Paragoay
Paragoay
ETO afovoan’i Amerika Atsimo no misy an’i Paragoay, tany iray voahodidina tany hafa. Inona no dikan’io anarana io? Misy fomba fihevitra samy hafa, kanefa ny mahazatra eto an-toerana dia ny hoe “ony avy any an-dranomasina” no dikany. Nino ireo Indiana tao amin’ilay faritra fa nidadasika be toy ny ranomasina ny kamory sasany tao amin’ireo heniheny breziliana izay niandohan’ny Ony Paragoay. Ny Ony Paragoay, izay mamakivaky ilay tany hatrany avaratra ka hatrany atsimo, dia mampizara roa azy io. Any atsinanan’ilay ony dia misy havoana mitomandavana sy saha lonaka izay mena ny taniny ary ala mikitroka. Any andrefana no misy an’i Chaco, izay vitsy mponina, ao amin’ny faritra iray feno hivoka sy akata ary heniheny midadasika, feno andiam-bibikely sy voron’ny tany mafana mareva-doko isan-karazany.
Tany ifanoheran’ny teknôlôjia maoderina sy ny fomba fiaina tsotra kokoan’ireo tantsaha, i Paragoay. Nanokatra ny varavarana ho an’ny fahalalana atolotr’izao tontolo izao ireo fiaramanidina Boeing, sy ireo satelitan’ny fifandraisan-davitra. Trano avo manaka-danitra no hita ao Asunción, renivohitra. Manaraka ny sisin-tany atsinanana, eo amin’ny Ony Paraná, no misy an’i Itaipu, foiben-kerin’aratra matanjaka indrindra maneran-tany.
Mety hihevitra ianao fa espaniola ilay tany, kanefa tsy toy izany foana izy io, sady tsy marina tanteraka izany ankehitriny. Indiana guarani no mponina teto tany am-boalohany. Tany amin’ny 1520 tany ho any, dia ireo mpizaha tany mbola tsy fantatra avy tany Portogaly, notarihin’i Alejo García, no fotsy hoditra voalohany niditra teto. Nandritra ny folo taona nanaraka, dia nanomboka nanorim-ponenana
teto amin’ny faritr’i Asunción ankehitriny, ny Espaniola. Nijanona teo ambanin’ny fanapahan’i Espaina i Paragoay hatramin’ny 1811, kanefa tsy nosoloana tamin’ny fitenin’ireo conquistadores (mpanani-bohitra espaniola) mihitsy ny fiteny guarani. Vokatr’izany dia ny teny guarani, fiteny kanto sy milantolanto, no fitenin-drazana ampiasain’ny ankabeazan’ny olona eto Paragoay ankehitriny, ary ekena ho fiteny ofisialy sahala amin’ny fiteny espaniola izy io.Am-polony taona vitsivitsy taorian’ny nahatongavan’ireo mpizaha tany mbola tsy fantatra avy tany Eoropa, dia tonga ireo Jezoita hanova an’ireo Guarani ho amin’ny Fivavahana Katolika. Tsy nanana sary na tempoly ireo Guarani tamin’izany fotoana izany. Kanefa nangonin’ireo Jezoita ho karazana fokontany ireo Indiana, ka sady nampianariny ireo fombafomba sy hiram-pivavahana katolika no nampianariny asa sy taozavatra koa. Nampiasain’ireo Jezoita ny vokatra sasany tamin’ny asan’ireo Indiana mba hanomezana azy ireny ny zavatra tena nilaina teo amin’ny fiainana, kanefa nampiasainy koa ilay fandaharana mba hahazoana harena sy fahefana. Nitsiriritra izany ny mpanan-tany espaniola maro. Nitaraina tamin’i Charles III, mpanjaka espaniola, momba ny fitomboan’ny fahefan’ny Jezoita, izy ireo. Io fitarainana io, izay tsy avy tamin’ireo Guarani fa avy tamin’ireo mpanjana-tany katolika, no anton-javatra voalohany nitarika ny fandroahan’i Espaina an’ireo Jezoita hiala tao amin’ny empira tamin’ny 1767. Kanefa, nitana ny heriny teo amin’ny fiainan’ny olona ny Fivavahana Katolika nampianarin’izy ireo. Sady nanaraka ny endrika ivelan’ny Fivavahana Katolika ny olona, no nifikitra tamin’ny finoan-drazany koa, tamin’ny toe-javatra maro. Nampiroborobo ny finoanoam-poana izany. Niaraka tamin’ny fanekeny ny Fivavahana Katolika, dia tonga teo amin’ny fiainany koa ny fitaomana maherin’ny klerjy katolika.
Tsy nitondra filaminana teto io lova ara-pivavahana io. Nisy vokany lalina teo amin’ny tantaran’i Paragoay ny ady, ka namela ratra lehibe teo amin’ny fiainan’ny olona. Nanomboka tamin’ny 1864 ka hatramin’ny 1870, teo ambany fitarihan’i Francisco Solano López, dia niady tamin’i Brezila sy i Arzantina ary i Orogoay, i Paragoay. Loza amin’antambo no vokany. Araka ny firaketana teo am-pelatanana, dia nety ho maherin’ny iray tapitrisa ny isan’ny mponina teto, tany am-piandohan’ilay ady. Rehefa nifarana izy
io, dia voalaza fa 220 000 teo ho eo ilay isa, ary zaza amam-behivavy ny 190 000 taminy, fara fahakeliny. Nisy ady hafa nanaraka; ny iray dia nahatafiditra fifandirana tamin’i Bolivia momba izay tompon’i Chaco, ary ny ady hafa dia noho ny hotakotaka politika. Noho izany, dia angamba tsy tokony hahagaga raha nampiasa hery ara-batana matetika ireo izay naniry hanapaka ny hafa teto Paragoay, mba hanatratrarana ny zava-kendreny.Teto Paragoay no nitondrana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny taratasy mivalona ara-baiboly nalefa paositra tamin’ny voalohany, talohan’ny 1914, ary avy eo dia nentin’ny olona mihitsy tamin’ny 1925 sy taorian’izay. Araka izany, dia nanomboka azo noraisina teto, toy ny maha-toy izany azy maneran-tany, ny rano avy amin’ny ony hafa iray, tsy ny Ony Paragoay na ny Paraná, fa ny “onin’ny ranon’aina”. — Apok. 22:1.
Fahatongavan’ny fahamarinana momba ilay Fanjakana
Nangatahin’i J. F. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, i Juan Muñiz hifindra avy tany Espaina hankany Arzantina, mba handamina sy hanitatra ny fitoriana ny vaovao tsara tany amin’io tapany amin’ny tany io. Tonga tao Buenos Aires izy tamin’ny 12 Septambra 1924, ary tsy ela taorian’izay dia nanao dia nankao Orogoay sy nanketo Paragoay koa, mba hanaparitaka ny
hafatra momba ilay Fanjakana. Nafafy ny voan’ny fahamarinana ara-baiboly, kanefa kely ny fandrosoana vita.Tamin’ny 1932, dia nanjary tafiditra tamin’ny ady hafa iray i Paragoay, ady tamin’i Bolivia tamin’itỳ indray mitoraka itỳ. Ripaka indray ny olona afaka niasa maro be teto amin’ny firenena. Nisy ny voka-dratsiny teo amin’ny toe-karena, sy teo amin’ny tsy fananana ahiahin’ireo olona mety ho tonga avy any ivelany, hitondra ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Na dia izany aza, tamin’ny fotoana niitaran’ny ady indrindra, tamin’ny 1934, dia naniraka Vavolombelon’i Jehovah telo hankatỳ Paragoay mba hanasa ny olona tso-po teto, hisotro maimaim-poana amin’ny “ranon’aina”, ny sampana tao Arzantina. Tsy iza izy ireo fa ny Rahalahy Martonfi sy Koros ary Rebacz. — Apok. 22:17.
Fanoherana nivaivay avy tamin’ny klerjy
“Tamin’ny Oktobra tamin’io taona io”, hoy ny nosoratan’ny Rahalahy Rebacz, “dia vonona ny hiainga ho any afovoan-tany izahay. Nanana baoritra roa nisy zavatra vita an-tsoratra izahay, sy valizy iray avy. Nandeha fiaran-dalamby avy tao Asunción nankany Paraguarí izahay, ary avy teo, noho ny tsy fisian’ny fitaterana, dia nandeha an-tongotra mba hanatratrarana ny tanjonay voalohany, dia i Carapeguá izay tany amin’ny 30 kilaometatra tany ho any. Natory teo amin’ny tany niaraka tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra teo an-dohanay izahay ny alin’iny. Rehefa nanomboka nanao fanambarana izahay ny ampitso, dia nitsidika ny olona ny pretra tao amin’ilay vohitra ary nilaza taminy mba tsy hihaino anay. Avy eo izy sy ny namany iray dia nitaingin-tsoavaly nankany amin’ilay vohitra teo akaiky teo ary nilaza tamin’ny olona mba tsy hihaino anay sy handroaka anay hiala tao an- tanàna, dia zavatra izay nandraman’ny sasany tamin’izy ireo natao tokoa.”
Noho io faneren’ny pretra io dia vitsy ny zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly voapetraka, ary ny sasany tamin’izy ireny aza dia naverina tamin’ireo rahalahy mihitsy. Nandeha an-tongotra ireo Vavolombelona avy tao Carapeguá, nitety tanàna sy vohitra — dia i Quiindy sy i Caapucú sy i Villa Florida ary i San Miguel. Mba hanatratrarana an’i San Juan Bautista, dia nandeha an-tongotra indray andro maninjitra izy ireo, nanohy nandeha an-tongotra
hatramin’ny misasak’alina, natory tany an-tsaha, ary avy eo dia nanohy ny diany aloha be ny ampitso maraina. Rehefa tonga tao an-tanàna izy ireo dia nitsidika ny polisy aloha mba hanazava ny zavatra hataony. Nandray tamim-panajana an’ireo Vavolombelona ireny lehilahy ireny. Avy eo dia nandany ny andro manontolo hanaovana fanompoana ampahibemaso ireo rahalahy.Ny ampitso maraina anefa, rehefa nandingana ny tokonan’ilay trano bongo nohofan’izy ireo ny Rahalahy Martonfi, dia nisy zavatra tsy nampoizina niandry azy. Hoy izy niteny tamin’ny feo avo tamin’ny Rahalahy Rebacz, izay mbola tao an-trano: “Hahita zava-baovao isika anio.” Norovidrovitina ireo zavatra vita an-tsoratra napetrak’izy ireo ny omalin’io, ary naparitaka nanodidina ny tranony. Nisy ompa sy teny maloto nosoratana teo amin’ny sombin-taratasy sasany, ary fandrahonana hoe tsy ho tafavoaka velona tao amin’ilay tanàna koa izy ireo.
Raha mbola teo am-pisakafoana maraina izy ireo, dia tonga hisambotra azy ny polisy. Inona no nahatonga ilay fiovan-javatra? Nanao tatitra toy izao ny Rahalahy Rebacz tatỳ aoriana: “Rehefa nanontanianay ny antony, dia nasehony anay ny gazety iray nisy fiampangana anay ho mpitsikilo boliviana mody miseho ho evanjelisitra. Ny pretra lehiben’ny distrika no tonian’ilay gazety.”
Ny fiverenana teto Asunción
Nalefa toy ny voafonja teto Asunción ireo Vavolombelona roa. Dia an-tongotra lavitra be ilay izy. Rehefa nitety ireo paositry ny polisy izy ireo, dia narahin’ny mpiambina nitam-piadiana foana. Teny an-dalana dia nisy olona nanompa sy nitora-bato azy ireo. Kanefa dia nitondra an’ireo rahalahy tamim-panajana ny polisy, ary niteny mihitsy aza fa nahatsikaiky ny fiampangana azy ireo ho mpitsikilo. Nitondra ny entan’ireo rahalahy indraindray ny polisy nitaingin-tsoavaly. Ny iray aza dia namela ny Rahalahy Martonfi hitaingina ny soavaliny, fa ny tenany kosa nandeha an-tongotra sady nihaino izay nolazain’ny Rahalahy Rebacz taminy momba ny Fanjakan’Andriamanitra.
Tao Quiindy anefa, rehefa natolotra ny tafika ireo rahalahy, dia nanjary henjana ny fitondrana. Nandritra ny 14 andro izy ireo dia notanana tao amin’ny fonja miaramila, nodidiana hipetraka tamin’
ny seza hazo mafy, tsy navela handry na hijoro, nompana sy nokapohina tamin’ny karavasin-tsoavaly. Tatỳ aoriana, tao Paraguarí, dia nentina tany amin’ny gara izy ireo, nigadra vy ny tanany, sady teo ambany fiambenan’ny miaramila 12 nitana basy. Tany izy ireo dia mbola natolotra ny polisy indray nandritra ny tapany sisa tamin’ny diany ho eto Asunción.Henjana koa ny toe-piainana nihazonana azy ireo tany am-ponja teto an-drenivohitra, kanefa nampiasainy ny Baiboly izay mbola teo am-pelatanany, ka nanaovany fanambarana tamin’ireo voafonja hafa. Herinandro taorian’ny nihazonana azy ireo tany am-ponja teto an-drenivohitra, dia nentina tany amin’ny biraon’ny lehiben’ny polisy izy ireo tamin’ny farany. Nanatrika teo koa ny minisitry ny aty tany, ny Kolonely Rivarola. (Fantatra tatỳ aoriana fa, rehefa nilazana ny amin’ny fiampangana an’ireo rahalahintsika tao amin’ilay gazety tao San Juan Bautista ny Kolonely Rivarola, dia nandefa telegrama tany amin’ireo lehiben’ny miaramila, mba hanaovana izay hahazoana antoka fa hoentina hiverina teto an-drenivohitra, tsy maty fo aman’aina, ireo rahalahy.) “Samy naneho ny alahelony noho ilay zava-nitranga izy roa lahy”, hoy ny Rahalahy Rebacz. “Nanambara izy ireo fa, na dia tany katolika aza itỳ, dia nisy ny fahalalahana ara-pivavahana ary nomen-dalana izahay hanohy ny fitoriana isan-trano toy ny efa nataonay, kanefa, mba hiantohana ny fiarovana anay tamin’ny loza, dia tsy tokony hiala tao an-drenivohitra izahay.”
Rehefa nandre ny zava-nitranga ny Rahalahy Muñiz tao Buenos Aires, dia nandefa toromarika mba hiverenan’ireo rahalahy tany Arzantina mandra-pifaran’ny ady. Nifarana izany ny taona nanaraka. Kanefa, nijanona teto Asunción ny Rahalahy Koros, izay tsy niaraka tamin’izy mirahalahy voasambotra.
Voaloham-bokatra teto Paragoay
Tokony ho tamin’io fotoana io, dia tojo lehilahy iray izay nangataka taminy zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fiteny arabo, ho an’ny rafozan-dahiny izay mpifindra monina avy any Liban, ny mpisava lalana iray. Tamin’izany fomba izany no nahazoan’i Julián Hadad boky iray izay nanjary sarobidy taminy. Noho izy niaiky fa nahita ny fahamarinana, dia nanomboka nampianatra an’izany tamin’ireo
zanany izy. Nanoratra tamin’ny Fikambanana koa izy mba hangataka zavatra vita an-tsoratra ho azony nozaraina tamin’ireo mpiara-monina taminy. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nahita an’i Julián tao San Juan Nepomuceno ny mpisava lalana iray, ary nanome azy fanampiana ara-panahy betsaka kokoa. Tamin’ny 1940, dia natao batisa ry Hadad mianakavy ary tonga mpitory vita batisa voalohany teo an-toerana, teto Paragoay. Nanomboka teo i Julián sy ny zanany lahy iray ary ny zafikeliny maromaro dia nahita fifaliana tamin’ny fandraisana anjara tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana, ary i Julián dia nanao izany, saika mandra-pahafatiny mihitsy, teo amin’ny faha-77 taonany.Nandritra izany fotoana izany, ny Ady Chaco dia nahatonga an’i Juan José Brizuela hisaintsaina lalina momba ny fiainana. Naratra izy ary nobaboin’ny Boliviana. Tamin’ny naha-babo an’ady azy, dia nahita ireo vehivavy maty vady nitomany noho ny zanany kamboty ray izy, ary nahamarika an’ireo pretra katolika nitso-drano ny miaramila boliviana. Tsaroany fa, tamin’ny naha-miaramila paragoayana azy, izy mbamin’ny hafa koa dia nahazo tso-drano nitovy tamin’izany. Hoy izy nieritreritra: “Tsy maintsy misy zavatra tsy mety ao. Raha misy Andriamanitra, dia tsy afaka ny hisy izao. Kanefa raha tena misy Andriamanitra, dia hitady azy aho mandra-pahitako azy.”
Asa. 17:27). Tsy ela dia takatr’i Juan José fa nahita ilay Andriamanitra marina, dia i Jehovah, izy. (Deot. 4:35; Sal. 83:18). Natao batisa izy tamin’ny 1945; ary i Jóvita vadiny, tamin’ny 1946.
Taorian’ny ady, dia nihaona tamin’i Juan José tao Carmen del Paraná, i Julián Hadad. Avy tao amin’ny Baiboly no nanampian’i Julián azy hahita valiny mahafa-po tamin’ireo fanontaniany. Araka ny nolazain’ny apostoly Paoly efa ela be izay, dia nataon’Andriamanitra nety ny ‘hahitan’ny olona azy’, dia ireo olona izay ‘mahatsapa’. (Tamin’izay fotoana izay ihany, dia noresahina tao amin’ny fivarotana legioma koa, tany an-tsenan’i San Lorenzo, ireo fahamarinana ara-baiboly. Tsy Vavolombelon’i Jehovah no nitory tao, fa vehivavy iray naneho fahalianana tamin’izay nampianarin’ny Vavolombelona fotsiny. Nihaino tamim-pahalianana i Sebastiana Vazquez, na dia tsy nahay taratasy aza. Mba handrosoana teo amin’ny lafiny ara-panahy, dia nianatra namaky teny izy, ary tamin’ny 1942, dia natao batisa tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah.
Fitsapam-pinoana ho an’ny antokon’olom-bitsy iray
Nalamina teto Paragoay tamin’ny 1939 ny kongregasiona voalohany na kompania, araka ny nahafantarana azy tamin’izay. Tsy nisy
afa-tsy mpitory roa monja, kanefa evanjelisitra be zotom-po izy ireo. Nanao tatitra 847 ora tamin’ny fitambarany teo amin’ny fanompoana teny amin’ny saha izy ireo, ary nahapetraka boky sy bokikely 1 740, nandritra io taom-panompoana io. Nanao fivoriana tao amin’ny trano manokana iray izy ireo. Tao amin’izay antsoina ankehitriny hoe Arabe Gaspar Rodríguez de Francia (Amambay teo aloha) no nisy azy io, eo anelanelan’ny lalana Antequera sy Tacuarí eto Asunción. Olona dimy na enina monja no tonga tamin’ireny fivoriana ireny, tao amin’ny efitrano iray nirefy efa-metatra tora-droa. Nahafa-po io toerana io hatramin’ny 1944.Ny taona nanaraka, dia nanomboka nampiasa fitaovana elektrika roa fandefasana kapila mba hampielezana lahateny fohy momba ny foto-dresaka ara-baiboly isan-karazany, ireo rahalahy. Nanjary romotra aoka izany ny klerjy, hany ka nangatahiny ny fitondram-panjakana mba handrara ny asa hafa rehetra nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanohy ny asany anefa ny Vavolombelona. Niharihary fa nandaitra ireo lahateny mazava ara-tsoratra masina, tao amin’ireo kapila ireo. Nandritra ny taona roa nanaraka, dia nampiasaina tamin’ny fomba tsara ireo lahateny noraisim-peo tamin’ny fiteny maro samihafa ireo, mba hitoriana tamin’ireo antokon’olona mpifindra monina poloney sy rosiana sy alemà ary ukrainien izay nanorim-ponenana tany amin’ny tapany atsimon’i Paragoay.
Ny fianakaviana Golasik izay niara-nipetraka tamin’ny antokona poloney sy ukrainien tany akaikin’i Encarnación, dia anisan’ny voalohany nanaiky ny fahamarinana tao amin’io faritra io. Tsy ela i Roberto Golasik dia nivatsy grafofaonina sy zavatra vita an-tsoratra, ary nitaingin-tsoavaly nankany amin’ireo antokon’olona samihafa, mba hanao fanambarana. Tamin’ny voalohany dia nisy fivoriana indray mandeha isam-bolana natao tany, avy eo dia indroa isam-bolana, ary tatỳ aoriana dia indray mandeha isan-kerinandro. Indraindray dia olona avy tamin’ny antokon’olona niteny tamin’ny fiteny dimy samy hafa no nanatrika teo, kanefa tsikelikely dia tonga tamin’ny fahafantarana ny fiteny madion’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly izy rehetra. — Zef. 3:9.
Nampalahelo fa tsy izay rehetra nandray anjara tamin’ny fanaovana fanambarana tamin’izany fotoana izany no nanohy nandeha tamin’ny lalana tery mitarika ho amin’ny fiainana. Nanomboka Sal. 37:28.
nanohana fomba fihevitra manokana ilay mpiandraikitra ny toerana fitahirizana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana teto Asunción. Rehefa niala tamin’ny fandaminan’i Jehovah izy, dia nandao ny fanompoana an’i Jehovah koa ny hafa. Nihena ho 8 tamin’ny 1944 ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana izay 33 tamin’ny 1943. Inona àry izao no hitranga? Nitahy an’ireo izay hita ho Vavolombelona tsy nivadika i Jehovah, ary nanomboka nitombo indray ny fandaminana. —Mianatra momba ireo fomba eo an-toerana ny misionera
Noho ny fiahiana amim-pitiavana izay hahasoa ny andian’ondry eto Paragoay, dia naniraka an’i Gwaenydd Hughes mba hanara-maso ny asa, ny biraon’ny sampana tao Arzantina. Rehefa nasaina hanatrika ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower izy tamin’ny 1945, dia nisy fandaharana natao mba handefasana an’i Ieuan Davies, sy i Delia vadiny teto. Kanefa, noho ny fahatarana teo amin’ny fahazoan’izy ireo ny taratasy nilaina tamin’ilay dia, dia i Hollis Smith, nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada, no tonga voalohany, ary teto an-toerana izy mba handray ny Rahalahy sy ny Anabavy Davies rehefa tonga tamin’ny lakana teto Asunción izy ireo, tamin’ny faramparan’ny 1945. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia tonga tamin’ny fiaramanidina i Albert sy i Angeline Lang, nahazo diplaoman’ny Gileada koa. Nisy maro kokoa nanaraka. Nisy trano iray nohofana izay sady azon’ny misionera nipetrahana no nivorian’ny kongregasiona teto an-toerana koa. Samy dodona ny hanompo avokoa ny misionera rehetra, kanefa, mazava ho azy fa nila nizatra tamin’ny fomba fiainan’ny olona izy ireo.
Hitan’izy ireo fa tia fivavahana be ny olona na dia tsy nanana fahalalana ny Baiboly aza. Nanana ny “olo-masina” mpiaro azy ny tanàna tsirairay, izay nampitovina matetika tamin’i “Maria Virjiny”.
Rehefa tonga tamin’ny fahalalana ny fanaon’ny olona izy ireo dia nahita fa nanintona ny maro tamin’izy ireny. Teny an-tsena dia nisy voankazo sy legioma maro be, ary nisy vehivavy nanao kinarinarina sobika lehibe feno entana navesatra. Tany amin’ny magazay dia nisy dantelina vita tanana, fantatra tamin’ny hoe nanduti, izay
manify sy tsara tarehy erỳ, ka mova tsy tranon-kala. Nomarihin’izy ireo haingana koa fa nanomboka ny asany aloha be ny olona ary nikatona ny zava-drehetra tamin’ny mitataovovonana mba hialana sasatra mandritra ny tapany mafana indrindra amin’ny andro. Rehefa nitsidika ny olona tany an-tranony ireo misionera mba hizara ny hafatra momba ilay Fanjakana, dia nianatra ny nijoro teo am-bavahady sady nitehaka, ary tsy niditra tao an-tokotany raha tsy efa nasaina. Tsy niafina tamin’izy ireo fa sariaka sy tsotra ary tia mandray olona ny mponina. Nilain’ireo misionera koa anefa ny nianatra nifampiresaka tamin’izy ireny tamin’ny fiteniny — tsy tamin’ny fiteny espaniola ihany fa tamin’ny fiteny guarani koa.Tamin’ny Aprily 1946, tsy ela taorian’ny nahatongavan’ireo misionera, dia voatendry ho any Arzantina indray ny Rahalahy sy ny Anabavy Davies. I Pablo Ozorio Reyes, izay nanatrika fivoriana vao volana vitsivitsy monja, no voatendry ho mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, na dia mbola tsy vita batisa aza. Nahoana no aloha be toy izany? Satria nahay ilay fiteny izy sady nanao fandrosoana ara-panahy tsara. Niatrika zava-tsarotra anefa izy. Nanoratra toy izao ny Rahalahy Ozorio, tatỳ aoriana: “Tsy ela taorian’ny nanendrena ahy ho mpitarika ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, dia voatery nanitsy valin-teny diso iray aho. Nipoaka ny fahatezeran’ilay olona nanome ilay valin-teny ka nihantsy ady tamiko teo no ho eo izy. Mazava ho azy fa nanda aho, ary nanampy mba hampilamina ilay tarehin-javatra ny misionera iray. Tsy misy zavatra tsara kokoa noho ny fananana andraikitra kely mba hanampy ny tena hihamatotra.” Mampalahelo fa niala tamin’ny fanompoana an’i Jehovah tatỳ aoriana ilay olona mora nisafoaka.
Fanorenana ny fandaminana
Talohan’ny faran’ny 1946, dia nilaina ny trano lehibe kokoa mba hampiasaina ho foiben’ny asa teokratika. Tonga ny misionera enina fanampiny — i William sy i Fern Schillinger niaraka tamin’ny efatra hafa. Nisy trano nanana tokotany nalalaka, nohofana teo amin’ny Arabe Mariscal López. Teo ampitan’ny Minisiteran’ny Fiarovana indrindra no nisy ilay izy. Napetraka ho tazan’ny maso teo amin’ny vavahady anoloana ilay soratra lehibe hoe “Efitrano Fanjakana”, hany ka tsy maintsy nahita azy io izay rehetra nikarakara
raharaha tao amin’ilay sampan-draharaham-panjakana momba ny tafika.Nanorina sampana teto Paragoay ny Fikambanana tamin’ny 1 Septambra tamin’io taona io, ary ilay trano nohofana vao haingana no nisy ny biraon’ny sampana. Noho ny fivoarana teo amin’ny fandaminana dia nihanahery ny fanambarana natao, nefa nihanahery toy izany koa ny fanoherana. Toa nampiasa ny toerana fikonfesena ny klerjy mba hahazoana filazalazana sy hampidirana tahotra tsikelikely ka hanaovana izay hanakiviana ireo faktera tsy hanatitra ny zavatra vita an-tsoratry ny Watch Tower.
Tamin’ny Novambra dia tonga avy any Arzantina ny Rahalahy Hughes mba hitsidika sy hampahery ireo kongregasiona kely efatra niasa tamin’izay. Tany amin’ny Sekolin’i Gileada izy ary avy nanatrika ny Fivoriambe Teokratika niraisam-pirenena hoe Ireo Firenena Falifaly, tany Cleveland, Ohio, any Etazonia. Tamin’io fivoriambe io dia nisy fotoam-pivoriana natao tamin’ny fiteny 20, ary olona 80 000 no nifanizina tao amin’ny kianja tamin’ilay andro farany mba hihaino ireo lahateny. Koa nanan-javatra maro hozaraina tamin’ireo rahalahy àry izy. Nila izany fampaherezana izany izy ireo mba hanohizana hanompo rehefa tojo fahoriana.
Tao anatin’ny revolisiona
Nipoaka ny revolisiona tany am-piandohan’ny 1947. Nametraka basimarovava teo amin’ny sisin-dalana nanoloana ny tranon’ny misionera ny tafi-panjakana. Nisy filaminana kely rehefa lasa ny
andro iray nanaovana ady. Avy eo, ny 7 Martsa dia nanjary ratsy be indray ny tarehin-javatra. Nisy ady nibaribary teny an-dalana. Nambara ny fampiharana ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka. Notafihin’ny mpikomy ny foiben’ny polisy teto an-tanànan’i Asunción.Rehefa nampoiziny fa hotafihina koa ny etamazaoro miaramila, dia nangatahin’ilay jeneraly tompon’andraikitra mba hampiasain’ny tafika ny tranon’ny misionera, ka nomeny telo andro ireo rahalahy mba hialana. Nohalavaina ho folo andro io fotoana io noho ny fiangavian’ireo rahalahy. Tao anatin’ny revolisiona sy nandritra ny fotoana faran’izay naha-sarotra ny fahitana trano, dia tafiditra tamin’ny ezaka manokana iray ireo rahalahy: Ezaka Manokana ho Fitadiavana Trano. Toa nirin’i Jehovah ny hahatsapan’ireo manam-pahefana ambony teto Paragoay hatrany ny fisian’ireo Vavolombelony. Ny hany trano sahaza ka azo nampiasaina dia nifanolotra indrindra tamin’ny tranon’ny prezidà, teo amin’ny lalana nisy ireo ambasady.
Toy izao no nosoratan’ny mpiandraikitra ny sampana momba ilay revolisiona, tao amin’ny taratasy iray tamin’ny 26 Martsa 1947: “Miharatsy isan’andro ny tarehin-javatra eto. Amin’izao fotoana anoratako izao dia inoako fa misy fiaramanidina, tsy lavitra firy ny misy anay, mandaroka baomba ny seranam-piaramanidina. Asian’ireo basy manohi-panafihana ana habakabaka io fiaramanidina io. Misy miaramila an-jatony maro manodidina ny tranon’ny prezidà, ary mahatsiravina ny feom-basin’izy ireo. Maintin’ny setroky ny bala ny rivotra, ary mankaloiloy ny fofony. Mihamanatona akaiky dia akaiky ny tanàna ny tafika revolisionera; renay tsy an-kijanona ny firefotry ny basy sy ny baomba (...) Mihasarotra isan’andro ny momba ny sakafo.”
Efa nahatratra ireo fitambaran-trano folo nisy ny an’ny misionera ny tafika revolisionera vao nanomboka nanosika azy ireo hiverina ny tafi-panjakana. Nandritra izany fotoana rehetra izany dia nanohy ny fitoriany araka izay fara heriny ireo rahalahy. Nitohy nandritra ny enim-bolana teo ho eo ilay revolisiona, ary hita fa tena fisedrana izy io, indrindra ho an’ireo rahalahy teto an-toerana. Nentin’ireo manam-pahefana tamin’ny fomba henjana izy ireny noho ny fihazonany ny fialanalanana kristiana.
Tsy fanaovana tsirambina ny fiaraha-mivory
Rehefa nifarana ny revolisiona, dia nanomboka niverina tamin’ny laoniny indray ny toe-javatra teto, ka niverina nody ny olona sasany izay nandositra tany Arzantina. Nisy fandaharana natao mba hanaovana fivoriambe iray, ny voalohany teto Paragoay, ny 4-6 Jona 1948. Sahirana nanao izay hisian’ny fisafotofotoana izaitsizy anefa ny Devoly. Nisy fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila tamin’ny 3 Jona. Naiditra am-ponja ny prezidà sy ireo mpanolo-tsaina azy. Nisy korontana lehibe teto an-drenivohitra. Ahoana ny amin’ilay fivoriambe?
Tsy nahomby ny fanandramana hanofa efitrano sahaza iray, kanefa hafa ny fandaharan’i Jehovah. Tsy nisy olona tao amin’ilay tranon’ny misionera taloha, teo ampitan’ny etamazaoron’ny tafika. Nanaiky ny hampanofa azy io tamin’ireo rahalahy mba hanaovana ny fivoriamben’izy ireo, ilay tompony. Lavitra ny afovoan-tanàna nisy ilay fisafotofotoana izy io. Azo nampiasaina ho an’ireo fotoam-pivoriana tamin’ny fivoriambe ny tokotany, ary azo nampiantranoana an’ireo solontena avy tany ivelan’ny tanàna ilay trano. Nifampiarahaba tamin’ny fifandraisan-tanana, araka ny tena fomba paragoayana izay rehetra tonga tao. Maherin’ny zato ny olona tonga nihaino ilay lahateny hoe “Ny Fifaliana ho Avy ho An’ny Olombelona Rehetra”. Lahateny tonga tamin’ny fotoana nilan’ny olona teto Paragoay azy indrindra re izany!
Nisakana ny vahoaka romotra ny polisy
Hatramin’ny nanombohan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny asa fampianarana Baiboly teto Paragoay, dia matetika no nisy fanoherana avy tamin’ny klerjy. Tamin’ny 1948, tao amin’ny vohitr’i Yuty, any amin’ny tapany atsimo, dia nikasa hanao lahateny ampahibemaso iray tao amin’ny zaridaina kely tao afovoan-tanàna ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Teo ampitan’ny fiangonana katolika indrindra izy io. Nampirisika ny olona hampitsahatra ilay lahateny ny pretra teo an-toerana, sady nanambara fa hampisara-bazana ny fiangonana ny Vavolombelona, sy hanaisotra amin’ny olona ny fivavahany. Talohan’ny fotoana tokony hanombohan’ilay lahateny, dia nisy vahoaka romotra nitangorona teo anoloan’ny fiangonana. Rehefa nahita Vavolombelon’i Jehovah — valo — tao amin’ilay
zaridaina terỳ ampitan’ny lalana izy ireo, dia nanomboka nikiakiaka hoe: “Mandehana any ny Protestanta! Mandehana any ny Protestanta!” Nandritra izany fotoana izany dia nisy olona maro niandry mba hihaino ilay lahateny, nefa natahotra ny hiditra tao amin’ilay zaridaina, noho ilay vahoaka romotra.Nametraka basimarovava teo anoloan’ilay vahoaka romotra ny polisy, sady nilaza fa raha nisy olona nihoa-pefy dia hitifitra ry zareo. Izany no nisakana ilay vahoaka romotra, mandra-pialan’ireo rahalahy soa aman-tsara tao amin’ilay faritra. Efa nampahafantatra ny amin’ilay lahateny nandritra ny herinandro anefa izy ireo ka tapa-kevitra ny hanome an’ireo olona liana fahafahana handre ilay izy. Nisy Vavolombelona teo an-toerana nanome ny tranony mba hampiasaina. Rehefa vita indray mandeha ilay lahateny, dia nisy antokon’olona hafa iray tonga ka nampahafantatra fa naniry handre azy io koa ry zareo; koa nataon’ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany indroa àry ilay izy tamin’io andro io. Nanjary niharihary tao Yuty, ny fahasamihafan’ny voa novokarin’ireo fivavahana roa.
Niatrika fandroahana ireo misionera
Amin’ny ambaratonga ofisialy, i Paragoay dia nanohana fileferana ara-pivavahana teo amin’ny tantara, tamin’ny ankapobeny, na dia ny Fivavahana Katolika aza no fivavahana neken’ny fitondram-panjakana hatramin’ny 1992. Ny fahasahiranana hita dia mazàna tany ambanivohitra, ary noho ny fampirisihan’ireo pretra teo an-toerana sy ireo mpanara-dia azy nirehitra tafahoatra. Tany am-piandohan’ny 1950 anefa, dia nisy fanandraman’ny fanjakana nandroaka an’ireo misioneran’ny Watch Tower hiala teto.
Nisy lalàna vaovao nitaky ny hisoratan’ireo mpifindra monina rehetra anarana tany amin’ny sampan-draharaha mikarakara ny tany, sady hanomezan’izy ireny porofon’ny anton’asany. Rehefa nanandrana nisoratra anarana anefa ireo misionera, dia nilazana fa tsy afaka nanao izany satria, raha ny marina, dia tsy ara-dalàna ny naha-teto Paragoay azy ireo, ka noho izany dia tokony hosamborina izy ireo. Toa nisy tatitra diso nomena an’ireo manam-pahefana, raha ny amin’ny karazana asa nataon’ny misionera.
Nomba anay ny manam-pahefana sasany, kanefa toa sendra ny sakana tsy azo nihoarana na dia ny ezaka nataon’izy ireo sy ny an’ny
ambasady amerikana aza. Atỳ Amerika Latina matetika, dia tsy ny hoe iza ianao no ahitam-bokatra, fa ny fahalalana olona. Tamin’io raharaha io, ireo rahalahy dia nahafantatra olona iray nomba azy ireo, niasa tao amin’ny biraon’ny prezidà. Tamin’ny alalan’io olona io no nanasan’izy ireo ny sekretera manokan’ny prezidà, hisakafo tany an-tranon’ny misionera. Nekena tamim-pitiavana ilay fanasana.Izany dia nanome fahafahana hiresaka ny amin’ny tena karazana asa ataon’ny misionera sy ny soa entin’izany ho an’i Paragoay. Noresahina koa ilay zava-nanahirana momba ny fanoratana anarana, ary tena liana be ilay sekreteran’ny prezidà. Vokatr’izany, ny 15 Jona 1950, dia afaka nisoratra anarana toy ny mpifindra monina nanana zo ara-dalàna hijanona teto ireo misionera voalohany, mba hanohy ny asa fampianarana Baiboly.
Andro mazana iray tany ambanivohitra
Tamin’izany andro izany, dia nahitana zava-tsarotra manokana ny asan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Anisan’izany ny fanaovana dia nandritra ny ora maro sy ny fiaretana fanoherana nahery vaika tamin’ny toe-javatra sasany. Nanomboka nanompo manontolo andro tamin’ny naha-mpiandraikitra ny fizaran-tany tamin’ny 1952, i Lloyd Gummeson, nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada. Rehefa avy nandany fotoana niarahana tamin’ny kongregasiona iray tany avaratr’i Yuty izy, dia nanao tatitra momba izay nitranga. Niasana vao haingana ny faritany teo akaiky, ka natao ny fandaharana mba hanaovana fanambarana tany amin’ny tanàna lavitra iray. Niainga tamin’ny efatra ora maraina ilay antokon’olona nisy rahalahy enina sy anabavy efatra. Nandeha an-tongotra izy rehetra, afa-tsy ny anabavy iray nanan-janaka kely herintaona. Tamin’ny 11 antoandro dia tonga tao amin’ny faritaniny izy ireo, nizara ho antokony roa ary nandeha niasa.
‘Vao adiny iray monja no niasanay, ary tamin’ny mitataovovonana dia nipetraka tao amin’ny trano mitafo bozaka iray izahay, nanao fanambarana tamin’ny fianakaviana iray liana’, hoy ny Rahalahy Gummeson, ‘rehefa niditra nitondra basy nanambanany anay ny lehiben’ny polisy sy ny miaramila iray 16 taona. Nilaza tamin’ny fomba hentitra tamin’ilay fianakaviana izy mba hamerina taminay ny zavatra vita an-tsoratra, ary avy eo dia nandidy anay hiaraka taminy
tany amin’ny paositry ny polisy. Rehefa tonga tany izahay, dia efa tao ireo mpitory hafa. Nanandrana nanjohy hevitra tamin’ilay lehiben’ny polisy aho, kanefa hitako fa tsy nahay afa-tsy teny guarani izy, fa tsy teny espaniola. Menan’ny hatezerana ny masony, ary nodidiany izahay rehetra hivoaka an’ilay tanàna sady nilazany mba tsy hiverina intsony.‘Rehefa avy nandeha iray kilaometatra teo ho eo izahay, dia nipetraka teo ambany hazo iray mba hisakafo antoandro. Tsitapitapitrizay dia nitsangana ilay antokon’olona ka nanomboka nandositra. Nijery nanodidina aho, ary indreo ilay lehiben’ny polisy sy miaramila iray tonga nanatona, nitaingin-tsoavaly sy nitondra karavasy lava be. Noheveriko fa ho tsara indrindra ny hiarahako tamin’ilay antokon’olona, ka mba nanomboka nandositra koa aho. Rehefa nitsambikina hiampita sakelidrano iray aho dia latsaka ny solomasoko. Rehefa niondrika mba handray ilay izy aho, dia nisy feon-karavasy nirefotra nikapoka ny lamosiko. Avy eo dia nanandrana nampianjera ahy tamin’ny soavaliny ilay lehiben’ny polisy; kanefa, noho ny zavatra fantatro momba ny soavaly, dia nakiviliviliko teo anoloan’ilay soavaly ny kitapo fitondrako manompo ka tsy nanatona ahy ilay izy.
‘Nandritra izany fotoana izany, dia efa namerimberina nikapoka ny telo tamin’ireo rahalahy hafa tamin’ny karavasy ilay lehiben’ny polisy, ary avy eo dia nanandrana nampianjera tamin’ny soavaliny, ny anabavy iray 70 taona, mpisava lalana. Farany, dia nitodi-doha niverina tany an-tanàna izy roa lahy, ary izahay kosa nanohy ny dianay. Tsy nisy ny naratra mafy, na dia nisy dian-kapoka mangana aza teo amin’ny lamosin’ny sasany. Tsy nisy nahatsapa fanaintainana anefa. Tafaverina tany an-trano tamin’ny valo ora alina izahay — rehefa avy nandeha an-tongotra nandritra ny 16 ora.’
Nitohy ny firoboroboan’ny asa fanambarana ilay Fanjakana, na dia teo aza ireny zava-niseho tsy nampoizina tany amin’ny tanàna sy vohitra sasany ireny.
Taorian’ny fiovana teo amin’ny fitondram-panjakana
Hita ho taona sarotra teo amin’ny fiainana ara-politikan’i Paragoay ny taona 1954. Naongana ny fitondram-panjakan’i Don Federico Chávez. Voafidy ho prezidà ny Jeneraly Alfredo Stroessner
tamin’ny 11 Jolay. Izany dia nampiditra fe-potoan’ny fitondra-miaramila, izay naharitra maherin’ny 34 taona. Inona no fiantraikan’izany teo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah?Nalamina ho amin’ny 25-28 Novambra tamin’io taona io ny fivoriamben’ny distrika iray naharitra efatra andro. Teo ambanin’ny fepetra fampihatra amin’ny tany misy hotakotaka i Paragoay, ka notakina ny fanomezan-dalana avy amin’ny polisy, raha tianay ny hanao fivoriana na inona na inona karazany. Hisy zava-manahirana ve ny amin’izany? Efa nanao fandaharana mba hanofa trano fivoriana ireo rahalahy. Rehefa nandeha haka fahazoan-dalana avy amin’ny polisy hanaovana ilay fivoriambe anefa izy ireo, dia nilazana fa tsy ho afaka hanao azy io. Fa nahoana? Niaiky ny mpitondra fanjakana iray fa nampihatra fanerena tamin’izy ireo ny pretra. Taorian’ny fitsidihana maro sy fanjohian-kevitra betsaka nataon’ireo rahalahy, dia nilazana izy ireo tamin’ny farany fa, na dia tsy hahazo fanomezan-dalana aza izy ireo, dia tsy hanelingelina azy akory ny polisy mandritra ilay fivoriambe. Tamim-pahamalinana, ireo rahalahy dia nifehy tena tsy hampahafantatra ilay fivoriambe tamin’ny alalan’ny taratasy fanasana, na tamin’ny alalan’ny gazety. Tamin’ny alalan’ny filazana am-bava no nanaovana ny fanasana rehetra. Nizotra tsy nisy sampona ilay fivoriambe.
Mitohy ny fanoherana ara-pivavahana
Tsy nampitsahatra ny ezaka nataony mba hisakanana ny Vavolombelon’i Jehovah ny klerjy katolika. Tany amin’ny faramparan’ny 1955, dia natao ny fandaharana hanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany kely tany Piribebuy, 72 kilaometatra any atsinanan’ny renivohitra. Rehefa maizina ny andro tamin’ny takariva voalohany tamin’ilay fivoriambe, dia nitarika vahoaka romotra nirongo langilangy sy antsibe mba handravana ilay fivoriana, ny pretran’ny paroasy. Nisalovana ny mpampianatra iray teo an-toerana ka niverina teo amin’ny arabe ilay vahoaka romotra. Teo izy ireo no nandany ny takariva, nikiakiaka sy nitoraka tamin’ny vato sy tsipoapoaka.
Tsapa indray ny fanoherana ara-pivavahana tamin’ny 1 Martsa 1957, tao amin’ny tanànan’i Itá, any atsimo atsinanan’ny renivohitra. Taloha be an’io daty io, dia efa nandray ny fepetra ara-dalàna mialoha ireo rahalahy, mba hanao ny fivoriamben’ny fizaran-taniny
tao amin’io tanàna io. Efa azo ny fahazoan-dalana ara-dalàna hanaovana ilay fivoriambe avy tamin’ireo manam-pahefana tao an-tanànan’i Itá sy avy tamin’ny polisy teto an-drenivohitra. Kanefa, rehefa nanomboka tonga tao Itá ireo rahalahy hamonjy fivoriambe, dia hitany fa nisy zavatra tsy ara-dalàna. Toy ny tanàna maty ilay tanàna. Foana ny arabe; nihidy ireo varavarana sy varavarankely. Nahoana?Nivoady ilay pretran’ny paroasy fa tsy ho tanteraka io fivoriambe io, ary dia nanao araka ny fara heriny izy mba hahatanteraka ny voadiny. Nanao fandaharana mihitsy aza izy mba hisian’ny fiaramanidina hanaparitaka trakitra an’arivony maro nanerana ilay faritra. Izao no hafatra tao amin’ireny trakitra ireny: “Ny zoma 1 Martsa 1957, amin’ny 5.30 hariva, eo anoloan’ny fiangonana, dia hisy fivoriamben’ny Kristiana katolika rehetra avy any an-tanàn-dehibe sy distrika. (...) Amin’ny 6.30 dia hisy fihetsiketsehana lehibe hataon’ny Katolika ho fandroahana ny ‘Vavolombelona (sandok’i) Jehovah’. Tsy manana zo hanao fivoriambe na inona na inona eto Itá ny heretika protestanta.”
Rehefa nampahafantarina ny amin’ny planin’ny mompera Ayala ireo rahalahy, dia noheveriny fa ho tsara indrindra ny hamindrana toerana an’ilay fivoriambe avy teo amin’ilay trano somary taza-maso izay nohofana, nankeo amin’ny tranon’ny rahalahy iray. Hanome fiarovana tsara kokoa io trano io raha sendra misy fanafihana.
Azonao alaina sary an-tsaina ilay fisehoan-javatra. Nivory tao an-tranon’ilay rahalahy ny Kristiana tia fiadanana 60 teo ho eo, mba handinika ny Tenin’Andriamanitra. Fitambaran-trano roa no nanelanelana azy ireo tamin’ny vahoaka niisa maherin’ny arivo sady nitombo isa haingana, nihaino ny kabary nirehidrehitra nataon’ilay pretra sy ny fampirisihany ho amin’ny herisetra.
Tsy ary nankasitraka ny zavatra nataon’ilay pretra avokoa ny vahoaka rehetra. Nanandrana nampitony an’ilay pretra ny solietnà Solano Gamarra tao amin’ny Tafika Ana Habakabaka paragoayana. Niresaka tamin’ireo pretra hafa koa izy nefa tsy nisy vokany. Nisafoaka aoka izany ny iray tamin’ireo pretra naman’i Ayala ka namely totohondry azy, hany ka vaky ny vavany. Tamin’izay dia niantsambotra toy ny amboadia teny amin’ilay lietnà ny vahoaka, ka nikapoka azy
sady namela ratra lalina teo amin’ny hodi-dohany. Nendahin’ireo jiolahim-boto ny lobany ka nahantony teo amin’ny tsato-kazo mba hodorana. Nandositra i Gamarra mba hamonjena ny ainy.Lian-dra ilay vahoaka romotra ka nitodika tany amin’ilay fivoriambe izao sady nikiakiaka hoe: “Aongàny i Jehovah!” “Matesa i Jehovah!” Arakaraka ny nanatonan’izy ireo an’ilay trano nanaovana ny fivoriambe no nanjavonan’ilay fiarovana kelin’ny polisy. Nohidian’ireo rahalahy mafy avy tao anatiny ny varavaran’ny trano. Nanandrana niditra tao amin’ny tokotany tao ambadika ny vahoaka sasany, tamin’ny fampiasana ny tanin’ny mpifanolo-bodirindrina iray. Hentitra anefa io olona io ka tsy namela azy ireo handalo. Tsy nohadinoiny fa tsara fanahy be taminy, fony izy narary, ilay Vavolombelona izay notafihina izao ny tranony. Nandritra izany fotoana izany, ireo rahalahy, noho ny fitokiany tamin’i Jehovah, dia nanohy ny fivoriany araka izay azony natao. Mba ho fiarovana tamin’ny loza, dia nijanona nandritra ny alina tao amin’ilay trano izy rehetra. Ny ampitso, dia nisy taratasy filazana avy tamin’ny foiben’ny polisy teto Asunción nanafoana ny fanomezan-dalana hanao ilay fivoriambe, mba ho fiarovana ireo Vavolombelona, ary noho ny tsy nahavitan’ny polisy teo an-toerana nifehy ilay vahoaka romotra.
Nohofana ny fiara iray, ary niainga hamonjy ny tranon’ny sampana sy ny misionera teto Asunción ireo solontena velon-kira sy falifaly, mba hamita ny fivoriambeny. Tojo fitsapam-pinoana izy ireo ary nihanatanjaka noho izany.Fanekena ho ara-dalàna
Taorian’ilay rotaka tao Itá, ho fanahafana ny lalana narahin’ny apostoly Paoly, ny biraon’ny sampana dia nanao dingana mba ‘hampiorenana araka ny lalàna ny vaovao tsara’ teto Paragoay. (Fil. 1:7, NW; Asa. 16:35-39). Tsara ny vokatr’izany. Rehefa feno avokoa ireo fepetra notakin’ny lalàna teo an-toerana, ny 14 Oktobra 1957 dia nekena ho fikambanana ara-dalàna ny Fikambanana Watch Tower, ary nomen-dalana hisolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah teto. Navoaka an-gazety ho toy ny didy avy amin’ny prezidà ny filazana momba izany. Hita fa tena nahasoa izy io rehefa nividy tany nilaina, ary nahatonga hety ny fahazoan-dalana honina maharitra ho an’ny misionera.
Ny sarimihetsika voalohany ho azy ireny
Nanomboka tamin’ny 1954 ka hatramin’ny 1961, dia nahasoa aoka izany teo amin’ny fampahafantarana ny fandaminan’i Jehovah tamin’ny besinimaro ny fampiasana ireo sarimihetsika. Natao ny fandaharana mba hampisehoana ireo sarimihetsiky ny Fikambanana nanerana ny tapany atsinanana amin’i Paragoay. Nandritra ny dimy taona nandraisana ny isa, dia nisy olona maherin’ny 70 000 tonga tamin’ireo fampisehoana.
Raharaha ihany ny fitondrana fitaovana mpihary herinaratra niaraka tamin’ny fitaovana hafa rehetra mba hampisehoana sarimihetsika tany ambanivohitra. Matetika dia kianja filalaovam-baolina tsy nisy na inona na inona no toerana nofidina. Nomanina talohan’ny alina ny fitaovana. Avy eo dia nisy filazana natao tamin’ny alalan’ny fanamafisam-peo mba hanasana ny besinimaro. Nisy mpanimbanimba zavatra nitora-bato indraindray. Niovaova ny isan’ny mpanatrika. Tao General Artigas izay nisy kongregasiona nanana mpitory latsaka ny 20 ary nivory tany amin’ny valo kilaometatra avy eo amin’io tanàna io, dia olona 1 300 no nahita ilay sarimihetsika indray alina! Nahazatra ny nandre ny olona nikakakaka tamim-pifaliana nandritra ireo fotoana voalohandohany tamin’
ilay sarimihetsika rehefa niova ireo sary. Rehefa dinihina tokoa mantsy, tany ambanivohitra, dia matetika no sambany izy ireny vao mba nahita sarimihetsika.Ny sarimihetsika dia nahatonga an’ireo Vavolombelona teo an-toerana ary ny besinimaro hahazo an-tsaina ny halehiben’ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany.
Nazoto nanolo-tena ireo misionera
Rehefa nitombo ny isan’ny mpitory, dia niara-nanao ezaka ny misionera mba hanampiana azy ireny handroso ho amin’ny fahamatorana. Niharihary ny vokatra tsara azo rehefa nanana tombontsoa nanatrika ny Fivoriamben’izao Tontolo Izao Vaovao tany New York ny misionera, tamin’ny 1953. Tamin’ny fotoana tsy naha-teo azy ireo, dia nilaina ny hiantsorohan’ireo rahalahy teto an-toerana ny andraikitra hanara-maso ny Kongregasionan’i Asunción. Nisy tampon’isa vaovao tratra teo amin’ny asa fanompoana eny amin’ny saha. Tsara aoka izany ny zava-bitan’ireo rahalahy teto an-toerana, hany ka rehefa tafaverina ny misionera, dia nangatahina ny hanohizan’izy ireny hikarakara ireo asa nanendrena. Izany dia namela ny misionera hanompo tany amin’ny toeran-kafa.
Betsaka ny zavatra tokony hataon’ireny misionera ireny. Rehefa efa-bolana teo ho eo no naha-teto an-toerana an’i Werner Appenzeller ka nahay teny espaniola kelikely izy fara faharatsiny, dia notendrena hikarakara ny fizaran-tany nanodidina an’i Encarnación ny tenany. Mbola tsy vita rarivato ny ankamaroan’ny lalana. Mazàna an-tongotra na an-tsoavaly no nanaovana ireo dia lavitra. Zato monja ny isan’ny mpitory tao amin’ilay fizaran-tany manontolo, kanefa nandray anjara tamin’ny fandrosoan’izy ireny ara-panahy ny fampaherezana sy ny fampiofanana. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia voatendry ho amin’ny asan’ny fizaran-tany i Ladislao Golasik, izay zanakalahin’i Robert Golasik sady avy ao amin’io faritra io ihany.
Hatramin’ny faran’ny 1961, dia misionera niofana tany amin’ny Sekolin’i Gileada no niasa teto Paragoay nandritra ny 15 taona. Nisy Vavolombelona 411 tamin’izay teto, ary voalamina ho kongregasiona 22. Nahatratra hatramin’ny 594 000 ny ora natokana ho amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Tamin’izany fotoana izany, dia avy tao amin’ny tranon’ny misionera dimy no nanompoan’ireo misionera.
Teto Asunción, sy tao Encarnación, sy Villarrica, sy Coronel Oviedo ary Pedro Juan Caballero no nisy azy ireny. Niainga avy tao amin’ireny toerana be mponina ireny ny misionera, ary nandeha nivoaka nitory tany amin’ny faritra manodidina koa. Hatramin’ny 1961, dia misionera 50 no nandray anjara tamin’ny asa teto Paragoay. Misionera 29 no voatery nody tany amin’ny tany niaviany noho ny tsy fahasalamana na noho ny antony hafa. Izy rehetra anefa dia samy nandray anjara, tamin’ny fomba samihafa, tamin’ny fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana teto Paragoay. Tamin’ny Desambra 1961, dia tonga teto i Elmer sy i Mary Pysh, nahazo diplaoma tamin’ilay fianarana naharitra folo volana tany Gileada.Fanorenana ireo toeram-pivoriany manokana
Tokotokony ho tamin’io fotoana io, ireo rahalahy teto Asunción dia nanorina sy nitokana Efitrano Fanjakana iray, dia ny voalohany izay azy ireo manokana teto Paragoay. Trano biriky sy simenitra tsara tarehy ilay izy, ary ampy hipetrahan’olona maherin’ny 200. Izany dia fanambarana ho an’ny fiaraha-monina, satria ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy dia samy nandray anjara tamin’ny fihadiana ny
tany, ny fampifangaroana ny rihitra simenitra, ny fandambolamboana ny biriky, sy ny fandokoana ary ny fanadiovana! Niharihary tamin’ireo mpitazana fa mpiasa be zotom-po izy ireo.Ny antokona Vavolombelona vitsy, izay mbola tsy kongregasiona akory, dia nahita olona maro aoka izany tonga tamin’ireo fivoriany tao Vacay, faritra ambanivohitra any atsimon’i Paragoay, hany ka nanapa-kevitra fa nila Efitrano Fanjakana koa ry zareo. Tsy nanam-bola anefa izy ireo. Inona no ho azony atao? Nanao fifanarahana tamin’ny mpitrandraka ala iray izy ireo. Tamin’izany no nanekeny, tamin’ny naha-antokon’olona, hikapa ala ho takalon’ny fitaovam-panorenana sy karama kely. Rehefa vita ilay efitrano, dia nivarotra ny toeram-piompiany sy famboleny ny fianakaviana liana efatra izay nipetraka lavitra be, ka nifindra monina akaiky kokoa an’ilay Efitrano Fanjakana mba tsy ho tapaka amin’ny fivoriana.
Tatỳ aoriana dia naorina koa ireo trano fanaovana fivoriamben’ny fizaran-tany sy distrika. Tamin’ny fotoana samihafa dia nampiasain’ireo rahalahy ny Club Martín Pescador, sy ny trano tao amin’ny National University sy ny American School koa. Avy eo, tany am-piandohan’ireo taona 1970, dia nisy tany natao fanomezana azon’izy ireo nanorenana ny Foibe Fanaovana Fivoriambe, azy ireo manokana, ary naorina tsikelikely an-taonany maromaro izy io.
Fanomezana trano sahaza ny sampana
Noho ny fitomboan’ny asa sy ny fitahian’i Jehovah nentin’izany, dia nilaina koa ny nanome trano ary fomba kokoa ho an’ny sampana. Ho fikendrena izany, dia trano isan-karazany no nohofana nandritra ireo taona. Tamin’ny 1962 anefa, i Nathan Knorr, prezidàn’ny Fikambanana Watch Tower tamin’izay, dia nanome toromarika mba hividianana tany tao amin’ny faritra tsara tao an-tanàn-dehibe, noho ny fikendrena hanorina trano ho an’ny sampana sy ny misionera, ary hisy Efitrano Fanjakana iray koa. Tao amin’ny iray tamin’ireo arabe lehibe eto an-drenivohitra no nisy ilay tany, fitambaran-trano roa avy teo amin’ny kianja lehibe indrindra fanaovana fanatanjahan-tena eto Paragoay. Rehefa vita ireo drafitra ary azo ny fanekena avy amin’ny tanàna, dia natomboka ny fanorenana tamin’ny Janoary 1965, ary vita tao anatin’ny folo volana ilay tetik’asa. Tany am-piandohan’ny 1966, dia faly be ireo rahalahy fa niaraka
tamin’izy ireo ny Rahalahy Knorr tamin’ny fitokanana ny trano vaovao, nandritra ny fitsidihana zone nataony.Noho ny toerana nisy ilay trano, dia olona an’arivony maro isan’andro teto Asunción no nahalala ny fisian’ny Vavolombelon’i Jehovah teo anivony. Ary rehefa nandalo ho any amin’ireo lanonam-panatanjahan-tena izy ireny, dia an’arivony maro fanampiny
no nampahatsiahivina fa manana ny Vavolombelony i Jehovah eto Paragoay.Fandaharam-pitantanana vaovao
Toy ny naha-marina izany tany amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana naneran-tany, tamin’ny 1 Febroary 1976, dia nanomboka niasa ny Komitin’ny Sampana, nisolo toerana ilay fandaharana ny amin’ny fisian’ny olon-tokana niandraikitra ny sampana. Nandritra ireo 30 taona talohan’izay, dia i Albert Lang, i William Schillinger, i Max Lloyd, i Lloyd Gummeson, sy i Harry Kays ary i Elmer Pysh no nanompo nandritra ny fe-potoana samihafa tamin’ny naha-mpiandraikitra ny sampana azy ireo. Samy nandray anjara lehibe tamin’ny asan’ilay Fanjakana izy rehetra. Izao dia hanan-kery ny fandaharana vaovao, ka amin’izany dia komity iray voaforon’ny lehilahy matotra no hanana anjara amin’ny fanaraha-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Paragoay manontolo.
I Elmer Pysh no voatendry ho mpandrindra ny Komitin’ny Sampana, ary i Charles Miller sy i Isaac Gavilán no voatendry ho mpikambana hafa. Samy nahazo diplaoman’i Gileada ny Rahalahy Pysh sy Miller. Ny Rahalahy Gavilán, izay Paragoayana, dia efa tao amin’ny fanompoana manontolo andro teto Paragoay hatramin’ny 13 taona.
Onjam-panoherana ofisialy hafa iray
Toy ny maha-marina izany maneran-tany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy momba ny atsy na ny aroa eo amin’ny raharaha ara-politika. Alatsak’izy ireo am-po ny fanambaran’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy hoe: “Tsy naman’izao tontolo izao hianareo”. (Jaona 15:19). Amin’ny fihazonana ao an-tsaina ny torohevitry ny Baiboly hoe “arovy ny tenanareo amin’ny sampy”, dia mifehy tena koa izy ireo mba tsy handray anjara amin’ny fombafomba mampiseho fanindrahindram-pirenena, izay heveriny ho fanompoan-tsampy. (1 Jaona 5:21). Ny mpitondra fanjakana izay manana fiainana tafiditra lalina ao amin’ny fandehan-javatra ara-politika, sady mihevitra ny fanindrahindram-pirenena ho fomba iray mampiray saina ny vahoaka, dia mety hahita ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ho saro-takarina amin’ny voalohany. Fantatr’izy ireny mantsy fa ny antokom-pivavahana hafa, eny fa na dia ny klerjy aza dia tsy misalasala mandray anjara amin’ny politika sy ny fombafomba mampiseho fanindrahindram-pirenena. Matetika ny klerjy no mampiasa an’io tarehin-javatra io mba hamafazana voan’ny fiahiahiana ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny mpitondra fanjakana.
Tao amin’ny taratasy iray nitondra ny datin’ny 31 Oktobra 1974, dia nangataka fanazavana momba ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fandaminany, ny Dr. Manfredo Ramirez Russo, tale jeneralin’ny fivavahana tamin’izay. Tamin’ny 25 Febroary 1976, dia navoaka ny didim-panjakana iray nitaky “ny hananganan-tsaina sy hihirana ny Hiram-pirenena” tao amin’ny “sekoly rehetra”. Tamin’ny fomba fanoratra an-gazety ta hanaitra ny fahalianana, no nampisehoan’ny El Sendero (Ny Lalan-kely), zavatra vita an-tsoratra ara-pivavahana, fanontana tamin’ny 3-17 Septambra, lahatsoratra pejy iray manontolo fanosoram-potaka, nitondra ny lohateny hoe “Ny Vavolombelon’i Jehovah”. Nanaraka izany ny Patria, gazety ofisialin’ny antoko politikan’ny fitondram-panjakana, tamin’ny lahatsoratra iray fanosoram-potaka nitovy tamin’io ihany, nitondra ny lohateny hoe “Firehetana Tafahoatra”, tamin’ny 14 Martsa 1977.
Nandritra izany fotoana izany, dia nantsoina mba hoadinadinin’ilay tale jeneralin’ny fivavahana ny solontenan’ny birao foiben’ny
Vavolombelon’i Jehovah. Nisy famintinana ireo fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah natao taorian’io fihaonana io. Nifantoka tamin’ny fomba voafaritra tsara tamin’ny toerana notanan’izy ireo nifandray tamin’ny saina sy ny hiram-pirenena ary ny raharaha miaramila, ilay izy. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana, dia tonga teto amin’ny biraon’ny Fikambanana teto Asunción i Obdulio Argüello Britez, manamboninahitry ny polisy, ary nangataka fanazavana momba ilay fivoriambe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny 6 ka hatramin’ny 9 Janoary. Tsy ela taorian’izay, ny minisitry ny Fitsarana, ny Dr. Clotilde Jiménez Benítez, dia nanadinadina ireo solontenan’ny Fikambanana, momba ny foto-kevitra nitovy tamin’ireo nodinihina teo aloha ihany, tany amin’ny Biraon’ny Fitantanan-draharaha Momba ny Fanompoam-pivavahana.Taorian’io fitohitohizam-pisehoan-javatra io, tamin’ny 1978, dia nanomboka noroahina, ary tsy afaka niditra tany amin’ny sekoly hafa intsony, ireo zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah izay tsy nety nihira ny hiram-pirenena. Tsy nifarana teo anefa ilay izy.
Fandrarana — Izay dikan’izany
Tamin’ny farany dia nipoaka ny “baomba” tamin’ny 3 Janoary 1979. Navoaka ny didim-panjakana iray nanafoana ny maha-ara-dalàna ny Fikambanana Watch Tower, izay nisolo tena ny Vavolombelon’i Jehovah.
Nanaitra mafy an’ireo Vavolombelona sy ireo tsy Vavolombelona ireo matoan-dahatsoratra an-gazety nanambara ilay didim-panjakana. Saiky naneho fahalianana tamin’ilay raharaha avokoa ny fampitam-baovao rehetra. Ny sasany nankasitraka ilay zavatra natao, ny hafa kosa nanameloka izany. Nanambara ny gazety ABC fa “fanitsakitsahana ny zon’olombelona fototra, voalazan’ny Andalana faha-18 amin’ny Fanambarana Eran-tany Momba ny Zon’olombelona”, ilay didim-panjakana.
Raha vantany vao nampahafantarina ny amin’ilay fandrarana ny Komitin’ny Sampana, na dia mbola tsy nahafantatra akory ny fetran’ilay izy aza, dia nandamin-javatra mba hahafahana hikarakara ny asan’ny sampana tany amin’ny toeran-kafa. “Tsy noheverinay ho toy ny fanenjehana ara-pivavahana mihitsy izao zavatra izao”, hoy ny nambaran’ny Dr. Raul Peña, minisitry ny fampianarana
sy ny fivavahana. Na dia izany aza, dia voatery nanao ny fivoriany tamin’ny naha-antokon’olom-bitsy tany an-tranon’olona manokana, ny Vavolombelon’i Jehovah. Teo ambany fameperana ny asa fitoriany, kanefa tsy voatohitohina ny zotom-po sy ny herim-pon’ny ankamaroan’ny rahalahy. Mba handraisan-tsoa tamin’ireo fivoriambe kristiana, dia voatery nanao fandaharana mba hanatrehana ireny fivoriambe ireny tany amin’ny tany hafa izy ireo, nandritra ny fotoana sasantsasany.Ahoana no nanombohan’io fitohitohizam-pisehoan-javatra io? Moa ve nanao zavatra noho ny fananany fahefana ara-panjakana fotsiny ny Dr. Manfredo Ramirez Russo? Mahaliana fa, tamin’ny 25 Aogositra 1981, ny gazety Ultima Hora teto Asunción dia namoaka sarin’i Manfredo Ramirez Russo sy i “Monseigneur” José Mees nijoro nifanatrika tamim-pisakaizana. Hita teo ambanin’ilay sary ny fanazavana hoe: “Natolotry ny Monseigneur José Mees, Iraka Solontenan’ny Papa, an’i Manfredo Ramirez Russo, talen’ny Fivavahana ao amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana, ny mari-boninahitr’i ‘Masindahy Grégoire Lehibe’, ho fankasitrahana ny asa vitany ho an’ny Eglizy Katolika.”
Rehefa nampiharina ilay fandrarana, dia nisy fisamborana Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toerana maro. Naiditra am-ponja izy ireny rehefa tratra nanao fivoriana kely tany an-tranon’olona manokana, sy rehefa nandeha isan-trano nizara tamin’ny hafa ny hafatra ara-baiboly mahabe fanantenana, ary rehefa nitarika fampianarana Baiboly tany an-tokantranon’ny olona liana.
Rahalahy sivy tany Encarnación no naiditra am-ponja, teo anelanelan’ny 8 sy 11 Oktobra 1981. Rehefa nangataka mba hiresaka tamin’i Julio Antonio Martínez, lehiben’ny polisy, i Antonio Pereira, loholona iray teo an-toerana, mba hahazoana antoka hoe nanao ahoana ireo rahalahy tany am-ponja, dia nasain’io lehiben’ny polisy io nosamborina izy ary nahibony tao amin’ny cellule faran’izay voambina mafy. Tamin’izay fotoana izay, i Joseph Zillner avy tamin’ny kongregasiona iray teo akaiky, dia nandeha tany an-tranon’ny renin’ilay rahalahy voafonja voalohany mba hahalala izay nitranga. Tsy maintsy ho nisy olona nampandre ny polisy, hany ka tao anatin’ny folo minitra dia nentina tany amin’ny fonjan’i Encarnación izy, narahin’ny polisy!
Fandrehetana afom-panenjehana
Taona vitsivitsy taorian’ny nampiharana ny fandrarana, dia niato ny fisamborana. Nanomboka nampiasa miandalana ireo Efitrano Fanjakanany sy nanao fivoriambe kely ireo rahalahy. Kanefa, tapaka tampoka izany rehetra izany tamin’ny 1984, rehefa nanambara ny gazety iray teto an-toerana fa noroahina avy tao amin’ny Sekoly Teknika teto Asunción ny mpianatra efatra, izay Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo tsy niredona ny hiram-pirenena. Vao mainka nampiredareda ny afom-panoherana ny Vavolombelon’i Jehovah izany. Ho vokany dia noroahina avokoa, saika ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah mbola nianatra rehetra. Maro tamin’ireny ankizy ireny no tsy afaka niverina nianatra intsony.
Tamin’io taona io, nanomboka ny 2 ka hatramin’ny 5 May, dia namoaka fitohitohizan-dahatsoratra fanosoram-potaka nosoratan’i Antonio Colón, pretra katolika iray, ny gazety Hoy (Androany). Tatỳ aoriana kokoa tamin’io taona io, dia nisy minisitra vaovaon’ny fampianarana sy ny fivavahana nandray ny raharahany taorian’ny fianianana, kanefa nanohy ny fomba fiasan’ilay nodimbasany ihany izy. Taorian’ny nanaovany fanambarana iray nampiseho fanindrahindram-pirenena be, dia tsy nekena hisoratra anarana tany an-tsekoly ho amin’ny taona nanaraka, ny ankabeazan’ireo zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah. Ho tombontsoan’ny mpianatra folo, izay noroahina ny enina taminy, ary tsy navela hisoratra anarana ny efatra, dia nampidirina tany amin’ny fitsarana ny fitoriana, mba hananan’ny Vavolombelon’i Jehovah zo hampianatra ny zanany any an-tsekoly, kanefa tsy ho voatery hiala amin’ny finoany na izay zavatra hibaikon’ny feon’ny fieritreretany azy. Nanome rariny ny Vavolombelona ny didim-pitsarana. Nampakarin’ny Minisiteran’ny Fampianarana sy ny Fivavahana tany amin’ny Fitsarana Tampony anefa ilay raharaha.
Nisarika ny saim-bahoaka hatrany, nandritra ny 1985 manontolo, io raharaha niadian-kevitra io. Niaro ny toerana notanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpanao gazety sasany, fa nanohy nanohitra azy ireo kosa ireo anisan’ny fitondram-panjakana. Tamin’ny 23 Jolay 1985, raha mbola nafana ny ady hevitra, dia nisy taratasy nalefan’ny Foibe Maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny prezidàn’i Paragoay.
Noho izy ireo nahazo ny rariny tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, tamin’ilay raharaha momba ireo ankizy mpianatra, dia nampirisika ny kongregasiona ny biraon’ny sampana mba hanomboka hampiasa an-karihary kokoa indray ny Efitrano Fanjakanany. Izany dia hanery an’ireo manam-pahefana hampiseho ny heviny amin’ny fomba hentitra kokoa — na hanohitra antsika izy ireo, na hanome antsika fahalalahana bebe kokoa.
Tamin’ny 21 Martsa 1986, dia voantso tany amin’ny foiben’ny polisy, ny mpandrindra ny Komitin’ny Sampana. “Mampiasa indray ireo toeram-pivorianareo ianareo, kanefa tsy nahazo lalana hanao izany”, hoy ny fampitandremana nomena. Hoy ny navalin’ny Rahalahy Gavilán: “Mamelà ahy hampahatsiahy anareo fa ilay didy nanafoana ny fanekena anay ho ara-dalàna dia niadian-kevitra ho tsy araka ny lalàm-panorenana. Eo am-pandinihana an’io toe-javatra io ny Fitsarana Tampony amin’izao fotoana izao; mbola tsy namoaka didy ny Fitsarana. Koa satria mahatonga ilay didy ho tsy hanan-kery ny filazana azy io ho tsy araka ny lalàm-panorenana, raha ny ara-dalàna dia manana zo izahay hanao ny asanay raha mbola tsy navoaka ny didim-pitsarana farany.” “Tsy mpahay lalàna aho”, hoy ny navalin’ilay lehiben’ny polisy, “ka tsy afaka hiady hevitra momba izany. Raha izany no izy dia ento atỳ amiko ny lisitr’ireo toeram-pivorianareo dia ho hitantsika eo.” Izany no namarana ilay fanadinadinana. Nomena niaraka tamin’ireo taratasim-panjakana nanamarina azy, ireo filazalazana notakina. Tsy nakatona intsony ireo Efitrano Fanjakana.
Kanefa, tamin’ny 26 Febroary 1987, dia namoaka didy hanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ilay raharaha momba ireo ankizy mpianatra, ny Fitsarana Tampony notarihin’ny Dr. Luis María Argaña, Lehiben’ny Fitsarana. Olona avara-pianarana maro no nihevitra izany ho toy ny fanapahan-kevitra ara-politika, ary tsy vitsy no nanameloka azy io. Inona no fiantraikan’izany rehetra izany teo amin’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah?
Fanohizana ny fitoriana ny vaovao tsara
Tsy natsahatra ny asa fanambarana ilay Fanjakana nandritra ireny taon-tsarotra ireny. Tamin’ny Janoary 1984, dia nanomboka ezaka manokana hiasana faritany mitokana ny biraon’ny sampana, tamin’ny alalan’ireo mpisava lalana manokana tsy maharitra. Telopolo no nandray anjara tamin’ilay fandaharana, nandritra ny taona voalohany.
Dimy amby fitopolo ny tanàna samy hafa notsidihina. Tao amin’ny 14 tamin’ireny, dia tsy nanome lalana an’ireo rahalahy mba hitory, ny manam-pahefana teo an-toerana. Tany amin’ny toeran-kafa kosa, rehefa nohazavaina tamin’ireo manam-pahefana ny hasarobidin’io asa ara-panahy io, dia nanolotra fiarovana ho an’ireo rahalahintsika izy ireny, ka tamin’ny fotoana sasany, dia nanome toerana hatoriana tao amin’ny paositry ny polisy mihitsy!Vokatr’io asa io dia olona liana maro no hita. Ny vehivavy iray nipetraka tany amin’ny 200 kilaometatra avy eto Asunción, rehefa avy nandray tamin’ireo mpisava lalana ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, dia nanoratra tany amin’ny biraon’ny sampana, mba hangataka fanampiana bebe kokoa. Rehefa tonga ny mpivady vavolombelona iray ho valin’ny fangatahany, dia niandrandra ny lanitra tamin-dranomaso izy ka nisaotra an’i Jehovah. Na dia teo aza ny fanoheran’ny havana, dia tonga mpanompo mahatokin’i Jehovah izy, manao fanambarana amin’ny mpiara-monina sy ny olom-pantatra.
Nisy antoko-mpitory vaovao sy kongregasiona vaovao nalamina tany amin’ireny faritany nitokana taloha ireny. Natao ho fandaharana isan-taona ilay ezaka momba ny mpisava lalana manokana tsy maharitra, ary mitohy hatramin’izao, sady ahazoana vokatra mahatalanjona.
Mihena ny fanerena
Nanjary fantatra tsara kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny asany, teo anivon’ireo manam-pahefana. Nitohy ny ezaka natao hanampiana azy ireo hahazo fahatakaran-javatra mazava kokoa momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mandra-pahatongan’ny fotoana nanomezana fanekena am-bava, tamin’ny farany, ny amin’ny hanaovana fivoriambe ampahibemaso iray, ny 21 sy 22 Martsa 1987, tao amin’ny Foibe Fanaovana Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Andro nahafaly ho an’ireo rahalahy re izany! Tamin-dranomaso no nifamihinan’ireo rahalahy sy anabavy. Sivy taona taorian’ny nisian’ny fanerena sy ny fihenjanana sy ny fisalasalana ary ny fanenjehana nivantana, dia sambany izao izy ireo vao mba afaka niara-nanolotra fanompoam-pivavahana tamin-kalalahana teto Paragoay. Nanatrika teo ny solontena avy any Arzantina sy Brezila ary Orogoay, izay nasaina noho io fotoan-dehibe io. Izany no namarana ny herin’ny fandrarana.
Fanekena ho ara-dalàna indray
Niatrika fotoam-piovana i Paragoay. Nitombo ny fihenjanana ara-politika. Tamin’ny farany, ny alin’ny 2 Febroary 1989, dia re teto Asunción ny poa-basy. Nipoaka ny revolisiona! Nifarana ny ampitson’io ny fitondra-miaramilan’i Alfredo Stroessner.
Natomboka avy hatrany indray ny ezaka voalohany hahazoana fanekena ho ara-dalàna. Tamin’ny farany dia nekena ilay fangatahana, tamin’ny 8 Aogositra 1991. Andro nahasambatra ho an’ny vahoakan’i Jehovah teto Paragoay re izany!
Tamin’ny 20 Jona 1992, dia nanan-kery ny lalàm-panorenana vaovao iray. Fepetra lehibe no tafiditra tamin’izany, dia ireo nahakasika ny zon’olombelona, toy ny fahalalahana hivory, ny fahalalahana hanohitra noho ny feon’ny fieritreretana, ny fahalalahana ara-pivavahana sy ara-poto-kevitra ary ny fanafoanana ny fivavaham-panjakana.
Nitondra fanamaivanana nahafaly ireny fandrosoana ireny sy ny hafa koa.Mandrosoa ho amin’ny asa!
Mbola betsaka ny asa tokony hatao eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara eto Paragoay. Tamin’ny 1979, rehefa nampiharina ny fandrarana, dia nisy mpitory ilay Fanjakana 1 541 teto Paragoay. Tamin’ny taona namerenana tamin’ny laoniny ny fanekena ho ara-dalàna indray, dia 3 760 no namerina tatitra. Ankehitriny dia misy hatramin’ny 6 200 izany. Kanefa, amin’ny antsalany, dia mbola mpitory 1 isaky ny mponina 817. Zavatra fanampiny inona no azo atao mba hanatratrarana ny olona?
Isan-taona, dia misy mpisava lalana manokana alefa tsy tapaka mba hanao fanambarana any amin’ireo tanàna tsy misy kongregasiona. Ny 49 isan-jaton’ny mponina anefa dia mipetraka any ambanivohitra. Tamin’ny 1987, ny sampana dia nametraka ireo fitaovana tena nilaina tao amin’ny kamiao iray, mba hahatonga azy io hety ho trano azo afindrafindra ho an’ireo mpisava lalana manokana. Folo taona izao no nampiasana azy io, mba hanatratrarana ireo faritany any ambanivohitra tsy vitan’ireo kongregasiona na ireo mpisava lalana manokana tsy maharitra. Amin’izany fomba izany no anaparitahana ny ranon’aina manerana ireo faritra midadasika eto Paragoay.
Nisy ezaka manokana koa natao mba hanaovana fanambarana amin’ireo olona mipetraka any amoron’ny ony. Matetika dia ny sambo no hany mampifandray azy ireny amin’ny hafa. Koa tamin’ny 1992 àry dia nanamboatra sambo iray afaka nitondra mpiara-miasa
efatra ny Fikambanana. Nanomboka ezaka mitohy izy ireo mba hitadiavana ireo olona toy ny ondry any amoron’ny ony. Mety tsara ny niantsoana an’ilay sambo hoe Ilay Mpisava Lalana.“Rehefa namakivaky ny Ony Paragoay izahay”, hoy ny nosoratan’ilay rahalahy niandraikitra ilay antokon’olona, “dia tonga tao Puerto Fonciere, 483 kilaometatra avy eo Asunción, ary nanomboka nitory isan-trano. Nandritra ny resaka nifanaovanay tamin’ny vehivavy zokiolona iray, dia nambaranay fa nilaza Andriamanitra fa hamongotra ny faharatsiana rehetra izy, ary tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah anay dia nampahafantatra ny olona izahay fa hanao izany amin’ny alalan’ny Fanjakany, Andriamanitra. Nanapaka ny resaka ilay vehivavy ka nitodika tany amin’ilay zafikeliny ary nilaza taminy mba hiantso ny raibeny sy hiteny aminy hoe tonga ‘ireo olony’. Vetivety dia tonga ilay raibe, lehilahy iray teo amin’ny faha-70 taonany. Tsemboka izy satria niasa tao amin’ny toeram-piompiany. Niarahaba anay tamin-kafanana izy, ary tamin’ny maso nanganohano dia nisaotra an’Andriamanitra fa tonga ihany izahay rehefa ela ny ela. Nilaza izy fa elaela ihany no efa niandrasany ny fitsidihanay. Somary sanganehana izahay ka nangataka fanazavana. Novaliany fa nanome azy Baiboly sy ilay boky hoe ‘Zavatra Izay Tsy Hain’Andriamanitra Andaingana’ ny miaramila kapiteny iray avy ao amin’ny nosy Peña Hermosa. Nasian’ilay kapiteny marika ny andalan-teny maromaro ao amin’ny Baiboly, toy ny Salamo 37:10, 11 sy ny Salamo 83:18, ary nolazainy fa indray andro any dia ho tonga atỳ an-tranony ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hilaza zavatra bebe kokoa momba ny fikasan’i Jehovah. Natomboka avy hatrany ny fampianarana Baiboly.”
Hatramin’izao dia indroa fara fahakeliny no nahavitan’ilay sambo ny faritany rehetra amoron’ny Ony Paragoay, manomboka eo amin’ny sisin-tanin’i Bolivia any avaratra ka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Arzantina any atsimo, dia halavirana 1 260 kilaometatra amin’ny fitambarany.
Mpiasa be zotom-po mandray anjara amin’ny fijinjana
Fony nampianatra an’ireo mpianany tamin’ny taonjato voalohany i Jesosy, dia nampirisika azy ireo toy izao: “Mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” (Matio 9:38). Nandatsaka izany am-po ireo Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina, ary tena nandefa mpiasa be zotom-po betsaka tokoa ho any amin’ny saha ny Tompo, mba handray anjara amin’ny fijinjana ara-panahy eto Paragoay.
Nanomboka tamin’ny 1945 ka hatramin’izao, dia misionera 191 no nanompo teto Paragoay. Enimpolo tamin’izy ireo no teto nandritra ny folo taona na mahery (anisan’izany ireo 22 izay manompo toy ny misionera saingy tsy nahazo diplaoman’i Gileada), ary amin’izao fotoana izao, dia misionera 84 no manompo eto. Any amin’ny faritra izay nampifantohany ny asany, manerana ny tapany atsinanana amin’i Paragoay, dia misy kongregasiona mandroso 61 ankehitriny.
Mba hanampiana eo amin’ny fanaovana fanambarana eto Paragoay, izay mbola Vavolombelona 1 isaky ny mponina 817 ny salanisa, dia nanendry mpisava lalana manokana sasany mba hanompo eto ireo sampana eto amin’ny manodidina. Misy Vavolombelona hafa koa avy any amin’ny tany maro, nifindra eto Paragoay. Avy any amin’ny faritra toa an’i Alemaina, i Angletera, i Aotrisy, i Arzantina, i Bolivia, i Brezila, i Danemark, i Espaina, i Etazonia, i Failandy, i Frantsa, i Italia, i Kanada, i Luxembourg, i Orogoay, i Silia, sy i Soeda ary i Soisa izy ireny. Nampiasa ny fananany sy ny fahaizany tamin’ny fomba maro izy ireny mba hampandrosoana ny asa fanambarana ilay Fanjakana. Ny sasany manompo any amin’ny faritany an-tanàn-dehibe; ny hafa manohy ny fanompoany any amin’ireo tanàna sy vohitra izay ahitana toe-piainana mbola tena tsotra. Ny ankamaroany dia mpisava lalana. Ny sasany nanampy tamin’ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy ny tranon’ny Sampana.
Nandritra ireo taona, i Paragoay dia nandray mpifindra monina avy any amin’ny firenena samy hafa. Tonga nanorim-ponenana any amin’ny faritra maro samihafa eto ireo mpifindra monina alemà, poloney, rosiana, ukrainien, japoney sy koreana. Izy ireny koa dia mahazo fanambarana avy amin’ireo misionera sy Vavolombelona hafa izay nifindra eto Paragoay.
Ahoana kosa ny amin’ireo olona mampiasa ny teny guarani? Mahaforona ny 90 isan-jaton’ny mponina izy ireny. Araka ny fanadihadiana vao haingana, dia 37 isan-jaton’ny Paragoyana no tsy mahay afa-tsy ny teny guarani. Ireo Vavolombelona eto an-toerana no manao ny ankabeazan’ny asa eo amin’ireny olona ireny, ary faly izy ireo manana bokikely amin’ny teny guarani mba hanampiana azy ireo hanatontosa izany asa izany.
Eo anivon’ireo Vavolombelona eto an-toerana, dia eo ireo izay efa nandany taona maro tamin’ny fanompoana manontolo andro. Nandritra ireo 36 taona naha-mpisava lalana manokana azy, i Edulfina de Yinde dia nanampy olona 78 ho tonga hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Faly izy mivady fa misy kongregasiona miroborobo dimy ao amin’ilay toerana nanompoan’izy ireo. I María Chavez koa dia nanampy olona maro nandritra ireo 39 taona nanompoany tamin’ny naha-mpisava lalana manokana.
Mbola an’arivony maro koa ireo tsy mpisava lalana, nefa be zotom-po eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Maro amin’izy ireny no mandeha an-tongotra lavitra be mba hamonjena fivoriana sy mba hanaovana fanambarana feno any amin’ny faritaniny any ambanivohitra. Mazàna izy ireny no miainga ao an-trano alohan’ny vao mangiran-dratsy, hankany amin’ny faritaniny, matetika mitondra “lasopy paragoayana” (sakafo maina) betsaka na koa tortillas (karazana mofo tampon-tsatroka) sy mangahazo. Amin’ny fito any ho any dia efa vonona hanomboka hanao fanambarana izy ireny, ary manohy saika mandra-pilentiky ny masoandro. Vizana izy rehefa tafody, nefa faly satria nanda tena hilaza tamin’ny hafa momba an’i Jehovah sy ny fikasany mahatalanjona.
‘Misotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina’ ireo mangetaheta
Araka ny voambara mialoha ao amin’ny Soratra Masina, dia atolotra ho an’izay rehetra maniry “hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”, ny fanasana. (Apok. 22:17). Olona an’arivony maro, izay nanaiky an’io fanasana io, no hita eto Paragoay.
Anisan’ireny i Herenia. Nobeazina ho Katolika izy ary mpino nafana fo an’ireo fombafomban’ny Eglizy sy finoanoam-poana ara-pivavahana. Natahotra mafy ny maty sy ny afobe mirehitra izy. Nino ireo fambara izy ary raiki-tahotra rehefa nahita na nandre izay noheveriny fa fambara ratsy. Roapolo taona no niainany tao anatin’izany tahotra izany. Avy eo, tamin’ny 1985, dia nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Arakaraka ny nandrosoan’ilay fianarana, no nitondran’ny ranon’ny fahamarinana famelombelomana lehibe ho azy, ka nanaitra tao anatiny ny faniriana hiaina mandrakizay ao amin’ilay Paradisa voalazan’ny Tenin’Andriamanitra mialoha.
Tamin’ny 1996, dia nanandrana ny ranon’aina koa ny vehivavy iray antsoina hoe Isabel, ao amin’ny tanànan’i Carapeguá. Tsy nifanaraka tamin’ny zavatra ninoany anefa ny zavatra hitany tao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, hany ka nangataka izy ny tsy hitsidihan’ireo Vavolombelona azy intsony. Namaky samirery ilay boky anefa izy, niresaka momba azy io tamin’ireo mpiara-monina taminy, ka rehefa nahita Vavolombelona indray izy, dia nisy olona avy tamin’ny fianakaviana efatra teo, naniry mafy ny hianatra bebe kokoa. Nihamangatsiaka ny ankamaroan’izy ireo rehefa nahazo ny faneren’ny mpitory pentekotista, kanefa nisy fanambarana tsara natao, hany ka nanohy nandray soa avy tamin’ny fahamarinana manome fiainana ilay vehivavy voalohany sy ny mpiara-monina hafa iray koa.
Tamin’ny fotoana voalohany nanolorana an’i Dionisio sy i Ana ny ranon’ny fahamarinana, dia nanao tokantranomaso toy ny olon-kafa maro izy ireo, ary nanao toy izany nandritra ny 20 taona. Nanomboka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Dionisio sy ny zanany vavimatoa tamin’ny 1986; nanohitra i Ana sy ireo zanakavavy roa hafa. Niangavy an’ireo Vavolombelona izy mba tsy hiresaka tamin’i Dionisio intsony, nandrahona ny hamono an’ilay Vavolombelona, nilaza fa hiantso polisy, ary nila hevitra tany amin’ny masera iray. Avy eo, dia nitory tany amin’ny fitsarana ny zaza tsy ampy taona i Ana, niorina tamin’ny hoe hahatandindomin-doza an’ilay zanany vavimatoa, hono, ny fianarana Baiboly. Rehefa fantatr’ilay mpitsara fa nanome araka ny tokony ho izy izay nilain’ny fianakaviany i Dionisio, raha ny marina, dia nanoro hevitra an’i Ana izy mba hiara-mandalina ny Baiboly amin’i Dionisio. Nanohitra i Ana tamin’ny filazana fa nampitandrina azy ilay masera namany hoe manao faharatsiam-pitondran-tena ny Vavolombelona any amin’ireo fivoriany. Nanome toky azy indray ilay mpitsara, izay vehivavy, ary avy eo dia nilaza hoe: “Isika Katolika dia milaza ho mahay Baiboly, kanefa raha ny marina, dia tsy mahay na inona na inona isika. Ny Vavolombelon’i Jehovah dia mianatra Baiboly. Raha izaho ianao mba mandalina ny Baiboly koa.” Avy eo, dia nanoro hevitra an’i Ana mba hisoratra amin’i Dionisio ilay mpitsara.
Taitra i Ana nandre izany, ka nandeha nitsidika indray an’ilay masera sady nangataka azy mba hiara-mianatra Baiboly aminy. Namaly ilay masera fa tsy nilaina izany. Ankoatra izany, dia nampirisika mafy
ny tsy hisoratan’i Ana amin’i Dionisio izy, kanefa matetika izy tamin’ny lasa no nilaza tamin’i Ana ny tokony hisoratany amin’i Dionisio, fony i Dionisio tsy nanaiky hanao izany. Tsy ela taorian’izay, dia narary mafy ny rain’i Ana. Nanampy be dia be an’ilay fianakaviana ny Vavolombelona teo an-toerana. Izany no nampiova zavatra teo amin’i Ana. Nanomboka nianatra izy ary nisoratra tamin’i Dionisio. Ankehitriny, folo taona eo ho eo atỳ aoriana, dia loholona i Dionisio, ary manompo amin-jotom-po an’i Jehovah ny fianakaviany manontolo.Nanohina ny fon’ny olona maro eto Paragoay ny fikirizana feno fitiavana. Tao amin’ny faritr’i San Lorenzo, ohatra, dia tsy nisy afa-tsy kongregasiona iray tamin’ny 1982. Na dia teo aza ny fandrarana, dia nandray anjara tamin’ny fanompoan’ny mpisava lalana ny mpitory maro; vokatr’izany, dia nanomboka voasa tsy tapaka ny faritanin’ny kongregasiona, anisan’izany ireo tanàn-dehibe teo akaiky. Nitahy ny zotom-pon’izy ireo i Jehovah. Ankehitriny dia misy kongregasiona sivy ao amin’izany faritra izany. Tsapan’i Werner Appenzeller sy i Alice vadiny fa ny fitomboana izay hitany nandritra ny fanompoany tao amin’io faritra io, no fifaliana lehibe indrindra ho azy ireo, nandritra ireo 40 taona nanompoany teto Paragoay.
Mitohy io fitomboana io, tsy ao amin’ny faritra iray monja, fa manerana an’i Paragoay. Tamin’ny 1996, dia notokanana tao amin’ny toerana iray, any amin’ny folo kilaometatra avy eto Asunción, ireo tranon’ny Sampana vaovao be. Misy Efitrano Fanjakana any amin’ny toerana maro eto Paragoay, ary atao tsy tapaka any amin’izy ireny ireo fivoriana hianarana Baiboly. Manohy mitsidika ny olona any an-tokantranony sy miresaka aminy eny an-dalana, ny Vavolombelon’i Jehovah. Mazoto manolotra ho an’ny karazan’olona rehetra ilay fanasana “hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”, izy ireo.
[Sary, pejy 210]
[Sary, pejy 213]
Nandray anjara tamin’ny fampidirana ny hafatra momba ilay Fanjakana teto Paragoay i Juan Muñiz
[Sary, pejy 217]
Julián Hadad, anisan’ny voalohany nanaiky ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly teto Paragoay
[Sary, pejy 218]
Jóvita Brizuela, natao batisa tamin’ny 1946, mbola mpisava lalana manokana
[Sary, pejy 218]
Sebastiana Vazquez, manompo an’i Jehovah hatramin’ny 1942
[Sary, pejy 222]
Nanompo teto Paragoay tamin’ny naha-misionera nandritra ny 40 taona, mandra-pahafatiny, i William Schillinger
[Sary, pejy 230]
Werner Appenzeller sy Alice vadiny, misionera nandritra ny 40 taona teto Paragoay
[Sary, pejy 233]
Faly noho ny Efitrano Fanjakanany (eto Asunción) — ilay voalohany naorina sy fananan’ny Vavolombelona teto Paragoay
[Sary, pejy 235]
Foibe Fanaovana Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah
[Sary, pejy 237]
Fanaovana fanambarana tamin’ny mpijinja fary iray tany Villarrica
[Sary, pejy 243]
Efitrano Fanjakana Fernando de la Mora (Norte)
[Sary, pejy 243]
Efitrano Fanjakana Vista Alegre (Norte), Asunción
[Sary, pejy 244, 245]
Tonga eto Paragoay ny mpiasa be zotom-po avy any amin’ny tany maro mba handray anjara amin’ny fanaovana fanambarana: 1) Kanada, 2) Aotrisy, 3) Frantsa, 4) Brezila, 5) Korea, 6) Etazonia, 7) Belzika, 8) Japon, 9) Alemaina
[Sary, pejy 246]
Ny sambo “El Pionero” eo amin’ny Ony Paragoay
[Sary, pejy 251]
Ny Trano Betela sy ny biraon’ny Sampana eto Paragoay, ao akaikin’i Asunción, ary ireo izay manompo ao
[Sary, pejy 252]
Komitin’ny Sampana (avy any ambony no midina): Charles Miller, Wilhelm Kasten, Isaac Gavilán