Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Tatitra Maneran-tany

Fampamirapiratana Ilay Fahazavana

Iray tamin’ireo zava-mahatalanjona fito teo amin’ny tontolo fahiny ny Tilikambo Fanilon-tsambon’i Alexandrie, izay nijoalajoala teo amin’ny nosin’i Pharos, teo amin’ny seranan’i Alexandrie, any Egypta. Nandritra ny 1 500 taona teo ho eo, io fahazavana io dia nitarika soa aman-tsara an’ireo mpandeha an-dranomasina.

Nisy fahazavana lehibe lavitra noho io anefa nampahafantarina, rehefa nilaza i Jesosy Kristy hoe: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao”. (Jaona 8:12). Tamin’ny fanomezana fahazavana ara-panahy momba ny fikasan’Andriamanitra, dia nampianatra ny olona ny fomba fiaina sy ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay izy, ary izay nampianariny dia mbola mandrisika ho amin’ny tsara ihany, mandraka ankehitriny. Ankoatra izany, dia nampianatra ny mpianany momba ny andraikitr’izy ireo toy izao izy: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” Moa ve tamin’ny firesahana tamin’ny hafa fotsiny no tokony hampitan’izy ireo izany fahazavana izany? Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.” — Matio 5:14-16.

Olona maro eo amin’izao tontolo izao no manaiky fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia olona mpanara-dalàna, tia ny fianakaviany, manana fitsipi-pitondran-tena ambony, ary marisika mitory ny hafatry ny Tenin’Andriamanitra. Kanefa, misy koa olona manohitra ny asantsika sy hanao izay rehetra azony atao mba handotoana ny lazan’ny vahoakan’i Jehovah sy hanakantsakanana ny ezaka ataontsika mba hampamirapiratana ilay fahazavana. Manao izany izy amin’ny fanomezana filazana tsy marina sy feno lainga ary manoso-potaka, momba ny Vavolombelon’i Jehovah, an’ireo olona ambony ao amin’ny fitondrana sy ny mpiasan’ny fampitam-baovao. Mba hanitsiana izany fampisehoana amin’ny fomba diso izany, tamin’ny Febroary 1997, ny Fitambara-mpitantana dia nanaiky ny hananganana Birao Mifandray Amin’ny eny Ivelany, eo ambany fiandraiketan’ny Komitin’ny Fanoratana. Misy sampan’asa momba ny fampahalalam-baovao ankapobe koa miasa any amin’ireo biraon’ny sampan’ny Fikambanana.

Aharihary ny asa soa

Ny zava-kendren’io fandaharana io dia ny hanao zavatra mialoha, amin’ny fanomezana ny mpiasan’ny fampitam-baovao sy ny mpanabe ary ny olona ambony ao amin’ny fitondrana, ary koa ny vahoaka amin’ny ankapobeny, fomba fijery araka ny marina momba ny zavatra inoantsika sy ataontsika. Tsy fandaharana natao mba hireharehan’ny Vavolombelon’i Jehovah akory io. Manome voninahitra an’i Jehovah izy ireo; ary ny fomba iray anaovan’izy ireo izany dia amin’ny famelana ny hafa hahita ny asa soa ataony, izay manome taratry ny fari-pitsipika ambonin’i Jehovah. — 1 Kor. 1:31.

Noho izy ireo manaraka ny foto-pitsipiky ny Baiboly, ny vahoakan’i Jehovah, na isam-batan’olona na amin’ny fitambarany, dia mpikambana sarobidy ao amin’ny fiaraha-monina misy azy. Mihoatra noho ilay fitoriana isan-trano ahafantaran’ny olona antsika tsara ny asa ampahibemaso ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa mahafantatra tsara ny asa soa ataontsika ireo olona sy fikambanana matihanina, dia azo inoana kokoa ny hananany fihetsika manorina, rehefa mahita azy ireny eo amin’ny fanompoana eny amin’ny saha isika.

Fanampiana vonjy rano vaky

Ny fomba iray ampisehoantsika ampahibemaso hatsaram-po amin’ny mpiara-monina amintsika dia ny fandraisantsika anjara amin’ny fanampiana vonjy rano vaky amin’ny fotoan’ny loza. Ohatra, ho an’ny olona any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (Zaïre taloha), ny ekipa iray, tsy nisy afa-tsy Vavolombelon’i Jehovah, dia nandamina asa fanasoavana ny mpiara-belona aminy, tamin’ny 1997. Noho ny fanampian’ny Vavolombelon’i Jehovah an’arivony maro tany Belzika sy Frantsa ary Soisa, ireo mpitsoa-ponenana dia nomena hanina, fitafiana, vitamina ary fanafody taonina maromaro, ary koa kiraro 18 500 sy bodofotsy 1 000, izay samy nalefa fiaramanidina nankany Afrika avokoa. Efa ho iray tapitrisa dolara (amerikana) ny tontalim-bidin’ireo entana nomena. Ireo entana ireo dia nalefa voalohany indrindra ho fanomezana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa nozaraina tamin’ny hafa koa izy ireo. — Gal. 6:10.

Ny biraon’ny sampan’i Frantsa dia nomena fanampiana teo amin’ny fanomanana bokikely iray nanome tsipiriany momba io asa io. Nozaraina tamin’ireo olona ambony tao amin’ny fitondrana sy mpiasan’ny fampitam-baovao io bokikely io, mba hanomezana azy ireo ohatra ny amin’ny fomba manorina sy azo tsapain-tanana anampian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona mila izany. Olona ambony maromaro no naneho fankasitrahana tamim-pahatsoram-po noho io fanazavana io. Nampiaiky volana azy ireo indrindra ny zavatra natao mba hahazoana antoka fa ho azon’ireo izay nila azy ary hozaraina tsy nisy fiangarana, ireo entana.

Fanatsarana ny fiainam-pianakaviana

Ny faharavan’ny fiainam-pianakaviana dia manome enta-mavesatra ho an’ny fanjakana ary mampanahy an’ireo olona ambony. Talohan’ny nanelezana ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana, dia nisy ezaka tamim-piraisan-tsaina nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Failandy, mba hanatonana mivantana an’ireo lehiben’ny faritany, ben’ny tanàna, mpikarakara ny asa fanasoavam-bahoaka ary ireo mpanonta gazety. Ny zava-kendrena dia ny mba hanazava ny zavatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fanampiana omen’ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana an’ireo fianakaviana. Ho vokany, dia gazety 120 teo ho eo no namoaka lahatsoratra manorina momba ilay raharaha. Saika ny ben’ny tanàna sy ny olona ambony hafa rehetra no nandray ilay boky sy nampanantena ny hamaky azy.

Tao amin’ny tanàna iray tany Litoania, izay tsy misy afa-tsy mpitory vitsy monja, dia nandeha nitsidika ny ben’ny tanàna koa ny Vavolombelona mba hanomezana azy ilay boky sy hanazavana ny asantsika. Nampiaiky volana an’ilay ben’ny tanàna ilay izy, ka nanontany an’ireo rahalahy izy raha nanana toerana fanaovana fivoriana tsy tapaka tao amin’ilay tanàna izy ireo. Noheveriny mantsy fa zava-dehibe ny hahazoan’ny olona izany fanazavana izany. Rehefa nanazava izy ireo fa vitsy kely izy ireo ary tsy nanana toeram-pivoriana, dia nampirisihiny hanomboka hanao ny fivoriany ihany. Noho izany fampirisihana avy tamin’ilay ben’ny tanàna izany, dia nanomboka nandamina fivoriana tsy tapaka tao Skuodas ireo Vavolombelona tao.

Zava-misy momba ilay Fandripahana Tambabe

Tato anatin’ireo taona faramparany, dia nanehoan’ireo olona ambony sy mpahay tantara ary mpampianatra, fiheverana indray ireo fisehoan-javatra tamin’ny andron’ny Nazia sy ny Fandripahana Tambabe. Ny Vavolombelon’i Jehovah no iray tamin’ireo olom-bitsy sahy nanohitra tsy tapaka ireo habibiana nataon’ny fitondran’i Hitler. Ny tantaran’io toerana notanan’izy ireo io dia nisarika ny fahalianan’ireo manam-pahaizana ambony. Nisy bokikely tari-dalana iray navoaka, ary koa kopia 28 minitra amin’ny vidéo La fermeté des Témoins de Jéhovah face à la persécution nazie, natao hojerena an-dakilasy, mba hanampiana an’ireo mpanabe hampianatra momba ireo fisehoan-javatra nifandray tamin’ilay Fandripahana Tambabe. Manasongadina ireo raharahan’ny fitondran-tena sy ny fitsipika harahina apoitran’iny zava-mahonena iny ireo fitaovana ireo. Hanampy ny mpampianatra koa izy ireo hampiseho amin’ny mpianany, ohatra tsara iray ny amin’ny antokon’olona iray izay niatrika nivantana ny faneren’ny hafa sy ny tsy fandeferana ary ny feon’ny fieritreretana. Nisy mpampianatra any amin’ny ambaratonga faharoa sy ny oniversite, naneho faniriana mafy hahazo ireo fitaovana ireo.

Ny vidéo Fermeté dia naseho voalohany tao amin’ny Toerana Fahatsiarovana ny Toby Fitanan’i Ravensbrück, 60 kilaometatra any avaratr’i Berlin, any Alemaina. Nisy olona ambony tao amin’ny fitondrana sy olo-manan-kaja hafa teo, ary koa mpahay tantara sy olona tsy maty tamin’ny fanenjehan’ny Nazia. Tsara ny resaka nataon’ny besinimaro nanodidina an’iny fampisehoana voalohany iny. Gazety 99 sy radio lehibe roa no nanao tatitra momba ilay tantara. Aseho any amin’ny tanàn-dehibe maherin’ny 150 any Alemaina ankehitriny ny vidéo Fermeté, ary olona maro no maneho fahalianana.

Tamin’ny May 1997, tany Moscou, any Rosia, dia nisy rahalahy roa nandray anjara tamin’ny fivoriana niraisam-pirenena nataon’ny manam-pahaizana, nampianarana momba ilay Fandripahana Tambabe. Niresaka momba ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny andron’ny Nazia izy mirahalahy ireo, ary nanasongadina fa ny Vavolombelona dia nampianarina mba hihevitra ny olombelona rehetra tsy misy fizahan-tavan’olona. — Asa. 10:34, 35.

Tamin’ny fisehoan-javatra iray hafa, ny Vavolombelona folo tsy maty tamin’ny fanenjehan’ny Nazia tany Rosia sy Ukraine ary Alemaina dia nanatrika valandresaka ho an’ny mpanao gazety sy ny fampisehoana voalohany tao Moscou ny vidéo Fermeté tamin’ny teny rosiana. Ny Vavolombelona roa tsy maty tao amin’ny toby fitanan’i Stutthof, ka ny iray avy tany Alemaina ary ilay faharoa avy tany Ukraine, dia nifandray an-tsoratra foana hatramin’ny nanafahana azy ireo tamin’ny May 1945. Tafaray indray izy ireo tao Moscou, rehefa afaka 52 taona! Taorian’ilay valandresaka, dia nanatona an’ireo rahalahy ireo mpanao gazety, naka sary sy nandray feo ny fanadinadinana azy ireo. Ranomaso sy tehaka naharitra no nandraisan’ny olona ilay vidéo Fermeté. Nitana ny sain’ny mpiasan’ny fampitam-baovao sy ny mpanabe ilay fisehoan-javatra. Ireo mpanao gazety rosiana, izay mazàna no nanao teny tsy nanorina momba ny Vavolombelona teo aloha, dia nilaza zavatra nanorina momba ny tantarantsika sy ny asantsika. Hoy ny gazety iray: “Maro no nosamborina sy nalefa tany amin’ny toby fitanana ary novonoina ho faty. Na dia izany aza anefa, dia nahery kokoa ny herim-pon’olombelona, notohanan’ny finoana an’Andriamanitra. Tena zavatra tsara ny nahitana olona hanao iny sarimihetsika iny, satria izany dia nampiharihary tamin’izao tontolo izao ny pejy iray tsy fantatra firy teo amin’ny tantaran’ny fanoherana ny Nazisma. Misaotra azy ireo izahay.”

Fanaovana ny dingana voalohany

Matetika ny mpanao gazety mahay mandray andraikitra no hanao tatitra tsy miangatra sy araka ny marina, raha misy miara-miasa aminy sy manome azy fanazavana. Ohatra, rehefa nanafika ny Efitrano Fanjakana iray ny mpirotaka ara-pivavahana tany Israely, dia nisy ezaka natao mba hampahafantarana ny mpiasan’ny fampitam-baovao momba ilay zava-niseho. Nisy gazety maromaro sy televiziona iray nanao tatitra momba ilay asa fanamboarana ny simba, nataon’ny Vavolombelona 15 mpizaha tany nanao dia an-tsambo. Io tatitra tao amin’ny vaovao io dia nampiseho ilay fifanipahan-javatra lehibe eo amin’ireo izay mihambo fotsiny ho mino an’Andriamanitra sy ireo izay tena miaina araka ny fampianaran’Andriamanitra.

Tany Zambia, ny mpanao gazety iray dia nanao lahatsoratra an-gazety iray izay nampifandray ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Satanisma. Nomena fanampiana sy toro lalana ny biraon’ny sampana mba hifandray tamin’ny mpanonta ilay gazety, izay nomena “taratasy ho an’ny mpanonta gazety” iray natao andrana. Notolorana ny boky Fahalalana sy ny bokikely Fanahin’ireo Maty izy, ary nampanantena ny handamina ilay raharaha. Ny ampitso, teo ambanin’ny lohateny hoe “Ny Vavolombelon’i Jehovah Manohitra ny Satanisma”, dia natonta tsy nisy fiovana ilay taratasy ho an’ny mpanonta gazety.

Noho ny fampisehoana amin’ny fomba diso sy ny filazana diso, dia ampifandraisin’ny olona any amin’ny tany eoropeana sasany amin’ny sekta mampidi-doza ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy biraon’ny sampana nomena fanampiana mba hanome valin-teny izay hanazava ny zavatra ataon’ny fandaminantsika, sy hampitony ny tahotra mety ho tsapan’ny fanjakana momba antsika.

Mifanohitra amin’ny haizina ara-panahin’izao tontolo izao, ny fahazavan’ny fahamarinana dia mbola mamirapiratra ihany. Tena mety tsara àry ny tenin’ny apostoly Paoly ao amin’ny Filipiana 2:15, manao hoe: ‘Miseho ho tahaka ny fahazavana eo amin’izao tontolo izao ianareo’! Mivavaka isika mba hahazoana ny fitarihan-dalana sy ny fitahian’i Jehovah eo amin’ireo ezaka atao mba hanitsiana ireo hevi-diso sy fitsarana an-tendrony momba ny fandaminana sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Antenaina fa ny fanohizana ‘mampamirapiratra ny fahazavantsika’ amin’izany fomba izany dia hampitombo ny fiderana an’i Jehovah, izay manazava ny lalantsika. — Sal. 36:9.

Afrika

I Afrika dia kontinanta iray ampiasana fiteny maro — tsy ireo avy tany Eoropa ihany, fa 750 hafa eo ho eo koa. Ny fikasan’i Jehovah feno fitiavana dia hoe mba ho anisan’ireo izay hovonjena amin’ny “fahoriana lehibe” ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy ‘avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny’. (Apok. 7:9, 14). Midika izany fa mila fahafahana hianatra momba an’i Jehovah izy ireo. Mba hahafahan’izy ireo, tsy hoe handre fotsiny, fa hahazo fahalalana araka ny marina momba ny lalan’Andriamanitra koa, ny Fikambanana dia mamoaka zavatra vita an-tsoratra amin’ny 127 amin’ireo fiteny ampiasain’ny Afrikana indrindra. (1 Tim. 2:3, 4). Sivy amin’ireo fiteny ireo no nanampy tamin’iny taom-panompoana lasa iny, ary misy zavatra vita an-tsoratra adika amin’ny fiteny 11 hafa koa amin’izao isika miteny izao. Tamin’iny taona iny, tany Tanzania sy Kenya, dia navoaka tamin’ny teny swahili ny Écritures grecques chrétiennes — Traduction du monde nouveau (Soratra Grika Kristiana — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao). Navoaka tany Botswana sy Afrika Atsimo tamin’ny teny tswana koa izy io.

Ny iray tamin’ireo zava-nisongadina tamin’iny taona iny tany Angola dia ny fahazoana sy ny fampielezana ny boky Fahalalana sy ny bokikely Takina tamin’ny telo amin’ireo fiteny any an-toerana — kimbundu sy kikongo ary umbundu. Manampy an’ireo mpitory hampiasa fomba fampiseho tsotra sy mivantana, ary hanomboka fampianarana Baiboly dieny eo amin’ny fitsidihana voalohany, ireo fitaovana ireo. Nahatratra tampon’isa vaovao ny fampianarana Baiboly any Angola — 71 000 — izany hoe maherin’ny roa isaky ny mpitory. Niavaka koa ny fitomboan’ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana, satria nahatratra 16 isan-jato! Ao Luanda, renivohitra, sy manodidina azy, dia misy kongregasiona 350, mizarazara ho fizaran-tany 17, ankehitriny.

Nitory tamin’ny mpandeha an-tongotra hafa teny an-dalana ny anabavy iray tany Etiopia. Tsy fantany anefa fa nisy olon-kafa iray nihaino tao aoriany. Rehefa avy nanaraby ilay hafatra ny hafa, dia nanatona azy io lehilahy nanetry tena io, ka nangataka fianarana Baiboly. Isaky ny fianarana izy dia tsy maintsy nanao dia an-tongotra adiny sivy nandroso sy adiny sivy niverina. Rehefa naniry ho tonga mpitory izy, dia nasaina hitsidika azy ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Toy inona moa ny fahagagan’io nahita olona 30 niandry azy! Efa nizara izay nianarany tamin’ny hafa io mpianatra Baiboly io. Nanana fanontaniana maro izy ireo, ary naharitra hatramin’ny telo maraina ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo. Mbola tsy niresaka tamin’ilay mpianatra Baiboly momba ireo fepetra hofenoin’ny mpitory vaovao akory anefa ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany. Nanana fotoana hafa tsy maintsy novonjeny izy, ka tsy maintsy nandeha tamin’iny maraina iny. Niara-nandeha an-tongotra taminy ilay mpianatra Baiboly, ary dia nametraka fanontaniana taminy teny am-pandehanana ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany. Tamin’ny farany, dia nilaza tamin’ilay mpianatra ny Baiboly izy fa fenony ireo fepetra. Nivavaka izy ireo ary nisaraka. Natao batisa tamin’ny Janoary 1997 iny lehilahy nanetry tena iny. Mbola manao dia an-tongotra lavitra be ihany izy — adiny 12 mandroso sy miverina — mba hanatrehana fivoriana.

Tato anatin’ireo taona faramparany, ny saha tany Burkina Faso dia nahitana firohotry ny misionera maro be; 42 izao no manompo any amin’io tany atsimon’i Sahara io. Ny sasany aminy dia nanatrika ny Sekolin’i Gileada na ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, talohan’ny nandraisany io fanendrena io. Ny hafa kosa dia mpisava lalana nahazo ilay fampiofanana azon’ny vahoakan’i Jehovah rehetra any amin’ny Efitrano Fanjakanany, fotsiny. Naneho fahafoizan-tena lehibe ny mpisava lalana hafa avy tany Frantsa, nefa natoky an’i Jehovah, ka nianto-tena mba hifindra honina mba hanompo eto, izay ilana fanampiana kokoa. Tena nitahy ny ezaka nataon’ireo mpitory ny Fanjakany be zotom-po ireo tokoa i Jehovah.

Ny vehivavy iray tao Harare, any Zimbabwe, dia nanomboka niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny boky Hiaina Mandrakizay. Kanefa dia niampanga azy ho nandanilany foana ny volan’ny fianakaviana tamin’ny fividianana boky tsy misy antony, ny vadiny. Nampirisihiny hifanerasera tamin’ny fivavahana iray hafa izy. Tatỳ aoriana, dia nandeha nipetraka tany amin’ny tranony tany ambanivohitra tany Chendambuya, izy ireo. Tany ilay fianakaviana dia voan’ny tazo. Teo am-pandriana ilay rangahy dia naka Ny Tilikambo Fiambenana tranainy iray, izay notahirizin’ny vadiny. Avy eo dia namaky ny boky Hiaina Mandrakizay izy. Tiany be ilay izy. Nanontany azy ny vadiny raha afaka niara-namaky azy io taminy. Koa niara-nianatra àry izy ireo. “Mampianatra izany ve ny ao amin’ilay fiangonana vaovao alehanao?”, hoy ilay rangahy nanontany ny vadiny. “Tsia”, hoy ilay ramatoa. “Aza mandeha any intsony”, hoy ilay rangahy. “Tsy maintsy mitady an’ilay fiangonana mamoaka itony boky itony isika.” “Ka io ange ilay fiangonana tsy navelanao halehako intsony e”, hoy ilay ramatoa nampahatsiahy ny vadiny. “Fantatro izany, fa andeha hotadiavintsika ihany izy ireo.” Noho ny fangatahany, dia nisy Vavolombelona iray nitsidika azy ary avy hatrany dia natomboka ny fianarana tamin’ny boky Fahalalana. Tao anatin’ny iray volana, dia vitan’izy ireo ilay boky. Natao batisa tamin’ny Aogositra, tamin’ny fivoriamben’ny distrika, izy mivady.

Fomba amam-panao momba ny fandevenana eo an-toerana no anisan’ireo “zavatra miorim-paka mafy” tsy maintsy iadian’ireo rahalahintsika any Sénégal. (2 Kor. 10:4, 5, NW ). Ireo fombafomba momba ny fandevenana matetika dia misy fanao mifandray amin’ny finoana hoe tsy mety maty ny fanahy. Rehefa maty ny Vavolombelona iray 89 taona, vao haingana, tao amin’ny tanàna kely iray akaikin’i Dakar, dia nandrara ny hanarahana ireo fombafomba nifanipaka tamin’ny Baiboly ny zanany lahy. Araka ny fomba amam-panaon’ilay foko, dia tokony hanome lamba fotsy iray hanaronana ilay faty alohan’ny fandevenana, ny filoham-pianakaviana. Kanefa, alohan’ny hampiasana ilay lamba, dia tokony handrovitana tapany iray, izay hotapatapahina, ilay izy, ka hafatotra eo amin’ny hatotanana sy ny tendan’ireo mpianakaviny ireo tapatapany. Tsy mampahafantatra azy ireo ho anisan’ireo mpianakavy fotsiny izany, fa inoan’ny olona ho miaro azy ireo tsy hampahatezitra an’ilay maty koa. Ny fianakavian’ilay rahalahintsika no voalohany tsy nety nanaraka io fombafomba io, ka nahatalanjona ny iray tanàna. Hoy ny nomarihin’ny mpanolo-tsaina katolika iray: “Ny zavatra niezahanay natao nandritra ny 15 taona dia vitan’ny Vavolombelon’i Jehovah tao anatin’ny iray andro. Amiko, dia manana hery hafa manosika azy izy ireo.” Olona maherin’ny 400 avy tamin’io tanàna-nosy io no nanatrika ny fandevenana iny renim-pianakaviana be taona iny. Maro ankehitriny no mametraka fanontaniana ara-baiboly sy mahazo valiny mahafa-po.

Ireo rahalahintsika any Zaïre (Repoblika Demokratikan’i Congo ankehitriny) dia nahazo fampiononana lehibe avy tamin’ny Salamo 112:7, izay amakiana hoe: “Tsy mba manahinahy hahare loza izy; tafatoetra matoky an’i Jehovah ny fony.” Nanomboka tsara tamin’ny tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 104 134 ilay taom-panompoana. Avy eo, dia nipoaka ny ady tany amin’ny faritra atsinanan’ilay tany ary niely hatrany andrefana. Tsy afaka nifandray tamin’ireo izay tany amin’ireo faritany teo an-tanan’ny miaramila ireo rahalahy tao amin’ny biraon’ny sampana tao Kinshasa. Kanefa dia nisy mpiandraikitra ny fizaran-tany 180 sy mpiandraikitra ny distrika 11 nanerana an’ilay tany, nanatanjaka sy nampahery an’ireo rahalahy. Hoy ny nosoratan’i Hakizimana Musa, iray tamin’ireo mpiandraikitra ny fizaran-tany: “Mieritreritra ny Salamo 46:1 matetika aho, rehefa eny ambony bisikiletako handeha hitsidika an’ireo rahalahy. Fantatro fa mila fampaherezana izy ireo amin’izao andro sarotra izao. Indraindray aho dia mahita trano kilan’ny afo ary efa nandositra ny rehetra — na ny vorona aza dia lasa koa! Nosakanan’ny miaramila aho ary nampitandremany tsy hanohy, noho ilay loza. Na dia natahotra aza aho ary nidobodoboka mafy ny foko, dia nanonona vavaka iray aho ary nanohy ihany, mba ho any amin’ilay kongregasiona nanaraka.”

Tsy afaka nandefa fanampiana vonjy rano vaky tany amin’ireo faritra teo an-tanan’ny miaramila ny biraon’ny sampana. Tena velom-pankasitrahana anefa ireo rahalahy tany, rehefa nisy ekipa-na Vavolombelona avy tany Eoropa tonga, nitondra ireo fanampiana nilaina. Tamin’ny May 1997, dia resy i Kinshasa, renivohitra. Rehefa nahita sary nanaitra sy nampihoron-koditra nampiseho mpitsoa-ponenana nampahantraina sy maty mosary noho ny ady, ireo mpijery televiziona maneran-tany, ny vahoakan’i Jehovah kosa dia nialanalana hatrany, tamin’ilay fifandonana. Na dia teo aza ny hanoanana sy ny aretina ary ny fialana tamin’ny fonenany, dia tsy nitsahatra nanambara tamim-pilaminana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Angamba toa tsy dia zava-dehibe tany amin’ny faritra sasany amin’ny tany ny fivoahan’ny bokikely Takina tamin’ny teny uruund. Noho ny fampiasana azy io teto anefa, ny kongregasiona iray nisy mpitory 56 dia nanomboka fampianarana Baiboly 150, mba hanampiana olona izay tena nila ilay fanohanana izay Andriamanitra ihany no afaka manome azy.

Ny mpisava lalana iray tany Nizeria dia nampiasa ny bokikely Takina, mba hitoriana tamin’ny olona iray niara-nandeha taxi-brousse taminy. Niara-nidinika momba ny hevitra sasany tao amin’ilay lesona hoe “Fanao Izay Halan’Andriamanitra” izy ireo. Nihaino tsara ilay rangahy, nametraka fanontaniana, ary nandray bokikely iray. Rehefa nijanona mba hisakafo tao amin’ny hotely iray izy ireo, dia nitodika tany amin’ilay mpisava lalana ilay rangahy, ka nampiseho azy fonosan’entana iray. “Inona no ao anatin’io?”, hoy ilay mpisava lalana. “Vola. Tsy fantatro anefa hoe ohatrinona no ao, satria tsy ahy izy io, fa nalaiko tao amin’ny iray tamin’ireo entana ao andamosin’ilay taxi-brousse.” Noho izay nasehon’ilay Vavolombelona azy tao amin’ilay bokikely, izao izy dia naniry hamerina ilay vola tamin’ny tompony. Nahafantatra ny fananany avy hatrany ilay tompony, izay mpivarotra iray mbola tanora. Nisy vola 150 000 naira (tokony ho 8 900 000 FMG) tao amin’ilay fonosan’entana. Nanaraka azy nandritra ny 500 kilaometatra ilay rangahy naka ilay vola. Nasainy nisaotra an’ilay mpisava lalana ilay mpivarotra, satria ilay bokikely no nampiova hevitra azy. Talanjona ilay mpamily sy ny mpandeha hafa, ka naniry hahazo ilay bokikely koa. Tsy namela ny Vavolombelona hiresaka taminy mihitsy io mpivarotra io taloha, nefa izao izy dia naniry fianarana Baiboly.

Azia sy Ireo Nosin’i Pasifika

Ny kontinantan’i Azia dia ahitana ampahany lehibe amin’ny mponin’ny tany. Fanampin’izany, dia eo koa ireo nosy an’arivony maro — ny sasany lehibe, ny hafa kely — miparitaka eran’ireo ranomasimbe. Na aiza na aiza misy olona, dia miezaka hitondra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any aminy ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ny hasarobidin’ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly eny an-tanan’ny olona, dia asehon’izao fanandraman-javatra manaraka avy any amin’ny nosy iray eo atsimo-atsinanan’i Inde izao. Teo am-piandohan’ireo taona 1980, ny Vavolombelona iray tany Sri Lanka dia nametraka boky Hiaina Mandrakizay tamin’ny lehilahy iray nipetraka tao amin’ny tanàna iray tsy nisy Vavolombelona. Tamin’ny 1985, dia nanomboka namaky ilay boky samirery izy, ary nahafantatra fa io no fahamarinana. Avy eo, dia niara-namaky azy io tamin’ny fianakaviany izy, no sady nanomboka namaky sy niresaka azy io tamin’ireo namany akaiky. Tsy ela dia nisy olona 11 niara-nivory tao an-tranony mba hiresaka momba ilay fanazavana. Nanapa-patorana tamin’ny fivavahan-diso izy ireo, ary nahalala fa tokony hitory tamin’ny hafa koa. Tamin’ny Janoary 1997, dia nahazo taratasy nangataka fanampiana, avy tamin’izy ireo, ny biraon’ny sampana.

Rehefa nirahina hitsidika azy ireo ny mpivady mpisava lalana manokana iray, dia nangataka mafy izy ireo hoe: “Afaka mampianatra anay hivavaka ve ianareo, aza fady?” Taorian’ny fanontaniana maro sy ny fiaraha-midinika be dia be, dia nasaina hijanona tamin’ny alina ireo mpisava lalana. Ny ampitso, tamin’ny enina maraina, ireo mpisava lalana dia nofohazin’ilay tompon-trano taitaitra be sady may ny hahazo valiny ho an’ny fanontaniana hafa koa. Tamin’ny sivy ora maraina, dia olona 16 no tonga tao amin’ilay trano. Nisy lahateny ampahibemaso iray natao an-tehaka, nisy fanontaniana hafa koa novaliana, ary tamin’ny farany, tamin’ny roa ora tolakandro, dia afaka nanomboka ny diany hody amin’izay ireo mpisava lalana. Misy fivoriana atao tsy tapaka ankehitriny any amin’io faritra io.

Teny an-dalana hihaona tamin’ny Vavolombelona iray hafa ny anabavy iray tany Liban, dia nahita vehivavy zokiolona iray naka aina, satria nitondra entana navesatra. Rehefa nanolotra ny hanampy azy ilay anabavy, dia nihiaka ilay vehivavy hoe: “Hay mbola misy ihany ny olona toy izao?” Nisaotra be dia be an’ilay anabavy izy, ary nanasa an’ilay anabavy hisotro kafe tany aminy. Nanaiky ilay fanasana ilay anabavy, ary nanararaotra ilay fahafahana mba hitoriana taminy, ka nampanantena ny hitondra ny boky Fahalalana ho azy. Na dia nilaza aza ilay vehivavy hoe tsy tia ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nandray ilay boky ihany izy. Rehefa niverina hitsidika azy ilay anabavy, dia nifankahita tamin’ny zanany vavy, ary tena faly izy io noho ilay zavatra reny. Mianatra tsy tapaka ny Baiboly amin’ny alalan’ny boky Fahalalana izao izy io.

Ny olona sasany izay manam-pahefana eo amin’ny politika dia mankasitraka ny asa ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny hafa kosa anefa, noho ny fanerena mafy avy amin’ny klerjy, dia manisy fameperana amin’ny asan’ny Vavolombelona. Velom-pankasitrahana anefa isika, satria tamin’iny taon-dasa iny, dia nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Pakistan sy Malezia ary Kazakhstan.

Ny loholon’ny fiangonana iray tany Pakistan dia nilaza tamin’ny mpiangona tao aminy mba tsy hampandroso ny Vavolombelona, satria hoe tsy mino an’i Jesosy ny Vavolombelona, no sady tsy marina ny fampianarany. Kanefa, ny mpisava lalana manokana iray dia niara-nianatra tamin’ny fianakaviana iray izay tsy nety nanajanona ny fianarany. Indray andro, dia tonga nitsidika an’io fianakaviana io, tamin’ny fotoana nanaovan’izy ireo ny fianarany Baiboly, ilay loholon’ny fiangonana. Nanatrika, tsy an-kiteny, an’ilay fianarana izy, ary talanjona nahita fa tena nampianatra ny Baiboly tokoa ny Vavolombelona. Ho vokany, dia natomboka ny fiaraha-mianatra tamin’io loholon’ny fiangonana io. Nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona izy ary Vavolombelona vita batisa ankehitriny. Tamin’ny alalan’io loholon’ny fiangonana taloha io, dia olona enina hafa no tonga mpanatrika tsy tapaka ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Misy tanàna maro any Malezia ahitana mponina maherin’ny 30 000, nefa tsy misy Vavolombelona na dia iray aza. Koa satria maro be toy izany ireo mponina mila ny hitondrana ny vaovao tsara, dia lehibe dia lehibe ny faritanin’ireo mpitory. Ny faritra sasany dia tena mamokatra. Nampiasa ny bokikely iray mitondra ny lohateny hoe Fiainana Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa!, izay voadika vao haingana tamin’ny teny kadazan-dusun, ny mpisava lalana manokana tsy maharitra efatra notendrena ho any Sabah, any avaratr’i Bornéo, ary nahorina fampianarana Baiboly 50 tao anatin’ny telo volana.

Asa goavam-be ny fanomezana zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly amin’ireo fiteny maro any Atsinanana. Efa misy amin’ireo fiteny azon’ny ankamaroan’ny mponina, fara fahakeliny, izy ireo. Fahasamihafana toy inona anefa no hita rehefa misy zavatra mivoaka amin’ny fitenin’ireo mponina eo an-toerana! Ny anabavy be taona iray tany Kirghizistan, izay tsy niteny rosiana, dia nahita fa tena voafetra ny fanompoany. Rehefa nivoaka tamin’ny teny kirghiz anefa ny boky Fahalalana, dia feno zotom-po izy nampiasa azy io. Ho vokany, dia nisy olona avy tany amin’ny tanàna kely hafa nahare momba ilay izy ary tonga nitsidika azy — nandeha an-tongotra, bisikileta na saretin’ampondra. Manana fampianarana Baiboly maromaro izao io Vavolombelona io, ary tena velom-pankasitrahana manana zavatra amin’ny fiteniny, mba hampielezana ny vaovao tsara.

Eoropa

Efa hatramin’ny 100 taona mahery izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanambara ny vaovao tsara tany Eoropa. Vavolombelona maro avy tany Eoropa no nifindra honina any an-tany hafa tena ilana mpitory ilay Fanjakana. Nandritra ireo taona 1990, dia nanehoana fiheverana manokana ny fanaovana fitoriana be dia be any Eoropa Atsinanana. Ary tato anatin’ireo taona faramparany, dia mpiavy maro be avy tany amin’ny tany tsy ahitana Vavolombelona firy, no nifindra honina any Eoropa, izay ahitana Vavolombelona maro be faly mandray azy ireo sy mizara amin’izy ireo ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany rehetra izany dia fitoriana atao “hatramin’ny faran’ny tany”, araka ny nambaran’i Jesosy mialoha. — Asa. 1:8.

Any amin’ny tany maro, ireo mpiavy dia manaiky avy hatrany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Rehefa manao izay azony atao ny Vavolombelona eo an-toerana mba hizarana ireo fahamarinana ara-baiboly amin’ireny olona ireny, dia manokatra ny fon’ireo ny fanahin’i Jehovah. Marina izany ny amin’ny mpitsoa-ponenana iray avy any Amerika Latina ary any Norvezy ankehitriny. Nahita olona niakanjo tsara, tanora sy antitra, nankany amin’ny Efitrano Fanjakana teo akaikin’ilay foiben’ny mpitsoa-ponenana, izy. Nanatrika fivoriana sasany tao amin’ilay Efitrano Fanjakana koa izy, ary tiany izay hitany tao. Tsy nahay ny teny norveziana anefa izy, no sady tsy nisy nahay niteny espaniola tao. Na dia izany aza, dia natomboka ny fiaraha-mianatra Baiboly taminy. Ilay Vavolombelona dia nampiasa ny boky Fahalalana sy ny Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao tamin’ny teny norveziana; ilay lehilahy liana kosa nampiasa ireo boky ireo ihany fa tamin’ny teny espaniola. Nifikitra akaiky tamin’ilay fanazavana tao amin’ilay fianarana izy ireo ary nanantitrantitra ireo andinin-teny, hany ka haingana ny fandrosoana. Ny filaminana sy ny firindrana ary ny fisakaizana hitan’ilay lehilahy tao amin’ilay kongregasiona dia nanamafy ny fiekeny fa nahita ny vahoakan’Andriamanitra ny tenany.

Rehefa afaka volana vitsivitsy, dia naniry ho tonga mpitory izy, nefa noho ny fiteny tsy nifankahazo, dia tsy hitan’ireo loholona raha nahafeno ireo fepetra izy na tsia. Kanefa, nisy fivoriamben’ny fizaran-tany iray tamin’ny teny espaniola nomanina hatao tany Oslo, 2 400 kilaometatra avy eo. Nanome vola ho an’ny saran-dalana amin’ny fiaramanidina ny rahalahy sasany, mba hanatrehany azy io. Hitan’ireo loholona niteny espaniola tany amin’ilay fivoriambe fa tena nahafeno ireo fepetra tokoa izy, ary dia nandray anjara voalohany tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha izy tamin’io fivoriambe io. Raha vao teo am-boalohany, dia nanao ezaka mafy mba hitory tamin’ireo mpitsoa-ponenana hafa tao amin’ilay foibe izy, ary nanasa azy ireo ho any amin’ny Efitrano Fanjakana. Tamin’izany fomba izany, dia fampianarana Baiboly maro no natomboka tamin’ny mpitsoa-ponenana avy tany Amerika Atsimo sy Afrika ary Eoropa. Herintaona taorian’ny nanatrehany ny fivoriany voalohany tao amin’ilay Efitrano Fanjakana, dia natao batisa izy.

Ny tanora sasany dia mifoka ny fahamarinana toy ny sponjy atsoboka ao anaty rano. Marina izany ny amin’i Marko, mpianatra iray tany Failandy. Nilazan’ny mpampianatra iray izy fa nisy Vavolombelon’i Jehovah iray niasa tao amin’ilay sekoly fianarana mozika. Nanatona an’ilay Vavolombelona i Marko, ary nanontany ny heviny momba ny raharaha sasany, nefa voafetra ny fotoana nahafahan’izy ireo niresaka. Ny harivan’iny, dia niantso an’i Marko ilay Vavolombelona, ary nilaza taminy fa azony natao ny nindrana boky taminy, raha tiany ny hahazo fanazavana fanampiny. Nankany an-tranon’ilay anabavy haingana i Marko, ary tany dia namaly ny sasany tamin’ireo fanontaniany ilay anabavy sy ny vadiny, ary nanome azy ny bokikely Takina sy ny vidéo Fandaminana ary ny boky La vie: comment est-elle apparue? Évolution ou création? Tao anatin’ny andro vitsivitsy, dia niverina izy mba hangataka boky hafa koa. Tamin’ny resaka nataony, dia hita fa tena nanaiky izay rehetra novakiny izy. Tamin’io indray mandeha io, dia nomena ny boky Fahalalana sy Baiboly iray izy. Nohazavaina taminy ny fandaharana ny amin’ny fiaraha-mianatra ny Baiboly tamin’ny olona liana, nefa naleony aloha namaky ilay boky samirery. Tao anatin’ny herinandro izy dia nahavaky ilay boky manontolo sy nanamarina ireo andinin-teny. Talohan’ny fianarany Baiboly voalohany, dia efa niala tamin’ny fiangonana izy. Avy hatrany izy dia nanomboka nitory tamin’ny havany sy ny namany ary ny mpampianatra azy tany amin’ilay sekoly fianarana mozika. Telo volana sy tapany taorian’ny fianarany Baiboly voalohany, dia natao batisa izy.

Ny vehivavy iray tany Estonia, izay mpampianatra teny rosiana, dia tafiditra lalina tao anatin’ny spiritisma efa hatramin’ny 20 taona, fony izy nifankahita tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanaraka lesona momba ny fampiasana karazana kapilim-pamantaranandro ho famantarana ireo taova marary ao amin’ny olona, izy. (Nanomboka nihetsiketsika io fiasana io, rehefa nametraka fanontaniana izy.) Nanatrika fivoriambe iray natrehin’ireo mpampiasa ny fahafantaran-javatra tsy ampiasana vavahadin-tsaina, avy tany amin’ny Firaisana Sovietika manontolo, izy. Nandray anjara tamin’ny fivorian’ireo mpaniry “Vanim-potoana Vaovao” izy. Fa nahoana? Narary mafy ny reniny, ary nitady fomba hitondrana fanamaivanana ho azy izy. Fantany fa nanasitrana olona i Jesosy, ary nino izy fa tsy maintsy ho mpanompon’Andriamanitra ireo mpanasitrana amin’izao andro izao. Tsy fantany fa nety ho avy tamin’ny loharano hafa noho Andriamanitra ny hery ahafahana manasitrana. (Deot. 18:10-12; Matio 7:15-23). Nanomboka nanaikitra sy nanakenda azy anefa ireo demonia. Nila fanampiana mafy dia mafy izy. Diso fanantenana tamin’ireo antokom-pivavahana hafa izy, ka nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Natomboka avy hatrany ny fiaraha-mianatra Baiboly taminy. Nianarany ny fomba fivavaka sy ny fomba hanoherana ny Devoly. Rehefa takany ny fiheveran’i Jehovah momba ny spiritisma, dia nandoro ireo bokiny momba ny spiritisma izy ary nanapotika ireo karazana kapilim-pamantaranandro dimy tany aminy. Tao anatin’ny efa-bolana izy dia nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha, mba hanampiana ny hafa handray soa avy amin’ireo fahamarinana izay nanampy azy be dia be hanafa-tena. Izao izy dia mpisava lalana mpanampy maharitra, ary velom-pankasitrahana satria anisan’ny vahoaka sambatr’i Jehovah.

I Dámaris, zanakavavy zatovon’ny loholona iray any Espaina, dia niaiky fa sarotra taminy ny nanomboka nitory tamin’ireo iray kilasy taminy. Hitany anefa fa nifoka sigara na nampiasa zava-mahadomelina ny ankamaroan’izy ireo. Fantany fa nila fanampiana izy ireo. Tamin’ny farany, dia niresaka tamin’ny iray tamin’ireo iray kilasy taminy, momba ny vokatry ny zava-mahadomelina sy ny fifohana sigara izy. Nohazavain’i Dámaris fa nanana boky iray niresaka momba ny foto-kevitra mahaliana ny tanora rehetra, toy ny vokatry ny fampiasana zava-mahadomelina, izy. Nangataka ny hahita ilay boky ilay ankizivavy, ary nampitampitaina teo amin’ireo iray kilasy taminy ireo ilay izy. Tokony ho ny ampahatelon’izy ireo no naniry hahazo ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra. Ny vokany: Nijanona tsy nifoka intsony ilay ankizivavy voalohany nitorian’i Dámaris, ary nisokatra ny lalana hiresahana bebe kokoa.

Nandritra ilay ady tany Iogoslavia teo aloha, dia nandia fotoana sarotra dia sarotra ireo rahalahintsika. Teo amin’ny ara-nofo, dia nampahantraina izy ireo, fa teo amin’ny ara-panahy kosa, dia nanankarena. Ohatra, tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray tany Zagreb, any Kroasia, dia nanohina azy ireo ny fanandraman-javatra nanafana ny fo avy tany Vukovar. Io dia tanàna iray any Kroasia teo an-tanan’ireo Serba, ary eo an-tanan’i Kroasia indray ankehitriny. Teo no nitranga ny sasany tamin’ireo fandringanana ratsy indrindra tamin’ilay ady, ary ny ankamaroan’ny mponina, anisan’izany ireo rahalahintsika, dia voatery nandositra mba hamonjena ny ainy. Nandritra ny efa-taona, ireo rahalahy tany Kroasia dia tsy nahalala fa nisy anabavy iray, i Maria, tafajanona tany amin’io tanàna io. Nitory izy, samirery aloha tamin’ny voalohany, ary tsindraindray dia afaka nankany amin’ny kongregasiona iray teo akaiky, tany Serbia. Novalian-tsoa be dia be ny zotom-pony nandritra ny ady. Azonao alaina sary an-tsaina ve ny fahagagan’ireo rahalahy, nandray olona tokony ho 20 avy tany Vukovar, tamin’ny fivoriamben’ny distrika?

Ireo Tanin’i Amerika

Ho vokatry ny fanompoana ataony amin-jotom-po, dia fantatra tsara manerana ireo tanin’i Amerika ny Vavolombelon’i Jehovah. Olona maro, na dia tsy mifidy ny hiaina araka ny fari-pitsipiky ny Baiboly aza, no talanjona noho ny asa ataon’ny Vavolombelona. Mety hampiaiky volana azy mihitsy aza ny sasany amin’ireo torohevitra azo ampiharina eo amin’ny fiainana asehon’ny Vavolombelona azy avy ao amin’ny Baiboly. Mazava ho azy fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia mikely aina koa mba hanampy azy ireo hahafantatra sy hankasitraka an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Loharanon’izany torohevitra izany, ary koa ny fikasany feno fitiavana ny amin’ny olombelona.

Na dia miezaka mafy hitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny olona aza ireo mpisava lalana, dia tsy manantena velively ny hahazo meday noho ny asany izy ireo. Na dia izany aza, dia izany indrindra no nitranga tamin’ny iray tamin’ireo mpisava lalantsika manokana any Venezoela. Gaga i Carmen Bravo indray andro, naharay fanasana avy tamin’ny “Komitin’ny Vehivavy Páez”, mba hanatrika ny fankalazana iray izay handraisany meday iray noho ny “anjara asany teo amin’ny sehatry ny fivavahana”. Fa nahoana anefa? Ny tanànan’i Guasdualito dia nahita ady anaty akata be dia be, nefa i Carmen, 70 taona, dia nanana fitaomana nampitony teo amin’ny vahoaka, rehefa namaly ny fanontanian’izy ireo avy tao amin’ny Baiboly, sy nitarika fampianarana Baiboly ary nametraka zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly. Olona maro tao amin’io tanàna io no namaky sy nankasitraka Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! Afa-tsy izany koa, dia nampiaiky volana an’ireo manam-pahefana ny isan’ny fanambadiana nosoratana ara-dalàna, ho vokatry ny asa fitoriana ny filazantsara ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Amin’ny ankapobeny, dia heverina ho mpikambana sarobidy ao amin’ny fiaraha-monina i Carmen. Faly i Carmen nanaiky ilay meday, nefa mihevitra amim-panetren-tena ny tenany ho fitaovana ampiasain’i Jehovah hitondrana ny hafany any amin’ny olona fotsiny izy. — Ampitahao amin’ny 1 Korintiana 3:6, 7.

Tany Porto Rico, ny Vavolombelon’i Jehovah dia niseho teo anoloan’ny filan-kevitry ny olona ambony tao amin’ny fitondrana, momba ny fampiasana ny kianja iray hanaovany fivoriamben’ny distrika. Nangataka ny hiteny voalohany tamin’ilay filan-kevitra ny lehilahy iray izay anisan’ireo nanome ny fahazoan-dalana hampiasa ireo toerana ireo nandritra ny taona maro. Nilazany izy ireo hoe indray mandeha isan-taona, rehefa nampiasa ilay kianja ny Vavolombelon’i Jehovah, dia voadio tanteraka izy io. Ny taona talohan’io, dia simba ny fitaovana fampangatsiahan-drivotra tao amin’ny faritra iray. Taorian’ilay fivoriamben’ireo Vavolombelona, dia hitany fa namboarin’izy ireo maimaim-poana ilay fitaovana simba. Namboarin’izy ireo koa ny zavatra simba sasany tamin’ny jiro sy ny fantson-drano. Ary ny parking dia nadio tsy nisy pentina. Nolanin’ilay filan-kevitra ny fanomezan-dalana ny Vavolombelona hampiasa ilay kianja maimaim-poana ho an’ny fivoriambeny nanaraka.

Noho ny varo-maizina zava-mahadomelina nihoa-pampana tao amin’ny faritra mahantra iray tany Haïti, dia nisava sy nanapotika trano maromaro ny miaramila. Kanefa, rehefa nahita Ny Tilikambo Fiambenana sy boky hafan’ny Fikambanana tao amin’ny tranon’i Anna izy ireo, dia nilaza hoe: “Tsy tokony hanapotika an’itỳ trano itỳ isika. Tsy manao varo-maizina zava-mahadomelina ny Vavolombelon’i Jehovah.” Rehefa nahita izany ny mpiara-monina iray, dia nihazakazaka nankany an-tranony, ary namelatra ireo bokiny avy tamin’ny fivavahana protestanta. Rehefa tonga ireo miaramila, dia nilazany hoe tsy nila nisava ny tranony izy ireo, satria nanana boky ara-pivavahana koa izy. Nijery ireo boky izy ireo ka nilaza hoe: “An, an, an, hafa ireto boky ireto.” Ary dia nopotehin’izy ireo ilay trano. Mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah akory i Anna tamin’izay. Taorian’iny fisehoan-javatra iny anefa, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hanampy azy hampifanaraka ny fiainany amin’ireo fari-pitsipiny marina. Vavolombelona vita batisa izy ankehitriny.

Tao amin’ny kongregasionan’i El Cruce de Cajamarca, any Peroa, dia nahita an’i Rafael ny mpisava lalana manokana iray. Natao ny fandaharana mba hiarahana mianatra ny boky Fahalalana taminy sy ny fianakaviany. Noho ny tranony lavitra be, tamin’ny voalohany ilay fianarana dia tsy natao isan-kerinandro. Tamin’ilay fianarana voalohany anefa dia gaga ilay rahalahy nahalala fa tsy nino ny Trinite, na ny afobe, na ny “olo-masina”, i Rafael. Rehefa nanontaniana izy hoe: “Taiza no nianaranao izany?”, dia hoy ny navaliny: “Tamin’ny famakiana itỳ boky itỳ”, ary dia namoaka ny boky Hiaina Mandrakizay izy. “Kanefa, zavatra hafa ankoatra ny famakiana azy itỳ fotsiny no ilaina”, hoy izy nanampy teny. “Mila olona hanampy ahy aho.” (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:31.) Tamin’ny fianarana faharoa, dia nilaza i Rafael fa nanokana ny alahady hitsidihana ny mpiara-monina taminy sy hampianarana azy ireo izay nianarany, izy sy ny vadiny. Tamin’ny fitsidihana fahatelo nataon’ilay mpisava lalana, dia hitany fa nanao fitsidihan’ny mpiandry i Rafael, tamin’ny fampiasana ny fanazavana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1993, dia ilay gazety nampiasain’ilay mpisava lalana koa mba hanaovana fitsidihan’ny mpiandry. Tao anatin’ny fotoana fohy, dia tonga mpitory tsy vita batisa i Rafael sy ny vadiny, ary tamin’ny Aogositra lasa teo, dia natao batisa izy mivady.

Raha nitombo haingana tsy nisy ohatra izany ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana any Meksika tato anatin’ireo taona faramparany, ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna ao amin’ny biraon’ny sampana koa dia niezaka mafy mba tsy ho voahitsakitsaka ny zon’ireo rahalahintsika. Ny fomba iray nanaovana izany dia ny fifampiresahana tsy tapaka tamin’ireo manam-pahefana, mba hanomezana toky azy ireo ny amin’ny fahavononantsika handamina zava-manahirana amim-pilaminana. Ohatra, tao amin’ny Fanjakan’i Chiapas, fony nalamina tany amin’ny fitsarana ny raharaha iray momba ny tsy fandraisan’ny Vavolombelona anjara amin’ny fety ara-pivavahana eo an-toerana — ary nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ilay didim-pitsarana — dia nampiasa ilay fahafahana ny Vavolombelona mba hanazavana fa tena vonona ny hiara-miasa izy ireo, raha ny amin’ny asa tsy ara-pivavahana na ara-politika ataon’ny fiaraha-monina. Nampiaiky volana an’ireo tompon’andraikitra nikarakara ilay raharaha ny fahadiovana sy ny fahamendrehana ary ny fanajana niharihary teo amin’ireo tantsaha tso-piaina ireo, izay Vavolombelon’i Jehovah.

Ny loholona iray tany Maine, any Etazonia, dia nahita fa ny fitoriana teny ambony sambo no iray tamin’ireo lafiny namokatra indrindra tamin’ny fanompoany. Indray mandeha, dia nitory tamin’ny manamboninahitra ambony indrindra tao amin’ny sambo iray avy tany Philippines izy. Nampihatra izay nianarany avy tamin’ny famakiana Baiboly nataony samirery ilay lehilahy, ka efa niala tamin’ny Fiangonana Katolika. Tamin’ilay fitsidihana voalohany, dia niara-niresaka taminy momba ilay taratasy mivalona hoe Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana, ilay loholona. Koa satria efatra andro monja no hijanonan’ilay sambo tao an-tseranana, dia ny alin’iny ihany no nanaovana ilay fiverenana mitsidika voalohany, ary nisy roa hafa taorian’izay. Nitondra vidéos-n’ny Fikambanana enina ilay rahalahintsika. Nisy vokany lalina aoka izany teo amin’io tompon’andraikitra io ireo resaka sy ireo vidéos, hany ka tsapany fa nila nanao fiovana lehibe teo amin’ny fiainany ny tenany. Naneho faniriana mafy ny hianatra bebe kokoa momba ny Tenin’Andriamanitra sy hampihatra azy io teo amin’ny fiainany manokana, izy.

Tamin’ireo fivoriamben’ny distrika 37 nomanina ho an’i Kanada tamin’iny taon-dasa iny, dia 9 no natao tao amin’ny provansin’i Québec. Ny iray tamin’ireo dia tao amin’ny Tanànan’i Québec, nahitana mpanatrika 9 213. Dimy no natao tamin’ny faran’ny herinandro nisesy tao Sherbrooke. Ny tontalin’isan’ny mpanatrika ireo fivoriambe sivy tao amin’io provansy io dia 32 181. Tena fahasamihafana lehibe amin’ny tamin’ny hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany tamin’ireo taona 1940 sy ireo taona 1950 izany! Olona an-jatony maro tamin’izany fotoana izany no nosamborina. Ny sasany nifanandrina tamin’ny mpirotaka. Tsy nitsahatra nankatò an’Andriamanitra ho filohany anefa izy ireo; tsy nety nitsahatra nilaza tamin’ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo. Ho vokatry ny fikirizany, dia niova ny lalàna tany Kanada, ka niaro kokoa ny fahalalahan’ny Kanadiana rehetra. Ankehitriny dia misy kongregasiona miroborobo 12 ao amin’ny Tanànan’i Québec ary 4 ao Sherbrooke. Nitahy ny fanompoana notohizin’ny Vavolombelony natao tamim-pahatokiana i Jehovah.