao amin’ny trano iray fanatobiana entana ilay izy. Araka ny tsaho eto an-toerana, dia ny fiaramanidina iray very tany an-dranomasina fotoana fohy taorian’izay, hono, no nitondra ilay vola sy ireo fananana hafa voangona ary ireo mpandamina ilay hosoka. Ao an-tsain’ny ankamaroan’ny olona, dia izany no nanasazian’Andriamanitra azy ireo. Na dia amin’izao andro izao aza, rehefa miresaka momba iny zava-nitranga iny ny olona, dia manana fahafahana hampiseho amin’izy ireo izay lazain’ny Baiboly momba ny fanompoan-tsampy, ny Vavolombelon’i Jehovah. — Eks. 20:4, 5; Sal. 115:4-8; 1 Jaona 5:21.

Fanambadiana, fa tsy firaisan-trano fotsiny

Ny fomba amam-panao afrikana sasany dia mbola tafajanona teto na dia taorian’ny fanandevozana aza, ary neken’ny Eglizy Katolika, raha mbola nanaraka ireo fombafomba katolika koa ny mpanaraka azy ireny. Tao anatin’io rivo-piainana io, ny firaisan-tranon’ny olon-droa tsy nivady dia zavatra fahita hatraiza hatraiza. Rehefa nanao fanompoana ny Anabavy Noll, dia nanontanian’ny olona hoe: “Manan-janaka ve ianao?” Rehefa namaly izy hoe: “Tsia”, dia nanontany indray izy ireo hoe: “Ary ny vadinao?” Tsy mahalana mantsy ny lehilahy no nanan-janaka tamim-behivavy hafa noho ny vadiny ara-dalàna. Ireo izay naniry ho tonga Kristiana marina dia tsy maintsy niala tamin’ny fanao tsy araka ny Soratra Masina toy izany. — Heb. 13:4.

Ny olona voalohany teto Martinika nifanandrina tamin’io fepetra io dia ny vehivavy iray nanan-janaka enina tamin’ny lehilahy telo samy hafa ary niara-nipetraka tamin’ny rain’ny zanany farany, fony izy nanomboka nianatra ny Baiboly. Takatr’i Marguerite Lislet haingana ireo fiovana goavana tsy maintsy hataony, raha tiany ny hampifaly an’i Jehovah. (1 Kor. 6:9-11). Nangataka an’ilay rangahy nanaovany tokantranomaso mba handeha izy, ary na dia tsy salama aza izy, dia niatrika fahasahiranana ara-bola tamin-kerim-po mba hikarakarana an’ireo zanany enina. Natao batisa tamin’ny 1956 izy. Tatỳ aoriana, dia tonga ny mpisava lalana manokana martinikey voalohany izy.

I Jeanne Maximin, izay niteraka tamin’ilay lehilahy nanaovany tokantranomaso, dia naniry hatao batisa koa. Nampanantena azy imbetsaka ilay rangahy hoe, alohan’ny fivoriambe manaraka, dia hampanoratra ara-dalàna ny fanambadian’izy ireo izy. Tsy nitana ny teniny mihitsy anefa izy. Tamin’ny farany, tamin’ny 1959, rehefa nanatona ny fivoriambe iray hafa, dia nanararaotra ny tsy naha-teo azy i Jeanne mba hialana tamin’ilay trano. Rehefa niverina ilay rangahy, dia toy inona moa ny fahagagany nahita fa lasa i Jeanne sy ny be dia be tamin’ireo fanaka! Tsy nisalasala nilaza taminy izay nisy an’i Jeanne ireo mpifanila trano. Nanizingizina ny hiverenan’i Jeanne izy, ary nampanantena hoe hivady izy ireo rehefa afaka tapa-bolana, ka hikarakara izay rehetra hilaina izy mandritra izany fotoana izany. Nazava ny valin-tenin’i Jeanne: “Amin’ny andro hivadiantsika dia hiverina aho, fa tsy alohany.” Nokarakaraina izay rehetra nilaina, ary dia nisoratra ara-dalàna izy ireo rehefa afaka folo andro. Maro amin’ireo anabavinay no nandia zavatra toy izany.

Ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanjary nalaza ho nanaraka fivavahana izay mihevitra ny fanambadiana ho zava-naorin’Andriamanitra. Gaga ny mpiasam-panjakana iray tao amin’ny tanàna kelin’i Le Vauclin, nahita fa, tao anatin’ny fotoana fohy monja, i Jacques sy i Pierrette Nelson, mpisava lalana manokana teo an-toerana, dia vavolombelona tamin’ny fisoratan’ny mpivady roa izay niara-nipetraka nandritra ny taona maro, nefa tsy nisoratra. Efa nanana ny boky Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra io mpiasam-panjakana io, fa izao kosa izy dia nampanantena ny hamaky azy io indray, satria nitovy tamin’ny an’ireo olona vao avy nosoratany fanambadiana, ny toerana nisy azy. Talohan’ny hamaranany ny resak’izy ireo, dia hoy izy tamin’ny feo tsy rototra tamin’ireo vavolombelona roa: “Jamais deux sans trois” (“Raha misy fanindroany, dia tsy maintsy hisy fanintelony”). Hita ho marina io fitenenana io tamin’io raharaha io, satria tsy ela taorian’izay, dia niseho teo anoloany indray ireo mpisava lalana ireo, ho vavolombelona tamin’ny fisoratan’ny mpivady fahatelo iray niara-nianatra taminy.

Afaka amin’ny fisotroana tafahoatra

Fantatra tsara noho ny raomany i Martinika. Io fisotro misy alkaola vita tamin’ny fary io dia hita hatraiza hatraiza eto. Ankafizin’ny maro izy io, nefa manimba be, raha sotroina tafahoatra. Tamin’ireo taona 1950, dia afaka niditra tao amin’ny trano fisotroan-toaka iray ny olona iray, ary nahazo raoma eran’ny vera mitafotafo tamin’ny takalony 50 centimes (sivifolo ariary teo ho eo). Raoma iray tavoahangy sy sirao iray tavoahangy ary silaka voasarimakirana no naroso ny client ary dia nahazo naka araka izay tiany izy.

Moa ve ny fahamarinana ara-baiboly afaka nanampy olona nanaram-po tsy tapaka tamin’ny raoma? Eny tokoa! (1 Pet. 4:3). Ny voalohany taminy dia vehivavy iray izay nisotro tsy tapaka sy be dia be aoka izany, ka faran’izay nahasorena ny nipetraka tandrifiny sy ny niresaka taminy. Ambonin’izany, dia niara-nipetraka tamin’ny lehilahy iray izay tsy vadiny ara-dalàna ary nandevozin’ny fisotro misy alkaola toa azy koa izy. Tao anatin’ny volana vitsivitsy, ho vokatr’izay nianarany tamin’ny fianarany Baiboly tao an-tokantranony, dia nitsahatra tsy nisotro intsony izy ary nandao an’ilay rangahy niarahany nipetraka. Izay rehetra nahalala azy dia nahamarika ilay fiovana. Nihasalama kokoa izy. Nihatsara ny fomba fiasany, ary natao mpiasam-panjakana raikitra izy. Rehefa nahazo vola karama tokony ho azony taloha izy, dia nampiasainy mba hanatrehana ny Fivoriambe Iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah Ny Sitrapon’Andriamanitra, tany New York, tamin’ny 1958, ilay izy. Amin’izao isika miteny izao, na dia efa 90 taona aza i Elisa Lafine, dia mandray anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Ohatra eo amin’ny fitondran-tena kristiana tsara koa izy. Tena afaka manafaka olona amin’ny fanandevozan’ny fisotro misy alkaola marina ny Tenin’Andriamanitra.

Vokatra avy atỳ afovoan’ilay tany

Eo amin’ny sarintanin’i Martinika, dia hita ho toa miforitra manodidina ny helodranon’i Fort-de-France ilay nosy. Tsy isalasalana fa eto no foiben’ilay faritany. Manaraka ny sisiny avaratr’ilay helodrano, dia misy tanàn-dehibe telo mifandray — i Fort-de-France sy i Schoelcher ary i Le Lamentin. Efa ho ny antsasaky ny mponin’i Martinika no mipetraka atỳ amin’io faritra io. Ny ankamaroan’ny asa atao eto, ankoatra ny fambolena, dia mifantoka atỳ avokoa. Tatỳ no nanaovana ny fitoriana ny vaovao tsara voalohany, ary ireo mpitory voalohany dia avy tatỳ, afa-tsy ny sasantsasany ihany.

Tamin’ny 1955 dia efa nanomboka nandeha nampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana tany ivelan’ny renivohitra ny Rahalahy sy ny Anabavy Noll. Nitory tontolon’ny andro izy ireo ary nody tamin’ny hariva. Tamin’ny herinandro iray, ny zoma, dia nankany Le Lamentin, izy ireo. Ny herinandro nanaraka, dia anjaran’ny tanànan’i Le François, any akaikin’ny moron-tsiraka atsinanana. Tsikelikely dia nanomboka nanaiky ny fahamarinana ny olona. Ny anisan’ny voalohany tao Le Lamentin dia i Jeanne Marie-Annaïs, i Suzanne Guiteaud, i Liliane Néral, ary i Paulette Jean-Louis. Tao Le François kosa, dia tao ry Godard sy ry Cadasse ary i Pierre Loiseau. Fotoana kelikely tatỳ aoriana, dia nisy mpisava lalana manokana nirahina tany Le Lamentin, toa an’i Valentin Carel sy i Nicolas Rénel. (Ny Rahalahy Carel dia tonga mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampana, tatỳ aoriana.) Misy kongregasiona fito ankehitriny any amin’ireo faritra ireo sy eo akaikiny, fa any atsimo kokoa.

Ny sasany dia toa nanomboka tsara, nefa tatỳ aoriana dia niala tamin’ilay lalana tery. Resin’ny fanahian’ny fiainana sy ny fiahiana fatratra ny zavatra ara-nofo ary ny fahalotoam-pitondran-tena izy ireo. Ny maro hafa kosa dia nandray ny tenin’ilay Fanjakana tao amin’ny fony, izay hita fa tany tsara namokatra voa nandritra ny taona maro. (Matio 13:18-23). Ny ankabeazan’ireo izay nandray ny fivavahana marina tany am-boalohany dia mbola manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ihany. Anisan’ireo ny rahalahy natao batisa teto Martinika maherin’ny 30 taona lasa izay: i Leon sy i Christian Bellay, i Jules Nubul, i Germain Bertholo, i Vincent Muller, i Roger Rosamond, i Albert Nelson, i Vincent Zébo, ary i Philippe Dordonne. Samy nampiseho fitiavana lehibe an’i Jehovah izy ireo, tamin’ny fampiasana ny fahatanorany teo amin’ny fanompoana azy. Tsy tanora intsony izy ireo ankehitriny, nefa izy rehetra dia mbola loholona ao amin’ny kongregasiona ihany. Ny hafa efa maty — toa an’i Toussaint Lada, izay tadidin’ireo efa tranainy noho ny toetrany tony sy ny tsikiny mafana. Misy maro hafa azo anampy ao amin’io lisitry ny ela nihetezana io, izay ohatra tsara ny amin’ny finoana sy ny zotom-po, taloha sy hatramin’izao. Manara-dia azy ireo ilay taranaka manaraka, ary dia loharanom-pifaliana izany ho an’ireo be taona kokoa.

Vehivavy tsy mivadika, eo amin’ny filazana ny vaovao tsara

Tamin’ireny andro tany am-boalohany ireny, dia nisy anabavy maromaro izay mpampianatra tao amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana no sady mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra nanao asa faran’izay tsara koa, toa an’i Stella Nelzy. Izy no voalohany vita batisa tamin’izy ireo, ary mbola be zotom-po eo amin’ny fanompoana ihany izy, na dia sady nikarakara ny reniny be taona, izay maty teo amin’ny faha-102 taonany, aza izy. Teo koa i Andrée Zozor, izay talen-tsekoly ary nahay niaro ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra koa, sy ny Anabavy Victor Fousse (Lasimant ankehitriny), izay nahatoky hatrany na dia teo aza ny fanoherana mafy avy tamin’ny fianakaviany. Ny ohatra tsaran’ny Anabavy Fousse dia nanan-kery tsara teo amin’ireo zanany. Ho vokany, dia loholona efa hatramin’ny taona maro ny iray amin’ireo zanany lahy, ary misionera any Mali i Marlène, zanany vavy.

Ny hafa dia efa nahavita ny fihazakazahany kristiana, noho ny fahanterana na ny aretina, toa an’i Léonide Popincourt, izay nifidy ny hisotro ronono talohan’ny fotoana ka nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny 16 taona. Na dia maty tamin’ny 1990 aza ny Anabavy Popincourt, i Jacqueline, zanany vavy, dia misionera manompo any Guyane. I Emma Ursulet koa dia namela ohatra faran’izay tsara raha ny amin’ny fiarovana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary niezaka indrindra indrindra mba hanampy an’ireo zanany handeha eo amin’ny lalan’i Jehovah. Ny telo amin’ireo zanany vavy dia nirotsaka tao amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, ary i Henri, zanany lahy, dia mpikambana ao amin’ny Komitin’ny Sampan’i Martinika.

I Sara Noll, izay mpisava lalana manokana fony izy tonga teto Martinika 43 taona lasa izay, dia mbola be zotom-po ihany eo amin’ny fanompoana manontolo andro, eo amin’ny faha-82 taonany. Na dia voasa matetika aza ny faritany, dia mbola mahita fahombiazana miavaka ihany izy, rehefa mizara Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Mampiasa ireo fanoloran-kevitry ny Fikambanana momba ny fiasana faritany be fandraharahana izy, ka tafiditra tany amin’ny ankamaroan’ireo biraom-panjakana. Anisan’ireo anaterany gazety ny olona ao amin’ny lapan’ny tanàna, ny paositry ny polisy, ny Sampan-draharahan’ny Asa Vaventy, ary ny maro hafa. Nisy volana nametrahany gazety hatramin’ny 500. Nandritra ireo taona nipetrahany teto Martinika, dia nahapetraka gazety maherin’ny 111 000 izy.

Mananika tendrombohitra ny rano

Misy tendrombohitra maro eto Martinika. Voalaza fa ny amiraly anglisy iray izay naniry hampahafantatra ny Mpanjaka George II hoe nanao ahoana ilay tany, dia naka taratasy iray, namoriporitra azy ary nanipy azy teo ambony latabatra. “Io, Tompoko, i Martinika”, hoy izy. Misy ohabolana kreôla iray izay manao hoe: “D’lo pa ka monté morne” (“Tsy afa-mianika tendrombohitra ny rano”). Eto Martinika anefa, dia misy rano izay miakatra tendrombohitra tokoa. Ny tanàna tranainin’i Fort-de-France dia mitovy tantana amin’ny ranomasina, nefa eo am-pototry ny havoana maro. Ny ranon’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia niakatra ireo havoana ireo. — Apok. 22:17.

Tamin’ny 1956, na dia tsy nisy afa-tsy mpitory fito sy mpisava lalana telo aza teto amin’ilay nosy, dia boky 5 000 sy gazety maherin’ny 9 000 ary bokikely maro no voapetraka. Be dia be tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra ireo no nozaraina teny amin’ny fitobian’aotobisy, tamin’ny mpandeha izay tonga na niainga ho any amin’ny faritra rehetra teto amin’ilay nosy. Nankany amin’ireo tsena fivarotana trondro sy legioma koa ny Rahalahy sy ny Anabavy Noll mba hanolotra gazety. Nitory tao amin’ireo trano fisotroan-toaka maro be teo akaikin’ny tsena koa izy ireo. Tamin’izany fomba izany, rehefa nandeha nody tany amin’ireo havoana sy ny tany ambadika, ireo mponina tany, dia nitondra zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly sarobidy tao anaty kitapony.

‘Tsy nahafoy ny fiaraha-miangona’

Herinandro vitsivitsy monja taorian’ny nahatongavany teto Martinika, dia efa nanomboka nampirisika an’ireo olona nianatra hanatrika fivoriana, ny Rahalahy sy ny Anabavy Noll. (Heb. 10:23-25). Ho vokany, dia nivory tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny tao amin’ny trano hazo tsotra iray tao Morne Pichevin, eto Fort-de-France, ny sasantsasany taminy. Olona folo monja no afaka nivory tao amin’ilay efitra. Rehefa teny amin’ny fanompoana ry Noll, dia matetika ny olona no nanontany raha nisy toeram-pivoriana azon’izy ireo naleha. Tena naniry hanana toerana sahaza kokoa ireo misionera.

Tamin’izay, ny mpitantana hotely iray teto Fort-de-France, izay mbola nahatadidy ireo misionera Vavolombelona voalohany (izay nipetraka kelikely tao aminy), dia nanolotra ny efitra fisakafoana tao amin’ny hoteliny ho an’ny alahady tolakandro, satria nihidy izy io tamin’io andro io. Teo amin’ny Lalana Schoelcher no nisy azy io. Io anarana io dia avy tamin’ny anaran’ilay mpanao politika frantsay nanomana ilay didy tamin’ny 27 Aprily 1848, izay namaritra ireo fepetra fanafoanana ny fanandevozana. Teo amin’io lalana io koa no nisy ny katedraly. Izao izy nanana toeram-pivoriana tsara kokoa izao, dia nieritreritra ny Vavolombelona fa olona am-polony maro no ho tonga. Nandritra ny fotoana kelikely anefa, dia olona 5 ka hatramin’ny 10 monja no niara-nivory tao, tao amin’ny efitra iray nahazaka olona maherin’ny 100. Rehefa nanasa olona ho tonga izy ireo, ny valin-teny azony mazàna dia hoe: “Ho avy aho, raha sitrapon’Andriamanitra.” Nahalana anefa vao nisy olona tena nieritreritra tokoa ny amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’io.

Kanefa, nisy mpampianatra iray efa misotro ronono, Rtoa Marceau, nankany amin’ny fotoam-pivavahana tany amin’ny katedraly aloha, ary avy eo dia tonga nihaino ilay hafatry ny Baiboly tsy tapaka. I Alice Lassus, izay nanadio ilay katedraly, dia tonga nanatrika ireny fivoriana ireny koa. Samy tonga Vavolombelon’i Jehovah nahatoky izy mirahavavy ireo. Raha ny tena izy anefa, dia nila toeram-pivoriana iray izay nifanentana kokoa tamin’ny haben’ilay antokon’olona ireo Vavolombelona.

Rehefa afaka volana vitsivitsy, izy ireo dia namindra ny fivoriana ho ao amin’ny Villa Ma Fleur de Mai, ao Clairière, eto Fort-de-France, izay nampiasaina ho tranon’ny misionera tamin’izay. I Stella Nelzy, izay nanomboka nanatrika fivoriana, dia taitra nahare fanamarihana iray natao tao indray mandeha. Hoy ny tsaroany tatỳ aoriana: “Nilaza ilay mpitari-draharaha hoe: ‘Itỳ no trano sarobidy indrindra manerana an’i Martinika!’ ” Hoy anefa ny teny nanampiny: “Takatro, tsy ela taorian’izay, fa marina ny azy. Tsotsotra no fahitana ilay trano, ary dabilio vita tamin’ny hazo efa nampiasaina sy norakofana baoritra, no fanaka tao. Kanefa, tao anatin’io trano io no nianarana momba ny fikasana mahatalanjona sy ny sitrapo ary ny toetra tsy manam-paharoan’i Jehovah Andriamanitra sy ny an’i Jesosy Kristy Zanany. Eny, tena ny trano sarobidy indrindra marina ilay izy!”

Tamin’ny 1960, dia tafakatra ho 47 ny isan’ny mpitory. Nanjary nilaina ny nitady toeram-pivoriana antonona iray hafa indray. I Adrienne Rudier dia nanolotra anay efitra roa tao ambany rihan’ny tranony tao Bellevue. Roa taona tatỳ aoriana, dia nanoro hevitra ny hanalana ilay rindrina farany tao izy mba hanalalahana ny toeram-pivorianay, ka izy kosa dia hifindra tany ambony rihana. Nitombo avo roa heny ny isan’ny mpitory tao anatin’ny roa taona monja. Izao dia 94 izy ireo, ary fampianarana Baiboly 177 no notarihina tany an-tokantranon’olona. Koa satria avy tany amin’ny ilan’i Fort-de-France ny sasany tamin’ireo mpitory, dia toa fahendrena ny hanorenana antokon’olona faharoa. Nivory tao amin’ny tranon’i Inoër Puisy tao Sainte Thérèse, tanàna kely ao amin’ny faritra atsimon’i Fort-de-France, izy ireo.

Nitohy ihany ny fitarana. Tamin’ny 1964, dia nanana salanisan’ny mpitory 157 izahay. Mba hisian’ny toerana ho an’ny mpanatrika fivoriana, dia nisy trano iray novidina tao Bellevue, eto Fort-de-France, ary navadika ho Efitrano Fanjakana. Dimy taona tatỳ aoriana, dia nisy Efitrano Fanjakana vaovao iray naorina tao amin’ny faritra iray hafan’ilay tanàna. Nomen’i Cesaire sy i Elvíre Quasima tamin-katsaram-panahy ny tafon-trano rihibato fisaky ny tranony, ary dia teo no naorina ilay Efitrano Fanjakana.

Fony ireo fivoriambe mbola kely

Natao tamin’ny 1955 ny fivoriambe voalohany, tao amin’ny tranon’ny Rahalahy sy ny Anabavy Noll. Mba hampaherezana an’ireo Vavolombelona 5 teto Martinika, dia nisy 27 nanao ilay dia avy tany Goadelopy. Tsy nahatratra 40 ny tontalin’isan’ny mpanatrika. Nanome sakafo ara-panahy tondraka anefa ny fandaharan’ilay fivoriambe. Toy inona moa ny fifaliana nentin’ny fiarahan’ny mpirahalahy ara-panahy!

Tamin’izany andro izany, dia sarotra ny nanomboka ireo fivoriana ara-potoana. Rehefa tonga tara ny olona, dia indraindray izany no niteraka fisehoan-javatra nampihomehy. Nandritra ny fivoriambe iray tamin’ny 1956, dia nisy fampisehoana nahitana mompera iray, tena nanao akanjon’ny mompera, nankany an-tranon’ny olona iray mba hanakiviana azy tsy hamaky ny zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah. Rahalahy iray efa nisy volombava no nanao akanjo rebareba mba hilalaovana ny anjaran’ilay mompera. Ny olona liana iray tonga tara dia tsy nahatakatra fa fampisehoana fotsiny ilay izy. Taorian’ilay fivoriana, dia sosotra kely izy nilaza hoe: ‘Tsy manaiky ny nataon’iny mompera iny aho. Ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mankany amin’ny katedraly mba hanakorontana any, koa nahoana izy no tonga hanakorontana atỳ?’

Hafatra momba ny fahafahana nentina tany amin’ny moron-tsiraka avaratra-atsinanana

Tatỳ aoriana, dia nilaina nanehoana fiheverana ireo toerana lavitra ny renivohitra. Ny moron-tsiraka andrefan’i Martinika dia eo amin’ny Ranomasin’i Caraïbes, ary ny moron-tsiraka atsinanana, eo amin’ny Ranomasimbe Atlantika. Ho vokany, dia iantefan’ireo alizay mivantana ny moron-tsiraka atsinanana, ka be orana sady mando. Eny amin’ireo havoana sy lembalemba voatondraky ny orana tsara any amin’io faritra io, dia ny zava-drehetra no maniry — fary, anana, akondro ary voankazo hafa. Ireo tanàna, izay manaraka ny moron-tsiraka ny ankamaroany, dia miankina amin’ny fanjonoana koa.

Ny tantaran’io faritra io koa dia voamariky ny varotra andevo sy ny fanafahana azy ireo. Ao amin’ny tanànan’i Le Lorrain, ny anaran’ny toerana sasany dia mampahatsiahy an’iny vanim-potoana iny, toa an’i Fond-Gens-Libre (Lohasahan’ireo Olona Nafahana) sy i Fond-Massacre (Lohasahan’ny Vonoana Olona). Na dia efa foana aza ny fanandevozana, rehefa nitondra ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra tany amin’io faritra io ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nahita fa mbola nila fanafahana ihany ny olona tao. Nila fanafahana avy tamin’ny fivavahan-diso sy ny finoanoam-poana izy ireo, ka ny fanekena ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ihany no nahatonga izany hety.

Sary nopotipotehina sy natsipy teny amin’ny arabe

Ny dia fitsidihana voalohany nataon’ireo misionera tany Basse Pointe, any amin’ny moron-tsiraka avaratra, any amin’ny 50 kilaometatra avy eto Fort-de-France, dia tamin’ny 1 Novambra 1954. Nitsontsorika be ny lalana nankany amin’io tanàna kelin’ny mpanjono sy ny mpamboly io. Ratsy be ilay izy, indrindra fa tamin’ny fotoan’ny orana, ary tany amin’ny toerana sasany, dia tsy maintsy nidina tamin’ny môbiletiny sy nanosika azy, izy ireo.

Nanantena ny hitsidika ilay ramatoa talen’ny sekoly tao amin’ilay tanàna izy ireo. Efa nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Frantsa izy ary nanao famandrihana tamin’ny Mifohaza!, fa izao kosa dia tapitra ilay izy. Tena nandraisan-tsoa ilay fitsidihana. Nanazava ilay ramatoa fa, na dia mpampianatra katesizy aza ny tenany, dia tsy nankany am-piangonana intsony, rehefa avy niresaka tsy tamim-panajana momba ny fanambadiana ilay mompera. Naneho fahalianana ny zavatra nolazain’ny Baiboly momba ny fanahy sy ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany izy. Tsy ela taorian’izay, dia niverina tany Frantsa izy, ary tany dia nanolo-tena ho an’i Jehovah sy natao batisa.

Fony izy teto Martinika, dia nanan-toerana ambony teo amin’ilay fiaraha-monina izy ary fantatra ho Katolika nafana fo. Alao sary an-tsaina àry ilay fifanjevoana, rehefa tafaverina teto Martinika izy, ka namotipotika ny sampiny rehetra, na kely na lehibe, ary nanipy ireo potipotiny teo anoloan’ny tranony mba horaofin’ny mpandraoka fako. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 9:16, 21.) Nisafoaka ilay mompera, ka nanomana sy nanao sermona namelively be, mba hanamelohana ny nataon’io Katolika taloha io. Ho vokany, dia niresaka momba izay nantsoin’izy ireo hoe ny fivavahan-dRtoa Cressan ny olona rehetra. Efa hatramin’ny 42 taona izao, i Gabrielle Cressan, izay 88 taona, no Vavolombelon’i Jehovah, sy niezaka hanatanteraka ny faniriana maminy indrindra, dia ny hoe: “Enga anie ny tsirairay amin’ireo fitepon’ny foko ka ho an’ny fiderana an’i Jehovah.”

Ny vehivavy katolika iray hafa, izay mpifanila trano taminy nahare ireo teny nasiaka be nataon’ilay mompera momba ny Anabavy Cressan, dia nanapa-kevitra ny hanontany azy io hoe inona izany. I Leónie Ducteil, nanan-janaka 11 ary vadin’ny faktera teo an-toerana, io vehivavy io. Niaiky izy fa tena ny fahamarinana tokoa no nianarany tamin’ny Anabavy Cressan, ka nanomboka nianatra ny Baiboly niaraka tamin’ireo zanany izy. Tao anatin’ireo taona nanaraka, dia tonga Vavolombelona vita fanoloran-tena sy batisa izy sy ny sivy tamin’ireo zanany. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, ny iray tamin’ireo zanany vavy, i Edgard, dia nanambady an’i Gérard Trivini, izay tonga mpikambana tao amin’ny Komitin’ny Sampana tatỳ aoriana.

Folo taona talohan’ny nianaran’i Leónie Ducteil ny fahamarinana tamin’ny Anabavy Cressan, ny iray tamin’ireo mpifanila trano taminy, i Georgette Josephe, dia efa nahare ny anarana hoe Jehovah tao amin’ny fihirana iray nohiraina tany amin’ny fiangonana advantista. Nisarika ny sainy ilay anarana, ary izao ny mpifanila trano taminy, Rtoa Ducteil, dia nilaza taminy fa nisy ramatoa iray vao avy nanazava taminy ny Tenin’i Jehovah. Avy hatrany izy dia naniry hahafantatra bebe kokoa. Samy tonga Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny zanany valo, ary tatỳ aoriana dia ny vadiny.

Ireo fianakaviana vitsy ireo no nahaforona ny fototry ny mpivavaka marina tany amin’ny moron-tsiraka avaratry ny ilan’ilay nosy manamorona an’i Atlantika. Avy tao Basse Pointe, nandritra ireo taona nanaraka, dia nafafy nanerana ireo tanàna lehibe sy kely teny amin’ny Moron-tsirak’i Atlantika ireo voan’ny fahamarinana. Nitombo izy ireo ka namony tao Le Lorrain, Marigot, Sainte Marie, Trinité ary Le Robert, ary koa tao Ajoupa Bouillon sy Vert Pré ary Gros Morne, ao afovoan-tany kokoa.

Mpisava lalana be zotom-po no nandray anjara tamin’ny fanelezana ny fahamarinana teny amin’ny moron-tsiraka atsinanana. I Osman Léandre, efa maty vady, dia nifindra nonina tany Sainte Marie tamin’ny 1965 ary nanolotra ny tranony hanaovana fivoriana. I Arcade Bellevue sy i Maryse Mansuéla, mpisava lalana manokana avy tany Goadelopy, dia tonga tao Le Robert tamin’ny Desambra 1967, ary naneho fikirizana na dia teo aza ny fanoheran’ilay mompera katolika teo an-toerana. Tamin’ny 1970, i Aline Adélaïde sy i Jacqueline Popincourt dia nanomboka nitory tao Le Lorrain. Tao i Aline dia afaka nampiasa ny Soratra Masina mba hanampiana ny mpanao ody ratsy taloha iray hanafa-tena tamin’ny fifehezan’ny demonia. Telo taona tatỳ aoriana, dia nisy mpisava lalana telo hafa tonga hiaraka tamin’izy ireo, dia i Michèle sy i Jeanne Ursulet ary i Josette Mérine. Ireo mpisava lalana tao Le Lorrain ireo dia niala tsy ho mpampianatra mba handraisana anjara tamin’ny asa fampianarana iray lehibe lavitra — ny fampianarana ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Nahoana ilay mompera no nila ny boky Fahamarinana?

Hoy ny notantarain’i Jeanne Ursulet: “Tamin’ny 1974, ny Fikambanana dia nandefa taratasy iray ho anay, avy tamin’ny olona iray nipetraka teto Le Lorrain. Naniry mafy hahazo zavatra vita an-tsoratry ny Vavolombelon’i Jehovah ilay rangahy, ary indrindra fa ny boky Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, izay hitany tany an-tranon’ny olona iray. Ny ampitso izahay dia nandeha nitady io rangahy io. Tsy nilaza na inona na inona taminay ny anarany, ka nanontany ny faktera iray izahay hoe iza izy io. Gaga be izahay nahafantatra fa ilay mompera teo an-toerana no nandefa ilay taratasy tamin’ny Fikambanana!

Nanontany tena izahay hoe ahoana no ho fandraisany anay, rehefa nankany an-tranony. Nampahafantatra ny tenany ilay rangahy ary nilaza taminay tamin’ny feo nangatsiaka fa tsy naniry hiresaka taminay, fa ireo zavatra vita an-tsoratra ihany no nahaliana azy. Sanganehana izahay. Fotoana kelikely taorian’iny fitsidihana iny anefa, dia matetika izahay no nahare olona teo amin’ny manodidina nilaza taminay fa nanazava zavatra nitovy tamin’ny fanazavanay ilay mompera. Nanatsoaka hevitra àry izahay fa tsy maintsy ho nampiasa ny zavatra vita an-tsoratray mba hanomanana ireo toriteniny izy.”

Nitsapatsapa nitady an’Andriamanitra ka tena nahita azy

Tamin’ny 1967, dia mpisava lalana manokana efatra hafa — i Octave Thélise, i Alvina vadiny, ary i Elie sy i Lucette Régalade — no nanomboka ny Kongregasionan’i Trinité. Ny ampitson’ny nahatongavan’i Elie Régalade, dia nandeha nitory izy. Taiza izy no nanomboka? Nandingana trano teo amin’ny ankavia sy ankavanana izy, ka nivantana tany amin’ny varavaran’ny ramatoa iray nantsoina hoe Rtoa Moutoussamy, ary nandondòna teo. Mbola tsy nahita azy io mihitsy izy hatramin’izay, ary tsy nisy olona nanome azy ny anarany. Aoka anefa ilay ramatoa no hilaza ny tantarany:

“Hatramin’ny fahazazako aho dia nifikitra be tamin’ny fivavahana katolika. Niasa nandritra ny taona maro tao amin’ny akanin-jaza iray notantanan’ny mompera aho. Diso fanantenana anefa aho noho ny fihatsarambelatsihy tao amin’ny fiangonana. Nihanihena isan’andro ny fifikirako taminy. Rehefa tonga ny fotoana hanoratana anarana an’ireo zanako roa lahy zokiny hanaraka fampianarana katolika, dia voazarazara aho teo anatrehan’ny faneren’ny rafozako katolika sy ny fanoheran’ny vadiko komonista ary ny fitaoman’ny rahavaviko advantista. Tsy hitako izay hatao. Nivavaka tamin’Andriamanitra saika ny alina manontolo aho, mba hanampiany ahy hahita vahaolana. Ny ampitso maraina, dia nandondòna teo am-baravarako ny Anadahy Régalade, ka nampahafantatra ny tenany ho Vavolombelon’i Jehovah. Tonga dia nankeo an-tranoko izy. Izaho no olona voalohany niresahany teto Trinité.”

Natao batisa valo volana taorian’izay i Lisette Moutoussamy, sy ny vadiny komonista taloha. Ankehitriny, 30 taona mahery atỳ aoriana, dia mbola manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny fianakaviany manontolo izy ireo. Loholona ny telo amin’ireo zanany lahy. Rehefa mitsapatsapa amim-pahatsorana mitady ilay Andriamanitra marina ny olona, dia tena hahita azy marina, araka ny lazain’ny Baiboly. — Asa. 17:26, 27.

Namokatra ilay faritany, ary kongregasiona maro no niforona. Nisy iray tany Trinité, ary avy tamin’izy io, dia nisy enina hafa niforona — roa tany Le Robert, iray tany Sainte Marie, iray tany Gros Morne, iray tany Vert Pré, ary iray hafa tany Trinité. Mbola mitombo ihany izy ireo, ka manome voninahitra an’i Jehovah.

Manafika ny klerjy

Hatraiza hatraiza teto Martinika, dia nampahatezitra ny klerjy ny fihenan’ny fifehezany ny vahoaka, izay nohazonina tao anatin’ny tsy fahalalana. Naneho ny fisafoahany ny mompera iray, rehefa nifanena tamin’ny ankizivavy roa, izay tonga nitsidika havan’ny mpifanila trano nody mandry iray tao Basse Pointe, tamin’ny 1956. Fantatr’ilay mompera fa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo ankizivavy ireo, ka niampanga azy ireo ho nivadi-pinoana izy ary nandrahona azy ireo tamin’ny afobe, satria hoe tsy namonjy Lamesa intsony izy ireo. Rehefa namaly tamim-pahatapahan-kevitra ny iray tamin’ireo ankizivavy, dia notefahin’ilay mompera tehamaina tamin’ny heriny rehetra, ary romotra mafy izy nitsambikina tao anaty jipiny sy nandeha.

Tao Le Robert, taorian’ny nahatongavan’ny mpisava lalana roa tamin’ny 1967, dia nandrara an’ireo mpiangona tao amin’ny paroasiny tsy hanokatra ny varavarany ho azy ireo ilay mompera. Indray andro, dia nitroatra noho ny fahatezerana izy ka saika nanitsaka azy ireo tamin’ny aotomobiliny. Tao amin’ny trakitry ny paroasy, dia nihanitombo ireo fampitandremana feno fahasosorana mafy sy fahatezerana, ary avy teny amin’ny polipitra, dia nandefa teny niampanga sy nanindrona momba ireo izay nolazainy ho ‘mpiasan’i Satana tonga mba hanakorontana ny filaminan’ny Katolika Romana’, ireo mompera.

Tonga namely koa ireo antokom-pivavahana hafa. Ireo fivavahana evanjelika indrindra indrindra dia niampanga lainga anay ho tsy nino an’i Jesosy Kristy. Ireo Advantista dia niampanga anay ho tsy nanaja ny Sabata, nefa ny ankamaroan’izy ireo aza tsy nanaja azy io afa-tsy an-tendro-molotra fotsiny. Nisy fotoana nahavoatarika an’ireo rahalahy hanao ady hevitra tsy nisy farany tamin’ny pastoran’ireny fivavahana ireny. Matetika no alina be vao nifarana ireny ady hevitra ireny, nefa very maina fotsiny. Noho ny fanampian’ny mpanompo mahatoky sy malina, izahay dia nianatra miandalana ny hampiasa ny fotoananay hitadiavana ireo olona toy ny ondry izay tena finaritra tokoa nihaino ny feon’ilay Mpiandry Tsara.

Na dia izany aza, dia nanokatra ny mason’ny olona sasany toy ny ondry ireny ady hevitra ireny. Ohatra iray ny amin’izany i Jules Nubul teto Fort-de-France. Voamariny fa mody nanonona teny tao amin’ny Baiboly fotsiny ilay pastora — izay namoromporona ireo andinin-teny, raha ny tena izy — mba hitadiavana hanohana ilay fampianarana hoe tsy maintsy mitandrina ny Sabata ny Kristiana. (Ampitahao amin’ny Romana 10:4; Kolosiana 2:13-16.) Ankehitriny ny Rahalahy Nubul dia loholona eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. I Gertrude Buval, tany Trinité, dia Advantista Nitandrina ny Andro Fahafito taloha. Hitany ny tsy marina nataon’ny pastorany nandritra ny ady hevitra iray nifanaovany tamin’i Octave Thélise, izay mpisava lalana manokana tao, niaraka tamin’i Alvina vadiny. Taona maro atỳ aoriana, na dia efa mandroso taona sy tsy salama aza ny Anabavy Buval, dia mbola mifikitra sy tsy mivadika amin’ny fandaminan’i Jehovah ihany.

Eo am-pototr’ilay volkano — Hihaino ve izy ireo?

Any amin’ny faritra avaratra-andrefan’ilay nosy, ny tanànan’i Saint Pierre, Le Prêcheur, Le Carbet ary Le Morne Rouge dia samy manodidina ny Tendrombohitra Pelée avy hatrany. Io volkano io dia mampalahelo fa nanjary nalaza noho ny nandringanany an’i Saint Pierre sy ireo mponina 30 000 tao aminy, tamin’ny 1902.

Momba ilay fipoahan’izy io tamin’ny 8 May tamin’io taona io, ny tena tadidin’ny olona dia ireo mponin’i Saint Pierre tsy niraharaha ireo fampitandremana ka tsy nety nandositra. Nandritra ny iray volana, ilay volkano dia namoaka setroka sy lavenona ary vatovato. Rakotra lavenona i Saint Pierre. Olona 25 no matin’ny riakam-potaka. Natahotra ny olona, nefa mbola tsy nandositra ihany. Ny antony iray dia ny finoan’izy ireo ny anjara; ny antony iray hafa dia noho ireo mpitarika teo aminy, anisan’izany ny klerjy, nampirisika azy ireo hijanona. Ireo anton-javatra ireo ihany koa no manan-kery eo amin’ny fihetsiky ny maro eo anatrehan’ny fampitandremana ny amin’ny andron’i Jehovah mahatahotra. — Joela 3:4, 5.

Olona maro eto Martinika no mino ny anjara, ary rehefa tojo zava-tsarotra izy ireo, dia manainga soroka ka manao hoe: “Izany no sitrapon’Andriamanitra.” Matetika izahay no miezaka hanampy azy ireo hanjohy hevitra momba izany, amin’ny firesahana momba izay nitranga tamin’ny fipoahan’ny Volkano Pelée. “Raha ‘sitrapon’Andriamanitra’ ireny zava-nitranga ireny”, hoy izahay manontany azy ireo, “nahoana àry no gadralava iray natokana irery tao amin’ny lakalin’ilay tranomaizina, no hany nieren-doza, fa samy ringana daholo kosa ny ‘Kristiana tsara’ rehetra sy ireo fiangonana mbamin’ny ‘olo-masina’ tao anatiny?”

Tany am-piandohan’ireo taona 1960, ireo mpitory avy teto Fort-de-France dia nanomboka nanao dia tsy tapaka tany amin’ireo tanàna teo akaikin’ilay volkano mba hitondrana ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’izy ireo. Kanefa dia voagejan’ny tahotra ny mponina tany. Nanontany tena izy ireo hoe: “Inona izao no holazain’ny olona?” Noho ny tahotra sao lavin’ny mpiara-monina, dia tsy nisy naniry ho fantatra ho nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny 1962, dia tonga hipetraka tao Le Morne Rouge, ao avaratra-atsinanan’i Saint Pierre, ny fianakaviana Charpentier, avy tany Frantsa. Mpisava lalana manokana i Madeleine. Nandritra ny taona maro, dia namafy ireo voan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana tany amin’io faritra io izy sy i René vadiny.

Kanefa, mbola natanjaka be ny fitaoman’ny fiangonana tany amin’ny faritra avaratr’ilay nosy. Misy toeram-pambolena midadasika sasany tantanan’ny tompon-tany mpanan-karena. Taranak’ireo mpiorim-ponenana voalohany izy ireo, ary tsy misaraka izy sy ny klerjy katolika. Manerana an’i Martinika, dia azo isaina amin’ny rantsantanana ny isan’ireny vazaha ireny nanaiky ny fahamarinana.

Afaka tamin’ny tahotra olona

Na dia tsy naniry ho fantatra ho nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aza ny ankabeazan’ny mponina, teo antenatenan’ireo taona 1960, ny lehilahy iray sy ny vadiny, i Yoland sy i Bernadette Hortance, dia nanomboka voatosiky ny fitiavana an’i Jehovah sy ny Teniny. Fisedrana ny finoany inona avy no natrehin’izy ireo? Hoy ny notantarainy: “Noho izahay ny voalohany nanaiky ilay ‘fivavahana vaovao’, dia nanjary nailiky ny mpiara-monina izahay. Nandia fe-potoana feno fisedrana izahay. Tao anatin’ny herintaona, dia namoy zanaka roa noho ny loza izahay, ary izany dia nanosika ny olona hilaza fa nosazin’Andriamanitra izahay, satria hoe niala tamin’ny fivavahana katolika. Izay efa nianaranay momba an’i Jehovah anefa dia nanampy anay tsy hivadika.”

Taorian’izany rehetra izany, ny mpampiasa an’i Yoland, izay béké (vazaha), teo ambanin’ny fitaoman’ny mompera iray, dia nandrahona ny handroaka azy, raha tsy niverina tany am-piangonana izy. Kanefa, tsy nivadika i Yoland, ary noho io rahalahintsika io mpiasa malina tsara, dia tsy nanatanteraka ny fandrahonany ilay mpampiasa azy. Na dia samy nandia fotoan-tsarotra hafa aza izy mivady, dia mbola mpanompon’i Jehovah mahatoky ihany ny Rahalahy sy ny Anabavy Hortance.

Tamin’ny 1968, dia nifindra avy teto Fort-de-France nankany Le Morne Rouge ny fianakaviana Palvair. Tsikelikely dia nisy hafa koa nanaiky ny fivavahana marina. Ankehitriny, dia misy kongregasiona iray misy mpitory 60 ao Le Morne Rouge.

Fanampiana hafa koa tsy lavitra an’ilay volkano

Nanomboka tamin’ny 1972, dia nisy anabavy mpisava lalana manokana roa, i Anne-Marie Birba sy i Arlette Girondin, niasa tamin-kerim-po mba hanampiana ny olona tao Saint Pierre sy Le Carbet ary Le Prêcheur. Na dia nitondra hafatra momba ny fiadanana aza izy ireo, indraindray ny olona dia nitora-bato azy ireo sy namely kifafa azy ireo. Any amin’io faritra io, dia vehivavy maro nanaiky ny fahamarinana no niaritra fanoherana mafy avy tamin’ny vadiny. Noho ny fitondran-tena tsaran’ireo vehivavy ireo anefa, tsikelikely dia nihananjary nilefitra kokoa ny vadin’izy ireo. — 1 Pet. 3:1, 3.

Ny Vavolombelona efa zokiolona iray, i Jules Martinon, dia ohatra iray ny amin’ny fikirizana: nanompo tao Saint Pierre nandritra ny 20 taona mahery izy. Nandritra ireo taona 1960 sy ireo taona 1970, ny fivoriana tany amin’io faritra io dia natao tamin’ny toerana izay zara raha azo nekena. Kanefa nisy rahalahy be fandavan-tena toa an’i John Chavigny, sy ny fianakaviana Lemoine sy Papaya tatỳ aoriana, nanampy mba hiforonan’ny kongregasiona mahafinaritra iray tao Saint Pierre. Misy Efitrano Fanjakana tsara tarehy mahazaka olona 200 ao, izay porofo fa tafaorina tsara eo am-pototr’ilay volkano ny Vavolombelon’i Jehovah.

Alina tontolo teny ambony manga

Tamin’ny 1955, dia efa nahatratra an’i Le Lamentin ny hafatra momba ilay Fanjakana, nefa mbola tojo fitsapana mafy ihany ireo izay nitady hanompo an’i Jehovah Andriamanitra tany. Tsy ny klerjy foana no tompon’andraikitra ny amin’izany. Ny lehilahy martinikey mazàna dia mirehareha ny amin’ny toetran-dehilahy ananany, ary maro aminy no tena manjakazaka amin’ny vadiny. Rehefa naniry hanompo an’i Jehovah ny vehivavy iray, dia matetika izy no tsy maintsy niatrika herisetra avy tamin’ny vadiny.

Hoy ny notantarain’ny iray tamin’ireo anabavinay ao Le Lamentin: “Tamin’ny 1972, rehefa nisy nitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana tany an-tranoko, dia izany no valin’izay rehetra niriko. Nandrara ahy tsy hianatra anefa ny vadiko. Na dia izany aza, dia nanohy nianatra niafina aho. Raha vao fantany ilay izy, dia nodorany ny Baiboliko sy ilay boky fianarako ary novonoiny aho. Notapahiny ny hevitra fa hifindra trano izahay, satria nanantena izy hoe hamarana ny fahalianako tamin’ny Baiboly izany.

Rehefa nanomboka nanatrika fivoriana aho, dia tsy navelany hiditra ny trano. Matetika aho no natory tao ambany lavarangana. Avy eo dia nopotehiny izay rehetra nety ho fialofana ho ahy, hatramin’ny tranon’akoho mihitsy aza. Namono ahy matetika izy, ary imbetsaka aho no nandry fotsy. Indray mandeha, dia nanenjika ahy tamin’ny antsibe, tamin’ny misasak’alina izy! Mba handosirana azy, dia voatery nihazakazaka tany anaty ala sy nianika manga haingana araka izay azoko natao aho. Avotra aho, nefa noho ny jirony tsy nandeha intsony fotsiny. Nitady ahy nandritra ny ora maro izy, nandalo akaiky kelin’ny nisy ahy, raha mbola teny ambonin’ilay hazo aho, niforitra sy nivavaka. Nijanona teny ambonin’ilay manga ny alina tontolo aho.” Na dia izany aza, tamin’ny 1977, dia natao batisa izy. Tatỳ aoriana, dia niandany tamin’i Jehovah koa ny zanany vavy.

Fahafahana avy tamin’ny finoanoam-poana sy ny Quimbois

Rehefa miara-mianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona, ka mampihatra izay ianarany, dia mahita fahafahana amin’ny lafiny isan-karazany. Maro amin’ireo finoana sy fanaon’ny Martinikey no avy amin’ny fombafomba sy ny finoanoam-poana avy tany Afrika, ary tatỳ aoriana dia tafaorina teto amin’itỳ tanin’ny Fivavahana Katolika faly nandray azy ireny itỳ. Ireo izay tonga Vavolombelon’i Jehovah taona maro lasa izay, dia mbola mahatadidy ireo finoanoam-poana tsy maintsy nanafahany tena.

Tadidin’izy ireo fa tamin’ny Zoma Masina, talohan’ny nanaovana na inona na inona, dia tsy maintsy nanoroka ny lakroa aloha izy. Tamin’io andro io, dia voarara mafy ny fampiasana fantsika na marotoa, ho fahatsiarovana an’i Kristy. Norarana koa ny fihadiana tany tamin’ny lapelina na ny angady rovi-dela, satria hoe “handeha ra ny tany”, araka ny nampianarina azy ireo. Ny ampitso, ny asabotsy maraina, ny lakolosin’ny eglizy katolika naneno dia nidika hoe hahazo fitahiana ny rehetra. Mba handraisan-tsoa avy tamin’izany, rehefa avy naneno ireo lakolosy, dia tsy maintsy niroboka tao anaty rano — renirano na ranomasina — ny olona. Nampandro ny zanany narary izy ireo, nanetsiketsika an’ireo izay voan’ny alofisaka, mba hahazoana antoka fa handray soa koa izy ireo.

Ny hafa mahatadidy “ny alim-pandihizam-pandevenana” fanao rehefa nisy olona maty. Izy io dia voamariky ny fiaretan-tory feno tabataba, nisy fivelezana amponga sy fandihizana ary fihirana, ary koa fitantarana angano kreôla. Nino ny olona fa izany dia hisakana ny fanahin’ilay maty tsy hijanona sy tsy handehandeha tao amin’ilay trano.

Na dia nahalana aza vao namaky ny Baiboly ny olona, dia maro no nihevitra azy io ho zava-masina. Tao an-tranony, dia navelany hisokatra teo amin’ny salamo iray izy io, ary nasiany hety teo amboniny. Nantenainy fa hiaro ilay trano tamin’ny fanahy ratsy izany.

Tsy hadinon’izy ireo koa ireo tambavy namboarin’ireo mpimasy. Ny hoe Quimbois, hoy ny sasany, dia teny kreôla avy tamin’ilay teny frantsay hoe “Tiens, bois!” (“Intỳ, sotroy!”) Izy io dia manisy firesahana ny amin’ireo mpimasy izay matetika no nanome tambavy majika hosotroin’ireo mpankany aminy. Na dia tsy manan-kery majika firy aza ireny tambavy ireny, dia mpimasy maro no nanjary nanankarena tamin’ny fanoroana hevitra ny olona hisotro azy ireny. Ny fanarahana ny fivavahana marina dia fahafahana avy tamin’ireny finoanoam-poana ireny.

Fanehoana fiheverana ny faritra atsimon’ilay nosy

Manodidina ny tendrony atsimon’ilay nosy no misy ny tanàna amoron-tsirak’i Le Marin sy i Sainte Anne ary i Le Vauclin, ary miditra kely avy eo i Rivière Pilote. Ireo no toerana nahatonga ny mpitsidika hahita an’i Martinika ho nosy miavaka noho ny torapasika fotsy sy ny ranomasina manga feno akorandriaka. Faritra namokatra mpidera an’i Jehovah maro koa izy ireo.

I Rivière Pilote no voalohany tamin’ireo tanàna ireo, nahazo fanambarana. Tamin’ny ahoana? Vao avy nahavita ny fianarany ho dokotera tany Frantsa ny Dokotera Maguy Prudent. Talohan’ny niverenany teto Martinika, dia niresaka taminy momba ny fikasan’Andriamanitra feno fitiavana momba ny olombelona ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho izany, rehefa tonga teto Martinika izy, dia nifandray tamin’ny Vavolombelona, ka i Sara Noll no nitarika fampianarana Baiboly taminy. Natao batisa tamin’ny 1959 izy. Nifandray tamin’ny asa fitsaboana nataony, dia nifampikasoka tamin’olona be dia be ny Anabavy Prudent, na dia ireo avy tamin’ny tanàna manodidina aza, ka nizara ireo fahamarinana nianarany avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra tamin’izy ireo.

Tonga tany mba hitory koa ireo mpitory teto Fort-de-France. Tamin’izany andro izany, dia vitsy kely ny Vavolombelona nanana aotomobilina, koa nanofa “barìka” (aotobisy kely) iray àry izy ireo. Izany no niantsoana azy, satria nitovy tamin’ny barìkan-dasantsy ny endriny. Nanomboka ny diany iray andro izy ireo, tamin’ny fitoriana tamin’ireo olona tao an-tanàna, ary avy eo dia nankany amin’ireo mponina teny amin’ireo tehezan-kavoana mitsatoka. Nifarana tamin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana teo ambany manga iray ilay andro.

Tatỳ aoriana, dia nisy mpisava lalana manokana nirahina tany amin’io faritany io. Anisan’izy ireo i Marie Démas, izay 70 taona, ary avy tany Frantsa. Ny herim-pony sy ny fahaizany mandray vazivazy dia namela ohatra tena tsara ho an’ireo tanora kokoa. Tamin’ny 1963, i Séphora Martinon sy i Georgette Charles, mpisava lalana manokana, dia tonga mba hanampy ireo mpitory vitsy ireo. Kanefa, tamin’ireo taona 1970 vao nijinja ny vokatry ny asany mafy ireo mpisava lalana manokana tao amin’ny tanànan’i Le Vauclin sy i Le Marin ary i Sainte Anne teo akaiky, ka izany dia taona maro taorian’ny namafazana sy nanolokoloana ireo voa. Anisan’ireny mpisava lalana ireny i Stéphanie Victor sy i Monique ary i Eugènie Coutinard, tao Le Vauclin. Mendri-komarihina ny herim-po nasehon’i Eugènie, izay mbola kilemaina ara-batana ihany, na dia rehefa avy nodidiana imbetsaka aza. Nampiasa tehina izy rehefa nandeha, ary sahirana mafy rehefa niteny, nefa dia nanohy ny fanompoan’ny mpisava lalana maharitra izy.

Tamin’ny 1966, dia nisy mpisava lalana maharitra roa nirahina tany Rivière Pilote — i Anne-Marie Birba sy i Arlette Girondin — ary nisy kongregasiona iray niforona tany tao anatin’ny roa taona. Tamin’ny 1970, dia nisy roa hafa nirahina tany Le Marin — i Hélène Pérasie sy i Thérèse Padra. Hatramin’ny 1975, dia rahalahy sy anabavy vitsy kely avy tamin’ireo tanàna kely ireo no voatery nankany Rivière Pilote mba hanatrehana fivoriana. Noho ny nitahian’i Jehovah ilay asa, dia nisy kongregasiona niforona taorian’izay tao Le Marin tamin’ny 1979, tao Le Vauclin tamin’ny 1984, tao Sainte Luce tamin’ny 1993, ary tao Sainte Anne tamin’ny 1997. Mivory ao amin’ny Efitrano Fanjakana tsara tarehy izao ireo rahalahy any amin’ireo tanàna kely rehetra ireo, ary kongregasiona miroborobo no mikarakara ny zavatra ilain’ny olona any, eo amin’ny ara-panahy.

Toerana mety hanaovana fivoriambe lehibe kokoa

Tsy ela dia nanjary tena nilaina ny hananana toerana mety kokoa hanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany sy fivoriamben’ny distrika. Ireo efitra lehibe nisy tamin’izay dia toeram-pandihizana nantsoina hoe paillotes (trano falafa), satria voahodidina ravim-boaniho norarina izy ireny. Ireo efa tranainy dia mahatadidy ireo toeram-pandihizana tao Kerlys sy tao Serge Rouch, nanaovana ireo fivoriamben’ny distrikanay nandritra ny taona maro. Tatỳ aoriana anefa dia tsy nahafa-po intsony ireny karazana efitra ireny.

Nanamboatra rafitra vy azo nafindrafindra ireo rahalahinay, hany ka azo natao ny nanao fivoriambe na taiza na taiza teto amin’ilay nosy. Ny tanàna tsirairay dia nanana ny kianjany filalaovam-baolina. Nandritra ny taona maro àry, isaky ny nisy fivoriamben’ny fizaran-tany, dia nanangana ny Efitrano Fivoriambenay azo nafindrafindra teo amin’ireo kianja filalaovam-baolina isan-karazany teto Martinika, izahay. Tena fanambarana tsara dia tsara no natao tamin’izany! Ary tena nampahery an’ireo Vavolombelona nipetraka tao amin’ireo tanàna nanaovana ilay fivoriambe, ilay izy!

Ho an’ireo fivoriamben’ny distrika kosa, dia nampiasa ny kianja mitafo tao amin’ny Kianja Louis Achille teto Fort-de-France izahay. Mbola tadidinay foana ny Fivoriambe Iraisam-pirenena “Ny Finoana Mandresy” tamin’ny 1978. Voninahitra be ny anay nahazo an’i John C. Booth, anisan’ny Fitambara-mpitantana, ho mpandahateny lehibe indrindra. Tao amin’ny iray tamin’ireo lahateniny, dia hoy ny nambaran’ny Rahalahy Booth: “Tsy manana antony hamoizana ny finoantsika ny fandaminan’i Jehovah velively isika.” Ary hoy ny teny nanampiny: “Ny finoantsika tsy mihozongozona dia hovalian-tsoa rehefa hahazo ny fandresena isika. Tsy handiso fanantenana ny mpanompony mahatoky na oviana na oviana i Jehovah.” Ireo mpanatrika 2 886 dia nahazo fampaherezana be dia be avy tamin’iny fandaharana iny.

Misarika ny sain’ny olona ireo fampisehoana tantara ara-baiboly

Ny fampisehoana tantara ara-baiboly voalohany, nolalaovina tamin’ny 1966, dia nisy akony naharitra. Tsy nisy milina azo nandefasana ireo cassettes nisy ireo fampisehoana tantara. Tsy maintsy nianatra tsianjery sy tena niteny ny anjarany ireo mpilalao. Naharitra efa ho adiny roa iny fampisehoana tantara, momba an’i Jeremia, iny! Tsy maintsy nampifanaraka ny fihetsehana samy hafan’ireo mpilalao tamin’ny fampiasany ireo micros maro samy hafa, izahay. Ambonin’izany, satria mbola voafetra ny isan’ny Vavolombelona teto Martinika tamin’izany fotoana izany, dia tsy maintsy nilalao anjara samy hafa ny sasany, ka niova akanjo isaky ny niova ny fizarana, arakaraka ilay anjara holalaoviny. Asa izany! Nentanin’ny hafanam-po anefa ny mpanatrika.

Teo koa ireo feo tsy maintsy nampitaina. Tany ambadiky ny sehatra, ny rahalahy iray dia nikapoka takelaka fanitso mba hamoahana ny firefotry ny kotroka. Avy teny ambonin’ny sehatra, rehefa avy nopihina ny jiro tao anatin’ilay efitra, dia nisy rahalahy iray hafa nampiasa ny flash-n’ny fakantsary mba hahazoana tselatra. Miely haingana ny vaovao eo amin’ny nosy iray. Rehefa ren’ny olona fa hanao fampisehoana tantara ara-baiboly izahay, dia nandefa solontena ny televiziona mba handray an-tsary ny fanaovana famerenana. Fampahafantarana tsara an’ireo fivoriambe ny nandefasany azy tamin’ny fampielezam-peo.

Mandrodana, fa manorina koa

Tsy isalasalana mihitsy fa ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’i Jehovah dia nandrodana lainga sy finoanoam-poana, izay toy ny manda mafy, teto Martinika. Ny mpanompon’i Jehovah voahosotra, toa an’i Jeremia mpaminany, dia nirahin’Andriamanitra mba “hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana”, ary mba “hanorina sy hamboly” koa. (Jer. 1:10). Noho izany, ambonin’ny fanalana sarona an’izay melohin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mampiasa io Teniny io ihany mba hanampiana ny manetry tena ‘hitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. — Efes. 4:24.

Rehefa nitombo ny isan’ny olona nanaiky tsara ny Tenin’Andriamanitra, dia nisy asa fanorenana hafa koa nilaina hatao. Nitombo ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah teto Martinika — 1 000 izahay tamin’ny 1975, ka nahatratra 1 500 tamin’ny 1984, ary avy eo dia 2 000 tamin’ny 1986. Matetika no avo roa heny noho ny isan’ny mpitory ny isan’ny mpanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona, ary mahery noho izany amin’ny Fahatsiarovana isan-taona. Mba hisian’ny toerana ho an’ireo mpanatrika fivoriana, dia Efitrano Fanjakana fanampiny no nilaina. Roapolo no efa voaorina, ka ny tsirairay taminy dia nahazaka olona 250 na 300. Toerana nety ho an’ny biraon’ny sampana koa no nilaina.

Dingana lehibe iray

Rehefa avy nitady mafy nandritra ny taona maro ireo rahalahy, dia nahita tany iray teo amin’ny iray amin’ireo havoana mahatazana tsara ilay helodrano, atỳ afovoan’i Fort-de-France. Fanandraman-javatra faran’izay niavaka no nanomboka teto Martinika.

Tena voafetra ny isan’ireo mpiasa nahay sy azo nampiasaina manontolo andro, teo amin’ireo rahalahy teto an-toerana. Koa nanome lalana ny hanampian’ny Vavolombelona nahay avy tany ampita àry ny Fitambara-mpitantana. Ny voalohany tonga, tamin’ny Febroary 1982, dia i Robert Weinzaepflen, mpanao mari-trano avy tany Frantsa. Andro vitsivitsy taorian’izay, dia tonga avy tany Kanada i Sylvain Théberge, mba hanara-maso ny fanorenana. Feno ilay ekipa, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa tonga avy tany Kanada ny rahalahy sy anabavy tokony ho 20 hafa koa ary ny mpiasa an-tsitrapo sasany avy teto Martinika. Ny rahalahy teto an-toerana dia nanohana io tetik’asa fanorenana io, tsy tamin’ny asa feno fandavan-tena ihany, fa tamin’ny fanomezana tamim-pahalalahan-tanana koa, araka ny fahafahan’ny tsirairay. Nisy aza nanolotra ny firavany volamena mihitsy. Tena fanambarana tsara no natao, noho ny zotom-po sy ny firaisan-tsaina ary ny fitiavana naseho nandritra io tetik’asa io!

Moa ve ny ezaka rehetra natokana ho an’ilay fanorenana nampanadino ny asa fitoriana ampahibemaso ny vaovao tsara teto Martinika tamin’izany fotoana izany? Mifanohitra amin’izany aza, fa fitomboana niavaka no hita. Tamin’ny Martsa 1982, dia nisy mpitory 1 267 narisika teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha, ka ny 19 tamin’ireo dia mpisava lalana maharitra, ary ny 190 hafa mpisava lalana mpanampy. Rehefa nifarana ilay tetik’asa, tamin’ny 1984, dia tafakatra ho 1 635 ny isan’ny mpitory, ka ny 491 dia mpisava lalana mpanampy tamin’ny Aprily. Niharihary fa notahin’i Jehovah ny ezaka nataonay.

Tsy nitsahatra anefa ny fandrosoana. Tamin’ny fitokanana, tamin’ny 22 Aogositra 1984, i John Barr, anisan’ny Fitambara-mpitantana, dia niresaka momba ny foto-kevitra hoe “Fiaraha-mandroso Amin’ny Fandaminan’i Jehovah”. Nantsoiny hoe “fitaovana kanto aoka izany natao mba hiatrehana ny fitomboana sy mba hanompoana tsara kokoa ny ondrin’i Jehovah”, ilay biraon’ny sampana vaovao misy rihana efatra sy ilay Trano Betela. Anisan’ireo mpanatrika niraisam-pirenena nihaino ilay fandaharana ireo misionera efatra noroahina efa ho 34 taona talohan’io, ary faly ankehitriny noho ny porofon’ny fitahian’i Jehovah ny mpanompony eto amin’itỳ nosy kelin’i Antilles itỳ.

Fanampiana sarobidy avy tamin’ireo lehilahy araka ny fanahy

Mazava ho azy fa nihoatra noho ny fanorenana ireo trano ireo ny fanampiana nomena. Fiandraiketana tamim-pitiavana koa no nomena. Nandritra ny taona maro, mandra-pahatongan’ny 1977, dia teo ambanin’ny fiandraiketan’ny sampan’i Goadelopy ny asa fitoriana teto Martinika. Nandritra io fotoana io, dia nisy mpiandraikitra mpitety faritany, izay mpiandry ara-panahy, nirahina hankatỳ, avy tany amin’io nosy rahavavy io. Ireo efa fotsy volo dia mahatadidy an’i Pierre Jahnke sy i Nicolas Brisart. Avy eo, nanomboka tamin’ny 1963, dia i Armand Faustini no nitsidika tsy tapaka an’ireo kongregasiona.

Taorian’izy ireo, dia nisy mpiandraikitra mpitety faritany hafa, samy nanana ny fombany sy ny toetrany, anisan’ny nampiorina ara-panahy an’ireo kongregasiona. I Xavier Noll dia nandray anjara tamin’io fanompoana io nandritra ny taona maro. Teo koa i Jean-Pierre Wiecek sy i Jeanine vadiny. I David Moreau sy i Marylène vadiny koa dia nitsidika ny kongregasiona teto sy tany Guyane, izay notantanan’ny sampan’i Martinika tamin’izay. Rehefa nisy biraon’ny sampana tafaorina tany Guyane, dia ny Rahalahy Moreau, izay nahazo fampiofanana teto amin’ny sampan’i Martinika, no notendrena ho mpandrindra tao amin’ny Komitin’ny Sampana tany Guyane. Misionera tany Kourou, any Guyane, i Claude Lavigne sy i Rose Marie vadiny, fony izy nahazo ny fanendrena azy hanao ny asan’ny fizaran-tany teto Martinika. Ankehitriny izy ireo dia misionera any amin’ny Repoblikan’i Guinée. Nisy hafa koa nanompo nandritra ny fe-potoana fohy kokoa teo amin’ny asan’ny fizaran-tany, nefa izy rehetra dia tadidin’ny olona amim-pitiavana, noho ny asany mafy sy ny tsy fivadihany. Ho an’ireo izay nanambady, ny vadiny dia namana sarobidy, no sady ohatra tsara ho an’ireo anabavy tao amin’ireo kongregasiona. Amin’izao isika miteny izao, dia i Alain Castelneau sy i Moïse Bellay, miaraka amin’ny vadiny avy, no mitsidika an’ireo kongregasiona, izay mahaforona fizaran-tany roa. Amin’ny antsalany, ireo kongregasiona ireo dia manana loholona dimy sy mpanampy amin’ny fanompoana fito.

Na dia nosy kely ihany aza i Martinika, dia nanehoan’ny mpikambana ao amin’ny Fitambara-mpitantana fiandraiketana tamim-pitiavana ny mpanompon’i Jehovah teto. Tonga teto i Ewart C. Chitty, i Daniel Sydlik, i Karl Klein, i William K. Jackson, i Lloyd Barry, ary i Milton Henschel, ary koa mpiandraikitra ny zone hafa. Ireo rahalahy sy anabavy 12 mipetraka sy miasa ato amin’ny Trano Betela, ary koa ny Vavolombelon’i Jehovah hafa rehetra eto Martinika, dia tena mankasitraka ireny fitsidihana ireny.

‘Mahita ny manetry tena i Jehovah’

I Davida, mpanao salamo, dia nanoratra hoe: “Avo i Jehovah, kanefa ny manetry tena dia hitany”. (Sal. 138:6, NW ). Ary i Jakoba mpianatra dia nanampy teny hoe Andriamanitra dia “manome [hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory, NW ] ho an’ny manetry tena”. (Jak. 4:6). Misy porofo tondraka ny amin’izany eo amin’ireo izay nosarihin’i Jehovah ho aminy, eto Martinika.

I Christian Bellay sy i Laurette vadiny, izay nipetraka teto Fort-de-France tamin’izay, dia nanehoana izany hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory izany. Very hevitra izy ireo noho ireo fivavahana maro samihafa teto Martinika. Iza tamin’ireo no nankasitrahan’Andriamanitra? Rehefa namaky ny Apokalypsy 22:18, 19 i Christian Bellay, dia nahatsapa fa hitany ny fanalahidy hahitana ny valin’io fanontaniana io. Fivavahana iza no sady tsy manampy ny Tenin’Andriamanitra, no tsy manaisotra na inona na inona aminy? Rehefa avy nandinika ny zava-misy izy, dia nanjary niaiky fa ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Takany koa fa tsy maintsy nampihatra io fitsipika io ihany teo amin’ny fiainany izy — sady tsy hanampy ny Tenin’Andriamanitra no tsy hanaisotra, hanala na handa, na inona na inona aminy. Hatramin’io fotoana io, dia niray trano, nefa tsy nisoratra, tamin’i Laurette, izy. Tamin’ny 1956 anefa dia nosoratany ara-dalàna ny fanambadiany. Ny lahatenim-panambadiana natao tamin’izay no voalohany nataon’ny Vavolombelona iray teto Martinika. Ny taona nanaraka, dia natao batisa tao amin’ny Renirano Madame, eto Fort-de-France, izy mivady. I Leon rahalahiny, sy ny rainy ary ny reniny, ary koa i Alexandre anadahin’i Laurette, dia samy nanaiky ny fahamarinana daholo. I Moïse Bellay, iray amin’ireo zanak’i Christian sy i Laurette, dia mpiandraikitra ny fizaran-tany amin’izao isika miteny izao. Tena tondraka ny hatsaram-panahy amin’izay tsy mendrika akory nasehon’i Jehovah tamin’io fianakaviana io!

Ny zavatra tsotra atao amin-katsaram-panahy amin’ny mpanompon’i Jehovah dia mety hanokatra ny lalana hirotsahan’ny fitahiana amin’izay tsara fanahy. (Matio 10:42). Marina izany tamin’i Ernest Lassus, izay nanana trano fanefena firavaka teto Fort-de-France. Naka gazety Mifohaza! tsy tapaka izy, tsy noho izy liana akory, fa ho fanehoana hatsaram-panahy. Indray andro, ilay Vavolombelona nitondra ireo gazety teo aminy dia nanazava fa i Jesosy Kristy, ilay Andrian’ny Fiadanana, ihany no ho afaka hampanjaka ny rariny eto an-tany. Izany no notadiavin’i Ernest Lassus. Nanaiky ny hitsidihan’ilay Vavolombelona azy tany an-tranony izy. Natomboka ny fianarana Baiboly. “Ankehitriny aho”, hoy izy, “dia manana izay rehetra mety ho niriko. Ao amin’ny fahamarinana ny ankamaroan’ny zanako; ny iray amin’ireo zanako vavy dia mpisava lalana, ny iray amin’ireo zanako lahy dia mpisava lalana no sady loholona koa, ary ny zanako lahy iray hafa dia mpikambana ao amin’ny fianakavian’ny Betelan’i Martinika.”

Tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah

Mampahery ny mahita tanora mitodika any amin’i Jehovah sy maneho ny fankasitrahany noho ny tari-dalany feno fitiavana. Maro taminy no sahiran-kevitra noho ny tsy fisian’ny tari-dalana tsara eo amin’izao tontolo izao. Ny Tenin’Andriamanitra anefa dia manampy azy ireo hahafantatra ny tena zava-kendren’ny fiainana. (Mpit. 12:13). Rehefa mihamahalala izay raketin’ny Baiboly izy ireo, dia manomboka mahita fa tena andraisan-tsoa ny fanarahana ilay torohevitra voarakitra ao amin’ny Isaia 30:21, manao hoe: “Ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.”

Ny iray tamin’izy ireny, ankizivavy kely folo taona antsoina hoe Claudia, dia nametraka fanontaniana maro tamin’ilay Vavolombelona tonga nitsidika ny fianakaviany. Noho ny aretin’ny rainy, dia nanjary tapatapaka ny fianaran’ny reniny, fa ilay ankizivavy kely kosa nanohy nianatra sy nampihatra ny torohevitry ny Baiboly nianarany. Nodorany ny katesiziny sy ny bokin-damesany, ary nopotehiny ny sariny ara-pivavahana. Rehefa maty ny rainy, dia tsy nety nisaona izy, ary nitory tamin’ireo izay nitady hivavaka ho an’ny fanahin’ny rainy. Naneho toe-tsaina toy ny an’ilay ankizivavy kely isiraelita mpanompon’ny vadin’i Namàna izy, ka nampirisika ny reniny hanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona. (2 Mpanj. 5:2-4). Tany amin’ny Efitrano Fanjakana, dia nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika ilay ankizivavy kely. Tsy ela izy dia nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha, ary tamin’ny 1985, fony izy 12 taona, dia natao batisa izy, niaraka tamin’ny reniny. Tsy nisalasala ny reniny niaiky fa ny zanany vavy no tena nahatonga ny tenany handroso ara-panahy.

Ny tanora sasany dia manararaotra tsy amin-tahotra ireo fahafahana hitory any am-pianarana. Ny mpampianatra teny frantsay iray tany Le François dia nanendry an’ireo mpianatra hanao fikarohana momba ny fivavahana maro samihafa eto Martinika. I Roselaine, izay 18 taona tamin’izay, sy ny mpiara-mianatra iray hafa, dia nanana fahafahana hanao fanambarana tsara, tamin’ny fampiasana ny boky L’humanité à la recherche de Dieu. Nahapetraka boky tokony ho 20 tamin’ireo mpianatra sy mpampianatra izy ireo.

Na dia heverina ho raharaha mampifanditra be aza ireo fanontaniana iadian-kevitra any an-tsekoly, ireo Vavolombelona tanora eto Martinika dia sahy niteny mba hanazava ireo foto-pitsipika ambony ao amin’ny Tenin’i Jehovah. Mitantara toy izao ny fanandraman-javatra hitany i Mary-Suzon Monginy: “Indray andro, rehefa niresaka momba ireo zava-manahirana ateraky ny fihoaran’ny isan’ny mponina ny mpampianatra, dia nanonona ireo fomba maoderina fanabeazana aizana. Nipoitra ny fanontaniana momba ny fanalana zaza, ary avy hatrany dia niteraka ady hevitra nafana. Nangataka tamin’ilay mpampianatra aho mba hamela ahy hanolotra fanazavana sasany ny ampitso, mba hamelabelarako ny fomba fihevitro momba azy io. Nanaiky izy, ary nandritra ny efa ho adiny roa, dia nanao fiaraha-midinika ny iray kilasy.” Ilay fanazavana dia noraisina avy tao amin’ny gazety Mifohaza!, anisan’izany ilay hoe “Diarin’ny Zaza Iray Tsy Teraka”, tao amin’ny nomerao tamin’ny 22 Aogositra 1980, tamin’ny teny frantsay. Ny vokatr’izany dia fihatsaran’ny fihetsik’ilay kilasy manontolo eo anoloan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Tanora ny mponin’i Martinika. Ny tanora amin’ny ankapobeny dia voasarika lalina ao amin’ny fandehan-javatra ara-bola poaka aty, izay manantitrantitra tafahoatra ny fananana ara-nofo. Ny tanora Vavolombelona kosa anefa dia nanjary nankafy ny zava-tsarobidy ara-panahy. Manafana ny fo ny mahita ireo Efitrano Fanjakana eto Martinika feno tanora maniry hahafantatra an’i Jehovah sy ny lalany.

Afaka amin’ny fanandevozan’ny zava-mahadomelina

Toy ny any amin’ny tany hafa ahitana fa mamono ny fiheveran-javatra ara-panahy ny fiahiana fatratra zavatra ara-nofo, dia tanora maro eto Martinika no nanimba ny fahasalamany sy nanimba ny fiainany, noho ny fampiasana crack sy zava-mahadomelina hafa manandevo. Ny Kristianisma marina anefa dia nanafaka ny sasany tamin’ireny fanao manimba ireny. I Paul-Henri sy i Daniel, eto Fort-de-France, dia anisan’ny Rasta taloha, izay nampiasa malalaka zava-mahadomelina mahery. Ireo Rasta dia nanana ny fomba fanazavany ilay teny ao amin’ny Apokalypsy momba ireo ‘ravina ho fanasitranana ny firenena maro’. Tsy nitady hanazava ny ankabeazan’ny tapany hafa rehetra amin’io boky ao amin’ny Baiboly io akory anefa izy ireo. I Paul-Henri sy i Daniel anefa dia naniry hahatakatra ny hevitr’izy io, ary nanolotra ny hanampy azy ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hoy i Paul-Henri sy i Daniel: “Nisalasala izahay, tsy nety namonjy ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria natahotra sao tsy horaisina tsara, noho ny fisehoanay ivelany, izay naharikoriko be ihany.” Rehefa nandeha tany ihany anefa izy ireo, dia gaga noho ny hatsaram-panahy sy ny hafanana ary ny tsy fisian’ny fihatsarambelatsihy teo amin’ireo izay hitany tany amin’ny Efitrano Fanjakana. Ny herinandro nanaraka, dia nanapa-bolo izy ireo, ary nanomboka nanao akanjo fampiseho vahoaka kokoa. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia nitsahatra tsy nifoka koa izy ireo. Tsy ela dia nizara ny vaovao tsara tamin’ny hafa koa izy ireo.

Hoy ny teny nanampin’i Paul-Henri: “Nanao fitoriana teny amin’ny arabe aho indray andro, raha nahita ahy ny inspekteran’ny polisy iray, izay nahitako zava-nanahirana taloha, noho ny nampiasako zava-mahadomelina. Hoy izy io nihiaka, zendana mafy: ‘Ary tsy i Grosdésormaux ve itỳ e!’ Naka ny Baiboliko sy gazety, fa tsy zava-mahadomelina, avy tao anaty kitapoko aho, ary dia faly izy nandray ireo gazety. Nanaovany teny fiderana aho no sady nampirisihiny hanohy. Izany no nataoko. Natao batisa aho tamin’ny 1984 ary nirotsaka tao amin’ny laharan’ny mpisava lalana maharitra tamin’ny 1985. Ankehitriny aho dia manambady sady loham-pianakaviana, ary loholona ao amin’ny kongregasiona eto an-toerana. I Daniel, ilay namako, dia nandroso toy izany koa teo amin’ny fahamarinana.”

Tsy ny tanora ihany no maniry vahaolana ho an’ny zava-manahirana eo amin’ny fiainana, fa ny olon-dehibe koa. Ho fanampiana an’ireo rehetra manana fo maniry hianatra, teo anelanelan’ny Aprily sy May 1995, ny biraon’ny sampana dia nanome 250 000 tamin’ny taratasy nivalona Vaovao Momba Ilay Fanjakana nitondra ny lohateny hoe “Nahoana ny Fiainana no Feno Zava-manahirana Toy Izao?”, mba hozaraina. Koa satria 330 000 monja ny mponina teto, izany dia nidika fa ny olon-dehibe tsirairay, ary koa ny tanora maro, dia ho afaka handray soa avy tamin’io hafatra lehibe io. Izany dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fiaraha-midinika maro nisy vokany.

Ny mpiandraikitra ny fizaran-tany iray dia nitantara fa ny vehivavy tambanivohitra iray, izay avy namaky ilay taratasy, dia nanao ezaka mba hiantso ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana. Maika loatra izy ka nomerao diso no voantsony, nefa mbola nomerao tsara ihany ilay izy. Tao amin’ny Efitrano Fanjakana iray teto Fort-de-France no naneno ny telefaonina. Tamin’izay indrindra, dia nisy mpitory tao niomana ho eny amin’ny fanompoana niaraka tamin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Hoy ny nangatahin’ilay vehivavy: “Mba andefaso Vavolombelon’i Jehovah iray haingana aho, aza fady, fa maniry hianatra ny Baiboly.” Ny ampitso, dia nahazo ilay fanampiana notadiaviny izy.

Nahazo ny Efitrano Fivoriambenay amin’izay izahay

Nihananjary zava-nanahirana lehibe ny fahitana toerana hanaovana ny fivoriamben’ny distrikanay. Tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny mpanatrika. Ankoatra izany, ilay kianja mitafo nampiasainay hanaovana ny fivoriamben’ny distrika dia tsy sahaza intsony. Inona no ho azo atao?

Tamin’izay dia nisy loholona iray tao amin’ny Kongregasionan’i Rivière Salée nitady tany hanorenana Efitrano Fanjakana. Mahagaga fa notolorana toerana iray tokony ho enina hektara izy — lehibe lavitra noho izay nilaina ho an’ny Efitrano Fanjakana iray! Araka ny fitondran’Andriamanitra, dia teo afovoan’ilay nosy ilay izy. Teo amin’ilay tany, dia nisy trano fialofana vy tranainy iray, izay efa simba nefa azo nampiasaina ho toerana vonjimaika nanaovana fivoriamben’ny distrika. Tamin’ny 1985, dia nanao ny fivoriamben’ny distrikanay voalohany tao izahay. Nisy 4 653 ny mpanatrika, izany hoe nanan-tombo 600 ny isa tamin’ny taona teo aloha.

Nanomboka ny asa fanorenana an’ilay trano vaovao, tamin’ny 1992. Nisy rahalahy sy anabavy sasantsasany tonga avy tany Italia, nianto-tena, mba hanampy tamin’ilay fanorenana. Ireo Vavolombelona teto an-toerana dia nanome ny fotoanany sy ny volany tamim-pahalalahan-tanana. Efa vita izao iny tetik’asa iny. Mahazaka 5 000 io Efitrano Fivoriambe tsara tarehy io. Raha ny marina, dia izy io no efitra fivoriana malalaka indrindra eto Martinika.

Tsy voatery mampihemotra ireo fivoriambenay intsony izahay — matetika tamin’ny fotoana farany — noho ny lalao baolina nahemotra. Ankoatra izany, dia nifarana koa ilay asa mafy natao isaky ny nanangana, nandrava, nibata ary nitahiry ilay rafitra vy azo nafindrafindra. Ilay Efitrano Fivoriambenay, ao anaty voninkazo sy hazo palmie ary flamboyants, dia manome voninahitra an’i Jehovah.

Fandaminana iray izay midera an’i Jehovah

Nataon’i Jehovah izay hamakan’ny fanompoam-pivavahana marina sy hiroboroboany teto Martinika, tao anatin’ireo 50 taona farany. Tamin’ny alalan’ny fandaminany, dia nanome fampiofanana an’ireo izay hanankinana ny fiandraiketana izy. I Xavier Noll sy ny vadiny dia nofanina ho misionera tao amin’ny kilasin’i Gileada faha-31. Tatỳ aoriana, dia nomena fampiofanana fanampiny ny Rahalahy Noll, nandritra ny fandaharam-pianaran’i Gileada naharitra folo volana tamin’ny 1964. Niharihary ho nahasoa indrindra iny fampiofanana iny, fony nanapa-kevitra ny hanorina biraon’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower teto Martinika ny Fitambara-mpitantana tamin’ny Febroary 1977.

Ny mpikambana voalohany tao amin’ny Komitin’ny Sampana dia i Xavier Noll, ilay mpandrindra, sy i Valentin Carel ary i Gérard Trivini. Tatỳ aoriana, dia voatendry koa i Armand Faustini, izay mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny taona maro. Rehefa maty ny Rahalahy Trivini ary nifindra nankany Frantsa ny Rahalahy Carel, dia voatendry ho ny mpikambana fahatelo tao amin’ny Komitin’ny Sampana i Henri Ursulet, tamin’ny Septambra 1989. Teraka tamin’ny 1954 izy, dia ny taona nahatongavan’i Xavier sy i Sara Noll avy tany Frantsa mba hanokan-tena ho amin’ny fanompoana teto Martinika. Hatramin’ny fahazazany i Henri dia nandray soa avy tamin’ny oha-pinoan’ny reniny, toa an’i Timoty, mpiara-miasa tamin’ny apostoly Paoly. — 2 Tim. 1:5.

Tamin’ny 1975, dia nisy mpitory 1 000 sy kongregasiona 15 teto. Nandritra ny 1997, dia tratra ny tampon’isa teo amin’ny mpitory 4 000 mahery. Izy rehetra ireo dia manompo eo anivon’ny kongregasiona 46. Nandritra ireo 20 taona farany, dia nahatratra salanisan’ny fitomboana 7 isan-jato isan-taona izahay.

Efa misy Vavolombelona 1 isaky ny mponina 90 eto Martinika. Fampianarana Baiboly an’arivony maro no tarihina amin’ny olona liana. Fantatra manerana ilay nosy ny asan’i Jehovah. Fantatra tsara koa ireo Vavolombelony. Miha-tsy afaka milaza zavatra ratsy momba ny Vavolombelona ny hafa, satria misy olona foana eo hiteny mafy an’ireo mpanendrikendrika. Ny fitoriana eny amin’ny arabe, eny amin’ny zaridainam-panjakana, eny amin’ny tsena ary eny amin’ny parkings-n’ny hopitaly sy ny toeram-pivarotana lehibe, dia mihazona ny hafatra momba ilay Fanjakana ho eo anoloan’ny olona. Ary rehefa mahare olona miantso hoe “To-to-to, il y a du monde?” (“Haody ô, aiza ny olona ô?”) ny tompon-trano, dia fantany avy hatrany fa tonga hiresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah.

Any amin’ny faritra sasany eto Martinika, dia tsy mahalana raha voasa isan-kerinandro ny faritany ankehitriny. Rehefa eny amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ireo mpitory, dia mety tsy hanana afa-tsy trano 10 na 15 hiasana izy ireo. Any amin’ireny faritra ireny, dia olona efa nahare ilay hafatra niverimberina no itorian’izy ireo. Izany dia mitaky ny hanovaovan’ny mpitory ny fampidiran-dresaka sy ny foto-kevitra horesahiny amin’ny tompon-trano. Mila ny mampiasa amin’ny fomba mandaitra ireo fitaovana sy fanoloran-kevitra rehetra omen’ny mpanompo mahatoky sy malina izy ireo. Vao haingana izay, dia mbola nahalana ny fanaovana fitoriana teny amin’ny arabe tany amin’ireo faritany frantsay. Ankehitriny anefa, dia mihamanjary lafiny mahaliana sy mamokatra eo amin’ny fanompoana izy io.

“Si Bon Dié Lé”

Ny Martinikey dia mampiditra tsy tapaka ny hoe “Si bon Dié lé” (“Raha sitrapon’Andriamanitra”) ao amin’ny teniny. Mazava ho azy fa ny sitrapon’Andriamanitra dia voambara mazava ao amin’ny Baiboly. Hoy ny lazain’ny Salamo 97:1: “Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; aoka ho ravoravo ny nosy maro.” Hoy ny teny anampin’ny Salamo 148:13: “Samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa”. Ary tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, dia nampita izao fanasana feno fiangaviana izao i Jehovah: “Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao”. (Isaia 48:18). Be hatsaram-po Andriamanitra, hany ka ny sitrapony dia ny ‘hahavoavonjy ny olona rehetra ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina’. (1 Tim. 2:4). Sitrapon’Andriamanitra koa ny hanafahana ny zavatra noforoniny, sy ny hanapahana ny gadra mamatotra azy, ary ny hanaovana ny tany manontolo ho paradisa honenan’ny olona avy amin’ny firazanana sy ny volon-koditra rehetra, sy tafaray ao amin’ny fanompoana ny Mpamorona azy. (Rom. 8:19-21). Mbola misokatra ho an’ny olona eto Martinika ny fahafahana handray soa avy amin’io fikasana feno fitiavana io.

Niova be i Martinika tato anatin’ireo folo taona farany, toy ny ankamaroan’ny tany ihany. Ny zava-mahadomelina sy ny fiahiana fatratra zavatra ara-nofo ary ny fihasimban’ny fitondran-tena dia nanova ilay paradisa kanto. Nanambara mialoha ireo fiovana eo amin’ny fihetsiky ny olombelona izay nitarika ho amin’ireo toe-piainana ireo, ny Tenin’Andriamanitra. (2 Tim. 3:1-5). Tsy sitrapon’Andriamanitra anefa ireo toe-piainana ireo. I Jehovah aza ankehitriny dia mbola manala avy ao amin’ireo firenena, ireo izay antsoiny hoe “zavatra faniry”, ary manomana azy ireo ho amin’ny fiainana eo anivon’ny fitambaran’ny vahoakany haneran-tany izay honina ao amin’ny Paradisa. (Hagay 2:7, NW ). Ireo akory tsy olona tsy miraika, tsy manao na inona na inona, noho ny finoana hoe raha sitrapon’Andriamanitra ny zavatra iray, dia hitranga ihany. Izy ireo kosa dia olona izay mandinika amim-pitandremana ny Soratra Masina mba hahafantarana ny sitrapon’Andriamanitra ary avy eo dia atosiky ny fitiavana, ka manao amin-jotom-po ireo zavatra hampifaly azy. — Asa. 17:11; Tit. 2:13, 14.

[Sarintany, pejy 192]

(Jereo ny boky)

Misy kongregasiona 46 any amin’ireo toerana voalaza eto ireo

SAINT PIERRE

CASE PILOTE

SCHOELCHER (2)

FORT-DE-FRANCE (14)

LES TROIS ÎLETS

AJOUPA BOUILLON

LE MORNE ROUGE

GROS MORNE

VERT PRÉ

SAINT JOSEPH (2)

LE LAMENTIN (3)

DUCOS

SAINT ESPRIT

RIVIÈRE SALÉE

RIVIÈRE PILOTE

SAINTE LUCE

BASSE POINTE

LE LORRAIN

MARIGOT

SAINTE MARIE

TRINITÉ (2)

LE ROBERT (2)

LE FRANÇOIS (2)

LE VAUCLIN

LE MARIN

SAINTE ANNE

[Sary, pejy 162]

[Sary, pejy 167]

Xavier sy Sara Noll, tamin’ny taona nahatongavany teto Martinika

[Sary, pejy 175]

Mpanompon’i Jehovah tsy nivadika hatramin’ny ela be: 1) Leon Bellay, 2) Jules Nubul, 3) Germain Bertholo, 4) Philippe Dordonne, 5) Roger Rosamond, 6) Christian Bellay, 7) Albert Nelson, 8) Vincent Zébo, 9) Vincent Muller

[Sary, pejy 177]

Vehivavy izay mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra ary namela ohatra tsara: 1) Stella Nelzy, 2) Victor Fousse (Lasimant ankehitriny), 3) Léonide Popincourt, 4) Andrée Zozor, 5) Emma Ursulet

[Sary, pejy 183]

Ny Efitrano Fanjakana voalohany azy manokana (ao Fort-de-France)

[Sary, pejy 186]

Ny fianakaviana Moutoussamy, izay samy ao amin’ny kongregasiona kristiana avokoa

[Sary, pejy 191]

Ny Volkano Pelée, sy i Saint Pierre eo amoron-drano

[Sary, pejy 199]

Fianakavian’ny Betelan’i Martinika

[Sary, pejy 207]

Ny Efitrano Fivoriamben’izy ireo amin’izay — ao Rivière Salée