Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

Taratasy avy Amin’ny Fitambara-mpitantana

TSARA raha misaintsaina momba ireo fizotran-javatra tamin’iny taon-dasa iny ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, eo am-piandrasantsika izay mbola ho avy. Ary fahatsinjovan-javatra fatratra toy inona moa no napetrak’i Jehovah eo anoloantsika! Ho an’ny ondry vitsy, ireo voahosotry ny fanahin’Andriamanitra, dia eo ny tombontsoany ho mpanjaka sady mpisorona any an-danitra miaraka amin’i Jesosy Kristy. (Apok. 20:6). Ary ho an’ny ondry hafa, izay miisa dimy tapitrisa mahery ankehitriny, dia eo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, ka ny olona rehetra ao dia hahalala sy ho tia an’i Jehovah ary hanome taratry ny toetrany tsara eo amin’ny fifampiraharahany amin’izy samy izy. (Isaia 11:9; 1 Jaona 4:7, 8; Apok. 21:4). Nahoana i Jehovah no nanao izany fandaharana izany? Noho ny fitiavany sy ho fanehoana hatsaram-panahy lehibe amin’izay tsy mendrika akory, amin’ireo izay maneho finoana ny sorom-panavotana nomeny tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. — Jaona 3:16.

Tsy mahagaga raha nilaza ny apostoly Paoly fa “ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia [tsinontsinona akory raha oharina, NW ]” amin’izay napetrak’Andriamanitra teo anoloany. Ary tena mety ny fomba nilazalazany an’ilay ‘faniriana fatratra’ ho tsapan’ireo izay niandry ny porofo tsy azo lavina fa efa nanomboka nanadio ny tany ireo mpanjaka any an-danitra, sy ny fitsanganan’ny maty ary ny fitarihana ny olombelona nankatò ho amin’ny fahatanterahana. Izany dia hahatonga ny olombelona hahazo ilay “fahafahana [be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra, NW ]”. — Rom. 8:18-21.

Efa eo am-perinasa sahady io Fanjakana any an-danitra io. (Apok. 11:15-17). Manana ny tombontsoa hanao fanompoana ho azy io eto an-tany isika. Ny asa nanendrena antsika dia ny hilaza amin’ny hafa ny vaovao tsaran’io Fanjakana io. (Matio 24:14). Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana avy no tsy maintsy nanaovan’ireo rahalahintsika izany, nandritra iny taon-dasa iny? Tao anatin’ilay nambaran’ny Soratra Masina mialoha fa hampiavaka ny andro faran’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny. — Lioka 21:10, 11; 2 Tim. 3:1-5.

Nisy herisetra indray nifaoka namely an’i Albania nandritra ny volana maro. Andiana mpampihorohoro nirongo fiadiana maro no nangalatra, nanimba ny fananan’ny hafa, nisavika ary namono olona. Kanefa ireo rahalahintsika dia tsy nitsahatra ny nitory ny vaovao tsara. Nisy fifamelezana nanenika faritra maro tany Afrika, ary nanimba ny andry iankinan’ny ain’ny faritra sasany any Amerika Latina sy Azia Atsimo-Atsinanana. Na dia nihazona fialanalanana kristiana tanteraka aza ireo rahalahintsika, dia maty ny sasany taminy noho ilay herisetra, ary koa noho ny aretina nanaraka ilay ady. Maro no voatery namela ny fananany rehetra sy nandositra tany anaty ala, ary niampita ny sisin-tany mihitsy aza, mba hitadiavana fialokalofana. Nisy tondra-drano namely ny faritra sasany tany Polonina, tany amin’ny République tchèque, tany Italia ary tany Etazonia. Nisy horohoron-tany iray nandrava Efitrano Fanjakana roa tany Venezoela. Namoaka lavenona sy fotaka ary vato nahamay ny volkano iray tany Montserrat, ka nanery ny maherin’ny antsasaky ny mponina handao an’io nosy io. Tany amin’ny toerana maro, ny olona dia niharan’ny fahasahiranana ara-bola mafy, ary noho ireo mpanendaka, dia mampidi-doza ny fanaovana firavaka, ary na dia famantaranandro aza, eny amin’ny arabe.

Eo anivon’izany rehetra izany, ary na dia eo aza ny tsy firaharahan’ny ankabeazan’ny olona any amin’ny tany tandrefana, dia tsy mitsaha-mitory ny Vavolombelon’i Jehovah. Ahoana no ahafahany manao izany? Tohanan’ny fitiavan’i Jehovah izy ireo, sy ny fitiavana lalin’ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany, ary ny fahatakarana tsara fa samy manondro tsy misy diso ny fahantomoran’ny faran’ny fandehan-javatra tranainy ireo fisehoan-javatra rehetra amin’izao androntsika izao. — Rom. 8:35-39; 1 Pet. 4:7, 8.

Na dia mihamafy aza ny fiainana noho ny toe-javatra miharatsy, ireo rahalahintsika dia manohy mivory amin-kerim-po any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona sy fivoriambe. Ny andinin-tenintsika ho an’iny taon-dasa iny dia hoe: “Ampianaro hanao ny sitraponao aho”. (Sal. 143:10). Be dia be amin’izany fampianarana izany no atao any amin’ireo fivoriana, ary i Jehovah dia namahana antsika tsara tamin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky, nandritra iny taona iny. Rehefa nampihatra ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka tany Albania ny fitondram-panjakana tany, ireo rahalahy dia namindra ireo fivoriana ho amin’ny antoandro, ary ireo iray fianarana ny boky no niara-nivory. Avo roa na telo heny noho ny isan’ny mpitory ny isan’ny mpanatrika. Tao anatin’ny fanjakan’i Baroa sy ny fandrobana ary ny vonoana olona, ireo rahalahintsika dia mbola niara-nivory tsy tapaka ihany tany Sierra Leone. Rehefa voatery nandositra tany anaty ala ireo rahalahy tany Sri Lanka, na nipetraka tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana, toy ny tany Côte d’Ivoire, dia nisy fandaharana natao mba tsy ho diso anjara izy ireo raha ny amin’ny fandaharan’ny fivoriambe.

Noho ny fisafotofotoana mihamanjary miely patrana, dia tsy fotoana hanamaivanana ny fanatrehantsika fivoriana izao, na hiheverana fa ampy ny fankanesana any amin’ny Efitrano Fanjakana indray mandeha isan-kerinandro. Ny Soratra Masina dia mampirisika antsika ‘tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, fa hifampahery kosa, ary vao mainka aza tokony hanao izany isika, satria hitantsika fa mihantomotra ny andro’. (Heb. 10:24, 25, NW ). Mahafantatra izay ilaintsika i Jehovah.

Tamin’iny taon-dasa iny, dia nisy tampon’isa vaovao teo amin’ny olona 375 923 natao batisa ho fanamarihana ny fanolorany tena ho an’i Jehovah. Antom-pifaliana re izany! Mbola mihatra ihany ny tenin’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Jaona 4:35, manao hoe: “Atopazy ny masonareo, ka jereo ny eny an-tsaha, fa efa masaka sahady hojinjana izy.” Noho izany, dia tsy mitsaha-mandroso isika eo amin’ny fitoriana. Na maro ny isany na vitsy, ny ain’ireo izay mitodika any amin’i Jehovah dia sarobidy. (Lioka 15:7). Eny tokoa, misaotra an’i Jehovah isika satria nanan-tombo iray tapitrisa mahery ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’iny taon-dasa iny!

Ny andinin-tenintsika ho an’ny taona 1998 dia mampahatsiahy antsika fa ilaina ny manampy olona an-tapitrisany maro hafa hanoina ilay antso hoe: “Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena.” (Rom. 10:13, NW ). Ny vavaka mafy ataonay dia ny mba samy handraisan’ny rehetra ao anatin’ny fandaminana anjara amin’ny fitoriana, mandritra izao taom-panompoana vaovao izao, ka hampiseho ny halalin’ny fankasitrahantsika noho izay rehetra nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany.

Mampita ny fitiavanay kristiana mafana ho an’ireo mpiara-manompo aminay maneran-tany izahay.

Ireo rahalahinareo,

Fitambara-mpitantan’ny Vavolombelon’i Jehovah